Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 86—Mandehana any amin’ ny firenena rehetra

    Indray mandingana sisa tsy hipetrahan’ i Kristy teo amin’ ny seza fiandrianany any an-danitra raha nanome ny baiko ho an’ ny mpianany hoe Izy : «Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany» 1Mifototra amin’ ny Matio 28 : 16-20 ity tòko ity.. «Mandehana any amin’ izao tontolo izao hianareo, ka mitoria ny Filazantsara amin’ ny olombelona rehetra» 2Mar. 16 : 15. Naverimberina hatrany ny teny, mba handraisan’ ny mpianatra tsara ny dikany. Ny mponina rehetra ambonin’ ny tany, ny ambony sy ny ambany, ny manankarena sy ny mahantra, no hamirapiratan’ ny fahazavan’ ny lanitra eo amin’ ny tara-pahazavana madio sy mahery. Ho mpiara-miasa amin’ ilay Mpanavotra azy ny mpianatra eo amin’ ny asa famonjena an’ izao tontolo izao.IFM 875.1

    Nomena ny roa ambin’ ny folo lahy ny baiko raha nihaona tamin’ i Kristy tao amin’ ny efitra ambony izy ; izao anefa dia nomena olona maromaro kokoa izany. Nisy fihaonana teo amin’ ny tendrombohitra iray tany Galilia, ka tafavory tao ny mpino rehetra tratr’ antso. Kristy mihitsy no nanondro ny fotoana sy ny toeran’ io fihaonana io talohan’ ny nahafatesany. Nampahatsiarovin’ ilay anjely teo amin’ ny fasany tamin’ ny mpianany ny teny fikasany hihaona Aminy any Galilia. Naverina tamin’ ny mpino nivory tany Jerosalema io teny io, ary tamin’ ny alalan’ izy ireo dia nahatratra olona manirery maro izay kivy noho ny fahafatesan’ ny Tompony. Liana dia liana tokoa ny rehetra nibanjina izany fotoana izany. Nizotra nankany amin’ ny toeram-pivoriana izy ireo nanaraka lalana manodidina avy tamin’ ny vazan-tany rehetra, mba tsy hanaitra ny ahiahin’ ny Jiosy be fialonana. Nientanentana ny fony raha tonga izy, nifampiresaka tamin-kafanampo ny amin’ ny vaovao reny momba an’ i Kristy.IFM 875.2

    Tamin’ ny fotoana voatondro dia sahabo ho dimanjato ny mpino tafangona nitsitokotoko teo amin’ ny tehezan’ ny tendrombohitra, may ny hahalala izay rehetra nety ho fantatra avy tamin’ izay nahita an’ i Kristy hatramin’ ny nitsanganany tamin’ ny maty. Notetezin’ ny mpianatra ny antoko isany, ka notantarainy izay rehetra hitany sy reny ny amin’ i Jesosy sady nitondra fanazavana avy amin’ ny Soratra Masina tahaka izay efa nataony taminy. Notantarain’ i Tomasy indray ny tsy finoany, ary nolazainy izay nandroaka ny fisalasalany. Tonga tampoka teo amin’ izy ireo Jesosy, ary tsy nisy afaka nilaza na avy taiza na tamin’ ny fomba ahoana. Maro tamin’ ireo nanatrika teo no tsy mbola nahita Azy hatramin’ izao ; nobanjininy teny amin’ ny tanany sy ny tongony anefa ny mariky ny nanomboana Azy ; tahaka ny endrik’ Andriamanitra ny fijery Azy, ary rehefa nahita Azy izy dia niankohoka taminy.IFM 876.1

    Nisy nisalasala anefa. Mety hiseho mandrakariva ny toy izany. Misy izay mahita fa sarotra ny mampiasa finoana, ka mametraka ny tenany eo amin’ ny an-tokon’ ny mpisalasala. Maty antoka be dia be izy ireo noho ny tsy finoany.IFM 876.2

    Io ihany no nihaonan’ i Jesosy tamin’ ny mpino maro taorian’ ny nitsanganany tamin’ ny maty. Tonga izy ka nilaza taminy hoe : «Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany». Niankohoka teo anatrehany ny mpianatra talohan’ ny nitenenany, nefa nampangitakitaka azy tamin’ ny hery manokana ny teniny nivoaka avy tamin’ ny molotra efa nakombon’ ny fahafatesana. Mpamonjy nitsangana tamin’ ny maty Izy izao. Maro tamin’ izy ireo no nahita Azy nampiasa ny heriny tamin’ ny fanasitranana ny marary sy ny nifehezany ny anjelin’ i Satana. Nino izy ireo fa nanana hery hanorina ny fanjakany ao Jerosalema Izy, hery hanosehana ny fanoherana rehetra, hery ambonin’ ny zavaboary rehetra. Efa nampangina ny rano nisafoaka Izy; nandeha teo ambonin’ ny onjan-drano mangilam-potsy Izy ; nanangana ny maty ho amin’ ny fiainana Izy. Izao Izy dia manambara fa nomena Azy «ny fahefana rehetra». Nanandratra ny sain’ ny mpihaino Azy ambonin’ ny zavatra eto an-tany sy ara-nofo ny teniny ka ho any amin’ ny zavatra any an-danitra sy mandrakizay. Nanome fiheverana ambony indrindra ny amin’ ny fahamendrehany sy ny voninahiny izany.IFM 876.3

    Fanambarana fa feno sy tanteraka ny sorona nataony ho an’ ny olona ny tenin’ i Kristy teo amin’ ny tendrombohitra ; tanteraka ny fepetran’ ny fanavotana; vita ny asa nahatongavany hotanterahina teto amin’ ity izao tontolo izao ity. Teo an-dalana ho any amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra Izy, handray ny voninahitra nomen’ ny anjely sy ny fanapahana ary ny fahefana rehetra. Niditra teo amin’ ny asany fanelanelanana Izy. Nitafy ny fahefana tsy misy fetra Izy raha nanome baiko ny mpianatra hoe : «Koa mandehana, hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ; sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo, ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ ny fahataperan’ izao tontolo izao».IFM 877.1

    Napetraka tamin’ ny vahoaka Jiosy ny fahamarinana masina; saingy nahatonga azy hitokana indrindra, sy handray an-tendrony be indrindra amin’ ny taranak’ olombelona rehetra ny fivavahan’ ny Fariseo. Izay rehetra mikasika ny mpisorona sy ny mpanapaka, ny fitafiany, ny fomba amam-panaony, ny fanompoam-pivavahany, ny lovan-tsofiny, dia samy nahatonga azy tsy ho afaka ho fahazavan’ izao tontolo izao. Nihevitra ny tenany ho izao tontolo izao ny firenena jiosy. Naniraka ny mpianany anefa Kristy hitory finoana sy fanompoam-pivavahana izay tsy misy na inona na inona ifandraisana amin’ ny firazanana na ny tany niaviana, fa finoana izay hifanentana amin’ ny olona rehetra, ny firenena rehetra, ny antokon’ olona rehetra.IFM 877.2

    Talohan’ ny nandaozany ny mpianany, dia nofaritan’ i Kristy mazava tsara ny toetran’ ny fanjakany. Nampahatsiaroviny azy izay efa nambarany teo aloha mikasika izany. Nolazainy fa tsy fikasany ny hanorina fanjakana ara-nofo, fa fanjakana ara-panahy eto amin’ ity izao tontolo izao ity. Tsy hanjaka eto amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida amin’ ny maha-mpanjaka ara-nofo Izy. Nosokafany taminy indray ny Soratra Masina, nasehony fa izay rehetra nitranga dia efa voalahatra tany an-danitra, tany amin’ ny filan-kevitry ny Ray sy ny tenany. Efa nambaran’ ny olona notsindrian’ ny Fanahy Masina mialoha ny zavatra rehetra. Hoy Izy : hitanareo fa izay rehetra nambarako anareo mikasika ny fandavana Ahy ho Mesia dia nitranga avokoa. Izay rehetra nolazaiko mikasika ny fanalam-baraka tsy maintsy zakaiko sy ny fahafatesana, dia voamarina avokoa. Nitsangana Aho ny andro fahatelo. Diniho amin-kafanam-po bebe kokoa ny Soratra Masina, dia ho hitanareo fa tanteraka izay rehetra filazana manokana nataon’ ny faminaniana momba Ahy amin’ ireny zavatra rehetra ireny.IFM 877.3

    Naniraka ny mpianany Kristy hanao ny asa navelany teo am-pelatanany ka ao Jerosalema no atomboka. Jerosalema no sehatra nisehoan’ ny fanetren-tenany mahagaga ho an’ ny taranak’ olombelona. Tao Izy no nijaly, nolavina sy nohelohina. Toerana nahaterahany ny tanin’ i Jodia. Tao Izy, nitafy ny maha-olombelona, niara-nandeha tamin’ ny olona ka vitsy no nahita ny nidinan’ ny lanitra akaikin’ ny tany raha teo anivon’ izy ireo Jesosy. Tsy maintsy ao Jerosalema no manomboka ny asany ny mpianatra.IFM 878.1

    Raha nahita izay rehetra niaretan’ i Kristy tao, sy ny asa tsy nankasitrahana nataony ny mpianatra, dia mety niady hahazo saha be fanantenana kokoa izy ; tsy nanao izany izy anefa. Ny toerana indrindra, izay namafazan’ i Kristy ny voan’ ny fahamarinana no hokarakarain’ ny mpianatra, ary hitsimoka ny voa ka hitondra vokatra betsaka. Raha manao ny asany ny mpianatra, dia hisetra fanenjehana izy noho ny fialonan’ ny Jiosy sy ny fankahalany; izany anefa dia efa nozakain’ ny Tompony, ary tsy tokony handositra izany izy. Tsy maintsy ny mpamono ny Mpamonjy no tolorana voalohany ny famindrampo.IFM 878.2

    Nisy maro tao Jerosalema, izay nino mangina an’ i Jesosy, ary maro koa no voafitaky ny mpisorona sy ny mpanapaka. Tokony haseho an’ ireny ny filazantsara. Tokony hantsoina ho amin’ ny fibebahana izy. Tokony hatao mazava ny fahamarinana mahagaga milaza fa amin’ ny alalan’ i Kristy irery no mety ahazoana ny fanesorana ny fahotana. Raha mbola taitra tamin’ ny toe-javatra nampangitakitaka herinandro vitsy lasa izay Jerosalema manontolo, dia ho tafalatsaka lalina ao am-pony ny fitoriana ny filazantsara.IFM 878.3

    Tsy tokony hijanona eo anefa ny asa. Tokony hitatra hatrany amin’ ny faran’ ny tany izany. Hoy Kristy tamin’ ny mpianany : Vavolombelon’ ny fiainako feno fandavan-tena ho an’ izao tontolo izao ianareo. Vavolombelon’ ny asako ho an’ ny Isiraely ianareo. Na dia tsy hanatona Ahy aza ireo mba hahazoany fiainana, na dia nataon’ ny mpisorona sy ny mpanapaka tamiko aza izay niriny, na dia nandà Ahy aza izy araka izay nambaran’ ny Soratra Masina mialoha, dia mbola misy fotoana mety hafa indray hanekeny ny Zanak’ Andriamanitra. Hitanareo fa izay rehetra manatona Ahy, ka miaiky ny fahotany, dia raisiko malalaka. Izay manatona Ahy tsy mba holaviko mihitsy. Izay rehetra mety, dia ho vita fihavanana amin’ Andriamanitra ka handray fiainana mandrakizay. Ianareo, ry mpianatro, no hametrahako io hafatry ny famindrampo io. Homena an’ Isiraely aloha izany, dia vao ho an’ ny firenena rehetra, ny samihafa fiteny sy ny olona rehetra. Homena ny Jiosy sy ny Jentilisa izany. Izay rehetra mino dia hangonina ho fiangonana iray.IFM 878.4

    Amin’ ny alalan’ ny fanomezan’ ny Fanahy Masina, ny mpianatra dia handray hery mahagaga. Hohamafisin’ ny famantarana sy ny fahagagana ny fanambarana ataony. Hisy fahagagana, tsy hataon’ ny apostoly ihany, fa hataon’ ireo nandray ny hafatra entiny koa. Hoy Jesosy: «Hamoaka demonia amin’ ny anarako izy; hiteny amin’ ny fiteny izay tsy mbola hainy izy ; handray menarana izy ; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany ; hametra-tànana amin’ ny marary izy, dia ho sitrana ireny» 3Mar. 16 : 17.IFM 879.1

    Matetika no nampiasaina ny poizina tamin’ izany fotoana izany. Nisy olona maty eritreritra izay tsy nisalasala ny nampiasa io fomba io mba hamongorana ireo izay manelingelina ny hambom-pony. Fantatr’ i Jesosy fa hotandindomin’ izany loza izany ny fiainan’ ny mpianany. Betsaka no mety nihevitra fa fanompoana an’ Andriamanitra ny mamono ny vavolombelony. Noho izany dia nampanantena azy fiarovana amin’ io loza io Izy.IFM 879.2

    Hanana ny hery izay nentin’ i Jesosy «nanasitrana ny aretina rehetra mbamin’ ny rofy rehetra amin’ ny olona»4Mat. 4 : 23; 9 : 6 ny mpianatra. Ho vavolombelon’ ny heriny hanasitrana ny fanahy ny fanasitranany ny aretin’ ny nofo amin’ ny anarany. Koa nisy fanomezana vaovao nampanantenaina izao. Hitory amin’ ny firenena hafa ny mpianatra, ka handray hery izy hitenenany fiteny hafa. Olona tsy nandia fianarana ny apostoly sy ireo niaraka taminy, nefa noho ny firotsahan’ ny Fanahy tamin’ ny andro Pentekosta, dia nanjary nadio, tsotra, sy mazava ny fiteniny, teo amin’ ny voambolana sy ny filanton’ ny feo, na nampiasa ny fitenin-drazany izy na fitenimbahiny.IFM 879.3

    Toy izany no nanirahan’ i Kristy ny mpianany. Nomaniny avokoa izay rehetra nilaina ho fanohizana ny asa, ary noraisiny ho andraikiny ny fahombiazan’ izany. Raha mbola mankatò ny teniny izy, ka mifandray Aminy eo amin’ ny asa, dia tsy ho diso. Mandehana any amin’ ny firenena rehetra, hoy ny baikony taminy. Mandehana any amin’ ny faritra lavitra indrindra misy mipetraka eto an-tany, nefa fantaro fa ho ao Aho. Miasà amin’ ny finoana sy ny fahatokiana, fa tsy handao anareo mihitsy Aho.IFM 879.4

    Mahafaoka ny mpino rehetra ny iraka nampanaovin’ ny Mpamonjy ny mpianatra. Mahafaoka ny mpino an’ i Kristy rehetra hatramin’ ny faran’ ny andro izany. Fahadisoana mampididoza ny mihevitra fa miankina fotsiny amin’ ny mpitandrina voahosotra ny asa famonjena ny fanahy. Izay rehetra nandray ny aingam-panahy avy any an-danitra, dia hanankinana ny Filazantsara. Izay rehetra mandray ny fiainan’ i Kristy dia baikoina hiasa ho amin’ ny famonjena ny mpiara-belona aminy. Io asa io no nanorenana ny fiangonana, ary izay rehetra manao voady masina amin’ ny fiangonana, dia manaiky amin’ izany ho mpiara-miasa amin’ i Kristy.IFM 880.1

    «Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe : Avia. Ary aoka izay mandre hanao hoe : Avia» 5Apok. 22 : 17. Izay rehetra mandre ny fiantsoana dia tokony hamerina ny fiantsoana. Na inona na inona niantsoana olona iray eo amin’ ny fiainana, ny zavatra mahaliana azy voalohany dia ny hahazo fanahy ho an’ i Kristy. Mety tsy ho afaka miteny amin’ ny olona mivory izy, nefa azony atao ny miasa ho an’ ny tsirairay. Azony atao ny milaza amin’ ireo ny baiko noraisiny avy tamin’ ny Tompony. Tsy fitorian-tény fotsiny tsy akory ny asa fanompoana. Miasa koa izay manamaivana ny aretina sy ny fijaliana, manampy ny sahirana, manao teny fampaherezana ho an’ ny kivy sy ho an’ ny kely finoana. Misy fanahy vesaran’ ny fahatsapana ny helony, na any lavitra na akaiky. Tsy ny ady sarotra, ny asa mafy na ny fahantrana no manambany ny maha-olombelona, fa ny heloka, na ny fanaovana ny ratsy. Manala ny fiadanana sy mitondra tsy fahafahampo izany. Tian’ i Kristy raha miasa ho an’ ny fanahy mararin’ ny fahotana ny mpanompony.IFM 880.2

    Tokony hanomboka ny asany eo amin’ izay toerana misy azy avy ny mpianatra. Ny saha mafy indrindra sy tsy misy antenaina indrindra dia tsy azo dinganina. Toy izany koa, tokony hanomboka eo amin’ izay misy azy ny mpiasan’ i Kristy rehetra. Ao amin’ ny fianakaviantsika dia mety misy fanahy noana mitady firaisam-po, mosarena ny mofon’ aina; mety misy zaza hotezaina ho an’ i Kristy. Misy jentilisa eo am-baravarantsika mihitsy. Aoka hataontsika amin’ ny fomba mahatoky ny asa akaiky antsika indrindra. Avy eo dia aoka hitarina araka izay azon’ Andriamanitra hitarihana ny lalana ny ezaka ataontsika. Mety toa voafetran’ ny toe-javatra ny asan’ ny maro ; nefa na aiza na aiza izany, raha atao amin’ ny finoana sy ny hafanam-po, dia ho tsapa hatrany amin’ ny faran’ ny tany lavitra indrindra. Toa voafetra teo amin’ ny saha ety ny asan’ i Kristy fony Izy teto an-tany ; nefa vahoaka marobe avy amin’ ny faritra rehetra no mandre ny hafatra nampitondrainy. Ampiasain’ Andriamanitra matetika ny fomba tsotra indrindra mba hanatanterahana vokatra lehibe indrindra. Drafitra avy Aminy no iankinan’ ny lafin’ ny asany tsirairay amin’ ny lafiny hafa, tahaka ny kodiarana anaty kodiarana, ka mirindra ny fihetsiny rehetra. Ny mpiasa tsotra indrindra, hetsehin’ ny Fanahy Masina, dia hitendry tadin-javamaneno tsy hita maso, izay hanakoako hatramin’ ny faran’ ny tany ny fipararetrany, ka ho feo kanto mandritra ny mandrakizay.IFM 880.3

    «Tsy tokony ho very tsy ho eo imaso anefa ny baiko manao hoe : «Mandehana any amin’ izao tontolo izao». Antsoina isika hanandratra ny masontsika ho any amin’ ny «toerana any an-koatra». Narodan’ i Kristy ny rindrina mampisaraka, ka nalàny ny hevitra mibahana ao an-tsaina ny amin’ ny maha-olombelona, ary mampianatra ny fitiavana ny fianakavian’ ny olombelona manontolo Izy. Manandratra ny olona ho ambonin’ ny fari-bolana ety faritan’ ny fitiavan-tenany Izy ; foanany ny tsipika mampizara-tany rehetra sy ny fanavakavahana amboarina rehetra eo amin’ ny fiaraha-monina. Tsy asiany fanavahana ny mpifanolobodirindrina sy ny vahiny, ny sakaiza sy ny fahavalo. Mampianatra antsika hijery ny fanahy sahirana rehetra ho rahalahintsika izy, ary izao tontolo izao ho saha iasantsika.IFM 881.1

    Raha nilaza ny Mpamonjy hoe : «Mankanesa any amin’ ny firenena rehetra», dia nilaza koa izy hoe : «Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino : hamoaka demonia amin’ ny anarako izy, hiteny amin’ ny fiteny izay tsy mbola hainy izy, handray menarana izy ;-áry na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany, hametra-tànana amin’ ny marary izy dia ho sitrana ireny». Mahataka-davitra tahaka ny baiko ihany ny teny fikasana. Tsy nomena ny mpino tsirairay avokoa ny fanomezana rehetra. Ny fanahy no mizarazara azy rehetra avy araka ny sitrapony»61 kor. 12 : 11. Ampanantenaina ho an’ ny mpino tsirairay anefa ireo fanomezan’ ny fanahy ireo araka izay ilainy ho an’ ny asan’ ny Tompo. Manan-kery sy zo itokisana ankehitriny tahaka ny tamin’ ny andron’ ny apostoly ny teny fikasana. «Izao famantarana izao no hanaraka izay mino». Io no tombon-tsoan’ ny zanak’ Andriamanitra, ka tokony hamikitra amin’ izay rehetra mety ho azo atao ny finoana mba hampiharana ny teny fikasana.IFM 881.2

    «Hametra-tànana amin’ ny marary izy, dia ho sitrana ireny». Hopitaly midadasika ity izao tontolo izao ity, nefa tonga Kristy nanasitrana ny marary, hitory fanafahana amin’ ny babon’ i Satana. Fahasalamana sy tanjaka Izy tenany. Mizara ny ainy tamin’ ny marary, ny tra-pahoriana, ny manana demonia Izy. Tsy nisy nialany izay tonga mba handray ny heriny mahasitrana. Fantany fa izay nangataka fanampiana taminy dia nitondra aretina tao aminy; tsy nolaviny anefa ny nanasitrana azy. Ary rehefa niditra tao amin’ ireo fanahy mahantra ireo ny toetra tsara avy amin’ i Kristy, dia resy lahatra ny amin’ ny fahotany izy ireo, ka maro no sitrana tamin’ ny aretina ara-panahy, sy tamin’ ny aretina ara-nofo. Mbola manana io hery io ny Filazantsara, ary nahoana isika no tsy tokony hahita maso vokatra mitovy amin’ izany ?IFM 882.1

    Tsapan’ i Kristy ny fahorian’ ny mijaly rehetra. Rehefa nandrotika ny tenan’ ny olombelona ny fanahy ratsy, dia tsapan’ i Kristy ny ozona. Rehefa mandoro ny fikorianan’ ny fiainana ny tazo, dia tsapany ny ady mihatra aman’ aina. Koa vonona ny hanasitrana ny marary Izy izao, tahaka ny Izy fony teto an-tany ara-batana. Ny mpanompon’ i Kristy no solon-tenany, fantsona hiasany. Iriny ny hampiasa ny heriny manasitrana amin’ ny alalan’ ireo.IFM 882.2

    Teo amin’ ny fomba fitsaboan’ ny Mpamonjy, dia nisy lesona ho an’ ny mpianany. Indray mandeha dia nosorany tanimanga ny mason’ ny lehilahy jamba iray, dia nobaikoiny izy hoe : «Andeha, sasao ny masonao any amin’ ny farihin’ i Siloama . . . Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra»7Jao.9 : 7.IFM 882.3

    Nety ho vita tamin’ ny herin’ Ilay Mpanasitrana fotsiny ihany ny fitsaboana, nefa nampiasain’ i Kristy ny fitaovana tsotra eo amin’ ny zavaboary. Tsy nankasitraka ny fampiasana fanafody voatr’ olombelona Izy, fa nankatoaviny kosa ny fampiasana ny fanafody tsotra sy voajanahary.IFM 882.4

    Maro ireo tra-pahoriana nahazo fanasitranana no nataon’ i Kristy hoe : «Aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo»8Jao. 5 : 14. Toy izany no nampianarany fa vokatry ny fandikana ny lalàn’ Andriamanitra, eo amin’ ny ara-nofo sy ny ara-panahy, ny aretina. Tsy ho nisy ity fahoriana be eto amin’ izao tontolo izao ity, raha mba nivelona fotsiny tamin’ ny fomba nifandrindra tamin’ ny drafitry ny Mpahary ny olona.IFM 882.5

    Mpitarika sy mpampianatra teo amin’ Isiraely fahiny Kristy, ary nampianatra azy ireo Izy fa valisoan’ ny fankatoavana ny lalan’ Andriamanitra ny fahasalamana. Ilay Dokotera lehibe nanasitrana ny marary tany Palestina dia efa niteny tamin’ ny vahoakany avy tao amin’ ny andri-rahona, ka nilaza taminy izay tsy maintsy hataony sy izay tian’ Andriamanitra hatao ho azy. «Raha hazoto hihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao hianao, hoy Izy, ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina ireny ; izay nataoko tamin’ ny Egyptiana; fa Izaho no Jehovah Izay manasitrana anao» 9Eks. 15 : 26. Nanome baiko mazava ny Isiraely Kristy mikasika ny fahazarany eo amin’ ny fiainana, ka nanome toky Izy fa «harovany tsy ho azon’ aretina izy» 10Deot. 7 : 15. Rehefa notanterahin’ Isiraely ny fepetra, dia hita fa marina ny teny fikasana teo aminy. «Ary tsy nisy nangozohozo na dia iray akory aza tamin’ ny fireneny» 11Sal.105 : 37.IFM 883.1

    Ho antsika ireny lesona ireny. Misy fepetra tokony hotazonin’ izay rehetra te-hiaro ny fahasalamana. Tokony ho fantarin’ ny rehetra izany fepetra izany. Tsy mahafaly ny Tompo ny tsy fahalalana mikasika ny lalàny, na ara-nofo na ara-panahy. Tokony hiara-miasa amin’ Andriamanitra isika amin’ ny famerenana ny fahasalamana amin’ ny vatana sy amin’ ny fanahy koa.IFM 883.2

    Tokony hampianatra ny hafa koa isika hiaro sy hamerina ny fahasalamany. Ho an’ ny marary dia tokony hampiasa ny fanafody efa nomanin’ Andriamanitra eo amin’ ny zavaboary isika, ary tokony hanondro azy Ilay hany afaka mamerina izany, Asantsika ny mitondra ny marary sy ny mijaly eo amin’ i Kristy amin’ ny tanan’ ny finoantsika. Tokony hampianarintsika izy hino Ilay Mpanasitrana lehibe. Tokony hamikitra amin’ ny teny fikasany isika, ary hivavaka mba hisehoan’ ny heriny. Ny tena votoatin’ ny Filazantsara dia ny famerenana amin’ ny laoniny ny fahasalamana, ka tian’ ny Mpamonjy ny hibaikoantsika ny marary, ny tsy manana fanantenana, sy ny tra-pahoriana hamikitra amin’ ny heriny.IFM 883.3

    Tao amin’ ny fanasitranana rehetra nataon’ i Kristy ny herin’ ny fitiavana, koa ny fizarantsika io fitiavana io, amin’ ny alalan’ ny finoana, na mety hahatonga antsika ho fiasana hanao ny asany. Raha ataontsika antsirambina ny mamatotra ny tenantsika hifandray amin’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ i Kristy, dia tsy afaka hikoriana be dia be avy amintsika ho amin’ ny vahoaka ny hery manome aina toy ny herin’ aratra. Nisy toerana izay tsy nahazoan’ ny Mpamonjy mihitsy nanao asa betsaka feno hery, noho ny tsy finoana tao. Toy izany koa ankehitriny, mampisaraka ny Fiangonana amin’ Ilay Andriamanitra mpanampy azy ny tsy finoana. Moramora loatra ny famikirany ny tena zava-misy mandrakizay. Noho ny tsy fananan’ ny Fiangonana finoana, dia diso fanantenana Andriamanitra, ary norobaina ny voninahiny.IFM 883.4

    Eo amin’ ny fanaovana ny asan’ i Kristy no ananan’ ny Fiangonana ny teny fikasana momba ny fanatrehany. «Mandehana any amin’ ny firenena rehetra, hoy Izy ; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ ny fahataperan’ izao tontolo izao». Ny fitondrana ny ziogan’ i Jesosy no anisan’ ny fepetra voalohany amin’ ny handraisana ny heriny. Miankina mihitsy amin’ ny fahatokian’ ny fiangonana eo amin’ ny fanatanterahany ny iraky ny Tompo ny ainy. Marina tokoa fa ny fanaovana antsirambina an’ io asa io dia miantso fahalemena sy fahalovana ara-panahy. Manjavona ny fitiavana ary miha-vasoka ny finoana eo amin’ izay tsy misy asa mavitrika ho an’ ny hafa.IFM 884.1

    Nokasain’ i Kristy ny hahatonga ny mpanompony ho mpanabe ny fiangonana eo amin’ ny asa fitoriana ny Filazantsara. Tokony hampianatra ny olona hitady sy hamonjy ny very izy. Io asa io anefa ve no ataony ? Indrisy ! Akory ny havitsian’ ireo miasa mafy mba hitsotsòka ilay aina mielatra kely eo amin’ ny fiangonana efa ho faty! Akory ny havitsian’ ny fiangonana karakarain’ ireo tokony hitady ny ondry very, toy ny zanak’ ondry marary ! Ary amin’ ny fotoana rehetra dia an-tapitrisany sy an-tapitrisany no maty tsy manana an’ i Kristy.IFM 884.2

    Voahetsika hatramin’ ny fara-fahalalina tsy hita pesimpesenina ho an’ ny olona ny fitiavan’ Andriamanitra, ka gaga ny anjely nibanjina fa manify dia manify ny fankasitrahana hita eo amin’ ireo nandray fitiavana lehibe toy izany. Gaga ny anjely mahita ny fanka-sitrahana maivana asetrin’ ny olombelona ny fitiavan’ Andriamanitra. Tezitra ny lanitra mahita ny antsirambina atao amin’ ny fanahin’ ny olona. Tiantsika ho fantatra ve ny fijerin’ i Kristy izany ? Inona no ho fihetseham-pon’ ny ray na ny reny, raha fantany fa nolalovana fotsiny ny zanany izay very tany amin’ ny hatsiaka sy ny ranomandry, ka navelan’ ireo afaka namonjy azy ho faty ? Moa ve tsy halahelo mafy izy, ary tsy ho loza ve ny hatezerany ? Moa ve tsy hiampanga ireto mpamono olona amin-katezerana mangotraka arahin’ ny ranomaso be noho ny haben’ ny fitiavany izy ? Faho- rian’ ny zanak’ Andriamanitra ny fahorian’ ny olona tsirairay, ka izay tsy manatsotra ny tanany hanampy ireo mpiara-belona aminy efa ho faty dia mahatonga fahatezerana ara-drariny. Io no fahatezeran’ ny Zanak’ ondry. Izay milaza fa miaraka amin’ i Kristy, nefa tsy miraika amin’ izay ilain’ ny mpiara-belona aminy, dia hilazany izao teny izao amin’ ny andro fitsarana lehibe : «Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza hianareo ; mialà Amiko, hianareo rehetra mpanao meloka»12Lio. 13 ; 27.IFM 884.3

    Raha naniraka ny mpianany Kristy, dia tsy nofaritany fotsiny ny asany fa nomeny azy koa ny hafatra hoentiny. Ampianaro ny olona, hoy Izy, «hitandrina izay rehetra nandidiako anareo». Tokony hampianatra izay efa nampianarin’ i Kristy ny mpianatra. Izay nolazainy, tsy Izy tenany fotsiny, fa izay tamin’ ny alalan’ ny mpaminany sy ny mpampianatra ao amin’ ny Testamenta Taloha, dia voafaoka eto. Any ivelany ny fampianaran’ olombelona. Tsy misy toerana ho an’ ny lovan-tsofina, na ho an’ ny lalan-kevitra sy ny fehin-kevitry ny olombelona, na ho an’ ny lalàna nataon’ ny fiangonana. Tsy misy lalàna nataon’ ny fahefana ara-pivavahana voafaoka ao amin’ io iraka io. Tsy misy mpanompon’ i Kristy natao hampianatra ireny. «Ny lalàna sy ny mpaminany», miaraka amin’ ny tatitra momba ny teny sy ny asa nataon’ i Kristy, no harena sarobidy nankinina tamin’ ny mpianatra homena an’ izao tontolo izao. Ny anaran’ i Kristy no teny ifamantarany, io no marika mampiavaka azy, io no kofehy mampifamatotra azy, io no fahefana mitarika azy eo amin’ ny asany, ary io no loharano iavian’ ny fahombiazany. Tsy misy na inona na inona tsy mitondra ny soniany ka ho azo ekena ao amin’ ny fanjakany.IFM 885.1

    Tsy tokony haseho ho toy ny laha-kevitra tsy misy aina ny Filazantsara, fa toy ny hery misy aina manova ny fiainana. Irin’ Andriamanitra raha manjary vavolombelon’ ny heriny izay mandray ny fahasoavany. Ekeny malalaka izay nanana fiainana nandratra Azy indrindra, rehefa mibebaka izy dia zarainy aminy ny Fanahin’ Andriamanitra, apetrany eo amin’ ny toeram-pitokisana ambony indrindra izy, ka alefany any amin’ ny tobin’ ny tsy mahatoky mba hitory ny famindrampony tsy misy fetra. Tiany raha mijoro ho vavolombelona ny mpanompony, fa azon’ ny olona atao ny manana toetra amam-panahy tahaka ny an’ i Kristy amin’ ny alalan’ ny fahasoavany, ka afaka hiravoravo amin’ ny fahatokiana ny fitiavany lehibe. Tiany isika raha mijoro ho vavolombelona, fa tsy mety afa- Izy raha tsy tafaverina sy tafatoetra indray ao amin’ ireo tombontsoa masina maha-zanaka lahy sy zanaka vaviny ny taranak’ olombolona.IFM 885.2

    Ao amin’ i Kristy ny fahalemem-panahin’ ny mpiandry ondry, ny fitiavan’ ny ray aman-dreny, sy ny fahasoavan’ ny Mpamonjy tsy misy toa azy. Asehony amin’ ny teny mahasarika indrindra ny fitahiany. Tsy afa-po fotsiny manambara ireo fitahiana ireo Izy ; fa asehony amin’ ny fomba manintona indrindra izany, mba hanetsika ny faniriana hanana azy. Toy izany no tokony hanehoan’ ny mpanompony ny haren’ ny voninahitr’ Ilay Fanomezana tsy hay lazaina. Hampahalefaka sy hampilefitra ny fo ny fitiavan’ i Kristy mahagaga, rehefa tsy afaka hanao na inona na inona ny famerimberenana ny foto-pinoana. «Ampionòny, ampionòny ny oloko, hoy Andriamanitrareo» . «Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly Ò, miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema, izay mitondra teny soa mahafaly Ò, asandrato mafy ny feonao. Asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin’ ny tanànan’ i Joda hoe : Indro Andriamanitrareo ? . . . Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; ny sandriny no hanangonany ny zanak’ ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny»13Isa.40 : 1, 9-11. Lazao amin’ ny olona Ilay «notsongaina tamin’ ny alinalina» sy Ilay «mahate-ho tia» 14Ton.K. 5 : 10, 16. Tsy mahalaza izany raha ny teny irery. Aoka ho hita taratra eo amin’ ny toetra amam-panahy sy hiseho amin’ ny fiainana izany. Toy ny mipetraka alain-tsary Kristy mba ho ao amin’ ny mpianany tsirairay ny sariny. Notendren’ Andriamanitra mialoha ny tsirairay «hitovy endrika amin’ ny Zanany»15Rom. 8 : 29. Ao amin’ ny tsirairay no tokony haseho amin’ izao tontolo izao ny fitiavan’ i Kristy mahari-po, ny fahamasinany, ny fahalemem-panahiny ary ny fahamarinany.IFM 886.1

    Nandeha nitory ny Teny ny mpianatra voalohany. Naneho an’ i Kristy teo amin’ ny fiainany izy. Ary niara-niasa taminy ny Tompo, «nanamarina ny teny tamin’ ny famantarana izay nomba azy»16Mar. 16 : 20. Nanoman-tena ho amin’ ny asany ireo mpianatra ireo. Niara-nivory izy talohan’ ny andro Pentekosta ka namela ny fifandirana rehetra. Niray saina izy. Nino ny teny fikasana nataon’ i Kristy izy fa homena fitahiana, ary dia nivavaka tamin’ ny finoana. Tsy nangataka fitahiana ho an’ ny tenany samirery izy; nitambesatra taminy ny lanjan’ ny famonjena ny fanahy. Tokony hoentina hatrany amin’ ny faran’ ny tany ny Filazantsara, ka notakiany ny fanomezana ny hery izay nampanantenain’ i Kristy azy. Tamin’ izay no narotsaka ny Fanahy Masina, ka an’ arivony no niova fo indray andro.IFM 886.2

    Mety ho toy izany koa ankehitriny. Aoka tsy ny vinavinan’ ny olombelona no hotorina, fa ny tenin’ Andriamanitra. Aoka havelan’ ny kristiana ny adi-lahy, ka atolony an’ Andriamanitra ny tenany hamonjy ny very. Aoka izy hangataka ny fitahian’ Andriamanitra amim-pinoana, dia homena azy izany. «Loha-orana» 17Joela. 2 : 23 ny firotsahan’ ny Fanahy tamin’ ny andron’ ny Apostoly, ary be voninahitra ny vokatra. Nefa ho be lavitra ny «ranonorana aoriana».IFM 887.1

    Izay rehetra manokana ny tenany sy ny fanahiny ho an’ Andriamanitra dia handray mandrakariva ny fanomezana vaovao amin’ ny hery ara-batana sy ara-tsaina. Azony baikoina ny tahirin’ ny lanitra tsy mety ritra. Omen’ i Kristy azy ny fofon’ ain’ ny Fanahiny, dia ny ainy mihitsy. Mamoaka ny heriny ambony indrindra ao am-pony sy ao an-tsainy ny Fanahy Masina. Mampidadasika sy mampitombo ny fahazoany miasa ny fahasoavan’ Andriamanitra, ary tonga manampy azy eo amin’ ny asa famonjena fanahy ny fahatanterahana rehetra eo amin’ ny toetran’ Andriamanitra. Tanteraka ao Aminy izy amin’ ny alalan’ ny fiaraha-miasa amin’ i Kristy, ka atao afaka manao ny asan’ Ilay manana ny hery rehetra izy ao amin’ ny fahalemen’ ny maha-olombelona azy.IFM 887.2

    Irin’ ny Mpamonjy mafy ny hanaho ny fahasoavany ka hametraka ny toetra amam-panahiny ho toy ny fitomboka eo amin’ izao tontolo izao manontolo. Fananany novidiny ireo ka iriny ny hahatonga ny olona ho afaka, sy hadio ary ho masina. Na dia miasa hanakana io fikasana io aza i Satana, amin’ ny ra izay narotsaka ho an’ izao tontolo izao kosa, dia misy fandresena ho tanteraka, izay hitondra voninahitra ho an’ Andriamanitra sy ny Zanak’ ondry. Tsy ho afa-po Kristy raha tsy tanteraka ny fandresena, «ka hahita ny fisasaran’ ny fanahiny Izy ka ho afa-po»18Isa.53 : 11. Handre ny Filazantsaran’ ny fahasoavana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany. Tsy ny rehetra no handray ny fahasoavany, fa «hisy taranaka hanompo Azy ; ary ny Tompo dia ho lazaina amin’ ny taranaka ho avy»19Sal. 20 : 30. «Ary ny fanjakany sy hy fahasoavana ary ny fahalehibiazan’ ny fanjakana eny ambanin’ ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin’ ny Avo Indrindra» , ary «ny tany ho henika ny fahalalana an’ i Jehovah, tahaka ny anaronan’ ny rano ny fanambanin’ ny ranomasina». «Ary hatrany andrefana dia hatahotra ny anaran’ i Jehovah ny olona ary ny voninahiny hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro» 20Dan. 7 : 27 ; Isa. 11 : 9 ; 59 19.IFM 887.3

    «Akory ny hatsaran’ ny tongotr’ irỳ mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana ! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin’ i Ziona hoe : Mpanjaka Andriamanitrao ! . . . Velomy ny hoby, ry fitoeran-drava any Jerosalema ; fa Jehovah efa nampionona ny olony . . . Jehovah efa nampiseho ny sandriny masina teo imason’ ny firenena rehetra; ary ny farany tany rehetra hahita ny famonjen’ Andriamanitsika» 21Isaia. 52 : 7-10.IFM 888.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents