Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 44—Ny tena famantarana

    «Ary Jesosy niala indray tamin’ ny sisin-tanin’ i Tyro, dia namaky an’ i Sidona sy ny tanin’ i Dekapolisy ka nankany amoron’ ny ranomasin’ i Galilia»1Mifototra amin’ ny Mat 15 : 29-39 ; 16 : 1-12/ Mar. 7 : 31-37 ;8 : 1-21.IFM 431.1

    Tao amin’ ny faritr’ i Dekapolisy no nanasitranana ny demoniaka tany Gadarena. Tao ny vahoaka no nanery an’ i Jesosy hiala taminy, rehefa taitra noho ny faharinganan’ ny kisoa. Efa nihaino ny mpitondra hafatra navelan’ i Jesosy anefa izy ireo, ka nifoha ny faniriana hahita Azy. Raha niverina ho amin’ io faritany io Izy, dia nisy vahoaka nitangorona nanodidina Azy, ary nisy marenina sady raiki-dela nentiny tany Aminy. Tsy nositranin’ i Jesosy araka ny fombany tamin’ ny alalan’ ny teny fotsiny ralehilahy. Nentiny nitanila niala teo amin’ ny vahoaka izy, dia nangarona ny sofiny tamin’ ny rantsan-tanany Izy, ary nanendry ny lelany, niandrandra ny lanitra. ary nisento nieritreritra ny sofina izay tsy hisokatra handre ny fahamarinana, ny lela izay mandà ny hanaiky ny Mpanavotra. Rehefa niteny Izy hoe : «Maladia», dia tafaverina ny fahaizany miteny, ary tsy noheveriny ny baiko natao taminy tsy hilaza na amin’ iza na amin’ iza, fa nambarany tany ivelany ny tantaran’ ny nanasitranana azy.IFM 431.2

    Niakatra ho any an-tendrombohitra Jesosy, ary teo dia nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, nitondra ny marary sy ny mandringa, ka napetrany teo an-tongony. Nositraniny avokoa izy rehetra; koa na dia jentilisa aza ireo olona ireo, dia nankalaza an’ Andriamanitry ny Isiraely. Nandritra ny telo andro dia nitohy nitangorona teo amin’ ny Mpamonjy izy, natory teny an-kalamanjana tamin’ ny alina, ary mandritra ny andro dia nifanizina noho ny fahazotoany hihaino ny tenin’ i Kristy, sy hahita ny asany. Rehefa lasa ny telo andro dia lany ny sakafo. Tsy tian’ i Jesosy ny hampody azy noana, koa nantsoiny ny mpianany hanome sakafo azy. Nasehon’ ny mpianatra indray ny tsy finoany. Efa hitany tany Betesda ny nanaovana ny tahiriny kely ho ampy hamokisana ny vahoaka, niaraka tamin’ ny fitahian’ i Kristy ; natoky ny hery izay hampitombo izany ho an’ ny vahoaka noana izy, kanefa tsy nentiny izay rehetra tao aminy. Ankoatr’ izany, ireo izay nofahanany tany Betesda dia Jiosy, fa ireto kosa dia jentilisa sy mpanompo sampy. Mbola natanjaka sy nibahana tao am-pon’ ny mpianatra ny hevitry ny Jiosy, ka hoy ny navaliny an’ i Jesosy : «Aiza no hahazoana mofo atỳ an-efitra hahavoky ireto olona ireto ?» Nankatò ny teniny anefa izy ka nentiny teo Aminy izay nananany, — dia mofo fito sy hazandrano roa. Voky ny vahoaka ; nisy sombintsombiny sisa tsy lany fito sobika. Efatra arivo lahy, afa-tsy ny zaza amam-behivavy no nahazo sakafo tamin’ izany, dia nampodin’ i Jesosy ireo ary feno fifaliana sy fankasitrahana ny fony.IFM 431.3

    Avy eo dia niondrana an-tsambokely Izy mbamin’ ny mpianany ka namakivaky ny farihy ho any amin’ ny sisin-tanin’ i Magadana, tany atsimon’ ny tendron’ ny lohasahan’ i Genesareta. Teo amin’ ny sisin-tanin’ i Tyro sy Sidona dia velombelona ny fanahiny noho ny fahatokiana nasehon’ ilay vehivavy Syro-Foinikiana Azy. Efa nandray azy tamim-pifaliana ny vahoaka jentilisa tany Dekapolisy. Raha tafaverina tany Galilia kosa Izy, izay nisehoan’ ny heriny tamin’ ny fomba mampitolagaga sy nanaovany ny ankamaroan’ ny asam-pamindrampony ary nanaovana fampianarana be indrindra, dia nifanehatra tamin’ ny tsy finoana feno fanazimbazimbana.IFM 432.1

    Nisy Fariseo vitsivitsy niaraka tamin’ ny solontenan’ ny Sadoseo manankarena sy miavonavona, dia ny antokon’ ny mpisorona, ny misalasala amin’ ny zavatra rehetra ary ny olona ambony tao amin’ ny firenena. Mpifahavalo nasiaka ireo antokon’ olona ireo. Eo an-daniny ny Sadoseo dia nitady ny tombom-pitian’ ny manampahefana nifehy mba hitazonany ny toerany sy ny fahefany. Ny Fariseo kosa, etsy an-kilany, namelona ny fankahalany ny vahoaka Romana, ka naniry mafy ny ahazoany mitsipaka ny ziogan’ ny nandresy azy. Nefa niray hina izao ny Fariseo sy ny Sadoseo hanohitra an’ i Kristy. Mifampitady ny mitovy. ary na aiza na aiza no misy ny ratsy, dia miray amin’ ny ratsy izy handringanana ny tsara.IFM 432.2

    Tonga nanatona an’ i Kristy izao ny Fariseo sy ny Sadoseo, nangataka famantarana avy any an-danitra. Tamin’ ny andron’ i Josoa dia nandeha niady tamin’ ny Kananita tany Beti-horona ny Isiraely, ka nijanona ny masoandro noho ny baikon’ ny mpitarika mandra-pahazoana ny fandresena; betsaka koa ny fahagagana toy izany naseho teo amin’ ny tantarany. Famantarana mitovy amin’ izany no nangatahina tamin’ i Jesosy. Tsy ireny famantarana ireny anefa no nilain’ ny Jiosy. Tsy mety hitondra soa ho azy ny porofo ivelany fotsiny. Tsy fanazavana ara-tsaina no nilainy, fa fanavaozana ara-panahy.IFM 433.1

    «Ry mpihatsaravelatsihy», hoy Jesosy, fantatrareo ny hamantatra ny tarehin’ ny lanitra — ny fandinihanareo ny lanitra no ahazoanareo mahafantatra ny andro, — «fa ny famantarana ny fotoana dia tsy hainareo !» Ny teny nataon’ ny tenan’ i Kristy, nolazaina tamin’ ny herin’ ny Fanahy Masina, no nampiaiky azy ny fahotany. Ireo no famantarana nomen’ Andriamanitra ho amin’ ny famonjena azy. Ary efa nomena ny famantarana mivantana avy any an-danitra mba hanamarinana ny asa nanirahana an’ i Kristy. Ny hiran’ ny anjely tamin’ ny mpiandry ondry, ny kintana nitarika ny magy, ny voromailala sy ny feo avy tany an-danitra tamin’ ny batisany, ireo dia vavolombelona ho Azy.IFM 433.2

    «Ary nisento mafy am-panahy Jesosy, ka nanao hoe : Nahoana ity taranaka ity no mitady famantarana ?» «Tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’ i Jona ihany». Tahaka ny nitoeran’ i Jona hateloan’ andro sy hateloan’ alina tao an-kibon’ ny hazandrano lehibe no hitoeran’ i Kristy koa amin’ ny fotoana toy izany «ao anatin’ ny tany». Ary toy ny maha-famantarana ny fitorian’ i Jona ho an’ ny Ninivita, dia toy izany koa no mahafamantarana ny fitorian’ i Kristy amin’ ny taranaka misy Azy. Manao ahoana anefa ny fahasamihafan’ ny fandraisana ny teny ! Nangovitra ny mponina tao amin’ ilay tanàna lehibe jeritilisa raha nandre ny fampitandremana avy amin’ Andriamanitra. Nanetry tena ny mpanjaka sy ny andriana; niara-nitomany tamin’ ny Andriamanitry ny lanitra ny ambony sy ny ambany, ka nomena famindrampo izy. «Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin’ ity taranaka ity amin’ ny andro fitsarana ka hanameloka azy ; fa nibebaka izy tamin’ ny nitorian’ i Jona teny, nefa, indro, misy lehibe noho i Jona eto»2Matio 12 ; 40, 41.IFM 433.3

    Ny fahagagana rehetra nataon’ i Kristy dia famantarana ny maha-Andriamanitra Azy. Ny asa nambara mialoha fa hataon’ ny Mesia indrindra no nataony; ho an’ ny Fariseo anefa dia tena fanafintohinana mazava ireny asam-pamindrampo ireny. Tsy niraika sady tsy nangoraka ny mpitarika Jiosy nijery ny fahorian’ ny olombelona. Ny fitiavan-tenany sy ny fampahoriana nataony matetika no nahatonga fijaliana izay nositranin’ i Kristy. Koa noho izany dia fanomezan-tsiny ho azy ireo ny fahagagana nataony.IFM 434.1

    Izay nitarika ny Jiosy handà ny asan’ ny Mpamonjy, dia ny porofo ambony indrindra ny amin’ ny toetra ara-panahiny araka an’ Andriamanitra. Mampiharihary ny tena hevitr’ ireny famantarana ireny ny fikendreny ny soa ho an’ ny olombelona. Ny porofo lehibe indrindra ny maha-avy amin’ Andriamanitra Azy dia ny fiainany manambara ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra. Ny asan’ Andriamanitra no nataony ary ny tenin’ Andriamanitra no nolazainy. Ny fiainana toy izany no lehibe indrindra amin’ ny fahagagana rehetra.IFM 434.2

    Rehefa aseho amin’ ny androntsika ny hafatry ny fahamarinana, dia betsaka no tahaka ny Jiosy, miantsoantso hoe : «Hanehoy famantarana izahay. Manaova fahagagána ho anay». Tsy nanao fahagagana Kristy rehefa nangataka ny Fariseo. Tsy nanao fahagagana Izy tany an’ efitra ho valin’ ny fisalasalana natsidik’ i Satana. Tsy mizara hery ho antsika Izy mba hiderantsika tena na hanomezana fahafaham-po ny fitakian’ ny tsy finoana sy ny avonavona. Tsy hoe tsy misy famantarana ny maha-avy amin’ Andriamanitra azy tsy akory ny Filazantsara. Tsy fahagagana ve no ahazoantsika manapaka ny fanandevozan’ i Satana ? Tsy araka ny fon’ olombelona ny fandrafiana an’ i Satana; volena amin’ ny alalan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra izany. Rehefa misy olona iray nofehezin’ ny sitrapo kirina, diso lalana, nefa afaka ka milefitra amin’ ny fony manontolo amin’ ny fitarihan’ ny anjelin’ ny lanitra, dia fahagagana no vita; toy izany koa rehefa nisy olona teo ambanin’ ny fitaka mahery vaika, no manjary mahazo ny fahamarinana ara-panahy. Isaka ny misy fanahy voaova fo, ka mianatra ny ho tia an’ Andriamanitra ary mitandrina ny didiny, dia tanteraka ny teny fikasan’ Andriamanitra manao hoe : «Ary homeko fo vaovao hianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo»3Ezekaila 36 : 26.IFM 434.3

    Ny fanavaozana ao amin’ ny fon’ ny olombelona, ny fiovan’ ny toetra amam-panahin’ ny olombelona, dia fahagagana izay manambara Mpamonjy velona mandrakizay, miasa mba hamonjy fanahy. Fahagagana lehibe ny fiainana mifanaraka amin’ i Kristy. Amin’ ny fitoriana ny tenin’ Andriamanitra, ny famantarana izay tokony hiseho ankehitriny sy mandrakariva, dia ny fanatrehan’ ny Fanahy Masina no hahatonga ny teny ho hery manavao ho an’ izay mihaino. Io no vavolombelona ataon’ Andriamanitra eo anatrehan’ izao tontolo izao ny amin’ ny maha-avy amin’ Andriamanitra ny asa nanirahana ny Zanany.IFM 434.4

    Ireo izay naniry famantarana avy amin’ i Jesosy dia efa nanamafy indrindra ny fony tao amin’ ny tsy finoany ka tsy hitany teo amin’ ny toetra amam-panahiny ny fitoviana amin’ Andriamanitra. Tsy tiany ho hita fa fahatanterahan’ ny Soratra Masina ny asa nanirahana Azy. Hoy Jesosy tamin’ ny Fariseo tao amin’ ny fanoharana momba an’ ilay lehilahy manan-karena sy Lazarosy : «Raha tsy mihaino an’ i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hino izy, na dia misy mitsangana amin’ ny maty aza»4Lioka 16 : 31. Tsy misy famantarana avy any an-danitra na eto an-tany mety hahasoa azy.IFM 435.1

    «Nisento mafy am-panahy» Jesosy ary niala tamin’ ireo an-tokon’ ny mpaninitsiny Izy, ka niverina tao an-tsambokely niaraka tamin’ ny mpianany. Nangina sy nalahelo izy ireo nita indray ny farihy. Tsy niverina tany amin’ ny toerana vao nilaozany anefa Izy, fa nizotra ny diany nanitsy an’ i Betesda, teo akaikin’ ny toerana namahanana ny dimy arivo lahy. Rehefa tonga teny am-pita, dia hoy Jesosy : «Mihevera, ka mitandrema hianareo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo sy ny Sadoseo». Efa zatra ny manala ny masirasira tsy ho eo an-tranony amin’ ny fotoanan’ ny Paska ny Jiosy hatramin’ ny andron’ i Mosesy, koa nampianarina araka izany izy hihevitra ny masirasira ho tandindon’ ny fahotana. Tsy azon’ ny mpianatra anefa ny tenin’ i Jesosy. Raha niala tampoka tao Magadana izy, dia hadinony ny naka mofo, koa mofo iray ihany no teny aminy. Io toe-javatra io no nolazain’ i Kristy araka ny fahazoany azy, ka nananarany azy tsy hividy mofo amin’ ny Fariseo sy ny Sadoseo. Matetika no nitarika azy teo amin’ ny fandraisana diso ny teniny ny fahabangan’ ny finoana sy ny tsy fananany fahitana ara-panahy. Manome tsiny Jesosy ankehitriny noho izy mihevitra fa, Ilay namahana olona an’ arivony amin’ ny hazandrano vitsy sy ny mofo vary Hordea dia tsy hiteny afa-tsy ny momba ny sakafo ara-nofo fotsiny ihany, amin’ izao fampitandremana miezinezina izao. Nisy loza nananontanona dia ny hiasan’ ny masira- sira amin’ ny tsy finoana eo amin’ ny mpianatra noho ny hevitra tsara lahatra sy fetsy ataon’ ny Fariseo sy ny Sadoseo, ka hahatonga azy hihevitra ny asan’ i Kristy amin’ ny fomba maivamaivana.IFM 435.2

    Nirona ny hino ny mpianatra fa hanaiky ny fangatahana famantarana avy any an-danitra ny Tompony. Nino izy fa afaka hanao izany tanteraka Izy, ary hampangina ny fahavalony ny famantarana toy izany. Tsy hitany ny fihatsarambelatsihin’ ireo mpaninitsiny ireo.IFM 436.1

    Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia namerina indray io fampianarana io Jesosy «raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa ka nifanitsaka». «Dia niteny tamin’ ny mpianany aloha Izy ka nanao hoe : Mitandrema hianareo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo, dia ny fihatsarambelatsihy»5Lio. 12 : 1.IFM 436.2

    Tsy hita maso ny fiasan’ ny masirasira atao amin’ ny koba, ka manova ny vongana manontolo ho tahaka azy. Toy izany koa, raha avela hisy ao am-po ny fihatsarambelatsihy, dia mameno ny toetra amam-panahy sy ny fiainana. Ohatra iray manaitra ny amin’ ny fihatsarambelatsihin’ ny Fariseo, dia efa nomen’ i Kristy tsiny tamin’ ny niampangany ny fomba fanao «korbano», izay manafina ny fanaovana an-tsirambina ny adidin’ ny zanaka, ka saronana fihamboana ho fahalalahan-tanana ho an’ ny tempoly. Nanatsofoka foto-kevitra mamitaka ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo. Nafeniny ny tena fironan’ ny fampianarany, ary nohararaotiny ny fotoana rehetra mba hampidirana ireo amin-kafetsena ao an-tsain’ ny mpihaino azy. Raha vantany vao ekena ireo foto-kevitra diso ireo, dia miasa tahaka ny masirasira ao amin’ ny koba izany, ka mamonto sy manova ny toetra amam-panahy. Io fampianarana mamitaka io no nahamafy indrindra ho an’ ny vahoaka ny mandray ny tenin’ i Kristy.IFM 436.3

    Mbola miasa ihany ankehitriny ireo hery mangina ireo, amin’ ny alalan’ ireo izay miezaka ny hanazava ny lalàn’ Andriamanitra amin’ ny fomba izay hampifandrindra izany amin’ ny fomba amampanaony Tsy mamely ankarihary ny lalàna io antoko io, nefa lahakevitra novolavolain’ ny saina izay manapotika azy hatrany amin’ ny fotony no harangarangany. Mila hanala ny heriny rehetra mihitsy ny fomba fanazavany.IFM 436.4

    Vokatry ny fitadiavana ny tombon-tsoan’ ny «izaho» ny fihatsarambelatsihin’ ny Fariseo. Zava-kendreny tamin’ ny fiainany ny fanomezam-boninahitra ny tenany. Izany no nitarika azy hanadino ny Soratra Masina sy handiso ny fampiasa azy, ka nahajamba azy teo amin’ ny zava-kendren’ ny asa nanirahana an’ i Kristy. Na dia ny mpianatr’ i Kristy aza dia notandindomin-doza hankamamy io hevi-dratsy saro-pantarina io. Izay mametraka ny tenany ho anisan’ ny mpanaraka an’ i Kristy, nefa tsy mahafoy ny zavatra rehetra mba ho tonga mpianany, dia niasan’ ny fomba fihevitry ny Fariseo betsaka tamin’ ny fomba mangina. Niroanahana matetika izy teo anelanelan’ ny finoana sy ny tsy finoana, ka tsy hitany ny haren’ ny fahendrena miafina ao amin’ i Kristy. Na dia ny mpianatra aza, izay efa nahafoy ny zavatra rehetra ho an’ i Kristy raha ny fijery azy etỳ ivelany, na dia ireo aza dia tsy nijanona ny hikatsaka zava-dehibe ho an’ ny tenany tao am-pony. Io toe-tsaina io no nahatonga fifandirana ny amin’ izay ho lehibe indrindra. Io no nanelanelana azy ireo tamin’ i Kristy, ka nahatonga azy ireo ho tsy niray fo firy tamin’ ny asa feno fahafoizan-tena nanirahana Azy, ho votsa saina indrindra ka tsy hahazo ny zava-miafin’ ny fanavotana. Toy ny masirasira izay hahatonga fahalovana sy fahasimbana raha avela hanatanteraka ny asany, dia toy izany koa ny toe-tsaina mitady ny tombon-tsoan’ ny «izaho», raha ankamamiana dia hiasa ka handoto sy hamono ny fanahy.IFM 437.1

    Eo anivon’ ny mpanaraka ny Tompontsika ankehitriny, tahaka ny fahiny, dia manao ahoana ny fiparitak’ io fahotana saro-pantarina sy mamitaka io. Impiry ny fanompoantsika an’ i Kristy, ny fifandraisantsika samy isika no voaloton’ ny faniriana miafina hanandratra ny «izaho», sy ny faniriantsika mafy hoderain’ ny olombelona. Ny fitiavana ny «izaho», ny faniriana fomba mora kokoa noho izay notendren’ Andriamanitra no mitarika ho amin’ ny fanoloana ny fitsipik’ Andriamanitra, ho amin’ ny hevitra noforonin’ ny olombelona sy ny lovan-tsofina. Nataon’ i Kristy ho an’ ny mpianany ny teny fampitandremana hoe : «Mihevera, ka mitandrema hianareo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo».IFM 437.2

    Fahadiovam-po ny fivavahan’ i Kristy. Ny firehetam-po ho an’ ny voninahitr’ Andriamanitra no anton-javatra novolen’ ny Fanahy Masina ; ary ny tena asan’ ny Fanahy ihany no afaka hamboly io anton-javatra manosika io. Ny herin’ Andriamanitra ihany no afaka mandroaka ny fitadiavana ny tombon-tsoan’ ny «izaho» sy ny fihatsarambelatsihy. Io fiovana io no mariky ny asany. Rehefa mamono ny fitiavan-tena sy ny fizahozahoana ny finoana, rehefa mitarika antsika ny voninahitr’ Andriamanitra fa tsy ny an’ ny tenantsika, dia fantatsika fa ara-dalàna ny zavatra rehetra. «Ray Ô, mankalazà ny anaranao» 6Joana. 12: 28, izany no feo hirindran’ ny fiainan’ i Kristy, ary raha manaraka Azy isika, dia izany koa no feo hirindran’ ny fiainantsika. Mibaiko antsika Izy «handeha toy izay nandehanany koa» ; «ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny» 71 Joana 2 : 6, 3.IFM 437.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents