Ny nivahiman’ i Jakoba
Patriarka sy mpaminany
- Contents- Sasin-teny
- Ny niavian’ ny ratsy
- Ny famoronana
- Ny fakam-panahy sy ny nahalavoan’ ny olona
- Ny drafitry ny fanavotana
- Kaina sy Abela
- Seta sy Enoka
- Ny Safo-drano
- Taorian’ ny safo-drano
- Ilay herinandro voalohany indrindra
- Ny tilikambon’ i Babela
- Ny niantsoana an’ i Abrahama
- Abrahama tao amin’ ny tany Kanana
- Ny nanaterana an’ Isaka ho fanatitra
- Ny nandravana an’ i Sodoma
- Ny nanambadian’ Isaka
- Jakoba sy Esao
- Ny nivahiman’ i Jakoba
- Ilay tolona mamatonalina
- Ny niverenan’ i Jakoba tany Kanana
- Josefa tany Egypta
- Josefa sy ny rahalahiny
- Mosesy
- Ny loza tany Egypta
- Ny Paska
- Ny fahafahana
Search Results
- Results
- Related
- Featured
- Weighted Relevancy
- Content Sequence
- Relevancy
- Earliest First
- Latest First
- Exact Match First, Root Words Second
- Exact word match
- Root word match
- EGW Collections
- All collections
- Lifetime Works (1845-1917)
- Compilations (1918-present)
- Adventist Pioneer Library
- My Bible
- Dictionary
- Reference
- Short
- Long
- Paragraph
No results.
EGW Extras
Directory
Ny nivahiman’ i Jakoba
Rehefa norahonan’ ny rahalahiny hovonoina Jakoba, dia nandao faingana ny tranero ray aman-dreniny izy. Izy irery dia izy irery tsy nanana afa-tsy tehina teny an-tanany, no nandeha lalan-davitra tokoa. Feno nenina sy tahotra ny fony teny am-pandehanana, raha namakivaky ireo toerana mangina fonenan’ ny foko mpifindrafindra monina sy masiaka izy. Noho ny tahotra sao dia manenjika azy ny rahalahiny, dia niezaka izy mba tsy hifanena amin’ olona akory.PM 181.1
Marina fa efa nahazo ny fitahiana ,sy ny fampanantenana ny teny fikasana izy ; ny rainy efa nananatranatra azy mba haka vady any Mesopotamia, eo amin’ ny fianakavian-dreniny. Kanefa na dia izany aza, dia nanontany tena ihany ilay mpandositra raha mbola mety hahazo izay soa voalazan’ nv teny fikasan’ Andriamanitra amin’ izao izy voatery handao ny Iranon-dray aman-dreniny izao, noho ny fahadisoana vitan’ ny tenany. Satana dia nampiahanahana azy mafy ka dia saiky tsy sahy nivavaka akory izy. Mafy loatra ny fahatsiarovany ny tenany ho irery, ka tamin’ iny alina feno farnoizam- po lalina iny no nahatsiarovany, mihoatra noho ny tamin’ ny lasa rehetra, ny filàna ny fiarovan’ Andriamanitra. Levona ny fitokisany ny hery sy ny fahamendrehan’ ny’ tenany. Niankohoka tamin’ ny tany izy sy niaiky ny fahotany tamin-dranomaso, ka nangataka tamin’ i Jehovah haneho aminy, na amin’ ny fomba manao ahoana izany na amin’ ny fomba manao ahoana, fa tsy mbola nariany tanteraka izy.PM 181.2
Tamin’ ny alina faharoa dia efa lasa lavitra dia lavitra ny tranon- drainy Jakoba. Reraka’ sy sasatra izy ka dia natory teo amin’ ny tany, niondam-bato. Ary ankehitriny Ilay Andriamanitra mangora- po dia hampahalala ity mpanompony manirery sy kivy ity, fa Izy dia tsy mandao azy ary ny famindrampony tsy niala taminy. Koa dia hasehony amin’ ity mpanota mibebaka ity, fa izay hany tsy ananany, mba hahafeno fifaliana ny fony, dia Ilay Mpamonjy Izay ahazoany mihavana indray amin’ Andriamanitra.PM 182.1
Rehefa natory Jakoba dia nanonofy nahita tohatra namirapi- ratry ny hazavana, izay niorina tamin’ ny tany nefa nahatakatra ny Ianitra. Anjely no niakatra sy nidina teo amin- ilay tohatra. Avy teo an-tampony no nilazan’ i Jehovah tamin’ i Jakoba hoe: ‘Izaho no Jehovah, Andriamanitr’ i Abrahama rainao sy Andriamanitr’ Isaka. Ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao Ary aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany’. Tsy hoe naverina fotsiny ihany tamin’ i Jakoba ny teny fikasana nomena an’ i Abrahama sy Isaka, fa mbola nandre izao teny fampaherezana izao indray izy: ‘ Ary, indro, Izaho momba anao ka hiaro anao amin’ izay lalan-kalehanao rehetra, ary hampody anao indray ho amin’ ity tany ity ; fa tsy handao anao Aho mandra- panaoko izay voalazako taminao’1. Noho ny hatsaram-panahin’ Andriamanitra, dia nampionona an’ ilay mpandositra Izy ny amin’ ny loza ara-panahy sy ara-nofo mety ho hitany. Dia toy izany no nano- manany an’ i Jakoba hanohitra ny fakam-panahy izay mety hahazo azy raha hitoetra eo afovoan’ ny mpanompo sampy sy ny olona feno hafetsena izy. Nampahery azy Izy mba hanatontosany tsara ny adidy natolotra azy sy hahatsiarovany mandrakariva ny idealy soa nomena azy, ka hatoky eo am-pony ny hahatanterahan’ ny fikasan’ Andriamanitra eo amin’ ny fiainany.PM 182.2
Nisy fahalalana ny amin’ ny planan’ ny famonjena izay nety nahasoa an’ i Jakoba, nomena azy tamin’ ny alalan’ ny nofy hitany. Ny tohatra izay naseho azy dia tsy inona tsy akory fa ilay nambaran’ i Jesosy tamin’ i Natanaela tatý aoriana raha nilaza Izy hoe: ‘Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin’ Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin’ ny Zanak’ olona’2. Nahazo nifanerasera tamin’ ny Mpamorona azy ny olombelona raha mbola tsy niodina tamin’ Andriamanitra izy. Ny tsy fankatoavan’ i Adama sy Eva dia nanapaka izany fifaneraserana izany, ka dia tsy nisy intsony nampitohy ny lanitra sy ny tany, afa-tsy Ilay tohatra mampiseho ny Zanak’ Andriamanitra, Izay hanentsina indray ny hady nolavahan’ ny fahotana, tamin’ ny alalan’ ny fanatitra nataony. Dia toy izany no nahazoan’ ny taranak’ olombelona ho tafakambana indray amin’ ny Ianitra noho ny asan’ ny anjely, ka tamin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy no nampiraisana ny fahalemen’ olombelona amin’ ny hery tsy manam-petra.PM 182.3
Tsy takatr’ i Jakoba avy hatrany ny hevitr izany zava-miafina rehetra izany; kanefa, tonga antom-pieritreretana lalina ho azy nandritra ny fiainany rehetra izany, ka dia nihanazava tsikelikely tamin’ ny fanahiny.PM 183.1
Nony efa nahatsiaro izy, dia nisinda tsy nisy hitany ireo anjely mamirapiratra, fa kintan-kely marobe manjopiaka eny amin’ ny lanitra no sisa nanazava ny alina. Tazana manangasanga eny lavi- davitra eny ny tendron-kavoana milingilingy. Kanefa ná izany aza, mbola misy ihany fanatrehana tsy hita maso manamasina ilay toera- manirery. Tsapan’ i Jakoba tsara tao am-pony fa, momba azy Andriamanitra. ‘Ato amin’ ity fitoerana ity tokoa Jehovah, hoy izy. fa izaho no tsy nahalala Endrey, mahatahotra ity fitoerana ity ! tsy hafa ity fa tranon’ Andriamanitra sy vavahadin’ ny Ianitra ’3PM 183.2
‘ Ary nifoha maraina koa Jakoba, dia naka ilay vato izay nataony ondana, ka nanorina azy ho tsangambato, dia nampidina diloilo teo aminy ’. Araka ny fomba fahizay, ho fahatsiarovana zava-dehibe, dia nametraka izany tsangambaton’ ny fahasoavan’ Andriamanitra izany Jakoba mba hahazoany manompo Azy isaky ny mandalo eo izy. Ary ny anaran’ izany fitoerana izany dia nataony hoe Betela, izany hoe: tranon’ Andriamanitra. Feno fankasitrahana ny fony, raha namerina indray ilay teny fikasana milaza ny fiarovan’ Andriamanitra azy, ka dia nanonona izao voady izao izy: ‘Raha homba ally Andriamanitra ka hiaro ahy amin’ izao lalana alehako izao, ary hanome ahy mofo hohaniko sy lamba hitafiako. ka ho tafaverina soa aman-tsara any amin’ ny tranon’ ny raiko aho, dia Jehovah no ho Andriamanitro, ary ity vato izay naoriko ho tsangambato ity ho tranon’ Andriamanitra, ary izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony”. Tsy fepetra ho an’ Andriamanitra no apetrak’ i Jakoba eto. Nampanantenaina fanambinana izy. Koa izao voady nataony izao dia mari-pisaorana avy amin’ ny fanahiny noho ny fahazoany antoka ny famindrampo sy ny hatsaram-panahin’ Andriamanitra. Saina toy izany koa no tokony hanetsiketsika ny mpino tsirairay avy noho ny soa rehetra nomen’ ny Tompo azy. Tokony ho tsaroan’ ny kristiana matetika eo amin’ ny fiainany ny fiarovana sarobidy. ny nanampiana azy teo amin’ ny fahoriana, ny nanafahana azy raha nanoloana zava-manahirana izy, ny fampa- herezana nomena azy raha nangozohozo ny tongony, izay samy avy tamin’ Andriamanitra avokoa. Eo amin’ ny toe-javatra toy ireny dia tokony hanaiky ny fanatrehana sy ny fìarovan’ ny anjelin’ Andriamanitra isika. Izany rehetra izany dia mitaona antsika hiteny toy ny mpanao Salamo hoe: ‘Inona no havaliko an’ i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko ?’4PM 183.3
Ny androntsika, ny talentantsika, ny harentsika, dia samy tokony hatolotra Ilay efa nanolotra izany ho antsika. Ny fisaorantsika dia tokony hisandratra any amin’ Andriamanitra isaky ny tsaroantsika ny fanafahany ; tsy amin’ ny teny ihany anefa izany, fa amin’ ny fanomezana sy amin’ ny fanatitra enti-mampandroso ny asany, toy izay efa nataon’ i Jakoba. Tsy mitsahatra mikarakara antsika Andriamanitra, ka dia tokony ho vonona lalandava koa isika hanome zavatra ho Azy.PM 184.1
‘Ary izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony ’5, hoy Jakoba. Azontsika atao ve, dia isika izay manana ny fahazavan’ ny Filazantsara, sy ny soa samy hafa aterak’ izany, ny hanao latsaka kokoa noho ireo velona sy tsy manan-tombon- tsoa toaantsika ? Moa tsy bebe kokoa ve ny adidintsika noho isika nahazo bebe kokoa ! Kanefa akory ny hakelin’ ny fanomezantsika ? Bitika sy tsinontsinona ny fatran’ ny fotoana sy ny vola ary ny fitiavantsika raha ampitahaina amin’ Ilay fitiavana tsy hita polopo- lorina. Ampahafolony ho an’ i Jesosy Kristy noho ny fahoriana lehibe niaretany ! Miantso antsika Izy hanao fanomezana feno, tsy misy fepetra. Ny tenantsika sy izay rehetra antsika dia tokony hatolotra ho an’ Andriamanitra.PM 184.2
Dia niroso ho any ‘amin’ ny tanin’ ny zanaky ny atsinanana’6 Jakoba, feno finoana an’ Andriamanitra, manaiky ny fanatrehana sy ny fiarovan’ ny anjely. Akory ny fahasamihafan’ ny fahatongavany tao sy ny an’ ilay mpanompon’ i Abrahama zato taona mialoha ! Rameva nivesatra fanomezana vita tamin’ ny volafotsy sy volamena no nentin’ ilay mpanompo tamin’ izay ; Jakoba kosa tsy nanana afa-tsy tehina. Toy ny nijanonan’ ilay irak’ i Abrahama teo anilan’ ny lavaka fantsakana, dia toy izany koa no nataon’ i Jakoba. Teo izy no nahita an-dRahely vaviaivon’ i Labana anadahin-dreniny. Izy indray eto no nanakodia ny vato sy nampisotro ny andian’ ondry. Rehefa nilaza ny amin’ ny tenany izy, dia nampandrosoin’ ny havany tsara tao an-trano. Herinandro vitsivitsy monja dia fantatra ny faha- malinany sy ny fahaizany, ka dia namporisihina izy mba hitoetra sady nampanantenaina fa homena an-dRahely ho vadiny raha manaiky ny hanompo fito taona.PM 184.3
Araka ny fomba fahizay dia nangatahina izay zatovolahy hanam- badv mba hanome vola na zavatra hafa ho an’ ny rafozan-dahiny ; izany dia hatao mialoha ny fanambadiana ho toy ny antoka hanatan- terahana azy. Noheverin’ ny raim-pianakaviana ho toy ny fomba tsy malina ny manome ny zanany vavy ho vady ho an’ ny olona izay tsy nanan-tahiry ho enti-mamelona vady aman-janaka. Raha tsy manana asa sy herim-po ampy hahavory omby aman’ ondry na tany izy. dia nahina hitoetra mahantra hatrany. Koa ny fomba nentina nizahan-toetra ny zatovolahy ta-hanambady dia ny nampa- nompo azy ireny izay ho rafozany ; izany dia maharitra ela na haingana arakaraka ny fanomezana llaina. Raha mahafa-po ny asa izay nataony. ka hita fa mendrika ho isan’ ny fianakaviana ilay zatovo, dia homena azy izay vady tadiaviny. ary ny valin-kasasarany dia mazàna no atolotra izay ho vadiny amin’ ny andro fampakarana. Tsy mba nanao toy izany tamin-dRahely sy Lea anefa i Labana, fa noho ny fitiavan-tenany, dia notanany ho azy izay tokony ho an’ ny zanany vavy. Izany no nahatonga azy ireo hilaza taty aoriana hoe: ‘Efa namidiny izahay sady nohaniny lálandava ny volanay rehetra ’7.PM 185.1
Izany tomba fahizay izany, na dia nisy nanararaotra aza. dia tsara sy mety. Sady nisakana ny fanambadiana maimaika foana izany. no nanome fotoana koa hisedrana ny fitiavan’ ny zatovolahy hanambadv. sy ny fahaizany mikarakara fianakaviana. Ny fomba amam-panao ankehitriny kosa izay mifanohitra amin’ izany dia miteraka voka-dratsy manimba. Matetika dia saika tsy mifankalala toetra amam-panao akory ny zatovo hivady ; koa nony efa tonga ny andro fampakarana, dia samy mahatsiaro ho samy vahiny izy roa. Betsaka no mahalala atý aoriana fa tsy mifanentana akory, kanefa tsy afaka hihemotra intsony ; fahoriana no aterak’ izany. Indraindray. dia mijaly ny vehivavy sy ny ankizv madinika noho ny fihetraketrahana sy ny tsy fahaiza-miaina ataon’ ny raim-pianakaviana. Raha mba nizahan-toetra mantsy ny zatovolahy izay hanambady. araka ny eta natao fahizay, dia betsaka ny fahoriana maro mety ho voasoroka.PM 185.2
‘Toa andro vitsy foana” teo imason’ i Jakoba ny fito taona nanompoany an’ i Labana mba hahazoany an-dRahely ho vady ‘noho ny fitiavany azy ’8 Nony tapitra anefa izany fe-potoana izany dia namitaka azy Labana izay tia tena sady tia vola, ka tsy Rahely no nomeny azy fa ny zokiny, mba hahazoany mihazona an’ i Jakoba izay hita fa lehilahy mahery miasa. Nihevitra Jakoba fa tsy afaka ho tia an’ i Lea noho ny netezany niray tetika tamin’ ny rainy, nampanantenaina anefa izy fa homena an-dRahely raha mbola mety hanompo fito taona indray ; tsy navelan’ i Labana hisaotra an’ i Lea anefa izy, mba tsy hisian’ ny fanalam-baraka ny fianakaviany. Sahiran-kevitra mafy Jakoba nefa nanaiky ihany izy tamin’ ny farany sady hampakatra an-dRahely no hanambady an’ i Lea. Rahely anefa no tiany. Niteraka fankahalana sy fialonan’ ny rahavaviny anefa izany fiangarana izany ka nampanjombona ny fiainan’ ilay patriarka ny fifaninanan’ izy roa vavy.PM 186.1
Roa-polo taona no nitoeran’ i Jakoba tany Mesopotamia, nanompo an’ i Labana izay, na dia havana aza, dia tsy nisaina afa- tsy ny hanararaotra ilay zanak’ anabaviny no sady vinantony. Tsy afa-po ny efatra ambin’ ny folo taona nanompoany azy noho ny zanany vavy roa izy, fa mbola nanova matetika ny karamany nandritra ny taona sisa hafa rehetra. Tsy niova fenitra anefa na dia izany aza, ny fahamalinana sy ny toetra mahatoky nasehon’ i Jakoba. Ireo teny mahery nataony tamin’ i Labana, rehefa hisaraka izy mianaka, dia mampiseho fohy nefa mazava ny fikarakarana tsy an-kijanona ny soa ho an’ ilay rafozan-dahiny sarotsarotiny: ‘Izao roa-polo taona izao no nitoerako tany aminao ; ny ondrivavinao sy ny osi- vavinao tsy mba namotsotra, ary tsy mba nihinana ny ondrilahy avy tamin’ ny ondrinao aho. Izay voaviraviram-biby tsy mba nentiko tany aminao, fa izaho no nanolo azy ; teo an-tanako no nitadiavanao azy, na ny nangalarina andro, na ny nangalarina alina. Nony anto- andro matin’ ny hainandro aho, ary nony alina dia matin’ ny fanala ; ary nandositra ny masoko ny torimaso ’9.PM 186.2
Na andro na alina dia miandry tokoa ny ondriny tsy ho azon’ ny mpangalatra, na ho voaviraviram-biby masiaka Jakoba. Ireny rehetra ireny dia samy nety hanimba ny andian’ ondry ratsy ambina. Nisy ihany mpiandry ondry niandry ny ondrin’ i Labana, kanefa Jakoba no toy ny tena tompon’ andraikitra. Matetika dia izy mihitsy no tsy maintsy nitsangana hiaro ny ondry tsy ho fatin-ketaheta, na ho ngolin’ ny fanala rehefa mamirifiry mafy iny ny hatsiaka. Raha sendra nisy ondry very, dia izy. izay filohan’ ny mpiandry rehetra, no tsy maintsy nandoa ny onitra. Ireo mpiandry mpanampy azy kosa, dia tsy maintsy nilazalaza ny tena toe-javatra momba nv andian’ ondry.PM 186.3
Ny Hainan’ ny mpiandry ondry tatsinanana, ny fahamalinany, ny fitsinjovany ny ho avy, ny fikarakarana feno fitiavana ataony amin’ ireo biby malemy eo ambanin’ ny fiarovany, dia samy efa nampiasain’ ireo mpanoratry ny Filazantsara avokoa mba hanehoana ny sasantsasany amin’ ireo fahamarinana sarobidy indrindra. Rehefa nanota ny olona, Jesosy dia noharina tamin’ ny mpiandry ondry mahatsinjo ny ondriny mania any amin’ ny lala-maizin’ ny ota sy ny fahafatesana. Nilaozany ny haja sy ny voninahiny tany an-danitra ka nidina tety an-tany Izy. Fa hoy Izy: ‘Ny ondry very hotadiaviko, ny voaroaka hampodiko, ny folaka hohamarako, ny malemy hoha- tanjahiko Hovonjeko ny ondriko, ary tsy ho babo intsony izy Tsy ho rembin’ ny bibi-dia intsony izy’10. Dia handre ny feony ny ondry izay miantso azy ireo hiverina ao am-bala, ao amin’ ny ‘trano-lay ho fialokalofana amin’ ny hainandro raha antoandro, ary ho fialofana sy fierena amin’ ny tafio-drivotra sy amin’ ny rano- norana’n Tsy mitsahatra ny fikarakarana ataony amin’ ny ondriny. Mampahatanjaka ny reraka Izy, manampy izay mijaly ; ny sandriny no hanangonany ny zanak’ ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny. Noho izany dia tia Azy ny ondry. Ary ny vahiny tsy harahiny, fa handosirany, satria tsy fantany ny feon’ ny vahiny.PM 187.1
‘Izaho ny Mpiandry Tsara, hoy Jesosy; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry. Ary ny mpikarama, satria tsy mpiandry na tompori’ ny ondry izy, koa raha mahita ny amboa- dia avy, dia mandao ny ondry ka mampihahaka azy ; mandositra izy satria mpikarama ka tsy mitandrina ny ondry. Izaho no Mpiandry Tsara ; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho’12.PM 187.2
Ilay Filohan’ ny mpiandry dia nametraka ny fikarakarana ny ondry eo an-tanan’ ny mpanompony izay tiany hanao toy izay efa nataony sy hanatanteraka ny adidy masina rehetra natolotra azy. Miangavy azy Izy mba ho mahatoky. hiandry tsara ny ondry, hampahery ireo izay mangozohozo sy hiaro azy rehetra tsy ho lanin’ ny amboadia mamiravira. Milaza amin’ ny mpiandry ny ondriny Jesosy fa Izy dia efa nanolotra ny ainy hamonjy ny ondriny ; izany no ohatra halain izy ireo tahaka. Fa ny mpikarama. satria tsy tompon’ ny ondry izy, dia tsy mikarakara tsara. Miasa mba hahazo karama fotsiny izy ka tsy mitady afa- tsy izay soa ho an’ ny tenany. Koa raha misy loza tonga, dia mandositra izy ka mandao ny ondry.PM 187.3
Toy izao no hatatrafatry ny apostoly Petera amin’ ny mpiandry ny ondrin’ i Jesosy’: ‘Andraso ny ondrin’ Andriamanitra izay eo aminareo, hitandrina azy tsy an-tery, fa amin’ ny sitrapo araka an’ Andriamanitra ; tsy amin’ ny fitiavana harena maloto, fa amin’ ny zotom-panahy ; tsy ho mpanjakazaka amin’ ny anjara fiandrasana, fa ho fianaran’ ny mino’13. Ary toy izao kosa no voalazan’ ny apostoly Paoly: ‘Tandremo ny tenanareo sy-ny ondry rehetra izay nanaovan’ ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanarec ny fiangonan’ Andriamanitra izay novidiny tamin’ ny rany. Fantatrc fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry ’14.PM 188.1
Aoka izay rehetra manaiky hanao ny asan’ ny mpiandry maha- toky mba hitandrina tsara hanao izany ‘tsy an-tery fa amin’ ny sitrapo ; tsy amin’ ny fitiavana harena maloto fa amin’ ny zotom- panahy ’. Ny mpiandry ondrin” Andriamanitra rehetra dia tokony hahatsiaro mandrakariva fa ny tiangonana dia navotana tamin’ ny ran’ i Jesosy Kristy, koa dia sarobidy ny ondry izay napetraka teo ambanin’ ny fikarakarany. Ny tsirairay avy dia tokony hoheveriny ho lafo vidy ka mendrika ho kolokoloina hihatsara hatrany hatrany. Ny mpiandry ondry manana ny sain’ i Kristy sy manaraka ny fandavan-tenany, dia hiasa amim-paharetana hahasoa sy hahavanona ny andian’ ondry. Mbola samy hampamoahina arak’ izay asa nataony avy ny mpiandry. ‘Aiza, hoy ny Tompo, ny ondry andiany izay nomena anao, dia ny ondrinao tsara tarehy ?’15 Ary izay hita fa mahatoky dia homena valisoa lehibe. ‘Rehefa miseho ny Lohan’ ny mpiandry. dia hahazo ny satroboninahitra tsy mety simba hianareo ’16.PM 188.2
Rehefa reraky ny asa tao amin’ i Labana i Jakoba, dia nikasa ny hiverina any amin’ ny tany Kanana izy. Ka hoy izy tamin’ ny rafozany: ‘Alefaso aho hankany amin’ ny fonenako sy ny taniko. Omeo ahy ny vadiko aman-janako, izay nanompoako anao, dia handeha aho ; fa fantatrao ny fanompoana izay nanompoako anao”. Fa i Labana kosa, i/ay nahalala tsara ny fitomboan’ ny hareny hatramin’ izay nikarakaran’ i Jakoba azy, dia niangavy ity vinantony mba hijanona ihany, fa hoy izy ; fantatro fa avy taminao no nitahian’ i Jehovah ahy’17. Fa hoy Jakoba: ‘kely ny faiiananao fony tsy mbola tonga aho”, kanefa ankehitriny, ‘efa nitombo be dia be izany ’.PM 188.3
Dia lasa ny fotoana. Fantatr’ i Labana fa nitombo harena fatratra Jakoba, fa ‘nanana ondry arnan’ osy betsaka, ary andevovavy sy andevolahy ary rameva sy boriky izy’17. Ny zanakalahin’ i Labana dia feno fialonana an’ i Jakoba toy ny rainy ka nanao hoe: ‘Efa lasan’ i Jakoba avokoa izay rehetra nananan’ i Labana raintsika, ary avy tamin’ ny fananan’ ny raintsika no nahazoany izao voninahitra rehetra izao’. Raha tsy noho ny tahotr’ i Jakoba ny rahaia- hiny dia efa lasa nody ela izy. noho ireo teny ireo sy noho ny fahitany ny tarehin’ i Labana tsy miramirana taminy tahaka ny taloha intsony. Izao anefa dia tsinjony fa mety hampidi-doza azy ny fitoerana maharitraritra kokoa. Ny zanakalahin’ i Labana izay mihevitra fa azy ireo ny hareny dia mety haka izany an-keriny aminy. Mafy ny nanjo an’ i Jakoba tamin’ izay ; tsy fantany izay hataony. Tao amin’ ny fahoriany, dia nahatsiaro ny fikasana nomena azy tao Betela izy ka tsy nisalasala namboraka tamin’ Andriamanitra ny tebitebiny. Novaliana tamin’ ny alalan’ ny nofy ny fivavahany. fa nisy feo nanao taminy hoe: ‘Modia any amin’ ny tanin’ ny razanao sy any amin’ ny havanao ;ary homba anao Aho’18PM 189.1
Nohararaotin’ i Jakoba ny fotoana tsy naha-teo an’ i Labana mba handehanany. Nangonina haingana ny ondry aman’ osy ka nalefa mialoha ireny. Dia niainga koa Jakoba, niaraka tamin’ ny vady aman-janany, nita ny onin’ i Eofrata, nanitsy nanandrify ny tanin’ i Gileada. Nony afaka telo andro, dia ren’ i Labana ny nando- siran’ ny vinantony ; dia nanenjika azy izy ka nahatratra azy tamin’ ny andro fahafito. Tezitra mafy izy sady tapa-kevitra hamerina ireo mpandositra ; ary natoky izy fa hahavita izany satria maro kokoa ny olona nentiny homba azy noho ireo niaraka tamin’ i Jakoba.PM 189.2
Lehibe ny loza nananontanona an’ i Jakoba. Nefa, noho ny tiarovan Andriamanitra dia tsy nahatanteraka ny fikasany i Labana. ‘Manan-kery hanisy ratsy anareo ny tanako, fa Andriamanitry ny rainareo efa niteny tamiko halina ka nanao hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba; na soa na ratsy’, izany hoe aza terenao hiverina any aminao amin’ ny alalan’ ny hery, na amin’ ny alalan’ ny fanambatambazanai izy. Ary i Labana, izay efa nihazona ny vola tokony ho an’ ny zanany vavy sy nitondra mahery ny vinan- tolahiny, dia mihatsaravelatsihy izao, ka nanome tsiny an’ i Jakoba fatratra erý noho izy nandeha an-tsokosoko ka tsy namela azy hanao fanasana ho fanaovam-beloma akory. Rehefa namaly ny teniny i Jakoba, dia nilazalaza ny fomba feno fitiavan-tena sy maharikoriko nahatran i Labana taminy ; koa dia nataony ho vavolombelon’ ny toetra mahatoky sy ny fahitsiana rehetra nanompoany azy i Labana. Fa hoy izy: ‘Raha tsy Andriamanitry ny raiko, dia Andriamanitr’ i Abrahama, Ilay natahoran’ Isaka no nomba ahy, dia ho nampande- haninao maina tokoa aho ankehitriny. Andriamanitra efa nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran’ ny tanako, ka nananatra anao halina’.PM 189.3
Tsy nisy azon’ i Labana notoherina izany rehetra izany, ka dia nanipy hevitra izy ny amin’ ny tokony hanaovana fanekem- pihavanana ; neken’ i Jakoba izany ka dia nanao antontam-bato izy ireo ho fahatsiarovana izany fanekena izany. Ary i Labana nanao izany toerana izany hoe Mizpa, fa hoy izy: ‘Jehovah hitazana ahy sy hianao, rehefa tsy mifankahita isika Ary hoy indray izy tamin’ i Jakoba: Indro ity antontam-bato ity, ary indro ity tsangambato ity izay naoriko eto anelanelantsika, izaho sy hianao ; dia aoka ho vavolombelona ity antontam-bato ity. ary aoka ho vavolombelona ity tsangambato ity. mba tsy hihoarako ity antontam-bato ity hankany aminao, ary mba tsy hihoaranao ity antontam-bato ity sy ity tsangambato ity hankatý amiko kosa hanisy ratsy’19. Dia nanao fanasana izy ho fankalazana ny fanekena. Resaky ny mpisa- kaiza no nandaniana ny alina ; ary nony mazava ratsy ny andro dia niverina nody tany amin’ ny fonenany i Labana sy ny mpanompony. Izany fisarahana -izany no fifaneraserana farany nisy teo amin’ ny taranak’ i Abrahama sy ny mponin’ i Mesopotamia.PM 190.1