Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 22—Ny nanagadrana an’ i Jaona sy ny nahafatesany

    Jaona Mpanao batisa no voalohany tamin’ ny fampandrenesana ny fanjakan’ i Kristy ary izy koa no voalohany nijaly martiora. Avy tamin’ ny rivotra malalaka tany an-efitra sy ny vahoaka marobe nigoka ny teniny izy izao voahidy ao amin’ ny rindrin’ ny efitra tery ao amin’ ny tranomaizina anaty lavaka izao. Nigadra tao amin’ ny tanàna mimandan’ i Heroda Antipasy izy. Tao amin’ ny faritra atsinanan’ i Jordana, izay teo ambanin’ ny fanapahan’ i Antipasy no nandanian’ i Jaona ny betsaka tamin’ ny andro nanompoany. Ny tenan’ i Heroda mihitsy no efa nihaino ny toritenin’ i Jaona Mpanao batisa. Nangovitra ilay mpanjaka ratsy fitondrantena rehefa nandre ny antso ho amin’ ny fibebahana. «Fa Heroda natahotra an’ i Jaona, satria fantany fa lehilahy marina sy masina izy ;. . . ary rehefa nandre azy izy, dia very hevitra be ihany ; ary nihaino azy tamin’ ny fifaliana». Nopotsirin’ i Jaona tamim-pahamarinana ny nakany an’ i Herodiasy vadin’ ny rahalahiny. Nisy fotoana izay niezahan’ i Heroda moramora hanapaka ny gadran’ ny fironana ambany izay namatotra azy ; nangeja azy mafy kokoa tao amin’ ny fandrika novelariny anefa i Herodiasy, ka nahita izay hamaliany faty tamin’ ny fitaomana an’ i Heroda hanao an’ i Jaona mpanao batisa any am-ponja izy.1 Mifototra amin’ ny Mat. 11 : 1-11 ; Mar. 6 : 17-28 ; Lio. 7 : 19-29 ity toko ity.IFM 217.1

    Fiainana feno asa ny fiainan’ i Jaona, koa mafy taminy ny fiainana manjombona sy nipetra-potsiny tao an-tranomaizina. Rehefa nifandimby ny herinandro, ka tsy nisy fiovana, dia nisosoka tao aminy ny fahakiviana sy ny fisalasalana. Tsy nandao azy ny mpianany. Nomena alalana ho eo aminy ao an-tranomaizina izy, ka nentiny teo aminy ny vaovao mahafaly momba ny asan’ i Jesosy, ary notantarainy azy ny firohotry ny vahoaka ho eo Aminy. Nitanontany ny antony tsy hanaovan’ io Mpampianatra vaovao io na inona na inona hanafahana an’ i Jaona anefa izy ireo raha Izy no Mesia. Ahoana no hamelany ilay mpialoha lalana Azy mahatoky tsy hanana ny fahafahany, ary angamba mety ho very koa aza ny ainy ?IFM 217.2

    Tsy nijanona amin’ izao tsy hisy valiny ireo fanontaniana ireo. Nampiditra tao an-tsain’ i Jaona ireo fisalasalana izay tsy ho nipoitra mihitsy tamin’ ny fomba hafa izany. Niravoravo i Satana nandre ny tenin’ ireo mpianatra ireo, sy nahita ny fomba nandratrany ny fanahin’ ilay mpitondra hafatr’ i Jehovah. Matetika impiry moa ireo izay mihevitra ny tenany ho sakaizan’ ny olona tsara, ka mafana fo maneho toetra mahatoky aminy, no hita fa fahavalony mampididoza indrindra. Impiry moa no tsy mampahery ny finoany akory izy, fa vao mainka aza mampalahelo sy manakivy azy ny teny ataony.IFM 218.1

    Tahaka ireo mpianatry ny Mpamonjy dia tsy azon’ i Jaona Mpanao batisa ny toetry ny fanjakan’ Andriamanitra. Nanantena izy fa haka ny seza fiandrianan’ i Davida Jesosy ; rehefa nandeha ny fotoana, nefa tsy nitaky ny fahefana amin’ ny maha-mpanjaka Azy ny Mpamonjy, dia tonga tao amin’ i Jaona ny fahaverezankevitra sy ny fahorian-tsaina. Efa nambarany tamin’ ny olona fa mba hanomanana ny lalana eo anatrehan’ ny Tompo, dia tsy maintsy ho tanteraka ny faminanian’ Isaia : tsy maintsy haetry ny tendrombohitra sy ny havoana, tsy maintsy hahitsy ny lalana meloka ary ho tonga lemaka ny tany saro-dalana. Ny toerana avo misy ny avonavona sy ny fahefan’ olombelona no noheveriny hazera ambany. Efa nanondro ny Mesia izy, dia Ilay mitana ny fikororohana eny an-tanany «hanadiovany tsara ny ao am-pamoloany ka hanangonany ny vary ho any amin’ ny sompiny, fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin’ ny afo tsy azo vonoina». Tahaka ny mpaminany Elia izay ny fanahiny sy ny heriny no nahatongavany teo amin’ Isiraely, dia nibanjina an’ i Jehovah izy hanambara ny tenany ho Andriamanitra Izay mamaly amin’ ny afo.IFM 218.2

    Nijoro tsy tamin-tahotra amin’ ny maha-mpanameloka ny tsy rariny azy i Jaona Mpanao batisa teo amin’ ny asa nanirahana azy, na teo anatrehan’ ny ngeza na teo anatrehan’ ny madinika. Sahy niatrika mivantana an’ i Heroda mpanjaka izy ary nanameloka azy mazava ny amin’ ny fahotany. Tsy noheveriny ho mamy ny ainy raha ny amin’ ny tenany, mba hahazoany manatanteraka ny asa notendrena hataony. Ary izao dia avy ao amin’ ny tranomaizina misy azy izy no miandry Ilay liona avy amin’ ny taranak’ i Joda hanitsakitsaka ny avonavon’ ny mpampahory, ka hanafaka ny mahantra izay mitaraina Aminy. Nefa toa afa-po fotsiny amin’ ny fanangonana ny mpianatra manodidina Azy, sy ny manasitrana ary ny mampianatra ny olony Jesosy. Mihinana eo amin’ ny latabatry ny mpamory hetra Izy, nefa mihamavesatra isan’ andro amin’ ny Isiraely ny ziogan’ ny Romana, ary i Heroda sy ny sakaizavaviny maharikoriko manao ny danin’ ny kibony, koa tafakatra any an-danitra ny fitarainan’ ny mahantra sy ny mijaly.IFM 218.3

    Toa zava-miafina tsy hay takarina izany rehetra izany ho an’ ilay mpaminany tany an-efitra. Nisy ora izay nampijaly mafy ny fanahiny tamin’ ny bitsibitsika nataon’ ny demonia, ka nisoko tonga teo aminy ny aloky ny tahotra mahatsiravina: Dia tsy mbola niseho ve Ilay Mpanafaka nantenaina ela ? Koa inona ary no dikan’ ny hafatra izay nahavoatery azy mihitsy hoentina ? Fahadisoam-panantenana mangidy no hitan’ i Jaona ho vokatry ny asa nanirahana azy. Nanantena izy fa ho toy ny namakiana ny lalàna tamin’ ny andron’ i Josia sy Ezra 22 Tent. 34; Nehemia 8, 9. , no ho vokatry ny hafatra avy amin’ i Jehovah, fa hisy asa fibebahana lalim-paka sy fiverenana amin’ i Jehovah hanaraka izany. Efa nataony sorona ny fiainany manontolo ho fahombiazan’ ity asa nanirahana azy ity. Very maina ve izany ?IFM 219.1

    Nampahory saina an’ i Jaona ny nahita fa noho ny fitiavany azy, dia nokolokoloin’ ireo mpianany ny tsy finoana mikasika an’ i Jesosy. Tsy nisy vokany ve ny asa nataony ho azy ? Tsy nahatoky ve izy teo amin’ ny asa nanirahana Azy, ka nofaranany izany ? Raha efa niseho Ilay Mpanafaka nampanantenaina, ka hita fa nahatoky tamin’ ny asany i Jaona, tsy handresy ny herin’ ny mpampahory azy ve Jesosy, ka hanafaka ilay mpialoha lalana Azy ?IFM 219.2

    Tsy nialan’ ilay Mpanao batisa anefa ny finoany an’ i Kristy. Ny fahatsiarovany ilay feo avy any an-danitra sy ilay voromailala nidina, ny fahadiovana tsy nisy pentina teo amin’ i Jesosy, ny herin’ ny Fanahy Masina izay nitoetra teo amin’ i Jaona raha nanatona teo anatrehan’ ny Mpamonjy izy, ary ny teny fanambarana ao amin’ ny faminanian’ ny Soratra Masina, — izany rehetra izany dia vavolombelona manamarina fa Jesosy avy any Nazareta no Ilay nampanantenaina.IFM 219.3

    Tsy sitrak’ i Jaona ny hiady hevitra amin’ ny mpiara-dia aminy ny amin’ ny fisalasalany na ny tebitebiny. Tapa-kevitra izy fa handefa hafatra mampanontany an’ i Jesosy. Nankininy tamin’ ny mpianany anankiroa ny hafatra ary nanantena izy fa hanamafy orina ny fiainan’ izy ireo ny fihaonana amin’ ny Mpamonjy sy hanome toky ireo rahalahiny. Naniry mafy teny mivantana ho an’ ny tenany avy amin’ i Kristy koa izy.IFM 220.1

    Dia nankeo amin’ i Jesosy ny mpianatra nitondra ny hafatra nanao hoe : «Hianao va no Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika ?»IFM 220.2

    Tsy ela akory fa vao haingana ny fotoana nanondroan’ ilay Mpanao batisa an’ i Jesosy ka nilazany hoe : «Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao»31 jao. 1 : 15.. Ilay avy ao aoriako, dia efa tonga eo alohako. Ary izao tonga ny fanontaniana hoe : «Hianao va Ilay ho avy ?» Tena nangidy sy nandiso fanantenana izany ho an’ ny olombelona. Raha i Jaona ilay mpialoha lalana mahatoky no tsy mahafantatra ny asa nanirahana an’ i Kristy, inona no azo antenaina amin’ ny vahoaka marobe mitady ny tombon-tsoan’ ny tenany ?IFM 220.3

    Tsy namaly avy hatrany ny fanontanian’ ny mpianatra ny Mpamonjy. Raha mbola gaga izy ireo noho ny fanginany dia nanatona Azy ny marary sy ny tra-pahoriana mba hositranina. Nitsapatsapa ny lalany tany anaty vahoaka ny jamba. ny marary avy amin’ ny sarangan’ olona rehetra, ny sasany niezaka samirery. ny sasany entin’ ny namany, izy rehetra dia samy nazoto nilomay ho eo anatrehan’ i Jesosy. Tafiditra tao amin’ ny sofin’ ny marenina ny feon’ Ilay Mpanasitrana mahery. Teny iray, fikasihan’ ny tanany, dia nampahiratra ny mason’ ny jamba hahita ny fahazavan’ ny andro, ny hatsaran-tarehin’ ny zavaboary, ny endriky ny sakaiza sy ny endrik’ Ilay Mpanafaka. Notenenin’ i Jesosy ny aretina ary noroahiny ny tazo. Nipaka tany an-tsofin’ izay miala aina ny feony ka nitsangana ireo ary feno fahasalamana sy tanjaka. Nankatò ny teniny ireo nanana demonia ka nalemy tsy afa-mihetsika; niala izao ny fahadalany ka nidera Azy izy.IFM 220.4

    Raha nanasitrana ny aretin’ ny olona Izy, dia nampianatra ny vahoaka. Ny tantsaha sy ny mpamboly mahantra, izay nandosiran’ ny raby satria maloto, dia nitangorona teo akaikiny, ary nolazainy taminy ny tenin’ ny fiainana mandrakizay. Lany tamin’ izany ny andro ; nijery sy nihaino izany rehetra izany ny mpianatr’i Jaona. Tamin’ ny farany dia niantso azy ireo ho eo Aminy Jesosy ka nibaiko azy handeha hitantara amin’ i Jaona izay efa hitan’ ny masony, ka nampiany hoe : «Sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny Amiko»4Lio. 7 : 23. Hita mazava ny mahaAndriamanitra Azy teo amin’ ny fampifanarahany izany tamin’ izay ilain’ ny taranak’ olombelona mijaly. Teo amin’ ny fanekeny hidina eo amin’ ny toerana ambany misy antsika no nanehoana ny voninahiny.IFM 220.5

    Nentin’ ny mpianatra ny hafatra dia ny hafatra ihany. Tsaroan’ i Jaona ny faminaniana momba ny Mesia hoe : «Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin’ ny babo sy hamoaka ny ao an-tranomaizina ho amin’ ny mazava, hitory taona ankasitrahan’ i Jehovah» 5Isia. 61 : 1, 2. Tsy manambara Azy ho Mesia fotsiny ny asan’ i Kristy, fa maneho koa ny fomba hanorenana ny fanjakany. Novelarina teo anatrehan’ i Jaona ilay fahamarinana izay efa tonga tamin’ i Elia tany an-efitra raha «nisy rivotra be sady mahery namakivaky ny tendrombohitra sy nanorotoro ny harambato teo alohan’ i Jehovah ; nefa Jehovah tsy tao amin’ ny rivotra ; ary manarakaraka ny rivotra nisy horohorontany ; nefa Jehovah tsy tao amin’ ny horohorontany ; ary manarakaraka ny horohorontany nisy afo ; nefa Jehovah tsy tao amin’ ny afo» 61 Mpanj. 19 : 11,12. ; ary manarakaraka ny afo, dia niteny tamin’ ilay mpaminany tamin’ ny feo nitsoka malemy Andriamanitra. Tahaka izany koa no tokony hanaovan’ i Jesosy ny asany, tsy amin’ ny alalan’ ny fikarantsan’ ny fiadiana sy ny fanonganana seza fiandrianana sy fanjakana, fa amin’ ny fitenenana amin’ ny fon’ ny olona amin’ ny alalan’ ny fiainan’ ny famindrampo sy ny fahafoizan-tena.IFM 221.1

    Ny foto-kevitry ny fiainana manafoana ny tena izay teo amin’ ny fiainan’ ilay Mpanao batisa no foto-kevitry ny fanjakan’ ny Mesia koa. Fantatr’ i Jaona koa fa tsy misy ifandraisany amin’ ny fotokevitra sy ny fanantenan’ ireo mpitarika teo amin’ Isiraely izany rehetra izany. Ny porofo nandresy lahatra azy ireo ny maha Andriamanitra an’ i Kristy dia tsy nitondra fahazavana ho azy. Mesia hafa tsy araka Izay nampanantenaina no nandrasany. Hitan’ i Jaona fa tsy hahazo afa-tsy fankahalana sy fanamelohana avy amin’ ireo ny asa nanirahana ny Mpamonjy. Izy, izay mpialoha lalana, dia tokony hisotro tamin’ ny kapoaka izay tsy maintsy holanian’ i Kristy hatramin’ ny faikany.IFM 221.2

    Fanomezan-tsiny amim-pitiavana nataon’ ny Mpamonjy tamin’ i Jaona ny teniny hoe : «Sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny Amiko». Tsy very maina fa nisy vokany izany. Nazava taminy kokoa izao ny toetry ny asa nanirahana an’ i Kristy ka nampilefitra ny tenany tamin’ Andriamanitra izy na ho amin’ ny fiainana na ho amin’ ny fahafatesana, araka izay hahasoa indrindra ny tombontsoan’ ity asa tiany ity.IFM 222.1

    Rehefa lasa ireo mpitondra hafatra ireo, dia niteny tamin’ ny vahoaka mikasika an’ i Jaona Jesosy. Niray fo sy niarak’ ory tamin’ ilay vavolombelona nahatoky izay milevom-belona ankehitriny tao amin’ ny tranomaizin’ i Heroda ny Mpamonjy. Tsy tiany havela hanao fehinteny ny olona ka hihevitra fa efa nahafoy an’ i Jaona Andriamanitra, na nalemy ny finoany tamin’ ny andro fitsapana. «Hizaha inona no nalehanareo tany an-efitra ?» hoy Izy. «Volotara nohozongozonin’ ny rivotra va ?»IFM 222.2

    Ireo volotara lavabe mpaniry teo amoron’ i Jordana, izay miondrika raha vao misy rivotra malefaka, dia tena mampiseho tsara ny raby izay nijoro ho mpaninitsiny sy ho mpitsara ny asa nanirahana an’ ilay Mpanao batisa, nefa noho ny fahatahorany ny vahoaka dia tsy sahy nanohitra ankarihary ny asany izy. Tsy nanana toe-tsaina kanosa toy izany ny mpitondra hafatr’ Andriamanitra. Ireo vahoaka izay nitangorona teo amin’ i Kristy dia vavolombelon’ ny asan’ i Jaona. Efa nahare ny fanamelohana tsy amin-tahotra nataony ny amin’ ny fahotana izy. Ireo Fariseo mpanamarin-tena, ireo mpisorona, sadoseo, Heroda mpanjaka sy mpanotrona azy, ny andriana ambony sy ny miaramila, ny mpamory hetra sy ny tantsaha dia samy nitenenan’ i Jaona tamin’ ny fomba mivantana avokoa. Tsy volotara nangozohozo izy, ka tsofin’ ny rivotry ny fanindrahindran’ ny olombelona na ny hevitra mibahana ao am-pony. Raha tao an-tranomaizina izy dia nahatoky tamin’ Andriamanitra sy nafana fo ho amin’ ny fahamarinana tahaka ny fony izy nitory ny hafatr’ Andriamanitra tany an-efitra ihany. Mafy tahaka ny vatolampy izy raha ny fijoroany ho mahatoky amin’ ny foto-kevitra.IFM 222.3

    Notohizan’ i Jesosy hoe : «Sa hizaha inona no nalehanareo ? Olona mitafy lamba soa va ? Indro ny mitafy soa dia ao an-tranon’ ny mpanjaka». Nantsoina hiampanga ny fahotana sy ny fanao tafahoatra tamin’ ny androny izy, ary nifandrindra tamin’ ny toetry ny asa nanirahana azy ny fitafiany tsotra sy ny fiainany feno fandavan-tena. Tsy anjaran’ ny mpanompon’ Andriamanitra ny fitafiana marevaka sy ny zava-tsoa hanaranam-po eto amin’ ity fiainana ity, fa anjaran’ ireo izay mivelona «ao amin’ ny tranon’ ny mpanjaka», ireo mpanapaka an’ ity izao tontolo izao ity izany, izay tompon’ ny fahefana sy ny harena. Tian’ i Jesosy ny hitarika ny saina amin’ ny fahasamihafana misy eo amin’ ny fitafian’ i Jaona sy amin’ izay anaovan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka. Nitafy fitafiana marevaka sy niravaka haingo sarobidy ireo mpitondra ireo. Tia fisehosehoana tamin’ ny fampiderana ny hareny sy ny fitadiavam-boninahitra izy. Nampitebiteby azy kokoa ny hahazo ny olona hidera azy toy izay ny hahazo fahadiovam-po izay ankasitrahan’ Andriamanitra. Niseho tamin’ izany fa tsy Andriamanitra no nekeny, fa ny fanjakan’ ity izao tontolo izao ity.IFM 222.4

    «Sa hizaha inona, hoy Jesosy, no nalehanareo tany ? Mpaminany va ? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy. Fa izy ilay voasoratra hoe : Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao. Izay hamboatra ny làlanao eo alohanao». Lazaiko aminareo : Amin’ izay nateraky ny vehivavy tsy misy lehibe noho Jaona». Raha nanao fanambarana tamin’ i Zakaria ny anjely talohan’ ny nahaterahan’ i Jaona, dia hoy izy hoe : «Fa ho lehibe eo anatrehan’ ny Tompo izy»7Lio. 1 : 15 ; jao.10 : 41. Inona no atao hoe fahalehibeazana raha eo amin’ ny fanombanan’ ny lanitra ? — Tsy izay isain’ izao tontolo izao ho lehibe tsy akory ; tsy ny harena, na ny toerana, na ny firazanana ambony, na ny fanomezam-pahasoavana ara-tsaina, amin’ ny maha-izy an’ ireo avy. Raha ny faharanitan-tsaina tsy miankina amin’ ny fiheverana ny fahamboniana no jerena, dia i Satana no mendri-piderana, satria tsy misy olona na iza na iza mahasongona ny fahaizany ara-tsaina. Arakaraka ny halehiben’ ny fanomezampahasoavana no maha ozona lehibe azy raha toa ka entina manompo ny «izaho» izy. Ny fahamendrehana ara-pitondrantena no misy tombambidiny eo anatrehan’ Andriamanitra. Ny fitiavana sy ny fahadiovana no toetra ankasitrahany indrindra. Lehibe teo imason’ ny Tompo i Jaona rehefa nifehy tena tsy hitady voninahitra ho an’ ny tenany, fa nanondro an’ i Jesosy tamin’ ny olona rehetra amin’ ny maha-Ilay nampanantenaina Azy, teo anatrehan’ ny vahoaka, ary teo anatrehan’ ny mpianatry ny tenany manokana. Ny fifaliany tsy nombam-pitiavan-tena teo amin’ ny asa fanompoana an’ i Kristy, dia mampiseho ny karazan-toetra mendrika ambony indrindra tsy mbola niseho teo amin’ ny olona.IFM 223.1

    Rehefa maty izy, ny vavolombelona nomba azy nataon’ ireo izay nandre ny teny fanambaran’ i Jesosy dia ny hoe : «Jaona tsy mba nanao famantarana, nefa izay rehetra nolazainy ny amin’ ity Lehilahy ity dia marina avokoa»8Jao. 10 : 41. Tsy nomena an’ i Jaona ny hampidina afo avy any an-danitra, na ny hanangana ny maty tahaka ny nataon’ i Elia, na ny hampiasa ny tehim-pahefan’ i Mosesy amin’ ny anaran’ Andriamanitra. Nalefa izy hanambara ny fiavian’ ny Mpamonjy, sy hiantso ny olona hiomana ho amin’ ny fiaviany. Tamim-pahatokiana indrindra no nanatanterahany ny asa nanirahana azy, hany ka tadidin’ ny olona izay nampianariny momba an’ i Jesosy, koa afaka niteny izy hoe : «Izay rehetra nolazainy ny amin’ ity Lehilahy ity dia marina avokoa». Antsoin’ ny Tompo hanao vavolombelona toy izany ny amin’ i Kristy ny mpianatra tsirairay avy.IFM 224.1

    «Mihoatra noho ny mpaminany i Jaona amin’ izy nanambara ny Mesia. Ny mpaminany dia nahatazan-davitra ny fiavian’ i Kristy, i Jaona kosa nomena tombon-tsoa hahita Azy, handre ny teny vavolombelona avy any an-danitra amin’ ny maha-Mesia Azy, hampahafantatra Azy an’ Isiraely amin’ ny maha-Irak’ Andriamanitra Azy. Nefa hoy Jesosy hoe : «Nefa ny kely indrindra amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra dia lehibe noho izy».IFM 224.2

    Ny mpaminany Jaona no fatorana nampifandray ireo fanompoam-pivavahana roa. Amin’ ny maha-solontenan’ Andriamanitra azy dia nijoro izy hampiseho ny fifandraisan’ ny lalàna sy ny mpaminany tamin’ ny fanompoam-pivavahana kristiana. Fahazavana kely kokoa izy, izay harahin’ ny fahazavana lehibe kokoa. Nohazavain’ ny Fanahy Masina ny sain’ i Jaona mba hahazoany mampitosaka fahazavana eo amin’ ny vahoakany ; tsy mbola nisy anefa fahazavana hafa na hisy fahazavana hamirapiratra amin’ ny fomba mazava tahaka izay mitaratra avy amin’ ny fampianarana sy ny ohatra nomen’ i Jesosy amin’ ny olona lavo any aoriana. Nanjavozavo fotsiny ihany ny nahazoana an’ i Kristy sy ny asa nanirahana Azy araka izay nasehon’ ireo fanatitra ara-tandindona. Na i Jaona koa aza tsy nahafantatra mazava tsara ny fiainan-koavy tsy mety maty tao amin’ ny Mpamonjy.IFM 224.3

    Ankoatry ny fifaliana izay hitan’ i Jaona teo amin’ ny asa nanirahana azy, dia saika fiainam-pahoriana sy manirery ny azy. Tsy dia re firy ny feony raha tsy tany an-efitra. Ary tsy navela hahita ny vokatry ny asan’ ny tenany izy. Tsy mba tombon-tsoa nananany izany miaraka amin’ i Kristy, sy ny hahita maso ny fanehoana ny herin’ Andriamanitra miaraka amin’ ny fahazavana lehibe kokoa. Tsy anjarany ny nahita ny jamba nahiratra indray, ny marary sitrana, ary ny maty naverina ho amin’ ny fiainana. Tsy nijery ny fahazavana izay namirapiratra teo amin’ ny tenin’ i Kristy tsirairay izy izay nampitosaka fahazavana teo amin’ ireo teny fikasan’ ny faminaniana. Ny mpianatra kely indrindra izay nahita ny asa lehibe nataon’ i Kristy ka nandre ny teniny, dia azo lazaina, araka izany lafiny izany, fa nahazo tombontsoa ambony lavitra noho i Jaona Mpanao batisa, ary noho izany dia lehibe noho izy.IFM 224.4

    Tamin’ ny alalan’ ny vahoaka marobe izay nihaino ny fampianaran’ i Jaona dia niparitaka manerana ny tany ny lazany. Nisy fahalianana lalina tsapa vokatry ny nanaovana azy am-ponja. Ny fiainany tsy azo nokianina anefa sy ny fankasitrahana azy mafy teo amin’ ny vahoaka, dia nahatonga finoana fa tsy hisy fanaovana an-keriny hampiharina aminy.IFM 225.1

    Nino i Heroda fa mpaminanin’ Andriamanitra i Jaona, ary nikasa marina ny handefa azy izy. Nangatahany andro anefa ny fikasany noho ny fahatahorany an’ i Herodiasy.IFM 225.2

    Fantatr’ i Herodiasy fa raha fepetra mivantana dia tsy ho azony na oviana na oviana hanaiky ny fahafatesan’ i Jaona i Heroda, koa nanapa-kevitra ny hampiasa hafetsena izy mba hanatanterahana ny fikasany. Hisy lanonam-pifaliana hatao ho an’ ny manamboninahitra ao amin’ ny fanjakana, sy ho an’ ny andriana mpanotrona ny mpanjaka noho ny tsingerin-taona nahaterahan’ ny mpanjaka. Hisy sakafo be sy fisotroana ao. Amin’ izay dia tsy hahatandrintena i Heroda ka ho voatarika mora foana hanaraka ny sitrapondravehivavy.IFM 225.3

    Rehefa tonga ilay andro lehibe ka nihinana sy nisotro niaraka tamin’ ny andrianany teo ny mpanjaka, dia nirahin’ i Herodiasy teo amin’ ny trano lehibe filanonana ny zananivavy mba handihy ka hamalifaly ny nasaina. Zazavavy vao nivelatra teo amin’ ny fahatanorany i Salome ka nambabo ny filana ambany teo amin’ ny andriandahy mpilanona ny hatsaran-tarehiny. Tsy fomban’ ny andriambavy mpanotrona ny mpanjaka ny miseho amin’ ireny lanonana ireny, koa nodokadokafana i Heroda rehefa nandihy mba ho fanalan’ andron’ ny olona nasainy ity zanakavavin’ ny mpisorona sy ny andrianan’ Isiraely ity.IFM 225.4

    Tsy nahalala ny ataony ny mpanjaka noho ny divay. Nanjaka ny filàna ambany ka nirodana ny saina mandanjalanja. Ilay efitrano lehibe fitadiavam-pahafinaretana ihany no hitany sy ireo mpilanona nasainy, ny latabatra fihinanana, ny divay mandroatra sy ny jiro manjelanjelatra, ary ilay tovovavy nandihy teo anatrehany. Tamin’ io fotoana tsy nitandremany io, dia naniry ny hanao zavatra tia sehoseho izay hanandratra azy eo anatrehan’ ny olona ambony eo amin’ ny fanjakany izy. Nianiana izy nampanantena fa homeny ny zanakavavin’ i Herodiasy na inona na inona angatahiny, eny, na dia ny an-tsasaky ny fanjakany aza.IFM 226.1

    Nihazakazaka nankany amin-dreniny i Salome, ahafantarany izay tokony hangatahiny. Vonona ny valinteny : ny lohan’ i Jaona Mpanao batisa. Tsy nahalala ny hetaheta valifaty tao am-pon-dreniny i Salome ka nihemotra hitondra izany hafatra fangatahana izany izy ; nandresy anefa ny fanapahan-kevitr’ i Herodiasy. Niverina ilay zazavavy nitondra ilay fangatahana mahatsiravina : «Tiako raha homenao ahy faingana eto an-dovia ny lohan’ i Jaona Mpanao batisa» 9Mar. 6 : 25.IFM 226.2

    Talanjona sady very hevitra i Heroda. Nijanona ny haravoana sy ny tabataba, ary fanginana tanteraka no nameno ny toerampilanonana. Raiki-tahotra ny mpanjaka raha nihevitra izany handatsaka ny ain’ i Jaona. Efa niloa-bava anefa izy ka tsy tiany ny hiseho ho mpitsoa-teny na tsy mihevitra izay iafarany. Natao ho fanomezam-boninahitra ny olona nasainy iny fianianana iny, koa raha nisy iray tamin’ izy ireo namoaka teny hanoherana ny fanatanterahana ny teny fikasany, dia ho fifaliana ho azy ny nanavotra ilay mpaminany. Nomeny fotoana mety ireo nasainy hiteny hiaro ilay mpifatotra. Efa nanao lalan-davitra izy ireo mba handre ny toritenin’ i Jaona, ary fantany fa olona tsy meloka izy sady tena mpanompon’ Andriamanitra. Na dia nanafintohina azy aza ny fangatahandrazazavavy, dia efa tena adala izy ireo ka tsy nanao fanakianana fanoherana. Tsy nisy olona na dia iray aza nanandratra ny feony hamonjy ny ain’ ilay Mpitondra hafatry ny lanitra. Nitana toerana ambony sy toeram-pitokisana teo amin’ ny firenena ireo olona ireo, ary andraikitra mavesatra no nipetraka taminy ; nanaram-po tamin’ ny fihinanana sy ny fisotroana anefa izy mandra-pahadonto ny retsiny rehetra. Nitodika ho eo amin’ ny zava-maneno sy ny dihy mahafanina ny sainy ; koa dia navela hatory ny feon’ ny fieritreretana. Tamin’ ny alalan’ ny fanginany dia namoaka ny didim-pitsarana hahafatesan’ ilay mpaminanin’ Andriamanitra izy mba hanomezana fahafaham-po ity vehivavy janga namaly faty. IFM 226.3

    Niandry foana i Heroda hamahàna ny fianianana nataony; dia tamin’ alahelo no nanekeny ny famonoana ny mpaminany. Vetivety dia nentina teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny olona nasainy ny lohan’ i Jaona. Nikombona ho mandrakizay ireto molotra nananatra an’ i Heroda tamin’ ny fomba mahatoky hiala amin’ ny fiainam-pahotany. Tsy ho re intsony io feo miantso ny olona ho amin’ ny fibebahana io. Ny lanonana tamin’ ny indray alina dia nahavery ny ain’ ny anankiray amin’ ny mpaminany lehibe indrindra.IFM 227.1

    Impiry impiry moa no natao sorona ny ain’ ny tsy manan-tsiny noho ny tsy fahalalana onony teo amin’ ireo izay tokony hiaro ny fahamarinana. Izay nampitohoka ny kapoaka misy poizina eo amin’ ny molony dia mahatonga ny tenany ho tompon’ andraikitra ny amin’ ny tsy fahamarinana rehetra mety hataony, raha mbola eo ambanin’ ny hery mahadala ao amin’ izany kapoaka izany izy. Donto ny retsika eo aminy ka manjary tsy hainy ny mitsara amin’ ny saina tony na ny mahafantatra mazava ny tsara sy ny ratsy. Mampidanadana ny lalana ho an’ i Satana izy hiasa amin’ ny alalany eo amin’ ny fampahoriana sy ny famonoana ny tsy manan-tsiny. «Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka; koa izay miraikiraiky azon’ izany dia tsy hendry». Amin’ izay dia «nahemotra ny rariny. . . ary izay mifady ny ratsy dia hoatra ny manolo-tena ho baboin’ ny sasany»10Ohab.20 : 1 ; 59 ; 14, 15.. Tokony hotazonina ho meloka amin’ ny heloka bevava izay manam-pahefana araka ny lalàna eo amin’ ny fiainan’ ny mpiara-belona aminy rehefa tsy mahalala onony. Tokony ho mpitandrina lalàna izay rehetra mampihatra ny lalàna. Tokony ho olona mahafehy tena izy. Ilain’ izy ireo ny ho afaka mibaiko tanteraka ny heriny ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pitondrantena mba hananany saina mavitrika, sy hahatsapany lalina ny fahamarinana.IFM 227.2

    Nentina teo amin’ i Herodiasy ny lohan’ i Jaona Mpanao batisa, ary tamin’ ny fahafaham-pon’ ny demonia no nandraisany izany. Nibitabitaka izy teo amin’ izany valifaty izany ka niarahaba tena fa tsy ho voakotaba intsony ny feon’ ny fieritreretan’ i Heroda. Tsy nisy fahasambarana ho azy anefa ny fahotany. Nanjary nalaza sy nankahalaina ny anarany, ary i Heroda kosa nokekerin’ ny nenina nihoatra noho ny tamin’ ny fampitandremana nataon’ ny mpaminany. Tsy nangina ny hery miasa avy tamin’ ny fampia-naran’ i Jaona. Nitatra amin’ ny taranaka mifandimby izany mandrapiavin’ ny farany.IFM 227.3

    Teo anatrehan’ i Heroda mandrakariva ny fahotany. Nitady hatrany izay hanamaivana ny fiampangan’ ny feon’ ny fieritreretany meloka izy. Tsy niala fa tafatoetra tao an-tsainy ny fahatokiany an’ i Jaona. Raha nitanisa ny fiainany feno fandavan-tena izy, ny antso miezinezina sy mafana nataony, ny fahaizany mandanjalanja eo amin’ ny torohevitra omeny, ary avy eo mahatsiaro ny fomba mahatsiravina nahafatesany, dia tsy nety nahita fiadanana i Hercoa. Rehefa manao ny raharaham-panjakana izy, ka omen’ ny olona voninahitra, dia endrika mitsikitsiky sy toetra mendri-kaja no asehony, nefa manafina fa mitebiteby izy, ary itambesaran’ ny tahotra mandrakariva fa misy ozona manandindona azy.IFM 228.1

    Latsaka lalina tao am-pon’ i Heroda ny tenin’ i Jaona fa tsy misy na inona na inona azo afenina an’ Andriamanitra. Resy lahatra izy fa manatrika amin’ ny toerana rehetra Andriamanitra, vavolombelon’ ilay lanonana tao amin’ ny efitrano lehibe fisakafoana, reny ny baiko nampanapa-doha an’ i Jaona ary hitany ny fibitabitak’ i Herodiasy sy ny fihetsika manevateva nasehony tamin’ ny loha tapak’ ilay mpananatra azy. Betsaka koa ny zavatra efa ren’ i Heroda tamin’ ny molotr’ ilay mpaminany no miteny amin’ ny feon’ ny fieritreretany ankehitriny amin’ ny fomba mazava kokoa noho ny toriteny nataony tany an-efitra.IFM 228.2

    Rehefa nandre ny amin’ ny asan’ i Kristy i Heroda dia sahirantsaina mafy dia mafy. Noheveriny fa efa nantsangan’ Andriamanitra tamin’ ny maty i Jaona ka nalefany amin-kery bebe kokoa mba hanameloka ny fahotana. Natahotra foana izy sao mamaly ny nahafatesany i Jaona amin’ ny fanamelohana azy sy ny fianakaviany. Nijinja izay efa nambaran’ Andriamanitra fa ho vokatry ny fiainampahotana i Heroda, — dia «fo miemponempona sy maso pahina ary fahakiviam-panahy. Ary ny ainao hihevingevina eo anatrehanao, dia hatahotra andro aman’ alina hianao ka tsy hanampo izay ho velona. Nony maraina ny andro, dia hanao hianao hoe : Malakia hariva ! ary nony hariva ny andro dia hanao hoe hianao : Malakia maraina ! noho ny tahotry ny fonao izay hatahoranao sy noho ny zavatra izay ho hitan’ ny masonao»11Deot. 28 : 65-67.. Ny eritreritry ny mpanota ihany no mpiampanga azy ; ary tsy mety hisy fampijaliana mahamay noho ny fanindronan’ ny feon’ ny fieritreretana meloka, izay tsy manome fitsaharana azy na andro na alina.IFM 228.3

    Ho an’ ny saina maro dia misy zava-miafina lalina manodidina izay nanjo an’ i Jaona Mpanao batisa. Mipetraka ny fanontaniana hoe : nahoana no navela hiferinaina sy ho faty tao an-tranomaizina izy. Tsy mety ho fantatsika ny zava-miafin’ io fitondran’ Andriamanitra io izay tsy mazava amin’ ny fomba fijerintsika olombelona, nefa tsy hampihozongozona mihitsy ny fahatokiantsika an’ Andriamanitra izany, rehefa tsaroantsika fa tsy iza tsy akory i Jaona fa mpiray amin’ ny fahorian’ i Kristy. Izay rehetra manaraka an’ i Kristy dia hitondra ny satroboninahitry ny fahafoizan-tena. Azo antoka fa tsy ho azon’ ny olona tia tena izy, ary ho tonga lasibatra ho an’ ny fahasiahana sy ny fanafihan’ i Satana. Io foto-kevitry ny fahafoizan-tena io no mahatapa-kevitra ny fanjakan’ i Satana hofongorana ary hiadiany izany na aiza na aiza hisehoany.IFM 229.1

    Nampiavaka ny fahazazana sy ny fahatanorana ary ny fahalehibeazan’ i Jaona ny fijoroany sy ny hery ara-pitondrantena nananany. Rehefa re ny feony tany an-efitra nanao hoe: «Amboary ny làlan’ i Jehovah, ataovy mahitsy ny làlan-kalehany»12Mat.3 : 3., dia natahoran’ i Satana ny maha-azo antoka ny fanjakany. Nambara tamin’ ny tena faharatsiany indrindra ny fahotana ka nangovitra ny olona. Tapaka ny herin’ i Satana tamin’ ny maro izay teo ambanin’ ny fanapahany. Tsy sasatra izy teo amin’ ny ezaka nataony tamin’ ny fisintonana ilay Mpanao batisa hiala amin’ ny fiainana milefitra amin’ Andriamanitra tsy misy fepetra; nefa tsy nahavoa. Tsy nahavoa koa izy ka tsy naharesy an’ i Jesosy. Resy i Satana teo amin’ ny fakam-panahy tany an-efitra ka lehibe ny fahavinirany. Tapa-kevitra izy izao fa hampahory an’ i Kristy amin’ ny famelezana an’ i Jaona. Azony hampijaliana Ilay tsy azony tarihina hanota.IFM 229.2

    Tsy nisalovana Jesosy mba hanafahany ny mpanompany. Fantany fa zakan’ i Jaona ny fisedrana. Ho fifaliana ho an’ ny Mpamonjy ny namangy an’ i Jaona ka hampamirapiratra ny tranomaizina nitoerany amin’ ny fanatrehany. Nefa tsy tokony hametraka ny tenany eo am-pelatanan’ ny fahavalo izy ka hampididoza ny asa nanirahana Azy. Ho fifaliana ho Azy ny nanafaka ny mpanompony mahatoky. Nefa noho ireo olona an’ arivony izay tsy maintsy handalo tranomaizina sy fahafatesana amin’ ny andro ho avy, dia tokony nisotro ny kapoaky ny maha-maritiora i Jaona. Rehefa hiferin’ aina samirery ao anatin’ ny efitra maizin’ ny tranomaizina ny mpanaraka an’ i Kristy, na rehefa matin’ ny sabatra, noho ny fampijaliana na hodorana velona ao amin’ ny antontankitay, toa nafoin’ Andriamanitra sy ny olona, dia fanohanana ny fony manao ahoana ny fieritreretana fa efa nandalo fanandramana toy izany koa i Jaona Mpanao batisa, ary Kristy mihitsy no nijoro ho vavolombelon’ ny toetrany mahatoky.IFM 229.3

    Navela hanapaka tangarana ny fiainan’ ny mpitondra hafatr’ Andriamanitra i Satana; fa tsy azon’ ilay mpandringana kasihina kosa ilay fiainana «izay miara-miafina amin’ i Kristy ao amin’ Andriamanitra»13Kol. 3 : 3.. Nibitabitaka izy fa nampitondra fahoriana an’ i Kristy nefa tsy nahavoa ka tsy naharesy an’ i Jaona. Ny fahafatesana dia nametraka azy fotsiny eo amin’ ny toerana izay tsy tratry ny herin’ ny fakam-panahy mandrakizay. Nasehon’ i Satana ny tena toetra amam-panahiny teo amin’ io ady io. Teo anatrehan’ izao rehetra izao nanatri-maso no nanehoany mazava ny fanafihany an’ Andriamanitra sy ny olona.IFM 230.1

    Na dia tsy nisy fahafahana mahagaga aza natao tamin’ i Jaona, dia tsy nafoy izy tsy akory. Niaraka mandrakariva tamin’ ny anjelin’ ny lanitra izy, izay namelatra an’ ireo faminaniana momba an’ i Kristy teo anatrehany, sy ireo teny fikasana sarobidy ao amin’ ny Soratra Masina. Nanohana azy ireo anjely ireo, tahaka ny hanohanany koa ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ ny andro ho avy. Nomena an’ i Jaona Mpanao batisa, ary nomena koa an’ ireo izay avy atý aoriana ny toky manao hoe: «Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ ny fahataperan’ izao tontolo izao»14Mat.28 : 20.IFM 230.2

    Tsy mitarika ny zanany amin’ ny fomba hafa noho izay nofidin’ izy ireo hitarihana azy mihitsy Andriamanitra, raha hitan’ izy ireo ny voalohany sy ny farany, ka fantany ny voninahitry ny fikasana tanterahiny amin’ ny maha-mpiara-miasa azy Aminy. Tsy Enoka izay nakarina velona ho any an-danitra, tsy Elia izay niakatra tamin’ ny kalesy afo, no lehibe kokoa na nomem-boninahitra kokoa noho i Jaona Mpanao batisa izay maty samirery tao an-tranomaizina. «Fa hianareo efa nomena noho ny amin’ i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy»15Fil. 1 : 29.. Koa ny fanomezana rehetra azon’ ny lanitra arotsaka amin’ ny olona, ny fiarahana amin’ i Kristy eo amin’ ny fahoriany no lova mavesadanja indrindra sy voninahitra ambony indrindraIFM 230.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents