Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 29—Ny Sabata

    Nohamasinina tany amin’ ny famoronana ny Sabata. Notendrena ho an’ ny olona izy raha «fony niara-nihira ny kintan’ ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’ Andriamanitra»1Joba 38 : 7. Nanomba teo ambonin’ izao tontolo izao ny fiadanana; nifandrindra tamin’ ny lanitra mantsy ny tany. «Ary hitan’ Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany» 2Gen. 1 : 31.IFM 291.1

    Satria nitsahatra Izy tamin’ ny Sabata «dia nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy» Andriamanitra ary nanokana azy hampiasaina amin’ ny zavatra masina. Nomeny an’ i Adama ho andro fialantsasatra izany. Tsangambato fahatsiarovana ny asa famoronana izy ary noho izany dia famantarana ny herin’ Andriamanitra sy ny fitiavany. Hoy ny Soratra Masina : «Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy». «Ny zavatra nataony» «dia manambara ny fombany tsy hita hatramin’ ny nanaovana an’ izao tontolo izao» «dia ny heriny mandrakizay sy ny maha-Andriamanitra Azy»3Gen. 2 : 3; Sal.111 : 4; Rom. 1 : 20.IFM 291.2

    Ny zavatra rehetra dia nohariana tamin’ ny alalan’ ny Zanak’ Andriamanitra. «Tamin’ ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’ Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. . . Izy no nahariana ny zavatra rehetra ; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao»4Jao. 1 : 1-3;. Koa satria tsangambato fahatsiarovana ny asa famoronana ny Sabata, dia io koa no antoky ny fitiavan’ i Kristy sy ny heriny.IFM 291.3

    Mitarika ny eritreritsika ho amin’ ny zavaboary ny Sabata ary mitondra antsika eo amin’ ny firaisana amin’ ny Mpahary. Ny hiran’ ny vorona, ny feon’ ny hazo, ny firohondrohon’ ny ranomasina toy ny feon-java-maneno, dia mbola handrenesantsika ny feon’ Ilay niresaka tamin’ i Adama tany Edena raha harivariva ny andro. Koa rehefa nibanjina ny heriny eo amin’ ny zavaboary isika dia mahita fampiononana satria ny Teny izay namoronany ny zavatra rehetra no miteny fiainana amin’ ny fanahy. Ilay «nandidy hoe : Aoka ny mazava hahazava ao amin’ ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin’ ny fahazavan’ ny fahalalana ny voninahitr’ Andriamanitra eo amin’ ny tavan’ i Jesosy Kristy»52 Kor. 4 : 6.IFM 292.1

    Ny fieritreretana an’ izany no nanainga ny hira hoe :IFM 292.2

    «Fa ampifalianao amin’ ny nataonao aho, Jehovah ò ;
    Ny asan’ ny tànanao no hihobiako,
    Jehovah ó, akory ny halehiben’ ny asanao !
    Lalina indrindra ny fisainanao !»6Sal. 92 : 4,5
    IFM 292.3

    Ary izao no nambaran’ ny Fanahy Masina tamin’ ny alalan’ ny mpaminany Isaia : «Koa ampitovianareo amin’ iza moa Andriamanitra ? ary endrik inona no ampanahafinareo Azy ? . . . Tsy fantatrareo va ? Tsy efa nambara taminareo fony taloha va ? Tsy efa azonareo an-tsaina va ny amin’ ny fanorenan’ ny tany ? Izy no mipetraka amin’ ny habakabaka ambonin’ ny tany, ary ny mponina etỳ dia tahaka ny valala ; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify kararavina, ary manenjana azy tahaka ny lay hitoerana. . . Koa ampitovianareo amin’ iza moa Aho, hitahako aminy ? hoy ny Iray Masina. Asandrato ny masonareo, ka mijere ; Iza no nahary ireny ? Izy no namoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ ny anarany avy noho ny haben’ ny fahatanjahany sy ny heriny Tsitoha ; ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza. Nahoana no miteny hianao ry Jakoba ò, ary milaza hianao, ry Isiraely Ô, hoe : Miafina tsy hitan’ i Jehovah ny làlako, ary mihelina tsy hitan’ Andriamanitra ny rariny tokony ho ahy ? Tsy fantatrao va ? tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, Izay namorona ny faran’ ny tany ? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy ?.. . Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be». «Aza matahotra hianao, fa momba anao Aho; ary aza mierikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Alio sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ ny tànana ankavanan’ ny fahamarinako Aho». «Mijere Ahy, dia ho voavonjy hianareo ry vazan-tany rehetra ! Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa». Izany no hafatra voasoratra eo amin’ ny zavaboary, ary notendrena ny Sabata mba hahatsiarovana an’ izany. Rehefa nibaiko ny Isiraely hanamasina ny Sabatany Jehovah dia hoy Izy hoe : «Ho famantarana ho Amiko sy ho aminareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo»7Isa. 40 : 18-29 ; 41 : 10 ; 45 : 22 ; Ezek. 20 : 20.IFM 292.4

    Natambatra tao amin’ ny lalàna nomena tao Sinay ny Sabata ; tsy tamin’ izay anefa no voalohany nahafantarana azy ho andro fitsaharana. Efa nahalala izany ny vahoaka Isiraely talohan’ ny nahatongavany tao Sinay. Notandremana ny Sabata raha teny an-dalana ho any izy. Rehefa nisy nanao tsinontsinona izany, dia nanome tsiny azy Jehovah nanao hoe : «Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalàko»8Eks. 16 : 28.IFM 293.1

    Tsy ho an’ ny Isiraely irery ny Sabata, fa ho an’ izao tontolo izao koa. Nampahafantarina ny olona izany tany Edena, ary tahaka ireo foto-kevitra hafa amin’ ny didy folo dia mitaky fankatoavana mandrakizay koa izy. Izao no ambaran’ i Kristy momba io lalàna izay misy ny Sabata io : «Mandra-pahafoana ny lanitra sy ny tany dia tsy hisy ho foana akory amin’ ny lalàna, na dia litera iray, na tendrontsoratra iray aza, mandra-pahatanterak’ izy rehetra»9Mat. 5 : 18. Raha mbola misy koa ny lanitra sy ny tany, dia mbola ho famantarana ny herin’ ny Mpamorona ihany ny Sabata. Ary rehefa tafaverina indray amin’ ny fahatsaran-tarehiny eto an-tany Edena, dia hohajain’ ny rehetra ny andro fitsaharana masin’ Andriamanitra : «Ary isantSabata» dia «ho avy hiankohoka eo anatrehako» ny mponina rehetra ao amin’ ny tany vaovao be voninahitra, hoy Jehovah»10Isa. 66 : 23.IFM 293.2

    Tsy misy fomba naorina hafa nankinina tamin’ ny Jiosy izay mikendry amin’ ny fomba feno kokoa ny hampiavaka azy ireo amin’ ny firenena manodidina tahaka ny Sabata. Nekendren’ Andriamanitra hanondro ny mpivavaka Aminy ny fitandremana izany. Natao ho famantarana ny fisarahana amin’ ny fanompoantsampy sy ny fifandraisany amin’ Ilay Andriamanitra marina izany. Nefa mba hanamasinana ny Sabata dia tsy maintsy ho masina ny olona. Amin’ ny alalan’ ny finoana dia tsy maintsy ho tonga mpiray amin’ ny fahamarinan’ i Kristy izy. Rehefa nomena an’ Isiraely ny baiko hoe : «Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy», dia niteny koa Jehovah nanao hoe : «Ary ho olona masina ho Ahy hianareo»11Eks. 20 : 8 ;22 : 31. Amin’ izay ihany ny Sabata vao hampiavaka an’ Isiraely ho mpivavaka amin’ Andriamanitra.IFM 293.3

    Rehefa niala tamin’ Andriamanitra ny Jiosy ka diso tsy nanao ny fahamarinan’ i Kristy ho fahamarinan’ ny tenany tamin’ ny alalan’ ny finoana, dia very teo imasony ny dikan’ ny Sabata. Niezaka ny hanandratra ny tenany i Satana sy hitarika ny olona hiala amin’ i Kristy, ka niasa hanimba ny Sabata izy satria io no famantarana ny herin’ i Kristy. Nanatanteraka ny sitrapon’ i Satana ireo mpitarika Jiosy tamin’ ny fametrahany fitakiana mavesatra manodidina ny Sabata. Tamin’ ny andron’ i Kristy dia efa nanjary simba indrindra ny Sabata, hany ka nitaratra ny toetra amam-panahin’ ny olona tia tena sy manjakazaka ny fitandremana izany, fa tsy ny toetra amam-panahin’ Ilay Ray any an-danitra be fitiavana. Noheverina na dia tsy tena izany aza fa mampiseho an’ Andriamanitra ny raby amin’ izy manome lalàna tsy hain’ ny olona hankatoavina. Nitarika ny vahoaka hijery an’ Andriamanitra toy ny tsy refesi-mandidy izy, ka hihevitra fa manamafy ny fon’ ny olona sy mahatonga ho olondozabe ny fitandremana ny Sabata araka izay takiany. Asan’ i Kristy ny manazava sy ny manitsy izany fahadisoan-kevitra izany. Na dia narahin’ ny raby tamin’ ny fankahalana tsy misy famindrampo aza Izy, dia tsy niseho akory ho manaraka ny fitakian’ izy ireo, fa mandeha mahitsy hatrany, nitandrina ny Sabata araka ny lalàn’ Andriamanitra.IFM 294.1

    Indray Sabata, raha niverina avy tamin’ ny toerana nivavahana ny Mpamonjy sy ny mpianany, dia nandalo saha nisy vary efa masaka. Notohizan’ i Jesosy hatramin’ ny ora efa lasa dia lasa ny asany, ary raha nandalo ny saha ny mpianatra dia nanomboka nioty salohim-bary, ka nihinana ny vary rehefa avy nokosokosohiny tamin’ ny tanany. Raha tamin’ ny andro hafa dia tsy niteraka resaka mihitsy izany fihetsika izany, satria ny olona izay mandalo tanimbary, na saham-boankazo na tanimboaloboka, dia mahazo maka izay tiany hohanina. 12Jereo Deot. 23 : . 25 Fa ny manao izany amin’ ny andro Sabata no noheverina ho fihetsika manazimbazimba. Tsy ny fiotazana voambary ihany no karazan’ ny fijinjana hono, fa karazana fivelezam-bary koa ny fikosehana azy ao amin’ ny tanana. Noho izany, araka ny hevitry ny raby, dia fandikan-dalàna roa sosona izany.IFM 294.2

    Avy hatrany dia nanome tsiny azy ireo ny mpitsikilo ka nilaza tamin’ i Jesosy hoe : «Indro ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin’ ny Sabata».IFM 295.1

    Rehefa nampangaina ho nandika ny Sabata Jesosy tao Betesda. dia niaro tena Izy tamin’ ny fanantitranterana ny maha-Zanak’ Andriamanitra Azy, sy tamin’ ny fanambarana fa mifandrindra amin’ izay ataon’ ny Ray ny asany. Ny mpianatra indray izao no ampangaina. Maka ohatra avy ao amin’ ny Testamenta Taloha ho an’ ny mpiampanga Jesosy, dia ohatra mampiseho fihitsika nataon’ izay teo amin’ ny fanompoana an’ Andriamanitra tamin’ ny Sabata.IFM 295.2

    Nireharehan’ ireo mpampianatra Jiosy ny fahalalany ny Soratra Masina, ary nisy fanomezan-tsiny ny tsy fahalalany ny Soratra Masina ny valintenin’ ny Mpamonjy. Hoy Izy : «Tsy mbola novakinareo va ny teny izay milaza ilay nataon’ i Davida, raha noana izy mbamin’ izay nanaraka azy, fa niditra tao an-tranon’ Andriamanitra izy ka nandray ny mofo aseho ary nihinana, . . . nefa mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany ?» «Ary hoy Izy taminy : Ny Sabata no natao ho an’ ny olona, fa tsy ny olona ho an’ ny Sabata». «Ary tsy mbola novakinareo ao amin’ ny lalàna va fa amin’ ny Sabata ny mpisorona ao amin’ ny tempoly manota amin’ ny Sabata, nefa tsy manan-tsiny ? Ary dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly». «Fa Tompon’ ny Sabata ny Zanak’ olona» 13Lio. 6 : 3, 4; Marka. 2 : 27, 28 ;Matio 13 : 5, 6, 8.IFM 295.3

    Raha nety ny nataon’ i Davida tamin’ ny nampitoneny ny hanoanany ka nihinanany ny mofo izay efa natokana ho amin’ ny zavatra masina, dia nety koa ny nataon’ ny mpianatra tamin’ ny nakany izay nilainy ka niotazany vary tamin’ ny ora masin’ ny Sabata. Ankoatr’ izany, ny mpisorona dia nanao asa lehibe tao amin’ ny tempoly tamin’ ny Sabata mihoatra noho ny tamin’ ny andro hafa. Ho fahotana ny asa toy izany raha eo amin’ ny asa aman-draharaha ara-nofo, fa ny asan’ ny mpisorona kosa dia ao amin’ ny fanompoana an’ Andriamanitra. Nanatanteraka ny asany izay nirindra tamin’ ny zava-kendren’ ny Sabata izy. Kristy mihitsy anefa izao no tonga. Tamin’ ny fanaovany ny asan’ i Kristy dia niditra teo amin’ ny asan’ Andriamanitra ny mpianatra, ary izay ilaina hanatanterahana io asa io, dia mety ny manao izany amin’ ny andro Sabata.IFM 295.4

    Tian’ i Kristy hampianarina ny mpianany sy ny fahavalony fa ny fanompoana an’ Andriamanitra no voalohany amin’ ny zavatra rehetra. Ny zava-kendren’ ny asan’ Andriamanitra eto amin’ ity izao tontolo izao ity dia ny fanavotana ny olona ; noho izany, izay ilaina hatao amin’ ny andro Sabata ho fanatanterahana io asa io, dia mifanaraka amin’ ny lalàna momba ny Sabata. Rehefa izany dia nofaranan’ i Jesosy ny fonjan-kevitra nentiny tamin’ ny fanambarana ny tenany ho «Tompon’ ny Sabata» - dia Ilay ambonin’ ny fanontaniana rehetra sy ambonin’ ny lalàna rehetra. Nanafaka ny fanamelohana ny mpianatra io Mpitsara tsy voafetra io, ka ny didy indrindra izay niampangana azy ho nodikainy no nentina nanamarina azy.IFM 296.1

    Tsy navelan’ i Jesosy handeha amin’ izao tsy nanomezany tsiny ny fahavalony iny toe-javatra iny. Nambarany fa noho ny fahajambany dia diso fihevitra izy momba ny zava-kendren’ ny Sabata. Hoy Izy : «Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe : «Famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra, dia tsy mba manameloka ny tsy manan-tsiny hianareo»14Matio. 12 : 7. Ny fanompoam-pivavahana marobe tsy ataony amin’ ny fo dia tsy afaka hameno ny fahabangan’ ny fahamarinan-toetra mahatoky sy ny fitiavana mamy izay hampiavaka mandrakizay ny tena mpivavaka marina amin’ Andriamanitra.IFM 296.2

    Naverin’ i Kristy indray ny fahamarinana milaza fa raha ny fanatitra amin’ ny maha-fanatitra azy fotsiny dia tsy misy tombambidiny. Fitaovana izy fa tsy fiafaran-javatra. Ny zava-kendreny dia ny hitarika ny olona ho eo amin’ ny Mpamonjy, ary amin’ izay dia hampifandrindra azy amin’ Andriamanitra. Ny fanompoan’ ny fitiavana no misy tombabidiny amin’ Andriamanitra. Rehefa banga izany, dia fanafintohinana ho Azy ny fanompoam-pivavahana marobe mifandimby fotsiny. Toy izany koa ny amin’ ny Sabata. Natao hitondra ny olona hifandray amin’ Andriamanitra izany ; nefa raha variana amin’ ny fombam-pivavahana mandreraka ny saina, dia voasakana ny zava-kendren’ ny Sabata. Fanarabiana ny fitandremana azy ivelambelany fotsiny.IFM 296.3

    Sabata iray hafa, raha niditra tao amin’ ny synagoga Jesosy, dia nahita lehilahy efa maina ny tanany. Nanara-maso Azy ny Fariseo, liana fatratra hahita izay hataony. Fantatry ny Mpamonjy tsara, fa raha manasitrana amin’ ny andro Sabata Izy dia horaisina ho mpandika lalàna, nefa tsy nisalasala Izy nandrodana ny rindrin’ ny fitakian’ ny lovan-tsofina izay namefifefy ny Sabata. Nobaikoin’ i Jesosy hitsangana ilay lehilahy mahantra, dia nanontany Izy hoe : «Inona moa no mety hatao amin’ ny Sabata, ny manao soa, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina va, sa ny mahafaty?» Fombampitenenana teo amin’ ny Jiosy ny hoe ny tsy fanaovana ny soa, rehefa misy fotoana mety hanaovana izany, dia fanaovana ratsy ; ary ny fanaovana an-tsirambina ny famonjena aina dia famonoana olona. Noho izany dia teo amin’ ny toerana nisy azy ihany no nifanoheran’ i Jesosy taminy. «Fa tsy nety niteny ny olona. Ary nony nijerijery azy tamin’ ny fahatezerana Izy sady nalahelo noho ny hamafin’ ny fony, dia hoy izy tamin-dralehilahy : «Ahinjiro ny tànanao. Dia nahinjiny, ka sitrana ny tànany»15Maraka. 3 : 4, 5.IFM 296.4

    Rehefa nanontaniana Jesosy hoe : «Mety ve ny manasitrana amin’ ny andro Sabata ?» dia novaliany hoe : «Iza moa no olona ao aminareo, raha manana ondry anankiray, ka latsaka any an-kady amin’ ny Sabata, no tsy handray azy sy hampakatra azy ? Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona ? Koa amin’ izany dia mety ny manao soa amin’ ny Sabata»16Matio 12 : 10-12-IFM 297.1

    Tsy sahy namaly an’ i Kristy teo anatrehan’ ny vahoaka marobe ny mpitsikilo noho ny fahatahorany ho tafiditra ao amin’ ny zavatsarotra. Fantany fa nilaza ny marina Izy. Naleony namela olona hijaly toy izay handika ny lovan-tsofmy, nefa hamonjy biby satria fatiantoka ho an’ ny tompony ny fanaovana an-tsirambina izany. Noho izany dia lehibe kokoa noho ny ho an’ ny olona natao araka ny endrik’ Andriamanitra ny fikarakarana ny biby tsy afaka miteny. Sary manazava ny asan’ ny fivavahana diso rehetra izany. Ny fanirian’ ny. olona hanaridratra ny tenany ho ambonin’ Andriamanitra no niavian’ ireny, ary ny vokany dia fanetrena ny olona ho ambanin’ ny biby. Ny fivavahana rehetra izay manohitra ny maha-mpanjaka an’ Andriamanitra dia manala ny voninahitry ny olona izay nomena azy teo amin’ ny famoronana, ary haverina aminy indray amin’ ny alalan’ i Kristy. Ny fivavahana diso rehetra dia mampianatra ny mpanaraka azy tsy hikarakara izay ilain’ ny olona, ny fijaliany sy ny zony. Mametraka tombambidiny ambony eo amin’ ny olombelona ny Filazantsara, amin’ izy novidin’ ny ran’ i Kristy, ary mampianatra ny hijery amim-pitiavana izay ilain’ ny olona sy izay mampahory azy. Hoy Jehovah : «Dia hataoko ho saro-tadiavina mihoatra noho ny volamena tsara ny olombelona, eny, noho ny tena volamena avy any Ofira aza»17Isaia 13 : 12.IFM 297.2

    Rehefa nitodika tamin’ ny Fariseo Jesosy ka nanontany azy raha mety ny manao soa na ny manao ratsy amin’ ny andro Sabata, ny mamonjy aina na ny mamery aina, dia ny fikasan-dratsiny no nentiny nifanehatra taminy. Nihaza ny ain’ i Jesosy tamin’ ny fankahalana mangidy izy, nefa Izy kosa namonjy aina ary nitondra fahasambarana ho an’ ny vahoaka marobe. Mety kokoa ve ny mamono olona amin’ ny Sabata, araka ny fikasan-dratsin’ izy ireo, toy izay manasitrana ny tra-pahoriana araka izay ataony ? Mety kokoa ve ny mamono olona ao am-po amin’ ny andron’ Andriamanitra, toy izay ho tia ny olona rehetra, dia fitiavana miseho eo amin’ ny asa famindrampo.IFM 298.1

    Nanameloka ny fomba amam-panaon’ ny Jiosy Jesosy tamin’ ny nanasitranany ilay tanana maina, ka navelany hijoro araka ny nanomezan’ Andriamanitra azy ny didy fahefatra. «Mety ny manao soa amin’ ny andro Sabata» hoy ny nambarany. Nesorin’ i Kristy ireo fameperana tsy misy dikany nataon’ ny Jiosy, ary tamin’ izany dia nanome voninahitra ny Sabata Izy, fa ireo nitaraina ny Aminy kosa no nanala baraka ny andro masin’ Andriamanitra.IFM 298.2

    Izay mitana fa nanafoana ny lalàna Kristy, dia mampianatra fa nandika ny Sabata Izy, ary milaza marina koa fa nanao izany ny mpianatra. Amin’ izany dia tena mankeo amin’ ny toerana nisy ny Jiosy mpanazimbazimba koa izy ireo. Ary izany dia hanoherany ny teny vavolombelon’ i Kristy mihitsy izay nanambara hoe : «Nitandrina ny didin’ ny Raiko Aho sy nitoetra amin’ ny fitiavany»18Jao. 15 : 10. Na ny Mpamonjy na ny mpanaraka Azy dia samy tsy nandika nylalàna momba ny Sabata. Kristy no fanehoana velona ny lalàna. Tsy nisy fandikana ny fitsipiny masina hita teo amin’ ny fiainany. Raha nijery ireo vavolombelona iray firenena izay nitady fotoana mety hanamelohana Azy Izy, dia azony natao ny niteny hoe : «Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota ?» 19Jao. 8 : 46IFM 298.3

    Tsy tonga mba hanala izay efa nolazain’ ny patriarka sy ny mpaminany ny Mpamonjy ; Izy mihitsy no efa niteny tamin’ ny olona tamin’ ny alalan’ ireo solontenany. Ny fahamarinana rehetra ao amin’ ny tenin’ Andriamanitra dia avy Aminy, saingy napetraka teo amin’ ny toerana diso ireny vatosoa sarobidy ireny. Nampiasaina ho fanompoana ny hevi-diso ny fahazavany sarobidy. Tian’ Andriamanitra ny hanesorana azy eo amin’ ny toeran’ ny hevi-diso ary hametrahana azy indray eo amin’ ny rafitry ny fahamarinana. Ny tanan’ Andriamanitra irery ihany no afaka hanatanteraka io asa io. Ny fifandraisany amin’ ny hevi-diso dia nahatonga ny fahamarinana hiasa ho an’ ny fahavalon’ Andriamanitra sy ny olona. Tonga Kristy hametraka azy eo amin’ izay hanomezany voninahitra an’ Andria-manitra sy hiasany ho famonjena ho an’ ny taranak’ olombelona.IFM 298.4

    «Ny Sabata no natao ho an’ ny olona, fa tsy ny olona ho an’ ny Sabata», hoy Jesosy. Natao hitondra tombon-tsoa ho an’ ny taranak’ olombelona ny zavatra izay naorin’ Andriamanitra. «Fa ny zavatra rehetra dia natao noho ny aminareo». «Na Paoly, na Apolosy, na Kefasy, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na ny zavatra ankehitriny, na ny zavatra ho avy ; dia anareo izany rehetra izany, ary hianareo an’ i Kristy, ary Kristy an’ Andriamanitra»202 Kor. 4 : 15 ;.l Kor. 3 : 22, 23. Nomen’ Andriamanitra ny vahoakany mba ho fitahiana ny lalàn’ ny didy folo, ary anisan’ izany ny Sabata. «Ary Jehovah nandidy antsika, hoy Mosesy, hanaraka ireo didy rehetra ireo sy hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitsika, mba hahita soa mandrakariva isika sy ho velona tahaka ny amin’ izao anio izao»21Deot. 6 : 24. Nomena ny Isiraely koa, tamin’ ny alalan’ ny mpanao Salamo, ny hafatra manao hoe : «Manompoa an’ i Jehovah amin’ ny fifaliana; mankanesa eo anatrehany amin’ ny fihobiana. Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra ; Izy no nanao antsika ary Azy isika, dia olony sy ondry fiandriny. Midira eo amin’ ny vavahadiny amin’ ny fisaorana ary eo an-kianjany amin’ ny fiderana»22Sal. 100 : 2, 4. Ary izao no ambaran’ i Jehovah «ny amin’ izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina : Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina izy, ka ampifaliko ao an-tranoko fivavahana»23Isaia 56 : 6, 7.IFM 299.1

    «Fa ny Zanak’ olona no Tompon’ ny Sabata». Feno fampianarana sy fampiononana ireo teny ireo. Satria natao ho an’ ny olona ny Sabata dia andron’ i Jehovah izy. An’ i Kristy izy. Fa «Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza»24Jao. 1 : 3. Koa satria nahary ny zavatra rehetra Izy, dia nahary ny Sabata koa. Izy no nanokana Azy ho tsangambaton’ ny asa famoronana. Manondro Azy ho Mpamorona sy Mpanamasina izany. Manambara izany fa Ilay namorona ny zavatra rehetra any an-danitra sy etý an-tany, sy Ilay ihazonana ny zavatra rehetra, Izy no lohan’ ny fiangonana ary amin’ ny alalan’ ny heriny dia ampihavanina amin’ Andriamanitra isika. Hoy Izy mantsy raha miteny ny amin’ Isiraely : «Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy, mba ho fantany fa Izaho Jehovah no nanamasina azy»,25Ezek. 20: 12 mahatonga azy ho masina. Famantarana ny herin’ i Kristy hahatonga antsika ho masina izany ny Sabata, ary nomena ho an’ izay rehetra ataon’ i Kristy ho masina koa. Amin’ ny maha-famantarana ny heriny manamasina ny Sabata, dia nomena izay rehetra tonga anisan’ ny Isiraelin’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ i Kristy izy.IFM 299.2

    Hoy koa Jehovah : «Raha miaro ny tongotrao amin’ ny Sabata hianao ka tsy manao izay tianao amin’ ny androko masina, ary manao ny Sabata hoe fahafinaretana, ary ny nohamasinin’ i Jehovah hoe Miendrika hohajaina. . . dia hiravoravo amin’ i Jehovah hianao» 26Isaia. 58 : 13,14. Ho fahafinaretana ny Sabata ho an’ izay rehetra mandray azy ho famantarana ny herin’ i Kristy mamorona sy manavotra. Mahita an’ i Kristy ao amin’ ny Sabata izy ka mifaly ao Aminy. Manondro azy ny asan’ ny famoronana ho porofo mazava ny heriny lehibe eo amin’ ny fanavotana ny Sabata. Mamerina ao an-tsaina ny fiadanana very tany Edena izany, nefa milaza koa ny fiadanana tafaverina amin’ ny alalan’ ny Mpamonjy. Ary ny zavatra rehetra eo amin’ ny zavaboary dia mamerina ny antso manao hoe : «Mankanesa atỳ Amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana»27Matio 11 : 28.IFM 300.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents