Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 12—Ny fakam-panahy

    «Ary Jesosy feno ny Fanahy Masina dia niverina avy tany Jordana. ary nentin’ ny Fanahy tany an-efitra». Mbola mirakitra hevi-dehibe noho izany ny tenin’ i Marka. Hoy izy : «Ary niaraka tamin’ izay dia nampandehanin’ ny Fanahy ho any an-efitra lzy. Ary tany an-efitra efapolo andro Izy ka nalain’ i Satana fanahy ; ary teo amin’ ny bibi-dia Izy»1Mifototra amin ’ny Mat.4:1-11; Mar.1:12,13;Lio.4:1-13. «Ary tsy nihinan-kanina akory Izy tamin’ izany andro izany».IFM 103.1

    Raha nentina nankany an-efitra mba halaim-panahy Jesosy, dia ny Fanahin’ Andriamanitra no nitondra Azy. Tsy nitady ny fakampanahy Izy. Nandeha tany an-efitra Izy mba ho irery, handinika ny iraka nampanaovina Azy sy ny asany. Amin’ ny alalan’ ny fifadian-kanina sy ny fivavahana dia hampahery ny tenany Izy hiatrehany ny lalana voapentin’ ny ra izay tsy maintsy hodiaviny. Fantatr’ i Satana anefa fa nankany an-efitra ny Mpamonjy, ka noheveriny fa io no fotoana mety indrindra hanatonana Azy.IFM 103.2

    Zava-dehibe loatra ho an’ izao tontolo izao no nifandroritana teo amin’ ny ady nifanaovan’ ny Andrianan’ ny Fahazavana sy ilay mpitarika ny fanjakan’ ny maizina. Rehefa avy naka fanahy ny olona hanota i Satana, dia nilaza izy fa azy ny tany, ary nampiseho ny tenany ho andrianan’ ity tany ity. Rehefa nampitoviany tamin’ ny tenany ireo ray sy reny niandohantsika, dia nihevitra ny hanangana ny fanjakany eto an-tany izy. Nambarany fa efa nifidy azy ho mpanjakany ny olona. Nofeheziny ny olona ka tamin’ ny alalan’ izany no nitanany ny fanapahana an’ izao tontolo izao. Nandrava ny fihaniboan’ i Satana ny fahatongavan’ i Kristy. Amin’ ny mahaZanak’ olona Azy, dia hijoro ho mahatoky amin’ Andriamanitra Kristy. Haseho amin’ izany fa tsy voafehin’ i Satana tanteraka ny taranak’ olombelona, ary diso ny fihamboany ho manam-pahefana eto amin’ izao tontolo izao. Ho afa-mandositra izay rehetra maniry fahafahana amin’ ny heriny. Ho tafaverina ny fanjakana very tamin’ ny alalan’ ny fahotan’ i Adama.IFM 103.3

    Hatramin’ ny nilazana tamin’ ny menarana tao Edena hoe : «Hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany»2Gen.3:15. , dia efa fantatr’ i Satana fa tsy hanjaka mandrakizay eto amin’ izao tontolo izao izy. Hita teo amin’ ny olona ny fisian’ ny hery izay nanohitra ny fanjakany. Nahaliana azy mafy ny nanaramaso an’ i Adama sy ireo zanany nitondra fanatitra. Hitany teo amin’ ireo fanompoam-pivavahana ireo ny tandindon’ ny firaisan’ ny tany sy ny lanitra. Nanomboka hanapaka io firaisana io izy. Nasehony tamin’ ny fomba diso Andriamanitra. ary nodisoiny ny dikan’ ireo fanompoam-pivavahana manondro ny Mpamonjy. Notarihina ny olona hihevitra an’ Andriamanitra ho mahatahotra ka finaritra amin’ ny fandringanana ny voahariny. Ireo fanatitra izay tokony hanambara ny fitiavany. dia natolotra mba hampitony fotsiny ny fahatezerany. Notairin’ i Satana ny fironana ratsy ao amin’ ny olona mba hanamafy ny fifehezany azy. Rehefa nomena ny tenin’ Andriamanitra voasoratra, dia nodinihin’ i Satana ireo faminaniana momba ny fiavian’ ny Mpamonjy. Nandritra ny taranaka nifandimby dia niasa izy hanamaizina ny saina momba ireo faminaniana ireo, mba handavany an’ i Kristy amin’ ny fiaviany.IFM 104.1

    Fantatr’ i Satana, tamin’ ny nahaterahan’ i Jesosy, fa tonga Ilay nirahin’ Andriamanitra haka ny fanjakany. Nangovitra izy raha nandre ny hafatry ny anjely nilaza marina ny amin’ ny fahefan’ Ilay Mpanjaka vao teraka. Fantatr’ i Satana tsara ny toerana notanan’ i Kristy tany an-danitra amin’ ny maha-Malalan’ ny Ray Azy. Nahazendana sady nampihorohoro azy ny fahatongavan’ ny Zanak’ Andriamanitra ho nofo. Tsy hainy refesina ny halalin’ io zava-miafin’ ny fahafoizan-tena lehibe io. Tsy takatry ny fanahiny feno fitiavan-tena ny fitiavana toy izany ho an’ ny taranaka lavo. Nanjavozavo ihany ny fahatakaran’ ny olona ny voninahitra sy ny fiadanan’ ny lanitra, ary ny fifaliana eo amin’ ny firaisana amin’ Andriamanitra; Losifera, ilay kerobima manaloka kosa dia nahatsapa ny fahavoazany ka tapa-kevitra hamaly faty amin’ ny fitarihana ny hafa any amin’ ny hantsana. Mba hahatanterahany ny tetiny, dia tarihiny ny olona hampihem-bidy ny zavatry ny lanitra ka hametraka ny fony amin’ ny zavatry ny tany.IFM 104.2

    Tsy hoe tsy hisy fanakatsakanana tsy akory ny ahazoan’ Ilay Komandin’ ny lanitra ny fanahin’ ny olona ho amin’ ny fanjakany. Hatramin’ ny fotoana nahazazakely Azy tany Betlehema, dia notafihin’ ilay ratsy tsy an-kijanona Izy. Naseho tao amin’ i Kristy ny endrik’ Andriamanitra, ary tapaka tao amin’ ny filan-kevitr’ i Satana fa horesena Izy. Nanomboka teo dia tsy mbola nisy olom-belona afa-nandositra ny herin’ ilay mpamitaka. Niara-nioko hanohitra an’ i Kristy ny herin’ ny ratsy rehetra, mba hiditra amin’ ny ady atao Aminy, ary raha azo atao mba handresy Azy.IFM 105.1

    Nanatrika ny batisan’ ny Mpamonjy i Satana. Nandre ny feon’ i Jehovah nanamarina ny maha-Andriamanitra an’ i Jesosy izy. Hatramin’ ny nanotan’ i Adama, rehefa tapaka ny fifandraisana mivantana nisy teo amin’ ny taranak’ olombelona sy Andriamanitra, dia tamin’ ny alalan’ i Kristy indray no nisian’ ny fifaneraseran’ ny lanitra sy ny tany ; tonga anefa Jesosy ankehitriny «naka ny endriky ny nofo ota»3Rom. 8 : 3. , ary ny Ray mihitsy no nanambara izany. Efa nifandray tamin’ ny taranak’ olombelona tamin’ ny alalan’ i Kristy Izy talohan’ izao; ankehitriny Izy mifandray amin’ ny taranak’ olombelona ao amin’ i Kristy. Nanantena i Satana fa hahatonga fisarahana mandrakizay amin’ ny lanitra sy ny tany ny fankahalan’ Andriamanitra ny ratsy. Ankehitriny anefa mazava fa tafaverina ny firaisan’ Andriamanitra sy ny olona.IFM 105.2

    Hitan’ i Satana fa tsy maintsy mandresy izy na resy. Zava-dehibe loatra ny ho vokatry ny ady ka ‘tsy azo nankinina tamin’ ireo anjely mpiara-manao ratsy aminy. Tsy maintsy ny tenany mihitsy no mitarika ny fizotry ny ady. Nivondrona hanohitra ny Zanak’ Andriamanitra ny herin’ ny fihemorana rehetra. Kristy no nokendren’ ny fiadian’ ny helo rehetra asiana.IFM 105.3

    Betsaka no mijery io ady ifanaovan’ i Kristy sy i Satana io ho tsy misy fiantraikany firy amin’ ny fiainan’ ny tenany manokana; ka ho azy ireo dia tsy mahaliana firy izany. Nefa anie ka miverina ao am-pon’ ny olombelona tsirairay io ady io. Tsy misy mihitsy olona iray miala amin’ ny laharan’ ny ratsy hanompo an’ Andriamanitra ka tsy misetra ny fanafihan’ i Satana. Ny fitaomana izay notoherin’ i Kristy dia ireo izay sarotra toherina indrindra ho antsika. Ary araka- raka ny maha-ambony lavitra ny toetra amam-panahiny no nampahery vaika izany. Raha nilonjitra ny lanja mahatsiravin’ ny fahotan’ izao tontolo izao Kristy, dia nalaim-panahy tamin’ ny fitiavankomana, sy ny fitiavana an’ izao tontolo izao, ary ny fitiavana fisehosehoana izay mamotraka ao amin’ ny fireharehana. Ireo fakam-panahy ireo koa no nandresy an’ i Adama sy Eva ary tsy mahagaga raha mora mandresy antsika koa.IFM 105.4

    Ny fahotan’ i Adama no notondroin’ i Satana ho porofon’ ny maha-tsy marina ny lalàn’ Andriamanitra sy ny tsy ahazoana mankatò azy. Nitafy ny maha-olombelona antsika Kristy mba hanonerany ny tsy lahombiazan’ i Adama. Fony namely an’ i Adama anefa ny fakam-panahy. dia tsy mbola nanan-kery taminy ny fahotana. Nijoro teo amin’ ny tanjaky ny maha-olombelona tanteraka azy izy, nanana hery feno teo amin’ ny saina sy ny tena, voahodidin’ ny voninahitr’ i Edena. ary nifandray isan’ andro tamin’ ireo mponin’ ny lanitra. Tsy toy izany Jesosy raha niditra tany an-efitra ka nifanehatra sy nandresy an’ i Satana. Nandritra ny efatra arivo taona dia efa nihena hatrany ny hery ara-batana. ara-tsaina sy ny fahamendrehana ara-pitondrantena teo amin’ ny taranak’ olombelona; koa ny tahalemen’ ny olombelona ela simba no noraisin’ i Kristy teo Aminy. Aminizany fomba izany ihany no ahazoany mamonjy ny olona ho afaka amin’ ny fitotonganana farany ambany indrindra.IFM 106.1

    Betsaka no milaza fa tsy nety ho resin’ ny fakam-panahy Kristy. Raha izany. tsy ho azo napetraka teo amin’ ny toerana misy an’ i Adama Izy : tsy nety ho nahazo ny fandresena izay tsy nahombiazan’ i Adama ka tsy azony Izy. Raha tahiny isika nandalo ady sy fitsapana mafy noho izay nanjo an’ i Kristy, dia tsy ho hainy ny hamonjy antsika. Nefa dia nandray ny maha olombelona antsika miaraka amin’ ny firongo ratsiny rehetra ny Mpamonjintsika. Nihatra taminy ny fahazoana ho resin’ ny fakam-panahy. Tsy misy na inona na inona ho zakaintsika ka tsy efa niaretany.IFM 106.2

    Ho an’ i Kristy, tahaka ny ho an’ ireo mpivady masina tany Edena, dia ny fitiavan-komana no fototry ny fakam-panahy lehibe voalohany. Teo amin’ ny toerana niandohan’ ny fahaverezantsika, no nanombohana ny asa fanavotana antsika. Ny fampanaranam-po ny fitiavan-komana no nahalavo an’ i Adama, araka izany koa, ny fandavana ny fitiavan-komana no tsy maintsy handresen’ i Kristy. «Ary nifady hanina efa-polo andro sy efapolo alina Izy, koa nony afaka izany, dia noana. Dia nanatona ny mpaka fanahy» ka nanao taminy hoe : Raha zanak’ Andriamanitra Hianao. dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto. Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe : voasoratra hoe : Tsy ny mofo ihany no hiveloman’ ny olona fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra.IFM 106.3

    Hatramin’ ny andron’ i Adama ka hatramin’ ny an’ i, Kristy, dia nitombo tsy anerany ny herin’ ny fitiavan-komana sy ny fironana ambany. Toy izany no nampivarilavo sy nankarary ny olona ka raha amin’ ny tenany samirery dia tsy azony atao ny mandresy. Noho ny amin’ ny olona, dia nandresy ny fitsapana mafy sy mahery indrindra Kristy. Ho antsika no nampiasany fifehezantena mahery noho ny hanoanana na ny fahafatesana. Ary voafaoka ao amin’ io fandresena voalohany io ny vokatra hafa tafiditra ao amin’ ny ady ifanaovantsika amin’ ny herin’ ny maizina.IFM 107.1

    Raha nankany an-efitra Jesosy, dia voahodidin’ ny voninahitry ny Ray Izy. Babon’ ny firaisana tamin’ Andriamanitra Izy ka voasandratra tambonin’ ny fahalemen’ ny olombelona. Rehefa lasa anefa ny voninahitra. dia navela hiady amin’ ny fakam-panahy Izy. Nitangorona taminy tamin’ ny fotoana rehetra izany. Nihemotra teo anatrehan’ ny ady miandry Azy ny nofo maha-olombelona Azy. Nandritra ny efapolo andro Izy no nifady hanina sy nivavaka. Reraka sy nahia Izy noho ny hanoanana, trotraka sy torovana noho ny adin-tsaina nihatra aman’ aina. «ny tarehiny dia simba ka hoatra ny tsy tarehin’ olombelona akory»4Isa.52:14. Izao no totoana mety nandrasan’ i Satana. Nihevitra izy fa tonga ny andro handreseny an’ i Kristy.IFM 107.2

    Ho valin’ ny fivavahana nataon’ ny Mpamonjy, dia indro avy nanatona ny anankiray naka ny endriky ny anjelin’ ny lanitra nilaza fa manana hafatra nampanaovin’ Andriamanitra azy hanambara fa nifarana ny fifadian-kanina nataony. Tahaka ny nanirahan’ Andriamanitra anjely nihazona ny tanan’ i Abrahama tsy hanolotra an’ Isaka ho fanatitra, dia toy izany koa, afa-po tamin’ ny finiavan’ i Kristy handeha eo amin’ ilay lalana voapentin-dra ny Ray ka naniraka anjely hanafaka Azy ; izany no hafatra nampitondraina Azy. Reraka sy naniry hanina mafy ny Mpamonjy, raha tonga tampoka teo Aminy Satana. Notondroiny ireo vato izay nameno ny efitra ary izay nanana ny endriky ny mofo, ka hoy izy hoe : «Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto».IFM 107.3

    Na dia tahaka ny anjelin’ ny mazava aza ny fisehoany. dia naneho ny toetra amam-panahiny ny teny voalohany nataony. «Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao». Fitaomana ho amin’ ny tsy fahatokisana izany. Raha nanatanteraka ny hevitra natsipin’ i Satana Jesosy, dia fanekena ny fisalasalana izany. Nitetika hanjera an’ i Kristy tamin’ ny alalan’ ireo fomba izay nahitany fahombiazana indrindra teo amin’ ny taranak’ olombelona tany am-boalohany ilay mpaka fanahy. Hafetsena manao ahoana no nentin’ i Satana nanatona an’ i Eva tany Edena ! «Hanky ! efa nataon’ Andriamanitra hoe : Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ ny saha?» 5Gen. 3 : 1. Hatramin’ izao dia marina ny tenin’ ny mpaka fanahy ; nefa ny fomba filazany azy dia misy fanivaivana miafina ny tenin’ Andriamanitra. Nisy fomba an-kolaka nenti-nampiditra fisalasalana tamin’ ny teny marin’ Andriamanitra izany. Niezaka i Satana hampiditra moramora ao an-tsain’ i Eva ny fisainana fa tsy hanao izay efa nolazainy Andriamanitra ; fa ny fiarovany ny voankazo tsara tarehy toy izany dia mifanohitra amin’ ny fitiavany sy ny fangorahany ny olona. Miezaka izao ilay mpaka fanahy hampiditra ny fihetseham-pon’ ny tenany ao amin’ i Kristy. «Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao». Nilaza fahatezerana mangidy avy tao an-tsainy ireo teny ireo. Tsy finoana tanteraka no re teo amin’ ny fomba fiteniny. Dia hataon’ Andriamanitra toy izao ve ny Zanany ? Dia havelany irery any an-efitra, tsy manan-kohanina. tsy mana-namana, tsy misy izay mampiadana azy, miaraka amin’ ny bibi-dia ve Izy ? Nampidiriny moramora tao an-tsaina fa na oviana na oviana Andriamanitra tsy nikasa ny hametraka ny Zanany amin’ ny toerana toy izao. «Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao», dia asehoy ny herinao amin’ ny fanatonena izao hanoananao izao. Teneno ho tonga mofo ireto vato ireo.IFM 108.1

    Mbola manakoako ao an-tsofin’ i Satana ny teny avy tany an-danitra nanao hoe : «Ity no Zanako Malalako Izay sitrako»6Mat.3:17. Nanapa-kevitra izy anefa fa hanao izay tsy hinoan’ i Kristy io teny vavolombelona io. Ny tenin’ Andriamanitra no toky nananan’ i Kristy momba ny iraka nampanaovin’ Andriamanitra Azy. Tonga Izy mba hivelona amin’ ny maha-olona Azy eo anivon’ ny olona, ary ny teny koa no nanambara ny fifandraisany amin’ ny lanitra. Fikasan’ i Satana ny hampisalasala Azy ny amin’ io teny io. Raha azo hozongozonina ny fitokisan’ i Kristy an’ Andriamanitra, dia fantatr’ i Satana fa ho azony ny fandresena eo amin’ ny ady manontolo. Ho azony resena Jesosy. Nanantena izy fa noho ny hamafin’ ny faharerahany sy ny hanoanany be indrindra. dia ho very ny finoan’ i Kristy ny Rainy ka hanao fahagagana ho an’ ny tenany lzy. Raha nanao izany Izy, dia ho montsamontsana ny drafitry ny fanavotana.IFM 108.2

    Fony nifanandrina voalohany i Satana sy ny Zanak’ Andriamanitra, dia Komandin’ ny tafiky ny lanitra Kristy ary voaroaka i Satana, izay nitarika ny fikomiana tany an-danitra. Ankehitriny, toa mifamadika izao ny toerana nisy azy ireo. koa nohararaotin’ i Satana araka izay farany azony natao izay noheveriny fa tombontsoany. Nisy voaroaka avy tany an-danitra, hoy izy, ny anankiray tamin’ ny anjely mahery indrindra. Ny toe-javatra rehetra dia manambara fa Jesosy io anjely lavo io izay nafoin’ Andriamanitra sy nilaozan’ ny olona. Izay Andriamanitra marina dia afaka hanaporofo ny filazany amin’ ny fanaovana fahagagana : «Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, teneno ho tonga mofo io vato io». Ny asa famoronana toy izany, hoy ilay mpaka fanahy manantitrantitra, dia ho porofo tsy azo lavina ny maha-Andriamanitra. Hampifarana ny ady izany.IFM 109.1

    Tsy nilaozan’ ny tolona mafy Jesosy raha nihaino tamimpanginana ilay mpamitaka gagilahy. Tsy tokony hanaporofo ny maha-Andriamanitra Azy amin’ i Satana anefa ny Zanak’ Andriamanitra. na hanazava aminy ny anton’ ny fanetren-tenany. Tsy misy na inona na inona hahasoa ny olona na hanome voninahitra an’ Andriamanitra ny fanekeny ny fangatahan’ ilay mpikomy. Raha nanao araka ilay baikon’ i Satana an-kolaka Kristy, dia mbola hiteny indray i Satana hoe : «Anehoy famantarana aho mba hinoako fa Zanak’ Andriamanitra lanao». Tsy hisy vokany hanamontsana ny herin’ ny fikomiana ao am-pony ny porofo miharihary : ambonin’ izany, Kristy koa tsy tokony hampiasa ny herin’ ny maha-Andriamanitra Azy ho amin’ ny tombon-tsoan’ ny tenany. Tonga lzy mba hizaka fitsapana tahaka izay tsy maintsy hataontsika koa, ka namela ohatry ny finoana sy ny fileferana ho antsika. Na teo amin’ io fotoana io, na tamin’ ny fotoana manaraka teo amin’ ny fiainany teto an-tany, dia tsy nanao fahagagana ho an’ ny tenany Izy. Hahasoa ny hafa avokoa ny asa mahagaga rehetra nataony. Na dia fantatr’ i Jesosy hatramin’ ny voalohany aza i Satana, dia tsy voatarika hifamaly aminy Izy. Nampahery Azy ny fahatsiarovany an’ ilay feo avy tany an-danitra ka nitoetra teo amin’ ny fitiavan’ ny Rainy Izy. Tsy hifandahatra amin’ ny fakam-panahy Izy.IFM 109.2

    Ny tenin’ ny Soratra Masina no nentin’ i Jesosy nisetra an’ i Satana. «Voasoratra hoe», hoy Izy. Teo amin’ ny fakam-panahy rehetra dia ny tenin’ Andriamanitra no fiadiana nentiny niady. Nangataka lahagagana tamin’ i Kristy i Satana ho famantarana ny maha-Andriamanitra Azy. Nefa zava-dehibe noho ny fahagagana ny fiankinana tsy azo hozongozonina amin’ ny hoe : «Izao no lazain’ i Jehovah», izay famantarana tsy azo ladian-kevitra. Raha mbola mitana io toerana io Kristy dia tsy hisy tombony ho azon’ ilay mpaka fanahy.IFM 110.1

    Tamin’ ny fotoana naha-osa Azy indrindra no nanafihana Azy tamin’ ny takam-panahy masiaka indrindra. Tamin’ izany fomba izany no noheverin’ i Satana fa handreseny. Io tetika io no nahazoany landresena talohan’ izao. Rehefa mihamalefaka ny herim-batana sy mihamalemy ny herin’ ny sitrapo ary mitsahatra tsy miankina amin’ Andriamanitra ny finoana. amin’ izay dia resy ny olona izay niady ela sy tamin-kerimpo ho an’ ny fahamarinana. Sasatry ny niaraka tamin’ ny firenirenen’ ny Isiraely nandritra ny efapolo taona i Mosesy, ka reny nivembena ny finoany. Nanao fahadisoana izy raha tonga teo amin’ ny sisin’ ny tany nampanantenaina. Toy izany koa no nihatra tamin’ i Elia, izay nijoro tsy tamin-tahotra teo anatrehan’ ny mpanjaka Ahaba, niatrika ny firenen’ Isiraely manontolo notarihin’ ireo mpaminanin’ i Bala dimampolo sy efajato lahy. Taorian’ ilay andro mahatahotra nifamitaonana tao Karmela, rehefa naringana ireo mpaminany sandoka, ka nanambara ny hankatoavany an’ Andriamanitra ny vahoaka, dia nandositra hanavotra ny ainy teo anatrehan’ ny fandrahonana nataon’ ilay Jezebela mpanompo sampy Elia. Toy izany no nanararaotan’ i Satana ny fahalemen’ ny taranak’ olombelona. Ary mbola hiasa amin’ izany fomba izany ihany izy. Raha vao voahodidin-drahona ny olona iray, na very hevitra noho ny toe-javatra, na tra-pahoriana noho ny fahantrana sy ny alahelo, dia vonona i Satana haka fanahy sy hanorisory azy. Ny faritra malemy eo amin’ ny toetra amam-panahintsika no rarafany. Miezaka izy ny hanozongozona ny fahatokiantsika an’ Andriamanitra, Izay manaiky ny hisian’ ny toe-javatra toy izao. Alaim-panahy tsy hatoky an’ Andriamanitra isika sy hisalasala ny amin’ ny fitiavany. Matetika dia tonga eo amintsika, tahaka ny nahatongavany teo amin’ i Kristy, ny mpaka fanahy, ka velariny eo imasontsika ny fahalementsika sy ny kilemantsika Manantena izy amin’ izany fa ho kivy isika ka tsy ho afa-mandositra. Azony antoka amin’ izay ny hazany. Raha mety manohitra azy tahaka ny nataon’ i Jesosy isika, dia ho betsaka ny faharesena nandositra antsika. Ny fiadian-kevitra ataontsika amin’ ny fahavalo dia manome tombon-tsoa ho azy.IFM 110.2

    Raha niteny tamin’ ilay mpaka fanahy Kristy hoe : «Tsy mofo ihany no iveloman’ ny olona fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra», dia namerina ny teny izay efa nambarany tamin’ ny Isiraely efajato sy arivo taona mahery talohan’ izao Izy hoe : «Tsarovy ny làlana rehetra izay nitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao tany an-efitra. . . dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantariny anao fa tsy mofo ihany no iveloman’ ny olona. fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ i Jehovah no iveloman’ ny olona»7Deot.8:2,3. Tany an-efitra, reheta tsy nisy avokoa izay rehetra nety ho tohan’ aina, dia nalefan’ Andriamanitra. ho an’ ny vahoakany ny mana avy tany an-danitra; ampy sady tsy tapaka no nomeny Io hanina io dia natao hampianatra azy fa raha matoky an’ Andriamanitra sy mandeha amin’ ny lalàny izy. dia tsy handao azy Izy. Nampihatra tamin’ ny tenany ny lesona efa nampianariny an’ Isiraely izao ny Mpamonjy. Tamin’ ny alalan’ ny Tenin’ Andriamanitra no efa nanomezana fahombiazana ny tafika hebreo, ary amin’ ny alalan’ io tenin’ Andriamanitra io ihany koa no hanomezana izany an’ i Jesosy. Niandry ny fotoana voatendrin’ Andriamanitra Izy mba hanafaka Azy. Noho ny fankatoavany an’ Andriamanitra no naha tany an-efitra Azy. fa tsy hitady hanina amin’ ny fanarahana ny tolo-kevitr’ i Satana akory. Noporofoiny teo anatrehan’ izao rehetra izao izay vavolombelon’ izany. fa aleo kokoa ny miaritra izay rehetra mety hitranga. toy izay mihataka na dia kely fotsiny aza amin’ ny sitrapon’ Andriamanitra.IFM 111.1

    «Tsy mofo ihany no iveloman’ ny olona fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra». Matetika ny mpanaraka an’ i Kristy no tonga eo amin’ izay tsy ahazoany manompo an’ Andriamanitra, nefa koa ahafahany mampandroso tsara ny asany eo amin’ izao tontolo izao. Angamba mety hanapaka ny antom-pivelomany ny fankatoavana ny baikon’ Andriamanitra iray fantatra mazava. Ataon’ i Satana izay inoany amin’ izany fa tsara kokoa ny mandresy lahatra ny feon’ ny fieritreretana. Fa ny hany zavatra eto amin’ ity izao tontolo izao ity. izay azontsika iankinana, dia ny tenin’ Andriamanitra. «Katsaho aloha ny fanjakan Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany»8Mat. 6 : 33. Na dia eto amin’ ity fiainana ity aza dia tsy mahasoa antsika ny miala amin’ ny sitrapon’ ny Raintsika izay any an-danitra. Rehefa mianatra ny amin’ ny herin’ ny Teniny isika, dia tsy hanaraka ny hevitra asosok’ i Satana mba hahazoana hanin-kohanina na hamonjena ny aintsika. Ny hany fanontaniantsika dia ny hoe : Inona no baikon’ Andriamanitra ? ary inona no teny fikasany ? Rehefa mahalala ireo isika dia hankatò ny baikony ary hatoky ny teny fikasany.IFM 111.2

    Eo amin’ ny ady lehibe farany ifanaovany amin’ i Satana, dia ho hitan’ ireo izay mijoro ho an’ Andriamanitra fa ho tapaka tarangana izay mety ho fanohanana avy amin’ izao tontolo izao Satria mandà ny handika ny lalàn’ Andriamanitra izy mba tsy hankatoavana ny fahefana araka izao tontolo izao, dia ho raràna tsy hividy na hivarotra. Amin’ ny farany dia hisy lalàna hampamono azy.9Apok. 13 : 11-17. Omena ny mpankatò anefa ny teny fikasana manao hoe : «Izy no honina ao amin’ ny avo. Ny fitoerana avony dia ny fiarovana any amin’ ny harambato: izay hohaniny dia homena azy, ary ny rano hosotroiny tsy ho diso»10Isa. 33 : 16. Araka io teny fikasana io dia ho velona ny Zanak’ Andriamanitra. Rehefa ho lao noho ny mosary ny tany, izy kosa homen-kanina. «Tsy mba ho menatra amin’ ny andro fahoriana ireny ; ary amin’ ny taona mosarena dia ho voky izy»11Sal. 37 : 19. Nobanjinin’ ny mpaminany Habakoka io andrompahoriana io, ary manambara ny finoan’ ny fiangonana ny teniny hoe : «Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, ary tsy misy voany ny voaloboka, na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, na dia vonoina aza ny ondry ao amin’ ny vala, ary tsy misy omby ao am-pahitra, — nefa izaho dia mbola hifaly amin’ i Jehovah ihany sy hiravoravo amin’ Andriamanitry ny famonjena ahy»12Hab. 3 : 17, 18.IFM 112.1

    Ny amin’ ireo lesona rehetra azo raisina avy amin’ ny fakampanahy lehibe voalohany nihatra tamin’ ny Tompontsika, dia tsy nisy lehibe noho ny fifehezana ny fitiavan-komana sy ny fironana ambany. Tamin’ ny fotoan’ andro rehetra, dia nahomby indrindra teo amin’ ny fanimbana sy ny fampitotonganana ny taranak’ olombelona ireo fakam-panahy izay miantefa amin’ ny nofo. Amin’ ny alalan’ ny tsy fahalalana onony no iasan’ i Satana hande- vonana ny hery ara-tsaina sy ara-pitondrantena, izay fanomezana sarobidy indrindra natolotr’ Andriamanitra ny olona. Tamin’ izany fomba izany no nahatonga ny olona tsy ho afaka hankafý ny zavatra misy vidiny mandrakizay. Amin’ ny alalan’ ny fampanaranam-po ny filan’ ny nofo no iezahan’ i Satana hikosoka ny soritry ny fitoviana amin’ Andriamanitra tsy ho eo amin’ ny fanahy.IFM 112.2

    Hisy indray, ary vao mainka hitombo aza, ny fanaranam-po tafahoatra mahatonga ny olona ho farofy sy etry tamin’ ny fiavian’ i Kristy voalohany, alohan’ ny fiaviany fanindroany. Ambaran’ i Kristy fa ho tahaka ny tamin’ ny andro talohan’ ny safo-drano sy ho tahaka ny tao Sodoma sy Gomora ny toetr’ izao tontolo izao. Hiharatsy hatrany ny eritreritra sy ny fisainan’ ny fo rehetra. Eo an-katok’ izany fotoana mahatahotra izany indrindra izao no ivelomantsika ankehitriny, ka tokony ho tonga ao am-pontsika ny lesona avy amin’ ny fifadian-kanina nataon’ ny Mpamonjy. Ny tebiteby tsy hay lazaina izay niaretan’ i Kristy ihany no ahazoantsika mahafantatra ny haben’ ny faharatsiana amin’ ny fanaranam-po tsy voafehy. Ambaran’ ny ohatra nomeny fa ny hany fanantenantsika ny amin’ ny fiainana mandrakizay, dia ny fitondrantsika ny fitiavan-komana sy ny fironana ambany hilefitra eo amin’ ny sitrapon’ Andriamanitra.IFM 113.1

    Raha amin’ ny herin’ ny tenantsika, dia tsy azontsika atao ny mandà ny fitakiana midedadeda ataon’ ny nofontsika efa lavo Amin’ ny alalany mantsy no hakan’ i Satana fanahy antsika. Fantatr’ i Kristy fa hanatona ny olona tsirairay avy i Satana. mba hanararaotra ny fahalemena nolovany sy hamandrika amin’ ny alalan’ ny hevitra diso asosony izay rehetra tsy mametraka ny fitokisany amin’ Andriamanitra. Koa raha nandeha tamin’ ny lalana izay tsy maintsy hodiavintsika ny Tompo, dia nanomana ny lalana hahazoantsika mandresy . Tsy sitrapony ny hametrahana antsika eo amin’ ny toerana tsy ahazoantsika tombon-dahiny eo amin’ ny ady amin’ i Satana. Tsy tiany hatahotra sy ho kivy isika amin’ ny fanafihana ataon’ ilay menarana : «Matokia, hoy Izy : Izaho efa naharesy izao tontolo izao»13Jao.16;33.IFM 113.2

    Aoka hibanjina ny Mpamonjy ao amin’ ny efitry ny fakampanahy izay eo am-pitolomana amin’ ny herin’ ny fitiavan-komana. Banjino Izy eo amin’ ny ady mihatra aman’ aina teo amin’ ny hazo fijaliana raha niloa-bava hoe : «Mangetaheta aho». Niaritra izay rehetra azontsika zakaina Izy. Antsika ny fandreseny. Niantehitra tamin’ ny fahendrena sy ny herin’ ny Kay any an-danitra Jesosy. Hoy Izy : «Fa Jehovah Tompo no hamonjy Ahy ka dia tsy resin-kenatra Aho.. . . ka fantatro fa tsy ho menatra Aho . . Indro. Jehovah Tompo no hamonjy ahy», hoy Izy amintsika raha nanondro ny ohatra nomen’ ny tenany Izy : «Iza aminareo no matahotra an’ i Jehovah ? . . . na iza na iza mandeha amin’ ny maizina ka tsy manana fahazavana, aoka izy hatoky ny anaran’ i Jehovah sy hiankina amin’ ny Andriamaniny» 14Isa. 50 : 7-10.IFM 113.3

    «Avy ny andrianan izao tontolo izao. nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izy. hoy Jesosy»15Jao. 14 : 30. Tsy nisy na inona na inona izay nifanahaka tamin’ ny lainga tsara lahatr’ l Satana tao Aminy. Tsy nanaiky ny hanota Izy. Na dia tamin’ ny eritreritra aza. dia tsy nilefitra tamin’ ny fakam-panahy lzy. Mety ho toy izany koa amintsika. Niray tamin’ ny maha-Andriamanitra ny maha-olombelona an’ i Kristy. Vonona ho amin’ ny ady lzy noho ny fitoeran’ ny Fanahy Masina tao aminy. Ary tonga Izy mba hanaovany antsika ho mpiray amin’ ny fomban’ Andriamanitra. Raha mbola miray Aminy amin’ ny alalan’ ny finoana isika, dia tsy manan-kery amintsika ny fahotana. Mandray ny tanan’ ny finoana ao amintsika Andriamanitra. ka tarihiny hamikitra mafy amin’ ny maha-Andriamanitra an’ i Kristy, mba hahatrarantsika ny fahatanterahan’ ny toetra amam-panahy.IFM 114.1

    Ary ahoana no ahatanterahan’ izany nasehon’ i Kristy antsika izany. Inona no fomba nandreseny teo amin’ ny ady nataony tamin’ i Satana? - Tamin’ ny alalan’ ny tenin’ Andriamanitra. Tamin’ ny alalan’ ny teny ihany no nahazoany nanohitra ny fakam-panahy. «Voasoratra hoe». hoy Izy. Ary nomena antsika «ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin’ ny fomban’ Andriamanitra amin’ izany hianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin’ izao tontolo izao noho ny filana»162 Pet. 1:4. Antsika ny teny fikasana rehetra ao amin’ ny tenin’ Andriamanitra. «Ny teny rehetra izay naloaky ny vavan’ Andriamanitra» no tokony hivelomantsika. Rehefa mamely anao ny fakam-panahy. dia aza mijery ny toe-javatra mitranga na ny fahalemen’ ny tenanao, fa ny herin’ ny teny jerena. Anao ny heriny rehetra. «Ato am-poko no iraketako ny teninao. hoy ny mpanao Salamo, mba tsy hanotako aminao». «Ny tenin’ ny molotrao no nitandremako tsy ho amin’ ny làlan’ ny mpanao an-keriny»17Sal.119:11;17:4.IFM 114.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents