Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 56—Nitahy ny zaza

    Tia zaza mandrakariva Jesosy. Nekeny ny firaisam-po tamin’ ireo zaza ireo sy ny fitiavany niharihary, tsy amboamboarina. Feonjava-maneno teo an-tsofiny ny fiderana feno fankasitrahana teo amin’ ny molony madio, ka namelombelona ny fanahiny rehefa nampahorian’ ny fifandraisana tamin’ ny olona fetsifetsy sy nihatsaravelatsihy Izy. Na taiza na taiza nalehan’ ny Mpamonjy dia nisarika ny fitiavana sy ny fahatokian’ ny zaza ny endriny tsara fanahy, sy ny fihetsiny malefaka, nitory fahalemem-panahy. 1Mifototra amin’ ny Matio 19 : 13-15 ; Marka 10 : 13-16 ; Lioka 18 : 15-17 ity toko ity.IFM 547.1

    Teo amin’ ny Jiosy dia fanao mahazatra ny mitondra ny zaza ho eo amin’ ny raby iray mba hametrahany tanana ho fitahiana azy ; noheverin’ ny mpianatra anefa fa lehibe loatra ny asan’ ny Mpamonjy ka tsy tokony hotapahina amin’ izany fomba izany. Rehefa tonga teo Aminy ny reny nitondra ny zanany kely dia nampiseho tsy fankasitrahana ny fomba fijerin’ ny mpianatra ireny. Noheveriny fa kely loatra ireto zaza ireto ka tsy handray tombon-tsoa amin’ ny fankanesana eo amin’ i Jesosy, koa ho fehin’ izany dia hahasorena Azy ny fanatrehan’ ireo. Ny mpianatra anefa no nahasorena Azy. Tsapan’ ny Mpamonjy ny ahiahy sy ny enta-mavesatra entin’ ny reny izay niezaka ny hitaiza ny zanany araka ny tenin’ Andriamanitra. Efa nihaino ny fivavahany Izy. Izy mihitsy no nisarika azy ireo ho eo Aminy.IFM 547.2

    Nisy reny iray niainga tao an-tranony niaraka tamin’ ny zanan hitady an’ i Jesosy. Teny an-dalana dia nambarany tamin’ nifanolobodirindrina taminy ny diany, ka nirin’ io mpifanolobodi- rindrina aminy io koa ny hitahian’ i Jesosy ny zanany. Noho izany dia betsaka ny reny no niaraka, nitondra ny zanany kely. Nisy efa nihoatra ny taona nitrotroana azy ka efa teo amin’ ny fahazazana sy ny fahatanorana. Rehefa nampahafantarin’ ireo reny ny faniriany, dia nihaino tamim-pitiavana ny fangatahany matahotra sady nomban-dranomaso Jesosy. Niandry izay ho fihetsiky ny mpianatra amin’ ireo anefa Izy. Rehefa hitany fa nalefan’ ireo ny reny ary nihevitra fa nanao soa ho Azy izy tamin’ izany, dia nasehony taminy ny fahadisoany, ka hoy Izy : «Avelao ny zaza hanatona ahy, ary aza rarana ; fa an’ ny toa azy ny fanjakan’ Andriamanitra». Noraisiny tany an-trotroany ny zaza, nametrahany tanana, ary nomeny azy ny fitahiana izay notadiaviny.IFM 547.3

    Nahazo fampiononana ny reny. Niverina tany an-tokantranony izy, nahazo hery sy fitahiana tamin’ ny tenin’ i Kristy. Nahazo fampaherezana izy handray indray ny entany mavesatra tamim» pifaliana vaovao, sy hiasa ho an’ ny zanany amin’ ny fanantenana feno. Tokony handray ny teniny amin’ izany finoana izany koa ny reny amin’ izao fotoana izao. Tena Mpamonjy marina ho an’ ny tena manokana Kristy ankehitriny tahaka ny fony Izy nivelona teo anivon’ ny olona. Tena mpanampy marina ny reny Izy ankehitriny tahaka ny fony Izy nanangona ny ankizy madinika teny an-trotroany tany Jodia. Ny zaza ao an-tokantranontsika koa dia novidin’ ny rany tahaka ny zaza tamin’ ny andro fahiny.IFM 548.1

    Fantatr’ i Jesosy ny enta-mavesatra eo amin’ ny fon’ ny reny tsirairay. Ilay nanana reny nitolona tamin’ ny fahantrana sy ny fihafiana, dia miray fo amin’ ny reny rehetra eo amin’ ny asany. Ilay nanao dia lavitra mba hanamaivanana ny fon’ ilay vehivavy Kananita feno tebiteby, dia hanao betsaka toy izany koa amin’ ny reny ankehitriny. Ilay namerina ny zananilahy tokana tamin’ ilay mpitondratena tany Naina, ary nahatsiaro ny reniny teo amin’ ny fialan’ ainy teo amin’ ny hazo fijaliana, Izy dia voatohin’ ny fahorian’ ny reny ankehitriny. Hampahery sy hanampy Izy eo amin’ ny alahelo rehetra sy ny fahasahiranana rehetra.IFM 548.2

    Aoka hanatona an’ i Jesosy ny reny miaraka amin’ izay mahavery hevitra azy. Hahita fahasoavana ampy izy ho fanampiana azy amin’ ny fitondrana ny zanany. Midanadana ny varavarana ho an’ ny reny rehetra izay ta-hametraka ny entany mavesatra eo an-tongotry ny Mpamonjy. Ilay nanao hoe : «Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana», dia mbola miantso ny reny hitarika ny zanany kely mba hotahiany. Na dia menavava eny an-trotroan-dreniny aza dia afaka mitoetra toy ny eo ambanin’ ny aloky ny Tsitoha amin’ ny alalan’ ny finoan’ ny reny eo am-pivavahana. Feno ny Fanahy Masina hatramin’ ny nahaterahany i Jaona Mpanao batisa. Raha mivelona amin’ ny firaisana amin’ Andriamanitra isika, dia mahazo manantena koa isika fa hamolavola ny zanatsika madinika ny Fanahin’ Andriamanitra, eny, fa na dia hatramin’ ny fotoana maha-kely azy indrindra aza.IFM 548.3

    Ny zaza izay nentina nifandray taminy dia nahitan’ i Jesosy ny lehilahy sy ny vehivavy izay handova ny fahasoavany sy ho anisan’ ny fanjakany, ary hisy koa sasany amin’ ireo hanjary maritiora noho ny aminy. Fantany fa hihaino sy hanaiky Azy ho Mpanavotra ireo zaza ireo ary ho vonona kokoa amin’ izany, mihoatra lavitra noho ny olon-dehibe izay nisy maro, hendry araka izao tontolo izao sy mafy fo. Nidina teo amin’ izay nisy azy ireo Izy tamin’ ny fampianarany. Ilay Andrianan’ ny lanitra dia tsy nanao ho zavatra tsinontsinona ny hamaly ny fanontaniany, ka namorainy ny lesona lehibe nataony mba hifanaraka amin’ ny sain’ izy ireo mbola zaza. Novoleny tao an-tsain’ izy ireo ny voan’ ny fahamarinana, izay hitsimoka amin’ ny taona manaraka, ka hitondra vokatra ho amin’ ny fiainana mandrakizay.IFM 549.1

    Mbola marina ihany fa ny zaza no mora andairan’ ny fampianaran’ ny Filazantsara ; midanadana hiasan’ ny herin’ Andriamanitra mangina ny fony, ary mitana mafy ny lesona noraisiny. Mety ho kristiana ny ankizy madinika, mba hanana fanandramana mifanaraka amin’ ny taonany. Ilainy ny ho beazina eo amin’ ny zavatra ara-panahy, ka tokony homen’ ny ray aman-dreny azy ny tombontsoa rehetra izay ahazoany mamolavola toetra amam-panahy araka ny toetra amam-panahin’ i Kristy.IFM 549.2

    Ny ray sy ny reny dia tokony hihevitra ny zanany ho toy ny mambra zandriny eo amin’ ny fianakavian’ ny Tompo, izay nankinina taminy mba hobeaziny ho any an-danitra. Ny lesona izay nianarantsika avy amin’ i Kristy dia tokony homentsika ny zanatsika. araka izay ahazoan’ ny saina mbola tanora mandray izany, ka hovelariny tsikelikely eo aminy ny hakanton’ ireo foto-kevitry ny lanitra. Amin’ izay dia manjary sekoly ny tokantrano kristiana, ka ny ray aman-dreny no mpampianatra mpanampy, fa Kristy mihitsy no mpampianatra lehibe.IFM 549.3

    Eo amin’ ny asa ataontsika ho amin’ ny fiovam-pon’ ny zanatsika, dia tsy tokony hanampo fihetseham-po mahery vaika isika ho porofo tsy maintsy ho hita ho faharesen-dahatra ny amin’ ny fahotana. Tsy ilaina koa ny hahalala ny fotoana marina niovany fo. Tokony hampianarintsika izy hitondra ny fahotany eo amin’ i Jesosy, mangataka famelan-keloka avy Aminy sady mino fa mamela sy mandray azy Izy tahaka ny nandraisany ny zaza fony Izy nitafy nofo teto an-tany.IFM 549.4

    Rehefa mampianatra riy zanany hankatò azy ny reny noho ny fitiavany ny reniny, dia mampianatra azy ireo lesona voalohany amin’ ny fiainana kristiana izy. Ny fitiavan’ ny reny dia mampiseho amin’ ny zaza ny fitiavan’ i Kristy, koa ireo zaza madinika izay matoky sy mankatò ny reniny, dia mianatra ny matoky sy mankatò ny Mpamonjy.IFM 550.1

    Jesosy no modely ho an’ ny zaza, ary Izy koa no ohatra ho an’ ny ray. Niteny toy izay nanana fahefana Izy, ary nanankery ny teniny ; nefa teo amin’ ny fifaneraserany rehetra tamin’ ny olona tsy mahay manaja sy be herisetra dia tsy nampiasa teny tsy nisy fitiavana na tsy manaja Izy na dia iray aza. Ny fahasoavan’ i Kristy ao am-po no hizara ny fahamendrehana avy any an-danitra sy ny fahatsapana ny fahalalam-pomba. Hanalefaka izay rehetra mivatravatra izany, sy hampilefitra izay rehetra maraorao sy tsy misy fitiavana. Hitarika ny ray sy ny reny handray ny zanany ho toy ny manan-tsaina izany, tahaka ny itiavan’ izy ireo koa itondrana azy.IFM 550.2

    Ry ray aman-dreny, amin’ ny fitaizana ny zanakareo, ianaro ny lesona izay nomen’ Andriamanitra eo amin’ ny zavaboary. Raha mikarakara pika, na raozy, na lisy ianao, dia ahoana no hanaovanao izany ? Anontanio ny mpanao zaridaina ny amin’ ny fomba ataony mba hampivelatra ho kanto dia kanto ny sampany sy ny raviny rehetra, ka hampitombo sy hampirindra ny endriny mahate ho tia. Hambarany aminao fa tsy amin’ ny fihetsika mivatravatra, na amin’ ny ezaka mahery vaika no anaovany izany ; hahatapaka fotsiny ny taho marefo mantsy izany. Fikarakarana madinidinika, miverimberina matetika no atao. Manamando ny tany izy, ary miaro ny zava-maniry mitombo amin’ ny rivotra masiaka mifofofofo sy amin’ ny hainandro mandoro, ary Andriamanitra no mampivelatra sy mampamelana azy hisy endrika mahate ho tia. Amin’ ny fifandraisanao amin’ ny zanakao, dia araho ny fomba fiasan’ ny mpanao zaridaina. Amin’ ny alalan’ ny fanamboarana moramora sy ny fikarakarana feno fitiavana, dia miezaha mamolavola ny toetra amam-panahiny araka ny ohatry ny toetra amam-panahin’ i Kristy.IFM 550.3

    Ampianaro ny fanehoam-pitiavana an’ Andriamanitra sy izy samy izy. Ny antony mahatonga lehilahy sy vehivavy mafy fo betsaka toy izao eto amin’ izao tontolo izao, dia ny fiheverana ny fitiavana marina ho fahalemena, ka nokiviana sy nosakanana. Maty ankaranany teo amin’ ny fahazazany ny toetra tsara indrindra teo amin’ ireo olona ireo, ary raha tsy mampiempo ny fitiavantenany mangatsiaka ny fahazavan’ ny fitiavan’ Andriamanitra, dia ho levona mandrakizay ny fahasambarany. Raha tiantsika hanana ny toe-tsaina malefaka teo amin’ i Jesosy, sy ny firaisam-po izay asehon’ ny anjely amintsika ny zanatsika, dia tsy maintsy hampaherezintsika ny fironana malala-tanana sy be fitiavana eo amin’ ny fahazazana.IFM 551.1

    Mampianara ny zaza hahita an’ i Kristy eo amin’ ny zavaboary. Ento eny ankalamanjana izy, eny ambanin’ ny hazo mijoalajoala, eny an-jaridaina ; ary ampianaro izy hahita ny fanehoana ny fitiavan’ i Kristy eny amin’ ny asa mahagaga rehetran’ ny famoronana. Ampianaro azy fa Izy no nanao ny lalàna mifehy ny zava-manan’ aina rehetra, fa nanao lalàna ho antsika Izy, ary ireny lalàna ireny dia natao ho fahasambarana sy fifaliana ho antsika. Aza mamizana azy amin’ ny vavaka lavareny sy ny fampirisihana mandreraka, fa ampianaro azy ny fankatoavana ny lalàn’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny lesona azo tsapain-tanana eo amin’ ny zavaboary.IFM 551.2

    Rehefa azonao hatoky anao ho mpanaraka an’ i Kristy izy, dia ho mora ny hampianatra azy ny fitiavana lehibe izay nitiavany antsika. Raha miezaka ny hampahazava ny fahamarinan’ ny famonjena ianao, ka manondro an’ i Kristy ho Mpamonjin’ ny tena manokana amin’ ny zaza, dia ho eo anilanao ny anjely. Hanome fahasoavana ny ray sy ny reny hampahaliana ny zanany kely amin’ ny tantara sarobidin’ ilay Zaza tao Betlehema ny Tompo, dia Ilay tena fanantenan’ izao tontolo izao marina tokoa.IFM 551.3

    Fony niteny ny mpianatra Jesosy tsy hanakana ny zaza hanatona Azy, dia niteny amin’ ny mpanaraka Azy amin’ ny taonjato rehetra Izy — , dia ireo tompon’ andraikitra ao amin’ ny fiangonana, ny mpitandrina. ny mpanampy, sy ny kristiana rehetra. Mitarika ny zaza Jesosy, eny, mibaiko antsika Izy hoe : «Avelao ny zaza hanatona Ahy» ; toy ny manao hoe Izy : Hanatona izy raha tsy sakananareo.IFM 551.4

    Aoka tsy handiso ny fanehoana an’ i Jesosy ny toetra amampanahinao tsy mitovy amin’ i Kristy. Aza azonina ho lavitra Azy ireo madinika ireo noho ny fangatsiahanao sy ny fahasiahanao. Aoka tsy ho tsapany mihitsy fa tsy ho toerana mahafinaritra ny lanitra raha any ianao. Aza resahina toy ny zavatra tsy mety ho azon’ ny ankizy ny fivavahana, na manao fihetsika izay toa mitory fa tsy horaisin’ i Kristy amin’ ny fahazazany izy. Aza atao tsapany ny fiheveran-diso fa fivavahana manjoninjonitra ny fivavahan’ i Kristy, ary raha manatona ny Mpamonjy izy dia tsy maintsy hafoiny izay rehetra mampahafalifaly ny fiainana.IFM 551.5

    Rehefa miasa eo amin’ ny fon’ ny zaza ny Fanahy Masina, dia miaraha-miasa aminy. Ampianaro ny zaza fa miantso azy ny Mpamonjy, fa tsy misy hanome fifaliana lehibe kokoa ho azy toy ny manolotra ny tenany ho Azy eo amin’ ireo taonany vao mivelatra ireo.IFM 552.1

    Mijery ny fanahy izay novidiny tamin’ ny rany amin’ ny fitiavana tsy voafetra ny Mpamonjy. Ireo no takian’ ny fitiavany. Mijery azy amin’ ny faniriana mafy tsy hay lazaina Izy. Tsy ny zaza tsara taiza ihany no takarin’ ny fony, fa ireo manana lafin-toetra nolovainy azo kianina koa. Betsaka ny ray aman-dreny no tsy mahatsapa ny halehiben’ ny andraikiny amin’ ireo lafin-toetra eo amin’ ny zanany ireo. Tsy manana ny fitiavana sy ny fahendrena hifandraisana amin’ izay diso lalàna izy izay nataony ho araka izay toetran’ ny tenany rahateo. Mangoraka ireo zaza ireo koa Jesosy. Manamarika ny an tony nahatonga izao toe-javatra izao Izy.IFM 552.2

    Mety ho tonga fiasana ho an’ i Kristy ny mpiasa kristiana amin’ ny fitarihana ireo zaza ireo eo amin’ ny Mpamonjy. Amin’ ny fahendrena sy ny fahaizana mifandray Aminy dia azony atao ny mamatotra azy amin’ ny fony, ny manome azy faherezana sy fanantenana, ary amin’ ny alalan’ ny fahasoavan’ i Kristy dia mety hahita fiovana amin’ ny toetra amam-panahiny, hany ka ho azo atao ny hiteny hoe : «An’ ny toa azy ny fanjakan’ ny lanitra».IFM 552.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents