Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 52—Ilay Mpiandry ondry tsara indrindra

    «Izaho no Mpiandry tsara ; ny mpiandry tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry». «Izaho no Mpiandry Tsara ; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho, dia tahaka ny ahafantaran’ ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray ; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry»1Mifototra amin’ny Joa 10 : 1-30.IFM 513.1

    Nahita lalana indray Jesosy ahatrarany ny sain’ ny mpihaino Azy tamin’ ny fanarahana ny zavatra mifandray nahazatra azy ireo. Nampitahainy tamin’ ny rano mangatsiaka mamelombelona. ny hery miasa mangina avy amin’ ny Fanahy. Efa nasehony ho toy ny fahazavana ny tenany, dia loharanon’ aina sy fifaliana ho an’ ny zavaboary sy ho an’ ny olona. Izao indray dia asehony amin’ ny alalan’ ny sary kanton’ ny any an-tsaha, ny fifandraisany amin’ izay mino Azy. Tsy nisy sary nahazatra kokoa ny mpihaino Azy noho izany, ary ny tenin’ i Kristy dia mamatotra izany ho mandrakizay amin’ ny tenany. Na oviana na oviana ny mpianatra no mijery mpiandry ondry mikarakara ny andian’ ondriny, dia mahatsiaro ny lesona nataon’ ny Mpamonjy izy. Hahitany an’ i Kristy ny mpiandry ondry mahatoky rehetra. Hahitany ny tenany ny ondry tsirairay tsy manan-kery sady tsy mahavita tena.IFM 513.2

    Io sary io dia efa nampiharin’ ny mpaminany Isaia tamin’ ny asa nanirahana ny Mesia, tao amin’ ny teny fampiononana hoe : «Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ò, miakara any antendrombohitra avo ; ry Jerosalema, izay mitondra teny soa mahafaly ô, asandrato mafy ny feonao, asandrato fa aza matahotra ; lazao amin’ ny tanànan’ i Joda hoe : Indro Andriamanitrareo. Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy ; ny sandriny no hanangonany ny zanak’ ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny»2Isa.40 :9-11. Hoy ny hiran’ i Davida : «Jehovah no Mpiandry ahy ; tsy hanan-java-mahory aho». Ary izao no nambaran’ ny Fanahy Masina tamin’ ny alalan’ i Ezekiela : «Ary hanangana Mpiandry iray ho azy Aho, Izy no hiandry azy ; ny very hotadiaviko, ny voaroaka hampodiko, ny folaka hohamarako, ny malemy hatanjahiko». «Ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho». «Ary tsy ho babon’ ny jentilisa intsony izy . . . fa handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra azy»3Ezek. 34 : 23, 16, 25, 28.IFM 513.3

    Nampiharin’ i Kristy tamin’ ny tenany ireo teny ireo, ary nasehony ny fahasamihafan’ ny toetra amam-panahin’ ny tenany sy ny an’ ireo mpitarika tao amin’ Isiraely. Vao nandroaka ondry iray avy tao amin’ ny vaia ny Fariseo, satria sahy nijoro ho vavolombelon’ ny herin’ i Kristy io. Nosarahiny ny fanahy iray izay notarihin’ Ilay tena Mpiandry ondry teo Aminy. Tamin’ izany dia nasehon’ izy ireo fa tsy nahalala ny asa nankinina taminy izy, ka tsy mendrika ny fitokisana azy ho mpiandry ny ondry. Nasehon’ i Jesosy teo anatrehany izao ny fahasamihafan’ izy ireo sy ny Mpiandry tsara, ka manondro ny tenany Izy ho ilay tena mpiandry ny ondrin’ i Jehovah. Talohan’ ny nanaovany izany anefa, dia nanambara ny tenany tamin’ ny sary hafa Izy.IFM 514.1

    Hoy Izy : «Izay tsy miditra amin’ ny vavahady ho amin’ ny valan’ ondry, fa mananika ny fefy, dia mpangalatra sy jiolahy. Fa izay miditra amin’ ny vavahady no mpiandry ondry». Tsy azon’ ny Fariseo fa natao mba hanoherana azy ireo teny ireo. Raha nihevitra tao am-pony izay dikan’ izany izy, dia nambaran’ i Jesosy mazava taminy hoe : «Izaho no vavahady ; raha Izaho no hidiran’ ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina. Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana ; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be».IFM 514.2

    Kristy no vavahadin’ ny andian’ ondrin’ Andriamanitra. Teo amin’ io vavahady io, no nahitan’ ny zanany rehetra lalana idirana hatramin’ ny taloha indrindra. Tao amin’ i Jesosy, nasehon’ ny sary, araka ny aloky ny tandindona, nahariharin’ ny fanambarana nataon’ ny mpaminany, nalana sarona teo amin’ ny lesona nomena ny mpianatra, ary teo amin’ ny fahagagana notanterahina ho an’ ny zanak’ olombelona, teo amin’ i Kristy no nibanjinany ny «Zanak’ ondrin’ Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao»4Jao. 1 : 29, ary tamin’ ny alalany dia nentina tao anatin’ ny valan’ ny fahasoavana izy. Betsaka no tonga nitondra zavatra hafa tao amin’ ny finoan’ izao tontolo izao, nisy fanompoam-pivavahana sy ny fombam-pivavahana novolavolaina izay antenain’ ny olona handraisana fanamarinana sy fihavanana amin’ Andriamanitra ary hahitana lalana idirana ao amin’ ny valany. Nefa Kristy no hany vavahady, ary izay rehetra nanao izay isalovanany mba hakany ny toeran’ i Kristy, izay rehetra niezaka ny hiditra ao amin’ ny vala amin’ ny fomba hafa, dia mpangalatra sy jiolahy.IFM 514.3

    Tsy niditra teo amin’ ny varavarana ny Fariseo. Nananika teo amin’ ny vala tamin’ ny lalana hafa, noho i Kristy izy, ka tsy nanatanteraka ny asan’ ny tena mpiandry ondry. Ny mpisorona sy ny mpanapaka, ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo, dia nanimba ny ahimaitso mitondra aina, ary nandoto ny loharanon’ ny ranon’ aina. Marina ny fomba filazan’ ny teny avy tamin’ ny tsindrimandry an’ ireo mpiandry ondry sandoka ireo : «Tsy manatanjaka ny malemy hianareo, na manasitrana ny marary, na manamatra ny folaka, na mampody ny noroahiny . . . ; fa loza loatra ny fampanompoanareo azy»5Ezek. 34 : 4.IFM 515.1

    Tamin’ ny fotoan’ andro rehetra, dia nampiseho fampianarana tamin’ izao tontolo izao ny mpanao filozofia sy ny mpampianatra izay hanomezana fahafaham-po izay ilain’ ny fanahy. Ny firenena jentilisa tsirairay avy dia nanana ny mpampianatra lehibe teo aminy sy ny rafi-pivavahany izay nanolotra fomba fanavotana hafa noho ny an’ i Kristy, ka nampitodika ny mason’ ny olona hiala teo amin’ ny tavan’ ny Ray, ary nameno ny fony tamin’ ny tahotra an’ Ilay tsy nanome azy afa-tsy fitahiana. Nanana fironana izany fivavahana izany handroba an’ Andriamanitra amin’ ny fananany izay hananany fahefana tamin’ ny alalan’ ny famoronana sy tamin’ ny alalan’ ny fanavotana. Ireny mpampianatra sandoka ireny dia mandroba ny olona koa. An-tapitrisany ny olona no voafatotra ao amin’ ny fivavahana sandoka, voafehin’ ny tahotra manan-devo, ny tsy firaihana adala, ka miasa mafy tahaka ny biby mitondra enta-mavesatra, tsy manana fanantenana na fifaliana na faniriana eto an-tany, ary tsy manana afa-tsy tahotra manasatra ny amin’ ny ho avy. Ny filazan- tsaran’ ny fahasoavan’ Andriamanitra ihany no afaka manandratra ny fanahy. Ny fibanjinana ny fitiavan’ Andriamanitra naseho teo amin ny Zanany, dia hampihetsika ny fo sy hanaitra ny herin’ ny fanahy mihoatra noho izay azon’ ny zavatra hafa atao.IFM 515.2

    Tonga Kristy mba hahazoany mamorona indray ny endrik’ Andriamanitra eo amin’ ny olona ; ary izay rehetra manodina ny olona hiala amin’ i Kristy, dia manodina azy hiala amin’ ny loharanon’ ny fitomboana marina ; esoriny aminy ny fanantenana sy ny fikasana ary ny voninahitry ny fiainana. Mpangalatra sy jiolahy izy.IFM 516.1

    «Fa izay miditra amin’ ny vavahady no Mpiandry ondry». Kristy no sady vavahady no mpiandry ondry. Miditra amin’ ny alalan’ ny tenany Izy. Amin’ ny alalan’ ny sorona nataon’ ny tenany no mahatonga Azy ho mpiandry ny ondry. «Ary Izy no vohan’ ny mpiandry vavahady ; ary ny ondry mihaino ny feony ; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin’ ny anarany avy ka entiny mivoaka. Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy ; ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo» .IFM 516.2

    Ny amin’ ny biby rehetra, dia ny ondry no anisan’ ny saro-tahotra sy malemy indrindra, ary any atsinanana dia tsy sasatra ary tsy mijanona ny asan’ ny mpiandry ondry ho an’ ny ondriny. Tahaka ny ankehitriny koa ny taloha ka tsy azo antoka ny teo ivelan’ ny tanàna mimanda. Nisy mpangalatra avy tamin’ ny foko mpirenireny teny amin’ ny manodidina teny, na biby mpihaza avy tamin’ ny toerana miafina tany anaty vatolampy nijanona teny niandry izay handrobany ny andian’ ondry. Miandry izay nankinina taminy ny mpiandry ondry, ary fantany fa tandindomin-doza ny ainy amin’ izany. Jakoba, izay niandry ny ondrin’ i Labana teo amin’ ny toerana fiandrasana ondry tany Harana, dia milaza ny asany tsy nety sasatra, ka hoy izy hoe : «Nony atoandro matin’ ny hain’ andro aho, ary nony alina dia matin’ ny fanala ; ary nandositra ny masoko ny torimasoko» 6Gen.31 : 34. Ary teo am-piandrasana ny ondrin’ ny rainy i Davida tovolahy, irery, no nifanehatra tamin’ ny liona sy ny bera, sy namonjy avy teo am-bavan’ ireo ny ondry norombahiny.IFM 516.3

    Rehefa mitarika ny ondriny ny mpiandry ondry eny amin’ ny havoana sy ny vatolampy, mitety ny ala sy ny vatolampy, mitety ny tevana any an-tany lao, mba ahatongavana eny amin’ ny toerana be ahitra amoron’ ny rano ; rehefa miandry azy eny an-tendrombohitra izy mandritra ny alina mangina, miaro azy amin’ ny mpangalatra, mikarakara amim-pitiavana ny marary sy ny osa, amin’ izay dia manjary iray aina aminy izy. Misy fatorana mafy sy mamy mampiray azy amin’ ireo karakarainy ireo. Na dia betsaka aza ny ondry, dia fantatry ny mpiandry ny ondry tsirairay. Samy manana ny anarany avy izy, ka mamaly rehefa antsoin’ ny mpiandry amin’ ny anarany.IFM 516.4

    Tahaka ny ahafantaran’ ny mpiandry ondry ny ondriny, no ahafantaran’ Ilay Andriamanitra mpiandry ondry koa ny ondry izay miparitaka manerana an’ izao tontolo izao. «Ary ny aminareo ondriko, ondry fiandriko, olona hianareo, ary Izaho no Andriamanitrareo, hoy Jehovah Tompo». Hoy Jesosy: «Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy hianao». «Efa vitako tombo-kavatsa eo ampelatanako hianao»7Ezek. 34 : 31.IFM 517.1

    Fantatr’ i Jesosy tsirairay isika, ary manohina Azy ny fahatsapany ny fahalementsika. Fantany amin’ ny anarantsika isika rehetra. Fantany na dia ny trano ipetrahantsika aza, ny anaran’ ny mponina ao tsirairay. Nisy fotoana nanomezany baiko ny mpanompony handeha ho amin’ ny lalana iray, ho amin’ ny tanàna iray, ho amin’ ny trano toy izao, mba hitady ny anankiray amin’ ny ondriny.IFM 517.2

    Ny fanahy tsirairay dia fantatr’ i Jesosy amin’ ny fomba feno tahaka ny tsy misy afa-tsy iny ihany no nahafatesan’ ny Mpamonjy. Manohina ny fony ny fahorian’ ny tsirairay. Tonga any an-tsofina ny antsoantso mitady fanampiana. Tonga Izy mba hitarika ny olona rehetra ho eo Aminy. Mibaiko azy izy hoe : «Manaraha Ahy» ary miasa amin’ ny fony ny Fanahiny mba hitarika azy ho eo Aminy. Betsaka no mandà ny hotarihiny, fantatr’ i Jesosy izy ireo. Fantany koa izay mihaino ny antsony amim-pifaliana, ary vonona ny ho eo ambanin’ ny fikarakarany amin’ ny maha-mpiandry ondry Azy. Hoy Izy : «Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy». Mikarakara ny tsirairay Izy tahaka ny tsy nisy hafa eran’ ny tany.IFM 517.3

    «Izay ondriny tokoa dia antsoiny amin’ ny anarany avy ka entiny mivoaka». Tsy miroaka ny ondriny ny mpiandry ondry any Atsinanana. Tsy miankina amin’ ny hery fa mandeha eo aloha izy ka miantso azy. Fantatry ny ondry ny feony, ka mankato ny antsony izy. Toy izany koa no ataon’ Ilay Mpamonjy Mpiandry ondry amin’ ny ondriny. Hoy ny Soratra Masina : «Ny tanan’ i Mosesy sy Arona no nitondranao ny olonao toy ny ondry». Hoy ny nambaran’ i Jesosy tamin’ ny alalan’ ny mpaminany. «Tany lavitra any no nisehoan’ i Jehovah tamiko ka nanao hoe : Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao ; koa izany no nampaharetako ny famindrampo ho anao. «Tsy misy tereny hanaraka Azy. «Tamin’ ny kofehy fitarihana olona no nitarihako azy dia tamin’ ny mahazakan’ ny fitiavana»8Sal. 77 : 20 ; Jer. 31 : 3 ; Hos. 11 : 4.IFM 517.4

    Tsy tahotry ny famaizana, na fanantenana ny famalian-tsoa mandrakizay no mitarika ny mpianatr’ i Jesosy hanaraka Azy. Mibanjina ny fitiavan’ ny Mpamonjy tsy misy toa azy izy, izay nambara nandritra ny nivahinianany teto an-tany, hatrany amin’ ny fihinanam-bilon’ i Betlehema ka hatrany amin’ ny hazo fijalian’ i Kalvary, ka ny fahitana Azy dia misintona ny fanahy, manalefaka sy mampilefitra azy. Mitsiry ao am-po ny fitiavana mibanjina fitiavana. Reny ny feony, ka manaraka Azy izy.IFM 518.1

    Tahaka ny mpiandry ondry mandeha eo anoloan’ ny ondry, ka ny tenany no misetra ny loza eny an-dalana, dia toy izany koa Jesosy amin’ ny vahoakany. «Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy». Nohamasinin’ ny dia-tongotry ny Mpamonjy ny lalana mankany an-danitra. Mety mideza sy mikintoantoana ny lalana, nefa nandeha tamin’ io lalana io Jesosy ; nanitsakitsaka ny tsilo maranitra ny tongony, mba hahamora kokoa ny lalana ho antsika. Ny entana mavesatra rehetra izay iantsoana antsika hoentina, dia efa nentin’ ny tenany.IFM 518.2

    Na dia niakatra eo anatrehan’ Andriamanitra aza Jesosy ankehitriny, ka manana anjara amin’ ny seza fiandrianan’ izao rehetra izao dia tsy nisy veriny ny toetrany mamindrafo. Ankehitriny io fo be fitiavana sy mangoraka io ihany no midanadana ho amin’ ny fahorian’ ny taranak’ olombelona rehetra. Ankehitriny Ilay tanana izay nofantsihina dia mitsotra mba hitahy be dia be ny vahoakany izay teo amin’ izao tontolo izao «ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ ny tanako». Ny fanahy izay nanolo-tena ho an’ i Kristy dia sarobidy eo imasony mihoatra noho izao tontolo izao. Nandalo tamin’ ny ady mihatra aman’ aina tao Kalvary ny Mpamonjy, mba ahazoany mamonjy olona iray ao amin’ ny fanjakany. Tsy handao na oviana na oviana ny anankiray izay antony nahafatesany Izy. Raha ohatra ka tsy mifidy ny handao Azy ny mpanaraka Azy, dia hihazona azy mafy Izy.IFM 518.3

    Manana mpanampy tsy mety diso na oviana na oviana isika mandritra ny fitsapana mianjady amintsika rehetra. Tsy avelany hitolona irery amin’ ny fakam-panahy isika, hiady amin’ ny ratsy ary amin’ ny farany dia ho toron’ ny enta-mavesatry ny fahoriana. Na dia miafina tsy eo imason’ ny olombelona mety maty aza Izy, dia afaka mandre ny feony kosa ny sofin’ ny finoana manao hoe : «Aza matahotra ; miaraka aminao Aho». Izaho «Ilay velona ; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay» 9Apok. 1 : 18. Nizaka ny fahorianao aho, niainako ny tolona natrehinao, nosetraiko ny fakam-panahy mianjady aminao. Fantatro ny ranomasonao, efa nitomany koa Aho. Fantatro ny fahoriana miafina izay mbola tsy nambara na oviana na oviana tamin’ ny sofin’ olombelona. Aza mihevitra fa irery sy nafoy ianao. Na dia tsy misy fo voahetsika aza eto an-tany noho ny fahorianao, banjino Aho, ka aoka ho velona ianao. «Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra, ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindrampoko ary tsy hitsoaka ny faneken’ ny fihavanako hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao» 10Isa. 54 : 10.IFM 519.1

    Na toy inona na toy inona mety ho fitiavan’ ny mpiandry ondry ny ondriny, mbola tiany kokoa ny zananilahy sy ny zananivavy. Tsy mpiandry antsika fotsiny Jesosy, fa «Raintsika mandrakizay» koa Izy. Ary hoy Izy : «Fantatro ny Ahy, sady fantany Aho, dia tahaka ny ahafantaran’ ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray». Fanambarana fatratra manao ahoana ! Ny zanany lahy tokana, Ilay teo an-tratran’ ny ray, Ilay nambaran’ Andriamanitra fa «lehilahy namako» 11Zak. 13 : 7, — dia ny firaisana Aminy sy Andriamanitra mandra-kizay no natao hanehoana ny firaisana misy amin’ i Kristy sy ny zanany eto an-tany !IFM 519.2

    Tia antsika Jesosy satria fanomezan’ ny Rainy sy valisoan’ ny asany isika. Tia antsika tahaka ny zanany Izy. Ry Mpamaky malala, tia anao Izy. Na ny lanitra aza tsy afaka hanome zavatra lehibe kokoa, tsara kokoa. Noho izany, matokia.IFM 519.3

    Mihevitra ny fanahy rehetra manerana ny tany izay voatariky ny mpiandry sandoka ho amin’ ny lalan-diso Jesosy. Izay iriny mafy hangonina ho ondriny andrasany dia niparitaka eo anivon’ ny amboadia, ka hoy Izy : «Manana ondry hafa izay tsy amin’ ity vala ity Aho, ary ireny koa dia tsy maintsy hoentiko ka hihaino ny feoko ; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry».IFM 519.4

    «Ary izany no itiavan’ ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray». Izany hoe, tia anareo indrindra ny Raiko, hany ka nitombo ny fìtiavany Ahy noho Izaho nanome ny aiko hanavotra anareo. Satria nanjary solonareo sy antoka ho anareo Aho, satria nampilefitra ny fiainako Aho tamin’ ny nakako ny andraikitrareo noho ny fahavoazanareo, ny fandikanareo ny lalàna, dia malalan’ ny Raiko kokoa Aho.IFM 520.1

    «Manolotra ny aiko Aho mba handraisako azy indray. Tsy misy manaisotra ny aiko Amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray». Mety maty Izy amin’ ny maha-anisan’ ny fianakavian’ olombelona Azy, fa amin’ ny maha-Andriamanitra Azy dia loharanon’ aina ho an’ izao tontolo izao Izy. Azony natao ny nanohitra ny fahafatesana nanatona Azy, ka nandà ny ho eo ambanin’ ny fanapahany nefa an-tsitrapo no nanolorany ny ainy mba hahazoany mitondra ny aina sy ny fiainana mandrakizay ho amin’ ny mazava. Nitondra ny fahotan’ izao tontolo izao Izy, niaritra ny ozon’ izany, nanolotra ny ainy ho sorona mba tsy ho faty mandrakizay ny olona. «Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika... Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika ; ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy ; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika. Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ ny lalantsika avy isika rehetra, ary nataon’ i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra» 12Isa. 53: 4-6.IFM 520.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents