Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 41—Ny zava-tsarotra tany Galilia

    Raha nandrara ny vahoaka tsy hanangana Azy ho Mpanjaka Kristy, dia fantany fa tonga teo amin’ ny fiolahan-dalana iray ny fizotry ny tantarany. Ny vahoaka marobe izay naniry ny hanandratra Azy ho eo amin’ ny seza fiandrianana tamin’ izay, dia nivadika niala taminy ny ampitson’ iny. Ny fahadisoam-panantenan’ ny hambompony feno fitiavan-tena no hampivadika ny fitiavany ho fankahalana, ary ny fiderana ho fanozonana. Na dia fantatr’ i Kristy aza izany, dia tsy nisy fepetra noraisiny mba hialana amin’ ny zava-tsarotra. 1 Mifototra amin’ ny Joana 6 : 22-71 ity toko ity. Hatramin’ ny voalohany dia tsy notoheriny ny fanantenana valisoa ara-nofo teo amin’ ny mpanaraka Azy. Hoy Izy tamin’ ny olona iray izay naniry ho tonga mpianany : «Ny amboahaolo manandavaka; ary ny voro-manidina manana fialofana ; fa ny Zanak’ olona tsy mba manana izay hipetrahan’ ny lohany» 2Matio 8 : 20. Raha azon’ ny olona natao ny nahazo an’ izao tontolo izao sady hiaraka amin’ i Kristy, dia vahoaka be no ho nilaza ny firaiketany Aminy. Tsy azony ekena anefa ny fanompoana toy izany. Tamin’ ireo izay nifandray taminy tamin’ izay fotoana izay, dia betsaka no efa voatariky ny fanantenana hiorenan’ ny fanjakana araka izao tontolo izao. Tsy maintsy hafahana amin’ ny fitaka ireny. Tsy azony ny dikan’ ny fampianarana arapanahy teo amin’ ny fahagagana momba ny mofo. Tsy maintsy hazavaina aminy izany. Koa hitondra fisedrana akaiky kokoa io fanambarana vaovao io.IFM 403.1

    Notantaraina tamin’ ny lavitra sy ny akaiky ny fahagagana momba ny mofo, koa vao maraina be dia nitangorona tao Betesda ny vahoaka hahita an’ i Jesosy. Tonga maro tokoa izy, nandeha an-dranomasina sy an-tanety. Izay nisaraka taminy ny alin’ iny dia niverina, nanantena ny mbola hahita Azy teo, satria tsy misy sambokely nahazoany niampita. Sasa-poana anefa izy nitady Azy, ka betsaka no niainga ho any Kapernaomy, mbola hitady Azy ihany.IFM 403.2

    Nandritra izany fotoana izany dia tonga tany Genesareta Izy, rehefa tsy tao indray andro monja. Raha vantany vao re fa nidina an-tanety Izy, dia «nihazakazaka tamin’ izany tany rehetra izany ny olona ary nitondra ny marary tamin’ ny fandriana ho any amin’ izay reny fa nitoerany»3Marka 6 : 55.IFM 404.1

    Rehefa afaka kelikely dia nankany amin’ ny synagoga Izy, ary tao no nahitan’ ireo avy tany Betesda Azy. Reny tamin’ ny mpianany ny fomba niampitany ny ranomasina. Samy notantaraina tsara tamin’ ny vahoaka izay talanjona fatratra, ny fisafoakan’ ny tafiodrivotra, sy ireo ora maro nivoizana foana mba hanoherana ny rivotra, ny nisehoan’ i Kristy nandeha teo amin’ ny rano, ny tahotra vokatr’ izany, ny teny feno toky nataony, ny zavatra nanjo an’ i Petera sy ny vokatr’ izany, ary ny nampitsaharana tampoka ny tafiodrivotra sy ny niantsonan’ ny sambo. Tsy afa-po tamin’ izany izy anefa, fa betsaka no nitangorona teo amin’ i Jesosy, nanontany hoe : «Raby ô, oviana no tonga teto hianao ?» Nanantena ny handre fitantarana fanampiny momba ny fahagagana avy tamin’ ny molony izy.IFM 404.2

    Tsy nomen’ i Jesosy fahafaham-po ny fitiavany hahalala zavatra fotsiny. Nalahelo Izy nilaza hoe : «Mitady Ahy hianareo, nefa tsy noho ny nahitanareo famantarana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky». Tsy nitady Azy noho ny antony mendrika izy ireo, fa rehefa voky mofo izy, dia nanantena ny mbola handray tombontsoa ara-nofo amin’ ny firaiketana Aminy. Nibaiko azy ny Mpamonjy hoe : «Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay» Aoka tsy ny tombon-tsoa ara-nofo fotsiny no hotadiavina. Aoka ny ezaka lehibe indrindra tsy ho eo amin’ izay ilain’ ny fiainana ankehitriny, fa katsaho ny hanina ara-panahy, dia ny fahendrena izay maharitra mandritra ny fiainana mandrakizay. Ny Zanak’ Andriamanitra irery no afaka manome izany; «fa Izy no nasian’ Andriamanitra Ray tombo-kase» .IFM 404.3

    Liana tokoa ny mpihaino ka niloa-bava hoe : «Inona no hataonay mba hanaovanay ny asan’ Andriamanitra ?» Efa betsaka saay mafy ny asa efa nataony mba hahamendrika azy eo anatrehan’ Andriamanitra; koa vonona izy hihaino ny didy mba hankatoavany izany ahazoany antoka ny fahamendrehana lehibe kokoa. Inona no hataonay mba hahatonga anay ho mendrika ny lanitra ? Inona no sarany asaina haloanay mba hahazoanay ny fiainana ho avy ?IFM 404.4

    «Jesosy namaly ka nanao hoe : Izao no asan’ Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny». Jesosy no vidin’ ny lanitra. Ny lalana mankany an-danitra dia amin’ ny alalan’ ny finoana ny «Zanak’ ondrin’ Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao» 4Joana 1 : 29.IFM 405.1

    Tsy nisafidy ny handray io fanambaran’ ny fahamarinan’ Andriamanitra io anefa ny vahoaka. Efa nataon’ i Jesosy indrindra ny asa, izay nambaran’ ny faminaniana mialoha fa hataon’ ny Mesia; nefa tsy mbola hitany ny asa izay nantenainy hataon’ i Kristy izay hifanandrify amin’ ny sainy feno fitiavan-tena. Marina fa efa namahana vahoaka be indray mandeha tamin’ ny mofo vary hordea Kristy ; tamin’ ny andron’ i Mosesy dia nandritra ny efapolo taona no namahanana ny Isiraely tamin’ ny mana, nefa fitahiana be lavitra no nantenaina tamin’ ny Mesia. Tsy afa-po izy, ka velom-panontaniana hoe : Raha afaka nanao asa betsaka mahagaga tahaka izay efa natrehiny maso Jesosy, nahoana Izy no tsy ho afaka hanome fahasalamana, hery sy harena ho an’ ny olona rehetra, hanafaka azy amin’ ny mpampahory azy ka hanandratra azy ho amin’ ny fahefana sy ny voninahitra ? Kristy milaza fa Izy Ilay nirahin’ Andriamanitra, nefa mandà ny ho Mpanjakan’ Isiraely, dia zava-miafina tsy hainy takarina izany. Diso ny fandraisana io fandavany io. Betsaka no nihevitra fa tsy sahy manamafy ny fitakiany Izy satria Izy tenany aza misalasala ny maha-avy amin’ Andriamanitra ny asa nanirahana Azy. Tamin’ izany no nanokafany ny fony ho amin’ ny tsy finoana, ka nampitsimoka tao aminy ny voa izay efa nafafin’ i Satana, dia ny fandraisana diso ny teny sy ny fihemorana.IFM 405.2

    Somary naneso Azy ny raby iray ka nanontany hoe : «Inona ary no famantarana ataonao mba ho hitanay ka hinoanay Anao ? Inona moa no asa ataonao ? Ny razantsika nihinana ny mana tany an-efitra, araka ny voasoratra hoe : Mofo avy tany an-danitra no nomeny azy hohahiny» .IFM 405.3

    Noheverin’ ny Jiosy fa Mosesy no nanome azy ny mana ary dia notolorany haja izy, ka ny fiasana indray no nomeny voninahitra, koa dia very tsy teo imasony Ilay nahatanteraka ny asa. Nimono- monona tamin’ i Mosesy ny razana fahiny, ka nisalasala sy nandà ny asa nanirahan’ Andriamanitra azy. Ankehitriny dia io toe-tsaina io ihany no nentin’ ny taranany mitsipaka Ilay nitondra ny hafatr’ Andriamanitra ho azy. «Dia hoy Jehovah taminy : Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Tsy Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra». Nijoro teo anivon’ izy ireo Ilay nanoms ny mana. Kristy mihitsy no nitarika ny Hebreo namakivaky ny efitra, ary namelona azy isan’ andro tamin’ ny mofo avy tany an-danitra. Tandindon’ ny tena mofo avy any an-danitra ny hanina. Ny Fanahy manome aina, izay mikoriana avy amin’ ny fahafenoan’ Andriamanitra tsy misy fetra, no tena mana. Hoy Jesosy : «Fa ny mofon’ Andriamanitra dia Ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an’ izao tontolo izao».IFM 405.4

    Mbola noheveriny fa mofo ara-nofo no nambaran’ i Jesosy, ka nisy tamin’ ny mpihaino Azy niloa-bava hoe : «Tompo ô, omed anay mandrakariva izany mofo izany». Namaly mazava Jesosy ka nanao hoe : «Izaho no mofon’ aina».IFM 406.1

    Sary mahazatra ny Jiosy no nampiasain’ i Kristy. Nahazo tsindrimandry tamin’ ny Fanahy Masina i Mosesy nanao hoe : «Tsy mofo ihany no iveloman’ ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan’ i Jehovah no iveloman’ ny olona». Ary ny mpaminany Jeremia dia nanoratra hoe : «Hitako ny teninao ka nohaniko, ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan’ ny foko»5Doet. 8 : 3 ; Jer. 15 : 16. Ny raby koa aza dia nanana fomba fiteny milaza fa ny fihinanana ny mofo, amin’ ny dikany ara-panahy, dia fandinihana ny lalana sy fanaovana asa tsara ; ary nambara matetika fa raha ho avy ny Mesia, dia hovokisana Isiraely manontolo. Nampahazava ny lesona lalina ara-panahy raketin’ ny fahagagana momba ny mofo ny fampianaran’ ny mpaminany. Io lesona io no niezahan’ i Kristy naharihary tamin’ ny mpihaino Azy tao amin’ ny synagoga. Raha azony ny Soratra Masina, dia ho azony koa ny teniny rehefa nilaza Izy hoe : «Izaho no mofon’ aina». Ny andro talohan’ io, dia vao nofahanana tamin’ ny mofo nomeny ny vahoaka marobe, rehefa noana sy reraka. Tahaka ny nandraisany aina sy hery ara-batana tamin’ io mofo io, no ahazoany mandray koa hery ara-panahy hitondra fiainana mandrakizay avy amin’ i Kristy. «Izay manatona Ahy, hoy Izy, tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony». Nefa nampiany hoe : «Nahita Ahy hianareo, nefa tsy mino» ;.IFM 406.2

    Efa nahita an’ i Kristy izy tamin’ ny alalan’ ny vavolombelona nasehon’ ny Fanahy Masina, sy tamin’ ny alalan’ ny fanambarana nataon’ Andriamanitra tamin’ ny fanahy. Efa teo anatrehany isan’ andro isan’ andro ny porofo velona momba ny heriny, nefa mbola nangataka famantarana hafa indray izy. Raha nomena izany izy dia mbola nijanona tsy mino sahala amin’ ny teo aloha ihany. Raha tsy resy lahatra tamin’ izay efa hitany sy reny izy, dia tsy misy antony ny hanehoana aminy asa mahagaga kokoa indray. Ho hitany ho fialan-tsiny hisalasalana hatrany ny tsy finoana ka horoahin’ ny sainy ny porofo mazava indrindra.IFM 407.1

    Niantso ireo fo maditra ireo indray Kristy. «Izay manatona Ahy tsy mba holaviko mihitsy». Izay rehetra nandray Azy tamin’ ny finoana, hoy Izy, dia hahazo fiainana mandrakizay. Tsy misy na dia iray aza mety ho very. Tsy ilaina akory ny hiadin’ ny Fariseo sy ny Sadoseo hevitra momba ny fiainana ho avy. Tsy ilaina ny hitomanian’ ny olona very fanantenana sy ory indrindra ny maty eo aminy. «Fa izao no sitrapon’ ny Raiko, dia ny hahazoan’ izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay, ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany».IFM 407.2

    Tafintohina anefa ny mpitarika ny vahoaka, dia hoy ireo : «Tsy Ilehio va no Jesosy, Zanak’ i Josefa, Izay fantatsika ny rainy aman-dreniny ? Ahoana no dia anaovany ankehitriny hoe : Izaho nidina avy tany an-danitra ?» Niezaka ny hamohafoha ny hevitra nibahana tao an-tsainy izy tamin’ ny firesahana ny amin’ ny fira-zanana ambany niavian’ I Jesosy ka nanesoesoany Azy. Nataony fanarabiana ny fiainany amin’ ny maha-mpiasa Galileana Azy, sy ny fianakaviany izay mahantra sy ambany. Tsy mendrika ny hanintona ny sainy hoy izy. ny fitakian’ ity mpandrafitra tsy nahita fianarana ity. Ary ny amin’ ny fahaterahany mifono zava-miafina dia nanipy hevitra ny amin’ ny fototra niaviany mampisalasala azy Izy, ka nasehony tamin’ izany ho pentina eo amin’ ny tantarany ireo toe-javatra amin’ ny maha-olombelona teo amin’ ny naha-terahany.IFM 407.3

    Tsy niezaka ny hanazava ny zava-miafina mikasika ny nahaterahany Jesosy, na nanome valiny ny fanontaniana mikasika ny nidinany avy any an-danitra, toy ny tsy nanomezany valiny ny fanontaniana mikasika ny namakivakiany ny ranomasina. Tsy nanintona ny saina tamin’ ny fahagagana nampiavaka ny fiainany Izy. Niniany ny tsy hampisy laza ny tenany, fa naleony naka ny endriky ny mpanompo. Naneho ny toetra amam-panahiny anefa ny teniny sy ny asany. Izay rehetra nanana fo midanadana hohazavain’ Andriamanitra, dia nahita teo Aminy «Ilay Lahitokana avy tamin’ ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana»6Joana 1 : 14.IFM 407.4

    Lalina noho izay nasehon’ ny fanontaniana napetraky ny Fariseo ny hevitra nibahana tao an-tsainy; ny faharatsian’ ny fony no nahatonga izany. Ny teny rehetra sy ny fihetsik’ i Jesosy no nampirongatra fanoherana tao aminy ; satria tsy nentiny nahitana setriny tao amin’ ny Tompo ny toe-tsaina nankamamian’ izy ireo.IFM 408.1

    Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany. Voasoratra ao amin’ ny mpaminany hoe : «Ary izy rehetra dia hampianarin’ Andriamanitra. Izay rehetra mandre ka mianatra amin’ ny Ray no manatona Ahy». Tsy hisy hanatona mihitsy an’ i Kristy afa-tsy ireo izay manaiky ny fitiavan’ ny Ray. Mitarika ny fo rehetra ho Aminy Andriamanitra, ary izay manohitra ny fitarihany no handà tsy hanatona an’ i Kristy.IFM 408.2

    Ny teny hoe: «Izy rehetra dia hampianarin’ Andriamanitra», dia nalain’ i Jesosy tao amin’ ny faminanian’ Isaia : «Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’ i Jehovah, ka dia ho be fiadanana ny zanakao»7Isaia 54 : 13. Noraisin’ ny Jiosy ho an’ ny tenany io teny io. Reharehany tokoa izany hoe Andriamanitra no mampianatra azy. Nasehon’ i Jesosy anefa ny maha-zava-poana an’ io fihamboana io; fa hoy Izy : «izay rehetra mandre ka mianatra amin’ ny Ray no manatona Ahy». Amin’ ny alalan’ i Kristy ihany no ahazoany mandray fahalalana ny Ray. Tsy mahazaka ny voninahiny ny mahaolombelona. Ireo izay nianatra ny amin’ Andriamanitra dia efa nihaino ny feon’ ny Zanany ka nanaiky an’ i Jesosy avy any Nazareta ho Day nanambara ny Ray tamin’ ny alalan’ ny zavaboary sy ny fanambarana.IFM 408.3

    «Lazaiko aminao marina dia marina tokoa : Izay mino Ahy no manana ny fiainana mandrakizay». Tamin’ ny alalan’ i Jaona ilay malala, izay nihaino ireo teny ireo, no nanambaran’ ny Fanahy Masina tamin’ ny fiangonana hoe : «Ary izao no fanambarany : Fiainana mandrakizay no omen’ Andriamanitra antsika, ary ao amin’ ny Zanany izany fiainana izany»8. Ary hoy Jesosy : «Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany». Nanjary nofo iray tamintsika Kristy, mba hahatonga antsika ho iray Aminy. Noho ny herin’ io firaisana io no hivoahantsika avy amin’ ny fasana, — tsy ho fanehoana fotsiny ny herin’ i Kristy, fa satria hanjary fiainantsika ny fiainany, amin’ ny alalan’ ny finoana. Izay mahita an’ i Kristy ao amin’ ny toetra amam-panahiny marina, ka mandray Azy ao am-po, no manana ny fiainana mandrakizay. Amin’ ny alalan’ ny Fanahy no itoeran’ i Kristy ao amintsika; ary ny Fanahin’ Andriamanitra raisina ao am-po amin’ ny finoana, no fiantombohan’ ny fiainana mandrakizay.IFM 408.4

    Ny vahoaka dia nilaza tamin’ i Kristy ny amin’ ny mana nohanin’ ny razany tany an’ efitra, toy ny miteny Aminy fa ambony noho izay nataon’ i Kristy izany fahagagana izany ; nasehon’ ny Tompo kosa anefa fa maivana ihany iny fanomezana iny raha ampitahaina amin’ ireo fitahiana izay nahatongavan’ i Kristy hozaraina. Tsy nahazoana tohana afa-tsy ity fiainana eto an-tany ity io mana io ; tsy nanakana ny fahafatesana tsy hihatra io, na ahazoana antoka ny tsy hahafaty mandrakizay ; fa ny mofon’ ny lanitra kosa no hamelona ny fanahy ho amin’ ny fiainana mandrakizay. Hoy ny Mpamonjy : «Izaho no mofon’ aina. Ny razanareo nihinana ny mana tany an-efitra nefa maty ihany. Ity no mofo izay nidina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy, raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy». Nampian’ i Kristy sary hafa koa izany ka nambarany fa amin’ ny alalan’ ny fahafatesany ihany no ahazoany mizara fiainana amin’ ny olona; amin’ ireto teny manaraka ireto ihany dia tondroiny ho fitaovam-pamonjena ny fahafatesany. Hoy Izy : «Ary ny mofo izay nomeko dia ny nofoko ho fiainan’ izao tontolo izao».IFM 409.1

    Efa hankalaza ny Paska tany Jerosalema ny Jisoy, ho fahatsiarovana an’ ilay Alina nanafahana ny Isiraely, raha namely ny tokantranon’ ny Egyptiana ilay anjely mpandringana. Tian’ Andriamanitra ny ahitan’ izy ireo ny Zanak’ Andriamanitra eo amin’ ny zanak’ ondrin’ ny Paska, ary tiany ny handraisany Azy amin’ ny alalan’ ny tandindona dia Izy izay nanolotra ny ainy ho an’ izao tontolo izao. Ny tandindona no nanjary nataon’ ny Jiosy ho zavadehibe indrindra, nefa tsy nomarihiny ny dikany. Tsy hitany ny tenan’ ny Tompo. Ny fahamarinana izay naseho ara-tandindona tao amin’ ny fanompoam-pivavahana tamin’ ny Paska, dia nampianarina koa tao amin’ ny tenin’ i Kristy. Mbola tsy hitany ihany anefa ny hevitr’ izany rehetra izany.IFM 409.2

    Niloa-bava tamin-katezerana izao ny raby ka nanao hoe : «Hataon’ Ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika ?» Niseho ho tsy nahazo ny dikan’ ny teny tamin’ ny ara-bakiteny tahaka ny nataon’ i Nikodemosy izy, fony nanontany hoe : «Hataon’ ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe ?» 9Joana. 3 ; 4 Misy azony ihany ny dikan’ ny tenin’ i Jesosy, fa tsy ta-hanaiky izany izy. Ny fandikany vilana ny teniny no nanantenany fa hahatonga ny vahoaka hampibahana hevitra hanohitra Azy ao an-tsainy.IFM 410.1

    Tsy nanalefaka ny fanehoana ara-tandindona Azy Kristy. Naveriny ilay fahamarinana, saingy tamin’ ny teny henjana kokoa. «Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Raha tsy mihinana ny nofon’ ny Zanak’ olona sy misotro ny rany hianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay ; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany. Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy».IFM 410.2

    Ny mihinana ny nofo sy misotro ny ran’ i Kristy dia ny mandray Azy ho Mpamonjy ny tena manokana sy ny mino fa mamela ny fahotantsika Izy ary tanteraka ao Aminy isika, Ny fibanjinana ny fitiavany sy ny fitoerana amin’ izany, ny fisotroana ny rany, no hahatonga antsika ho mpiray amin’ ny fombany. Toy ny hanina mamelona ny tena, dia tsy maintsy ho toy izany koa Kristy ho an’ ny fanahy. Tsy mety mahasoa antsika ny hanina raha tsy hohanintsika, ka manjary momba ny tenantsika. Toy izany koa, tsy misy vidiny amintsika Kristy raha tsy fantatsika amin’ ny maha-Mpamonjy ny tenantsika manokana Azy. Tsy hitondra soa ho antsika ny fahalalana ara-tsaina fotsiny. Tsy maintsy hivelona Aminy isika. handray Azy ao am-po ka hanjary fiainantsika ny fiainany, tsy maintsy ho voarain’ ny tenantsika ny fitiavany sy ny fahasoavany.IFM 410.3

    Nefa na dia ireo sary ireo aza tsy afaka mampiseho ny tombontsoa sesehena eo amin’ ny fifandraisan’ ny mpino amin’ i Kristy. Hoy Jesosy : «Ary tahaka ny nanirahan’ ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin’ ny Ray, dia tahaka izany koa, izay mihinana Ahy no ho velona Amiko». Tahaka ny iveloman’ ny Zanak’ Andriamanitra amin’ ny finoana ny Ray no tokony hivelomantsika koa amin’ ny finoana an’ i Kristy. Nilefitra tamin’ ny fomba feno indrindra tamin’ ny sitrapon’ Andriamanitra Jesosy, ka ny Ray irery no niseho teo amin’ ny fiainany. Na dia nalaim-panahy tamin’ ny zavatra rehetra tahaka antsika aza Izy dia tsy voapentin’ ny ratsy izay nanodidina Azy. Toy izany no tokony handresentsika tahaka ny nandresen’ i Kristy koa.IFM 410.4

    Moa ve mpanaraka an’ i Kristy ianao ? Raha izany dia voasoratra ho anao izay rehetra voasoratra momba ny fiainana ara-panahy, ary mety ho tanteraka amin’ ny firaisan’ ny tenanao amin’ i Jesosy. Moa ve mihareraka ny hafanam-ponao ? Moa ve mihamangatsiaka ny fitiavanao voalohany ? Ekeo indray ny fitiavana atolotr’ i Kristy. Hano ny nofony, sotroy ny rany, dia hanjary ho iray amin’ ny Ray sy ny Zanaka ianao.IFM 411.1

    Tsy nino ireo Jiosy ka ninia tsy hahita afa-tsy ny lafiny tena ara-bakiteny tamin’ ny dikan’ ny tenin’ ny Mpamonjy. Ny lalàna momba ny fivavahana dia nanakana azy tsy hihinana ra, ary izao dia raisiny ho fitenenan-dratsy ny teny nataon’ i Kristy, ka nifanditra ny amin’ izany izy. Na dia teo amin’ ny mpianatra aza dia betsaka no nanao hoe : «Sarotra izany teny izany ; iza no mahahaino izany ?».IFM 411.2

    Namaly azy ny Mpamonjy hoe : «Mahatafintohina anareo va izany ? Mainka raha mahita ny Zanak’ olona miakatra ho any amin’ izay nitoerany taloha hianareo. Ny fanahy no mahavelona ; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana» .IFM 411.3

    Ny fiainan’ i Kristy, izay manome aina izao tontolo izao, no ao amin’ ny teniny. Tamin’ ny teniny no nanasitranan’ i Jesosy ny aretina sy namoahany damonia; tamin’ ny teniny no nampitoneny ny ranomasina sy nananganany ny maty ; ary ny vahoaka no vavolombelona fa nanan-kery ny teniny. Nilaza ny tenin’ Andriamanitra Izy, tahaka ny nitenenany tamin’ ny alalan’ ny mpaminany sy ny mpampianatra rehetra tao amin’ ny Testamenta Taloha. Fanehoana an’ i Kristy ny Baiboly manontolo, koa nirin’ ny Mpamonjy ny hampitoetra ny finoan’ ny mpanaraka Azy amin’ ny teny. Rehefa tsy hatrehin’ ny maso intsony Izy, dia tsy maintsy ho loharanon-kery ho azy ireo ny teny. Tahaka ny Tompony no hivelomany amin’ ny «teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra»10Matio. 4 : 4.IFM 411.4

    Tahaka ny fiainantsika ara-nofo tohanan’ ny hanina, dia toy izany koa ny fiainantsika ara-panahy tohanan’ ny tenin’ Andriamanitra. Ary ny fanahy rehetra dia tokony handray aina avy amin’ ny tenin’ Andriamanitra ho an’ ny tenany. Tahaka ny tsy maintsy hihinanantsika sakafo ho an’ ny tenantsika mba handraisantsika famelomana, dia toy izany koa no tsy maintsy handraisantsika ny teny ho an’ ny tenantsika. Tsy tokony ho raisintsika fotsiny amin’ ny alalan’ ny sain’ ny olona hafa izany. Tokony handinika akaiky ny Baiboly isika, ka hangataka ny fanampian’ ny Fanahy Masina amin’ Andriamanitra, mba hahazoantsika ny teniny. Tokony handray andininy iray isika, ka hafantoka eo ny saintsika amin’ ny alalan’ ny famakafakana ny fisainana izay nataon’ Andriamanitra ao amin’ io andininy io ho antsika. Tokony hitoetra eo amin’ io fisainana io isika mandra-pahatongan’ izany ho fisainantsika, ka ho fantatsika «izay lazain’ i Jehovah».IFM 412.1

    Izao no lazain’ i Jesosy amiko ao amin’ ny teny fikasany sy ny fampitandremana nataony. Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra an’ izao tontolo izao, nomeny ny Zananilahy tokana, mba tsy ho very aho amin’ ny finoako Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Tokony ho fanandramana ataoko ny fanandramana voalaza ao amin’ ny tenin’ Andriamanitra. Ny fivavahana sy ny teny fikasana, ny fitsipika sy ny fampitandremana, dia ahy. «Voahombo miaraka amin’ i Kristy amin’ ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ ny nofo, dia ivelomako amin’ ny finoana ny Zanak’ Andriamanitra Izay efa tia ahy, ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy» 11Gal. 2 : 20. Rehefa raisin’ ny finoana toy izany ny foto-kevitry ny fahamarinana ka voatsakotsakony dia manjary isan’ ny tena izany, sy hery manosika ao amin’ ny fiainana. Ny tenin’ Andriamanitra raisina ao amin’ ny fanahy, dia mamolavola ny fisainana ka miditra ao amin’ ny fampitomboana ny toetra amam-panahy.IFM 412.2

    Ny fibanjinana mandrakariva an’ i Jesosy amin’ ny mason’ ny finoana no hampahery antsika. Hanao ny fanambarana sarobidy indrindra Andriamanitra ho an’ ny vahoakany noana sy mangetaheta. Hahita izy fa Mpamonjy ny tenany manokana Kristy. Rehefa mivelona amin’ ny teniny izy, dia hitany fa fanahy sy aina izany. Mamono ny toetra ara-nofo araka izao tontolo izao ny teny, ary mizara aina vaovao ao amin’ i Kristy Jesosy. Tonga eo amin’ ny fanahy amin’ ny maha-Mpananatra azy ny Fanahy Masina. Noho ny fiasan’ ny fahasoavany manova, dia tafafindra eo amin’ ny mpianatra ny herin’ i Kristy; manjary olom-baovao izy. Maka ny toeran’ ny fankahalana ny fitiavana, ka mandray ny fitovizana amin’ Andria-manitra ny fo. Izany no atao hoe mivelona «amin’ ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra». Izany no mihinana ny Mofo izay nidina avy tany an-danitra.IFM 412.3

    Nilaza fahamarinana masina sy mandrakizay Kristy, mikasika ny fifandraisan’ ny tenany sy ny mpanaraka Azy. Fantany ny toetra amam-panahin’ ireo izay milaza ny tenany ho mpianany, ary misedra ny finoany ny teniny. Nambarany fa tokony hino sy hiasa araka ny teniny izy. Izay rehetra mandray Azy dia tokony ho mpiray amin’ ny toetrany, ka hitovy toetra Aminy. Izany dia mahafaoka ny famelana ny hambom-po nankamamiana. Mitaky fampileferana tanteraka ny tena amin’ i Jesosy izany. Nantsoina hahafoy tena isika, ho malemy fanahy sady tsy hiavona am-po. Tsy maintsy andehanana ny lalana ety izay nodiavin’ Ilay Lehilahin’ i Kalvary, raha te-hanana anjara amin’ ny fanomezan’ ny fiainana sy ny voninahitry ny lanitra.IFM 413.1

    Lehibe loatra ny fisedrana. Nihamangatsiaka ny firehetam-pon’ ireo izay nitady haka Azy an-keriny ka hanao Azy ho Mpanjaka. Nampihiratra ny masony, hoy ny nambarany, ity lahateny tao amin’ ny synagoga ity. Tsy voafitaka intsony izy izao. Ny tao an-tsain’ izy ireo dia fiaikena mivantana ny teniny fa tsy Izy no Mesia; fantany fa tsy hisy valisoa ara-nofo amin’ ny firaisana Aminy. Noraisiny tamim-pifaliana ny heriny nanao fahagagana; niriny mafy ny ho afaka amin’ ny aretina sy ny fijaliana; nefa tsy tiany ny hiray fo Aminy eo amin’ ny fiainany feno fahafoizan-tena. Tsy noraharahainy ny fanjakana ara-panahy mifono zava-miafina izay nolazainy. Tsy naniry Azy intsony ny tsy madio am-po, ny tia tena izay efa nitady Azy. Raha tsy hanokana ny fahefany sy ny hery miasa mangina avy Aminy mba hahazoana fahafahana amin’ ny Romana Izy, dia tsy tiany ny hifandray Aminy, na amin’ inona na amin’ inona.IFM 413.2

    Nolazain’ i Jesosy mazava tminy hoe «misy ny sasany aminareo izay tsy mino», sady nampiany hoe : «Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen’ ny Ray azy izany». Niriny ny hahazoan’ izy ireo tsara fa matoa tsy voatarika ho eo Aminy izy, dia satria tsy misokatra hiasan’ ny Fanahy Masiny ny fony. «Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ ny Fanahin’ Andriamanitra ; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny fanahy no hamantarana izany»121 Kor. 2 : 14. Amin’ ny alalan’ ny finoana no hibanjinan’ ny fanahy ny voninahitr’ i Jesosy. Miafina io voninahitra io mandra-pitsirin’ ny finoana ao amin’ ny fanahy, amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina.IFM 413.3

    Vao mainka nampihataka ireo mpianatra ireo tamin’ i Jesosy ny fanomezan-tsiny ampahibemaso ny finoany. Sosotra mafy izy ka naniry ny hanao teny maharary amin’ ny Mpamonjy, ary hanome fahafaham-po ny faharatsian’ ny Fariseo, noho izany dia ny lamosiny no natodiny taminy, ka niala izy sady nanamavo Azy. Nampiasa ny safidiny izy, dia ny endrika tsy misy fanahy, toa akofa tsy misy voa. Tsy niova intsony ny fanapahan-keviny taty aoriana ; tsy hiaramandeha amin’ i Jesosy intsony izy.IFM 414.1

    «Eny an-tànany ny fikororohany, ary Izy hanadio tsara ny eo am-pamoloany ka hanangona ny variny ho any an-tsompitra»13Matio 3 : 12. Iray tamin’ ny fotoana fanadiovana izany. Amin’ ny alalan’ ny tenin’ ny fahamarinana no ampisarahana ny vary amin’ ny akofa. Satria mirehareha loatra sy tia tena loatra izy ka tsy nandray teny fananarana, ary tia an’ izao tontolo izao loatra ka tsy hanaiky fiainana feno fanetren-tena koa, dia betsaka no niala tamin’ i Jesosy. Betsaka koa no mbola manao izany ankehitriny. Sedraina ny fanahy tsirairay avy tahaka ireo mpianatra tao amin’ ny Synagoga tany Kapernaomy. Rehefa raisiny hitoetra ao am-po ny fahamarinana, dia habaribariny fa tsy mifanaraka amin’ ny sitrapon’ Andriamanitra ny fiainany. Ho hitany fa mila fiovana tanteraka izy ; nefa tsy vonona ny handray ny asa feno fahafoizan-tena. Noho izany dia tezitra izy rehefa aseho ny fahotany. Tafintohina izy ka lasa, eny, tahaka ny nandaozan’ ny mpianatra an’ i Jesosy, sady mimonomonona hoe : «Sarotra izany teny izany, iza ho mahahaino izany ?»IFM 414.2

    Mety hahafinaritra ny sofiny ny fiderana sy ny fanasohasoana ; nefa tsy raisiny amim-pifaliana ny fahamarinana; tsy zakany ny mihaino izany. Rehefa nanaraka an’ i Jesosy ny vahoaka, ka nofahanana ireo olona marobe, ary re ny antsoantsom-pandresena, dia nasandrany mafy ny feo midera ; fa rehefa asehon’ ny Fanahin’ Andriamanitra kosa ny fahotana, ka mibaiko ny hialana amin’ izany dia ny lamosiny no natodiny ny fahamarinana, ary tsy miara-dia amin’ i Jesosy intsony izy.IFM 414.3

    Rehefa niala hanalavitra an’ i Kristy ireo mpianatra nihemotra ireo, dia fanahy hafa no nifehy azy. Tsy hitany intsony izay. endrika mahasarika teo amin’ Ilay nahaliana dia nahaliana azy teo aloha. Nizaha ny fahavalony izy, satria nifandrindra tamin’ ny sainy sy ny asany izy ireo. Nodisoin’ ireo ny teniny, nosandohany ny fanambarany, ary notsininy ny anton-javatra manosika Azy. Mba hanamarinany ny fihetsiny dia nangoniny ny vaovao rehetra azo ahodina hanohitra Azy; koa lehibe indrindra ny vokatr’ ireny tatitra diso ireny, hany ka notandindomin-doza ny ain’ i Jesosy.IFM 415.1

    Niparitaka haingana ny vaovao, fa tsy Mesia Jesosy avy any Nazareta araka ny fanambaran’ ny tenany mihitsy. Koa araka izany dia nihodina nanohitra Azy ny fizotry ny fihetseham-pon’ ny besinimaro tany Galilia, tahaka ny tany Jodia, herintaona talohan’ izao. Indrisy ry Isiraely ! Nitsipaka ny Mpamonjy azy izy, satria izay niriny mafy dia mpandresy hanome azy fahefana ara-nofo. Naniry ny hanina mety simba izy, fa tsy ilay maharitra mandritra ny fiainana mandrakizay.IFM 415.2

    Nalahelo mafy ny fon’ i Jesosy, raha nahita ireo efa mpianany niala taminy, Izy izay Fiainana sy Fahazavan’ ny olona. Nameno ny fony tamin’ ny fahoriana tsy hay lazaina ny fahatsapany mazava fa tsy nankasitrahana ny fangorahany, tsy misy setriny ny fitiavany, tsy noraharahaina ny famindram-pony, notsipahina ny famonjeny. Ny toe-javatra toy izany no nahatonga Azy ho Lehilahy ory sady zatra ny fahoriana.IFM 415.3

    Tsy nanandrana ny hanakana ireo izay nandao Azy Jesosy, fa nitodika teny amin’ ny roa ambin’ ny folo lahy Izy ka niteny hoe : «Hianareo koa va mba te-hiala ?»IFM 415.4

    Namaly ny fanontaniana i Petera ka nanao hoe : «Hankany amin’ iza moa izahay ? Hianao no manana ny tenin’ ny fiainana mandrakizay», hoy ny nanampiny. «Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra velona».IFM 415.5

    «Ho any amin’ iza moa izahay ?» Andevon’ ny fombafomba ivelany ny mpampianatr’ Isiraely. Nifanditra mandrakariva ny Fariseo sy ny Sadoseo. Ny mandao an’ i Jesosy dia mahatonga azy ho latsaka ao anivon’ ireo fatra-panaraka ny fombafombam-pivavahana, sy eo amin’ ny olona be hambom-po tsy nitady afa-tsy ny voninahitry ny tenany. Nahita fiadanana sy fifaliana betsaka ny mpianatra hatr’ izay nanekeny an’ i Kristy ho ambony indrindra tao amin’ ny fiainany tany aloha rehetra. Ahoana no ahazoanay miverina any amin’ ireo izay nanamavo sy nanenjika Ilay Sakaizan’ ny mpanota ? Efa nibanjina ela ny fiavian’ ny Mesia izy; tonga Izy izao, ka tsy azony atao ny hiodina tsy ho eo anatrehany ka ho any amin’ izay mihaza ny ain’ ny Mesia, sy nanenjika azy ireo noho izy ireo tonga mpanaraka Azy.IFM 415.6

    «Hankany amin’ iza moa izahay ?» Tsy ny hiala amin’ ny fampianaran’ i Kristy avy amin’ ny lesona nataony feno fitiavana sy famindrampo, ka ho eo amin’ ny haizin’ ny tsy finoana, ny haratsiampanàhin’ izao tontolo izao. Raha nandao ny Mpamonjy ny olona maro izay nanatri-maso ny asa mahagaga nataony, dia nampiseho ny finoan’ ny mpianatra kosa i Petera nanao hoe : — «Hianao no Kristy». Ny fiheverana fotsiny fa tsy ho azony ifikirana intsony io vatofantsiky ny fanahiny io dia mameno tahotra sy fahoriana azy. Ny tsy manana Mpamonjy no ho voatarika hivily ho any amin’ ny ranomasina maizina sy misamboaravoara.IFM 416.1

    Betsaka ny tenin’ i Jesosy sy ny fihetsiny no toa mifono zavamiafina ho an’ ny saina voafetra, nefa ny teny rehetra sy ny fihetsika rehetra dia manana zava-kendrena voafaritra eo amin’ ny asa fanavotana antsika ; samy voakendry hanana ny vokany avy ireny. Raha afaka mahafantatra ny zava-nokendren’ i Jesosy isika, dia ho hita fa zava-dehibe, feno ary mifandrindra amin’ ny asa nanirahana azy ny zavatra rehetra.IFM 416.2

    Raha tsy azontsika ankehitriny ny asa sy ny lalàn’ Andriamanitra, dia mety ho fantatsika kosa ny fitiavany lehibe izay fototry ny fifandraisany rehetra amin’ ny olona. Izay velona eo akaikin’ i Jesosy no hahatakatra betsaka ny amin’ ny zava-miafin’ ny toepanahy araka an’ Andriamanitra. Ho fantany ny famindrampo izay mitondra fananarana ka misedra ny toetra amam-panahy, ary mitondra ny fikasan’ ny fo ho eo amin’ ny mazava.IFM 416.3

    Tamin’ ny fanehoan’ i Jesosy ny fahamarinana natao ho fisedrana, izay nampiverin’ ilalana ny betsaka tamin’ ny mpianany dia fantany tsara izay ho vokatry ny teniny, nefa notohizany ihany ny fikasany hamindra fo aminy. Hitany mialoha fa amin’ ny oran’ ny fakam-panahiny dia hosedraina mafy ny mpianany malala tsirairay. Ny ady hihatra aman’ aina hatrehiny ao Getsemane, ny hamadihana Azy sy ny hanomboana Azy eo amin’ ny hazo fijaliana no fizahan-toetra mahamay indrindra ho azy ireo. Raha tsy misy fisedrana nomena mialoha, dia ho betsaka no ho nanaraka Azy noho ny fitiavan-tena fotsiny. Rehefa nohelohina tao amin’ ny efitra fitsarana ny Tompony, ka nampahory Azy tamin’ ny fanarabiana ny vahoaka marobe izay vao avy niarahaba Azy ho Mpanjakany, rehefa niantsoantso ny vahoaka hanakora Azy hoe: «Homboy!» - rehefa diso fanantenana ny hambom-pony araka izao tontolo izao satria mitady tombon-tsoa ho an’ ny tenany izy ireo, dia nitondra alahelo mangidy sy enta-mavesatra teo amin’ ny fony ny mpianatra, ho fanampin’ ny fahorian’ izy ireo sy ny fahadisoam-panantenany tamin’ ny naharavan’ ny fanantenany mamy indrindra. Tamin’ io ora maizina io no mety hahavoatarika azy ireo hiala amin’ ny Tompo, toy ireo efa nihodina niala taminy. Navelan’ i Jesosy hihatra anefa io zava-tsarotra io, tamin’ ny fotoana izay nahazoan’ ny fanatrehan’ ny tenany hampahery ny fìnoan’ ireo tena mpanaraka Azy marina.IFM 416.4

    Mpamonjy be fangorahana indrindra Izy ka nanalefaka tamimpitiavana ny lalana hodiavin’ ny mpianany, hampiomanany azy ho amin’ ny fitsapana fara-tampony, ka nampahery azy ho amin’ ny fisedrana farany, na dia fantany tanteraka aza ny fiafarana mahatsiravina miandry Azy.IFM 417.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents