Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny fakam-panahy sy ny nahalavoan’ ny olona

    Nony tsy afaka nanohy ny asa fikomiany tany an-danitra i Satana, dia nikendry hamely sy handavo ary handevona ny zanak’ olombelona tety an-tany indray izy. Ny fahasambarana feno mitafo- tafo nananan’ i Adama sy Eva tao amin’ ny saha Edena, dia mba nampahatsiahy azy ny fiadanany fahizay. Feno fialonana aoka izany izy ka nanapa-kevitra fa hanao izay rehetra azony hatao mba haha- tonga azy mivady tsy hankatò ny didin’ Andriamanitra ka hiharan’ ny vokatry ny fahotana. Ny hanova ny fitiavan’ izy roa ho fiahiahiana ary ny fifaliany ho faniniana Ilay Mpamorona azy no nimasoan’ ilay fahavalo. Noheveriny fa raha tanterany izany, dia tsy hoe ho latsaka amin’ ny fahavoazana fotsiny ihany izy mivady, fa ho afaka hiteny ratsy an’ Andriamanitra koa izy ka hampanjonitra ny lanitra manontolo.PM 33.1

    Tsy navela tsy hahalala ny loza mananontanona azy anefa ireo razambentsika. Iraka avy tany an-danitra no nitantara taminy ny fahalavoan’ i Satana ; naseho taminy ny tetika hampiasain’ ny fahavalo hamelezana azy. Nohazavain’ ireo iraka koa ny toetran’ ny fanjakan’ Andriamanitra izay nokasain’ ilay ratsy haongana. Noho ny fandikany ny lalàna marin’ Andriamanitra, hoy ireo iraka, no antony nanjerana an’ i Satana sy ny miaramilany. Izany, hoy izy ireo, dia maneho aminareo ny maha-zava-dehibe ny fanomezam- boninahitra io lalàna io izay harahina mba hisian’ ny filaminana sy ny fahamarinana eo amin’ izao tontolo izao. Ny laiàn’ Andriamanitra izay fitaratry ny sitrapony sy fanehoana ny toetrany sy ny fahendreny arv ny fitiavany, dia masina indrindra toy ny mahamasina ny Tenany ihany. Miankina amin’ ny fifandraisan’ ny zavatra rehetra amin’ izany lalàna izany - na ny zava-manan’ aina izany na ny tsy manan’ aina - ny he firindran’ ny zavaboary rehetra. Napetrak’ Andriamanitra ho ambanin’ ny lalàna marina sy mandrakizay ny zavaboary rehetra. Tsy azo dikaina izany ialàna izany. Ny zavaboary dia fehezin’ ny lalana izay mifehy ny zavaboary ; fa ny olona kosa dia mbola hampamoahina eo anatrehan ireo lalàna mifehy ny saina amam-panahy Ny olombelona dia nataon Andriamanitra no sangan asany sady nomeny fahaizana mahatakatra izay tadiavin ny lalàna ; izany dia ahazoany mitia ny rariny sy ny soa aterany. Koa dia fanka- toavana avy hatrany aseho amin’ ny asa no tadiavin’ Andriamanitra aminy.PM 33.2

    Toy ny efa natao tamin’ ny anjely. dia navela ho zahan-toetra koa ny mponina tao Kdena mba hahitana na hankatò izy ka ho velona na ny tsy hankatò ka ho faty. Ilay tsy afaka nitahiry ireo anjely niodina. dia tsy afaka hitahiry azy ireo koa raha tsy manaja ny sitrapon;. izy. Ny tsy fankatoavana dia manaisotra ny fanomezan’ Andramanitra ka mahatonga loza sy fandringanana.PM 34.1

    Nasain’ ny anjely nitandrina mba tsy ho tratran’ ny fandrik’ i Satana i Adama sy Eva. Tsy misy fiatoana hoy izy ireo tamin’ izy mivady ny fikendreny anareo. Kanefa raha mijoro ho mahatoky mandrakariva ianareo, dia tsy hahavita na inona na inona aminareo ilay ratsy, satria raha ilaina, dia ho avy ny anjely rehetra hamonjy anareo. Raha resinareo ny fitaka voalohany hamelezany anareo, dia hanana fiarovana toy ireo iraky ny lanitra ianareo. Fa raha indray mandeha monja ianareo no latsaka amin ny fakam-panahy, dia ho simba tokoa ny toetranareo, ka tsy hanana hery na faniriana ampy hanoherana an’ i Satana intsony ianareo.PM 34.2

    Nv fandrarana ny tsy hihinanana ny voan’ ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. dia fisedrana izay ho fankatoavan’ i Adama sy Eva ny fitiavany an’ Andriamanitra. Izany no hany fandrarana nisy tany Edena. nefa ny tsy fankatoavana azy indray mandeha monja, dia hiteraka fahafatesana. Tsy navela haka fanahy tsy anki- janona azy mivady i Satana. Teo am-pototr’ ilay hazo voarara ihany no nahazoany nanao izany. Ny fahalianana ta-hahalala ny tena toetran’ ilay hazo dia mety mahatonga fahalavoana eo amin’ ny fandrika navelatr’ ilay ratsy. Koa dia nanarina mafy izy mivady mba hitandrina tsara izay hafatrafatr’ Andriamanitra sy mba hankato tsara ny toro-hevitra samihafa izay homena azy.PM 34.3

    Mba hahatonga ny asany hahomby, dia nanapa-kevvitra hampiasa fomba fisehoana mety hahatanteraka ny fikasan-dratsiny i Satana Naka ny endriky ny menarana izy. Io biby io mantsy tamin’ izany fotoana izany dia isan’ ny anankirày tamin’ izay kanto sy nanan- tsaina indrindra tamin’ ny zavaboarin’ Andriamanitra. Nanana elatra izy, izay namirapiratra miendri-bolamena madio rehefa nanidina izy. Tsy azo natao mihitsy ny tsy ho talanjona raha nahita azy teo ambonin’ ilay hazo voarara, nihinana tamin’ ireo voankazo maha- te-ho tia. Dia toy izany no fomba niafenan’ ilay mpandrava tao amin’ ny sahan’ ny fiadanana ka nijokoany azy mivady.PM 35.1

    Efa nambaran’ ny anjely tamin’ i Eva ny loza mety hananon- tanona azy raha misara-dia amin’ ny vadiny izy. Raha miaraka lalan- dava amin’ ny vadinao ianao, hoy izy ireo taminy, dia ho maivana kokoa ny fakam-panahy noho ianao mandeha irery. Variana loatra tannn’ ireo asa mahasondriana fanaony izy, ka tafasaraka tsy nahy tamin’ i Adama. Rehefa nahatsiaro fa irery izy dia natahotra. Noroahiny anefa izany tahotra izany, ary nihevitra izy fa efa hendry ka mahalala manavaka ny ratsy sy manohitra azy.PM 35.2

    Hadinony ny hafatrafatry ny anjely ka dia tonga hatreo am-pototr ilay hazo voarara ny diany. Sady variana izy no gaga raha nijery azy. Maha- te- ho tia ny voanv ka nanontany tena izy ny anton’ ny fandraran’ Andriamanitra. Tonga ny fotoana nandrasan’ ilay mpaka fanahy. Toa tsinjony izany eritreritra tao am-pon-dRavehi- vavy izany. ‘Hanky !” va re, hoy izy taminy, ‘efa nataon’ Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ ny saha’ ‘?1PM 35.3

    Sadv gaga no natahotra Eva raha nahare izany feo tsy nampoiziny izany, izay naneho ny tao anatin’ ny fony. Tsy nangina ilay menarana fa mainka koa nandoka azy tamim-peo manga sy mahafinaritra. Nihaino tsara izany fandokafana ny hatsaran-tarehiny izany Eva , tsy mba nandositra izy fa vao mainka koa nitaredretra variana nijery ilay menarana niteny. Raha zavatra mitarehin’ anjely mantsy no hitany, dia ho natahotra izy ; tsy tonga tao an-tsainy velively fa fiasana entin’ ilay mpaka fanahy hamandrihana azy io biby mahafati- faty io.PM 35.4

    Ho valin’ ny fanontaniana feno hafetsena napetrak ilay ratsy, dia namaly izy ka nanao hoe: ‘Ny voan ny hazo eo amin ny saha dia azonav ihinanana ihany ; fa ny voan ny hazo eo atovoan ny saha kosa no efa nataon Andriamanitra hoe. Aza ihinananareo na tendrenareo izany, fandrao maty hianareo. Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory hianareo ; fa fantatr’ Andriamanitra fa amin izay andro hihinananateo azy dia hahiratra ny masonareo ka ho tahaka an’ Andriamanitra hianareo. hahalala ny tsara sy ny ratsy ’.PM 36.1

    Nasain ilay mpamitaka nino izy fa ny fihinanana ny voan’ ilay hazo dia hahatonga azy mivady hisondrotra ho ambommbony kokoa sy hanana fahalalana bebe kokoa. Moa ny tenany koa va tsy efa nahita soa ka nanjary nahay niteny noho ny fihinanany ilay voan- kazo? Dia nambarany moramora fa ny antony nandraran’ i Jehovah ny voan ny hazo, dia noho Izy matahotra fa sao dia hitovy aminy ny olona Fa noho ny hery mahagaga ananan’ ity hazo ity, hoy indray izy noho izy afaka hanolo-pahendrena no antony tsy namelana anareo hihinana na hanendry azy akory. Ary tamin’ ny teny niolaka no nilazan’ ilay mpamitaka fa ny fandrahonana nataon’ Andriamanitra dia tsy mba hotanterahiny akory ; ho fampitahorana azy mivady fotsiny no antony nanaovana izany. Dia hoy indray izy: Ahoana anefa no hahafaty anareo ? Moa tsy efa nihinana tamin’ ny voan’ ny hazon’ aina va hianareo ? Ny kendren’ Andriamanitra dia ny hihazona anareo tsy ho tonga ho ambonimbony kokoa na hahatsapa fahasambarana bebe kokoa.PM 36.2

    Hatramin’ ny andron’ i Adama ka mandrak’ androany, dia tsy mbola nivona fenitra ny tetik’ ady ampiasain’ i Satana. Miezaka izy mba hahatonga ny olona hisalasala ny amin’ ny fitiavan’ Andria- manita sy ny fahendreny. Milofo tsy an-kijanona izy mba hanisika ao aminy toe-tsaina lian-kahalala sy tsy fanajana ary faniriana tsy mety tony ta-hamantatra ny tsiambaratelon ny fahendrena sy ny herin ny Tsitoha. Ny fitadiavana hahafantatra izay tsy nasehon’ Andriamanitra dia mahatonga olona maro handalo fotsiny ireo faha- marinana nambaran’ Andriamanitra izay mitera-pamonjena. Manosika ny olona ho eo amin ny tsy fankatoavana i Satana ka mampanantena azy fa misy zava-miafina mahatalanjona eo amin’ ireo toerana voarara. Fahadisoan-kevitra sy fahadisoam-panantenana anefa no hita. Dia mizotra tokoa ny olona, feno toe-tsaina te-ho ambony, ka manitsa- kitsaka Andriamanitra fa mandia kosa ilay lalan’ ny faha- simbana sv ny fahafatesana.PM 36.3

    Niezaka i Satana mba hampino azy mivady tompon’ ny saha Edena fa misy tombon-tsoa ny fandikana ny didin’ Andriamanitra. Moa tsy hevitra toy izany va no mbola hita mandrak’ ankehitriny ? Maro ny olona izay mihevi-tena ho malala-tsaina sy manana fahafa- hana no maneso ireo izay miezaka hankatò ny didin’ ny lanitra. Nihambo i Satana fa nahazo soa be dia be avy tamin’ ilay hazo voarara. Tsy nambarany fa noho izany antony izany ihany no nandroahana azy tany an-danitra ka nahatonga azy ho tra-doza marobe. Nafeniny ny anjara mahatsiravina miandry azy ka nilofo izy mba hampidina ny olona hitovy aminy. Dia toy izany koa ankehitriny, afenin’ ny ratsy fanahy ny tena toetrany ; ny fihamboany te ho masina dia vao mainka koa mampidi-doza. Ny asan’ i Satana no ataony ary mamporisika ny namany izy hanao toy izany koa. Izany anefa dia miteraka ny fandringanana azy mandrakizay.PM 37.1

    Natoky tokoa ny tenin’ i Losifera i Eva, nefa tsy nahavonjy azy izany fahatokiana izany. Lavo izy noho izy tsy nino ny tenin’ Andriamanitra. Amin’ ny andro fitsarana dia hohelohina ny olona. tsy noho izy nino tanteraka ny lainga, fa noho izy tsy nety nino ny fahamarinana sy noho izy nanao an-tsirambina ny fotoana tokony ho nianarany izany. Tsy main tsy tadiavina amin’ ny fo rehetra ny fahamarinana. Ireo ohatra nomena antsika ao amin’ ny Soratra Masina dia mampitandrina sy mampianatra antsika fatratra. Natao ireny mba hiaro antsika tsy ho voafitaka. Ny fanaovana tsinontsinona ireny dia mampidi-doza. Izao no zavatra azo antoka: izay rehetra manohitra ny Tenin’ Andriamanitra dia manao ny asan’ i Satana. Na dia eo aza ny hevi-petsin’ ilay fahavalo izay manizingizina fa tsy marina izany. dia mbola hita hatrany hatrany ihany fa mampidi- doza mandrakariva ny tsy fankatoavana an’’Andriamanitra.PM 37.2

    Dia nioty voa iray tamin’ ilay hazo voarara ilay menarana ka nametraka azy teo am-pelatanan’ i Eva. Nanaiky i Eva na dia tsy sitraky ny fony aza, ary ilay mpaka fanahy kosa namerina ny teniny: noraràn’ Andriamanitra ka mahafaty. Nihasahy i Eva rehefa nahita fa tsy nisy ratsy nanjo azy. Hitany fa ny voan’ ilay hazo dia tsara ho fihinana sady mahafinaritra ny maso no maha-te-ho tia, fa toa hampa- hahendry, ka dia naka izy ka nihinana. Tena tsara ny tsirony ary raha mbola nihinana izy, dia toa nahatsiaro hery mamelombelona tokoa. Nihevitra ny tenany ho tafasandratra tany amin’ ny toerana ambonimbony kokoa izy, ka dia tsy natahotra intsony fa nioty sy nihinana. Ary ankehitriny, satria efa tsy nankatò izy, dia ho tonga fiasana eo am-pelatanan i Satana ho famelezana ny vadiny. Feno hery mahangoly izy raha niroso teo anatrehan i Adama, nitantara taminy ny zava-niseho.PM 37.3

    Voalin’ alahelo nifangaro hatairana sv fahagagana no nisoritra teo an-tavan’ i Adama Hoy izv tamin’ ny vadiny: ilay menarana feno zava-miafina mihitsy angamba no fahavalo nampitandremana antsika; koa noho izany. araka ny fitsaran’ Andriamanitra, dia ho faty ianao. Mba ho valin’ izany. dia tsy nanao afa-tsy namporisika azy fatratra i Eva sayd namerimberina ny tenin’ ny menarana hoe:‘Tsy ho faty tsy akory hianareo”. Tsy mamtsy ho marina ireo teny ireo, hoy izy, satria tsy mahatsiaro akory izay tsy fifalian’ Andria- manitra aho; fahafinaretana no tsaroako vao mainka mameno ny tenako, dia fianana mitovy amin’ ny an’ ny mponina any an-danitra.PM 38.1

    Fantatr’ i Adama fa ny vadiny dia efa nandika ny didin’ Andria- manitra sady nanitsakitsaka ny fandrarana tokana izay efa nomena azy roa ho fizahan-toetra ny tahatokianv sy ny fitiavany. Koa nisy ady mahatsiravina taoanatiny. Nalahelo fatratra izy raha nahita fa latsaka tao amin’ ny fandrik’ ilay mpaka fanahy i Eva. Kanefa, inona no azony hatao fa efa vita ny fahadisoana? Tsy maintsy hisaraka amin’ ny vadiny malalany izy. Ataony ahoana no fahazaka izany? Ry Adama, efa nifaly tamin’ ny fiarahana tamin’ Andriamanitra sy ny anjely ianao; ianao mahalala ny anjara ambony miandry ny taranako raha mitoetra ho mahatoky ianao. Ka moa ve havelanao hanjavona avokoa izany noho ny fahatahoranao hisaraka amin’ ny vadinao? Nahery noho ny zavatra rehetra anefa ny fitiavany an’ i Eva. Na ny fitiavany, na ny fankasitrahany. na ny fahatokiany ny Mpamorona, dia samy resin’ izany avokoa. Moa, hoy izy, tsy isan’ ny tenako va izy ka moa ho zakako ve izany hisaraka aminy? Tsy saintsaininy akory fa ilay hery tsy hita noanoa izay namolavola azy avy tamin’ ny vovoka ka nahatonga azy ho olombelona sy malia- te ho tia ary nanome vady sahaza azy araka ny fitiavany. dia afaka hanolo izany ho azy Koa dia nanapa-kevitra izy hiombon’ anjara amin’ ilay nania hiara-maty aminy raha tsy maintsy ho faty izy. Kanefa, hoy indray izy, moa tsy mety ho marina tokoa va ny tenin’ ilay menarana hendry? Toa vao mainka nahafatifaty sy toa tsy nanan-tsiny ery teo anatrehany i Eva tamin’ izay ; toa vao mainka koa nitombo ny fitiavany azy ; tsy nisy sontra teny amin’ ny tarehiny akory izay aloky ny lahalatesana Koa dia tapa-kevitra” i Adama fa histera izay rehetra mety ho vokatry ny asany: noraisiny nv voankazo ka dia nihinana izy.PM 38.2

    Rehefa vita ny fahotana nataony, dia toa nahatsiaro ny tenany ho tafasondrotra tany amin’ ny toerana ambonimbony kokoa izy ; kanjo, vetivety foana, dia nameno tahotra azy ny fahatsiarovana ny fahadisoana vitany. Ilay toetr’ andro nahafmaritra sy nitovy hatrany hatrany izay niainany, dia tsaroan’ izy mivady ho nangatsiaka fatratra; niala taminy ny fitafiany namirapiratra. Tsy sahy niseho nitanjaka teo anatrehan’ Andriamanitra sy ny anjely izy. ka nanam- boatra fitafiana. Tsy izany ihany, fa ny fitiavana sy ny fiadanana izay anjara lovany hatramin’ izao, dia nisolo aiahelo noho ny faha- tsiarovany ny ratsy nataony sy noho ny tahotry ny ho avy.PM 39.1

    Nanomboka nahatsapa ny tena endriky ny fahadisoany ilay razambentsika voalohany, ka dia nanome tsiny ny vadiny izay sahy nihataka lavitr’ azy loatra ka nanaiky ho tìtahin’ ny menarana. Tsy nanary toky anefa izy mivady noho ny fiheverany fa Ilay efa nampi- seho hatsaram-panahy lehibe taminy. dia hamela koa nv fahadisoany na hamay azy amin’ ny fomba morarnora kokoa.PM 39.2

    Faly tokoa i Satana satria nahomby ny tetik’ adiny. Voatahiry tsy hatoky an’ Andriamanitra sy hisalasala ny amin’ ny fahendrenv ary handika ny didiny ravehivavv. Tamin’ ny aialan-dravehivavy kosa indray no nahazoany namely an’ i Adama.PM 39.3

    Niomana hampiseho tamin’ ireo olon-diso ny vokatry ny faha- disoany Ilay Mpitsara Marina sy ambony indrindra. Niseho tao amin’ ny saha ny fanatrehany. Fony izy mivady mbola teo amin’ ny fahadiovany sy ny faharnasinany, dia antom-pifaliana ho azy ny fahatongavan’ ny Mpamorona. Fa ankehitriny kosa. indrisy. nandositra Adama sy Eva ary niery tany amin’ izay takontakona indrindra teo amin’ ny saha. ‘Fa Jehovah Andriamanitra niantso an-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Aiza moa hianao ? Dia hoy izy: Nandre Anao tao amin’ ny saha aho, dia natahotra aho. satria mitanjaka, ka dia niery. Ary hoy Izy: Iza moa no nanambara taminao fa mitanjaka hianao ? Efa nihinananao ve ny hazo izay nandrarako anao tsy hihinananao ?”PM 39.4

    Tsy afaka handà sy hanala tsiny ny tenany i Adama. Tsy mba nampiseho fibebahana avy hatrany izy, fa nanilika ny fahadisoanv tamin’ ny vadiny, dia tamin’ Andriamanitra koa. ‘Ny vehivavy izay nomenao ho namako. izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho”. Izy, izay noho ny fitiavany an’ i Eva dia sahy nandà ny fankasitrahan’ Andriamanitra, nandà ny Paradisa, nandà ny fianana mandrakizay feno fifaliana ; ankehitriny izy dia tsy misala- sala indrav hanilika nv vokatry ny fahadisoany amin ilay vadiny sy amin’ ny Mpamorona azy. Endrey izany herin ny fahotana !PM 39.5

    Nanontany an-dRavehivavy Andriamanitra ka nanao hoe: ‘Inona izao nataonao izao’.,’ Dia hoy izy: ‘Ny menarana no namitaka ahy, kadia nihinana aho’. izany dia toy ny milaza hoe: ‘ Nahoana Hianao no namorona ny menarana ? Nahoana Hianao no namela azy hiditra teto amin’ ny saha Edena ?” Izany no faniniana hita teo amin’ ny valintenin i Eva. Nailiny tamin Andriamanitra toy izay efa nataon i Adama ny tahadisoany. Ny saina feno tanamarinan- tena dia avy tamin’ ilay rain’ ny lainga. Raha vao resin i Satana ireo razambentsika, dia naneho izany toe-tsaina izany izy ireo; nifindra tamin’ ny zananilahy sy ny zananivavy indray izany. Tsy mba miaiky amim-panetren-tena ny tahadisoany ny olona fa vao mainka manala tsiny ny tenany izy ka manilika izany amin’ ny hafa, na amin’ ny fandehan’ ny toe-javatra, na amin’ Andriamanitra. Ny fitahiana raisina aminy aza dia manjary atao antony imonomononana aminy.PM 40.1

    Dia nanonona ny fanamelohana ny menarana Jehovah: ‘Satria nanao izany hianao. koa amin’ ny biby fiompy rehetra sy ny bibi- dia rehetra dia hianao no voaozona: ny kibonao no handehananao ary vovo-tany no hohaninao amin’ ny andro rehetra hiainanao”. Nampiasain’ i Satana ho fiasana nenti-namitaka ny menarana. ka dia hiara-mizaka aminy ny valin-keloka izy. Izy ilay isan’ ny nahafa- tifaty sy isan’ ny kanto indrindra tamin’ ny zavaboary rehetra, dia handadv izao ka ho tonga hankahalaina sy hatahoran’ ny olona sy ny biby hafa rehetra. Ny tapany faharoa tamin’ ny didim-pitsarana dia mvantana manokana tamin’ i Satana ka nanambara taminy ny fahareseny amin ny farany sy ny famongorana azy: ‘Dia hampi- fandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombe- lahin-tongony ’.PM 40.2

    Rehefa izany dia niomana handre ny filazana ny amin’ ny fahoriana sy ny fangirifiriana izay hanjo azy i Eva. Hoy Jehovah taminy: ‘Ny vadinao no hianteheran” ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao”. Nataon’ Andriamanitra nitovy tamin’ i Adama i Eva raha namorona azy Izy. Raha nijorc ho mahatoky tamin’ Andriamanitra mantsy izy mivady, nanaiky tsara ny lalàm-pitiavany. dia tsy ho nanam-pitsaharana teo aminy ny firaisana tanteraka. Fa ny ota dia nampiditra fifankahalana, ka dia tsy nisy intsony firaisan- tsaina sy fikambanana raha tsy amin’ ny alalan’ ny fandeferan’ ny anankiray amin’ ny mpivady. Ary satria 1 Eva no nanota voalohany ka dia izy no hilefitra eo ambanin’ ny fanirian’ ny vadiny. Tsy nanaraka ny hafatra nataon’ Andriamanitra izy fa nanalavitra ny vadiny ary noho ny famporisihana nataony no nahalavo an’ i Adama. Raha mankatò ny didin’ Andriamanitra sy manaiky izany fitsaran’ Andriamanitra izany ny taranak’ olombelona efa lavo. na dia vokatry ny ota aza izany, dia hitondra fitahiana kosa. Ny lehilahy maro anefa dia manararaotra ny fahamboniany, ka mampangidy fatratra ny anjaram-piainan’ ny vehivavy sy mahatonga azy hijaly.PM 40.3

    Sambatra tokoa i Eva raha nitoetra tao amin’ ny saha Edena, teo akaikin’ ny vadiny. Toy ny vehivavy ankehitriny ihany izy, tia fihetsehana sy tia jerijery ka nandoka tena ery teo am-pieritre- retana izay faritra ambony kokoa hitoerany. Naniry hisondrotra ho ambonimbony kokoa izy, kanjo nietry ho ambany. Anjara toy izany ihany koa no miandry ireo vehivavy rehetra izay tsy manaiky hanao amim-pifaliana izay anjara adidiny eo amin’ ny fiainana. Maro ny vehivavy izay manimba ny hajany sy ny fiandrianany, noho izy ireo mandao ny anjara toerana izay mety hahazoany ny fitahiany. mba hitady toerana izay tsy antonona azy.PM 41.1

    Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Adama: ‘Satria efa nihaino ny feon’ ny vadinao hianao, ka nihinananao ny hazo izay nandrarako anao hoe: Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao ; fahoriana no hihinananao ny vokany amin’ ny andro rehetra hiainanao. Ary haniry tsilo sy hery ho anao izy ; ary hoha- ninao ny anana famboly. Ny fahatsembohan’ ny tavanao no hahazo- anao hanina mandra-piverinao any amin’ ny tany; fa ny tany no nanalana anao ; fa vovoka hianao. ary hiverina ho amin’ ny vovoka indray hianao ’.PM 41.2

    Tsy mba ffkasan’ Andriamanitra velively ny hahatonga ny mponina tsy nanan-tsiny tao Paradisa hahalala ota. Ny soa sy ny tsara no nomeny azy be dia be, fa nesoriny kosa ny ratsy. Fa ankehitriny kosa. satria efa nifidy hihinana tamin’ ny hazo voarara izy, dia mbola hanohy hihinana amin’ izany ihany, izany hoe, hifamahofaho mandrakariva amin’ ny ratsy izy mandritra ny fiainany rehetra. Hatramin’ izay fotoana izay dia niharan’ ny famelezan’ i Satana izy. Ahiahy. asa inandreraka isan’ andro, fahadisoam-panantenana, fahoriana. fijaliana ary amin’ ny farany fahafatesana, izany no nisolo toerana ireo raharaha mahafinaritra fanaony.PM 41.3

    Raha namorona ny olona Andriamanitra, dia nampanjaka azy leto an-tany sy teo amin ny zavaboary rehetra. Raha mbola nitoetra ho mahatoky tamin’ Andriamanitra hatrany i Adama. dia nanaiky ny fanapahany ny tany rehetra. Fa noho izy niodina, dia niala tsy ho eo ambanin’ ny fanapahany ny biby, ary ny zavatra rehetra dia mijoro ho vavolombelona mampiseho ny tsy fankatoavany. Toy izany no nokendren’ Andriamanitra hanehoana amin’ ny olona, noho nv famindrampony lehibe. ny hamasinan’ ny didiny sy izay vokatrv ny fihatahana amin’ izany na dia kely monja aza.PM 42.1

    Ny fiainana feno asa sy tebitebv izay nomena ho anjaran’ ny olona dia mbola manafina eritreri-pitiavana ihany koa. Ho fitsipika hitaizana ny toetran’ ny olona izany. hamefy ny sitrapony, hibaiko ny fitiavany ary hanampy azy hitondra tena tsara. Isan’ ny hevitr’ Andriamanitra ho fanavotana ny olona ho afaka amin’ ny fahamba- niana sy ny fandringanana koa izany.PM 42.2

    Ilay filazana manao hoe: ‘Fa amin’ ny andro izay lhinananao azy dia ho faty tokoa hianao’2 izay nomena ireo razambentsika. dia tsy mampiseho fa ho faty miaraka amin’ izay tokoa izy mivady amin ny andro tsy hankatoavany azy fa izao: amin’ izay andro izay no hanononana ny fanamelohana azy. Nampanantenaina azy ny tsy fahafatesana raha mankatò izy. fa raha tsy mankato kosa dia ho veriny ny fiainana mandrakizay. Tamin’ iny andro voalohany nanotany my. dia voaheloka ho faty izy.PM 42.3

    Mba hahavelona azy mandrakizay, dia azon’ ny olona natao ny hihinana ny voan ny hazon aina. Noho ny tsy nahazoany nihinana tamin’ izany voankazo izany anefa. dia nihanihena tsikelikely ny ainy ary amin’ ny farany. dia tsy maintsy ho faty mihitsy izy. Ny hevitr’ i Satana dia ny mba hihinanan i Adama sy Eva ny hazon’ aina ka hahatonga azy mivady ho velona mandrakizay amin’ ny fiainana tsizarizary. Raha vao latsaka tao amin’ ny fahotana anefa izy, dia nisy anjely nirahina hiaro ny hazon’ aina. Ny hazavana natni- rapiratra nanodidina ireo iraka dia nitarehin-tsabatra afo. Tsy nisy tamin ny taranak’ i Adama afaka nihoatra ireo anjely ireo ka nihinana tamin ny hazon’ aina. Noho izany ary dia tsy misy mpanota tsy mety maty.PM 42.4

    Maro ny olona no milaza fa izao loza amin’ antambo samihafa rehetra izao izay manafotra ny tany dia tsy mifanentana velively amin’ ilay ota voalohany izay heverinv fa keiy dia kely. Koa dia hararaotiny izany mba hanomezan-tsiny nv fahendrena sy ny fahamarinan’ Andriamanitra. Raha mba te-handinika tsara izany toe-javatra izany akaiky dia akaiky mantsy izy, dia hahalala ny fahadisoany. Fa Andria-manitra nanao ny olona ho araka ny tarehiny, tsy nanan-tsiny sady natokana mba hameno ny tany amin’ ny taranany izay natao ambany kely noho ny anjely. ka tsy azony nekena mihitsy raha taranaka mpiodina amin’ ny lalàny no hameno ity gilaoby ity, koa dia tsy maintsy nozahana loetra ny olona. Ary satria maivana dia maivana ny fizahan-toetra, dia mampiseho ny hatsaram-panahin’ Andriamanitra izany, nefa koa mampibaribary ny tsy fankatoavan’ ny olona.PM 43.1

    Ary izao indray, raha mafy ny fizahan-toetra nanjo an’ i Adama, dia ho maro no ho sahy hanao ratsy ka hilaza fa zava-bitika ihany izany ratsy vitany izany, raha ampitahaina amin’ izay vitan’ i Adama, ka tsy-hahoan’ Andriamanitra. Tsy hampaninona ny eritreriny akory ny ota izay heveriny ho tsinontsinona ka tsy tokony hanomezan’ ny olona tsiny azy. Sitrak’ Andriamanitra raha aseho miharihary ny faharatsian’ ny ota na toy inona na toy inona endrika isehoany; koa dia diso hevitra i Eva satria nieritreritra toe-javatra hafa noho izanv.PM 43.2

    Amin’ ireo olona izay mihevitra fa tsy misy hery ny didin’ Andriamanitra, dia maro no manambara fa tsy ho vita ny hitandrina izany. Raha izany no izy, nahoana i Adama no niharan’ ny heloky ny tahadisoany ? Rian-dranom-pahoriana sy loza no natondraky ny fahotan’ ireo razambentsika teto an-tany, ka raha tsy noho ny hatsaram-panahin’ Andriamanitra sy noho ny famindrampony, dia ho famoizam-po tsy hita lany no ho naterak’ izany. Koa aoka tsy hisy ho diso hevitra fa ‘ny tambin’ ny ota dia fahafatesana’.3 Anke- hitriny, toy ny tamin’ ny andro nandrenesan’ 1 Adama ny didim- pitsarana, dia tsy azo atao koa ny mandika ny didin’ Andriamanitra ka tsy handray ny valin’ izany.PM 43.3

    Rehefa nanota i Adama sy. Eva, dia nilazana fa tsy azony atao intsony ny hitoetra ao Edena. Niangavy indrindra an’ Andriamanitra izy mivady mba havela hitoetra ihany eo amin’ ilay toerana nahitany f’ifaliana sy vavolombelon’ ny fahadiovany fahiny; niaiky izy fa tsy manam-pahefana intsony, sady nampanantena fa hankatò fatratra amin- ny ho avy. Izao no navaly azy: efa simban’ ny ota ny toetra- narco ; eta verinareo ny sasany amin ny hery enti-manohitra ny ratsy. koa dia ho mora resin i Satana kokoa hianareo noho ny tamin ny andron’ ny fahadiovanareo.PM 43.4

    Feno fietrena sy nitambesaran’ aiahelo fatratra i Adama sy Eva raha nandao ilay fonenana mahafinaritra, ka lasa nonina teo amin ny toerana voaozona. Ny toetr andro izay tsara sy nitovy hatrany teo aloha, dia niovaova. Mba hiarovana azy mivady amin ny hatsiaka sy ny hafanana, dia nanome fitafiana hodi-biby Andriamanitra. noho ny hatsaram-panahiny no nanaovany an’ izany.PM 44.1

    Raha vao nahita izy mivady fa nilofika ny voninkazo ary maina ny ravinka/.o. dia niteraka aiahelo mafy tao aminy izany, dia aiahelo mafy lavitra noho izay mahazo ny olona ankehitriny raha maty olo-malala. Ary rehefa tazany indray fa mihintsan-dravina ireo hazo makadiry misandrahaka ao an’ ala, dia mharifaary taminy tamin’ izav fa tratran’ ny fahafatesana tokoa ny tenan’ ny zavatra rehetra.PM 44.2

    Mbola naharitra nitoetra ela teto an-tany ilay fonena-mamy izay tsy azon’ ny olona naleha intsony. Nahatazana azy lavitra ireo olona lavo avy teo amin’ ny tsy fananan-tsiny ; teo am-bavahadin’ ilay \.iha tsy manam-paharoa izay nohidin’ ny anjely mpiambina sy nisehoan’ ny voninahitr’ Andriamanitra, no nivorian’ i Adama sy ny zanany mba hiankohofany teo anatrehan’ ny Mpamorona sy hanavaozany indray ny voadim-pankatoavany. Tatý aoriana, rehefa nanafotra ny tany ny onjam-paharatsiana ka efa hipaoka handevona ny olona noho ny helonv ny Safo-drano, dia nesorin’ Ilay tanana izay ela nametraka azy teto an-tany tsy ho ety intsony ny saha Edona Fa amin ny fotoana izay hamerenana indray ny toe-javatra rehetra ho amin ny laoniny, amin’ ny fotoana izay hisehoan’ ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao’,4 eny, amin’ izay fotoana izay, dia havenna indray izy. ka ho be voninahitra noho ny tamin’ ny fotoana nanolorana azy voalohany.PM 44.3

    Amin’ izay, izay rehetra nitandrina ny didin’ Andriamanitra dia hanana hery tsy mety maty eo ambanin’ ny aloky ny hazon’ aina ka handritra ireo taonjato maro hifandimby mandrakizay, dia hahita ao amin’ ilay Edena hampodina amin’ ny laoniny indray, ny zava-boaforon’ Andriamanitra fony tsy mbola voampentin’ ny ota sy izay nety ho toetry ny tany manontolo, raha mba niara-niasa tamin’ ny Mpamorona teo amin’ ny planany be voninahitra ny olonaPM 44.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents