Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 45—Ny aloky ny hazo fijaliana

    Efa akaiky hifarana ny asan’ i Kristy teto an-tany. Nivelatra teo anatrehany, sy nisoritra mazava ireo toe-javatra izay nizoran’ ny diany. Na dia talohan’ ny nandraisany ny maha-olombelona Azy aza, dia hitany ny halavan’ ny lalana tsy maintsy halehany mba hamonjeny izay very1Mifototra amin’ ny Mat. 16 : 13-28 ; Mar. 8 : 27-38 ; Lio. 9 : 18-27. Ny fanaintainana rehetra izay nandrotika ny fony, ny fitenenan-dratsy rehetra natonta teo amin’ ny lohany, ny fihafiana rehetra izay niantsoana Azy hiaretany dia nivelatra teo anatrehany talohan’ ny nanesorany ny satroboninahiny niala teo amin’ ny seza fiandrianana nampitafy ny maha-olombelona amin’ ny maha-Andriamanitra. Teo imasony avokoa ny lalana avy tamin’ ny fihinanam-bilona ka hatrany Kalvary. Fantany ny tebiteby ho tonga Aminy, fantany izany rehetra izany anefa hoy Izy hoe : «Inty Aho tonga — ao amin’ ny horonam-boky no nanoratana Ahy — ny hanao ny sitraponao Andriamanitra ò no sitrako, ary ny lalànao no ato anatiko» 2Sal. 40 : 7, 8.IFM 439.1

    Hitany teo anatrehany mandrakariva ny vokatry ny asa nanirahana Azy. Ny fiainany teto an-tany, izay feno asa mafy sy fahafoizan-tena, dia nohamaivanin’ ny fijaliana, avy amin’ ny fitazanany fa tsy ho very maina ny asany. Amin’ ny fanomezany ny fiainany ho fiainan’ ny olona, dia haveriny ho mahatoky eo amin’ Andriamanitra izao tontolo izao. Na dia tsy maintsy horaisina aza ny batisan’ ny rà, na dia mavesatra loatra eo amin’ ny fanahiny tsy manan-tsiny aza ny fahotan’ izao tontolo izao, na dia nanindry Azy aza ny aloky ny fahoriana tsy hay lazaina noho ny fijaliana izay voatokana ho Azy, dia nifidy ny hiaritra ny hazo fijaliana Izy ka nataony tsinontsinona ny henatra.IFM 439.2

    Mbola nafenina tamin’ ireo mpiara-dia nofidiny teo amin’ ny asany ny toe-javatra izay nivelatra teo anatrehany ; efa akaiky anefa ny fotoana izay tsy maintsy hibanjinan’ izy ireo ny ady mihatra aman’ aina hatrehiny. Tsy maintsy hahita Ilay efa tiany sy nitokisany izy, atolotra eo am-pelatanan’ ny fahavalony, any hahantona eo amin’ ny hazo fijalian’ i Kalvary. Vetivety dia tsy maintsy hilaozany hiatrika an’ izao tontolo izao izy ireo, ary tsy hahazo fampaherezana avy amin’ ny fanatrehany hita maso. Fantany ny ngidin’ ny fankahalana sy ny tsy finoana izay hanenjika azy, ka niriny ny hanomana azy amin’ ny fisedrana azy.IFM 440.1

    Tonga teo amin’ ny tanàna anankiray amin’ ny faritanin’ i Kaisaria-filipo Jesosy sy ny mpianany. Nihoatra ny faritr’ i Galilia izy ireo, dia tamin’ ny toerana izay nanjakan’ ny fanompoan-tsampy. Teo amin’ io toerana io dia afaka tamin’ ny herin’ ny fivavahana Jiosy izay nifehy azy ny mpianatra ka nifandray akaiky kokoa tamin’ ny fombam-pivavahana mpanompo sampy. Nanodidina azy dia nahitana endriky ny finoanoam-poana izay nisy tamin’ ny faritra rehetra teo amin’ izao tontolo izao. Nirin’ i Jesosy hitarika azy hahatsapa ny andraikiny amin’ ny mpanompo sampy ny fahitana ireo zavatra ireo. Nandritra ny nitoerany teo amin’ io faritra io, dia niezaka ny tsy hampianatra ny vahoaka araka izay azony atao mihitsy Izy, mba hahazoany manokan-tena bebe kokoa ho an’ ny mpianany.IFM 440.2

    Efa nilaza tamin’ izy ireo ny momba ny fahoriana izay miandry Azy Izy. Nefa nandeha nitokana aloha Izy ka nivavaka mba ho voaomana ny fony handray ny teniny. Rehefa niverina teo aminy Izy, dia tsy nambarany avy hatrany izay tiany hozaraina taminy. Alohan’ ny hanaovany izany, dia nomeny fotoana ahazoany manambara ny finoany Azy Izy mba hahazoana mampahery azy amin’ ny fitsapana izay ho avy. Hoy Izy nanontany Azy : «Ataon’ ny olona ho iza moa ny Zanak’ olona ?»IFM 440.3

    Tamin’ alahelo no tsy maintsy naneken’ ny mpianatra fa tsy mahalala ny Mesiany ny Isiraely. Marina anefa fa nisy sasany tamin» izy ireo, raha nahita ny fahagagana nataony no niantso Azy hoe zanak’ i Davida. Ary ireny olona novokisany tany Betesda ireny aza dia te-hanosotra Azy ho mpanjakan’ Isiraely. Betsaka no vonona ny handray Azy ho mpaminany, nefa tsy nino Azy ho Mesia.IFM 440.4

    Napetrak’ i Kristy izao ny fanontaniana faharoa izay mikasika ny mpianatra mihitsy : «Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza ?» Namaly Petera hoe : «Ianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra velona».IFM 441.1

    Hatramin’ ny voalohany i Petera no efa nino fa Jesosy no Mesia. Olona maro hafa izay efa resy lahatra tamin’ ny fitoriana nataon’ i Jaona Mpanao batisa, ka nanaiky an’ i Kristy no nanomboka nisalasala ny momba ny asa nanirahana an’ i Jaona, rehefa hitany fa natao antranomaizina sy novonoina ho faty izy ; nisalasala koa izy ireo fa Jesosy no Ilay Mesia izay nandrandrainy hatry ny ela. Betsaka tamin’ ny mpianatra no naniry mafy an’ i Jesosy haka ny toerany eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida, ka nandao Azy rehefa hitany fa tsy nanana izany fikasana izany Izy. Petera sy ny namany kosa tsy niala tamin’ izay efa nekeny. Tsy namono ny finoan’ ny tena mpanaraka ny Mpamonjy ny fihazohazoan’ izay nankalaza omaly nefa manameloka androany. Hoy i Petera : «Ianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra velona». Tsy niandry ny hajan’ ny mpanjaka ho satroboninahitry ny Tompony izy, fa nanaiky Azy tao amin’ ny fanetren-tenany.IFM 441.2

    Nanambara ny finoan’ ny roa ambin’ ny folo lahy i Petera. Mbola lavitra ny hahazo ny dikan’ ny asa nanirahana an’ i Kristy anefa ny mpianatra. Ny fanoherana avy amin’ ny mpisorona sy ny mpanapaka, sy ny fanehoana diso nataon’ izy ireo, dia mbola nahavery hevitra azy betsaka, na tsy afaka nampiodina azy hiala amin’ i Kristy aza izany. Tsy hitany mazava ny lalany. Ny hery miasa mangina avy amin’ ny fitaizana fahakely, ny fampianaran’ ny raby, ny herin’ ny lovan-tsofina, ireo rehetra ireo dia nisakana azy tsy hahita ny fahamarinana. Indraindray dia nisy tara-pahazavana sarobidy avy amin’ i Jesosy nanazava azy, nefa matetika izy no tahaka ny olona miraparapa ao amin’ ny aloka. Tamjn’ io andro io anefa, talohan’ ny nanatrehany ny fitsapana lehibe ny finoany, dia nitoetra taminkery taminy ny Fanahy Masina. Nandritra ny fotoana fohy dia nihodina niala tsy ho eo amin’ ny «hita» ny masony, ka nibanjina «ny tsy hita» 32 Kor. 4 : 18. Hitany tao ambanin’ ny endriky ny maha-olombelona ny voninahitry ny Zanak’ Andriamanitra.IFM 441.3

    Namaly an’ i Petera Jesosy ka nanao hoe : «Sambatra ianao, ry Simona Bar-jona, fa tsy nofo aman-dra no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra».IFM 441.4

    Ny fahamarinana izay neken’ i Petera, no fototra iorenan’ ny finoan’ ny mpino. Izany mihitsy no nambaran’ i Kristy, fa ny fahamarinana no fiainana mandrakizay . Ny fananana io fahalalana io anefa dia tsy antony hideran-tena. Tsy tamin’ ny alalan’ ny fahendrena na ny fahatsaram-panahin’ ny tsirairay no nanambarana izany tamin’ i Petera. Ny maha olombelona samirery dia tsy. afaka mahatratra mihitsy ny fahalalana momba an’ Andriamanitra. «Avo tahaka ny lanitra izany ! ka inona no hainao atao ? Lalina noho ny fiainantsi-hita ! ka inona no fantatrao ?» 4Joba 11:8 Ny fanahin’ ny zanaka natsangana ihany no afaka manambara amintsika ny zava-dalina momba an’ Andriamanitra, izay «tsy mbola hitan’ ny maso ary tsy mbola ren’ ny sofina, na niditra tao am-pon’ ny olona». «Dia isika no nanambaran’ Andriamanitra izany tamin’ ny Fanahy, fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an’ Andriamanitra aza» 5I Kor. 2:9, 10.. «Ny fisainan’ i Jehovah asehony amin’ izay matahotra Azy» ; koa ny nahitan’ i Petera ny voninahitr’ i Kristy no porofo mazava fa efa «nampianarin’ Andriamanitra» izy 6Sal. 25 : 14 ; Jao. 6 : 45. Eny, marina tokoa, «Sambatra ianao ry Simona Bar-jona, fa tsy nofo aman-drà no naneho anao izany».IFM 442.1

    Notohizan’ i Jesosy hoe : «Ary Izaho milaza aminao koa : Ianao no Petera, ary ambonin’ ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako ; ary ny vavahadin’ ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy. Ny teny hóe Petera dia midika hoe vatokely, vato mikodiadia. Tsy i Petera no vatolampy nanorenana ny fiangonana. Naharesy azy tokoa ny vavahadin’ ny fiainan-tsi-hita rehefa nandà ny Tompony izy tamin’ ny fiozonana sy ny fianianana. Teo amin’ Ilay tsy resin’ ny vavahadin’ ny fiainan-tsi-hita no nanorenana ny fiangonana.IFM 442.2

    Taonjato maro talohan’ ny niavian’ ny Mpamonjy, dia efa nanondro Ilay Vatolampin’ ny Isiraely i Mosesy. Nihira Ilay Vatolampy mafy ny mpanao Salamo. Efa nanoratra Isaia hoe : «Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo ; Indro, Izaho no efa nametraka vato ao Ziona, dia vato voazaha toetra, vato tsara izay fehizoro voaorina ho fanorenana mafy» 7Deo. 32 : 4 Sal. 62 : 8 ; Isa. 28 : 16. Na dia i Petera aza, rehefa nahazo tsindrimandry, dia nampihatra io faminaniana io tamin’ i Jesosy. Hoy izy : «raha tahiny manandrana ianareo fa tsara ny Tompo, izay hatoninareo toy ny vato velona, nolavin’ ny olona fa voafidin’ Andriamanitra sady soa», ka dia atsangana koa ianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy»8IPet. 2:3-5.IFM 442.3

    Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa, afa-tsy izay natao dia Jesosy Kristy»91 Kor. 3 : 11. «Amin’ ity vatolampy ity, hoy Jesosy, no hanorenako ny fiangonako». Teo anatrehan’ Andriamanitra, sy ny herin’ ny lanitra rehetra, teo anatrehan’ ny tafiky ny helo tsy hita maso, no nanorenan’ i Kristy ny fiangonany teo amin’ Ilay Vatolampy velona. Izy no vatolampy, — ny tenany novakiana sy notorotoroina ho antsika. Ny vavahadin’ ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy ny fiangonana miorina amin’ io fanorenana io.IFM 443.1

    Toa mbola narefo ny fiangonana raha nanambara ireo teny ireo Kristy. Tsy nisy afa-tsy mpino isaina amin’ ny rantsan-tanana no nifoteran’ ny herin’ ny demonia rehetra sy ny herin’ ny olona ratsy fanahy rehetra ; tsy tokony hatahotra anefa ny mpanaraka an’ i Kristy. Miorina eo amin’ Ilay Vatolampin’ ny heriny izy ka tsy ho resy.IFM 443.2

    Nandritra ny enina arivo taona dia niorina teo amin’ i Kristy ny finoana. Nandritra ny arivo taona dia namely Ilay Vatolampin’ ny famonjena antsika ny ranobe manafotra sy ny rivo-dozan’ ny fahatezeran’ i Satana ; nefa nijoro tsy azo nohozongozonina izy.IFM 443.3

    Nanambara ny fahamarinana izay iorenan’ ny finoan’ ny fiangonana i Petera, ary koa nomen’ i Jesosy voninahitra izy izao amin’ ny maha-solontenan’ ny mpino rehetra azy.IFM 443.4

    Hoy Izy : omeko anao ny fanalahidin’ ny fanjakan’ ny lanitra ; ka na inona na inona fehezinao ety ambonin’ ny tany dia hofehezinao any an-danitra ; ary na inona na inona vahanao ety ambonin’ ny tany dia hovahana any an-danitra».IFM 443.5

    Ny tenin’ i Kristy no «fanalahidin’ ny fanjakan’ hy lanitra». Teniny ny tenin’ ny Soratra Masina rehetra ary voafaoka ao anatin’ io fomba fitenenana io. Manan-kery hanokatra sy hanidy ny lanitra ireny teny ireny. Manambara ny fepetra handraisana sy handavana ny olona izany. Amin’ izany dia hanitry ny fiainana ho amin’ ny fiainana na hanitry ny fahafatesana ho amin’ ny fahafatesana ny asan’ ireo izay mitory ny tenin’ Andriamanitra. Vesaran’ ny vokatra maharitra mandrakizay ny asa nampanaovina azy ireo.IFM 443.6

    Tsy nankinin’ ny Mpamonjy tamin’ i Petera manokana ny asan’ ny Filazantsara. Tatỳ aoriana, raha namerina ny teny izay nolazaina tamin’ i Petera Izy dia nampihariny mivantana tamin’ ny fiangonana izany. Ny votoatin’ izany koa dia nambara tamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy amin’ ny maha solontenan’ ny mpino azy. Raha efa nanolotra fahefana manokana na toy inona na toy inona tamin’ ny anankiray amin’ ny mpianany mihoatra noho ny hafa Jesosy, dia tsy hahita azy ireo mifanditra matetika isika momba izay ho lehibe indrindra. Ho nilefitra teo amin’ ny sitrapon’ ny Tompony izy ka hanaja izay anankiray nofidiny.IFM 443.7

    Tsy nanendry iray ho lohany Kristy fa hoy Izy tamin’ ny mpianany : «Aza mba mety hatao hoe : Raby ô ; ary aza mba mety hatao hoe mpitarika ianareo ; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy»10Mat. 23:8,10.IFM 444.1

    Kristy no lohan’ ny olona rehetra. «Andriamanitra, Izay nametraka ny zavatra rehetra ho eo ambanin’ ny tongotry ny Mpamonjy», no «nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an’ ny fiangonana, izay tenany dia ny fahafenoan’ Izay nameno izao zavatra rehetra izao amin’ ny rehetra» 11I Kor. 11 : 3 ; Efes. 1 : 22, 23. Mitsangana eo amin’ i Kristy amin’ ny maha-lohany Azy izy. Tsy tokony hiankina amin’ olona izy, na hofehezin’ olona. Betsaka no milaza fa ny toerana ambony misy azy ao am-piangonana dia manome azy fahefana handidy ny olona ny amin’ izay hinoany sy hataony. Tsy ankasitrahan’ Andriamanitra ny fihamboana toy izany. Hoy ny Mpamonjy : «Mpirahalahy avokoa hianareo rehetra». Samy iharan’ ny fakampanahy avokoa, ary samy mety ho diso. Tsy afaka hiankina amin’ ny olona voafetra isika hitarika antsika. Ny vatolampin’ ny finoana no fanatrehana velon’ i Kristy ao amin’ ny fiangonana. Tokony hiankina amin’ izany ny malemy indrindra ary izay mihevitra ny tenany ho matanjaka indrindra dia ho hita fa malemy indrindra, raha tsy manao an’ i Kristy ho fahombiazany. «Ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny». Jehovah no «Vatolampy, tanteraka ny asany». «Sambatra izay rehetra mialoka Aminy» 12Jer. 17 : 5 ; Deo.32 : 4 ; Sal. 2 : 12.IFM 444.2

    Taorian’ ny fanekem-pinoana nataon’ i Petera, dia noraran’ i Jesosy ny mpianany tsy hilaza amin’ olona akory fa Izy no Kristy. Natao io fandrarana io noho ny fanoheran’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo. Ankoatr’ izany, ny vahoaka, ary na dia ny mpianatra aza, dia nanana fiheveran-diso indrindra ny amin’ ny Mesia, hany ka ny fanambarana ampahibemaso Azy ho Mesia dia tsy hanome azy ireo ny fihevitra marina ny amin’ ny toetra amam-panahiny na ny asany. Fa isan’ andro isan’ andro no nisehoany taminy ny amin’ ny maha-Mpamonjy Azy ary toy izany no niriny hanomezana azy ireo ny tena fiheverana marina momba Azy ny amin’ ny mahaMesia Azy.IFM 444.3

    Mbola nanantena an’ i Kristy hanjaka amin’ ny maha-Andrian-dahy ara-nofo ny mpianatra. Na dia nafeniny ela taminy aza ny fikasany, dia nino izy ireo fa tsy hijanona ho mahantra sy ao amin’ ny haizina mandrakariva Izy ; akaiky ny fotoana izay hananganany ny fanjakany. Na dia tsy ho resy mihitsy aza ny fankahalan’ ny mpisorona sy ny raby. ary tsy maintsy hotsipahan’ ny fireneny Kristy ka hohelohiny toy ny mpamitaka sy homboina toy ny olon-dratsy eo amin’ ny hazo fijaliana, dia mbola tsy niditra tao an-tsain’ ireo mpianatra ireo velively izany eritreritra izany. Nanatona anefa ny ora hisehoan’ ny herin’ ny maizina, ka tsy maintsy hovelarin’ i Jesosy amin’ ny mpianany ny tolona teo anatrehany. Nalahelo Izy raha nanao antsaina mialoha an’ io fisedrana io.IFM 445.1

    Hatramin’ izay dia nialany ny hampahafantatra azy ireo, na inona na inona,. momba ny ho fahoriany sy ny ho fahafatesany. Tamin’ ny resaka nataony tamin’ i Nikodemosy dia hoy Izy hoe : «Tahaka ny nanandratan’ i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’ olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy» 13Jao. 14, 15. Tsy nahare izany anefa ny mpianatra, ary raha reny aza, tsy ho azony. Ankehitriny anefa efa niaraka tamin’ i Jesosy izy, nihaino ny teniny, nahita ny asany, hany ka na dia teo aza ny manodidina azy tsotra dia tsotra, sy ny fanoheran’ ny mpisorona sy ny vahoaka, dia azony natao ny niray feo tamin’ ny teny vavolombelona nataon’ i Petera hoe : «Ianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra velona». Tonga izao ny fotoana izay hanalana sarona ny ho avy. «Hatramin’ io fotoana io no nanombohan’ i Jesosy nampiseho tamin’ ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalian’ ny loholona sy ny lohan’ ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina any, ary hatsangana amin’ ny andro fahatelo.IFM 445.2

    Nihaino ny mpianatra sady sina noho ny alahelo sy ny hagagana. Efa noraisin’ i Kristy ny faneken’ i Petera Azy ho Zanak’ Andriamanitra ; ary ankehitriny toa tsy azo heverina ny teny manondro ny fahoriany sy ny fahafatesany. Tsy afaka nangina i Petera. Nofikiriny ny Tompony, tahaka ny hosintoniny hiverina tsy ho eo amin’ ny loza mananontanona Azy, ka niloa-bava izy hoe : «Sanatria aminao izany, Tompoko ! Tsy ho aminao tokoa izany».IFM 445.3

    Tia ny Tompo i Petera ; nefa tsy nankasitrahan’ i Jesosy ny fanehoany toy izany ny faniriany hiaro Azy amin’ ny fijaliana. Tsy ho fanampiana na ho fampiononana ho an’ i Jesosy eo amin’ ny fitsapana lehibe manoloana Azy ny tenin’ i Petera. Tsy nifandrindra tamin’ ny fikasan’ Andriamanitra momba ny fahasoavana atolony ho an’ izao tontolo izao very izany, na nifandrindra tamin’ ny leson’ ny fahafoizan-tena izay nahatongavan’ i Jesosy hampianarina tamin’ ny alalan’ ny ohatra nomeny. Tsy nirin’ i Petera ny hahita hazo fijaliana teo amin’ ny asan’ i Kristy. Ny vokatry ny teny nataony dia nanohitra mivantana izay tian’ i Kristy hatao amin’ ny sain’ ny mpanaraka Azy, koa voatosika ny Mpamonjy hamoaka ny fanomezantsiny henjana indrindra tsy mbola nivoaka ny vavany : «Mankanesa ato ivohoko, ry Satana, fahatafintohinana amiko hianao, satria tsy misaina izay an’ Andriamanitra hianao, fa izay an’ ny olona» .IFM 446.1

    Niezaka ny hanakivy an’ i Jesosy i Satana ka hampiodina Azy hiala amin’ ny asa nanirahana Azy ; ary teo amin’ ny fitiavana jamban’ i Petera no nanome feo ny fakam-panahy. Ny andrianan’ ny ratsy no nampiditra taminy io eritreritra io. Tao ambadik’ io antso nanosika azy tampoka io ny fitaoman’ i Satana. Tany an-efitra dia natolotr’ i Satana an’ i Kristy ny fanapahana an’ izao tontolo izao raha miala amin’ ny lalan’ ny fanetren-tena sy ny fahafoizan-tena Izy. Ankehitriny dia io fakam-panahy io indray no entiny eo amin’ ilay mpianatr’ i Kristy. Nitady izay hampifantoka ny fijerin’ i Petera amin’ ny voninahitra ara-nofo izy, mba tsy hibanjinany ny hazo fijaliana izay tian’ i Jesosy itodihan’ ny masony. Koa tamin’ ny alalan’ i Petera i Satana no nanesika indray tamin’ i Jesosy io fakam-panahy io. Tsy noraharahain’ ny Mpamonjy anefa izany. Ilay mpianany no nalehan’ ny sainy. Nisalovana nanelanelana an’ ny Tompo sy Petera i Satana mba tsy ho voatohin’ ny fahitana ny fanetren-tena ataon’ i Kristy ho azy ny fony. Tsy ho an’ i Petera no nanaovan’ i Kristy ny teniny fa ho an’ ilay niezaka ny hampisaraka ity mpianatra amin’ ny Mpanavotra Azy. «Mandehana any ivohoko ry Satana». Aza mankeo anelanelan’ ny mpanompoko diso lalana sy Izaho intsony. Avelao Aho hifanatrika amin’ i Petera, mba hanehoako aminy. ny zava-miafin’ ny fitiavako.IFM 446.2

    Lesona mangidy ho an’ i Petera izany, ary lesona tsy hainy raha tsy miadana, dia ny hoe mandalo ady mihatra aman’ aina sy fanetren-tena ny lalan’ i Kristy eto an-tany. Nitakemotra ilay mpianatra tsy hiaraka amin’ ny Tompony ao amin’ ny fahoriana. Tao amin’ ny lafaoro mirehitra afo midedadeda anefa no tsy maintsy nianarany ny fitahiana avy amin’ io. Ela tatỳ aoriana, rehefa niondrika noho ny vesatry ny taona sy ny asa mafy ny tenany navitrika, dia nanoratra izy hoe : «Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany ; fa araka ny iombonanareo fijaliana amin’ i Kristy dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin’ ny fisehoan’ ny voninahiny koa» 141 Pet. 4 : 12, 13.IFM 446.3

    Nohazavain’ i Jesosy tamin’ ny mpianany izao fa ohatra ny amin’ izay tokony ho fiainany, ny fiainany izay nanafoanany ny tenany. Nantsoiny nanodidina Azy niaraka tamin’ ny mpianany ny olona izay nijanona teo akaikiny teo, ka hoy Izy : «Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany, ka hanaraka Ahy». Nampifandraisina tamin’ ny fahefan’ i Roma ny hazo fijaliana. Fitaovana fampijaliana feno habibiana indrindra izany sy endriky ny fahafatesana mahamenatra indrindra. Ny mpanao heloka be vava indrindra no nasandratra hitondra hazo fijaliana ho eo amin’ ny toerana hamonoana azy ; ary matetika, rehefa hapetraka eo amin’ ny sorony izany, dia manohitra amin’ ny herisetra faran’ izay tratrany izy, mandra-paharesy azy, ka voafatotra amin’ ilay fitaovana fampijaliana. Nibaiko ny mpianany anefa Jesosy handray ny hazo fijaliana ka hitondra izany manaraka Azy. Ho an’ ny mpianatra ireo teny ireo. Na dia nanjavozavo aza ny fahazoany azy, dia nanondro ny fileferany amin’ ny fanetren-tena mangidy indrindra, — dia fileferana ho an’ i Kristy na dia hatramin’ ny fahafatesana aza. Tsy misy fampileferana ny «izaho» feno kokoa azon’ ny tenin’ ny Mpamonjy naseho an-tsary eto. Nekeny ho azy ireo anefa izany rehetra izany. Tsy noheverin’ i Jesosy ho toerana maha-te-hitoetra ny lanitra raha mbola very isika. Nilaozany ny lapan’ ny lanitra ka natakalony fiainana feno fanomezan-tsiny sy fitenenan-dratsy Azy, ary fahafatesana mahamenatra. Ilay nanan-karena, nanana ny haren-tsy hita lanin’ ny lanitra, dia nanjary mahantra mba hampanan-karena antsika ny fahantrany. Tokony handeha eo amin’ ny lalana izay nodiaviny isika.IFM 447.1

    Ny fitiavana ny fanahy izay nahafatesan’ i Kristy dia midika ho fanomboana ny «izaho» amin’ ny hazo fijaliana. Izay zanak’ Andriamanitra dia tokony hihevitra ny tenany, ho masomby eo amin’ ny rojo nampidinina hamonjy an’ izao tontolo izao, ho iray amin’ i Kristy eo amin’ ny drafitry ny famindrampo nataony, ka handeha miaraka Aminy hitady sy hamonjy ny very. Tokony hahatsapa mandrakariva ny kristiana fa nanokan-tena ho an’ Andriamanitra izy, tokony haneho an’ i Kristy amin’ izao tontolo izao eo amin’ ny toetra amam-panahiny. Ny fahafoizan-tena, ny firaisam-po, ny fitiavana naseho teo amin’ ny fiainan’ i Kristy, dia tokony hiseho indray eo amin’ ny fiainan’ ny mpiasa ho an’ Andriamanitra.IFM 447.2

    «Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy ; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny Amiko, dia hahazo izany». Fahafatesana ny fitiavan-tena. Tsy misy taova ao amin’ ny tena afaka ho velona, raha mametra ny asany ho azy samirery. Raha tsy mandefa ny rà mitondra aina ho amin’ ny tanana sy ny loha ny fo, dia ho very vetivety ny heriny. Tahaka ny rantsika mitondra aina, ny fitiavan’ i Kristy izay miparitaka manerana ny tenany mifono zava-miafina dia ny fiangonana. Mpikambana ao amintsika samy isika isika koa ho faty ny fanahy izay mandà ny hizara amin’ ny hafa. Ary «inona moa no soa azon’ olona, hoy Jesosy, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny fanahiny ?»IFM 448.1

    Any ankoatry ny fahantrana sy ny fanetren-tenany ankehitriny dia nanondro ny fiaviany amim-boninahitra tamin’ ny mpianany Izy, tsy eo amin’ ny famirapiratan’ ny seza fiandrianana ara-nofo, fa amin’ ny voninahitr’ Andriamanitra sy ny tafiky ny lanitra. Koa hoy Izy hoe : «hamaly ny olona rehetra araka ny nataony Izy». Mba hampaherezana azy dia nanome teny fikasana Izy hoe : «Lazaiko aminareo marina tokoa : Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak’ olona avy amin’ ny fanja-kany». Tsy azon’ ny mpianatra anefa ny teniny. Toa lavitra dia lavitra ny voninahitra. Nifantoka tamin’ ny zavatra akaiky kokoa ny masony, dia ny fiainana ara-nofo ao anatin’ ny fahantrana, ny fanetren-tena sy ny fijaliana. Tsy maintsy hafoiny ve ilay fanantenany mamirapiratra momba ny fanjakan’ ny Mesia ? Tsy hahita ny Tompony hasandratra eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida ve izy ? Mety hisy ve izany fiainan’ i Kristy toy ny an’ ny mpirenireny mahantra, tsy manana trano, ka hamavoina, holavina, ary hovonoina ho faty ? Nanindry ny fon’ izy ireo ny alahelony ilay Tompo malalany. Nandreraka ny sainy koa ny fisalasalana, satria toa tsy takatry ny saina izany Zanak’ Andriamanitra iharan’ ny habibiana sy ny fahafaham-baraka. Nanontany ny antony handehanany ho any Jerosalema izy hisetra ireo toe-javatra izay efa nambarany fa hihatra Aminy ao. Ahoana no hanekeny anjara toy izany, ka hamelany azy ao amin’ ny haizina mikitroka noho ny haizina izay efa nisy azy talohan’ ny nahalalany Azy ?IFM 448.2

    Tao amin’ ny faritr’ i Kaisaria-filipo, dia tsy ho tratran’ ny fahefan’ i Heroda sy Kaiafa Kristy, hoy ny fiheveran’ ny mpianatra. Tsy nisy na inona na inona natahorany tamin’ ny fankahalan’ ny Jiosy na taminny fahefan’ ny Romana. Nahoana no tsy niasa tao, izay toerana lavitry ny Fariseo ? Nahoana no hanolo-tena ny ho faty Izy ? Raha ho faty Izy, ahoana no hahamafy orina izany fanjakany izany ka tsy haharesy azy ny vavahadin’ ny fiainan-tsi-hita ? Ho an’ ny mpianatra dia tena zava-miafina izany.IFM 449.1

    Ankehitriny aza dia nandeha nanaraka ny morontsirak’ i Galilia izy ireo ho any amin’ ilay tanàna izay hanapotika ny fanantenany rehetra. Tsy sahy namaly an’ i Kristy izy, fa nifampiresaka moramora, tamin’ ny feo feno alahelo, mikasika izay ho endriky ny ho avy. Na dia tao anatin’ izany fanaintainana izay nipetraka izany aza, dia namikirany ihany ny fiheverany fa hisy toe-javatra tsy ampoizina izay mety hanodina ny fiafarana mahatsiravina izay toa miandry ny Tompony. Nalahelo sy nisalasala toy izany izy, ary nanantena sy natahotra, nandritra ny andro enina lavabe sy nanjombona.IFM 449.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents