Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hery Mifanandrina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 17—Mpitondra hafatry ny maraina

    Ny anankiray amin’ ny hafatra miezinezina sy be voninahitra indrindra ambara ao amin’ ny Baiboly dia ilay momba ny fiverenan’ i Kristy fanindroany mba hameno ny asa lehiben’ ny fanavotana. Ho an’ ny zanak’ Andriamanitra izay navela hitoetra ela tokoa teto amin’ ity «lohasaha aloky ny fahafatesana» ity, dia misy fanantenana sarobidy miteraka fifaliana entin’ ny teny fikasana momba ny fisehoan’ Ilay «fananganana ny maty sy fiainana», izay hampody ilay noroahiny. Ny foto-pinoana momba ny fiverenan’ i Jesosy fanindroany no fanalahidin’ ny hevitry ny Soratra Masina rehetra. Hatramin’ ny andro izay nandiavan’ ireo mpivady voalohany ilay lalam-pahoriana niala an’ i Edena, dia efa niandry ny fiavian’ Ilay Nampanantenaina hanamontsana ny herin’ ny mpandringana sy hamerina azy ireo indray ho amin’ ilay Paradisa efa very ireo zanaky ny finoana. Nobanjinin’ ny olona masina fahiny ny fiavian’ ny Mesia amim-boninahitra, izay fanatanterahana ny fanantenany. I Enoka, izay vao taranaka fahafito monja avy tamin’ ireo nonina tao Edena, sy niara-nandeha telonjato taona tamin’ Andriamanitra tety an-tany, dia navela hitazana ny fiavian’ Ilay Mpanafaka. «Indro, hoy izy, tonga Jehovah mbamin’ ny masiny tsy omby alinalina hitsara ny olona rehetra».1Joda 14 ,15; Raha tao anatin’ ny alim-pahoriana nahazo azy i Joba patriarka dia niteny tamin-toky tsy azo nohozongozonina hoe: «Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ ny vovoka Izy. . . Sady afaka amin’ ny nofoko aho, dia hahita an’ Andriamanitra; eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery fa tsy olon-kafa» ,2Joba 19 : 25 27 ;HM 313.1

    Ny fiavian’ i Kristy izay hampiditra ao amin’ ny fanjakan’ ny fahamarinana no aingam-panahy nanesika ny mpanoratra masina hanao ireo fanambarana kanto sy manetsi-po indrindra. Ireo mpanao tononkalo sy ireo mpaminany ao amin’ ny Baiboly tamin’ ny alalan’ ny teny tomarataratry ny afon’ ny lanitra dia namisavisa an’ izany. Nanao an-kira ny hery sy ny voninahitry ny Mpanjakan’ Isiraely ny mpanao Salamo hoe: «Avy ao Ziona, izay tena fahatsaran-tarehy no amirapiratan’ Andriamanitra. Avy Andriamanitsika ka tsy hangina. . . Miantso ny lanitra any ambony Izy, sy ny tany koa, mba hitsarany ny olony».3Sal. 50 : 2 4 . «Aoka ho faly ny lanitra, ary ho ravoravo ny tany. . . Eo anatrehan’ i Jehovah, fa avy Izy, — eny, avy hitsara ny tany Izy; hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy ary ny firenena amin’ ny fahamarinany».4Isa. 26 : 19 ; HM 314.1

    Hoy ny mpaminany Isaia: «Mifohaza sy mihobia, ianareo izay mandry ao amin’ ny vovoka; fa ny andonao dia tahaka ny andon’ ny fahazavana, ary ny tany dia hiteraka ny maty». «Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo no hamafa ny ranomaso amin’ ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin’ ny tany rehetra, fa Jehovah no efa niteny. Ary holazaina amin’ izany andro izany hoe: Indro Andriamanitsika, Izay nandrasantsika hamonjy antsika; Indro Jehovah, Izay nandrasantsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin’ ny famonjeny isika»5I sa. 26 : 19HM 314.2

    Ravoravo i Habakoka raha nibanjina ny fisehoany tao amin’ ny fahitana masina: «Tamy avy any Temana Andriamanitra, dia ny Iray Masina avy any an-tendrombohitra Parana. Manarona ny lanitra ny voninahiny, ary manenika ny tany ny fiderana Azy. Misy famirapiratana toy ny mazava. Mijanona Izy ka manozongozona ny tany; mijery Izy ka mampangovitra ny firenena, ary torotoro ny tendrombohitra mandrakizay, mietry ny havoana fahagola; fanaony hatry ny fahagola ny Azy. . . Mitaingina ny soavalinao sy ny kalesim-pamonjena Ianao. . . Nahita Anao ny tendrombohitra ka tora-kovitra. . . Mamoapeo ny lalina sady managan-tànana ho amin’ ny avo. Ny masondro sy ny volana niditra teo amin’ ny fitoerany, noho ny fahazavan’ ny tsipikanao mitsoriaka sy ny fanelatrelatry ny lefonao mamirapiratra. . . Mivoaka hamonjy ny olonao Ianao, dia hamonjy ny voahosotrao» 6Hab. 3 : 3 , 4, 6 , 8, 1 0 , 1 1 , 1 3 ..HM 314.3

    Raha nadiva hisaraka tamin’ ny mpianany ny Mpamonjy, dia nampahery azy izay vonton’ alahelo Izy tamin’ ny nanomezany azy toky fa ho avy indray Izy : «Aza malahelo ny fonareo. . . Ao an- tranon’ ny Raiko misy fitoerana maro . . . Handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handelia hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anarco ho any Amiko»7Jao. 1 4 : 2 3 . «Raha tonga ny Zanak’ olona amin’ ny voninahiny arahin’ ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amb.onin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny Izy : ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany».8Mat. 25 : 31, 32 HM 314.4

    Ireo anjely izay nijanonjanona teo amin’ ny tendrombohitra Oliva rehefa niakatra ho any an-danitra i Kristy dia namerina ny teny fikasan’ ny fiverenany tamin’ ny mpianany : «Iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra». 9Asa 1 : 11 Ary izao no teny vavolombelona nataon’ ny apostoly Paoly, raha notsindrin’ ny Fanahy izy : «Fa ny tenan’ ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ ny fiantsoana sy ny feon’ ny arikanjely ary ny trompetran’ Andriamanitra»10ITes . 4 : 16 . Hoy ilay mpaminany teo amin’ ny nosy Patmo : «Indro Izy avy amin’ ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy»11Apok. 1 : 7 HM 315.1

    Eo amin’ ny fiaviany no ivondronan’ ny voninahitra rehetra momba ny «fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain’ Andria-manitra ny mpaminany masina hatramin’ ny voalohany indrindra».12Asa 3 : 21 Amin’ izay dia ho tapaka ilay fanapahan’ ny ratsy efa naharitra ela dia ela ; ka «ny fanjakana amin’ izao tontolo izao» dia hanjary «fanjakan’ ny Tompontsika sy ny Kristiny, ary Izy hanjaka mandrakizay mandrakizay».13 Apok. 11 : 15 «Dia hiseho ny voninahitr’ i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany». «Dia toy izany no hampisehoan’ i Jehovah Tompo fahamarinana sy fiderana eo anatrehan’ ny firenena rehetra». Ary ho «satroboninahitra tsara tarehy sy ho fehiloha firavaka ho an’ ny olony sisa Izy» , 14Isa. 40 : 5 ; 61 : 11 ; 28 : 5 HM 315.2

    Amin’ izay dia ho tafaorina ety ambanin’ ny lanitra rehetra ilay fanjakan’ ny Mesia be fiadanana sy efa nirina hatry ny ela ; «Fa Jehovah no mampionona an’ i Ziona. Eny, mampionona izay rava rehetra ao Izy ka manao ny efitra ao ho tahaka an’ i Edena, ary ny tany foana ao ho tahaka ny sahan’ i Jehovah». «Ny voninahitr’ i Libanona dia homena azy mbamin’ ny hatsaran-tarehin’ i Karmela sy Saròna». «Ianao tsy hatao intsony hoe Nafoy, ary ny taninao tsy hatao intsony hoe Lao ; fa ianao atao hoe Ilay sitrako, ary ny taninao hatao hoe Vady ampakarina. . . Ary tahaka ny fifalian’ ny mpampakatra amin’ ny ampakariny no hifalian’ Andriamanitrao aminao».15Isa. 51 : 3 ; 62 : 4, 5 HM 315.3

    Ny fiavian’ ny Tomponao no fanantenana nandritra ny taonjato rehetra ho an’ ireo tena mpanaraka Azy marina. Ny teny fikasana nataon’ ny Mpamonjy, raha niainga teo amin’ ny tendrombohitra Oliva, fa ho avy indray Izy, dia nanazava ny ho avin’ ny mpianany, nameno ny fony tamin’ ny fifaliana sy ny fanantenana izay tsy nety ritran’ ny fahoriana na vasoky ny fitsapana. Teo anivon’ ny fahoriana sy ny fanenjahana dia «fanantenana mahafinaritra» «ny fisehoan’ Andriamanitra lehibe sy Jesosy Kristy Mpamonjy antsika». Raha feno alahelo ireo kristiana tany Tesalonika teo am-pandevenana ny malalany izay efa nanantena ny ho velona hahita maso ny fiavian’ ny Tompo dia nanondro azy ireo ny fitsanganany amin’ ny maty izay hisy amin’ ny fiavian’ ny Mpamonjy i Paoly, mpampianatra azy. Amin’ izay dia hitsangana ny maty ao amin’ i Kristy ka hakarina miaraka amin’ ny velona «hitsena ny Tompo eny amin’ ny rahona». «Dia ho any amin’ ny Tompo mandrakariva isika» , hoy izy. «Koa dia mifampionona ianareo amin’ izany teny izany».161 Tes.4:16-18; HM 316.1

    Teo amin’ ny harambato tao Patmo no nandrenesan’ ilay mpianatra malala ny teny fikasana hoe : «Eny, avy faingana Aho» ; ary ny valin-teny feno faniriana, dia famintinana ny ranom-bavaky ny fiangonana nandritra ny fivahinianany rehetra hoe : «Amena, avia Jesosy Tompo !» 17Apok.22:20 HM 316.2

    Avy any am-ponja, avy eny amin’ ny antontan-kitay fandoroana velona, avy eny amin’ ny lampihazo fanapahan-doha izay nitsanganan’ ny olona masina sy ny maritiora ho vavolombelona ho an’ ny fahamarinana, no amakivakian’ ilay antson’ izy ireny mitory finoana sy fanantenana nandritra ireo taonjato nifandimby. Satria azony antoka ny hitsanganan’ i Kristy tamin’ ny maty, ary noho izany, dia azony antoka koa ny fitsanganan’ ny tenany amin’ ny fiavian’ i Kristy, «nanao tsinontsinona ny fahafatesana izy, ary tafasondrotra ambonin’ izany». Daniel Taylor,The Reing of Christ on Earth ; or, The Voice of the Church in All Ages. p. 33. Vonona ny hidina tany am-pasana izy ireo mba hitsangana ho amin’ ny fahafahana. —Ibid, p. 54HM 316.3

    Nibanjina «ny fiavian’ ny Tompo avy any an-danitra amin’ ny rahona miaraka amin’ ny voninahitry ny Rainy» izy ireo, «hanome ny fanapahana ho an’ ny olona marina». Izany finoana izany koa no nankamamian’ ireo Vaudois. —Ibid, p. 129-132. Nitazana ny fise-hoan’ ny mpanavotra i Wiclef ho fanantenan’ ny fiangonana.Ibid, p. 132-134.HM 316.4

    Hoy i Lotera : «Mino marina aho, fa tsy hisy telonjato taona feno vao ho tonga ny andro fitsarana. Tsy ho zakan’ Andriamanitra, ary tsy azony zakaina mihoatra noho izany ity izao tontolo izao ratsy fanahy ity». «Mihantomotra ilay andro lehibe izay handresena ny fanjakan’ ny fahavetavetana». Ibid, p. 158, 134HM 317.1

    «Tsy lavitra ny fiafarany ity izao tontolo izao efa antitra ity»; hoy Melanchton : Mibaiko ny kristiana i Calvin «tsy hisalasala, fa haniry mafy indrindra ny andro hiavian’ i Kristy izay toe-javatra feno hasambarana indrindra ho azy» ; koa dia ambarany fa «ny fianakaviam-ben’ ny mpino dia hiara-hanandrandra io andro io». «Tsy maintsy noana an’ i Kristy isika, tsy maintsy mikatsaka isika, mibanjina», hoy izy «mandra-piposak’ ilay andro lehibe, izay hanehoan’ ny Tompo amin’ ny fahafenoany ny voninahitry ,ny fanjakany».Ibid, p. 158, 134HM 317.2

    «Moa ve tsy nentin’ ny Tompo Jesosy tany an-danitra ny nofontsika ? hoy i Knox, ilay Mpanavao fivavahana avy any Ekaosy, ary moa ve tsy hiverina Izy. Fantatsika fa hiverina tokoa Izy, ary tsy ho ela». I Ridley sy Latimer, izay nahafoy ny ainy ho an’ ny faha-marinana, dia nibanjina tamim-pinoana ny fiavian’ ny Tompo. Izao no nosoratan’ i Ridley : «Tsy isalasalana, — inoako izany, koa dia lazaiko fa madiva hifarana ity izao tontolo izao ity. Aoka isika hiara-miantso amin’ i Jaona, mpanompon’ Andriamanitra, amin’ ny fontsika rehetra, amin’ i Kristy Mpamonjy hoe : «Eny, avia, Jesosy Tompo». Ibid, p. 151, 145HM 317.3

    Hoy i Baxter : «mamiko indrindra sy maha-dibo-pifaliana ahy ny fieritreretana ny fiavian’ ny Tompo». Richard Baxter, Worths, boky 17, p. 555. «Asan’ ny finoana sy toetry ny olony masina ny ho tia ny fisehoany sy ny mibanjina io fanantenana mahafinaritra io. «Satria ny fahafatesana no fahavalo farany horesena amin’ ny fitsanganan’ ny maty, dia tokony ho hitantsika ny hafanampon’ ny mpino maniry mafy ny fiavian’ i Kristy sy mivavaka ho amin’ izany fotoana izany izay hahatanterahan’ io fandresena feno sady farany io». — Ibid, boky 17, p. 500. «Io no andro tokony irin’ ny mpino fatratra, sy antenainy, ary andrasany ho fanatanterahana ny asam-panavotana azy, sy fanatontosana ny fanirian’ ny fanahiny. «Hafaingano, Tompo ô io andro feno fitahiana io». —Ibid, boky 17, p.182, 183. Toy izany ny fanantenan’ ny Fiangonana apostolika sy ny an’ ilay fiangonana tany an’ efitra, ary ny amin’ ireo Mpanavao fivavahana.HM 317.4

    Tsy milaza fotsiny ny fomba sy ny anton’ ny fiavian’ i Kristy ny faminaniana fa mampiseho koa fambara hahalalan’ ny olona ny fahakekezany. Hoy Jesosy : «Hisy famantarana eny amin’ ny masoandro sy ny volana ary ny kintana».18Lio. 21 : 25 «Ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana-tsy haneho fahazavana, ary ny kintana hiraraka avy eny amin’ ny lanitra, ary hohozongozonina ny hery izay ao amin’ ny lanitra. Ary amin’ izay ny Zanak’ olona dia ho hita eo amin’ ny rahona amin’ ny hery lehibe sy ny voninahitra» 19Marka 13 : 24 26 . Toy izao ny filazan’ ny mpanoratra ny Apokalypsy ny amin’ ilay famantarana voalohany mialoha ny fiavian’ i Jesosy fanindroany : «Dia nisy horohorontany mafy; ary tonga mainty tahaka ny lamba volon’ osy fisaonana ny masoandro, ary tonga tahaka ny ra avokoa ny volana» .20Apok. 6 : 12 HM 318.1

    Talohan’ ny fiandohan’ ny taonjato fahasivy ambin’ ny folo no nahitan’ ireo vavolombelona nanatri-maso ireny famantarana ireny. Ho fanatanterahana io faminaniana io, dia nisy ilay horohorontany mafy indrindra voarakitry ny tantara tamin’ ny taona 1755. Na dia ny hoe «horohorontanin’ i Lisbaona»*Groeland : Tany avaratra a t s in anan ’ i Amer ika avaratra aza no ahafantarana azy io, dia nahatratra ny ankabeazan’ i Eoropa, Afrika, sy Amerika izany. Re tany Groeland *Madera : Nosy andrefan ’ i Maraoka izany, tany India andrefana, tany amin’ ny nosy Madera*Lisbaona : Kenivohitr ’ i Portigaly , tany Norvezy sy tany Soeda, tany Angletera sy tany Irlandy. Tsy latsaky ny enina tapitrisa sy efatra hetsy kilaometatra atoradroa ny faritra tratran’ izany. Saiky nahatoraka ny tany Eoropa ny hamafin’ ny famelezana tany Afrika. Rava ny ankabeazan’ ny tanànan’ i Alger ; ary tsy lavitra an’ i Maraoka dia nisy tanàna kely nisy mponina valo arivo na iray alina no voatelina tanteraka. Nisy onjan-dranomasina lehibe nanafotra ny morontsirak’ i Espaina sy Afrika ary nifaoka tanàn-dehibe sy nahatonga faharavana be dia be.HM 318.2

    Tany Espaina sy Portigaly no faran’ izay mafy indrindra ny fiantraikany. Voalaza fa nahatratra valo ambin’ ny folo metatra ny haavon’ ny fisamboaravoaran’ ny ranomasina tany Cadix*. Nisy tendrombohitra tamin’ ireo «lehibe indrindra tany Portigaly no voahozongozona mafy dia mafy, toa hatrany amin’ ny fanorenany mihitsy ; ary ny sasany tamin’ ireny nitresaka teny amin’ ny tampony, ka vaky sy rotika tamin’ ny fomba mahazendana, ary vato sy tany sesehena no nikodia tao amin’ ireo lohasaha nifanila taminy. Voalaza koa fa nisy afo nivoaka avy tamin’ ireny tendrombohitra ireny». Sir Charles Lyell. Principles ufGuelogy, p. 495.HM 318.3

    Tany Lisbaona dia nisy «feon-kotroka re tany ambanin’ ny tany ary nanaraka izany avy hatrany dia nisy fihetsehana mafy izay nandrodana ny ankabeazan’ ny tanàna. Enina alina ny isan’ ny olona maty tao anatin’ ny enina minitra. Nisintona aloha ny ranomasina ka nianjaka ny morontsiraka ; niverina tamin’ izay izy ka niakatra ho dimy ambin’ ny folo-metatra tambonin’ ny faritra nisy azy isan’ andro». Anisan’ ny toe-javatra mahagaga voatantara ho niseho tany Lisbaona koa, nandritra iny antambo iny, dia ny nanjavonan’ ilay fiantsonan-tsambo vaovao, vita tanteraka tamin’ ny vatosanga, nandaniam-bola tsy toko tsy forohana. Vahoaka be no nitangorona teo nitady fiarovana, satria noheverina fa toerana tsy mety ho tratran’ ny firodanan-javatra teo; nefa tsitapitapitr’ izay dia nilentika ilay fiantsonan-tsambo niaraka tamin’ ny olona rehetra teo amboniny, ary na dia faty iray aza tsy nitsinkafona teny ambonin’ ny rano.Ibid,p. 495.HM 319.1

    «Raha vao nihetsika ny horohorontany dia nirodana niaraka tamin’ izay ny fiangonana sy ny tranon’ ny relijiozy rehetra, ary ny ankabeazan’ ny tranom-panjakana lehibe ary maherin’ ny ampahefatry ny trano tsotra. Sahabo ho adiny roa tatý aorian’ ny fihe-tsehana, dia vaky ny afo tamin’ ny faritra maro, ary nahery aok’izany ny fidedadedany saika nandritra ny hateloana, ka rava tanteraka ny tanàna. Andro nisy fetim-pivavahana indrindra no nitrangan’ ilay horohorontany, ka feno olona ny fiangonana sy ny tranondrelijiozy, ary vitsy dia vitsy no afaka». —Eneyelopédia, Americana,«momba ny tany Lisbaona», (navoaka tamin’ ny 1831). «Tsy hita holazaina ny tahotra nahazo ny vahoaka. Tsy nisy nahatomany ; tsy nisy nahalatsa-dranomaso. Nimaona nankatsy sy nankaroa izy, niantsoantso noho ny tahotra sy ny hagagana, nikapoka ny tavany sy niteha-tratra, niantsoantso hoe : «Mamindrà fo!» tonga ny faran’ izao tontolo izao!» «Nohadinoin’ ny reny ny zanany, ary nihazakazaka hatraiza hatraiza izy nivesatra lakroa. Nampalahelo fa maro ireo nihazakazaka tany am-piangonana nitady fiarovana; naseho foana anefa ny sakramenta; nanoroka foana ny alitara anefa ireo olomahantra; samy niara-levona tao amin’ ny faharavana na ny sarivongana, na ny pretra, na ny vahoaka». Araka ny vinavina dia nahatratra sivy alina ny olona maty tamin’ iny andro nisehoan’ antambo iny.HM 319.2

    Dimy amby roapolo taona taty aoriana dia niseho ny famantarana manaraka nambaran’ ny faminaniana — dia ny masoandro maizina sy ny volana tsy nahazava. Ny nahatonga izany toe-javatra izany hanaitra kokoa dia ny fahalalana fa efa voatendry mazava ny fotoana hahatanterahan’ izany. Raha niresaka tamin’ ny mpianany teo amin’ ny tendrombohitra Oliva ny Mpamonjy, rehefa avy nanoritsoritra ilay fotoana lavabe nisedrana ny fiangonana — dia 1260 taona nanenjehan’ ny fahefana papaly, izay fahoriana nampanantenainy fa hohafoheziny, — tamin’ izany no nilazany ireo toe-javatra izay hialoha ny fiaviany sy namerany ny fotoana hahitana maso ny voalohany amin’ izy ireny : «Fa amin’ izany andro izany, raha afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hohamaizinina ary ny volana tsy haneho hazavana».21Marka.13:24 Nifarana tamin’ ny 1798 ny 1260 andro, na taona. Dimy amby roapolo taona talohan’ izany taona izany dia efa saiky nitsahatra tanteraka ny fanenjehana. Aty aorian’ io fanenjehana io, araka ny tenin’ i Kristy, dia hohamaizinina ny masoandro. Tamin’ ny 19 May 1780 no nahatanterahan’ izany faminaniana izany. Ny andro maizina tamin’ ny 19 May 1780, dia azo lazaina fa saika, na tena tsy nanam-paharoa mihitsy aza, tamin’ ny toe-javatra nahatalanjona sady tsy azo hazavaina ny nahatonga azy, amin’ ny karazany, raha tonga maizina noho ny antony tsy fantatra ny lanitra taka-maso rehetra tamin’ iny faritr’ i Nouvelle Angleterre (Etazonia) iny. — R. M. Devens, Our,Firot Century, p. 89.HM 319.3

    Izao no fitantaran’ ny vavolombelona nanatri-maso nipetraka tany Massachusetts: «Tamin’ ny maraina dia niposakany masoandro, nazava tsara, nefa vetivety dia nihamatroka. Nisy rahona nirefarefa ambany, sady mainty toa fambara ratsy, narahin’ ny tselatra sy kotroka mafy ary orana kely nilatsaka. Tokony ho tamin’ ny sivy dia niha-nanify ny rahona ary toa nivolom-barahina ny fahitana azy ka niova ny fijery ny tany, ny vatolampy, ny hazo, ny trano, ny rano sy ny olona notarafin’ io fahazavana tsy nahazatra teto an-tany io. Minitra vitsy taorian’ izany, dia nisy rahona matevina nanenika ny lanitra manontolo afa-tsy ny sisiny kely teny amin’ ny faravodilanitra, ka maizina tahaka ny tamin’ ny sivy ora alina amin’ ny andro fahavaratra.HM 320.1

    «Nameno miandalana ny sain’ ny vahoaka ny tahotra, ny tebiteby sy ny horohoro. Nijoro teo an-tokonam-baravarany ny vehivavy nitazana ny eny an-tsaha tonga maizina ; nody avy tamin’ ny asany teny an-tsaha ny lehilahy ; nilaozan’ ny mpandrafitra ny fandrafetany, ny mpanefy ny fiasany, ny mpivarotra ny fivarotany. Noravana ny sekoly ka tora-kovitra ny ankizy nandositra nody. Namonjy ny tranon’ ny mpamboly sy mpiompy akaiky azy indrindra ny mpandeha nanapaka ny diany». Fa misy inona ? hoy ny fanontanian’ ny molotra sy ny fo rehetra. Toa hisy rivo-doza hifofofofo hamakivaky ny tany na toa nigadona ilay andro hamaranana ny zavatra rehetra.HM 320.2

    «Narehitra ny labozy ; ary nazava tahaka ny amin’ ny harivan’ ny lohataona maizim-bolana iny ny afo tao am-patana. . . Namonjy ny fisokony ny akoho amam-borona ka raiki-tory. Ny biby fiompy nitangorona nanatona ny tsivalan-kazon’ ny kijana firaohany ary nimamà, naneno ny sahona, niventy ny hira fanaony amin’ ny hariva ny vorona ary nanidintsidina ny rarnanavy. Ny olombelona kosa anefa nahalala fa tsy mbola alina ny andro».. :HM 321.1

    «I profesora Nathanael Whittaker, mpitandrina tao amin’ ny fiangonan’ ny «Tabernakely» tao Salema, dia nitarika fotoampivavahana tao amin’ ny trano fivoriana ka nanao toriteny izay nanizingizinany fa tsy araka ny fahita eo amin’ ny zava-boahary izao fahamaizinana izao. Nivory hivavaka koa ny olona tamin’ ny toerankafa maro. . . Ny toko ny andininy noraisina tamin’ ireny toriteny tsy nomanina mialoha ireny dia ireo izay toa manambara fa mifanaraka amin’ ny faminaniana ao amin’ ny Soratra Masina io fahamaizina io . . . Taoriana kelin’ ny iraika ambin’ ny folo antoandro no tena nikitroka ny haizina».The Essex Antiquarian, volana Aprily, 1899, boky 3, laharana 4, p. 53, 54. «Tao amin’ ny ankabeazan’ ny faritany rehetra dia nikitroka loatra ny haizina nandritra ny andro ka tsy afaka nijery ny ora tamin’ ny famantaranandro, na nisakafo, na nanao ny raharahany andavanandro ny olona raha tsy nampirehitra labozy . . .»HM 321.2

    «Nidadasika tokoa ny velaran’ ny haizina. Tamin’ ny ilany atsinanana dia hita hatrany Falmouth izany. Tamin’ ny ilany andrefana kosa dia nahatratra ny faritra lavitra indrindra tany Connecticut sy tonga tany Albany. Tany atsimo dia tafapaka hatrany amin’ ny morontsiraka izany ; ary tany amin’ ny avaratra dia nahatratra ireo toerana rehetra nisy Amerikana niorim-ponenana». William Gordon,History of the Rise, Progress and Etablissement of the Independance of the U.S.A., boky 3, p. 57HM 321.3

    Adiny iray na roa talohan’ ny naha-hariva ny andro dia somary nisinda ilay haizina nikitroka, ka niseho ny masoandro, na dia mbola nohamaizinin’ ny zavona mainty sy navesatra aza. «Rehefa nilentika ny masoandro dia nitatao indray ny rahona, ary nihamaizina haingana dia haingana». «Ny haizina nandritra ny alina dia tsy nahazatra sady nampatahotra tahaka ny nandritra ny andro ihany; na dia nanakaiky ny fenomanana aza ny volana dia tsy nisy na inona na inona fantatra raha tsy nisy jiro, ary rehefa tazanina avy eny amin’ ny trano manodidina sy ny toeran-kafa lavidavitra izany, dia toa ao anatin’ ny haizina tahaka ilay tany Egypta no fijery azy izay mila tsy ho voagorobaky ny tara-pahazavana». — Isaia Thomas,Massachusetts Spry ; or, American Oracle of Liberty, boky 10, laharana 472 (25 Mey 1780). Hoy ny vavolombelona nanatri-maso : «Tsy haiko ny tsy hihevitra tamin’ izay fotoana izay, fa na dia voasaron’ ny aloka tsy laitry ny hazavana avokoa aza ireo loharanom-pahazavana rehetra eran’ izao tontolo izao, na fongana tsy nisy, dia tsy ho mikitroka noho izao ny haizina». Taratasin’ i Dr Samuel Tenney tany Exeter, New Hampshire, Desambra 1785 (nalaina tao amin’ nyMassachusetts Historical Society Collections,1792, boky 1, p. 97). Na dia niposaka aza ny diavolana fenomanana tamin’ ny sivy alina « dia tsy nisy asany izany ka tsy nampisava ireo toa aloky ny fahafatesana». Taorian’ ny mamatonalina dia lasa ny haizina ary raha vao vantany hita ny volana, dia tahaka ny ra no fijery azy.HM 321.4

    «Ilay Andro Maizina» no ilazana ny 19 Mey 1780 ao amin’ ny tantara. Hatramin’ ny andron’ i Mosesy dia tsy mbola nisy mihitsy fotoan’ andro nisian’ ny haizina toy izany voatantara, na ny hateviny izany, na ny velarany, na ny faharetany. Ny fitantarana io toe-javatra io araka ny nataon’ ny nahita maso dia tsy inona fa akon’ ny tenin’ i Jehovah, noraketin’ ny mpaminany Joela, dimanjato sy roa arivo taona talohan’ ny nahatanterahany: «Ny masoandro hampodina ho haizina ary ny volana ho ra, alohan’ ny hahatongavan’ ny andron’ i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina».22Joela 3:4HM 322.1

    Efa nibaiko ny vahoakany i Kristy hijery tsara ireo famantarana ny fiaviany ka hiravoravo rehefa mahita ny antoky ny fiavian’ ny Mpanjakany. «Ary raha vao miandoha izany zavatra izany» hoy Izy, «dia miandrandrà ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo». Notondroiny tamin’ ireo mpanaraka Azy ny hazo mitsiry amin’ ny lohataona ka hoy Izy: «Raha hitanareo fa manaroka ireo, dia fantatrareo ihany fa akaiky sahady ny lohataona. Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra».23Lioka 21:28.30,31HM 322.2

    Nefa satria efa nodiasan’ ny fireharehana sy ny fombafomba ivelany ny toe-tsaina manetry tena sy ny fitiavam-bavaka ao amin’ ny fiangonana, dia efa nihamangatsiaka ny fitiavana an’ i Kristy sy ny finoana ny fiaviany. Variana tamin’ ny fiainan’ izao tontolo izao sy tamin’ ny fitadiavam-pahafinaretana ny vahoaka nilaza ny tenany fa an’ Andriamanitra ka jamba tsy nahita ny toro-hevitra nomen’ ny Mpamonjy mikasika ireo famantarana ny fisehoany. Efa natao antsirambina ny foto-pinoana momba ny fiverenan’ i Jesosy fanin-droany ; nohamaizinin’ ny dika vilana ny tenin’ ny Soratra Masina mikasika izany, hany ka zary tsy fantatra izany na nohadinoina tamin’ ny ankapobeny. Hita tamin’ ny fomba manokana teo amin’ ny fiangonana tany Amerika izany. Ny fahafahana sy ny fiadanana izay niriariavan’ ireo saranga rehetra teo amin’ ny fiaraha-monina, ny hambom-po sy ny faniriana hanan-karena sy ny fanaranam-po tamin’ ny rendrarendra izay niteraka fitiavana naharendrika tao amin’ ny fitadiavam-bola, ny fifaninanana nafanafana ho mamim-bahoaka sy hanam-pahefana izay toa nety ho azon’ ny rehetra, izany no naha-tonga ny olona hampifatoka ny fisainana amam-panantenany teo amin’ ny zavatra amin’ ity fiainana ity, ary nampanalavirany ho any amin’ ny ho avy tsy taza-maso any ilay andro manetriketrika izay hahafoana ny firafitry ny toe-javatra ankehitriny.HM 323.1

    Raha nanondro ireo famantarana ny fiverenany tamin’ ireo mpanaraka Azy ny Mpamonjy, dia nambarany mialoha ny fihemorana izay hialoha indrindra ny fiaviany fanindroany. Tahaka ny tamin’ ny andron’ i Noa, dia hisy fihetsiketsehana betsaka eo amin’ ny asa aman-draharaha momba izao tontolo izao sy eo amin’ ny fitadiavampahafinaretana hividy, hivarotra, hamboly, hanao trano, hampakatra sy hamoaka ny ampakarina — ary amin’ izany dia hadino Andriamanitra sy ny fiainana ho avy. Ho an’ ireo izay ho velona amin’ io fotoana io ny teny fampitandremana nataon’ i Kristy hoe: «Ary mitandrema fandrao ny fonareo hovesaran’ ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’ izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany». «Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsan-gana eo anatrehan’ ny Zanak’ olona» .24Lio. 21 : 34 . 36HM 323.2

    Navoitry ny tenin’ ny Mpamonjy ao amin’ ny Apokalypsy ny ho toetoetry ny fiangonana amin’ io fotoana io: «Manana anarana ho velona ianao kanjo maty ihany». Ary hoy ny fampitandremana maha- velona eritreritra ho an’ ireo izay mandà tsy hifoha avy amin’ ny fahatokisam-poana ianteherany : «Koa raha tsy hiambina ianao, dia ho tonga toy ny fiavin’ ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako aminao».25Apok. 3 : 1, 3 HM 323.3

    Nilaina ny namohazana ny olona hahatsapa ny loza mananontanona azy; nilaina ny nanairana azy ireo hiomana ho amin’ ireo toe-javatra lehibe mifandray amin’ ny fiafaran’ ny androm-pahasoavana. Hoy ny mpaminanin’ Andriamanitra : «Fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron’ i Jehovah, ka iza no mahatanty izany?» 26Joela 2 : 11 Iza no mahajoro rehefa hiseho Ilay «madio maso ka tsy te-hitsinjo ny ratsy ?» 27Hab. 1 : 13 HM 324.1

    Ho an’ ireo izay mitaraina hoe : Andriamanitra Ô, izahay. . . mahalala Anao» «nefa nivadika ny fanekeny, ka nanova an’ Andria-manitra hatakalony ny hafa, nanafin-keloka tao am-pony ary nankasitraka ny lalan’ ny tsi-fahamarinana, dia «haizim-pito tsy misy mangirana akory» ny andron’ i Jehovah».28Hos. 8 : 2 , 1; Amosa 5 : 20 «Amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, dia hotsiloviko amin’ ny jiro Jerosalema, ka hovaliako ny olona izay efa lefy ao amin’ ny faikany, izay manao anakampo hoe : sady tsy hanao soa Jehovah no tsy hanao ratsy».29Zef. 1 : 12 «Ary hatsingeriko amin’ izao tany rehetra izao ny faharatsiany, sy amin’ ny ratsy fanahy ny helony; ary hatsahatro ny fireharehan’ ny mpiavonavona ary haetriko ny fiavonavon’ ny mpampahory». 30Isa. 16 : 11 «Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy» ; ho tonga babo ny fananan’ ireny ary ho lao ny tranony. 31Zef. 1:1 8 , 13 HM 324.2

    Hoy ny mpaminany Jeremia raha nitazana io fotoana mampahatahotra io izy : «Endrey mila ho triatra izany ny foko! Mitoloko ny foko ka tsy mahay mangina aho; fa ny feon’ ny anjomara sy ny akoran’ ady dia renao ry fanahiko. Fandravana mifanontona no ambara».32Jer. 4 : 19, 20 HM 324.3

    «Andro fahatezerana izany andro izany, andro fahoriana sy fahalelovana, andro faharavana sy fanafoanana, andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito, andro fahaveloman’ ny anjomara sy ny akora».33Zef. 1 : 15, 16 «Indro avy ny andron’ i Jehovah. . . hanafoanana ny tany sy handringanana ny mpanota tsy ho ao». 34Isa. 13 : 9 HM 324.4

    Noho izany andro lehibe izany dia mampieritreritra sy manaitra indrindra ny tenin’ Andriamanitra miantso ny vahoakany hifoha amin’ ny faharendremany ara-panahy ka hitady ny tavany amin’ ny fibebahana sy ny fanetren-tena : «Tsofy ao Ziona ny anjomara! Ary miantsoa mafy ao an-tendrombohitra masina! Aoka hangovitra ny mponina rehetra amin’ ny tany; fa avy ny andron’ i Jehovah, eny, efa antomotra izany». «Manamasina andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina. Angony ny vahoaka, manamasina fiangonana, vorio ny loholona, angony ny ankizy madinika!. . . aoka ny mpampakatra hiala ao an-efitranony, ary aoka ny hampakarina hiala ao an-trano fandriany. Ho anelanelan’ ny lavarangana fidirana sy ny alitara no aoka hitomanian’ ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’ i Jehovah». «Miverena amin’ ny fonareo rehetra ary amin’ ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana. Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin’ i Jehovah Andriamanitrareo, fa mamindra fo sy miantra Izy, maharipo sady be famindrampo».35Joela 2:1.15—17,12,13HM 325.1

    Nisy asa fanavaozana lehibe tsy maintsy natao mba hanomanana vahoaka hijoro amin’ ny andron’ Andriamanitra. Hitan’ Andriamanitra fa maro ireo milaza ny tenany ho vahoakany no tsy nanorina ho an’ ny mandrakizay, ka noho ny famindrampony dia efa handefa hafatra fampitandremana Izy mba hamoha azy ireo amin’ ny fahavarianany ary hitarika azy mba ho vonona amin’ ny fiavian’ ny Tompo.HM 325.2

    Aseho ao amin’ ny Apokalypsy 14 io hafatra fampitandremana io. Misy hafatra telo sosona ao izay lazaina fa torin’ ny anjelin’ ny lanitra ary arahin’ ny fiavian’ ny Zanak’ olona avy hatrany hijinja ny «vokatry ny tany». Manambara ny fitsarana izay manakaiky ny voalohany amin’ ireo hafatra ireo. Nahita anjely iray ny mpaminany izay «nanidina teo afovoan’ ny lanitra, nanana filazantsara mandra-kizay hotorina amin’ izay monina ambonin’ ny tany sy amin’ ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samihafa fiteny ary ny olona rehetra, nanao tamin’ ny feo mahery hoe : Matahora, an’ Andria-manitra ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan’ Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano». 36Apok.14:6,7.HM 325.3

    Voalaza fa ao anatin’ ny «filazantsara mandrakizay» io hafatra io. Tsy nankinina tamin’ ny anjely ny asa fitoriana ny filazantsara, fa napetraka tamin’ ny olona. Anjely masina no nampiasaina amin’ ny fitarihana io asa io, adidiny ireo fihetsehana lehibe ho amin’ ny famonjena ny olona ; fa ny tena fitoriana ny filazantsara dia ny mpanompon’ i Kristy eto an-tany no manatontosa izany.HM 325.4

    Olona mahatoky, izay nankatò ny fitaoman’ ny Fanahin’ Andria-manitra sy ny fampianaran’ ny teniny no hitory io hafatra fampitandremana io amin’ izao tontolo izao. Ireo izay nandinika «ny teny faminaniana . . . mafy orina», dia ilay «jiro mahazava ao amin’ ny fitoerana maizimaizina mandra-pahazavan’ ny andro, ka niposaka ny fitarik’ andro»372Pet. 1 : 19 . Efa nikatsaka ny fahalalana an’ Andriamanitra mihoatra noho ny harena miafina rehetra izy, ka noraisiny «ho tsara noho ny volafotsy» izany, «ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara»38Ohab. 3 : 14 . Koa dia nambaran’ i Jehovah taminy ireo zava-dehibe momba ny fanjakany. «Ny fisainan’ i Jehovah asehony amin’ izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy»39Sal. 25 : 14..HM 326.1

    Tsy ireo mpampianatra momba ny fivavahana nandalimpahaizana no nahafantatra ny amin’ io fahamarinana io ka nanolotena hitory izany. Raha mpiambina nahatoky ireo, ka nandinika ny Soratra Masina tamin-kafanam-po sy tamim-pivavahana dia ho nahalala ny fotoam-piambenana amin’ ny alina izy. Ho novelarin’ ny faminaniana teo anatrehany ireo toe-javatra efa nadiva hiseho. Tsy notanany anefa io toerana io, ka nomena ny olona tsotsotra kokoa ny hafatra. Hoy Jesosy: «Mandehana, raha mbola manana ny mazava ianareo. mba tsy hahatratra anareo ny maizina».40Jao. 12 : 35 Ireo izay mihodina hiala amin’ ny fahazavana nomen’ Andriamanitra, na manao antsirambina ny fikatsahana izany, raha mbola azony takarina, dia avela ao amin’ ny haizina. Hoy anefa ny Mpamonjy: «Izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ aina». 41Jao. 8 : 12 Na iza na iza tsy mitady hanao afa-tsy ny sitrapon’ Andriamanitra, ka miezaka ny hitandrina ny fahazavana efa nomena azy, dia handray fahazavana lehibebe kokoa ; hisy kintana manana ny famirapiratan’ ny lanitra halefa hitarika io fanahy io ho amin’ ny fahamarinana rehetra.HM 326.2

    Tamin’ ny fotoana niavian’ i Kristy voalohany dia mety ho nahalala ny famantarana ny andro sy nitory ny fiavian’ Ilay nampanantenaina ireo mpisorona sy mpanora-dalàna tao amin’ ny Tanàna Masina. Notondroin’ ny faminanian’ i Mika ny toerana hahaterahany; i Daniela nilaza mazava ny fotoana hiaviany. Mika 5:1; Daniela 9: 25. Nankinin’ Andriamanitra tamin’ ireo mpitarika jiosy ireny faminaniana ireny tsy nanana fialan-tsiny izy raha tsy nahalala ary tsy nanambara tamin’ ny vahoaka fa akaiky ny fiavian’ ny Mesia. Vokatry ny fahotany tamin’ ny fanaovany an-tsirambina ny tsifahalalany. Nanangana tsangambato ho an’ ireo mpaminanin’ Andria-manitra novonoina ny Jiosy tamin’ izay, nefa niankohoka tamin’ ireo mpanompon’ i Satana izy tamin’ ny fanajany ireo olona ambony teto an-tany. Sondriana tamin’ ny fiadiana hahazo ny toerana ambony sy ny fahefana eo anivon’ ny olona izy, hany ka noho ny hambom-pony dia tsy tsinjony ny voninahitra natolotry ny Mpanjakan’ ny lanitra.HM 326.3

    Tokony ho liana dia liana fatratra sy ho feno fanajana ireo loholon’ Isiraely nandinika ny amin’ ny toerana, ny fotoana, ny toejavatra mikasika ilay zava-dehibe indrindra eo amin’ ny tantaran’ izao tontolo izao — dia ny fiavian’ ny Zanak’ Andriamanitra hanatanteraka ny fanavotana ny olona. Tokony ho niambina sy niandry ny vahoaka manontolo mba ho voalohany amin’ ny fandraisana ny Mpanavotra an’ izao tontolo izao. Nefa, indro tao Betlehema, mpivahiny roa efa sasatra, avy tany amin’ ny vohitr’ i Nazareta, namakivaky ny lalana etin’ ny tanàna tamin’ ny halavany manontolo hatrany amin’ ny fara-tendrony atsinanana, sasa-poana nitady toerana hialantsasatra sy hialofana amin’ ny alina. Tsy nisy varavarana nivoha handray azy ireo. Tao amin’ ny trano heva mahantrahantra namboarina ho an’ ny biby no nahitany’fialofana nony farany, ary tao no teraka ny Mpamonjin’ izao tontolo izao.HM 327.1

    Efa nahita ny voninahitra niarahan’ ny Zanak’ Andriamanitra nanana tamin’ ny Rainy talohan’ ny nanorenana an’ izao tontolo izao ny anjelin’ ny lanitra, fa efa nobanjininy sy nahaliana azy fatratra ny hisehoany eto an-tany ho toy ny toe-javatra feno hafaliam-be ho an’ ny olona rehetra. Nisy anjely notendrena hitondra ny vaovao mahafaly ho an’ ireo izay niomana handray izany ka ho ravoravo hampahafantatra izany amin’ ny mponina amin’ ny tany. Nampietry ny tenany i Kristy mba handray ny maha-olombelona ; tsy maintsy hizaka ny lanjam-pahoriana faran’ izay mavesatra Izy, raha hanolotra ny fanahiny ho fanatitra noho ny ota ; nefa nirin’ ny anjely ny hisehoan’ ny Zanaky ny Avo Indrindra amin’ ny fahamendrehana sy ny voninahitra mifanaraka amin’ ny toetra amam-panahiny na dia tao amin’ ny fanetren-tenany aza. Moa ve hivory ao amin’ ny renivohitr’ Isiraely ireo olona ambony eto an-tany ka hiarahaba Azy amin’ ny fiaviany ? Moa ve ny anjely legiona maro no hanolotra Azy amin’ ireo olona efa liana fatratra niandry Azy?HM 327.2

    Indro, anjely anankiray tonga nitsidika tetý an-tany hizaha izay niomana handray an’ i Jesosy. Nefa tsy nahita famantarana fiandrasana izy. Tsy nandre feo fiderana sy fandresena izy noho ny fahakekezan’ ny Mesia. Nanidintsidina kely teo ambonin’ ilay tanàna voafidy sy ny tempoly izay nanehoana ny fanatrehan’ Andriamanitra nandritra ny fotoana elabe ny anjely ; nefa na dia teto aza dia tsy firaihana toy izany ihany no hitany. Indreo ny mpisorona, mirentirety sy miedinedina, manatitra sorona voaloto ao amin’ ny tempoly. Indreny ny Fariseo fa manandra-peo miteny amin’ ny vahoaka na manao vavaka feno fireharehana eny an-joron-dalana. Ao amin’ ny lapan’ ny mpanjaka, ao amin’ ny fivorian’ ny olon-kendry, ao amin’ ny sekolin’ ny raby, dia samy tsy misy mieritreritra ilay toe-javatra mahatalanjona izay mahatonga haravoana sy fiderana ny lanitra manontolo — dia ity : efa madiva hiseho ety an-tany ilay Mpanavotra ny olombelona.HM 328.1

    Tsy misy na inona na inona ahafantarana fa andrasana i Kristy, ary tsy misy fiomanana atao handraisana ny Andrianan’ ny fiainana. Zendana ilay iraky ny lanitra ka handeha hiverina ho any an-danitra hitondra ny vaovao mahamenatra, raha nahita antokon’ ny mpiandry ondry izay niambina ny ondriny tamin’ ny alina izy, ary raha nibanjina ny lanitra feno kintana izy ireo, dia nifandinika ny amin’ ny faminaniana momba ny Mesia izay ho avy eto an-tany ka naniry mafy ny fiavian’ ny Mpanavotra izao tontolo izao. Indro, misy antokon’ olona vonona handray ny iraky ny lanitra. Ary tsitapitapitr’ izay dia niseho ny anjelin’ ny Tompo, nanambara ny vaovao milaza fifaliam-be. Nahenika ny lohasaha manontolo ny voninahitry ny lanitra fa andian’ anjely tsy hita isa no niseho, ary toa lehibe loatra ho an’ ny iraka iray ny hitondra fifaliana avy any an-danitra, dia injany feo marobe no indray miredona ny hira fiderana horedonin’ ny voavonjy avy amin’ ny firenena rehetra indray andro any : «Voninahitra any amin’ ny avo indrindra ho an’ Andriamanitra! Ary fiadanana ho ety ambonin’ ny tany amin’ ny olona ankasitrahany». Lioka 2 : 14.HM 328.2

    O ! lesona manao ahoana io tantara mahagagan’ i Betlehema io! Manao ahoana ny faniniany ny tsy finoantsika, ny fireharehantsika, sy ny fiheverantsika tena ho ampy ! Manao ahoana ny fampitandremany antsika fandrao isika koa noho ny tsy firaihana mahameloka hita eo amintsika tsy hahatsinjo ireo famantarana ny fotoana, koa tsy hahalala ny andro famangiana antsika.HM 328.3

    Tsy teo amin’ ny havoanan’ i Jodia ihany, tsy teo amin’ ireo mpiandry ondry tso-piaina ihany no nahitan’ ny anjely olona izay niandry ny fiavian’ ny Mesia. Tao amin’ ny tanin’ ny jentilisa koa dia nisy nanantena Azy; olona nanan-tsaina izy ireo, nanan-karena sady ambony, olon-kendrin’ ny Tany atsinanana. Noho ny Magy mpandinika ny zava-boahary dia nahita an’ Andriamanitra teo amin’ ny asan’ ny tanany izy. Tao amin’ ny Soratra Masina hebreo no nahafantarany fa hisy kintana hipoitra avy ao amin’ i Jakoba ka naniry mafy izy ireo niandry ny fiavian’ Ilay ho «fampiononana» tsy «ho an’ ny Isiraely» fotsiny, fa ho «fahazavana hahazava ny firenena», ary «ho famonjena hatrany amin’ ny faran’ ny tany»42Lio.2:25.32; Asa 13/47.. Nitady ny fahazavana izy ireo, ka dia nanazáva ny diany ny faha-zavana avy amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra. Ireo mpisorona sy raby tany Jerosalema izay notendrena hitana sy hanazava ny fahamarinana dia voahodidin’ ny haizina, fa ilay kintana avy any an-danitra kosa dia nitari-dalana ireto Jentilisa vahiny ho eo amin’ ny toerana vao nahaterahan’ Ilay Mpanjaka.HM 329.1

    «Amin’ izay miandry Azy» no hisehoan’ i Kristy fanindroany «tsy amin’ ota, ho famonjena».43Heb.9:28.t Toy ny vaovao nilaza ny naha-terahan’ ny Mpamonjy, dia tsy nankinina tamin’ ireo mpitarika ny vahoaka eo amin’ ny ara-pivavahana koa ny hafatry ny fiavian’ i Jesosy fanindroany. Tsy nitahiry ny fifandraisany tamin’ Andria-manitra izy ireo, ka efa nandà ny fahazavana avy any an-danitra ; noho izany dia tsy mba anisan’ ireo izay lazain’ ny Apostoly Paoly hoe izy : «Fa ianareo ry rahalahy, tsy ao amin’ ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany. Fa ianareo rehetra dia zanaky ny andro ; tsy an’ ny alina na an’ ny maizina isika».441Tes.5:4,5HM 329.2

    Ireo mpiambina teo amin’ ny mandan’ i Ziona no tokony ho nandray voalohany ny vaovao mahafaly momba ny fiavian’ ny Mpamonjy, izy ireo no tokony ho nanandratra voalohany ny feony hanambara fa akaiky Izy, sy tokony hampitandrina voalohany ny vahoaka hiomana ho amin’ ny fiaviany. Nefa nandry fehizay izy ireo, nanonofinofy ny hiadam-pinaritra tsy hisy mpanelingelina, fa ny vahoaka kosa sondriana tao amin’ ny fahotany. Tahaka ilay aviavy tsy namoa, rakotry ny ravina nireharehany, nefa tsy nisy voa sarobidy, no nahitan’ i Jesosy ny fiangonany. Nisy fireharehana nentina nitandrina ny fombafombam-pivavahana, nefa ny toe-tsain’ ny fanetren-tena marina, ny fiaiken-keloka sy ny finoana — izay hany ahatonga ny fanompoam-pivavahana ho ankasitrahan’ Andriamanitra — dia banga. Tsy ny fahasoavan’ ny Fanahy no hita tao fa avonavona, faharavana, fombafomba ivelany, voninahitra poak’ aty, fitiavan-tena, fampahoriana. Nanakimpy ny masony tsy hijery ireo famantarana ny fotoan’ andro ny fiangonana nihemotra. Tsy nandao azy anefa Andriamanitra, ary tsy nosarahiny taminy ny fitiavany; nefa nahafoy Azy ireo arynihataka tamin’ ny fitiavany. Rehefa nandà tsy hanatanteraka ny fepetra izy, dia tsy tanteraka taminy ireo teny fikasany.HM 329.3

    Toy izany no vokatra tsy maintsy ho hita eo amin’ izay manao an-tsirambina ka tsy mankasitraka sy tsy mandray ny fahazavana sy ny tombon-tsoa omen’ Andriamanitra. Raha tsy manaraka ny fitarihany mazava ny fiangonana ka mandray ny tara-pahazavana tsirairay alefany, ary manatanteraka ny adidy rehetra izay asehony, dia tsy maintsy hitotongana ho fanarahana fombafomba ivelany fotsiny ny fivavahana, ary hanjavona ny fanahin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra mitondra aina. Efa voaseho im-betsaka teo amin’ ny tantaran’ ny fiangonana io fahamarinana io. Andriamanitra dia mitaky amin’ ny vahoakany asan’ ny finoana sy fankatoavana izay mifanaraka amin’ ny fitahiana sy ny tombon-tsoa narotsaka taminy. Ny fankatoavana dia mitaky fahafoizan-tena ary midika ho hazo fijaliana; ary izany no antony mahatonga olona maro nilaza ny tenany ho mpanaraka an’ i Kristy, nefa mandà ny handray ny fahazavana avy any an-danitra, ka tahaka ireo Jiosy fahiny, dia «tsy nahalala ny andro namangiana azy».45Lio.19:44.HM 330.1

    Nolalovan’ i Jehovah izy ireo noho ny avonavony sy ny tsy finoany, fa nanambarany ny fahamarinany kosa ireo izay efa nitandrina ny fahazavana rehetra nomena azy, tahaka ny mpiandry ondry tany Betlehema sy ireo Magy avy tany atsinanana.HM 330.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents