Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hery Mifanandrina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 26—Fanavaozana tsy maintsy ilaina

    Ny asa fanavaozana momba ny Sabata izay voatondro hotanterahina amin’ ny andro farany dia voambara mialoha ao amin’ ny faminanian’ Isaia : «Izao no lazain’ i Jehovah : Tandremo ny rariny, ary manaova ny marina, fa efa madiva ho tonga ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako. Sambatra ny zanak’ olombelona izay manao izany, ary ny zanak’ olona izay mitana izany, dia izay mitan-drina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady miaro ny tànany tsy hanao izay ratsy akory. «Ary ny hafa firenena, izay efa nanaiky ho an’ i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran’ i Jehovah mba ho mpanompony — dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady mitana ny fanekeko — dia hoentiko ho any an-tendrombohitro masina. ka hampifaliako ao an-tranoko fivavahana»1Isa. 5 5 : 1, 2, 6, 7 .HM 465.1

    Ireo teny ireo dia ampiharina amin’ ny andro kristiana, araka ny asehon’ ny teny manaraka : «Izao no lazain’ i Jehovah Tompo, izay mamory ny Isiraely voaroaka : mbola hamory ny sasany koa ho eo aminy Aho, hanampy izay efa voavory eo aminy»2and. 8. Voambara mialoha eto ny fanangonana ny Jentilisa amin’ ny alalan’ ny filazantsara. Ary misy fitahiana tononina amin’ izay manaja ny Sabata. Noho izany no maha-tsy maintsy hitandremana ny didy fahefatra dia mitatra aty aorian’ ny nanomboana an’ i Kristy tamin’ ny hazo fijaliana, ny nitsanganany tamin’ ny maty, ny niakarany tany andanitra ka mahatratra ny fotoana izay hitorian’ ny mpanompony ilay hafatra entin’ ny vaovao mahafaly amin’ ny firenena rehetra.HM 465.2

    Mibaiko amin’ ny alalan’ io mpaminany io ihany ny Tompo hoe : «Fehezo ny teny vavolombelona, ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin’ ny mpianatro»3Isa. 8 : 16. Ny tombo-kasen’ ny lalàn’ Andriamanitra dia hita ao amin’ ny didy fahefatra. Io ihany, amin’ izy folo, no sady mampiseho ny anarana no manambara koa ny fahefan’ Ilay Mpanome ny lalàna. Milaza Azy ho Mpamorona ny lanitra sy ny tany izany, koa dia mampiseho ny fitakiany hiankohofana sy hivavahana ambonin’ ny hafa rehetra. Ankoatr’ io didy io dia tsy misy na dia iray aza ao amin’ ireo Didy Folo no mampiseho ilay fahefana namoaka ny lalàna. Rehefa novan’ ny fahefana papaly ny Sabata, dia nesoriny tsy ho eo amin’ ny lalàna ny tombo-kase. Antsoina ny mpianatr’ i Jesosy hamerina izany amin’ ny fanandratana ny Sabatan’ ny Didy fahefatra ho amin’ ny tena toerany maha-tsangambaton’ ny Mpamorona azy sy famantarana ny fahefany.HM 465.3

    «Ho amin’ ny lalàna sy ny teny vavolombelona». Eo amin’ ny fahabetsahan’ ny fampianarana sy ny tsangan-kevitra mifanipaka, dia ny lalàn’ Andriamanitra no hany fitsipika tokana tsy mety diso izay hisedrana ny hevitra rehetra, ny fampianarana rehetra sy ny tsangankevitra rehetra. Hoy ny mpaminany : «Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, dia olona izay tsy iposahan’ ny fahazavan’ ny maraina»4and. 20.HM 466.1

    Mbola miverina ihany ny baiko manao hoe : «Ezaho ny fiantsoanao, fa aza atao malemy, asandrato ny feonao ho tahaka ny an’ ny anjomara, ka ambarao amin’ ny oloko ny fahadisoany ary amin’ ny taranak’ i Jakoba ny fahotany». Tsy izao tontolo izao ratsy fanahy, fa ireo izay lazain’ i Jehovah fa «oloko», no anarina noho ny fandikan-dalàna ataony. «Nefa Izaho mbola tadiaviny ihany isan’ andro, ary ny hahalala ny lalàko no sitrany. Tahaka ny firenena efa nanao ny marina ka tsy nahafoy ny fitsipik’ Andriamaniny»5Isa. 58 : 1, 2. Aseho eto ny antokon’ olona izay mihevitra ny tenany ho marina ary toa maneho zotom-po fatratra amin’ ny fanompoana an’ Andriamanitra ; nefa porofoin’ ny fanomezan-tsiny henjana sy manetriketrika ataon’ Ilay Mpandinika ny fo fa manitsakitsaka ny didin’ Andriamanitra izy.HM 466.2

    Toy izao no ampibaribarian’ ny mpaminany ny didy izay navela : «ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fahagola no hamboarinao ; ary ianao dia hatao hoe : «Mpanamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin’ ny tany. Raha miaro ny tongotrao amin’ ny Sabata ianao ka tsy manao izay tianao amin’ ny androko masina, ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana, ary ny nohamasinin’ i Jehovah hoe Mendrika hohajaina ka manome voninahitra azy ary tsy mandeha amin’ ny lalanao na manao izay tianao, na miteniteny foana, dia hiravoravo amin’ i Jehovah ianao»6and.12-14. Mihatra amin’ ny androntsika koa io faminaniana io. Nahabangana ny lalàn’ Andriamanitra rehefa novan’ ny fahefana Romana ny Sabata. Tonga anefa ny fotoana hamerenana amin’ ny laoniny indray izay efa naorin’ Andriamanitra. Tsy maintsy hamboarina ny banga ary tokony hatsangana indray ny fanorenana efa nisy hatramin’ ny taranaka maro.HM 466.3

    Ny Sabata izay nohamasinin’ ny fitsaharan’ ny Mpamorona sy ny fitahiany dia notandreman’ i Adama fony izy tsy nanan-tsiny tao amin’ ny Edena masina ; ary mbola notandreman’ i Adama koa rehefa lavo izy nefa nibebaka, ka vaoroaka hiala tamin’ ilay toeram-pahasambarana nisy azy. Notandreman’ ireo patriarka rehetra izany, nanomboka tamin’ i Abela ka hatramin’ i Noa ilay marina, hatramin’ i Abrahama sy i Jakoba. Fony babo tany Egypta ny vahoaka voafidin’ Andriamanitra dia betsaka no tsy nahatana intsony ny fahalalana ny lalàn’ Andriamanitra teo anivon’ ny fanompoan-tsampy izay nanjaka ; fa rehefa nanafaka an’ Isiraely kosa Jehovah, dia nambarany tamin’ ny fomba manetriketrika indrindra tamin’ ny vahoaka marobe tafavory ny lalàny, mba hahafantaran’ izy ireo ny sitrapony ka hatahorany sy hankatoavany Azy mandrakizay.HM 467.1

    Hatramin’ izay andro izay ka mandraka ankehitriny dia voatahiry teto an-tany ny fahalalana ny lalàn’ Andriamanitra, ka notandremana ny Sabatan’ ny didy fahefatra. Na dia nahomby aza «ilay lehilahin’ ota» tamin’ ny fanitsakitsahana ny andro masin’ Andriamanitra, dia nisy fanahy niafina tany amin’ ny fitoerana mangina izay nanaja ny Sabata na dia tamin’ ny fotoana nananany ny fahefana fara-tampony aza. Hatramin’ ny fanavaozana ara-pivavahana no ho mankaty dia nisy olona nitozo tamin’ ny fitandremana azy isan-taranaka nifandimby. Na dia matetika aza tao anatin’ ny fahafaham-baraka sy ny fanenjehana, dia nisy hatrany ny vavolombelona nijoro ny amin’ ny mahamandrakizay ny lalàn’ Andriamanitra sy ny adidy masina amin’ ny fitandremana ny Sabatan’ ny famoronana.HM 467.2

    Ireo fahamarinana ireo, araka izay aseho ao amin’ ny Apokalypsy 14 amin’ ny fifandraisany amin’ ny «filazantsara mandrakizay», dia hampiavaka ny fiangonan’ i Kristy amin’ ny fotoana hisehoany. Izao mantsy no voalaza ho vokatry ny fitoriana ireo hafatra telo sosona : «Indro, ny faharetan’ ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy ny finoana an’ i Jesosy». Ary io no hafatra farany torina alohan’ ny fiavian’ ny Tompo. Manaraka avy hatrany ny fitoriana an’ izany dia hitan’ ny mpaminany ny Zanak’ olona avy amim-boninahitra hijinja ny vokatry ny tany.HM 467.3

    Ireo izay nandray ny fahazavana mikasika ny fitoerana masina sy ny tsy fiovan’ ny lalàn’ Andriamanitra dia diboky ny hafaliana sy talanjona tokoa raha nahita ny hakanto sy ny firindran’ ny rafitry ny fahamarinana izay nivelatra teo amin’ ny sainy. Niriny ny hizara amin’ ny Kristiana rehetra ny fahazavana izay sarobidy indrindra teo imasony, ary nino marimarina izy fa amim-pifaliana no handraisana izany. Nefa ny fahamarinana izay ho nampiavaka azy tamin’ izao tontolo izao dia tsy nankasitrahan’ ny maro izay nihambo ho mpanaraka an’ i Kristy. Nitaky fahafoizan-tena izay nialan’ ny ankabeazan’ ny olona ny fankatoavana ny didy fahefatra.HM 468.1

    Rehefa naseho ny fitakian’ ny Sabata dia betsaka no nisaina araka ny fijerin’ izao tontolo izao. Hoy izy hoe : «Nitandrina ny Alahady foana izahay, ny razanay nitandrina izany, ary maro ny olona tsara sy tia vavaka no maty tamim-pahasambarana teo am-pitandremana izany. Raha marina izy ireny dia toy izany koa izahay. Ny fitandremana ity Sabata vaovao ity dia hampifanipaka anay amin’ izao tontolo izao ka tsy ho afaka hiasa mangina aminy izahay. Inona no mba azon’ ny antokon’ olom-bitsy mitandrina ny andro fahafito antenaina hatao hoenti-manohitra an’ izao tontolo izao izay mitandrina ny Alahady»? Fonjan-kevitra toy izany no niezahan’ ny Jiosy nanamarina ny fandavany an’ i Kristy. Efa neken’ Andriamanitra ny razany tamin’ ny nitondran’ izy ireo fanatitra, koa nahoana ny zanany no tsy nahita famonjena amin’ ny fanohizana izany? Toy izany koa tamin’ ny andron’ i Lotera, nandahatra ny papista fa kristiana marina no efa maty tamin’ ny finoana katolika, koa noho izany dia ampy ho famonjena io fivavahana io. Ny fomba fisaina toy izany dia hita fa tena fefy manakana tokoa ny fandrosoana rehetra eo amin’ ny finoana na ny fiainana ara-pivavahana.HM 468.2

    Betsaka no nanantitrantitra fa foto-pinoana efa niorina ny fitandremana ny Alahady sady fanao efa mahazatra hatraiza hatraiza ny fiangonana efa an-jato taona maro izao. Hoenti-manohitra io fonjankevitra io dia naseho fa efa tranainy kokoa sy niely bebe kokoa ny Sabata sy ny fitandremana azy, eny, fahagola tahaka an’ izao tontolo izao mihitsy, sady mitondra ny mari-pankasitrahan’ ny anjely sy Andriamanitra. Fony naorina ny fanorenan’ tany, raha niara-nihira ny kintan’ ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’ Andriamanitra, tamin’ izay no nametrahana koa ny fanorenan’ ny Sabata.7Joa.38:6.7; Gen.2:1-3 Koa rariny raha mitaky ny fanajantsika fatratra izany ; tsy fahefan’ olombelona no nanendry azy, ary tsy miankina amin’ ny lovan-tsofin’ olombelona izany. Ny Fahagola no nanorina azy ary ny teniny mandrakizay no nibaiko hitandremana azy.HM 468.3

    Rehefa notarihina ho eo amin’ ny fanavaozana momba ny Sabata ny sain’ ny olona, dia naolan’ ireo mpitandrina mamimbahoaka ny tenin’ Andriamanitra, ka famoasana ny teny izay hampitony ny saina manadihady no narosony. Ary ireo izay tsy nandalina ny Soratra Masina ho an’ ny tenany dia afa-po tamin’ ny fanekena ny fehin-kevitra izay nifanojo tamin’ ny faniriany. Fonjan-kevitra, hevidiso, lovan-tsofin’ ireo Rain’ ny fiangonana ary ny fahefan’ ny eglizy, no nentin’ ny olona maro niezaka handrodana ny fahamarinana. Voatarika handinika ny Baiboliny ireo mpiaro izany mba hahazoany manamarina ny didy fahefatra. Olon-tsotra, tsy nanam-piadiana afa-tsy ny tenin’ ny fahamarinana ihany, no nahatohitra ny famelezana nafitsok’ ireo olona nanam-pahalalana, izay gaga sady tezitra raha nahita fa tsy nahovoka ny fampianaran-disony tsara lahatra raha nifanandrina tamin’ ny fomba Fihevitra tsotra sy mivantana, nampiasain’ ny olona nahay ny Soratra Masina fa tsy zatra irony safelin-kevitra mahakinga ny nandia fianarana ambony.HM 469.1

    Noho ny tsy nahazoany niantehitra tamin’ ny fanambaran’ ny Soratra Masina, dia maro no nikiribiby nanantitrantitra hoe : «Nahoana ny olona ambony ao amintsika no tsy mahalala ny momba io Sabata io ? An-kavitsiana no mba mino tahaka anareo. Tsy azo ekena mihitsy izany hoe ny anareo no marina fa diso avokoa ireo olona manam-pahaizana eo amin’ izao tontolo izao», adinony anefa fa fomba fisaina toy izany indrindra no efa nenti-namely an’ i Kristy sy ny apostoliny.HM 469.2

    Mba hanoherana ny fonjan-kevitra toy izany dia ampy ny nilaza ny fampianaran’ ny Soratra Masina sy ny tantaran’ ny fifandraisan’ ny Tompo tamin’ ny vahoakany nandritra ny taona nifandimby. Miasa amin’ ny alalan’ ireo izay mihaino sy mankatò ny feony Andriamanitra, ireo izay vonon-kilaza fahamarinana mahatofotofoka, raha ilaina izany, ireo izay tsy matahotra ny hanakiana ny fahotan’ ny besinimaro. Ny antony tsy ifidianany matetika loatra olona manampahalalana sy ambony toerana hitarika ny Fihetsehana fanavaozana dia noho izy ireny mitoky amin’ ny fanekem-pinoany, ny laha-kevitra sy ny rafitra ara-teolojia eo aminy ka tsy mahatsapa fa mila hampianarin’ Andriamanitra. Tsy misy afa-tsy izay manana fifandraisana manokana amin’ Ilay loharanon’ ny fahendrena ihany no afaka hahatakatra ny hevitry ny Soratra Masina sy hanazava izany. Indraindray olona tsy nandia fianarana tany amin’ ny sekoly ambony no antsoina hanambara ny fahamarinana, tsy noho izy tsy manam-pahalalana anefa, fa noho izy tsy mihevi-tena loatra ho ampy ka azon’ Andriamanitra ampianarina. Mianatra ao amin’ ny Sekolin’ i Kristy izy, ary ny fanetren-tenany sy ny fankatoavany no maha-lehibe azy. Noho izy anankinan’ Andriamanitra ny fahalalana ny fahamarinany, dia omeny voninahitra izy izay maha-tsinontsinona ny voninahitra eto an-tany sy ny fahalehibeazana araka ny olombelona raha mitaha aminy.HM 469.3

    Ny ankabeazan’ ny advantista dia nitsipaka ny fahamarinana mikasika ny fitoerana masina sy ny lalàn’ Andriamanitra, ary betsaka koa no nandao ny finoany ny fiavian’ i Kristy ka nanaiky fomba fijery tsy marina sady mifanipaka be ihany ny amin’ ireo faminaniana momba io asa io. Nisy voatarika ho amin’ ny fahadisoan-kevitra hamerimberina fotoam-boafetra hiverenan’ i Kristy. Ny fahazavana izay mamirapiratra ankehitriny momba ny fitoerana masina dia tokony ho naneho taminy fa tsy misy fe-potoana tafapaka amin’ ny fiavian’ i Kristy fanindroany ; fa tsy voatondro mialoha ny fotoana marina hahatanterahan’ izany. Nefa, satria niamboho ny mazava izy, dia mbola namerimberina nametra fotoana hiavian’ ny Tompo ihany, ary diso fanantenana foana hatrany hatrany.HM 470.1

    Rehefa nanaiky fomba fijery diso ny amin’ ny fiavian’ i Kristy ny fiangonana tao Tesalonika, dia nanoro hevitra azy ny apostoly Paoly mba hisedra amim-pitandremana fatratra ny fanantenany sy ny fiheverany ny ho avy amin’ ny tenin’ Andriamanitra. Nolazainy taminy ireo faminaniana manambara ny toe-javatra izay hitranga alohan’ ny hiavian’ i Kristy, ka nasehony fa tsy nisy porofo hanantenany Azy amin’ ny andron’ izy ireo. «Aza mety ho fitahin’ olona akory ianareo»,82 Tes. 2 : 3 hoy ny teny fampitandremana nataony. Raha tàhiny nanandrandra zavatra izay tsy tohanan’ ny Soratra Masina izy, dia ho voatarika ho amin’ ny fihetsika diso ; ho nahatonga azy ho fihomehezan’ ny tsy mpino ny fahadisoam-panantenana, ka nety ho loza mananontanona azy ny fahakiviana ary nety ho nalaim-panahy hisalasala ny amin’ ireo fahamarinana ilaina mba hamonjena azy izy. Misy lesona lehibe ho an’ ireo izay velona amin’ ny andro farany ny fananarana ataon’ ny apostoly ho an’ ny Tesaloniana. Maro ny advantista mihevitra fa raha tsy mampifantoka ny finoany amin’ ny fotoana voafaritra tsara momba ny fiavian’ ny Tompo izy, dia tsy nazoto sy hafana fo amin’ ny fiomanana hitsena Azy. Rehefa voahetsika matetitetika ny fanantenany nefa levona indray dia voadona mafy ny finoany hany ka saiky tsy mandaitra aminy intsony ireo fahamarinana lehibe momba ny faminaniana.HM 470.2

    Baiko avy tamin’ Andriamanitra ny nitoriana fotoana voafaritra tsara momba ny fitsarana, tamin’ ny nanomezany ny hafatra voa-lohany. Ny fanisana ireo fe-potoana ara-paminaniana izay fototr’ io, hafatra io, izay nametra ny fiafaran’ ny 2300 andro amin’ ny fararanon’ ny 1844, dia mitoetra tsy azo hozongozonina . Ny fiezahana miverimberina hahita datin’ andro vaovao iandohana sy iafaran’ ireo fe-potoana ara-paminaniana mbamin’ ny fisainana diso ilaina hanohanana an’ izany, dia tsy hoe mampivily ny saina hanalavitra ny fahamarinana ho amin’ izao andro izao fotsiny, fa mahatonga fanaovana zinona mihitsy ny ezaka rehetra atao hoenti-manazava ny faminaniana.HM 471.1

    Matetika, ny famerana fotoana voafaritra mazava hiavian’ i Kristy, ka hitoriana izany hatraiza hatraiza, dia tena mifanandrify indrindra amin’ izay zava-kendren’ i Satana. Rehefa dila ny fotoana notondroina dia totofany eso sy henatra ireo izay niaro izany hevitra izany, ka dia voahoso-potaka koa ilay fihetsehana lehibe tamin’ ny taona 1843 sy 1844 momba ny fiavian’ i Kristy. Amin’ ny farany dia hanondro vanin’ andro lavitra dia lavitra mbola ho avy momba ny fiavian’ i Kristy izay mikiry amin’ izany hevi-diso izany. Amin’ izay dia ho voataona hiantehitra amin’ ny toky sandoka izy ary maro no tsy hahatsikaritra ny fitaka raha tsy efa diso aoriana loatra.HM 471.2

    Ny tantaran’ ny Isiraely fahizay dia sary manaitra mampiseho ny fanandramana nataon’ ny mpino advantista tamin’ ny lasa. Andriamanitra no nitarika ny vahoakany ho amin’ ny fihetsehana advantista, tahaka ny nitarihany ny zanak’ Isiraely nivoaka avy tany Egypta. Nosedraina tao anatin’ ny fahadisoam-panantenana lehibe ny finoany tahaka ny nisedrana ny an’ ny Hebreo teo amin’ ny Ranomasina Mena. Raha naharitra nahatoky ilay tanana nitaridalana azy tamin’ ireo fanandramana nataony teo aloha izy, dia ho. nahita ny famonjen’ Andriamanitra. Raha ireo rehetra niray hina teo amin’ ny asa tamin’ ny 1844 no nandray ny hafatry ny anjely fahatelo ka nitory izany tamin’ ny herin’ ny Fanahy Masina, dia ho niasa tamin-kery ny Tompo nanampy ny fiezahany. Ho nitosaka tamin’ izao tontolo izao ny fahazavana. Efa ho an-taonany maro no nandrenesan’ ny mponina an-tany ny hafatra fampitandremana, ho efa vita ny asa famaranana, ary efa niverina i Kristy hanavotra ny vahoakany.HM 471.3

    Tsy sitrapon’ Andriamanitra ny hampirenireny an’ Isiraely nandritra ny efa-polo taona tany an’ efitra ; niriny ny hitaridalana azy mivantana ho any amin’ ny tany Kanana ka hampitoetra azy ao ho vahoaka masina sady sambatra. «Nefa tsy nahazo niditra izy ireo noho ny tsy finoany»9Heb. 3 : 19. Noho ny fivadihany sy ny fihemorany dia maty tany an’ efitra izy ireo, ary hafa no natsangana hiditra ao amin’ ilay tany nampanantenaina. Araka izany, dia tsy sitrapon’ Andriamanitra ny maha-ela toy izany ny fiavian’ ny Tompo sy ny ijanonan’ ny vahoakany taona maro toy izao eto amin’ ity izao tontolo izao feno fahoriana ity. Fa nampisaraka azy tamin’ Andriamanitra ny tsy finoana. Raha nolaviny ny hanao ny asa voatendry hataony, dia hafa no natsangana hitory ny hafatra. Famindrampony ho an’ izao tontolo izao no mahatonga an’ i Jesosy hampihemotra ny fiaviany, mba hisian’ ny fotoana mety handrenesan’ ny mpanota ny hafatra fampitandremana ka hahitany fialofana ao Aminy alohan’ ny hirotsahan’ ny fahatezeran’ Andriamanitra.HM 472.1

    Ankehitriny, tahaka ny tamin’ ny andro teo aloha, dia hampihetsika ny fanoherana ny fanehoana ny fahamarinana izay manameloka ny fahotana sy ny hevi-diso misy amin’ izao fotoana izao. «Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany»10jao. 3 : 20. Rehefa hitan’ ny olona fa tsy azony tohanana amin’ ny Soratra Masina ny heviny, dia betsaka no nanapa-kevitra fa hitana izany na ho vy na ho vato. ka toe-tsaina maloto no entiny manaratsy ny toetra sy ny fanahy manosika ireo izay mijoro hiaro ny fahamarinana tsy maro mpitia. Izany fihetsika izany ihany no efa hita tamin’ ny andro teo aloha. Nolazaina fa mampidi-doza an’ Isiraely i Elia, Jeremia mpamadika, Paoly mpandoto ny tempoly. Hatramin’ izany andro izany ka mandrak’ androany, izay mijoro ho mahatoky amin’ ny fahamarinana dia ampangaina ho mpikomy, ho «heretika», ho mpisaratsaraka. Marobe ny olona izay tsy afaka hino ny tenin’ ny faminaniana mafy orina no hanaiky mora foana ho marina ny fiampangana an’ ireo izay sahy manameloka irony fahotana araka ny toetr’ andro. Hitombo hatrany izany toe-tsaina izany. Ary lazain’ ny Baiboly mazava fa manakaiky ny fotoana izay hifanoheran’ ny lalàm-panjakana sy ny lalàn’ Andriamanitra hany ka na iza na iza vonona hankatò ny didin’ Andriamanitra rehetra dia tsy maintsy hisetra fanakianana sy famaizana toy ny mpanao ratsy.HM 472.2

    Eo anoloan’ izany, inona no adidin’ ny mpitondra hafatry ny fahamarinana ? Moa ve hilaza izy fa tsy tokony haseho ny faha-marinana, satria matetika ny hany vokany dia ny hahatonga ny olona hidify na hanohitra ny zava-takiny ? Tsia ; tsy misy tokony hihazonany ny fanambaran’ ny tenin’ Andriamanitra, noho izy nahatonga fanoherana, toy ny tsy nihazonan’ ireo Mpanavao Fivavahana teo aloha izany. Voarakitra mba hahasoa ny taranaka mandimby ny fanehoam-pinoana nataon’ ireo olo-masina sy ireo maritiora. Ireny ohatra velon’ ny fahamasinana sy ny toetra matotra mafy orina ireny dia tafapaka amin’ ireo izay antsoina ankehitriny hijoro ho vavolombelona ho an’ Andriamanitra mba hampahery azy. Nandray faha-soavana sy fahamarinana izy ireny, tsy ho azy irery ihany, fa koa mba hahazoan’ ny fahalalana an’ Andriamanitra manazava ny tany, amin’ ny alalany. Moa ve Andriamanitra manome fahazavana ho an’ ny mpanompony amin’ ity taranaka ity ? Raha izany dia aoka Izy hamela izany hamirapiratra eo amin’ izao tontolo izao.HM 473.1

    Fahiny Jehovah dia nanambara izao tamin’ ilay niteny tamin’ ny anarany : «Fa ny taranak’ Isiraely dia tsy mety mihaino anao, satria tsy mety mihaino Ahy izy». Na dia izany aza dia hoy izy hoe : «Ary holazainao aminy ihany ny teniko, na hihaino izy na tsy hihaino»11Ezek. 3 : 7 ; 2 : 7. Izao no baiko nomena ny mpanompon’ Andriamanitra tamin’ izany fotoana izany : «Ezaho ny fiantsoanao, fa aza atao malemy, asandrato ny feonao ho tahaka ny an’ ny anjomara, ka ambarao amin’ ny oloko ny fahadisoany ary amin’ ny taranak’ i Jakoba ny fahotany»12Isa. 58 : 1.HM 473.2

    Arakaraka ny fotoana mety hanaovana izany, izay rehetra nandray ny fahazavan’ ny fahamarinana dia manana andraikitra mampangitakitaka sy mampahatahotra toy ny mpaminanin’ ny Isiraely izay nahatongavan’ ny tenin’ i Jehovah nanao hoe : «Koa ianao, ry zanak’ olona, dia efa notendreko ho mpitily ho an’ ny taranak’ Isiraely, ka raha mandre ny teny aloaky ny vavako ianao, dia izany no entinao mananatra azy. Raha hoy Izaho amin’ ny ratsy fanahy : He ! ry ilay ratsy fanahy, ho faty tokoa ianao ! nefa tsy mety mananatra azy ianao hiala amin’ ny alehany dia ho fatin’ ny helony ihany izany ratsy fanahy izany, fa ny rany dia hadiniko amin’ ny tananao. Fa raha mananatra ny ratsy fanahy ihany kosa ianao hiala amin’ ny lalany ratsy ; fa izy no tsy mety miala amin’ izany, dia ho fatin’ ny helony ihany izy, nefa voavonjinao ny ainao»13Ezek. 33 : 7-9.HM 473.3

    Ny sakana lehibe eo amin’ ny fanekena sy ny fampielezana ny fahamarinana dia izy arahin’ ny fanorisorenana sy ny fanabantiana. Io no hany fonjan-kevitra manohitra ny fahamarinana izay tsy mbola ahitan’ ireo mpomba azy valiny. Nefa tsy mampihemotra ny tena mpanaraka an’ i Kristy izany. Tsy miandry ny fahamarinana ho tonga mamim-bahoaka izy . vao hitory izany. Resy lahatra ny amin’ ny adidiny izy, ka manaiky an-tsitrapo ny hazo fijaliana ary toa ny apostoly Paoly dia heveriny fa «ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voni-nahitra mavesatra maharitra mandrakizay ho anay» ; ary miaraka amin’ ilay mpaminany fahiny dia «manao ny fanaratsiana an’ i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan’ i Egypta» izy. 142Kor.4:17;Heb.11:26HM 474.1

    Na toy inona na toy inona fihetsika asehony, dia ireo izay fatrampisolelaka amin’ izao tontolo izao ihany no mirona any amin’ izay itsofan’ ny rivotra fa tsy mijoro ara-poto-kevitra eo amin’ ny arapivavahana. Aoka isika hisafidy ny marina noho ny maha-marina azy, ary avelantsika ho an’ Andriamanitra izay ho vokany. Ny olona mijoro amin’ ny foto-kevitra tsy miovaova, eo ambonin’ ny vatolampin’ ny finoana sy afaka hitondra fanavaozana lehibe eto amin’ izao tontolo izao. Olona toy izany no tsy maintsy hampandroso ny asa fanavaozana ho amin’ izao vaninandro izao.HM 474.2

    Izao no lazain’ i Jehovah : «Mihainoa Ahy, ianareo izay mahalala ny fahamarinana, dia ianao, ry firenena izay manana ny lalàko ao am-ponao : aza matahotra ny latsa ataon’ ny zanak’ olombelona na manahy noho ny faharatsiany. Fa ny kalalao hihinana azy tahaka ny fihinan-damba, ary ny lolofotsy hihinana azy tahaka ny fihinanambolon’ ondry ; fa ny fahamarinako haharitra mandrakizay, ary ny famonjeko hihatra amin’ ny taranaka fara-mandimby »15Isa. 51 : 7 , 8.HM 474.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents