Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 31—Ny toriteny teo an-tendrombohitra

    Mahalana Kristy no manangona ny mpianany irery handray ny teniny. Tsy ireo izay efa mahalala ny lalan’ ny fiainana irery no nofidiny hihaino Azy. Ny asany dia ny mitory amin’ ny vahoaka marobe ao anatin’ ny tsy fahalalana sy ny fahadisoan kevitra. Nomeny ireo leson’ ny fahamarinana ireo mba, hiantefa hatrany amin’ ny saina nohamaizinina. Ny tenany mihitsy no Fahamarinana; voasikina ny valahany sy mitsotra vonon-kitahy ny tanany, ary miezaka ny hanandratra izay rehetra manatona Azy amin’ ny teny fampitandremana sy fiangaviana ary fampaherezana Izy.IFM 311.1

    Na dia nomena manokana ho an’ ny mpianatra aza ny toriteny teo an-tendrombohitra 1Mifototra amin’ ny Matio 5, 6, 7 ity toko ity., dia natao ho ren’ ny vahoaka marobe. Rehefa avy nanendry ny apostoly Jesosy, dia niaraka taminy teo amoron’ ny ranomasina Izy. Vao maraina koa dia nanomboka nivory teo ny olona. Ankoatr’ ireo vahoaka mahazatra avy tamin’ ny tanànan’ i Galilia, dia nisy olona avy tany Jodia, eny na avy tany Jerosalema aza; ary koa avy tany Perea, Dekapolisy, Edoma, any atsimo lavitr’ i Jodia, ary Tyro sy Sidona, tanàna Foinikiana teo amoron’ ny ranomasina Mediteraneana. «Rehefa nandire izay zavatra nataony» ireo, dia nankeo Aminy, «hihaino azy sy hositranina amin’ ny aretiny»2Mar. 3:8; Lio 6 : 17-19IFM 311.2

    Tery ilay morontsikara ka tsy ampy hatao sehatra hijoroana handrenesan’ izay rehetra maniry ny hihaino Azy, koa notarihin’ i Jesosy hiverina ho eo amin’ ny tehezan’ ny tendrombohitra ireo. Rehefa tonga teo amin’ ny toerana avo marin-tampona, izay toerana mahafinaritra azon’ ny mpiangona betsaka nivoriana Izy, dia nipetraka teo amin’ ny ahitra, ary nanaraka ny ohatra nomeny koa ny mpianatra sy ny vahoaka marobe.IFM 311.3

    Teo akaikin’ i Jesosy mandrakariva no nitoeran’ ny mpianatra. Na dia nifanizina taminy aza ny olona, dia nataon’ ny mpianatra izay tsy hahavoatosiky vahoaka Azy tsy ho eo anatrehany. Nipetraka teo anilany izy ireo, mba tsy hisy ho very na dia teny iray aza amin’ ny fampianarany. Mpihaino nanongilan-tsofina izy ireo, maniry mafy ny handray ny fahamarinana izay tokony hampahafantariny any amin’ ny tany rehetra sy amin’ ny fotoan’ andro rehetra.IFM 312.1

    Tsapany fa tsy maintsy misy zavatra hafa noho ny fahita mety hiseho ka nifanety nanodidina ny Tompony izy. Nino izy fa efa kely sisa dia haorina ny fanjakana, ary ny toe-javatra nitranga tamin’ ny maraina no nahazoany antoka fa misy filazana hambara mikasika izay hatao tsy ho ela. Nanenika ny vahoaka koa ny fahatsapana fa misy zavatra andrasana, ka hita mazava teo amin’ ny endriny nitory fahazotoana fa liana dia liana izy. Raha nipetraka teo amin’ ny ahitra teo amin’ ny havoana ny olona, niandry ny tenin’ Day Andriamanitra Mpampianatra, dia feno ny fieritreretana ny voninahitra ho avy ny fony. Teo koa ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo izay nibanjina ny andro hananany fahefana amin’ ny Romana nankahalainy, ka handraisany ny harena sy ny famirapiratan’ ny fanjakana lehibe eo amin’ izao tontolo izao. Ny tantsaha sy ny mpanarato mahantra dia nanantena handre fanomezan-toky fa hosoloina tranobe feno ny ampy sy androm-piadanana ny fisoko kely mahantra misy azy, ny haniny tapa-kibo, ny fiainany lany amin’ ny asa mafy sy ny fahatahorany ny tsy fahampiana. Nanantena izy fa ho solon’ ny akanjo notafiany tamin’ ny antoandro sy nirakofany tamin’ ny alina, dia homen’ i Kristy azy ny akanjo sarobidy sy lafo natokana ho an’ ny mpandresy. Nangitakitaka ny fo rehetra noho ny fanantenana nireharehany fa kely sisa dia homemboninahitra eo anatrehan’ ny firenena Isiraely amin’ ny maha-voafidin’ i Jehovah azy, ary hasandratra ho lohan’ ny fanjakana manerana ny tany i Jerosalema.IFM 312.2

    Nandiso ny fanantenan’ ny olona momba ny fahalehibeazana araka izao tontolo izao Kristy. Tao amin’ ny toriteny teo an-tendrombohitra no niezahany mafy hamaha ny asa izay efa notanterahin’ ny fanabeazana diso, sy hanome fahalalana araka izay izy momba ny fanjakany sy ny toetra amam-panahin’ ny tenany ho an’ ny mpihaino Azy. Tsy namely mivantana ny hevi-diso teo amin’ ny olona Izy na dia izany aza. Hitany ny fahantran’ izao tontolo izao raha ny momba ny fahotana, nefa tsy nasehony teo anatrehany ny sary velona maneho ny fahoriany. Zavatra tsara lavitra noho izay efa fantany no nampianariny azy. Tsy nanohitra ny heviny momba ny fanjakan’ Andriamanitra Izy, fa nolazainy taminy ny fepetra hidirana ao, ka navelany izy ireo no hisintona ny fehin-keviny ny amin’ ny toetran’ izany fanjakana izany. Tsy latsa-danja ho antsika ny maha-zava-dehibe ny fahamarinana izay nampianariny mihoatra noho ny ho an’ ny vahoaka marobe izay nanaraka Azy. Daintsika tsy latsaka noho ireo ny hianatra ny foto-kevitra iorenan’ ny fanjakan’ Andriamanitra.IFM 312.3

    Ny teny voalohany nataon’ i Kristy tamin’ ny vahoaka teo an-tendrombohitra dia teny milaza fitahiana. Sambatra, hoy Izy, izay manaiky ny fahantrany ara-panahy ka mahatsapa ny ilàny fanavotana. Tokony hotoriana amin’ ny mahantra ny Filazantsara. Tsy ny miavonavona ara-panahy, izay milaza ny tenany ho manankarena sy tsy manan-java-mahory no hanambarana izany, fa izay manetry tena sy torotoro fo. Loharano tokana ihany no nosokafana hanadio ny fahotana, dia loharano ho an’ ny malahelo am-panahy.IFM 313.1

    Miezaka ny hahazo famonjena samirery ny fo mirehareha; nefa eo amin’ ny fahamarinan’ i Kristy ihany no ananantsika zo hiditra any an-danitra sy ny fahavononantsika ho any. Tsy misy na inona na inona azon’ ny Tompo atao hanasitranana ny olona raha tsy miaiky ny fahalemeny izy, ka miala amin’ ny fiheveran-tena ho zavatra, ary mampilefitra ny tenany ho fehezin’ Andriamanitra. Amin’ izay dia azony atao ny handray ny fanomezana izay andrasan’ Andriamanitra harotsaka. Ny fanahy izay mahatsapa ny ilainy dia tsy mitana na inona na inona. Azony atao ny manatona tsy misy fepetra an’ Ilay itoeran’ ny fahafenoana rehetra. «Fa izao no lazain’ ny Ilay avo sy manerinerina, Izay monina mandrakizay, Masina no anarany : Ao amin’ ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin’ ny torotoro fo sy manetry tena, hamelombelona ny fanahin’ ny manetry tena sy hamelombelona ny fon’ ny torotoro fo» 3Isaia 57 : 15.IFM 313.2

    «Sambatra ny ory ; fa izy no hampifaliana». Amin’ ireo .teniny ireo Kristy dia tsy mampianatra fa manan-kery hanala ny fanamelohan’ ny ota ny fahoriana. Tsy manome alalana ny fisehosehoana na ny fanatren-tena iniana Izy. Ny fahoriana izay lazainy dia tsy alahelohelo foana sy fitarainana. Raha malahelo noho ny fahotana isika, dia mifaly kosa noho ny tombon-tsoa lehibe amin’ ny mahazanak’ Andriamanitra antsika.IFM 313.3

    Matetika isika no malahelo satria mitondra vokatra tsy mahafinaritra ho antsika ny asa ratsy ataontsika; tsy fibebahana anefa izany. Ny tena alahelo noho ny fahotana dia vokatry ny asan’ ny Fanahy Masina. Ny Fanahy no manambara ny tsy fahaizan’ ny fo mankasitraka, dia ny fo manao tsinontsinona ny Mpamonjy sy mandratra Azy , ka entiny eo am-pototry ny hazo fijaliana isika rehefa torotoro fo. Mandratra an’ i Jesosy indray ny fahotana rehetra ; ary raha mijery Azy Izay nolefonina isika dia malahelo noho ny fahotana izay nahatonga ady mihatra aman’ aina taminy. Ny alahelo toy izany no hitarika ho amin’ ny fahat ', oizana ny fahotana.IFM 314.1

    Mety hilaza izao tontolo izao fa fahalemena io alahelo io ; nefa izany no hery mamatotra ny mibebaka amin’ Ilay tsy voafetra amin’ ny alalan’ ny fatorana tsy azo tapahina. Mampiseho izany fa averin’ ny anjelin’ Andriamanitra amin’ ny fanahy ny fahasoavana izay veriny noho ny hamafin’ ny fo sy ny fandikany lalàna. Tsy inona ny ranomason’ ny mibebaka fa ranonorana mitete izay mialoha ny tara-masoandron’ ny fahamasinana. Io alahelo io no mahatonga fifaliana izay hanjary loharano velona ho an’ ny fanahy. «Kanefa kosa ekeo ny helokao, fa tamin’ i Jehovah Andriamanitrao no niodinanao» ; «fa mamindra fo Aho, hoy Jehovah, ka tsy hitahiry fahatezerana»4Jer. 3 : 13, 12 aminao Aho. Ho an’ ny malahelo ao Ziona dia nokendreny homena «hamama ho solon’ ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon’ ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ ny fanahy reradreraka»5Isaia 61 : 3. Misy fampiononana koa ho an’ ireo izay ory noho ny fitsapana sy ny alahelo. Tsara noho ny fampanaranam-po ny fahotana ny ngidin’ ny fahoriana sy ny fietrena. Amin’ ny alalan’ ny fahoriana no anehoan’ Andriamanitra amintsika ny fototr’ aretina eo amin’ ny toetra amam-panahintsika, mba hahazoantsika mandresy ny fahadisoana amin’ ny alalan’ ny fahasoavany. Misy tokoa ny fandrika velarina amintsika izay ho fisedrana, na hanaiky ny fananarana sy ny torohevitr’ Andriamanitra isika na tsia. Rehefa entina eo amin’ ny fitsapana isika dia tsy tokony ho sorena na hitaraina ; tsy tokony hikomy na hiahiahy ka hiala avy eo am-pelatanan’ i Kristy isika. Tokony hampietry ny fanahintsika eo anatrehan’ Andriamanitra isika. Maizina ny lalan’ i Jehovah ho an’ izay maniry hijery ny zava-mitranga amin’ ny fahazavana mahafinaritra ny tenany. Toa maizina sy tsy misy fifaliana izany ho an’ ny toetry ny maha-olombelona antsika. Lalan’ ny famindrampo anefa ny lalan’ Andriamanitra ary miafara amin’ ny famonjena.IFM 314.2

    Tsy fantatr’ i Elia ny nataony fony izy tany an-efitra ka nilaza izy fa leon’ ny fiainana ary nivavaka mba ho faty. Tsy noraisin’ i Jehovah tamin’ ny teniny izy noho ny famindrampony. Mbola nisy asa lehibe hataon’ i Elia, ary rehefa vita ny asany, dia tsy ho faty amin’ ny famoizam-po sy manirery any an-efitra izy. Tsy hidina velively ao amin’ ny vovoky ny tany izy, fa hiakatra amim-boninahitra amin’ ny kalesy afo ho any amin’ ny seza fiandrianana any amin’ ny Avo.IFM 315.1

    Izao no tenin’ Andriamanitra amin’ ny malahelo : «Efa nahita ny làlany Aho, nefa hahasitrana azy ihany, dia hitari-dàlana azy Aho ka hampody ny fiononana ho aminy sy ho amin’ ny malahelo ao aminy». «Fa hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany, ka hampiononiko sy hampifaliako izy ho afaka ahahelo»6Isaia 57 : 18; jer. 31 : 13.IFM 315.2

    «Sambatra ny malemy fanahy». Ny zava-tsarotra hatrehintsika dia mety hihena betsaka noho ny fahalemem-panahy izay miafina ao amin’ i Kristy. Raha manana ny fanetren-tenan’ ny Tompontsika isika dia hijoro hisetra ny fanaovana tsinontsinona, ny faninitsiniana, ny fanorisorenana mihatra amintsika isan’ andro, ary ho foana ho azy ka tsy hahatonga haizina amin’ ny fanahy ireo toe-javatra ireo. Ny porofo ambony indrindra momba ny fahamendrehana kristiana dia ny fifehezan-tena. Izay tsy mahay mitana toe-tsaina tony sy mahatoky rehefa iharan’ ny herisetra sy ny fahasiahana, dia mandroaka an’ Andriamanitra amin’ ny zony haneho eo aminy ny fahatanterahan’ ny toetra amam-panahin’ ny tenan’ Izy Andriamanitra. Ny fo mietry no hery izay manome fandresena ny mpanaraka an’ i Kristy ; io no antoky ny fifandraisany amin’ ny lapa any ambony.IFM 315.3

    «Fa na dia avo aza Jehovah, dia mijery ny ambany toetra»7Sal. 138 : 6. Izay mampiseho ny toe-tsain’ i Kristy malemy fanahy sy tsy miavona am-po no jeren’ Andriamanitra amim-pitiavana. Mety hijery azy amin’ ny fanesoesoana izao tontolo izao, nefa kosa sarobidy eo imason’ Andriamanitra izy. Tsy ny hendry na ny lehibe na ny manao soa ihany no hahazo alalana ho any amin’ ny lapan’ ny lanitra ; tsy ny mpiasa be raharaha ihany na ireo feno hafanam-po sy miasa tsy an-kijanona ihany no manana izany zo izany. Tsia, ny mahantra am-panahy, izay mangetaheta ny fanatrehan’ i Kristy hitoetra ao aminy, izay manana fo manetry tena ka ny hanao ny sitrapon’ Andriamanitra no faniriany ambony indrindra, — ireo koa no hahazo miditra malalaka. Ho anisan’ ireo izay nanasa ny akanjony’ sy namotsy azy tao amin’ ny ran’ ny Zanak’ ondry izy. «Ary noho izany dia mitoetra eo anoloan’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman’ alina eo amin’ ny tempoliny; ary Ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana dia hamelatra ny trano lainy handrakotra azy»8Apok. 7 : 15.IFM 315.4

    «Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana». Ny fahatsapana ny tsy fahamendrehana no mitarika ny fo ho noana sy hangetaheta ny fahamarinana, ary tsy ho diso fanantenana io faniriana io. Izay manome toerana ho an’ i Jesosy ao am-pony no hahatsapa ny fitiavany. Izay rehetra maniry mafy hanana ny fitoviana amin’ ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra dia ho afa-po tokoa. Tsy hamela ny fanahy izay mibanjina an’ i Jesosy tsy hahazo fanampiana mihitsy ny Fanahy Masina. Raisiny ny zavatra momba an’ i Kristy ka asehony azy. Raha maharitra mibanjina an’ i Kristy ny maso, dia tsy mijanona ny asan’ ny Fanahy Masina raha tsy mitovy endrika Aminy ny fanahy. Hampitombo ny fanahy ny fitiavana madio, ka hanome azy ny fomba hahatrarany ny tarigetra ambony indrindra sy ny fahalalana mitombo hatrany momba ny zavatry ny lanitra, hany ka tsy hisy ho banga intsony eo aminy fa ho heniky ny fahafenoana izy. «Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana fa izy no hovokisana !»IFM 316.1

    Hahita famindrampo ny mpamindra fo, ary hahita an’ Andriamanitra ny madio am-po. Ny fisainana maloto rehetra no mandoto ny fanahy, mahaosa ny fiainana ara-pitondrantena, ary mahatonga fahasimbana amin’ ny toetra nalatsaky ny Fanahy Masina ao am-po. Mampihena ny fahitana ara-panahy izany, ka manjary tsy afaka mibanjina an’ Andriamanitra ny olona. Afaka mamela heloka ny mpanota mibebaka Andriamanitra sady maniry izany indrindra Izy ; nefa na dia voavela heloka aza ny mpanota, dia efa niharan’ ny fahasimbana ny fanahiny. Tsy maintsy hialan’ izay te hanana fahalalana mazava ny fahamarinana ara-panahy ny tsy fahadiovana rehetra eo amin’ ny fiteny sy ny fisainana.IFM 316.2

    Nefa mahafaoka be lavitra noho ny fahafahana amin’ ny tsy fahadiovana sy ny filàna ny tenin’ i Kristy, eny, mihoatra noho ny fahafahana amin’ ny fahalotoana araka ny lalàna teo amin’ ny fanompoam-pivavahana izay nireharehan’ ny Jiosy fatratra aza. Ny fitiavan-tena no manakana antsika tsy hibanjina an’ Andriamanitra. Ny toe-tsaina mitady ny an’ ny tena dia mitsara an’ Andriamanitra ho toy ny olona tahaka ny tena ihany. Raha tsy afointsika izany, dia tsy ho haintsika ny hahafantatra Azy Izay fitiavana. Ny fo tsy mihevitra ny tena ihany, ny toe-tsaina manetry tena sy mahatoky ihany no hahita an’ Andriamanitra Izay «mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana»9Eks. 34 : 6.IFM 316.3

    «Sambatra ny mpampihavana». Ny fiadanan’ i Kristy dia avy amin’ ny fahamarinana. Mifandrindra amin’ Andriamanitra izany. Mandrafy ny lalàn’ Andriamanitra izao tontolo izao; mandrafy ny Mpanao azy ny mpanota; ary ho vokatr’ izany dia mifandrafy izy roroa. Nefa hoy ny Mpanao salamo hoe : «Be fiadanana izay tia ny lalànao, ary tsy misy mahatafintohina azy»10Sal. 119 : 165. Tsy manan-kery hampisy fiadanana ny olona. Ny drafitra nataon’ ny olombelona mba hanadiovana sy hanandratana ny isam-batan’ olona na ny fikambanana dia tsy hahomby amin’ ny fanamboarany fiadanana, satria tsy mahatratra ny fo izany. Ny fahasoavan’ i Kristy no hany hery afaka hamorona na hampaharitra ny tena fiadanana. Rehefa voavoly ao am-po izany, dia handroaka ny fironana ratsy rehetra izay mahatonga ady sy fisarahana. «Ny hazo kypreso haniry ho solon’ ny tsilo, ary ny rotra ho solon’ ny sampivato», «ary ny tany hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia»11Isaia. 55 : 13 ; 35 ;1.IFM 317.1

    Gaga tamin’ ny fampianaran’ i Jesosy, izay samihafa indrindra tamin’ ny fitsipika sy ny ohatra nomen’ ny Fariseo ny vahoaka. Noheverin’ izy ireo fa ny atao hoe fahasambarana dia ny fananana zavatra eto amin’ ity tany ity, ary ny laza sy ny voninahitry ny olona no tokony hotsiriritina mafy. Nahafinaritra tokoa ny atao hoe Raby, sy ny hoderaina fa hendry sy mivavaka, manana ny toetra tsara aseho eo anatrehan’ ny besinimaro. Izany no noheverina fa fara-tampon’ ny fahasambarana. Nefa teo anatrehan’ ireo vahoaka marobe ireo no nanambaran’ i Jesosy fa ny tombon-tsoa sy ny voninahitra eto an-tany no hany valisoa mety ho azon’ ny olona toy izany. Niteny tamim-pahatokiana Izy ary nisy hery nandresy lahatra nanaraka ny teniny. Nangina ny olona, ary nisy tahotra tsapany fa nanenika ny fanahiny. Nifampijery izy ireo ka feno fisalasalana hoe : Iza amin’ izy ireo no ho voavonjy raha marina ny fampianaran’ ity Lehilahy ity ? Betsaka no niaiky fa tena nohetsehin’ ny Fanahin’ Andriamanitra io Mpampianatra mahatalanjona io, ary tena avy tamin’ Andriamanitra ny fihetseham-po izay navoakany. Rehefa nanazava ny atao hoe tena fahasambarana sy ny fomba ahazoana izany Jesosy, dia notondroiny tamin’ ny fomba mazava kokoa ny adidin’ ny mpianany amin’ ny maha-Mpampianatra nofidin’ Andriamanitra azy hitarika ny hafa eo amin’ ny lalan’ ny fahamarinana sy ny fiainana mandrakizay. Fantany fa hiharan’ ny fahadisoam-panantenana sy ny fahakiviana matetika izy ireo, ka hifanehatra amin’ ny fanoherana hentitra, sy hotenenin-dratsy, ary ho lavina ny teny vavolombelona hoentiny. Fantany tsara fa eo amin’ ny fanatanterahana ny asa nanirahana Azy, dia tsy maintsy hizaka fanaratsiana, fampijaliana, fanaovana am-ponja ary fahafatesana ireto olona tsotra mihaino ny teniny sy manongilan-tsofina fatratra ireto, ka dia hoy indray Izy hoe :IFM 317.2

    «Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan’ ny lanitra. Sambatra hianareo, raha haratsian’ ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. Mifalia sy miravoravoa hianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo».IFM 318.1

    Tia fahotana izao tontolo izao ary mankahala ny fahamarinana, ary izany no anton’ ny fankahalany an’ i Jesosy. Izay rehetra mandà ny fitiavany tsy misy fetra, no hanakorontana ny fivavahana kristiana. Ny fahazavan’ i Kristy no mampisava ny haizina izay manarona ny fahotany, ary mampiharihary fa ilaina ny fanavaozana. Raha manomboka miady amin’ ny tenany ireo izay milefitra amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina miasa mangina ao anatiny ireo, dia hiady amin’ ny fahamarinana sy amin’ ny solontenany kosa ireo izay mifikitra amin’ ny fahotana.IFM 318.2

    Mipoaka ny ady, ary ny mpanaraka an’ i Kristy no hampangaina ho mpanakorontana ny vahoaka. Nefa ny fiarahany amin’ Andriamanitra no mahatonga ny fandrafian’ izao tontolo izao azy. Mitondra ny-fahafaham-barakan’ i Kristy izy ary nandeha eo amin’ ny lalana izay nandehanan’ ny Olona mendrika indrindra eto an-tany. Tsy amin’ alahelo fa amim-piravoravoana no hisetrany ny fanenjehana. Ny fitsapana mahamay tsirairay avy dia samy fiasan’ Andriamanitra hanadiovana azy. Samy mampiofana azy ho amin’ ny asany ireny ka hahatonga azy ho mpiara-miasa Aminy. Ny ady rehetra dia samy manana ny toerany eo amin’ ny tolona lehibe ho an’ ny fahamarinana, ary samy hanampy fifaliana ho amin’ ny fandresena farany. Rehefa ao an-tsaina izany, dia hekena amim-pifaliana ny fisedrana ny finoana sy ny faharetana fa tsy hatahorana sy hialana. Revo dia revo ny mpanompon’ Andriamanitra hanatanteraka ny adidiny amin’ izao tontolo izao, ary maniry hahazo ny fankasitrahan’ Andriamanitra. Hanatontosa ny adidy rehetra natolotra azy ny mpanompony, ka tsy heveriny ho zavatra akory ny tahotra ny olona na ny fankasitrahany.IFM 318.3

    «Hianareo no fanasin’ ny tany», hoy Jesosy. Aza mihatakataka amin’ izao tontolo izao mba handositra ny fanenjehana. Tokony hitoetra eo anivon’ ny olona ianareo, mba ho fanasina hiaro an’ izao tontolo izao amin’ ny fahalovana ny tsiron’ ny fitiavan’ Andria-manitra ao aminareo.IFM 319.1

    Ny fo izay mamaly ny herin’ ny Fanahy Masina miasa mangina aminy no fantsona ikorianan’ ny fitahian’ Andriamanitra. Raha miala amin’ ny tany ireo izay manompo an’ Andriamanitra, ka miala tsy ho eo amin’ ny olona ny Fanahiny, dia ho voatarika ho amin’ ny fahasimbana sy ny faharavana izay vokatry ny fanapahan’ i Satana izao tontolo izao. Na dia tsy fantatry ny ratsy fanahy aza izany, dia ny fisian’ ny vahoakan’ Andriamanitra, izay hamavoiny sy hampahoriana eo amin’ izao tontolo izao, no ahazoany ny fitahiana amin’ ity fiainana ity. Fa raha anarana fotsiny ny maha-kristiana ny kristiana, dia tahaka ny fanasina tsy misy tsirony intsony izy, ary tsy manana hery hiasa mangina ho amin’ ny tsara eo amin’ izao tontolo izao. Noho ny kristiana diso fampiseho an’ Andriamanitra, dia ratsy noho ny tsy mpino izy.IFM 319.2

    «Hianareo no fahazavan’ izao tontolo izao». Ny Jiosy dia nihevitra ny hamihina ny tombon-tsoan’ ny famonjena ho an’ ny fireneny irery ihany ; nasehon’ i Kristy azy anefa fa tahaka ny fahazavan’ ny masoandro ny famonjena ka ho an’ izao tontolo izao manontolo. Tsy tokony hafenina ao anaty fonom-boky ny fivavahan’ ny Baiboly, na ao anatin’ ny rindrim-piangonana. Tsy tokony hampiasaina indraindray hahazoana tombon-tsoa izany, ary avy eo dia apetraka indray. Tokony hanamasina ny fiainana andavanandro izany, sy hiseho eo amin’ ny asa aman-draharaha rehetra ary eo amin’ ny fifandraisantsika eo amin’ ny fiaraha-monina.IFM 319.3

    Tsy isalorana avy etỳ ivelany tsy akory ny tena toetra amampanahy marina; fa mamirapiratra avy ao anaty izany. Raha irintsika ny hitarika ny hafa ho eo amin’ ny lalan’ ny fahamarinana, dia tsy maintsy voarakitra ao am-pontsika ny foto-kevitry ny fahamarinana. Mety hanambara ny laha-kevitra eo amin’ ny fivavahana ny fanekempinontsika, nefa ny fitiavam-bavaka iainana no mampiseho mazava ny teny fahamarinana. Ny fiainana mirindra, ny resaka masina atao, ny fahamarinan-toetra tsy azo hozongozonina, ny toe-tsaina vonon-kiasa, manao soa sy ny ohatry ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, — ireo no fitaovana mpanelanelana izay itondrana ny fahazavana ho amin’ izao tontolo izao.IFM 319.4

    Tsy nijanona ela teo amin’ ny filazalazana momba ny lalàna Jesosy, nefa tsy navelany ho raisin’ ny mpihaino Azy ho fehinteny ny hoe tonga Izy mba hampiseho ny fitakian’ ny lalàna ho azo apetrapetraka. Fantany fa vonona hanararaotra izay rehetra azony nitsofohana ireo mpitsikilo mba hanatanterahana ny fikasany. Fantatr’ i Kristy ny hevitra nibahana tao an-tsain’ ny maro tamin’ ny mpihaino Azy ; tsy misy na inona na inona nolazainy izay mety hampihozongozona ny finoany ny fivavahana sy izay naorina tamin’ ny alalan’ i Mosesy ka nankinina taminy. Kristy ihany no nanome ny lalàna ara-pitondrantena sy ny lalàna momba ny fanompoampivavahana. Tsy tonga handrava ny fatokiana nomen’ ny tenany Izy. Noho ny fanajany fatratra ny lalàna sy ny mpaminany no niezahany nandrodana ny rindrin’ ny fitakiana noforonin’ ny lovantsofina izay niainan’ ny Jiosy. Nalany ny fanazavana diso nataon’ izy ireo momba ny lalàna, nefa narovany fatratra ny mpianany tsy hanary ireo fahamarinana mitondra aina nankinina tamin’ ny Hebreo.IFM 320.1

    Nireharehan’ ny Fariseo ny fankatoavany ny lalàna; nefa kely loatra no fantany momba ny foto-keviny teo amin’ ny fampiharana izany eo amin’ ny fiainana andavanandro, hany ka toa fampianarana tsy araka ny fihevitry ny maro no fandrenesany ny tenin’ ny Mpamonjy. Raha nofafany ny fakofako izay nanarona ny fahamarrinana, dia noheverin’ izy ireo fa ny. fahamarinana mihitsy no nofafany. Nifampibitsibitsika izy nilaza fa manamaivana ny lalàna Jesosy. Novakiany tao amin’ ny eritreriny izany ka izao no nolazainy hamaliany azy : «Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany, tsy tonga Aho handrava fa hanatanteraka». Mitsipaka ny fiampangana ataon’ ny Fariseo Jesosy eto. Ny asa nanirahana Azy eto amin’ izao tontolo izao dia ny hamerina ny fitakian’ ilay lalàna izay niampangana Azy ho nodikainy. Raha azo novàna na nofoanana ny lalàn’ Andriamanitra dia tsy ho nilaina ny nijalian’ i Kristy noho ny vokatry ny fandikantsika izany. Tonga Izy mba hanazava ny fifandraisan’ ny lalàna amin’ ny olona, sy hanazava ny fitsipiny amin’ ny alalan’ ny fiainam-pankatoavany.IFM 320.2

    Nomen’ Andriamanitra antsika ny fitsipiny masina satria tia ny taranak’ olombelona Izy. Mba hiarovana antsika amin’ ny vokatry ny tsy fankatovan-dalàna, dia nambarany ny foto-kevitry ny fahamarinana. Fanehoana ny fihevitr’ Andriamanitra ny lalàna, ka rehefa raisina ao amin’ i Kristy izany, dia manjary fihevitsika koa. Manandratra antsika ho any ambonin’ ny herin’ ny faniriana sy ny fironana ara-nofo izany, ambonin’ ny fakam-panahy izay mitarika ho eo amin’ ny fahotana. Irin’ Andriamanitra ny hahasambatra antsika, koa nomeny ny fitsipika ao amin’ ny lalàna mba hananantsika fifaliana amin’ ny fankatoavana azy. Raha nihira ny anjely tamin’ ny nahaterahan’ i Jesosy hoe :IFM 321.1

    «Voninahitra any amin’ ny avo indrindra ho an’ Andriamanitra!
    Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ ny tany amin’ ny olona ankasitrahany»12Lioka 2 : 14 dia nanambara ny foto-kevitry ny lalàna Izy izay ny hahalehibe sy ny hahabe voninahitra azy no nahatongavany.
    IFM 321.2

    Rehefa nolazaina tao Sinay ny lalàna dia nampahafantarin’ Andriamanitra ny olona ny fahamasinan’ ny toetra amam-panahiny. Niriny ny mba hahitany ny fahasamihafan’ izany amin’ ny toetra maha-mpanota ananany. Nomena ny lalàna mba hampiaiky azy ny fahotana, ka hanehoany ny filàny Mpamonjy. Ho tanteraka izany rehefa hampiharina amin’ ny fo ny foto-keviny amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina. Ezaka mitohy izany. Mazava ny foto-kevitry ny lalàna ao amin’ ny fiainan’ i Kristy ; ary rehefa manohina ny fo ny Fanahy Masina, ka asehon’ ny fahazavan’ i Kristy amin’ ny olona ny ilàny ny rany manadio sy ny fahamarinany manamarina, dia mbola ny lalàna ihany no fitaovana hitondra antsika ho eo amin’ i Kristy, mba hohamarinina amin’ ny finoana isika. «Tsy misy tsiny ny lalàn’ i Jehovah, mamelombelona ny fanahy»13Sal.19 : 7.IFM 321.3

    «Mandra-pahafoan’ ny lanitra sy ny tany, hoy Jesosy, dia tsy hisy ho foana akory amin’ ny lalàna, na dia litera iray na tendrontsoratra izay aza, mandra-pahatanterak’ izy rehetra». Ny masoandro izay mamirapiratra eo amin’ ny lanitra. ny tany mafy izay itoeranareo no vavolombelon’ Andriamanitra fa tsy miova ary maharitra mandrakizay ny lalàny. Na dia mety ho lasa aza ireo, ny fitsipika nomen’ Andriamanitra kosa haharitra. «Fa ho moramora kokoa ny hahafoanan’ ny lanitra sy ny tany noho ny hahafoanan’ ny tendrontsoratra iray monja aza amin’ ny lalàna»14Lioka 16 : 17. Ny rafitra momba ny tandindona izay nanondro an’ i Jesosy amin’ ny maha-Zanak’ ondrin’ Andriamanitra Azy, dia natao ho rava tamin’ ny nahafatesany ; fa ny fitsipiky ny didy folo kosa dia tsy miova tahaka ny seza fiandrianan’ Andriamanitra ihany.IFM 321.4

    Koa satria «tanteraka ny lalàn’ i Jehovah», dia tsy maintsy diso ny ezaka rehetra hanovana azy. Nohelohin’ i Kristy ireo izay mandika ny lalàna sy mampianatra ny hafa hanao izany; mampijoro ny fitakian’ ny lalàna ny fiainam-pankatoavan’ ny Mpamonjy. Manaporofo izany fa azo tandremana ao amin’ ny maha-olombelona ny lalàna, ary mampiseho ny fahatanterahan’ ny toetra amam-panahy ny fitomboan’ ny fankatoavana. Izay rehetra mankatò tahaka Azy, dia miteny tahaka Azy koa ka hilaza fa «masina sy tsara ary marina»15Rom. 7 : 12 ny lalàna. Etsy andaniny kosa, izay rehetra mandika ny didin’ Andriamanitra dia manome rariny an’ i Satana izay nanambara fa tsy marina ny lalàna ary tsy azo ankatoavina. Manampy ny fitaka ataon’ ilay fahavalo lehibe izy sady manala-baraka an’ Andriamanitra. Zanak’ ilay ratsy izy, dia ilay voalohany nikomy tamin’ ny lalàn’ Andriamanitra. Ny fanekena azy hiditra any an-danitra dia hamerina indray ireo fototra nahatonga korontana sy fikomiana teo aloha ka hampidi-doza ny fahasambaran’ izao rehetra izao. Tsy misy olona minia manao tsinontsinona ny foto-kevitra iray ao amin’ ny lalàna ka hahazo hiditra ao amin’ ny fanjakan’ ny lanitra.IFM 322.1

    Noheverin’ ny raby ho tsisakanana ho any an-danitra ny fahamarinany; nambaran’ i Jesosy anefa fa sady tsy ampy izany no tsy mendrika rahateo. Ny fombam-pivavahana ivelambelany sy ny fahalalana ny marina ara-tsaina fotsiny no fahamarinan’ ny Fariseo. Nihambo ho masina amin’ ny alalan’ ny ezaka ataon’ ny tenany eo amin’ ny fitandremana ny lalàna ny raby ; nefa nampisarahany tamin’ ny alalan’ ny asany ny fahamarinana sy ny Fivavahana. Sarotiny dia sarotiny izy eo amin’ ny fanarahana ny fombam-pivavahana, nefa ambany sy maloto ara-pitondrantena ny fiainany. Tsy ahazoany hiditra ao amin’ ny fanjakan’ ny lanitra na oviana na oviana izay lazainy fa fahamarinany.IFM 322.2

    Ny fahadisoan-kevitra lehibe indrindra natao tamin’ ny sain’ olombelona tamin’ ny andron’ i Kristy dia ny filazana fa ny fanekena fotsiny ny marina no atao hoe fahamarinana. Hita mazava teo amin’ ny fanandraman’ ny olombelona rehetra fa tsy ampy hamonjena ny fanahy ny fahalalana ny marina ara-tsaina fotsiny. Tsy mitondra ny vokatry ny fahamarinana izany. Ny fomba fijery feno hasarotampiaro sy atao hoe marina ara-teolojia dia matetika miaraka amin’ ny fankahalana ny tena marina miseho eo amin’ ny fiainana. Feno fitantarana ny heloka bevava nataon’ ny mpanaraka ny fivavahana diso toerana ireo toko maizina indrindra eo amin’ ny tantara. Nilaza ho zanak’ i Abrahama ny Fariseo ary nirehareha tamin’ ny fananany ny teny nambaran’ Andriamanitra; tsy niaro azy tamin’ ny fitiavantena na ny faharatsiana na ny fanangonana tombony ho an’ ny tenany sy ny fihatsarambelatsihy ambany indrindra anefa ireny tombontsoa ireny. Nihevitra ny tenany ho mpivavaka ambony indrindra eo ámin’ izao tontolo izao izy, nefa nitarika azy hanombo ny Tompon’ ny voninahitra teo amin’ ny hazo fijaliana izany ary noheveriny fa izany no anarahany ny finoana nekeny.IFM 322.3

    Mbola misy ankehitriny koa io loza mananontanona io. Betsaka no mihevitra fa azo ekena ho kristiana izy, noho ny antony tsotra, dia noho izy manaiky ny fampianaran’ ny teolojiana sasantsasany. Nefa tsy notanterahiny teo amin’ ny fiainana andavanandro ny fahamarinana. Tsy nino na tia izany izy, noho izany tsy noraisiny ny hery sy ny fahasoavana izay tonga avy amin’ ny fahamasinan’ ny fahamarinana. Azon’ ny olona atao ny milaza fa mino ny fahamarinana ; nefa raha tsy mahatonga azy ho madio fo, ho malemy fanahy, hanam-paharetana, hahari-po, hanana ny toe-tsain’ ny lanitra izany, dia ozona ho an’ izay manana azy ary ozona ho an’ izao tontolo izao koa amin’ ny alalan’ ny hery miasa mangina avy amin’ izy ireo.IFM 323.1

    Ny fahamarinana nampianarin’ i Kristy dia fampifanarahana ny fo sy ny fiainana amin’ ny sitrapon’ Andriamanitra efa voambarany. Ny hany ahazoan’ ny mpanota ho tonga marina dia ny fananany finoana an’ Andriamanitra, sy ny itehirizany fifandraisana velona Aminy. Amin’ izay dia hanandratra ny fisainany ny tena toe-panahy araka an’ Andriamanitra ka hampahamendrika ny fiainany. Amin’ izay koa no hita mifanaraka amin’ ny fahadiovan’ ny kristiana ao anaty ny endrika ivelan’ ny fivavahana. Amin’ izay dia tsy fombam-pivavahana tsy misy dikany intsony ny fanompoampivavahana takiana eo amin’ ny fanompoana an’ Andriamanitra, tahaka izay nataon’ ireo Fariseo mpihatsaravelatsiny.IFM 323.2

    Noraisin’ i Jesosy tsirairay ny didy ka nohazavainy ny zavatra takian’ ireo araka ny halaliny sy ny fivelarany. Tsy nanala na tendrontsoratra iray aza tamin’ izany Izy, fa nasehony ny fihoarana lavitra teo amin’ ny foto-keviny, sady novelabelariny ny fahadisoana mampidi-doza teo amin’ ny Jiosy tamin’ ny fampisehoany fankatoavana ivelambelany fotsiny. Nambarany fa voadika ny lalàn’ Andriamanitra amin’ ny fisainana ratsy sy ny fijery mitory filàna ambany. Izay miandany amin’ ny tsy fahamarinana kely indrindra no mandika lalàna ka mampiseho ny maha-ambany toetra azy ara-pitondrantena. Miandoha ao an-tsaina ny vonoan’ olona. Izay manome toerana ny fankahalana ao am-pony dia mametraka ny tongony eo amin’ ny lalan’ ny mpamono olona, ka maharikoriko an’ Andriamanitra ny fanatitra ataony.IFM 323.3

    Nanolokolo toe-tsaina mamaly faty ny Jiosy. Noho ny fankahalany ny Romana dia namoaka fiampangana henjana izy, ary nahafaly an’ ilay ratsy ny fanehoany ny anankiray amin’ ny toetrany. Tamin’ izay no nitaizany tena hanao ny asa mahatsiravina izay nitarihan’ ireo azy hataony. Tsy nisy na inona na inona izay nahatonga ny jentilisa ho tia vavaka teo amin’ ny fiainam-pivavahan’ ny Fariseo. Nampitandrina azy Jesosy tsy hamita-tena amin’ ny fiheverany fa azony atao ny mikomy ao am-pony amin’ ny mpampahory azy ka hankamamy ny faniriana hamaly ny ratsy natao taminy.IFM 324.1

    Marina fa misy fahatezerana azo hamarinina, eny, na dia amin’ ny mpanaraka an’ i Kristy aza. Rehefa hitany fa haetry ny voninahitr’ Andriamanitra, ka halana baraka ny fanompoana Azy, ary tazany fa ampahoriana ny tsy manan-tsiny, dia misy fahatezerana ara-drariny manetsika ny fanahiny. Ny fahatezerana toy izany, izay avy amin’ ny fahatsapana ara-panahy, dia tsy fahotana. Fa izay mihevitra kosa fa mahazo mampanarampo ny fahatezerana na ny alahelo noho ny fihantsiana rehetra heverin’ ny tenany, dia manokatra ny fony amin’ i Satana. Tsy maintsy roahina tsy ho ao amin’ ny fanahy ny fangidiana sy ny fahabibiana rehetra raha tiantsika ny hifandrindra amin’ ny lanitra.IFM 324.2

    Lasa lavitra noho izany ny Mpamonjy. Hoy Izy : «Raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ ny alitara hianao ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, dia avelao eo anoloan’ ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin’ ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao. «Betsaka no mafana fo amin’ ny fanompoana ara-pivavahana, nefa misy tsy fifanarahana mampalahelo izay tokony halamina aminy sy ny rahalahiny. Mangataka azy Andriamanitra hanao izay rehetra azony atao mba hamerina indray ny firindrana. Tsy ekena ny fanompoana ataony, raha tsy vita izany fepetra izany. Voatondro mazava ny adidin’ ny kristiana ny amin’ izany zavatra izany.IFM 324.3

    Mandrotsaka ny fitahiany amin’ ny olona rehetra Andriamanitra. «Mampiposaka ny masoandrony amin’ ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ ny marina sy ny tsy marina» Izy. Fa «Izy mora fanahy amin’ izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy»16Lioka. 6 : 35. Mibaiko antsika ho tahaka Azy Izy. «Tiavà ny fahavalonareo, hoy Jesosy ; ary manaova soa amin’ izay mankahala anareo, . . . mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo». Toy izany no foto-kevitry ny lalàna ary avy amin’ izany no miboiboika ny fiainana.IFM 325.1

    Ambony noho izay mety ho takatry ny fisainan’ olombelona ny tarigetran’ Andriamanitra ho an’ ny zanany. «Aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan’ ny Rainareo Izay any an-danitra». Teny fikasana io baiko io. Nibanjina ny fahasitranantsika tanteraka ho afaka amin’ ny fahefan’ i Satana ny drafitry ny fanavotana. Mampisaraka mandrakariva ny fanahy torotoro amin’ ny fahotana Kristy. Tonga handrava ny asan’ ny Devoly Izy, ka maniry ny hizara ny Fanahy Masina amin’ ny fanahy mibebaka rehetra, mba hiaro azy tsy hanota.IFM 325.2

    Tsy tokony ho raisina ho fialan-tsiny amin’ ny asa ratsy anankiray ny asan’ ny mpaka fanahy. Mibitaka i Satana rehefa mandre ireo izay milaza ny tenany ho mpanaraka an’ i Kristy, nefa manao fialan-tsiny noho ny lesoka eo amin’ ny toetra amam-panahiny. Ireny fialan-tsiny ireny no mitarika amin’ ny fahotana. Tsy misy fialan-tsiny ny fanaovana fahotana. Mety ho tratran’ ny zanak’ Andriamanitra rehetra mibebaka sy mino ny toetra masina, ny fiainana mifanahaka amin’ ny an’ i Kristy.IFM 325.3

    Ny tarigetran’ ny toetra amam-panahy kristiana dia ny fitoviana amin’ i Kristy. Tahaka ny nahatanteraka an’ Ilay Zanak’ olona teo amin’ ny fiainany no tokony hahatanteraka ny mpanaraka Azy eo amin’ ny fiainany. Natao tahaka ny rahalahiny tamin’ ny zavatra rehetra Jesosy. Nanjary nofo tahaka antsika Izy, noana sy nangetaheta ary nahatsiaro sasatra. Notohanan’ ny sakafo sy nahazo aina vaovao tamin’ ny torimaso Izy. Naka ny toetran’ olombelona Izy; nefa Zanak’ Andriamanitra tsy nisy nanamelohana Azy koa. Andriamanitra tao amin’ ny nofo Izy. Tokony ho toetra amam-panahintsika ny Azy. Hoy ny Tompo amin’ izay mino Azy : «Honina eo aminy Aho sy handeha eo aminy; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho oloko»172 Kor. 6 : 16.IFM 325.4

    Kristy no tohatra hitan’ i Jakoba, niorina tamin’ ny tany ka nipaka tamin’ ny vavahadin’ ny lanitra ary teo amin’ ny tokonambaravaran’ ny voninahitra mihitsy ny lohany, teo anivon’ ny voninahitra. Raha tsy eo ny zana-tohatra iray monja ka tsy nahatratra ny tany io tohatra io, dia ho very isika. Nefa mahatratra antsika eo amin’ izay misy antsika Kristy. Nandray ny toetrantsika Izy ary nandresy, mba handresentsika koa amin’ ny fandraisantsika ny toetrany. «Naka ny endriky ny nofo ota»18Rom. 8 : 3 Izy, nefa nivelona tamin’ ny fiainana tsy nisy fahotana. Ankehitriny dia mihazona ny seza fiandrianan’ ny lanitra amin’ ny maha-Andriamanitra Azy Izy, ary miantefa atỳ amintsika amin’ ny maha-olombelona Azy. Mibaiko antsika Izy amin’ ny finoantsika Azy mba hahatratra ny voninahitry ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra. Noho izany dia tokony ho tanteraka isika, tahaka ny «fahatanterahan’ ny Rainareo Izay any an-danitra».IFM 326.1

    Efa nasehon’ i Jesosy ny atao hoe fahamarinana, ary Andriamanitra no notondroiny ho loharanon’ izany. Izao dia nitodika ho amin’ ny adidy eo amin’ ny fiainana andavanandro Izy. Eo amin’ ny fanaovana fiantrana sy ny fivavahana ary ny fifadian-kanina, hoy Izy, aoka tsy hisy na inona na inona hatao handranitana ny saina amin’ ny «izaho» na hiderana azy. Manomeza amin’ ny fo madio ho fanampiana ny mahantra mijaly. Aoka hiray amin’ Andriamanitra eo amin’ ny fivavahana ny fanahy. Raha mifady hanina dia aza mitanondrika, nefa ny fo feno fanindrahindrana ny «izaho». Tany ngazana sy tsy mahavokatra ny fon’ ny Fariseo, ary tsy misy voan’ ny fiainan’ Andriamanitra mety hitsimoka ao aminy. Izay mampilefitra ny tenany tsy misy fepetra amin’ Andriamanitra kosa no hanao fanompoana mendrika indrindra. Amin’ ny alalan’ ny fifankazarana amin’ Andriamanitra no hahatonga ny olona ho mpiara-miasa Aminy amin’ ny fanehoana ny toetra amam-panahiny eo amin’ ny mahaolombelona.IFM 326.2

    Ny fanompoana atao amin’ ny fo madio no misy valiny lehibe. «Ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ ny mangingina, no hamaly anao». Ny fetezantsika hivelona eo ambanin’ ny herin’ ny fahasoavan’ i Kristy no hamolavolana ny toetra amam-panahintsika. Manomboka ho tafaverina ao amin’ ny fanahy ny toetra mahate ho tia tany am-boalohany. Zaraina amintsika ny lafiny mampiavaka ny toetra amam-panahin’ i Kristy, ary mamirapiratra indray ny endrik’ Andriamanitra. Mampiseho ny fiadanan’ ny lanitra ny endriky ny lehilahy sy ny’ vehivavy izay miara-mandeha sy miara-miasa amin’ Andriamanitra. Voahodidin’ ny rivo-piainan’ ny lanitra izy. Efa nanomboka ao amin’ ireny fanahy ireny ny fanjakan’ Andriamanitra. Manana ny fifalian’ i Kristy izy, dia fifaliana amin’ ny maha-loharanom-pitahiana ho an’ ny taranak’ olombelona azy. Manana ny voninahitra amin’ ny nanekena azy hampiasain’ ny Tompo izy, ary azo hitokiana hanao ny asany amin’ ny anarany.IFM 326.3

    «Tsy misy olona mahay manompo Tompo roa». Tsy azontsika atao ny manompo an’ Andriamanitra amin’ ny fo voazarazara. Tsy hery miasa mangina eo anivon’ ny maro hafa ny fivavahan’ ny Baiboly ; tokony ho ambony indrindra ny heriny, ka hanenika sy hifehy ny hafa rehetra. Tsy ho tahaka ny hoso-doko vandambandana ny fiainam-pivavahana, fa ho tahaka ny loko tsy mety miofo mamonto ny lamba manontolo.IFM 327.1

    «Koa amin’ izany, raha tsara ny masonao dia hazava avokoa ny tenanao rehetra. Fa raha ratsy ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao». Ny fikasana madio sy tsy miovaova no fepetra handraisana ny fahazavana avy amin’ Andriamanitra. Izay maniry hahalala ny fahamarinana dia tsy maintsy vonona ny hanaiky izay rehetra ambarany. Tsy afaka hitady marimaritra iraisana amin’ ny hevi-diso izy. Ny mihambahamba sy ny mitavozavoza amin’ ny fiarovana ny fahamarinana dia misafidy ny haizin’ ny hevi-diso sy ny fitak’ i Satana.IFM 327.2

    Ny foto-kevitra iankinan’ ny zavatra atao araka izao tontolo izao sy ny foto-kevitra tsy mivadibadiky ny fahamarinana dia tsy mahay mifangaro amin’ ny fomba tsy hitan’ ny maso tahaka ny lokon’ ny avana. Misy tsipika lehibe sy mazava nosoritan’ Andriamanitra mandrakizay mampisaraka azy roa. Miavaka tahaka ny mitataovovonana sy ny misasak’ alina ny fitoviana amin’ i Kristy sy ny fakan-tahaka an’ i Satana. Izay miaina amin’ ny fiainan’ i Kristy ihany no mpiara-miasa Aminy. Raha misy fahotana iray ankamamiana ao amin’ ny fanahy, na fanao ratsy iray tehirizina ao amin’ ny fiainana, dia voaloto ny tena manontolo. Manjary fiasan’ ny tsy fahamarinana ny olona toy izany.IFM 327.3

    Izay rehetra nifidy ny fanompoana an’ Andriamanitra dia tokony hipetraka eo amin’ ny fikarakarany. Nanondto ny voro-manidina eny amin’ ny lanitra Kristy, ary nampiseho koa ireo voninkazo eny an-tsaha ka nibaiko ny mpihaino Azy handinika ireny zavatra noharin’ Andriamanitra ireny. «Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va hianareo ?» hoy Izy. Mifandanja eo amin’ ny laharana misy azy eo amin’ ny fikarakaran’ Andriamanitra ny manan’ aina, ny fatran’ ny fitiavan’ Andriamanitra ny zavatra rehetra. Manara-maso ny fody kely volondavenona Andriamanitra. Mandray anjara amin’ ny fitsinjovan’ Andriamanitra sy ny fikarakaran’ ny Raintsika Izay any an-danitra ny voninkazo eny an-tsaha mbamin’ ny ahitra mivelatra toy ny karipetra mandrakotra ny tany. Nihevitra ny lilia Ilay Mpiangaly zava-kanto ngezalahy ka nataony tsara tarehy indrindra ireny, eny, mihoatra noho ny voninahitr’ i Solomona aza. Manao ahoana ny fihoaran’ ny ataony ho an’ ny olona, izay endrik’ Andriamanitra sy voninahiny ! Iriny mafy ny hahita ny zanany haneho toetra amam-panahy manampitoviana Aminy. Tahaka ny tana-masoandro mizara loko samihafa sy kanto amin’ ny voninkazo, no ataon’ Andriamanitra mizara ny hakanton’ ny toetra amam-panahiny amin’ ny fanahy.IFM 327.4

    Izay rehetra mifidy ny fanjakam-pitiavana sy ny fahamarinana ary ny fiadanan’ i Kristy, ka mametraka ny tombon-tsoan’ izany ho ambonin’ ny hafa rehetra, dia mifamatotra amin’ ny fiainan’ ny any ambony, ary azy ny fitahiana rehetra ilaina ho amin’ ity fiainana ity. Omena takila iray avy isika ao amin’ ny bokin’ ny lanitra, dia ao amin’ ny bokin’ ny fiainana izany. Misy ny zavatra rehetra manokana momba ny fiainantsika io takila io ary na dia ny volon-dohantsika aza dia voaisa. Tsy misy tsy ao amin’ ny fiheveran’ Andriamanitra na dia iray aza ny zanany.IFM 328.1

    «Aza manahy ny amin’ ny ampitso hianareo». Tokony hanaraka an’ i Kristy isan’ andro isika. Tsy manome fanampiana ho amin’ ny ampitso Andriamanitra. Tsy manome ny zanany ny baiko rehetra itarihany azy eo amin’ ny diany mandritra ny fiainany indray miaraka Izy, sao manjary mifangaro izany. Araka izay mety hotadidiny sy hotanterahiny ihany no lazainy azy. Ho an’ ny zava-manahirana ankehitriny ny hery sy ny fahendrena zaraina. «Raha misy aminareo tsy manam-pahendrena», ho an’ ny andro anio, — «aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ ny olona rehetra sady tsy mandatsa»19Jakoba 1 : 5.IFM 328.2

    «Aza mitsara mba tsy hotsaraina». Aza mihevitra ny tenanao ho tsara noho ny olon-kafa, ka mametraka ny tenanao ho mpitsara. Satria tsy fantatrao ny toe-tsaina nanosika azy, dia tsy afaka hitsara ny hafa ianao. Ny faninitsinianao azy dia famoahanao didim-pitsarana ho an’ ny tenanao ihany ; asehonao amin’ izay mantsy fa mpiaramiasa amin’ i Satana ilay mpiampanga ny rahalahy ianao. Hoy ny Tompo : «Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ ny finoana hianareo, na tsia ; izahao toetra ny tenanareo». Io no anjara asantsika. «Fa raha mamantatra ny tenantsika isika dia tsy hotsaraina»202 Kor. 13 : 5; 1 Kor. 11 : 31.IFM 328.3

    Hitondra voa tsara ny hazo tsara. Raha tsy azo tsapain-tanana sy tsy misy vidiny ny vokatra, dia ratsy ny hazo. Tahaka izany, ny vokatra eo amin’ ny fiainana no manambara ny toetran’ ny fo sy ny fahatsaran’ ny toetra amam-panahy. Tsy mahavidy na oviana na oviana ny famonjena ny asa tsara, fa porofo mazava kosa izany ny amin’ ny finoana izay miasa amim-pitiavana sy manadio ny fanahy. Ary na tsy omena noho ny fahamendrehantsika aza ny valisoa mandrakizay, dia hifandanja amin’ ny asa vita izany amin’ ny alalan’ ny fahasoavan’ i Kristy.IFM 329.1

    Toy izany no nanambaran’ i Kristy ny foto-kevitry ny fanjakany, ka nanehoany ny fitsipika lehibe mitondra ny fiainana. Mba hampilatsaka lalina ny lesona ao an-tsaina dia nampiany sary hanazava izany. Tsy ampy ho anareo, hoy Izy, ny mihaino ny teniko. Tsy maintsy ataonareo fototry ny toetra amam-panahinareo izany amin’ ny alalan’ ny fankatoavana. Fasika mandrevo fotsiny ny «izaho». Raha manorina ny tranonao eo ambonin’ ny hevitr’ olombelona sy izay noforonin’ ny olombelona ianao, dia hianjera izany trano izany. Hopaohin’ ny. rivotry ny fakam-panahy, sy ny tafiotry ny fitsapana izany. Fa ireo foto-kevitra nomeko ireo dia haharitra. Raiso Aho, aoreno eo amin’ ny teniko ny finoanao.IFM 329.2

    «Koa amin’ izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia oharina amin’ ny lehilahy manan-tsaina izay nanorina ny tranony teo ambonin’ ny vatolampy. Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy satria efa naorina teo ambonin’ ny vatolampy».IFM 329.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents