Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    TOKO I—Ny fìtiavan’ Andriamanitra ny olona

    Ny zava-boahary sy ny fanambarana ao anaty (révélation) dia samy mampiseho ny fìtiavan’ Andriamanitra ny olona. Ny Raintsika any an-danitra no loharanon’ ny fiainana sy ny fahendrena ary ny fifaliana. Jereo ange ny zava-mahagaga sy tsara tareby amin’ ny zava-boahary è. Eritrereto ange izato fanamboarana azy mahatalanjona, ka tonga amin’ izay ilàna azy tsy ny olona ihany, fa ny zava-manana aina rehetra koa. Ny hainandro sy ny ranonorana, izay maharavoravo sy manavao ny tany; ny tendrombohitra sy ny ranomasina ary ny tany lemaka. Ireny rehetra ireny dia samy milaza amintsika ny fitiavan’ ny Mpamorona. Andriamanitra no manome isan’ andro izay ilain’ ny zava-boahariny rehetra. Izany no nanoratan’ ny mpanao Salamo ilay teny mahafinaritra hoe :NK 9.1

    Ny mason’ izao rehetra izao miandrandra Anao,NK 9.2

    Ary Hianao manome azy ny haniny amin’ ny fotoany.NK 9.3

    Manokatra ny tananao HianaoNK 9.4

    Ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra. 1Sal.145:15,16.NK 9.5

    Efa nataon’ Andriamanitra masina sy finaritra tanteraka ny olona tamin’ ny voalohany. Ary ny tany mahafinaritra, raha vao noharin’ ny Mpamorona, dia tsara tsy nisy kilema, na dia aloky ny fanozonana akory aza. Fa ny fandikana ny lalàn’ Andriamanitra — dia ny lalàn’ ny fitiavana — no nitondra loza sy fahafatesana. Kanefa na dia ao amin’ ny lijaliana vokatry ny fahotana aza, dia mbola miseho ihany ny fitiavan’ Andriamanitra. Voasoratra fa nozonin’ Andriamanitra ny tany noho ny nataon’ ny olona 2Gen.3:13..Tsilo sy hery, izany hoe, ny fahasahiranana sy ny fahoriana izay mahatonga ny fiainantsika ho feno fanabiana sy asa mahareraka, dia voatendry hahasoa antsika, ho isan’ ny fanamboarana ilaina amin’ ny fikasan’ Andriamanitra hampisondrotra antsika avy amin’ ny fah aravana sy ny fietrena vokatry ny fahotana.NK 9.6

    Izao tontolo izao, na dia efa simba aza, dia tsy alahelo sy fahoriana avokoa tsy akory izy rehetra. Misy fampanantenana sy fampiononana eo ami n’ny tenan’ny zava-boahary. Fa misy voninkazo eny amin’ ny hery ary ny tsilo dia rakotry ny vonindraozy.NK 9.7

    “Andriamanitra fitiavana” no voasoratra eny amin’ ny tsiry vao mivelatra sy eny amim’ ny ahitra vao mitsimoka. Ny vorona maha-te-ho tia izay mampiravoravo ny habakabaka amin’ ny hirany mahafinaritia, ny voninkazo misoratsoratra izay mandefa ny fofony manitra mamerovero eny amin’ ny aera, ny hazo mijoalajoala ao an’ ala izay miravaka ny raviny maitso mavana,—ireny rehetra ireny dia mitory ny fitiavana fatratra sy ny fitandremana ambony indrindra ataon’ Andriamanitra ary ny faniriany hahasambatra ny zanany.NK 10.1

    Ny Tenin’ Andriamanitra, (Baiboly), no mampiseho ny toetrany. Ary ny tenany ihany aza no nanarnbara ny fitiavany sy ny famindrampony tsy misy fetra. Raha nivavaka Mosesy nanao hoe : “Mba ampahitao ny voninahitrao aho ”, dia hoy Jehovah : “Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao 1Eks. 33:18,19.”. Ary izany no voninahiny. Ary rehefa nandalo teo anatrehan’ i Mosesy Jehovah, dia niantso hoe : “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana, mitahiry famindrampo ho an’ ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana 2Eks. 34:6,7.”.Tsy mora tezitra sady be indrafo Izy, satria “tia famindrampo 3Mika 7:18.”.NK 10.2

    Namatotra ny fontsika taminy tamin’ ny famantarana tsy hita isa eny an-danitra sy ety an-tany Andriamanitra. Amin’ ny zava-boahary sy ny fanehoam-pitiavana fatratra sy lalina indrindra, izay mety ho fantatr’ olombelona, no nitadiavany hanehoana ny tenany tamintsika. Kanefa na dia ireny aza dia tsy tanteraka ho enti-mampiseho ny fitiavan’ Andriamanitra.NK 10.3

    Fa na dia tao aza izany rehetra izany, ny fahayalon’ ny fahatsarana dia efa nanajamba ny sain’ olombelona, ka dia tamin-tahotra no nanatonan’ ny olona an’ Andriamanitra, sady noheveriny ho masiaka sy tsy mamela heloka Izy. Efa notarihin’ i Satana ny olona hihevitra an’ Andriamanitra ho henjan-doatra amin’ ny fahamarinana, na toy ny mpitsara masiaka, na tompontrosa loza be sady tsy azo ifonane. Nasehonv fa Andriamanitra dia tahaka ny olona mikendry tohina hahita ny tsiny sy ny fahadisoan’ ny olona mba hahazoany mamely sy mitsara azy. Ary ny hanaia izany aloka mainty izany, ka hampiseho amin’ izao ton ’oio izao ny fitiavan’ Andriamanitra tsy manam-petra no nahatongavan i Jesosy hiara-monina tamin’ ny olombelona.NK 10.4

    Nidina avy any an-danitra ny Zanak’ Andriamanitra mba hampiseho ny Ray. “Tsy nisy nahita an’ Andriamanitra na oviana na oviana; la ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran’ ny Ray, Izy no manambara Azy1Jao. 1:18.”. “Tsy misy olona mahalala tsara ny Ray, afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ ny Zanaka hanehoana Azy2Mat. 11:27.”. Raha nanontany ny anankirav tamin’ ny mplanatra, ka nanao hoe : “Asehoy anay ny Ray,” dia izao no navalin’ i Jesosy : “Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray koa ahoana no anaovanao hoe : Asehoy anay ny Ray3Jao. 14:8,9? ”NK 10.5

    Hoy Jesosy, raha nilaza ny nanirahan Andriamanitra Azy hanao ny asany ety an-tany : “Nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny malahelo Izy, naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ ny mpifatotra Izy, sy fampahiratana amin’ ny jamba, hanafaka izay nampahorina 4Lio. 4:18.”. Izany no raharahany. Nandehandeha nanao soa sy nanasitrana izay rehetra nampahorin’ i Satana Izy. Nisy tanàna maromaro izay tsy nandrenesana fitolokoana noho ny aretina, satria nandeha namaky azy Jesosy, ka nanasitrana ny marary rehetra tao aminy ho vavolombelon’ ny nanosoran’ Andriamanitra Azy. Fitiavana sy famindrampo ary fiantrana no niseho tamin’ ny andro niainany niaraka ory tamin’ ny zanak’ olombelona ny fonv. Naka ny fomban’ olombelona Izy mba hahalalany izay ilain ny olombelona. Ny mahantra indridra sy ny manetry tena indrindra dia samy tsy nataholra ny hanatona Azy. Na dia ny ankizy madinika aza dia yoasintona hanatona Azy koa. Tian’ izy ireny ny niantsampisampy sy nankeo am-pofoan’ i Jesosy, ka nibanjina ilay tarehy be eritreritra sady feno fitiavana.NK 11.1

    Tsy nisy namelany ny tenin ny fahamarinana, nefa tamimpitiavana mandrakariva no nanaovany izany. Nampiasa fahakingan-tsaina ambony indrindra misy fitandremana feno fiheverana sy halemem-panahy Izy, raha nifampiraharaha tamin’ olona. Na oviana na oviana anefa tsy mba nanao teny manafintohina na mamelively foana, na nampalahelohelo ireo olona mora mahatsiaro izay lazaina aminy Izy. Tsy mba naniny ny halemen’ ny olona Izy. Nilaza ny marina Izy, nefa tamim-pitiavana mandrakariva,. nambarany mazava tsara ny maharatsy ny fihatsarambelatsihy sy ny tsy finoana ary ny faharatsiam-panahy, nefa narahindranomaso ny teny nentiny nananatra tamin’ izany, Nitomany an’ i Jerosalema tanàna tiany Izy, satria nandà tsy nety handray Azy, Izay Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana. Nandà ny Mpamonjy izy ireo, nefa mbola nihevitra azy tamim-pamindram-po ihany Izy. Ny fiainany dia fandavan-tena sy fiheverana ny hafa. Zavatra saro-bidy teo anatrehany ny fanahin’ ny olona tsirairay avy. Na dia ambony indrindra aza Izy dia nietry tena, ka nanaja fatratra ny olona rehetra ao amin’ ny ankohonan’Andriamanitra.NK 11.2

    Ilitany tao amin’ ny olona rehetra ny fanahy lavo, ka ny hamonjy izany no anton’ ny nahatongavany.NK 12.1

    Toy izany no toetr’ i Kristy, raha aseho amin’ ny toe-piainany. Izany koa no toetr’ Andriamanitra. Avy ao amin’ ny fon’ ny Ray no ihavian’ ny reniranom-pamindrampon’ Andriamanitra aseho ao amin’ i Kristy, ka mandeha ho amin’ ny zanak’ olombelona. Jesosy, Ilay malemy fanahy, Mpamonjy be fiantra, dia Andriamanitra “naseho teo amin’ ny nofo 11 Tim 3:16”.NK 12.2

    Hanavotra antsika no nahavelomana sy nijaliana ary nahafatesan’ i Jesosy. Tonga “Lehilahy ory Izy” mba hahatonga antsika ho isan’ ny manana fifaliana mandrakizay. Navelan’ Andriamanitra ny Zanany malalany, dia Ilay feno fahasoavana sy fahamarinana, hiala avy amin’ ilay toerana misy voninahitra tsy hita holazaina, ho eto amin’ izao tontolo izao izay efa voaloton’ ny faholana sy nohamaizinin’ ny aloky ny fahafatesana sy fanozonana. Navelany hiala teo an-tratran’ ny litiavany Izy ka handao ny fanajan’ ny anjely, mba hiaritra ny henatra, ny fanalam-baraka, ny fanetren-tena, ny fankahalana ary ny fahafatesana.NK 12.3

    “Ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; Ary ny dian-kapoka taminy no nahasilranana antsika 2Isaia 53:5.”.NK 12.4

    Hevero ange ity Izy, raha tany an’ efitra, tao Getsemane, teo ambony hazo fijaliana! Nivongaingika samy irery ny entam-pahotana Ilay Zanak’ Andriamanitra tsy manan-tsiny. Nahatsiaro tao amin’ ny fanahiny ny fampisarahana mahalsiravina izay alaon’ ny faholana amin’ Andriamanitra sy ny olona Ilay tena iray amin’ Andriamanitra. Izany no nampahory Azy, ka nitenenany flay feo mampahonena hoe: “Andriamanitro ò, Andriamanitro ò, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao ? 3Mat. 27:16.” Ny nahavaky ny fon’ Ilay Zanak’ Andriamanitra dia ny entam-pahotana sy ny fahatsiarovana ny halehibeny ary ny fampisarahany mahalsiravina ny fanahy amin’ Andriamanitra.NK 12.5

    Kanefa izany fanatitra lehibe izany tsy natao mba hampiteraka fitiavana ao am-pon’ ny Ray ho an’ ny olona hahatonga Azy hamonjy. Sanatria ! “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana 4Jao 3:16.”. Tsy noho ny fanatitra fampiononam-pahatezerana nataon’ ny Zanaka no itiavan’ ny Ray antsika, fa efa tia antsika rahateo Izy, ka nanomana ny Zanaka ho fanatitra fampiononain-pahatezerana. Kristy no alàlana izay irotsahan’ ny litiavany tsy voafetra ho amin’ izao tontolo izao izay simba. “Andriamanitra ao amin’ i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy12 Kor. 519.”. Niaranijaly tamin’ ny Zanany Andriamanitra. Tao amin’ ilay fangirifiriana tao Getsemane sy ny fahafatesana tao Kalvary no nandoavan’ ny fon’ ilay Fitiavana tsy misy fetra ny vidin’ ny fanavotana antsika.NK 12.6

    lloy Jesosy : “Ary izany no itiavan’ ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray 2jao. 10:17”. Izany hoe raha ovàna kely : “Efa tia anareo tokoa ny Raiko, kanefa tia Ahy mihoatra noho hianareo Izy, satria nanome ny aiko hanavotra anareo Aho. Tonga malalany Aho noho ny nisoloako sy niantohako anareo tamin’ ny nanolorako ny aiko sy tamin’ ny nitondrako ny loza sy ny helokareo fa noho Izaho natao fanatitra dia manao ny rariny Andriamanitra, raha manamarina izay mino Ahy”.NK 13.1

    Tsy misy afa-tsy ny Zanak’ Andriamanitra no mahay manatanteraka ny famonjena antsika satria Izy irery ihany, Izay teo an-tratran’ ny Ray no mahay manambara Azy. Izy irery ihany, Izay mahalala ny hahavo sy halalinan’ ny fitiavan’ Andriamanitra no nampiseho izany. Ny zavatra latsaka noho ny fanatitra nataon’ i Jesosy Kristy ho an’ ny olom-bery, dia tsy ampy hampiseho ny fitiavan’ ny Ray an’ izao tontolo izao “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana.” Nomeny Izy, tsy hiara-belona fotsiny tamin’ ny olona, fa hitondra ny fahotany sy ho faty hatao fanatitra. Nomeny ho an’ ny taranaka efa very izy. Efa nanao ny tenany ho antonona amin’ izay ilain’ ny olombelona Izy. Efa nanaiky hikambana amintsika zanak’ olombelona amin’ ny firaisana tsy azo tapahina, na oviana na oviana Izy Izay tena iray mihitsy amin’ Andriamanitra. “Koa izany no tsy mahamenatra Azy hanao ireo hoe rahalahy 3Heb. 2:11.”. Izy no Fanatitra sy Mpisolo vava ary Rahalahintsika, mitafy ny maha-olombelona eo anoloan’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra sady mbola hiray mandrakizay amin’ ny taranak’ olombelona izay navotany, ka dia Zanak’ olona Izy. Hanondrotra ny olona ho afaka amin’ ny fahasimbana sy ny fitambotsorana vokatry ny fahotana no anton’ izany rehetra izany, ka hahatonga azy hieritreritra ny fitiavan’ Andriamanitra ary hiombom-pifaliana amin’ ny fahamasinana.NK 13.2

    Ny avotra naloa hanavotana antsika sy ny fanatitra tsy misy fetra avy amin’ ny Raintsika any an-danitra, amin’ ny nanomezany ny zanany ho faty hisolo antsika, dia tokony hampieritreritra fatratra antsika, ny amin’ ny tokony ho toetsika amin’ ny alàlan i Kristy. Feno fankalazana sy fanajana Jaona Aposloly ilay notarihin’ ny Fanahin’ Andriamanitra, raha nahita ny hahavo sy ny halalina ary ny sakan’ ny fitiavan’ ny Ray ny olombelona izay efa ho faty. Ary noho ny tsy fahitana teny ho anti-milaza ny fahalehibeazana sy ny hafatratr’ izany fitiavana izany, dia niantso izao tontolo izao hijery izy, ka nanao hoe : “Endrey ! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ ny Hay ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’ Andriam fitra 11 Jao.3:1”. Akory ny hasaro-bidin’ izany fitiavana omena ny olombelona, izany ! Noho ny fandikan-dalàna, dia tonga vahoakan’ i Satana ny zanak’olombelona.Nefa noho ny finoana ny fanavotana nataon’ i Kristy dia mety ho tonga zanak’ Andriamanitra ny zanak’ i Adama. Tamin’ i Jesosy Kristy nitafy nofo no nanandratany ny fomba aman-toetry ny olombelona. Ny olona izay efa lavo dia napstraka indray ho amin’ ny toerana izay azo iantsoana azy hoe: zanak’ Andriamanitra noho ny firaisany amin’ i Kristy.NK 13.3

    Tsy roa aman-tany izany fitiavana izany ! Zanaky ny Mpanjakan’ ny lanitra! Teny fikasana saro-bidy manao ahoana re izany ! Ilevitra mendrika ny ho eritreretina lalina indrindra ! Fitiavana tsy hita polopolorina avy amin’ Andriamanitra ho an’ izao tontolo izao izay tsy tia azy ! Manankery mandresy ny fanahy izany hevitra izany ary manintona ho babon’ ny sitrapon’ Andriamanitra. Arakaraka ny andinihantsika ny toetr’ Andriamanitra eo amin’ ny hazavan’ ny hazo fijaliana no ahitantsika famindram-po sy fitiavana ary lamelankeloka bebe kokoa, mikambana amin’ ny rariny sy ny hitsiny. Ary arakaraka izany no ahafantarantsika tsara ny porofon’ ny fitiavan-dehibe tsy hita fetra sy famindram-po minoatra lavitra moho izay ananan’ ny reny amin’ ny zanany mania.NK 14.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents