Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 16—Tao amin’ny tempoliny

    «Rehefa afaka izany. dia nidina nankany Kapernaomy Jesosy mbamin’ ny reniny sy ny rahalahiny ary ny mpianany, nefa tsy nitoetra ela teo Izy. Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy, ka dia niakatra tany Jerosalema Jesosy»1Mifototra amin’ ny Jaona 2 : 12-22 ity toko ity.IFM 149.1

    Teny an-dalana dia niara-dia tamin’ ny antokon’ olona maro nandeha ho any amin’ ny renivohitra Jesosy. Tsy mbola nambarany ampahibemaso anefa ny asa nanirahana Azy, ka nifangaro tsy fantatry ny olona tao anaty vahoaka Izy. Tamin’ ny toe-javatra toy izao dia ny fiavian’ ny Mesia, izay nasongadin’ i Jaona tamin’ ny asa nanirahana azy, no matetika ambetin-teny. Noresahina maharitra tamin’ ny hafanam-po miredareda ny fanantenana ny ho fahalehibeazan’ ny firenena. Fantatr’ i Jesosy fa ho fahadisoam-panantenana no ho vokatr’ izany, satria hita fa fandraisana diso ny Soratra Masina izany. Tamin-jotom-po no nanazavany ny faminaniana ka niezahany hanainga ny vahoaka handinika akaiky kokoa ny tenin’ Andriamanitra.IFM 149.2

    Efa nampianarin’ ireo mpitarika jiosy ny vahoaka fa any Jerosalema izy no tokony hampianarina hanompo an’ Andriamanitra. Nandritra ny herinandron’ ny Paska, dia vahoaka marobe no nivory tao, tonga avy tamin’ ny faritr’ i Palestina rehetra, ary na dia avy tamin’ ny tany lavitra aza. Feno izany vahoaka nifanizina izany ny kianjan’ ny tempoly. Betsaka no tsy afaka nitondra ny fanatitra izay hatolotra ho tandindon’ Ilay Fanatitra lehibe. Mba hanampiana ireo, dia nisy biby namidy sy novidina tao amin’ ny kianja ivelan’ ny tempoly. Tao no nivory ny olona avy amin’ ny saranga rehetra mba hividy fanatitra. Tao no nanakalozana ny vola vahiny rehetra tamin’ ny vola fampiasa ao amin’ ny fitoerana masina.IFM 149.3

    Nasaina nandoa an-tsasaky ny sekely iray avy isan-taona ny Jiosy mba ho «avotry ny ainy»2Eks. 30 :12-16. , ary nampiasaina ho fanohanana ny tempoly ny vola voangona toy izany. Ankoatr’ izany, dia nisy vola be nentina natao fanatitra an-tsitrapo, hapetraka ao amin’ ny fitehirizan’ ny tempoly. Koa nangatahina ny vola vahiny rehetra hatakalo amin’ ny vola nantsoina hoe sekelin’ ny tempoly, izay nekena ho amin’ ny fanompoana ao amin’ ny fitoerana masina. Ny fanakalozana vola dia nohararaotina hanambakana sy hanaovana an-keriny ary nitombo ho varotra mahamenatra izany, izay loharano niavian’ ny tombom-barotra ho an’ ny mpisorona.IFM 150.1

    Nitaky vola tsy toko tsy forohana ny mpivarotra ho vidin’ ny biby ary nozarainy tamin’ ny mpisorona sy ny mpanapaka ny tombony. Toy izany no nampitombo ny harenany tamin’ ny fitsentsefana ny vahoaka. Nampianarina ny mpivavaka hino fa raha tsy manolotra fanatitra izy dia tsy hitoetra eo amin’ ny zanany sy ny taniny ny fitahian’ Andriamanitra. Noho izany dia azo antoka ho ambony ny vidin’ ny biby ; satria rehefa avy nandeha lavitra toy izany ny vahoaka dia tsy tiany ny hiverina any an-tokantranony, nefa tsy nahavita asa fanompoam-pivavahana izay antony nahatongavany.IFM 150.2

    Be dia be ny fanatitra natolotra tamin’ ny andron’ ny Paska ka nihalehibe ny tsena tao amin’ ny tempoly. Nanambara tsena fivarotam-biby fiompy naresaka fa tsy tempoly masin’ Andriamanitra ny tabataba vokatr’ izany. Re tao ny ady varotra mafana. ny fimàmàn’ ny omby, ny fibarareokan’ ny ondry, ny fitolokolokon’ ny voromailala, nifangaro tamin’ ny fikarantsan’ ny vola. Be loatra ny tabataba ka voakorontana ny mpivavaka ary ny vavaka natao tamin’ ny Avo Indrindra dia safotry ny antsoantso izay nameno ny tempoly. Nirehareha diso tafahoatra ny amin’ ny fitiavany vavaka ny Jiosy. Nihobiany ny tempoliny ary noraisiny ho fitenenan-dratsy ny teny natao ho tsy fankasitrahana izany. Sarotiny dia sarotiny izy tamin’ ny fanatanterahana ireo fanompoam-pivavahana nikasika izany, saingy efa nifehy tanteraka ny feon’ ny fieritreretany ny fitiavam-bola. Saika tsy fantany ny fahalaviran’ ny lalana nialany tamin’ ny zavatra nokendrena tany am-boalohany momba ireo fanompoam-pivavahana izay naorin’ hy tenan’ Andriamanitra mihitsy.IFM 150.3

    Fony nidina teo amin’ ny tendrombohitra Sinay Jehovah, dia nohamasinin’ ny fanatrehany ny toerana. Nobaikoina i Mosesy hanisy fefy manodidina ny tendrombohitra ka hanamasina izany, ary re ny tenin’ i Jehovah nampitandrina hoe : «Mitandrema hianareo mba tsy hiakatra ao amin’ ny tendrombohitra na hikasika ny sisiny akory aza, fa na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hatao maty tokoa; tsy hisy tànana hikasika azy, fa hotorahambato tokoa, na biby, na olona, tsy mba hovelomina izy»3Eks. 19 : 12, 13. Tamin’ izany no nampianarana ny lesona fa na aiza na aiza nanehoan’ Andriamanitra ny fanatrehany, dia masina io toerana io. Tokony ho noheverina ho masina ny manodidina ny tempolin’ Andriamanitra. Very tsy teo imaso anefa izany rehetra izany teo amin’ ny fifandroritana hahazo vola.IFM 151.1

    Nantsoina ho solontenan’ Andriamanitra teo amin’ ny firenena ny mpisorona sy ny mpanapaka; tokony no nahitsiny ireo fanao tafahoatra tao amin’ ny kianjan’ ny tempoly. Tokony ho nanome ohatry ny fahitsian-toetra sy ny fangorahana tamin’ ny vahoaka izy ireo. Tsy tokony nandinika izay tombon-tsoan’ ny tenany izy, fa tokony nijery akaiky kosa ny toerana nisy ny mpivavaka sy izay nilainy, ka ho vonona izy amin’ izay hanampy ireo izay tsy afaka nividy ny fanatitra notakiana. Tsy nataony anefa izany. Nanamafy ny fony ny fahihirana.IFM 151.2

    Tonga tamin’ io andro firavoravoana io ny mijaly, ny sahirana sy ny tra-pahoriana. Ny jamba, ny mandringa, ny marenina dia samy tao; nisy nentina tamin’ ny fandriana. Betsaka no tonga, nefa nahantra loatra ka tsy afaka nividy ny fanatitra tsotra indrindra ho an’ i Jehovah, nahantra loatra ka tsy afaka na dia ny hividy sakafo hampitony ny hanoanany aza. Ireo dia nalahelo mafy tamin’ ny teny navoakan’ ny mpisorona. Nirehareha tamin’ ny fitiavany vavaka ny mpisorona ; nilaza ny tenany ho mpiambina ny vahoaka izy, nefa sady tsy niray fo tamin’ ny olona izy no tsy nangoraka. Sasa-poana nitaraina hahazo sitraka tamin’ ireo ny mahantra, ny marary, ny miala aina. Tsy niteraka fangorahana tao am-pon’ ny mpisorona ny fijalian’ izy ireo.IFM 151.3

    Raha tonga tao amin’ ny tempoly Jesosy, dia nataony indray mijery ny toe-javatra rehetra. Hitany ny fifampiraharahana tsy marina. Hitany ny fahorian’ ny mahantra, izay nihevitra fa raha tsy misy ra latsaka, dia tsy hahazo famelana ny fahotany Hitany ny kianja ivelan’ ny tempoly natao toerana fanaovana varotra tsy masina. Nanjary toerana malalaka fifanakalozan-javatra ilay toerana masina voafefy.IFM 151.4

    Hitan’ i Kristy fa misy zavatra tsy maintsy havaozina. Maro dia maro ny fanompoam-pivavahana nasaina nataon’ ny olona, nefa tsy nampianariny azy akory ny heviny. Nanolotra fanatitra ny mpivavaka, nefa tsy fantany akory fa tandindon’ Ilay tena fanatitra tanteraka izany. Ary indro, teo anivon’ izy ireo, tsy nisy nahalala sady tsy nisy nanome voninahitra Azy Ilay nasehon’ ny tandindon’ ny fanompoam-pivavahana rehetra nataony. Efa nanome toro-marika momba ny fanatitra Izy. Tsapany ny lanjany amin’ ny mahatandindona azy, nefa hitany fa nanova ny heviny sady diso ny fandraisana azy Efa kely sisa dia ho very ny fanompoam-pivavahana ara-panahy. Tsy misy fatorana nampiray ny mpisorona sy ny mpanapaka tamin’ Ilay Andriamaniny. Nanorina fanompoampivavahana hafa noho izany no fototry ny asan’ i Kristy.IFM 152.1

    Fijery mahafanta-javatra no nentin’ i Kristy nanao indray mitopy maso ny toe-javatra teo anatrehany raha nijoro teo amin’ ny tohatra mankeo amin’ ny kianjan’ ny tempoly Izy. Mason’ ny mpaminany no nibanjinany ny ho avy, ary tsy ny taona ihany no hitany fa ny taona an-jatony sy ny arivo taona maro. Hitany ny fomba hoentin’ ny mpisorona sy ny mpanapaka hanala ny zon’ ny sahirana, sy ho sakanany ny hitoriana ny filazantsara amin’ ny mahantra. Hitany ny fomba hoenti-manafina ny fitiavan’ Andriamanitra amin’ ny mpanota sy hanaovan’ ny olona entam-barotra ny fahasoavany. Raha nibanjina ny zava-niseho Izy dia naneho fahatezerana sy fahefana ary hery ny endriny. Voasintona ho eo Aminy ny sain’ ny vahoaka. Mifantoka eo amin’ ny tavany ny mason’ ireo olona izay variana tamin’ ny varotra tsy masina. Tsy afaka miala Aminy ny fijeriny mibanjina Azy. Tsapany fa mamaky hatramin’ ny fisainana lalina indrindra io lehilahy io. ka mahita ny anton-javatra miafina manosika ny olona. Nisy nanandrana nanafina ny tavany, tahaka ny hoe voasoratra eo amin’ ny endriny iny ny asa ratsy nataony, ka hodinihin’ ireto maso mpamanta-javatra !IFM 152.2

    Nitsahatra ny tabataba. Nangina ny feon’ ny varotra sy ny adivarotra. Nanjary nampahory ny fanginana. Toa nisy fanajana niaro tahotra nanjaka tamin’ ny mpivory ; toa tahaka ny nantsoina teo anatrehan’ ny fitsaran’ Andriamanitra iny izy hampamoahana ny amin’ ny asany. Raha nijery an’ i Kristy izy, dia hitany ny mahaAndriamanitra manjelanjelatra ao amin’ ny tenan’ ny maha-olom- belona. Nijoro toy ny Mpitsara amin’ ny andro farany Ilay Andriandahin’ ny lanitra, tsy voahodidin’ ny voninahitra izay hanaraka Azy amin’ izay andro izay anefa Izy, fa efa manana ilay hery mahay mamaky ny ao am-po. Nahafaoka ny vahoaka marobe ny fijeriny, ka niditra ao amin’ ny tsirairay. Toa nijaridina ambonin’ izy ireo amin’ ny voninahitry ny manam-pahefana ny tenany, ary namirapiratra teo amin’ ny endriny ny fahazavana avy amin’ Andriamanitra. Miteny Izy. ary ilay feony mazava, mikarantsana, dia ilay feo tao Sinay nanambara ny lalàna dikain’ ny mpisorona sy ny mpanapaka, izay no re manakoako eny amin’ ny andohalambon’ ny tempoly nanao hoe : «Ento mivoaka ireto zavatra ireto ; aza atao trano fivarotana ny tranon’ ny Raiko».IFM 152.3

    Nidina ny tohatra moramora Izy, dia narangarangany ilay kotopia noraisiny tamin’ Izy niditra tao, ary nobaikoiny ireo olona ireo hiala eo amin’ ny manodidina ny tempoly. Hafanampo sy fihetsika henjana mbola tsy nasehony mihitsy no nentiny nanongana ireo latabatry ny mpanakaio vola. Raraka ny vola. nikorintsana teo amin’ ny vatososa teny amin’ ny gorodona. Tsy nisy nihevitra izay hanontany ny fahefany. Tsy nisy sahy nijanona nanangona ny tombom-barotra azony tamin’ ny fomba tsy tsara. Tsy nikapoka azy tamin’ ny kotopia akory Jesosy, fa teny an-tanany io kotopia tsotra io dia tahaka ny sabatra milela afo. Ny mpanao raharaha tao amin’ ny tempoly, ny mpisorona mpamisavisa izay ahazoany tombony, ny mpanao irakely sy ny mpivarotra biby fiompy, niaraka tamin’ ny ondriny sy ny ombiny, dia samy niroho ra niala teo, tsy nihevitra afa-tsy ny handositra ny fanamelohana noho ny fanatrehany.IFM 153.1

    Tahotra nampisavoritaka no nanenika ny vahoaka, rehefa tsapany fa nandindona azy ny maha-Andriamanitra an’ i Jesosy. Antsoantso feno tahotra no nivoaka tsy tana avy tamin’ ny molotra hatsatra an-jatony. Na dia ny mpianatra aza nangovitra. Raiki-tahotra izy noho ny teny sy ny fihetsik’ i Jesosy, izay tsy nitovy tamin’ ny fitondrantenany mahazatra. Tsaroany fa misy teny voasoratra momba azy manao hoe : «Fa ny firehetako ny amin’ ny tranonao no naharitra aina ahy»5Sal. 69 : 9.Vetivety dia lasa lavitry ny tempolin’ i Jehovah ireo vahoaka mitabataba, miaraka amin’ ny entam-barony. Afaka amin’ ny varotra tsy masina ny kianja, ary fahanginana lalina sy manetriketrika no nisolo toerana ny korontana niseho teo. Nahamasina ny tempoly natsangana ho voninahiny ankehitriny ny fanatrehan’ i Jehovah, dia izay nanamasina ny tendrombohitra Sinay koa fahiny.IFM 153.2

    Nanambara ny asa nanirahana Azy ho Mesia Jesosy sady nanomboka izany tamin’ ny nanadiovany ny tempoly. Natsangana ho fitoeran’ ny fanatrehan’ Andriamanitra io tempoly io ary natao mba hitondra lesona azo tsapain-tanana ho an’ ny Isiraely sy ho an’ izao tontolo izao. Hatramin’ ny mandrakizay dia fikasan’ Andriamanitra ny hahatonga izay noforoniny rehetra, hatramin’ ny serafima mamirapiratra sy masina ka hatramin’ ny olombelona, ho tempoly hitoeran’ ny Mpamorona. Noho ny fahotana, dia nijanona tsy ho tempoly ho an’ Andriamanitra ny taranak’ olombelona. Nohamaizinin’ ny ratsy sy nolotoiny ny fon’ ny olona ka tsy naneho intsony ny voninahitr’ Ilay Andriamanitra. Nefa tamin’ ny nandraisan’ ny Zanak’ Andriamanitra ny nofon’ olombelona, dia tanteraka ny fikasan’ ny lanitra. Nitoetra tao amin’ ny mahaolombelona Andriamanitra. ary amin’ ny alalan’ ny fahasoavany mamonjy dia manjary tempoliny indray ny fon’ ny olombelona. Nokendren’ Andriamanitra ho vavolombelona mitohy ny amin’ ny fikendrena ambony ho an’ ny fanahy tsirairay ny tempolin’ i Jerosalema. Tsy azon’ ny Jiosy anefa ny dikan’ ilay trano nireharehany be dia be. Tsy nekeny ho tempoly masina ho an’ ny Fanahin’ Andriamanitra ny tenany. Tena marina loatra fa nampiseho ny tempolin’ ny fo voaloton’ ny fisian’ ny filan’ ny nofo sy ny fisainana tsy masina ny kianjan’ ny tempoly tany Jerosalema, dia Jerosalema izay fenon’ ny tabataban’ ny varotra tsy masina. Ny nanadiovan’ i Jesosy ny tempoly tamin’ ny mpividy sy ny mpivarotra araka izao tontolo izao dia nanambarany ny asa nanirahana Azy, dia ny hanadio ny fo avy amin’ ny fahalotoan’ ny fahotana — avy amin’ ny filan’ ny nofo, ny filan-dratsy ombam-pitiavan-tena, ny fahazaran-dratsy izay mandoto ny fanahy. «Ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny ; ary ny anjelin’ ny fanekena Izay irinareo, dia indro tamy Izy, hoy Jehovah Tompon’ ny maro. Nefa iza no mahatanty ny andro hiaviany ? Ary iza no mahajanona raha miseho Izy.? Fa Izy dia tahaka ny afon’ ny mpandrendrika sy ny savonin’ ny mpanasa lamba. Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy ; eny, hanadio ny taranak’ i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy»6Mal. 3 : 1-3.IFM 154.1

    «Tsy fantatrareo va fa tempolin’ Andriamanitra hianareo, ary ny Fanahin’ Andriamanitra mitoetra ao anatinareo ? Raha misy manimba ny tempolin’ Andriamanitra, dia mba hosimban’ Andriamanitra koa izy ; fa masina ny tempolin’ Andriamanitra, dia hianareo izany»71 Kor. 3 : 16, 17. Tsy misy olona afaka mandroaka amin’ ny tenany samirery ny ratsy miditra ao am-po. Kristy irery ihany no afaka manadio ny tempolin’ ny fanahy. Tsy hiditra an-keriny anefa Izy. Tsy tahaka ny nidirany tao amin’ ny tempoly fahiny no idirany ao amin’ ny fo ; fa hoy kosa Izy : «Indro, efa mitsangana eo am-baravarana aho ka mandondona; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho»8Apok. 3 : 20. Hiditra Izy, tsý indray andro fotsiny, satria hoy Izy «Honina ao aminy Aho sy handeha eo aminy ... ary izy ho oloko». «Hanitsakitsaka ny fahotantsika, eny, harianao ho any amin’ ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra»8 92 Kor. 6 : 16 ; Mika. 7 : 19. Hanadio sy hanamasina ny fanahy ny fanatrehany, hany ka ho tempoly masina ho an’ i Jehovah sy ho «fonenan’ Andriamanitra amin’ ny Fanahy»10Efes. 2 : 21,22.IFM 154.2

    Resin’ ny hery lehibe ny mpisorona sy ny mpanapaka ary natahotra ka lasa nandositra ny kianjan’ ny tempoly, sy nandositra ilay fijery mikaroka lalina izay mamaky ny ao am-po. Teo am-pandosirana dia nifanena tamin’ ny hafa izay handeha ho any amin’ ny tempoly izy ; nobaikoiny hiverina ireo ka notantarainy taminy izay efa hitany sy reny. Nangoraka sy antra Kristy nijery ireto olona nandositra noho ny tahotra. sy noho ny tsy fahalalany ny tena fanompoam-pivavahana marina. Io zavatra miseho io, dia nahitany ny tandindon’ ny fiparitahan’ ny firenena jiosy manontolo noho ny faharatsiany sy ny tsy fetezany hibebaka.IFM 155.1

    Ary nahoana no nandositra ny tempoly ny mpisorona ? Nahoana izy no tsy nijoro teo amin’ ny toerany ? Zanaky ny mpandrafitra no nibaiko azy handeha, Galiliana mahantra, tsy manana laharamboninahitra na fahefana ara-nofo akory. Nahoana no tsy notoheriny Izy ? Nahoana no navelany ny tombom-barotra azony tamin’ ny fomba tsy mety, ka nandositra rehefa nibaiko Ilay tso-dahy izay tsy misy itiavana Azy ?IFM 155.2

    Niteny tamin’ ny fahefan’ ny mpanjaka Kristy, ary teo amin’ ny fisehoany ivelany, teo amin’ ny feony, dia nisy fahefana izay tsy hainy notoherina. Tsapany, araka izay tsy mbola hitany teo aloha mihitsy, ny tena toerana nisy azy amin’ ny maha-mpihatsaravelatsihy sy mpangalatra azy. Rehefa namirapiratra avy tao amin’ ny mahaolombelona ny maha-Andriamanitra, dia tsy hatezerana fotsiny no hitany teo amin’ ny endrik’ i Kristy ; tsapany koa ny maha-zava- dehibe ny teny nataony. Tahaka ny teo anoloan’ ny Mpitsara mandrakizay ny tenany, mandre ny didim-pitsarana mianjady aminy ho amin’ ny fotoana sy ho mandrakizay. Resy lahatra fotoana fohy izy aloha fa mpaminany Kristy : ary betsaka no nino Azy ho Mesia. Nitselatra tao an-tsainy tamin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina ireo teny nataon’ ny mpaminany mikasika an’ i Kristy. Hanaiky izany faharesen-dahatra izany va Izy ?IFM 155.3

    Ny hibebaka, tsy tiany izany. Fantany fa nifoha ny fangorahan’ i Kristy ny mahantra. Fantany fa meloka izy rehetra noho izy nanao an-keriny tamin’ ny vahoaka. Koa satria fantatr’ i Kristy ny eritreriny dia nankahala Azy izy. Nampietry ny avonavony ny fanamelohana ampahibemaso, ary nialona ny heriny mitombo hatrany niasa mangina teo amin’ ny vahoaka izy ireo. Tapa-kevitra ny hiaika Azy izy momba ny fahefana izay nandroahany azy, ary momba izay nanome Azy io fahefana io.IFM 156.1

    Niverina tsimoramora ho eo amin’ ny tempoly izy sady lasa fisainana, ny fankahalana anefa tao am-pony. Fiovana manao ahoana no nitranga tamin’ izy tsy teo. Rehefa nandositra izy, dia nijanona tao aoriana ny mahantra.: ary ankehitriny dia mijery an’ i Jesosy ireo, izay nanambara fitiavana sy firaisam-po ny endriny. Nanganohano ny ranomasony raha niteny tamin’ ireo nangovitra nanodidina Azy Izy hoe : Aza matahotra. Hanafaka anao Aho, dia hanome voninahitra Ahy ianao. Izany no nahatongavako eto amin’ izao tontolo izao.IFM 156.2

    Nifanizina teo anatrehan’ i Kristy ny vahoaka sady nanao antso dodona sy nahonena hoe : Mpampianatra o ! tahio aho. Reny ny antso rehetra. Nangoraka mihoatra noho ny reny be fitiavana Izy, niondrika teo amin’ ireo madinika mijaly. Nokarakarainy avokoa izy rehetra. Sitrana ny tsirairay na toy inona na toy inona aretiny. Nanoka-bava nisaotra ny moana; ny jamba nibanjina ny tavan’ Ilay namerina ny fahasalamany. Faly ny fon’ ny nijaly.IFM 156.3

    Fanambarana toy inona tamin’ ny mpisorona sy ny mpandraharaha tao amin’ ny tempoly re ny nahita maso io asa lehibe io ! Nitantara ny fahoriana nozakainy ny vahoaka, ny fahadisoampanantenany, ny andro feno fijaliana sy ny alina tsy natoriana. Rehefa ho faty ilay taratry ny fanantenana farany dia nanasitrana azy Kristy. Navesatra loatra ny entana, hoy ny anankiray ; nefa nahita Mpanampy aho. Izy no Zanak’ Andriamanitra kahanokana ny fiainako hanompo Azy aho. Hoy ny ray aman-dreny tamin’ ny zanany : namonjy ny ainareo Izy ; asandrato ny feonareo ka miderà Azy. Niray feo hisaotra sy hankalaza Azy ny zaza sy ny tanora, ny ray sy ny reny, ny sakaiza sy ny mpitazana. Fanantenana sy fifaliana no nameno ny fo. Tonga tao an-tsainy ny fiadanana. Sitrana ny fanahiny sy ny vatany, koa dia niverina tany an-tokantranony izy, nanambara hatraiza hatraiza ny fitiavan’ i Jesosy tsy misy toa azy.IFM 156.4

    Tamin’ ny nanomboana an’ i Kristy teo amin’ ny hazo fijaliana dia tsy niaraka tamin’ ny vahoaka romotra niantsoantso hoe : Homboy, homboy amin’ ny hazo fijaliana ireo izay nositraniny toy izany. Niray fo tamin’ i Jesosy izy ; efa tsapany mantsy ny firaisampony lehibe sy ny heriny mahagaga. Fantany fa Mpamonjy azy Izy, satria nanome azy ny fahasalaman’ ny vatana sy ny fanahy. Nihaino ny toritenin’ ny apostoly izy ka nanome azy saina mahafantatra ny fidiran’ ny tenin’ Andriamanitra tao am-pony. Nanjary fiasan’ ny famindrampon’ Andriamanitra izy sy fitaovana ho amin’ ny famonjeny.IFM 157.1

    Rehefa afaka fotoana fohy dia niverina tsimoramora ireo olona marobe nandositra niala ny kianjan’ ny tempoly. Efa afaka ny tahotra nampisavoritaka azy, nefa mbola nampiseho tsy fahatapahan-kevitra sy fahamenarana ny endriny. Gaga izy nahita ny asan’ i Jesosy ary niaiky fa tanteraka ireo faminaniana mikasika ny Mesia. Raha ny tena izy dia nitoetra teo amin’ ny mpisorona ny fahotana tamin’ ny fametavetana ny tempoly. Ny fandaminana nataony no nahatonga ny kianja ho tsena. Azo heverina ho tsy manan-tsiny ny vahoaka. Nanaitra azy ny fahefan’ Andriamanitra tao amin’ i Jesosy ; nefa faratampony ho azy ireo ny hery miasa mangina avy amin’ ny mpisorona sy ny mpanapaka. Zava-baovao taminy ny asa nataon’ i Kristy, ary nanontany tena izy hoe : hatraiza no faritry ny hahazoan’ i Jesosy manohitra ny fahefan’ ireo mpandraharaha ao amin’ ny tempoly. Nanafintohina azy ny nampiatoana ny varotra; koa nampangininy ny faharesen-dahatra avy amin’ ny Fanahy Masina.IFM 157.2

    Ny mpisorona sy ny mpanapaka, mihoatra noho ny hafa rehetra, no tokony nahita teo amin’ i Jesosy Ilay voahosotr’ i Jehovah ; teo am-pelatanan’ izy ireo mantsy ireo horonan-taratasy sarobidy izay milaza ny toetry ny asa nanirahana Azy ; ary fantatr’ izy ireo fa fanehoana hery mihoatra noho ny an’ ny olombelona ny fanadiovana ny tempoly. Na dia betsaka aza ny fankahalany an’ i Jesosy, dia tsy afaka niala taminy fa mpaminany nirahin’ Andriamanitra Izy mba hamerina ny fahamasinan’ ny tempoly. Niteraka fanajana io tahotra io, koa nanatona Azy izy nanontany hoe : «Inona no famantarana asehonao aminay, no manao izao zavatra izao Ianao ?»IFM 157.3

    Efa naneho famantarana Jesosy. Nampitselatra ny fahazavana tao am-pony Izy, ary nanao ny asa tokony hataon’ ny Mesia teo anatrehany, ary tamin’ izany dia nanome porofo maharesy lahatra ny amin’ ny toetra amam-panahiny Izy. Rehefa nangataka famantarana taminy izy dia novaliany tamin’ ny alalan’ ny fanoharana izay nanehoany fa novakiany ny faharatsian’ izy ireo ary hitany, hatraiza no mety hitarihan’ izany azy ireo. «Ravao ity tempoly ity, hoy Izy, ary amin’ ny hateloana dia hatsangako indray izy».IFM 158.1

    Mandray roa ny dikan’ ireo teny ireo. Tsy ny faharavan’ ny Tempoly sy ny fombam-pivavahana jiosy ihany no ambarany, fa ny fahafatesan’ ny tenany koa, dia ny fandravana ny tempolin’ ny tenany. Efa notetehin’ ny Jiosy sahady izany. Rehefa niverina ho any amin’ ny tempoly ny mpisorona sy ny mpanapaka, dia nikasa ny hamono an’ i Jesosy izy, ary amin’ izany fomba izany dia ho afaka amin’ ny mpanakorontana. Nefa kosa rehefa nasehon’ i Jesosy teo anatrehany ny fikasany, dia tsy azony ny teniny. Noraisiny ho azo ampiharina amin’ ny tempolin’ i Jerosalema fotsiny izany teny izany, ary tezitra izy niloa-bava hoe : «Enina amby efa-polo taona izay no efa nanaovana ity tempoly ity, ka Hianao va hahatsangana azy amin’ ny hateloana ?» Tsapan’ izy ireo izao fa efa nohamarinin’ i Jesosy ny tsy finoany; koa nohamafisiny ny fandavany Azy.IFM 158.2

    Tsy nokendren’ i Kristy ho azon’ ny Jiosy tsy mino ny teniny, na dia ireo mpianany aza, tamin’ io fotoana io. Fantany fa ho diso fandray izany ny fahavalony, ary havadika hamelezana Azy izany. Hoentina hiampangana Azy amin’ ny fitsarana Azy izany ary eny Kalvary dia hatoraka Aminy ho fanarabiana. Ny manazava izany aminy ankehitriny anefa dia hahatonga ny mpianatra hahalala ny fijaliany, ary hiteraka alahelo aminy izay tsy mbola hainy zakaina. Ny fanazavana izany koa dia hampiharihary mialoha amin’ ny Jiosy ny ho vokatry ny hevitra mibahana ao am-pony sy ny tsy finoany. Efa niditra sahady teo amin’ ny lalana izay hiafara amin’ ny fitondrana Azy toy ny zanak’ Ondry entina hovonoina Izy.IFM 158.3

    Ho an’ ireo te-hino Azy no nanaovan’ i Kristy ireo teny ireo. Fantany fa haverina izany. Nolazaina tamin’ ny Paska izany ka ho tonga any an-tsofin’ olona an’ arivony, ary hoentina any amin’ ny faritra rehetra eo amin’ izao tontolo izao. Rehefa ho tafatsangana amin’ ny maty Izy, dia hazava ny dikan’ izany. Ho porofo mazava ny maha-Andriamanitra Azy izany amin’ ny maro.IFM 158.4

    Noho ny fahamaizinany ara-panahy, na dia ny mpianatr’ i Jesosy aza matetika dia diso tamin’ ny fandraisana ny lesona nomeny. Betsaka tamin’ ireo lesona ireo anefa no nanjary nazava ho azy ireo noho ny toe-javatra niseho nanaraka. Rehefa tsy niaraka taminy intsony Izy, dia nijanona tao am-pony ny teniny.IFM 159.1

    Raha momba ny amin’ ny tempoly tany Jerosalema ny tenin’ ny Mpamonjy manao hoe : «Ravao ity tempoly ity, ary amin’ ny hateloana dia hatsangako indray izy», dia manana dikany lalina mihoatra noho izay mety ho takatry ny mpihaino. Kristy no fototry ny tempoly sy ainy. Tandindon’ ny fanatitry ny Zanak’ Andriamanitra ny fanompoam-pivavahana tao. Naorina ny antokon’ ny mpisorona mba haneho ny toetra sy ny asan’ i Kristy amin’ ny maha mpanelanelana Azy. Ny drafitra manontolo momba ny fanompoampivavahana fanatitra dia fanehoana mialoha ny fahafatesan’ ny Mpamonjy hanavotana an’ izao tontolo izao. Tsy misy asany ireny fanatitra ireny rehefa ho tanteraka ilay toe-javatra lehibe efa notondroiny nandritra ny taona nifandimby.IFM 159.2

    Koa satria tandindon’ i Kristy avokoa ny fanompoam-pivavahana manontolo, dia tsy misy tombam-bidiny izany rehefa tsy eo Aminy. Rehefa nanamafy ny fandavany an’ i Kristy toy ny nasiana tombokase ny Jiosy ka nanolotra Azy ho faty, dia nolaviny koa izay rehetra dikan’ ny tempoly sy ny fanompoam-pivavahana natao tao. Lasa ny fahamasinany. Notandindomim-paharavana izany. Hatramin’ io andro io dia tsy misy dikany ny fanatitra sy ny fanompoam-pivavahana nifanaraka tamin’ izany. Tahaka ny fanatitr’ i Kaina, dia tsy nanambara finoana ny Mpamonjy izany. Raha namono an’ i Kristy ny Jiosy, dia azo lazaina fa nandrava ny tempoliny izy. Rehefa nohomboina tamin’ ny hazo fijaliana Kristy, dia triatra roa ny lamba tao anatin’ ny tempoly hatrany ambony ka hatrany ambany ; nanambara izany fa vita ilay fanatitra lehibe farany, ary tapitra mandrakizay ny drafitra momba ny fanatitra.IFM 159.3

    «Amin’ ny hateloana dia hatsangako indray izy». Teo amin’ ny fahafatesan’ ny Mpamonjy dia toa nandresy ny herin’ ny maizina ka nihoby ny fandreseny. Nefa nivoaka toy ny mpandresy avy teo amin’ ny fasana nampindramin’ i Josefa Jesosy. «Ary nesoriny tsy ho eo amin’ ny tenany ny fanapahana sy ny fahefana, ary . . . nasehony miharihary ny fitondrany ireo toy ny fanaon’ izay avy nandresy»11Kol. 2 15. Noho ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin’ ny maty, dia nanjary mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masina sy «ny tena tabernakeiy izay naorin’ ny Tompo fa tsy olona Izy»12Heb. 8:1,2. Olona no nanorina ny tabernakelin’ ny Jiosy: olona no nanorina ny tempolin’ ny Jiosy ; fa ilay fitoerana masina any an-danitra kosa, izay tandindon’ izany ny eto an-tany, dia tsy mpanao mari-trano olombelona no nanao izany. «Indro Lehilahy atao hoe Rantsana ... Izy no hanao ny tempolin’ i Jehovah, ary Izy no hitondra voninahitra ka hipetraka sy hanapaka eo amin’ ny seza fiandrianany» 13Zak. 6:12, 13.IFM 159.4

    Nijanona ny fanompoam-pivavahana izay nanondro an’ i Kristy ; nitodika ho amin’ ilay tena sorona ho an’ ny fahotan’ izao tontolo izao kosa ny mason’ ny olona : tapitra ny asa fisoronana teto an-tany ; mijery an’ i Jesosy kosa isika. «ilay mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fanekena vaovao», ary amin’ ny «ra famafazana, izay miteny tsara lavitra noho ny an’ i Abela». «Tsy mbola voaseho ny làlana mankany amin’ ny fitoerana masina indrindra raha mbola ao ihany ny tabernakeiy voalohany ;... fa Kristy kosa, rehefa tonga ho Mpisoronabe ny amin’ ny zavatra ho avy, dia namaky teo amin’ ny tabernakeiy lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon-tànana, . . . dia niditra indray mandeha ho any amin’ ny fitoerana masina ka nahazo fanavotana mandrakizay»14Heb. 12 : 24 ; 9 : 8-12.IFM 160.1

    «Koa amin’ izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an’ Andriamanitra amin’ ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy»1Heb. 7 : 25. Na dia natao hoesorina tamin’ ny tempoly teto an-tany ka afindra ho any an-danitra aza ny fanompoam-pivavahana, na dia tsy ho hitan’ ny mason’ olombelona aza ny fitoerana masina sy ny mpisoronabentsika, dia tsy hisy fatiantoka ho an’ ny mpianatra tsy akory izany. Tsy ho tsapany fa tapaka ny firaisany ary mihena ny heriny noho ny tsy maha-eo ny Mpamonjy. Raha manao fanompoam-pivavahana any amin’ ny fitoerana masina any ambony Jesosy, dia mbola eto amin’ ny fiangonana eto an-tany Izy amin’ ny alalan’ ny Fanahiny. Nalana tsy ho hitan’ ny mason’ ny nofo Izy, tanteraka kosa ny teny fikasana nataony tamin’ Izy nandeha : «Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara- pahatongan’ ny fahataperan’ izao tontolo izao»16Mat. 28 : 20. Nomeny mpanao fanompoam-pivavahana ambany kokoa ny fahefany, fa ny fanatrehany mitondra aina kosa dia mbola eo amin’ ny fiangonany.IFM 160.2

    «Koa satria isika manana Mpisoronabe lehibe,... dia Jesosy Zanak’ Andriamanitra, aoka isika hihazona ilay efa nekentsika. Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika fa Izay efa nalaim-panahy tamin’ ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ ny fahasoavana amin’ ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ izay andro mahory»17Heb. 4 : 14-16.IFM 161.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents