Ny niverenan’ i Jakoba tany Kanana
Patriarka sy mpaminany
- Contents- Sasin-teny
- Ny niavian’ ny ratsy
- Ny famoronana
- Ny fakam-panahy sy ny nahalavoan’ ny olona
- Ny drafitry ny fanavotana
- Kaina sy Abela
- Seta sy Enoka
- Ny Safo-drano
- Taorian’ ny safo-drano
- Ilay herinandro voalohany indrindra
- Ny tilikambon’ i Babela
- Ny niantsoana an’ i Abrahama
- Abrahama tao amin’ ny tany Kanana
- Ny nanaterana an’ Isaka ho fanatitra
- Ny nandravana an’ i Sodoma
- Ny nanambadian’ Isaka
- Jakoba sy Esao
- Ny nivahiman’ i Jakoba
- Ilay tolona mamatonalina
- Ny niverenan’ i Jakoba tany Kanana
- Josefa tany Egypta
- Josefa sy ny rahalahiny
- Mosesy
- Ny loza tany Egypta
- Ny Paska
- Ny fahafahana
Search Results
- Results
- Related
- Featured
- Weighted Relevancy
- Content Sequence
- Relevancy
- Earliest First
- Latest First
- Exact Match First, Root Words Second
- Exact word match
- Root word match
- EGW Collections
- All collections
- Lifetime Works (1845-1917)
- Compilations (1918-present)
- Adventist Pioneer Library
- My Bible
- Dictionary
- Reference
- Short
- Long
- Paragraph
No results.
EGW Extras
Directory
Ny niverenan’ i Jakoba tany Kanana
Rehefa nita an’ i Jordana i Jakoba, dia ‘tonga soa aman-tsara tao an-tanàna Sekema, izay eo amin’ ny tany Kanana izy’1. VoavaJy ilay fivavahana nataony tao Betela, izay nangatahany an’ Andriamanitra mba hampody azy soa aman-tsara indray any an-tanin- drazany. Nitoetra elaela tao an-dohasahan’ i Sekema izy. Io no vohitra nonènan’ i Abrahama nandritra ny zato taona mahery sy nanorenany ny alitarany voalohany teo amin’ ny tany nampanantenaina. Ary ‘novidiny vola zato tamin’ ny zanak’ i Hamora, rain’ i Sekema, dia ny tany izay nanorenany ny lainy’1 izany, sy nanorenany alitara izay nantsoiny hoe El-elohe-Isiraely — ‘Andriamanitra, Andriamanitr’ Isiraely”.PM 199.1
Nanorina alitara teny akaikin’ ny lainy toa an’ i Abrahama koa i Jakoba, ary teo no nanaterany fanatitra marain-tsy hariva notronin’ ny ankohonany rehetra. Teo ihany koa no nanaovany fantsakana, dia ilay fantsakana nipetrahan’ i Jesosy Ilay Mpamonjy sady taranak’ i Jakoba, arivo taona tatý aoriana; teo amin’ izany fantsakana izany no nanambaran’ ny Tompo ny amin’ ilay ‘loha- rano miboiboika.. ho fiainana mandrakizay’2 tamin’ ireo olona talanjona nihaino azy.PM 199.2
Fanaovana an-keriny sy vonoan’ olona no niafaran’ ny nitoeran’ i Jakoba sy ny zanany tao Sekema. Noho ny fahafaham-barakan’ ilay zazavavy, hany zanakavavin’ ny patriarka, dia nitady hamaly faty azy ny roa tamin’ ny anadahiny ; ilay zatovolahy namitaka ny zazavavy no tiany hasiana ka ny tanàna iray manontolo no nofongorany. Izany zava-doza izany dia noho ny tsy fahamalinan-jazavavy iray, izay naniry hifanerasera tamin’ ny ratsy fanahy ka ‘nivoaka mba hizaha ny zazavavy tompon-tany’3. Fa na iza na iza no sahy mitady fahafinaretana eo anivon’ izay tsy matahotra an’ Andriamanitra, dia mizotra ho eo amin’ ny tobin’ i Satana.PM 199.3
Tsy nitoetra tsy nisy valiny tsy akory ny fahasahiana niharo famitahana nasehon’ i Levy sy Simeona ; ny asany ratsy izay nafeniny fatratra an-drainy, dia tsy afa-tsiny. Koa nony ren’ ilay patriarka ny heloka bevava nataony, dia tsiravina tokoa izy. Na dia nalahelo mafy aza anefa izy noho ny fitaka ratsy nataon’ ny zanany roa lahy, dia izao ihany no teniny: ‘Efa nahatonga loza amiko hianareo. fa efa nomaimboinareo eto amin’ ny mponina amin’ ny tany aho.. ka dia hiangona hamely ahy izy ireo ka hamono ahy ; dia ho fongotra aho, dia izaho sy ny ankohonako’. Ny alahelo sy ny tahotra nahazo ny patriarka tamin’ izay fotoana izay, dia mbola tsaroany ihany dimam-polo taona taty aoriana, araka izao teny izao, izay noteneniny teo am-pandriany rehefa ho faty izy tany Egypta:PM 200.1
‘ Simeona sy Levy dia mpirahalahy,
Fiadia-mandoza ny sabany ;
Aza mankeo amin’ izay iokoany ry foko.
Ary aza miray amin’ ny fiangonany, ry ianahiko
Ho voaozona anie ny fahatezerany fa nasiaka izany,
Ary ny fahavinirany, fa loza izany!’4PM 200.2
Tsapan’ i Jakoba fa izao toe-javatra niseho izao dia tokony hahatonga fanetren-tena lehibe ho azy sy ho an’ ny zanany. Ny fahasiahana sy ny famitahana dia samy teo amin’ ny toetran-janany avokoa. Nisy sampy nafenina teo amin’ ny tobiny ary ny fanompoan- tsampy dia tafiditra hatrao amin’ ny ankohonany. Raha valian’ i Jehovah araka ny tokony hamaliana antsika isika, hoy izy, tsy ho tonga famiraviran” ny firenena manodidina va isika ?PM 200.3
Raha mbola oriorin’ alahelo toy izany izy, dia nanome baiko azy Andriamanitra mba hifindra hianatsimo ka honina any Betela. Izany toerana izany, dia nampahatsiahy azy ny nahitany ny anjely sy ny teny fikasan’ Andriamanitra ary ny voadiny hanompo an’ i Jehovah. Alohan’ ny hiaingany anefa, dia niriny ny hanadio ny fianakaviany ho afaka amin’ ny loton’ ny sampy, ka hoy izy tamin’ ny olona rehetra nomba azy: ‘Ario ireo andriamani-kafa izay ao aminareo, dia madiova sady ovay ny fitafianareo ; ary andeha hiainga isika ka hiakatra any Betela ; ary hanao alitara any ho an’ Andriamanitra Izay nihaino ahy tamin’ ny andro fahoriako ary nomba ahy tamin’ ny lalana izay nalehako ’5.PM 200.4
Rehefa izany, dia tamim-pihetseham-po lalina no nitantaran’ i Jakoba tamin’ ny fianakaviany ny amin’ ny fomba nisehoan’ Andriamanitra taminy tao Betela, fony izy feno tebiteby sy nanirery, nandositra nandao ny tranon-drainy. Raha mbola nitanisa ny porofo mahagaga mariky ny hatsaram-panahin’ Andriamanitra toy izany izy, dia nangorakoraka ny fony, ary nisy hery avy any ambony koa nanetsika ny fon-janany ka nahataonga azy ireo ho vonona hiray amin’ ny fivavahana amin’ Andriamanitra indray rehefa tonga any Betela. ‘Dia natolony teo amin’ i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra izay notanany sy ny kavina izay teny an-tsofiny ; ary dia nalevin’ i Jakoba teo am-pototry ny hazo terebinta izay tao akaikin’ i Sekema ireo’.PM 201.1
Dia niara-niainga izy rehetra, ary Jehovah nahatonga horohoro teo amin’ ny manodidina. Izany no antony tsy nanenjehana ny zanak’ i Jakoba sy nahatongavan’ izy rehetra soa aman-tsara tany Betela. Ary tao, dia niseho tamin’ ilay patriarka indray Andriamanitra ka nanavao ny fanekeny taminy. ‘ Ary Jakoba dia nanorina tsangambato teo amin’ ny fitoerana izay niresahany taminy’.PM 201.2
Teo amin’ izany toerana izany ihany koa no nahafatesan’ i Debora, mpitaiza an-dRebeka, izay efa nandao an’ i Mesopotamia koa ka nanara-dia hatrany hatrany ny tompovaviny ; tonga isan’ ny nohajaina teo amin’ ny ankohonan’ Isaka ravehivavy. Ny fanatrehan’ izany vehivavy lava andro niainana izany, dia nampahatsiahy an’ i Jakoba ny lasa sy ny nahatsiarovany an-dreniny izay tia azy fatratra. Nalevina tamin’ alahelo lehibe izy, teo am-pototry ny hazo òka anankiray izay nomena anarana hoe ‘Hazo óka fitomaniana”. Manaitra sy mahaliana ny ahitana ny tantaran’ io vehivavy mpanompo mahatoky io voatahiry ao amin’ ny Boky Masina.PM 201.3
Rehefa afaka indroa andro dia tonga tao Hebrona Jakoba sy ny ankohonany. Nisy fahoriana lehibe niandry an’ i Jakoba tao. Rahely vady malalany, izay nahatonga azy hanompo fito taona, dia fito taona niova ho fahasambarana noho ny fitiavany azy, dia maty tao. Lalina sy naharitra izany fitiavany an-dRahely izany ka mbola tsaroany ihany na dia tatý aoriana elabe aza, ka efa ho faty izy. tamin’ ilay fotoana namangian’ i Josefa zanany azy. Raha nitodika nitazana ny fiainany lasa izy. dia niteny hoe: ‘Ary izaho, raha niala tany Padan-Arama, dia maty teo anatrehako Rahely tany amin’ ny tany Kanana rehefa kely foana no sisa tsy nahatongavana tao Efrata ; ary nandevina azy aho teo amoron’ ny lalana mankany Efrata’6. Tamin’ ireo_ zava-maro samihafa niseho teo amin’ ny fiainany, dia zavatra iray loha ihany no tsaroan’ i Jakoba ka novisa- visainy tamin’ ilay zanany malalany indrindra. dia ny nahafatesan- dRahely reniny.PM 201.4
Niteraka zazalahy iray Rahely rehefa ho faty ; nataony hoe Benony, ‘zanaky ny fahóriako”, ny anaran’ ilay zaza, fa Jakoba kosa nanao azy hoe Benjamina, ‘zanaky ny havanana’, na ‘zanaky ny heriko’. Mba ho fahatsiarovana an-dRahely, dia nisy tsangambato naorina teo amin’ ny fasany.PM 202.1
Raha mbola teny an-dalana nankany Efrata izy ireo, dia vonton’ alahelo indray ny fianakavian’ i Jakoba, noho ny ratsy lehibe nataon-dRobena, lahimatoa, dia fahotana izay nahatonga azy ho tsy nanana intsony ny tombontsoa sy ny voninahitry ny fizokiana.PM 202.2
Tonga soa aman-tsara teo amin’ izay nalehany izy rehetra. ‘Ary Jakoba nankany amin’ Isaka rainy tany Mamre, any Kiriat-arba, (Hebrona izany) izay nivahinian’ i Abrahama’7. Ary Jakoba nitoetra teo ambara-pahafatin’ ny rainy. Isaka dia efa jamba sy nanirery ary trotraka sy nisaona, ka nitondra fampiononana lehibe ho azy ny mari-pitiavana mamy nasehon” ilay zanany nandao azy ela.PM 202.3
Mbola tafahaona indray mandeha indray i Jakoba sy Esao tamin’ ny nahafatesan-drainy. Nanantena hanararaotra izany fotoana izany Esao mba hampihatra ny valifaty, nefa efa tena niova mihitsy ny toe-tsainy: Jakoba kosa izay vokin’ ny fitahiana ara-panahy vokatry ny fizokiana izay efa azony, dia namela ny harena rehetra navelan’ Isaka ho an’ i Esao izay tsy nikendry afa-tsy izany ihany. Fa izy dia efa nomen’ Andriamanitra harena be dia be, afa-tsy ireo zava- tsoa sarobidy nirin’ ny fony. Noho izany, na ny fialonana, na ny fankahalana dia tsy nisy nampisaraka azy mirahalahy intsony. Mbola nisara-toerana ihany anefa izy.PM 202.4
‘Fa samy be loatra ny haren’ izy mirahalahy, ka tsy mba nahazo niray monina izy ; ary tsy omby azy ny tany fivahiniany, noho ny omby aman’ ondriny ’8. Izany fisarahan’ izy mirahalahy izany dia nifanaraka tamin’ ny fikasan” Andriamanitra momba an’ i Jakoba. Fa lehibe loatra mantsy ny fahasamihafana momba ny fivavahana hita teo amin’ roa lahy ka tsara kokoa ny tsy hiarahany mitoetra. Samy notezaina tamin’ ny fahalaiana an’ Andriamanitra na Esao na Jakoba ; samy afaka nifidy ny handeha araka ny didiny ka hahazo ny fanka- sitrahany izy mirahalahy ; kanefa, samy nandeha araka ny lalany avy izy ary mifanohitra indrindra izany lalana izany.PM 203.1
Tsy noho ny didy tsy refesi-mandidy nataon’ Andriamanitra no nahatonga an’ i Esao tsy hanana ny tombontsoan’ ny famonjena. Ny fanomezam-pàhasoavana izay eo amin’ i Jesosy Kristy dia atolotra maimaimpoana ny olona rehetra. Ny fahaverezana dia vokatry ny fifidianana ataon’ ny tenan’ ny olona tsirairay avy. Asehon’ Andriamanitra amintsika ao amin’ ny Teniny ny fepetra rehetra tokony ho tanterahina mba hahazoana ny fiainana mandrakizay, dia izao: ny fankatoavana an’ i Jesosy Kristy amin’ ny alalan’ ny finoana. Arakaraka ny fananana toetra mifandrindra amin’ ny lalàn’ Andriamanitra no andraisana ny fifidianan’ Andriamanitra. Koa na iza na iza manatanteraka ireny fepetra ireny sy mivelona araka izany, dia hiditra ao. amin’ ny fanjakan’ ny voninahitra. Fa hoy Jesosy: ‘Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay ; fa izay tsy mino ny Zanaka, dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran Andriamanitra no mitoetra eo aminy’. Dia hoy indray Izy: ‘Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko. no hiditra amin’ ny fanjakan’ ny Ianitra, fa izay manao ny sitrapon’ ny Raiko Izay any an-danitra ’9. Ao amin’ ny Apokalypsy, dia izao no voalazan’ ny Tompo: ‘Sambatra izay manasa ny akanjony (izay mitandrina ny didiny, hoy ny dikan-teny sasany) mba hananany fahefana amin’ ny hazon’ aina sy hidirany amin’ ny vavahady ho ao an-tanàna’10. Izany ihany no fifidianana ho amin’ ny famonjena voalazan’ ny Tenin’ Andriamanitra.PM 203.2
Fa na iza na iza no manaiky hiasa ‘amin’ ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena azy” dia ho voafidy. Izay rehetra mandray ny ‘fiadian’ Andriamanitra” ka miady ny ‘ady tsaran’ ny finoana”, izay rehetra manaiky mba hiambina sy hivavaka, izay rehetra mandinika ny Soratra Masina sy mankatò ny ‘teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra’, dia ho voafidy. Ny fomba ahazoana ny famonjena sy ny vokatry ny famonjena dia samy atolotra maimaimpoana avokoa ho an’ izay rehetra vonona hanatanteraka ny fepetra rehetra.PM 203.3
Fa Esao dia nanao tsinontsinona ny fepetra rehetra momba ilay fanekena. Ny zava-tsoan’ ny nofo dia nataony ambonimbony kokoa noho ny zava-tsoan’ ny fanahy, ka dia nahazo izay niriny izy. An-tsitrapo no nialany tsy ho isan’ ny vahoakan’ Andriamanitra. Fa Jakoba kosa nifidy ny lovan’ ny finoana. Nefa, noho izy nampiasa hafetsena sy lainga mba hananany izany, dia navelan’ Andriamanitra ho voakapoka izy noho ny fahadisoany. Niharihary taminy fa ny hevi- petsiny sy ny fitaka nataony dia mifanohitra amin’ ny sitrapon’ Andriamanitra. Ary teo afovoan’ ny fiovaovana sy ny fahangidiam- piainana nahazo azy, dia tsy hadinony ny zavatra izay efa nofidiny.PM 204.1
Ilay tolona mamatonalina teo amin’ ny rian-dranon’ i Jaboka, dia nanova an’ i Jakoba ho olom-baovao. Levona teo aminy ny faha- tokian-tena ary fongana tsy nisy ilay toe-tsaina fetsifetsy nananany fahiny. Ny fitaka dia nisolo fahamarinana sy fahitsiana. Nianatra hiantehitra tamin’ ny sandry maherin’ ny Tsitoha izy sy hanaiky amim-panetren-tena ny fitondrany na dia sendra fahoriana sy fitsapana aza. Levona tsikelikely tao amin’ ny afon’ ny memy ny faha- lotoana rehetra teo amin’ ny toetrany ka ny finoan’ i Abrahama sy Isaka indray kosa no namirapiratra fatratra ho solon’ izany.PM 204.2
Ny fahotan’ i Jakoba anefa dia niteraka voka-dratsy teo amin’ ny toetran-janany. Na dia efa lehibe aza ireo, dia mbola nanana kilema sy hadalana maro ihany. Ny fampirafesana koa dia nisy vokany mampalahelo araka izay ampoizina rahateo, fa sady nandritra ny loharanom-pitiavana izany no namaha koa ny fatorana masin’ ny fanambadiana. Ny fialonan’ ny samy reny dia nahatonga toe-tsaina ratsy teo amin’ ny fianakaviana. Ny zaza dia nitombo teo afovoan’ izany rehetra izany ka tonga mpifanditra sy nankahala ny didy sy fitsipika rehetra ; koa dia feno alahelo tokoa ny fiainan’ i Jakoba.PM 204.3
Nisy anefa anankiray tamin’ ny zanak’ i Jakoba izay nanana toetra niavaka noho ny an’ ny rahalahiny ; tsy iza io fa i Josefa, ilay zatovolahy tsara tarehy tokoa, zanaka lahimatoan-dRahely ; ny hatsaran-tarehy kanto nananany dia toa nitory koa ny hatsaram- panahiny. Nadio sy kinga izy, sariaka sady nanana toe-tsaina matotra sy tony. Nankatò ny toro-hevitry ny rainy sady nankatò ny baikon’ Andriamanitra izy. Ireo toetra izay nampiavaka azy: toetra mahate- ho tia, fahamarinana sy fahatokiana tamin’ ny fanaovana ny adidy isan’ andro, dia nananany hatramin’ ny fahazazany. Rehefa maty reniny, dia nafindrany tamin-drainy avokoa ny fitiavany rehetra ; ary ny rainy kosa indray, dia tia fatratra ilay zanaky ny fahanterany. ‘Ary tian’ Isiraely mihoatra noho ny zanany rehetra Josefa’11.PM 204.4
Izany tombom-pitiavana nasehon’ i Jakoba tsy tamim-pahama- linana izany dia nahatonga alahelo sy fangirifiriana lehibe, fa niteraka fialonana teo amin’ ireo zanany zokin’ i Josefa izany. Ary afa-tsy izany, raha nahita ny faharatsiam-piainan’ ny rahalahiny i Josefa ka sahy nampiseho moramora tamin’ ny teniny ny tsy fankasitrahana izany, dia mainka koa nampitombo ny lolom-pon’ izy ireo taminy. Nony farany anefa, dia tsy naharitra intsony i Josefa fa nambarany tamin-drainy ny toe-javatra rehetra ary nanantena izy fa ny fahefan’ ny rainy dia hampiova ny toetran’ ny rahalahiny.PM 205.1
Ary i Jakoba nitandrina indrindra mba tsy hahatezitra ny zanany tamin’ ny fananarana mafy. Tamim-peo nangovitry ny fihetseham-po no nanehoany tamin’ izy rehetra ny fitiavany azy sy niangaviany azy mba hanaja ny volo fotsiny ka tsy hanala baraka ny anarany, indrindra mba tsy hanome henatra ny anaran’ Andriamanitra amin’ ny tsy firaharahana ny didiny. Noho izany fahafantarana ny toetra ratsiny izany, dia mba niseho ho menatra sy nibebaka ireo zatovo zanak’ i Jakoba ; fanakonana fotsiny ny tena fankahalany anefa izany.PM 205.2
Ny fanomezana tsy voahevitra loatra nataon’ i Jakoba ho an’ i Josefa, dia ny nanomezany azy fitafiana marevaka fitondran’ ny olo- mihaja fahizay, dia niseho ho toy ny fiangarana miharihary teo anatrehan’ ny zanany hafa ; nahatonga fiahiahiana tao amin’ izy rehetra izany, izay niheverany fa tadiavin’ ny rainy homena ilay zanak’ i Rahely ny tombontsoan’ ny fizokiana. Vao mainka koa nitombo ny hatezeran’ izy ireo raha nitantara ny nofiny taminy i Josefa.PM 205.3
‘Indro. namehy amboara tany an-tsaha isika (hoy i Josefa tamin’ izy ireo raha nitantara taminy ny nofiny izy), ary, indro, niarina ny amboarako sady nijoro, ary, indreo, nilahatra rnanodidina kosa ny amboaranareo ka niankohoka teo anatrehan’ ny amboarako ’.PM 205.4
Ary hoy ny rahalahiny izay sosotra sady velom-pialonana: ‘Moa hanjaka aminay tokoa va hianao ?.. Ary izany nofiny sy teniny izany dia vao mainka nankahalany azy’.PM 206.1
Tatý aoriana kelin’ izany, dia nanonofy tahaka izany ihany koa i Josefa ka notantarainy tamin’ ny rahalahiny: ‘Indro, nanonofy indray aho ; ary indro, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin’ ny folo niankohoka teo anatrehako’. Toy ilay nofy voalohany ihany no niheverana ilay faharoa. Ary ny rainy izay nanatrika ny fanazavany. dia nanome tsiny azy ka nanao hoe: ‘Manao ahoana izany nofy nonofisinao izany? Moa ho avy tokoa va aho sy ny reninao ary ny rahalahinao ka hiankohoka amin’ ny tany eo anatrehanao ?” Ireo teny toa henjana ireo dia nanafina finoana tao amin’ i Jakoba, izay nihevitra fa Andriamanitra no naneho ny ho avy momba ny fiainan-janany.PM 206.2
Ary ny rahalahiny koa dia tsy afaka tsy ho talanjona raha nahita azy nijoro teo anoloany, tamin’ ny endrika namirapiratry ny hevitra izay nameno ny saina amam-panahiny. Kanefa, tsy nanaiky ny handao ny fiainany feno fikorontanana izy rehetra, ka dia niverina tao aminy indray ny fankahalana an’ ilay nanana fahadiovana nanameloka ny fahotany. Nameno ny fony ny toe-tsain’ i Kaina.PM 206.3
Noho ny tsy fahampian’ ny ahitra ho an’ ny andian’ ondry aman’ osy, dia voatery nandeha lavitra ny zanak’ i Jakoba ary nitoetra tany volana vitsivitsy. Taorian’ ireo toe-javatra voalaza teo dia nankany Sekema izy, dia ilay toerana izay nividianan-drainy tany. Rehefa ela no tsy nahazo vaovao avy taminy i Jakoba, dia velon’ eritreritra noho ny ratsy nataon’ izy ireo tamin’ ny mponina tany Sekema ; koa naniraka an’ i Josefa izy mba hizaha azy ireo. Raha mba fantany mantsy ny toe-tsain’ iretsy zanany momba ilay zandriny, dia tsy ho nandcfa velively ilay zanany tanora hanao izany izy.PM 206.4
Tamin’ ny fo falifaly no nandehanan’ i Josefa. Toa an-drainy dia tsy mba niahiahy kely akory ny amin’ ny izay zavatra niandry azy izy alohan’ ny hifankahitany amim-pifaliana indray. Rehefa tonga tany Sekema izy, rehefa nandeha lalan-davitra tokony ho valo-polo kilaometatra eo ho eo, dia tsy nahita na ny rahalahiny na ny ondry aman’ ombiny. Ny mponina tao an-tanàna nilaza taminy mba ho any Dotana, dirny ambin’ ny folo kilaometatra eo ho eo. Hadinony ny fahasasarany ka niroso haingana indray izy, maika hitondra vaovao tsara ho an-drainy sy hahita ny rahalahiny izay tiany na dia nankahala azy aza. Ary rehefa nahatazana azy lavitra ireo, dia tsy mba nihevitra ny harerahan’ ilay zandriny noho ny dia lavitra nataony noho ny amin’ izy ireo, na niraharaha izay fitiavana sy fandraisana azy, fa vao mainka koa romotry ny fahate- zerana sy ny fialonana raha nahatsinjo teny amin’ ilay zatovo, ny fitafiana misoratsoratra mariky ny fiangaran-drainy. ‘Indro tamy ilay mpanonofy”, hoy izy rehetra indray niredona sady naneso, ‘koa ankehitriny, andeha hovonointsika izy ka hatsipintsika ao anatin’ ny anankiray amin’ ireto lavaka ireto ; ary dia aoka hoia- zaintsika hoe: efa lanin’ ny biby masiaka izy ; dia ho hitantsika amin’ izany na hanao ahoana ny nofiny !’PM 206.5
Raha tsy noho i Robena, dia efa notanterahiny ny fikasai’v. Tsy sahy namono ny rahalahiny ilay lahimatoa, ka dia nanoro hevitra izy ny hanipazana azy ao anaty lavaka ka avela ho faty ao ; nikasa ny hanafaka azy mangingina sy hamerina azy indray any amin-drainy mantsy izy. Neken’ ny rahalahiny ny heviny, nihataka kely anefa i Robena satria natahotra izy sao misy mahatsikaritra ny heviny, ka manjary rava ny fikasany.PM 207.1
Faly i Josefa nahavita ny dia lavitra nataony, tsy niahiahy na inona na inona akory fa nanantena fandraisana tsara. Kanjo, tora- kovitra izy raha nahita ny rahalahiny nivandravandran’ ny hatezerana nijery azy ; nosamboriny izy sady nendahiny taminy ny fitafiany. Ny fanesoana sy ny fandrahonana nahatra taminy dia nahafantarany fa tetika famonoana izao tetiky ny rahalahiny izao. Nitaraina mafy izy nefa tsy nisy vokany tamin’ ireo olona romotry ny hatezerana ireo izany fitarainany izany. Notaritarihiny ho eo amin’ ny lavaka lalina iray izy, dia navariny tao rehefa hitany fa tsy afaka handositra mihitsy ; tao no nikendreny azy ho fatin-kanoanana, fa izy ireo kosa ‘nipetraka nihinan-kanina”.PM 207.2
Tsy nahafa-po azy araka izay noheveriny anefa ny asa ratsy nataony ; maro taminy no efa nahatsiaro sorisorena sahady ; nahita andiam-pivahiny nandalo izy ireo, dia mpivarotra Ismaelita nitondra varotra avy any an-dafin’ i Jordana ho any Egypta. Dia nampiseho hevitra i Joda ny mba hivarotana an’ i Josefa amin’ ireo mpivarotra jentilisa ireo fa tsy hovonoina izy ‘fa rahalahintsika sy nofontsika ihany izy”, hoy izy ; nasehony fa tamin’ izany fomba izany dia ho afaka amin’ ny rany izy. Neken’ izy rehetra izany hevitra izany ka dia nakarina avy tao an-davaka niaraka tamin’ izay Josefa.PM 207.3
Rehefa niherikerika i Josefa ka nahita ireo mpivaro-mandeha dia nazava taminy ny toe-javatra mafy sy mahatsiravina hihatra aminy. Ny ho tonga andevo, dia mafy taminy kokoa noho ny ho faty. Nifandimbiasany nitarainana ny rahalahiny noho ny tahony sy ny fahaverezan-keviny, nefa tsy nisy vokany izany. Ny sasany, na dia nangoraka ihany aza, dia tsy sahy niteny sao dia tsiratsiraina. Samy nahatsiaro tena fa efa lasan-davitra loatra teo amin’ ny lalan- dratsiny izy rehetra ka tsy afa-niverina: nihevitra izy fa raha amindrana fo i Josefa, dia hiampanga azy rehetra indray eo anatrehan’ ny rainy, ary ny rainy dia tsy hamely azy rehetra ho afakafaka foana ka tsy ho valiana noho ny amin’ ny heloka bevava notadiaviny hatao tamin’ ilay zanany tiany indrindra. Koa nanamafy ny fony izy ka tsy nihaino ny fitarainan’ ilay zandriny fa nanolotra azy ho eo an-tanan’ ny mpivarotra jentilisa, izay niroso nanohy ny diany ka vetivety dia tsy taza-maso intsony.PM 208.1
Rehefa niverina hizaha ny lavaka nanipazana an’ i Josefa i Robena ka tsy nahita na inona na inona tao, dia ory sy nanenina indrindra izy, ka niverina nankeo amin’ ny rahalahiny ary nandriatra ny fitafiany no nivolana hoe: ‘Tsy ao ny zaza, ary izaho, aiza no halehako?” Nony reny anefa izay tehetra natao tamin’ i Josefa sady hitany fa tsy nisy hevitra ny hamonjena azy intsony, dia nanaiky hiombon-kevitra tamin’ ny rahalahiny sisa izy. Dia namono osilahy izy ireo, ary ny fitafian’ i Josefa natsobony tao anaty ran’ izany ka nentiny teo amin’ i Jakoba no sady nilaza izy fa izany fitafiana izany dia hitany teny an-tsaha. Sao dia ny fitafian’ ny rahalahinay izany, hoy izy rehetra, ‘koa fantaro na akanjon’ ny zanakao ity na tsia ?” Feno ahiahy fatratra izy ireo raha nitondra izany vaovao feno lainga izany ; tsy nisy taminy nanam-po ny fahoriana lehibe sy ny fangirifiriana mafy dia mafy naterak’ izany. ‘Akanjon’ ny zanako io”, hoy Jakoba, ‘efa lanin’ ny biby masiaka izy ; voaviravira tokoa Josefa ’.PM 208.2
Sasa-poana nampionona ilay ray antitra ny zananilahy sy ny zananivavy, nefa tsy nety nangina izy. ‘Nandriatra ny fitafiany izy ka nisikina lamba fisaonana tamin’ ny valahany, ary nisaona ny zanany andro maro’. Ny fahaelan’ ny fotoana dia toa tsy naha- tondra fanamaivanam-pahoriana ho azy, ary teo amin’ ny famoizam- pony no nitenenany hoe: ‘Hidina misaona ho any amin’ ny zanako any amin’ ny fiainan-tsi-hita aho’. Na dia feno horohoro noho ny fahatsiarovany ny asa ratsiny aza ireo zatovolahy zanak’ i Jakoba, dia mbola nanafina ihany ny heloka bevava vitany izy, izay nampi- horon-koditra azy na dia ny fahatsiarovana kely izany fotsiny aza.PM 208.3