Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 21—Betesda sy ny Synedriona

    «Nisy farihy tany Jerosalema teo akaikin’ ny vavahadin’ Ondry, izay atao amin’ ny teny Hebreo hoe Betesda, nisy fialofana dimy. Tao no nandrian’ ny marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny kilemaina, ny maty ila. niandry ny fihetsehan’ ny rano»1Mifototra amin ’ ny Jaona 5 ity toko ity.IFM 201.1

    Nisy fotoana izay nampihetsika ny ranon’ io farihy io, ary ninoan’ ny besinimaro fa avy amin’ ny hery ambony noho ny an’ ny olombelona izany, ka na iza na iza tafatsambikina voalohany ao anaty rano rehefa mihetsika izy, dia ho sitrana na inona na inona aretina mahazo azy. An-jatony ny marary tonga teo ; nefa satria be loatra ny vahoaka nifanizina rehefa mihetsika ny rano dia nifanosika handroso izy ireo, ka nanitsakitsaka na lehilahy, na vehivavy sy ankizy izay malemy noho izy ireo. Betsaka no tsy afaka nanatona ny farihy. Betsaka ireo izay tonga teo, no maty teo amorony. Nasiana fialofana teo amin’ io toerana io, mba hiarovana ny marary amin’ ny hafanan’ ny andro sy ny hatsiaka amin’ ny alina. Nisy nijanona teo ambanin’ ireo fialofana ireo tamin’ ny alina, mandadilady ho eo amin’ ny sisin’ ny farihy isan’ andro isan’ andro manantena fanasitranana tsy nisy.IFM 201.2

    Tonga tao Jerosalema indray Jesosy. Nandeha irery Izy, toa variana nieritreritra sy nivavaka. Tonga teo amin’ ny farihy Izy. Hitany ireto marary mijaly miandry izay noheveriny ho hany fanantenana hahasitrana azy. Naniry mafy hampiasa ny heriny manasitrana Izy, ka hamerina ny marary rehetra ho amin’ ny fahasalamana. Nefa Sabata ny andro. Vahoaka be no nandeha hivavaka any amin’ ny tempoly, ary fantany fa ny fanasitranana toy izany dia hampirongatra ny hevitra nibahana tao an-tsain’ ny Jiosy ka hampijanona ny asany.IFM 201.3

    Nefa nahita olona iray tao amin’ ny fahoriana mangidy indrindra ny Mpamonjy. Ilay lehilahy malemy voan’ ny paralysisa nandritra ny valo ambin’ ny telopolo taona io. Vokatry ny fahotany ny betsaka tamin’ ny aretiny, ary noheverina fa fitsarana avy amin’ Andriamanitra izany. Irery izy sady tsy nanana namana, ka nahatsapa fa nihidy ho azy ny famindrampon’ Andriamanitra, ary taona maro no nijalian’ io marary io tao amin’ ny fahoriana. Tamin’ ny fotoana izay noheverina fa fihetsehan’ ny rano. ireo izay nangoraka ny fahalemeny dia nitondra azy teo amin’ ny vavahady. Nefa tamin’ ny fotoana mety dia tsy nisy olona hanampy azy. Hitany ny rano nivalombalona, nefa mbola tsy afaka nandeha na oviana na oviana nihoatra ny sisin’ ny farihy izy. Nisy natanjaka noho izy niroboka tao anatin’ ny rano alohany. Tsy nisy fahombiazana ny fiezahany teo anatrehan’ ny vahoaka tia tena sy nifandrombaka. Saiky naharitra ny hany heriny sisa ny fiezahana mitohy hanatratra tarigetra iray, ny tebitebiny sy ny fahadisoam-panantenany mifanesy.IFM 202.1

    Dia niondrika ilay paralysisa sitrana handray ny fandriany izay lamba firakotra matevina sy bodofotsy ihany, ary rehefa nitraka izy nahatsiaro fahafinaretana, dra nijery manodidina nitady Ilay nanafaka azy, nefa nanjavona tao anatin’ ny vahoaka Jesosy. Natahotra ilay olona sao tsy fantany Izy raha mahita Azy indray. Raha nilomay izy, kinga sy mailaka namindra, nidera an’ Andriamanitra sy nifaly tamin’ ny heriny vao hitany indray, dia nifanena tamin’ ny Fariseo maro, ka nitantara avy hatrany tamin’ ireo ny fahasitranany. Gaga izy nahita fa nangatsiatsiaka ny fihainoan’ ireo ny tantarany.IFM 202.2

    Maloka ny endrik’ izy ireo nanapaka ny teniny, sy nanontany ny antony itondrany fandriana amin’ ny andro Sabata. Nampahatsiaroviny azy tamin’ ny fomba hentitra fa tsy mifanaraka amin’ ny lalàna ny mitondra entana amin’ ny andron’ ny Tompo. Noho ny fifaliany dia hadinon-dralehilahy fa Sabata ny andro, nefa tsy nahatsiaro meloka izy raha nankatò ny baikon’ Ilay nanana hery lehibe toy izany avy amin’ Andriamanitra. Novaliany tamin-kasahiana hoe : «Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe : Ento ny fandrianao, ka mandehana». Dia nanontanian’ izy ireo izay nanao izany, fa tsy afaka nilaza izy. Fantatr’ ireo mpifehy ireo tsara fa Anankiray ihany no hany afaka manao io fahagagana io ; nefa nitady porofo mivantana izy ireo fa Jesosy izany, mba hahazoany manameloka Azy ho mpandika ny Sabata. Araka ny fiheviny dia tsy nandika ny lalàna fotsiny tamin’ ny fanasitranana ilay marary tamin’ ny Sabata Izy, fa nanao fahotana be mihitsy tamin’ ny nibaikoany azy hibata ny fandriany.IFM 202.3

    Nosimban’ ireo Jiosy indrindra ny lalàna ka nanjary zioga fanandevozana izany. Ny fitakiany tsy dia misy antony dia nanjary fihomehezana teo amin’ ny firenena hafa. Ny Sabata dia voafefy tamin’ ny fomba manokana tamin’ ny alalan’ izao fameperana tsy misy dikany rehetra izao. Tsy fahafinaretana ho azy ireo ny andro masina sy henikajan’ ny Tompo. Nataon’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo zioga tsy laitra zakaina ny fitandremana izany. Tsy nahazo nampirehitra jiro na dia labozy aza tamin’ ny andro Sabata. Ho vokatr’ izany dia niankina tamin’ ny jentilisa ny vahoaka momba ny asa fanompoana maro izay tsy navelan’ ny lalana ataony ho an’ ny tenany. Tsy noeritreretiny fa raha fahotana ireo zavatra ireo, dia meloka tahaka ny nanao ny asa ho an’ ny tenany ihany ireo izay mampiasa ny hafa hanao izany. Noheveriny fa voatokana ho azy Jiosy ny famonjena, ka tsy nety ho ratsy kokoa rahateo ny toerana nisy ny hafa rehetra satria efa tsy misy antenaina tsinona. Nefa Andriamanitra tsy nanome didy izay tsy ho azon’ ny rehetra hankatoavina. Tsy manamarina fameperana tsy ara-drariny na feno fitiavan-tena ny lalàny.IFM 203.1

    Nihaona tamin’ ilay lehilahy nositraniny Jesosy tao amin’ ny Tempoly. Tonga nitondra fanatitra noho ny fahotana sy fanatipisaorana izy noho ny famindrampo lehibe efa noraisiny. Nahita azy tao anatin’ ny vahoaka nivavaka Jesosy, dia nampahafantatra ny tenany tamin’ ny fampitandremana nataony hoe : «Indro, efa sitrana hianao, aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo».IFM 203.2

    Diboky ny hafaliana ilay lehilahy sitrana raha tafahaona tamin’ Ilay nanafaka azy. Tsy fantany ny fankahalana an’ i Jesosy ka nolazainy tamin’ ireo Fariseo nanontany azy, fa Izy Ilay nahatanteraka ny fanasitranana azy. «Ary noho izany ny jiosy dia nanenjika an’ i Jesosy, satria nanao izany zavatra izany tamin’ ny Sabata Izy».IFM 203.3

    Nentina teo anatrehan’ ny Synedriona Jesosy mba hamaly ny fanamelohana Azy ho mpandika ny Sabata. Raha firenena afaka ny Jiosy tamin’ izay dia ampy hanamelohana Azy ho faty io fiampangana io. Voasakana izany noho izy ireo teo ambanin’ ny fanapahana Romana. Tsy nanana fahefana hampihatra ny fanamelohana ho faty ny Jiosy, ary ho tsy nisy lanjany eo amin’ ny fitsarana Romana ny fanamelohana natao tamin’ i Kristy. Nisy anton-javatra hafa, na dia izany aza, nantcnain’ izy ireo ho azony antoka. Na dia teo aza ny fiezahan’ izy ireo hanohitra ny asan’ i Kristy, dia nitombo nihalehibe noho ny azy ireo ny hery miasa avy Aminy teo amin’ ny vahoaka, na tao Jerosalema aza. Betsaka ireo vahoaka tsy mba liana tamin’ ny kabarin’ ny raby, no voasariky ny fampianarany. Azon’ ireo vahoaka ireo ny teniny, ka nahazo hafanana sy fampaherezana ny fony. Tsy mba lazainy ho toy ny mpitsara mamaly faty Andriamanitra, fa toy ny ray be fitiavana ka nasehony ny endrik’ Andriamanitra nitaratra teo amin’ ny tenany. Tahaka ny balsama ho an’ ny fanahy maratra ny teniny. Tamin’ ny alalan’ ny teniny sy tamin’ ny alalan’ ny asampamindrampony dia nanapaka ny hery mangejan’ ireo lovan-tsofina efa ela sy ireo didy nataon’ olombelona izy ; nasehony taminy ny fitiavan’ Andriamanitra tamin’ ny fahafenoany tsy mety ritra.IFM 203.4

    Voalaza ao amin’ ny faminaniana voalohany indrindra Kristy hoe : «Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’ i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan’ ny tongony, mandra-pahatongan’ i Silo, ka hanoa Azy ny firenena» 2Gen. 49 :10. Nanatona an’ i Kristy ny olona. Ny fon’ ny vahoaka mora mangoraka dia nandray ny lesom-pitiavana sy ny lesom-piantrana ho takalon’ ny fanompoam-pivavahana henjana takian’ ireo mpisorona. Raha tsy nisakana ny mpisorona sy ny raby, dia ho nitondra fanovana lehibe tsy mbola hitan’ izao tontolo izao ny fampianarany. Nefa mba hitazonany ny fahefany, dia nanapakevitra ireo mpitarika ireo fa harodana ny hery nananan’ i Jesosy. Ny nitondrana Azy teo anatrehan’ ny Synedriona, sy ny fanamelohana ampahibemaso ny fampianarany dia hanampy eo amin’ ny fanatanterahana izany ; ny olona mantsy dia mbola feno fanajana an’ ireo mpitarika azy ara-pivavahana. Na iza na iza sahy manameloka ireo fitakian’ ny raby, na manandrana manamaivana ny entana napetrany teo amin’ ny vahoaka dia noheverina ho meloka, tsy hoe niteny ratsy an’ Andriamanitra fotsiny, fa namadika mihitsy. Izany no nantenain’ ny raby fa hamohafoha fiahiahiana an’ i Kristy. Nasehony ho toy ny olona ta-handrodana ny fomba amam-panao efa tafapetraka Izy, ka mampisaraka ny vahoaka ary manomana lalana mba hahafeno tanteraka ny fanandevozan’ ny Romana azy ireo.IFM 204.1

    Ny drafitra izay notanterahin’ ireo raby tamin-kafanampo anefa dia avy amin’ ny filan-kevitra hafa noho ny Synedriona no niaviany. Rehefa tsy naharesy an’ i Kristy tany an-efitra i Satana, dia navondrony ny heriny rehetra hanoherany Azy teo amin’ ny asa fanompoana ataony, ary raha azo atao aza dia ny hampijanona mihitsy ny asany. Izay tsy azony natao tamin’ ny fiezahana mivantana nataon’ ny tenany, dia notapahiny fa ataony amin’ ny alalan’ ny tetik’ ady. Raha vantany vao niala avy teo amin’ ny ady tany an-efitra izy, dia nila hevitra tamin’ ireo anjely namany mba hamolavola drafitra maty paika hoenti-manamaizina kokoa ny sain’ ny vahoaka jiosy, ka tsy ahafantaran’ izy ireo ny Mpanavotra azy. Nanao drafitra hampiasa olombelona ao amin’ ny sokajin’ olona mpitondra fivavahana izy, ka nofenoiny tamin’ ny fankahalan’ ny tenany Ilay mahery fon’ ny fahamarinana ny sain’ izy ireo. Tiany hotarihina handà an’ i Kristy sy hampangidy ny fiainany araka izay azo atao izy ireo mba hahakivy Azy sy hijanonany tsy hanohy ny asa nanirahana Azy. Koa dia nanjary fiasan’ i Satana ireo mpitarika tao amin’ Isiraely tamin’ ny ady nataony tamin’ ny Mpamonjy.IFM 205.1

    Tonga «hanandratra ny lalàna sy hahabe voninahitra azy» Jesosy. Tsy hampihena ny hajany Izy, fa hanandratra izany. Hoy ny Soratra Masina : «Tsy ho reraka na ho kivy Izy, mandra-panoriny ny rariny amin’ ny tany» 3Isa. 42 : 21, 4. Tonga Izy hanafaka ny Sabata amin’ ireo fitakiana mahasorisorena izay nahatonga izany ho ozona fa tsy ho fitahiana.IFM 205.2

    Noho izany no nifidianany ny Sabata hanatanterahany ilay asam-panasitranana tao Betesda. Azony natao ny nanasitrana ilay marary na andro inona na andro inona tao amin’ ny herinandro ; na azony atao ny nanasitrana azy fotsiny ka tsy nibaiko azy hitondra ny fandriany. Nefa tsy ho nahazoany nanao izay tiany atao izany. Nisy fikasana hendry hatrany tao ambadiky ny fihetsik’ i Kristy rehetra teo amin’ ny fiainany teto an-tany. Ny zavatra rehetra izay nataony dia nisy antony lehibe nifanaraka tamin’ ny fampianarany. Nofidiny ilay voa mafy indrindra tamin’ ireo marary teo amin’ ilay farihy mba hampiasany ny heriny manasitrana, ary nobaikoiny ralehilahy hitondra ny fandriany namakivaky ny tanàna mba hanambara ny asa lehibe efa natao taminy. Hahatonga fanontaniana ny momba izay azo atao araka ny lalàna amin’ ny Sabata izany, ka hanokatra lalana ho Azy hiampangany ireo fameperana nataon’ ny Jiosy momba ny andron’ ny Tompo sy hilazana fa tsy misy vidiny ireo lovan-tsofiny.IFM 205.3

    Nasehon’ i Jesosy mazava tsara fa ny asa manamaivana ny ory dia mifandrindra amin’ ny lalàn’ ny Sabata. Mifandrindra amin’ ny asan’ ny anjelin’ Andriamanitra koa izany, izay miakatra sy midina mandrakariva avy any an-danitra ho eto an-tany hanao fanompoana ho an’ ny olombelona mijaly. Hoy Jesosy : «Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa». An’ Andriamanitra ny andro rehetra, mba hanatanterahana ny drafitra nataony ho an’ ny taranak’ olombelona. Raha marina ny fandikan’ ny Jiosy ny lalàna, dia Jehovah izany no diso, izay nanao asa nampahatanjaka sy nitana ny zava-miaina rehetra hatramin’ ny nanorenany voalohany ny tany ; amin’ izay, Ilay milaza fa tsara ny asany, ka nanangana ny Sabata ho tsangambaton’ ny fahatanterahany, dia tsy maintsy mametra fotoana ho an’ ny asany, ka hampijanona ny fandehan izao rehetra izao tsy manam-pahataperana.IFM 206.1

    Moa ve Andriamanitra manakana ny masoandro tsy ahatanteraka ny asany amin’ ny Sabata, ka manapaka ireo tanany tsy hitondra hafaliana amin’ ny tany sy hamelona ny zava-maniry ? Moa ve tsy maintsy hijanona tsy hihetsika izao rehetra izao mandritra io andro masina io ? Moa ve Izy nibaiko ny renirano madinika hijanona tsy handena ny saha sy ny ala, ka nibaiko ny onjan-dranomasina hampijanona ny fihemorany sy ny fandrosoany tsy misy farany ? Moa ve tsy maintsy mijanona tsy hitombo ny vary, ary moa ve ny sampaho efa ho masaka manemotra ny fotoana hahatonga azy ho voaloboka manga ? Moa ve tsy mahazo mamoaka ny tsimokazo na voninkazo ny hazo sy ny voninkazo amin’ ny andro Sabata ?IFM 206.2

    Raha izany, dia tsy ahazo ny vokatry ny tany sy ireo fitahiana izay mahatonga ny fiainana ho maha-te hanana ny olona. Tsy maintsy manohy tsy miova ny fizotrany ny zavaboary. Tsy afaka mampijanona ny tanany Andriamanitra na dia fotoana kely aza, raha tsy izany dia ho reraka ny olona ka ho faty. Ny olona koa dia manana asa tokony hatao amin’ io andro io. Tsy maintsy atrehina ireo zavatra ilaina amin’ ny fiainana. Tsy maintsy karakaraina ny marary, tsy maintsy homena azy izay ilainy. Tsy ho tsy manan-tsiny izay manao tsirambina ny fanamaivanana ny fahoriana amin’ ny andro Sabata. Ny andro masina fitsaharan’ Andriamanitra dia natao ho an’ ny olona, ka mifandrindra indrindra amin’ ny fikendreny ny asam-pamindrampo. Tsy sitrak’ Andriamanitra ny hampahory ireo izay nohariany na dia fotoana fohy aza, nefa mba azo hamaivanina ihany izany na amin’ ny andro Sabata na amin’ ny andro hafa.IFM 206.3

    Ny fangatahana atao amin’ Andriamanitra dia lehibe lavitra amin’ ny andro Sabata noho ny amin’ ny andro hafa. Ajanon’ ny olona amin’ izay ny fanaony andavanandro ka mandany ny fotoanany amin’ ny fandinihana ny Soratra Masina sy ny fanompoampivavahana izy. Betsaka noho ny amin’ ny andro hafa ny fahasoavana angatahiny amin’ ny andro Sabata. Mitaky fikarakarana manokana izy. .Miangavy ireo fitahiana tsara indrindra izy : Tsy handrasan’ Andriamanitra ho lasa ny Sabata vao mamaly ireo fangatahana ireo Izy. Tsy mitsahatra na oviana na oviana ny asan’ ny lanitra, ary ny olona koa tsy tokony hitsahatra na oviana na oviana hanao soa. Tsy notendrena ho fotoana tsy iasana sy tsy ahavitana zavatra mahasoa ny Sabata. Raran’ ny lalàna ny asa ara-nofo amin’ ny andro fialan-tsasatry ny Tompo; ny asa ahazoam-pivelomana dia tsy maintsy ajanona; tsy misy asa itadiavana fahafinaretana araka izao tontolo izao na tombon-tsoa araka ny lalàna azo atao amin’ io andro io ; fa tahaka ny nijanonan’ Andriamanitra tamin’ ny asam-pamoronany, ka nitsahatra Izy tamin’ ny andro Sabata sy nitahy izany andro izany, dia toy izany koa, ny olona dia tokony hamela ny asany andavanandro, ka hanokana ireo ora masina ireo ho amin’ ny fialan-tsasatra mahasoa, hanompoana an’ Andriamanitra sy hanaovana asa fanasoavana. — Ny asan’ i Kristy tamin’ ny fanasitranana ny marary dia mifanaraka tanteraka amin’ ny lalana. Manome voninahitra ny Sabata Izy.IFM 207.1

    Notakian’ i Jesosy ny zo mitovy amin’ ny an’ Andriamanitra teo amin’ ny fanaovana asa masina mitovy toetra amin’ izay ataon’ ny Ray any an-danitra. Vao mainka nirehitra kosa ny Fariseo. Tsy nandika ny lalana fotsiny Izy, araka ny fahazoany azy, fa tamin’ ny nilazany fa «Rainy Andriamanitra» dia nampitovy ny tenany tamin’ Andriamanitra Izy.IFM 207.2

    Ny firenena Jiosy manontolo dia niantso an’ Andriamanitra ho Rainy, noho izany, dia tsy tokony ho romotra toy izany izy ireo raha nampiseho ny tenany teo amin’ izany toerana izany koa Kristy. Nefa dia nampangainy ho niteny ratsy an’ Andriamanitra Izy, ary nasehony tamin’ izany fa noraisin’ izy ireo amin’ ny dikany hoe tsy mitovy aman’ olona ny nilazan’ ny tenany ho Zanak’ Andriamanitra.IFM 207.3

    Ireo fahavalon’ i Kristy dia tsy nanana fonjan-kevitra ho entimanohitra ny fahamarinana izay nampidirin’ i Jesosy tao amin’ ny feon’ ny fieritreretan’ izy ireo mihitsy. Ny mitanisa ny fomba amampanaony sy ny lovan-tsofiny ihany no azony natao, ka toa kely sy maivana izany rehefa hampitahaina amin’ ny fonjan-kevitra raisin’ i Jesosy avy amin’ ny tenin’ Andriamanitra sy ny fizotry ny zavaboary tsy miato. Raha nanana faniriana handray ny fahazavana ireo Raby, dia ho resy lahatra izy ireo fa miteny ny fahamarinana Jesosy. Nefa nidifiny ireo fotokevitra nasehony momba ny Sabata, ka notadiaviny izay hampirongatra fahatezerana amin’ Ilay milaza fa manam-pitoviana amin’ Andriamanitra. Tsy nisy fetrany intsony ny haromotan’ ireo mpanapaka. Raha tsy natahotra ny vahoaka ny mpisorona sy ny raby dia ho novonoiny teo ihany Jesosy. Nefa nahery ny fankasitrahan’ ny vahoaka Azy. Betsaka no nanaiky fa Jesosy no sakaiza Izay nanasitrana ny aretiny sy nampahery azy teo amin’ ny alahelony, ka nohamarininy ny fanasitranany ilay marary tao Betesda. Koa noho izany dia voatery ireo mpitarika hametra ny fankahalany aloha tamin’ izany fotoana izany.IFM 207.4

    Nolavini Jesosy ny fiampangana Azy ho niteny ratsy an’ Andriamanitra. Ny fahefako, hoy Izy, hanao ny asa izay iampanganareo Ahy, dia satria Izaho no Zanak’ Andriamanitra, iray toetra Aminy, ao amin’ ny sitrapo sy eo amin’ ny fikasana. Niara-niasa tamin’ Andriamanitra Aho teo amin’ ny asany rehetra famoronana sy ny fitantanany. «Ny Zanaka tsy manao na inona na inona, afa-tsy izay hitany fa ataon ny Ray». Nitana ny Zanak’ Andriamanitra ireo mpisorona sy Raby noho ny fanaovany izay nanirahana Azy indrindra hatao eo amin’ izao tontolo izao. Nefa nampisaraka azy ireo tamin’ Andriamanitra ny fahotany, ka noho ny avonavony dia niasa tsy niankina taminy izy ireo. Nahatsapa fa afa-po tamin’ ny tenany izy ireo amin’ ny zavatra rehetra ka tsy nila fahendrena ambony kokoa hitarika azy. Ny Zanak’ Andriamanitra kosa dia nilefitra teo ambanin’ ny sitrapon’ ny Ray, ka niankina tamin’ ny heriny. Nanafoana tanteraka indrindra ny amin’ ny tenany Kristy ka tsy nanao drafitra ho Azy Izy. Nanaiky ny drafitra nataon’ Andriamanitra ho Azy Izy, ary isan’ andro isan’ andro dia novelarin’ ny Ray teo anatrehany ny drafitra nataony ho Azy. Toy izany koa no tokony hiankinantsika amin’ Andriamanitra, mba hahatonga ny fiainantsika ho fanehoana fotsiny ny sitrapony.IFM 208.1

    Rehefa andeha hanorina ny tabernakely i Mosesy ho toy ny trano itoeran’ Andriamanitra, dia nobaikoina izy hanao ny zavatra rehetra araka ny ohatra naseho azy teny an-tendrombohitra. Feno hafanam-po hanao ny asan’ Andriamanitra i Mosesy. Nisy olona be talenta sy havanana indrindra teo am-pelatanany hanatanteraka ny hevitra haposany. Nefa tsy nanao lakolosy izy na ampongaben- danitra na somotr’ aviavy na sisin-damba, na lambam-baravarana, na inona na inona fanaka teo amin’ ny tabernakely, afa-tsy izay nifanaraka tamin’ ny ohatra izay naseho azy. Nantsoin’ Andriamanitra teo amin’ ny tendrombohitra izy, ka nasehony azy ny zavatra any an-danitra. Nasaron’ Andriamanitra azy ny voninahitry ny tenany, mba hahazoany mahita ny ohatra ka hifanaraka amin’ izany ny hanaovana ny zavatra rehetra. Toy izany koa no nanehoany an’ Isiraely izay niriny ho tonga trano itoerany, ny tarigetra be voninahitra eo amin’ ny toetra amam-panahiny. Naseho azy ireo ny ohatra teo an-tendrombohitra raha nomena tao Sinay ny lalàna, ary rehefa nandalo teo anatrehan’ i Mosesy Jehovah ka nilaza hoe : «Jehovah, Jehovah Andriamanitra, mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana, mitahiry famindrampo ho an’ ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana» 4Eks. 34 : 6, 7.IFM 208.2

    Nifidy lalana ho azy Isiraely. Tsy nanangana araka ny ohatra nomena azy izy ; fa Kristy kosa, Ilay tena tempoly itoeran’ Andriamanitra. dia nanao lasitra ny antsipirian’ ny fiainany teto an-tany hifandrindra amin’ ny tarigetran’ Andriamanitra. Hoy Izy : «Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra Ò, no sitrako ; ary ny lalànao no ato anatiko»5Sal. 40 : 8. Toy izany koa, ny toetra amam-panahintsika dia tokony haorina ho «fonenan’ Andriamanitra amin’ ny Fanahy»6Efes. 2 : 22. Ary tokony «hanao ny zavatra rehetra isika araka ny endrika» dia Ilay «efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany»7Heb. 8 : 5 ; 1 Pet. 2 : 21.IFM 209.1

    Ny tenin’ i Kristy dia mampianatra fa tokony hihevitra ny tenantsika ho voafatotra amin’ ny Ray any an-danitra amin’ ny fatorana tsy azo vahana isika. Na inona na inona toerana misy antsika. dia miankina amin’ Andriamanitra isika. izay mitana eo am-pelatanany ny fiainana rehetra. Nanendry asa ho antsika Izy, ka nanome antsika fahaizana sy harena hanaovana izany asa izany. Raha mbola milefitra eo ambanin’ ny sitrapon’ Andriamanitra isika, ka matoky ny heriny sy ny fahendreny, dia ho voatarika amin’ ny lalana azo antoka isika mba hahatanterahantsika ny anjara notendrena ho antsika ao amin’ ny drafitra lehibe nataony. Fa izay miankina amin’ ny fahendrena sy ny herin’ ny tenany kosa, dia misaraka amin’ Andriamanitra. Tsy miara-miasa amin’ i Kristy izy, fa manatanteraka ny fikasan’ ny fahavalon’ Andriamanitra sy ny olona. IFM 209.2

    Notohizan’ ny Mpamonjy hoe: «Fa na inona na inona no ataon’ ny Ray dia toy izany koa no ataon’ ny Zanaka. . . Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany koa no ameloman’ ny Zanaka izay tiany». Nolazain’ ny Sadoseo fa tsy hisy fananganana ny nofo amin’ ny maty ; nefa nolazain’ i Jesosy taminy fa ny anankiray amin’ ny asa lehibe indrindra ataon’ ny Rainy dia ny manangana ny maty, ary Izy tenany koa dia manan-kery hanao asa toy izany. «Avy ny andro izay handrenesan’ ny olona rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy». Ny Fariseo dia nino ny fitsanganana amin’ ny maty. Nambaran’ i Kristy fa na dia ankehitriny aza dia efa eo anivony ny hery izay manome aina ny maty, ary hahita ny fanehoana an’ izany izy. Io hery manangana amin’ ny maty io no manome aina koa ny fanahy «izay maty amin’ ny fahadisoana sy ny fahotana». Io fanahin’ aina ao amin’ i Jesosy Kristy io, «ny herin’ ny fananganana amin’ ny maty», dia «nahafaka ahy tamin’ ny lalan’ ny fahotana sy ny fahafatesana»8Efes. 2 : 1; Fil. 3 : 10 ; Rom. 8 : 2. Tapaka ny fanapahan’ ny ratsy, ary amin’ ny alalan’ ny finoana dia voaro amin’ ny fahotana ny fanahy. Izay manokatra ny fony hiasan’ ny Fanahin’ i Kristy dia manjary mpiray amin’ io hery lehibe io izay hamoaka ny tena avy ao am-pasana. IFM 210.1

    Nanantitrantitra ny tena maha andriana Azy ilay Nazareana feno fanetren-tena. Nisandratra ambonin’ ny olombelona Izy, nesoriny ny fitafian’ ny fahotana sy ny henatra, ka nijoro Izy amin’ ny mahaIlay nohajain’ ny anjely, Ilay Zanak’ Andriamanitra, Ilay Iray amin’ ny Mpamorona an’ izao rehetra izao Azy. Sina ireo mpihaino Azy. Tsy mbola nisy olona nanao teny tahaka izany, na niseho tamin’ ny fahamboniana mendrika andriana toy izany. Mazava sady tsotra ny teny nataony, manambara amin’ ny fomba feno ny asa nanirahana Azy, sy ny adidin’ izao tontolo izao. «Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka, mba hanajan’ ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy. . . Fa tahaka ny Ray manana fiainana ho Azy, dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana ho Azy, ary nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanak’ olona».IFM 210.2

    Nanendry ny tenany ho mpitsara ireo mpisorona sy mpanapaka, mba hanameloka ny asan’ i Kristy, nefa Izy indray no manambara fa mpitsara azy ireo, ary mpitsara ny tany manontolo. Nankinina tamin’ i Kristy izao tontolo izao, ary avy Aminy no nahatongavan’ ny fitahiana rehetra avy amin’ Andriamanitra ho an’ ny taranaka lavo. Izy no Mpanavotra taloha ny naha-nofo Azy sy tao aorian’ izany. Raha vao nisy ny fahotana dia nisy ny Mpamonjy. Nanome fahazavana sy fiainana ho an’ ny rehetra Izy, ary arakaraka ny fatran’ ny fahazavana nomeny, no hitsarana ny tsirairay. Ary Ilay nanome ny Fahazavana, Ilay nanaraka ny fanahy tamin’ ny fikarakarana feno fitiavana indrindra, Ilay mitady hahazo azy hiala amin’ ny fahotana ho amin’ ny fahamasinana. Izy ihany no sady Mpisolovava no Mpitsara koa. Hatramin’ ny niandohan’ ny ady lehibe tany an-danitra, dia fitaka no nitazonan’ i Satana ny fiezahana nataony ; ary Kristy dia niasa mba hanala sarona ny tetika nataony sy hanapaka ny fahefany. Ilay nifanehatra tamin’ Ilay mpamitaka sy niezaka handrombaka ny babony avy eo am-pelatanany mandritra ny andro nifandimby rehetra, Izy no hampihatra fitsarana amin’ ny fanahy tsirairay.IFM 210.3

    Ary Andriamanitra dia nanome Azy fahefana hanao fitsarana koa, satria Zanak’ olona Izy. Satria Izy efa nanandrana ny tena faikany tamin’ ny fahorian’ olombelona sy ny fakam-panahy mahazn Azy, sady mahazo ny fahosan’ ny olona sy ny fahotana ataony, satria nijoro tamim-pandresena ho antsika Izy sy tsy lávon’ ny fakampanahin’ i Satana, ary hifandray amim-pahamarinana sy amimpitiavana amin’ ireo fanahy izay nahararaka ny rany mba hamonjeny azy - noho izany ny Zanak’ olona no voatendry hanao fitsarana.IFM 211.1

    Nefa tsy ny fitsarana no asa nanirahana an’ i Kristy, fa ny famonjena : «Tsy naniraka ny Zanany ho amin’ izao tontolo izao Andriamanitra mba hanameloka an’ izao tontolo izao, fa mba hahavoavonjy an’ izao tontolo izao»9Jao. 3 : 17. Ary hoy Jesosy teo anatrehan’ ny Synedriona : «Izay mandre ny teniko, ka mino Izay naniraka Ahy, no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina, fa tafafindra niala tamin’ ny fahafatesana ho amin’ ny fiainana».IFM 211.2

    Nibaiko ny mpihaino Azy tsy ho gaga Kristy raha novelariny teo anatrehan’ izy ireo, tamin’ ny fomba fijery midadasika kokoa, ny zava-miafin’ ny ho avy. «Avy ny ora, hoy Izy, izay handrenesan’ ny olona rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy, izay nanao tsara dia ho any amin’ ny fitsanganana ho fiainana; fa izay nanao ratsy dia ho any amin’ ny fitsanganana ho fahamelohana».IFM 211.3

    Io toky nomeny momba ny fiainana ho avy io anefa no efa nandrasan’ ny Isiraely hatramin’ izay, ary izany no efa nantenainy ho azo tamin’ ny fiavian’ ny Mesia. Ny hany fahazavana afaka hanazava ny haizin’ ny fasana dia namirapiratra teo aminy. Nefa jamban’ ny fanarahana izay sitrapon’ ny tena fotsiny izy. Nandika ireo lovan-tsofina notazonin’ ny Raby Jesosy, ka tsy nihevitra ny fahefan’ izy ireo, noho izany dia tsy afaka hino izy ireo.IFM 212.1

    Ny fotoana, ny toerana, ny anton-javatra, ny fihetseham-po nahery vaika izay nameno ny mpivory, dia samy nitambatra mba hahatonga ny tenin’ i Kristy teo anatrehan’ ny Synedriona handaitra bebe kokoa. Nitady ny ain’ Ilay nanambara ny tenany ho mpamerina an’ Isiraely tamin’ ny laoniny ireo manam-pahefana ara-pivavahana ambony indrindra tao amin’ ny firenena. Nentina teo anatrehan’ ny fitsaran’ ny tany ny Tompon’ ny Sabata mba hamaly ny fiampangana Azy ho nandika ny lalàna momba ny Sabata. Rehefa tsy natahotra toy izany nanambara ny asa nanirahana Azy Izy, dia gaga sady romotra ny mpitsara nijery Azy; nefa tsy hita izay hamaliana ny teniny. Tsy azony melohina Izy. Nolaviny ny zon’ ny mpisorona sy ny Raby hanadina Azy na hanakantsakana ny asany. Tsy tonga hatramin’ izany ny fahefana ananany. Nifototra tamin’ ny avonavony sy ny fireherehany ny fitakiana nataony. Tsy nanaiky ho diso na ho ampianarin’ izy ireo Jesosy.IFM 212.2

    Tsy niala tsiny ny amin’ ny fihetsika niavian’ ny fitarainana Jesosy, na nanazava ny antony nanaovany izany, fa nifototra tamin’ ny mpitsara Izy, ka ny mpiampanga indray no nanjary voampanga. Nomeny tsiny izy ireo noho ny hamafin’ ny fony, sy ny tsy fahalalany ny Soratra Masina. Nambarany fa efa nolaviny ny tenin’ Andriamanitra, satria efa nanda Azy Izay nirahin’ Andriamanitra izy ireo. «Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay ary ireny no manambara Ahy».IFM 212.3

    Ny takila tsirairay, na ny tantara, na ny foto-kevitra, na ny faminaniana ao amin’ ny Testamenta Taloha dia mamirapiratry ny voninahitry ny Zanak’ Andriamanitra. Raha mbola naorin’ Andriamanitra koa ny fanompoam-pivavahana jiosy manontolo dia faminaniana voatambatra manondro ny Filazantsaran’ i Kristy no «ambaran’ ny mpaminany rehetra, fa amin’ ny anarany no hahazoan’ izay rehetra mino Azy famelan-keloka» 10Asa. 10, 43. Hatramin’ ny teny fikasana nomena an’ i Adama, ka hatramin’ ireo patriarka nifandimby sy ireo fomba fitondrana teo ambanin’ ny lalàna dia nampahazava ny dian-tongotry ny Mpanavotra ny fahazavana be voninahitra avy any an-danitra. Nibanjina Ilay Kintan’ i Betlehema ireo mpahita, ilay Siloa ho tonga toy ny zavatra ho avy nampandalovina teo anatrehany tamin’ ny fomba miafina. Naseho tamin’ ny fanatitra tsirairay ny fahafatesan’ i Kristy. Nasandratra teo amin’ ny setroky ny zava-manitra rehetra ny fahamarinany. Nanakoako ny anarany tamin’ ny feon’ ny trompetra isaky ny jobily. Nitoetra tao amin’ ny zava-miafina mahatahotry ny masina indrindra ny voninahiny. Teo am-pelatanan’ ny Jiosy ny Soratra Masina, ary nihevitra izy ireo fa ny fahalalany ivelambelany fotsiny ny teniny, dia nananany ny fiainana mandrakizay. Nefa hoy Jesosy : «Tsy manana ny teniny mitoetra ao aminareo hianareo». Rehefa nandà an’ i Kristy tao amin’ ny teniny izy ireo, dia nandà ny tenany koa. «Nefa hianareo, tsy manatona Ahy, hoy Izy, mba hanananareo fiainana».IFM 212.4

    Efa nandinika ny fampianaran’ ny mpaminany momba ny fanjakan’ ny Mesia ireo mpitarika jiosy ; nefa nataony izany, tsy tamin’ ny faniriana marina hahalala ny fahamarinana, fa mba hahitany porofo hoenti-manohana ny fanantenany feno hambom-po. Rehefa tonga Kristy tamin’ ny fomba mifanohitra tamin’ izay noheveriny dia tsy noraisiny ; ary mba hanamarina ny tenany, dia niezaka izy ireo haneho marimarina fa mpamitaka Kristy. Rehefa nametraka ny tongony indray mandeha ho amin’ izany lalana izany izy ireo, dia mora ho an’ i Satana ny hanamafy ny fanoherany an’ i Kristy. Ny teny izay tokony ho noraisina indrindra fa maneho mazava ny maha-Andriamanitra Azy, dia nodisoiny hanohitra Azy. Tamin’ izany fomba izany dia nahodiny ho lainga ny fahamarinan’ Andriamanitra, ary arakaraka ny nitenenan’ ny Mpamonjy nivantana taminy tamin’ ny asam-pamindrampo, arakaraka izany no vao mainka nahatapa-kevitra azy ireo hanohitra ny fahazavana.IFM 213.1

    Hoy Jesosy : «Tsy mandray laza avy amin’ olona Aho». Tsy ny hery miasa avy amin’ ny Synedriona, tsy ny faneken’ izy ireo ny asany no niriny. Tsy afaka mandray dera avy amin’ ny fankasitrahan’ izy ireo Izy. Nandray voninahitra sy fahefana avy any an-danitra Izy. Raha niriny izany, dia ho tonga ny anjely hidera Azy ; azon’ ny Ray atao ny hanambara indray ny maha-Andriamanitra Azy. Nefa ho azy ireo sy ho an’ ny firenena izay tarihin’ izy ireo, dia niriny ny hahitan’ ireo mpitarika jiosy ny toetra amampanahiny, ka handraisan’ izy ireo ny fitahiana izay nentiny ho azy.IFM 213.2

    «Izaho dia avy amin’ ny anaran’ ny Raiko, nefa tsy raisinareo, raha misy hafa avy amin’ ny anaran’ ny tenany, dia ho raisinareo ihany izy».IFM 214.1

    Tonga tamin’. ny fahefan’ Andriamanitra Jesosy nitondra ny endriny, nanatanteraka ny teniny, ary nitady ny voninahiny, nefa tsy neken’ ireo mpitarika an’ Isiraely Izy ; fa rehefa hisy hafa ho avy, mampiseho ny toetra amam-panahin’ i Kristy, nefa atosiky ny sitrapon’ ny tenany sy mitady ny voninahitry ny tenany, dia horaisiny. Nahoana kosa ary ? Satria izay mitady ny voninahitry ny tenany, dia mifanaraka amin’ ny faniriana hanandra-tena ao amin’ ny hafa. Ny antso toy izany no azon’ ny Jiosy novaliana. Handray mpampianatra sandoka izy ireo satria manasohaso ny avonavony izany amin’ ny fanekeny ny hevitra sy ny lovantsofina nankamamiany. Tsy mifanandrify amin’ ny heviny kosa ny fampianaran’ i Kristy. Ara-panahy izany, ary mitaky fahafoizana ny tena ; noho izany dia tsy noraisiny izany. Tsy nifandray tamin’ Andriamanitra izy ireo, ary feon’ olon-kafa ny feon’ Andriamanitra tamin’ ny alalan’ i Kristy.IFM 214.2

    Moa ve tsy izany koa no miverina amin’ ny androntsika ? Moa ve tsy maro, na dia ireo mpitarika ara-pivavahana aza, no manamafy ny fony hanohitra ny Fanahy Masina, ka manjary tsy azony atao ny mahalala ny feon’ Andriamanitra ? Moa ve tsy mandà ny tenin’ Andriamanitra izy mba ahazoany mitana ny lovan-tsofiny ?IFM 214.3

    «Raha mba nino an’ i Mosesy hianareo dia hino Ahy, satria nanoratra nilaza Ahy izy. Fa raha tsy mino izay nosoratany hianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko ?»IFM 214.4

    Kristy, no niteny tamin’ Isiraely tamin’ ny alalan’ i Mosesy. Raha nihaino ny feon’ Andriamanitra niteny tamin’ ny alalan’ io mpitarika lehibe io ireo, dia ho fantany izany feo izany tao amin’ ireo fampianaran’ i Kristy. Raha nino an’ i Mosesy izy, dia ho nino koa Ilay nosoratan’ i Mosesy.IFM 214.5

    Fantatr’ i Jesosy fa tapa-kevitra ny hanala ny ainy ireo mpisorona sy Raby ; nefa dia nohazavainy mazava tsara taminy ny maha-iray Azy amin’ ny Ray, sy ny fifandraisany tamin’ izao tontolo izao. Hitany fa tsy nisy fialan-tsiny ny fanoherany Azy, nefa dia tsy tony ny fankahalany sy ny faniriany hamono Azy. Natahotra izy ireo raha hitany maso ny hery maharesy lahatra teo amin’ ny asa fanompoany ; notoheriny anefa ny antsony, ka nanidi-tena tao amin’ ny haizina izy.IFM 214.6

    Nivandravandra ny tsy nahombiazany tamin’ ny nanodinany ny fahefan’ i Kristy, na tamin’ ny nanimbany ny sain’ ny vahoaka ta-hahalala ; betsaka tamin’ izy ireo no resy lahatra tamin’ ny teniny. Na dia ireo mpifehy aza dia nahatsapa fanamelohana lalina, raha nafototr’ i Kristy teo amin’ ny feon’ ny fieritreretan’ izy ireo ny fahadisoany ; nefa vao mainka naharomotra azy ireo taminy izany. Tapa-kevitra izy ireo hanala ny ainy. Nandefa mpitondra hafatra eran’ ny faritany rehetra izy ireo hampitandrina ny vahoaka fa mpisoloky Jesosy. Nalefa ny mpitsikilo hitsongo dia Azy, sy hitatitra izay lazainy sy ataony. Ankehitriny Ilay Mpamonjy sarobidy dia azo antoka sahady fa nijoro teo amin’ ny aloky ny hazo fijaliana.IFM 215.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents