Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hery Mifanandrina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 19—Fahazavana ao anaty haizina

    Ny asan’ Andriamanitra etý an-tany, raha ny amin’ ny fana-vaozana lehibe rehetra na amin’ ny fihetsehana ara-pivavahana dia ahitana fitovizana manaitra mandritra ireo taona maro mifandimby. Tsy manam-piovana ireo foto-kevitra ifandraisan’ Andriamanitra amin’ ny olona. Misy itovizana amin’ izay niseho tamin’ ny lasa ny fihetsehana lehibe hita ankehitriny, ary azo akana lesona sarobidy ho amin’ izao androntsika izao ny fanandramana nataon’ ny fiangonana teo aloha.HM 357.1

    Tsy misy fahamarinana ampianarina mazava kokoa ao amin’ ny Baiboly noho ilay milaza fa mitarika ny mpanompony eto an-tany amin’ ny fomba manokana Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny Fanahiny Masina eo amin’ ny fihetsehana lehibe hampandrosoana ny asam-pamonjena.HM 357.2

    Fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra ny olombelona, ampiasainy hanatanteraka ny fikasany feno fahasoavana sy famindrampo. Samy manana ny anjara asany ny tsirairay; samy mandray fatram-pahazavana mifanaraka amin’ izay ilain’ ny fotoan’ andro misy azy, ary ampy ahazoany manatanteraka ny asa izay nomen’ Andria-manitra hataony. Tsy misy olona anefa, na nomen’ ny lanitra voninahitra manao ahoana aza, izay nahatratra ny fahalalana fenon’ ny drafitra lehibe momba ny fanavotana, na nahatsapa tanteraka ny fikasan’ Andriamanitra momba ny asa tokony hatao ainin’ ny andro ahavelomany. Tsy takatry ny sain’ ny olona tanteraka izay tian’ Andriamanitra hotontosaina amin’ ny alalan’ ny asa izay nomeny azy hatao ; tsy voasahany amin’ ny lafiny rehetra, ny hafatra izay entiny amin’ ny anaran’ Andriamanitra.HM 357.3

    «Takatry ny sainao va ny fomban’ Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha?» «Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. Fa tahaka ny hahavon’ ny lanitra noho ny tany no hahavon’ ny lalako sy ny lalanareo sy ny fihevitro sy ny fihevitrareo». «Izaho no Andriamanitra ka, tsy misy tahaka Ahy, Izay manambara ny farany hatramin’ ny voalohany, ary manambara hatramin’ ny ela izay tsy mbola natao akory» 1Joa 11:7; Isia.55:8,9,10.HM 358.1

    Na dia ireo mpaminany izay nomena tombon-tsoa lehibe noho ny fanazavana manokana avy amin’ ny Fanahy aza dia tsy nahalala tanteraka ny vesatry ny fanambarana nankinina taminy. Niseho miandalana nandritra ireo taona nifandimby ny hevitr’ izany, arakaraka ny nilan’ ny vahoakan’ Andriamanitra ny toro-marika voarakitra ao.HM 358.2

    Hoy Petera, raha nanoratra momba ny famonjena izay voaseho mazava teo amin’ ny filazantsara izy : «Ny amin’ izany famonjena izany dia notadiavin’ ny mpaminany sy nokatsahiny fatratra dia ireo efa naminany ny fahasoavana ho anareo; eny, nokatsahiny na izay andro na izay toetry ny andro notondroin’ ny Fanahin’ i Kristy tao anatiny, raha nambarany rahateo ny fijalian’ i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany. Ary naseho tamin’ ireo fa tsy ho azy, fa ho anareo no nanompoany ny amin’ izany zavatra izany» 21Pet.1:10-12.HM 358.3

    Na dia tsy nomena ny mpaminany aza ny hahafantatra tanteraka ny hevitry ny zavatra nambara taminy, dia nokatsahany fatratra ny handray ny fahazavana rehetra izay tian’ Andriamanitra naseho. «Notadiaviny sy nokatsahiny fatratra», «nokatsahiny izay andro na izay toetry ny andro notondroin’ ny Fanahin’ i Kristy tao anatiny». Lesona manao ahoana ho an’ ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ izao andro kristiana izao izany, izay antony nanomezana ireo faminaniana ireo tamin’ ny mpanompony! «Ary naseho tamin’ ireo fa tsy ho azy, fa ho anareo no nanompoany ny amin’ izany zavatra izany». Araho maso ireo olo-masin’ Andriamanitra rehefa «mitady sy mikatsaka fatratra» ny mikasika ireo fanambarana izay nomena azy ho an’ ny taranaka tsy mbola teraka. Ampitahao ny hafanam-pony masina amin’ ny tsy firaihana izay andraisan’ ireo izay nomena tombon-tsoa manokana aty amin’ ny andro atý aoriana ny amin’ io fanomezan’ ny lanitra io. Fanakianana manao ahoana ny kristiana tsy miraika noho ny fitiavam-pahafinaretana sy ny fitiavana an’ izao tontolo izao izany, izay afapo amin’ ny filazana fa tsy mety ho azo ny hevitry ny faminaniana.HM 358.4

    Na dia tsy afaka hiditra any amin’ ny filan-kevitr’ Ilay tsy voafetra aza ny sain’ ny olombelona voafetra, na hahatakatra tanteraka ny fiasan’ ny fikasany rahateo, dia matetika noho ny hadisoana avy aminy na ny fanaovany an-tsirambina no mahatonga ny hafatry ny lanitra, ho maizimaizina ny fahazoany azy. Matetika no nohamaizinin’ ny hevitr’ olombelona. ny lovan-tsofina sy ny fampianarandison’ ny olombelona ny sain’ ny vahoaka, eny, na dia ny an’ ny mpanompon’ Andriamanitra aza, hany ka sombiny kely fotsiny no azony ny amin’ ireo zava-dehibe izay nambarany ao amin’ ny Teniny. Toy izany tamin’ ireo mpianatr’ i Kristy, na dia fony ny tenan’ ny Mpamonjy mihitsy aza no teo anivony. Efa vonton’ ny hevitry ny besinimaro loatra momba ny Mesia izay nataony fa ho mpanjaka aranofo, ka hanandratra an’ Isiraely ho eo amin’ ny seza fiandrianan’ izao tontolo izao ny fisainany, hany ka tsy nety ho azony ny dikan’ ny teny izay nanambara mialoha ny fijaliany sy ny fahafatesany.HM 359.1

    Kristy mihitsy no naniraka azy hitory ny hafatra nanao hoe : «Efa tonga ny fotoana ka efa akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara» 3Marka 1:15. Nifototra tamin’ ny faminanian’ ny Daniela 9 io hafatra io. Nolazain’ ny anjely fa hahatratra hatramin’ ny «Mesia Andriana» ny sivy amby enimpolo herinandro, ka tamin’ ny fanantenana be sy fifaliana no niandrandran’ ny mpianatra mialoha ny hanorenan’ ny Mesia ny fanjakany ao Jerosalema izay hanapaka ny tany manontolo.HM 359.2

    Notoriny ny hafatra izay efa nankinin’ i Kristy taminy na dia diso fandray ny heviny aza izy ireo. Nifototra tamin’ i Daniela 9 : 25 ny fanambarana nataony nefa tsy hitany teo amin’ ny andininy manaraka ao amin’ io toko io ihany, fa «hovonoina» ny Mesia. Hatramin’ ny nahaterahan’ izy ireo dia efa nipetraka teo amin’ ny voninahitry ny fanjakana eto an-tany ny fony ary izany no nahajamba ny sainy tsy hahita ny famariparitana ao amin’ ny faminaniana sy ny tenin’ i Kristy.HM 359.3

    Notanterahiny ny adidiny tamin’ ny nitondrany ny fiantsoan’ ny famindrampo teo amin’ ny firenena jiosy, ary rehefa izany, tamin’ ny fotoana indrindra izay nantenainy hahitana ny Tompony hiakatra teo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida, dia nahita Azy nosamborina toy ny olon-dratsy Izy, nokapohina, noesoina sy nomelohina ary nasandratra teo amin’ ny hazo fijalian’ i Kalvary. Famoizam-po sy tebiteby manao ahoana no nandrotika ny fon’ ireo mpianatra nandritra ny andro nandrian’ ny Tompony tao am-pasana!HM 360.1

    Tonga tamin’ ny fotoana marina sy tamin’ ny fomba nolazain’ ny faminaniana mialoha Izy. Tanteraka tamin’ ny antsipiriany rehetra teo amin’ ny asany ny fanambaran’ ny Soratra Masina. Efa nitory ny hafatry ny famonjena Izy ary «nanan-kery ny teniny». Efa tsapan’ ny fon’ ny mpihaino Azy fa avy any an-danitra Izy. Ny teny sy ny Fanahin’ Andriamanitra dia nanamarina fa Zanak’ Andriamanitra nirahiny Izy.HM 360.2

    Mbola nifikitra tami: fitiavana tsy mety maty tamin’ ilay Tompo tiany ny mpianany. Nefa na izany aza dia voasaron’ ny tsy finoana sy ny fisalasalana ny sainy. Noho ny fahoriam-panahiny dia tsy tsaroany ny tenin’ i Kristy izay nanondro mialoha ny fahoriana hiaretany sy ny fahafatesany. Raha Jesosy avy any Nazareta ve no tena Mesia, dia ho tafalentika lalina toy izao ao amin’ ny alahelo sy ny fahadisoam-panantenana izy ireo? Io no fanontaniana nampangirifiry ny fanahiny raha nandry tao amin’ ny fasany ny Mpamonjy nandritra ireo ora tsy nisian’ ny fanantenana nangirana tamin’ ilay Sabata teo anelanelan’ ny nahafatesany sy ny nitsanganany.HM 360.3

    Na dia nanarona ireo mpanaraka an’ i Jesosy aza iny alimpahoriana iny, dia tsy nafoy akory izy ireo. Hoy ny mpaminany : «Raha mitoetra ao amin’ ny maizina aho, dia Jehovah no fahazavana ho ahy. . . Hamoaka ahy ho amin’ ny mazava Izy, ka ho faly aho mahita ny fahamarinany». «Tsia, fa ny maizina aza tsy mahamaizina aminao; fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany, ka sahala ny mazava sy ny maizina». Efa niteny Andriamanitra hoe : «Ao amin’ ny maizina no iposahan’ ny mazava ho an’ ny mahitsy; mamindra fo sy miantra ny marina ireny». «Hitarika ny jamba amin’ izay lalana tsy fantany Aho; ary amin’ ny lalana tsy fantany no hitondrako azy; ny maizina dia hataoko mazava eo anoloany, ary ny mikitoantoana halamako tsara; izany zavatra izany no hataoko aminy ka tsy hamelako» 4Mika. 7 : 8 , 9 ; Sal. 139 : 12 ; 112 : 4 ; Isa. 42 : 16.HM 360.4

    Ny fanambarana izay efa nataon’ ny mpianatra tamin’ ny anaran’ ny Tompo dia marina tanteraka ary ireo toe-javatra izay notondroiny dia teo an-dalam-pahatanterahana tamin’ izay. «Efa tonga ny fotoana ka efa akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra» izany no hafatra nentiny. Tamin’ ilay fahataperan’ ilay fetr’ andro — ny sivy amby enimpolo herinandro ao amin’ ny Daniela 9, izay mahatratra ny Mesia, «Ilay Voahosotra» — dia nandray ny fanosorana Azy Kristy rehefa nataon’ i Jaona batisa tao Jordana. Ary ny fanjakan’ Andriamanitra izay efa nambaran’ ny mpianatra fa efa akaiky dia naorina tamin’ ny nahafatesan’ i Kristy. Tsy fanjakana araka izao tontolo izao tsy akory izy io, araka ny efa nampianarina azy ireo hinoany. — Ary koa tsy ilay fanjakana maharitra mandrakizay izay hatsangana rehefa homena ny olo-masin’ ny Avo Indrindra ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibeazan’ ny fanjakana eny ambanin’ ny lanitra rehetra ; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy» 5Dan. 7 : 27. Araka ny fampiasa ao amin’ ny Baiboly, ny teny hoe «fanjakan’ Andriamanitra» dia entina manondro ny fanjakam-pahasoavana sy ny fanjakam-boninahitra. Ny fanjakampahasoavana dia asehon’ i Paoly ao amin’ ny epistily ho an’ ny Hebreo. Rehefa avy nanondro an’ i Kristy izy, ilay Mpanelanelana mangora-po izay «mahalala ny fahalementsika», dia hoy ny Apostoly: «Aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ ny fahasoavana amin’ ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo» 6Heb. 4 : 16. Ny seza fiandrianan’ ny fahasoavana dia mampiseho ny fanjakam-pahasoavana; satria ny fisian’ ny seza fiandrianana dia midika ho fisian’ ny fanjakana, Kristy dia mampiasa ny fiteny hoe «fanjakan’ ny lanitra» ao amin’ ny fanoharana maro mba hilazany ny asan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra ao amin’ ny fon’ ny olona.HM 361.1

    Toy izany koa ny seza fiandrianan’ ny voninahitra dia mampiseho ny fanjakan’ ny voninahitra; ary io no fanjakana ambara amin’ ny tenin’ ny Mpamonjy hoe: «Ary raha tonga ny zanak’ olona amin’ ny voninahiny, arahin’ ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny Izy, ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany» 7Mat. 25 : 32. Mbola ho avy io fanjakana io. Tsy haorina io, raha tsy amin’ ny fiavian’ i Kristy fanindroany.HM 361.2

    Naorina avy hatrany taorian’ ny nahalavoan’ ny olona ny fanjakam-pahasoavana fony namolavola drafitra hoenti-manavotra ny taranak’ olombelona meloka Andriamanitra. Efa nisy izy tamin’ izany, voafono tao amin’ ny planan’ Andriamanitra sy tamin’ ny alalan’ ny teny fikasany, ary azon’ ny olona natao ny ho tonga ho anisan’ izany fanjakana izany tamin’ ny alalan’ ny finoana. Nefa tsy mbola tena tafaorina marina izany raha tsy tamin’ ny nahafatesan’ i Kristy. Satria na dia efa nirotsaka hanao ny asa nanirahana Azy teto an-tany aza ny Mpamonjy, rehefa reraky ny hamafin’ ny fon’ ny olona sy ny tsy fahaizany mankasitraka Izy, dia nety ho niala ka tsy nanatanteraka ny sorona tao Kalvary. Nipararetra teo an-tanany ilay kapoaka feno ozona tao Getsemane. Azony natao na dia tamin’ izay aza ny namafa ny handriny tsembo-dra ka namela ny taranaka meloka ho faty ao amin’ ny fahadisoany. Raha nanao izany Izy, dia tsy ho nisy fanavotana ho an’ ny olombelona lavo. Nefa rehefa nanolotra ny ainy ny Mpamonjy, ka niantso hoe «Vita» raha niala ny fofon’ ainy, dia azo antoka ny fahatanterahan’ ny drafitry ny fanavotana. Nohamafisina ilay teny fikasana nilaza famonjena tamin’ izy mivady mpanota tao Edena. Tafaorina tamin’ izay ilay fanjakam-pahasoavana izay efa nisy teo aloha tamin’ ny alalan’ ny teny fikasan’ Andria-manitra. Tamin’ izay ary, ny fahafatesan’ i Kristy, ilay zava-nitranga indrindra izay noheverin’ ny mpianatra ho fandevonana farany ny fanantenany — dia io indrindra no nahatonga an’ izany ho azo antoka mandrakizay. — Na dia nitondra fahadisoam-panantenana faran’ izay mafy taminy aza izany, dia izany no fara-tampony fa marina izay ninoany. — Ny zava-nitranga izay nameno azy ireo alahelo sy famoizam-po, no nanokatra kosa ny varavaram-panantenana ho an’ ny zanak’ i Adama rehetra sy tonga fototry ny fiainana ho avy sy ny fahasambarana mandrakizay ho an’ ny olon’ Andriamanitra nahatoky tamin’ ny fotoana rehetra.HM 361.3

    Ireo fikasana avy amin’ ny famindrampo tsy hita fetra dia nahatratra ny fahatanterahany, eny, fa na dia tamin’ ny alalan’ ny fahadisoam-panantenana nahazo ny mpianatra aza. Babon’ ny fahasoavan’ Andriamanitra sy ny herin’ ny fampianaran’ ny Tompo, dia Ilay azo lazaina fa «tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany» ny fon’ izy ireo ; nefa nafangarony tamin’ ny volamena madion’ ny firaiketampony tamin’ i Jesosy, ny taindredriky ny avonavona araka an’ izao tontolo izao sy ny fitiavam-boninahitra tsy mihevitra afa-tsy ny tenany fotsiny. Eny, fa na dia teo amin’ ny efitrano ambonin’ ny Paska aza, teo amin’ ilay ora mampieritreritra indrindra, raha efa niditra teo amin’ ny alok’ i Getsemane ny Tompony, dia nisy «fifandirana tao aminy ny amin’ izay hatao lehibe». Lio. 22:24. Ny fahitan’ izy ireo dia fenon’ ny seza fiandrianana, ny satro-panjakana ary ny voninahitra, nefa nanoloana azy indrindra izao ny henatra sy ny toa fialan’ aina tao an-tanimboly, ny kianjan’ ny fitsarana ary ny hazo fijalian’ i Kalvary.HM 362.1

    Ny avonavom-pony, ny hetahetam-boninahitra araka an’ izao tontolo izao no nitarika azy ireo hifikitra mafy toy izao tamin’ ny fampianaran-diso nisy tamin’ ny androny, ka tsy nahafantarany ny tenin’ny Mpamonjy izay mampiseho ny tena toetran’ ny fanjakany sy nanondro mialoha ny ady mihatra aman’ aina hatrehiny ary ny fahafatesany. Ary ireo fahadisoan-kevitra ireo dia nitarika fisedrana mafy nefa nilaina izay navela hihatra hanitsiana azy. Na dia diso fandray ny hafatra nampitondraina azy aza ny mpianatra, ka tsy nahazo izay nantenainy dia efa nitory ny hafatra fananarana nomen’ Andriamanitra azy ireo, ary ny Tompo hamaly soa ny finoany sy hanome voninahitra ny fankatoavany. Nankinina taminy ny fitoriana amin’ ny firenena rehetra ny filazantsara be voninahitra momba ny nitsanganan’ ny Tompo tamin’ ny maty. Ho fanomanana azy ho amin’ io asa io no namelana izao fanandramana izay toa nangidy loatra ho azy izao hihatra taminy.HM 363.1

    Rehefa nitsangana tamin’ ny maty Jesosy dia niseho tamin’ ny mpianany teo an-dalana ho any Emaosy Izy, ary «nanomboka hatramin’ i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ ny Soratra Masina rehetra» 8Lioka 24 : 27. Nangorakoraka tao am-pony ny mpianatra. Voarehitra ny finoana. «Teraka indray ho amin’ ny fanantenana velona» izy ireo, eny na dia talohan’ ny nanambaran’ i Jesosy ny tenany taminy aza. Fikasan’ ny Tompo ny hanazava ny sainy sy hampahatanjaka ny finoany amin’ ny «tenin’ ny faminaniana mafy orina kokoa». Niriny hamaka lalina tao an-tsainy ny fahamarinana, tsy noho ny teny vavolombelona nataon’ ny tenany hoenti-manohana izany fotsiny, fa noho ny porofo mazava tsy iadian-kevitra avy amin’ ny tandindona sy ny aloka ao amin’ ny lalàna ara-pomba fivavahana, sy amin’ ny alalan’ ireo faminaniana ao amin’ ny Testamenta Taloha. Nilain’ ireo mpanaraka an’ i Kristy ny hanana finoana hazavain’ ny saina tsy ho an’ ny tenany fotsiny, fa mba hahazoany koa mitondra ny fahalalana an’ i Kristy amin’ izao tontolo izao. Ary ho dingana voalohany amin’ ny fizarana io fahalalana io, dia notarihin’ i Jesosy ho eo «amin’ i Mosesy sy ny mpaminany rehetra» ny mpianatra. Toy izany no fanambarana nataon’ Ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ ny maty momba ny tombam-bidy sy ny maha-zava-dehibe ny Testamenta Taloha.HM 363.2

    Fiovana manao ahoana no tao amin’ ny fon’ ny mpianatra raha nibanjina indray ilay endriky ny Tompony be fitiavana izy! (Lioka 24 : 32) Tamin’ ny fomba feno sy tanteraka noho ny teo aloha rehetra no nahitany «Ilay nosoratan’ i Mosesy tao amin’ ny lalàna, sy nosoratan’ ny mpaminany». Nisolo toerana ny fisalasalana, ny tebiteby, ny hakiviana, ny toky azo antoka, ny finoana tsy voasemban-drahona. Tsy mahagaga raha «teo an-kianjan’ ny tempoly isan’ andro izy ireo nankalaza an’ Andriamanitra», taorian’ ny niakarany ho any an-danitra. Ny vahoaka izay tsy nahalala afa-tsy ny fahafatesana nahamenatra nozakain’ ny Mpamonjy, dia nihevitra ny hahita teo amin’ ny endriky ny mpianatra ny taratry ny alahelo, ny henatra sy ny faharesena; kanjo fifaliana sy fandresena no hitany. Fiomanana tsara loatra no noraisin’ ny mpianatra ho amin’ ny asa nanoloana azy! Efa nandalo tamin’ ny fitsapana lalina indrindra izay nety niainany izy, ary efa nahita fa rehefa toa very ny zavatra rehetra teo imason’ olombelona, dia tanteraka tamim-pandresena kosa ny tenin’ Andriamanitra. Hatramin’ izao dia inona intsony no afaka hampihemotra ny finoany na hampangatsiaka ny firedaredan’ ny fitiavany? Tao amin’ ny alahelo mavesatra indrindra dia nahazo «fampirisihana mafy» izy, fanantenana izay «vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika» 9Heb. 6 : 18, 19 ; . Efa vavolombelona nahita maso ny fahendrena sy ny herin’ Andriamanitra izy, ka matoky «fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’ izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka azy amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra izay ao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika». «Kanefa amin’ izany rehetra izany», hoy izy, «dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ ny alalan’ Ilay tia antsika» 10Rom. 14 : 38 , 39 , 37 . «Fa ny tenin’ ny Tompo maharitra mandrakizay» 111 Pet. 1 : 25. Ary «iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin’ ny maty koa ka mitoetra eo amin’ ny tanana an-kavanan’ Andriamanitra ary mifona ho antsika» 12Rom.8: 34.HM 363.3

    Hoy ny Tompo : «Tsy ho menatra mandrakizay ny oloko» 13Joela 2 : 26. «Amin’ ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; fa nony maraina kosa dia misy fihobiana» 14Sal. 30 : 5. Rehefa nihaona tamin’ ny Mpamonjy ireo mpianatra ireo tamin’ ny andro nitsanganany tamin’ ny maty, ka nangorakoraka ny fony teo am-pihainoana ny teniny; rehefa nijery ny lohany sy ny tanany ary ny tongony izay notorotoroina ho azy ireo izy; rehefa nitarika azy ireo ho any Betania i Jesosy, talohan’ ny niakarany, ka nanandratra ny tanany Izy nitso-drano azy ireo sady nandidy azy : «Mandehana any amin’ izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny fílazantsara amin’ ny olombelona rehetra», sy nampiany hoe : «Ary indro, Izaho momba anareo mandrakiriva» 15Mar. 16 : 15 ; Mat. 28 : 20 ; rehefa nidina Ilay Mpananatra nampanantenaina tamin’ ny andro Pentekosta ka nomena ny hery avy any ambony ary nibitaka ny fanahin’ ny mpino nahatsapa ny fanatrehan’ ny Tompony efa niakatra ho any an-danitra — tamin’ izay, eny, na dia nitarika ho amin’ ny fahafoizan-tena sy ny maritiora tahaka ny Azy aza ny lalan’ izy ireo, dia moa ve ho natakalony ny fitoriana ny filazantsaran’ ny fahasoavany, miaraka amin’ ny «satroboninahitry ny fahamarinana» horaisiny amin’ ny fiaviany, ny voninahitry ny seza fiandrianana eto an-tany, izay nantenainy fony izy vao nirotsaka ho mpianatr’ i Kristy? Ilay «mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra eny, mihoatra lavitia noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza» no nanome azy ireo, niaraka tamin’ ny firaisana tamin’ ny fahoriany, ny fiombonana tamin’ ny fifaliany — dia ny fifaliana eo amin’ ny fitondrana «zanaka maro ho any amin’ ny voninahitra», fifaliana tsy hay lazaina, «voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay», ka, hoy i Paoly : «ny fahorianay maivana, izay vetivety foana», dia «tsy tokony hoharina amin’ ny voninahitra izay haseho amintsika».HM 364.1

    Ny fanandramana nataon’ ireo mpianatra izay «nitory ny filazantsaran’ ny fanjakana» tamin’ ny fiavian’ i Kristy voalohany, dia nisy setriny tamin’ ny fanandramana nataon’ ireo izay nitory ny hafatry ny fiaviany fanindroany. Toy ireo mpianatra nandeha nitory hoe : «Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra», dia toy izany koa no nitorian-dry Miller sy ireo niaraka taminy fa ny fotoana lava indrindra sy farany indrindra eo amin’ ny faminaniana asehon’ ny Baiboly dia efa madiva ho tapitra, fa akaiky ny fitsarana, ary efa akaiky haorina ny fanjakana mandrakizay. Nifototra tamin’ ny fitopolo herinandro ao amin’ ny Daniela 9 ny fitoriana nataon’ ny mpianatra mikasika ny fotoan’ andro. Manambara ny fiafaran’ ny 2300 andro ao amin’ ny Daniela 8 : 14, izay mahafaoka ny fitopolo herinandro ny hafatra nambaran’ i Miller sy ireo mpiara-dia taminy. Samy nifototra tamin’ ny fahatanterahan’ ny fizarana samihafa tao amin’ ny fotoana voafaritry ny faminaniana lehibe iray ihany ireo hafatra notorina ireo.HM 365.1

    Tahaka ireo mpianatra voalohany, dia tsy takatr’ i Miller sy ireo namany tanteraka ny fiantraikan’ ny hafatra nentiny. Nanakana azy tsy ho tonga teo amin’ ny fanazavana marina ny zava-dehibe iray tao amin’ ny faminaniana, ireo hevi-diso efa tafaorina ela tao amin’ ny fiangonana. Noho izany, na dia nitory ny hafatra izay nankinin’ Andriamanitra taminy hotoriny amin’ izao tontolo izao aza izy, dia niharan’ ny fahadisoam-panantenana noho ny fandraisana diso ny heviny.HM 365.2

    Tamin’ ny nanazavany ny Daniela 8 : 14 hoe : «Telon-jato sy roa arivo andro; rehefa afaka izany dia hodiovina ny fitoerana masina», dia noraisin’ i Miller ny hevitra neken’ ny besinimaro, araka ny voalaza, fa ny tany no fitoerana masina, ary ninoany fa ny fanadiovana ny fitoerana masina dia mampiseho ny fanadiovana ny tany amin’ ny afo amin’ ny fiavian’ ny Tompo. Noho izany, rehefa hitany fa voalaza mazava mialoha ny fiafaran’ ny 2300 andro, dia noraisiny ho fanambarana ny fotoan’ ny fiavian’ i Kristy fanindroany izany. Ny fahadison-keviny dia noho ny nandraisany ny hevitry ny besinimaro mikasika ny atao hoe fitoerana masina.HM 366.1

    Tao amin’ ny rafitra seremoniely, izay tandindon’ ny sorona sy ny fisoronana ataon’ i Kristy, ny fanadiovana ny fitoerana masina no fanompoam-pivavahana farany indrindra nataon’ ny mpisoronabe tamin’ ireo fanao isan-taona. Io no asa famaranana ny fanavotana fanalana na fanesorana ny fahotana tsy ho eo amin’ Isiraely. Manambara mialoha ny asa famaranana ataon’ ny Mpisoronabentsika any an-danitra izany, amin’ ny fanalana na ny fikosehana ny fahotan’ ny vahoakany, izay voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny lanitra. Voafaoka amin’ izany raharaha izany ny fanaovana famotopotorana ny asa fitsarana ; ary mialoha indrindra ny fiavian’ i Kristy eo amin’ ny rahon’ ny lanitra amin-kery sy voninahitra lehibe izany ; satria rehefa ho avy Izy dia efa tapaka ny anjaran’ ny tsirairay. Hoy i Jesosy; «Eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany»16Apok. 22 : 12. Io asa fitsarana io, izay mialoha indrindra ny fiavian’ i Kristy fanindroany, no ambaran’ ny hafatr’ ilay anjely voalohany ao amin’ ny Apokalypsy 14 ; 7. «Matahora an’ Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy, fa tonga ny andro fitsarany».HM 366.2

    Ireo izay nitory io hafatra fampitandremana io dia nanome ny hafatra mety ho amin’ ny fotoana mety. Nefa tahaka ireo mpianatra voalohany izay nanambara fa «tonga ny fotoan’ andro ary akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra», hafatra mifototra amin’ ny faminanian’ ny Daniela 9 ka tsy nahita fa voalaza mialoha tao amin’ io teny io ihany koa ny ny nahafatesan’ ny Mesia, dia toy izany koa ry Miller sy ireo mpiara-dia tarniny, dia nitory ny hafatra niompana amin’ ny Daniela 8 : 14 sy ny Apokalypsy 14:7, nefa tsy nahita fa mbola nisy koa hafatra hafa asehon’ ny Apokalypsy 14, izay tokony hambara koa alohan’ ny fiavian’ ny Tompo. Tahaka ireo mpianatra diso hevitra momba ny fanjakana hatsangana tamin’ ny fiafaran’ ny fitopolo herinandro, dia toy izany koa ireo Advantista izay diso fandray ny toe-javatra hitranga amin’ ny fiafaran’ ny 2300 andro. Samy nisy fanekena ny marina, na, fanarahana ambokony ireo hevi-dison’ ny besinimaro izay nanamaizina ny saina tsy hahita ny fahamarinana. Samy nanatanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra ireo antokon’ olona roa ireo tamin’ ny fanomezana ny hafatra tian’ Andriamanitra nomena, ary samy niaritra ny fahadisoam-panantenana noho ny fandraisany diso ny hafatra nentiny.HM 366.3

    Nefa nahatanteraka ny fikasany tsara Andriamanitra tamin’ ny namelany ny fitoriana ny hafatra fampiomanana ho amin’ ny fitsarana araka izay niseho. Akaiky ilay andro lehibe, ary noho ny fitondran’ Andriamanitra dia nosedraina ny vahoaka momba ny fotoan’ andro voafaritra tsara, mba hanehoana taminy izay tao am-pony. Io hafatra io dia natao hisedrana ny fiangonana sy hanadiovana azy. Voatarika izy hahita ny tena nametrahany ny fitiavany, na teo amin’ ity izao tontolo izao ity na teo amin’ i Kristy sy ny lanitra. Nilaza ho tia ny Mpamonjy izy; ankehitriny izy dia hanaporofo izany fitiavany izany. Moa ve vonona ny hahafoy ny fanantenany sy ny hambom-pony momba an’ izao tontolo izao izy ka handray amim-pifaliana ny fiavian’ ny Tompony? Io hafatra io dia natao mba hahatonga azy hahafantatra marina ny tena toetrany eo amin’ ny ara-panahy; nalefa izany noho ny famindram-po mba hanainga azy hitady ny Tompo amim-pibebahana sy amim-panetren-tena.HM 367.1

    Ilay fahadisoam-panantenana koa, na dia vokatry ny fandraisana diso nataon’ ny tenany ihany momba ny hafatra nomeny aza dia voakendry hahasoa. Nisedra ny fon’ ireo izay nilaza fa nandray ny hafatra izany. Teo anoloan’ ny fahadisoam-panantenany, moa ve ho dodona izy handà ny fanandramana niainany ka hitsipaka ny fitokisany ny tenin’ Andriamanitra? sa kosa hiezaka amim-pivavahana sy amim-panetren-tena izy hahita izay nahadiso azy tamin’ ny fandraisany ny hevitry ny faminaniana? Firy no nentanin’ ny tahotra, na ny fientanam-po sy ny fahataitairana nandalo? Firy no tsy tena rototra sy tsy nanam-pinoana? Vahoaka marobe no nilaza fa tia ny fisehoan’ ny Tompo. Nefa rehefa voantso hiaritra ny esoeso sy ny fanomezan-tsinin’ izao tontolo izao izy, ka nosedrain’ ny fihemoram- potoana sy ny fahadisoam-panantenana, moa hiala amin’ ny finoany va? Satria tsy nazava taminy avy hatrany ny fitondran’ Andriamanitra azy, dia moa ve hotsipahiny ireo fahamarinana tohanan’ ny teny vavoiombelona mazava indrindra ao amin’ ny teniny?HM 367.2

    Io fisedrana io dia nampiseho ny herin’ ireo izay nanana finoana tsara fototra ka nankatò izay ninoany ho tena fampianaran’ ny tenin’ Andriamanitra sy ny Fanahiny. Nampianatra azy izany ary tsy misy afa-tsy ny fanandramana toy izay nataony no afaka hampianatra fa mampidi-doza ny fanekena ny hevitr’ olombelona sy ny fanazavana omeny, fa tsy ny Baiboly ihany no ekena hanazava ny tenany. Ho an’ ireo zanaky ny finoana dia nanao ny asany ny fitebitebena sy ny alahelo vokatry ny hevi-diso nataon’ ny tenany ka nitondra ny fanitsiana nilaina. Voatarika handinika akaiky kokoa ny teny faminaniana izy. Nianatra ny handinika lalindalina kokoa ny fanorenan’ ny finoany izy, sy handà izay rehetra tsy mifototra amin’ ny fahamarinan’ ny Soratra Masina, na dia ekena hatraiza hatraiza eo amin’ ireo Kristiana aza.HM 368.1

    Ho an’ ireo mpino ireo, tahaka ny tamin’ ireo mpianatra voalohany, dia nanjary nazava taty aoriana izay toa maizina tamin’ ny sainy tamin’ ny ora fisedrana. Rehefa hitany «ny faran’ ny nataon’ ny Tompo tarniny» dia fantany fa, na dia teo aza ny fisedrana avy tamin’ ny fahadisoan-kevitra nahavoa azy, dia tanteraka marina taminy ny fikasan’ Andriamanitra feno fitiavana. Nianarany tamin’ ny fanandramana nitondra fitahiana ho azy fa «mamindra fo sy miantra Izy»; fa ny lalan’ i Jehovah rehetra dia «famindram-po sy fahamarinana amin’ izay mitandrina ny fanekeny sy ny teny vavolombelony».HM 368.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents