Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hery Mifanandrina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 21—Hafatra fampitandremana notsipahina

    Tamin’ i William Miller sy ireo namany nitory ny fampianarana momba ny fiavian’ i Kristy fanindroany dia ny hampifoha olona hiomana ho amin’ ny fitsarana no hany zavatra nilofosany. Niezahany ny hanaitra ireo mpampianatra fivavahana ho amin’ ny tena fanantenan’ ny fiangonana sy ho amin’ ny ilany fanandramana Kristiana lalindalina kokoa; niasa koa izy ireo mba hanaitra ireo tsy voaova fo amin’ ny adidiny hibebaka avy hatrany sy hiverina amin’ Andria-manitra. «Tsy niezaka mihitsy hitaona ny olona hanaraka antoko na sampam-pinoana izy. Noho izany dia niasany avokoa ny antokompivavahana sy ny sampana rehetra misy, ary tsy nisalovana teo amin’ ny fandaminana na ny fiezahana teo amin’ izy ireo izy».HM 389.1

    «Teo amin’ ny asako rehetra», hoy Miller, «dia tsy nanampaniriana mihitsy na nieritreritra akory ny hanangana na inona na inona izay hanana endrika ho toy ny fisarahana amin’ ny antokompinoana efa nisy aho, na hanasoa ny iray nefa hahavoa ny hafa. Ny hanasoa ny rehetra no noheveriko. Heveriko fa raha miravoravo avokoa ny Kristiana rehetra eo am-pibanjinana ny fiavian’ i Kristy, ary ireo izay tsy mitovy fihevitra amiko dia mbola ho tia ihany izay manaiky ity fampianarana ity, dia ataoko fa tsy misy ilana mihitsy ny hanaovana fivoriana mitokana. Ny tena zava-kendreko dia ny hanova fanahy ho an’ Andriamanitra, ny hilaza amin’ izao tontolo izao ny amin’ ny fitsarana ho avy sy ny hitarika ny mpiara-belona amiko hanomana ny fony mba hahazoany mihaona amin’ Andriamaniny amim-piadanana. Ny ankabeazan’ ireo izay niova fo noho ny asa nataoko dia niray tamin’ ireo fiangonana samihafa efa nisy azy». — Bliss, p. 328.HM 389.2

    Raha mbola nanatevina ny fiangonana ny asany, dia nankasi-trahana nandritra ny fotoana fohy. Nefa kosa rehefa nanapa-kevitra ny hanohitra ny fampianarana momba ny fiavian’ i Kristy ny mpitandrina sy ireo mpitarika ara-pivavahana ka ta-hanafoana ny fanetsiketsehana rehetra momba an’ io foto-kevitra io dia tsy noteheriny fotsiny avy eny amin’ ny polipitra izany, fa tsy nomeny koa ireo mambra tao amin’ ny fiangonana ny tombon-tsoa hanatrika ny fitoriana ny amin’ ny fiavian’ i Kristy fanindroany, eny, fa na dia ny miresaka ny amin’ ny fanantenany mandritra ny fivoriampiangonana hifanakalozan-kevitra aza. Noho izany dia tojo fisedrana mafy sy fahaverezan-kevitra be ny mpino. Tiany ny fiangonany ary nalaina ny hisaraka taminy izy; nefa kosa rehefa hitany fa nolavina ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra sy nofoanana ny zony hanadihady ny faminaniana dia tsapany fa nandrisika azy tsy hilefitra ny fahatokiany an’ Andriamanitra. Tsy azony nekena ho anisan’ ny fiangonan’ i Kristy izay «andry sy fiorenan’ ny fahamarinana» ireo izay nitady hitsipaka ny fanambaran’ ny tenin’ Andria-manitra. Noho izany dia azony nohamarinina ny fisarahany tamin’ ny fikambanana nisy azy teo aloha. Tamin’ ny fahavaratry ny 1844 dia sahabo ho iray hetsy no niendaka tamin’ ny fiangonany.HM 390.1

    Tokony ho tamin’ io fotoana io dia nisy fiovana mazava hita teo amin’ ny ankabeazan’ ny fiangonana nanerana an’ i Etazonia. Nandritra ny taona maro no efa nisy fitomboana niandalana nefa tsy niato ho amin’ ny fanarahana ny fanao sy ny fomban’ izao tontolo izao ary niara-dalana tamin’ izany dia nitambotsotra ny tena fiainana ara-panahy marina; tamin’ io taona io kosa dia hita nibaribary ny fisian’ ny fihemorana tampoka sy niavaka saiky tao amin’ ny fiangonana rehetra tany Etazonia. Toa tsy nisy afaka nilaza izay tena antony fa niharihary ny zava-misy ary namakafaka momba izany na ny gazety na ny teny amin’ ny polipitra.HM 390.2

    Tao amin’ ny fivorian’ ny Synoda tany Philadelphia, Andriamatoa Barnes, ilay nanoratra hevi-teny maro ary mpitandrina tao amin’ ny anankiray tamin’ ny fiangonana lehibe tao amin’ io tanàna io, dia nilaza fa nandritra ny roapolo taona naha-mpitandrina azy, ka hatramin’ ny fandraisana ny fanasan’ ny Tompo farany, dia mbola tsy nanao io fanompoam-pivavahana io izy, ka tsy nisy olona vaovao, maro na vitsy, niditra ho anisan’ ny fiangonana. Fa ankehitriny kosa tsy misy fifohazana, tsy misy fiovam-po, tsy misy fitomboan’ ny fahasoavana hita eo amin’ ny mpampianatra, ary tsy misy tonga ao amin’ ny biraony hiresaka momba ny famonjena ny tanahiny. «Miaraka amin’ ny fandrosoan’ ny raharaha sy ny ho avy mamira- piratry ny varotra sy ny fanaovan-taozavatra, dia mitombo koa ny toe-tsaina araka izao tontolo izao.Ary toy izany amin’ ny antokompinoana rehetra»Congregational Journal, 23 Mey, 1844.HM 390.3

    Tamin’ ny volana Febroary tamin’ io taona io ihany, dia izao no nambaran’ ny Profesora Finney tao amin’ ny kolejy Oberlin: «Efa zava-misy mazava ao an-tsaintsika fa ny ankabeazan’ ny fiangonana Protestanta eto amin’ ny tanintsika, dia, na ts.y rototra na maneho fankahalana, saika eo anoloan’ ny fanavaozana ara-panahy rehetra misy amin’ izao fotoana izao. Misy izay maningana, nefa ankavitsiana ireny ka tsy mandiso ny filazana fa ny ankamaroany no toy izany. Misy zavatra hafa manantitrantitra izany koa dia izao: ny tsy ahitana na aiza na aiza hery miasa mangina hampifoha ny fiangonana. Saiky mahavoa ny rehetra ny tsy firaihana ara-panahy, ary lalina dia lalina izany ka mampahatahotra; izany no ambaran’ ny lahatsoratra mikasika hy ara-pivavahana eto amin’ ny tanintsika manontolo. . . Hatraiza hatraiza ny mambran’ ny fiangonana dia lasa mpanenjidamaody, mifandray tanana amin’ ny tsy manana an’ Andriamanitra eo amin’ ny korana itadiavam-pahafinaretana, eo amin’ ny dihy aman-danonana isan-karazany, sns. . . Nefa aoka tsy hivalampatra amin’ io lohahevitra mampalahelo io isika. Ampy ny porofo mihamatevina sy mavesatra, mitatao eo amintsika, mba hanehoana mazava faamin’ ny ankapobeny dia milotongana amin’ ny fomba mampalahelo ny fiangonana. Lasa lavitra dia lavitra ny Tompo izy, ary dia niala koa ny Tompo».HM 391.1

    Izao no nambaran» ny mpanoratra iray ao amin’ ny gazety (Religious Telescope) : «Tsy mbola nahita mihitsy fitotonganana ankapobeny eo amin’ ny ara-pivavahana toy ny ankehitriny isika. Rariny dia rariny tokoa raha mifoha ny fiangonana, ka hikaroka ny anton’ izao zava-mampahory izao; satria izay rehetra tia an’ i Ziona dia hihevitra izany ho zava-mampahory. Rehefa mby ao an-tsaina fa mihavitsy sy miha-mahalana ny fibebahana marina etsy andaniny, ary etsy ankiiany ny toetry ny mpanota feno hasahiana sy mafy fo, dia mila ho loa-bolana tsy nahy ny tena hoe : «Efa nanadino ny hamindra fo va Andriamanitra?» na «efa mikatona ve ny varavarampahasoavana?»HM 391.2

    Na oviana na oviana misy toe-javatra toy izany dia avy ao amin’ ny fiangonana ihany ny antony. Ny niavian’ ny haizina ara-panahy izay manarona ny firenena, ny fiangonana sy ny isam-batan’ olona, dia tsy noho Andriamanitra manaisotra tsy an-drariny ny fanampiana avy amin’ ny fahasoavany tsy akory, fa noho ny tsirambina sy ny fandavan’ ny olona ny fahazavana avy amin’ Andriamanitra. Misy ohatra manaitra mampisongadina io fahamarinana io aseho ao amin’ ny tantaran’ ny vahoaka jiosy tamin’ ny andron’ i Kristy. Ny fimatimatesany tamin’ izao tontolo izao sy ny fanadinoany an’ Andria-manitra sy ny teniny, no nahamaizina ny sainy, sy nahatonga ny fony hirona tamin’ ny nofo sy ny filana. Noho izany dia tsy fantany ny momba ny fiavian’ ny Mesia, ka ny avonavony sy ny tsy finoany no nahatonga azy handà ny Mpanavotra. Na dia tamin’ izany aza dia tsy nosakanan’ Andriamanitra ny firenena Jiosy tsy hahalaia na tsy handray anjara amin’ ny fitahian’ ny famonjena. Nefa kosa ireo izay nandà ny fahamarinana dia very tsy nanam-paniriana intsony handray ny fanomezan’ ny lanitra. Nanao ny «maizina ho mazava izy ary ny mazava ho maizina», mandra-pahatongan’ ny mazava tao aminy ho haizina; ary nikitroka manao ahoana izany haizina izany!HM 391.3

    Mifanaraka amin’ ny tetik’ i Satana ny hitazonan’ ny olona ny endrika ivelan’ ny fivavahana raha tsy ao ny tena toe-panahy araka an’ Andriamanitra mitondra aina. Rehefa nolavin» ny Jiosy ny filazantsara dia notohizany tamin-kafanam-po ireo fombampivavahany fahiny, ary mainka nahasarotiny azy ny fiarovany ny toetra mampiavaka ny fireneny, nefa ny tenany aza tsy maintsy niaiky fa tsy niseho teo aminy intsony ny fanatrehan’ Andriamanitra. Nanondro tsy nisy diso mihitsy ny fotoana hiavian’ ny Mesia ny faminanian’ i Daniela ary nambarany tamin’ ny fomba mivantana ny fahafatesany, hany ka nataon’ izy ireo izay tsy handinihany io boky io, ary farany dia nanozona izay rehetra nanandrana manao adi-marika momba ny fotoan’ andro ny raby. Noho ny fahajambana sy ny fahamafisam-po dia tsy niraika tamin’ ny fanomezana maimaimpoana ny famonjena ny vahoaka Isiraely nandritra ny taonjato nifandimby, tsy niraharaha ny fitahiana avy amin’ ny filazantsara izay hafatra mampieritreritra sy mahatahotra mampitandrina ny amin’ ny loza ateraky ny fandavana ny fahazavana avy any an-danitra. Na oviana na oviana misy antony mitovy, dia mitovy koa ny vokatra miseho. Amin’ ny farany, izay minia mampangina ny fahatsapana adidy satria manakantsakana ny fironany izany dia tsy hanan-kery intsony hoenti-manavaka ny marina sy ny diso. Mihamaizina ny saina, mihadombo ny feon’ ny fieritreretana, mihamafy ny fo, ary tafasaraka amin’ Andriamanitra ny fanahy. Amin’ ny toerana izay anamavoana na anamaivanana ny hafatry ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra, dia ho saron’ ny haizina ny fiangonana; hihamangatsiaka ny finoana sy ny fitiavana ka hiditra ny fihafahafana sy ny tsy fifanarahana. Ny mambran’ ny fiangonana dia mampifantoka ny fitiavany sy ny herim-pony eo amin’ ny fanarahana an’ izao tontolo izao ka hanamafy ny fony tsy hibebaka ny mpanota.HM 392.1

    Ny hafatry ny anjely voalohany ao amin’ ny Apokalypsy 14, izay manambara fa tonga ny andro fitsaran’ Andriamanitra ka miantso ny olona hatahotra Azy sy hiankohoka eo anatrehany dia nokendrena hampisaraka ny vahoaka misora-tena ho an’ Andriamanitra amin’ ny hery manimba miasa mangina avy amin’ izao tontolo izao sy hampifoha azy hijery ny tena toetrany marina izay fatra-mpitia an’ izao tontolo izao sy ny fihemorana mahazo azy. Fampitandremana no nalefan’ Andriamanitra ho an’ ny fiangonana ao amin’ io hafatra io izay, raha noraisina, dia ho nanitsy ny ratsy izay nampisaraka azy ireo taminy. Raha nekeny ny hafatra avy any an-danitra, ka naetriny teo anatrehan’ i Jehovah ny fony ary nitady marina ny hiomana hijoro eo anatrehany izy, dia ho niseho teo aminy ny Fanahy sy ny herin’ Andriamanitra. Ho tody indray teo amin’ ny fahasambarany noho ny firaisana, ny finoana sy ny fitiavana izay nisy tamin’ ny andron’ ny apostoly ny fiangonana, fony ny mpino «niray fo sy fanahy» ka «nitory ny tenin’ Andriamanitra tamin’ ny fahasahiana», fony «ny olom-bonjena nanampin’ ny Tompo isan’ andro ho isany» 1Asa 4 : 32, 31 ; 2 : 47.HM 393.1

    Raha raisin’ ny vahoaka milaza fa an’ Andriamanitra ny faha-zavana rehefa miposaka aminy avy tamin’ ny tenin’ Andriamanitra, dia ho tratrany ny firaisana izay nangatahan’ i Kristy tamin’ ny fivavahany, ilay soritan’ ny apostoly hoe : «firaisana avy amin’ ny Fanahy amin’ ny fehim-pihavanana». «Iray ny tena», hoy izy. «ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin’ ny fanan-tenana iray momba ny fiantsoana anareo; iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa» 2Efes. 4 : 3-5.HM 393.2

    Izany no vokatra feno fitahiana niainan’ ireo izay nanaiky ny hafatra momba ny fiavian’ i Kristy. Avy tamin’ ny antokompinoana samihafa izy ireo, ary nirodana tamin’ ny tany ireo fefy teo amin’ ny antokoni-pivavahana nisy azy; notorotoroina ny fampianaram-pinoana nifanolanana; nialana ny fanantenana tsy araka ny Soratra Masina momba ny arivo taona eto an-tany, namboarina ny fomba fijery diso momba ny fiavian’ i Kristy fanindroany, nailika ny avonavona sy ny fanarahana an’ izao tontolo izao; nahitsy ny meloka; ny fo nampiraisina teo amin’ ny fiaraha-miaina mamy indrindra, ary nanjaka tanteraka ny fitiavana sy ny fifaliana. Raha izany no vokatr’ io fanipianarana io tamin’ ireo olom-bitsy nandray azy, dia ho izany koa no ho vokatra naterany, raha ny rehetra no nandray azy.HM 393.3

    Nefa tsy nanaiky ny hafatra fampitandremana ny ankabeazan’ ny fiangonana. Ireo mpitandrina, izay notendrena ho «mpitily ho an’ ny zanak’ Isiraely» no tokony ho voalohany nahatsikaritra ireo fanam-barana ny fiavian’ i Jesosy, nefa tsy nahalala ny fahamarinana ireo na izay avy amin’ ny teny vavolombelona nomen’ ny mpaminany na izay avy amin’ ny famantarana ny fotoan’ andro. Noho ny fanantenany sy ny hambom-pony araka izao tontolo izao nameno ny fony, dia nihamangatsiaka ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny finoana ny teniny; ary rehefa naseho ny fanipianarana momba ny fiavian’ i Kristy dia tsy niteraka afa-tsy fanoherana sy tsy finoana izany. Satria olon-tsotra no nitory ny hafatra, teo amin’ ny ankapobeny, dia noraisina ho antony mavesa-danja hoentimanohitra azy izany. Toy ny fahiny, dia nasetry ny fanambaran’ ny tenin’ Andriamanitra ny fanontaniana hoe : «Moa nisy Mpanapaka na fariseo mba nino va?» Ary rehefa hita ny mahasarotra ny fanoherana ireo fonjan-kevitra nosintonina avy tamin’ ny fotoan’ andro ao amin’ ny faminaniana, dia maro ireo izay nanakivy tsy handinihana ny faminaniana, ary nampianatra fa voaisy tombo-kase ny boky mikasika ny faminaniana ka tsy mety ho tratry ny saina. Marobe ny olona, izay natoky an-jamba ireo mpitandrina azy ka nandà ny hihaino ny hafatra fampitandremana; ary ny sasany kosa, na dia resy lahatry ny fahamarinana aza,dia tsy sahy niaiky izany, «fandrao havoaka hiala amin’ ny synagoga». Nasehon’ ny hafatra izay nalefan’ Andriamanitra hisedrana sy hanadiovana ny fiangonana mazava loatra tamin’ ny rehetra fa betsaka tokoa ny isan’ ireo izay nametraka ny fitiavany teto amin’ ity izao tontolo izao ity toy izay teo amin’ i Kristy. Mafy noho izay nanintona azy hiakatra ho any an-danitra ny fatorana nitana azy teto an-tany. Naleony nihaino ny feon’ ny fahendren’ izao tontolo izao ka dia nihodina niala tamin’ ny hafatry ny fahamarinana izay mamantatra ny fo.HM 394.1

    Tamin’ ny nandavan’ izy ireo ny hafatra fampitandreman’ ny anjely voalohany, no nitsipahany ny fomba efa nomanin’ ny lanitra hanavaozana azy ireo indray. Nohamavoiny ilay mpitondra hafatra feno fahasoavana izay ho nanitsy ny ratsy nampisaraka azy tamin’ Andriamanitra, ka niezaka bebe kokoa izy hitady ny fisakaizana tamin’ izao tontolo izao. Izany no nahatonga ny toetra nampanahy nananan’ ny fiangonana tamin’ ny 1844 teo amin’ ny fanarahana an’ izao tontolo izao, ny fihemorany sy ny fahafatesany ara-panahy.HM 394.2

    Ny anjely voalohany ao amin’ ny Apokalypsy 14 dia narahin’ ny faharoa izay nitory hoe:«Rava ! rava Babylona lehibe ! izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain’ ny fahatezerana noho ny fijangajangany»3Apok. 14 : 8. Ny teny hoe «Babylona» dia avy amin’ ny hoe «Babela». ary fisavorovoroana no dikany. Ampiasaina ao amin’ ny Soratra Masina izany mba hilazana ireo endrika samihafa isehoan’ ny fivavahana diso na nihemotra. Ao amin’ ny Apokalypsy 17 Babylona dia aseho toy ny vehivavy ohatra ampiasaina ao amin’ ny Baiboly izany ho tandindon’ ny fiangonana, ny vehivavy tsara toetra dia mampiseho fiangonana madio, ary ny vehivavy ratsy toetra kosa dia fiangonana mihemotra.HM 395.1

    Ao amin’ ny Baiboly dia aseho amin’ ny alalan’ ny firaisan’ ny fanambadiana ny fifandraisana masina sady maharitra misy eo amin’ i Kristy sy ny fiangonana. Nainpiraisin’ ny Tompo taminy tamin’ ny alalan’ ny fanekena mavesa-danja ny vahoakany, ka Izy nampanantena fa ho Andriamaniny, ary iretsy kosa nanome toky fa ho Azy irery ihany. Hoy Izy : «Ary hofofoiko ho vadiko amin’ ny rariny sy ny hitsiny ary amin’ ny fitiavana sy ny indrafo ianao» 4Hos. 2 : 21;. Ary koa : «Izaho no vadinareo»5Jer. 3 : 14 :. Ampiasain’ i Paoly koa io fomba fitenenana io ao amin’ ny Testamenta Vaovao raha hoy izy hoe : «Fa nataoko fofombadin’ ny lehilahy iray ianareo, mba hatolotra tahaka ny virijina madio ho an’ i Kristy»62 Kor. 11 : 2.HM 395.2

    Ny tsy fahatokisan’ ny fiangonana izay miseho amin’ ny nampialany tamin’ i Kristy ny fitokisany sy ny fitiavany,sy amin’ ny namelany ny fitiavana ny zavatra momba an’ izao tontolo izao hibahana ao amin’ ny fanahy, dia ampitahaina amin’ ny fanitsakitsahana ny voadim-panambadiana. Aseho amin’ io sary io ny fahotan’ Isiraely tamin’ ny nialany tamin’ i Jehovah; ary aseho amin’ ny fomba mampihetsi-po ny fitiavan’ Andriamanitra mahagaga izay nohamavoin’ izy ireo toy izany hoe : «Nianiana taminao Aho ka nanao fanekena taminao, hoy Jehovah Tompo, ka dia efa Ahy ianao». «Ary efa nihatsara tarehy dia tsara tarehy ianao sady nambinina ho miendrik’ andriana. Ary dia niely tany amin’ ny jentilisa ny lazanao noho ny hatsaran-tarehinao, . . . kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao ianao ka nijangajanga noho ny lazanao». «Kanefa toy ny vehivavy misintaka miala amin’ ny lahy, dia toy izany koa no nisintahanareo niala tamiko, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah». «Ny vadin’ olona mijangajanga dia maka olon-kafa ho solon’ ny vadiny ! » 7Ezek. 16 : 8 , 13 , 15 , 32:HM 395.3

    Ao amin’ ny Testamenta Vaovao dia misy teny mitovy amin’ izany atao amin’ izay milaza ny tenany ho Kristiana nefa mitady fisakaizana amin’ izao tontolo izao fa tsy mba ny fankasitrahan’ Andriamanitra. Hoy ny apostoly Jakoba : «Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’ Andriamanitra ny fisakaizana amin’ izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’ izao tontolo izao dia fahavalon’ Andriamanitra izy» 8Jak. 4 : 4. Ilay vehivavy (Babylona) ao amin’ ny Apokalypsy 17 dia lazainy fa «nitafy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vatosoa ary perila sady nitana kapoaka volamena teny an-tanany, feno zava-betaveta, ary nisy anarana voasoratra teo amin’ ny handriny nanao hoe : «Zava-miafina, Babylona lehibe, Renin’ ny mpijangajanga». Hoy ny mpaminany : «Ary hitako fa, indro, ravehivavy dia leon’ ny ran’ ny olona masina sy ny ran’ ny maritioran’ i Jesosy». Lazaina etsy ambany fa «tanàna lehibe, izay manjaka amin’ ny mpanjakan’ ny tany i Babylona»9Apok. 17 : 4 - 6, 18. Ny fahefana izay nanapaka tamin’ ny fomba tsy refesimandidy nandritra ny taonjato maro tamin’ ireo mpanjaka kristiana dia i Roma. Ny loko volomparasy sy jaky, ny volamena sy ny vatosoa sy ny perila, dia fampisehoana velona ny rentirenty sy ny fisehoana manoatra noho ny an’ ny mpanjaka hita ao Roma feno rehareha. Ary tsy misy fahefana hafa azo lazaina marina fa «Ieon’ ny ran’ ny olona masina» noho io fiangonana io izay nanenjika ny mpanaraka an’ i Kristy tamin’ ny fahasiahana tsy nanam-paharoa. Ampangaina koa i Babylona noho ny fahotany tamin’ ny nifandraisany tsy ara-dalàna tamin’ ireo «mpanjakan’ ny tany». Ny fisarahan’ ny fiangonana jiosy tamin’ i Jehovah, ny fikambanany tamin’ ny jentilisa no nahatonga ny fiangonana jiosy ho mpijangajanga, ary meloka koa i Roma, noho ny nandotoany ny tenany toy izany tamin’ ny nitadiavany ny fanohanan’ ireo fahefana araka izao tontolo izao.HM 396.1

    Lazaina fa «Renin’ ny mpijangajanga» i Babylona. Ny zananivavy izany dia ampoizina fa mampiseho ara-tandindona ireo fiangonana izay mifikitra amin’ ny fampianarany sy ny lovan-tsofiny, ka manaraka ny ohatra nomeny tamin’ ny fanaovana sorona ny faha-marinana sy ny fankasitrahan’ Andriamanitra, mba hanaovany fikambanana tsy ara-dalàna amin’ izao tontolo izao. Ny hafatra ao amin’ ny Apokalypsy 14, izay manambara ny fahalavoan’ i Babylona dia ampiharina amin’ ireo fivavahana izay nadio teo aloha nefa tonga maloto ankehitriny. Koa satria manaraka ny fampitandremana momba ny fitsarana ity hafatra ity, dia tsy maintsy torina amin’ ny andro farany, noho izany dia tsy azo hampiharina amin’ ny Eglizin’ i Roma irery izy. satria efa an-jato taonany maro no efa teo am-pahalavoana io fiangonana io. Ankoatr’ izany, ao amin’ ny toko fahavalo ambin’ ny folo ao amin’ ny Apokalypsy, dia antsoina ny vahoakan’ Andria-manitra hivoaka avy ao Babylona. Araka io teny io, dia betsaka ny olon’ Andriamanitra no mbola ao Babylona. Ary fivavahana inona no ahitana ny ankabeazan’ ireo mpanaraka an’ i Kristy ankehitriny? Tsy isalasalana, fa eo amin’ ireo fiangonana samihafa izay milaza ny tenany ho nandray ny finoana protestanta. Tamin’ ny fotoana izay nitsanganany, ireny fiangonana ireny dia nijoro tamin’ ny fomba mendrika ho an’ Andriamanitra sy an’ ny fahamarinana, ary nomba an’ izy ireo ny fitahiany. Na dia izao tontolo izao tsy nino aza dia voatery nanaiky ny tombon-tsoa miaraka amin’ ny fanekena ireo fotokevitry ny filazantsara. Hoy ny tenin’ ny mpaminany tamin’ Isiraely: «Ary dia niely tany amin’ ny jentilisa aza ny lazanao noho ny hatsaran-tarehinao; fa tanteraka izany noho ny voninahitro izay nataoko taminao, hoy Jehovah Tompon’ ny maro». Nefa lavo izy noho io faniriana izay nahatonga ozona sy faharavana tamin’ ny Isiraely io — dia ny faniriana haka tahaka ny fomba amam-panaon’ ny tsy manana toe-panahy araka an’ Andriamanitra sy ny fisangisangiana hila sitraka aminy. «Kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao ianao ka nijangajanga noho ny lazanao»10Ezek. 16 : 14 , 15.HM 396.2

    Betsaka ireo fiangonana Protestanta no manahaka ny ohatr’ i Roma amin’ ny fifandraisany mahadiso amin’ ireo mpanjakan’ ny tany — ireo fiangonam-panjakana, amin’ ny fifandraisany amin’ ny fitondram-panjakana ara-politika, ary ireo antokom-pivavahana hafa, amin’ ny fitadiavany ny fankasitrahan’ izao tontolo izao. Koa azo ampiharina amin’ ireo antokom-pivavahana ireo koa ny teny hoe «Babylona» fisavorovoroana — dia amin’ izay rehetra milaza fa manovo ny fampianarana avy amin’ ny Baiboly, nefa misaratsaraka ho sampana mila ho tsy hita isa, samy manana finoana mifanalavitra sady mifanolana.HM 397.1

    Ankoatry ny firaisany feno fahotana amin’ izao tontolo izao, dia manana toetra hafa itoviany aminy ireo fiangonana nisaraka tamin’ i Roma.HM 397.2

    Misy boky katolika Romana iray manantitrantitra fa «raha ny Eglizin’ i Roma no melohina fa manompo sampy amin’ ny fifan-draisany amin’ ireo olo-masina, dia meloka toy izany koa ny Fiangonana Anglikana, izay manana fiangonana folo voatokana ho an’ i Maria isaky ny fiangonana iray natokana ho an’ i Kristy». Richard Challoner, The Christian Catholic Instructed, Fitarihan-teny, p. 21-22.HM 397.3

    Ary izao no ambaran’i Hopkins, lehilahy manampahaizana ao amin’ ny «Dinika momba ny arivo taona». «Tsy misy antony hiheverana fa voafetra’ ao amin’ izay antsoina hoe Eglizin’ i Roma ihany ny toe-tsaina sy fomba araka ny antikristy. Ny fiangonana Protestanta dia ahitana toe-tsaina antikristy betsaka, ary lavitra ny ho voaova tanteraka ho afaka amin’ ny . . . fahalotoana sy ny faharatsiana». — Samuel Hopkins, Cisa, boky faha — 2, p. 328.HM 398.1

    Izao no nosoratan’ i Guthrie, olo-manampahaizana, mikasika ny fisarahan’ ny fiangonana Anglikana tamin’ i Roma: «Telonjato taona lasa izay no nandrosoan’ ny fiangonantsika nivoaka ny vavahadin’ i Roma, nanana ny Baiboly mivelatra sy izao baiko izao : «Diniho ny Soratra Masina» teo amin’ ny fanevany. Dia izao no fanontaniana mahavelona eritreritra napetrany : «Moa ve nivoaka madio avy tao Babylona izy?» — Thomas Guthrie.The Gospel in Ezechiel,p. 237.HM 398.2

    «Ny Fiangonana Anglikana, hoy i Spurgeon, dia toa babon’ ny fampianarana miantehitra be dia be amin’ ny sakramenta, nefa ireo fiangonana niendaka taminy koa dia voarotidrotiky ny tsy finoana vokatry ny filozofia. Miala tsirairay amin’ ny fototry ny finoana ireo izay noheverintsika fa fatratra indrindra. Araka ny fiheverako, ny ati-fon’ i Angletera dia kikisan’ ny tsy finoana mahameloka, izay mbola sahy miakatra polipitra ihany ary nilaza ny tenany ho kristiana».HM 398.3

    Inona no nahatonga ilay fihemorana lehibe? Ahoana no fomba nialan’ ny fiangonana voalohany tamin’ ny fahatsoran’ ny filazan-tsara? Tamin’ ny fanarahana ny fomba amam-panao jentilisa, mba hahamora ny fandraisan’ izy ireo ny fivavahana kristiana. Hoy ny Apostoly Paoly, na dia tamin’ ny androny aza : «Fa miasa sahady ny zava-miafina, dia ny tsy fankatoavan-dalàna»112 Tes. 2 : 7. Nandritra ny nahaveloman’ ny apostoly dia nitoetra ihany tamin» ny fahadiovana ny fiangonana. Fa ny tapany farany tamin ny taonjato faharoa kosa dia naka endrika vaovao ny ankabeazan’ ny fiangonana; nanjavona ilay fahatsorana voalohany, ary niandalana teny, rehefa natelin’ ny fasana ireo mpianatra tranainy, dia nandimby azy ny zanany niara-dalana tamin’ ireo olona vao notaomina ka nanome endrika vaovao ny fiangonana». Robert Robinson. Ecclesiastical Researches,toko 6, fizarana 17, p. 51. «Mba hahazoana olona hanatona, dia naetry ireo fepetra ambonin’ ny finoana kristiana, ary ho vokatr’ izany dia nitosaka tao amin’ ny fiangonana ny riakan’ ny fanompoan-tsampy, ka nitondra niaraka taminy ny fomba amampanaony sy ny sampiny». Gavazzi, Lectures, p. 278. «Rehefa nahazo ny fankasitrahana sy ny fanohanan’ ny mpifehy ara-nofo ny fivavahana kristiana, dia neken’ ny marobe teo am-bava fotsiny izany; tamin’ ny ivelany dia Kristiana izy ireny, nefa maro no nijanona ho tena mpanompo sampy tao anaty, indrindra’tamin’ ny fiankohofany mangingina tamin’ ny sampiny» — Ibid, p. 278.HM 398.4

    Moa ve tsy niverina io fomba io saiky tao amin’ ny fiangonana rehetra izay nilaza azy ho Protestanta? Rehefa lasa ireo mpanorina ny finoana dia ireo izay tena nanana ny toe-tsaina fanavaozana marina, dia nandimby azy ireo taranany ka «nanome endrika vaovao ny fiangonana». Nifikitra an-jambany tamin’ ny finoan’ ireo razany ny zanaky ny mpanavao fivavahana ary nandà ny hanaiky ny fahamarinana ankoatr’ izay efa hitan’ ireny, nefa nialany lavitra ny ohatry ny fanetren-tenany, ny fahafoizan-tenany sy ny fandavany an’ izao tontolo izao. Toy izany no «nanjavonan’ ilay fahatsorana voalohany». Nitosaka sy nanafotra ny fiangonana ny riakan’ izao tontolo izao ary nentiny niaraka taminy «ny fomba amam-panaony sy ny sampiny».HM 399.1

    Indrisy fa nitatra tamin’ ny fomba mampahatahotra io fisakaizana amin’ izao tontolo izao io izay «fandrafiana an’ Andriamanitra» ary ankamamian’ ireo izay milaza ny tenany ho mpanaraka an’ i Kristy ankehitriny! Manao ahoana ny fanalaviran’ ny fiangonan’ ny besinimaro manerana ny firenena Kristiana ny filamatry ny fanetrentena, fahafoizan-tena, fahatsorana sy toe-panahy araka an’ Andriamanitra omen’ ny Baiboly! Hoy John Wesley raha niteny ny fomba fampiasana tsara ny vola izy : «Aza mandanilany foana io talenta sarobidy io amin’ ny fanomezana fahafaham-po ny fanirian’ ny maso, amin’ ny fitafiana haitraitra sy ambony vidy mihoapampana, na ny ravaka tsy ilaina. Aza mandany vola foana amin’ ny fanaingoana ny tranonao amin’ ny zavatra tsy fahita firy ka mahasarika ny fijery, amin’ ny fanaka marevaka na lafo vidy, amin’ ny sary hosodoko, na an-koso-bolamena lafo vidy . . . Aza mampidera na inona na inona ho fanomezana fahafaham-po ny rehaka momba izao fiainana izao, ny hahazo laza aman-dera avy amin’ ny olona . . . «Raha mbola «mitafy volomparasy sy rongony madinika ianao» sy manao hanimpitoloha isan’ andro, dia tsy isalasalana fa maro no hankalaza ny fahaizanao mitia zavatra, ny fahalalahan-tananao sy ny fahaizanao mandray olona. Nefa dia aza vidin-dafo loatra ny fankalazan’ ny olona. Aleo aza mifaly amin’ ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra». Wesley, Works, toriteny faha-50, «Ny fampiasana ny vola». Amin’ ny fiangonana maro amin’ izao androntsika izao anefa dia tsy raharahaina ny fanipianarana toy izany.HM 399.2

    Zary maro mpitia eo amin’ izao tontolo izao ny fisehoana ivelany ho mpivavaka. Miditra ho anisan’ ny fiangonana ny mpitondra, ny mpanao politika, ny mpisolovava, ny dokotera, ny mpivarotra mba hananany zo aman-kaja amin’ ny tany ama-monina sy hahazoany ny fitokisany ka hampandroso ny tombon-tsoan’ ny tena eo amin’ izao tontolo izao. Toy izany no iezahany hanarontsarona ny tsy an-drariny ataony amin’ ny kapaotin’ ny mahakristiana azy. Ireo antokom-pivavahana samihafa, izay nahazo hery tamin’ ny alalan’ ny harena sy ny fahefan’ ireny olon’ izao tontolo izao natao batisa ireny, dia vao mainka koa miezaka mafy ho mamim-bahoaka sy hanana mpiaro. Fiangonana marevaka, haingoana amin’ ny fomba tafahoatra ny mety no atsangana eo an-tsisin’ ny arabe malaza. Miraratra amin’ ny «fitafiana lafo vidy sy ara-damaody» ny mpivavaka. Karama be no aloa mba hahazoana mpitandrina manan-talenta hamalifaly sy hanintona ny olona. Tsy mahazo manohintohina ny fahotan’ ny besinimaro ny toriteniny fa asaina manao teny malefadefaka sy mahafinaritra ny sofin’ ny olona ambony izy. Toy izany no anoratana ao amin’ ny bokim-piangonana ireo mpanota ambony karazana, ary anafenana ireo fahotana «ara-damaody» amin’ ny endriky ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra.HM 400.1

    Hoy ny filazan’ ity gazetin’ izao tontolo izao malaza anankiray raha namakafaka ny amin’ ny toetry ny kristiana ankehitriny izy : «Nilefitra miandalana tamin’ ny toe-tsaina misy amin’ izao fotoana izao ny fiangonana ka nampifanaraka ny endriky ny fanompoampivavahana ao aminy amin’ izay ilain’ ny fiainana moderna». «Ampiasain’ ny fiangonana ho fitaovana avokoa izao ny zavatra rehetra izay mahatonga ny fivavahana ho mahasarika». Ary toy izao no lazain’ ny mpanoratra ao amin’ ny «lndependent» any New-York mikasika ny toetoetry ny fivavahana metaodista ankehitriny : «Manjavona ao anatin’ ny aloka somambisamby ny tsipika mampisaraka ny manana an’ Andriamanitra sy ny tsy mivavaka, ary amin’ ny andaniny sy ny ankilany dia misy olona mafana fo milofo mafy hikosoka ny fahasamihafana rehetra amin’ ny fomba fihetsiny sy ny fomba fitadiavany fahafinaretana». «Mamim-bahoaka ny fivavahana ka mahatonga ny isan’ ireo izay mitady ny tombon-tsoa avy aminy nefa tsy miatrika marina ny andraikitra momba azy hitombo be dia be».HM 400.2

    Hoy i Howard Crosby : «Zavatra mahalasa eritreritra lalina ny ahitantsika ny fiangonan’ i Kristy izay tsy mahatanteraka afa-tsy sombiny kely foana ny fikasan’ ny Tompony. Tahaka ireo Jiosy fahiny izay namela ny fifankazarany be loatra tamin’ ny firenena mpanompo sampy hampisaraka ny fony tamin’ Andriamanitra, . . . dia toy izany koa ny fiangonan’ i Jesosy ankehitriny, amin’ ny alalan’ ny fiarahany misalahy tsy araka ny tokony hataony amin’ izao tontolo izao tsy mino izy, ka mahafoy ny fomba fiasa avy amin’ Andriamanitra ny amin’ ny tena fiainany, sady milefitra amin’ ny fahazarana manimba na dia manana endrika ho tsara aza fahita eo amin’ ny fiaraha-monina tsy misy an’ i Kristy, no mampiasa fonjankevitra mitarika ho amin’ ny fehin-kevitra tsy hita ao amin’ ny fanambarana nataon’ Andriamanitra, ary manohitra mivantana ny fitomboan’ ny fahasoavana rehetra».The Healthy Christian: An Appeal to the Church,p. 141, 142.HM 401.1

    Rehefa mitosaka toy izany ny toetra araka izao tontolo izao sy ny fitadiavam-pahafinaretana, dia saiky very tanteraka ny fandavantena ho an’ i Kristy sy ny fahafoizana ho Azy. «Misy amin’ ireo lehilahy sy vehivavy izay miasa mafy ao amin’ ny fiangonana ankehitriny no nobeazina. fony fahazaza, hanao fahafoizan-tena mba hahazoany manome na manao zavatra ho an’ i Kristy». Fa ankehitriny kosa raha tsy misy ny vola, ... dia aoka tsy hiantso na iza 11a iza hanome. Tsia ! fa manaova varotra, fampisehoana andampihazo, fifaninanana hatsikana, fihinanam-be, na tsakitsaky — na inona na inona izay mety ahitan’ ny olona fahafinaretana.HM 401.2

    Izao no nambaran’ ny Governora Washburn tany Wisconsin tamin’ ny kabary fanaony isan-taona, tamin’ ny 9 Janoary 1873 : Tokony havoaka ny lalàna handrava ny sekoly izay misy mpianatra miloka. Hita hatraiza hatraiza ireny. Na dia ny fiangonana aza, na dia azo antoka fa tsy iniany aza dia hita indrain dray fa manao ny asan’ ny devoly. Ny rindran-kira, ny lanonana sy ny antsapaka izay atao indraindray mba hoenti-manana ny asam-piangonana na ny asa soa, nefa matetika kendrena koa ho amin’ ny zavatra tsy mendrika. toy ny tombolà, ny fonosana misy valopy mahagaga na tsy misy loka ao anatiny, sns, izay samy fitaka ahazoam-bola nefa tsy misy takalony mifandanja aminy. Tsy misy nampietry ny toetra amam-panahin’ ny tanora sy tena fanapoizinana azy tahaka ny fahazoana vola na zavatra tsy avy amin’ ny vokatry ny asa nataon’ ny tena. Misy olo manankaja manao ireny tsapa vintana ireny, ka mampitony ny feon’ ny fieritreretany amin’ ny fiheverana fa zava-mendrika no hampiasana ny vola azo amin’ izany. fomba izany, koa tsy mahagaga raha matetika loatra ny tanoran’ ny firenena no lavo amin’ ny fahazarana izay saika azo antoka fa hateraky ny fahamaimaizana vokatr’ ireny lalao miankina amin’ ny vintana ireny».HM 401.3

    Manafotra ny fiangonana manerana ny tany kristiana ny toetsaina mifanaraka amin’ izao tontolo izao. Tao amin’ ny toriteny iray nataony tao Londres i Robert Atkins, dia nanoritra sary manjombona momba ny fihemorana ara-panahy izay manjaka any Angletera : «mihena ny isan’ ny olona tena marina eto an-tany, ary tsy misy ny olona malahelo am-po noho izany. Ny mpampianatra fivavahana amin’ izao andro izao, amin’ ny fiangonana rehetra, dia tia an’ izao tontolo izao, maka tahaka an’ izao tontolo izao, fatrampampiadan-tena, ary mitaky haja amam-boninahitra. Nantsoina hiara-miaritra amin’ i Kristy izy, nefa na ny fanakianana aza tsy zakany. . . Fihemorana, fihemorana, fihemorana izany no soratra vita sokitra eo amin’ ny tavan’ ny fiangonana rehetra; ary raha mba fantany manko, na mba tsapany, dia mety hisy fanantenana; nefa indrisy, miantsoantso izy hoe : «Manan-karena sady nihary fananana be aho, ka tsy manan-java-mahory» — Boky momba ny fiavian’ i Kristy fanindroany, trakta laharana 39.HM 402.1

    Ny fahotana lehibe niampangana an’ i Babylona dia izy «nampisotro ny firenena rehetra ny divain’ ny fahatezerana nohony fijangajangany». Io kapoaka mahamamo izay atohony an’ izao tontolo izao io dia mampiseho fampianaran-diso izay nekeny ho vokatry ny fifandraisany tsy ara-dalàna tamin’ ireo olona lehibe teto an-tany. Mandoto ny finoany ny fisakaizany amin’ izao tontolo izao, ary amin’ ny alalan’ ny fampianarany foto-pinoana izay mifanohitra amin’ ny teny voalaza mazava indrindra ao amin’ ny Soratra Masina, dia miasa mangina eto an-tany ny heriny.HM 402.2

    Nohazonin’ i Roma tsy ho eo am-pelatanan’ ny vahoaka ny Baiboly ary nasainy nanaiky ny fampianarany ny olona rehetra ho solon’ izany. Anjara asan’ ny Reformasiona ny namerina indray ny Tenin’ Andriamanitra eo amin’ ny olona; nefa tsy marina loatra ve fa ampianarina ny olona ao amin’ ny fiangonana amin’ izao androntsika izao hanankina ny finoany amin’ ny fanekem-pinoana amin’ ny fampianaran’ ny fiangonany toy izay amin’ ny Soratra Masina! Hoy i Charles Beecher, raha niteny momba ny fiangonana Protestanta izy : «Mampangorintsina azy ny teny henjana rehetra manohitra izay inoany ary sarotiny amin’ izany izy toy ireo rain’ ny fiangonana izay nangorintsina raha vao nisy teny mafy natao hanoherana ny fivavahana niseho lany tamin’ ny olona masina sy ny maritiora izay nokolokoloiny tamin’ izay fotoana izay. . . Mifamatotra mafy erý ireo fiangonana Protestanta evanzelika hany ka tsy misy azo raisina ho mpitoriteny mihitsy ao aminy, na aiza na aiza, raha tsy manaiky boky hafa ankoatry ny Baiboly.HM 402.3

    . . .Tsy vokatry ny eritreritra fotsiny ny filazana fa manomboka mandrara ny Baiboly izao ny herin’ ny fanekem-pinoana tahaka ny nataon’ i Roma, na dia amin’ ny fomba an-kolaka kokoa aza». — «Toriteny momba ny Baiboly, fanekem-pinoana ampy», natao tao Fort Wayne Indiana, tamin’ ny 22 Febroary 1846.HM 403.1

    Rehefa misy mpampianatra mahatoky mivaofy ny tenin’ Andria-manitra, dia mitsangana ny mpitandrina manam-pahaizana, milaza ny tenany ho mahalala ny dikan’ ny Soratra Masina, ka miampanga ny fampianarana marina ho «herezia», ary amin’ izany fomba izany dia mampihemotra ireo mikatsaka ny fahamarinana amin’ ny fony tokoa. Raha tsy efa tena vonto dia vonton’ ny divain’ i Babylona izao tontolo izao, dia vahoaka marobe no ho resy lahatra sy ho voaovan’ ny fahamarinana tsotra sy maranitra ao amin’ ny tenin’ Andriamanitra. Nefa toa misavorovoro loatra sy mifanohitra be ihany ny finoana arapivavahana hany ka tsy fantatry ny olona intsony izay hinoana ho marina. Eo am-baravaran’ ny fiangonana no mipetraka ny fahamelohana noho ny tsy fetezan’ izao tontolo izao hibebaka.HM 403.2

    Notorina voalohany tamin’ ny fahavaratry ny taona 1844 ny hafatry ny anjely faharoa ao amin’ ny Apokalypsy 14, ary izany dia nihatra nivantana tamin’ ireo fiangonana tany Etazonia, izay toerana efa nitoriana saika hatraiza hatraiza ny hafatra fampitandremana momba ny fitsarana ary nolavin’ ny ankabeazan’ ny olona koa, ary tany koa no haingana indrindra ny fitotonganan’ ny fiangonana. Nefa tsy tonga teo amin’ ny fahatanterahany feno tsy akory ny hafatry ny anjely faharoa tamin’ ny 1844. Niaina tamin’ ny faharavana arapanahy ny fiangonana tamin’ izany, ho vokatry ny fandavany ny fahazavan’ ny hafatra momba ny fiavian’ i Kristy ; tsy mbola tanteraka anefa izany faharavana izany raha mbola nitohy nandà ireo fahamarinana manokana ho amin’ izao andro izao izy dia nidina ambanimbany kokoa hatrany. Nefa na dia izany aza, dia tsy mbola azo lazaina fa «Rava Babylona...izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain’ ny fahatezerana noho ny fijangajangany». Tsy mbola nanao izany tamin’ nyfirenena rehetra izy. Ny toe-tsaina manahaka an’ izao tontolo izao sy tsy miraika amin’ ireo fahamarinana hoenti-misedra natao ho amin’ izao androntsika izao, dia zava-misy ary nahazo vahana ao amin’ ny fiangonana mitana ny finoana Protestanta manerana ny tany kristiana rehetra; ary ireo fiangonana ireo dia voafaoka ao amin’ ny fiampangana mampieritreritra sy mahatahotra ataon’ ny anjely faharoa. Mbola tsy tonga eo amin’ ny fara-tampony anefa ny asan’ ny fihemorana.HM 403.3

    Lazain’ ny Baiboly -fa alohan’ ny hiavian’ ny Tompo, dia hiasa «amin’ ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra» i Satana; ary «izay tsy mandray ny fitiavana sy fahamarinana izay hamonjena azy», dia «avela handray ny fahadisoan-kevitra hinoany lainga»122 Tes. 2 : 9 - 11. Raha tsy feno io fepetra io, ka tanteraka manerana ny tany kristiana rehetra ny firaisan’ ny fiangonana sy izao tontolo izao, dia tsy ho feno ny faharavan’ i Babylona. Miandalana ny fiovana, ary mbola ho avy ny fahatanterahana fenon’ ny Apokalypsy 14:8.HM 404.1

    Na dia eo aza ny haizina ara-panahy sy ny fialana amin’ Andria-manitra misy ao amin’ ireo fiangonana izay mitambatra ho Babylona, dia mbola ao ihany no ahitana ny ankamaroan’ ireo mpanaraka marina an’ i Kristy. Betsaka amin’ izy ireo no tsy mbola nahita mihitsy ny fahamarinana manokana ho amin’ izao andro izao. Tsy vitsy ireo tsy afa-po amin’ ny toetrany ankehitriny ary maniry mafy ny hahazo fahazavana bebe kokoa. Mitady ny endrik’ i Kristy ao amin’ ireo fiangonana izay ifandraisany izy nefa tsy mahita. Rehefa manalavitra bebe kokoa hatrany ny fahamarinana ireo fiangonana ireo, ka miray amin’ ny fomba etiety kokoa amin’ izao tontolo izao. dia hitombo ny fahasamihafan’ ireo antoko roa ireo ary farany dia fisarahana no ho vokany. Ho avy ny fotoana izay tsy ahazoan’ ireo tia an’ Andriamanitra ambonin’ ny zavatra rehetra hijanona intsony eo amin’ ireo izay «tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’ Andriamanitra, manana ny endriky ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, nefa mandà ny heriny».HM 404.2

    Ny Apokalypsy faha-18 dia manondro ny fotoana izay hanatraran’ ny fiangonana izay voalazan’ ny anjely faharoa, ho fahafenoan’ ny vokatry ny fandavana ny hafatra fampitandremana telo sosona ao amin’ ny Apokalypsy 14 : 6-12, ary amin’ izay fotoana izay dia hantsoina ny vahoakan’ Andriamanitra mbola ao Babylona hisaraka tsy hiray aminy. Io no hafatra farany izay homena an’ izao tontolo izao, ary hahatanteraka ny asany izany. Rehefa avela hiasan’ ny fahadisoan-kevitra hinoany lainga izay rehetra «tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina»132 Tes. 2 : 12 ;, amin’ izay kosa dia hamirapiratra eo amin’ izay rehetra manokatra ny fony handray izany ny fahazavan’ny fahamarinana, ary ny zanak’ i Jehovah rehetra izay mbola ao Babylona dia hamaly ny antso manao hoe : «Mialà ao aminy ianareo, ry oloko»14Apok. 18 : 4.HM 404.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents