Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hery Mifanandrina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 13—Ny tany avaratra sy Skandinavia

    Efa ela mihitsy no nisy fanoherana hentitra ny fanjakazakan’ ny papa tany amin’ ireo Tany Avaratra. Fiton-jato taona talohan’ ny andron’ i Lotera dia nisy eveka anankiroa nanakiana tsy amintahotra ny papa tany Roma; nirahina ho masoivoho tany Roma mantsy izy ireo, ka nahalala ny tena toetra amam-panahin’ ny «Ray Masina»: Andriamanitra no efa nanao azy ho mpanjakavaviny sy vadiny dia ny Eglizy, izay efa notendrena ho mpiahy mendrika ny ankohonany sy maharitra mandrakizay, ary nosalorany fanomezana tandrify ny ampakarina izay tsy mety malazo na simba, sy nomeny satroboninahitra sy tehim-panjakana mandrakizay. . . ireo tombontsoa rehetra ireo dia navilinao lalana tahaka ny ataon ny mpangalatra. Mipetraka eo amin’ ny tempolin’ Andriamanitra ianao; tsy mpiandry ondry ianao, fa nanjary amboadia ho an’ ny ondry. . . asainao mino izahay fa ianao no eveka fara-tampony, nefa manao ny fihetsiky ny mpanjakazaka ianao. . . Tokony ho mpanompon’ ny mpanompo ianao, araka ny fiantsoanao ny tenanao, nefa kosa miezaka ny ho tonga tompon’ ny tompo. . . Ataonao izay hanamavoana ny didin’ Andriamanitra. . . Ny Fanahy Masina no mpanorina ny fiangonana rehetra na toy inona na toy inona halavitan’ ny tany misy azy. . .HM 245.1

    Ny tanànan’ ny Andriamanitsika izay isika no vahoakany dia mahatratra ny faritry ny lanitra rehetra ; ary lehibe lavitra izy noho ilay tanàna nataon’ ireo mpaminany masina hoe Babylona izay mihambo ho avy amin’ Andriamanitra, manakatra ny lanitra, ary mirehareha ho manam-pahendrena tsy mety levona; ary farany, na dia tsy misy manamarina izany aza, dia milaza izy (io Babylona io) la tsy mbola diso na oviana na oviana, ary tsy mety ho diso mihitsy». Gerard Brandt, boky 1, p. 6. History of the Reformation in and about the how Countries.HM 245.2

    Nitsangana koa ny hafa hampanako io fanoherana io isaky ny taon-jato nifandimby. Ary koa ireo mpampianatra voalohany izay nitety tany samihafa sy fantatra tamin’ ny anarana isan-karazany, ka nanana ny toetra amam-panahin’ ireo misionera Vaudois, nampiely hatraiza hatraiza ny fahalalana ny filazantsara, ary tonga tany amin’ ny tany avaratra. Niely haingana ny fampianarany. Nadikany ho tononkalo tamin’ ny fiteny Holandy ny Baiboly Vaudois. Hoy izy ireo hoe: «misy tombon-tsoa lehibe ao amin’ izany, tsy misy vazivazy na anganongano, na kitoatoa foana na fitapitaka, fa tenin’ ny fahamarinana; marina fa etsy sy eroa dia misy taolana mafy kanefa mora ihany ny mahita ao anatiny ny tsoka sy ny mamy avy amin’ izay tsara sy masina».Ibid, boky 1, p. 14. Izany no nosoratan’ ireo sakaizan’ ny finoana taloha, tamin’ ny taon-jato faharoambinifolo.HM 246.1

    Nanomboka izao ny fanenjehana nataon’ i Roma, nefa na dia tao aza ny kitay hazo sy ny fampijaliana, dia nitombo isa hatrany ny mpino, tsy niova ny fanambarany fa ny Baiboly no hany fahefana tsy mety diso raha ny momba ny fivavahana, ary «tsy misy olona azo terena hino, fa amin’ ny alalan’ ny fitoriana no itaomana azy» —Martyn, boky 2, p. 87.HM 246.2

    Sendra tany sahaza azy ny fampianaran’ i Lotera tany amin’ ireo tany avaratra, ka nisy olona nafana fo sy nahatoky nitsangana hitory ny filazantsara. Avy amin’ ny faritany iray tany Holandy no niavian’ i Meuno Simons. Nobeazina ho katolika Romana izy, ary natokana ho pretra, ka tsy nahalala mihitsy ny Baiboly, sady tsy ta-hamaky azy rahateo fa natahotra sao voafitaka ho amin’ ny «herezia». Raha nanindry azy mafy ny fisalasalana momba ny fiovan’ ny mofo sy ny divay amin’ ny Fandraisana ny Fanasan’ ny Tompo, dia noraisiny ho fakam-panahy avy amin’ i Satana izany ka niezaka ho afaka tamin’ izany tamin’ ny alalan’ ny vavaka sy ny fiaiken-keloka izy, nefa tsy nisy vokany. Niroboka tamin’ ny filalaovana izy, mba hiezahany hampangina ny feon’ ny fieritreretana niampanga azy, nefa tsy nisy asany izany. Rehefa afaka fotoana fohy dia voatarika handinika ny Testamenta Vaovao izy, ary izany, nampian’ ireo bokin’ i Lotera, no nahatonga azy hanaiky ny finoana nohavaozina. Fotoana fohy taorian’ izany, tao amin’ ny tanàna kely teo akaikin’ izay nitoerany dia nanatri-maso ny fanapahan-doha ny olona iray izay novonoina noho izy natao batisa fanindroany izy. Nitarika azy handinika ny Baiboly momba ny batisanjaza izany. Tsy nahita porofon’ izany izy tao amin’ ny Soratra Masina; hitany kosa fa ny fibebahana sy ny finoana no takina hatraiza hatraiza ho fepetra handraisana ny batisa.HM 246.3

    Niala tamin’ ny fiangonana Romana i Meuno ka nanokana ny fiainany ho amin’ ny fampianarana ireo fahamarinana izay noraisiny. Tany Alemaina sy tany amin’ireo Tany Avaratra dia nisy antokon’ olona mpitompo teny fantatra nitsangana, nitana fampianarana tsy nandeha amin’ ny laoniny sady mamitaka, no nanevateva ny filaminana sy ny fahalalam-pomba, ary mitariká ho amin’ ny herisetra sy ny fíkomiana. Tsinjon’ i Meuno ny vokatra mahatsiravina tsy maintsy haterak’ ireo fihetsiketsehana ireo, ka dia niezaka mafy izy hanohitra ny fampianaran-diso sy ny teti-dromotra nataon’ ireo mpitompo teny fantatra. Noho izany dia betsaka no efa voafitak’ ireo olona ireo ka nahafoy izany fampianarana nampidi-doza izany, ary mbola nisy maro koa tavela tamin’ ireo taranaky ny kristiana fahiny, izay vokatry ny fampianaran’ ny Vaudois. Tamin’ ireny no niasan’ i Meuno tamin-kafanam-po fatratra sy nahombiazany tokoa. Nitety tany nandritra ny dimy ambiniroapolo taona izy, niaraka tamin’ ny vady aman-janany, niaritra zava-tsarotra sy tsy fisiana mafy, ary matetika no notandindomin-doza ny ainy. Namakivaky ny Tany Avaratra sy Alemaina avaratra izy, niezaka indrindra tamin’ ny antokon’ olon-tsotra, nefa niely ombieny ombieny ny asa mangina vokatr’ izany ezaka izany. Nahay nandaha-teny izy na dia voafetra ihany aza ny fianarana azony, lehilahy tsy azo nohozongozonina izy tamin’ ny toetra marina nananany, nanetry tena sady nalemy paika izy, tia vavaka marina sy nafana fo, nasehony ho ohatra teo amin’ ny fiainany ireo foto-kevitra nampianariny; koa dia babony hatoky azy ny vahoaka. Niparitaka sy nampahoriana ireo mpanaraka azy. Nijaly mafy izy satria noheverina ho naman’ ireo mpitompo teny fantatra tany Munster. Na dia izany aza dia marobe ireo voaova fo tamin’ ny asa nataon’ i Meuno.HM 247.1

    Na taiza na taiza dia nisy toerana nandraisan’ ny besinimaro ireo fampianarana nohavaozina tahaka ny tany Holandy. Tamin’ ny toerana vitsivitsy dia niaritra fanenjehana mafy kokoa ny mpanaraka izany fampianarana izany. Tany avaratr’ i Alemaina dia nosakanan’ i Charles fahadimy ny Reformasiona, ary ho nahafaly azy ny nandoro velona izay rehetra nanaiky izany, nefa nanangana fefy nanohitra ny fanjakany ireo andriandahy. Lehibe kokoa ny herin’ i Charles tany Holandy, nifanesy haingana dia haingana ny lalàna nampanenjika. Ny mamaky ny Baiboly, ny mihaino na mitory izany, eny, na dia ny miteny ny momba izany fotsiny aza naha-voaheloka hodorana velona ary azo melohina ho faty koa ny mivavaka mangina amin’ Andriamanitra, ny mandà tsy hiankohoka amin’ ny sarivongana, na ny mihira ny Salamo. Na dia ireo izay manaiky ny fahadisoany aza dia voaheloka. raha lehilahy dia vonoina amin’ ny sabatra, raha vehivavy dia alevim-belona. An’ arivony no maty fony i Charles sy Filipo faharoa nanjaka.HM 247.2

    Indray mandeha dia nisy fianakaviana iray manontolo nentina teo anatrehan’ ny mpitsaran’ ny Inquisition voampanga ho tsy nanatrika lamesa fa nivavaka tao an-tokantranony. Rehefa nanontaniana ny amin’ ny fomba mangingina fanaony izy mianakavy ilay faralahin-drizareo dia namaly hoe: «Mandohalika izahay ary mivavaka amin’ Andriamanitra hampahazava ny sainay sy hamela ny fahotanay; mivavaka ho an’ ny mpanjakanay izahay mba hiroborobo ny fanjakany ary ho sambatra izy ; mivavaka ho an’ ny mpanao fanjakana izahay, mba hiarovan’ Andriamanitra azy ireny».Wylie, boky 18, toko 6. Voahetsiketsika mafy ny mpitsara sasany, nefa dia voaheloku hodorana velona ihany ilay raim-pianakaviana sy ny zanani-lahy anankiray.HM 248.1

    Nifandanja tamin’ ny haromotan’ ny mpanenjika ny finoan’ ireo maritiora. Tsy ny lehilahy ihany fa ny vehivavy manan-kaja sy ny tanora zazavavy koa no nampiseho herim-po tsy azo naketraka. Nijoro teo anilan’ ny antontan-kitay nandoroana ravehivavy ary nibitsibitsika teny fampiononana ho azy raha mbola tao anaty lelafo izy, na nanao hira salamo izay nampahery azy.HM 248.2

    «Ny tanora zazavavy dia nitsotra tao am-pasana nandevenana azy velona tahaka ny miditra ao amin’ ny efitranony hatory amin’ ny alina, na nandroso eo amin’ ny antontan-kitay fandoroana velona, nitafy ny fitafiany tsara indrindra, tahaka ny handeha ho any amin’ ny fampakaram-badiny».Ibid, boky 18, toko 6.HM 248.3

    Toy ny tamin’ ny andro izay nilofosan’ ny fanompoan-tsampy hanapotika ny Filazantsara, dia zary voa nafafy ny ran’ ny Kristiana (Jereo Tertullien, Apology andininy faha-50). Mainka nampitombo ny isan’ ny vavolombelon’ ny fahamarinana ny fanenjehana. Isan-taona isan-taona dia nampirisika ny hitohizan’ ny asany mahatsiravina ny mpanjaka, izay tonga toy ny romotra noho ny fikirizana tsy resy nasehon’ ny vahoakany; nefa herim-po very maina izany. Tamin’ ny nanjakan’ i Guillaume d’Orange, izay lehilahy mendrika, dia nahazo fahafahana hanompo an’ Andriamanitra i Holandy ho vokatry ny Revolisiona.HM 248.4

    Na tany an-tendrombohitr’ i Piémont, na tany amin’ ireo lohasahan’ i Frantsa, na tany amin’ ny morontsirak’ i Holandy, dia voamariky ny ran’ ny mpanaraka ny filazantsara ny fandrosoan’ izany. Fa tany amin’ ireo tany Avaratra kosa dia niditra tamim-pilaminana izany. Ireo mpianatra tany Wittenberg, rehefa niverina tany aminy dia nitondra ny finoana nohavaozina tany Scandinavie. Nanaparasaka ny fahazavana koa ny namoahana ny bokin’ i Lotera. Ireo vahoaka tsotra be herim-po tany Avaratra dia niamboho ny fahalovana, ny rentirenty sy ny finoanoampoanan’ i Roma ka nitodika tamimpifaliana ho amin’ ny fahadiovana, ny fahatsorana sy ny fahamarinana manome aina ao amin’ ny Baiboly.HM 249.1

    Zanaky ny tantsaha i Tansen, ilay Mpanavao fivavahana tany Danemarka. Mbola kely izy dia hita fa nanan-tsaina maranitra: nangetaheta fianarana izy; nefa nolavina ho azy izany noho ny fahasahiranan’ ny ray aman-dreniny ara-pivelomana ka niditra tao amin’ ny tranon’ ny relijiozy izy. Tao dia nahatonga ny fankasitrahan’ ny lehibe ny fahadiovam-piainany, niaraka tamin’ ny fahazotoany sy ny fahamarinany. Ny fanadinana dia nahitana fa nanan-talenta izy izay nampanantena fa ho afaka hanompo tsara ny fiangonana amin’ ny ho avy. Tapaka ny hevitra fa hampianarina any amin’ ny Oniversite any Alemaina na any Holandy izy. Navela hifidy izay sekoly tiany ilay tovolahy mpianatra, afa-tsy ny mankany Wittenberg no nandrarana azy. Tsy navela hidiran-doza amin’ ny poizin’ ny «herezia» ny manam-pahaizan’ ny Lglizy. Izany no filazan’ ny relijiozy.HM 249.2

    Nankany Cologne i Tansen, izay fantatra tamin’ izany, ary hatramin’ izao, fa anankiray amin’ ny manda mafin’ ny fivavahana romana. Vetivety izy tao dia leon’ ny fivavahana fibanjinana fotsiny ny any an-koatra narahin’ ireo mpampianatra. Mby teo an-tanany tamin’ izany fotoana izany koa ireo bokin’ i Lotera Gaga sady finaritra izy namaky izany, ka naniry indrindra ny handray tombontsoa amin’ ny fampianarana nivantana avy amin’ ilay Mpanavao fivavahana. Nefa raha nanao izany izy dia tsy maintsy hanafintohina ny lehibeny tao amin’ ny tranon-drelijiozy nisy azy, tsy hanana mpiantoka intsony. Tsy ela anefa dia tapaka ny heviny, ary vetivety foana taorian’ izany dia nisoratra anarana ho mpianatra tany Wittenberg izy.HM 249.3

    Rehefa niverina tany Danemarka izy dia niverina tao amin’ ny tranon-drelijiozy nisy azy indray. Tsy mbola nisy niahiahy azy ho nanaraka ny fivavahan’ i Lotera aloha; tsy nasehony ny tsiambaratelony, neta niezaka izy, tsy hahamaodimaody ny namany, fa hitarika azy kosa amin’ ny finoana madio kokoa sy ho amin’ ny fiainana masina kokoa. Nosokafany ny Baiboliny, nambarany ny tena heviny, ary nony farany dia nitory an’ i Kristy ho fahamarinan’ ny mpanota sy hany fanantenan’ ny famonjena ho azy izy. Loza ny fahatezeran’ ny tale izay nanorina fanantenana betsaka taminy ho tonga mpiaro mahafatra-po an’ i Roma. Voaroaka avy hatrany tao amin’ ny tranon-drelijiozy nisy azy izy ho amin’ ny anankiray hafa ary nahiboka tao amin’ ny efitrano kely sady narahi-maso fatratra.HM 249.4

    Raiki-tahotra ireo mpiandry azy vaovao raha nahita fa vetivety dia maro tamin’ ny relijiozy no nanambara fa tonga Protestanta. Avy tao amin’ ny tsangam-by nanidy ny efitra kely nisy azy no namindrany ny fahalalana ny fahamarinana tamin’ ireo namany. Raha havanana tamin’ ny drafitra fampiasan’ ny eglizy tamin’ ny «heretika» ireo pretra danoa ireo, dia tsy ho re mihitsy intsony ny feon’ i Tausen, fa tsy nataony tsara levenana tao amin’ ny fonja iray ambanin’ ny tany izy, fa noroahiny kosa tsy ho ao amin’ ilay tranon-drelijiozy. Noho izany dia tsy nanan-kery izy ireo izao. Nisy didy vaovao navoakan’ ny mpanjaka, izay miaro ireo mpampianatra ny fotopinoana vaovao.HM 250.1

    Nanomboka nitoriteny i Tausen. Nivoha ho azy ny fiangonana, ka nifanizina ny olona hihaino azy. Nisy hafa koa nitory ny tenin’ Andriamanitra. Niely hatraiza hatraiza ny Testamenta Vaovao voadika tamin’ ny teny danoa. Ny ezaka nataon’ ireo papista nandresy ny asan’ Andriamanitra dia mainka nampiely izany, ary tsy ela dia nanambara ny fanekeny ny finoana nohavaozina i Danemarka.HM 250.2

    Tany Soeda koa, dia nisy tovolahy izay efa nigoka tamin’ ny fantsakan’ i Wittenberg nitondra ny ranon’ aina ho an’ ireo mpiray tanindrazana taminy. Ny roa tamin’ ireo mpitarika ny Fanavaozana ara-pivavahana tany Soeda, dia i Olaf sy Laurentius Petri, zanaky ny mpanefy tao Orebro, dia niofana tao ambany saokan’ i Lotera sy i Mélanchton, ary nahadodona azy ireo ny hampianatra ny fahama-rinana izay noraisiny tamin’ izany. Tahaka ilay Mpanavao fivavahana nalaza, i Olaf dia nanetsiketsika ny vahoaka tamin’ ny hafanam-pony sy ny fahaizany nandaha-teny, ary i Laurentius kosa, tahaka an’ i Mélanehton, dia lalim-pahaizana, malina sy tony. Samy olona nirehitra tamin’ ny fitiavam-bavaka izy ireo, ambony fahalalana ara-teolojia, ary feno herim-po tsy nety kivy tamin’ ny fampandrosoana ny fahamarinana. Tsy hoe tsy nisy tsy akory ny fanoherana. Notairin’ ireo pretra katolika ny vahoaka tsy nanam-pahalalana sy minomino foana. Matetika no notafihin’ ny vahoaka romotra i Olaf Petri ary imbetsaka no zara raha voavotra ny ainy. Na dia izany aza dia nankasitrahan’ ny mpanjaka ireo Mpanavao fivavahana ireo sady tao ambany fiarovany.HM 250.3

    Fony nanapaka ny eglizy Romana dia latsaka tao amin’ ny fahantrana sy voahosihosin’ ny tsindrihazolena ny vahoaka. Nalana taminy koa ny Soratra Masina; ary satria fivavahana tsy nisy afa-tsy fisehoana ivelany sy fombam-pivavahana fotsiny no azy, izay tsy nitondra fahazavana ho an’ ny saina, dia niverina ho amin’ ny finoanoampoana sy ny fombafomban’ ireo razambeny nanompo sampy izy. Nizara ho antoko nifanohitra ny firenena, ary nampitombo ny fahorian’ny rehetra ny adilahy tsy misy farany nifanaovany. Nanapa-kevitra ny mpanjaka fa hanao fanavaozana ao amin’ ny fanjakana sy ny fiangonana, ka noraisiny tsara ireo mpanampy havanana teo amin’ ny ady nanoherana an’ i Roma.HM 251.1

    Teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ireo mpitarika an’ i Soeda, no niarovan’ i Olaf Petri tamim-pahakingana fatratra ny fampianaran’ ny finoana nohavaozina raha nanohitra ireo mpiaro an’ i Roma izy. Nambarany fa tsy tokony horaisina ny fampianaran’ ireo rain’ ny Eglizy raha tsy mifanaraka amin’ ny Soratra Masina, nambarany koa fa ny votoatin’ ny fampianaram-pinoana dia asehon’ ny Baiboly amin’ ny fomba mazava sy tsotra, hany ka azon’ ny olona rehetra fantarina. Hoy i Kristy: «Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’ Izay naniraka Ahy».1Jao.7:19 Ary nanambara i Paoly fa raha mitory filazantsara hafa noho izay efa noraisiny izy, dia voaozona».2Gal.1:8 «Ahoana ary hoy ilay Mpanavao fivavahana, no ahasahian’ ny sasany hanao lalàna araka izay tiany ka handidy izany ho toy ny zavatra tsy maintsy ilaina amin’ ny famonjena?» Wylie, boky 10, toko 4. Nasehony fa tsy manan-kery ireo lalàna navoakan’ ny Eglizy rehetra mifanohitra amin’ ny didin’ Andriamanitra, ary notanany ilay foto-kevitra lehiben’ ny Protestanta hoe: «ny Baiboly irery ihany» no fitsipiky ny finoana sy ny fomba fiaina.HM 251.2

    Io adihevitra io, na dia tamin’ ny toerana takontakona ihany aza no nanaovana azy, dia mampiseho amintsika «ny karazan’ ireo olona mpikatroka tamin’ ny tafiky ny Mpanavao fivavahana. Tsy hoe olona tsy nahita fianarana akory izy ireny, na koa tery saina, na mpiady hevitra mitabataba fotsiny fa lavitra an’ izany ny tena izy; olona nandinika ny tenin’ Andriamanitra izy ireo, ary nahalala tsara ny fomba fampiasa ny fiadiana izay nomen’ ny fitehirizam-piadian’ ny Baiboly azy. Raha ny amin’ ny fidadasiky ny fahalalana dia lasa alohan’ ny androny izy ireny. Raha ny Foibe namirapiratra toa an’ i Wittenberg sy Zurich ihany no iFantohan’ ny saintsika sy ireo anarana be voninahitra indrindra toy ny an-dry Lotera sy Mélanehton, Zwingli sy CEcolampade, dia ilazana isika fa ireny no loha-lalan’ ny Fihetsi-ketsehana, ary dia ampoizintsika rahateo Fa nanan-kery tsy hita noanoa izy ireny sy nanam-pahalalana nidadadika ; Fa tsy mba toy ireny ireo lefiny. Nefa kosa raha mitodika ho any amin’ ilay toerana takontakona any Soeda isika sy ho amin’ ny anarana tsy be mpahalala an’ i Olaf sy Laurentius Petri, — izany hoe avy amin’ ny mpampianatra ho amin’ ny mpianatra — dia inona no hitantsika?. . .Olona lalin-tsaina sy teolojiana; olona izay mahafantatra araka ny tena izy, ny firafitry ny fahamarinan’ ny filazantsara manontolo ary olona izay nandresy mora foana ireo mpampianatra mpanao hevi-petsy sy ny olomanan-kajan’ i Roma»Ibid, boky 10, toko 4.HM 251.3

    Vokatr’ io adi-hevitra io dia nanaiky ny finoana Protestanta ny mpanjakan’ i Soeda, ary tsy ela taorian’ izany dia nilaza ny antenimieram-pirenena fa mankasitraka izany. Nadikan’ i Olaf Petri tamin’ ny fiteny Soeda ny Testamenta Vaovao, ary noho ny fanirian’ ny mpanjaka dia noraisin’ izy mirahalahy ho andraikitra ny fandikana ny Baiboly manontolo. Toy izany no nandraisan’ ny vahoaka Soedoazy voalohany ny tenin’ Andriamanitra tamin’ ny fitenindrazany. Nanome baiko ny Filan-kevitry ny fanjakana foibe fa manerana ny fanjakana dia hanazava ny Soratra Masina ny mpitandrina ary hampianarina mamaky ny Baiboly ny ankizy any am-pianarana.HM 252.1

    Nisava niandalana kanefa tsy niato ny haizin’ ny tsy fahalalana sy ny finoanoampoana noho ny fahazavan’ ny filazantsara nitondra fitahiana. Afaka tamin’ ny fanjakazakan’ i Roma ny firenena ka nahatratra ny hery sy ny fahalehibeazana tsy mbola tratrany talohan’ izao. Nanjary anankiray tamin’ ny manda mafin’ i Soeda ny fivavahana Protestanta. Taon-jato iray taty aoriana, tamin’ ny fotoana nitataovan’ ny loza makadiry indrindra dia io firenena kely sy nalemy hatrizay io — ilay hany sahy sy nanatsotra tanana hanampy tany Eoropa — io no tonga nanafaka an’ i Alemaina tamin’ ilay ady nahatsiravina natao hoe: «Ady naharitra Telopolo Taona». Efa nadiva ho tafaverina indray teo ambany vahohon’ i Roma iny Eoropa avaratra rehetra iny. Ireo tafika Soedoazy no nanampy an’ i Alemaina hampiverina ilalana ny fahombiazan’ ny papa, ka nahazoan’ ny Protestanta nivavaka malalaka — na ny mpanaraka an’ i Calvin na ny mpanaraka an’ i Lotera, ary nahatafaverina indray ny fahafahana hanaraka ny feon’ ny fieritreretana tao amin’ ireo tany izay efa nanaiky ny Reformasiona.HM 252.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents