Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hery Mifanandrina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 23—Inona ny fitoerana masina ?

    Ny toko sy andininy izay sady fototra no andry lehibe niankinan ny finoana ny amin’ ny fiavian’ i Kristy mihoatra noho ny hafa rehetra, dia ilay fanambarana hoe : Telonjato sy roa arivo andro; rehefa afaka izany dia hodiovina ny fitoerana masina1Dan. 8 : 1 4. Teny mahazatra ny mpino rehetra ny fiavian’ ny Tompo tsy ho ela. Naverimberin’ ny molotra an’ arivony ho teny baikon’ ny finoany izany faminaniana izany. Tsapan’ ny rehetra fa ireo toe-javatra voalaza ao no iankinan’ ireo toe-javatra be voninahitra indrindra nandrasany sy ireo fanantenana nankamamiany indrindra. Efa naseho fa nifarana tamin’ ny fararanon’ ny taona 1844 ireo andro voalazan’ ny faminaniana ireo. Tahaka ireo kristiana hafa eto amin’ izao tontolo izao dia nitana ny finoana ny Advantista fa ny tany, na ny ampahany izany, no fitoerana masina. Noheveriny fa ny fanadiovana ny fitoerana masina dia ny fanadiovana ny tany amin’ ny afo amin’ ny andro lehibe farany, ary hiseho amin’ ny fiavian’ i Kristy fanindroany izany. Izany no niavian’ ny fehin-kevitra fa hiverina eto an-tany amin’ ny 1844 Kristy.HM 423.1

    Lasa anefa ny fotoana notendrena, ary tsy tonga ny Tompo. Fantatr’ ireo mpino fa tsy mety ho diso ny tenin’ Andriamanitra noho izany dia ny fanazavany ny faminaniana no diso; nefa aiza io diso io? Betsaka no nivatravatra nanala olana tamin’ ny fandavana fa tsy nifarana tamin’ ny 1844 ny 2300 andro. Tsy nisy antony azo naroso ny amin’ izany afa-tsy ny hoe tsy tonga i Kristy. Noantitranteriny fa raha niafara tamin’ ny 1844 ireo andro ara-paminaniana ireo, dia ho niverina i Kristy hanadio ny fitoerana masina, ka hanadio ny tany amin’ ny afo ; koa satria tsy tonga Izy, dia tsy nifarana izany ireo andro ireo.HM 423.2

    Raha ekena io fehin-kevitra io dia lavina izany ny fanisana ireo fotoan’ andro ara-paminaniana teo aloha. Efa hita anefa fa nanomboka ny fanisana ny 2300 andro, rehefa nampiharina ny baiko nomen’ i Artaksersesy hanavaozana sy hananganana an’ i Jerosalema, tamin’ ny fararanon’ ny taona 457 BC. Raha raisina ho fotoana hiaingana io, dia mifandrindra tanteraka ny fampiharana izany amin’ ireo toe-javatra rehetra voalaza mialoha ao amin’ ny fanazavana an’ io fe-potoana io ao amin’ i Daniela 9 : 25-27. Sivy amby enimpolo herinandro, ny taona 483 voalohany amin’ ny 2300, dia tonga hatreo amin’ ny Mesia, Ilay voahosotra; ary ny batisan’ i Kristy sy ny fanosoran’ ny Fanahy Masina Azy, dia manatanteraka marina ny filazana. Teo afovoan’ ny herinandro fahafitopolo, dia nesorina ny Mesia. Telo taona sy tapany taorian’ ny batisany, dia nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana i Kristy, tamin’ ny lohataonan’ ny AD. 31. Ny fitopolo herinandro, na ny 490 taona, dia natokana ho an’ ny Jiosy. Tamin’ ny fiafaran’ io fe-potoana io dia nanamafy ny fandavany an’ i Kristy ny firenena tamin’ ny fanenjehany ny mpianany, ka nitodika ho any amin’ ny Jentilisa ny apostoly tamin’ ny AD. 34. Ny 490 taona voalohany amin’ ny 2300 dia efa nifarana ary 1810 taona sisa. Manomboka eo amin’ ny AD. 34 ka hatramin’ ny 1844 dia misy 1810 taona. «Rehefa afaka izany, hoy ny anjely, dia hodiovina ny fitoerana masina». Ireo antsipiriany teo aloha mikasika ny faminaniana dia tanteraka tsy misy adihevitra tamin’ ny fotoana voatondro.HM 424.1

    Raha araka ny fanisana, dia nazava sy nifandrindra avokoa ny zavatra rehetra, afa-tsy ny momba ny fanadiovana ny fitoerana masina niseho tamin’ ny 1844. Ny fandavana fa tsy nifarana tamin’ io fotoana io ireo andro voalaza dia fanakorontanana ny zavatra rehetra, ary fialana amin’ ny hevitra izay efa natsangana noho ny fahatanterahan’ ny faminaniana tsy misy diso.HM 424.2

    Andriamanitra anefa no efa nitarika ny vahoakany tao amin’ ilay fihetsiketsehana lehibe momba ny fiavian’ i Kristy; hita teo amin’ ny asa ny heriny sy ny voninahiny, ary tsy navelany hifarana tao amin’ ny haizina sy ny fahadisoam-panantenana izany, ka hampangaina ho fahataitairana diso toerana vokatry ny fandraisana an-tendrony fotsiny. Tsy avelany ho tonga ny fisalasalana izay nampihazohazo ny amin’ ny teniny. Na dia betsaka aza ireo niala tamin’ ilay fomba nanisany voalohany ireo fotoan’ andro ara-paminaniana ka nandà ny fahamarinan’ ny fihetsiketsehana nifototra tamin’ izany, dia nisy hafa kosa izay tsy naniry ny hiala tamin’ ny finoana sy ny fanandramana notohanan’ ny Soratra Masina sy ny fanatrehan’ ny Fanahin Andria-manitra. Nino izy fa foto-kevitra tsara no nentiny nanazava ny faminaniana tamin’ ny nandinihany izany, ary adidiny ny hitana mafy ny fahamarinana efa azo, sy ny manohy ny fomba namakafakany ny Baiboly. Nivavaka tamin-kafanam-po izy, niverina nandinika ny heviny sy nianatra ny Soratra Masina mba hahitany ny diso nataony. Rehefa tsy nahitany fahadisoana ny fanisana ireo fe-potoana arapaminaniana, dia voatarika handinika akaiky ny momba ny fitoerana masina izy.HM 424.3

    Tamin’ ny fanadihadiana nataony dia hitany fa tsy misy teny ao amin’ ny Soratra Masina manohana ny hevitry ny besinimaro milaza fa ny tany no fitoerana masina; fa azony tao amin’ ny Baiboly kosa ny fanazavana feno momba ny fitoerana masina, ny toetoetrany, ny toerana misy azy, ny fanompoana natao tao dia nazava ary betsaka ny teny vavolombelona nentin’ ireo mpanoratra masina hany ka tsy nisy adihevitra ny momba izany. Hoy ny apostoly Paoly, ao amin’ ny Epistily ho an’ ny Hebreo : «Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia nisy fitsipika ny amin’ ny fanompoam-pivavahana, ary nisy ny fitoerana masina momba ny ety an-tany. Fa nisy tabernakely voavoatra : ny efitra voalohany, ilay atao hoe «ny fitoerana masina», izay nisy ny fanaovan-jiro sy ny latabatra ary ny mofo aseho. Ary ao anatin’ ny efitra lamba faharoa no nisy ny tabernakely izay atao hoe «ny fitoerana masina indrindra», izay nisy ny lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny fiaran’ ny fanekena, izay voapetaka takela-bolamena avokoa; ary tao anatin’ io no nisy ny vilany volamena, izay nitoeran’ ny mana, sy ny tehin’ i Arona izay nitsimoka, ary ny vato fisaky ny fanekena; ary teo ambonin’ io koa ny kerobima nisy ny voninahitra, izay nanaloka ny rakotra fanaovampanavotana»2Heb. 9 : 1-5.HM 425.1

    Ny fitoerana masina izay lazain’ i Paoly dia ny tabernakely naorin’ i Mosesy noho ny baikon’ Andriamanitra ho toeran’ ny Avo Indrindra eto an-tany. «Ary asaovy manao fitoerana masina ho Ahy izy, dia honina eo aminy Aho»3Eks. 25 : 8, izany no torohevitra nomena an’ i Mosesy fony izy teo amin’ ny tendrombohitra niaraka tamin’ Andriamanitra. Nanao ny diany mamakivaky ny efitra ny Isiraelita ka namboarina toy izany ny tabernakely mba ho azo afindrafindra; na izany aza dia kanto dia kanto ny rafitra nanaovana azy. Hazo fisaka mahitsy ny rindrina, voasaron’ ny takela-bolamena matevina ary nakamban’ ny faladia volafotsy, ary ny tafony dia lamba mifanosona, ny ivelany dia hoditra, ary ny anatiny indrindra dia rongony madinika tsara tarehy voapeta-kofehy misary kerobima. Ankoatry ny kianja ivelany, izay nisy ny alitara fanaovana fanatitra hodorana, dia nisy efitra roa ny tabernakely izay natao hoe fitoerana masina sy masina indrindra, nosarahin’ ny lamba sarobidy sy tsara tarehy; nisy lamba toy izany koa teo ambaravaran’ ny efitra voalohany.HM 425.2

    Teo amin’ ny lafiny atsimo tao amin’ ny fitoerana masina no nisy ny fanaovan-jiro nanazava ny fitoerana masina na andro na alina, teo amin’ ny lafiny avaratra ny latabatry ny mofo aseho; ary nanatrika ny lamba izay nampisaraka ny masina amin’ ny masina indrindra dia nisy ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, avy teo no niakaran’ ny setroky ny fofo-manitra teo anatrehan’ Andriamanitra isan’ andro, niaraka tamin’ ny fivavahan’ Isiraely.HM 426.1

    Tao amin’ ny fitoerana masina indrindra ny fiara. Vata natao tamin’ ny hazo sarobidy nosaronana volamena izy io ary tao, no nitoeran’ ireo vato fisaka roa, izay nanoratan’ Andriamanitra ny lalàn’ ny Didy folo. Teo ambonin’ ny fiara, ary nanarona ilay vata masina, no nisy ny rako-panavotana, izay sangan’ asa kanto indrindra, nisy kerobima roa teo amboniny teo amin’ ny tendrony roa ary volamena tsara no nanaovana azy rehetra. Tao amin’ io efitra io no nisehoan’ ny fanatrehan’ Andriamanitra tao amin’ ny rahona be voninahitra teo anelanelan’ ny Kerobima.HM 426.2

    Rehefa tafaorina tany Kanana ny Hebreo, dia nosoloina ny tempolin’ i Solomona ny tabernakely izay na dia rafitra nipetraka sy lehibe kokoa aza, dia nifandanja toy izany ihany ny refiny ary nitovy ny fanaka tao anatiny. Tamin’ io endrika io no nisian’ ny fitoerana masina — afa-tsy tamin’ ny fotoana naharavany tamin’ ny andron’ i Daniela — mandra-pandravan’ ny Romana azy tamin’ ny AD 70. Io no hany fitoerana masina mbola nisy teto an-tany, izay lazain’ ny Baiboly ny antonantony. Nambaran’ i Paoly izany fa fitoerana masin’ ny fanekena voalohany. Nefa moa ve tsy nanana fitoerana masina ny fanekena vaovao?HM 426.3

    Raha namadika indray ny bokin’ i Hebreo ireo mpikatsaka ny fahamarinana dia nahita ny fisian’ ny fitoerana masina faharoa, na fitoerana masin’ ny fanekena vaovao, izay raketin’ ny tenin’ i Paoly voalaza etsy aloha. «Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia nisy fitsipika ny amin’ ny fanompoam-pivavahana, ary nisy fitoerana masina momba ny ety an-tany». Amin’ ny fampiasany ny teny hoe «koa» dia manambara sahady i Paoly fa teo aloha dia efa hitany ny amin’ io fitoerana masina io. Raha niverina tany tamin’ ny fiantombohan’ ny toko voalohandohany izy, dia toy izao no novakiny : «Ary amin’ izany zavatra izany dia izao no fotony : Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin’ ny ankavanan’ ny Avo Indrindra any an-danitra, mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masina sy ny tena tabernakely, izay naorin’ ny Tompo, fa tsy ny olona»4Heb. 8 : 1 , 2.HM 426.4

    Aseho eto ny fitoerana masin’ ny fanekena vaovao. Ny fitoerana masin’ ny fanekena voalohany dia natsangan’ olona, naorin’ i Mosesy; ity kosa dia Jehovah no nanangana azy fa tsy olona. Tao amin’ ilay fitoerana masina tandindona dia ny mpisorona teto an-tany no nanao ny fanompoana; ao amin’ ilay tena izy kosa, dia Kristy, Ilay Mpisoronabentsika no manao fanompoana eo an-tanana an-kavanan’ Andriamanitra. Ny fitoerana masina iray teto an-tany; fa ny iray kosa any an-danitra.HM 427.1

    Ankoatr’ izany ny tabernakely naorin’ i Mosesy dia natao araka ny endrik’ ilay naseho azy. Jehovah no nanoro hevitra hoe : «Araka izay rehetra asehoko aminao, dia ny endriky ny tabernakely sy ny endriky ny fanaka rehetra momba azy dia araka izany no hanaovanao azy». Dia naveriny indray ny hafatrafatra hoe : «Ary tandremo mba hataonao araka ny endriny izay naseho taminao tao an-tendrombohitra izy»5Eks. 25 : 9 , 40. Ary i Paoly dia nilaza fa ilay tabernakely voalohany dia «fanoharana amin’ izao andro ankehitriny izao, ary araka izany no anaterana fanomezana sy fanatitra» ; fa ireo fitoerana masina tao dia tandindon’ ny zavatra any an-danitra»; fa ireo mpisorona izay nanao fanatitra araka ny lalàna dia «nanao fanompoam-pivavahana amin’ izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra» ary «Kristy tsy mba niditra tao amin’ izay fitoerana masina nataon-tanana, izay tandindon’ ny tena fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan’ Andriamanitra ankehitriny ho antsika»6Heb. 9 : 9 , 23 ; 8 : 5 , 9 : 24.HM 427.2

    Ny fitoerana masina any an-danitra izay anaovan’ i Jesosy fanompoana ho antsika, no tena izy sy lehibe ary nakana sary nanaovana ny fitoerana masina naorin’ i Mosesy. Napetrak’ Andriamanitra tamin’ ireo mpanorina ny fitoerana masina teto an-tany ny Fanahiny. Fanehoana ny fahendren’ Andriamanitra ny fahaizana asa-tanana hita teo amin’ ny fanamboarana azy. Volamena tsy misy fangarony no fijery ny rindrina, izay nitaratra ny fahazavan’ ny jiro fiton’ ny fanaovan jiro volamena hatraiza hatraiza. Ny latabatiy ny mofo aseho sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra dia namirapiratra tahaka ny volamena manjelanjelatra. Ny lamba mirenty dia mirenty, natao valin-drihana, nisy sarin’ anjely vita peta-kofehy manga sy volomparasy ary jaky. dia mbola nanampy ny hankaton’ izany. Any ambadiky ny efitra lamba faharoa ny «Shekinah» masina, izay nanehoana hita maso ny voninahitr’ Andriamanitra, tsy misy afatsy ny mpisoronabe ihany no afaka hiditra ho eo anatrehan’ izany ka ho velona.HM 427.3

    Ny toetry ny tabernakely teto an-tany izay narevaka tsy nisy toa azy dia nitaratra teo imason’ ny olombelona ny voninahitry ny tempoly any an-danitra izay toerana anaovan’ i Kristy, mpialoha lalana antsika. fanompoana ho antsika eo anatrehan’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra. Ny toerana fonenan’ ny Mpanjakan’ ny mpanjaka, izay misy arivo arivo manompo Azy, sy alinalina mitsangana eo anatrehany (Daniela 7 : 10), ilay fanorenana mirenty indrindra vitan’ ny tanan’ olombelona dia taratra manjavozavo ihany nenti-naneho ilay tempoly feno ny voninahitry ny seza fiandrianana mandrakizay tompoin’ ireo serafima mpiambina mamirapiratra manarona ny tavany ho fanajana izany toerana izany. Nefa misy fahamarinana mavesa-danja mikasika ny fitoerana masina any an-danitra sy ny asa lehibe izay tanterahina ao. ho an’ ny fanavotana ny olombelona nampianarina tamin’ ny alalan’ ny fitoerana masina teto an-tany sy ny asa fanompoana tao.HM 428.1

    Ireo efitra masina ao amin’ ny fitoerana masina any an-danitra dia asehon’ ireo efitra roa tao amin’ ny fitoerana masina teto an-tany. Raha naseho ny apostoly Jaona tamin’ ny fahitana ny tempolin’ Andriamanitra any an-danitra dia hitany tao ny «jiro fito nirehitra teo anoloan’ ny seza fiandrianana»7Apok. 4 : 5. Nahita anjely izy «nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka izy, hanaterany azy mbamin’ ny vavaky ny olona masina rehetra eo ambonin’ ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan’ ny seza fiandrianana»8Apok. 8 ; 3. Teo ny mpaminany dia navela hibanjina ny efitra voalohany ao amin’ ny fitoerana masina any an-danitra, ary hitany tao ny «jiro fito nirehitra» sy ny «alitara volamena» izay nasehon’ ny fanaovan-jiro volamena sy ny fandoroana ditin-kazo manitra tao amin’ ny fitoerana masina teto an-tany. Novohana indray ny «tempolin’ Andriamanitra» (Apokalypsy 11 : 19) ka nojereny ny tao amin’ ny masina indrindra. Tao no nahitany ny «fiaran’ ny fanekeny», izay nasehon’ ilay vata fiara masina nataon’ i Mosesy mba hasiana ny lalàn’ Andriamanitra.HM 428.2

    Koa ireo izay nandinika ny momba ny fitoerana masina dia nahita porofo tsy azo iadian-kevitra ny amin’ ny fisian’ izany any an-danitra. Nataon’ i Mosesy araka ny ohatra izay naseho azy ny fitoerana masina teto an-tany. Ary vavolombelona i Jaon.a fa nahita izany tany an-danitra.HM 429.1

    Ao amin’ ny tempoly any an-danitra, fonenan’ Andriamanitra, no miorina amin’ ny fahamarinana sy ny fitsarana ny seza fiandrianany. Ao amin’ ny fitoerana masina indrindra ny lalàny, ilay fitsipika lehibe mamaritra ny rariny izay hizahan-toetra ny olombelona rehetra. Ny fiara izay mitahiry ny vato fisaky ny lalàna dia saronan’ ny rakopanavotana, eo anoloan’ izany i Kristy no mandahatra ny amin’ ny rany ho an’ ny mpanota. Noho izany dia mampiseho ny firaisan’ ny fahamarinana sy ny famindrampo eo amin’ ny drafitra hoentimanavotra ny olombelona io. Ny fahendrena tsy voafetra ihany no afaka mamolavola io firaisana io ary hery tsy voafetra no afaka manatanteraka azy; io firaisana io no mahenika ny lanitra manontolo amin’ ny fahagagana sy fiderana. Ny kerobima teo amin’ ny fitoerana masina teto an-tany, izay niondrika tamim-panajana teo amin’ ny rakopanavotana, dia mampiseho ny hafalian’ ny tafiky ny lanitra mibanjina ny asam-panavotana. Izao no zava-miafin’ ny famindrampo izay tian’ ny anjely hojerena dia ny mbola maha-marina an’ Andriamanitra ihany nefa Izy manamarina ny mpanota mibebaka sy manavao ny fifandraisany amin’ ny taranaka lavo; fa azon’ i Kristy atao ny manetry tena mba hampiakarany vahoaka tsy hita isa avy ao amin’ ny hantsan’ ny faharavana ka hanafiany azy amin’ ny fitafiana tsy misy pentin’ ny fahamarinana mba hiray amin’ ny anjely izay tsy lavo na oviana na oviana ary hitoetra mandrakizay eo anatrehan’ Andriamanitra.HM 429.2

    Ny asan’ i Kristy amin’ ny maha-mpanelanelana Azy dia aseho ao amin’ ilay faminaniana kanto dia kanto nataon’ i Zakaria mikasika «Ilay atao hoe Rantsana» kely. Hoy ny mpaminany : «Izy no hanao ny tempolin’ i Jehovah, ary Izy hitondra voninahitra ka hipetraka sy hanapaka ny eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny Rainy; ary ho mpisorona eo amin’ ny seza fiandrianany Izy; ary hisy fisainampihavanana amin’ izy roroa»9Zak. 6 : 12 , 13.HM 429.3

    «Izy no hanao ny tempolin’ i Jehovah». Tamin’ ny alalan’ ny sorona nataony sy ny fanelanelanany, Kristy dia fototra sady mpanorina ny fiangonan’ Andriamanitra. Lazain’ ny apostoly Paoly ho «fehizoro indrindra Izy; ao aminy no irafetan’ ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin’ ny Tompo. Ary ao aminy, hoy izy, no miaraka aorina koa ianareo ho fonenan’ Andriamanitra amin’ ny Eanahy» 10Efes. 2 : 21.HM 430.1

    «Hitondra voninahitra Izy». An’ i Kristy ny voninahitry ny fanavotana ny taranaka lavo. Mandritra ny mandrakizay, dia ho toy izao ny hiran’ ny voavotra : «Ho an’ izay tia antsika ka manasa antsika ho afaka amin’ ny fahotantsika tamin’ ny rany, ... Ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay». Apokalypsy 1 : 5, 6.HM 430.2

    «Hipetraka sy hanapaka eo amin’ ny seza fiandrianany Izy; ary ho mpisorona eo amin’ ny seza fiandrianany». Tsy mbola eo amin’ ny «seza fiandrianany ny voninahiny» akory Izy ankehitriny, ny fanjakam-boninahitra dia tsy mbola nidirany. Raha tsy mifarana ny asany amin’ ny maha-mpanalalana Azy tsy homen’ Andriamanitra Azy «ny seza fiandrianan’ i Davida Rainy», dia fanjakana izay «tsy hanam-pahataperana»11Lio. 1 : 32 : 33. Amin’ ny maha-mpisorona Azy izao no hiarahan’ i Kristy mipetraka amin’ ny Ray eo amin’ ny seza fiandrianana (Apokalypsy 3:21). Eo amin’ ny seza fiandrianana miaraka amin’ Ilay mandrakizay, tsy nisy namorona Ilay «nitondra ny aretintsika tokoa sady nivesatra ny fahoriantsika», «Ilay nalaimpanahy tamin’ ny zavatra rehetra tahaka antsika kanefa tsy nanana ota», «ka nahavonjy izay alaim-panahy koa Izy». «Raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ ny Ray isika»12Isaia. 53 : 4 ; Heb. 4 : 15 ; 2 : 18 ; 1Jao.2:1. Ny fanelanelanana ataony dia fanelanelanan’ ny tena nolefonina sy torotoro, fiainana tsy misy pentina. Ny tanany naratra, ny lanivoany nolefonina, ny tongony simbasimba, dia manao fifonana ho an’ ny olombelona lavo, izay novidina tamin’ ny vidiny tsy hita fetra.HM 430.3

    «Ary hisy fisainam-pihavanana amin’ izy roroa». Ny fitiavan’ ny Ray, ary tsy latsaka noho izany ny an’ ny Zanaka, no loharanompamonjena ho an’ ny taranaka lavo. Hoy Jesosy tamin’ ny mpianany talohan’ ny nandehanany : «Ary tsy milaza aminareo Aho fa Izaho no hangataka amin’ ny Ray ho anareo; fa ny Ray dia tia anareo»13Jao. 16 : 21 ; 26 , 27 ;. «Andriamanitra tao amin’ i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy»142 Kor. 5 : 19. «Ary eo amin’ ny fanompoana eo amin’ ny fitoerana masina any ambony, dia hisy fisainam-pihavanana amin’ izy roroa». «Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay»15Jao. 3 : 16.HM 430.4

    Ilay fanontanina hoe : Inona ny fitoerana masina? dia voavalin’ ny Soratra Masina mazava. Ny teny hoe «fitoerana masina», araka ny ampiasaina ao amin’ ny Baiboly, dia voalohany milaza ny tabernakely naorin’ i Mosesy, izay nalain-tahaka tamin’ ny tany an-danitra, ary faharoa, milaza ny «tena tabernakely» any an-danitra, izay tondroin’ ny fitoerana masina teto an-tany. Nifarana tamin’ ny fahafatesan’ i Kristy ny fanompoam-pivavahana tandindona. Ilay «tena tabernakely» any an-danitra no fitoerana masin’ ny fanekena vaovao. Ary satria tanteraka nandritra io fanekena vaovao io ny faminaniana ao amin’ i Daniela 8 : 14, dia ny fitoerana masin’ ny fanekena vaovao no tsy maintsy lazaina ao. Tamin’ ny fiafaran’ ny 2300 andro, izany hoe tamin’ ny 1844, dia efa taonjato maro no tsy nisian’ ny fitoerana masina teto an-tany. Noho izany dia tsy azo iadian-kevitra fa manondro ny fitoerana masina any an-danitra ny faminaniana hoe : «Telonjato sy roa arivo andro, rehefa afaka izany dia hodiovina ny fitoerana masina».HM 431.1

    Mbola mila valiny anefa ity fanontaniana lehibe indrindra ity. Inona ny fanadiovana ny fitoerana masina? Misy fanompoampivavahana toy izany natao tao amin’ ny fitoerana masina teto an-tany voalaza ao amin’ ny Testamenta Taloha. Nefa mety hisy zavatra hodiovina ve any an-danitra? Ampianarina mazava tsara ao amin’ ny Hebreo 9 ny fanadiovana ny fitoerana masina eto an-tany sy ny any an-danitra. «Ary saiky diovina amin’ ny ra avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy ra alatsaka, dia tsy misy famelankeloka. Koa tsy maintsy nodiovina tamin’ ireny ran’ ny biby ireny ny tandindon’ ny zavatra any an-danitra, fa ny tenan’ ny zavatra any an-danitra kosa dia tamin’ izay fanatitra tsara noho ireny, dia ny ra sarobidin’ i Kristy»16Heb. 19 : 22 , 23.HM 431.2

    Tsy maintsy atao amin’ ny ra ny fanadiovana na teo amin’ ny fanompoana tandindona na teo amin’ ny tena izy; tamin’ ny voalohany dia tamin’ ny ran’ ny biby, ary tamin’ ny manaraka dia amin’ ny ran’ i Kristy. Lazain’ i Paoly ny antony tsy maintsy, anaovana io fanadiovana io amin’ ny ra, satria raha tsy misy ra alatsaka. dia tsy misy famelan-keloka. Ny famelan-keloka na ny famelana fahotana no asa tanterahina. Nefa ahoana no mety hisy fahotana mifandray amin’ ny fitoerana masina, na ny any an-danitra, na ny eto an-tany ? Ny fijerena ny fanompoam-pivavahana ara-tandindona no mety ahafantarana izany ; satria ireo mpisorona izay nanao fisoronana teto an-tany, dia nanao izany, «amin’ izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra» 17He. 8 : 5.HM 431.3

    Nizara roa ny asa fanompoana tao amin’ ny fitoerana masina teto an-tany; nanao fanompoana isan’ andro tao amin’ ny fitoerana masina ny mpisorona, ary indray mandeha isan-taona ny mpisoronabe no nanao asa fanavotana manokana tao amin» ny masina indrindra, hanadiovana ny fitoerana masina. Isan’ andro ny mpanota mibebaka no mitondra ny fanatiny eo am-baravaran’ ny tabernakely ka sady mametraka ny tanany eo amin’ ny lohan’ ny biby hovonoina izy, no miaiky ny fahotany, amin’ izany izy dia mamindra ara-tandindona ny fahotany hiala aminy ary ho eo amin’ ilay sorona tsy manan-tsiny. «Raha tsy misy ra alatsaka , hoy ny apostoly, dia tsy misy famelankeloka. Fa ny ain’ ny nofo dia amin’ ny ra»18Lev. 17 : 11. Mitaky ny ain’ ny mpandika lalàna ny didin’ Andriamanitra voadika. Ny ra mampiseho ny ain’ ny mpanota voasazy, izay nafmdra teo amin’ ilay biby hovonoina noho ny fahadisoany, dia entin’ ny mpisorona ho ao amin’ ny fitoerana masina ary atentiny eo anoloan’ ny fiara nisy ny didy nodikain’ ny mpanota. Tamin’ ny alalan’ io fanompoam-pivavahana io dia nafindra ara-tandindona tamin’ ny alalan’ ny ra ho ao amin’ ny fitoerana masina ny fahotana. Indraindray anefa dia tsy nentina tao amin’ ny fitoerana masina ny ra, fa nentina hohanin’ ny mpisoronabe ny nofony, araka ny torohevitr’ i Mosesy tamin’ ireo zanak’ i Arona hoe : «efa nomena anareo izay hitondranareo ny heloky ny fiangonana»19Lev. 10 : 17. Ireo fanompoam-pivavahana roa ireo dia samy mampiseho ara-tandindona ny fanalana ny fahotana avy amin’ ilay mibebaka ho eo amin’ ny fitoerana masina.HM 432.1

    Toy izany ny asa natao teo isan’ andro isan’ andro, mandavataona. Tamin’ izany fomba izany no namindrana ny fahotan’ Isiraely tao amin’ ny fitoerana masina, koa dia nanjary nisy asa manokana nilaina hoenti-manaisotra izany. Nibaiko ny hanaovana fanavotana ho an’ ireo efitra roa masina ireo Andriamanitra. «Dia hanao fanavotana ho an’ ny fitoerana masina izy noho ny fahalotoan’ ny Zanak’ Isiraely sy ny fahadisoany, dia ny fahotany rehetra; ary toy izany koa no hataony ho an’ ny trano lay fihaonana, izay mitoetra eo aminy, eo afovoan’ ny fahalotoany». Nisy koa fanavotana atao ho an’ ny alitara, mba hodiovina sy hohamasinina ho afaka amin’ ny fahalotoan’ ny Zanak’ Isiraely.20Lev. 16 : 16 , 19HM 432.2

    Indray mandeha isan-taona, amin’ ny Andro Fanavotana lehibe, dia niditra tao amin’ ny fitoerana masina indrindra ny mpisorona mba hanadio ny fitoerana masina. Ny asa natao tao dia nahafeno ny asa fanompoana fanao isan-taona. Tamin’ ny Andro Fanavotana dia nisy osilahy roa nentina teo am-baravaran’ ny tabernakely, ary nanaovana filokana izy ireo, ka ny «loka anankiray ho an’ i Jehovah, ary ny loka anankiray ho an’ i Azazela». Andininy 8. Ny osilahy izay niharan’ ny filokana ho an’ i Jehovah dia novonoina ho fanatitra noho ny ota ho an’ ny vahoaka. Dia nentin’ ny mpisorona tao anaty efitra lamba ny rany ka nafafiny amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana sy eo anoloan’ ny rakotra fanaovam-panavotana. Nafafy koa teo amin’ ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra teo anoloan’ ny efitra lamba ny ra.HM 433.1

    «Dia hapetrak’ i Arona amin’ ny lohan’ ny osilahy velona ny tànany roa, ka ekeny eo amboniny ny heloky ny Zanak’ Isiraely rehetra sy ny fahadisoany rehetra, dia ny fahotany rehetra; dia hametraka izany eo amin’ ny lohan’ ny osilahy izy ka mampandefa azy hoentin’ ny lehilahy voatendry hankany an’ efitra». Andininy 21-22. Tsy miverina intsony eo amin’ ny tobin’ Isiraely ny osiiahin’ i Azazela. ary ny olona nitondra azy dia nasaina nisasa sy nanasa ny fitafiany tamin’ ny rano vao niverina tao amin’ ny toby.HM 433.2

    Ny fanompoam-pivavahana rehetra dia natao mba handatsaka ao am-pon’ ny Isiraelita ny fahamasinan’ Andriamanitra sy ny faharikorikoany ny fahotana, ary ankoatr’ izany, mba hampiseho aminy fa tsy afaka hifampikasoka amin’ ny fahotana izy ka tsy ho voaloto. Ny olona tsirairay dia nasaina nampahory ny fanahiny nandritra ny fanaovana io asa fanavotana io. Napetraka ny asa aman-draharaha rehetra, ary ny fiangonan’ ny Isiraely manontolo dia nandany ilay andro tamin’ ny fanetren-tena nampangitakitaka teo anatrehan’ Andriamanitra, nombam-pivavahana, fifadian-kanina. sy fandinihana lalina ny fo.HM 433.3

    Fahamarinana lehibe mikasika ny fanavotana no ampianarin’ ny fanompoam-pivavahana tandindona. Nisy solovaika nekena haka ny toeran’ ny mpanota; nefa tsy voaisotry ny ran’ ny biby ny fahotana. Fa izany dia fomba nomanina mba hamindrana izany ho amin’ ny fitoerana masina. Ny fitondrany ra atao fanatitra dia nanambaran’ ny mpanota ny fanekeny ny fahefan’ ny lalàna, ny fiaikeny ny fahotany tamin’ ny nandikany izany sy ny fanehoany ny faniriany famelankeloka amin’ ny alalan’ ny finoana Ilay Mpanavotra ho avy; nefa tsy mbola afaka tanteraka tamin’ ny fanamelohan’ ny lalàna izy. Tamin’ ny Andro Fanavotana, rehefa avy nandray fanatitra avy tamin’ ny fiangonan’ ny Isiraely ny mpisoronabe, dia niditra tao amin’ ny fitoerana masina indrindra nitondra ny ran’ io fanatitra io, ka namafy izany teo amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana, teo ambonin’ ny lalàna indrindra mba hahafa-po ny fitakiany. Rehefa izany, tamin’ ny naha-mpanelanelana azy, dia noraisiny teo amin’ ny tenany ny fahotana ka nentiny nivoaka ny fitoerana masina. Napetrany teo amin’ ny lohan’ ny osilahy ho an’ i Azazela ny tanany, sady niaiky ny fahotana rehetra teo aminy izy, tamin’ izany no nampisehoany an-tsary fa esoriny avy amin’ ny tenany ny fahotana ka afindrany eo amin’ ny osilahy. Nentina tany ivelany amin’ izay ilay osilahy, ary noheveriny fa tafasaraka mandrakizay tamin’ ny vahoaka.HM 434.1

    Toy izany ny fanompoam-pivavahana izay «endrika sy aloky ny any an-danitra». Ary izay natao ara-tandindona teo amin’ ny fanompoam-pivavahan’ ny fitoerana masina teto an-tany dia atao marina tokoa eo amin’ ny fanompoam-pivavahan’ ny fitoerana masina any an-danitra. Rehefa niakatra ho any an-danitra ny Mpamonjintsika, dia nanomboka ny asany amin’ ny maha-mpisoronabentsika Azy Izy. Hoy i Paoly ; «Fa Kristy tsy mba niditra tao amin’ izay fitoerana masina nataon-tànana, izay tandindon’ ny tena fitoerana masina. fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan’ Andriamanitra ankehitriny ho antsika»21Heb. 9 : 24.HM 434.2

    Ny fanompoam-pivavahana nataon’ ny mpisorona nandavan-taona tao amin’ ny efitra voalohany, «tao anatin’ ny efitra lamba» izay natao varavarana nampisaraka ny fitoerana masina sy ny kianja ivelany dia mampiseho ny asa fanompoana nidiran’ i Kristy tamin’ Izy niakatra ho any an-danitra. Ny asan’ ny mpisorona tamin’ ny fanompoam-pivavahana fanao isan’ andro dia ny fitondrana ny ran’ ny fanatitra noho ny ota teo anatrehan’ Andriamanitra, sy ny fanaterana ny ditin-kazo manitra izay niakatra niaraka tamin’ ny fìvavahan’ ny Isiraely. Dia toy izany no nanaovan’ i Kristy fifonana tamin’ ny rany eo anatrehan’ ny Ray ho an’ ny mpanota sy nitondrany koa teo aminy ny vavaky ny mpino mibebaka niaraka tamin’ ny fofo-manitra sarobidin’ ny fahamarinan’ ny tenany. Toy izany ny asa fanompoampivavahana natao tao amin’ ny efitra voalohany tamin’ ny fitoerana masina tany an-danitra.HM 434.3

    Tao no nanarahan’ ny finoan’ ny mpianatr’ i Kristy Azy raha nasandratra tsy ho hitan’ ny masony Izy. Teo no nifantoka «ny fanantenany izay ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika ary miditra any anatin’ ny efitra lamba; tany no nidiran’ i Jesosy ho Mpialoha antsika, rehefa tonga mpisoronabe mandrakizay Izy». «Ary tsy mba nitondra ran’ osilahy sy ran-janak’ omby Izy, fa ny ran’ ny tenany dia niditra indray mandeha ho any amin’ ny fitoerana masina ka nahazo fanavotana mandrakizay»22Heb. 3 : 19 , 20 ; 9 : 12.HM 435.1

    Nitohy tao amin’ ny efitra voalohan’ ny fitoerana masina nandritra ny taonjato valo ambin’ ny folo io asa fanompoampivavahana io. Ny ran’ i Kristy, izay nitalaho ho an’ ny mpino mibebaka, dia nahazoan’ ireo antoka ny amin’ ny famelana ny helony sy ny faneken’ ny Ray azy, nefa kosa mbola tafajanona ao amin’ ny boky firaketana ihany ny fahotany. Tahaka ny tamin’ ny fanompoana ara-tandindona izay nisian’ ny asa fanavotana tamin’ ny faran’ ny taona, dia toy izany koa, alohan’ ny hahatanteraka ny fanavotana ataon’ i Kristy ho an’ ny olona, dia misy asa fanavotana atao mba hanesorana ny fahotana tsy ho ao amin’ ny fitoerana masina intsony. Io no fanompoana nanomboka raha nifarana ny 2300 andro. Tamin’ io fotoana io, araka ny nambaran’ i Daniela mpaminany mialoha, dia niditra tao amin’ ny masina indrindra ny Mpisoronabentsika, mba hanao ny tapany farany indrindra amin’ ny asa miezinezina ataony — dia ny fanadiovana ny fitoerana masina.HM 435.2

    Tahaka ny nametrahana fahiny tamin’ ny finoana teo amin’ ny fanatitra noho ny ota ny fahotan’ ny vahoaka, ka namindrana izany ara-tandindona tamin’ ny alalan’ ny rany, teo amin’ ny fitoerana masina tety an-tany, dia toy izany koa ao amin’ ny fanekena vaovao no ametrahana ny fahotan’ ny olona mibebaka amin’ ny alalan’ ny finoana eo amin’ i Kristy sy amindrana izany marina tokoa, any amin’ ny fitoerana masina any an-danitra. Ary tahaka ny nanaovana ny fanadiovana ara-tandindona ny fitoerana masina teto an-tany tamin» ny fanesorana ny fahotana izay nandoto azy, dia toy izany no anaovana ny tena fanadiovana ny fitoerana masina any an-danitra amin’ ny fanesorana, na ny fikosehana ny fahotana izay voasoratra ao. Nefa alohan’ ny hanaovana izany, dia tsy maintsy misy fandinihana ny boky firaketana mba hamaritana izay mahazo mandray tombon-tsoa amin’ ny fanavotana nataony amin’ ny alalan’ ny fibebahana amin’ ny fahotana sy ny finoana an’ i Kristy. Noho izany ny fanadiovana ny fitoerana masina dia mahafaoka koa ny asa famotopotorana — izay asa fitsarana. Tsy maintsy ho vita alohan» ny fiavian» i Kristy hanavotra ny vahoakany io asa io; fa rehefa ho avy Izy, dia ho «eny Aminy ny famaliany, mba hamaliany ny olona rehetra araka ny asany »22Apok. 22 : 12.HM 435.3

    Noho izany ireo izay nanaraka ny fahazavan» ny teny faminaniana dia nahita fa, tsy ho tonga teto an-tany tsy akory i Kristy tamin» ny fiafaran» ny 2300 andro tamin» ny 1844, fa niditra kosa tao amin’ ny efitra masina indrindra ao amin’ ny fitoerana masina any an-danitra mba hamita ny asa famaranana ny asa fanavotana mialoha ny fiaviany.HM 436.1

    Hita koa fa raha manondro an’ i Kristy araka ny maha-sorona Azy ny fanatitra noho ny ota, ary ny mpisoronabe mampiseho an’ i Kristy amin’ ny maha-Mpanelanelana Azy, ny osilahy ho an’ i Azazela kosa dia nampiseho an’ i Satana ara-tandindona. ilay niavian’ ny ota ary eo aminy no hametrahana ny fahotan’ ny olona mibebaka marina amin’ ny farany. Rehefa nesorin’ ny mpisoronabe tsy ho eo amin’ ny fitoerana masina ny fahotana, noho ny ran’ ny fanatitra noho ny ota, dia napetrany teo amin’ ny osilahy ho an’ i Azazela ireo fahotana ireo. Rehefa hesorin’ i Kristy ny fahotan’ ny vahoakany tsy ho eo amin’ ny fitoerana masina any an-danitra amin’ ny fiafaran’ ny fanompoampivavahana ataon’ ny tenany, noho ny rany, dia hapetrany eo amin’ i Satana ireo fahotana ireo satria izy no tsy maintsy mitondra ny famaizana farany, amin’ ny fampiharana ny didim-pitsarana. Nalefa tany amin’ ny tany tsy nisy olona ny osilahy ho an’ i Azazela, mba tsy hiverina intsony tao amin’ ny fiangonan’ ny Isiraely. Toy izany koa. horoahina mandrakizay tsy ho eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny vahoakany i Satana. ka hofongorana tsy hisy intsony izy amin’ ny fandevonana farany ny fahotana sy ny mpanota.HM 436.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents