Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 53—Ny dia farany avy tany Galilia

    Rehefa akaiky hifarana ny asa nanirahana an’ Kristy, dia nisy fiovana teo amin’ ny fomba fiasany. 1Mifototra amin’ ny Lioka 9 : 51-56 ; 10 : 1-24 ity toko ity. Hatramin’ izay dia niezaka Izy hiala amin’ ny fihetsiketsehana sy ny fampielezan-kevitra. Nolaviny ny fideran’ ny vahoaka Azy, ary nandalo haingana niala amin’ ny toerana iray Izy ho amin’ ny toerana iray rehefa toa nirehitra tsy ho azo fehezina ny hafanampon’ ny vahoaka ho Azy. Impiry impiry Izy no nanafatrafatra ny tsy hanambarana Azy ho Kristy.IFM 521.1

    Tamin’ ny fotoanan’ ny Fetin’ ny Tabernakely dia haingana sady mangingina no nanaovany ny diany ho any Jerosalema. Rehefa namporisihin’ ny rahalahiny Izy hiseho ampahibemaso amin’ ny maha-Mesia Azy dia izao no valinteniny : «Tsy mbola tonga ny fotoako» 2Jao. 7 : 6. Tsy nisy nahita Izy raha nanao ny diany ho any Jerosalema, ka tsy nisy nanambara mialoha ny fidirany tao an-tanàna, ary tsy nanome voninahitra Azy ny vahoaka marobe. Tsy toy izany anefa tamin’ ny diany farany. Niala tao Jerosalema fotoana fohy aloha Izy noho ny haratsiam-panahin’ ny mpisorona sy ny raby. Izao anefa dia nanomboka ny diany hiverina any Izy, ka tamin’ ny fomba hitan’ ny besinimaro indrindra no nanaovany izany ; lalana manokana manodidina no nalehany ka nisy fanambarana nialoha Azy ny amin’ ny fiaviany dia araka izay tsy mbola nataony mihitsy talohan’ izao. Handeha eo amin’ ny sehatry ny sorona lehibe nataony Izy, ary tsy maintsy tarihina ho amin’ izany ny sain’ ny vahoaka.IFM 521.2

    «Ary tahaka ny nanandratan’ i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’ olona»3Jao. 3 : 14. Tahaka ny mason’ ny Isiraely natodika teo amin’ ilay menarana nasandratra, izay tandindona nokendrena ho fanasitranana azy, dia toy izany koa, fa tsy maintsy hotarihina ho amin’ i Kristy ny maso rehetra, ho eo amin’ ny sorona izay hitondra famonjena ho an’ izao tontolo izao very.IFM 522.1

    Fiheveran-diso ny amin’ ny asan’ ny Mesia, sy tsy fananana finoana ny amin’ ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra teo amin’ i Jesosy, no nitarika ny rahalahiny hamporisika Azy hiseho ampahibemaso amin’ ny vahoaka tamin’ ny Fetin’ ny Tabernakely. Izao indray, noho ny toe-tsaina nifanahaka amin’ izany ihany, dia tian’ ny mpianatra ho sakanana Izy tsy handeha ho any Jerosalema. Tsaroany ny teniny mikasika izay hanjo Azy any, fantany ny fankahalan’ ireo mpitarika fivavahana Azy hatramin’ ny fahafatesana. koa sitrany. ny hampiova hevitra ny Tompony handeha any.IFM 522.2

    Adidy nangidy teo amin’ ny fon’ i Kristy ny handroso ihany na dia teo aza ny tahotra, ny fahadisoam-panantenana, sy ny tsy finoan’ ireo mpianany malala. Mafy taminy ny hitarika azy hitsena ny tebiteby sy ny famoizam-po izay niandry azy ireo tany Jerosalema. Ary i Satana koa teo akaiky teo nanindry ny Zanak’ olona tamin’ ny fakam-panahiny. Nahoana Izy izao no tokony ho any Jerosalema, ho amin’ ny fahafatesana azo antoka. Manodidina Azy hatraiza hatraiza dia nisy fanahy noana ny mofon’ aina. Hatraiza hatraiza dia nisy niandry ny teniny nitondra fanasitranana. Vao nanomboka izao ny asa hotanterahin’ ny Filazantsaran’ ny fahasoavana. Izy koa mbola ao anatin’ ny taona mampatanjaka Azy rahateo. Nahoana Izy no tsy handroso ho any amin’ ny saha midadasika eo amin’ izao tontolo izao mitondra ny tenin’ ny fahasoavany, ny heriny mahasitrana rehefa mikasika Azy ? Nahoana no tsy raisiny ho an’ ny tenany ny fifaliana amin’ ny fanomezana ny fahazavana sy ny fifaliana ho an’ ireo an-tapitrisany ao anatin’ ny haizina sy ny fahoriana ? Nahoana no avela ho an’ ny mpianany ny fiotazana ny vokatra, ireo izay malemy tokoa amin’ ny finoana, votsa saina, miadam-pihetsika kokoa ? Nahoana no hiatrika ny fahafatesana Izy izao, ka hilaozana eo am-pahazazany ny asa ? Ilay fahavalo izay nifanehatra tamin’ i Kristy tany an-efitra no manafika Azy ankehitriny amin’ ny fakam-panahy masiaka sy fetsy. Raha nilefitra indray mandeha Jesosy, raha nanova ny fihetsiny Izy teo amin’ izay antsipiriany kely indrindra mba hamonjena ny tenany, dia ho nandresy ny fitaovana nampiasain’ i Satana, ary ho very izao tontolo izao.IFM 522.3

    Nefa Jesosy «niatrika hankany Jerosalema». Ny lalàna tokana teo amin’ ny fiainany dia ny sitrapon’ ny Ray. Raha nitsidika ny tempoly Izy, fony vao zaza, dia hoy Izy tamin’ i Maria : «Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ ny Raiko Aho?» 4lio. 2 : 49 Tany Kana, rehefa nirin’ i Maria ny hanehoany ny heriny mahagaga, dia izao no navaliny : «Tsy mbola tonga ny fotoako» 5Jao.4. Ireo teny ireo ihany no navaliny ny rahalahiny rehefa nampirisika Azy ho any amin’ ny fety izy. Nefa tao amin’ ny drafitra lehibe nataon’ Andriamanitra dia efa voatendry ny ora izay hanolorany ny tenany ho an’ ny fahotan’ ny olona, ary efa akaiky hipaika izao ny ora. Tsy ho diso na hangozohozo Izy. Nitodika ho any Jerosalema ny diany, any amin’ izay efa ela no niokoan’ ireo fahavalony handatsahany ny ainy ; izao dia hanolotra izany Izy. Nandroso aminkasahiana ho any amin’ ny fanenjehana Izy, ho amin’ ny fandavana Azy, ny fitsipahana, ny fanamelohana sy ny fahafatesana.IFM 523.1

    Ary «nandefa iraka hialoha Azy Izy» dia nandeha ireo ka niditra tao amin’ ny vohitra anankiray izay an’ ny Samaritana hamboatra trano itoerany». Nandà ny handray Azy anefa ny olona, satria teo an-dalana ho any Jerosalema Izy. Noraisin’ ny Samaritana ho fanehoan’ i Kristy ny fitiavany kokoa ny Jiosy izany, izay nankahalainy tamin’ ny fomba mangidy indrindra. Raha tonga hanamboatra ny tempoly sy hamerina ny fivavahana eo amin’ ny Tendrombohitra Gerizima Izy, dia noraisiny tamim-pifaliana; ho any Jerosalema anefa Izy, ka tsy handray Azy mihitsy izy. Tsy tsapany firy fa nailiny tsy ho eo am-baravarany ny fanomezan’ ny lanitra tsara indrindra. Niantso ny olona handray Azy Jesosy, nangataka mari-pitiavana taminy Izy mba hahazoany manatona Azy akaiky ka handrotsahany fitahiana sarobidy indrindra aminy. Ny mari-pitiavana tsirairay aseho Azy, dia hovaliany fahasoavana sorobidy indrindra. Fa very ny zavatra rehetra ho an’ ny Samaritana noho ny hevitra nibahana tao an-tsainy sy ny fitiavam-bavaka diso toerana teo aminy.IFM 523.2

    Tohina mafy tamin’ ny fanevatevana natao tamin’ ny Tompony i Jakoba sy Jaona. Feno hatezerana izy satria nanevateva Azy loatra ny Samaritana, kanefa te hanome voninahitra azy ireo tamin’ ny fanatrehany Izy. Vao haingana izy mirahalahy no niaraka taminy teo amin’ ny tendrombohitra fiovan-tarehy, ary nahita Azy nankalazain’ Andriamanitra ary nomen’ i Mosesy sy Elia voninahitra. Izao fanaovan’ ny Samaritana tsinontsinona Azy ankarihary izao, hoy ny fiheviny, dia tsy tokony havela handalo amin’ izao tsy misy famaizana mazava.IFM 523.3

    Nanatona an’ i Kristy izy, dia nambarany ny tenin’ ny olona ka nolazainy Azy fa na dia izay hatoriany indray alina aza tsy nomeny Azy. Nihevitra izy fa tsy ara-drariny sy ratsy loatra no natao tamin’ i Jesosy, ka raha nahatazan-davitra ny tendrombohitra Karmela izay namonoan’ i Elia ireo mpaminany sandoka izy, dia hoy izy hoe : «Tianao va raha hiteny izahay mba hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona azy, toy ny nataon’ i Elia ?» Gaga izy nahita fa nampalahelo an’ i Jesosy ny teniny, ary vao mainka zendana izy rehefa tonga tao an-tsofiny ny fanomezan-tsiny nataony hoe : «Tsy fantatrareo ny toetry ny fanahy izay anareo. Fa ny Zanak’ olona tsy tonga hahavery ny ain’ olona. fa hamonjy azy» 5Lio.9 : 56. Dia nankany amin’ ny vohitra hafa Izy.IFM 524.1

    Tsy anisan’ ny asa nanirahana an’ i Kristy ny manery olona handray Azy. Satana sy ny olona hetsehin’ ny fanahiny, no mitady hanery ny feon’ ny fieritreretana. Misy olona mihambo ho mafana fo amin’ ny fahamarinana, nefa miara-miasa amin’ ny anjely ratsy mba hampitondra fahoriana ny mpiara-belona aminy, mba hanovany azy hanaraka ny fiheverany momba ny fivavahana. Kristy anefa mampiseho famindrampo mandrakariva, mitady hatrany ny handresy Izy amin’ ny fanambarana ny fitiavany. Tsy azony ekena ny hanana rafy ao amin’ ny fanahy iray, tsy raisiny koa ny fanompoana tapatapany ; fa ny iriny fotsiny dia fanompoana an-tsitrapo, ny fileferana iniana ataon’ ny fo eo ambanin’ ny faneren’ ny fitiavana. Tsy mety hisy porofo mazava kokoa fa manana ny fanahin’ i Satana isika mihoatra noho ny fironantsika handratra sy hanimba izay tsy mankasitraka ny asantsika, na manao asa mifanohitra amin’ ny hevitsika.IFM 524.2

    Fananan’ Andriamanitra ny olombelona rehetra, ny vatany, ny saina amam-panahiny. Maty mba hanavotra ny rehetra Kristy. Tsy misy mety maharikoriko kokoa an’ Andriamanitra noho ny olona mampitondra fahoriana izay voavidin’ ny ran’ ny Mpamonjy, amin’ ny alalan’ ny fitiavam-bavaka diso toerana eo aminy.IFM 524.3

    «Ary niainga niala teo Jesosy, dia tonga tany amin’ ny sisintanin’ i Jodia sy ny tany an-dafin’ i Jordana, ary nisy vahoaka betsaka indray niangona teo aminy ; koa araka ny fanaony dia nampianatra azy indray Izy» 6Mar. 10: 11.IFM 525.1

    Tao Perea, ilay faritra teo «amin’ ny sisin-tanin’ i Jordana», no nandanian’ i Kristy ny ampahany betsaka tamin’ ireo volana farany tamin’ ny asa fanompoana nataony. Nifanizina nanaraka ny diany ny vahoaka marobe tao, tahaka ny tamin’ ny asany voalohany tany Galilia, ary betsaka tamin’ ny fampianarany voalohany no naverina.IFM 525.2

    Tahaka ny nanirahany ny roa ambin’ ny folo lahy, no nanendreny koa «fitopolo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin’ ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany» Izy. Efa nisy fotoana niarahan’ ireo mpianatra ireo taminy, tamin’ ny fanazarana azy ho amin’ ny asany. Rehefa naniraka ny roa ambin’ ny folo lahy Izy ho amin’ ny asa voalohany nanirahany azy samirery, dia nisy mpianatra hafa niaraka tamin’ i Jesosy tamin’ ny diany nanerana an’ i Galilia. Tamin’ izany dia nanana tombon-tsoa tamin’ ny fifandraisana ety taminy ireo sy tamin’ ny fitarihana mivantana nataon’ ny tenany. Ankehitriny ireto marobe kokoa ireto koa dia hirahina samirery.IFM 525.3

    Ny baiko nomena ny fitopolo lahy dia mitovy amin’ izay efa nomena ny roa ambin’ ny folo lahý ; saingy ny baiko nomena ny roa ambin’ ny folo lahy tsy hiditra ny tanànan’ ny jentilisa na ny Samaritana, dia tsy natao tamin’ ny fitopolo lahy. Na dia vao avy nolavin’ ny Samaritana aza Kristy, dia tsy niova tsy akory ny fitiavany azy ireo. Rehefa nandeha tamin’ ny anarany ny fitopolo lahy, dia ireo tanànan’ i Samaria no novangiany talohan’ ny sisa rehetra.IFM 525.4

    Ny namangian’ ny Mpamonjy mihitsy an’ i Samaria, ary tatỳ aoriana, ny fiderany an’ ilay. Samaritana tsara fanahy, sy ny fifaliana feno fankasitrahan’ ilay boka izay Samaritana hany niverina nisaotra an’ i Kristy, izany dia nisy dikany betsaka tamin’ ny mpianatra. Latsaka lalina tao am-pony ny lesona. Raha naniraka azy ireo Jesosy taloha indrindra ny niakarany ho any an-danitra, dia nolazainy i Samaria niaraka tamin’ i Jerosalema sy Jodia, ho toerana izay hitoriany voalohany ny Filazantsara. Ny fampia- narany no efa nanomana azy ireo hanatanteraka io iraka io. Rehefa nankany Samaria tamin’ ny anaran’ ny Tompony izy, dia nahita olona vonona handray azy. Efa nandre ny teny fiderana nataon’ i Kristy sy ny asam-pamindrampo ho an’ ny mpiray firenena aminy izy ireo. Hitany fa na teo aza ny fihetsika henjana nataony taminy, dia hevitra feno fitiavana ihany no nananany taminy, koa azo ny fony. Rehefa niakatra ho any an-danitra ny Mpamonjy, dia noraisiny tsara ny iraka nalefany ka nioty vokatra sarobidy teo aminy ny mpianatra, dia teo amin’ ireo izay efa fahavalony mangidy indrindra. «Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona ; hamoaka izay tena rariny tokoa Izy». «Ary ny anarany no hitokian’ ny jentilisa» 7Isa. 42 : 3 ; Mat. 12 : 21.IFM 525.5

    Tamin’ ny naniraka ny fitopolo lahy Jesosy, dia nibaiko azy Izy, tahaka ny nibaikoany azy roa ambin’ ny folo lahy koa, tsy hisisika ho eo amin’ izay tsy mandray azy tsara. «Izay tanàna iakaranareo, hoy Izy, ka tsy mandray anareo ny olona, dia mankanesa eo amin’ ny lalambe, ka lazao hoe : Ny vovoky ny tanànanareo aza, izay miraikitra amin’ ny tongotray, dia fafanay hiampanga anareo ; nefa aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky anareo ny fanjakan’ Andriamanitra». Tsy tokony hatao izany noho ny fahatezerana, na noho ny hajany voahosihosy, fa tokony hasehony ny maha zava-dratsy loatra ny fandavana ny hafatry ny Tompo na ny mpitondra hafatra nalefany. Ny fandavana ny mpanompon’ i Jehovah dia fandavana an’ i Kristy mihitsy.IFM 526.1

    «Lazaiko aminareo, hoy Jesosy namaly, fa ho moramora kokoa ny ho amin’ i Sodoma amin’ izany andro izany noho ny amin’ izany tanàna izany». Dia nitodika tany amin’ ireo tanàna Galiliana indray ny sainy, izay niasany be tokoa tamin’ ny asa fanompoana nataony. Niloa-bava tamin’ ny feo nitory alahelo lalina Izy hoe : «Lozanao, ry Korazina ! lozanao ry Betsaida ! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho nibebaka ela izy ka nitafy lamba fisaonana sy nipetraka amin’ ny lavenona. Fa ho moramora kokoa ny amin’ i Tyro sy Sidona amin’ ny andro fitsarana noho ny ho aminareo. Ary hianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va hianao ? Haetry hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita hianao».IFM 526.2

    Efa natoiotra maimaimpoana ho an’ ireo tanàna maresaka manodidina ny Ranomasin’ i Galilia ny fitahian’ ny lanitra sarobidy indrindra. Isan’ andro isan’ andro ny Andrianan’ ny fiainana no niditra sy nivoaka teo anivon’ izy ireo. Ny voninahitr’ Andriamanitra izay nirin’ ny mpaminany sy ny mpanjaka fatratra ho hita, dia efa namirapiratra tamin’ ny vahoaka marobe izay nifanizina nanaraka ny dian’ ny Mpamonjy. Nefa nandà Ilay Fanomezana avy tany an-danitra izy.IFM 526.3

    Hoatry ny nampiseho fahamalinana be ny raby nampitandrina ny vahoaka tsy handray ny fampianarana vaovao nampianarin’ ity mpampianatra vaovao ; nifanohitra tamin’ ny fampianaran’ ny razana ny lahakevitra sy ny fampiharana narosony. Natoky izay nampianarin’ ny mpisorona sy ny Fariseo ny vahoaka, fa tsy mitady izay hahazoany ny tenin’ Andriamanitra ary notsipahiny ny fahamarinana hahazoany mitana ny lovan-tsofin’ ny tenany. Betsaka no voahetsika lalina ary saiky resy lahatra ; nefa tsy niasa araka izay hevitra notanany izy, koa tsy nisaina ho anisan’ ireo izay niandany tamin’ i Kristy izy ireo. Naneho ny fakam-panahiny i Satana, mandra-pahatonga ny mazava ho tahaka ny maizina. Tamin’ izany dia maro no nitsipaka ny fahamarinana izay nety ho famonjena ny fanahiny.IFM 527.1

    Hoy Ilay Vavolombelona Marina: «Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondona»8Apokalypsy 3 : 20. Ny fampitandremana tsirairay, ny fanomezan-tsiny sy ny fiangaviana ao amin’ ny tenin’ Andriamanitra natao amin’ ny alalan’ ny mpitondra hafatra nalefany, dia dona eo am-baravaran’ ny fo. Feon’ i Jesosy mangataka ny hiditra izany. Arakaraka ny hanoherana ny antso no hihenan’ ny farisihana hamoha ny varavarana. Raha odian-tsy hita androany ny asan’ ny Fanahy Masina miasa lalina ao am-po, dia tsy hahery intsony izy rahampitso. Manjary tsy mora andairan-javatra ny fo, ary mirona moramora ho amin’ ny tsy fahatsapana mampidi-doza ny fahafohizan’ ny androm-piainana, sy ny fahalehibeazan’ ny mandrakizay any an-koatra. Ny fanamelohana antsika any amin’ ny Fitsarana dia tsy ho vokatry ny naha-tao amin’ ny hevi-diso antsika, fa noho ny nanaovantsika an-tsirambina ny fotoana mety nomen’ ny lanitra mba hianarana ny fahamarinana.IFM 527.2

    Tahaka ny apostoly, dia nandray fahaizana ambony noho ny an’ ny olombelona ny fitopolo lahy ho tombo-kasen’ ny nanirahany azy. Rehefa vita ny asany dia niverina tamin-kafaliana izy, nanao hoe : «Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao». Hoy ny navalin’ i Jesosy : «Izaho nahita an’ i Satana latsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra».IFM 527.3

    Naseho tao an-tsain’ i Jesosy ny toe-javatra tamin’ ny lasa sy ny ho avy. Nibanjina an’ i Losifera Izy raha vao noroahina avy tany an-danitra. Notazaniny ireo toe-javatra mikasika ny ady mihatra aman’ aina hatrehiny rehefa halàna sarona eo anatrehan’ izao tontolo izao rehetra ny toetra amam-panahin’ ilay mpamitaka. Reny ny feo mafy hoe: «Vita»9Jao. 19 : 3, izay manambara fa azo antoka mandrakizay ny fanavotana ny taranaka very ary voaro mandrakizay amin’ ny fiampangana ny lanitra, amin’ ny fitaka. amin’ ny fihamboana izay mety hasosok’ i Satana.IFM 528.1

    Nibanjina izay ho ao ankoatry ny hazo fijalian’ i Kalvary, miaraka amin’ ny ady mihatra aman’ aina sy ny henatra eo amin’ izany Jesosy, dia ilay andro lehibe farany, rehefa hiatrika ny fandevonana azy eto amin’ ity tany ity izay nosimbany ela tamin’ ny fikomiany ilay andrianan’ ny hery eny amin’ ny rivotra. Nibanjina ny asan’ ny ratsy hifarana mandrakizay Jesosy, sy ny fiadanan’ Andriamanitra izay mameno ny lanitra sy ny tany.IFM 528.2

    Hatramin’ izao ny mpanaraka an’ i Kristy dia hijery an’ i Satana ho toy ny fahavalo efa resy. Teo ambonin’ ny hazo fijaliana Jesosy no nahazo ny fandresena ho azy ireo, dia ilay fandresena izay tiany ho eken’ izy ireo ho azy. «Indro, hoy Izy, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan’ ny fahavalo hianareo; ka tsy hisy hampaninona anareo akory».IFM 528.3

    Ny hery tsy voafetran’ ny Fanahy Masina no fiarovan’ ny fanahy torotoro rehetra. Tsy misy na dia iray aza izay nitaky ny fiarovan’ i Kristy tamin’ ny fibebahana sy ny finoana, no havelany handalo eo ambanin’ ny herin’ ny fahavalo. Eo anilan’ izay alaim-panahy sy sedraina ny Mpamonjy. Raha miaraka Aminy dia tsy mety hisy ny tsy fahombiazana, ny fatiantoka, ny zavatra tsy azo atao na ny faharesena; azontsika atao ny zavatra rehetra amin’ ny alalan’ Ilay mampahery antsika. Rehefa tonga ny fakam-panahy sy ny fitsapana, aza miezaka ny handrindra ny zava-tsarotra rehetra, fa mijere an’ i Jesosy mpanampy anao.IFM 528.4

    Misy kristiana izay mieritreritra be loatra sy miresaka be loatra koa ny amin’ ny herin’ i Satana. Mieritreritra an’ ilay fahavalony izy, ataony antom-bavaka sy anton-dresaka izy, ka manangasanga mihangeza hatrany ao an-tsainy ao . Marina fa feno hery i Satana ; nefa isaorana Andriamanitra fa manana Mpamonjy mahery isika, izay efa nandroaka ilay ratsy avy tany an-danitra. Finaritra i Satana rehefa manandratra ny heriny isika. Nahoana no tsy miresaka ny amin’ i Jesosy isika ? Nahoana no tsy manandratra ny heriny sy ny fitiavany isika ?IFM 528.5

    Ny avan’ ny teny fikasana izay manodidina ny seza fiandrianana avy amin’ ny avo dia vavolombelona mandrakizay fa «Toy izao no nitiavan’ Andriamanitra an’ izao tontolo izao; nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay» 10Jao.3 : 16. Vavolombelona eo amin’ izao rehetra izao izany fa tsy handao na oviana na oviana ny vahoakany eo amin’ ny tolona ataony amin’ ny ratsy Andriamanitra. Toky hananantsika hery sy fiarovana izany raha mbola maharitra koa ny seza fiandrianana.IFM 529.1

    Hoy Jesosy nanampy izany : «Kanefa aza mifaly hianareo, satria manaiky anareo ny fanahy ; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo». Aza mifaly amin’ ny fanananareo hery, sao very tsy ho eo imasonareo ny fiankinanareo amin’ Andriamanitra. Mitandrema sao tafiditra ny fiheveran-tena ho ampy, ka miasa amin’ ny herin’ ny tenanareo hianareo, fa tsy amin’ ny fanahy sy ny herin’ ny Tomponareo. Vonona mandrakariva ny «izaho», handray ny laza ho an’ ny tenany raha azo lazaina fa misy fahombiazana ny asa. Dokafana sy asandratra ny «izaho», ka tsy latsaka ao amin’ ny sain’ ny hafa fa Andriamanitra no zavatra rehetra sy ao amin’ ny zavatra rehetra. Hoy ny apostoly Paoly : «Fa ny fahalemeko no fahatanjahako» 112 Kor. 12: 10. Rehefa tsapantsika ny fahalementsika, dia mianatra ny miankina amin’ ny hery tsy ao amintsika isika. Tsy misy famikirana mafy ao am-pontsika tahaka ny fahatsapana mitoetra ao anaty ao ny andraikitsika amin’ Andriamanitra. Tsy misy mahatratra amin’ ny fomba feno sy lalina ny fihetsitsika toy ny fahatsapana ny fitiavan’ i Kristy -mamela heloka. Tokony hifampikasoka amin’ Andriamanitra isika, amin’ izay dia ho feno ny Fanahiny Masina isika, izay mahatonga antsika ho afaka mifampikasoka amin’ ny mpiara-belona amintsika. Dia mifalia fa nanjary nifandray tamin’ Andriamanitra ianao tamin’ ny alalan’ i Kristy ary nanjary mambra ao amin’ ny fianakavian’ ny lanitra. Raha tnijery ambony noho ny tenanao ianao, dia ho tsapanao mandrakariva ny fahalemen’ ny maha-olombelona. Arakaraka ny maha-kely ny fankamamianao ny «izaho» no hampahazava kokoa sy hahafeno kokoa ny fahalalanao ny mahatsara indrindra ny Mpamonjinao. Arakaraka ny hifandraisanao akaiky kokoa amin’ ny loharanon’ ny fahazavana sy ny hery, no hitosahan’ ny fahazavana lehibe kokoa aminao, ary hitomboan’ ny herinao hiasa ho an’ Andriamanitra. Mifalia fa iray amin’ Andriamanitra ianao, iray amin’ i Kristy ary iray amin’ ny fianakavian’ ny lanitra manontolo.IFM 529.2

    Raha nihaino ny tenin’ i Kristy ny fitopolo lahy, dia nandatsaka lalina zava-misy velona tao an-tsainy ny Fanahy Masina, ka nanoratra ny fahamarinana teo amin’ ny vato fisaky ny fanahy. Na dia nanodidina azy ireo aza ny vahoaka be, dia tahaka ny voahidy tao amin’ Andriamanitra izy.IFM 530.1

    Tsapan’ i Jesosy fa efa voarain’ ireo koa izay nanainga Azy tamin’ io fotoana io ka «ravoravo tamin’ ny Fanahy Masina Izy nanao hoe : Midera Anao Aho, Raiko ò, Tompon’ ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin’ ny hendry sy ny manan-tsaina izany, ka nasehonao tamin’ ny zaza madinika; eny, Raiko, fa izany no sitrakao. Ny zavatra rehetra dia efa natolotry ny Raiko Ahy ; ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ ny Zanaka hanehoana Azy».IFM 530.2

    Ny manan-kaja eo amin’ izao tontolo izao, ireo lazaina fa lehibe sy hendry, dia tsy afaka mahafantatra ny toetra amam-panahin’ i Kristy amin’ ny fahendrena rehetra ireharehany. Ny fisehoany ety ivelany, ny fahafaham-baraka nihatra taminy amin’ ny maha-olombelona Azy no nitsarany Azy. Ny mpanarato sy ny mpamory hetra anefa dia efa nomena hahita Ilay tsy hita. Na dia ny mpianatra aza dia tsy nahazo izay rehetra nirin’ i Jesosy nambara taminy; indraindray anefa, rehefa nilefitra teo amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina izy, dia nohazavaina ny sainy. Tsapany fa Ilay Andriamanitra mahery mitafy ny endriky ny maha-olombelona, dia teo anivon’ izy ireo. Ravoravo Jesosy fa na dia tsy nananan’ ny hendry sy ny manan-tsaina aza io fahalalana io, dia efa naseho tamin’ ireto olontsotra ireto. Matetika rehefa nanazava ny Soratra Masina ao amin’ ny Testamenta Taloha Izy, ka nasehony ny fampiharana izany tamin’ ny tenany sy ny asa fanavotana nataony, dia efa nampifoha azy ireo ny Fanahiny, ka nisandratra ho amin’ ny rivo-piainan’ ny lanitra izy. Ny amin’ ny fahamarinana ara-panahy nolazain’ ny mpaminany dia nananany fahalalana mazava kokoa noho ireo nanoratra izany tany am-boalohany aza. Hatramin’ izao dia hamaky ny Soratra Masina ao amin’ ny Testamenta Taloha izy, tsy amin’ ny maha-fampianaran’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo an’ izany, tsy amin’ ny maha-tenin’ olon-kendry efa maty azy, fa amin’ ny maha-fanambarana vaovao avy amin’ Andriamanitra an’ izany. «Nibanjina Azy izy, Izay tsy azon’ izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany na fantany ; fa hianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ao anatinareo» 12Jao. 14 : 17.IFM 530.3

    Ny hany lalana izay mety hahazoantsika fahatakarana feno kokoa ny amin’ ny fahamarinana dia ny fitazonana ny fo ho feno fitiavana sy ho voafehin’ ny Fanahin’ i Kristy. Tsy maintsy diovina amin’ ny fieboeboana sy ny avonavona ny fanahy, ary foanana tsy ho ao izay rehetra notazoniny ho fananany, ka Kristy no tsy maintsy hanjaka ao. Voafetra loatra ny siansan’ ny olombelona ahazoana fanavotana. Mahataka-davitra loatra ny drafitry ny fanavotana ka tsy azon’ ny filozofia hazavaina. Hijanona hatrany ho zava-miafina izay tsy takatry ny saina mandanjalanja lalina indrindra izany. Tsy azo azavaina ny siansan’ ny famonjena ; nefa mety ho fantatra amin’ ny alalan’ ny fanandramana izany. Izay mahita ny toetram-pahotan’ ny tenany ihany no afaka hahalala ny hasarobidin’ ny Mpamonjy.IFM 531.1

    Feno fampianarana ny lesona nataon’ i Kristy raha nanohy ny diany moramora avy any Galilia ho any Jerosalema Izy. Nazoto fatratra nihaino ny teniny ny vahoaka. Tany Perea tahaka ny tany Galilia, dia tsy teo ambanin’ ny fifehezan’ ny fitiavam-bavaka diso toeran’ ny Jiosy tahaka ny tany Jodia ny olona, ka nisy akony tao am-pon’ ireo ny fampianaran’ i Jesosy.IFM 531.2

    Nandritra ireo volana farany tamin’ ny fanompoan’ i Kristy, no nilazany ny sasany tamin’ ny fanoharana nataony. Nanenjika azy tamin’ ny fangidiam-po nitombo hatrany ny mpisorona sy ny raby, ka nosaronany tao amin’ ny ohatra ny fampitandremana nataony ho azy ireo. Tsy azony natao ny tsy hahazo ny tiany holazaina, nefa tsy nahita na inona na inona teo amin’ ny teniny izy hoentiny mampitoetra fiampangana Azy. Ao amin’ ny fanoharana momba ny Fariseo sy ny mpamory hetra, dia miavaka sy miharihary tanteraka amin’ ny fitalahoan’ ilay mpanota mibebaka hoe : «Mamindrà fo amiko, mpanota», ny vavaka mitory fiheverantena ho ampy hoe : «Andriamanitra Ò, misaotra Anao aho, fa Tsy mba tahaka ny olona sasany . . .»13Lio. 18:13, 11.. Tamin’ izany no nanomezan’ i Kristy tsiny ny fihatsarambelatsihin’ ny Jiosy. Ary ny sarin’ ilay aviavy tsy mamoa sy ilay fanasana lehibe no nanambarany mialoha ny loza izay efa hianjady amin’ ny firenena tsy mibebaka. Izay nanevateva ka nandà ny fiantsoana ho amin’ ny fanasan’ ny Filazantsara dia nandre ny teny fampitandremana hoe : «Fa lazaiko aminareo : Tsy hisy hanandrana ny nahandroko ireny olona nasaiko ireny na dia iray akory aza»14Lio. 14:24.IFM 531.3

    Sarobidy indrindra ny fampianarana nomena ny mpianatra. Ny fanoharana momba ilay mpitondratena nahery nangataka mofo tamin’ ny misasak’ alina, dia nanome hery vaovao ny teniny manao hoe: «Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dondòny, dia hovohana hianareo»15Lio. 11:9. Ary matetika dia nahazo hery ny finoany mihozongozona rehefa tsaroany fa niteny Kristy hoe : «Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olomboafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman’ alina, ary moa hitaredretra va Izy ? Lazaiko aminareo, fa homeny rariny faingana izy»16Lioka 18 : 7, 8.IFM 532.1

    Naverin’ i Jesosy ilay fanoharana kanto momba ilay ondry very. Ary notarihiny lavidavitra kokoa ny lesona voarakitra ao, raha nilaza ny amin’ ny farantsa kely volafotsy very sy ny amin’ ny zanaka adala Izy. Tsy mbola azon’ ny mpianatra nankafizina feno ny herin’ ireo lesona ireo tamin’ izay fotoana izay ; fa rehefa nirotsaka ny Fanahy Masina, ka nanatrika ny fidiran’ ny Jentilisa tao amin’ ny Fiangonana izy ary nahita ny hatezeran’ ny Jiosy feno fialonana, dia nazava taminy kokoa ny lesona momba ny zanaka adala, ka afaka niditra tao amin’ ny fifalian’ ny tenin’ i Kristy hoe : «Fa mety ny mifaly sy miravoravo» ; «Fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray»17Lio. 15 : 32, 24 Koa raha nandeha tamin’ ny anaran’ ny Tompony izy, niatrika ny fanomezan-tsiny sy ny fahantrana ary ny fanenjehana, dia matetika izy no nahazo hery tamin’ ny famerenana ny baiko nataony tamin’ iny diany farany iny hoe : «Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana. Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana, manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon’ ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba. Fa izay itoeran’ ny harenareo, dia ho any koa ny fonareo»18Lio. 12 : 32-34.IFM 532.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents