Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 62—Tao an-tranon’ i Simona

    Anisan’ ny mpianatr’ i Jesosy i Simona avy any Betania. Anankiray tamin’ ireo Fariseo vitsivitsy izay nifandray ampahibemaso tamin’ ny mpanaraka an’ i Kristy izy1Mifototra amin’ny Mat. 26 : 6-13 ; Mar. 14: 3-11 ; Lio. 7 : 36-50 ; Jao. 11 : 55-57 ; 12 : 1-11. Nekeny ho mpampianatra Jesosy, ary nantenainy fa mety ho Mesia, nefa tsy nanaiky Azy ho Mpamonjy izy. Tsy voaova ny toetra amam-panahiny ; tsy niova koa ireo foto-kevitra nijoroany.IFM 593.1

    Sitrana tamin’ ny habokana i Simona, ary izany no nitarika azy ho eo amin’ i Jesosy. Naniry ny haneho ny fankasitrahany izy ka tamin’ ny namangian’ i Kristy farany tany Betania, dia nanao fanasana ho an’ ny Mpamonjy sy ny mpianany izy. Maro ny Jiosy tafangona tamin’ io fanasana io. Nisy fihetsiketsehan-tsaina betsaka tao Jerosalema tamin’ izany fotoana izany. Voasarika ho amin’ i Kristy sy ny asa nanirahana Azy bebe kokoa noho ny teo aloha ny saina. Ireo izay tonga tao amin’ ny fanasana dia nanara-maso akaiky ny fihetsiny, ary nisy nanao izany tamin’ ny mason’ ny tsy tia.IFM 593.2

    Henemana fotsiny talohan’ ny Paska no nahatongavan’ ny Mpamonjy tao Betania, ary araka ny fombany dia nitady fialantsasatra, tao an-tranon’ i Lazarosy Izy. Naparitak’ ireo mpivahiny nandalo tao amin’ io tanàna io ny filazana fa teo an-dalana ho any Jerosalema izy, ary hanao Sabata ao Betania. Hafaliam-be ny an’ ny vahoaka. Maro ny olona nirohotra ho any Betania, ny sasany noho ny firaisam-pony tamin’ i Jesosy, ary ny sasany noho ny fitiavankahita ilay efa natsangana tamin’ ny maty.IFM 593.3

    Betsaka ireo izay nanantena ny handre zava-mahaliana hotantarain’ i Lazarosy ny amin’ izay hitany tany ankoatry ny fahafatesana. Gaga izy ireo raha tsy nilaza na inona na inona izy. Tsy nananjavatra toy izany koa hotantaraina taminy izy. Hoy ny teny avy amin’ ny tsindrimandrin’ Andriamanitra : «Ny maty tsy mba mahalala na inona na inona ... Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona»2Mp.T. 9 : 5, 6. Fa vavolombelona mahagaga ny amin’ ny asan’ i Kristy kosa i Lazarosy. Izany no nananganana azy tamin’ ny maty. Nambarany tamim-pahatokiana sy tamin-kery fa Jesosy no Zanak’ Andriamanitra.IFM 594.1

    Vao mainka koa niendratrendratra ny olona noho ny tatitra nentin’ ireo mpitsidika tany Betania niverina tany Jerosalema. Liana hahita sy hihaino an’ i Jesosy ny olona. Ta-hahalala ny besinimaro raha hiaraka aminy ho any Jerosalema i Lazarosy, ary raha hasandratra ho mpanjaka amin’ ny Paska Ilay mpaminany. Hitan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka fa mbola nihena ihany ny fahefany tamin’ ny vahoaka ka vao mainka nampangidy ny hatezerany tamin’ i Jesosy izany. Mila tsy ho andriny ny hahitany fotoana mety hamongorana Azy mandrakizay tsy ho eo amin’ ny lalan’ izy ireo. Nandroso ny fotoana ka nanomboka nanahy izy ireo fa mety tsy hiakatra akory ho any Jerosalema Izy. Tsaroany fa matetika mihitsy no voasakana ireo tetika hamonoany Azy, ka natahotra izy ireo sao efa voavakiny sahady koa ny fikasana tao am-pon’ izy ireo hamono Azy, ka hijanona lavitra any Izy. Tsy hainy nafenina ny tebitebiny ka nifanontany izy ireo hoe: «Ahoana ny hevitrareo ? tsy mba ho tonga amin’ ny andro firavoravoana va Izy ?»IFM 594.2

    Nantsoina hivory ny mpisorona sy ny Fariseo. Hatramin’ ny nananganana an’ i Lazarosy tamin’ ny maty dia niray fo tanteraka indrindra tamin’ i Kristy ny vahoaka, ka nety hampidi-doza ny misambotra Azy ampahibemaso. Noho izany dia nanapa-kevitra ireo lehibe fa hisambotra Azy amin’ ny miafinafina ka hatao mangingina araka izay azo atao ny fitsarana Azy. Nanantena izy ireo fa rehefa re ny fanamelohana Azy, dia hivadika ny vahoaka mpiovaova hevitra ka hankasitraka azy ireo.IFM 594.3

    Toy izany no tetika nataony hamonoana an’ i Jesosy. Nefa raha mbola velona koa i Lazarosy, dia fantatry ny mpisorona sy ny raby fa tsy azo antoka ny amin’ ny hanjo azy ireo. Ny fisian’ ny lehilahy izay tany am-pasana efarana, ka tafaverina noho ny tenin’ i Jesosy, dia tsy maintsy hisy vokany na ho ela na ho haingana. Hifoteran’ ny vahoaka ireo mpitarika azy satria nandatsaka ny ain’ Ilay nahavita fahagagana toy izany. Noho izany dia nanapa-kevitra ny Synedriona fa tsy maintsy ho faty koa i Lazarosy. Lalina toy izany no andetehan’ ny fitsiriritana sy ny hevi-dratsy mibahana ao an-tsain’ izay efa nandevoziny. Nitombo hatrany ny fankahalana sy ny tsy finoan’ ireo mpitarika jiosy mandra-pandatsahan’ ny ain’ ny olona izay afaka tamin’ ny fasana noho ny hery mandrakizay.IFM 594.4

    Raha novolavolaina toy izany io tetika io tany Jerosalema, dia nantsoina tany amin’ ny fanasan’ i Simona Jesosy sy ny sakaizany. Teo amin’ ny latabatra nipetrahan’ ny Mpamonjy dia nisy an’ i Simona izay nositraniny tamin’ ny aretina mahatsiravina teo amin’ ny ilany iray, ary teo amin’ ny iray kosa nisy an’ i Lazarosy izay natsangany tamin’ ny maty. Marta nandroso sakafo fa i Maria kosa nihaino tamin-kafanam-po ny teny rehetra avy eo amin’ ny molotr’ i Jesosy. Noho ny famindrampony, dia namela ny helony Jesosy, nanangana ny anadahy malalany avy tao am-pasana izy ka feno fankasitrahana ny fon’ i Maria. Nandre an’ i Jesosy nilaza momba ny hahafatesany efa manakaiky izy, ary noho ny fitiavany sy ny alahelony lalina, dia naniry indrindra ny hanome voninahitra Azy izy. Nanao fahafoizan-tena be izy mba hividianany tavoara alabastara «feno menaka manitra nisy narda sarobidy indrindra», mba hanosorany ny tenany. Betsaka anefa izao no milaza fa hosorana ho mpanjaka Izy. Nivadika ho fifaliana ny alahelony ka naniry indrindra izy ny ho voalohany amin’ ny fanomezam-boninahitra ny Tompony. Novakiny ilay tavoara nisy menaka fanosorana, dia nararany teo amin’ ny tongotra sy ny lohan’ i Jesosy ny tao anatiny, dia nandohalika nitomany izy, kotsan’ ny ranomasony ny tongotr’ i Jesosy ka nofafany tamin’ ny volony lava, novahany.IFM 595.1

    Nokendreny ny tsy hojerijerena, ary nety ho tsy nisy nahamarika ny zavatra nataony, nefa feno fofo-manitra ny efitrano noho ny fanosorana nataony ka nanambara ny fihetsiny tamin’ izay rehetra teo izany. Sorena indrindra i Jodasy nahita izany. Tsy niandry hihaino izay holazain’ i Jesosy momba izany izy, fa nanomboka nibitsibitsika sy nimonomonona tamin’ izay teo akaikiny, ka nanome tsiny an’ i Jesosy Izay manaiky fandaniam-poana toy izao. Fetsy dia fetsy izy nanipy hevitra izay nety ho nahatonga tsy fankasitrahana an’ izay vao natao.IFM 595.2

    Jodasy no mpitahiry ny volan’ ny mpianatra, ary efa nakany ankinafinafina ny tahiry kelin-drizareo, ho an’ ny tenany manokana, noho izany dia nihena ny fananan’ izy ireo ka sakafo tsy mahafa- po sisa. Nazoto erỳ izy nanao tao amin’ ny kitapo izay rehetra nety ho azony. Matetika no nosintonina ny fananana tao amin’ ny kitapo mba hanampiana ny mahantra ; ary rehefa misy zavatra novidina izay noheverin’ i Jodasy ho tsy ilaina loatra, dia izao no filazany : «Nahoana io fandaniam-poana io ? nahoana no tsy narotsaka tao amin’ ny kitapo izay entiko ny vidin’ io ho an’ ny malahelo ?» Nifanohitra indrindra tamin’ ny fitiavan-tenany izao fihetsik’ i Maria izao, ka menatra izy, ary araka ny fanaony, dia nitady antony misy lanjany izy ny amin’ ny tsy nankasitrahany ny fanomezan’ i Maria. Nitodika nankany amin’ ny mpianatra izy dia nanontany hoe : «Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telon-jato, ka nomena ny malahelo ? Ary nilaza izany izy tsy noho ny fiahiany ny malahelo, fa satria mpangalatra izy sady nitondra ny kitapo ka naka izay tao anatiny». Tsy nanana fo mangoraka ny malahelo i Jodasy. Raha namidy ny menaka nahosotr’ i Maria, ka voarain’ i Jodasy ny vidin’ izany. dia tsy ho nisy tombon-tsoa akory ho voarain’ ny malahelo.IFM 595.3

    Ambony tokoa no fiheveran’ i Jodasy ny fahaizany ny asany. Noho ny maha-mpitam-bola azy dia nanao ny tenany ho ambony lavitra noho ny namany izy, ary efa voatariny hijery ny tenany toy izany koa izy ireo. Nanjary natoky azy izy ireo ary mafy tokoa ny hery miasa mangina tamin’ izy ireo avy amin’ i Jodasy. Namitaka azy ireo ny filazany fa mangora-po ny mahantra izy, ary nahatonga azy ireo tsy hatoky ny asam-pitiavana mahery nataon’ i Maria ny hevitra fetsy nasisiny. Nimonomonona ny manodidina ny latabatra ka nanao hoe : «Inona no anton’ izao fandaniam-poana izao ? Fa azo namidy ho lafo be iny ka homena ny malahelo».IFM 596.1

    Ren’ i Maria ny teny fanakianana azy. Nangorohoro ny fony. Natahotra izy sao manome tsiny azy ny rahavaviny noho ny fihetsika hafahafa nataony. Ny Tompo koa mety hihevitra izany ho zavatra nataotao foana. Saika hiala moramora i Maria tsy hifona ary tsy hiala tsiny raha reny ny feon’ ny Tompony nanao hoe : «Avelao izy ; nahoana hianareo no mampalahelo azy ?» Hitany fa sady saikatsaikatra izy no ory. Fantany fa nanehoany ny fankasitrahany noho ny famelana ny fahotany io asam-panompoana nataony io, ka nanamaivana ny sainy izy. Nanandra-peo avo noho ny fimonomononana faninitsiniana Izy ka nanao hoe : «Asa soa no nataony tamiko. Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy, dia mahazo manao hianareo, fa Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo mandrakariva. Efa nanao izay azony natao izy ; namonjy nanosotra ny tenako hanamboarany Ahy halevina izy».IFM 596.2

    Ny fanomezana mani-pofona izay noheverin’ i Maria fa hatobaka eo amin’ ny tenan’ ny Mpamonjy rehefa maty, dia nararany teo amin’ Izy velona. Raha teo am-pandevenana dia ho nameno fotsiny ny fasana ny hani-pofony ; fa izao kosa nahafaly ny fon’ ny Mpamonjy noho ny fahatokisany ny finoany sy ny fitiavany. Josefa avy any Arimatia sy Nikodemosy dia tsy nanolotra ny fanomezany vokatry ny fitiavany an’ i Jesosy raha mbola velona Izy. Tamindranomaso mangidy no nitondrany ireo zava-manitra sarobidy ho an’ ny tenany mangatsiaka sy tsy mahatsiaro na inona na inona intsony. Ireo vehivavy izay nitondra zava-manitra ho any am-pasana dia niveri-maina fotsiny, satria efa nitsangana Izy. Fa i Maria kosa izay nampitosaka ny fitiavany teo amin’ ny Mpamonjy raha mbola afaka nahalala izany fitiavany lalina izany Izy, dia nanosotra Azy amin’ ny handevenana Azy. Ary raha nidina tao amin’ ny haizina Izy tamin’ ny fitsapana lehibe nihatra taminy. dia nentiny niaraka taminy ny fahatsiarovana an’ izany fihetsika izany, dia fitiavana mafana indrindra amin’ izay hatolotr’ ireo voavotra ho Azy mandrakizay.IFM 597.1

    Betsaka ny olona izay mitondra ny fanomezany sarobidy ho an’ ny maty. Raha eo anatrehan’ ny vatana mangatsiaka sy mangina dia miraraka ho azy ny tenim-pitiavana. Samy atobaka eo amin’ ilay tsy mahita sady tsy mandre ny fahalemem-panahy, ny fankasitrahana, ny fitiavana lalina. Raha natao ireny teny ireny fony nila izany indrindra ny fanahy reraka, raha fony afaka nandre ny sofina, ary afaka nahatsapa ny fo, ho sarobidy manao ahoana ny fofo-manitr’ izany.IFM 597.2

    Tsy fantatr’ i Maria ny tena dikan’ ny asam-pitiavana nataony. Tsy voavaliny ireo mpiampanga azy. Tsy hainy ny nanazava ny antony nifidianany an’ io fotoana io hanosorana an’ i Jesosy. Efa nanao drafitra ho azy ny Fanahy Masina. ary nankatò ny bitsika noraisiny izy. Tsy midina ambany ka nanome fanazavana ny tsindrimandry. Nisy fanatrehana tsy hita maso, izay miteny amin’ ny saina sy ny fanahy, ka mampihetsika ny fo hiasa. Ampy ho fanamarinana ho azy izany.IFM 597.3

    Nolazain’ i Kristy tamin’ i Maria ny dikan’ ny fihetsiny, ary tamin’ izany dia mihoatra noho ny noraisiny ny nomeny : «Fa izy raha nampidina izany menaka manitra izany tamin’ ny tenako, hoy Izy, dia ny namboatra Ahy halevina no nanaovany izany». Tahaka ny nahavaky ilay tavoara alabastara, ka nameno ny trano manontolo ny fameroverony, toy izany koa no tsy maintsy hahafatesan’ i Kristy, sy ny hahavakivaky ny tenany ; nefa tsy maintsy hitsangana avy ao am-pasana Izy, ka hameno ny tany ny fameroveron’ ny fiainany. Tia antsika Kristy ka nanolotra «ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’ Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana»3Efes. 5 : 2.IFM 597.4

    «Lazaiko aminareo marina tokoa, hoy Kristy : Na aiza na aiza amin’ izao tontolo izao no hitoriana ity filazantsara ity, dia holazaina koa izay nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy». Nitazana ny ho avy ny Mpamonjy, dia niteny tamim-pahatokiana ny momba ny filazantsarany. Hotoriana eran’ izao tontolo izao izany. Ary na aiza na aiza hitaran’ ny filazantsara, dia handraraka ny fameroverony ny fanomezana nataon’ i Maria, ka hisy fo handray fitahiana noho io fihetsiny tsy namboarina io. Hitsangana sy hirodana ny fanjakana, hohadinoina ny anaran’ ny mpanjaka sy ny mpitaritafika ; fa ny nataon’ ity vehivavy ity kosa dia voatahiry ho mandrakizay eo amin’ ny takilan’ ny tantara masina. Mandra-paha-tapitry ny andro, dia hilaza ny tantaran’ ny fitiavan’ Andriamanitra be dia be ho an’ ny taranaka lavo io tavoara alabastara novakiana io.IFM 598.1

    Nifanohitra mazava tsara tamin’ izay efa nataon’ i Jodasy ny nataon’ i Maria. Lesona mavaivay manao ahoana no azon’ i Kristy nomena azy, izay nandatsaka ny voan’ ny faninitsiniana sy ny eritreri-dratsy tao an-tsain’ ny mpianatra. Rariny manao ahoana raha nampangaina ny mpiampanga. Ilay mahay mamaky ny antonjavatra manosika ny fo rehetra, ka mahazo ny dikan’ ny fihetsika rehetra, dia nahita teo imason’ ireo nanatrika ny fanasana, lafintoetra manjombona teo amin’ ny fiainan’ i Jodasy. Azo natao ny nampihanjahanja ny fihamboana poakaty nampiorenany ny teniny, satria tsy niray fo tamin’ ny mahantra izy, fa nandroba azy tamin’ ny vola nokasaina hanamaivanana azy ireo. Azo natao ny nampirongatra ny hatezerana hamely azy noho ny fampahoriany ny mpitondratena, ny kamboty sy ny mpikarama. Nefa raha nesorin’ i Kristy ny sarontavan’ i Jodasy, dia ho naroso izany ho anton’ ny famadihana Azy. Ary na dia nohelohina ho mpangalatra aza i Jodasy, dia ho nisy niray fo taminy ihany na dia teo amin’ ny mpianatra aza. Tsy naninitsiny Azy ny Mpamonjy, ary tamin’ izany dia nanome fialan-tsiny azy ho anton’ ny namadihany Azy.IFM 598.2

    Nefa ny fijery natopin’ i Jesosy tamin’ i Jodasy dia nampiaiky azy fa voagorobaky ny Mpamonjy ny fihatsarambelatsihiny, ka namaky ny toetra amam-panahiny ambany sy mahamenatra. Ary tamin’ ny fiderany ny fihetsik’ i Maria izay nomelohina tamin’ ny fomba hentitra, dia nanome tsiny an’ i Jodasy i Kristy. Talohan’ izao dia tsy mbola nanome tsiny azy mivantana ny Mpamonjy. Ankehitriny kosa dia nampirehitra ny fony ny tsiny nomena azy. Nanapa-kevitra fa hamaly faty izy. Avy tao amin’ io sakafo io dia nivantana nankany amin’ ny lapan’ ny mpisoronabe izy, izay nahitany fa indro nivory tao ‘ny synedriona ka dia nanolo-tena hamadika an’ i Jesosy ho eo am-pelatanan’ izy ireo izy.IFM 598.3

    Faly tokoa ny mpisorona. Efa nomena tombon-tsoa handray an’ i Kristy ho Mpamonjin’ ny tenany ireo mpitarika an’ Isiraely, tsy amim-bola tsy amin-karena. Nefa nolaviny ny fanomezana sarobidy natolotra azy tamin’ ny toe-tsaina feno halemem-panahy indrindra nentanin’ ny fitiavana mahery. Rehefa nolaviny ny handray ilay famonjena izay sarobidy noho ny volamena, dia novidiny volafotsy telopolo ny Tompony.IFM 599.1

    Nampanaram-po ny fitiavam-bola i Jodasy ka naharesy ny lafiny tsara rehetra tao amin’ ny toetra amam-panahiny izany. Notsiriritiny ny fanatitra natao ho an’ i Jesosy. Nirehitra tao am-pony ny fitsiriritana satria nandray fanomezana mendrika ny mpanjakan’ ny tany ny Mpamonjy. Vola kely lavitra noho ny vidin’ ny tavoara misy menaka fanosorana no namadihany ny Tompony.IFM 599.2

    Tsy tahaka an’ i Jodasy ny mpianatra. Tia ny Mpamonjy izy. Nefa tsy hainy ny nanombana araka ny tokony ho izy ny toetra amam-panahiny ambony. Raha fantany tsara izay efa nataony ho azy, dia ho tsapany fa na inona na inona natolotra Azy dia tsy fandaniam-poana. Ireo olon-kendry avy any Atsinanana, izay tsy nahalala afa-tsy kely tokoa ny momba an’ i Jesosy, dia nampiseho fa nahalala marimarina kokoa ny voninahitra mendrika Azy. Nitondra fanomezana sarobidy ho an’ ny Mpamonjy izy ireo ary niankohoka teo anatrehany ho fanajana Azy, fony Izy mbola zaza, sy nandry tao amin’ ny fihinanam-bilona.IFM 599.3

    Manombam-bidy ny fihetsika mitory fanajana Azy avy ao ampo Kristy. Rehefa misy mampiseho fankasitrahana Azy, dia mitahy ny nanao izany amin’ ny fanajan’ ny any an-danitra Izy. Tsy laviny ny voninkazo tsotra indrindra notohazan’ ny tanan-jaza iray ka natolotra Azy tamim-pitiavana. Nekeny ny fanomezana nataon’ ny ankizy ary novaliany soa ny mpanome ka nosoratany tao amin’ ny bokin’ ny fiainana ny anarany. Ao amin’ ny Soratra Masina dia manavaka an’ i Maria amin’ i Maria hafa ny nanosorany an’ i Jesosy. Ny asam-pitiavana sy fanajana atao ho an’ i Jesosy, dia fanehoana mazava ny finoana Azy ho Zanak’ Andriamanitra. Ary milaza ny Fanahy Masina fa fanehoana mazava ny toetra mahatoky nananandravehivavy tamin’ i Kristy izany : «raha nanasa ny tongotry ny olona masina, raha namonjy ny nozoim-pahoriana, raha nazoto nanaraka ny asa tsara rehetra».IFM 599.4

    Nankasitrahan’ i Kristy ny faniriana niredareda tao amin’ i Maria hanao ny sitrapon’ ny Tompony. Nekeny ity harenan’ ny fitiavana madio izay tsy azon’ ny mpianany sady tsy nety ho azony an-tsaina. Ny faniriana tao am-pon’ i Maria hanao io asa fanompoana io ho an’ ny Tompony, dia sarobidy kokoa teo imason’ i Kristy noho ny hosotra sarobidy rehetra eto amin’ izao tontolo izao, satria naneho ny fankasitrahany ny Mpanavotra an’ izao tontolo izao izany. Ny fitiavan’ i Kristy no nanery azy. Nameno ny fanahiny ny fahatsaran’ ny toetra amam-panahin’ i Kristy tsy misy toa azy. Tandindon’ ny fon’ ilay mpanome io hosotra io. Fanehoana ivelany ny fitiavana velomin’ ny loharanon’ ny lanitra mandra-pihoatrany izany.IFM 600.1

    Ny asa nataon’ i Maria no lesona nilaina indrindra tamin’ ny mpianatra, hilazany aminy fa ny mahafaly an’ i Kristy dia ny fanehoana ny fitiavany Azy. Efa zavatra rehetra ho azy ireo Izy, ary tsy tsapan’ izy ireo fa kely sisa dia tsy ho eo anatrehan’ izy ireo intsony Izy, ary kely sisa dia tsy ho afaka hanolotra Azy ny toky maneho fankasitrahana ny fitiavany lehibe izy ireo. Tsy azon’ ny mpianatra na oviana na oviana na tsapany araka izay tokony ho izy ny naha-irery an’ i Kristy, tafasaraka tamin’ ny lapan’ ny lanitra, niaina tamin’ ny fiainan’ ny olombelona.. Matetika nalahelo Izy noho ny mpianany tsy nanome Azy izay tokony ho noraisiny taminy. Fantany fa raha nanan-kery tamin’ izy ireo ny anjelin’ ny lanitra niaraka taminy, dia ho nihevitra koa izy ireo fa tsy misy fanomezana ampy vidy ho enti-milaza ny fitiavana ara-panahy avy amin’ ny fo.IFM 600.2

    Ny fahalalany taty aoriana dia nahafantarany ny tena dikan’ ny zavatra maro tokony ho nataony ho an’ i Jesosy hanehoana ny fitiavana sy ny fankasitrahan’ ny fony, raha mbola akaiky azy ireo Izy. Rehefa tsy teo aminy intsony Jesosy, ka tsaroany fa tahaka ny ondry tsy misy mpiandry izy ireo, dia hitany tamin’ izay ny nahazoany naneho fitiavana Azy izay ho nitondra fifaliana tao ampony. Tsy ho nanome tsiny intsony an’ i Maria izy ireo, fa nanome tsiny ny tenany. O ! raha azony natao ny nanatsoaka ny faninitsiniana nataony sy ny filazany fa mendrika kokoa ny fanomozany ny mahantra noho Kristy ! Tsapany nanaikitra azy indrindra ny fanomezan-tsiny raha nampidina ny tenan’ ny Tompo torotoro avy teo amin’ ny hazo fijaliana izy ireo. .IFM 600.3

    Ankehitriny dia mazava koa io fahabangana io. Nefa vitsy no mankasitraka izay rehetra maha-Izy tokoa an’ i Kristy, ho azy ireo. Raha nanao izany izy ireo. dia hiseho ny fitiavana lehibe toy ny an’ i Maria, hitosaka malalaka ny fanosorana toy iny. Tsy holazaina fa fanobatobana ny menaka ilay fanosorana sarobidy. Tsy tokony hisy na inona na inona hoheverina ho sarobidy loatra homena an’ i Kristy, tsy tokony hisy fandavan-tena na fahafoizan-tena lehibe loatra ka tsy hiaretana ho Azy.IFM 601.1

    Ireo teny natao an-katezerana hoe : «Inona no anton’ izao fandaniam-poana izao ?» dia nametraka tamin’ ny fomba mazava teo imasoni Kristy ity sorona lehibe indrindra amin’ izay efa natao ity - dia ny hanomezan’ ny tenany mihitsy ho avotra ho an’ izao tontolo izao very. Ho feno indrindra ny hatsaram-panahy hasehon’ ny Tompo amin’ ny fianakavian’ ny olombelona ka tsy ho azo lazaina fa afaka hanao mihoatra noho izay indray Izy. Ny lanitra manontolo no nomen’ Andriamanitra tamin’ ny nanomezany an’ i Jesosy. Raha amin’ ny fomba fijerin’ ny olombelona, dia fanobatobana very maina ny fahafoizan-tena toy izany, ary fandaniam-poana famindrampo sy hery ny drafitry ny fanavotana manontolo. Hitantsika hatraiza hatraiza ny fandavan-tena sy ny fahafoizan-tena araka ny fo manontolo. Gaga tokoa ny tafiky ny lanitra raha mijery ny fianakavian’ ny olombelona izay mandà tsy hasandratra sy hampitomboina amin’ ny harena tsy hita fetran’ ny fitiavana aseho ao amin’ i Kristy. Mety hilaza tokoa ireo hoe : Inona no anton’ izao fandaniam-poana izao ?IFM 601.2

    Nefa feno be dia be sy tanteraka ny hoenti-manavotra an’ izao tontolo izao very. Mihoatra lavitra ny fanatitra nataon’ i Kristy ka mahatratra ny fanahy tsirairay izay noforonin’ Andriamanitra. Tsy azo ferana izany mba tsy hihoatra ny isan’ ireo izay afaka hanaiky ilay Fanomezana lehibe. Tsy voavonjy ny olona rehetra ; nefa na dia izany aza tsy fandaniam-poana ny drafitry ny fanavotana fa nahatanteraka izay natao malalaka ho an’ ny rehetra. Tsy maintsy ho ampy anefa izany ary koa tsy hofeperana ho an’ olom-bitsy.IFM 601.3

    Nisy asany teo amin’ i Simona tompon-trano ny faninitsiniana nataon’ i Jodasy momba ny fanomezana nataon’ i Maria ary gaga izy tamin’ ny fihetsik’ i Jesosy. Tafintohina ny hambom-pon’ ny maha-Fariseo azy. Fantany fa betsaka ny vahininy no nanamavo sy tsy nankasitraka an’ i Kristy. Hoy i Simona tao am-pony hoe : «Raha mpaminany Ity dia ho nahalala io vehivavy manendry Azy io sy ny toeny, fa mpanota io».IFM 602.1

    Tamin’ ny nanasitranany an’ i Simona tamin’ ny habokana dia namonjy azy ho afaka tamin’ ny fahafatesana mbola velon’ aina Kristy. Izao anefa dia manontany tena i Simona na mpaminany ny Mpamonjy na tsia. Satria navelan’ i Kristy hanatona Azy io vehivavy io, satria tsy nanipaka azy tamin-katezerana Izy tahaka ny olona be fahotana loatra ka tsy azo avela heloka, satria tsy nasehony fa tsapany ny fahalavoan’ izy io, dia nalaim-panahy i Simona hihevitra fa tsy mpaminany Izy. Tsy misy na inona na inona fantatr’ i Jesosy ny amin’ ity vehivavy ity izay niliba tamin’ ny fiainana, hoy ny fiheviny, satria raha tsy izany dia tsy navelany hikasika Azy izy.IFM 602.2

    Ny tsy fahalalan’ i Simona an’ Andriamanitra sy an’ i Kristy anefa no nitarika azy hihevitra toy izany.’ Tsy tsapany fa tsy maintsy miasa araka ny lalàn’ Andriamanitra ny Zanak’ Andriamanitra, dia amim-pangorahana, amim-pahalemem-panahy sy amim-pamindrampo. Ny lalan’ i Simona kosa dia tsy mihevitra akory ny fanompoam-pibebahana nataon’ i Maria. Ny nanorohany ny tongotr’ i Kristy, sy ny nanosorany azy tamin’ ny menaka, dia nahatezitra ny fo vatony. Noheveriny fa raha mpaminany Kristy, dia ho fantany ny mpanota ka ho teneniny mafy.IFM 602.3

    Namaly izany eritreritra tsy miloaka izany ny Mpamonjy ka nanao hoe : «Ry Simona, manan-kolazaina aminao Aho . . . Nisy roa lahy nananan’ ny mpanàna vola anankiray trosa : ny iray nananany denaria diman-jato, ary ny iray kosa dimam-polo. Ary raha tsy nanan-kaloa izy roa lahy, dia samy navelany. Koa iza moa amin’ ireo no ho tia azy indrindra ? Simona namaly ka nanao hoe : Ataoko fa ilay namoizany be. Dia hoy Izy taminy : Marina ny hevitrao».IFM 602.4

    Tahaka ny nataon’ i Natana tamin’ i Davida, dia nafenin’ i Kristy tao anatin’ ny fanoharana ny hevitra tiany natsofoka tao am-pon’ i Simona. Napetrany teo amin’ ilay nampiantran ', o Azy ny entamavesatra hanao fanamelohana ny tenany ihany. Simona dia nampanota an’ ilay vehivavy izay hamavoiny ankehitriny. Nanao ratsy betsaka tamin’ izy io izy, Simona sy ravehivavy no nasehon’ ireo olona roa nananana vola. Tsy nikasa ny hampianatra Jesosy fa misy ambaratonga samihafa eo amin’ ny adidy tokony hotsapan’ ireo olona roa izao, satria samy manan-trosam-pankasitrahana avy izy ireo izay tsy ho voaloa na rahoviana na rahoviana. Nefa nahatsiaro tena ho marina noho i Maria i Simona, ka tian’ i Jesosy ny hahitany ny tena halehiben’ ny fahadisoany. Tiany haseho azy fa lehibe noho ny an’ i Maria ny fahotany, lehibe tokoa tahaka ny tombon’ ny denaria diman-jato amin’ ny denaria dimam-polo.IFM 602.5

    Manomboka mahita ny tenany amin’ ny fahazavana vaovao izao i Simona. Hitany ny fomba nijeren’ Ilay mihoatra noho ny mpaminany an’ i Maria. Hitany fa ny mason’ i Kristy matsilo amin’ ny maha-mpaminany Azy dia namaky tao am-pony feno fitiavana lalina. Menatra izy, ary tsapany fa teo anatrehan’ Ilay Anankiray ambony noho izy ny tenany. «Niditra teto an-trano Aho hoy Kristy nanohy ; nefa tsy mba nanome rano Ahy hanasana ny tongotro hianao ; fa izy kosa nahakotsa ny tongotro tamin’ ny ranomasony, dia namoaka azy tamin’ ny volon-dohany. Tsy mba nanoroka Ahy akory hianao ; fa izy, izay hamavoinao, hatrizay nidirako, dia tsy mbola nitsahatra nanoroka fatratra ny tongotro». Notanisain’ i Kristy ireo fotoana nahazoan’ i Simona naneho ny fitiavany ny Tompony, sy ny fankasitrahany izay efa natao ho azy. Tamin’ ny fomba tsotra nefa tamimpitandremana fatratra, dia nolazain’ i Kristy mazava ny mpianany fa malahelo ny fony rehefa ataon’ ny zanany an-tsirambina ny fanehoana fankasitrahana Azy amin’ ny teny sy ny asam-pitiavana.IFM 603.1

    Ilay mahay mamantatra ny fo dia namaky ny antony nitarika an’ i Maria, ary hitany kosa ny toe-tsaina nahatonga ny teny nataon’ i Simona : «Hitanao va io vehivavy io» hoy Izy taminy. Mpanota izy. «Ary amin’ izany dia lazaiko aminao : Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy ; fa izay voavela tamin’ ny kely dia kely fitiavana».IFM 603.2

    Ny toetra tsy rototra sy ny an-tsirambina nasehon’ i Simona tamin’ ny Mpamonjy dia ahitana fa kely tokoa ny fankasitrahana ny famindrampo noraisiny. Noheveriny fa voninahitra no nataony ho an’ i Jesosy raha nanasa Azy ho ao an-tokantranony izy. Nefa ankehitriny kosa dia hitany ny tena toetrany. Noheveriny fa namaky ny tao am-pon’ Ilay Vahininy izy, nefa ny Vahininy no namaky ny tao am-pony. Hitany ny fahamarinan’ ny fitsaran’ i Kristy azy. Akanjo fitafian’ ny Fariseo ny fivavahany. Nanamavo ny fango- rahan’ i Jesosy izy. Tsy nekeny ho solontenan’ Andriamanitra Izy. Maria dia mpanota voavela heloka, fa izy dia mpanota tsy voavela heloka. Ny lalàna henjana izay tiany nandentehana azy io no manameloka azy.IFM 603.3

    Nanohina an’ i Simona ny fahalemem-panahin’ i Jesosy tamin’ ny tsy nanomezany tsiny azy mivantana eo anatrehan’ ny vahiny. Tsy nataon’ i Jesosy taminy izay niriny ho natao tamin’ i Maria. Hitany fa tsy tian’ i Jesosy ny haneho ny fahadisoany amin’ ny hafa fa notadiaviny kosa izay hampiaiky azy tamin’ ny fanambarana ny tena izy, ka nampilefitra ny fony Izy tamin’ ny fahalemem-panahiny feno fangorahana. Ho nanamafy ny fon’ i Simona tsy hibebaka ny fiampangana henjana, fa ny fananarana ombam-paharetana kosa dia nampiaiky azy ny fahadisoany. Hitany ny halehiben’ ny trosany tamin’ ny Tompony. Nietry ny avonavony, nibebaka izy, ary ilay Fariseo nirehareha dia nanjary mpianatra nanetry tena, nahafoy tena.IFM 604.1

    Noheverina ho mpanota lehibe i Maria, nefa Kristy nahalala ireo toe-javatra nanjary lasitra teo amin’ ny fiainany. Azony natao ny namono ny kilalaon’ afo rehetra nitondra fanantenana tao amin’ ny fanahiny. nefa tsy nanao izany Izy. Izy no nanandratra azy hiala teo amin’ ny fahakiviana sy ny fahafatesana. Impito i Maria no nandre ny fitenenana mafy an’ ireo demonia izay nifehy ny fony sy ny sainy. Efa reny ireo antsoantso mafy nataony ho azy tamin’ ny Ray. Fantany fa naharikoriko nanao ahoana ny fahotany teo anatrehan’ ny fahadiovany tsy misy pentina, ary noho ny herin’ Andriamanitra dia naharesy izy.IFM 604.2

    Rehefa toa tsy nisy fanantenana ny momba azy teo imason’ ny olombelona, Kristy kosa nahita tao amin’ i Maria toetra ahazoany manao soa. Lafin-toetra tsara kokoa no hitany teo aminy. Misy zava-dehibe mety ho vitan’ ny olombelona atolotra azy ao amin’ ny drafitry ny fanavotana, ary ho tanteraka izany ao amin’ i Maria. Noho ny fahasoavan’ i Kristy, dia nanjary mpiray amin’ ny toetran’ Andriamanitra izy. Ilay efa lavo, ilay saina nataon’ ny demonia fitoerana, dia tonga akaiky indrindra ny Mpamonjy tao amin’ ny naha-mpianatra azy sy teo amin’ ny fanompoana. Maria no nipetraka teo an-tongony ka nianatra taminy. Maria no nandraraka menaka manitra sarobidy teo amin’ ny lohany. sy nahakotsa ny tongony tamin’ ny ranomasony. Maria no nijoro teo akaikin’ ny hazo fijaliana, ka nanaraka Azy tany amin’ ny fasana. Maria no tonga voalohany teo amin’ ny fasana taorian’ ny fitsanganana tamin’ ny maty. Maria no voalohany nanambara fa nitsangana ny Mpamonjy.IFM 604.3

    Fantatr’ i Jesosy ny toe-javatra rehetra mikasika ny fanahy tsirairay. Mety hilaza ianao hoe : mpanota aho, mpanota be. Mety ho izany tokoa ianao : nefa arakaraka ny maharatsy anao. arakaraka izany no ilanao an’ i Jesosy. Tsy mba laviny ny olona mitomany sy torotoro fo. Tsy lazainy olon-kafa izay rehetra azony aseho, fa mibaiko ny fanahy mangovitra rehetra Izy hahery. Hamela heloka malalaka izay rehetra manatona Azy mitady famelan-keloka sy famerenana amin’ ny laoniny Izy.IFM 605.1

    Azon’ i Kristy atao ny maniraka ny anjelin’ ny lanitra handraraka ny kapoaky ny fahatezerany eto amin’ ity izao tontolo izao ity. hanapotika an’ ireo izay feno fankahalana an’ Andriamanitra. Azony atao ny mamafa ity pentina maizina ity tsy ho eo amin’ ny tontolony. Nefa tsy manao izany Izy. Ankehitriny dia mijoro eo amin’ ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra Izy. mitondra eo anatrehan’ Andriamanitra ny fivavahan’ ireo izay maniry ny fanampiany.IFM 605.2

    Ny fanahy izay mitodika any aminy, mitady fialofana, dia asandratr’ i Jesosy ho ambonin’ ny fiampangana sy ny fifandrafiana ataon’ ny lela. Tsy misy olona na anjely ratsy afaka hanakana ireny fanahy ireny. Ampiraisin’ i Kristy amin’ ny maha-olona sady Andriamanitra Azy izy ireny. Mijoro eo anilan’ Ilay Mpitondra heloka lehibe izy ireo eo amin’ ny fahazavana avy amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra : «Iza no hiampanga ny olom-boafidin’ Andriamanitra ? Andriamanitra no manamarina azy. Iza no manameloka ? Kristy Jesosy no efa maty, eny. sady nitsangana tamin’ ny maty koa ka mitoetra eo amin’ ny tanana ankavanan’ Andriamanitra ary mifona ho antsika»4Rom. 8 : 33, 34.IFM 605.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents