Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 64—Vahoaka tandindomin-doza

    Ny nidiran’ i Kristy tao Jerosalema toy ny mpandresy dia fanehoana matromatroka ny fiaviany amin’ ny rahon’ ny lanitra amin-kery sy voninahitra eo anivon’ ny firavoravoan’ ny anjely noho ny fandresena sy ny hafalian’ ny olona masina. 1Mifototra amin’ ny Matio 21 : 17-19 ; Marka 11 : 11-14, 20, 21 ity toko ity. Ho tanteraka amin’ izay ny tenin’ i Kristy tamin’ ny mpisorona sy ny fariseo nanao hoe : «Hatramin’ izao dia tsy hahita Ahy tokoa hianareo mandra-pilazanareo hoe : Isaorana anie Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah»2Mat. 23 : 39. Naseho an’ i Zakaria tamin’ ny fahitana ara-paminaniana ny andron’ ny fandresena farany ; ary hitany koa ny loza mananontanona ireo izay nandà an’ i Kristy tamin’ ny fiaviany voalohany. «Hijery Ahy Izay nolefoniny izy, ary hisaona Azy toy ny fisaonana zanaka lahy tokana izy sady halahelo Azy toy ny fahalahelovan’ ny olona ny lahimatoany»3Zak. 12 : 10. Teo amin’ ny faharavan’ i Jerosalema ara-nofo dia nahitany ny fandravana farany an’ ilay vahoaka izay meloka noho ny ran’ ny Zanak’ Andriamanitra.IFM 619.1

    Hitan’ ny mpianatra ny fankahalan’ ny Jiosy an’ i Kristy, nefa tsy mbola hitany izay ho vokatr’ izany. Tsy mbola azony ny tena toetran’ Isiraely, na mazava taminy ny famaliana hianjady amin’ i Jerosalema. Izany no nahariharin’ i Kristy taminy tamin’ ny alalan’ ny lesona mavesa-danja avy amin’ ny zava-misy.IFM 619.2

    Tsy misy vokany ny antso farany natao ho an’ i Jerosalema. Efa nandre ny feon’ ny mpaminany fahiny ny mpisorona sy ny mpanapaka izay nanakoako teo amin’ ny feon’ ny vahoaka marobe ho valin’ ny fanontaniana hoe : «Fa iza moa ity ?» nefa tsy nekeny ho feo avy amin’ ny tsindrimandry izany. Tezitra sy talanjona izy ka niezaka ny hampangina ny vahoaka. Nisy manamboninahitra Romana teo amin’ ny vahoaka nifanizina teo, koa nampangainy tamin’ ireo ho mpitarika fikomiana Jesosy. Nasehony fa saika haka an-keriny ny tempoly Izy ary hanjaka ao Jerosalema.IFM 619.3

    Nampangina vetivety ny horakoraky ny vahoaka anefa ny feo tonin’ i Jesosy raha nanambara indray Izy fa tsy tonga hanangana ny fanjakana ara-nofo; efa hiakatra ho any amin’ ny Rainy Izy, ka tsy hahita Azy ny mpiampanga Azy raha tsy miverina amimboninahitra indray Izy. Amin’ izay dia hanaiky Azy izy nefa diso aoriana ny famonjena azy. Nolazain’ i Kristy tamin’ alahelo sy taminkery manokana ireo teny ireo. Nangina sy nilefitra ireo manamboninahitra Romana. Voahetsik ', a tsy tahaka ny nahavoahetsika azy hatramin’ izay ny fony, na dia vahiny tamin’ ny hery miasa mangina avy amin’ Andriamanitra aza izy ireo. Teo amin’ ny endrika tony sy be voninahitr’ i Jesosy no namakiany ny fitiavana, ny fiantrana, ary ny fahamendrehana tony. Voahetsiky ny firaisam-po tsy hainy hazavaina izy. Tsy nisambotra an’ i Jesosy izy, fa voasarika kokoa hanolotra fiderana Azy. Nitodika tany amin’ ny mpisorona sy ny mpanapaka izy, ka niampanga azy ireo ho nahatonga korontana. Sorena sy resy ireo mpitarika ireo, ka nitodika nankany amin’ ny vahoaka nitondra ny fitarainany, ary nifamaly tamim-pahatezerana izy samy izy.IFM 620.1

    Tamin’ izany fotoana izany dia tonga tsy nisy nahita tao amin’ ny tempoly Jesosy. Nangina tanteraka ny tao, niantso ny olona tany ivelany mantsy ny toe-javatra nitranga teo amin’ ny tendrombohitra Oliva. Nijanona fotoana fohy tao amin’ ny tempoly Jesosy, nijery azy tamin’ ny maso feno alahelo. Dia niala niaraka tamin’ ny mpianany Izy, ary niverina nankany Betania. Rehefa nitady Azy ny vahoaka mba hametraka Azy eo amin’ ny seza fiandrianana, dia tsy hita Izy.IFM 620.2

    Nandany ny alina manontolo tamim-pivavahana Jesosy, ary nony maraina dia niverina indray tao amin’ ny tempoly Izy. Teny an-dalana dia nandalo teo amin’ ny aviavy iray Izy. Noana Izy, «ary nahatsinjo aviavy anankiray mandravina erý lavidavitra, dia nankeo, fa toa hahita voany eo aminy ; kanjo nony tonga teo aminy Izy, dia tsy nahita na inona na inona afa-tsy ravina ihany; fa tsy mbola tonga ny taom-pamoazan’ ny aviavy».IFM 620.3

    Tsy mbola fotoana fahamasahan’ ny aviavy tamin’ ny toerana sasany tamin’ izany ; ary raha teo amin’ ny tany avo nanodidina an’ i Jerosalema, dia azony nolazaina marina «fa tsy mbola tonga ny taom-pamoazan’ ny aviavy». Teo amin’ ny saha nalehan’ i Jesosy anefa, dia nisy hazo iray toa lasa alohan’ ny hafa rehetra. Efa rakotry ny ravina sahady izy. Toetran’ ny aviavy ny isehoan’ ny voany efa lehibe, alohan’ ny hahavakian’ ny raviny. Noho izany, ity hazo feno ravina dia nampanantena voany efa nitombo tsara. Nandiso fanantenana anefa ny fisehoany ivelany. Raha nitady tao amin’ ny sampany Jesosy. hatramin’ ny rantsany ambany indrindra, dia tsy nahita afa-tsy ravina ihany. Ravinkazo be misavoana no teo, izany fotsiny ihany.IFM 621.1

    Nozonin’ i Kristy ho maina izy : «Aza misy mihinana voa avy aminao intsony mandrakizay», hoy Izy. Ny ampitso marainan’ iny, raha handeha ho any an-tanàna indray ny Mpamonjy sy ny mpianany, dia nanintona ny sain’ izy ireo ireto sampany toa nokapohina sy ny raviny malazo». Raby ò, hoy i Petera, indro efa malazo ilay aviavy nozoninao».IFM 621.2

    Nahagaga ny mpianatra ny fihetsik’ i Kristy tamin’ Izy nanozona ny aviavy. Ny fahitany izany toe-javatra izany dia toa tsy mifanaraka amin’ ny fombany sy ny asany. Matetika no nandrenesany Azy nanambara fa tsy tonga hanameloka an’ izao tontolo izao Izy, fa mba hahavoavonjy an’ izao tontolo izao amin’ ny alalany. Tsaroany ny teniny manao hoe : «Fa ny Zanak’ olona tsy tonga hahavery ny ain’ ny olona, fa hamonjy azy». Natao hamerenana amin’ ny laoniny ny asany mahagaga fa tsy ny handrava mihitsy. Mpamerina amin’ ny laoniny. Mpanasitrana fotsiny ihany no efa nahafantaran’ ny mpianatra Azy. Nitokana kosa ity fihetsiny ity. Inona no antony ? hoy ny fanontaniany.IFM 621.3

    «Tia famindrampo» Andriamanitra. «Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ ny ratsy fanahy amin’ ny làlany, mba ho velona izy»5Mika. 7 : 18 ;Ezek 33 : 11. Asa «tsy fanaony mandrakariva» 6Isaia. 28 : 21, ny asa fandravana sy ny fiampangana eo amin’ ny fitsarana. Fa àmin’ ny famindrampo sy fitiavana no hanaingany ny lamba manarona ny ho avy, ka hanehoany amin’ ny olona ny vokatry ny lalam-pahotana.IFM 621.4

    Fanoharana velona ny nanozonana ny aviavy. Tandindon’ ny firenena Jiosy ilay hazo tsy namoa, izay nampiredareda ny raviny toa nireharehany teo imason’ i Kristy mihitsy. Tian’ ny Mpamonjy ny hampahazava teo amin’ ny mpianany ny anton’ ny fiafarana mahatsiravin’ ny Isiraely, sy ny maha-azo antoka izany. Noho izany dia nosalorany toetra ara-pitondrantena ilay hazo, ka nataony ho fampisehoana ny fahamarinan’ Andriamanitra izy. Nijoro niavaka tamin’ ny firenena hafa rehetra ny Jiosy, ka nilaza ny tenany ho mpiandany amin’ Andriamanitra. Efa nahazo tombom-pitia manokana taminy izy koa mihambo ho manana fahamarinana ambonin’ ny firenena hafa rehetra. Voaloton’ ny fitiavana an’ izao tontolo izao sy ny filàna tombon-tsoa anefa izy. Nirehareha tamin’ ny fahalalany izy, nefa tsy nahafantatra ny fitakian’ Andriamanitra, ka feno fihatsarambelatsihy. Tahaka ilay hazo tsy namoa, dia nampisandrahaka avo ny sampana nireharehany izy, niroborobo fatratra etỳ ivelany, ary nahafinaritra ny maso, nefa tsy namoaka «na inona na inona afa-tsy ravina». Ny fivavahana Jiosy sy ny tempoliny kanto, ny alitarany masina, ny mpisorona nisatroka hamama teo aminy ary ireo fanompoam-pivavahana mampientampo teo aminy, dia marina fa nahafinaritra ny fisehoany ivelany, fa tsy nisy tao kosa ny fanetren-tena. ny fitiavana sy ny fiantrana.IFM 621.5

    Samy tsy nisy voa avokoa ny hazo rehetra tao amin’ ny saha; nampoizina rahateo anefa izany teo amin’ ny hazo tsy nisy raviny, ka tsy nahatonga ny fahadisoam-panantenana.Naneho ny jentilisa ireo hazo ireo. Tsy nanana toe-panahy araka an’ Andriamanitra tahaka ny Jiosy ihany izy ireo, saingy tsy nisora-tena ho manompo an’ Andriamanitra izy. Tsy nirehareha sy nihambo ho manana toetra tsara izy. Jamba izy raha ny amin’ ny asa sy ny lalàn’ Andriamanitra. Ho azy ireo dia «tsy mbola tonga ny taompamoazan’ ny aviavy». Mbola miandry ny andro izay hitondrana ny fahazavana sy ny fanantenana eo aminy izy. Ny Jiosy kosa, izay efa nandray fitahiana lehibe tokoa avy tamin’ Andriamanitra, dia ampamoahana amin’ ny fampiasany diso an’ ireo fanomezana ireo. Ny tombon-tsoa izay nireharehany dia nampitombo fotsiny ny fahadisoany.IFM 622.1

    Noana Jesosy raha nankeo amin’ ny aviavy mba hitady hanina. Toy izany koa ny nankanesany teo amin’ Isiraely. noana ny hahita vokatry ny fahamarinana teo aminy Izy. Efa natobany taminy ny fanomezany, mba hahazoany mitondra vokatra be ho fitahiana an’ izao tontolo izao. Efa nomena azy ny fotoana mety rehetra sy ny tombon-tsoa rehetra, ary ho setrin’ izany dia nitady ny firaisam-pony sy ny fiaraha-miasany Izy teo amin’ ny asan’ ny fahasoavany. Niriny mafy ny hahita ao aminy, fahafoizan-tena sy fangorahana, hafanam-po ho an’ Andriamanitra, sy faniriana lalina ao amin’ ny fanahy hamonjy ny mpiara-belona aminy. Raha nitandrina ny lalàn’ Andriamanitra izy, dia ho nanao koa ny asa tsy misy fitiavan-tena izay nataon’ i Kristy. Nefa safotry ny avonavona sy ny fiheveran-tena ho ampy ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olona. Nahatonga fandringanana amin’ ny tenany ny fandavany hiasa ho an’ ny hafa. Ny haren-tsarobidin’ ny fahamarinana izay nankinin’ Andriamanitra taminy, dia tsy nomeny ho an’ izao tontolo izao. Azony novakiana teo amin’ ilay hazo tsy namoa ny fahotany sy ny famaizana noho izany. Maina teo ambanin’ ny ozona nataon’ ny Mpamonjy ilay aviavy ; nijoro teo ihany izy nefa nilofika sady nalazo sy maina hatrany amin’ ny fakany, ary nampiseho izay hanjo ny vahoaka jiosy rehefa hoesorina tsy ho eo aminy ny fahasoavan’ Andriamanitra. Nandà ny hizara fitahiana izy, ka tsy afaka handray izany intsony. «Izao, hoy Jehovah, no maharingana anao, ry Isiraely ô» 7Hosea.13 : 9.IFM 622.2

    Ho an’ ny andro rehetra ny fampitandremana. Ny nataon’ i Kristy tamin’ ny nanozonany ilay hazo izay noforonin’ Izy tenany tamin’ ny heriny, dia mijoro ho fampitandremana ny fiangonana rehetra sy ny kristiana rehetra. Betsaka anefa no tsy mivelona amin’ ny fiainan’ i Kristy feno famindrampo sy tsy mihevitra ny tenany. Misy mihevitra ny tenany ho kristiana tsara indrindra ka tsy mahalala izay raiketin’ ny fanompoana an’ Andriamanitra. Manao drafitra izy sy mandinika izay hahafaly ny tenany ihany. Araka ny izaho ihany no zavatra ataony. Tsy misy vidiny aminy ny fotoana raha tsy hanangonany ho an’ ny tenany. Izany no zava-kendreny eo amin’ ny raharaha rehetra eo amin’ ny fiainana. Tsy ho an’ ny hafa fa ho an’ ny tenany ihany no hanaovany fanompoana. Namorona azy Andriamanitra mba hivelona eo amin’ izao tontolo izao izay tsy maintsy hanatanterahana fanompoana tsy misy fitiavan-tena. Notendreny izy hanampy ny mpiara-belona aminy amin’ ny fomba rehetra. Nefa midadasika loatra ny «izaho» ka tsy afaka mahita zavatra hafa izy. Tsy nifandray tamin’ ny olombelona izy. Izay mivelona toy izany ho an’ ny tenany dia tahaka ilay aviavy, izay nihambo ny zavatra rehetra, nefa tsy nisy voany. Manaraka ny fomba fanompoampivavahana izy, nefa tsy misy fibebahana na finoana. Araka ny fanekem-pinoana, dia manaja ny lalàn’ Andriamanitra izy, nefa tsy misy ny fankatoavana. Miteny izy, nefa tsy manao. Ny didimpitsarana natao tamin’ ilay aviavy dia nampisehoan’ i Kristy fa maharikoriko eo imasony io fihatsarambelatsihy tsy misy antony io. Ambarany fa ny mpanota ampahibemaso dia tsy meloka noho izay milaza fa manompo an’ Andriamanitra, nefa tsy mitondra voany ho voninahiny.IFM 623.1

    Ny fanoharana momba ilay aviavy, izay natao talohan’ ny famangian’ i Kristy an’ i Jerosalema, dia misy fifandraisana mivantana amin’ ny lesona nampianariny tamin’ ny nanozonany ilay hazo tsy namoa. Nifona ho an’ ilay hazo tsy mamoa tao amin’ ny fano-harana ilay mpamboatra nanao hoe : «Avelao ihany izy amin’ ity taona ity mandra-pihadiko manodidina azy, ka hasiako zezika, angamba mbola hamoa izy; fa raha tsy izany, dia hokapainao ihany» 8Lioka.13 : 8, 9. Nitombo ny fikarakarana natao tamin’ ilay hazo tsy namokatra. Nomena azy ny tombon-tsoa rehetra. Fa raha nijanona tsy misy voa ihany izy, dia tsy misy azo hamonjena azy amin’ ny fandringanana. Tsy voalaza izay nety ho vokatry ny asan’ ilay mpamboatra tao amin’ ny fanoharana. Niankina tamin’ ny vahoaka izay nilazan’ i Kristy ny teniny izany. Nasehon’ ilay hazo tsy nitondra vokatra izy ireo, ary nipetraka taminy ny fanapahana ny amin’ izay ho anjarany. Nomena azy ny tombon-tsoa rehetra izay azon’ ny Lanitra arotsaka, nefa tsy nandray tombon-tsoa tamin’ ny fitahiana nitombo natao taminy izy. Ny nataon’ i Kristy tamin’ ny nanozonany ilay aviavy tsy namoa no nanehoana ny vokany. Efa nanapa-kevitra ny amin’ ny fandringanana ny tenany izy ireo.IFM 624.1

    Nandritra ny arivo taona mahery, ny firenena jiosy dia nanarampo tafahoatra tamin’ ny famindrampon’ Andriamanitra ka niantso ny fitsarany. Efa nitsipaka ny fampitandremana nataony izy ka namono ny mpaminany. Noho ireo fahotana ireo no nahatonga ny vahoaka tamin’ ny andron’ i Kristy ho tompon’ andraikitra ny amin’ ny tenany tamin’ ny fanarahany io lalana io ihany. Ny fitsipahany ny famindrampo sy ny fampitandremana tamin’ ny androny no itoeran’ ny helok’ io taranaka io. Ny gadra izay novolavolain’ ny firenena nandritra ny taonjato maro, no nafatotry ny olona tamin’ ny andron’ i Kristy tamin’ ny tenany.IFM 624.2

    Amin’ ny vanim-potoana rehetra dia omena ny olona ny andro andraisany fahazavana sy tombon-tsoa, dia fotoam-pahasoavana izay ahazoany ho vita fihavanana amin’ Andriamanitra. Misy fetrany anefa io fahasoavana io. Mety hitalaho mandritra ny taona maro ny famindrampo ka atao tsinontsinona sy tsipahina, nefa tonga ny fotoana izay anaovan’ ny famindrampo ny fitalahoany farany. Manjary mafy indrindra ny fo. hany ka mijanona tsy mamaly intsony ny Fanahin’ Andriamanitra. Amin’ izay dia tsy miangavy ny mpanota intsony ilay feo mamy sy mitaona, ka mitsahatra ny fananarana sy ny fampitandremana.IFM 624.3

    Tonga ho an’ i Jerosalema io andro io. Nitomany Jesosy, nampangitakitaka azy ilay tanàna tandindomin-doza, nefa tsy afaka manafaka azy Izy. Efa laniny taminy ny heriny rehetra teo Aminy. Tamin’ ny nandavan’ Isiraely ny fampitandremana nataon’ ny Fanahin’ Andriamanitra, dia notsipahany ny hany fomba hanampiana azy. Tsy nisy hery hafa izay ahazoana manafaka azy.IFM 625.1

    Tandindon’ ny vahoaka amin’ ny andro rehetra ny firenena Jiosy, izay nanamavo ny fitahian’ Ilay Fitiavana mandrakizay. Ho an’ ny fahotana amin’ ny andro rehetra ny ranomason’ i Kristy raha nitomany an’ i Jerosalema Izy. Teo amin’ ny fitsarana navoaka ho an’ Isiraely dia nahazoan’ izay nandà ny fananarana sy ny fampitandreman’ ny Fanahy Masin’ Andriamanitra mamaky ny fanamelohana ny tenany voasoratra tao.IFM 625.2

    Amin’ ity taranaka ity dia misy betsaka no mamindra eo amin’ ny toerana nalehan’ ireo Jiosy tsy mino ireo. Vavolombelon’ ny fanehoana ny herin’ Andriamanitra izy ireo; niteny tamin’ ny fony ny Fanahy Masina ; nefa nifikitra tamin’ ny tsy finoany sy ny fanoherany izy. Mandefa fampitandremana sy fananarana ho azy Andriamanitra, nefa tsy vonona ny hiaiky ny fahadisoany izy, ka nitsipaka ny hafatra sy ny mpitondra hafatra nalefany. Izay ampiasainy indrindra hanasitranana azy no manjary vato manafintohina ho azy ireo.IFM 625.3

    Nankahalain’ Isiraely nihemotra ny mpaminanin’ Andriamanitra, Satria nentina teo amin’ ny mazava tamin’ ny alalan’ ireo ny fahotany miafina. Noraisin’ i Ahaba ho fahavalony i Elia satria nahatoky ilay mpaminany tamin’ ny nanomezany tsiny ny fahadisoana miafina nataon’ ny mpanjaka. Toy izany koa ankehitriny, ny mpanompon’ i Kristy izay manome tsiny ny fahotana dia misetra fanesoesoana sy fandavana. Miady amin’ ny riaka maherin’ ny fahalotoana ara-pitondrantena ny fahamarinan’ ny Baiboly sy ny fivavahan’ i Kristy. Mafy kokoa ao am-pon’ ny olona ankehitriny, mihoatra noho ny tamin’ ny andron’ i Kristy, ny hevitra mibahana ao am-po. Tsy nahatanteraka izay nampoizin’ ny olona Kristy; fanomezan-tsiny ny fahotana ny fiainany, ka nolaviny Izy. Toy izany koa ankehitriny, ny fahamarinan’ ny tenin’ Andriamanitra dia tsy mifandrindra amin’ izay ataon’ ny olona sy ny fironany ara-nofo, ary an’ arivony no mandà ny fahazavany. Misy olona atosik’ i Satana, izay mahatonga fisalasalana ny amin’ ny tenin’ Andriamanitra, ka mifidy ny hampiasa ny heviny mahaleo-tena. Mifidy ny haizina izy fa tsy ny mazava, nefa mampidi-doza ny fanahiny izy amin’ izany. Izay mitarika adihevitra lava ny amin’ ny tenin’ i Kristy, dia hahita antony mitombo hatrany hiadiana hevitra, mandra-piodiny hiala amin’ ny Marina sy ny Fiainana. Toy izany koa ankehitriny. Tsy fikasan’ Andriamanitra ny hanala ny fanoherana rehetra izay mety ho entin’ ny fo ara-nofo hanoherana ny fahamarinana. Hijanona ho zava-miafina mandrakizay ho an’ izay mandà ny tara-pahazavana sarobidy tokony hampahazava ny haizina, ny zava-miafina ao amin’ ny tenin’ Andriamanitra. Afenina aminy ny fahamarinana. Mandeha toy ny jamba izy, ka tsy fantany ny faharavana manoloana azy.IFM 625.4

    Nibanjina an’ izao tontolo izao sy ny taonjato rehetra mifandimby Kristy teo an-tampon’ ny tendrombohitra Oliva; ary azo ampiharina amin’ ny fanahy rehetra izay manao tsinontsinona ny famindrampon’ Andriamanitra ny teniny. Ry mpanaraby ny fitiavany, miteny aminao Izy androany. «Ianao, eny, ianao indrindra», raha mba nahafantatra mantsy ianao na dia amin’ ity andro ity aza izay momba ny fiadanana. Mandrotsaka ranomaso mangidy ho anao Kristy, dia ianao izay tsy manana ranomaso arotsaka ho an’ ny tenanao. Efa miseho eo aminao sahady ny fahamafisam-po mampididoza izay nanapotika ny Fariseo. Ny tsirairay avy amin’ ny porofo mazavan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra. ny tsirairay avy amin’ ny tara-pahazavana avy amin’ Andriamanitra rehetra, dia, na manalefaka sy mampilefitra ny fanahy. na manamafy ny toetrany tsy mety mibebaka tsy misy fanantenana.IFM 626.1

    Hitan’ i Kristy mialoha fa hijanona ho mafy fo sy tsy hibebaka i Jerosalema ; nefa dia ho eo an-tokonam-baravarany ny fahadisoany rehetra sy ny vokatry ny fandavany ny famindrampo rehetra. Ho toy izany koa amin’ ny fanahy rehetra izay manaraka izany lalana izany. Hoy Jehovah: «Izao no maharingana anao, ry Isiraely ô; manohitra Ahy Izay famonjena anao hianao». «Henoy, ry tany ! Indro, Izaho hahatonga loza amin’ ity firenena ity, dia ny vokatry ny heviny ihany; fa tsy nihaino ny teniko izy, ary nolaviny ny lalàko»9Jer. 6 : 19.IFM 626.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents