Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hery Mifanandrina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 16—Ireo mpivahinin’ ny fahafahana

    Niala lavitra ny fampianaran’ i Roma ireo Mpanavao fivavahana Anglisy nefa mbola betsaka ny endrik’ izany fivavahana izany no notazoniny. Noho izany, na dia notsipahina aza ny fahefana sy ny foto-pinoan’ i Roma, dia tsy vitsy kosa ireo fomba fanaony sy ireo fanompoam-pivavahany no nampidirina tao amin’ ny fotoampivavahan’ ny Fiangonana Anglikana. Nolazaina fa tsy zavatra mikasika ny feon’ ny fieritreretana ireny; fa na dia tsy andidian’ ny Soratra Masina aza, noho izy tsy tena fototra tsy akory, sady tsy voarara rahateo dia tsy misy maharatsy azy velively. Ny fanarahana izany dia nampihena ny hantsana izay nampisaraka ireo fiangonana nohavaozina tamin’ i Roma, ary noantitranterina fa hanosika ny mpiandany amin’ i Roma hanaiky ny finoana Protestanta izany.HM 301.1

    Ho an’ ireo fatra-pitana ny nentim-paharazana sy ny mpanao marimaritra iraisana izany fihevitra izany, dia toa naharesy lahatra. Nisy antokon’ olona hafa anefa izay tsy niray hevitra tamin’ izany. Satria «natao tetezana hiampitana ny hantsana makadiry mampisaraka an’ i Roma sy ny fanavaozana ara-pivavahana» ireo fomba amampanao ireo (Martyn, boky 5, p. 22), dia izany indrindra no antony mavesa-danja tsy hitanana azy ireny araka ny fijeriny azy. Noraisiny ho toy ny mariky ny fanandevozana izay efa nanapahana azy izany, ka dia tsy nampaharisika azy intsony ny hiverina aminy indray. Noheveriny fa naorin’ Andriamanitra tao amin’ ny teniny ny fomban’ ny fotoam-pivavahana atao ho Azy, ka tsy manana fahafa- hana ny olona hanampy na hanala ireo. Ny tena niantombohan’ ny fihemorana dia ny nitadiavana ny hameno ny fahefan’ Andriamanitra amin’ ny an’ ny fiangonana. I Roma dia nanomboka tamin’ izay tsy noraran’ Andriamanitra ary niafara tamin’ ny fandrarana izay nampanaovin’ Andriamanitra mazava.HM 301.2

    Betsaka no naniry tamin-kafanam-po hiverina tamin’ ny fahadiovana sy ny fahatsorana izay nampiavaka ny fiangonana voalohany. -Noraisiny ho toy ny tsangambaton’ ny fanompoantsampy ny maro tamin’ ireo fomba amam-panao raikitra tao amin’ ny Fiangonana Anglikana, ka tsy azony atao tamim-pieritreretana madio ny hiray amin’ ny fotoam-pivavahany. Nefa satria notohanan’ ny fahefam-panjakana ny fiangonana dia tsy nanaiky ny hisian’ ny fisaratsarahana amin’ ny fombafombany izy. Notakian’ ny lalàna ny fanatrehana ny fanompoam-pivavahany, ary norarana ny fivoriana hanaovana fanompoam-pivavahana tsy nahazoan-dalana ary fampidirana am-ponja sy fanaovana sesi-tany ary famonoana no sazin’ izay nandika izany.HM 302.1

    Tamin’ ny niandohan’ ny taonjato fahafito ambin’ ny folo, dia nanambara ny fanapahan-keviny ny mpanjaka vao niakatra teo amin’ ny seza fiandrianan’ i Angletera fa hataony izay hahatonga ireo «Puritains» antoko-na mpino sarotiny fatratra tamin’ ny fandalana ny fahadiovana ara-pitondrantena sy ny fankatoavandalàna ara-pivavahana, hanaiky hanaraka, na. . . hiharan’ ny fampahoriana hiala amin’ ny tany, na ny mafy noho izany aza». — George Bancroft,History of the United States of America, fizarana 1, toko 12, andininy 6. Rehefa nohazaina, nohenjehina, sy natao am-ponja izy ireo, dia tsy hitany mazava intsony ny fampanantenana andro tsaratsara kokoa ny amin’ ny ho avy ka betsaka no nitompo marimarina fa ho an’ izay ta-hanompo an’ Andriamanitra araka ny baikon’ ny feon’ ny fieritreretany dia tsy toerana azo nipetrahana intsony i Angletera». J. G. Palfrey,History of New England, toko 3, andininy 43. Nony farany dia nisy nanapa-kevitra fa hitady fialofana any Holandy. Zava-tsarotra, fatiantoka, ary fampidirana am-ponja no nosetrainy. Nisy namadika ny fikasany, ka natolotra teo ampelatanan’ ny fahavalony izy. Nefa tamin’ ny farany dia naharesy ny fikirizany tsy azo nohozongozonina, ka nahita fialofana tany amin’ ny tanin’ ny Repoblikan’ i Holandy izay nivoha handray azy izy.HM 302.2

    Noho ny fandosirany, dia nilaozan’ izy ireo ny tranony, ny fananany ary ny antom-pivelomany. Vahiny tao amin’ ny tany tsy nahazatra azy izy, teo anivon’ ny vahoaka hafa fiteny sy hafa fomba amam-panao. Voatery nitady asa vaovao tsy mbola nataony izy mba hivelomany. Nisy olona efa zokinjokiny izay nandany ny androny rehetra tamin’ ny asa-tany, no voatery nianatra asa mampiasa milina izao. Nekeny tamim-pifaliana izany toerana izany ka tsy nandany andro nidonanam-poana na nitarainana izy. Na dia matetika aza no voaterin’ ny fahantrana izy, dia nisaotra an’ Andriamanitra noho ny fitahiana mbola nomeny azy ary nahita fifaliana teo amin’ ny firaisana ara-panahy tsy voahelingelina. «Fantany fa vahiny ny tenany ka tsy nihevitra firy ireo zavatra ireo fa nanandratra ny masony ho amin’ ny lanitra, ilay toerana maminy indrindra, ary nampitony ny sainy». —Bancroft, fizarana 1, toko 12, andininy 15.HM 302.3

    Mainka nihamafy orina ny fitiavany sy ny finoany na dia sesi-tany aza izy sady voahodidin’ ny zava-tsarotra. Natoky ny teny fikasan’ ny Tompo izy ireo ary tsy nandao azy tamin’ ny fotoana nilany Azy. Teo anilany ny anjely ka nampahery sy nanohana azy. Koa rehefa toa nanondro ny tanan’ Andriamanitra nibaiko azy hiampita ny ranomasina, ho any amin’ ny tany izay mety hananganan’ izy ireo fanjakana ho an’ ny tenany, ka ahazoany mamela ho an’ ny zanany ny fahafahana ara-pivavahana ho lova sarobidy, dia niroso izy ireo ka tsy nihemotra ho amin’ ny lalana nosokafan’ Andriamanitra teo alohany.HM 303.1

    Navelan’ Andriamanitra hihatra amin’ ny vahoakany ny fisedrana mba hanomana azy ho amin’ ny fanatanterahana ny fikasany feno fahasoavana momba azy ireo. Nampietrena ny fiangonana mba ahazoana nanandratra azy. Efa hadiva hampiseho ny heriny eo aminy Andriamanitra, mba hanomezany porofo mazava iray indray fa tsy handao ireo izay mahatoky Azy Izy. Nifehy ny toe-javatra nitranga izy mba hahatonga ny fahatezeran’ i Satana sy ny tetiky ny olondratsy hampandroso ny voninahiny ka hitondra ny vahoakany eo amin’ ny toerana azo antoka. Nampidanadana ny lalana ho amin’ ny fahafahana ny fanenjehana sy ny fanaovana an-tsesi-tany.HM 303.2

    Fony voatery voalohany hisaraka tamin’ ny Fiangonana Anglikana ry zareo «Puritains» dia nifamatotra tamin’ ny fifanekena manetriketrika izy, fa amin’ ny maha-vahoakan’ ny Tompo sady afaka azy, dia «hiara-mandeha eo amin’ ny lalana rehetra nampahafantarina na mbola hampahafantarina azy izy». J. Broron,The Pilgrim Fathers, p. 74. Io no tena foto-kevitra iorenan’ ny fanavaozana ara-pivavahana tena Protestanta. Noho io antony io no nialan’ ireo Mpivahiny tany Holandy ka nahitany fonenana vaovao tany Amerika. Izao no teny nataon’ ny John Robinson, mpitandrina azy ireo, izay tsy afaka niaraka taminy noho ny fitondran’ Andriamanitra, raha nanao veloma ireto mpitsoa-ponenana izy:HM 303.3

    «Vetivety sisa ry rahalahy, dia hisaraka isika, ary ny Tompo no mahalala raha mbola velona aho hahita ny tavanareo indray. Nefa na izany na tsy izany no nokasain’ ny Tompo, dia mananatra anareo mafy aho eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny anjeliny masina tsy hanaraka ahy afa-tsy amin’ izay hanarahako an’ i Kristy ihany. Raha misy ambaran’ Andriamanitra aminareo amin’ ny alalan’ ny fiasana hafa eo am-pelatanany, dia aoka ho vonona ianareo handray izany tahaka ny naha-vonona anareo nandray izay fahamarinana tamin’ ny naha-mpitandrina ahy; satria matoky marimarina aho fa mbola manana fahamarinana sy fahazavana hafa aseho avy ao amin’ ny teniny masina ny Tompo». —Martyn, boky 5, p. 70.HM 304.1

    «Raha ny amiko, dia mafy loatra ny alaheloko eo am-pahitana ny toetry ny fiangonana nohavaozina, izay tonga eo amin’ ny tanjona iray raha ny momba ny ara-pivavahana, nefa ankehitriny dia tsy mety handroso lavidavitra kokoa noho ireo fiasana nitondra ny fanavaozana taminy. Tsy azo tarihina hihoatra izay hitan’ i Lotera ny Loterana;... ary hitanareo ny mpiandany amin’ i Calvin, fa mihizingizina eo amin’ izay namelan’ ilay lehilahin’ Andriamanitra malaza azy, izay tsy mbola nahita ny zavatra rehetra akory. Zava-mampalahelo sy mampahonena tokoa izany; satria na dia fahazavana nirehitra sy namirapiratra aza ireo tamin’ ny androny dia tsy mbola nahatakatra ny hevitr’ Andriamanitra rehetra izy, kanefa raha velona amin’ izao fotoana izao izy, dia ho vonona ny handray fahazavana bebe kokoa noho izay noraisiny tamin’ ny voalohany». — D. Neal, History of the Puritains,boky 1, p. 269.HM 304.2

    «Tsarovy ny voady nataonareo teo anatrehan’ ny fiangonana, izay nanekenareo handeha amin’ ny lalana rehetra hampahafantariny. Tsarovy ny fampanantenana sy ny fanekena nifanaovareo tamin’ Andriamanitra sy nifampanaovanareo avy, dia ny handray izay fahazavana sy fahamarinana rehetra hampahafantarina anareo avy amin’ ny Tenin’ Andriamanitra voasoratra; nefa koa, mitandrema, tany tsy mbola nisy mponina firy i Amerika tamin’ izany fotoana izany, fa vao hitan’ ny Eoropeana vao taonjato iray mahery kely foana. Miangavy anareo aho, ny amin’ izay raisinareo ho fahama-rinana, mba hampitahao sy lanjalanjao izany amin’ ny andininy hafa momba io fahamarinana io alohan’ ny hanekenareo azy; vao haingana loatra mantsy, avy tao amin’ ny haizina mikitroky ny fanoherana no naha-tafavoaka ny fivavahana kristiana avy amin’ izao tontolo izao ka tsy nety hisy izany hoe indray miseho avy hatrany ny fahafenoana tanteraky ny fahalalana».Martyn, boky 5, p. 70, 71.HM 304.3

    Ny faniriana hanana fahafahana hanaraka ny feon’ ny fieritreretany no nanainga ireo Mpivahiny hisetra ny loza mety hitranga amin’ ny lalan-davitra hiampitana ranomasina, hiaritra ny zavatsarotra sy ny loza amin’ ny famakivakiana tany foana, ary hametraka noho ny fitahian’ Andriamanitra ny fanorenan’ ny firenena mahery anankiray teny amin’ ny morontsirak’ i Amerika. Nefa na dia tso-po sy natahotra an’ Andriamanitra aza ireo Mpivahiny dia tsy tena nahatakatra marina ny foto-kevitra lehibe momba ny fahafahana ara-pivavahana. Ilay fahafahana izay nanaovany fahafoizan-tena betsaka tokoa mba hahazoany izany ho an’ ny tenany, dia tsy nahavonona azy loatra ny nanome izany ho an’ ny hafa. An-kavitsiana tokoa ny olona, eny, na dia tamin’ ireo mpanao fandinihana lalina sy mpampianatra ngezalahy momba ny ara-pitondrantena amin’ ny taonjato fahafito ambin’ ny folo aza, vitsy no tena nahalala marina io foto-kevitra lehibe asehon’ ny Testamenta Vaovao io, izay manaiky an’ Andriamanitra ho hany mpitsara ny finoan’ ny olombelona». — Ibid, boky 5, p. 297. Ny fampianarana milaza fa napetrak’ Andriamanitra tamin’ ny fiangonana ny zo hifehy ny feon’ ny fieritreretana, sy hametra ny atao hoe «herezia» ka hanafay izany , no anankiray amin’ ny hevi-diso papaly lalim-paka indrindra. Nitsipaka ny fanekeny an’ i Roma ireo Mpanavao fivavahana, nefa tsy afaka tanteraka tamin’ ny toe-tsaina tsy mahay mandefitra izy ireo. Tsy mbola tena nisinda tanteraka ny haizina matevina izay nanaronan’ ny fahefana papaly ny fanjakana kristiana rehetra nandritra ireo fotoana lava nanjakany. Hoy ny anankiray tamin’ ireo mpitandrina lohandohany tamin’ izay niorim-ponenana tao Massachusetts Bay: «Ny fandefindeferana no nahatonga an’ izao tontolo izao hanohitra ny fivavahana kristiana ; ary na oviana na oviana dia tsy nanenenan’ ny Eglizy ny nanafaizany ny «heretika» ». —Ibid, boky 5, p. 335. Neken’ ireo mpifindra monina ny fitsipika nilaza fa ny mambra ao amin’ ny fiangonana ihany no hanana zo handatsa-bato ao amin’ ny fitondram-panjakana. Karazan’ ny fivavaham-panjakana no natsangana, ka noterena ny olona rehetra handray anjara amin’ ny fanohanana ny mpitondra fivavahana, ary nomena alalana ny mpitsara hanafoana ny «herezia». Toy izany no nahatonga ny fahefana ara-panjakana teo am-pelatanan’ ny fiangonana. Tsy ela akory dia nitondra ho eo amin’ ny vokatra tsy azo nialana ireo fepetra ireo, dia ny fanenjehana izany.HM 305.1

    Iraika ambin’ ny folo taona taty aorian’ ny niorenan’ ny zanatany voalohany, dia tonga tany Amerika i Roger Williams. Toy ireo Mpivahiny voalohany, dia hiriaria amin’ ny fahafahana ara-pivavahana no nahatongavany; nefa izay tsy takatr’ ireo Mpivahiny voalohany ireo, dia hitany kosa ary vitsy indrindra tamin’ ny androny no mbola nahita izany fa zon’ ny rehetra tsy azo sembatsembanana io fahafahana io, na toy inona 11a toy inona fanekem-pinoany. Mpikaroka mafana ny fahamarinana izy, ary niray hevitra tamin i Robinson fa tsy mety ho marina izany hoe efa voaray avokoa ny fahazavana rehetra avy amin’ ny tenin’ Andriamanitra. I «Williams» n0 olona voalohany amin’ ny andro kristiana ankehitriny nanangana ny fitondram-panjakana eo ambonin’ ny fampianaran ny fahafahana manaraka ny feon’ ny fieritreretana, ny fitovian-danjan’ ny hevitra samy manana ny azy eo anatrehan’ ny lalàna. — Bancroft, fizarana 1, toko 15, andininy 16. Nambarany fa adidin’ ny mpitsara ny mamefy ny heloka bevava, fa tsy adidiny na oviana na oviana ny mifehy ny feon’ ny fieritreretana. «Ny vahoaka sy ny mpanapaka hoy izy, dia afaka manapaka izay adidin’ ny olona amin’ ny olona, fa raha manandrana ny hametra ny adidin’ ny olona amin’ Andriamanitra kosa izy, dia tsy eo amin’ ny toerany intsony, ka tsy mety misy zavatra azo antoka amin’ izany ; mazava mantsy fa raha manana io fahefana io ny mpanapaka, dia afaka mamoaka lalàna manohana ny hevitra na ny finoana iray izy androany, fa ny hafa indray rahampitso; tahaka ny nataon’ ireo mpanjaka lahy sy vavy samihafa tany Angletera, sy ny nataon’ ireo papa sy ireo fivoriana fiheveran-draharaha samihafa tao amin’ ny fiangonan’ i Roma; ny vokany dia ho zary antontanjavatra misavorovoron’ ny finoana.Martyn, boky 5, p. 340.HM 306.1

    Navoaka ny didy fa tsy maintsy natrehina ireo fanompoampivavahan’ ny fiangonana neken’ ny fanjakana ka izay nandà tsy hihaino izany dia voasazy vola na fampidirana am-ponja. «Notsipahin’ i Williams io lalàna io; ny didy ratsy indrindra ao amin’ ny fehezandalàna Anglisy dia tsy inona fa ilay mandidy tsy maintsy anatrehana ny fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fiangonana misy ao amin’ ny faritra itoeran’ ny tena. Noraisiny ho fandikana miharihary ny zo voajanaharin’ ny olona ny manery azy hiray amin’ ireo izay hafa finoana noho izy; toa fanerena hihatsaravelatsihy fotsiny ny fitaritarihana ny olona tsy mivavaka sy tsy maniry hanao izany ho amin’ ny fotoam-pivavahana ho an’ ny besinimaro. . . «Tsy misy olona tokony ho terena hanao fanompoam-pivavahana na» hoy izy nanampy, «hanohana fanompoam-pivavahana mifanohitra amin’ ny sitrapony». «Fa ahoana»! hoy ny flhorak’ ireo mpanohitra azy, izay gaga noho ny heviny, «moa ve tsy mendrika handray ny karamany ny mpiasa?» Eny, hoy ny navaliny, fa izay manakarama azy no aoka handoa ny karamany». — Bancroft, fizarana 1, toko 15, andininy 2.HM 306.2

    «Nohajaina sy nankasitrahana fatratra i Roger Williams amin’ ny naha-mpitandrina nahatoky azy, olona manan-talenta vitsy mpanana, tsy azo namidy, nanana fahamarinan-toetra nijoro ary feno fiantràna marina; tsy azo noleferina anefa ny fijoroany hanohitra ny zon’ ny mpanapaka tsy hanana fahefana amin’ ny fiangonana, sy ny fangatahany fahafahana ara-pivavahana. Noantitranterina fa ny fampiharana io fampianaram-baovao io, dia hanozongozona .ny fototra iorenan’ ny fanjakana». Ibid, fizarana 1, toko 15, andininy 10. Navoaka ny didy nandroaka azy tsy ho ao amin’ ireo zanatany, ary farany, mba tsy ho voasambotra dia voatery nandositra tany anaty ala tsy mbola vaky, tanatin’ ny hatsiaka namirifiry sy ny rivotra mifofofofon’ ny rjrinina izy.HM 307.1

    «Nandritra ny herinandro efatra ambin’ ny folo, hoy izy, dia nanjenjena ory loatra aho namakivaky fotoan-tsarotra feno ngidy, ary tsy nahafantatra izay dikan’ ny hoe mofo na fandriana». «Nefa kosa namelona ahy tany an-efitra ny goaika», ary hazo hobok’ aty no matetika nialofako. Martyn, boky 5, pp. 349, 350. Toy izany no nanohizany ilay fandosirana nampijaly loatra nanosihosy ranomandry, sy nanavatsava tanaty ala tsy nisy lalana mandra-pahitany fialofana tao amin’ ny fokon’ ny Indiana *Ny Indiana dia foko tompon-tany any Amerika iray izay azony hatoky sy ho tia azy raha niezaka ny hampianatra azy ireo ny fahamarinan’ ny filazantsara izy.HM 307.2

    Nony farany, rehefa afaka volana maro nirenirenena, dia tody teo amoron’ ny morontsiraky ny helo-dranon’ i Narragansett izy, ary tao no nanorenany ny fanjakana voalohany amin’ izao andro «moderna» izao izay nanaiky ny zo hanana fahafahana ara-pivavahana amin’ ny heviny manontolo. Ny foto-kevitra niorenan’ ilay vondrona natsangan’ i Roger Williams dia izao: «ny olona rehetra dia tokony hanana fahafahana hanompo an’ Andriamanitra araka ny fahazavan’ ny feon’ ny fieritreretan’ ny tenany».Ibid, boky 5, p. 354. Ny fanjakana kely nentiny, Rhode Island *Fanjakana ao Etazonia amin’ ny morontsiraka avaratra atsinanana — dia nanjary fialofana ho an’ izay tratry ny tsindrihazolena, ka nitombo sy nambinina izany mandra-pahatongan’ ireo foto-kevitra niorenany izany hoe ny fahafahana ananan’ ny olom-pirenena sy eo amin’ ny ara-pivavahana ho vato fehizoron’ ny Repoblika Amerikana. Izao no ambaran’ ireo razamben’ ny Amerikana ao amin’ ilay tahirin-kevitra malaza tranainy izay noraisina ho sata mifehy ny zony — dia ny Fanambarana ny Fahaleovantena — «Tananay ho fahamarinana mazava fa noharina hitovy zo ny olombelona rehetra; fa nomen’ ny Mpamorona zo tsy azo hozongozonina izy; ka anisan’ izany ny aina, ny fahafahana sy ny fikatsahana fahasambarana. Ny lalàm-panorenana dia miantoka, amin’ ny fomba mazava indrindra ny maha-tsy azo vozonana ny feon’ ny fieritreretana. Tsy misy mihitsy fepetra ara-pivavahana azo takina ametrahana adidy na inona na inona amin’ izay olona eo amin’ ny asam-panjakana any Etazonia». Ny Antenimieram-pirenena (Congrès) dia tsy hanao lalàna ho fanorenana fivavahana na ho fandrarana ny fanarahana izany an-kalalahana.HM 307.3

    «Neken’ ireo namolavola ny lalàm-panorenana fa ambonin’ ny lalàn’ olombelona ny fifandraisan’ ny olona amin’ ny Andriamaniny ary tsy azo kasikasihina ny zony momba ny feon’ ny fieritreretana. Tsy nilàna fandalinana ara-tsaina ny fampitoerana io fahamarinana io; tsapantsika ao am-pontsika rahateo izany. Ny fahatsapana izany ka nanaovana zinona ireo lalàn’ olombelona no nanohana ireo maritiora marobe tokoa tamin’ ny fampijaliana sy ny lefafo. Tsapany fa ambony noho ny lalàn’ olombelona ny adidy amin’ Andriamanitra, ary tsy misy fahefana azon’ ny olona ampiharina amin’ ny feon’ ny fieritretany. Foto-kevitra nahariana izany, izay tsy misy na inona na inona mahafongotra azy.Tahirin-kevitra momba ny antenimieram-pirenena(U. S. A.) andiany laharana faha 200, tahirin-kevitra laharana faha 271.HM 308.1

    Rehefa niely eran’ ny firenena Eoropeana ny vaovao fa nisy tany izay ahazoan’ ny olona tsirairay miriaria amin’ ny vokatry ny asany ka hankatò izay neken’ ny feon’ ny fieritreretany, dia an’ arivony ny olona nanao andiany ho eny amin’ ny morontsirak’ i Amerika. «Nitombo isa haingana ireo tobim-piaraha-monina. Nanao lalàna manokana i Massachusetts mba handraisana tsara sy hanampian’ ny fanjakana ny Kristiana avy any amin’ ny firenena na inona na inona izay afaka hiampita ny ranomasimben’ i Atlantika mba handositra ny ady na ny mosary, na ny fampahorian’ ny mpanenjika azy». Toy izany no nampiantranoin’ ny firaisamben’ ny zanatanin’ Amerika araka ny lalàna, ny mpitsoa-ponenana sy ny natao tsindrihazolena. Martyn, boky 5, p. 417. Roapolo taona tatý aorian’ ny nidiran’ ny mpivahiny voalohany tao Plymouth, *Seranana lehibe any Etazoniadia an’ arivony maro no tafaorina tany New England.*Angletera Vaovao : faritra avaratra ats inanana any Etazonia HM 308.2

    Mba hahazoany antoka izay notadiaviny, «dia nianina tamin’ ny foto-pivelomana zara fa nisy izy, tamin’ ny fiainana tsotra sy ny asa mafy. Tsy nitaky afa-tsy valin-kasasarana ara-drariny tamin’ ny tany izy. Tsy nisy fahitana nivolom-bolamena nihelohelo namitaka teo amin’ ny lalany. . . Afa-po tamin’ ny fandrosoana azo antoka nefa niandalana teo amin’ ny rafitry ny fiaraha-monina teo amin’ ny taniny izy. Nozakainy tamim-paharetana ny tsy fisiana tao amin’ ny tany efitra, ka notondrahany tamin’ ny ranomasony sy tamin’ ny hatsembohan’ ny tavany ny hazon’ ny fahafahana mandra-pahalatsapaka lalina izany.HM 309.1

    Notazoniny ho fototry ny finoana ny Baiboly, ho loharanompahendrena, sy ho dinan’ ny fahafahana. Nampianarina tamimpahazotoana tao an-tokantrano, tany an-tsekoly sy tany ampiangonana ny foto-keviny ary hita teo amin’ ny fahaiza-mitsitsy, ny fivelaran-tsaina, ny fahadiovany sy ny fahalalana onony ny vokatr’ izany. Azo atao ny monina mandritra ny taona maro ao amin’ ny tobin-drizareo Puritains nefa tsy hahita mamo, na handre teny ratsy, na hifanena amin’ ny mpangataka». —Bancroft,fizarana 1, toko 19, andininy 25. Naseho mazava fa ireo foto-kevitry ny Baiboly no fiarovana ny fahalehibeazam-pirenena azo antoka indrindra. Ireo tobim-pianarana osaosa sy nitokantokana dia nitatra hatrany ka nanjary fitambaram-panjakana matanjaka, ary nomarihin’ izao tontolo izao tamim-pahagagana ny fiadanana sy ny fandrosoan’ ny « fiangonana tsy misy papa, sy fanjakana tsy misy mpanjaka».HM 309.2

    Nitombo hatrany anefa ny isan’ ny olona voasarika ho eny amin’ hy morontsirak’ i Amerika, nentanin’ ny anton-javatra hafa lavitra noho izay nanosika ireo mpivahiny voalohany. Na dia nisy hery niparitaka hatraiza hatraiza namolavola azy avy amin’ ny finoana sy ny fahadiovana voalohany aza, dia nihena hatrany izany hery izany arakaraka ny nitomboan’ ny isan’ ireo izay tsy nitady afa-tsy ny tombon-tsoa araka izao tontolo izao.HM 309.3

    Nitera-bokatra nampidi-doza ny lalàna narahin’ ireo voanjo voalohany, izay tsy namela afa-tsy izay mambra ao amin’ ny fiango-nana ihany handatsa-bato na handray anjara amin’ ny fitondrampanjakana. Nekena io fepetra io mba ho fiarovana ny fahadiovan’ ny fanjakana, nefa fahalavoana no vokatr’ izany tamin’ ny fiangonana. Satria ny fisehoana ho mpivavaka no fepetra hahazoamandatsa-bato sy ny fanarahana ny fivavahana, dia nisy maro no nentanin’ ny fikendrena araka izao tontolo izao fotsiny, no niray tamin’ ny fiangonana nefa tsy niova fo Toy izany no nahatonga ny fiangonana ho feno olona tsy niova fo tamin’ ny ankabeazany; ary na dia tamin’ ireo mpitondra fivavahana aza dia nisy izay tsy hoe nitana ny hevi-diso ara-pampianarana ihany, fa tsy nahalala mihitsy koa ny hery manavao avy amin’ ny Fanahy Masina. Voaseho mazava indray ny voka-dratsy izay fahita matetika amin’ ny tantaran’ ny fiangonana hatramin’ ny andron’ i Constantin*Amperora Roman a ( taona 306 337) ka hatramin’ izao, avy amin’ ny fanandramana hanangana Fiangonana amin’ ny alalan’ ny fanampian’ny fanjakana, avy amin’ ny fitadiavana ny fahefampanjakana hanohana ny filazantsaran’ Ilay nilaza fa: «Ny fanjakako tsy avy amin’ izao tontolo izao».11 Jao. 18 : 36 Ny fíraisan’ ny fiangonana sy ny fanjakana na dia kely sy bitika ihany aza, izay toa mitarika an’ izao tontolo izao hanakaiky bebe kokoa ny fiangonana raha ny tena marina, dia mitarika ny fiangonana ho akaikin’ izao tontolo izao kokoa.HM 309.4

    Ilay foto-kevitra lehibe izay narovan’ i Robinson sy Roger Williams tamin’ ny fomba mendrika indrindra, izay milaza fa miandalana ny fisehoan’ ny fahamarinana, ka tokony ho vonona ny Kristiana hanaiky ny fahazavana rehetra mety hamirapiratra avy amin’ ny teny masin’ Andriamanitra, dia nohadinoin’ ny taranak’ izy ireo. Ny Fiangonana Protestanta tany Amerika, — tahaka ireo tany Eoropa koa, izay nahazo be tokoa tamin’ ny nandraisany ny fitahiana avy amin’ ny Fanavaozana ara-pivavahana dia tsy niroso hatrany teo amin’ izany lalana izany. Na dia nisy olom-bitsy nahatoky aza nitsangana tsindraindray hitory fahamarinana vaovao sy namotsipotsitra fahadisoan-kevitra nankamamiana hatramin’ ny ela, ny ankabeazany kosa, tahaka ireo Jiosy tamin’ ny andron’ i Kristy na tahaka ireo papista tamin’ ny andron’ i Lotera, dia afa-po tamin’ ny finoana izay efa ninoan’ ireo razambeny sy nivelona araka izay nivelomany koa. Noho izany dia nitotongana ho fombafomba fotsiny indray ny fivavahana; ary tafatoetra sy nankamamiana ireo hevi-diso sy finoanoam-poana izay tokony ho nafoy raha nitohy nandeha teo amin’ ny fahazavan’ ny tenin’ Andriamanitra ny fiangonana. Tamin’ izany fomba izany no nahafaty miandalandalana ny toe-tsaina nampiefitana ny Fanavaozana ara-pivavahana, mandrapahatongan’ ny fotoana nilàna fanavaozana tao amin’ ny Fiangonana Protestanta tahaka ny nilana izany tao amin’ ny Fiangonana Katolika tamin’ ny andron’ i Lotera. Nisy tao koa ilay fitiavana an’ izao tontolo izao sy ilay fahadontoarta ara-panahy, ilay fanajana ny hevitr’ olombelona, sy fanoloana ny fampianaran’ ny tenin’ Andriamanitra amin’ ny hevitr’ olombelona.HM 310.1

    Ny fielezan’ ny Baiboly be dia be tamin’ ny tapany voalohan’ ny taonjato fahasivy ambin’ ny folo, sy ny fahazavana lehibe naparasaka toy izany teo amin’ izao tontolo izao, dia tsy narahin’ ny fandrosoana mifanaraka amin’ izany teo amin’ ny fahalalana sy ny fahamarinana nambara, na teo amin’ ny fivavahana iainana. Tsy azon’ i Satana natao, tahaka ny teo aloha, ny nisakana ny tenin’ Andriamanitra tsy ho eo an-tanan’ ny vahoaka; voatolotra ho azon’ ny rehetra izany; nefa mba hanatanterahany ny zava-kendreny, dia notarihiny ny olona maro tsy hanome lanja firy izany. Nataon’ ny olona an-tsirambina ny fandinihana ny Soratra Masina, ary noho izany dia mbola nandray famoaboasana diso izy sy nankamamy fampianarana izay tsy nisy fototra teo amin’ ny Baiboly.HM 311.1

    Rehefa hitan’ i Satana fa tsy nahomby ny fiezahany hanapotika ny fahamarinana amin’ ny alalan’ ny fanenjehana, dia nampiasainy indray ny drafitry ny marimaritra iraisana izay nitarika fihemorana sy nahatonga ny fiforonan’ ny Fiangonan’ i Roma. Notaominy ankafetsena ny Kristiana hiray hina, tsy tamin’ ny mpivavaka amin’ ny sampy intsony amin’ ity indray mitoraka ity, fa tamin’ ireo izay nampiseho fankafizana ny zavatra eto amin’ izao tontolo izao izay nahatonga azy ho mpanompo sampy tahaka ireo mivavaka amin’ ny sary voasokitra ihany. Ary ny vokatr’ izany firaisana izany, dia nampidi-doza tsy latsaka noho ny teo aloha; nokolokoloina ny fireharehana sy ny fandaniambe nosaronana kapaotm’ ny fivavahana. Nitoby tamin’ ny fanodinana ny fampianaran’ ny Baiboly i Satana ka latsa-paka lalina ireo lovan-tsofina izay nanapotika olona antapitrisany. Nanohana sy niaro ireo lovan-tsofina ny fiangonana fa tsy niady ho an’ ny finoana izay natolotra indray mandeha ho an’ ny olona masina. Toy izany no nampitotongana ny foto-kevitra izay niezahan’ ireo Mpanavao fivavahana hajoro sy niaretany fampijaliana mafy tokoa.HM 311.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents