Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 55—Tsy misehoseho

    Nisy Fariseo nanatona an’ i Jesosy nanontany hoe : «Rahoviana no ho tonga ny fanjakan’ Andriamanitra»1Mifototra amin’ny Lio 17 : 20-22. Telo taona mahery lasa izay no nanomezan’ i Jaona mpanao batisa ny hafatra tahaka ny antson’ ny trompetra izay nanakoako nanerana ny tany hoe : «Akaiky ny fanjakan’ ny lanitra»2Mat. 3 : 2. Nefa tsy nahita famantarana ny amin’ ny fanorenana ny fanjakana ihany ireto Fariseo ireto. Betsaka tamin’ izy ireo no nandà an’ i Jaona, ary nanohitra an’ i Jesosy isaky ny mandingana, ka nanisika ny hevitra fa tsy nahomby ny asa nanirahana Azy.IFM 541.1

    Namaly Jesosy ka nanao hoe : «Tsy misehoseho ny fiavian’ ny fanjakan’ Andriamanitra ; ary ny olona tsy hanao hoe : Indro ety na ery ! fa indro, ny fanjakan’ Andriamanitra, dia ao anatinareo». Manomboka ao amin’ ny fo ny fanjakan’ Andriamanitra. Aza mijery etsy na eroa hahita fanehoana ny hery ara-nofo mba hanamarihana ny fiaviany.IFM 541.2

    «Ho avy ny andro», hoy Izy, nitodika tany amin’ ny mpianany, «hanirianareo hahita ny anankiray amin’ ny andron’ ny Zanak’ olona nefa tsy hahita hianareo». Satria tsy arahin’ ny rendrarendra araka izao tontolo izao izany, dia tandindomin-doza ianareo tsy hahafantatra Ahy. Tsy tsapanareo ny mahalehibe ny tombontsoanareo ankehitriny, manana Ahy eo anivonareo, na dia saronan’ ny maha-olombelona aza, dia ilay fiainana sy fahazavan’ ny olona. Ho avy ny andro izay hitazananareo ny lasa sady hanirianareo mafy ireo fotoana mety hifalianareo ankehitriny miara-mandeha sy miaramitafa amin’ ny Zanak’ Andriamanitra.IFM 541.3

    Noho ny fitiavan-tenany sy ny toetrany ara-nofo anefa, na dia ny mpianatr’ i Kristy aza tsy afaka nahazo ny voninahitra arapanahy izay niezahany naseho azy ireo. Raha tsy niakatra ho any amin’ ny Rainy i Kristy, ka nirotsaka tamin’ ny mpino ny Fanahy Masina, vao afaka nankasitraka feno ny toetra amam-panahin’ ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy izy. Rehefa nandray ny batisan’ ny Fanahy izy, dia nanomboka nahatsapa fa efa nanatrika mihitsy Ilay Tompon’ ny voninahitra. Rehefa nampahatsiahivina azy ny teny nataon’ i Kristy, dia nisokatra ny sainy nahazo ny faminaniana ary nahazo ny fahagagana izay efa nataony. Nandalo teo anatrehany ny zava-mahazendana teo amin’ ny fiainana, ka toy ny olona nifoha ary nanonofy izy. Tsapany fa «ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika ; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ ny Lahitokana avy tamin’ ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana»3Jao.1 : 14. Efa tonga avy tamin’ Andriamanitra tokoa Kristy ka nankeo amin’ izao tontolo izao feno fahotana mba hamonjy ny zanakalahy sy ny zanakavavin’ i Adama amin’ ny fahalavoany. Toa tsy dia lehibe teo imason’ ny mpianatra tahaka ny talohan’ ny nahatsapany izany intsony ny tenany. Tsy sasatra mihitsy izy nihaino indray ny teniny sy ny asa nataony. Ny lesony, izay nanjavozavo fotsiny ny nahazoany azy, ankehitriny, dia tonga taminy tahaka ny fanambarana vaovao. Nanjary boky vaovao ho azy ny Soratra Masina.IFM 542.1

    Raha nikaroka ny faminaniana izay vavolombelon’ i Kristy ny mpianatra, dia nifankazatra tamin’ Andriamanitra izy, ka nianatra tamin’ Ilay efa niakatra any an-danitra hameno ny asa natombony teto an-tany. Nekeny fa ao Aminy no itoeran’ ny fahalalana izay tsy mety ho takatry ny olombelona, raha tsy ampian’ ny herin’ ny lanitra. Nila ny fanampian’ Ilay nambaran’ ny mpanjaka, sy ny mpaminany ary ny olona marina mialoha izy. Gaga izy namaky sy niverina namaky ireo famaritana ara-paminaniana momba ny toetra amampanahiny sy ny asany. Nanjavozavo nanao ahoana ny nahazoany ny faminaniana ao amin’ ny Soratra Masina ; votsa manao ahoana izy nandray ireo fahamarinana lehibe izay vavolombelon’ i Kristy. Fony nibanjina Azy teo amin’ ny fanetren-tenany izy ireo, raha nandeha toy ny olona teo anivon’ ny olona Izy, dia tsy azony ny zava-miafina momba ny nahatonga nofo Azy, ny toetra roa teo amin’ ny maha-izy Azy. Voatana ny masony, hany ka tsy hitany tanteraka ny maha-Andriamanitra ao amin’ ny maha-olombelona.IFM 542.2

    Nefa rehefa nohazavain’ ny Fanahy Masina izy, nanao ahoana ny faniriany hahita Azy indray, sy hipetraka eo an-tongony. Niriny ny ho afaka mankeo Aminy mba hangataka Azy hanazava aminy ny Soratra Masina, izay tsy nety takany ny heviny. Ho liana manao ahoana izy hihaino ny teniny. Inona no tian’ i Jesosy hambara fony Izy niteny hoe : «Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny»41 Jao. 16 : 12. Akory izany hetahetany te-hahalala izany rehetra izany. . . Nalahelo mafy izy noho ny hakelin’ ny finoany, hany ka lasa lavitra ny fetra nokendrena ny heviny, tsy takany ny dikan’ ny zava-misy. .IFM 543.1

    Nisy mpitondra hafatra nalefan’ Andriamanitra hitory ny fiavian’ i Kristy, sy hampifantoka ny sain’ ny firenena Jiosy sy ny an’ izao tontolo izao ho amin’ ity asa nanirahana Azy, mba ho voaomana ny olona handray Azy. Ilay olona nahagaga, manana ny maha-izy Azy izay nambaran’ i Jaona, dia teo anivon’ izy ireo nandritra ny telo taona mahery, nefa tsy fantany marina fa Izy no Ilay nirahin’ Andriamanitra. Tratry ny nenina mafy ny mpianatra satria, tamin’ izay fotoana izay dia navelany hanjaka ny tsy finoana hiasa tamin’ ny heviny ary hanamaizina ny sainy. Ilay fahazavan’ ity izao tontolo izao maizina ity dia efa namirapiratra tao amin’ ny somambisamby ary tsy fantany izay niavian’ ny tara-pahazavana. Nanontany tena izy hoe nahoana no nanao fihetsika izay tsy maintsy nanomezan’ i Kristy tsiny azy Izy ? Naverimberin’ izy ireo matetika ny resaka nataony, ka hoy izy ireo hoe : Nahoana re no navelantsika hampifanjevo ny saintsika ny fiheverana ara-nofo sy ny fanoheran’ ny mpisorona sy ny raby, hany ka tsy azontsika fa nisy lehibe noho i Mosesy teo anivontsika, fa nampianatra antsika Ilay hendry noho i Solomona ? Donto ve izany sofintsika izany ? Osa ve izany saintsika izany ?IFM 543.2

    Tsy nety nino i Tomasy raha tsy nametraka ny tanany teo amin’ ny fery izay nataon’ ny miaramila Romana. Petera nandà Azy raha nalaim-baraka sy notsipahana Izy. Tonga tamin’ ny fomba mazava tsara teo aminy ireo fahatsiarovana mangirifiry ireo. Efa niaraka taminy izy nefa tsy nahafantatra na nankasitraka Azy. Nanetsika ny fony manao ahoana anefa ireny zavatra ireny rehefa nekeny ny tsy finoany !IFM 543.3

    Rehefa niray hina hanohitra Azy ny mpisorona sy ny mpanapaka, ka nentiny teo anatrehan’ ny Synedriona sy nataony tany an-tranomaizina ny mpanaraka an’ i Kristy, dia niravoravo izy satria «natao miendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr’ izany anarana izany» 5Asa. 5 : 41. Ravoravo izy nampiseho teo anatrehan’ ny olona sy ny anjely fa nekeny ny voninahitr’ i Kristy ary nifidy ny hanaraka Azy izy na ho veriny aza ny zavatra rehetra.IFM 544.1

    Ankehitriny, tahaka ny tamin’ ny andron’ ny apostoly, dia marina fa raha tsy ny fanazavan’ ny Fanahin’ Andriamanitra, dia tsy afaka hahafantatra ny voninahitr’ i Kristy ny maha-olombelona. Ny fahamarinana sy ny asan’ Andriamanitra dia tsy ankasitrahan’ ny fivavahana kristiana tia an’ izao tontolo izao sy sadasada. Tsy eo amin’ ny fomba ampiadanan-tena ahitana voninahitra ara-nofo na fitoviana amin’ izao tontolo izao, no tokony hahitana ny mpanaraka ny Tompo. Mialoha lavitra izy eo amin’ ny lalana ahitana asa mafy, ahitana fahafaham-baraka, ahitana fanomezan-tsiny, any amin’ ny vava-ady izy eo amin’ ny tolona ifanaovana «amin’ ny fanapahana sy amin’ ny fanjakana sy amin’ ny mpanjakan’ izao fahamaizinana izao, dia amin’ ny fanahy ratsy eny amin’ ny rivotra»6Efes.6 : 12. Ary ankehitriny koa, tahaka ny tamin’ ny andron’ i Kristy, dia diso ny fandraisana azy ka mahazo fanakianana avy amin’ ny mpisorona sy ny Fariseo amin’ ny androny izy ary ampahoriany.IFM 544.2

    Tsy misehoseho ny fanjakan’ Andriamanitra. Ny filazantsaran’ ny fahasoavan’ Andriamanitra, sy ny toe-tsaina mahafoy tena eo aminy, dia tsy afaka hifandrindra mihitsy amin’ ny toe-tsain’ izao tontolo izao. Mifanohitra ireo foto-kevitra roa ireo : «Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ ny Fanahin’ Andriamanitra, fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany»71 Kor. 2 : 14.IFM 544.3

    Ankehitriny anefa, eo amin’ izao tontolo izao mivavaka, dia marobe ny olona izay miasa amin’ ny fanorenana ny fanjakan’ i Kristy, araka ny finoany azy, ho fanjakana eto an-tany sy ara-nofo. Iriny ny hanao ny Tompontsika ho mpanapaka ny fanjakana eto amin’ izao tontolo izao, ho mpanapaka any amin’ ny trano fitsarana sy ny toby miaramila, any amin’ ny antenimieram-pirenena, any amin’ ny lapan’ andriana sy ny toeram-pivarotana. Manantena Azy hifehy izy amin’ ny fanaovana didy aman-dalàna, hamafisin’ ny fahefan’ olombelona. Koa satria tsy eto ara-batana Kristy ankehitriny, dia ny tenany no handray andraikitra eo amin’ ny asa hisolo Azy, hampihatra ny lalàn’ ny fanjakany. Ny fanorenana fanjakana toy izany no nirin’ ny jiosy tamin’ ny andron’ i Kristy. Ho nandray an’ i Jesosy izy, raha nekeny ny hanangana fanjakana ara-nofo, ny hanamafy izay noheveriny ho lalàn’ Andriamanitra, ary ny hanendry azy ireo ho mpamelabelatra ny sitrapony sy mpanatanteraka ny fahefany. Hoy izy anefa : «Ny fanjakako tsy avy amin’ izao tontolo izao» 8Jao.18 : 36. Tsy hanaiky seza fiandrianana eto an-tany Izy.IFM 544.4

    Ratsy toetra sady nampahory ny fanjakana tamin’ ny fahavelon’ i Jesosy ; nisy fanaovan-dratsy nihoampampana hatraiza hatraiza, — fanaovana an-keriny, tsy fandeferana, ary fahasiahana sy fanosihosena. Tsy niezaka ny hanao fanavaozana ara-panjakana anefa ny Mpamonjy. Tsy namely izay fanaovan-dratsy teo amin’ ny firenena Izy, na nanameloka ny fahavalom-pirenena. Tsy nisalovana tamin’ ny fahefana na ny fitondran’ ireo teo amin’ ny fanjakana Izy. Ilay ohatra ho antsika dia nihatakataka tamin’ ny fanjakana eto an-tany. Tsy hoe satria tsy nampiraika Azy ny fahorian’ ny olona, fa satria tsy eo amin’ izay mety ho vitan’ ny olombelona ivelambelany fotsiny ny fanafody. Mba hahombiazan’ ny fanafody, dia tsy maintsy mahatratra ny olombelona tsirairay izany, ka manavao ny fo.IFM 545.1

    Tsy ny fanapahan-kevitry ny fitsarana na ny filan-kevitra na ny antenimieram-pirenena, na ny fiarovana ny olona ambony eto amin’ izao tontolo izao, no anorenanao ny fanjakan’ i Kristy, fa ny toetran’ i Kristy volena ao amin’ ny maha-olombelona amin’ ny alalan’ ny asan’ ny Fanahy Masina no hananganana izany. «Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’ Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon’ ny nofo, na ny sitrapon’ ny olona fa naterak’ Andria-manitra»9Jao. 1 : 12, 13. Io no hany hery izay afaka hiasa hanandratra ny taranak’ olombelona. Ary ny fitaovana amin’ ny maha-olombelona hanatanterahana io asa io dia ny fampianarana sy ny fampiharana ny tenin’ Andriamanitra.IFM 545.2

    Raha nanomboka ny asany tany Korinto ny apostoly Paoly, ilay tanàna be mponina sy manan-karena, tanàna ratsy fanahy, izay voaloton’ ny fahavetavetana tsy voatonona teo amin’ ny fanompoan-tsampy, dia hoy izy : «Fa ninia tsy nahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin’ ny hazo fijaliana» 101 Kor. 2 : 2. Tatý aoriana, raha nanoratra tamin’ ireo izay efa voaloton’ ny fahotana maharikoriko indrindra izy, dia afaka niteny hoe : «Saingy efa voasasa hianareo, efa nohamasinina hianareo, efa nohamarinina hianareo, tamin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ ny Fanahin’ Andriamanitra». «Misaotra an’ Andriamanitra mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan’ Andriamanitra izay nomeny anareo ao amin’ i Kristy Jesosy» 111 Kor. 6 : 11; 1 : 4.IFM 545.3

    Ankehitriny koa, tahaka ny tamin’ ny andron’ i Kristy, dia tsy miankina amin’ izay mitaky ny fanekena sy ny fanoavan’ ny mpanapaka eto amin’ izao tontolo izao, sy ny lalàn’ ny olombelona ny asan’ ny fanjakan’ Andriamanitra, fa miankina amin’ ireo izay manambara amin’ ny olona amin’ ny anarany ireo fahamarinana ara-panahy izay hiasa hanatanteraka ao amin’ izay mandray izany ny fanandramana nataon’ ny apostoly Paoly hoe : «Voahombo miaraka amin’ i Kristy eo amin’ ny hazo fijaliana aho ; ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko» 12Gal. 2 : 20. Amin’ izay dia hiasa tahaka an’ i Paoly izy hanasoa ny olombelona. Hoy izy : «Koa dia iraka solon’ i Kristy izahay, toa an’ Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon’ i Kristy izahay, ka mangataka indrindra aminareo hoe : mihavàna amin’ Andriamanitra anie hianareo» 132 Kor. 5 : 20.IFM 546.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents