Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Kaina sy Abela

    Samy hafa ny toetran’ izy mirahalahy zanak’ i Adama. Abela dia nanana toetra tia vavaka. Tsaroany fa feno fahamarinana sy famindrampo ny fitondran’ Andriamanitra ny olona mpanota, koa dia nandray tamim-pisaorana lehibe ny fampanantenana ny fanavotana ho azy.izy. Kaina kosa dia nitahiry erit reri-dratsy tao am-pony. Nimonomonona mandrakariva izy noho ny nanozonan’ Andriamanitra ny tany sy ny taranak’ olombelona sy noho ny fahotan’ i Adama. Ilay toe-tsaina nahatonga ny fahaverezan’ i Satana dia navelany hanjaka tao aminy koa, koa dia nisalasala ny amin’ ny faharnarinana sy ny fahefan’ Andriamanitra izy. Nantsoina baneho ny fanekeny sy ny fanomezany voninahitra ny tenin’ Andriamanitra izy mirahalahy toy izay efa natao tamin’ i Adama sy Eva koa. Fantany ny fepetra rehetra ilaina momba ny famonjena, ary nazava tsara taminy ny fomba amam-panao nomen’ Andriamanitra momba ny fanatitra. Nekeny fa raha manaraka tsara izay voalaza izy dia ham pise ho amin’ izany fomba izany ny finoany an’ Ilay Mpanavotra ho avy sy ny tsy fahazoany famelan-keloka raha tsy amin’ ny alalany irery ihany ; izany no fanekena ny sitrapon’ Andriamanitra. Niharihary taminy koa fa mba ho mari-pisaorana ny Tompo, dia tokony hanolotra ho Azy ny voaloham-bokatra azony avy amin’ ny tany izy.PM 55.1

    Dia nanao alitara iray avy izy mirahalahy ary samy nitondra ny fanatitra izay efa nomaniny. Ary Abela nitondra zanak’ ondry avy tamin’ ny andian’ ondriny araka ny baikon’ Andriamanitra. ‘Ary Jehovah nankasitraka an’ i Abela mbamin’ ny fanatiny ’1. Dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ny fanatiny. Na dia teo aza ny torohevitra samihafa izay nazava sy hentitra tsara, dia tsv mba zanak’ ondry kosa no nentm’ i Kaina la ny vokatry ny laniny koaa tsy nisy famantarana avy any an-danitra nampiseho fa nankasitrahana ny fanatiny. Rehefa niangavian’ i Abela izy mba hanao araka izay voalaza, dia nikiribiby ihany izy hanao araka izay tiany Noheveriny fa noho ny maha-zoky azy. dia tsy tokony handray izay torohevitra avy amin’ ny rahalahiny izy ; koa dia nataony tsinontsinona izany.PM 55.2

    Raha nanatona an’ Andriamanitra i Kaina, dia feno fimono- mononana ny molony ary ny tony nisy tsy finoana ny fanavotana nampanantenaina. Tsy nisy mariky ny fiaiken-keloka ny fanatiny. Nanao toy ny ankamaroan’ ny olona amin’ izao androntsika izao izy. ka nihevitra fa mariky ny fahalemena ny manaraka fatratra ny torohevitr’ Andriamanitra sy ny manantena hahazo famonjena avy amin’ Ilay Mpamonjy izay ho avy. Tapa-kevitra i Kaina fa noho ny fahafahana ananany sy noho ny fahamendrehany, dia ny vokatry ny asany ihany no entiny ho fanatitra fa tsy zanak’ ondry halatsa- dia Noheveriny tamin’ izany fa hahazo ny fankasitralran’ Andria- manitra izy Marina fa nankatò ihany tokoa izy ka nanao ny alitarany sy nitondra fanatitra, kanefa, tsy feno izany fankatoavany izany ; tsy tao ny tena votoatiny, dia ny fiaikeny fa mila Mpanavotra ny tenany.PM 56.1

    Nitovy saranga izy mirahalahy raha ny momba ny fitaizam- panahy no heverina. Amin’ ny maha-mpanota azy, dia samy nanaiky izy fa tokony hanompo an’ Andriamanitra sy hanaja Azy. Raha ny hita maso sy teo amin’ ny lafin-javatra sasany, dia toa nitovy ny fivavahana narahiny. Ny tao anatin’ ny fony kosa anefa, dia tena samy hafa.PM 56.2

    ‘Finoana no nanateran’ i Abela ho an’ Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an i Kaina’2. Nazava tamin’ i Abela ny fotokevitra lehibe momba ny tanavotana. Nahatsiaro ny tenany ho mpanota izy k.i naliatsinjo ny lahamelohany sy ny fahafatesana izay tambin’ izany nampisaraka azy tamin’ Andriamanitra. Raha nitondra fanatitra alatsa-dra izy dia nanaiky ho diso tamin’ ny lalàn’ Andriamanitra: ka nahita tamin’ ny alalan’ ilay ra nalatsaka, ny fanavotana hatolotr’ Ilay Mpamonjy ho faty hisolo azy. Izany no sady nahazoany fanka- sitrahana no nandraisany faharnarinana.PM 56.3

    Tsy didy jadona tsy akory no nahavoa an’ 1 Kaina. Afaka nanaiky ny faharnarinana toa an’ i Abela izy. Fahadisoan-kevitra ny mino fa ny anankiray tamin’ izy mirahalahy dia natokanaho amin’ ny famonjena fa ny anankiray ho amin’ ny fahaverezana. Abela dia nifidy ny finoana sy ny fankatoavana, fa i Kaina kosa dia nanaiky ny fisala- salana sy ny fandavana. Izany no nahatonga azy mirahalahy ho samy hafa.PM 57.1

    Mampiseho antokon’ olona roa izay ho hita hatramin’ ny faran’ izao tontolo izao i Kaina sy Abela. Ny olona sasany dia hanaiky ny fanatitra efa nomena ny olona mba hahazoany fanavotana sy mba hahafahany amin’ ny fahotany, fa ny sasany kosa dia matoky ny fahamendrehan’ ny tenany ihany, ka mitondra fanatitra tsy ahazoam- pamelana izay tsy manan-kery hampihavana ny olona amin’ Andriamanitra. Hadinon’ izy ireny mantsy fa ny fahamendrehan’ i Jesosy Kristy irery ihany no hany afaka hanome antsika ny famelan-keloka. Diso hevitra toa an’ i Kaina izy rehetra, manantena hahazo sitraka avy amin’ ny Tsitoha amin’ ny alalan’ ny asa tsara ataony, ka tsy mahatsiaro velively ny filàny ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra. Hitoetra mandrakariva eo ambanin’ ny fanamelohana hatrany izy ambara-pandraisany ilay ra manadio.PM 57.2

    Maro amin’ ny olona no manao toa an’ i Kaina. Ny fivavah’ana diso rehetra dia saika manorina ny fototry ny fanompoam-pivavahany eo amin’ ny fahamarinan” ny tenany ihany. Misy aza ankehitriny sahy miiaza fa tsy mila fanavotana ny olona fa fanatsarana ihany; ary azony atao, hoy izy, ny mivoatra, ny misondrotra, ny manavao ny tenany sy ny fiainany. Hita eo amin’ ny tantaran’ i Kaina ny vokatr’ izany hevitra izany. Tsia, tsy afaka hanavao tena ny olombelona. Manana fironana amin’ ny ratsy izy fa tsy ho amin’ ny tsara. Jesosy irery no hany fanantenantsika. ‘Fa tsy misy anarana hafa ambanin’ ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena’, satria ‘tsy misy famonjena amin’ ny hafa’3.PM 57.3

    Miseho eo amin’ ny fanekena izay rehetra tadiavin’ Andriamanitra ny finoana marina, dia ilay finoana miantehitra tanteraka amin’ ny Mpanavotra. Hatramin’ ny andron’ i Adama ka mandrak’ ankehitriny dia misy ady lehibe momba ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra. Nandritra ny taonjato rehetra nifandimby dia nisy olona nitady ny fankasitrahan’ Andriamanitra, nefa nanakimpy ny masony tsy hijery ny didiny. Ny asa, hoy ny Soratra Masina, no mahatonga ny finoana ho tanteraka ; raha tsy misy fankatoavana, dia ‘maty nv finoana’4. Izay milaza fa tia an’ Andriamanitra ‘nefa tsy mitandrina ny didiny. dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatinyPM 57.4

    Rehefa hitan’ i kaina fa nolavina ny fanatiny, dia tezitra tamin Andriamanitra sy tamin i Abela izy: tamin Andriamanitra, satria tsy nanaiky izay nentiny ho solon ny lanatitra voatendry Izy, ary tamin’ i Abela koa. satria. nifidy ny hankatò an’ Andriamanitra izy fa tsy nanaraka azy teo amin’ ny tsy fankatoavany.PM 58.1

    Tsy navelan’ Andriamanitra ho irery aneta i Kaina na dia izany a/a no toetrany, fa niezaka ny hampieritreritra azy Izy: ‘Fa hoy Jehovah tamin’ i Kaina: Nahoana no tezitra hianao ? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao ?’6 Dia hoy indray Izy: ‘Raha tsara toetra hianao, moa tsy ho miramirana va ? Fa raha tsy tsara toetra kosa hianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ova ; ary hianao no kendien’ ny famriany. kanefa hianao no tokony hanapaka azy’6. Nasaina nifidy i Kaina na hanaiky ny fahamendrehan’ Ilay Mpamonjy ,zy ka hahazo ny fankasitrahan’ Andriamanitra na hikiribiby eo amin’ ny tsy finoana sy ny tsy fankatoavana ihany ; raha izany no tiany, dia hilaozan’ Andriamanitra izy ary tsy manana antony tokony haha- velon-taraina azy intsony.PM 58.2

    Tsy mba niaiky ny fahotany ilay lahimatoan’ i Adama fa nimonomonona kosa; sady niampanga an’ Andriamanitra ho tsy marina izy no nialona ny rahalahiny. Lian’ ady izy ka nifanditra tamin’ ilay zandriny ny amin’ ny fitondran’ Andriamanitra azy toalahy. ramim-pahatsorana, nefa tamin’ ny saina tsy azo nohozon- gozonina no naneken’ i Abela ny fahamarinana sy ny hatsaram- panahin Ilay Mpamorona; niezaka fatratra izy ny hampino an’ i Kama fa diso ny heviny. Nampahatsiahiviny azy ny fitiavana nasehon’ Andriamanitra tamin izy mivady, lay aman-dreniny, dia ny namin- drany fo taminy na dia tokony ho faty teo no ho teo aza izy. Tsy izany ihany fa mbola hatolony indray ny Zanani-lahy Tokana, Ilay tsy manan-tsiny, hiaritia ny famaizana izay tokony ho nianjady tamin’:zy ireo Vao mainka nampirehitra ny hatezeran’ i Kaina izany rehetra izany na dia neken’ ny eritreriny aza fa marina ny tenin- jandriny Tezitra mafy anefa izy satria ilay zatra mpihaino azy izao no mitsangan-kanohitra ny teniny sy tsy momba azy. Romotra tokoa izy ka nikapoka nahafaty ny rahalahiny.PM 58.3

    Tsy noho ny fahadisoana vitan’ i Abela no nankahalan’ i Kaina sy namonoany azy. ‘Ratsy ny asany fa ny an’ ny rahalahiny kosa tsara”, ary izany no nahatezitra azy. Dia toy izany hatrany hatrany. hatramin’ ny taonjato maro nifandimby, ny ratsy fanahy dia nankahala ireo tsara kokoa noho izy. Faniniana tsy an-kijanona ho an’ ilay mpamono olona ny Fiainam-pankatoavana sy ny toetra mahatoky feno fanajana nananan’ i Abela. ‘Iz.ay rehetra manao ratsy dia mankahaia ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany’7. ‘Izay rehetra te-ho velona amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra izay ao amin’ i Kristy Jesosy dia henjehina’8.PM 59.1

    Ny fahafatesan’ i Abela no ohatra voalohany indrindra niseho ny amin’ ilay fifandrafiana nolazain’ Andriamanitra fa hiseho eo amin’ ny tarana-dRavehivavy sy ny taranaky ny menarana ; izany hoe eo amin’ i Jesosy Kristy sy ny mpianany sy eo amin’ i Satana sy ny olona. Nanazioga ny olombelona tamin’ ny alalan’ ny fahotana i Satana ; Kristy kosa nanome ny olona ny fomba hahazoany mana- paka izany zioga izany. Isaka ny misy olona mandao ny asan’ ny ratsy noho ny finoany Hay Zanak’ ondrin’ Andriamanitra, dia mirehitra aminy ny fahatezeran’ i Satana. Ny fiainana masina nananan’ i Abela dia nampiseho mihanjahanja ny fahadisoan’ ny hevitra nihamboan’ ilay fahavalo izay nilaza fa tsy afaka hitandrina ny didin’ Andriamanitra ny olona. Netsehin’ ny fanahin’ ilay ratsy i Kama rehefa hitany fa tsy afaka haharesy lahatra ny zandriny izy. ary satria nirehitra mafy loatra ny fahatezerany dia nokapohiny ho faty izy. Na aiza na aiza no misy olona sahy mankatò ny didin’ Andriamanitra dia henjehina mafy toy izany koa izy. Izany toe-tsaina sy fihetsika nanjaka hatramin’ ny ela izany, dia nanangana toeram- pamonoana sy nampirehitra afo handoroana ny mpianatr’ i Jesosy Kristy. Satana sy ny miaramilany no loharano ipoiran’ izany faha- siahana izany. Fahatezeran’ olon-dresy ihany anefa ny fahatezeran’ i Satana, satria ny maritioran’ i Jesosy Kristy tsirairay avy dia mpandresy avokoa. ‘Ary izy ireo naharesy azy (naharesy ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana) noho ny amin’ ny ran’ ny Zanak’ ondry sy ny teny filazana Azy, ary tsy nankamamy ny ainy intsony izy, na dia ho faty aza’9.PM 59.2

    Nofotorana ny amin’ ny heloka bevava nataony ilay mpamono olona. ‘Ary hoy Jehovah tamin’ i Kaina: Aiza Abela rahalahinao ? Fa hoy izy: Asa; moa mpitandrina ny rahalahiko va aho?’10 Latsaka lalina loatra tao amin’ ny honahonan’ ny fahotana i kana ka tsy tsaroany intsony ny fahalehibeazana sy ny fahalalan Andriamanitra ny zavatra rehetra. Nampiasa lainga izy mba hanafenany ny heloka bevava nataony.PM 59.3

    Dia hoy indray Andriamanitra taminy: ‘Inona no nataonao ? Ny feon’ ny ran’ ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin’ ny tany’. Nomen’ Andriamanitra fotoana hiaikeny ny fahotany i Kaina, satria efa nanam-potoana hieritreretana izy ; fantany ny halehiben ny heloka vitany sy ny lainga izay nataony hanafenana izany. Tsy niala tao aminy anefa ilay toe-tsaina mpimonomonona ka tsy ela dia nambara taminy ny famaizana hihatra. Ilay feo izay niantso azy tamim-pitiavan-dehibe izao no hilaza aminy ny didim-pitsarana mahatahotra. ‘Ary ankehitriny, dia voaozona hianao hiala amin’ ny tany onenana izay nivava hitelina ny ran ny rahalahinao nalatsaky ny tànanao. Raha miasa ny tany hianao, tsy mba hahavokatra ho anao intsony izy ; ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ ny tany hianao’10.PM 60.1

    Na dia fahafatesana aza no mendrika ho nahatra tamin’ i Kaina, dia mbola nomen’ Ilay Mpahary be indrafo fotoana hiovany ihany izy. Nefa vao mainka nihamafy hatoka izy ka nanetsika fikomiana tamin’ Andriamanitra sy tonga lehiben’ ny taranaka mpanota sy tsy laitra anarina. Noho ny famporisihan’ i Satana, dia tonga fammbana ny olona tokoa ny toetra sy ny toro-marika nasehon’ ilay mpivadika ary nampitatra ny iaharatsiana sy ny fanaovana an-keriny tokoa ka tsy maintsy ho tonga ny fandringanana izao tontolo izao.PM 60.2

    Lesona lehibe no tian’ Andriamanitra haseho tamin’ izao rehetra ary izao raha nitahiry ny ain’ i Kaina tsy ho faty Izy, dia lesona momba ny ady itanaovan ny tsara sy ny ratsy. Ny tantara mampa- lahelo milaza an i Kaina sy ny taranany dia ohatra mampiseho izay ho nitranga raha navelan’ Andriamanitra hanohy ny fikomiany mandritra ny mandrakizay ny mpanota. Vao mainka koa mampi- tombo ny fireharehan ny ratsy fanahy ny famindrampon’ Andriamanitra. Dimanjato sy arivo taona tatý aorian’ ny fanozonana an’ i Kama, rehefa rakotry ny loto sy ny famonoana sàmy hafa ny tany, dia tamin izay vao takatr izao tontolo izao ny vokatry ny oha- dratsy nomen’ ilay mpamono olona voalohany indrindra Koa nihanhary fa rariny sy feno indrafo ny didim-pitsarana mitaky ny fahafatesana ho an ny taranak’ olombelona. Hita mantsy fa arakàraka ny maha ela velona ny olona, dia arakarak’ izany koa no mahatonga azy ho mpirehareha sy ho mpiavonavona. Koa dia fitahiana fa tsy loza tsy akory ilay didy nanapaka ny fizotry ny fahotana mihoa- pampana ka nanaisotra teto an-tany ireo olona mafy fo.PM 60.3

    Nanara-maso fatratra ny fandehan-javatra teto amin’ ity tanin- tsika ity ireo mponina samy hafa any amin’ ny planeta hafa. Nihari- hary tamin’ izy ireo tamin’ ny alalan’ ny zava-niseho teto an-tany izay ho vokatry ny fanapahana nataon’ i Losifera tany an-danitra, dia i Losifera ilay nitsipaka ny fahefan’ Andriamanitra sy nanao tsinontsinona ny didiny. Ireo taranaka mpanao meloka, tsy manan- kenatra intsony, dia ohatra lehibe nampiseho tamin’ izy ireo izay ho fiafaran’ ny olona eo ambanin’ ny fanapahan’ ilay mpikomy.PM 61.1

    ‘Izay fisainana rehetra avy amin’ ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro’11. Nifanohitra tamin’ ny foto-kevitry ny faha- diovana sy ny fiadanana ary ny fitiavana avy amin’ Andriamanitra ny tsirairay avy tamin’ ny fitepon’ ny fo sy ny fandehan’ ny eritre- ritr’ ireo olona ireo. Izany no vokatry ny hevi-dratsin’ i Satana izay nihambo hanaisotra ny zavaboarin’ Andriamanitra tsy ho eo ambanin’ ny didiny.PM 61.2

    Entanin’ ny zotompo mirehitra tokoa i Satana ka miasa tsy an-kijanona. Amin’ ny alalan’ ny fitaka samy hafa no iezahany hitenenan-dratsy ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny toetrany. Amin’ ny alalan’ ny tetika lehibe tsara paika sy amin’ ny alalan’ ny herim-po mihoapampana no ikendreny ny taranak’ olombelona ho voahazona ao amin’ ny haraton’ ny famitahany. Ilay Tompon’ ny fahendrena rehetra anefa, izay mahalala ny farany hatramin’ ny voalohany, dia nanomana fomba izay sady hahalevona ny fikomiana no haneho miharihary koa eo anatrehan’ izao rehetra ary izao ny tena toetran’ ilay ratsy.PM 61.3

    Hamarinin’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ ireo toe-javatra atrangan’ ilay ady goavam-be ny foto-kevitra sy ny fitsipiky ny fanjakany izay notsiratsirain’ i Satana sy ny tariny. Indray andro any dia samy hankalaza ny fahamarinany na ny tsara fanahy na ratsy fanahy ; ho diso aoriana loatra anefa izany fankalazan’ ny ratsy fanahy Azy izany.PM 61.4

    Arakaraka ny fivelaran’ ny vava-ady eo amin’ ny tany fiadiana, arakaraka ny fahantomoron’ ny farany, dia arakaraka izany koa no handraisan’ Andriamanitra ny fitiavana sy ny fankasitrahan’ ny tany sy ny lanitra rehetra. Tsy ho foana izany fitiavana sy fankasitrahana izanv eo amin’ ilay fotoana farany handevonana ny fikomiana lehibe narehitr- i Satana. Dia hiharihary amin’ izay fa nanohitra an’ i Jesosy Kristy avokoa izay rehetra nanao tsinontsinona ny didin’ i Jehovah sy niandany tamin’ i Satana. Noho izany, rehefa tsaraina ny andria- nan’ izao fiainan’ izao. ka hiara-handray anjara aminy ny mpanaraka azy rehetra. dia hanandratra ny feony amin’ ny maha-vavolombelona azy izao rehetra ary izao ka hanao hoe: ‘Mahitsy sy marina ny làlanao. ry Mpanjaka mandrakizay ’12.PM 62.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents