Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hery Mifanandrina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 2—Ny fanenjehana tamin´ ireo taonjato voalohany

    Fony Jesosy nanambara tamin’ ny mpianany izay hanjo an’ i Jerosalema sy ireo toe-javatra hiseho amin’ ny fiaviany fanindroany, dia nolazainy mialoha koa ny fanandramana hataon’ ny vahoakany, hatramin’ ny fotoana hanalana Azy tsy ho eo amin’ izy ireo, ka hatramin’ ny fiverenany amin-kery sy voninahitra hanafàka azy. Ary teo amin’ ny tendrombohitra Oliva ny Mpamonjy no nitazana ireo tafiotra efa hianjady amin’ ny fiangonana apostolika ; ary raha niditra lalindalina kokoa any amin’ ny ho avy ny masony, dia hitany ireo rivo-doza masiaka sy manimba izay hamely ny mpanaraka Azy amin’ ireo andro ho avy feno haizina sy fanenjehana. Teny fohy misy dikany mampahatahotra no nilazany ny anjara izay haroson’ ireo mpitondra an’ izao tontolo izao ho an’ ny fiangonan’ Andriamanitra.1Mat.24:9,21,22 Tsy maintsy handeha amin’ ilay lalana feno fanetren-tena, faninitsiniana sy fahoriana izay nandehanan’ ny Tompo koa ireo mpianany. Ny fandrafiana izay niharihary fa namelezana ny Mpanavotra an’ izao tontolo izao, dia haseho indray hamelezana izay rehetra hino ny anarany.HM 39.1

    Vavolombelon’ ny fahatanterahan’ ny tenin’ ny Mpamonjy ny tantaran’ ny fiangonana voalohany. Niray hina ireo herin’ ny tany sy ny helo mba hanohitra an’ i Kristy ao amin’ ny tenan’ ireo mpanaraka Azy. Tazan’ ny fivavahana jentilisa mialoha fa raha mandresy ny filazantsara, dia ho voarodana ny tempoliny sy ny alitarany ; noho izany dia navondrony ny heriny mba handevonana ny finoana kristiana. Nirehitra ny afon’ ny fanenjehana. . . Nendahina tamin’ ny kristiana ny fananany, ary noroahina tsy ho ao an-tokantranony izy. Niaritra «ny ady mafy tamin’ ny fahoriana»2Heb.10:32 izy. «Niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy tranomaizina koa»3Heb.11:36-38 izy. Betsaka no nanamafy ny vavolombelona nataony tamin’ ny ra. Na andriana na andevo, na» manankarena na mahantra, na nahita fianarana na tsy nianatra, dia samy novonoina tsy nisy indrafo avokoa.HM 39.2

    Ireo fanenjehana ireo, izay nanomboka tamin’ ny nanjakan’ i Néron, tokony ho tamin’ ny fotoana naha-maritiora an’ i Paoly, dia nitohy, nihamafy na nihanalefaka, nandritra ny taonjato maro. Noendrikendrehina ho nanao ny heloka bevava mahatsiravina indrindra ny kristiana, ary nolazaina fa nahatonga ny antambo lehibe, dia ny mosary, ny areti-mandringana sy ny horohorontany. Rehefa nankahalain’ ny vahoaka sy nahiahiany izy ireo, dia nitsangana ny mpiampanga hamadika ny tsy manan-tsiny noho ny fitiavam-bola. Nohelohina ho mpikomy amin’ ny fanjakana izy ireo, ho fahavalon’ ny fivavahana, ary ho poizina ho an’ ny tany ama-monina. Betsaka no natsipy hohanin’ ny bibidia na nodorana velona tao amin’ ny toerana filanonana. Nisy nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana; ny sasany nofonosina tamin’ ny hoditry ny bibidia, dia natsipy tao amin’ ny kianja filalaovana hoviravirain’ ny aiika. Matetika no natao anton-javatra hiantsoana ny vahoaka ny famaizana azy ireo. Nivory ny vahoaka marobe hifaly amin’ ny lanonana jereny ary hihomehy sy hitehaka, rehefa miala aina ka niady mafy izy ireo.HM 40.1

    Na taiza na taiza nahitany fialofana, dia nohazaina tahaka ny biby ny mpanaraka an’ i Kristy. Voatery nitady fiafenana tany amin’ ny toerana foana sy mangina izy. «Efa lao, ory, fadiranovana (nefa izao tontolo izao tsy mendrika ho nitoerany akory;) dia nirenireny tany an-efitra sy tany an-tendrombohitra sy tany an-johy ary tao an-dava-tany»4Heb.11:37.38. Ireo zohy natao fasana tany ambanin’ ny tany (catacombes) no nahitan’ ny olona an’ arivony fialofana. Tao ambanin’ ny vohitra ivelan’ ny tanànan’ i Roma, dia nisy zohy nolavahana tao amin’ ny tany sy ny vato; mifanapaka ireo lalana maizina sy maro loha tao, ary nahatratra kilaometatra maromaro ivelan’ ny mandan’ ny tanàna. Tao anatin’ ireny toerana mangina ambanin’ ny tany ireny no nandevenan’ ny mpanaraka an’ i Kristy ny mutiny ; ary tao no nahitany trano hipetrahana rehefa nahiahiana sy noroahina izy. Rehefa hamoha ireo niady tsara ny finoana ilay Mpanome aina, dia ho betsaka ny maritioran’ i Kristy no hivoaka avy ao amin’ ireo zohy maizina ireo.HM 40.2

    Mandritra ny fanenjehana mafy indrindra, dia nitana ny finoany tsy ho voaloto ireo vavolombelona ho an’ i Kristy ireo. Na dia tsy nanana izay nampiadana aza izy, ary tsy nahita ny fahazavan’ ny masoandro tao an-kibon’ ny tany maizina izay nampiantrano azy tsara, dia tsy nitaraina na dia kely akory aza. Nifampahery tamin’ ny teny feno finoana, faharetana sy fanantenana izy mba hiaritra tsy fisiana sy fahoriana. Ny fahaverezan’ ny tombon-tsoa teto an-tany, dia tsy afaka nanery azy hiala amin’ ny finoany an’ i Kristy. Ny fitsapana sy ny fanenjehana dia tsy inona fa dingana nitondra azy akaiky kokoa ny fitsaharana sy ny famalian-tsoa azy.HM 41.1

    Tahaka ireo mpanompon’ Andriamanitra fahiny, dia maro tamin’ izy ireo no «nampijaliana ho faty, nefa tsy nety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra»5Heb.11:35. Tsaroany ny tenin’ ny Tompony nilaza fa raha enjehina noho i Kristy izy, dia tokony hiravoravo tokoa satria lehibe ny valim-pitiany any an-danitra. fa toy izany no nanenjehana ireo mpaminany teo alohany koa. Nifaly izy satria noraisina ho mendrika ny hijaly ho an’ ny fahamarinana ary hiram-pandresena no nisandratra avy ao amin’ ny lelafo midedadeda. Nanandratra ny fijeriny tamin’ ny finoana izy, ka nahita an’ i Kristy sy ny anjely any an-danitra miondrika amimpitiavana mitazana azy ireo, ary manara-maso ny toetrany mahatoky sady mankasitraka izany. Misy feo avy ao amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra manao hoe : «Aoka ho mahatoky hatramin’ ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana».6Apok.2:10.HM 41.2

    Tsy nisy vokany ny fiezahan’ i Satana handrava ny fiangonan’ i Kristy tamin’ ny heriny. Tsy nitsahatra ny ady lehibe izay namoizan’ ny mpianatr’ i Jesosy ny ainy rehefa lavo teo am-panatontosana ny adidiny ireo mpitondra faneva mahatoky. Nandresy teo amin’ ny fahareseny izy. Maty ireo mpiasan’ Andriamanitra, fa ny asany kosa nandroso hatrany. Niely hatrany ny filazantsara, ary nitombo ny isan’ ireo mpanaraka izany. Tafiditra tao amin’ ny toerana tsy azo nidirana izany, eny, na dia ny voromaherin’ i Roma aza tsy tafiditra tany. Hoy ny kristiana iray, raha nanazava tamin’ ny mpifehy jentilisa izay nampandroso ny fanenjehana : «Azonareo atao ny mamono anay, ny mampijaly anay, ny manameloka anay . . . Ny tsy an-drariny ataonareo no porofo manambara fa tsy manan-tsiny izahay . . . ary tsy manampy anareo ny tahasiahanareo. Vao mainka nitarika ny hafa bebe kokoa ho resy lahatra izany. Arakaraka ny hanaovanareo jinja fary anay, arakaraka izany no mampitombo isa anay ; voa afafy ny ran’ ny kristiana»7Apologie de Tertullien.HM 41.3

    An’ arivony no naiditra am-ponja sy novonoina ; fa nitsangana kosa ny hafa hameno ny toerany. Ary ireo izay maty maritiora noho ny finoany dia nahita toky teo amin’ i Kristy, ary nisainy ho toy ny mpandresy. Niady ny ady tsaran’ ny finoana izy ka handray ny satroboninahitra rehefa ho avy i Kristy. Ny fahoriana izay niaretany dia nampifanatona ny kristiana samy kristiana sy nampifanatona azy tamin’ ny Mpanavotra azy. Vavolombelona hatrany ho an’ ny fahamarinana ny ohatra velona nomeny sy ny nahafatesany ; ary teo amin’ ny toerana izay tsy nanantenana vokatra firy, no nialan’ ireo mpiasan’ i Satana taminy ka nidirany ho eo ambanin’ ny fanevan’ i Kristy.HM 42.1

    Na dia izany aza dia nanao drafitra hahombiazana kokoa i Satana hamelezana ny fitondran’ Andriamanitra, tamin’ ny fampijoroana ny fanevany tao amin’ ny fiangonana kristiana. Raha azo nofitahina ireo mpanaraka an’ i Kristy, ka notarihina hanao izay tsy mahafaly an’ Andriamanitra, dia ho tsy nahomby ny heriny, ny herim-pony sy ny fijoroany, ka dia hidaraboka sy ho hazany mora foana ireo.HM 42.2

    Niezaka izao ilay fahavalo lehibe ny hahazo amin’ ny hafetsena izay tsy azony tamin’ ny hery. Nijanona ny fanenjehana, ary ireo fitaomana mampidi-doza ataon’ ny fahombiazana ara-nofo sy ny voninahitra eo amin’ izao tontolo izao no nasolo haka ny toerany. Notarihina ny mpanompo sampy handray faritra iray amin’ ny finoana kristiana, nefa niaraka tamin’ io dia nolaviny ny fahama-rinana hafa tena ilaina. Milaza ho manaiky an’ i Jesosy ho Zanak’ Andriamanitra izy sy mino ny nahafatesany ary ny nitsanganany tamin’ ny maty, nefa tsy voatsindrona tao am-pony ny amin’ ny fahotany izy ary tsy nahatsapa fa mila fibebahana na fiovam-po. Noleferiny ny zavatra sasany, dia nangatahina koa ny kristiana mba handefitra amin’ ny zavatra sasany, mba hahazoan’ izy rehetra miray eo amin’ ny sehatra momba ny finoana an’ i Kristy.HM 42.3

    Tataovan-doza mampahatahotra izao ny fiangonana. Fitahiana ny fonja, ny fampijaliana, ny afo sy ny sabatra raha ampitahaina amin’ izany. Nisy kristiana nijoro tsy azo nohozongozonina nilaza fa tsy azony atao ny mandefitra amin’ ny fahamarinana. Ny hafa kosa nankasitraka ny milefitra na ny manova ny lafiny sasany amin’ ny finoany, ka hiray amin’ ireo izay nanaiky ampahany totsiny amin ny finoana kristiana, ary manantena izy fa izany tomba izany no hitarihany azy ireo ho amin’ ny fibebahana feno. Fotoana nampitebiteby mafy tokoa ho an’ ny mpanaraka mahatoky an’ i Kristy izany. Nisalotra fitafiana lazaina ta kristiana i Satana ary niditra moramora tao amin’ ny fiangonana, handoto ny finoana sy hampivily ny saina hiala amin’ ny tenin’ ny fahamarinana.HM 42.4

    Nony farany dia nanaiky ny hampidina ny fanevany ny ankabeazan’ ny kristiana, ka nisy firaisana ny fivavahana kristiana sy ny fanompoan-tsampy. Na dia nil aza ho niova fo aza ireo mpanompo sampy ka niray tamin’ ny fiangonana, dia mbola nifikitra tamin’ ny fanompoan-tsampiny izy, fa ireo zava-javatra nivavahany ihany no nosoloiny sarin’ i Jesosy na sarin’ i Maria sy ny olo-masina. Rehefa tafiditra toy izany tao amin’ ny fiangonana ny masirasira maloton’ ny fanompoan-tsampy, dia nanohy ny asany mandoza. Nisy fampianarana tsy madio, fombafomba avy amin’ ny finoanoam-poana, sy ireo fanompoam-pivavahana fanompoan-tsampy nampidirina tao amin’ ny finoana sy ny fivavahana kristiana. Rehefa niray tamin’ ny mpanompo sampy ireo mpanaraka an’ i Kristy, dia nanjary simba ny fivavahana kristiana, ka very ny fahadiovan’ ny fiangonana sy ny heriny. Na dia izany aza dia nisy tsy voatarika tamin’ ireny fitaka ireny. Notanany ihany ny toetrany mahatoky tamin’ Ilay niavian’ ny fahamarinana ka Andriamanitra irery no nivavahany.HM 43.1

    Nisy antokon’ olona roa hatrany teo amin’ ireo izay nilaza fa mpanara-dia an’ i Kristy. Ny antoko iray nianatra ny fiainan’ ny Mpamonjy ka niezaka tamin-kafanam-po hanitsy ny toetra ratsiny hifanaraka amin’ ilay Ohatra ; ny antoko iray kosa dia nanakimpy ny masony tamin’ ireo fahamarinana tsotra sy mazava nefa mampiharihary ny fahadisoany. Eny, na dia tamin’ ny fotoana nahatsara azy indrindra aza ny fiangonana, dia tsy olona marina sy madio ary tso-po avokoa akory no tao aminy. Nampianatra antsika ny Mpamonjy fa izay minia manaram-po amin’ ny fahotana dia tsy tokony ho raisina ao amin’ ny fiangonana ; nefa nifandray tamin’ ny olona nanana lahadisoana teo amin’ ny toetra amam-panahiny Izy, ary nanome azy ireny tombon-tsoa hanatrika ny fampianarany sy ny ohatra nasehony mba hananan’ izy ireny fotoana mety ahitany ny fahadisoany sy hanitsiany izany. Teo amin’ ny apostoly roa ambin’ ny folo lahy dia nisy mpamadika iray. Na dia teo aza ny tsy mety teo amin’ ny toetra amam-panahin’ i Jodasy, dia nekena ho anisan’ ny apostoly roa ambin’ ny folo lahy izy ka tamin’ ny alalan’ ny fampianarana sy ny ohatr’ i Kristy, dia afaka hianatra izany atao hoe toetra amam-panahy kristiana, ary ho voatarika amin’ izany hahita ny fahadisoany, hibebaka, ka noho ny fanampian’ ny fahasoavan’ Andriamanitra, dia hanadio ny fanahy «amin’ ny fankatoavana ny fahamarinana)). Nefa tsy nandeha tamin’ ny fahazavana namirapiratra tamim-pitiavana toy izany teo aminy i Jodasy. Nanaram-po tamin’ ny fahotana izy ka nitono-tena tamin’ ny fakampanahin’ i Satana. Nanjaka ireo lafiny ratsy teo amin’ ny toetra amam-panahiny. Nampilefitra ny sainy hofehizin’ ny herin’ ny maizina izy, ka tezitra rehefa nomelohina ny fahadisoany, ary tamin’ izany fomba izany dia voatarika ho amin’ ny heloka bevava hamadika ny Tompo izy. Toy izany no ataon’ izay rehetra manana ny toepanahy araka an’ Andriamanitra, nefa mankamamy koa ny fahotana ka mankahaia ireo izay manakotaba ny fiadanany amin’ ny fanamelohan’ izy ireo ny lalam-pahotana. Rehefa misy fotoana mety, tahaka an’ i Jodasy, dia namadika ireo izay niezaka hananatra a/.y mba hahasoa azy izy.HM 43.2

    Ny apostoly dia nifanehatra tamin’ ireo izay nilaza fa manana toe-panahy araka an’ Andriamanitra tao amin’ ny fiangonana, nefa nankamamy toetra ratsy miafinafina. Ananiasy sy Safira dia nanao ny asan’ ny mpamitaka, raha nihambo ho nanao fanatitra feno ho an’ Andriamanitra, nefa nitsiriritra ka nitana ampahany ho an’ ny tenany. Nasehon’ ny Fanahin’ ny fahamarinana tamin’ ny apostoly ny tena toetra amam-panahin’ ireo mihambohambo foana ireo, ary nesorin’ ny fitsaran’ Andriamanitra tamin’ ny fiangonana io pentina nandoto io fahadiovany io. Io fanehoana mazava ny Fanahin’ i Kristy mahay mamantatra ny miafina teo amin’ ny fiangonana io dia mampihorohoro ny mpihatsaravelatsihy sy ny mpanao ratsy. Tsy afaka nampitohy intsony ny fifandraisany tamin’ ireo solontenan’ i Kristy izy, na teo amin’ ny fahazarana izany, na teo amin’ ny toetsaina ; ary rehefa nianjady tamin’ ireo mpanaraka an’ i Kristy ny fitsapana sy ny fanenjehana, dia ireo izay vonona hahafoy ny zavatra rehetra noho ny fahamarinana ihany no tonga mpianany. Noho izany, raha mbola nitohy koa ny fanenjehana, dia azo lazaina ho voatahiry ho madio ny fiangonana. Nefa rehefa nijanona izany dia nisy olona tsy tena niova fo ary tsy nanana fahatsoram-po sy fitiavam-bavaka nanampy ny fiangonana, ka nahita lalana hamaharana tao i Satana.HM 44.1

    Nefa tsy misy iraisan’ ny Andrianan’ ny mazava sy ny andrianan’ ny maizina, ary tsy mety hisy koa firaisana amin’ ireo mpanaraka azy avy. Rehefa manaiky ny hiray amin’ ireo mpanompo sampy tsy tena niova fo marina ny kristiana, dia miditra amin’ ny lalana izay hitarika azy hanalavitra tsikelikely ny fahamarinana izy. Mibitaka i Satana f’a nahomby ny famitahana nataony tamin’ ireo marobe mpanaraka an’ i Kristy. Dia nampanjakainy tamin’ ny fomba feno tokoa taminy ny fahefany ka nomeny hevitra iry ireo hanenjika izay nijanona ho mahatoky tamin’ Andriamanitra. Tsy misy mahafantatra tsara ny fomba hanoherana ny finoana kristiana marina tahaka ireo izay efa niaro izany taloha; ary ireo kristiana nihemotra ireo izay niray hina tamin’ ireo namany mpanompo sampy tapatapany, dia nampifantoka ny ady nataony tamin’ ny foto-kevitra lehibe indrindra ao amin’ ny fampianaran’ i Kristy.HM 45.1

    Tsy maintsy niatrika ady mafy mila hampamoy fo ireo izay mahatoky te-hijoro tsy azo hozongozonina eo anoloan’ ny fitaka sy ny fahavetavetana izay tafiditra tao am-piangonana, nefa nosaronana tamin’ ny fitafiana fanaovana fanompoam-pivavahana. Tsy nekena ho fanevan’ ny finoana ny Baiboly. Nolazaina fa mifanipaka amin’ ny hevitry ny maro (herezia) ny fahafahana ara-pivavahana, ary nankahalaina sy noroahina izay mitana izany hevitra izany.HM 45.2

    Rehefa niady ela sy mafy ireo vitsy nijanona ho mahatoky, dia nanapa-kevitra fa hanapaka izay firaisana rehetra amin’ ity fiangonana nihemotra sy mpanompo sampy ity. Hitany fa tsy maintsy ilaina ny fisarahana raha tiana ny hankatò ny tenin’ Andriamanitra. Tsy sahiny ny mandefitra amin’ ny fahadisoan-kevitra izay hamono ny fanahiny, ka hanome ohatra izay hampidi-doza ny finoan’ ny zanany sy ny an’ ny taranany mandimby azy. Vonona izy ireo handefitra amin’ ny zavatra izay tsy mifanipaka amin’ ny fahatokiany an’ Andriamanitra mba hiarovany ny fiadanana sy ny firaisana ; nefa tsapany fa na dia ny fiadanana aza dia lafo vidy loatra raha hanaovana sorona ny foto-kevitra. Raha ny fahamarinana no tsy maintsy hampandeferina mba hahazoana ny firaisana, dia aleon’ izy ireo ny fisarahana, eny, na dia ny ady aza.HM 45.3

    Ilaina mba hahasoa tokoa ny fiangonana sy izao tontolo izao ny mamelona indray ao am-pon’ ny vahoakan’ Andriamanitra ireo toto-kevitra izay nanetsika ireo fanahy nifahatra tsara ireo. Nisy tsy firaihana mampanahy ankehitriny mikasika ireo foto-pinoana izay andrin’ ny finoana kristiana. Mihaniahazo laka ny hevitra milaza fa tsy zava-dehibe loatra iankinan’ ny aina ireo foto-pinoana ireo rehefa dinihina. Manome hery ny sandrin’ ireo mpiasan’ i Satana io fihemorana io, ka ankehitriny dia ankasitrahan’ ny olona an’ arivony misora-tena ho mpanaraka an’ i Kristy ireo hevitra diso sy ireo fitaka mampidi-doza, izay nihatra tamin’ ny ain’ ireo olona mahatoky fahiny ny fanoherana sy ny fampiharihariana izany.HM 45.4

    Tena «vahoaka manokana» tokoa ireo kristiana voalohany. Faninitsiniana mitohy izay nanakorontana ny fiadanan’ ny mpanota ny fitondrantenany tsy misy ho kianina, sy ny finoany tsy azo hozongozonina. Na vitsy an’ isa aza izy, tsy harena, tsy toerana ambony, na anaram-boninahitra ananany, dia nampahatahotra ny mpanao ratsy izy ireo na taiza na taiza nahafantarana ny toetra amam-panahiny sy ny foto-pinoany. Noho izany dia nankahalain’ ny ratsy fanahy izy ireo, tahaka ny nankahalan’ i Kaina ratsy fanahy an’ i Abela; Ny antony nanosika an’ i Kaina hamono an’ i Abela ihany no nanosika koa ireo izay niezaka hanipaka ny fifehezan’ ny Fanahy Masina sy hamono ny vahoakan’ Andriamanitra. Izany antony izany ihany koa no nahatonga ny Jiosy handà ny Mpamonjy sy hanombo Azy tamin’ ny hazo fijaliana — dia noho ny fahadiovany sy ny fahamasinan’ ny toetra amam-panahiny izay nanameloka hatrany ny fitiavan-tenan’ ireo sy ny fahalotoany. Hatramin’ ny andron’ i Kristy ka hatramin’ izao dia nampirongatra ny fankahalana sy ny fanoheran’ ireo izay tia sy manaraka ny lalan’ ny fahotana, ny mpianatra mahatokin’ i Kristy.HM 46.1

    Ahoana ary no ilazana ny filazantsara ho hafatry ny fiadanana ? Rehefa nanambara mialoha ny fahaterahan’ ny Mesia lsaia dia nomeny anarana Izy hoe : «Andrianan’ ny Fiadanana». Rehefa nilaza tamin’ ny mpiandry ondry ny anjely fa teraka Kristy, dia toy izao no hirany teo ambonin’ ny tany lemak’ i Betlehema : «Voninahitra any amin’ ny avo indrindra ho an’ Andriamanitra ! Ary fiadanana ho etý ambonin’ ny tany amin’ ny olona ankasitrahany»8Lio.2:14 Toa mifanohitra ireo fanambaran’ ny faminaniana sy ireo tenin’ i Kristy manao hoe : «Tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra»9 Mat.10:34. Nefa mifandrindra tanteraka ireo, rehefa azo araka izay tokony ho izy. Hafatry ny fiadanana ny filazantsara. Ny fivavahana kristiana rehefa raisina sy ankatoavina, dia manarona fiadanana sy fahasambarana manerana ny tany. Hampifanatona akaiky ny firaisan’ ny firahalahiana amin’ izay rehetra manaiky ny fampianarany ny fivavahan’ i Kristy. Iraka nampanaovina an’ i Jesosy ny hampihavana ny olona amin’ Andria-manitra, ary amin’ izany fomba izany ny fampihavanana ny olom- belona samy olombelona. Nefa ny ankamaroan’ ny olombelona amin’ izao tontolo izao dia eo ambanin’ ny fifehezan’ i Satana. ilay fahavalon’ i Kristy niasiaka indrindra. Maneho foto-kevitry ny fiainana izay samy hafa fa tanteraka amin’ ny fahazarany sy ny faniriany ny filazantsara, ka mitsangana hikomy amin’ izany izy. Ankahalainy ny fahadiovana izay mampibaribary ny fahotany sy manameloka azy, ka enjehiny sy vonoiny ireo izay mampirisika azy ireo handray ny fitakiana marina sy masina ataon’ ny filazantsara. Amin’ izany lafiny izany no iantsoana ny filazantsara hoe sabatra. dia noho ireo fahamarinana ambony indrindra entiny izay mahatonga fankahalana sy ady.HM 46.2

    Ny fitondran’ Andriamanitra mahagaga izay mamela ny marina hiaritra fanenjehana ataon’ ny ratsy fanahy dia nahavery hevitra olona maro malemy finoana. Misy aza vonona ny hanary ny fahatokiany an’ Andriamanitra satria tsy ekeny ny hanambinana ny olona ratsy indrindra, nefa tra-pahoriana sy mijaly kosa ny olona tsara indrindra sy madio indrindra noho ny halozana sy ny herin’ ireo ratsy ireo. Ahoana, hoy ny fanontaniana, no aneken’ i y marina sy mamindra fo sady manan-kery tsy voafetra, tsy fahamarinana sy fampijaliana toy izany ? Fanontaniana tsy tokony hanahiran-tsaina antsika mihitsy izany. Nanome antsika porofo mazava sy ampy momba ny fitiavany Andriamanitra. ary tsy tokony hisalasala ny amin’ ny fahatsarany isika, satria tsy fantatsika ny lalana itondraný antsika. Hoy ny Mpamonjy tamin’ ny mpianany raha nitazana mialoha ny fisalasalana izay hibosesika ao amin’ ny fanahiny amin’ ny andro fitsapana sy feno haizina : «Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe : «Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa»10Jao.15:20. Ny fijalian’ i Jesosy ho antsika dia mihoatra noho izay azon’ ny halozan’ ny ratsy fanahy atao amin’ ny mpanaraka Azy na iza izy na iza. Ireo izay voantso hiaritra fampijaliana sy maritiora dia manaraka fotsiny ny dian’ ny Zanaka malalan’ Andriamanitra.HM 47.1

    Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany araka izay ataon’ ny sasany ho fahelany))111Pet.3:9. Tsy manadino na manao an-tsirambina ny zanany Izy, nefa mamela ny ratsy fanahy hampibaribary ny tena toetra amam-panahiny, mba tsy hisy ho voafitak’ izy ireo izay rehetra maniry ny hanao ny sitrapon’ ny Tompo. Averina indray, fa atao ao amin’ ny lafaoron’ ny fahoriana ny marina, mba ho voadio ny tenany, mba haharesy lahatra ny hafa ny ohatra omeny momba ny maha-zava-misy ny finoany sy ny toe-panahiny araka an’ Andria-manitra : ary mba hanameloka ny ratsy fanahy sy ny tsy mino koa ny fiainany tsy miovaova.HM 47.2

    Avelan’ Andriamanitra hahazo fanambinana ny ratsy fanahy ka haneho ny fandrafiany Azy, mba ho hitan’ ny rehetra ny fahamarinany sy ny famindrampony amin’ ny fandringanana azy ireo tanteraka, rehefa mahafeno ny fatran’ ny faharatsiany izy. Mihazakazaka ny andro famaliany, andro izay handraisan’ izay rehetra nandika ny lalàny sy nampijaly ny vahoakany ny valiny tokony noraisiny amin’ izay nataony : andro izay hamaizana ny halozana sy ny tsy rariny rehetra natao tamin’ ny olona mahatoky amin’ Andriamanitra ho tahaka ny natao tamin’ i Kristy mihitsy.HM 48.1

    Misy fanontaniana hafa mavesa-danja kokoa tokony hampifantoka ny sain’ ireo fiangonana ankehitriny. Nilaza ny apostoly Paoly fa «izay rehetra te-ho velona amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, izay ao amin’ i Kristy Jesosy, dia henjehina»122 Tim.3:12. Nahoana ary, raha izany, no toa matoritory tokoa ny fanenjehana ? Ny hany antony dia satria nifanaraka tamin’ ny tarigetran’ izao tontolo izao ny fiangonana, ka noho izany tsy mampifoha ny fanoherana. Ny fivavahana fahita amin’ izao androntsika izao dia tsy manana ilay toetra madio sy masina izay nampiavaka ny finoana kristiana tamin’ ny andron’ i Kristy sy ny apostoly. Ny antony dia izao ihany : noho ny toe-tsaina manao fifanarahana amin’ ny fahotana, noho ny tsy fiheverana ireo fahamarinana lehibe ao amin’ ny tenin’ Andriamanitra sy ny tsy firaihana aminy, noho ny mahakely ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra misy aina ao amin’ ny fiangonana, izany no antony mahatonga ny fivavahana kristiana toa mamim-bahoaka toy izao eo amin’ izao tontolo izao. Aoka hifoha ny finoana sy ny herin’ ny fiangonana voalohany, dia hifoha indray ny toe-tsaina vonon-kanenjika ary hirehitra indray ny afon’ ny fanenjehana.HM 48.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents