Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hery Mifanandrina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 22—Ireo faminaniana tanteraka

    Rehefa lasa ny fotoana izay nanantenana voalohany ny hiavian’ ny Tompo tamin’ ny lohataonan’ ny 1844, dia latsaka nandritra ny fotoana voafetra tao amin’ ny fisalasalana sy ny ahiahy ireo izay efa nibanjina tamim-pinoana ny fisehoany. Nihevitra azy ireo ho resy tanteraka izao tontolo izao sy voaporofo mazava fa nifikitra tamin’ ny hevi-diso, nefa dia mbola ny tenin’ Andriamanitra ihany no loharano nahitany fampiononana. Betsaka no nanohy namakafaka ny Soratra Masina, niverina nanadihady ireo porofon’ ny finoany sady nianatra fatratra ireo faminaniana mba hahazoany fahazavana fanampiny. Toa mazava tsy azo iadian-kevitra ny fanambaran’ ny Baiboly manohana ny hevitra notanany. Nisy famantarana tsy nety ho nahadiso hevitra nanondro ny fiavian’ i Kristy ho akaiky. Noporofoin’ ny fitahiana manokana avy amin’ ny Tompo, tamin’ ny fiovampon’ ny mpanota ary koa tamin’ ny fifohazana ara-panahy teo anivon’ ny kristiana, fa avy amin’ ny lanitra ny hafatra. Ary na dia tsy hain’ ireo mpino aza ny manazava ny fahadisoam-panantenany, dia tsapany marina fa Andriamanitra no efa nitarika azy teo amin’ ny fanandramany teo aloha.HM 405.1

    Nifamahofaho tamin’ ireo faminaniana izay noheveriny fa azo hampiharina amin’ ny fotoana hiavian’ i Kristy fanindroany dia nisy toromarika nifanaraka indrindra tamin’ ny fisalasalana sy ny fihambahambana nahazo azy ka nampahery azy hiandry amimpaharetana ny finoana fa izay maizina tamin’ ny sainy ankehitriny dia mbola hazava aminy amin’ ny fotoana mety.HM 405.2

    Anisan’ ireo faminaniana ireo ilay ao amin’ ny Habakoka 2: 1-4. «Hitsangana eo ambonin’ ny fitazanako aho ary hijoro eo ambonin’ ny manda. hiandry hahitako izay holazainy amiko sy izay havaliko amin’ ny fitarainako. Dia namaly ahy Jehovah ka nanao hoe : Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin’ ny fàfana, mba hihazakazahan’ izay mamaky azy. Fa ny fahitana dia mbola amin’ ny fotoan’ andro, ary nikendry ny farany izy ka tsy ho diso; eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona. Indro, feno avonavona ny fanahin’ ireny, fa tsy mahitsy ao anatiny, fa ny marina ho velon’ ny finoany».HM 406.1

    Tamin’ ny fiantombohan’ ny taona 1842 sahady, ny toromarika manao hoe «Soraty ny fahitana ka ataovy velona tsara eo amin’ ny fàfana mba hihazakazaka izay mamaky azy» dia nanolo-kevitra an’ i Charles Fitch hanomana sary mampiseho ny faminaniana hoentimanazava ny fahitana ao amin’ i Daniela sy ny Apokalypsy. Ny namoahana io sary io dia noraisina ho fanatanterahana ny baiko nomen’ i Habakoka. Tsy nisy na dia iray aza anefa tamin’ izay nanamarika fa mbola hitaredretra ny fahatanterahan’ ny fahitana mbola hisy fotoana fiandrasana haseho ao amin’ io faminaniana io ihany. Taorian’ ny fahadisoam-panantenana, dia hita fa nisy lanjany tokoa io teny io : «Fa ny fahitana dia mbola ho amin’ ny fotoan’ andro; ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona. . . ny marina ho velon’ ny finoany».HM 406.2

    Nisy koa fizarana tamin’ ny faminanian’ i Ezekiela izay loharano nampahery sy nampionona ny mpino : «Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe : Ry zanak’ olona, ahoana moa izao fitenenana ataonareo ao amin’ ny tanin’ ny Isiraely izao hoe : Mihaela ny andro, ary tonga tsinontsinona ny fahitana rehetra? Koa lazao aminy hoe : Izao no lazain’ i Jehovah Tompo. . . Akaiky ny andro sy ny tenin’ ny fahitana rehetra. . . hiteny Aho, ary ny teny lazaiko dia ho to tokoa». «Ry zanak’ olona, indro, ny taranak’ Isiraely manao hoe : Mbola ho ela izany fahitana izany, ary ny amin’ ny fotoana mbola lavitra no vinaniny. Koa lazao aminy hoe : Izao no lazain’ i Jehovah Tompo : Tsy hisy hajanona ela intsony ny teniko; fa ny teny izay lazaiko dia ho tanterahiko»1Ezek. 12 : 21 - 25 , 27 , 28.HM 406.3

    Faly ireo niandry noho ny finoany fa Ilay nahalala ny farany hatrany amin’ ny voalohany no efa nitazana ny andro sy ny taona nifandimby ary nahatsinjo ny fahadisoam-panantenany, ka nanome azy ireo teny fampaherezana sy fanantenana. Raha tsy ireo tenin’ ny Soratra Masina ireo, izay namporisika azy hiandry tamim-paharetana sy hamikitra amin’ ny fahatokiany ny tenin’ Andriamanitra, dia ho resy ny finoany tamin’ io ora fitsapana io.HM 406.4

    Ny fanoharana ny amin’ ny virijina folo ao amin’ ny Matio 25 dia manazava ny fanandramana nataon’ ny vahoaka advantista. Ao amin’ ny Matio 24, ho valin’ ny fanontaniana nataon’ ireo mpianatra mikasika ny famantarana ny fiaviany sy ny faran’ izao tontolo izao, Kristy dia nanondro ireo sasantsasany amin’ ny toe-javatra lehibe indrindra hiseho amin’ ny tantaran’ izao tontolo izao sy ny fiangonana hatramin’ ny fiaviany voalohany ka mandra-piveriny indray dia ireto: ny fandravana an’ i Jerosalema, ny fahoriana lehibe hiaretan’ ny fiangonana mandritra ny fanenjehana hataon’ ny jentilisa sy ny fahefana papaly, ny fanamaizinana ny masoandro sy ny volana, ary ny firarahan’ ny kintana. Rehefa izany, dia nilaza ny amin’ ny fiaviany amin’ ny fanjakany Izy, ka nanao ilay fanoharana manambara ny amin’ ireo antoko anankiroa amin’ ny mpanompo izay niandry ny fisehoany. Ireto teny ireto no nanombohana ny toko faha 25 : «Ary amin’ izany ny fanjakan’ ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo». Aseho ao ny amin’ ny fiangonana velona amin’ ny andro farany, dia ny andro voatondro amin’ ny fiafaran’ ny toko 24. Ao amin’ io fanoharana io dia hazavaina amin’ ny alalan’ ny toe-javatra hita eo amin’ ny fampakaram-bady tatsinanana ny fanandramana niainany.HM 407.1

    «Ary amin’ izany ny fanjakan’ ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra. Ary ny dimy tamin’ ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry. Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza; fa ny hendry kosa nitondra solika tao anatin’ ny fitondrany sy ny fanalany. Ary raha naharitra ela ny mpampakatra dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory. Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe : «Indry ny mpampakatra! mivoaha mba hitsena azy».HM 407.2

    Ny fiavian’ i Kristy, araka ny nambaran’ ny hafatry ny anjely voalohany, dia noraisina ho mampiseho ny fiavian’ ny mpampakatra. Ny fielezan’ ny fanavaozana tamin’ ny fotoana nitoriana ny fiaviany tsy ho ela, dia mampiseho ny fivoahan’ ny virijina hitsena ny mpampakatra. Ao amin’ io fanoharana io, tahaka ny ao amin’ ny Matio 24, dia misy antokon’ olona anankiroa aseho. Samy efa nitondra ny fanalany izy ireo, dia ny Baiboly, ary teo amin’ ny fahazavan’ izany no nivoahan’ izy rehetra hitsena ny mpampakatra. «Ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza, ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin’ ny fitondrany sy ny fanalany». Ity antokon’ olona faharoa ity dia efa nandray ny fahasoavan’ Andriamanitra, ny herin’ ny Fanahy Masina mamelombelona sy manazava, izay mahatonga ny Teniny ho fanilon’ ny tongotra sy fanazavana ny lalana. Tamin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitra no nandinihany ny Soratra Masina mba hianarany ny fahamarinana, ary efa nikatsaka tamin-joto ny fahadiovan’ ny fo sy ny fiainana izy. Nanana fanandramana manokana ho an’ ny tenany izy, finoana an’ Andriamanitra sy ny teniny izay tsy nety ho resin’ ny fahadisoam-panantenana sy ny fihemoram-potoana. Ny sasany kosa «nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza». Fihetsehampo tampoka no nanosika azy. Nampirongatra ny tahony ny hafatra miezinezina, nefa niankina tamin’ ny finoan’ ny rahalahiny izy, ka afa-po tamin’ ny fahazavana mitsilopilopin’ ny fihetseham-po mendrika, nefa tsy nahafantatra tsara ny fahamarinana ao amin’ ny fo. Nivoaka hitsena ny Tompo izy ireo, feno fanantenana handray valisoa avy hatrany; nefa tsy voaomana hiandry ela sy ho diso fanantenana. Rehefa tonga ny fitsapana, dia resy ny finoany, ary nihena ny firehitry ny fahazavany.HM 407.3

    «Raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory». Ny mpampakatra naharitra ela dia asehon’ ny fahalasanan’ ny fotoana nantenaina iavian’ ny Tompo, ny fahadisoam-panantenana, sy ny toa fihemoran’ ny fotoana. Rehefa tonga ny fotoana hisian’ ny fisalasalana, vetivety dia nanomboka nihozongozona ny fitiavan’ ireo narivo salosana sy nafana fo tapany, ka nihalefy ny fiezahany; fa ireo izay nanana finoana niorina tamin’ ny fahalalan’ ny tenany manokana ny Baiboly kosa dia nampiorina ny tongony tambonin’ ny vatolampy, ka tsy azon’ ny onjan’ ny fahadisoam-panantenana nopaohina. «Samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory» ; ny antoko iray natory noho ny tsy firaihana sy ny fialany tamin’ ny finoany, ny anankiray kosa niandry tamimpaharetana mandra-panome azy fahazavana bebe kokoa. Nefa tao amin’ ny alin’ ny fitsapana dia azo nolazaina fa toa nahaverezana ny hafanam-po sy ny fitiavam-bavak’ ireto farany. Tsy afaka niankina intsony tamin’ ny fon’ ny rahalahiny ireo nafana fo tapany sy narivo salosana. Samy tsy maintsy nijoro samirery izy na ho lavo samirery.HM 408.1

    Tokony ho tamin’ io fotoana io no nanomboka niseho ny fitompoan-teny fantatra. Nisy tamin’ ireo izay efa nisora-tena ho mpino nafana fo tamin’ ny hafatra no nandà ny tenin’ Andriamanitra ho hany mpitarika tsy mety diso, ary nihambo ho notarihin’ ny Fanahy izy ka namela ny tenany ho voafehin’ ny fihetseham-po, ny fahatsapana nandalo foana, sy ny eritreritry ny tenany ihany. Nisy sasany nampiseho hafanam-po jamba nombam-pahateren-tsaina, ka nanameloka izay rehetra tsy nankasitraka ny fihetsiny. Tsy niray fo tamin’ ny hevitra amam-pihetsiny nitory fitompoan-teny fantatra ny maro tamin’ ny advantista; nefa na dia izany aza dia nahavoasoketa ny fahamarinany izany.HM 408.2

    Tamin’ io fomba io no nitadiavan’ i Satana lalana hanoherana sy handevonana ny asan’ Andriamanitra. Nanaitra tokoa ny vahoaka ny fihetsiketsehana advantista, an’ arivony ny mpanota no voaova fo, ary nisy olona mahatoky nanolo-tena hiasa hitory ny fahamarinana na dia tamin’ ilay fotoana voalaza ho nampitaredretra ny mpampakatra aza. Very mpanaraka ny andnanan’ ny haizina; ary mba hahazoana manakiana ny asan’ Andriamanitra dia nataony izay hamitahana ny sasany tamin’ ireo izay nitana ny finoana ka nentiny ho any amin’ ny tafahoatra loatra Tamin’ izay dia efa vonombonona ireo mpiasany hanararaotra ny fahadisoana rehetra, ny fahalemena rehetra, ny fihetsika tsy mendrika rehetra, mba hanandratra izany avo dia avo ka nasehony teo anoloan’ ny vahoaka, ka hampibaribary izany amin’ ny fomba diso tafahoatra, mba hahatonga ny advantista sy ny finoany ho zava-maharikoriko. Noho izany, arakaraka ny mahamaro isa ireo izay azony hangonina ho mpihambo fa mino ny fiavian’ i Kristy fanindroany, nefa fenjain’ iny ihany ny fony, dia arakaraka izany no mahalehibe ny fahombiazana azony amin’ ny fampifantohana ny sain’ ny olona eo amin’ izy ireo. ho tena solontenan’ ny mpino manontolo.HM 409.1

    Satana dia «mpiampanga ny rahalahy» ary ny fanahiny no manainga ny olona hanara-maso ny fahadisoana sy ny fahalemen’ ny vahoakan’ i Jehovah, ary harangaranga ho hitan’ ny olon-drehetra nefa ny asa tsara ataony dia tsy misy mahita. Mifofotra mafy mandrakariva izy rehefa miasa Andriamanitra ho famonjena ny fanahy. Rehefa tonga ireo zanak’ Andriamanitra hiseho eo anatrehan’ i Jehovah, dia mba tonga teo koa Satana. Amin’ ny fifohazana rehetra dia vonona izy hampiditra ireo izay manana fo tsy nohamasinina sy saina tsy marin-toerana. Rehefa misy fahamarinana neken’ izy ireo ka mahazo toerana ho anisan’ ny mpino izy dia miasa amin’ ny alalan’ ireny i Satana mba hanatsofohany hevitra izay hamitaka ny tsy miambina. Tsy misy olona voaporofo fa tena kristiana, satria tafara-dalana amin’ ny zanak’ Andriamanitra izy, na dia ao amin’ ny trano fivavahana sy manodidina ny latabatry ny Tompo aza. Matetika i Satana no manatrika ny fotoana manetriketrika amin’ ny endrik’ ireo izay azony ampiasaina ho fitaovana ho azy.HM 409.2

    Iadiana amin’ ny andrianan’ ny ratsy avokoa ny dingana rehetra androsoan’ ny vahoakan’ Andriamanitra eo amin’ ny lalana ho any amin’ ny tanànan’ ny lanitra. Amin’ ny tantaran’ ny fiangonana manontolo dia tsy nisy fanavaozana natao ka tsy nisetra fisakanana lehibe. Toy izany tamin’ ny andron’ i Paoly. Na taiza na taiza nananganan’ ilay apostoly fiangonana, dia nisy olona izay niseho ho nandray ny finoana, nefa nampiditra «herezia» izay raha noraisina dia ho naharesy tosika any ivelany ny fitiavana ny fahamarinana. 1 Lotera koa dia niaritra tebiteby sy fahorian-tsaina lehibe noho ny fihetsik’ ireo olona mpitompo teny fantatra izay nihambo ho nitenenan’ Andriamanitra mivantana, ka nametraka ny eritreriny sy ny heviny teo ambonin’ ny fanambaran’ ny Soratra Masina. Maro ireo tsy nanana finoana sy fanandramana, nefa nihevi-tena ho ampy dia ampy, ary tia ny mihaino sy milaza zava-baovao, hany ka voafitaky ny fihamboan’ ny mpampianatra vaovao. ka dia nirotsaka hanampy ireo fiasana teo am-pelatanan’ i Satana handrodana izay nanaingan’ Andriamanitra an’ i Lotera hatsangana. Ary ry Wesley mirahalahy sy ireo hafa izay nitahy an’ izao tontolo izao noho ny toe-piainany feno fahamendrehana sy ny finoany, dia tojo isaky ny mandingana ny hafetsen’ i Satana izay nanesika olona mafana fo tafahoatra, tsy mato-tsaina, ary tsy masin-toetra ho amin’ ny hevitra aman’ asa mihoapampana isan-karazany.HM 410.1

    William Miller dia tsy niray fo tamin’ ireo izay nitaona ny hafa handray ny hevi-diso nitompoany. Nambarany, toy izay nataon’ i Lotera, «fa ny fanahy rehetra dia tokony hosedrain’ ny tenin’ Andriamanitra». «Ny devoly», hoy Miller, dia manan-kery lehibe amin’ ny sain’ ny olona sasany amin’ izao andro izao. Ary ahoana no fomba ahafantarantsika ny fanahy? Ny Baiboly no mamaly : «Ny voany no ahafantaranareo azy». . . «Misy fanahy maro izay lasa eo amin’ izao tontolo izao; ary baikoina isika hisedra ny fanahy. Ny fanahy izay nahatonga antsika tsy hivelona amin’ ny fahalalana onony, araka ny fahamarinana sy amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, eto amin’ ity izao tontolo izao ity, dia tsy fanahin’ i Kristy. Mihamafy orina bebe kokoa hatrany ny fiaikeko fa manana anjara betsaka amin’ ireo fihetsiketsehana mihoapampana ireo i Satana. . . Maro amintsika izay mihambo ho efa nahatratra ny fahamasinana tanteraka, no manaraka ny lovan-tsofin’ olombelona, ary toa tsy mahalala ny fahamarinana akory tahaka ny hafa izay tsy manana fihamboana toa azy ireow. — Bliss, p. 236, 237. «Hitarika antsika hiala amin’ ny fahamarinana ny fanahin’ ny fahadisoan-kevitra, ary ny Fanahin’ Andriamanitra no hitarika antsika ho amin’ ny fahama- rinana. Nefa, hoy ianao hoe, mety ho diso ny olona, ary hihevitra fa manana ny marina. Koa ahoana ary? Hoy ny valin-teninay : ny Fanahy sy ny Tenin’ Andriamanitra dia mifanaraka. Raha misy olona mitsara ny tenany amin’ ny alalan’ ny tenin’ Andriamanitra ka mahita fa mifandrindra tanteraka amin’ ny tenin’ Andriamanitra ny fiainany manontolo, dia azony inoana fa manana ny fahamarinana izy; nefa raha hitany kosa fa tsy mifandrindra amin’ ny lalàn’ Andriamanitra na ny Boky Masina ny fanahy izay mitarika azy, dia aoka izy hitandrina ny famindrany, andrao tratry ny fandriky ny devoly».The Advent Herald and Signs of the Times Reporter,laharana 23. (15 Janoary, 1845). Matetika aho no nahita porofo mazava kokoa ny amin’ ny fitiavam-bavaka ao am-po teo amin’ ny maso mibaliaka, ny takolaka mandon’ ny ranomaso sy ny feo kendakenda noho ny teo amin’ ny tabataba rehetra hita eo amin’ ny kristiana» —Bliss, p. 282.HM 410.2

    Tamin’ ny andron’ ny Fanavaozana ara-pivavahana ny fahavalony dia niampanga ireo izay niasa tamin-kafanam-po be indrindra hanohitra ny fitompoan-teny fantatra ho fototry ny ratsy rehetra vokatr’ izany. Fihetsika toy izany koa no nataon’ ireo mpanohitra ny fihetsiketsehana advantista. Ary tsy afa-pon’ ny nanova endrika sy namivitra ny hevi-dison’ ireo mpanao laza masaka sy mpitompo teny fantatra ihany izy ireo, fa nampiely koa tatitra fanaratsiana izay tsy nisy marina na dia kely akory aza. Hevitra noraisina avy hatrany tsy misy porofo sy fankahalana no nanentana ireny olona ireny. Voakorontan’ ny fitoriana an’ i Kristy efa eo am-baravarana ny fiadanany. Natahotra izy ireo andrao marina izany, nefa nantenainy koa ny tsy hahamarina azy, ary io no tsiambaratelon’ ny famelezany ny Advantista sy ny finoany.HM 411.1

    Ny fisian’ ny mpitompo teny fantatra vitsivitsy tafatsofoka teo amin’ ny laharan’ ny Advantista dia tsy antony hilazana akory fa tsy avy amin’ Andriamanitra io fihetsehana io tahaka ny tsy ahazoana milaza ihany koa fa ny fisian’ ireo mpitompo teny fantatra sy mpamitaka tao amin’ ny fiangonana tamin’ ny andron-dry Paoly na Lotera dia antony ampy hanamelohana ny asan’ izy ireo. Aoka ny vahoakan’ Andriamanitra hifoha avy amin’ ny torimasony ka hanomboka hanao amin’ ny fony tokoa ny fibebahana sy ny fanavaozana; aoka izy handinika ny Soratra Masina mba hahafantarany ny marina araka izay ao amin’ i Jesosy; aoka izy hanolo-tena tanteraka ho an’ Andriamanitra, dia ho hita miharihary fa mbola tena miasa sy mailo i Satana. Hampiasainy ny famitahana rehetra ho enti-maneho ny heriny, ka antsoiny hifarimbona aminy ireo anjely lavo rehetra ao amin’ ny fanjakany.HM 411.2

    Tsy ny fitoriana ny fiavian’ i Kristy fanindroany tsy akory no nahatonga ny hafanampo tafahoatra sy ny fisaraham-bazana. Niseho ireny tamin’ ny fahavaratry ny taona 1844, rehefa latsaka tao amin’ ny fisalasalana sy ny tebiteby nikasika ny toerana marina nisy azy ny Advantista. Ny fitoriana ny hafatry ny anjely voalohany sy ny «antso mamatonalina» dia misakana mivantana ny fitompoan-teny fantatra sy ny fisaratsarahana. Nifanara-tsaina ireo izay nandray anjara tamin’ ireo fihetsiketsehana mahavelona eritreritra ireo. Nifankatia fatratra sy tia an’ i Jesosy izay nampoiziny ho hita vetivety izy ireo. Ny finoana iray, ny fanantenana mahafinaritra iray, dia nanandratra azy tsy ho voafehin’ ny hery miasa mangina avy amin’ olombelona, Ka zary ampinga nanoherana ny fanafihan’ i Satana.HM 412.1

    «Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory, dia nisy antso hoe : Indry ny mpampakatra! mivoaha mba hitsena azy. Dia nitsangana ireo virijina rehetra ireo ka samy namboatra ny fanalany»2Mat. 25 : 5-7.HM 412.2

    Tamin’ ny fahavaratry ny taona 1844, teo amin’ ny fisasahan’ ny fotoana niheverana voalohany fa hifarana ny 2300 andro sy ny fararanon’ io taona io, izay hita taty aoriana fa mbola voafaoka tao anatiny, dia notorina ny hafatra araka ny tenin’ ny Soratra Masina mihitsy hoe : «Indry ny mpampakatra!».HM 412.3

    Izay nitarika ho amin’ io fihetsehana io dia ny fahitana fa ny didin’ i Artaksersesy momba ny fanavaozana an’ i Jerosalema izay fotoana iantombohan’ ny 2300 andro, dia tsy nampiharina raha tsy tamin’ ny fararanon’ ny taona 457 BC, fa tsy tamin’ ny fiantombohan’ io taona io tahaka ny efa ninoana teo aloha tsy akory. Rehefa isaina manomboka amin’ ny fararanon’ ny taona 457 BC ny 2300 andro dia miafara amin’ ny fararanon’ ny taona 1844. (Jereo Fanampiny)HM 412.4

    Nisy koa fonjan-kevitra nosintonina avy tamin’ ny tandindona ao amin’ ny Testamenta Taloha izay nanondro ny fararano ho fotoan’ andro tsy maintsy anaovana ilay fombam-pivavahana mampiseho ny «fanadiovana ny fitoerana masina». Nazava dia nazava izany rehefa nafantoka tamin’ ny fomba nahatanterahan’ ireo sary aman’ ohatra mikasika ny fiavian’ i Kristy voalohany ny fijery.HM 412.5

    Ny famonoana ny zanak’ ondrin’ ny Paska dia aloky ny nahafatesan’ i Kristy. Hoy Paoly : «Fa voavono Kristy, Paska ho antsika»31 Kor. 5 : 7;. Ny salohim-barin’ ny voaloham-bokatra izay nahevaheva teo anatrehan’ i Jehovah tamin’ ny fotoanan’ ny Paska dia sary mampiseho ny fitsanganan’ i Kristy tamin’ ny maty. Hoy i Paoly, raha niteny ny amin’ ny fitsanganan’ ny Tompo sy ny an’ ny vahoakany rehetra izy : «Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an’ i Kristy amin’ ny fiaviany» 41 kor. 15 : 23;. Tahaka ny fanevahevana ny salohy, izay voa masaka voalohany nangonina talohan’ ny fijinjana, dia tahaka izany koa Kristy Izay voaloham-bokatry ny amboara mandrakizay avy amin’ ireo navotana amin’ ny fitsanganan’ ny maty mbola ho avy izay hangonina ho any amin’ ny sompitr’ Andriamanitra.HM 413.1

    Tanteraka ireo sary aman’ ohatra ireo, tsy amin’ ny maha zavatra hiseho azy fotsiny, fa araka ny fotoana hisehoany koa. Tamin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folon’ ny volana voalohany jiosy, tamin’ ny andro sy ny volana indrindra izay famonoana ny zanak’ ondrin’ ny Paska nandritra ny fotoana ela, dia taonjato dimy ambin’ ny folo, tamin’ io indrindra Kristy, rehefa avy nihinana ny Paska niaraka tamin’ ny mpianany, no nanendry ilay fanasana izay ahatsiarovana ny fahafatesany amin’ ny maha-«Zanak’ ondrin’ Andriamanitra Azy, Izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao». Tamin’ io alina io ihany dia nosamborin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy Izy mba homboiny sy hovonoiny. Ary ho setrin’ ny salohim-bary nahevaheva dia nitsangana tamin’ ny maty ny Tompontsika tamin’ ny andro fahatelo, «ho santatr’ izay efa nodimandry», ohatry ny fitsanganan’ ny marina rehetra, izay hovana «ny tenan’ ny fanetren-tenany, hitovy amin’ ny tenan’ ny voninahitr’ i Kristy»51 Kor. 15 : 20; Fil. 3 : 21.HM 413.2

    Amin’ ny fomba toy izany koa no tsy maintsy hahatanteraka ireo sary aman’ ohatra mikasika ny fiavian’ i Kristy fanindroany amin’ ny fotoana voatondron’ ny fanompoam-pivavahana ara-tandindona. Teo amin’ ny fanompoam-pivavahana tamin’ ny andron’ i Mosesy dia tamin’ ny andro fahafolo amin’ ny volana fahafito jiosy (Levitikosy 16 : 29-34) no nanaovana ny fanadiovana ny fitoerana masina, na ny Andro Fanavotana lehibe tamin’ izay; rehefa avy nanao fanavotana ho an’ ny Isiraely rehetra ny mpisoronabe, ka nanala ny fahotany avy tao amin’ ny fitoerana masina, dia nivoaka mba hitahy ny vahoaka. Toy izany koa no ninoana fa i Kristy, ilay Mpisoronabentsika, dia hiseho mba hanadio ny tany amin’ ny fanafoanana ny fahotana sy ny mpanota ary hitahy ny vahoaka niandry Azy amin’ ny fanomezana azy ny tsy fahafatesana. Ny andro fahafolo amin’ ny volana fahafito, ny Andro Fanavotana lehibe, ny fotoana fanadiovana ny fitoerana masina, izay nianjera tamin’ ny roambiniroapolo Oktobra tamin’ ny 1844, dia noheverina ho fotoana hiavian’ ny Tompo. Nifandrindra tamin’ ny porofo efa naseho izany fa hifarana amin’ ny fararanon’ ny 2300 andro ka toa tsy azo nolavina izany fehin-kevitra izany.HM 413.3

    Ao amin’ ny fanoharana ao amin’ ny Matio 25 dia manaraka ny fotoana niandrasana sy naharendrehana ny niavian’ ny mpampakatra. Nifanaraka tamin’ ny fonjan-kevitra vao novelabelarina izany, na ny avy amin’ ny faminaniana na ny avy amin’ ny fombam-pivavahana nisy tandindona. Nahatonga faharesen-dahatra mafy orina ny amin’ ny fahamarinan’ ireo izany; koa dia mpino an’ arivony no nampanakoako ny «antso mamatonalina».HM 414.1

    Tahaka ny fisamontan’ ny onja no nielezan’ ilay fihetsiketsehana eran’ ny tany (Etazonia). Nitety ny tanàna sy ny vohitra ka tafapaka hatrany amin’ ny toerana lavitra indrindra izany, mandra-pifohan’ ny vahoakan’ Andriamanitra tanteraka teo am-piandrasana. Nisinda tahaka ny zavona vao maraina raha vao miposaka ny masoandro ny fitompoan-teny fantatra teo anatrehan’ io fitoriana io. Tsapan’ ny mpino fa niala ny fisalasalany sy ny tebitebiny, ary namelombelona ny fony ny fanantenana ny faherezana. Afaka tamin’ ireo mpamivikevitra ny asa tamin’ izany, fahita mandrakariva mantsy ny toy izany isaky ny misy zava-manaitaitra ny olona tsy voafehin’ ny asa mangina ataon’ ny teny sy ny Fanahin’ Andriamanitra. Nitovy tamin’ ireo fotoana fanetren-tena sy fiverenana tamin’ i Jehovah izay nanaraka ny hafatra fanairana nentin’ ny mpanompon’ Andriamanitra tamin’ Isiraely fahiny izany. Nanana ny endrika nampiavaka ny asan’ Andriamanitra tamin’ ny andro rehetra izany. Tsy nisy firy ny firavoravoampanahy narahim-pahataitairana fa fandinihana lalina ny fo, fiaikena ny fahotana ary fandaozana an’ izao tontolo izao. Fiomanana hihaona amin’ i Jehovah no nitambesatra tamin’ ireo fanahy velom-pitalahoana mafy. Faharetana tamin’ ny fivavahana sy fanoloran-tena tsy nisy fepetra ho an’ Andriamanitra no hita.HM 414.2

    Hoy i Miller raha milaza ny amin’ io asa io : «Tsy misy fanehoampifaliana be; izany hoe, raha ny tena izy, notehirizina ho amin’ ny fotoana aoriana izany, rehefa hiara-mifaly avokoa ny lanitra sy ny tany amin’ ny haravoana tsy hay lazaina sy ny voninahitra mitafotafo. Tsy misy horakoraka : izany koa dia atokana ho amin’ ny horakoraka any an-danitra. . . Mangina ny mpihira : miandry ny hiara-miredona amin’ ny andian’ anjely izy, dia ireo antokom-pihira avy any an-danitra. . .Tsy nisy fihetseham-po nifandona fa samy niray fo sy saina avokoa ny rehetra».Bliss, p. 270, 271.HM 414.3

    Hoy ny fanambarana nataon’ ny anankiray koa izay nandray anjara tamin’ ny fihetsiketsehana : «Na taiza na taiza dia niteraka fandinihana lalina ny fo sy fanetrena ny fanahy teo anatrehan’ Andriamanitry ny lanitra ambony izany. Nahatonga ny fitiavana hiala tamin’ ny zavatry ny tany izany, fanasitranana ny fifandirana sy ny firehetampo, fiaikena ny ratsy vita, ranomasobe teo anatrehan’ Andriamanitra sy fitalahoana taminy hamela heloka sy handray ny fo mibebaka sy torotoro Niteraka fietrena lalina sy filavoan’ ny fanahy izay tsy mbola fahita na oviana na oviana izany. Araka ny nandidian’ Andriamanitra tamin’ ny alalan’ i Joela, rehefa mby akaiky ny andro lehiben’ Andriamanitra, dia nahatonga fo notriatriarina izany fa tsy fitafiana, ary fiverenana tamin’ i Jehovah tamin’ ny fifadiankanina, sy fitomaniana ary fisaonana. Araka ny nampilazain’ Andriamanitra an’ i Zakaria, dia haidina amin’ ny zanany ny fanahin’ ny fahasoavana sy ny fifonana, ka hijery Ilay nolefoniny izy, ary hisy fisaonana lehibe eran’ ny tany, ... ary izay mibanjina ny Tompo dia nampahory ny fanahiny teo anatrehany». — Bliss, Advent Shield and Review, boky l, p. 271 (Janoary 1845).HM 415.1

    Tamin’ ireo fihetsiketsehana ara-pivavahana hatramin’ ny andron’ ny apostoly, dia ilay tamin’ ny fararanon’ ny 1844 no tena afaka indrindra tamin’ ny tsy fahatanterahan’ ny olombelona sy ny fandrik’ i Satana. Eny, fa na ankehitriny aza, taona maro aty aoriana, izay rehetra nandray anjara tamin’ izany fihetsiketsehana izany ka nijoro tsy ho azo nohozongozonina teo amin’ ny sehatry ny fahama-rinana dia mbola mahatsapa ny hery masina niasa nangina avy tamin’ io asa feno fitahiana io ary vavolombelon’ ny maha-avy tamin’ Andriamanitra izany.HM 415.2

    Rehefa re ny antso nanao hoe : Indry ny mpampakatra! mivoaha mba hitsena Azy», «dia nitsangana ireo niandry Azy ka nanamboatra ny fanalany»; nianatra ny tenin’ Andriamanitra tamim-pahalianana fatratra izay tsy mbola nahitana izay toy izany izy. Nisy anjely nirahina avy tany an-danitra hamoha ireo izay tratry ny fahakiviana ka manomana azy handray ny hafatra. Tsy ny fahendrena na ny fahaizan’ olombelona no nijoroan’ ny asa, fa ny herin’ Andriamanitra. Tsy ireo nanan-talenta namirapiratra indrindra, fa ireo nanetry tena sy tia vavaka indrindra no voalohany nandre sy nankatò ny antso. Nilaozan’ ny mpamboly ny vokatra tany an-tsaha, navelan’ ireo mpiasa ny milina fiasany, ka tamin-dranomaso sy fifaliana no nandehanany nitondra ny hafatra fampitandremana. Ireo izay nitarika ny asa tamin’ ny voalohany no anisan’ ny farany nanaraka io fihetsiketsehana io. Ny ankabeazan’ ny fiangonana dia nanakatona ny varavarany mba ho mariky ny fandavany io hafatra io, ary olona maro tamin’ ireo izay nandray izany no niala tsy nifandray tamin’ ireo intsony. Noho ny fitondran’ Andriamanitra, dia niray tamin’ ny hafatry ny anjely faharoa io fitoriana io ka nanome hery ny asa.HM 415.3

    Ilay hafatra hoe : «Indry. tamy ny Mpampakatra!» dia tsy nankinina firy tamin’ ny fonjan-kevitra na dia nazava sy tsy azo lavina aza ny porofo tao amin’ ny Soratra Masina. Nisy hery nanosika nomba azy izay nampientana ny fanahy. Tsy nisy fisalasalana, tsy nisy fanontaniana nampiahanahana. Raha niakatra tamin’ ny fomba manetriketrika tao Jerosalema i Kristy, ny vahoaka izay tafangona avy tamin’ ny faritany rehetra hanatrika ny fety ka nirohotra nankany amin’ ny tendrombohitra Oliva, rehefa tafara-dia tamin’ ireo marobe nanaraka an’ i Jesosy izy dia nentanin’ ny aingam-panahy tamin’ izany ora izany ka nampaneoeo ny antso hoe : «Isaorana anie izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah!»6Mat. 21 : 9. Toy izany koa ireo mpino izay nifanizina tamin’ ny fivorian’ ny Advantista — ny sasany noho ny fitiavany hahita zava-baovao, ny sasany mba hanazimbazimba fotsiny — nahatsapa ilay hery nandresy lahatra avy tamin’ ilay hafatra hoe : «Indry, tamy ny Mpampakatra!» izy.HM 416.1

    Tamin’ izany fotoana izany dia nisy finoana izay nitondra valimbavaka finoana izay nijery ny famalian-tsoa. Tahaka ny ranonorana milatsaka amin’ ny tany mangentana ny Fanahin’ ny fahasoavana dia nirotsaka tamin’ ireo izay nikatsaka izany mafy. Izay nanantena fa vetivety dia hifanatri-tava amin’ ny Mpanavotra azy dia nahatsapa fifaliana lehibe sy tsy hay ambara. Nampalefadefaka sy nampitony ny fo ny herin’ ny Fanahy Masina raha nitosaka be dia be tamin’ ireo mahatoky sy mino ny fitahiana avy aminy.HM 416.2

    Tamim-pitandremana fatratra sy tamim-pieritreretana lalina no nanatonan’ ireo izay nandray ny hafatra sy ny fotoana izay nantenainy fa hihaonany amin’ ny Tompo. Isa maraina dia tsapany fa ny voalohan’ adidiny dia ny mahazo antoka mazava ny faneken’ Andriamanitra azy. Niray akaiky dia akaiky ny fony, ary nazoto niara-nivavaka sy nifampivavaka izy. Matetika no nivory tany amin’ ny toerana mitokana izy mba hiray amin’ Andriamanitra. ka niakatra avy tany an-tsaha sy avy tamin’ ny kirihitr’ ala ny feon’ ny fitalahoana ho any an-danitra. Nilainy mihoatra noho ny hanin-kohanina isan’ andro ny fahazoany antoka ny fankasitrahan’ ny Mpamonjy; ary raha nisy rahona nanamaloka ny sainy, dia tsy nijanona izy raha tsy nisinda izany. Teo amin’ ny fahatsapany ny fanambaran’ ny fahasoavana mamela heloka, dia niriny mafy ny hahita Ilay tian’ ny fanahiny.HM 416.3

    Nefa nisy fahadisoam-panantenana hafa niandry azy ireo. Lasa ny fotoana nandrasana, nefa tsy tonga Ilay Mpamonjiny. Tamin-toky tsy nisy fisalasalana no nibanjinan’ izy ireo ny fiaviany. Ny tsapany izao dia izay tsapan’ i Maria fony izy tonga teo amin’ ny fasan’ ny Mpamonjy. ka nahita izany foana ary niteny tamin-dranomaso hoe : «Nalain’ olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy»7Jao. 20 : 13.HM 417.1

    Nanahinahy sy natahotra nandritra ny fotoana kely izao tontolo izao tsy nino ary toa fefy nisakana azy izany. Rehefa lasa io fotoana io, dia tsy afaka avy hatrany akory izany; tamin’ ny voalohany dia tsy sahy nampiseho fandresena tamin’ ireo diso fanantenana izy; fa rehefa tsy nisy kosa famantarana ny fahatezeran’ Andriamanitra niseho, dia afaka ny tahony ka niverina tamin’ izay ny fanomezan-tsiny sy ny fanimbazimbana. Antokon’ olona betsaka izay nilaza fa nino ny fiavian’ ny Tompo tsy ho ela, no niala tamin’ ny finoany. Nisy koa ireo izay tena natoky marina tokoa no voaratra lalina indrindra teo amin’ ny hambom-pony hany ka toa naleony nandositra an’ izao tontolo izao. Tahaka an’ i Jona nitaraina tamin’ Andriamanitra izy ka naleony maty toy izay ho velona. Ireo izay nampiorina ny finoany tamin’ ny hevitry ny hafa fa tsy tamin’ ny tenin’ Andriamanitra ankehitriny dia vonona hiova hevitra indray koa. Voasinton’ ireo mpaniratsira ho mpiandany aminy ny malemy sy ny kanosa, ka niray saina izy rehetra tamin’ ny fanambarana fa tsy misy tokony hatahorana na hantenaina intsony izao. Efa dila ny fotoana, tsy tonga ny Tompo, ka mety hijanona tsy miova an’ arivo taonany izao tontolo izao.HM 417.2

    Ireo mpino marina sy nadio fo dia nahafoy ny zavatra rehetra ho an’ i Kristy ary efa niaina tamin’ ny fanatrehany tahaka ny tsy mbola nataony mihitsy. Ninoany, fa efa nomeny an’ izao tontolo izao ny hafatra fampitandremana farany; ary, satria nanantena izy fa vetivety dia horaisina hiara-monina amin’ ny Tompony sy Andria-manitra ary ireo anjelin’ ny lanitra, dia efa tsy nifanerasera firy intsony tamin’ ireo izay tsy nandray ny hafatra izy. Efa nanao vavaka feno faniriana izy hoe : «Avia Jesosy Tompo ary avia faingana». Nefa tsy tonga Izy. Ary izao, izany hiantsoroka indray ny enta-mavesatry ny ahiahin’ ny fiainana sy ny tebitebiny, sy izany hiaritra ny fanesoesoana sy ny fihomehezan’ izao tontolo izao mpaniratsira, dia tena fitsapana mahamay tokoa ny finoany sy ny faharetany.HM 417.3

    Io fahadisoam-panantenana io anefa dia tsy mafy tahaka izay nanjo ireo mpianatra tamin’ ny fotoana niavian’ i Kristy voalohany. Raha nitaingina zana-boriky toy ny mpandresy niditra an’ i Jerosalema i Jesosy, dia nino ireo mpanaraka Azy fa efa nadiva hiakatra eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida Izy ka hanafaka an’ Isiraely amin’ ny mpampahory azy. Feno fanantenana niredareda sy fifaliana nialoha tsy ahombiazana izy raha nifaninana hampiseho fanajana Ilay Mpanjakany. Maro no namelatra ny kapaotiny ho toy ny karipetra teo amin’ ny lalan-kodiaviny, na nanahy sampan-drofia be ravina teo anoloany. Noho ny hafanam-pony sy ny fifaliany dia niara-nihoby izy hoe ; «Hosana ho an’ ny zanak’ i Davida!» Raha sorena sy tezitra ny Fariseo noho izany redom-pifaliana izany ka nangataka an’ i Jesosy handrara ny mpianany, dia novaliany hoe : «Lazaiko aminareo, fa raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso»8Lio. 19 : 40 ;. Tsy maintsy tanteraka ny faminaniana. Nanatanteraka ny fikasan’ Andriamanitra ny mpianatra; tsy maintsy niharan’ ny fahadisoam-panantenana mangidy izy ireo. Rehefa afaka andro vitsy foana dia hanatri-maso ny fahafatesana mafy indrindra niaretan’ ny Mpamonjy izy sy hametraka Azy ao amin’ ny fasana. Tsy nisy tanteraka na dia kely aza izay nantenainy, ary niara-maty tamin’ i Jesosy ny fanantenany. Raha tsy efa nivoaka tamim-pandresena avy tao am-pasana ny Tompony dia tsy hitany fa efa voalazan’ ny faminaniana mialoha avokoa ny zavatra rehetra, ary «tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin’ ny maty i Kristy»9Asa. 17 : 3 ;.HM 418.1

    Diman-jato taona talohan’ izany, dia nambaran’ i Jehovah tamin’ ny alalan’ i Zakaria hoe : «Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; marina Izy sady manam-pamonjena, malemy fanahy sady mitaingina boriky, dia zana-boriky tanora»10zak. 9 : 9 ;. Raha takatry ny mpianatra mialoha fa niroso hotsaraina sy ho vonoina i Kristy, dia tsy ho nahatanteraka an’ io faminaniana io izy ireo.HM 418.2

    Toy izany koa no nahatanterahan-dry Miller sy ireo niara-dia taminy ny faminaniana ka nanomezany hafatra izay nambaran’ ny tsindrimandrin’ Andriamanitra mialoha fa homena an’ izao tontolo izao, nefa tsy ho afaka nanome io hafatra io izy raha tahiny ka nazava tanteraka ireo faminaniana izay nanondro ny fahadisoam-panantenany, sy nampiseho hafatra hafa koa hotorina amin’ ny firenena rehetra alohan’ ny hiavian’ ny Tompo. Notorina tamin’ ny fotoana mety ny hafatry ny anjely voalohany sy ny faharoa ary nahatanteraka ny asa izay notendren’ Andriamanitra hotanterahiny izany.HM 419.1

    Efa nandrasan’ izao tontolo izao, ary efa nampoiziny fa raha dila ny fotoana nefa tsy miseho i Kristy, dia hialana manontolo ny rafitry ny fampianarana Advantista. Raha marina fa niala tamin’ ny finoany ny maro, noho ny hamafin’ ny fakam-panahy, dia nisy sasany kosa izay nijoro tsy azo nohozongozonina. Ny vokatry ny fihetsehana advantista, ny toe-tsaina feno fanetren-tena sy fandinihana ny fo, fahafoizana an’ izao tontolo izao sy fanavaozana ny fiainana izay hita teo amin’ ny asa, dia vavolombelona fa avy amin’ Andriamanitra izany. Tsy sailin’ izy ireo ny nandà fa nibaribary teo amin’ ny fitoriana ny fiavian’ i Kristy fanindroany ny herin’ ny Fanahy Masina, ary tsy nisy fahadisoana nety no hitany teo amin’ ny fanambarana ireo fe-potoana ara-paminaniana. Ny havanana indrindra tamin’ ireo mpanohitra azy dia tsy nahomby tamin’ ny fandrodanana ny rafitra nentiny nanazava ny faminaniana. Tsy azon’ ny sainy nekena izany hoe hial’a, raha tsy nisy porofo mazava avy tamin’ ny Baiboly, amin’ ilay hevitra hitany tamin’ ny fandinihana tamin-kafanam-po sy nombam-pivavahana ny Soratra Masina sy tamin’ ny alalan’ ny saina nohazavain’ ny Fanahin’ Andriamanitra sy ny fo miredaredan’ ny heriny mitondra aina; ary hevitra izay tsy voahozongozon’ ny fitsikerana lehibe indrindra sy ny fanoherana mahery vaika indrindra avy tamin’ ireo mpampianatra ara-pivavahana mamim-bahoaka sy ireo olon-kendrin’ izao tontolo izao, hevitra tsy voahozongozon’ ny hery mitambatry ny fahalalana sy ny fahaiza-mandahatra, tsy voahozongozon’ ny fanarabiana sy ny fanivaivan’ ny manan-kaja sy ny olona ambany.HM 419.2

    Marina fa nisy fifandisoana teo amin’ ny toe-javatra nampoizina hiseho. nefa tsy nampihetsika ny finoany ny tenin’ Andriamanitra izany. Rehefa nitory teo amin’ ny lalamben’ i Ninive i Jona fa «rehefa afaka efa-polo andro dia ho ravana ny tanàna», dia neken’ Andriamanitra ny fietren’ ny Ninivita ka nohalavainy ny andrompahasoavana ho azy. Andriamanitra tokoa anefa no nandefa ny hafatra nentin’ i Jona ary araka ny sitrapony no nisedrana an’ i Ninive. Ninoan’ ireo Advantista fa fomba toy izany koa no efa nitarihan’ Andriamanitra azy tamin’ ny nanomezany ny hafatra fampitandremana momba ny fitsarana. «Fisedrana ho an’ izay rehetra nandre izany» hoy izy ireo ka «nampifoha ny fitiavana ny fisehoan’ ny Tompo ; fa niteraka fankahalana miharihary na takona ny fiavian’ i Kristy kosa izany ho an’ ny sasany. Fantatr’ Andriamanitra avokoa anefa izany rehetra izany. Nanoritra tsipika io toe-javatra io . . . ka izay nandinika ny fony dia nety hahalala izay ho nisy azy raha tonga tokoa ny Tompo tamin’ iny fotoana iny. Mety ho niteny hoe izy : «Indro ! Andriamanitra izay nandrasantsika hamonjy antsika», na ho niantso ny vatolampy sy ny tendrombohitra hianjera aminy mba hanafina azy amin’ ny tavan’ Ilay mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianana, sy amin’ ny fahatezeran’ ny Zanak’ ondry. Araka ny finoantsika dia nisedra ny vahoakany Andriamanitra, nitsapa ny finoany, nizaha toetra azy, mba ahitany raha hihemotra izy ka hiala amin’ ny toerana tiany hametrahana azy eo amin’ ny ora fitsapana, na hahafoy an’ ity izao tontolo izao ity izy ka hiankina tsy hihambahamba amin’ ny tenin’ Andriamanitra ». The Advent Herald and Signs of The Times Reporter, boky 8, laharana 14 (13 Novambra 1844).HM 419.3

    Ny tenin’ i William Miller no manambara ny zavatra tsapan’ ireo izay mbola nino fa efa nitarika azy Andriamanitra tamin’ ny fanandramana nataony tamin’ ny lasa : «Raha toa ka hoe hamerina ny fiainako hatrany am-boalohany indray aho, miaraka amin’ ireo porofo efa ananako ankehitriny, mba hijoroako mahatoky eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny olona dia izay efa nataoko no mbola hataoko koa». «Manantena aho fa efa nanadio ny fitafiako ho afaka amin’ ny ran’ ireo namako. Tsapako fa efa nanao izay rehetra azoko natao aho ka afaka madiodio ny amin’ ny fanamelohana azy ireny». «Na dia diso fanantenana indroa aza aho», hoy ny nosoratan’ io lehilahin’ Andriamanitra io, «dia tsy mamoy fo aho na kivy. . Tsy mbola natanjaka toy izao ny finoako ny fiavian’ i Kristy. Tsy nanao afa-tsy izay noheveriko fa adidiko aho, rehefa nandany taona maro nandinihana tamin-kovitra sy fanajana. Raha nisy nahadiso ahy dia noho ny fitiavako ny mpiara-belona amiko sy ny olombelona tahaka ahy ary ny fahareseko lahatra fa nanana adidy tamin’ Andriamanitra». «Zavatra iray ihany no fantatro marimarina, tsy nitory afa-tsy izay ninoako aho; ary niaraka tamiko Andriamanitra; niseho teo amin’ ny asa ny heriny, ary betsaka ny soa vita». «An’ arivony maro, araka ny fahitan’ ny olombelona azy, no voataona handinika ny Soratra Masina noho ny fitoriana momba ny fotoan’ andro; ary tamin’ izany fomba izany dia vita fihavanana tamin’ Andriamanitra izy ireny tamin’ ny alalan’ ny finoana sy ny famafazana ny ran’ i Kristy» — Bliss, pejy 256, 277, 280. 281». «Tsy mangataka na oviana na oviana ny hitsikian’ ny mpiavonavona aho, na hifararemotra rehefa tsy nankasitraka izao tontolo izao. Tsy hividy ny sitraka avy aminy koa aho izao, na hanao mihoatra ny adidiko mba hihaika ny fankahalany. Na oviana na oviana tsy hitady izay hamonjena ny aiko avy eo am-pelatanany aho, na hihemotra noho ny tahotra ny hahavery izany, manantena ny hanolotra izany ho an’ Andriamanitra aho, raha izany no fantany fa mety». J. White, Life of Miller, p. 315.HM 420.1

    Tsy nahafoy ny vahoakany Andriamanitra fa mbola nitoetra tao amin’ ireo izay tsy nandà ankitsirano ny fahazavana efa noraisiny sy tsy nanohitra ny fihetsehana momba ny fiavian’ i Kristy. Ao amin’ ny epistily ho an’ ny Hebreo dia misy teny fampaherezana sy fampitandremana ho an’ ireo izay niandry, sy nozahan-toetra tamin’ io fotoan-tsarotra io. «Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe, fa tokony hanana faharetana ianareo mba hahazoanareo izay lazain’ ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’ Andria-manitra. Fa rehefa afaka kelikely, dia ho tonga Ilay ho avy fa tsy hitaredretra. Ary ny oloko marina dia ho velon’ ny finoana, fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko. Fa isika tsy mba naman’ izay mihemotra ho amin’ ny fahaverezana, fa naman’ izay mino ho amin’ ny famonjena ny fanahy»11Heb. 10 : 35-39.HM 421.1

    «Mazava fa natao ho an’ ny fiangonana aty amin’ ny andro farany io fananarana io, araka ny teny izay manondro ny fahantomoran’ ny fiavian’ ny Tompo». «Fa rehefa afaka kelikely dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra». Ary voalaza mazava fa misy toa fihemoran’ ny fotoan’ andro ary toa hitaredretra ny Tompo araka ny fahitana azy. Ny toro-hevitra omena eto dia mifanitsy indrindra amin’ ny fanandramana nataon’ ireo Advantista tamin’ izany fotoana izany. Ny vahoaka iantefan’ izany dia notandindomin-doza ho rendripinoana. Efa nanao ny sitrapon’ Andriamanitra izy tamin’ ny fanarahany ny Fanahiny sy ny teniny ; nefa tsy nazava taminy ny fikasany teo amin’ ny fanandramana nataony teo aloha, ary tsy hitany mazava ny lalana nombany amin’ ny ho avy, ka ho azon’ ny fakam-panahy izy hisalasala raha tena nitarika azy tokoa Andriamanitra. Azo nampiharina tamin’ izany ny teny hoe : «Ary ny oloko marina dia ho velona amin’ ny finoana». Raha namirapiratra teo amin’ ny lalany ny fahazavan’ ny «antso mamatonalina», ka hiteny fa efa novahana ny tombo-kasen’ ireo faminaniana ary tanteraka haingana dia haingana ireo famantarana manambara fa akaiky ny fiavian’ i Kristy, dia nandeha araka izany izy, tamin’ ny alalan’ izay hitan’ ny masony. Fa ankehitriny kosa, naondriky ny fanantenany tsy tanteraka izy, ka tsy afaka hijoro raha tsy amin’ ny alalan’ ny finoana an’ Andriamanitra sy ny teniny ihany. Naniratsira izao tontolo izao ka nanao hoe : «Efa voafitaka ianareo. Ialao ny finoanareo, ary ambarao fa avy tamin’ i Satana ny fihetsehana momba ny fiavian’ i Kristy». Nefa izao no ambaran’ ny tenin’ Andriamanitra : «Raha mihemotra izy dia tsy sitraky ny fanahiko». Ny fandavana ny finoany izao, sy ny fandavana ny herin’ ny Fanahy Masina izay teo amin’ ny hafatra, dia ho nitarika azy hiverina ho any amin’ ny fahaverezana. Nampahery azy hijoro ny tenin’ i Paoly manao hoe: «Koa aza manary ny fahasahianareo, fa rehefa afaka kelikely, dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra». Ny hany fihetsika azo antoka ho azy dia ny mankamamy ny fahazavana izay efa noraisiny tamin’ Andriamanitra, ny hamikitra amin’ ny teny fikasany, ary ny hitozo handinika ny Soratra Masina, sy hiandry ary hiambina amim-paharetana handray fahazavana vaovao.HM 421.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents