Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    TOKO III—Fibebahana

    Ataon’ ny olona ahoana ny ho mahitsy eo anatrehanAndriamnnitra? Ataon’ ny mpanota ahoana ny ho marina? Tsy misy afa-tsy ao amin’ i Kristy ihany no ahazoantsika hifanaraka amin’ Andriamanitra amin’ ny fahamasinana kanefa ataontsika ahoana no fankeo amin’ i Krisly? — Maro be ny olona velompanontaniana toy izany koa, dia toy ireo vahoaka tamin’ ny andro Pentekosta, izay rehefa niaiky ny fahotany, dia nanao hoe: “Inona no hataonay ?” Ka ny teny voalohany navalin’ i Petera izany dia ny hoe : “Mibebaha hianareo”1Asa 2:38. Indray mandeha taoriana kelin’ izay koa, dia hoy izy : “Mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo 2Asa 3:19”.NK 23.1

    Ny fibebahana dia tsy maintsy misy fahatsiarovana mangirifiry noho ny fahotana sy fahafoizana izany. Tsy afaka hiala amin’ ny fahotana isika, raha tsy mahita ny maha-fahotana azy, ary raha tsy efa miala tanteraka tsara amin’ izany ao ampontsika isika dia tsy hisy fiovana tanteraka tsara amin’ ny fiainantsika.NK 23.2

    Maro ny olona no tsy mahalala akory izay atao hoe fibebahana marina. Betsaka no mahalala fa nanota, ka miova amin’ ny ivelany fotsiny, satria matahotra izy, ndrao hahatonga fijaliana aminy ny ratsy nataony. Tsy izany akory anefa no tena fibebahana ambaran’ ny ny Baiboly. Misento noho ny fahoriana izany, fa tsy noho ny fahotana. Toy izany ny fahorian’ i Esao, rehefa hitany fa very mandrakizay ny fizokiany. Balama nihorohoro, noho ilay anjely nisakan-dàlana azy, sady nitana sabatra voatsoaka; koa dia niaiky ny fahadisoany izy, satria natahotra, fandrao maty, fa tsy nisy fibebahana marina akory tamin’ izany tsy nisy fiovana tamin’ izay nokasainy hatao tsy nisy fankahalana ny ratsy akory. Jodasy Iskariota koa, rehefa namadika ny Tomponv dia nikaikaika hoe : “Nanota aho, satria namadika ra marina 3Mat.27:4 ”.NK 23.3

    Fiaikena noteren’ ny fanahy diso noho ny fanamelohana mahatahotra niseho teo ivelany sy ny fijerena mahatsiravina ny fitsarana izany. Ka ny vokatr’ izany dia nahatonga azy ho feno tahotra fa tsy nisy fibebahana fatratra, na fo torotoro akory tamin’ ny fanahiny, noho izy namadika ilay Zanak’ Andriamanitra tsy manan-tsiny, ka nandà Ilay Masin’ ny Israely. Toy izany koa Farao, raha nijaly noho ny fitsaran’ Andriamanitra, dia niaiky noho ny fahadisoanv mba hahafahan’ ny famaizana fotsiny. Kanefa niverina indray hanetra ny lanitra, raha vao sitratsitr tna ny fery NK 23.4

    Ireo rehetra ireo dia samy nitomany noho ny vokatry ny fahotana. fa tsy nalahelo noho ny fahotana-NK 24.1

    Kanefa rehefa ny Fanahin’ Andriamanitra no miditra ao am-pon’ ny olona, dia tsy maintsy hifoha ny fieritreretana Ary amin’ izay ny mpanota dia mahatsinjo ny halalinana sy ny toetra masina ananan’ ny lalàn’ Andriamanitra, dia lalàna izay fototry ny fanjakany any an-danitra sy ety an-tany. Ilay Fahazavana izay “tonga amin’ izao tontolo izao,” dia “mahazava ny olona rehetra 1Jao.1:9” ka manazava, na dia ny ao am-po tsy miloaka aza ary mampiharihary, na dia ny zava-miafin’ ny aizina indrindra aza. Tonga ao amin’ ny fanahiny sy ny fony ny fahalalana marina ny fahadisoana. Rehefa ny fahamarinan’ i Jehovah no hitan’ ny mpanota, dia mahatsiaro tahotra amin’ ny fisehoana noho ny fahadisoanv sy ny tsy fahadiovany eo anairehan’ I lay Mpandinika ny fo izy. Hitany ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny hatsaran’ ny fahamasinana ary ny fifaliana amin’ ny fahadiovana. Ka dia irioy ny ho voadio sy ny ho sitrana indray, ka ho tafaray amin’ ny Lanitra.NK 24.2

    Ilay fivavahaua nataon’ i Davida taorian’ ny nahalavoany no azo anehoana ny alahelo marina, noho ny fahotana. Tsotra sady vokatry ny fo ny fibebahany. Tao amin’ ny fivavahany, tsy nanao izay hahafa-tsiny azy tamin’ ny fahadisoanv akory izy, na naniry handositra ny fitsarana maha ahotra. Hitan’ i Davida ny halehibeu’ ny fandikany ny lalana. Hitany nv halotoan’ ny fanahiny ka dia nankahala ny fahotany izy. Tsv ny famelankeloka ihany no nangatahiny, la ny fahadiovam-po koa. Niriny ny hahazo ny tifaliana avy amin’ ny fahamasinana, dia ho sitrana indray, ka hifanaraka sy hiray amin’ Andriamanitra. Izao no teny vokatry ny fony :NK 24.3

    “Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.
    Sambatra ny olona izay tsv isain’ i Jehovah heloka,
    Ary tsy misy litaka ny fanahiny 2Sal.32:12
    “Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ó, araka ny fahasoa vanao
    Araka ny haben’ nv fiantranao, vonoy ny fahadisoako
    Fa tsaroako nv faiiadisoako,
    NK 24.4

    Ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.
    . . . . .Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio;
    Sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka.
    .... Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ó;
    Ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.
    Aza manary ahy hiala eo anatrehanao;
    Aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko.
    Ampodio amiko ny fifaliana amin’ ny famonjenao;
    Ary tohany fanahy mazoto aho.....
    Vonjeo ho afaka amin’ ny valin-drà aho, Andriamanitra o, Andriamanitry ny famonjena ahy;
    Hihoby ny fahamarinanao ny vavako 1Sal.51:1-14”.
    NK 25.1

    Ny herintsika fotsiny tsy ahefana fibebahana tahaka izany fa ny ahazoana izany dia avy amin’ i Kristy irery ihany, Izay niakatra any amin’ ny Avo, ka nanome fanomezana ho an’ ny olona rehetra.NK 25.2

    Amin’ ny toy it.y indrindra no mahadiso ny olona betsaka, ka mahatonga azy tsy ho afaka mandray ny fanampiana izay irin’ i Kristy homena azy. Heveriny fa tsy azo atao ny mankeo amin’ i Kristy, raha tsy mibebaka aloha. Ary izany fibebahana izany no manomana azy hahazo famelana ny helony. Marina fa mialoha ny famelan-keloka ny fibebahana, satria ny fo torotoro sy mangorakoraka no mampahatsiaro ny filàna Mpamonjy. Kanefa moa tsy maintsy hiandry ny hoe efa mibebaka va ny mpanota, vao mahazo manatona an’ i Jesosy? Moa natao ho zava-misakana ny mpanota amin’ ny Mpamonjy va ny fibebahana?NK 25.3

    Tsy misy, na dia teny kely akory aza, ao amin ny Baiboly, milaza fa tsy maintsy mibebaka aloha ny mpanota, vao mahazo mamaly ity fiantsoan’ ny Mpamonjy ity hoe : “Mankanesa aty amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho hanome anareo fitsaharana 2Mat.11:28”. Toepanahy avy amin’ i Kristy no mitarika antsika ho amin’ ny fibebahana marina. Nanazava ny amin’ ity Petera, tamin’ ilay izy nandahatra tamin’ ny Israelita, ka nanao hoe : “Izy nasandratry ny tànana an-kavanan’ Andriamanitra ho Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebabana sy famelan-keloka ho an’ ny Israely 3Asa.5:31”. Tsy azontsika atao ny hibebaka, na ho voavela heloka, raha tsy ny Fanahin’ i Kristy no mamoha ny eritreritra.NK 25.4

    Kristy no loharanon’ ny hery mampandroso marina. Izy irery ihany no mahay mamboatra ny fo ho tonga fahavalon’ ny fahotana. Ny faniriana rehstra hoamin’ ny fahamarinana sy fahadiovana, sy ny fahalalana ny ota ho ota dia fanehoana marina fa miasa ao am-pontsika ny Fanahiny.NK 25.5

    Hoy Jesosy hoe : “Ary izaho, raha asandratra hiala amin’ ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy1 Jao.12:32”. Tsy maintsy ampahafantarina ny mpanota, fa Kristy no Ilay Mpamonjy izay maty noho ny fahotan’ izao tontolo izao. Ary raha mibanjina Ilay Zanak’ Ondrin’ Andriamanitra eo amhonin’ ny liazo fijaliana any Kalvary isika dia hiantomboka hivelatra ao an-tsaint si ka ny zava-miafina ny amin’ ny fanavotana ary ny hatsaran’ Andriamanitra hitarika antsika ho amin’ ny fibebahana. Amin’ ny fahafatesana ho an’ ny mpanota no anehoan’ i Kristy fitiavana tsy takatry ny saina. Ary araka ny fibanjinan’ ny mpanota izany no manalemy ny fony sy manaitra ny sainy ary mampibebaka azy marina amin’ ny fanahiny.NK 26.1

    Marina fa mety hisy olona menatra noho ny fahotany, ka mahafoy ny sasany amin’ ny fahazaran dratsiny, alohan’ ny ahatsiarovany fa sintonin’ ny herin i Kristy izy. Kanefa azo lazaina fa izay miezaka maty hihatsara, noho ny faniriana fatratra hanao ny marina, dia ny herin’ i Kristy no mitarika azy. Hery izay tsy neritreretiny akory no miasa ao amin’ ny fanahiny, ka dia velona ny fieritreretany ary dia tonga tsara ny fitondrantena miseho 00 ivelany. Ary arakaraky ny itarihan’ i Kristy azy hiandrandra ny liazo fijaliana sy hibanjina Azy izay nolefonin ny fahotan’ izy mpanota, dia amin’ izay ny didy no tonga ao amin’ ny fieritreretany. Ary dia aharihariny aminy amin’ izay ny haratsian’ ny toe-piainany sy ny fahotana efa miorim-paka lalina ao amin’ ny fanahiny. Ary miantomboka hahatakatra ny fahamarinan’ i Kristy izy, ka manezaka hoe : “Inona moa ny fahotana in zavatra toy izany no nilaina hatao fanalamboady noho ny Ioza nataony ? Ary moa izany fitiavana sy fijaliana ary fanetren-tena rehetra izany no tsv maintsy ilaina mba tsy hahavery antsika, fa hananantsika ny fiainana mandrakizay ?”NK 26.2

    Mety hanohitra izany iitiavana izany sy handà tsy ho taomin’ i Kristy ny mpanota, kanefa raha tsv manohitra izy dia ho voasinton i Je.sosy ary ny fahalalana ny amin’ ny fikasana amin’ ny famonjena hitarika azy ho eo am pototry nv liazo fijaliana, ka hampibebaka azy amin’ ny fahotany izay nahatonga fijaliana tamin’ ilay Zanaka malalan Andriamanitra.NK 26.3

    Izany Fanahin’ Andriamanitra miasa eto amin’ ny zavaboahary izany ihany no miteny ao am-pon’ ny olombelona, ka mahateraka faniriana tsy azo lazaina amin’ ny zavatra tsy ananany. Tsy mahafa-po ny faniriany ny zavatry ny tany. Ny Fanahin’ Andriamanitra no miteny mba hitady ireo zavatra izay hany mahay manome fiadanana sy fialan-tsasatra, dia ny fahasoavan’ i Kristy sy ny fifaliana amin’ ny fahamarinana. Amin’ ny fiasana hita sy tsy hita rnaso no ikelezan’ ny Mpamonjintsika aina hampihodina ny sain’ olombelona biala amin’ ny fifaliam-poana amin’ ny fahotana, ka ho amin’ ny fitabiana tsy misy fetra izay mety bo azony ao aminy. Ho an’ ireo fanaby rehetra, izay mitady foana bo afa-ketaheta, amin’ ny kamory mitriatriatran’ izao fiainana izao,no nampilondrana izao hafatr’ Andriamanitra izao hoe : “Ary aoka bo avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaim-poana aminr ny ranon’ aina 1Apok.22:16”.NK 26.4

    Hianao, izay maniry ao am-ponao ny zavatra tsara lavitra, miboatra nobo izay azon’ izao tontolo izao omena, ataovy bo toy ny feon’ Andriamanitra miteny amin’ ny fanahinao izany faniriana izany. Mangataha Azy hanome anao fibebahana sy hanambara aminao an’ i Kristy Ilay manam pitiavana tsy misy fetra sy fahadiovana tanteraka. Naseho miharihary tao amin’ ny fiainan’ ny Mpamonjy ilay fototry ny lalàn’ Andriamanitra. dia ny hoe : Fitiavana an’ Andriamanitra sy ny namana. Famindrampo sy fahafoizan-tena tanteraka no fototry ny fiainany. Koa raha mandinika Azy isika raha tahiny ny fahazavana avy amin’ ny Mpamonjy no mipaka amintsika, dia ho hitantsika ny fahadisoan’ ny fontsika.NK 27.1

    Isika dia mety handoka tena koa, tabaka ilay Fariseo, ka hilaza. fa marina ny fiainantsika, ara-dalàna tsy misy ho kianina ny toetsika ary dia mihevitra fa tsy misy antony ny hanetrentsika tena eo anatrehan’ Andriamanitra, tabaka ny sarambaben’ ny mpanota. Kanefa raha mamirapiratra ao amin’ ny faaahintsika ny fahazavan’ i Kristy, dia ho hitantsika fa maloto isika, ho haintsika avahana ny fitiavao-tena amin’ izay atao sy ny fankahalana an’ Andriamanitra, izay mampisolotika ny asa rehetra amin’ ny fainana. Dia ho hitantsika, fa ny fahamarinantsika dia tena sahala amin’ ny voro-damba maloto ary ny ran’ i Kristy ihany no mahay manadio antsika amin’ ny pentin’ ny ota, ka manova ny fontsika hanahaka Azy.NK 27.2

    Ny tanamasoandron’ ny voninahitr’ Andriamanitra sy ny famirapiratan’ ny voninahitr’ i Kristy miditra ao amin’ ny fanahy, no mampiala ny pentina rehetra ao, ka mampihanjahànja ny fikovilavila sy ny tsinin’ ny toetr’ olombelona. Fa aharihariny ny faniriana tsy masina, ny tsy finoan’ ny fo ary ny haloton’ ny molotra. Aseho eo anatrehany ny fahadisoan’ ny mpanota izay manafoana ny laIàn’ Andriamanitra, ka dia tsaroany maharary sy mijaly ny fanahiny amin’ ny fitadiavana ny herin’ ny Fanahin’ Andriamanitra. Maharikoriko azy ny tenany, rehefa ampitahainy amin’ ny toetr’ i Kristy, izay madio mangarangarana sy tsy misy pentimpentina.NK 27.3

    Raha nandinika ny voninahitra nanodidina ny iraky ny lanitra izay nankeo aminy Daniela mpaminany, dia tonga tahaka ny tsinontsinona, satria nahatsiaro ny halemeny sy ny tsy fahatanterahany. Hoy izy, raha nilaza ny vokatra avy amin’ ilay zava-niseho mahagaga : “Tsy nisy hery tafajanona tato amiko, fa nihasimba nivalo arika ny larehiko, ary tsy nisy hery intsony tamiko 1 Dan.10:8”. Ny fanahy mangorakoraka toy izany dia mankahala ny fitiavan-tena sy ny fanaosana mamy fo velona, ka mitady amin’ny alàlan’ ny fahamarinan’ i Kristy ny fahadiovampo izay mifanaraka amin’ ny lalàn’ Andriamanitra sy ny toetr’ i Kristy.NK 28.1

    Lazain’ i Paoly fa “araka ny fahamarinana avy amin’ ny lalàna ”, izany hoe araka ny asa miseho amin’ ny ivelany, “dia tsy mar.an-tsiny 2Fil.3:6” izy. Nefa kosa hilany fa mpanota ny tenany, raha ny toe-panahy araka ny lalana no heverina. Tsy nanan-tsiny izy, raha ny vakitenin’ ny lalàna no itsarana azy, tahaka izay ataon’ ny olona. Kanefa rehefa mandinika fatratra tao amin’ ny halalinan’ ilay fitsipiky ny fitondrantena masina, ka nijery ny tenany tahaka izay ijeren’ Andriamanitra azy, dia tsy maintsy nanondrika ny lohany izy, ka niaiky ny fahadisoany, fa hoy izy : “Ary izaho dia velona tsy nanan-dalàna fahiny, fa rehefa tonga kosa ny didy, dia velona indray ny ota, ka dia maty aho 3Rom.7:9”. Rehefa hitany ny hamasinan’ ny lalàra, dia niseho tamin’ ny tena haratsiany ny fahotana, ka dia foana ho azy ny fíheveran-tena.NK 28.2

    Tsy mitovy ny fahotana rehetra eo imason’ Andriamanitra. Misy fahasamihafàny, tahaka ny eo anatrehan’ ny olona ihany koa ireny eo anatrehany. Kanefa na inona na inora tsy fitoviana izay miseho eo analrehan’ ny olona amin’ ity fahotana ity, na amin’ izany fahotana izany, dia tsy mba misy kely eo anatrehan’ Andriamanitra tsy akory izy rehetra. Milanila sv tsy tanteraka ny titsaran’ olombelona, fa Andriamanitra kosa mandanja marina ny zavatra rehetra, araka izay tena izy. Esoina fatratra ery ny mpidoroka, ka lazaina fa handroahana azy tsy ho any an-danitra ny fahotany, nefa antonontonony ihanv kosa no iheveran’ ny olona ny mpiavonavona, ny mpitia tena, ny mpitsiriri-javatr’ olona. Kanefa ireo aza no tena fahotana izay maharikoriko an’ Andriamanitra, satria mifanohitra amin’ ny hatsaran-toetrany sy amin’ ny; iitiavana misy fandavan-tena izay azo atao hoe atmosfera ihetsehan’ izao tontoìo izao mba tsy ho sirnba. Izay lavo amin’ ny fahotana mampiseho ny mahabiby, dia mety hanana fahatsiarovana amin’ ny henatra mahazo azy sy ny fahantrany ary ny fìlàny ny fahasoavan’ i Kristy fa ny mpiavonavona kosa, dia tsy mahatsiaro izay ilainy, na inona na inona, ka dia voasakana tsy ho ao am-pony Kristy izay tonga ho antsika rehetra sy ny fahasoavany tsy misy fetra tiany homena.NK 28.3

    Ilay mpamory hetra mampalahelo izay nanao ity fivavahana ity hoe : “Andriamanitra ò, mamindrà fo amiko mpanota 1 Lio.18:13”, dia nihevitra ny tenany ho tena ratsy, sady izany koa no niheveran’ ny olona azy. Ka dia tsaroany ny fahantrany. Koa raha mbola nitambesatra teo aminy ny entam-pahadisoany sy ny henatra dia nanatona teo anatrehan’ Andriamanitra izy hangataka ny famindrampony. Nosokafany ny fony mba hiasan’ ny Fanahin’ Andriamanitra feno fahasoavana sy mahafaka azy amin’ ny herim-pahotana. Fa ny fandokafan-tenan’ ilay Fariseo sy ny flvavahana manamarin-tena nataony, dia mampiseho fa tsy andairan’ ny herin’ ny Fanahy Masina ny fony. Noho ny fanalavirany an’ Andriamanitra, dia tsy tsaroany akory ny halotoan’ ny tenany izay mifanohitra amin’ ny fahamasinana tanteraka ananan’ Andriamanitra. Tsy tsaroany akory fa misy zavatra ilainy ka nolo izany dia tsy mandray na inona na inona izy.NK 29.1

    Koa raha hitanao ny toetry ny fahotanao dia aza miandrv anao ho tsaralsara kokoa. Firifiry akory moa no mihevitra fa tsy mendrika hankeo amin’ i Kristy izy ! Moa heverinao va fa hety ho tsaratsara kokoa hianao, raha ny herin’ ny tenanao ihany ?NK 29.2

    “Moa mahova ny hodiny va ny Etiopiana,
    Ary ny leoparda va mahova ny sorany?
    Raha izany, dia mahazo manao tsara koa
    Hianareo izay efa zatra nanao ratsy 2Jer.13:23”.
    NK 29.3

    Tsy misy fanampiana ho antsika afa-tsy ao amin’ Andriama-nitra ihany. Koa isika tsy tokony hiandry izay hoe, aoka hisy fahatapahan-kevitra fatratra, na aoka hisy fotoana metimety kokoa, na aoka ho masimasina kokoa. Tsy misy azontsika atao, raha ny tenantsika ihany. Tsy maintsy manatona an’ i Kristy amin’ izao toetrantsika izao isika.NK 29.4

    Kanefa aoka tsy hisy ho diso, ka hihevitra fa Andriamanitra dia hamonjy, na dia izay manao tsinontsinona ny fahasoavany aza, noho ny halehiben’ ny fitiavany sy ny famindrampony. Tsy mety ho hita ny toetra tena maharatsy ny fahotana, raha tsy eo amin’ ny hazavan’ ny hazo fijaliana. Raha misy olona mihevitra fa Andriamanitra dia tsara loatra, ka tsy hanary ny mpanota, dia aoka izy hanopy ny masony ao an-tampon’ i Kalvary. Tsy misy fomba hafa mety hahavoavonjy ny olona, afa-tsy io. Izany fanalamboady izany ihany no ahazoan’ ny taranak’ olombelona handositra hiala amin’ ny herim-pahotana, ka ho tonga miray amin’ ny olo-masina. Tsy azon’ ny olona atao ny ho mpiombona amin’ ny fiainana ara-panahy. Noho izany anton-javatra rehetra izany no nandraisan’ i Kristy ho an” ny tenany ny fahadisoan’ ny tsy mpakato, ka netezany hijaly hisolo ny mpanota. Ny Iitiavana sy ny fijaliana ary ny fahafatesan ny Zanak’ Andriamanitra dia samy mampiseho ny halehibe mahatsiravina ananan’ ny fahotana, ka mampiharihary, fa tsy azo atao ny hiala amin’ ny heriny ary tsy misy ananana fananlenana, na dia kely akory aza, hahatongavana ao amin’ ny liainana ambony, raha tsy amin’ ny famelana ny fanahy ho eo amin’ ny Kristy.NK 29.5

    Indraindray ta-hanala tsiny ny tenany ireo olona mafy fo, ka hoy ny filazany an’ ireo mpanao raharaham-pivavahana : “Mba tsara hoatra azy ihany koa aho. Tsy olona mandà tena, na mahalala onony, na olona mahatandrina fatratra ny fitondrantenany noho izaho izy ireo. Mba tia ny fahafinaretana sy ny fifalifaliana tahaka ahy ihany koa izy ireo”. Ka dia ny I ’ahadisoan’ ny hafa no anaovany an-tsirambina ny adidiny. Nefa tsy mahafa-tsiny olona, na iza na iza, ny fahadisoana sy fahotan’ nv hafa, satria tsy modely olona sy tsy tonga ohatra no nomen’ ny Tompo antsika. Ilay Zanak’ Andriamanitra tsy manan-Tsinv no nomena antsika hatao ohatra ary izay mimenomenona amin’ ny haratsiam-pitondran tena ireo mpanao raharaham pivavahana, dia izy ireo no tokony hiseho ho olona tsara fiaina sy faka tahaka kokoa Raha tàhiny izy manana fiheverana ambony toy izanv ao anatiny ny amin’ izay tokony ho toetry ny Kristiana, moa tsy lehibe lavitra noho izany va ny fahotany . Satria fantany izay mahitsy, nefa laviny ny hanaraka izanv !NK 30.1

    Aza mitaredretra. Aza mangataka andro hamelana ny fahotanao sy hitadiavana ny hadiovam-po ao amin’ i Jesosy . Amin’ ny toy ity indrindra no nahadiso olona arivoarivo, ka nahavery azy mandrakizay. Tsy dia holazaiko be loatra elo nv hafohy sy ny tsy ahazoana antoka ny liainana — kanefa aoka ho fantatsika. fa misy loza mahatsiravina, dia loza tsy fanlatra akorv, mety hiseho, raha misy mangataka andro amin’ ny fiantsoana feno fitarainan’ ny Fanahy Masin’ Andriamanitra, fa tena lanapahankevitra hivelona amin’ ny fahotana ny hataka andro toy izanv. Na toy inona na toy inona no hakelezan’ ny fisehon’ ny fahotana, tena fahotana ny tsy fanalana azy. Izay tsy resintsika dia handresy antsika, ka hiasa handrava antsika.NK 30.2

    Noheverin’ i Adama sy Eva fa zavatra kely tsy toy inona akory nv mihinana ilay voankazo nandrarana azy, ka angamba tsy hiseho akory ny loza izay nambaran’ Andriamanitra fa ho valin’ izany. Kanefa izany zavatra kely izanv no nahatonga fandikana ilay lalàn’ Andriamanitra izay masina sy tsy azo ovàna. Izany no nampisaraka ny olona tamin’ Andriamanitra, ka nampiditra tao amin’ ny safo-dranon’ ny fahafatesana sy ny fjjaliana mampihorin-koditra isan-karazana teto amin’ izao tontolo izao. Koa hatrany hatrany dia indro mitombo, fa tsy tapaka eto amin’ izao tonlolo izaontsika ity ny sento. Ary na dia ny zava-boahary rehetra koa aza dia miara-misento sy miara-maiary noho ny tsy fankatoavan’ ny olona. Na dia ny lanitra aza dia mahatsiaro maharary amin’ izany fikomiana amin’ Andriamanitra izany. Ka Kalvary no fahatsiarovana ilay fanalam-boady tsy misy toa azy hahafaka ny fandikana ny lalàn’ Andriamanitra. Koa aoka tsy hataontsika ho zavatra maivana ny fiheverana izany hoe fahotana izany.NK 31.1

    Sanay hanody anareo, na ny landikan-dalàna, na ny fanaovana tsinontsinona sy famelana ny fahasoavan’ i Krisly, fa hanamafy ny fo sy hanova ny sitra-po ho ratsy ary handombo ny saina izany, ka tsy dia hoe hamela anareo ihany ho olona tsy mahay mijoro, fa olona tsy mahay mamaly intsony ny fiantsoana be fiantran’ ny Fanahy Masin’ AndriamanitraNK 31.2

    Maro no nampangina ny fieritreretany mitebiteby, amin’ ny iheverany fa hainy atao ny miova amin’ ny ratsy fanaony, raha tiany ho azony atao ny manao tsinontsinona ny fiantsoana avy amin’ ny famindrampon’ Andriamanitra, kanela mbola hahay mandray fahasoavana ihany. Heveriny fa rahefa manao tsinon-tsinona ny Fanahin’ ny fahasoavana, ka milatsaka ho fellin’ i Satana, dia mbola ho azony atao ihany, rehefa tonga ny fotoana farany ahitan-doza, ny hiova fitondrantena tanteraka tsara. Nefa zavatra tsy vita inora izany. Ny fahitana zavatra samy hafa, ny education*Fianarana sy lampianarana hampitombo ny saina sy ny tena amam-panaby.; tamin’ ny andro niainana no mahatonga ny toetra, ka dia vitsy no maniry hanahaka an’ i Jesosy.NK 31.3

    Na dia liviliana kely foana amin’ ny toe-piainana aza, na faniriana ratsy iray monja izay iraiketana aza, raha avela haharitra ela dia mety tsy hahazoana ny herin’ ny Filazantsara. Ny fahotana rehetra izay niniana natao dia mahahery ny fivadihan’ ny fanahy amin’ Andriamanitra. Izay mampiseho tsy finoana noho ny hamafiam-po, na manao tsinontsinona foana ny fahamarinan’ Andriamanitra, dia hijinja izay nafafìn’ ny tenany ihany. Lazain’ ny Baiboly fa tsy misy izay mahatsiravina indrindra hoatra ny loza hihatra amin’ ny milalao fahotana, araka ireo tenin’ ny hendry manao hoe :NK 31.4

    “Ny heloky ny ratsy fanahy dia mahazo ny tenany ihany, Ary ny kofehin’ ny fahotany no itanana azy 1Ohab.5:22”.NK 32.1

    Vonona hanala antsika amin’ ny fahotana Kristy, nefa tsy ta-hanery ny sitrapcntsika ary arakaraka ny aharetantsika ao amin ny fandikan-dalàna no irehan’ ny sitrapontsika amin’ ny ratsy, ka tsy aniriantsika ho afaka kanefa raha tàhiny tsy raisintsika ny fahasoavany, inona moa no azony atao? Isika ihany 110 manameloka ny tenantsika, toy ny mandrora mitsilany, ka mahavoa tena, amin’ ny ditrantsika mandà ny fitiavany. “Indro, ankehitriny no andro fankasitrahana indro ankehitriny no andro famonjena 2Kor.6:2”—“Anio raha hihaino ny feony hianareo. Aza manamafy ny fonareo 3 Heb.3:7,8”.NK 32.2

    Ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo 41 Sam.16:7”. — dia io fon’ olombelona io izay mihetsika lalandava rehefa ifandiasan’ ny fifaliana sy ny fahoriana io foio izay mera miova sy mivadibadika sady onenan’ ny tsy fahadiovana sv fìtaka. Fanlany ny zavatra kendreny sy ny heviny ary ny fikasany. Na dia izany aza, mankanesa aó aminy, na toy inona na toy inona fahalotoana eo amin ny fanahinao. Manaova toy ilay mpanao Salamo izay namela ny elitry ny fony hibanabana ho hitan’ ilay mahita izao rehetra izao, ka nanao hoe : “Diniho aho, Andriamaniaa o, ary fantaro ny foko;
    Izahao toetra aho ary fantaro ny eritreritro;
    Ary izahao na misy làlana mampahory ato anatiko,
    Dia tariho amin’ ny làlana mandrakizay aho 5Sal.13:23,24”.
    NK 32.3

    Maro no nandray ny fivavahana, ho toy ny zavatra an-tsaina sy fombam-pahamasinana fotsiny, raha mbola tsy voadio ny fo. Koa aoka ho toy izao mandrakariva ny tivavahanareo :NK 32.4

    “Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ò Ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko 6Sal.51:10”.NK 32.5

    Ataovy mahitsy mivantana amin’ ny fanahinao izany. Aoka hafana fo, ho maharitra, raha mbola miasa koa nv ainao izay mety maty. Zavatra anapahan-kevitra amin’ Andriamanitra sy nv fanahinao izany nefa iankinan’ ny mandrakizay. Koa fantaro, fa fanantenana hahitanao loza ny fanantenana miorina eo ambonin’ ny ota.NK 32.6

    Diniho amim-pivavahana ny tenin’ Andriamanitra. Izany Teny izany no hampiseho aminao, ao amin’ ny lalan’ Andriamanitra sy ny fiainan’ i Kristy, ny foto-javatra lehibe dia ny fahamasinana, izay raha tsy misy izany, dia “tsy misy olona hahita ny Tompo 1Heb.12:14”. Izany teny izany no mampiaiky ny fahotana sy mampiseho mazava ny lalàm-pamonjena Koa henoy tahaka ny feon’ Andriamanitra miteny amin’ ny fanahinao izany.NK 32.7

    Raha hitanao ny halehiben’ ny lahotanao, raha hitanao ny toetrao ratsy, aza kivy. Fa hamonjy ny mpanota no nahatongavan’ i Kristy. Tsy misy azontsika atao hampihavana antsika amin’ Andriamanitra, kanela indro ny fitiavana mahagaga: “Andriamanitra ao amin’ i Kristy, no nampihavana izao tontolo izao taminy 22 Kor.5:19” Amin’ ny fitiavany feno antra no anintonany ny fon ny zanany mania Tsy misy ray aman-dreny ety an-tany izay maharitra ny fahadisoana sy ny tsinin’ ny zanany tahaka an’ Andriamanitra amin’ ny olona tadiaviny hovonjena. Tsy misy olona mety hisolo vava ny mpandika ny lalàna. Tsy misy vavan’ olombelona mahazo milona ho an’ ny mania tahaka izay ataon’ i Kristy. Ny fikasany rehetra sy ny fliazany rehetra dia tsy inona fa fanehoau -pitiavana tsy azo tononina.NK 33.1

    Raha tàhiny Satana milaza aminao fa mpanota rain-dahiny hianao, akaro ambony eo amin’ ny Mpanavotra anao ny fijerinao ary lazao ny fetezany hamonjy anao, hanampy anao ny fijerena ny famirapiratany: Mieke ny helokao ary lazao amin’ ny fahavalo fa “tonga tety ambonin’ ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota 31 Tim.1:15”, ka azo vonjena amin izany fitavany tsy misy fetra izany hianao.NK 33.2

    Nanontany an’ i Simona ny amin’ ireo mpilrosa roa lahy Jesosy. Ny iray nananan’ ny tompony vola kely ary ny iray nananany be, nefa samy navelany ny trosan’ izy roa lahy. Ary Jesosy nanontany an’ i Simona izay tokony ho tia ny tompony kokoa amin izy roa lahy. Ary hoy ny navalin’ i Simona : “Ilay namoizany be 4Lio.7:43”. Mpanota indrindra isika, kanefa efa maty Kristy haha-voavela heloka antsika. Ampy hampihavana antsika amin’ ny Ray ny fahamendrehan’ ny sorona nataonv. Izay navelany tamin’ ny be dia ho tia Azy bebe kokoa, ka hijoro eo anilan’ ny seza fiandrianany kokoa ary hidera Azy noho ny fitiavany leliibe sy ny avotra tsy misy fetra nataony. Arakaraky ny ahalalantsika bebe kokoa ny fitiavan’ Andriamanitra, no ahafantarantsika tsara kokoa ny haratsian’ ny fahotana.NK 33.3

    Raha tàhiny hitantsika ny halavan’ ny gadra navela hangeja antsika raha tàhiny azontsika ao an-tsaina ny sorona tsy misy fetra nataon’ i Kristy noho ny amintsika, dia ho voahetsika ny fontsika ka hangorakoraka sady ho onena noho ny ota natao.NK 33.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents