Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    TOKO XIII—Fifaliana ao amin’ ny Tompo

    Ilaina ny zanak’ Andriamanitra mba ho solon’ i Kristy, hampiseho ny hatsarana sy ny famindrampon’ ny Tompo. Tahaka ny nampisehoan’ i Jesosy tamintsika ny tena toetry ny Ray, toy izany koa no tokony hampisehoantsika an’ i Kristy eo amin’ izao tontolo izao, izay tsy maintsy mahalala ny fitiavanv mora sady feno antra. Hoy Jesosy : “Tahaka ny nanirahinao Ahy ho amin’ izao tontolo izao, no mba nanirahako azy kosa ho amin’ izao tontolo izao. Izaho ao aminy, ary Hianao ato amiko, . . . . . . . . mba ho fantatr’ izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy 1Jao.17:18,23 ;.” Hoy Paoly Apostoly tamin’ ny mpianatr’ i Jesosy : “Aseho ho epistilin’ i Kristy hianareo, sady fantatra sy vakin’ ny olona rehetra 22 Kor.3:3,2..” Isam-batan’ olona tsirairay avy amin’ ny zanany no ampitondran’ i Jesosy taratasy ho an’ izao tontolo izao. Raha mpianatr’ i Kristy hianao, dia hianao no taratasy ampitondrainy ho any amin’ ny fianakaviana sy tanàna ary ny arabe izay misy anao. Jesosy ao anatinao dia maniry hiteny amin’ ny fon’ ireo izay tsy mahalala Azy. Angamba tsy mamaky ny Baiboly izy, na mihaino ny feo miteny aminy ao amin’ izany ka dia tsy mahita ny fitiavan’ Andriamanitra ao amin’ ny asany izy. Nefa raha tena sarin’ i Jesosy marina tokoa hianao, dia angamba amin’ ny alalanao no hahatonga azy hahalala ny hatsarany, ary ho voataona ho tia sy hanompo Azy.NK 105.1

    Ny Kristiana dia atao mpitondra fanilo amin’ ny làlana mankany an-danitra. Ny fahazavana raisiny avy amin’ i Kristy, dia tsy maintsy alefany hitaratra amin’ izao tontolo izao. Avy amin’ ny toe-piainany sy ny toe-panahiny no tokony hahalalan’ ny olona marina an’ i Kristy sy ny fanompoana Azy.NK 105.2

    Raha tena sarin’ i Kristy isika, dia hataontsika izay hisehoan’ ny raharahany ho mahafinaritra toy izay tena toetrany. Ny Kristana izay manangona alahelo sy fahoriana ao amin’ ny fanahiny, ary mimonomonina sy mitaraina, dia diso ny fampisehony ny sarin’ Andriamanitra amin’ ny olon-kafa sy amin’ ny fiainana Kristiana. Izany ataony izany dia mahatonga ny olona hihevitra, fa Andriamanitra dia tsy faly amin’ ny fahafinaretan’ ny zanany, ary amin’ izany dia vavolombelona mandainga manohitra ny Raintsika Izay any an-danitra izy.NK 105.3

    Ravoravo Satana raha mahataona nv zanak’ Andriamanitra tsy hino sy hamoy fo. Faly izy mahita antsika tsy matoky an’ Andriamanitra, ka misalasala ny amin’ ny fetezany sy ny heriny hamonjy antsika. Tiany ny mahatonga antsika hino, fa ny Tompo hampidi-doza amintsika amin’ ny fitondrany. Ny raharahan’ i Satana dia ny mampiseho an’ i Jehovah ho tsy manana antra sy famindrampo. Ataony diso filaza ny tena toetrany marina. Fenoiny hevitra tsy marina ny amin’ Andriamanitra ao an’ eritreritra, ary matetika koa isika no mino ny vohony omen’ i Satana, fa tsy mifikitra amin’ ny marina sy amin’ ny Raintsika Izay any an-danitra, ary manala baraka an’ Andriamanitra, noho ny tsy fahatokiana sy fimonomononana aminy. Tadiavin’ i Satana mandrakariva ny hahatonga ny fiainan’ ny mpivavaka ho zava-mampanjoretra. lriny ny hampiseho azy ho mahakamo sady manahirana ary raha ny Kristiana no mampiseho izany toelry ny fivavahana izany amin’ ny toe-piainany, dia manampy ny laingan’ i Satana koa izy noho ny tsy finoany.NK 105.4

    Maro ny olona izay mandeha amin’ ity fiainana ity no mitoetra amin’ ny fahadisoany sy ny tsy fahombiazany ary ny fahadisoam-panantenany, ka feno fahoriana sy fahakiviana ny fony. Raha mbola lany Eoropa aho, dia nisy vehivavy nanao toy izany, sady tra-pahoriana lalina koa, nanoratra tamiko nangataka teny fampirisihina. Nony alin’ iny namakiako ny taratasy iny, dia nofiko, fa tao amin’ ny zaridaina anankiray, hono, aho, ary nisy olona izay toa tompon’ ilay zaridaina namaky ny làlana teo. Raha mbola nioty ny voninkazo sy finaritra tamin’ ny fofony manitra aho, dia niteny tamiko ity vehivavy ity izay nifanindrandalana tamiko, ka nampiseho ahy angivy ratsy tarehy izay nisakan-dàlana azy. Ka dia ory sady sahirana teo izy. Tsy nandeha tamin’ ny làla-masaka nanaraka ny mpitarika izy, fa nandeha tao anatin’ ny angivy sy ny tsilo. “Indrisy !” hoy izy, “moa tsy mampalahelo va fa simban’ ny tsilo ity zaridaina tsara tarehy ity?” Fa boy ilay mpitarika hoe : “Aza mikasika ny tsilo, sao maratra hianao. Ny raozy sy ny lisy ary ny pinka no alao.”NK 106.1

    Moa tsy efa nisy zava-mahafaly va tamin’ izay efa nihatra taminao ? Moa va hianao tsy efa nanana fotoana mahafinaritra, fony ny fonao nitepo tamim-pifaliana namaky ny Fanahin’ Andriamanitra ? Raha nitodika nijery ny toe-piainanao tamin’ ny lasa hianao, moa tsy nahita zava-mahafaly amin’ ireny va hianao? Moa va ny teny fikasan’ Andriamanitra tsy toy ny voninkazo manitra mamerovero maniry eo an-daniny roa amin’ ny lalanao ? Moa va tsy havelanao hameno ny fonao ny hatsaranlarehiny sy ny fofony manitra ?NK 106.2

    Mandratra sy mampanaintaina ihany no ataon’ ny angivy sy ny tsilo; ary raha ireny zavatra ireny ihany no angoninao, ka atolotrao ny hafa, moa va tsy misakaua ireo olona manodidina anao tsy handeha amin’ ny làlan’ ny fiainana hianao, sady manazimba ny hatsaran’ Andriamanitra koa?NK 106.3

    Tsy hendry ny manangona ny fahatsiarovana maharikoriko ny amin’ ny toe-piainana tamin’ ny lasa — ny heloka sy ny fahadisoam-panantenana tamin’ izany, ka hiresaka sy hiory ny amin’ izany, ambara-pahatongantsika ho latsaka amin’ ny famoizam-po. Feno aizina ny fanahy kivy, fa manampina ny fahazavan’ Andriamanitra tsy hiditra ao am-pony, sady manaloka amin’ ny làlan’ ny hafa koa.NK 107.1

    Isaorana anie Andriamanitra, noho ny sary mazava izay nasehony tamintsika. Aoka hangonintsika hatao an-tokony ny fanomezan-tokim-pitiavany, mba hahazoantsika mijery azy ireo lalandava. Nandao ny seza fiandrianan’ ny Rainy ny Zanak’ Andriamanitra, ka nitafy nofo mba hahazoany mamonjy ny olombelona amin’ ny herin’ i Satana. Ny fandreseny, noho ny amintsika, no mamoha ny lanitra ho an’ ny olombelona, ka hahitany ny toerana izay amborahan’ Andriamanitra ny voninahiny, ka ny zanak’ olombelona lavo asandratra avy amin’ ny lavaky ny fahaverezana, izay nandetehan’ ny ota azy, ary ampihavanina indray amin’ Ilay Andriamanitra lehibe dia lehibe, ary rehefa niaritra ny fitsapana amin’ ny finoana ny Mpanavotra antsika, dia nampitafina ny fahamarinan’ i Kristy, ka nasandratra eo amin’ ny seza fiandrianany — izany no sary tian’ Andriamanitra hobanjinintsika.NK 107.2

    Raha toa misalasala ny amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra isika, ka tsy matoky ny teny fikasany, dia manala baraka Azy isika, sady mampalahelo ny Fanahiny Masina. Hanao ahoana re no ho toe-tsain’ ny reny, raha mimonomonona aminy lalandava ny zanany, toy ilay tsy mba nihevitra ny hahatsara azy iny akory, nefa efa tany mondron-kery nanao izay hahasoa sy hahafinaritra azy. Raha ohatra ka hoe misalasala ny amin’ ny fitiavany azy izy, dia hahavaky ny fony izany. Hanao ahoana no ho fahazakan’ ny ray aman-dreny hataon’ ny zanany toy izany ? Ary hataon’ ny Raintsika Izay any an-danitra ahoana no fihevitra antsika, raha isika tsy matoky ny fitiavany, izay nanesika Azy hanome ny Zanani-lahy tokana, mba hananantsika fiainana. Hoy ny Apostoly : “Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra 1Rom.8:32?” Nefa maro no manao hoe, amin’ ny ataony, raha tsy amin’ ny teniny aza “Tsy mihevitra izany ho ahy Andriamanitra. Angamba tia ny sasany Izy, fa tsy tia ahy.”NK 107.3

    Manimba ny fanahinao izany, satria ny tenim-pisalasalana rehetra aloaky ny vavanao, dia fihantsiana ny fakam-panahin’ i Satana mampahery ny firaikanao ho amin’ ny fisalasalana izany, ary mampahory ny anjely manompo ao aminao. Raha maka fanahy anao Satana, aza mamoaka tenim-pisalasalana na fahakiviana, na dia indraim-bava aza. Raha mety mihaino ny tsipihevitra omeny hianao, dia ho feno tsy fahatokiana sy fisalasalana ny sainao. Raha miresaka ny amin’ izay hevitrao hianao, ny fisalasalana rehetra lazainao, dia tsy fanoherana anao ihany, fa voa hitsimoka sy hamoa ao amin’ ny fiainan’ ny hafa, ary angamba tsy ho azo atao ny hisakana ny herin’ ny teninao. Mety ho afaka amin’ ny fakam-panahy sy ny fandrik’ i Satana angamba ny tenanao, fa ny hafa kosa, izay efa voataonan’ ny herinao, dia angamba tsy ho afa-mandositra ny tsy finoana izay efa natranganao. Mety dia mety ny tsy hitenenantsika, afa-tsy izay zavatra mahatonga hery sy aina ara-panahy ihany.NK 108.1

    Ny anjely dia mihaino mba handre, na rapaoro manao ahoana na manao ahoana no holazainao amin’ izao tontolo izao ny amin’ ny Tomponao any an-danitra. Aoka ho any amin’ Ilay velona hanao fifonana ho anao eo anatrehan’ ny Ray no ho fotodresakao. Raha mifandray tànana amin-tsakaiza hianao, aoka ny fiderana an’ Andriamanitra no ho eo am-bava sy ao am-ponao. Hahatarika ny sainy ho amin’ i Jesosy izany.NK 108.2

    Samy iharan’ ny fitsapana avokoa ny olona rehetra ao ny fahoriana sarotra entina sy fakam-panahy sarotra toherina. Aza milaza ny manjo anao amin’ ny olombelona mety maty tahaka anao, fa ento any amin’ Andriamanitra amin’ ny fivavahana ny zavatra rehetra. Ataovy lalàna mihitsy ny tsy hanana tenimpisalasalana na tenim-pahakiviana, na oviana na oviana, na dia indraim-bava monja aza. Raha manao tenim-panantenana sy fampifalifaliana masina hianao, dia hahefa be amin’ ny fampamirapiratana ny fiainan’ ny hafa sy ny fanatanjahana ny herimpony.NK 108.3

    Misy olona maro mahery fo ampahorin’ ny fakam-panahy ka efa mila ho lavo, noho ny fitolomana amin’ ny tena sy ny herin’ ny ratsy. Aza manakivy ny toy izany amin’ ny adiny. Omeo toky amin’ ny teny sahy sady feno fanantenana izy, mba hampirisika azy amin’ ny alehany. Ary amin’ izany dia hamirapiratra avy ao aminao ny fahazavan’ i Kristy. “Tsy misy velon-ko an’ ny tenany isika 1Rom 14:7 .” Amin’ ny herintsika tsy ampoizina, dia mety hampahazo toky sy hampahatanjaka ny olona, na hampahakivy sy hampiala azy amin’ ny fahamarinana.NK 108.4

    Maro ny olona no diso hevitra ny amin’ ny toe-piaina sy ny toe-panahin’ i Kristy. Heveriny fa tsy nanana hafanam-po sy tsy taitra tamin-javatra Izy, fa henjana, sarotiny sady nanjoni-dava. Voan’ izany toetra mampalahelo izany ny toetry ny mpivavaka maro.NK 109.1

    Yoalaza matetika fa nitomany Jesosy, nefa tsy misy mahalala Azy ho nihomehy, na oviana na oviana. Lehilahy ory sady zatra ny fahoriana tokoa ny. Mpamonjintsika, satria novohany tamin’ izay rehetra nanjo olombelona ny fony. Nefa na dia fandavan-tena aza ny fiainany, ka voasarona alahelo sy fanahiana, tsy mba resy ny fanahiny. Tsy nisy mariky ny diam-pahoriana na fimonjomonjoana ny endriny, fa feno fiononam-po sy fiadanana lalandava. Loharanom-piainana ny fony ka na taiza na taiza nalehany. dia nilondra fitsaharana sy fiadanana ary fifaliana sy firavoravoana Izy.NK 109.2

    Maotina dia maotina sady nafana fo fatratra ny Mpamonjintsika, nefa tsy nimonjomonjo na sosotsosotra. Koa ny toe-piainan’ izay maka tahaka Azy, dia tsy maintsy ho feno fikasana tsara, sady hanan-kevitra kanto amin’ ny adidy maha-olombelona azy. Ary dia hitsahatra ny fanazimbazimbana, ho fongotra ny korana tsy mahomby sy ny voso-dratsy, fa ny fivavahana amin’i Jesosy no hanome fiadanana misononoka tahaka ny ony. Tsy hamono ny fahazavam-pifaliana, na hisakana ny firavoana, na hampanjombona ny tarehy mibaiiaka sady mitsiky ny fivavahana. Tsy tonga mba hotompoina Kristy, fa mba hanompo, ka raha manjaka ao am-pontsika ny fitiavany dia hanaraka ny diany isika.NK 109.3

    Raha tehirizintsika fatratra ao an-tsaintsika ny zavatra mampalahelo, na tsy rariny nataon’ olona tamintsika, dia ho hitantsika fa tsy ho azo atao ny ho tia azy tahaka ny nitiavan’ i Kristy antsika fa raha ny hevitsika kosa no miorina amin’ ny fitiavana sy ny indrafo mahagaga nataon’ i Kristy tamintsika, dia ho haintsika koa ny hanao toy izany amin’ ny hafa. Tokony hifankatia sy hifanaja isika, na dia misy tsiny sy tsy fahatanterahana hitantsika aza. Tokony hotanterahina tsara ny fanetrentena sy ny tsy fahatokian-tena, ary ny halemem-panahy maharitra amin’ ny tsinin’ ny hafa. Hamono ny fitiavan-tena mampahihitra izany, sady hahatonga antsika halala-po sy hiantra.NK 109.4

    Hoy ny mpanao Salamo hoe:
    “Matokia an’ i Jehovah hianao. ka manaova soa,
    Dia honina amin’ ny tany hianao, ka ho faly amin’ ny fa-
    hamarinana 1 Sal. 37:3.”
    NK 109.5

    “Matokia an’ i Jehovah.” Ny andro rehetra dia samy misy fahoriana, fanahiana ary fahasahiranana ao aminy avy, hany ka raha sendra tafahaona isika, dia vonona miaraka amin’ izay hiresaka ny fahasahiranana sy ny zava manjo antsika. Ka dia tonga tafiditra ny fahoriana sy ny tahotra be, ary dia tonga velon’ erilreritra sy ahiahy ny olona izay mandre antsika, ka manjary mihevitra, fa isika dia olona tsy manana Mpamonjy be indrafo sy feno litiavana izay vonon-kihaino ny fangatahana rehetra ataontsika, ary manampy antsika lalandava amin’ ny andrompahoriana rehetra.NK 110.1

    Matahotra sady mihorohoro lalandava ny olona sasany. Isan’ andro vaky izao izy dia hodidinin’ ny zava-mampiseho ny fitiavan’ Andriamanitra isan’ andro vaky izuo izy dia mifaly amin’ ny hatsaran’ ny fitondrany nefa hamaivaniny izany fitaliiana hita maso izany. Ny sainy dia miorina lalandava amin’ ny zavatra tsy mahafinaritra izay atahorany ho tonga, na fahasahiranana :zay mety hisy tokoa izay, na dia kely ihany aza, dia maha;amba ny masony amin’ ny zavatra maro izay tokony hahabe fisaurana. Ny fahasahiranana izay mihatra aminy, dia tsy mba mampanatona azy an’ Andriamanitra, Ilay hany loharanon’ ny fanampiana azy, fa vao mainka mampisaraka azy aminy kosa, satria vao mainka mahatonga tsy fahatokiana sy fimonomononana aminy ireny.NK 110.2

    Mety amintsika va ny tsy hino toy izany ? Nahoana isika no tsy hankasitraka sy tsy hatoky ? Sakaizantsika Jesosy, ary ny ao an-danitra rehetra samy maniry ny hahasambatra antsika. Tsy tokony havela hatnpahory ny saina sy hampanjombona ny endritsikany fahasahiranana sy zava-tsarotra amin’ izao fíainana izao. Raha manao izany isika,dia hisy zavatra hahasosotra sy hampijaly antsika lalandava. Tsy tokony hitahiry ahiahy isika, fa hampahasosotrasy hampiferinaina antsika lotsiny izany, fa tsy hanampy antsika hitondra fahoriana.NK 110.3

    Angamba very hevitra amin’ ny raharaha hianao ny fanantenanao miha-maizina miha-maizina, ary matahotra ny fatiantoka hianao. Na izany aza, aza kivy apetraho amin’ Andriamanitra ny fanahianao, ary mipetraha mionona sady falifaly. Mangataha fahendrena mba hanaovanao ny raharahanao araka ny mety, dia tsy hisy fatiantoka sy faharavana. Ataovy izay azon’ ny tenanao atao mba hahatonga voka-tsoa. Jesosy efa nanaiky hanampy raha mety miezaka isika. Raha nahavita izay azonao natao hianao tamin’ ny fitokianao Ilay Mpanampy antsika, dia raiso amim-pifaliana ny vokatra.NK 110.4

    Tsy sitrak’ Andriamanitra raha ny olony no ilambesaran’ ahiahy. Tsy mamitaka antsika ny Tompo. Tsy teny foana ny teniny amintsika hoe : “Aza matahotra tsy misy loza amin’ ny alehanao.” Fantany fa misy fizahan-toetra sy loza, ary lazainy mazava aminlsika izany. Tsy mihevitra ny hanaisotra ny olony amin’ izao tontolo izao feno ota sy faharatsiana Izy, nefa kosa manoro azy fiarovana azo itokiana amin’ ny andro rehetra. Ny fivavahana nataony ho an’ ny mpianany dia hoe : “Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’ izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ ny ratsy.” “Aty amin’ izao tontolo izao,” hoy Izy, “no ahitanareo fahoriana nefa matokia Izaho efa naharesy izao tontolo izao 1Jao.17:15;16:33.”NK 110.5

    Raha nitoriteny tamin’ ny mpianany teo an-tendrombohitra Kristy, dia nampianatra ny mpianany lesona mahafinaritra ny amin’ ny tsy maintsy itokiana an’ Andriamanitra. Ireny lesona ireny dia notendrena hanome toky ny zanak’ Andriamanitra hatramin ny taranaka farany indrindra, ary tonga amin’ ny androntsika izao izany fampianarana feno toro-hevitra sy fampiononana izany. Ny voro-manidina izay manao hiram-piderana, sady tsy manana ahiahy akory no nasain’ ny Mpamonjy notsinjovin’ ny mpanaraka Azy, fa “tsy mamafy na mijinja ireny.” Ary ny Ray Izay any an-danitra manomana izay ilainy. Hoy ny Mpamonjy: “Tsy mihoatra. lavitra noho ireny va hianareo 2Mat.6:23?” Manokatra ny tànany Ilay Mpiantoka ny olona sy ny biby. ka manome izay ilain’ ny asan’ ny tànany rehetra. Ny voro-manidina dia tsy any ivelan’ ny fitandremany. Tsy mandatsaka ny hanina ao am-bavany Izy, nefa manomana sakafo araka izay ilainy. Tsy maintsy mitsindroka ny voan-javatra izay nafafiny ho azy izy. Tsy maintsy mamboatra ny zavatra hanaovany ny akaniny izy. Tsy maintsy mamahana ny zanany izy. Mivoaka mifsiatsiaka ho any amin’ ny raharahany izy, satria “ny Rainareo Izay any an-danitra mamahana azy.” Ary “moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va hianareo ?” Moa va hianareo manam-pahalalana sy mpivavaka ara-panahy tsy be vidy lavitra noho ny voro-manidina? Ilay nahary antsika, Ilay Mpiaro antsika, Ilay nanao anlsika tahaka ny endriny va tsy hanome antsika izay tokony hilaintsika, raha matoky Azy isika ? Kristy nanondro tamin’ ny mpianany ny voninkazo eny an-tsaha, izay mirobona sady madera amin’ ny hatsaran-tarehy nomen’ Andriamanitra azy ho fanambarana ny fitiavany ny olombelona. Hoy Izy : “Diniho tsara ny voninkazo any an-tsaha 3Mat.6:28” Ny hatsaran-tarehy sy ny fahatsoran ireny voninkazo vita-nanahary ireny, dia mihoatra lavitra noho ny voninahitr’ i Solomona. Na dia ny haingo mamirapiratra indrindra, izay vitan’ ny fahaizan’ olombelona aza, dia tsy azo ampitahaina velively amin’ ny hatsaran-tarehin’ ny voninkazo izay asan-tànan’ Andriamanitra. Ary hoy koa ny fanontanian’ i Jesosy hoe : “Raha ny ahitra any an-tsaha, izay any ihany anio, ka hatsipy ao am-patana rahampitso, no ampitatin’ Andriamanitra toy izany, tsy mainka va hianareo ry kely finoana 1Mat.6:39?” Raha Andriamanitra, Ilay Mpanao taozavatra tsy misy toa Azy, no manome soratra samy hafa mahafinaritra ho an’ izay voninkazo Lely maty indray andro, moa tsy ho lehibe lavitra va ny hitandremany ireo izay noforoniny tamin’ ny endriny ? Ity lesona nampianarin’ i Kristy ity dia anatra ho an’ izay be ahiahy, sy ho an’ izay sahirana sy misalasala noho ny tsy finoana.NK 111.1

    Tian’ i Jehovah ho sambatra sy miadana ary manoa ny zanany lahy sy zanany vavy rehetra. Hoy Jesosy hoe : “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo tsy tahaka ny fanome izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo. Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo 2jao.14:27;15:11.”NK 112.1

    Ny fahafinaretana tadiavina noho ny fitiavan-tena sy aoivelan’ ny lalàn’ ny adidy, dia fahafinaretana mitongilana sy mitsitapitapy ary mihelina eny, fahafinaretana handalo ka hahatonga ny fanahy ho feno fanginginana sy alahelo ny toy izany, fa raha amin’ ny fanompoana an’ Andriamanitra kosa, dia misy fifaliana sy fahafaham-po. Tsy avela handeha amin’ ny lalana tsy azo antoka ny Kristiana tsy avela hanenina na ho diso fanantenana izy. Raha tsy manana ny fahafinaretana amin’ ity fiainana ity aza isika, dia mbola mety ho faly ihany, raha mijery ny fiainana any an-koatra.NK 112.2

    Nefa na eto aza, dia mety hanana fifaliana amin’ ny firaisana amin’ i Kristy ny Kristiana. Mety hanana ny fahazavan’ ny fitiavany izy, dia ilay fiononam-po lalandava ho amin’ ny fanatrehany azy. Ny fihetsehana rehetra amin’ izao fiainana izao, dia tokony hampanakaiky antsika kokoa an’ i Kristy, tokony hahazoantsika fahalalana lalina kokoa ny amin’ ny fitiavany, ary tokony hampanatona antsika kokoa an’ Ilay fonenam-piadanana. Koa dia aoka tsy hanary ny fahatokiantsika isika, fa aoka hanana toky miorina mafy, eny, mafy noho ny taloha aza. “Efa novonjen’ i Jehovah isika hatramin’ izao 31 Sam.7:12,” ary hamonjy antsika hatramin’ ny farany Izy. Aoka isika hijery ny tsangambato fampahatsiarovana ny amin’ izay efa nataon’ i Jehovah hampifaly antsika sy hamonjy antsika tamin’ ny tànan’ ny mpandringana. Aoka hotsarovantsika ny famindram-po rehetra izay efa nasehon’ Andriamanitra tamintsika — ny ranomaso izay efa nofaohiny, ny fahoriana izay efa nampiononiny, ny fanahiana izay efa nesoriny, ny tahotra izay efa nalàny, ny nilaina izay efa nomeny, ny fitahiana izay efa azo — dia hampahatanjaka antsika amin’ izay rehetra hihatra amintsika mandritra ny andron’ ny fivahiniantsika sisa izany.NK 112.3

    Tsy azontsika atao ny tsy hijery ny fahasahiranana vaovao amin’ ny fahoriana hiseho, nefa tokony hijery ny lnsa mbamin’ ny ho avy koa isika ka hanao hoe “Efa novonjen’ i Jehovah isika hatramin’ izao.” ” Ary hifamatra amin’ ny andronao ny fìadananao 1Deo. 33:25 ;.” Ny-fizahan-toetra dia tsy hihoatr ny hery izay homena antsika hanoherana azy. Koa dia aoka isika handray ny raharahuntsika amin’ izay ahitantsika azy, ary hino fa na inona na inona mihatra, dia hisy hery homena antsika arakaraky ny fizahan-toetra.NK 113.1

    Ary vetivety dia hovohana ny vavahadin’ ny lanitra hidiran’ ny zanak’ Andriamanitra, ary ho ren ny sofina tah ika ny mozika mahafinaritra indrindra avy amin’ ny vavan ny Mpanjakan ny voninahitra ny tso-drano hoe : “Avia hianareo izay notahin’ ny Raiko. mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao 2Mat. 25:34;.”NK 113.2

    Amin’ izay dia hampandrosoina ho ao amin’ ny fonenana izay namboarin’ i Jesosy ho azy ny voavotra. Ary ny ho namany any dia tsy ny ratsy fanahy teto an-tanv toy ny mpandainga, ny mpanompo sampy, ny vetaveta, ny tsy mino, fa ireo izay efa nandresy an’ i Satana ary nahazo toe-panahy tanteraka noho ny fahasoavan’ Andriamanitra. Ny firaihana rehetra ho amin ny ota, ny tsy fahatanterahana rehetra izay nampahory azy tety dia efa afaky ny ran’ i Kristy ary ny fahatsarana sy ny famirapiratan’ ny voninahiny izay mihoatra lavitra noho ny famirapiratan’ ny masoandro dia omena azy. Ary ny hatsaram-panahinv sy ny fahatanterahan’ ny toeny dia hamirapiratra ao amin’ izy ireny, mihoatra lavitra noho ny famirapiratan’ izao tontolo izao. Tsy manan-kilema eo anatrehan’ ny sezam-piandrianana fotsy lehibe izy ary miombom-boninahitra sy tombon-tsoa amin’ ny anjely.NK 113.3

    Raha ny amin’ ny lova be voninahitra izay mety ho azy no heverina dia “inona no homen’ ny olona ho takalon’ ny ainy 3Mat. 16:26.”. Angamba olo-mahantra izy, nefa manana ny harena sy ny voni-nahitra izay tsy azon’ izao tontolo izao omena, na ovianana oviana. Ny fanahy voavotra sady voadio tamin’ny ota mbamin’ ny heriny rehetra voatolotra ho amin’ ny fanompoana an’ Andriamanitra dia ambony vidy indrindra ary misy fifaliana any andanitra eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny anjely masina ny amin’ ny fanahy iray voavotra, dia fifaliana izay aseho amin’ ny hiran’ ny fihobiana masina.NK 113.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents