Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 27—Mahay manadio ahy Hianao

    Ny habokana no aretina mahatsiravina indrindra tamin’ izay rehetra fantatra tany atsinanana. Tsy azo nositranina sady nifindra izany, ary nameno tahotra ny be herim-po indrindra ny vokany mahatsiravina teo amin’ izay voany. Teo amin’ ny Jiosy dia noheverina ho fitsarana noho ny fahotana izany ary noho izany dia nantsoina hoe «kapoka» na «rantsan-tanan’ Andriamanitra. Lalim-paka, tsy voahongotra sady mahafaty izy ka noheverina ho tandindon’ ny fahafatesana. Ny lalàna teo amin’ ny fanompoampivavahana, dia nilaza ny boka ho maloto. Tahaka ny olona efa maty izy, ka nosakanana tsy hiditra ny trano itoeran’ ny olona. Naloto izay rehetra nokasihiny. Voaloton’ ny fofon’ ainy ny rivotra. Ny olona izay nahiana ho voan’ ny aretina dia tsy maintsy niseho teo amin’ ny mpisorona izay nandinika sy nanao fanapahan-kevitra ny momba azy. Raha nolazaina fa boka izy, dia natokana tsy ho eo amin’ ny fianakaviana, nosarihiny tamin’ ny fiangonan’ Isiraely, ary nohelohina tsy hiaraka afa tsy amin’ ireo izay tra-pahoriana tahaka azy. Tsy azo nalefitra ny fitakian’ ny lalàna. Tsy afaka tamin’ izany na ny mpanjaka na ny mpanapaka. Nisy mpanjaka iray voan’ io aretina mahatsiravina io, ka tsy maintsy nametraka ny tehimpanjakana ary nandositra ny tany ama-monina.IFM 267.1

    Lavitry ny sakaizany sy ny havany no tsy maintsy itondran’ ny boka ny ozona avy amin’ ny aretiny. Voatery nanambara ampahibemaso ny antambo nanjo azy izy, mandrovitra ny fitafiany ary mampaneno famantarana, mampitandrina ny olona rehetra mba handositra tsy hanatrika azy, fa mamindra aretina izy. Ny antsoantso hoe : «Maloto ! Maloto !» re avy tamin’ ny feo malahelo tany an-tsesi-tany manirery, no fanambarana mahatahotra sy maharikoriko. Tao amin’ ny faritra niasan’ i Kristy dia nisy maro tamin’ ireny olona nijaly ireny, ary nahatratra azy ireo ny vaovao momba ny asany ka namelona tselatry ny fanantenana tao aminy. Nefa hatramin’ ny andron’ i Elia mpaminany, dia tsy mbola nisy mihitsy zavatra toy izany fantatra, dia ny fanadiovana olona izay tratry ny aretina efa nihombo. Tsy sahy namantana teo amin’ i Jesosy izy hiangavy Azy hanao izay tsy mbola natao mihitsy ho an’ olona. Nisy anankiray, na dia izany aza, izay nanana finoana nitsiry tao am-pony. Tsy fantatr’ io olona io anefa izay fomba hahatrarany an’ i Jesosy. Norarana tsy hifandray amin’ ny mpiara-belona aminy izy, koa ataony ahoana no fiseho eo amin’ Ilay Mpanasitrana ? Nanontany koa izy raha te-hanasitrana azy Kristy. Hijanona ve Izy ka hijery olona iray izay ninoana fa teo ambanin’ ny fitsaran’ Andriamanitra ? Tsy hanao tahaka ny Fariseo ve Izy, ary na dia tahaka ireo mpitsabo aza, ka hanozona azy, ary hibaiko azy handositra ny toerana falehan’ ny olona. Noeritreretiny izay rehetra nolazaina momba an’ i Jesosy. Tsy nisy na dia iray aza nitady fanampiana avy Aminy ka nolaviny. Tapa-kevitra ilay lehilahy mahantra fa hitady ny Mpamonjy. Na dia voasakana tsy ho any amin’ ny tanàn-dehibe aza izy, dia afaka mandray lalana manapaka na eny amin’ ny sisin-dalana na koa any an-tendrombohitra. Any no mety hahitany Azy rehefa mampianatra any ivelan’ ny tanàna Izy. Lehibe ny zava-tsarotra nibahana teo anatrehany, nefa io no hany fanantenana ho azy.IFM 267.2

    Dia tonga teo amin’ ny Mpamonjy ilay boka. Mampianatra eo amoron’ ny farihy Jesosy ary manodidina Azy ny vahoaka. Nijoro tery lavidavitra aloha ilay boka nisambotra ny teny avy eo amin’ ny molotry ny Mpamonjy. Hitany Izy nametra-tanana tamin’ ny marary. Hitany ny mandringa, ny jamba, ny voan’ ny paralysisa, sy ireo efa niala aina aza noho ny aretina samihafa, mitsangana salama, midera an’ Andriamanitra noho ny fahafahana azony. Nihanahery ny finoana tao am-pony. Nanatona akaikikaiky kokoa izy ary nanakaiky ireo vahoaka nitangorona. Hadinony ny fandrarana natao taminy, ho fiarovana ny vahoaka, tsy nahoany ny tahotr’ izay rehetra nijery azy. Tsy nihevitra afa-tsy ny fanantenana mahafinaritra ny ho sitrana izy.IFM 268.1

    Maharikoriko ny fijery azy. Efa nandoaka ny nofony tamin’ ny fomba nahatahotra ny aretina ary mahatsiravina ny fijery ny tenany efa mihalò. Raha nahita azy ny olona dia nihemotra noho ny horohoro. Nifanitsakitsaka izy ireo noho ny fahamaizany handositra tsy hifampikasoka aminy. Nisy aza niezaka ny hanakana azy tsy hanatona an’ i Jesosy, nefa tsy nisy hevitra. Sady tsy hitany izany no tsy reny akory. Tsy nanan-kery taminy ny fisehoan’ ny rikoriko teo amin’ ny endrik’ izy ireo. Ny Zanak’ Andriamanitra ihany no tazany. Ny feony ihany izay milaza fiainana amin’ izay ho faty no reny. Nihazakazaka teo amin’ i Jesosy izy, dia niankohoka teo an-tongony sady niantsoantso hoe : «Tompoko, raha mety Ianao dia mahay manadio ahy».IFM 268.2

    Namaly Jesosy hoe : «Mety Aho ; madiova Ianao», dia nametraka ny tanany taminy Izy.IFM 269.1

    Avy hatrany dia nisy fiovana nanerana ny tenan’ ilay boka. Nanjary salama izy, nitambelona ny hozatra, vory ny nofony. Afaka ilay hoditra maraorao sy marokoroko vokatry ny habokana, ka hoditra velon-drà, malefaka tahaka ny an’ ny zazakely salama, no nisolo toerana izany.IFM 269.2

    Nohafatrafaran’ i Jesosy ralehilahy tsy hampahafantatra ny asa vao notanterahana teo aminy, fa nasainy nandeha avy hatrany hiseho any amin’ ny tempoly nitondra; fanatitra izy. Ny fanatitra toy izany dia tsy azo nekena raha tsy efa nandinika azy ny mpisorona ka nanambara fa afaka tanteraka tamin’ ny aretina ralehilahy. Na dia tsy tian’ ny mpisorona aza ny hanao io asa fanompoana io, dia tsy azony ialana ny fandinihana sy ny fanapahan-kevitra momba izany.IFM 269.3

    Ny tenin’ ny Soratra Masina dia mampiseho ny fahamaizan’ i Kristy tamin’ Izy nametra azy ny amin’ ny tsy maintsy hanginany sy hialany haingana. «Ary namepetra azy mafy Jesosy, dia nampandeha azy niaraka tamin’ izay ka nanao taminy hoe :Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin’ iza na amin’ iza; fa mandehana miseho amin’ ny mpisorona ka manatera ny fanadiovana anao, izay nandidian’ i Mosesy ho vavolombelona amin’ ireo». Raha fantatry ny mpisorona ny zavatra momba ny fanasitranana ilay boka, dia ho nitarika azy hanao fitsarana tsy marina ny fankahalany an’ i Kristy izany. Tian’ i Jesosy ny hisehoany eo amin’ ny tempoly alohan’ ny hahatongavan’ ny feo momba ny fahagagana any amin’ ny mpisorona. Amin’ izay dia mety ho azo antoka ny fanapahan-kevitra tsy misy fiangarana ka havela hiverina indray eo amin’ ny fianakaviany sy ny sakaizany ilay boka sitrana.IFM 269.4

    Nisy zavatra hafa koa notsinjovin’ i Jesosy tamin’ Izy namepetra an-dralehilahy hangina. Fantatry ny Mpamonjy fa nitady mandrakariva izay hamerana ny asany ny fahavalony, ka hampiodina ny olona tsy eo Aminy. Fantany fa nahoraka any ivelany ny nanasitranana ilay boka, dia hisy olona hafa mijaly noho io aretina mahatsiravina io hitangorona manodidina Azy, ka hiakatra ny antsoantso hilaza fa mety hifindrany ny olona mifampikasoka amin’ izy ireo. Betsaka ireo boka no tsy hampiasa ny fanomezana fahasalamana ho azy ka hahatonga izany ho fitahiana ho an’ ny tenany na ho an’ ny hafa. Ary ny fisarihany ny boka hanodidina Azy, dia hanomezany fomba hahazoana miampanga Azy ho nandika ny fameperana ataon’ ny lalàna momba ny fanompoam-pivavahana. Amin’ izay dia hovoasakana ny asa fitoriana ny filazantsara. Nanamarina ny fampitandremana nataon’ i Kristy ny toe-javatra nitranga. Vahoaka marobe no nanatri-maso ny nanasitranana ilay boka, ary nahamay azy ireo ny hahafantatra ny fanapahan-kevitry ny mpisorona. Rehefa niverina teo amin’ ny sakaizany ralehilahy, dia nisy hotakotaka be ihany. Na dia teo aza ny fandrarana nataon’ i Jesosy, dia tsy nitady hanafina ny maha-zava-misy ny fahasitranany intsony izy. Tsy azo atao rahateo intsony koa ny manafina izany, satria nambaran’ ilay boka tany ivelany ihany. Noheveriny fa fanetrentenan’ i Jesosy fotsiny no nahatonga Azy hamepetra azy, ka lasa izy nitory teny amin’ ny manodidina ny amin’ ny herin’ Ilay Mpanasitrana lehibe. Tsy takatry ny sainy fa ny fisehoana rehetra tahaka izany, dia mahatonga ny mpisorona sy ny loholona ho tapakevitra hamono an’ i Jesosy. Tsapan-dralehilahy sitrana, fa sarobidy indrindra ny fahasalamana natolotra azy. Niriaria teo amin’ ny herin’. ny maha-lehiiahy lehibe azy izy, sy ny nahatafaverina azy teo amin’ ny fianakaviany sy ny tany ama-monina, koa tsapany fa tsy azo atao ny manakana azy tsy hanome voninahitra Ilay Dokotera Izay nanasitrana azy. Nefa ny vokatry ny hafanam-pony miredareda nanaparitaka izany tany ivelany, dia nahatonga fanakanana ny asan’ ny Mpamonjy. Nahatonga ny olona hanao andiany hanatona Azy ho vahoaka be dia be izany, hany ka nisy fotoana nahavoatery Azy hampijanona ny asany.IFM 269.5

    Mahataka-davitra eo amin’ ny fikasany ny asa tsirairay teo amin’ ny fanompoana nataon’ i Kristy. Mahafaoka mihoatra noho izay miseho eo amin’ io asa io izany. Toy izany ny momba ilay boka. Nanompo izay rehetra nanatona Azy Jesosy, nefa niriny indrindra koa ny hitahy izay rehetra tsy nanatona. Rehefa nitarika ny mpamory hetra sy ny jentilisa ary ny Samaritana Izy, dia niriny koa raha niriny ny hahatratra ny mpisorona sy ny mpampianatra izay voahidin’ ny hevitra nibahana tao am-pony sy ny lovan-tsofina namatotra azy. Tsy nisy navelany tsy handramana ny fomba rehetra hahazoany mahatratra azy ireo. Ny nandefasany ilay boka sitrana tany amin’ ny mpisorona, dia ny hanomezany azy ireo vavolombelona nokendrena hanala ny hevitra nibahana tao an-tsainy.IFM 270.1

    Efa nanantitrantitra ny Fariseo fa nifanohitra tamin’ ny lalàna nomen’ Andriamanitra tamin’ ny alalan’ Mosesy ny fampianaran’ i Kristy ; nasehon’ i Kristy kosa fa diso io fiampangana io, tamin’ ny nibaikoany ilay boka voadio hitondra fanatitra araka ny lalàna. Ampy izany vavolombelona izany ho an’ izay rehetra te-ho resy lahatra.IFM 271.1

    Efa naniraka mpitsikilo ireo mpitarika tany Jerosalema mba hitady anton-javatra hamonoana an’ i Kristy. Novaliany izany tamin’ ny nanomezany azy porofo mazava ny amin’ ny fitiavany ny taranak’ olombelona. ny amin’ ny fanajany ny lalàna, sy amin’ ny heriny hanafaka amin’ ny fahotana sy ny fahafatesana. Toy izao ny teny vavolombelona nataony momba azy ireo : «Ny soa nataoko novaliany fankahalana» 1Sal. 109 : 5. Ilay nanome ny didy tao an-tendrombohitra nanao hoe:«Tiava ny fahavalonao», dia Izy mihitsy no nanome ohatra ny amin’ io foto-kevitra io ka «tsy namaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana, fa nisaotra kosa» 2Mat. 5 : 44; 1 pet 3 : 9IFM 271.2

    Ireo mpisorona izay nanameioka ilay boka nitoka-monina ihany no nanamarina ny fahasitranany. Io didy io, izay navoaka ampahibemaso sy nosoratana teo amin’ ny boky. dia nijoro ho vavolombelona ho an’ i Kristy. Koa raha naverina indray ho ao amin’ ny fiangonan’ Isiraely ralehilahy sitrana, noho ny fahazoan’ ny mpisorona antoka tanteraka fa tsy misy pentin’ ny aretina intsony teo aminy, dia ralehilahy io mihitsy no vavolombelona velona ho an’ Ilay nanasoa azy. Tamim-pifaliana no nanolorany ny fanatitra nentiny, sy nankalazany ny anaran’ i Jesosy. Resy lahatra ny mpisorona ny amin’ ny herin’ Andriamanitra teo amin’ ny Mpamonjy. Nomena fotoana mety izy hahafantatra ny fahamarinana sy ny handray tombontsoa ny amin’ ny fahazavana. Raha laviny izany, dia ho lasa ka tsy hiverina intsony. Betsaka no nitsipaka ny fahazavana ; tsy very maina anefa ny nanomezana izany : betsaka ny fo voahetsika izay nisy fotoana tsy nanehoany izany. Nandritra ny fiainan’ ny Mpamonjy, dia toa valintenim-pitiavana vitsy no azony avy tamin’ ny mpisorona sy ny mpampianatra teo amin’ ny asa nanirahana Azy ;nefa taorian’ ny niakarany tany an-danitra, dia «maro be ny mpisorona nanaiky ny finoana» 3Asa.6 : 7.IFM 271.3

    Ny asa nataon’ i Kristy tamin’ ny nanadiovany ilay boka ho afaka amin’ ny aretiny mahatsiravina, no enti-manazava ny asany eo amin’ ny fanadiovana ny fanahy amin’ ny fahotana. «Heniky ny habokana» ilay lehilahy nanatona an’ i Jesosy. Nanenika ny tenany manontolo ny poizina mahafaty. Niezaka ny mpianatra hanakana ny Tompony tsy hikasika azy ;izay mikasika boka mantsy dia manjary maloto koa. Fa raha nametraka ny tanany teo amin’ ilay boka Jesosy, dia tsy nifindran’ ny fahalotoana. Mizara hery mitondra aina ny fikasihany. Voadio ny habokana. Toy izany koa amin’ ny habokan’ ny fahotana, — lalim-paka, mahafaty ary tsy sitran’ ny herin’ olombelona. «Henika aretina avokoa ny loha rehetra, ary marary ny fo rehetra. Hatramin’ ny faladia ka hatramin’ ny loha, dia tsy misy izay tsy marary, fa ratra sy dian-kapoka ary fery vao» 4Isa. 1 : 5,6 Fa Jesosy kosa tonga niaina teo amin’ ny maha-olombelona, dia tsy mandray loto. Manana hery mahasitrana ny mpanota ny fanatrehany. Na iza na iza miankohoka eo amin’ ny tongony ka miteny amin’ ny finoana hoe:«Tompoko ò, raha mety Ianao, dia mahay manadio ahy», dia handre valinteny hoe:«Mety Aho, madiova ianao».IFM 272.1

    Tamin’ ny fitsaboana sasany nataony, dia tsy namaly avy hatrany ny fitahiana notadiaviny Jesosy. Fa tamin’ ity boka ity kosa, raha vantany vao nangataka izy, dia voavaly. Rehefa mivavaka isika ka mangataka fitahiana ara-nofo, dia mety hitaredretra ny valin’ ny fivavahantsika, na mety hanome antsika zavatra hafa noho izay angatahintsika Andriamanitra, fa tsy mba toy izany kosa rehefa mangataka fahafahana amin’ ny fahotana isika. Sitrapony ny hanadio antsika amin’ ny fahotana, ny hanao antsika ho zanany, sy ny hahatonga antsika ho afaka hiaina amin’ ny fiainana masina. «Nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika Kristy», «fanafahana antsika amin’ izao miara-belona ratsy fanahy izao, araka ny sitrapon’ Andriamanitra Raintsika». «Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany : Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika dia mihaino antsika Izy ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy» 5Gal.1 : 4; 1 Jao. 5 : 14, 15 ; 1:9 «Raha miaiky ny fahotantsika isika dia matoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ ny tsy fahamarinana rehetra»5Gal.1 : 4; 1 Jao. 5 : 14, 15 ; 1:9.IFM 272.2

    Nampianarin’ i Kristy indray io fahamarinana io tamin’ ny nanasitranany ilay mararin’ ny paralysisa tany Kapernaomy. Mba hanehoany ny fahefany hamela heloka no nanaovany ilay fahagagana. Ary ho enti-manazava fahamarinana sarobidy hafa koa ny nanasitranana ilay mararin’ ny paralysisa. Feno fampanantenana sy fanpaherezana io fanasitranana io, ary ny fifandraisan’ izany amin’ ny Fariseo nanana fihevitra diso, dia mirakitra lesona sy fampitandremana koa.IFM 273.1

    Tahaka ilay boka, dia efa very avokoa ny fanantenan’ ity mararin’ ny paralysisa ity ho sitrana. Vokatry ny fiainam-pahotana ny aretiny, ary vao mainka nampangidy ny fahoriany ny nenina. Efa ela talohan’ izao no nanatonany ny Fariseo sy ny dokotera, nanantena ny hahazo fanamaivanana amin’ ny fahoriana ara-tsaina sy ny fangirifiriana ara-nofo nahazo azy. Tamin’ ny fomba mangatsiaka anefa no nanambaran’ ireo fa tsy mety ho sitrana izy, ka navelany hiharan’ ny fahatezeran’ Andriamanitra. Noraisin’ ny Fariseo ho porofo mazava ny amin’ ny tsy fankasitrahan’ Andriamanitra ny fahoriana, koa nihatakataka lavitry ny marary sy ny sahirana izy. Matetika anefa ireo nanandra-tena ho masina ireo indrindra no meloka noho ny mijaly izay nomelohiny.IFM 273.2

    Tsy nanan-kery mihitsy ilay mararin’ ny paralysisa, ary rehefa tsy hitany izay hanantenany fanampiana na avy taiza na avy taiza, dia rendrika tao amin’ ny famoizam-po izy. Reny anefa ny asa mahagaga nataon’ i Jesosy. Nolazaina taminy fa sitrana ny hafa, dia mpanota sy tsy nanan-kery tahaka azy ; na dia ny boka aza voadio. Ary ireo sakaizany izay nitatitra izany zavatra izany, dia nampirisika azy hino fa mety ho sitrana koa izy raha entina eo amin’ i Jesosy. Nihena anefa ny fanantenany rehefa nahatsiaro ny antony nahatonga ny aretina teo aminy izy. Natahotra izy sao tsy ho tantin’ Ilay Mpitsabo madio ny fanatrehany.IFM 273.3

    Nefa tsy ny famerenana ny fahasalamana ara-nofo no niriny mihoatra noho ny fanamaivanana azy tamin’ ny enta-mavesatry ny fahotana. Raha mba mahita an’ i Jesosy izy ka mandray ny toky fa ho voavela heloka, sy ho vita fihavanana amin’ Andriamanitra. dia hahafaly azy izany, na ho velona izy na ho faty araka ny sitrapon’ Andriamanitra. Izao no antsoantson’ ilay lehilahy efa teo ambavahoana : Raha mba tonga eo anatrehany aho ! Tsy misy fotoana azo ariana foana ; efa miseho ny famantarana ny fahalovana teo amin’ ny nofony simba. Niangavy ny sakaizany izy hitondra azy amin’ ny fandriany ho eo amin’ i Jesosy, ary nataon’ izy ireo tamim-pifaliana izany. Nefa nifanizina loatra ny olona izay nivory tao anatin’ ny trano nisy ny Mpamonjy sy nanodidina Azy, ka tsy azon’ ilay marary sy ny sakaizany natao ny ho tonga teo Aminy, na dia ny nanatona handre ny feony aza.IFM 273.4

    Nampianatra tao an-tranon’ i Petera Jesosy. Araka ny fomba nahazatra Azy, dia nipetraka teo akaikiny nanodidina Azy ny mpianatra, ary «nipetraka teo koa ny Fariseo sasany sy ny mpampiana-dalàna, izay efa niala tamin’ ny tanàna rehetra any Galilia sy Jodia ary tany Jerosalema». Hitsikilo no nahatongavan’ ireo, nitady izay hiampangana an’ 1 Jesosy. Afa-tsy ireo manampahefana ireo, dia nifanizina tao ny vahoaka marobe nifangaro, tao ny mafana fo, ny tia jerijery sy ny tsy mino. Nanana solontena tao ny firenena samihafa sy ny saranga rehetra teo amin’ ny tany ama-monina. «Ary ny herin’ ny Tompo dia tao aminy mba hahasitranany». Nanomba teo amin» ny fivoriana ny Fanahin’ aina, nefa tsy tsapan’ ny Fariseo sy ny mpampiana-dalàna ny fanatrehany. Tsy niriny ny hanana izany, ka dia tsy sitrana izy.«Ny noana novokisany soa ; fa ny manan-karena nampialany maina» 6Lio. 1 :53.IFM 274.1

    Niverimberina ireo nitondra ilay mararin’ ny paralysisa niezaka hanavatsava lalana tao anaty vahoaka, nefa tsy nisy vokany izany. Ady mihatra aman’ aina tsy hay lazaina no nentin’ ilay lehilahy marary nijery manodidina azy. Efa akaiky toy izao ilay fanampiana efa niriny ela, ka ataony ahoana no fandao ny fanantenany ? Araka ny hevitra naposany, dia nentin’ ny sakaizany ho eny amin’ ny tampon’ ny trano izy, ary rehefa namahana ny tafo, dia nampidininy teo an-tongotr’ i Jesosy izy. Tapaka ny lahateny. Nijery ilay endrika malahelo ny Mpamonjy ary hitany ireto maso mitalaho mifikitra Aminy. Fantany ny momba azy; Izy no nitarika ho eo Aminy ity fanahy very hevitra sy nisalasala ity. Raha mbola tany an-tranony ilay mararin’ ny paralysisa, dia efa nitondra faharesen-dahatra teo amin’ ny feon’ ny fieritreretany ny Mpamonjy. Rehefa nibebaka ny amin ny fahotany izy ka nino ny herin’ i Jesosy hanasitrana azy, dia nitahy ny fony feno faniriana sahady ny famindrampo mitondra aina. Nitsinjo ny taratra mitsilopilopin’ ny finoana Jesosy, ary hitany fa nihamatanjaka izany isaky ny fiezahany rehetra ho tonga eo anatrehany.IFM 274.2

    Izao ary dia injao fa niteny toa feon-java-maneno tao amin’ ny sofin’ ilay mijaly ny Mpamonjy ka nanao hoe : «Matokia, anaka, voavela ny helokao».IFM 275.1

    Nisinda niala tamin’ ny fanahin’ ilay marary ny enta-mavesatry ny famoizam-po, nirotsaka tao amin’ ny fanahiny ny fiadanana avy amin’ ny famelan keloka, ka namirapiratra teo amin’ ny endriny. Lasa ny fangirifiriana ara-nofo, ary voaova ny tenany manontolo. Sitrana ilay paralysisa tsy nanan-kery ! Voavela ny nipanota meloka.IFM 275.2

    Nekeny tamin’ ny finoana tsotra ny tenin’ i Jesosy izay nanolotra aina vaovao natao fanomezana ho azy. Tsy naniry zavatra hafa intsony izy, fa nitoetra teo tamim-panginana sady tretrika, sambatra loatra ka tsy afaka niteny. Nampamirapiratra ny endriny ny fahazavan’ ny lanitra, ary feno tahotra sy fanajana ny vahoaka nanatrika izany.IFM 275.3

    Nangitakitaka ny raby niandry ny hahita izay zavatra hataon’ i Kristy momba io toe-javatra io. Tadidiny ny efa nangatahin’ io lehilahy io fanampiana taminy, ary nolaviny ny hanome fanantenana azy na ny hiray fo taminy. Tsy afa-po tamin’ izany izy, fa nambarany fa ny fanozonan’ Andriamanitra noho ny fahotany no nampijaly azy. Niverina tao an-tsainy ireny zavatra ireny, rehefa hitany teo anatrehany ilay marary. Hitany ny fahalianan’ ny rehetra hanaramaso ny zava-niseho, ary nahatsapa tahotra mafy izy sao very ny heriny hiasa mangina amin’ ny vahoaka.IFM 275.4

    Tsy nifampiteny ireo olo-manan-kaja ireo, ka rehefa nifampijery izy dia hitany teo amin’ ny endriny avy ny eritreritra mitovy, fa nisy zavatra tsy maintsy hatao mba hampijanonana ny fisamontan’ ny fihetseham-po. Nambaran’ i Jesosy fa voavela ny helok’ ilay mararin’ ny paralysisa. Noraisin’ ny Fariseo ho fitenenan-dratsy ireo teny ireo, ka noheveriny fa azony haseho ho fahotana mendrika ny fahafatesana izany. Hoy izy anakampony hoe : «Iza no mahavela heloka, afa-tsy Andriamanitra ihany ?»IFM 275.5

    Nafantok’ i Jesosy taminy ny Fijeriny ka niondrika izy ireo sady niala tamin’ ny toerany, ary hoy Jesosy: «Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo ? Iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va : Voavela ny helokao sa ny manao hoe : Mitsangana, ka mandchana, fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’ olona manana fahefana etỳ ambonin’ ny tany hamela heloka — dia hoy Izy, nitodika tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa: «Mitsangana, dia betao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao».IFM 275.6

    Tamin’ izay dia nitsangana tamin’ ny tongony ilay nentina teo amin’ i Jesosy tamin’ ny filanjana, nitsipitsipika sy natanjaka tahaka ny tanora. Nitosaka nanerana ny lalan-drany ny rà nanome aina. Niaina ny taova rehetra tao amin’ ny tenany, ka nihetsika tampoka. Nisolo toerana ny hodi-tava hatsatry ny fahafatesana nanandindona azy ny hodi-tava mena nitory fahasalamana. «Dia nitsangana izy ka nibata ny fandriany niaraka tamin’ izay ary niala teo anatrehan’ ny olona rehetra ; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an’ Andriamanitra nanao hoe:Tsy mbola nahita izay toy izao izahay».IFM 276.1

    Endrey izany fitiavana mahagagan’ i Kristy, manetry tena hanasitrana ny meloka sy ny trà-pahoriana ! Araka ny maha-Andriamanitra Azy dia nalahelo noho ny aretin’ ny taranak’ olombelona mijaly Izy ka mampitony izany ! Endrey ! izany hery mahagaga naseho tamin’ ny zanaky ny olona ! Iza no afaka hisalasala ny amin’ ny hafatry ny famonjena ? Iza no hanao tsinontsinona ny famindrampon’ Ilay Mpanavotra feno fangorahana ?IFM 276.2

    Tsy misy afa-tsy ny hery mamorona no afaka hamerina ny fahasalamana amin’ ity tena mihalò ity. Ilay feo izay niteny fiainana tamin’ ny olona ara-nofo noforoniny tamin’ ny vovoky ny tany no niteny fiainana koa tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa teo am-bavahoana. Ilay «niteny, dia ary izany», Ilay «nandidy dia nitoetra mafy izany» 7Sal. 33 : 9, no niteny fiainana tamin’ ilay fanahy matin’ ny fahadisoana sy ny fahotana. Ny fanasitranana ny tena no porofon’ ny hery izay efa nanavao ny fo. Nibaiko ilay mararin’ ny paralysisa hitsangana sy handeha Kristy, «mba ho fantatrareo hoy Izy, fa ny Zanak’ olona manana fahefana etỳ ambonin’ ny tany hamela heloka».IFM 276.3

    Nahita fanasitranana ho an’ ny fanahy sy ny vatana tao amin’ i Kristy ilay mararin’ ny paralysisa. Narahin’ ny fiverenan’ ny arabatana amin’ ny laoniny ny fanasitranana ara-panahy. Tsy tokony hodian-tsy hita io lesona io. Ankehitriny dia misy an’ arivony ny olona mijaly noho ny aretina ara-batana izay maniry mafy tahaka ilay mararin’ ny paralysisa, handre ny hafatra manao hoe : «Voavela ny helokao». Ny enta-mavesatry ny fahotana, miaraka amin’ ny faniriany tsy mety sasatra sy tsy mety afa-po, no fototry ny aretiny. Tsy mety mahita fanamaivanana izy raha tsy tonga eo amin’ Ilay Mpanasitrana ny fanahy. Ny fiadanana izay Izy irery no afaka hanome izany, no omeny hery ho an’ ny saina, sy fahasalamana ho an’ ny tena.IFM 276.4

    Tonga Jesosy «handrava ny asan’ ny devoly». «Izy no nisiampiainana», ary hoy Izy «Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be». «Fanahy mahavelona» Izy 81 Jao. 3 : 8; Jao. 1 : 4;10 : 10; 1 kor. 15 : 45. Ary mbola manana io hery manome aina io ihany tahaka ny fony Izy teto an-tany raha nanasitrana ny marary Izy, ka niteny famelan-keloka ho an’ ny mpanota. «Mamela ny helokao rehetra, manasitrana ny aretinao rehetra» Izy 9Sal. 103:3.IFM 277.1

    Noho ny nanasitranana ilay mararin’ ny paralysisa teo amin’ ny vahoaka, dia toa nisokatra ny lanitra ka nanambara ny voninahitry ny izao ‘tontolo izao tsara kokoa. Rehefa nandeha teo afovoan’ ny vahoaka marobe ilay lehilahy nositranina, nidera an’ Andriamanitra isaky ny mandingana, dia nihatakataka ny vahoaka hanome lalana azy, ary nijery azy tamin’ ny endrika feno fanajana sy tahotra sady nifampibitsibitsika hoe «Efa nahita zavatra mahagaga isika androany»;.IFM 277.2

    Sina ny Fariseo noho ny hagagany sady safotry ny fahareseny. Hitany fa tsy fotoana mety izao hisehoan’ ny fialonany, ka hampirehitra ny vahoaka marobe. Latsaka lalina loatra tao am-pon’ ny olona ny asa mahagaga notanterahina tamin’ ilay olona izay efa navelany ho amin’ ny fahatezeran’ Andriamanitra, hany ka adinony aloha ny raby. Hitany fa nanan-kery tokoa Andriamanitra ary nasehony tamin’ ny alalan’ i Kristy izany ; nefa nifanohitra mazava tsara tamin’ ny fitondratenany miavonavona ny fahamendrehan’ i Kristy sy ny fihetsiny malefaka. Sanganehana sady menatra izy nahafantatra fa niaiky teo anatrehan’ Ilay ambony noho izy. Arakaraka ny nampahazava ny porofo fa manan-kery hamela heloka eto an-tany Jesosy, dia arakaraka izany no nifikirany mafimafy kokoa tao amin’ ny tsy finoana. Rehefa avy tao an-tranon’ i Petera izay nahitany ilay mararin’ ny paralysisa nositranina izy ireo, dia nandeha nitady drafitra vaovao indray mba hampanginana ny Zanak’ Andriamanitra.IFM 277.3

    Ny aretina ara-nofo, na dia mafy sy lalim-paka aza, dia nositranin’ ny herin’ i Kristy; fa mamikitra mafimafy kokoa amin’ ireo izay manakimpy ny masony tsy hahita ny fahazavana ny aretin’ ny fanahy. Ny habokana sy ny paralysisa, dia zava-doza tahaka ny fitiavambavaka diso lalana sy ny tsy finoana.IFM 278.1

    Nisy fifaliam-be tao amin’ ny tokantranon’ ilay mararin’ ny paralysisa sitrana rehefa niverina tao amin’ ny fianakaviany izy, tsy sahirana intsony nitondra ilay filanjana fitondrana marary izay nitondrana azy moramora niala teo anatrehany fotoana fohy talohan’ izao. Nitangorona hanodidina azy tamin-dranomasom-pifaliana ireo, ary mila tsy hino izay hitan’ ny masony. Nijoro teo anatrehany izy, manana ny hery feno maha-lehilahy lehibe azy. Mailaka hankatò ny sitrapony ireto sandry tsy nisy aina teo. Ny nofo izay efa nikainkona sy naka ny volon’ ny firaka, dia nanjary vaovao sy salama izao. Matotra sy mailaka ny famindrany. Fifaliana sy fanantenana no hita nisoritra teo amin’ ny salovan-tavany manontolo ; fahadiovana sy fiadanana no hita naka ny toeran’ ny fahotana sy ny fijaliana. Fisaoram-pifaliana no niakatra avy tao amin’ ilay tokantrano, ary nomem-boninahitra tamin’ ny alalan’ ny Zanany, Andriamanitra, Izay namerina fanantenana tamin’ ny very fanantenana, sy hery ho an’ izay tratry ny voina. Vonona ny hahafoy ny fiainany ho an’ i Jesosy io lehilahy io sy ny fianakaviany. Tsy misy intsony ny fisalasalana hampihena ny finoany ; tsy misy tsy finoana mandoto ny fahatokiany an’ Ilay nitondra fahazavana tao amin’ ny tokantranony tratry ny haizina.IFM 278.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents