Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hery Mifanandrina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 30—Fifandrafiana eo amin’ ny olombelona sy Satana

    «Dia hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany, izy hanorotoro ny lohanao. ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony»1Gen. 3 : 15. Ilay didim-pitsarana navoakan’ Andriamanitra tamin’ i Satana rehefa lavo ny olombelona, dia faminaniana koa, faminaniana izay mahafaoka ny taona rehetra hifandimby hatramin’ ny andro farany ary manambara mialoha ny ady lehibe izay handraisan’ ny taranak’ olombelona rehetra velona eto ambonin’ ny tany anjara.HM 523.1

    Hoy Andriamanitra hoe: «Hampifandrafesiko». Io fifandrafiana io dia tsy voajanahary. Rehefa nandika ny didin’ Andriamanitra ny olona, dia nanjary ratsy ny toetra fototra maha-izy azy, ary nifanaraka tamin’ i Satana izy, fa tsy nisaraka taminy. Tsy misy fifandrafiana tonga ho azy amin’ ny olona mpanota sy ilay niavian’ ny fahotana. Samy nanjary ratsy izy ireo noho ny fihemorana. Tsy mitoe-poana mihitsy ilay mpihemotra raha tsy miray fo aminy sy manohana azy ireo izay taominy hanaraka ny ohatra nomeny. Noho io antony io dia manao fara-hery mba hiara-dia ny anjely lavo sy ireo ratsy fanahy. Raha tsy nisalovana tamin’ ny fomba manokana Andriamanitra, dia ho niray hina hiady tamin’ ny Lanitra i Satana sy ny olombelona; ary tsy ho nandrafy an’ i Satana ny fianakavian’ ny olombelona manontolo fa ho niara-nioko hanohitra an’ Andriamanitra.HM 523.2

    Naka fanahy ny olona hanota i Satana, tahaka ny nitarihany ny anjely hikomy, mba hahazoany antoka amin’ izany fa hanampanampy izy amin’ ny ady ataony amin’ ny Lanitra. Tsy nisy fifandirana taminy sy ireo anjely lavo raha ny momba ny fankahalany an’ i Kristy; raha nisy zavatra hafa nifanolanany, dia nifanaran-tsaina tanteraka kosa izy ireo teo amin’ ny fanoherany ny fahefan’ Ilay Mpifehy an’ izao rehetra izao. Fa rehefa ren’ i Satana ny fanambarana fa hisy fifandrafiana aminy sy amin’ ny vehivavy, amin’ ny taranany sy amin’ ny taranaky ny vehivavy, dia fantany fa ho voasakantsakana ny fiezahany hanimba ny maha-olombelona; fantany fa misy fomba hahazoan’ ny olona manohitra ny heriny.HM 523.3

    Nirehitra ny fandrafian’ i Satana ny taranak’ olombelona, satria, amin’ ny alalan’ i Kristy, dia iantefan’ ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny famindrampony izy Tiany hosembanana ny drafitra nataon’ Andriamanitra momba ny fanavotana ny olombelona, tiany ny hanala-baraka an’ Andriamanitra amin’ ny fanimbana ny endriky ny sangan’ asany sy amin’ ny fandotoana azy; tadiaviny hahatonga alahelo any an-danitra sy hameno ny tany amin’ ny loza amampahoriana. Ary dia tondroiny ho vokatry ny asan’ Andriamanitra tamin’ ny namoronany ny olombelona ireo ratsy rehetra ireo.HM 524.1

    Ny fahasoavana izay volen’ i Kristy ao amin’ ny fanahy no miteraka ny fandrafiana an’ i Satana ao amin’ ny olona. Raha tsy io fahasoavana manova io sy io hery manavao io, dia mbola ho babon’ i Satana ihany ny olombelona, ho mpanompo vonona mandrakariva hanaraka ny baikony. Ilay foto-kevitra vaovao ao amin’ ny fanahy anefa dia miteraka ady eo amin’ izay nisy fiadanana hatramin’ izay. Ny hery izay omen’ i Kristy dia mahatonga ny olona ho afaka hanohitra ilay mpampahory sy mpisandoka. Na iza na iza hita fa mankahala ny fahotana fa tsy tia izany, na iza na iza manohitra ka mandresy ireo filana ambany izay manapaka ao anaty, dia mampiseho fa miasa ao aminy ilay foto-kevitra avy any ambony.HM 524.2

    Ny fifanoherana misy eo amin’ ny toe-tsain’ i Kristy sy ny toetsain’ i Satana dia naseho tamin’ ny fomba nanaitra indrindra teo amin’ ny nandraisan’ izao tontolo izao an’ i Jesosy. Izy tsy dia niseho tamin’ ny harena, ny rendrarendra, na tamin’ ny fahalehibeazan’ izao tontolo izao loatra tsy akory no nahatarika ny Jiosy handà Azy. Hitany fa nanana hery izay ampy tokoa ho onitry ny fahabangan’ ireo tombon-tsoa ireo Izy. Fa noho ny fahadiovan-toetra sy ny fahamasinan’ i Kristy no nahatonga ny fankahalan’ izay tsy nanana toe-panahy araka an’ Andriamanitra Azy. Fanomezan-tsiny lalandava ho an’ ny vahoaka mirehareha, andevon’ ny filany ny fiainany feno fandavan-tena sy ny fitiavam-bavaka tsy misy fahotana teo aminy. Izany no nitarika fandrafiana tamin’ ny Zanak’ Andriamanitra. Niray tamin’ i Satana sy ny anjeliny ny ratsy fanahy. Ny herin’ ny fihemorana rehetra no nivondrona hanohitra ilay mpiady mahery fon’ ny fahamarinana.HM 524.3

    Io fandrafiana io ihany koa no mahazo ny mpanaraka an’ i Kristy tahaka izay nanjo ny Tompony koa. Na iza na iza mahita ny toetra maharikorikon’ ny fahotana, ka manohitra ny fakam-panahy amin’ ny hery avy any ambony, dia ho azony antoka fa hirongatra hamely azy ny fahatezeran’ i Satana sy ireo mpanaraka azy. Raha mbola nisy koa ny ota sy ny mpanota dia hisy hatrany koa ny fankahalana ny foto-kevitra madion’ ny fahamarinana, sy ny fanomezan-tsiny ary ny fanenjehana ireo mpiaro azy. Tsy afaka hifanara-tsaina ny mpanaraka an’ i Kristy sy ny mpanompon’ i Satana. Tsy mbola tapitra ny fanafintohinana noho ny hazo fijaliana. «Izay rehetra tc-ho velona araka an’ Andriamanitra, izay ao amin’ i Kristy Jesosy, dia henjehina»22 Tim. 3 : 12.HM 525.1

    Miasa mandrakariva eo ambany fitarihan’ i Satana ireo izay ampiasainy hampitoetra ny fahefany sy hanangana ny fanjakany hifanohitra amin’ ny an’ Andriamanitra. Mba hanatrarany izany, dia miezaka izy hamitaka ny mpanaraka an’ i Kristy ka hitaona azy am-pitaka hiala amin’ ny fanoavany. Tahaka ilay mpitarika azy ireo, dia adikany vilana sy aolany ny hevitry ny Soratra Masina mba hahatrarany izay kendreny. Tahaka an’ i Satana miezaka ny hanome tsiny an’ Andriamanitra, dia toy izany koa ireo fiasana eo an-tanany mitady izay hanaratsiana ny vahoakan’ Andriamanitra. Ny fanahy izay nahatonga famonoana an’ i Kristy no manetsika koa ny ratsy fanahy handringana ny mpanaraka Azy. Izany rehetra izany no voalaza mialoha ao amin’ ity faminaniana voalohany ity hoe : «Hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany». Ary hitohy izany hatramin’ ny faran’ ny andro.HM 525.2

    Vorin’ i Satana ny tafiny rehetra ary atobany ho amin’ ny ady ny heriny rehetra. Nahoana no tsy misy fanoherana bebe kokoa hosetrainy ? Nahoana ny miaramilan’ i Kristy no rendremana sy tsy miraika toy izao ? Satria kely loatra ny fifandraisana marina ananany amin’ i Kristy ; satria tsy manana ny Fanahiny izy. Tsy mahatsiravina ary tsy maharikoriko azy ny fahotana, tsy tahaka ny fihevitry ny Tompony izany. Tsy misetra ny fahotana, tahaka ny nataon’ i Kristy, amin’ ny fanoherana matotra sy hentitra izy. Tsy tsapany ny tena maha-ratsy tanteraka ny fahotana sy ny mahazava-doza azy, ary jamba izy tsy mahita na ny toetran’ ilay andrianan’ ny maizina na ny heriny. Maivana ny fandrafiana an’ i Satana sy ny asany, satria lehibe loatra ny tsy fahalalana, ny amin’ ny heriny sy ny faharatsiany ary ny fidadasiky ny ady ataony amin’ i Kristy sy ny fiangonany. Marobe no voafitaka eto. Tsy fantany fa mpitaritafika mahery ilay fahavalony izay mifehy ny sain’ ny anjely ratsy fanahy, ary manao tetika maty paika sy fihetsiketsehana feno hakingana hoentiny hiady amin’ i Kristy mba hisakanany ny famonjena ny fanahy. Eo amin’ ireo izay milaza ny tenany ho Kristiana, ary na dia amin’ ireo mpitory ny filazantsara aza, dia tsy misy filazana firy re momba an’ i Satana, afa-tsy sendrasendra amin’ ny toriteny angamba. Tsy jereny ireo porofon’ ny asany sy ny fahombiazany mitohy ; ataony an-tsirambina ireo fampintandremana maro ny amin’ ny hafetseny ; toa tsy fantany akory na dia ny fisiany aza.HM 525.3

    Fa raha mbola tsy mahafantatra ny fitaka hataony ny olona, io fahavalo io kosa dia mailo mandrakariva manara-dia azy amin’ ny fotoana rehetra. Mitsofoka ao amin’ ny lafim-piainana rehetra ao an-tokantrano izy, eny amin’ ny lalam-be rehetra amin’ ny tanandehibe misy antsika, any am-piangonana, any amin’ ny filan-kevipirenena, any amin’ ny fitsarana, ka mampikorontan-tsaina, misandoka, mamitaka hatraiza hatraiza, mandevona ny fanahy sy ny tenan’ ny lehilahy, ny vehivavy sy ny ankizy, mandrava ny fianakaviana, mamafy fankahalana, fifaninana, adilahy, fikomiana, vonoan’ olona. Ary ny kristiana dia toa mijery izany zavatra izany ho toy ny efa voatendrin’ Andriamanitra rahateo ka tsy maintsy misy.HM 526.1

    Tadiavin’ i Satana mandrakariva ny handresy ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ ny fandrodanana ny fefy izay mampisaraka azy amin’ izao tontolo izao. Voatarika hanota Isiraely fahizay rehefa nanandranandrana niditra tamin’ ny fikambanana tamin’ ny jentilisa izay nandrarana azy. Amin’ ny fomba toy izany koa no mahavoasarika an’ Isiraely ankehitriny. «... Nohajambain’ny andriamanitr’ izao tontolo izao, . . . ny sain’ ny tsy mino, mba tsy hiposahan’ ny fahazavan’ ny filazantsaran’ ny voninahitr’ i Kristy, Izay endrik’ Andriamanitra»32 Kor. 4 : 4. Izay rehetra tsy mpanaraka marina tokoa an’ i Kristy dia mpanompon’ i Satana. Ao amin’ ny fo tsy voaova dia misy fitiavana ny fahotana ary fironana hankamamy sy hanala-tsiny azy. Ao amin’ ny fo voaova kosa dia misy fankahalana ny fahotana sy fanoherana hentitra an’ izany. Rehefa misafidy ny hifanerasera amin’ny tsy manana toe-panahy araka an’ Andriamanitra sy ny tsy mino ny Kristiana dia mitono-tena ho amin’ny fakam-panahy. Miery mba tsy ho hitany i Satana ary saronany antsokosoko amin’ ny fitaka ataony ny mason’ izy ireo. Tsy hitany fa ny fiarahana amin’ ny olona toy ireny dia voakendry hanimbana azy ; ary rehefa mampitovy ny tenany amin’ izao tontolo izao foana izy eo amin’ ny toetra amam-panahiny, ny teny atao sy ny fihetsika dia miha-jamba hatrany.HM 526.2

    Ny fanarahana ireo fomba amam-panaon’ izao tontolo izao dia mampiova fo ny fiangonana ho an’ izao tontolo izao ; fa na oviana na oviana dia tsy hampiova fo an’ izao tontolo izao ho an’ i Kristy . Ny fifankazarana amin’ny fahotana dia tsy maintsy hahatonga toetra tsy maharikoriko azy loatra intsony. Izay mifidy ny hiaraka amin’ ny mpanompon’ i Satana dia vetivety dia tsy hatahotra ny tompony intsony. Rehefa tratry ny fitsapana isika, eo ampanaovana ny adidy, tahaka izay nanjo an’ i Daniela tao an-dapan’ny mpanjaka, dia mahazo matoky isika fa hiaro antsika Andriamanitra ; nefa raha minia mankahatra ny fakam-panahy isika, dia ho lavo, na ho ela na ho haingana.HM 527.1

    Matetika no mahomby tokoa ny mpaka fanahy amin’ ny alalan’ ireo izay tsy ampoizina indrindra fa eo ambanin’ ny fifehezany. Ny olona manan-talenta sy nahita fianarana dia deraina sy ankalazaina, toy ny afaka hanonitra ny tsy fisian’ ny fahatahorana an’ Andriamanitra ery ireny toetra ireny, na hahatonga ny olona hankasitrahan’ Andriamanitra. Ny talenta sy ny fahaizana, amin’ ny maha-izy azy, dia fanomezan’ Andriamanitra ;nefa raha atao solon’ ny fitiavambavaka ireny, ka tsy hampanakaiky ny fanahy amin’ Andriamanitra fa mampanalavitra ny tena Aminy, amin’ izay dia manjary ozona sy fandrika. Misy hevitra manjaka amin’ ny maro milaza fa izay rehetra manana endrika ho araka ny fahalalam-pomba na ny fahaizamiaina dia tsy maintsy mifanaraka amin’ i Kristy raha dinihina. Tsy mbola nisy fahadisoan-kevitra goavana toy izany. Ny toetra soa toy ireny dia tokony handravaka ny toe-panahin’ ny Kristiana, satria manan-kery lehibe miasa mangina hanohana ny fivavahana marina izany ;nefa tsy maintsy ho voatolotra ho an’ Andriamanitra, raha tsy izany dia hanjary hery ho an’ ny ratsy koa. Betsaka ny olona be fahalalana ara-tsaina sy manana fomba mahasarika no tsy hietry hanao izay heverin’ ny maro fa asa maloto, nefa tsy inona izany fa fitaovana voalambolambo tsara eo am-pelatanan’ i Satana fotsiny ihany. Ny toetra manodoka sy mamitaka izay hery miasa mangina avy aminy sy ny ohatra omeny dia hahatonga azy ho fahavalo mampidi-doza ho an’ ny asan’ i Kristy noho ireo bado sy tsy nahita fianarana.HM 527.2

    Fivavahana mafana sy fiankinana tamin’ Andriamanitra no nahazoan’ i Solomona fahendrena izay nampitolagaga sy nampiaiky volana an’ izao tontolo izao. Nefa rehefa nihodina niala tamin’ Ilay Loharanon’ ny heriny izy, ka nandeha samirery niankina tamin’ ny tenany, dia nanjary hazan’ ny fakam-panahy. Tamin’ izay ireo hery mahagaga izay nomena ity mpanjaka hendry indrindra ity dia nahatonga azy ho fiasana mahomby kokoa ho an’ ny fahavalon’ ny fanahy.HM 528.1

    Mitady mandrakariva ny hahajamba ny fanahin’ ny Kristiana tsy hahita izany i Satana nefa aoka tsy hohadinoin’ ny Kristiana na oviana na oviana fa «tsy mitolona amin’ ny nofo aman-drà (izy), fa amin’ ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ ny mpanjakan’ izao fahamaizinana izao, dia amin’ ny fanahy ratsy eny amin’ ny rivotra»4Efes. 6 : 12. Nanakoako amin’ izao androntsika izao, rehefa mitety ireo taonjato mifandimby, ny fampitandremana avy amin’ ny tsindrimandrin’ Andriamanitra hoe : «Mahonona tena, miambena : fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany»51 Pet. 5 : 8. «Tafio avokoa ny fiadian’ Andriamanitra mba hahazoanareo hifahatra amin’ ny fanangolen’ ny devoly» 6Efes. 6 : 11.HM 528.2

    Hatramin’ ny andron’ i Adama ka hatramin’ izao vaninandro misy antsika izao, dia efa nizatra hampiasa ny heriny hampahoriana sy hanimbana ilay fahavalontsika rehetra. Eo am-piomanana ho amin’ ny ady farany ataony amin’ ny fiangonana izy izao. Izay rehetra ta-hanaraka an’ i Jesosy dia hifandona amin’ io fahavalo tsy mety sasatra io. Arakaraka ny hakan’ ny Kristiana tahaka akaiky ilay Andriamanitra Ohatra, dia arakaraka izany no ahazoany antoka fa ho tarigetra kendren’ ny fanafihan’ i Satana izy. Izay rehetra mirotsaka tokoa ho amin’ny asan’ Andriamanitra, ka miezaka ny hanala sarona ny fitak’ ilay ratsy ary haneho an’ i Kristy eo anatrehan’ ny vahoaka, dia afaka hiray feo amin’ i Paoly, raha nanambara izy fa manompo ny Tompo tamin’ ny fanetren-tena rehetra sy ny ranomaso ary ny fakam-panahyHM 528.3

    Namely an’ i Kristy tamin’ ny fakam-panahy nasiaka sy fetsy indrindra i Satana, nefa resy tosika hatrany izy tamin’ ny fifandonana rehetra. Ho antsika no niatrehany ireny ady ireny;ireo fandresena azony no ahafahantsika handresy koa. Hanome hery ho an’ izay rehetra mitady izany 1 Kristy. Tsy misy olona azon’ i Satana resena raha tsy efa nanaiky ny ho resiny. Tsy manam-pahefana hifehy ny sitrapo na hanery ny fanahy hanota ilay mpaka fanahy. Azony atao ny mampangorohoro, fa tsy azony atao ny mandoto. Mety hampivarahontsana izy fa tsy afaka hanapentina.HM 529.1

    Ny fandresena azon’ i Kristy dia tokony hampientana ny mpanaraka Azy hiroso tsy aman-tahotra, toy ny tena lehilahy, hiady amin’ ny fahotana sy i Satana.HM 529.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents