Ny drafitry ny fanavotana
Patriarka sy mpaminany
- Contents- Sasin-teny
- Ny niavian’ ny ratsy
- Ny famoronana
- Ny fakam-panahy sy ny nahalavoan’ ny olona
- Ny drafitry ny fanavotana
- Kaina sy Abela
- Seta sy Enoka
- Ny Safo-drano
- Taorian’ ny safo-drano
- Ilay herinandro voalohany indrindra
- Ny tilikambon’ i Babela
- Ny niantsoana an’ i Abrahama
- Abrahama tao amin’ ny tany Kanana
- Ny nanaterana an’ Isaka ho fanatitra
- Ny nandravana an’ i Sodoma
- Ny nanambadian’ Isaka
- Jakoba sy Esao
- Ny nivahiman’ i Jakoba
- Ilay tolona mamatonalina
- Ny niverenan’ i Jakoba tany Kanana
- Josefa tany Egypta
- Josefa sy ny rahalahiny
- Mosesy
- Ny loza tany Egypta
- Ny Paska
- Ny fahafahana
Search Results
- Results
- Related
- Featured
- Weighted Relevancy
- Content Sequence
- Relevancy
- Earliest First
- Latest First
- Exact Match First, Root Words Second
- Exact word match
- Root word match
- EGW Collections
- All collections
- Lifetime Works (1845-1917)
- Compilations (1918-present)
- Adventist Pioneer Library
- My Bible
- Dictionary
- Reference
- Short
- Long
- Paragraph
No results.
EGW Extras
Directory
Ny drafitry ny fanavotana
Nahafeno aiahelo ny lanitra manontolo ny fandrenesana ny fahalavoan’ ny olona. Taranaka hianjadian’ ny fijaliana sy ny fahafatesana izao no honina amin’ ilay tany vao noforonina izay voa- pentin’ ny fahotana. Fitarainana lehibe omban-dranomaso no narotsak’ izao tontolo izao noho izany loza izany. Tsy nisy fomba hita hamonjena ireo olon-diso.PM 45.1
Ny fitiavan’ Andriamanitra anefa dia efa namolavola plana mialoha hanavotana ny olombelona. Nitady ny ain’ ny mpandika azy ny didin’ i Jehovah nohitsakitsahina. Masina toa an’ Andria-manitra mihitsy izany didy izany. ka tsy maintsy izay mitovy aminy no atolotra mba ho fanavotana ny olona sy hampihavana azy indray amin’ Andriamanitra, Ilay Tompon’ ny voninahitra sy Mpitarika ny tafiky ny lanitra rehetra, Izy no mitovy amin’ Andriamanitra. Mba hahazoany manatanteraka izany adidy izany, dia tsy maintsy mandray ao amin’ ny tenany ny heloka sy ny mariky ny fahotana Izy, hidina hatrany amin’ izay farany ambany indrindra amin’ ny fahafaham- baraka ka ho sarahina amin’ ny Ray.PM 45.2
Tsy nihemotra teo anatrehan’ izany loza lehibe izany ny Zanak’ Andriamanitra. Feno fangorahana azy mivady ny fony ary ny alahe- lony ny tany izay ho Very dia lehibe tokoa, ka dia nanaiky hanao ny fanavotana Izy sy hiaritra ny loza rehetra vokatr’ izany. Hanolo- tena Izy mba hanatanterahana ny fitiavana mandrakizay ananan’ Andriamanitra.PM 45.3
Raha mbola feno tebiteby sy nangitakitaka ny lanitra manontolo. dia niroso teo anatrehan’ ny Rainy Izy mba handahatra ho an’ ny mpanota Nahantra ela izany dinidinika izany, dia ilav ‘fisainam- pihavanana’1 ho entina hanavotana ny olombelona. Novolavolaina ‘hatiamin ny nanorenana izao tontolo izao’2 ny planan ny fmonjena izay mampiseho ny iamonoana ‘ny Zanak ondry tsj misy kilema na tsiny”. Tsy moramora tamin” ny Mpanjakan ny lanitra sy ny tanv anefa na dia izany aza, ny nanolotra ny Zanany ho amin’ ny fahafatesana. mba hanavotana ny olombelona izay ela diso 1 Tia fatratra izao tontolo izao Izy ka dia ‘nomeny ny Zanani-lahy Tokana. mba tsy ho very izay rehetra rnino Azy, fa banana fiainana mandrakizay))3. ‘Mihoatra noho ny fahalalana rehetra ny fitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao izay tsy tia azy akory Mandritra ny taonjato tsy hanam-pahataperana dia hikaroka mafy amim-piankohofana ny anton’ izany zava-miafina izany ireo mponina any an-danitra.PM 46.1
Tsy afaka mihavana amin’ Ilay Andriamanitra marina sy masina amin ny alalan” ny tenany fotsiny ny olombelona noho izy efa simban’ ny fahotana Ary Andriamanitra koa tsy afaka hihavana amin izao tontolo izao raha tsy amin’ ny alalan’ ny Zanany. 4 Ary ny Zanaka. rehefa avy mamonjy ny olombelona tsy ho tratran’ ny fanamelohan ny lalàna. dia afaka mampiray ny fiezahan’ ny olona amin’ ny herin’ Andriamanitra. Dia toy izany no hahatonga indray ny zanak’ i Adama ho ‘zanak’ Andriamanitra’5, dia amin’ ny alalan’ ny fiovam-po sy ny finoana ny Mpanavotra. Hiara-miasa hanatan teraka izany plana izany izao ny lanitra manontolo.PM 46.2
Nony efa novelabelarin’ ny Zanak’ Andriamanitra teo anatrehan ny anjely izany fomba ho entina manavotra ny olona izany, dia kepoka sy nanjonitra izy rehetra. Fa hoy ny Zanaka taminy: haha tonga fijaliana tsy hay tononina amin’ ny Lehibenareo ny fanavotana ny olombelona Tsy maintsy handao ny seza fiandrianany Izy.hanao veloma ny fifliana sy ny voninahitra mandrakizay eto amin’ ity fonenana madio sy leno fiadanana ity, ka hateraka eny am bonin’ ny tany toy ny olomelona rehetra, hiaina amin’ ny rivotry ny tany efa simba; izany dia mba hahazoany misolo voina ny mpanota. Ary rehefa miantra langiriliiiana sy fakam-panahy mpahazo ny olombelona Izy, dia haiaim-baraka sy hovonoina. Ilaina avokoa izanv ‘ rehetra izany mba hahazoan’ ny Tomponareo mamonjy izay rehetra alam panahy.6PM 46.3
Rehefa vita ny asany, hoy indray Izy, dia hatolotra ho eo m-tanan’ ny olona masiaka Izy ka hiaritra ny eso sy ny fanaratsiana ehetra. Dia hahatona eo anelanelan’ ny lanitra sy ny tany Izy, toy y olo-meloka ka ho faty amin’ ny fahafatesana mangidy indrindra. Ary rehefa avy mijaly mafy dia mafy teo am-pialan’ aina Izy, dia ijaliana tsy zakanareo hojerena, dia mbola hamakivaky samy irery ndray. ny lohasahan’ ny tebiteby lehibe indrindra: hivesatra ny ahotan’ izao tontolo izao ka hahita ny Rainy manodina ny tavany tsy hijery Azy.PM 47.1
Nony ren’ ny anjely izany teny rehetra izany, dia niankohoka teo an-tongotr’ Ilay Lehibeny izy ka samy nanolotra ny ainy hatao sorona hanavotana ny olombelona. Nefa hoy Izy: Tsy hahaioa ny trosan’ ny mpanota ny ain’ ny anjely iray. Izay namorona ny olona ihany no afaka manao izany. Mandritra ny fotoana voafetra, noho ny fahafatesana izay tsy maintsy hiaretany, dia hidina ho ambani- nareo ny Zanaka.7 Hitafy ny toetran’ olombelona Izy ka tsy hanana herin-tsaina toa anareo. Koa homba Azy ianareo, hampahery Azy, hanamaivana ny fijaliany. Ary rehefa izany, dia halefany ianareo ‘hanao fanompoana ho an’ izay handova famonjena’7. Toy izany koa no hiarovanareo ny vahoaky ny fanjakan’ Andriamanitra mba tsy ho resin’ ny herin’ ny anjely ratsy sy ny fahamaizinana izay ikendren’ i Satana hanaronana azy.PM 47.2
Rehefa manatrika ny fanevatevana sy ny fialan’ ain’ ny Tompo- nareo ianareo, dia halaim-panahy ianareo noho ny alahelonareo sy ny fahatezeranaieo, mba hanaisotra Azy tsy ho faty eo an-tanan’ ny mpamono Azy. Tsy havela hisakana na inona na inona anefa ianareo. Ny hetraketraka sy ny fanesoana hataon’ ny olombelona dia efa natao hò isan’ ny planan’ ny famonjena. Mba hahatonga Azy ho Mpamonjy, dia tsy maintsy hanaiky mialoha hiaritra izany rehetra izany ny Tomponareo.PM 47.3
Amin’ ny alalan’ ny fahafatesan’ ny Mpanavotra anefa no hana- votany olona maro sy handevonany ny herin’ ny fahafatesana. Halainy indray eo am-pelatanan’ i Satana izay naharesy ny olona ny fanjakana ka hatolony ho lovan’ ny voavotra mandrakizay. Ho levonina ny ota sy ny mpanota mba tsy ho afaka hanimba intsony na ny fiadanana eny ambonin’ ny tany, na ny fiadanana etý an-danitra. Koa dia mangataka anareo Aho, hoy indray Izy teo am-pamaranana ny teniny, mba hiombona handray anjara amin’ izany plana efa neken’ ny Raiko izany, ka hifaly noho ny hahazoana mampihavana ny olona amin’ Andriamanitra indray amin’ ny alalan’ ny fahafatesana.PM 47.4
Ny fieritreretany ny voninahitra sy ny fitaliana ho hita any amin’ ny tany vaovao dia hanamaivana ny aiahelo sy ny fijaliana izay hiteraka fahafatesana ho an’ Ilay Andrianan’ ny fiainana. Rehefa re izany, dia nisy fifalian-dehibe tany an-danitra aiy nanakoako eran’ ny kianjan ny lanitra ny feom-piderana, dia ireo hiram-piderana re nanakoako teo an-tamponkavoanan’ i Betlehema: ‘Voninahitra am amin’ ny avo indrindra ho an’ Andriamanitra ! ary fiadanana ho etý ambonin’ ny tany amin’ ny olona ankasitrahany’8. Nanoatra noho ny tamin’ ny namoronana izao tontolo izao ny fihetseham-po raha: ‘Niara-mhira ny kintan’ ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’ Andriamanitra’9.PM 48.1
Ny vaovao voalohany momba ny planan’ ny famonjena ren’ i Adama dia voafono tao amin’ ilay teny notononina ho an’ i Satana hoe: ‘ Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony”. Nitahiry fampanantenana ho an’ ireo razambentsika ny fandrenesany izany didim-pitsarana izany. Na dia milaza ady hifanaovan’ ny olona sy ny devoly aza izany, dia miliza koa ny ho faharesen’ ilay fahavalo makadiry amin’ ny farany. Toy ny olo-meloka mijoro manoloana ny mpitsara azy, dia toy izany koa Adama sy Eva. nihaino ny didim-pitsarana izay tsy manameloka azy fotsiny ho amin’ ny asa mafy ihany, fa ho amin’ ny fiverenana ho vovoky ny tany koa indray. Tamin’ izany koa anefa no nandre- nesany ireo teny namelom-panantenana azy fa na dia tsy maintsy miaritra ny herin ilay fahavalo lehibe aza izy, dia hahazo ihany ny fandresena farany.PM 48.2
Nony tantatr i Satana fa hisy fifandratesana aminy sy ny vehi- vavy, amin ny taranany sy ny tarana-dRavehivavy, dia takany fa ho voasakana ny asa ratsy kendreny hamelezana-ny olombelona, satria hanohira ny tamelezany izy. Kanefa, rehefa nahare ny filaza- lazana ny amin ny planan ny famonjena i Satana dia nifaly noho ny amin ny Zanak Andriamanitra voatery hiala avy eo amin’ ny seza fiandrianany mba hitafy ny toetran’ olombelona, noho ny fahalavoan’ i Adama. Noho izany fahombiazany voalohany izany, dia nandoka tena izy ary nilaza hanao izay rehetra azony hatao mba tsy hahatanteraka ny fanavotana ny olombelona.PM 48.3
Nisy anjely nanazava bebe kokoa ny planan’ ny famonjena tamin’ ireo razambentsika voalohany. Fa hoy izy taminy: ‘Na dia teo aza ny fahotana lehibe vitanareo, matokia fa tsy havela horoti- drotehin’ ny herin’ ny fahavalo tsy akory ianareo. Ny Zanak’ Andriamanitra dia efa nanolotra ny ainy mba hanafaka ny helokareo. Noho ny fotoana vaovao omena anareo hizahan-toetra ny fankatoavanareo an’ Andriamanitra sy ny finoanareo ny Mpanavotra, dia mety ho tonga zanak’ Andriamanitra indray ianareo ’.PM 49.1
Nampiseho tamin’ i Adama sy Eva ny fahamasinan’ ny Lalàn’ Andriamanitra ny fanatitra tsy maintsy hatao noho ny nandikan’ izy ireo izany. Tsy mbola nibaribary taminy hoatra ny tamin’ izay ny tena haratsin’ ny fahotana sy ny vokatra mahatsiravina aterak’ izany. Nokekerin’ ny nenina sy torovan’ aiahelo tokoa ny fony ka nitalaho tamin’ Andriamanitra izy mba hiaro ny Zanani-lahy izay foto- pifalian’ izy ireo ny fitiavany, ary mba hampihatra ny famaizana amin’ ny tenan’ izy mivady sy amin’ ny taranany.PM 49.2
Ny didin’ i Jehovah, hoy ny teny navaly azy ireo. no fototra iorenan’ ny fanjakany, na any an-danitra izany na etý an-tany. Ny manova azy, na dia ny anankiray monja aza, mba hifandrindra amin’ ny fahavoazanareo, dia tsy azo atao mihitsy. Tsy izany ihany, fa tsy azo ekena ho fanavotana anareo ny ain’ ny anjely. Fa ny Zanak’ Andriamanitra ihany, dia Ilay namorona ny olona, Izy irery no afaka hanao izany. Fa raha niteraka fijaliana sy fahafatesana ny fahalavoan’ i Adama, ny fanolorantenan’ Ilay Zanaka malala kosa dia hitondra fiainana sy tsy fahafatesana.PM 49.3
Teo amin’ ny fahadiovanareo dia afaka niresaka tamin’ Ilay Mpanao anareo ianareo. Fa nony efa nosarahin’ ny ota taminy kosa ianareo, dia ny fahafatesan’ ny Zanaka ihany no afaka hanototra ny lavaka nampisaraka anareo taminy sy hamoha lalam-baovao indray hampitohy ny lanitra sy ny tany. Izany no fomba hitondra famonjena sy fifaliana ho an’ ny olona. Ny fifaneraseranareo tamin’ Ilay Mpamorona anareo izay tapaka ankehitriny, dia hitohy indray amin’ ny alalan’ ny Zanaka sy amin’ ny alalan’ ny anjely.PM 49.4
Tsy ny olombelona ihany tsy akory no latsaka teo ambanin’ ny herin’ i Satana ka tokony hovonjena, fa ny tany koa. ‘Fa izay maha- resy ny olona dia mahandevo azy’10. Natolotra an’ i Ádama ny fanapahana ny tany rehetra. Nefa rehefa nanaiky ho resin’ ny fakam- panahy izy, dia lasan-ko babo ary ny fanjakany dia azon’ ilay mpandresy. Toy izany no nahatonga an’ i Satana ho ‘andriamanitr’ izao tontolo izao’11 Raha nanaiky handoa ny onitra noho ny ota ny Mpamonjy. dia tsy ny olona hany no havotany amin izany fa ny tany izay efa nielezan ny fal otana koa. Izay rehetra verm ilav Adama voalohany. dia voavonjin’ Ilay Adama faharoa kosa. ‘Ary hianao ry tilikambon ny andiany, tendrombohitr i Ziona zanaka vavy hoy ny mipaminany, ‘ammao no ho tonga izany, eny, ho tonga ny fanapahana voalohany”. Ny apostoly Paoly koa dia efa nilaza ‘ny fanavotana ny olona izay nalainy ho an ny tenany, ho fiderana ny voninahiny’12.PM 49.5
Namorona ny tany Andriamanitra mba ho fonenan’ ny olona masina sy sambatra ‘Andriamanitra ...namorona ny tany sy nahavita azy ... Tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namo- ronany azy, fa nataony honenana’13 Ho tratra izany fetra izany rehefa voadion ny herin’ Andriamanitra indray ny tany ka tsy hisy pentimpentin ny ota intsony, fa hanjary fonenan’ ny voavotra mandrakizay indray ‘Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay”. ‘Ary tsy hisy ozona intsony; ary’ ny seza fiandrianan Andriamanitra sy ny Zanak’ ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony... hahita ny tavany ’14.PM 50.1
Dia toy izany no nanehoan’ Andriamanitra izay zava-baventy hische eo amin’ ny fiainan’ ny zanak’ olombelona hatramin’ ny Safo-drano ka hatramin’ ny fahatongavan’ ny Zanany etý an-tany. Dia mbola nandre teny toy izao indray izy ireo: Na dia ampy haha- vonjy izao tontolo izao aza ny fanoloran-tena nataon’ ny Mpamonjy, dia mbola ho maro ihany ny olona hankamamy kokoa ny fiainana fena ota noho ny liainana feno fankatoavana. Hitombo hatrany hateraky isaky ny taranaka mifandimby ny faharatsiana, ary ny loza hateraky ny fahotana dia hihamitambesatra mafimafy kokoa hatrany amin ny olona sy ny biby Hanafohy ny androny noho ny faha- ratsiany ny olona; hihamihena na ny tsanganany, na ny tanjany. eny na dia ny herin-tsaina amam-panahiny aza. Hovesaram-pahoriana samy hafa ny tany ary noho ny faneken’ ny olona hanaraka izay fironan ny sainy dia tsy hahatakatra akory ny votoatin’ ny planan’ ny famonjena izy Na dia izany aza anefa, dia tsy hivadika amin’ ny fikasany ny zanak Andriamanitra ; hanolo-tena hó fialofana ho an’ ny maleny sy ny reraka Izy. Hanome ny ilain’ izay manatona Azy amin’ ny finoana Izy. Noho izany no tsy hahalany taranaka ny olo-marina mpanompon’ Andriamanitra, mitana ny fahalalana Azy etý ambonin’ ny tany. Hijoro tsy hanan-tsiny eo afovoan’ ny faharatsian’ ny besinimaro izy ireny.PM 50.2
Nanangana ny fomba amam-panao momba ny fanatitra Andriamanitra mba hampahatsiarovany ny olona mandrakariva ny otany sy mba hahazoany mampiseho ny finoany Ilav Mpanavotra izay ho avy. Ny biby voalohany nataon’ i Adama fanatitra dia nampalahelo azy fatratra. Tsy maintsy namono izany tamin’ ny tanany izy ka nanaisotra ny aina izay Andriamanitra irery no afaka hanome izany. Izany no voalohany nahitany ny fahafatesana izay tsy ho niseho na oviana na oviana raha tsy noho ny ratsy nataony. Ny fahalatsahan’ ny ran’ ilay biby tsy manan-tsiny dia nampihoron-koditra azy noho ny fieritreretany fa ny fahotany dia handatsaka koa ny ran’ ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra. Nahatsapany bebe kokoa sy lalindalina kokoa ny halehiben’ ny fahotana izay vitany izany, izay tsy ho voavela mihitsy raha tsy amin’ ny alalan’ ny fahafatesan’ Ilay Malalan’ Andriamanitra sy Ilay akaikin’ ny fony indrindra. Dia voahetsiketsika mafy ny fon’ i Adama raha nahita ny hatsaram-panahy lehibe nasehon’ ny Mpamonjy izay nanaiky hisolo voina ny mpanota: Kintam-panantenana no namirapiratra teo anatrehany hatramin’ izay, ka nanazava ny ho avy izay toa feno haizina sy aiahelo tokoa ny fitazany azy.PM 51.1
Tsy ny famonjena ny olona ihany anefa no zava-kendren’ ny planan’ ny famonjena fa midadasika lavitra noho izany ; tsy ny hankatoavan’ ny olona eto amin’ ity planeta kely ity fotsiny ny lalàn’ Andriamanitra no zava-tadiaviny, fa mba hampiharihariana koa eo anatrehan’ izay rehetra ary ny tena toetran’ Andriamanitra. Izany no tian’ ny Mpamonjy holazaina raha nanambara izao teny izao Izy taloha kelin’ ny nanomboana Azy tamin’ ny hazo fijaliana: ‘Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao; ankehitriny ny andrianan’ izao tontolo izao no horoahina. Ary Izaho, raha asandratra hiala amin’ ny tany, uia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy’5. Ny fahafatesan’ ny Zanak’ Andriamanitra dia nahatonga ny olona ho afaka handova ny lanitra indray sy nanamarina teo imason’ izao tontolo izao ny toetra nasehon’ Andriamanitra sy ny Zanany teo anatrehan’ ny fikomian’ i Satana. Ny fahafatesan’ ny Zanak’ Andriamanitra dia mampiseho miharihary koa ny faharetan’ ny lalana ary ny toetra amam-paharatsian’ ny fahotana.PM 51.2
Ny didin’ Andriamanitra no fototr’ ilay ady lehibe hatramin’ ny voalohany. Satana dia nilaza fa tsy marina Andriamanitra ary tsy tsara ny didiny, ka tokony hamboarina sy hahitsy mba hitondra soa lio an’ vao tontolo izao. Ny hanongana ny fahefan’ Andriamanitra no nokendreny raha namelively ny didiny izy. Izay ho fandehan ny ady no hampiseho na diso sy meloka tokoa ny fitsipiky ny Tompo, na marina sy tsy miova.PM 52.1
Rehefa nazera avy tany an-danitra i Satana, dia nanapa-kevitra izy fa hanao ny tany ho fanjakany. Raha resiko Adama sy E\a, hoy izy dia ho tonga eo ambanin’ ny “fahefako ny tany izay nomena azy. Ary satria tsy azo avela heloka ny ota, dia ho tonga oloko izy sy ny taranany. ka ho ahy ny tany rehetra. Resin’ ny fanoloran’ Andriamanitra ny Zanany izay mitovy Aminy ho avotry ny ota, ny planan’ i Satana ary izany no nahazoan’ ny olona hihavana amin’ ny Tompony indray sy hiditra any am-Paradisa. Ary mba hahatonga ny tany ho afaka eo ambanin’ ny fahefan’ ilay mpisandoka, dia tsy maintsy vitaina eo amin’ ny tany izay heverin’ ny fahavalo fa efa azy mihitsy ilay ady izay efa niseho tany an-danitra.PM 52.2
Talanjona izao rehetra ary izao raha nahalala fa ny Zanak’ Andria- manitra dia hanolo-tena ho sorona hanavotra ny olombelona. Ilay efa namakivaky ny habakabaky ny lanitra, ka nitety ny kintana ary nikarakara ny soa ho an’ ny tsirairay avy. dia efa nanaiky handao ny vonmahiny ka hitafy nofo, ho tonga olombelona. Nahatonga fisainana lalina teo amin’ ireo mponina tsy nanota any amin’ ny tany hafa izany fikasana saro-pantarina izany. Ka nony tonga tetý an-tany tokoa Jesosy Kristy, dia nanara-maso Azy hatrany hatrany teo amin ilay lalana voapentin-dra izay niafara teo amin’ ny hazo fijaliana izy rehetra. Reny ny eso sy ny teny ratsy rehetra nahazo Azy vokatry ny famporisihan’ ny devoly. Nanara-maso ny fandehan’ ny ady izy: dia hitany eo an-daniny ny fahavalo izay mandrakotra haizina sy ny tisaonana ary fahafatesana ny olombelona ;eto an-kilany kosa. tazany ny Mpamonjy manosika mafy amin’ ny heriny rehetra izany onja ratsy rehetra izany. Dia nihamafy ny ady nifanaovan’ ny tsara sy ny ratsy. Ary rehefa ho faty ka nanao hoe ‘Vita” Ilay nihombo teo amin’ ny hazo fijaliana, dia nisy feom-pandresena nanakoako tany an-danitra rehetra sy teny amin’ ny planeta hafa rehetra. Nifarana izao ilay ady lehibe niantomboka efa taonjato maro taloha. Naharesy nv Zanak’ Andriamanitra; tamin’ ny alalan’ ny fahafatesany no nahazoana namaly ilay fanontaniana hoe: Moa ny Ray sy ny Zanaka va hana- porofo ny fitiavany fatratra ny olona ka hanaiky hanao fanatitra ? Voavaly izao izany fanontaniana izany ary i Satana dia naseho araka ny toetrany maha-mpandainga sy mpamono olona azy. Ny fomba fitondrany ny olona izay resiny no nahazoana nitsara ny toetra izay ho nasehony raha afaka nanapaka ny tany an-danitra izy. Izany no nahatonga izao tontolo izao niray feo ka nankalaza ny fanjakan’ Andriamanitra.PM 52.3
Raha azo novana ny didin’ Andriamanitra dia nety ho vita tsy tamin’ ny alalan’ ny fahafatesana tany Kalvary ny famonjena ny olona. Ny nanoloran’ ny Zanak’ Andriamanitra ny ainy ho fanavotana ny olona no porofo fa tsy afaka hilefitra ny lalàna eo anatrehan’ ny mpanota. Koa dia naseho fa ‘ fahafatesana no tambin’ ny ota”, ary ny fahafatesan’ i Kristy dia nanisy tombo-kase izay ho anjaran’ i Satana.PM 53.1
Raha foana teo amin’ ny hazo fijaliana ny lalàn’ Andriamanitra, araka ny fihevitry ny sasany azy, dia tsy ho nahavita na inona na inona afa-tsy ny fanomezan-drariny an’ i Satana ny fijalian’ i Kristy, ary izany dia hahatonga ilay lehiben’ ny ratsy handresy sy hahomby eo amin’ ny fiampangany ny fanjakan’ Andriamanitra ho tsy tsara. Tsy izany anefa no izy, fa ny naneken’ i Jesosy Kristy handoa ny tambin’ ny ota dia manamarina, amin’ ny fomba mazava tsara, fa tsy azo atao ny manova ny lalàn’ Andriamanitra. Fa ny Tompo dia marina sy be famindrampo sy vonona hanao ny sorona ilaina rehetra mba hanavotana ny olombelona ; ary eo ambany fanapahany, izay sady misy famelan-keloka no misy fahamarinana koa, dia misy firin- drana tanteraka.PM 53.2