Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Teny mialoha

    * * * * *

    Ny anaran’ ity boky ity dia milaza ny asa kendreny. Jesosy irery no ambarany, ho mahay manome izay ilain’ ny fanahy, ka mitarika ny dian’ ny mpivahiny trotraka sy misalasala, ho amin’ ny làlan’ ny fiadanana. Izy no mitarika tsimoramora ny mpivahiny mangetaheta fahamarinana ho ao amin’ ny làlan’ ny fiainana ambony indrindra — làlana miafara amin’ ny fahafenoan’ ny fiainana Kristiana hita amin’ izay efa nandà tena tanteraka, ka manana ny finoana tsy azo hozongozenina noho ny fahasoavana sy ny fiarovan’ Ilay sakaizan’ ny Mpanota.NK 7.1

    Fo malahelo maro no efa nahazo teny fampiononana sy fanantenana tamin’ ity boky ity ary efa nanampy ny betsaka tamin’ ny mpianatry ny Mpamonjy izy mba hanaraka ny diantongotr’ Ilay Mpitarika masina amim-pahatokiana sy fifaliana kokoa. Antenainay fa hahatanteraka asa fanasoavana be voninahitra toy izany amin’ ny maro hafa koa izy.NK 7.2

    Raha nanindrona mafy an’ i Jakoba ny fahadisoany, ka tsaroany fa lavitra an’ Andriamanitra izy noho izany — Natory tamin’eritreritra izy ka nanonofy : — Indro nisy tohatra niorina tamin’ ny tany, ary nipàka tamin’ ny lanitra ny lohany. Ny làlana mampitohy ny lanitra sy ny tany dia voazava tahaka izany eo anatrehan’izay mamaky ity tantaran’ ny làlan’ ny .fiainana ity ary teny fanomezan-toky sy fanaatenana no hita ato, ho azon’ ny mpandeha diso làlana sy mivadi-po avy amin’ Ilay mendrika hohajaina mipetraka eo an-tampon’ ny tohatra mahagaga.NK 7.3

    Enga anie ka hisy fahitana avy any an-danitra indray hiseho amin’ izay mamaky ity tantaran’ ny làlan’ ny fiainana mandrakizay ity.NK 7.4

    NY EDITORA.

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents