Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 67—Lozanareo Fariseo !

    Andro farany nampianaran’ i Kristy tao amin’ ny tempoly tamin’ izay. Ny sain’ ny vahoaka marobe izay nivory tao Jerosalema dia nifantoka taminy avokoa ; nifanizina tao amin’ ny kianjan’ ny tempoly ny vahoaka, nanaraka ny fifanolanana izay nandroso hatrany, ary nanararaotra ny teny rehetra izay nivoaka avy amin’ ny molony. Tsy mbola nanatri-maso toe-javatra toy izao mihitsy izy ireo hatramin’ izao. Indro ilay tovolahy Galiliana, tsy nanana ny haja amam-boninahitra ara-nofo na ny famantarana ny maha-mpanjaka Azy. Manodidina Azy ny mpisorona miramarama, ny mpanapaka manao fitafiana sy ny famantarana manambara ny toerana ambony nisy azy, ary ‘ny mpanora-dalàna nitondra ny horonan-taratasy teny an-tanany, izay nampiasainy matetika. Tony Jesosy nijoro teo anatrehany, mendrika tahaka ny mpanjaka. Toy ny olona nahazo fahefana avy tamin’ ny lanitra Izy nijery tsy nikoso-maso ny fahavalony, izay nitsipaka sy nanazimbazimba ny fampianarany, ary nangetaheta ‘ny handatsaka ny ainy. Marobe izy ireo no nanohitra Azy, nefa ny tetika rehetra nataony hamelarana fandrika Aminy sy hanamelohana Azy dia tsy nisy antony. Efa fihaikana niampy fihaikana no nosetrainy, ary nasehony azy ireo ny fahamarinana madio sy mamirapiratra izay mifanohitra amin’ ny haizina sy ny hevi-dison’ ny mpisorona sy ny Fariseo. Nasehony teo anatrehan’ ireo mpitarika ireo ny tena toetrany marina, sy ny famaizana tsy maintsy hanaraka raha mikikitra amin’ ny fanaovan-dratsy izy. Efa natao tamim-pahatokiana ny fampitandremana. Nefa nisy asa hafa mbola tsy vitan’ i Kristy ; nisy fikasana hafa mbola hotanterahina. Efa nitombo sy nihamaly orina ny fahalianan’ ny vahoaka tamin’ i Kristy sy ny asany. Finaritra tamin’ ny fampianarany izy nefa very hevitra be koa. Nanaja ny mpisorona sy ny raby izy noho ny fahazavan-tsainy sy ny toa fitiavam-bavaka ananany. Nilefitra amin’ izao tamin’ ny fahefany sy nankato azy ireo izy raha ny momba ny ara-pivavahana rehetra. Hitany anefa ankehitriny fa niezaka ireo olona ireo hanimba ny lazan’ i Jesosy, Ilay Mpampianatra Izay nanana toetra tsara sy fahalalana nitombo famirapiratana hatrany na teo aza ny famelezana rehetra natao taminy. Faharesena sy henatra no hita soritra teny amin’ ny endrika mangaihain’ ireto mpisorona sy loholona. Nahagaga ny olona ny fandavan’ ireo mpitondra tsy hino an’ i Jesosy. nefa tsotra sy mazava indrindra ny fampianarany. Tsy hitany koa izay hatao. Nitebiteby sy liana tokoa izy nanaramaso ny fihetsik’ ireo izay narahiny mandrakariva ny toroheviny.IFM 651.1

    Teo amin’ ny fanoharana izay nataon’ i Kristy, ny fikasany dia ny hampitandrina ny mpanapaka sady hampianatra ny vahoaka izay nety hampianariny. Nefa mbola nilaina ny niteny mazava kokoa. Nanandevo ny vahoaka ny fanajany ny lovan-tsofina sy ny finoany jamba an’ ireo mpisorona maloto saina. Tsy maintsy hotapahin’ i Kristy ireo gadra ireo. Tsy maintsy haseho amin’ ny fomba feno kokoa ny toetra amam-panahin’ ny mpisorona sy ny mpanapaka ary ny Fariseo.IFM 652.1

    «Eo amin’ ny fipetrahan’ i Mosesy no ipetrahan’ ny mpanoradalàna sy ny Fariseo, hoy Izy ; koa amin’ izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo ; fa aza manao araka ny asany, satria miteny ihany izy nefa tsy manao»1Mifototra amin’ny Mat. 23 ; Mar. 12: 41-44 ; Lio. 20 : 45-47 ; 21 : 1-4. Nilaza ny tenany ho nandray fahefana avy amin’ Andriamanitra mitovy amin’ izay an’ i Mosesy ny mpanoradalàna sy ny Fariseo. Noraisiny ny toeran’ io mpanao lalàna io amin’ ny maha-mpahay lalàna sy mpitsara ny vahoaka azy. Noho izany dia mitaky fanajana sy fankatoavana feno tamin’ ny vahoaka izy. Nibaiko ny mpihaino Azy Jesosy hanao izay nampianarin’ ny raby araka ny lalàna, fa tsy hanaraka ny ohatra nomeny. Izy tenany aza tsy nanaraka ny fampianarana nataon’ ny tenany.IFM 652.2

    Ary nampianatra zavatra betsaka izay nifanohitra tamin’ ny Soratra Masina izy. Hoy Jesosy : «Mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin’ ny soroky ny olona nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin’ ny rantsan-tanany anankiray aza». Nanampy fitsipika be dia be ny Fariseo, izay niorina tamin’ ny lovan-tsofina, ka nofeperany tsy ara-drariny ny fahafahan’ ny tsirairay. Ary nisy faritra teo amin’ ny lalàna izay nohazavainy tamin’ ny fomba izay hanereny ny vahoaka hanaraka zavatra izay tsy ataon’ ny tenany akory nefa lazainy fa ataony, fa afaka amin’ ny fankatoavana an’ izay marina izy, rehefa mahasoa ny fikasany izany.IFM 652.3

    Ny mampiseho ny fitiavam-bavaka teo aminy no zavatra nokendreny mandrakariva. Tsy nisy zavatra noheveriny ho masina loatra ka tsy ho azony ampiasaina hahatrarany izany. Nilaza tamin’ i Mosesy Andriamanitra mikasika ny didiny hoe: «Fehezo ho famantarana eo amin’ ny tananao ireny, ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin’ ny handrinao» 2Deot. 6 : 8. Misy dikany lalina ireo teny ireo. Rehefa dinihina lalina sy hiainana ny tenin’ Andriamanitra, dia hihamendrika ny olona manontolo. Ny fihetsika mitory fahamarinana sy famindrampo, dia hanehoan’ ny tanana ny foto-kevitry ny lalàn’ Andriamanitra, ho famantarana. Ho voatahiry ho madio izy ho afaka amin’ ny kolikoly sy amin’ izay rehetra maloto sy mamitaka. Harisika izy eo amin’ ny asan’ ny fitiavana sy ny famindrampo. Ny maso voatarika ho amin’ ny fikasana ambony dia hazava ho marina. Ny endrika mampiseho ny ao am-po, ny maso miteny, dia ho vavolombelon’ ny toetra amam-panahy tsy misy hokianina eo amin’ izay tia sy manaja ny tenin’ Andriamanitra. Izany rehetra izany anefa dia tsy hitan’ ny Jiosy tamin’ ny andron’ i Kristy. Ny baiko nomena an’ i Mosesy dia noraisina amin’ ny heviny fa tokony hoentina eo amin’ ny vatan-tena ny fitsipiky ny Soratra Masina. Araka izany dia nosoratana teo amin’ ny taratasy lavalava izany. ka nafatotra hivandravandra nanodidina ny loha sy ny hato-tanana. Izany anefa tsy nahatonga ny lalàn’ Andriamanitra hamikitra mafimafy kokoa ny saina sy ny fo. Nanaovana toy ny famantarana ireny taratasy ireny, mba hanintona ny saina. Noheverina fa hanome endriky ny fitiavam-bavaka ho an» izay mitondra izany ireo ka hahatonga ny vahoaka ho feno fanajana. Novelezin’ i Jesosy kapoka io fahamboana tsy misy antony io :IFM 653.1

    «Ny asany rehetra dia hataony mba ho hitan’ ny olona ; fa ataony lehibe ny fylakiterany, ary ataony vaventy ny somotraviaviny. Ary tia ny fitoerana aloha eo amin’ ny fanasana izy, sy ny fipetrahana aloha eo amin’ ny synagoga sy ny hoharabain’ ny olona eny an-tsena ary ny hataon’ ny olona hoe : Raby ò ! Fa hianareo kosa aza mety hatao hoe : Raby ô, fa iray ihany no Mpampianatra anareo ary hianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa. Ary aza milaza olona ety an-tany ho rainareo, fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra. Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika hianareo, fa iray ihany ny Mpitarika anareo dia Kristy». Tamin’ ny teny mazava toy izany no nanehoan’ ny Mpamonjy ny hambom-po feno fitiavantena fatra-pitady toerana sy voninahitra, misalotra fietrena sandoka, nefa ny fo feno fahihirana sy fialonana. Rehefa nantsoina ho amin’ ny fanasana ny olona, dia napetraka araka ny laharany avy ny nasaina, ary izay nomena toerana mendri-kaja indrindra dia nokarakaraina voalohany sady nandray tombom-pitia manokana. Nikendry mandrakariva ny handray izany voninahitra izany ny Fariseo. Nomen’ i Kristy tsiny io fomba io.IFM 653.2

    Nomelohina koa ny fieboeboana miseho eo amin’ ny fitsiriritana ny anarana hoe raby na tompo. Ny anarana toy izany, hoy Izy, dia tsy an’ ny olona fa an’ i Kristy. Samy mpirahalahy avokoa, zanaky ny Ray iray ihany ny mpisorona, ny mpanora-dalàna sy ny mpanapaka, ny mpamelabelatra sy ny mpampianatra ny lalàna. Nalatsak’ i Jesosy tao am-pon’ ny vahoaka fa tsy tokony hanome anaram-boninahitra aman’ olona izay manambara fa mifehy ny feon’ ny fieritreretany na ny finoany izy.IFM 654.1

    Raha teto an-tany Kristy ankehitriny, ka nohodidin’ ireo izay mitondra ny anarana hoe «Mendrika hohajaina» na «Mendrika hohajaina indrindra», moa ve tsy haveriny indray ny teniny manao hoe : «Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika hianareo.; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy». Izao no ambaran’ ny Soratra Masina ny amin’ Andriamanitra : «Masina sy mahatahotra ny anarany» 3Sal. 111 : 9. Olombelona iza no antonona ny anarana toy izany ? Kely manao ahoana no asehon’ ny olona ny amin’ ny fahendrena sy ny fahamarinana izay ambaran’ izany ? Firy amin’ izay mitana io anarana io no mampiseho amin’ ny fomba diso ny anarana sy ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra. Indrisy, impiry impiry moa ny hambom-po araka izao tontolo izao, ny fanjakazakana sy ny fahotana ambany indrindra no nafenina tao ambany fitafiana rakotra peta-kofehy fanao amin’ ny asa ambony sy masina. Notohizan’ ny Mpamonjy hoe : «Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo. Fa izay manandra-tena no haetry ; ary izay manetry tena no hasandratra». Naverimberin’ i Kristy nampianarina fa ny fahamendrehana arapitondratena no mamatra ny tena fahalehibeazana. Raha araka ny fanombanan’ ny lanitra ny atao hoe fahalehibeazan’ ny toetra amampanahy, dia fiainana atolotra mba hahasoa ny mpiara-belona. eo amin’ ny fanaovana asam-pitiavana sy asam-pamindrampo. Mpanompon’ ny olombelona lavo Kristy, Ilay Mpanjakan’ ny voninahitra.IFM 654.2

    «Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy ! fa arindrinareo eo anoloan’ ny olona ny fanjakan’ ny lanitra ; fa hianareo tsy miditra ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra». Diso ny fandraisan’ ny mpisorona sy ny mpahay lalàna ny Soratra Masina ka mahajamba ny sain’ ireo izay ho nandray fahalalana ny fanjakan’ i Kristy sy ilay fiainana anaty avy amin’ Andriamanitra izay ilaina indrindra eo amin’ ny tena fahamasinana.IFM 655.1

    «Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy ! fa laninareo ny tranon’ ny mpitondratena, ary dia manao vavaka lavareny mba ho fiolahana hianareo, koa izany no hahazoanareo fahamelohana mafimafy kokoa». Nanana hery lehibe niasa mangina tamin’ ny vahoaka ny Fariseo, ary noraisiny ho tombony izany mba hitondra soa ho azy. Nahatoky azy ireo ny mpitondratena tia vavaka, koa nasehony ho adidin’ izy ireo ny manokana ny fananany ho amin’ ny fivavahana. Rehefa azony antoka ny fifehezany ny volany, dia nampiasain’ ireto mpanao teti-dratsy fetsilahy hahazoany tombony izany. Mba hanaronany ny toetrany tsy marina, dia nanao vavaka lavareny ampahibemaso izy sy nanao fampisehoana be ny amin’ ny fitiavany vavaka. Io fihatsarambelatsihy io no nambaran’ i Kristy fa hitondra fanamelohana mafimafy kokoa ho azy. Mihatra amin’ ny olona maro amin’ ny androntsika koa io fanomezan-tsiny io, dia izay milaza betsaka ho tia vavaka. Voapentin’ ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-bola ny fiainany, nefa saronany amin’ ny fitafian’ ny toa fahadiovana izany rehetra izany ; koa amin’ izany dia mamitaka vetivety ny mpiara-belona aminy izy. Andriamanitra anefa tsy azo fitahana. Mamaky ny fikasana izay ao am-po Izy, ka hitsara ny olona araka ny asany.IFM 655.2

    Tsy nisalasala Kristy nanameloka ny fanaovan-dratsy, nefa nitandrina Izy mba tsy hampihen-danja ny adidy. Nomeny tsiny ny fitiavan-tena izay maka an-keriny sy mampiasa amin’ ny tsy tokony ho izy ny fanomezan’ ny mpitondratena. Tamin’ izany fotoana izany koa dia nidera ny mpitondratena izay nitondra ny fanatiny ho ao amin’ ny fitehirizan’ Andriamanitra Izy. Ny fampiasan’ ny olona diso ny fanomezana dia tsy afaka manala ny fitahian’ Andriamanitra amin’ ny mpanome izany.IFM 655.3

    Teo amin’ ny kianja nisy ny vata fanatazam-drakitra Jesosy, ka nanara-maso izay tonga nametraka ny fanomezany. Maro ny mpanankarena nitondra vola betsaka, izay nentiny tamin’ ny fisehosehoana. Nalahelo Jesosy nijery ireo, nefa tsy nasiany fitenenana ny fahalalahan-tanany. Izao kosa dia nazava ny endriny raha nahita mpitondratena mahantra izay nisalasala nanatona Izy, toa matahotra sao misy mijery. Rehefa nanatona tamim-pahamendrehana ny manankarena sy ny mirehareha mba hametraka ny rakitra nentiny, dia nitakemotra izy toa mila tsy ho sahy handroso. Nefa naniry mafy ny hanao zavatra izy, na dia kely aza izany, ho an’ ny asa izay tiany. Nojereny ny fanomezana teny an-tanany. Kely dia kely izany raha hampitahaina amin’ ny fanomezana manodidina azy, nefa io no fananany rehetra. Niandry ny fotoana mety izy, dia narotsany haingana ny farantsany kely roa ary niverina haingana niala teo izy. Teo am-panaovana izany anefa dia hitany ny fijerini Jesosy, izay nifantoka mafy tamin’ ny azy.IFM 656.1

    Nantsoin’ ny Mpamonjy teo Aminy ny mpianany ka nasainy nanamarika ny fahantran’ ilay mpitondratena. Dia ren’ ny sofiny tamin’ izay ny teny fiderana nataon’ i Jesosy azy : «Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin’ ny fandatsahan-drakitra. Feno ranomasom-pifaliana ny masony raha nahatsapa fa azo sy nankasitrahana ny fihetsiny. Betsaka no ho nanoro hevitra azy hitana ny vola keliny hampiasainy ho an’ ny tenany ihany ; raha atao eo am-pelatanan’ ny mpisorona efa tsara tohana izany, dia tsy ho hita ao anatin’ ireo fanomezana sarobidy maro nentina tao amin’ ny trano fitehirizana. Fantatr’ i Jesosy anefa ny hery nanosika azy hanao izany. Nino izy fa notendren» Andriamanitra ny fanompoana tao amin’ ilay tempoly, ary nahamay azy ny hanao izay farany azony atao mba hanohanana izany. Nanao izay vitany izy, ary tsangambato hotsarovany amin’ ny fotoana rehetra ny fihetsika nataony sy ho fiafaliany ho mandrakizay. Lasa niaraka tamin’ ny fanomezany ny fony ; tsy ny vidin’ ny vola fa ny fitiavana an’. Andriamanitra sy ny tombon-tsoa hitany eo amin’ ny asany izay nanosika ny fihetsiny no nanombanana izany.IFM 656.2

    Hoy Jesosy ny amin’ ilay mpitondratena mahantra : «efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin’ ny fandatsahan-drakitra izy». Nanome avy amin’ ny betsaka nananany ny manankarena, ary ny maro tamin’ ireo dia nanao izany mba ho hitan’ ny olona sy hoderainy. Tsy nitarika fihafiana taminy ny fanomezany be dia be na teo amin’ ny fiadanany, na teo amin’ zava-tsoa nanaranany fo aza ; tsy nitaky fahafoizan-tena izany, ka tsy azo ampitahaina raha ny tombambidiny amin’ ny farantsakelin’ ilay mpitondratena.IFM 657.1

    Ny anton-javatra manosika antsika no mamaritra ny toetry ny asantsika, ka misy fitomboka aminy amin’ ny fahafaham-baraka na amin’ ny fahamendrehan’ ny fitondrantena ambony. Tsy ny zava-dehibe izay hitan’ ny maso rehetra sy derain’ ny lela rehetra tsy akory no isain’ Andriamanitra ho sarobidy indrindra. Ny adidy madinika atao amim-pifaliana, ny fanomezana kely izay tsy mahatonga fisehosehoana, ary mety ho tsy misy dikany eo imason’ olombelona, no matetika ambony indrindra eo imasony. Ny fo feno finoana sy fitiavana dia mamy kokoa amin’ Andriamanitra noho ny fanomezana lafo vidy indrindra. Nomen’ ilay mpitondratena mahantra ny fivelomany hoenti-manao ny kely mety ho vitany. Nampiafy ny tenany tamin’ ny sakafo izy mba ahazoany manome ireo farantsa kely roa ho an’ ny asa izay tiany. Ary nataony tamimpinoana izany, nino izy fa ny Rainy any an-danitra dia tsy hijery fotsiny amin’ izao ny fahasahiranany lehibe. Io toe-tsaina tsy misy fitiavan-tena io sy io finoana toy ny an’ ny zaza io no noderain’ ny Mpamonjy.IFM 657.2

    Eo anivon’ ny mahantra dia betsaka no maniry mafy ny haneho ny fankasitrahany an’ Andriamanitra ‘noho ny fahasoavany sy ny fahamarinana. Maniry mafy hiara-misalahy amin’ ny rahalahiny ambinina kokoa izy eo amin’ ny fanohanana ny asa fanompoana an’ Andriamanitra. Tsy tokony hatositosika ireny fanahy ireny. Aoka izy hametraka ny farantsa keliny ao amin’ ny bankin’ ny lanitra. Raha avy amin’ ny fo fena ny fitiavan’ Andriamanitra no hanomezana izany, dia hanjary fanomezana voatokana ireny, ho fanatitra sarobidy, izay hahafaly an’ Andriamanitra sy hotahiny.IFM 657.3

    Raha miteny ny amin’ ilay mpitondratena Jesosy hoe : «efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin’ ny fandatsahan-drakitra», dia marina ny teniny, tsy teo amin’ ny anton’ izany ihany, fa teo amin’ ny vokatry ny fanomezany koa. Ireo farantsa kely ankevitry ny variraiventy avy, dia mitondra fitambaram- be lavitra tao amin’ ny trano fitehirizan’ Andriamanitra mihoatra noho ny fiaraha-miasan’ ireto Jiosy manankarena. Toy ny renirano ny hery miasa mangina avy amin’ io fanomezana kely io, kely izany tamin’ ny voalohany, nefa nitombo sy nihalalina raha nikoriana izy nandritra ny taonjato nifandimby. Tamin’ ny fomba an’ arivony no nandraisany anjara tamin’ ny fanampiana ny mahantra sy ny fanaparitahana ny filazantsara. Ny ohatry ny fahafoizan-tena nataony dia niasa ary niasa hatrany tamin’ ny fo an’ arivony teo amin’ ny tany rehetra sy ny vanin’ andro rehetra. Niantso ny manankarena sy ny mahantra izany, ka nampitombo ny tombambidin’ ny fanomezany. Ny fitahian’ Andriamanitra tamin’ ilay farantsakelin’ ilay mpitondratena dia nahatonga izany ho loharanon’ ny vokatra lehibe. Toy izany koa ny fanomezana rehetra sy ny asa rehetra, atao amin’ ny fo madio maniry ny voninahitr’ Andriamanitra. Mifamatotra amin’ ny fikasan’ Ilay manana ny hery rehetra izany. Tsy misy olona afaka hamatra ny soa mety ho vokatr’ izany.IFM 657.4

    Notohizan’ ny Mpamonjy ny fiampangany ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo : «Lozanareo mpitarika jamba izay manao hoe : Raha misy mianiana amin’ ny tempoly, dia tsy mampaninona izany ; fa raha misy mianiana amin’ ny volamena amin’ ny tempoly dia haningo-tena izy. Ry adala sy jamba ! iza no lehibe, ny volamena va, sa ny tempoly izay nahamasina ny volamena ? Ary koa : Raha misy mianiana amin’ ny fanatitra eo amboniny, dia haningo-tena izy. Ry jamba ! iza no lehibe, ny fanatitra sa ny alitara, izay nahamasina ny fanatitra ? Noraisin’ ny mpisorona araka ny fitsipika diso sy ety nataon’ ny tenany ny zavatra angatahin’ Andriamanitra. Nihambo ho nahay nampiavaka tsara ny fahasamihafan’ ny heloka vokatry ny fahotana isan-karazany izy, ka ny sasany nolalovana fotsiny fa maivamaivana, ary ny sasany kosa izay mety ho kely kokoa ny vokany dia noheveriny ho tsy azo avela. Noho ny antony ara-bola, dia nanalatsiny olona tsy hanefa ny voadiny izy, ary indraindray dia iniany tsy jerena ny heloka bevava mahatsiravina, raha omena vola be izy. Miaraka amin’ izany koa anefa, amin’ ny toe-javatra hafa dia hamoaka didim-pitsarana henjana ireo mpisorona sy mpanapaka ireo noho ny fahadisoana tsy dia misy antony.IFM 658.1

    «Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon’ ny solila sy ny aneta ary ny komina hianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin’ ny laiàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana ; ireto tokony ho nataonareo nefa tsy tokony havelanareo ireroana». Ireo teny ireo dia naname- lohan’ i Kristy indray ny fampiasana diso ny adidy masina. Tsy nakipany ilay adidy amin’ ny maha-adidy azy. Andriamanitra no nibaiko ny rafitra momba ny ampahafolony, ary efa narahina hatramin’ ny andro taloha indrindra izany. Abrahama, ilay rain’ ny mpino, dia nandoa ny ampahafolon’ ny fananany rehetra. Neken’ ireo mpifehy jiosy ny tsy maintsy handoavana ny ampahafolony ary mety izany ; nefa tsy navelany ny olona hanatanteraka izay neken’ ny sainy ho adidy. Nisy fitsipika tsy ara-drariny nataony ho amin’ ny toe-javatra rehetra. Nanjary sarotra loatra ny zavatra nangatahina hany ka tsy azon’ ireo natao intsony ny fanatanterahana izany. Tsy nisy nahalala ny fotoana nahavitany ny adidiny. Raha ny nanomezan’ Andriamanitra azy, dia ara-drariny sy voalanjalanja io rafitra io, nefa nahatonga izany ho enta-mavesatra mahasorena ny mpisorona sy ny raby.IFM 658.2

    Zava-dehibe avokoa izay rehetra baikon’ Andriamanitra. Neken’ i Kristy ho adidy ny fandoavana ny ampahafolony, nasehony koa anefa fa tsy mety ho fialan-tsiny hanaovana an-tsirambina ny adidy hafa izany. Sarotiny be ny Fariseo teo amin’ ny fandoavana ny ampahafolon’ ny zava-manitra teo amin’ ny sahany, toy ny solila sy ny aneta ary ny komina ; tsy lafo taminy izany ; ary nampahalaza azy ho manao ny marina sy ho masina izany. Niaraka tamin’ izany anefa dia nanindry mafy ny vahoaka sy nanimba ny fanajany ilay rafitra masina notendren’ Andriamanitra ny fameperana tsy misy antony nataony. Nameno ny sain’ ny olona tamin’ ny fanavakavahana maivamaivana izany, ka nampiodina ny sainy hiala amin’ ny fahamarinana tena lehibe. Izay mavesa-danja kokoa ao amin’ ny lalàna, dia ny fahamarinana, ny famindrampo ary ny fahatokiana dia natao an-tsirambina. «Ireto, hoy Kristy, tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana».IFM 659.1

    Nisy lalàna hafa koa navadiky ny raby toy izany. Ny torohevitra nomen’ i Mosesy, dia nisakana ny fihinanana ny zava-maloto rehetra. Ny fihinanana nofon-kisoa, sy ny nofon’ ny biby hafa dia noraràna, satria mameno loto ny rà, ka mahafohy ny fiainana. Tsy navelan’ ny Fariseo araka izay nanòmezan’ Andriamanitra azy anefa ireo fameperana ireo, *fa nandray an-tendrony tsy amin’ antony izy. Anisan’ izany dia nasaina nifady ny fampiasana ny rano rehetra ny olona, sao misy biby madinika indrindra izany, izay azo atao anisan’ ny biby maloto. Nasongadin’ i Jesosy ny fahasamihafan’ ireo fitakiana maivamaivana ireo amin’ ny fahalehibeazan’ ny tena fahotana, ka hoy izy tamin’ ny Fariseo : «Ry mpitarika jamba ! tantavaninareo ny moka, nefa atelinareo ny rameva».IFM 659.2

    «Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy ! fa hianareo dia tahaka ny fasana milalotra fotsy izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ao anatiny dia feno taolan’ ny maty mbamin’ ny fahalotoana rehetra». Toy ny fasana voalalotra fotsy sy nohaingoana tsara tarehy izay nanafina ny faty lo ao anatiny, dia toy izany ny fahamasinana ivelan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka izay nanafina faharatsiana. Hoy Jesosy nanohy :IFM 660.1

    «Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy ! fa manao ny fasan’ ny mpaminany hianareo sady manisy haingony ny rarivatom-pasan’ ny marina, ka hoy hianareo : Raha niara-belona tamin’ ny razanay izahay, dia tsy mba nikambana taminy handatsadrà ny mpaminany. Ka dia miampanga tena hianareo fa zanak’ izay namono ny mpaminany». Mba hanehoany ny fitiavany ny mpaminany maty, dia nafana fo fatratra ny Jiosy nanaingo ny fasany ; nefa tsy nandray tombon-tsoa tamin’ ny fampianarany izy, na nihaino ny fananarana nataony.IFM 660.2

    Tamin’ ny andron’ i Kristy dia nisy finoanoam-poana nitarika fikarakarana ny toerana ialan’ ny maty sasatra mba hanaingoana azy. Eo imason’ Andriamanitra dia fanompoan-tsampy izany. Ny fikarakarany ny maty tsy araka izay tokony ho izy dia nanehoan’ ny olona fa tsy tia an’ Andriamanitra ambonin’ ny zavatra rehetra izy na ny namany tahaka ny tenany. Mitatra betsaka io fanompoantsampy io ankehitriny. Betsaka no meloka noho ny fanaovany antsirambina ny mpitondratena sy ny kamboty, ny marary sy ny mahantra, mba hanorenana tsangambato lafo vidy ho an’ ny maty. Malalaka ny fandaniana ny fotoana, ny vola sy ny asa ho an’ izany, nefa ny adidy amin’ ny velona, — dia ny adidy izay namporisihin’ i Kristy mazava dia avela tsy vita.IFM 660.3

    Nanangana ny fasan’ ny mpaminany ny Fariseo, ary nanisy haingony ny rarivatom-pasany ka nifampilaza hoe : «Raha niarabelona tamin’ ny razanay izahay, dia tsy mba nikambana taminy handatsa-drà ny mpaminany» . Niaraka tamin’ izany fotoana izany dia nanao drafitra handatsaka ny ain’ ny Zanany izy. Tokony ho lesona ho antsika izany. Tokony hanokatra ny masontsika izany hahita ny hery entin’ i Satana mamitaka ny saina izay mitodika miala amin’ ny fahazavan’ ny fahamarinana. Betsaka no manaradia ny Fariseo. Manaja izay maty noho ny finoany izy. Mahagaga azy ny fahajamban’ ny Jiosy tamin’ ny nandavany an’ i Kristy. Raha velona tamin’ ny androny izahay, hoy izy ireo, dia ho noraisinay tamimpifaliana ny fampianarany, tsy ho nandray anjara mihitsy tamin’ ny helok’ ireo nandà ny Mpamonjy izahay. Nefa kosa rehefa mitaky fandavan-tena sy fanetren-tena ny fankatoavana an’ Andriamanitra, ireny olona ireny indrindra no manafoana ny zavatra ninoany, ka mandà ny hankato. Amin’ izany no anehoany ny toe-tsain’ ny Fariseo izay nomelohin’ i Kristy.IFM 660.4

    Tsy tsapan’ ny Jiosy firy ny andraikitra mahatsiravina raketin’ ny fandavana an’ i Kristy. Hatramin’ ny fotoana nandatsahana voalohany ny ran’ ny tsy manan-tsiny, rehefa matin’ ny tanan’ i Kaina i Abela ilay marina, dia niverimberina io tantara io, ary nitombo hatrany ny heloka tamin’ izany. Tamin’ ny fotoan’ andro rehetra dia efa nanandratra ny feony ny mpaminany, nanameloka ny fahotan’ ny mpanjaka, ny mpanapaka sy ny vahoaka, ka nanambara ny teny nomen’ Andriamanitra azy, sy nankato, ny sitrapony na dia nitera-doza ho an’ ny ainy aza izany. Niavosa sy niavosa hatrany ny famaizana mahatsiravina ho an’ ny mpandà ny fahazavana sy ny fahamarinana hatramin’ ny taranaka nifandimby. Izany ankehitriny no notarihin’ ny fahavalon’ i Kristy teo amin’ ny lohan’ izy tenany ihany. Lehibe noho ny an’ ireo taranaka talohany ny fahotan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka. Ny fandavany ny Mpamonjy dia nahatonga azy ho tompon’ andraikitry ny ran’ ny olona marina rehetra novonoina nanomboka tamin’ i Abela ka hatramin’ i Kristy. Hofenoiny izao ilay kapoaky ny faharatsiana efa mitobaka. Ary kely sisa dia harotsaka eo amin’ ny lohany ny famaliana araka ny fahamarinana. Nampitandrina azy ny amin’ izany Jesosy :IFM 661.1

    «Mba hanody anareo ny ra marina rehetra, izay nalatsaka tamin’ ny tany, hatramin’ ny ran’ i Abela marina ka hatramin’ ny ran’ i Zakaria, zanak’ i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan’ ny tempoly sy ny alitara. Lazaiko aminareo marina tokoa : Hanody ity taranaka ity izany rehetra izany».IFM 661.2

    Fantatry ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo izay nihaino an’ i Jesosy fa marina ny teniny. Fantany ny fomba namonoana ny mpaminany Zakaria. Raha mbola teo am-bavany ny teny fampitandremana avy amin’ Andriamanitra, dia romotra toy ny devoly ilay mpanjaka nihemotra, ka novonoina ho faty araka ny baikony ilay mpaminany. Namela marika teo amin’ ny vato, tao amin’ ny kianjan’ ny tempoly mihitsy ny rany, ka tsy azo nokosehina ; nitoetra izany mba ho vavolombelona hanameloka an’ Isiraely nihemotra. Raha mbola mijoro koa ny tempoly, dia hisy pentina avy amin’ io ran’ ny marina io, hiantso famaliana amin’ Andriamanitra. Raha milaza ireo fahotana mampivarahontsana ireo Jesosy, dia nangorintsina sy nivarahontsana ny vahoaka.IFM 661.3

    Nijery ny ho avy Jesosy ka nanambara fa ho tahaka ny tamin’ ny lasa ny tsy fetezan’ ny Jiosy mibebaka sy ny tsy fahazakany ny mpanompon’ Andriamanitra amin’ ny ho avy :IFM 662.1

    «Ary noho izany, indro, Izaho maniraka mpaminany sy olonkendry ary mpanora-dalàna ho aty aminareo, koa ny sasany hovonoinareo sy hohomboanareo amin’ ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokapohinareo ao amin’ ny synagoganareo sy henjehinareo mitety vohitra. Hohelohina sy hovonoina ny mpaminany sy ny olon-kendry, be finoana sy fenon’ ny Fanahy Masina — toa an-dry Stefana, Jakoba sy ny maro hafa koa. Nasandratr’ i Kristy tamin’ ny lanitra ny tanany, ary nisy fahazavana avy amin’ Andriamanitra nanodidina ny tenany, ary niteny toy ny mpitsara tamin’ ireo nanatrika Azy Izy. Ny feony, izay re matetika feno halemem-panahy sy fiangaviana, ankehitriny dia nanome tsiny sy nanameloka. Nangovitra ny mpihaino. Tsy ho voakosoka na oviana na oviana ny zavatra tsapany tamin’ ny alalan’ ny teniny sy ny fijeriny.IFM 662.2

    Nifantoka tamin’ ny fihatsarambelatsihy ny fahotana mivandravandra izay nanimban’ ny olona ny fanahin’ ny tenany, namitahany ny vahoaka sy nanalany baraka an’ Andriamanitra ny fahatezeran’ i Kristy. Ny fomba fihevitry ny mpisorona sy ny mpanapaka izay feno fitaka sy lainga, dia nahitany ny asan’ ireo fitaovan’ i Satana. Nanindrotsindrona sy lalina ny fiampangany ny fahotana ; tsy nanao teny mamaly faty mihitsy Izy anefa. Hatezerana masina tamin’ ny andrianan’ ny maizina fotsiny no tao aminy, fa tsy nampiseho toetra tezitezi-poana Izy tsy akory. Toy izany koa ny kristiana izay manana toetra mifandrindra amin’ Andriamanitra, manana ny toetra mamy mitory fitiavana sy famindrampo, dia hahatsapa hatezerana ara-drariny amin’ ny fahotana ; nefa tsy atosiky ny fironana ambany hamaly faty izay manao aminy toy izany izy. Na dia mifanehatra amin’ izay hetsehin’ ny hery avy any ambany mba hitana ny hevidiso aza izy, dia ho voatanany ihany ny ho tony sy ny hifehy tena ao amin’ i Kristy.IFM 662.3

    Ny fangorahan’ Andriamanitra no hita taratra teo amin’ ny endriky ny Zanak’ Andriamanitra raha nampitaredretra ny fijeriny teo amin’ ny tempoly sy teo amin’ ny mpihaino Azy Izy. Niloa-bava Izy tamin’ ny feo kendan’ ny tebiteby lalina tao am-pony sy ny ngidin’ ny ranomaso ka nanao hoe : «Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay namono ny mpaminany, sy nitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanomban’ ny akoho ny zanany ao ambanin’ ny elany, fa tsy nety hianareo !» Io no ady nisarahana. Ny fon’ Andriamanitra mihitsy no nitobaka teo amin’ ny fitomanian’ i Kristy. Fanaovam-beloma mifono zavamiafina izany nataon’ Ilay Andriamanitra feno fitiavana sy namindra fo ela.IFM 662.4

    Samy nangina ny Fariseo sy ny Sadoseo. Niantso ny mpianany Jesosy ka nivonona hiala ny tempoly, tsy toy ny olon-dresy ka voatery hiala tsy ho eo anatrehan’ ny fahavalony tsy akory, fa toy ny olona izay nahavita ny asany. Niala toy ny mpandresy avy teo amin’ ny ady Izy.IFM 663.1

    Ny vato sarobidin’ ny fahamarinana izay nivoaka avy teo amin’ ny molotr’ i Kristy tamin’ iny andro nanan-daza iny, dia voatahiry tao am-pon’ ny maro. Fisainana vaovao no vao nientana tao amin’ ny fiainana ho azy ireo, faniriana vaovao no nifoha, ary tantara vaovao no nanomboka. Taorian’ ny nanomboana an’ i Kristy tamin’ ny hazo fijaliana sy ny nananganana Azy tamin’ ny maty, dia niditra an-tsehatra ireo olona ireo ka nanatanteraka ny baiko nanirahan’ Andriamanitra azy tamin’ ny fahendrena sy ny hafanam-po nifanaraka tamin’ ny halehiben’ ny asa. Nitondra hafatra izay nanohina ny fon’ ny olona izy ireo, nampihena ny finoanoam-poana efa tranainy izay nanabotry ela ny fiainan’ ny olona an’ arivony. Teo anatrehan’ ny vavolombelona nataony dia nanjary angano sy arira ny hevitr’ olombelona sy ny filozofiany. Nanan-kery ny vokatra nitobaka avy tamin’ ny tenin’ ny Mpamonjy teo amin’ ny vahoaka izay gaga sy raiki-tahotra teo amin’ ny tempolin’ i Jerosalema.IFM 663.2

    Nisaraka tamin’ Andriamanitra anefa Isiraely amin’ ny mahafirenena azy. Noesorina ny sampana tena izy teo amin’ ny hazo Oliva. Nanopy maso farany ny tao anatin’ ny tempoly Jesosy ka niteny tamin’ alahelo sy ny fitarainana mafy indrindra hoe : «Indro, avela ho lao ny tranonareo ho anareo. Fa lazaiko aminareo : Hatramin’ izao dia tsy hahita Ahy tokoa hianareo mandra-pilazanareo hoe : Isaorana anie Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah». Hatramin’ izay dia nantsoiny hoe tranon’ ny Rainy ny tempoly ; fa ankehitriny kosa, raha nandalo ireo rindrina ireo handeha hivoaka any ivelany ny Zanak’ Andria-manitra, dia niala mandrakizay tamin’ ny tempoly natsangana ho voninahiny ny fanatrehan’ Andriamanitra. Hatramin’ izao dia tsy hisy dikany ny fanompoam-pivavahana hatao ao, ary ho fanarabiana ny asa fanompoana ao.IFM 663.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents