Toko 28—Eo am-piatrehana ny tantaram-piainantsika
Hery Mifanandrina
- Contents- Fizahan-takelaka
- Ala-sarona
- Fitarihan-teny
- Toko 1—Ny nandravana an’ i Jerosalema
- Toko 2—Ny fanenjehana tamin´ ireo taonjato voalohany
- Toko 3—Ny fihemorana
- Toko 4—Ireo Vaudois
- Toko 5—Jean Wiclef
- Toko 6—Hus sy Jérôme
- Toko 7—Nisaraka tamin’ i Roma i Lotera
- Toko 8—Lotera tso anatrehan’ ny Filankevitry ny fanjakana foibe
- Toko 9—Ilay mpanavao fivavahana Soisa
- Toko 10—Ny fandrosoan’ ny fanavaozana ara-pivavahana tany Alemaina
- Toko 11—Fanoherana nataon’ ny Andriandahy
- Toko 12—Ny fanavaozana ara-pivavahana tany Frantsa
- Toko 13—Ny tany avaratra sy Skandinavia
- Toko 14—Ireo mpanavao fivavahana Anglisy taty aoriana
- Toko 15—Ny Baiboly sy ny tolompiavotana Frantsay
- Toko 16—Ireo mpivahinin’ ny fahafahana
- Toko 17—Mpitondra hafatry ny maraina
- Toko 18—Mpanavao fivavahana Amerikana
- Toko 19—Fahazavana ao anaty haizina
- Toko 20—Fifohazana lehibe ara-pivavahana
- Toko 21—Hafatra fampitandremana notsipahina
- Toko 22—Ireo faminaniana tanteraka
- Toko 23—Inona ny fitoerana masina ?
- Toko 24—Ao amin’ ny masina indrindra
- Toko 25—Ny lalàn’ Andriamanitra tsy azo ovana
- Toko 26—Fanavaozana tsy maintsy ilaina
- Toko 27—Fifohazana moderna
- Toko 28—Eo am-piatrehana ny tantaram-piainantsika
- Toko 29—Ny niavian’ ny ratsy
- Toko 30—Fifandrafiana eo amin’ ny olombelona sy Satana
- Toko 31—Ny anjely tsara sy ny fanahy ratsy
- Toko 32—Ireo fandrik’ i Satana
- Toko 33—Ilay fitaka lehibe voalohany
- Toko 34—Afaka hifanerasera amintsika ve ny maty ?
- Toko 35—Tandindomin-doza ve ny faha-fahana hivavaka araka ny fieritreretana ?
- Toko 36—Mananontanona ny fifandonana farany
- Toko 37—Fiarovana azo antoka
- Toko 38—Ny fampitandremana farany
- Toko 39—Ny andro fahoriana
- Toko 40—Fanafahana ny vahoakan’ Andriamanitra
- Toko 41—Misaona ny tany
- Toko 42—Mifarana ny ady
Search Results
- Results
- Related
- Featured
- Weighted Relevancy
- Content Sequence
- Relevancy
- Earliest First
- Latest First
- Exact Match First, Root Words Second
- Exact word match
- Root word match
- EGW Collections
- All collections
- Lifetime Works (1845-1917)
- Compilations (1918-present)
- Adventist Pioneer Library
- My Bible
- Dictionary
- Reference
- Short
- Long
- Paragraph
No results.
EGW Extras
Directory
Toko 28—Eo am-piatrehana ny tantaram-piainantsika
«Mbola nijery ihany aho», hoy ny mpaminany Daniela», mandrapametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon’ ondry madio ; ny seza fiandrianany dia lelafo ary ny kodiany dia afo mirehitra. Ony afo no nivoaka teo anatrehany ; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany ; nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky»1Dan. 7 : 9, 10.HM 495.1
Toy izany no nanehoana ho hitan’ ny mason’ ny mpaminany ilay andro lehibe sy manetriketrika izay handalovan’ ny toetra sy ny fiainan’ ny olona eo anatrehan’ ny Mpitsaran’ ny tarty rehetra, sy hamaliana ny olona rehetra «araka ny asany». Andriamanitra Ray no Ilay Fahagola. Hoy ny mpanao Salamo. «Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, dia Andriamanitra Ianao hatramin’ ny taloha indrindra ka mandrakizay»2Sal. 90 : 2. Izy, izay niavian’ ny zava-manan’ aina rehetra, sy loharanon’ ny lalàna rehetra, no mitarika ny fitsarana. Ary ny anjely masina arivoarivo sy alinalina izay mpanompo sy vavolombelona, no manatrika io fitsarana lehibe io.HM 495.2
«Ary, indro, nisy toy ny zanak’ olona avy tamin’ ny rahon’ ny lanitra, ary nankeo amin’ ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany. Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan’ ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samihafa fiteny rehetra Azy ; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava»3Dan. 7 : 13 : 14. Ny fiavian’ i Kristy tantaraina eto dia tsy ny fiaviany fanindroany ety an-tany tsy akory. Manatona ny Fahagola any an-danitra Izy mba handray ny fanapahana sy ny voninahitra ary ny fanjakana izay hatolotra Azy amin’ ny fiafaran’ ny asany amin’ ny maha-mpanelanelana Azy. Io fiaviany io, fa tsy ny fiaviany fanindroany ety an-tany, no voalazan’ ny faminaniana mialoha fa hitranga amin’ ny fiafaran’ ny 2300 andro tamin’ ny 1844. Notronin’ ireo anjelin’ ny lanitra ilay Mpisoronabentsika raha miditra ny fitoerana masina indrindra ary ao Izy no miseho eo anatrehan’ Andriamanitra mba hanao ny ampahany farany amin’ ny asa fanompoany ho an’ ny olona mba hanatanterahana ny asa fitsarana famotopotorana sy hanao fanavotana ho an’ izay rehetra hita fa manan-jo handray ny tombon-tsoa momba izany.HM 495.3
Tamin’ ny fanompoam-pivavahana tandindona, dia ireo izay nanatona an’ Andriamanitra tamin’ ny fiaiken-keloka sy ny fibeba-hana ihany, ka voafindra ao amin’ ny fitoerana masina ny fahotany, tamin’ ny alalan’ ny ra natao fanatitra noho ny ota, ireo ihany no nanana anjara tamin’ ny fanompoam-pivavahana tamin’ ny Andro Fanavotana. Toy izany amin’ ny andro lehibe fanavotana farany sy amin’ ny fitsarana famotopotorana, ny hany hodinihina dia ny momba ireo izay milaza ny tenany ho vahoakan’ Andriamanitra ihany. Asa miavaka sy manokana ny fitsarana ny ratsy fanahy ary hatao amin’ ny fotoana any aoriana. «Fa tonga ny andro hiantombohan’ ny fitsarana hatrao amin’ ny ankohonan’ Andriamanitra, ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran’ izay tsy manaiky ny filazantsaran’ Andriamanitra?»41 Pet. 4 : 17.HM 496.1
Ireo boky firaketana any an-danitra, izay nanoratana ny anarana sy ny asan’ ny olona, no hametra ny fanapahan-kevitry ny fitsarana. Hoy ny mpaminany Daniela : «Nipetraka ny Mpitsara. ary novelarina ny boky». Ny mpanoratra ny Apokalypsy koa, raha mitantara io teojavatra io, dia manampy hoe : «ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ ny fiainana izany ; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo amin’ ny boky, araka ny asany»5Apok. 20 : 12.HM 496.2
Ny bokin’ ny fiainana no misy ny anaran’ izay rehetra efa nirotsaka hanompo an’ Andriamanitra. Hoy Jesosy tamin’ ny mpianany hoe : «mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo»6Lio. 10 : 20. Milaza ny amin’ ireo mpiara-miasa aminy mahatoky i Paoly «izay voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny fiainana» ny anarany.7Fil. 4 : 3 Daniela, raha nibanjina ny andro fahoriana, «izay tsy nisy tahaka azy hatrizay», dia nanambara «fa ho afaka» ny firenen’ Andriamanitra, «dia izay rehetra hita voasoratra ao amin’ ny boky». Ny mpanoratra ny Apokalypsy dia nilaza fa «izay manana ny anarany voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny fiainan’ ny Zanak’ ondry» ihany no hiditra ao amin’ ny tanànan’ Andriamanitra 8Dan. 12 : 1 ; Apok. 21 : 27HM 496.3
Misy boky ho «fahatsiarovana» soratana eo anatrehan’ Andria-manitra, izay iraketana ny asa tsara ataon’ izay «matahotra an’ i Jehovah sy mihevitra ny anarany»9Mal. 3 : 16. Ny tenim-pinoana nolazainy, ny asam-pitiavana nataony, dia voarakitra any an-danitra. Nilaza ny amin’ izany i Nehemia raha niteny hoe : «Tsarovy aho noho izany, ry Andriamanitro o, ka aza kosehina ny soa nataoko tao amin’ ny tranon’ Andriamanitro»10Neh. 13 : 14. Ao amin’ ny boky fitadidian’ Andria-manitra no itehirizana ho mandrakizay ny asam-pahamarinana rehetra. Voatantara amim-pahatokiana ny fakam-panahy rehetra notoherina, ny ratsy rehetra noresena, ny teny mitory fitiavana sy fangorahana rehetra natao. Voarakitra ao koa ny fandavan-tena rehetra, ny fahoriana sy ny alahelo rehetra niaretana noho ny amin’ i Kristy. Hoy ny mpanao Salamo : «Manisa ny firenireneko Ianao ; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko ; tsy ao amin’ ny bokinao va ireny ?»11Sal. 56 : 8HM 497.1
Misy koa firaketana ny fahotan’ ny olona. «Fa ny atao rehetra dia hoentin’ Andriamanitra ho eo amin’ ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa. na ratsy». Hampamoahana ny olona amin’ ny andro fitsarana noho ny amin’ ny teny foana rehetra izay ataony. Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao»,12Mpit. T. 12 : 36 ,37 hoy ny Mpamonjy. Ny fikasana sy ny antony miafina manosika antsika dia hiseho ao amin’ ny boky tsy misy diso ; fa «Andriamanitra no hampiharihary ny zavatra rehetra takona ao amin’ ny maizina ka hampiseho ny fikasan’ ny fo»131Kor. 4 : 5. «Indro, izao no voasoratra eo anatrehako, . . . ny helokareo sy ny heloky ny razanareo koa, hoy Jehovah» 14Isa. 65 : 6 , 7.HM 497.2
Ny asan’ ny olona tsirairay dia mandalo eo anatrehan’ Andria-manitra sady voasoratra na ny mahatoky na ny tsy mahatoky. Eo anoloan’ ny anarana tsirairay eo amin’ ny bokin’ ny lanitra dia voatana an-tsoratra amin’ ny fahamarinana mampahatahotra ny teny ratsy rehetra, ny asam-pitiavan-tena rehetra, ny adidy tsy vita rehetra, ary ny fahotana miafina rehetra, miaraka amin’ ny hafetsena sy ny fitaka rehetra. Ny fampitandremana nalefan’ ny lanitra na ny fananarana natao an-tsirambina, ny andro verivery foana, ny fotoana mety tsy nohararaotina, ny hery miasa mangina ho amin’ ny tsara na ho amin’ ny ratsy, miaraka amin’ ny vokany lavitra indrindra, izany rehetra izany dia samy voatantaran’ ny anjely mpanoratra avokoa.HM 498.1
Ny lalàn’ Andriamanitra no filamatra izay hisedrana ny toetra amam-panahy sy ny fiainan’ ny olona eo amin’ ny fitsarana. Hoy ny lehilahy hendry : «Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ ny olona rehetra. Fa ny atao rehetra dia hoentin’ Andriamanitra ho amin’ ny fitsarana»15Mpit. T. 12 : 13 , 14. Ny apostoly Jakoba dia nananatra ny rahalahiny hoe : «Aoka ianareo hiteny sy hanao araka izay mahamendrika anareo, izay olona hotsarain’ ny lalàn’ ny fahafahana»16jak. 2 : 12.HM 498.2
Ireo izay «isaina ho mendrika» ao amin’ ny fitsarana dia hanana anjara amin’ ny fitsanganan’ ny marina. Hoy Jesosy : «Fa izay atao mendrika hahazo izany fiainana izany sy ny fitsanganana amin’ ny maty, . . . mitovy amin’ ny anjely sady zanak’ Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganana amin’ ny maty»17Lio. 20 : 35 , 36. Ary ambarany koa fa «izay manao ny tsara dia ho any amin’ ny fitsanganana ho fiainana»18Jao. 5 : 29. Ny maty tsara fanahy dia tsy hitsangana raha tsy any aorian’ ny fitsarana izay nanisana azy ho mendrika «ny fitsanganana ho fiainana». Noho izany dia tsy hanatrika mivantana eo amin’ ny fitsarana izy rehefa hodinihina ny tatitra ary hotapahina ny momba azy ireo.HM 498.3
Hiseho amin’ ny maha-mpisolo vava azy ireo Jesosy ary handahatra ho azy eo anatrehan’ Andriamanitra. «Raha misy manota dia manana Solovava ao amin’ ny Ray isika, dia Jesosy Kristy ; Ilay Marina»191 Jao.2 : 1. «Fa Kristy tsy mba niditra tao amin’ izay fitoerana masina nataon-tanana, izay tandindon’ ny tena fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa mba hiseho eo anatrehan’ Andriamanitra ankehitriny ho antsika». «Koa amin’ izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an’ Andriamanitra amin’ ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy » 20Heb. 9 : 24 .HM 498.4
Rehefa sokafana eo amin’ ny fitsarana ireo boky. dia mandalo eo anatrehan’ Andriamanitra ny fiainan’ izay rehetra nino an’ i Jesosy. Atombok’ Ilay Mpisolovavantsika amin’ izay velona voalohany teto an-tany ny fanehoana ny momba ireo taranaka mifandimby tsirairay, ka faranany amin’ ny velona ankehitriny. Aroso ny anarana tsirairay ary fakafakaina lalina ny aminy. Misy anarana ekena, misy lavina. Rehefa misy manana fahotana tafajanona eo amin’ ireo boky firaketana, tsy nibebahana sy tsy nahazoana famelan-keloka, dia kosehina tsy ho ao amin’ ny bokin’ ny fiainana ny anarany ary vonoina tsy ho ao amin’ ny boky fitadidian’ Andriamanitra ny tatitra momba ny asa tsara. Hoy Jesosy tamin’ i Mosesy : «Na iza na iza nanota tamiko, dia hovonoiko ny anarany eo amin’ ny bokiko»21Eks. 32 : 23. Ary hoy ny mpaminany Ezekiela: «Fa raha ny marina no miala amin’ ny fahamarinany ka manao meloka, ... ny fahamarinany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana»22Ezck. 18 : 24.HM 499.1
Ho an’ izay rehetra nibebaka marina ny amin’ ny fahotany ka mitaky ny ran’ i Kristy ho fanavotana azy amin’ ny alalan’ ny finoana, dia asiana soratra hoe «Voavela» mifanitsy amin’ ny anarany ao amin’ ny bokin’ ny lanitra; rehefa tonga mpiray amin’ ny faha-marinan’ i Kristy izy, ka hita fa mifandrindra amin’ ny lalàn’ Andriamanitra ny toetra amam-panahiny, dia voakosoka ny fahotany, ary hisaina ho mendrika ny fiainana mandrakizay izy. Izao no ambaran’ i Jehovah, amin’ ny alalan’ ny mpaminany Isaia : «Izaho dia izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin’ ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao»23Isa. 43 : 25. Hoy Jesosy: «Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin’ ny bokin’ ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan’ ny Raiko sy eo anatrehan’ ny anjeliny». «Ary amin’ izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan’ ny Raiko Izay any an-danitra. Fa na zovy na zovy ny handà Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia ho laviko kosa izy eo anatrehan’ ny Raiko Izay any an-danitra»24Apok. 3 : 5 ; Mat. 10 : 32 , 33.HM 499.2
Liana fatratra ny olona ta-hahalala ny didim-pitsarana avoaky ny fitsarana eto an-tany, nefa maivana dia maivana izany raha mitaha amin’ izay hita any an-kianjan’ ny lanitra rchefa misy anarana voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny fiainana entina hodinihina eo anatrehan’ ny Mpitsara ny tany rehetra. Mandahatra Ilay Andria-manitra Mpanelanelana milaza fa izay rehetra nandresy tamin’ ny alalan’ ny finoana ny rany, dia avela ny fandikany ny lalàna, fa averina indray ao amin’ ny tokantranony tao Edena izy, ary satrohamboninahitra amin’ ny maha-mpiara-mandova azy Aminy ao «amin’ ny fanapahana voalohany»25Mika. 4 : 8. Nihevitra i Satana tamin’ ny ezaka nataony hamitahana sy hakana fanahy ny taranak’ olombelona fa hanafoana ny drafitra nataon’ Andriamanitra tamin’ ny namoronana ny olombelona ; nefa mangataka izao Kristy ny hampiharana io drafitra io tahaka ny tsy lavo iny mihitsy ny olona. Tsy famelankeloka fotsiny sy fanamarinana feno sy tanteraka ihany no angatahiny ho an’ ny vahoakany, fa ny andraisany anjara amin’ ny voninahiny sy toerana eo amin’ ny seza fiandrianany.HM 500.1
Raha mbola mandahatra ho an’ ireo niantefan’ ny fahasoavany Jesosy, i Satana kosa miampanga azy eo anatrehan’ Andriamanitra ho mpandika lalàna. Efa nitady izay hitarihana azy ho amin’ ny fisalasalana ilay mpamitaka lehibe, ka hahatonga azy tsy hatoky an’ Andriamanitra intsony; ho tafasaraka amin’ ny fitiavany, sy handika ny lalàny. Izao dia tondroiny ny tantaram-piainany, ireo kilema eo amin’ ny toetra amam-panahiny, ny tsy fitoviany amin’ i Kristy, izay nanala-baraka ny Mpanavotra azy, ireo fahotana rehetra izay nakany fanahy azy, ary noho ireny dia takiny ho olony izy ireo.HM 500.2
Tsy manala tsiny ny fahotany Jesosy fa asehony kosa ny fibebahany sy ny finoany, ka mitaky famelan-keloka ho azy Izy. Asandrany eo anatrehan’ ny Ray sy ny anjely masina ireo tanany voaratra, ka hoy Izy hoe : Fantatro amin’ ny anarany izy. Efa vita tombo-kavatsa eo amin’ ny tanako izy. «Ny fanatitra ho an’ Andria-manitra dia fanahy torotoro ; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra Ò, tsy mba ataonao tsinontsinona»26Sal. 51 : 17. Ary hoy izy amin’ ilay mpiampanga ny vahoakany: «Hananatra anao anie Jehovah, ry Satana; eny, Jehovah Izay nifidy an’ i Jerosalema anie hananatra anao; tsy forohana nosarihana tamin’ ny afo va ity ?»27Zak. 3 : 2 Hotafin’ i Kristy amin’ ny fahamarinan’ ny tenany ireo olony mahatoky, mba hahazoany mitondra azy eo anatrehan’ ny Ray «ho fiangonana madio, tsy misy pentimpentina na fikentronana, na izay toy izany»28Effs. 5 : 27.Voatana ao amin’ ny bokin’ ny fiainana ny anarany, ary izao no voasoratra ao momba azy ireo: «ary hiaramandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria mendrika izy»29Apok. 3 : 4.HM 500.3
Amin’ izany dia ho mby amin’ ny fahatanterahana feno ny teny fikasan’ ny fanekena vaovao hoe : «Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany». «Amin’ izany andro izany sy amin’ izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia hotadiavina izay heloky ny Isiraely, fa tsy hisy ; ary izay fahotan’ i Joda, fa tsy ho hita; satria havelako ny helok’ izay sisa .narovako»30Jer. 31 : 34 ; 50 : 20 Amin’ izany andro izany ny rantsan’ i Jehovah dia ho tonga fahatsarantarehy sy voninahitra, ary ny vokatry ny tany dia ho rehareha sy firavaka ho an’ i Isiraely sisa afaka; ary izay sisa any Ziona sy izay mbola mitoetra any Jerosalema dia atao hoe masina, dia izay rehetra ho isan’ ny velona any Jerosalema»31Isa. 4 : 2 , 3.HM 501.1
Ny asan’ ny fitsarana famotopotorana sy ny fikosehana ny fahotana dia tsy maintsy vita alohan’ ny fiavian’ ny Tompo fanin-droany. Satria hotsaraina araka izay voasoratra ao amin’ ny boky ny maty, dia tsy mety ho voakosoka ny fahotan’ ny olona raha tsy aorian’ ny fitsarana izay handinihana ny momba azy. Lazain’ ny apostoly Petera mazava anefa fa hovonoina ny fahotan’ ny mpino «rehefa tonga ny andro famelombelomana avy amin’ ny fanatrehan’ ny Tompo, ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy »32Asa. 3 : 19 , 20. Rehefa mifarana ny fitsarana famotopotorana, dia ho avy Kristy, ary ho eny Aminy ny famaliany hanomezany ny olona araka ny asany avy.HM 501.2
Teo amin’ ny fanompoam-pivavahana tandindona, rehefa avy nanao fanavotana ho an’ ny Isiraely ny mpisoronabe, dia nivoaka izy ka nitahy ny olona tafavory. Toy izany koa i Kristy, amin’ ny fiafaran’ ny asany amin’ ny maha-Mpanelanelana Azy, dia hiseho Izy, «tsy amin’ ny ota, ho famonjena» (Hebreo 9 : 28) mba hitahy ny vahoaka niandry Azy amin’ ny fiainana mandrakizay. Tahaka ny mpisoronabe izay nanaisotra ny ota avy tao amin’ ny fitoerana masina, ka niaiky izany teo amin’ ny lohan’ ny osilahin’ i Azazela, dia toy izany koa i Kristy, hametraka ireny fahotana rehetra ireny eo amin’ i Satana Izy, izay niavian’ ny fahotana sy namporisika ho amin’ izany. Ilay osilahin’ i Azazela, izay nitondra ny fahotan’ ny Isiraely, dia nalefa «ho any an’ efitra». (Levitikosy 16 : 22) ; toy izany koa i Satana, hitondra ny heloky ny fahotana rehetra izay nampanaoviny ny vahoakan’ Andriamanitra izy ka ho tanana mandritra ny arivo taona ety an-tany, izay ho lao amin’ izay, tsy hisy olona, ary amin’ ny farany dia hizaka ny sazy feno noho ny fahotana ao amin’ ny afo izay handringanana ny ratsy fanahy rehetra. Toy izany no hahatanterahana an-tsakany sy an-davany an’ ilay drafitra lehiben’ ny fanavotana amin’ ny fanafonganana farany ny fahotana sy ny fanafahana izay rehetra nanaiky ny hahafoy ny ratsy.HM 501.3
Tamin’ ny fotoana voatondro ho amin’ ny fitsarana dia ny fiafaran’ ny 2300 andro, tamin’ ny 1844 — no nanomboka ny asa famotopotorana sy ny fikosehana ny fahotana. Izay rehetra efa nitondra teo amin’ ny tenany ny anaran’ i Kristy dia tsy maintsy mandalo io fanadihadiana lalina io. Ny velona sy ny maty dia samy hotsaraina «araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ ny boky, araka ny asany ».HM 502.1
Ny fahotana izay tsy nibebahana sy tsy nafoy dia tsy ahazoana famelan-keloka ary tsy ho voakosoka ao amin’ ny boky, fa hijoro ho vavolombelona hanameloka ny mpanota amin’ ny andron’ Andriamanitra. Mety ho tamin’ ny antoandrobenanahary na tao amin’ ny haizin’ ny alina no nanaovany ny asa ratsiny ; nefa mivandravandra sy miharihary eo anatrehan’ Ilay tsy maintsy hifanatrehantsika izany. Ny anjelin’ Andriamanitra no vavolombelona ny amin’ ny fahotana tsirairay, ary manoratra izany tsy misy diso amin’ ny boky. Mety hafenina, holavina, hosaronana tsy ho hitan’ ny ray, ny reny, ny vady, ny zanaka, sy ny mpiara-miasa ny fahotana; mety tsy hisy afa-tsy ireo nanao ny heloka ihany no mikobona ny zavatra kely indrindra iahiahiana ny ratsy; nefa dia mihanjahanja eo anatrehan’ ireo anjelin’ ny lanitra ireny. Ny haizin’ ny alina mikitroka indrindra, ny fahaizana manafina amin’ ny fitaka rehetra, dia tsy ampy hanaronana na dia eritreritra iray aza tsy ho fantatr’ Ilay Mandrakizay. Voarakitra tsy misy milao eo amin’ Andriamanitra ny kaotim-bola tsy marina rehetra sy ny varotra tsy madio rehetra. Tsy voafitaky ny endriky ny fitiavam-bavaka Izy. Tsy manao fahadisoana Izy amin’ ny fanombatombanany ny toetra amam-panahy. Ny olona no mety ho voafitak’ ireo izay maloto fo, fa Andriamanitra kosa mahatsikilo ny hosoka rehetra ary mahafantatra ny fiainana anatiny indrindra.HM 502.2
Mahalasa fisainana manao ahoana izany ! Ny andro tsirairay izay avalon’ ny mandrakizay, dia samy mamela tantara voarakitra ao amin’ ny bokin’ ny lanitra. Ny teny efa niloaka ny vava indray mandeha, ny fihetsika efa natao indray mandeha dia tsy azo foanana intsony. Efa samy nosoratan’ ny anjely na ny tsara na ny ratsy. Ny mpiantafika mahery indrindra eto an-tany dia tsy afaka manafoana izay voasoratra na dia ny momba ny andro iray monja aza. Ny asantsika, ny teny ataontsika, eny, na dia ny antony nanesika antsika miafina indrindra aza, dia samy manana ny lanjany amin’ ny fanapahana izay ho anjarantsika, na ho fitahiana na ho loza. Na dia mety hadinontsika aza ireny, dia ho vavolombelona hanamarina na hanameloka antsika.HM 503.1
Tahaka ny toetry ny endrika rehetra voasoritra tsy misy mivoana eo amin’ ny takela-metaly mamirapiratry ny mpiangaly asa-tanana, dia toy izany koa no mahavoasoritra ny toetra amam-panahy ao amin’ ny boky any ambony. Nefa kely manao ahoana ny fiheverana io tatitra izay hifantohan’ ny fijerin’ ny any an-danitra io ! Raha azo akipaka ny efitra lamba mampisaraka ny hita sy ny tsy hita, ka azon’ ny zanak’ olombelona atao ny mahita anjely iray mirakitra ny teny sy ny fihetsika tsirairay, izay tsy maintsy hatrehina indray eo amin’ ny fitsarana, dia ho firifiry ny teny izay tenenina isan’ andro no tsy ho voalaza akory, firifiry ny asa vita izay tsy ho natao akory.HM 503.2
Hodinihina akaiky eo amin’ ny fitsarana ny nampiasana ny talenta tsirairay. Ahoana no nampiasantsika ny renivola nampisamborin’ ny Lanitra antsika ? Rehefa avy ny Tompo, moa ve handray ny azy mban-janany Izy ? Moa ve nohatsaraintsika ireo hery nato lotra antsika teo amin’ ny tanana, ny fo, ary ny ati-doha, ho voninahitr’ Andriamanitra sy ho fitahiana ho an’ izao tontolo izao ? Ahoana no fomba nampiasantsjka ny fotoanantsika, ny penintsika, ny feontsika, ny volantsika, ny hery miasa mangina avy amintsika ? Inona no nataontsika ho an’ i Kristy, teo amin’ ny mahantra, ny trà-pahoriana, ny kamboty na ny mpitondratena ? Nataon’ Andriamanitra ho mpitahiry ny teniny masina isika : inona no nataontsika tamin’ ny fahazavana sy ny fahamarinana nomena antsika hahatonga ny olona ho hendry ho amin’ ny famonjena ? Tsy misy vidiny ny fihamboana ho mino an’ i Kristy ; ny fitiavana aseho amin’ ny alalan’ ny asa ihany no ekena ho tena izy, eny, ny fitiavana irery ihany no mampisy vidiny ny asa eo imason’ ny Lanitra. Na inona na inona atao amin’ ny fitiavana, na kely toa inona aza ny fanombanan’ ny olona azy, dia eken’ Andriamanitra sy valiany soa.HM 503.3
Aseho miharihary ao amin’ ny bokin’ ny lanitra ny fitiavan-tena miafina eo amin’ ny olona. Voarakitra any ireo adidy tsy vita teo amin’ ny mpiara-belona, mbamin’ ny fanadinoana ireo zavatra takian’ ny Mpamonjy hatao. Ho hitany any ny nanomezana matetika an’ i Satana ny andro, ny fisainana sy ny hery izay an’ i Kristy. Mampalahelo ny tatitra izay entin’ ny anjely any an-danitra. Misy olona manan-tsaina, milaza ny tenany ho mpanaraka an’ i Kristy, no revo amin’ ny fikatsahaná ny haren’ ny tany, na revo amin’ ny fitadiavana fahafinaretana eto an-tany. Ny vola, ny fotoana sy ny hery dia samy atao sorona ho amin’ ny fisehosehoana sy amin’ ny fampanaranam-po ny tena; kely loana ny fotoana mba atokana ho amin’ ny fivavahana. handinihana ny Soratra Masina, hanetrena ny fanahy sy hiaikena ny fahotana.HM 504.1
Satana dia mamorona tetika tsy hita isa hitazonana ny saintsika mba tsy hamisavisany ny amin’ ny asa izay tena tokony ho fantatsika indrindra. Ankahalain’ ilay mpamitaka faran’ izay fetsy ireo fahamarinana lehibe izay mampiseho ny sorona mahavotra sy Ilay Mpanalalana manana ny hery rehetra. Fantany, fa raha ny momba azy, dia miankina amin’ ny fanodinana ny saina tsy hifantoka amin’ i Jesosy sy ny fahamarinany ny zavatra rehetra.HM 504.2
Ireo izay handray anjara tombon-tsoa avy amin’ ny fanelanelanana ataon’ ny Mpamonjy dia tsy tokony hamela na inona na inona hanembatsembana ny adidiny hanatratra ny fahamasinana feno amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitra. Ireo ora sarobidy lanilaniana foana amin’ ny fahafinaretana, ny fisehosehoana, ny fitadiavan-karena, dia tokony hatokana ho amin’ ny fandinihana fatratra ny tenin’ ny fahamarinana ombam-pivavahana. Tokony ho azon’ ny vahoakan’ Andriamanitra mazava tsara ny momba ny fitoerana masina sy ny fitsarana famotopotorana. Mila fahalalana ho an’ ny tenany manokana ny tsirairay momba ny toerana sy ny asan’ Ilay Mpisoronabeny. Raha tsy izany dia tsy ho azony atao ny hampiasa ny finoana izay tena ilaina amin’ izao fotoana izao, na hitana ny toerana izay notendren’ Andriamanitra ho azy. Samy manana fanahy hovonjena na avela ho very ny tsirairay avy. Samy manandraharaha hodinihina eo anatrehan’ ny fitsaran’ Andriamanitra ny tsirairay. Samy tsy maintsy hifanatri-tava amin’ Ilay Mpitsara lehibe ny tsirairay. Noho izany dia zava-dehibe manao ahoana ny handinihan’ ny tsirairay ireo toe-javatra manetriketrika ireo rehefa hipetraka ny Mpitsara ka hosokafana ny boky, ary tsy maintsy hitsangana ho amin’ ny anjarany avy ny tsirairay, miaraka amin’ i Daniela amin’ ny andro farany.HM 504.3
Izay rehetra nandray fahazavana momba ireo loha-hevitra ireo dia tokony hijoro ho vavolombelon’ ny fahamarinana lehibe izay nankinin’ Andriamanitra taminy. Ny fitoerana masina any an-danitra no tena foiben’ ny asan’ i Kristy ho an’ ny olombelona. Mikasika ny fanahy tsirairay velona eto an-tany izany. Voaseho mibaribary amin’ izany ny drafitry ny fanavotana, ka mitondra antsika ho amin’ ny tena faran’ ny andro ary manambara ny fiafarana be voninahitry ny ady ifanaovan’ ny fahamarinana sy ny fahotana. Zava-dehibe indrindra ny tokony hanadihadian’ ny tsirairay akaiky ny momba ireo loha-hevitra ireo sy ny ahazoany mamaly izay rehetra manontany azy ny amin’ ny anton’ ny fanantenana ao aminy.HM 505.1
Zava-dehibe eo amin’ ny drafitry ny fanavotana tahaka ny nahafatesan’ i Kristy teo amin’ ny hazo fijaliana ny fifonana ataony ho an’ ny olombelona any amin’ ny fitoerana masina any ambony. Tamin’ ny fahafatesany no nanombohany ny asany ary taorian’ ny nitsanganany tamin’ ny maty dia niakatra tany an-danitra Izy mba hanatontosa izany an-tsakany sy an-davany. Tsy maintsy miditra ao amin’ ny efitra lamba amin’ ny alalan’ ny finoana isika, «tany no nidiran’ i Jesosy ho Mpialoha antsika»33Heb. 6 : 20Mitaratra ao ny lahazavan ny hazo fijalian’ i Kalvary. Ao no mety ahazoantsika fahalalana mazava kokoa ny amin’ ireo zava-miafin’ ny fanavotana. Lafo vidy dia lafo vidy tamin’ ny lanitra ny nanatanterahana ny famonjena ny olona ; mifanandrify amin’ ny fitakiana lehibe indrindra ataon’ ny lalàn’ Andriamanitra voadika ny sorona natolotra. Nanokatra ny lalana mankeo amin’ ny seza fiandrianan’ ny Ray i Jesosy, ary amin ny alalan’ ny fanalalanana ataony dia azo entina eo anatrehan’ Andriamanitra ny faniriana marina avy amin’ izay rehetra manatona Azy amin’ ny finoana.HM 505.2
«Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo»34Ohab. 28 : 13. Raha mba hitan’ ireo izay manafina ny fahadisoany ka manala-tsiny izany, ny fifalian’ i Satana ny aminy, ny fanesoany an’ i Kristy sy ny anjely masina noho ny fihetsik’ izy ireo, dia ho dodona izy hiaiky ny fahotany sy hahafoy ireny. Amin’ ny alalan’ ny kilema eo amin’ ny toetra amam-panahy no iasan’ i Satana mba hifehezany ny saina manontolo, ary fantany fa raha ankamamiana ireny kileman-toetra ireny, dia hahomby izy. Noho izany dia tadiaviny mandrakariva izay hamitahana ny mpanaraka an’ i Kristy amin’ ny hevi-mampidi-doza fa tsy azon’ izy ireo atao ny mandresy. Nefa i Jesosy mifona ho azy ireo amin’ ny tanany voaratra sy ny tenany notorotoroina; ary ambarany amin’ izay rehetra vonon-kanaraka Azy hoe : «Ampy ho anao ny fahasoavako»352 Kor. 12 : 9. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ ny fanahinareo ianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako»36Mat. 11 : 29 , 30. Noho izany dia aoka tsy hisy na iray aza hihevitra ny kilemany ho tsy azo sitranina. Hanome finoana sy fahasoavana hoenti-mandresy izany Andriamanitra.HM 505.3
Velona amin’ ny andro fanavotana lehibe isika izao. Tamin’ ny fanompoam-pivavahana tandindona, raha mbola nanao fanavotana ho an’ ny Isiraely ny mpisoronabe, dia nasaina nampahory ny fanahiny ny olona rehetra tamin’ ny alalan’ ny fibebahana ny amin’ ny fahotana sy ny fietren-tena eo anatrehan’ i Jehovah, fandrao hofongorana tsy ho anisan’ ny vahoaka izy. Amin’ ny fomba toy izany koa, dia tokony hampahory ny fanahiny eo anatrehan’ Andria-manitra ankehitriny ireo izay ta-hanana ny anarany tsy ho voakosoka ao amin’ ny bokin’ ny fiainana amin’ izao andro kely sisa mbola haharetan’ ny fahasoavana ho azy izao, ka halahelo ny amin’ ny fahotana sy hibebaka marina. Tsy maintsy hisy fandinihana lalina sy marina ny fo. Tsy maintsy hialana ny toetra maivamaivana, tsy matotra, leferin’ ny olona maro milaza ny tenany ho Kristiana. Misy ady mafana atrehin’ izay rehetra maniry ny hamolaka ireo fironana ratsy izay miezaka hanapaka. Asan’ ny isam-batan’ olona ny asa fiomanana. Tsy mitamba-be no hamonjena antsika. Ny fahadiovantoetra sy ny fanoloran-tenan’ ny anankiray dia tsy hanohitra ny fahabangan’ ireo toetra ireo amin’ ny hafa. Na dia tsy maintsy handalo fitsarana eo anatrehan’ Andriamanitra aza ny firenena rehetra, dia hodinihin’ Andriamanitra akaiky amin’ ny antsipiriany rehetra ny momba ny tsirairay tahaka ny tsy misy olon-kafa noho izy eto an-tany. Tsy maintsy hosedraina ny tsirairay ary ho hita tsy misy pentina na fiketronana na izay toy izany.HM 506.1
Mahavelon’ eritreritra ireo toe-javatra mifandray amin’ ny fifaranan’ ny asa fanavotana. Goavana indrindra ny zavatra voarakitr’ izany. Amin’ izao fotoana izao dia atao ao amin’ ny fitoerana masina any ambony ny fitsarana. Efa taona maro izao no nirosoan’ io asa io. Vetivety — ary tsy misy mahafantatra ny maha-vetivety an’ izany dia hiroso ny fitsarana ny velona. Eo amin’ ny fanatrehan’ Andriamanitra mahatahotra no hampandalovana ny fiainantsika. Anjaran’ ny fanahy tsirairay amin’ izao fotoana izao, mihoatra noho ny tamin’ ny hafa rehetra, ny mandatsaka am-po ny fananarana nataon’ ny Mpamonjy hoe : «Mitandrema, miambena, ka mivavaha, fa tsy fantatrareo izay hiavian’. ny fotoana»37Mar. 13 : 33. Koa raha tsy hiambina ianao, dia ho tonga toy ny fiavin’ ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako aminao»38Apok. 3 : 3.HM 506.2
Rehefa hifarana ny asa ao amin’ ny fitsarana famotopotorana, dia ho tapaka ny anjaran’ ny rehetra na ho amin’ ny fiainana na ho amin’ ny fahafatesana. Mifarana fotoana fohy alohan’ ny fisehoan’ ny Tompo eo amin’ ny rahon’ ny lanitra ny androm-pahasoavana. Raha mibanjina io fotoana io Kristy ao amin’ ny Apokalypsy, dia hoy Izy hoe : «Izay manao ny tsy marina, aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy, ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy ; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina. aoka mbola hihamasina ihany izy». «Indro, avy faingana Aho, ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany»39Apok. 22 : 11, 12.HM 507.1
Mbola ho velona eto an-tany amin’ ny toetrany mety maty ihany ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy — hamboly ny olona, hanao trano izy, hihinana sy hisotro, samy tsy mahatsapa fa efa navoaka tao amin’ ny fitoerana masina ao ambony ilay didim-pitsarana tsy azo ivalozana. Talohan’ ny safo-drano, rehefa tafiditra tao amin’ ny sambo fiara i Noa, dia nohidian’ Andriamanitra tao izy ary ny ratsy fanahy kosa tany ivelany ; nefa nandritra ny hafitoana dia mbola nanohy ny fiainany tsy niraika, feno fitiavam-pahafinaretana ihany ny olona, tsy nahafantatra fa efa tapaka ny ho anjarany, ka nanesoeso ireo fampitandremana momba ny didim-pitsarana nananontanona azy. «Dia tahaka izany, hoy ny Mpamonjy, ny fiavian’ ny Zanak’ olona»40Mat. 24 : 39. Hisoko mangina, tsy ho re sahala amin’ ny «mpangalatra amin’ ny mamatonalina», no hiavian’ ny ora farany izay hanamarika izay ho anjaran’ ny olona tsirairay, dia ny fanatsoahana ny tolotry ny famindrampo natao tamin’ ny olo-meloka.HM 507.2
«Koa miambena ianareo. . . fandrao avy tampoka Izy ka mahita anareo matory»41Mar. 13 : 35 , 36. Mampidi-doza ny toerana misy ireo sasatry ny miambina, ka mitodika ho eo amin’ ireo zava-mahasarika eo amin’ izao tontolo izao. Raha mbola seriny eo amin’ ny fitadiavam-bola ny mpandraharaha, raha mbola mampanaram-po ny tenany ny tia fahafinaretana, raha mbola manamboatra ny haingony ny vehivavy mpanara-«damaody» — dia mety amin’ io ora io no hamoaka ny didy Ilay Mpitsara ny tany rehetra hoe : «Efa voalanja tamin’ ny mizana ianao, ka, indro latsa-danja»42Dan. 5 : 27.HM 507.3