Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hery Mifanandrina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 33—Ilay fitaka lehibe voalohany

    Raha vao niandoha ny tantaran ‘ ny olombelona dia nanomboka koa ny ezaka ataon’ i Satana hamitahana azy. Ilay nampirisika ny fikomiana tany an-danitra dia naniry koa ny hitarika ny mponina etý an-tany hiandany aminy eo amin’ ny ady ataony amin’ ny fitondram-panjakan’ Andriamanitra. Safononoka ny fahasambaran’ i Adama sy Eva raha mbola nitandrina ny lalàn’ Andriamanitra izy ireo, ary izany dia vavolombelona hatrany nanohitra ny teny noantitranterin’ i Satana tany an-danitra, fa manandevo ny lalàn’ Andriamanitra sady fahavalon’ ny soa ho an’ ny voahariny. Afa-tsy izany, dia nampihetsika ny fialonan’ i Satana ny fahitany ny tokantrano kanto dia kanto nomanina ho an’ ireo mpivady tsy nanam-pahotana.HM 553.1

    Tapa-kevitra ny handavo azy izy, ka rehefa nahatafasaraka azy ireo tamin’ Andriamanitra sy nahatonga azy ho eo ambany fahefany, dia mety ho lasany koa mbamin’ ny tany ary dia haoriny eto ny fanjakany izay hifanohitra amin’ ny an’ ny Avo Indrindra.HM 553.2

    Raha niseho araka izay tena toetra maha-izy azy i Satana, dia ho voatosika avy hatrany izy, satria efa nampitandremana ny amin’ io fahavalo mampidi-doza io i Adama sy Eva ; tao amin’ ny haizina anefa no niasany, nafeniny ny fikasany mba hahombiazany bebe kokoa eo amin’ ny fanatanterahana ny zava-kendreny. Nataony ho fiasana fotsiny ny menarana izay biby nanana endrika maha-tehizaha tamin’ izay, fa i Satana mihitsy no niteny tamin’ i Eva hoe : «Hanky ! Efa nataon’ Andriamanitra hoe : Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ ny saha?»1Gen .3: 1 Raha nahafehy tena tsy hiady hevitra tamin’ ny mpaka fanahy i Eva dia ho afa-doza izy ; nefa sahisahy nifamaly taminy izy ka nanjary hazan’ ny hafetseny .Toy izany ihany no mbola maharesy ny maro .Misalasala izy ka miady hevitra ny amin’ ny fitakian’ Andriamanitra ; ary tsy mankatò ny baikon’ Andriamanitra izy, fa manaiky ny laha-kevitr’ olombelona, izay tsy inona fa saron-tavan’ ny fitaka ataon’ i Satana ihanyHM 553.3

    «Fa hoy ravehivavy tamin’ ny menarana : ny voan’ ny hazo eo amin’ ny saha dia azonay ihinanana ihany ; fa ny voan’ ny hazo eo afovoan’ ny saha kosa no efa nataon’ Andriamanitra hoe : Aza ihinananareo na tendrenareo izany, fandrao maty ianareo .Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy : tsy ho faty tsy akory ianareo ; fa fantatr’ Andriamanitra fa amin’ ny andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’ Andriamanitra ianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy » 2Gen. 3: 2-5.HM 554.1

    Nolazainy fa hitovy amin’ Andriamanitra izy, ka hanana fahendrena bebe kokoa noho ny teo aloha, ary ho afaka hanana fari-piainana ambonimbony kokoa. Nitolo-batana ho resin’ ny fakampanahy i Eva; ary noho ny fitaomany dia voatarika hanota koa i Adama. Neken’ izy ireo ny tenin’ ny menarana nilaza fa tsy hotanterahin’ Andriamanitra izay nolazainy; tsy natoky ny Mpahary azy izy ka nihevitra fa namepetra ny fahafahany Andriamanitra, ary mety hahazo fahendrena be sy hisandratra ho ambony izy amin’ ny fandikana ny lalàny.HM 554.2

    Inona anefa, taorian’ ny nanotany, no hitan’ i Adama fa hevitry ny teny hoe: «Amin’ ny andro izay hihinananareo azy dia ho faty tokoa ianareo». Hitany ve fa midika araka izay nampinoan’ i Satana azy izany, dia ny hahatafakatra azy ho amin’ ny fari-piainana ambonimbony kokoa ? Raha izany dia marina tokoa fa misy soa lehibe mety ho azo amin’ ny fandikana ny lalàna, dia ho voaporofo fa mpanasoa ny taranak’ olombelona i Satana. Nefa tsy izany no hitan’ i Adama fa dikan’ ny tenin’ Andriamanitra, fa ho sazin’ ny fahotana nataony, dia hiverina amin’ ny tany nakana azy ny olombelona. «Fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin’ ny vovoka indray ianao» 3Gen. 3: 19. Ny teny nataon’ i Satana hoe: «Hahiratra ny masonareo», dia hita fa marina amin’ izao lafiny izao ihany: Rehefa tsy nankatò an’ Andriamanitra i Adama sy i Eva, dia nihiratra ny masony ka hitany mazava ny hadalany; nahalala ny ratsy tokoa izy, ary nanandrana ny vokatra mangidin’ ny fandikan-dalàna.HM 554.3

    Teo afovoan’ i Edena no nanirian’ ny hazon’ aina, ka ny voany dia manan-kery hampaharitra ny fiainana ho mandrakizay. Raha tahiny nitoetra ho mankatò an’ Andriamanitra i Adama, dia mbola ho afaka malalaka hankeo amin’ io hazo io izy, ary ho velona mandrakizay. Nefa rehefa nanota izy, dia nosakanana tsy hihinana amin’ ny voan’ ny hazon’ aina izy, ka nanjary nety maty. Manondro ny famongorana tanteraka ny aina ny didim-pitsaran’ Andriamanitra hoe: «Fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin’ ny vovoka indray ianao».HM 555.1

    Voasakan’ ny fandikan-dalàna ny tsy fahafatesana mandrakizay nampanantenaina ny olona raha nankatò izy. Tsy azon’ i Adama nafindra tamin’ ny taranany izay tsy nananan’ ny tenany; ary tsy ho nisy fanantenana ho an’ ny taranaka lavo, raha tsy nataon’ Andriamanitra mety ho azony tamin’ ny alalan’ ny nanaterany ny Zanany ho fanatitra ny tsy fahafatesana. Fa raha «nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra», Kristy kosa dia nampiseho mazava tsara tamin’ ny filazantsara «ny fiainana sy ny tsy fahalovana mandrakizay» 4Rom. 5: 12;2Tm. 1: 10. Koa amin’ ny alalan’ i Kristy irery ihany no mety ahazoana ny fiainana mandrakizay. Hoy i Jesosy; «Izay mino ny Zanaka no manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana» 5Jao. 3: 36. Ny olona tsirairay dia mety hahazo io fitahiana sarobidy indrindra io raha manatanteraka ny fepetra izy. Izay rehetra «maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsy fahafatesana», dia handray «fiainana mandrakizay» 6Rom. 2: 7.HM 555.2

    Ny hany nampanantena fiainana ho an’ i Adama ao amin’ ny tsy fankatoavana dia ilay mpamitaka lehibe. Ary ny fanambarana nataon’ ny menarana tamin’ i Eva tao Edena hoe: — «Tsy ho faty tsy akory hianareo» no toriteny voalohany natao hatramin’ izay momba ny tsy fahafatesan’ ny fanahy. Io fanambarana io anefa, izay tsy miorina afa-tsy amin’ ny fahefan’ i Satana, dia manakoako avy eny amin’ ny polipitry ny fiangonana Kristiana ary eken’ ny ankabeazan’ ny olombelona mora foana tahaka ny nandraisan’ ireo ray aman-drenintsika voalohany azy. Ny didim-pitsaran’ Andriamanitra manao hoe : «Ny fanahy izay manota no ho faty» 7Ezek. 18: 20 dia lazaina fa midika hoe : Ny fanahy izay manota dia tsy ho faty, fa ho velona mandrakizay. Dia gaga sy talanjona isika eo anatrehan’ ny fisainana tonga dia babo izay mahatonga ny olona hino avy hatrany ny tenin’ i Satana, ary tsy mety mino kosa ny tenin’ Andriamanitra.HM 555.3

    Raha navela malalaka ho eo amin’ ny hazon’ aina ny olombelona taorian’ ny fahalavoany, dia ho velona mandrakizay izy, ary dia tsy ho fongotra mandrakizay ny fahotana. Nisy kerobima sy ny lelafon’ ny sabatra mihebiheby niambina «ny lalana mankany amin’ ny hazon’ aina» 8Gen. 3: 24. Ary tsy nisy na dia iray aza tamin’ ny fianakavian’ i Adama navela hihoatra io fefy io ka hihinana amin’ ilay voankazo manome aina. Noho izany dia tsy misy na dia iray aza ny mpanota tsy mety maty.HM 556.1

    Taorian’ ny fahalavoana anefa dia nibaiko ny anjeliny i Satana mba hanao ezaka manokana hanatsofohana ny finoana ny amin’ ny tsy fahafatesana voajanahary ananan’ ny olombelona ; ary rehefa nahataona ny olona handray io hevi-diso io izy ireo, dia notarihiny izy handray ilay fehin-kevitra milaza fa ho velona ao amin’ ny fijaliana mandrakizay ny mpanota. Ankehitriny ny andrianan’ ny maizina dia miasa amin’ ny alalan’ ireo mpiara-miasa aminy mba hampiseho an’ Andriamanitra ho toy ny mpanjaka lozabe, mpamaly faty ka lazaina fa manipy ao amin’ ny helo izay rehetra tsy ankasitrahany, ary manao izay hahatsapan’ izy ireo ny fahatezerany ; ary raha mbola mijaly amin’ ny fangirifiriana tsy hay lazaina sy miolanolana ao anaty lelafo mandrakizay ireo, ny Mpahary azy kosa dia mijery ka afa-po.HM 556.2

    Amin’ izany fomba izany no anafian’ ilay.mpamitaka fetsilahy ny Mpahary sy Mpanasoa ny taranak’ olombelona amin’ ny toetran’ ny tenany. Toetr’ i Satana ny halozana, Andriamanitra dia fitiavana; ary izay rehetra nohariny dia madio, masina, ary mahateho tia, ambara-pampiditr’ ilay mpikomy lehibe voalohany ny fahotana. I Satana mihitsy no fahavalo izay maka fanahy ny olona hanota, sy mandringana azy avy eo raha azony atao ; ary rehefa azony antoka ny hazany, dia dibo-kafaliana noho ny fandringanana nataony izy. Raha navela hanao izany izy, dia ny taranak’ olombelona manontolo mihitsy no indray noraofiny tao anatin’ ny haratony. Raha tsy ny fisalovanan’ ny herin’ Andriamanitra, dia tsy ho nisy zanakalahy na zanakavavin’ i Adama na iray aza afa-nandositra.HM 556.3

    Mitady ny handresy ny olona i Satana amin’ izao fotoana izao, tahaka ny nandreseny ireo razambentsika voalohany amin’ ny fanozongozonany ny fitokisan’ Ilay Mpahary azy sy amin’ ny fitarihany azy hisalasala ny amin’ ny fahendren’ ny fitondram-panjakany sy ny fahamarinan’ ny lalàny. Asehon’ i Satana sy ireo irany ho ratsy noho izy Andriamanitra, mba hahazoany manamarina ny haratsian-toetran’ ny tenany sy ny fikomiany. Miezaka ny hanilika ny fahalozana mahatsiravin’ ny toetrany ho amin’ ny Raintsika any an-danitra ilay mpamitaka lehibe, mba hiheverana ny tenany ho toy ny niharan’ ny tsy rariny raha voaroaka avy tany an-danitra, satria tsy nety nilefitra tamin’. ny mpitondra tsy marina toy izany izy. Asehony eo anatrehan’ izao tontolo izao ny fahafana mety hiriariavan’ ny olombelona eo ambanin’ ny fitondrany malalaka, izay mifanohitra amin’ ny fanandevozana didian’ ny lalàna henjan’ i Jehovah. Koa amin’ izany fomba izany no ahombiazany amin’ ny fanambatambazany am-pitaka ny fanahy hiala amin’ ny fanekeny an’ Andriamanitra.HM 556.4

    Maharikoriko ny fihetseham-po entanim-pitiavana sy famindrampo, sady mandona izay heverintsika ho araka ny rariny sy ny hitsiny ny foto-pinoana milaza fa ampijaliana amin’ ny afo sy solifara ao amin’ ny helo mirehitra mandrakizay ny maty ratsy fanahy; fa ho tambin’ ny fahotana nataony nandritra ny fiainana fohy nivelomany teto an-tany dia hiaritra fampijaliana izy ireo raha mbola velona koa Andriamanitra. Io fampianaram-pinoana io anefa dia nampianarina hatraiza hatraiza ary mbola tafiditra ao amin’ ny fanekem-pinoana kristiana maro. Hoy ny manam-pahaizana ngezalahy iray momba ny teolojia : «Hampitombo ny fahasambaran’ ny olomasina mandrakizay ny fahitana ny fampijaliana ao amin’ ny helo. Rehefa hitan’ izy ireo ny hafa izay tahaka azy ihany sy nateraka teo amin’ ny toe-javatra mitovy tamin’ ny niterahana azy ihany, kanefa latsaka lalina ao anaty fahoriana toy izany, fa izy kosa omem-boninahitra, dia mainka hahatsiaro sambatsambatra ery izy». Ary hoy koa ity anankiray : «Raha mbola mihatra mandrakizay amin’ ireo fanaky ny fahatezerana ny didy fanamelohana, ny setroky ny fijaliany kosa dia hiakatra mandrakizay mandrakizay eo imason’ ireo fanaky ny famindrampo, izay tsy mba manana anjara amin’ izay manjo an’ ireo olona fadiranovana ireo, fa kosa hiteny hoe : Amen, haleloia! derao ny Tompo !»HM 557.1

    Aiza, ao amin’ ireo takilan’ ny tenin’ Andriamanitra, no ahitana ny fampianarana toy izany ? Moa ve ho foana tsy hisy intsony ao amin’ ireo voavonjy any an-danitra ny fo antra sy feno fangorahana, eny, fa na dia ny fihetseham-po maha-olombelona fotsiny aza ? Moa ve hatakaiozana ny tsy firaharahana ny fanaintainana izany, na ny fahasiahan’ ny olon-dia ? Tsia, sanatria ; tsy izany no fampianaran’ ny Bokin’ Andriamanitra. Ireo izay mampiseho ny fomba fijery voalazan’ ny teny etsy aloha dia mety ho olona ambony fahalalana na tso-po koa aza, saingy voafitaky ny fampianaran-dison’ i Satana izy. Tarihiny izy ireo handika vilana ireo teny mahery vaika ao amin’ Soratra Masina, ka haroany ngidy sy haratsiana mifanaraka amin’ ny toetrany fa tsy amin’ ny an’ ny Mpahary antsika ireo fitenenana ireo. «Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ ny ratsy fanahy amin’ ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin’ ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo ?»9Ezek. 13: 33 HM 557.2

    Inona no tombon-tsoa ho an’ Andriamanitra raha ekentsika fa finaritra eo am-pijerena ny fampijaliana tsy misy farany Izy ; fà ravoravo Izy eo am-pandrenesana ny toloko sy ny kiakiaka ary ny fitenenan-dratsy ataon’ ireo olona mijaly hazoniny ao amin’ ny lelafon’ ny helo ? Mety ho mozika eo an-tsofin’ Ilay Fitiavana Mandrakizay ve ireny feo mahatsiravina ireny ? Antitranterina fa mampiseho ny fankahalan’ Andriamanitra ny fahotana izay zavatra ratsy manimba ny fiadanana sy filaminana eto amin’ izao rehetra izao ny fampiharany fampijaliana tsy misy fiafarana amin’ ny ratsy fanahy. Fitenenan-dratsy mahatahotra loatra atao amin’ Andriamanitra izany ! Toy ny milaza fa ny fankahalan’ Andriamanitra ny fahotana no antony hampaharetany azy ho mandrakizay. Satria, araka ny fampianaran’ ireo teolojiana ireo, ny fampijaliana tsy ankiato ary tsy misy fanantenana famindrampo dia mampisafoaka ireo olona ratsy fanahy tratran’ izany, ka rehefa mandraraka ny haromotany amin’ ny teny fanozonana sy fitenenan-dratsy an’ Andriamanitra izy, dia mampitombo hatrany hatrany mandritra ny mandrakizay ny vesatry ny helony. Tsy mampisandratra ny voninahitr’ Andriamanitra ny fampaharetana fahotana mitombo hatrany toy izany mandritra ny andro tsy manam-pahataperana.HM 558.1

    Tsy tratry ny herin’ ny sain’ olombelona ny maminavina ny ratsy vokatry ny fampianaran-diso ny amin’ ny fampijaliana mandrakizay. Ny fivavahan’ ny Baiboly, izay feno fitiavana sy hatsarampanahy, ary manan-karena famindrampo, dia hamaizinina amin’ ny finoanoam-poana sy tafina horohoro. Rehefa mandinika ny endrika diso nanoritan’ i Satana ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra isika, dia moa ho gaga ve raha atahorana, angovitana, eny, ankahalaina aza ny Mpahary antsika be famindrampo ? Ireo sary mahatsiravina anehoana an’ Andriamanitra izay miely patrana eran-tany noho ny fampianarana avy eny ambony polipitra, dia nahatonga olona an’ arivony, eny, an-tapitrisany aza, tsy afaka hino an’ Andria-manitra intsony sy ho mpandà Azy.HM 558.2

    Ny laha-kevitra momba ny fampijaliana mandrakizay dia anankiray amin’ ny fampianaran-diso voaharoharo ao amin’ ny divain’ ny fijangajangan’ i Babylona, izay ampisotroiny ny firenena rehetra.10Apok. 14: 8; 17: 2 Tena zava-miafina marina ny nahatonga ireo irak’ i Kristy hanaiky io fampianaran-diso io ary hitory izany avy eny amin’ ny polipitra masina. Noraisiny avy tamin’ i Roma izany, tahaka ny nandraisany ny sabata sandoka. Marina, fa nisy olona ambony sy tsara nampianatra izany ; nefa tsy tonga taminy tahaka ny nahatongavany tamintsika ny fahazavana mikasika an’ izany. Ny fahazavana izay namiratra tamin’ ny androny ihany no ananany andraikitra ; isika kosa dia hampamoahina ny amin’ izay mamirapiratra amin’ izao androntsika izao. Raha miala amin’ ny fanambaran’ ny tenin’ Andriamanitra isika, ka manaiky fampianaran-diso satria nampianarin’ ny razantsika izany, dia ho tratry ny fanamelohana an’ i Babylona isika ; misotro amin’ ny divain’ ny fijangajangany isika.HM 559.1

    Misy antokon’ olona maro izay mikomy amin’ ny fampianarana momba ny fampijaliana mandrakizay ka voatarika ho amin’ ny hevidiso mifanohitra amin’ izany. Hitany fa asehon’ ny Soratra Masina ho be fitiavana sy mangora-po Andriamanitra ka tsy azony inoana fa handefa ny olona nohariany ao amin’ ny afon’ ny helo mirehitra mandrakizay Izy. Tazonin’ izy ireo anefa ny toetra tsy mety maty rahateo ananan’ ny fanahy, ka dia tsy azony ihodivirany ny fehinkevitra milaza fa ho voavonjy ny olombelona rehetra amin’ ny farany. Betsaka no mihevitra fa ireo fandrahonana ao amin’ ny Baiboly dia natao mba ho fampitahorana ny olona fotsiny mba hahatonga azy hankatò, fa tsy ho tanteraka ara-bakiteny tsy akory. Noho izany dia azon’ ny mpanota atao ny mivelona amin’ ny fahafinaretana feno fitiavan-tena, tsy hiraharaha izay fitakian’ Andriamanitra, nefa dia hanantena ny hahazo ny fankasitrahany amin’ ny farany. Ny fampianarana toy izany, izay mitompo teny fantatra ny amin’ ny famindrampon’ Andriamanitra, nefa minia tsy hahalala ny fahamarinany, dia mahafaly ny fo ara-nofo ka mahatonga ny ratsy fanahy ho sahisahy amin’ ny ratsy ataony.HM 559.2

    Ny teny ambaran’ ireo izay mino ny famonjena ny olon-drehetra ihany dia ampy hanehoana ny fomba hanolanany ny Soratra Masina, mba hanohanany izany hevitra mampidi-doza izany. Tamin’ ny fandevenana tanora tsy mivavaka iray izay maty tsy tra-drano vokatry ny loza, dia nifidy toko sy andininy tao amin’ ny Soratra Masina mikasika an’ i Davida ny mpitandrina tao amin’ io antoko io (Oniversalista, mihevitra fa ho voavonjy avokoa ny olombelona rehetra) manao hoe : «fa nionona izy noho ny amin’ i Amnona, satria efa maty izy » 112 Sam. 13: 39.HM 559.3

    «Mazàna aho no nanontaniana», hoy ny mpandahatra, «izay ho anjaran’ ireo izay nandao an’ izao tontolo izao teo amim-panotana, ka maty teo am-pahamamoana angamba, na maty raha mbola mihosindra noho ny heloka be vava nataony ny fitafiany, na maty tahaka ny nahafatesan’ ity tovolahy ity, izay tsy mbola nisora-tena na oviana na oviana ho mpivavaka, na efa nanao fanandramana kely akory momba izany. Mahafa-po antsika ny Soratra Masina ; ny valin-teny omeny no hamaha io olana mahatahotra io. Mpanota hiringiriny Amnona ; tsy nibebaka izy fa natao izay hahamamo azy, ary raha mamo izy dia nisy namono. Mpaminanin’ Andriamanitra i Davida; tsy maintsy fantany izay ratsy na tsara ho an’ i Amnona any ankoatra. Nanao ahoana ny fihetseham-pony ? «Ary Davida mpanjaka naniry hivoaka hankany amin’ i Absaloma ; fa nionona izy noho ny amin’i Amnona, satria efa maty izy» 12and. 39.HM 560.1

    Inona no fehin-kevitra tokony hotsoahina avy amin’ izany fomba fiteny izany ? Moa ve tsy ny hoe tsy anisan’ ny zavatra ninoany izany fijaliana tsy misy farany izany ? Toy izany no fihevitray ; aiy eto dia misy fonjan-kevitra miezinezina hitantsika manohana ilay vinavinan-kevitra mahafinaritra lavitra, mampahazava be lavitra, mitory fiantrana be lavitra dia ny amin’ ny fahadiovana sy ny fiadanana ho an’ ny rehetra any am-parany. Nionona izy, raha nahita fa efa maty ny zanany. Ary nahoana ? Satria ny masony maha-mpaminany azy dia nahazoany nitazana mialoha ny ho avy be voninahitra ka nahita io zanany io nafahana lavitry ny fakam-panahy rehetra, novotsorana tamin’ ny fanandevozana aiy nodiovina ho afaka amin’ ny fahalotoan’ ny fahotana, ary rehefa natao ho ampy ny fanamasinana sy fanazavana azy, dia noraisina ho anisan’ ireo fanahy nasandratra sy ravoravo. Ny hany fiononana ho azy, dia rehefa nalana tamin’ ny toe-pahotana sy ny fahoriana ankehitriny ny zanany malala, dia efa lasa any amin’ ny toerana izay hitosahan’ ny fofonaina mahavelona indrindra avy amin’ ny Fanahy Masina ny fanahiny voasaronkaizina, toerana izay hivelaran’ ny sainy ho amin’ ny fahendren’ ny lanitra sy amin’ ny firavoravoana mahatretriky ny fitiavana mandrakizay, ary amin’ izany dia voaomana izy, rehefa nohamasinina, hiriaria eo anivon’ ny fiadanan’ ny mpandova ny lanitra sy hiara-monina amin’ izy ireo.HM 560.2

    «Ireo eritreritra ireo dia tokony hampino antsika fa tsy miankina mihitsy amin’ izay ataontsika amin’ ity fiainana ity ny famonjen’ ny lanitra ; tsy miankina koa amin’ ny fiovam-po ankehitriny, na amin’ izay inoantsika ankehitriny, na amin’ ny maha-mpivavaka antsika ankehitriny».HM 561.1

    Amin’ izany no amerenan’ ity mitonona ho irak’ i Kristy ny lainga nolazain’ ny menarana tany Edena hoe : «Tsy ho faty tsy akory ianareo». «Amin’ izay andro ihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’ Andriamanitra ianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy». Nambarany fa ny mpanota faran’ izay ratsy indrindra — ny mpamono olona, ny mpangalatra sy ny mpijangajanga dia ho voaomana hiditra ao amin’ ny fahasambarana mandrakizay aorian’ ny fahafatesana.HM 561.2

    Ary avy taiza no nanatsoahan’ ity mpamilivily ny Soratra Masina ity ny fehin-keviny ? Andininy tokana milaza ny fileferan’ i Davida tamin’ ny fitondran’ Andriamanitra. «Naniry hivoaka ho any amin’ i Absaloma (izy) : fa nionona izy noho ny amin’ i Amnona satria efa maty izy». Efa nohalefahin’ ny fotoana ny alahelony mafy, koa dia nifindra niala tamin’ ny zanany efa maty ny eritreriny, ho amin’ ny zanany velona izay nanao sesi-tany ny tenany noho ny fahatahorany ny famaizana ara-drariny ho valin’ ny heloka bevava vitany. Koa dia izany ve no porofo mazava fa ilay Amnona nandry tamin’ ny olom-pady, mamon-divay, dia nentina avy hatrany nankany amin’ ny toeram-pahasambarana rehefa maty, mba ho diovina any sy homanina hiara-mitoetra amin’ ny anjely tsy nanota ! Tena angano mahafinaritra tokoa, mifanentana indrindra amin’ izay hamalifaly ny fo araka ny nofo ! Tena fampianaran’ i Satana hirihiriny izay tena ahombiazany eo amin’ ny asany. Ka moa ho gaga ve isika, raha manorobona ny faharatsiana amin’ ny fampianarana toy izany ?HM 561.3

    Ny fihetsik’ ity mpampianatra sandoka iray ity dia mampiseho ny ataon’ ny maro hafa koa. Misy teny vitsy ao amin’ ny Soratra Masina sarahina amin’ ny teny eo aloha sy aoriany, ka matetika ny fanazavana azy dia mifanohitra tanteraka amin’ ny tena dikany ; ary ny toko sy andininy nesoriny tamin’ ny toerany toy izany no aolana hoenti-manaporofo fampianarana izay tsy mifototra velively amin’ ny tenin’ Andriamanitra. Ny fanambarana noraisina hanaporofoana fa any an-danitra i Amnona mpidoroka dia nanatsoahankevitra fotsiny izay mifanohitra mivantana amin’ ny filazan’ ny Soratra Masina mazava sy hentitra fa tsy misy mpimamo handova fanjakan’ Andriamanitra.131 Kor. 6: 10 Amin’ ny fomba toy izany no anodinan’ ny mpihambahamba, ny tsy mino sy ireo fatra-pisalasala ny fahamarinana ho lainga. Koa dia marobe no voafitaky ny fampianarandisony ka voarotsirotsy ho sondrian-tory eo ambony farafaran’ ny fahatokiana ara-nofo.HM 561.4

    Raha marina fa mandeha mivantana ho any an-danitra ny fanahin’ ny olona rehetra amin’ ny ora ahafatesany, dia aleontsika mitsiriritra ny fahafatesana toy izay ny fiainana. Maro no voataonan’ ity fironana ity hanapitra ny androny. Rehefa manafotra ny adin-tsaina, ny tebiteby sy ny hadisoam-panantenana, dia toa mora foana ny manapaka ny tady marefon’ ny aina ka handeha hiakatra ho any amin’ ny fahasambaran’ ilay toerana maharitra mandrakizay.HM 562.1

    Nomen’ Andriamanitra ao amin’ ny teniny ny porofo azo antoka fa vonon-kanafay ny mpandika ny lalàny Izy. Ireo izay mamita-tena amin’ ny fiheverana fa be famindrampo loatra Izy ka tsy hampihatra ny didim-pitsarany amin’ ny mpanota, dia ampy azy ny hijery ny hazo fijalian’ i Kalvary. Ny nahafatesan’ ny Zanak’ Andriamanitra tsy misy pentina dia vavolombelona fa «fahafatesana no tambin’ ny ota», fa tsy maintsy voavaly ara-drariny avokoa ny fandikana rehetra ny didin’ Andriamanitra. Kristy Ilay tsy nanana ota dia natao ota ho an’ ny olona. Nizaka ny heloky ny fandikan-dalàna Izy, sy niaritra ny nanafenan’ ny Rainy ny tavany taminy, mandrapahavakin’ ny fony sy nahafaka ny ainy. Izany sorona rehetra izany no natao dia ny mba ahazoana manavotra ny mpanota. Tsy nisy fomba hafa ahazoa-manafaka ny olona amin’ ny fanamelohan’ ny fahotana. Koa ny fanahy rehetra izay mandà tsy hanana anjara amin’ ny fanavotana nomanina tamin’ ny fomba sarobidy toy izany dia tsy maintsy mizaka ho azy samirery ny heloky ny fandikandalàna sy ny sazin’ izany.HM 562.2

    Aoka hodinihintsika izay ambaran’ ny Baiboly ankoatr’ izay mikasika ireo olona tsy manana an’ Andriamanitra sady tsy mety mibebaka izay apetraky ry zareo mampianatra fa ho voavonjy avokoa ny olon-drehetra any an-danitra miaraka amin’ ny anjely masina sy sambatra.HM 562.3

    «Izaho hanome maimaimpoana amin’ ny loharanon’ ny ranon’ aina ho an’ izay mangetaheta» 14Apok. 21: 16 Ho an’ izay mangetaheta ihany io teny fikasana io. Tsy misy afa-tsy izay mahatsapa fa mila ny ranon’ aina ka vonon-kiaritra ny fatiantoka, ny zavatra rehetra mba hikatsa- hany izany, no homena. «Izay maharesy no handova izany zavatra izany ; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako» 15and. 7 . Eto koa dia misy fepetra voasoritra. Mba handovana izany zavatra izany, dia tsy maintsy manohitra ny fahotana sy maharesy azy isika.HM 562.4

    Hoy ny Tompo amin’ ny alalan’ ny mpaminany Isaia : «Lazaonareo ny amin’ ny marina fa hahita soa izy». «Lozan’ ny ratsy fanahy! hiharan’ ny ratsy izy, satria valin’ ny nataon’ ny tanany ihany no hanody azy»16Isa. 10 : 11 . Eny, fa na dia nanao ratsy injato aza ny mpanota, hoy ny lehilahy hendry, «ka ela velona ihany, dia fantatro kosa fa hisy soa ho an’ izay matahotra an’ Andriamanitra eo anatrehany. Fa tsy hisy soa ho an’ ny ratsy fanahy»17Mpit. T. 8 : 12, 13 . Ary i Paoly dia milaza marina fa ny mpanota dia mirakitra ho an’ ny tenany«fahatezerana ho amin’ ny andro fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin’ Andriamanitra, Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy» ; «eny. fahoriana sy fahantrana ho an’ ny fanahin’ ny olona rehetra izay manao ratsy» 18Rom. 2 : 5 , 6, 9.HM 563.1

    «Samy tsy manana lova eo amin’ ny fanjakan’ i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny mpanompo sampy» 19Efes. 5 : 8. «Miezaha mitady fihavanana amin’ ny olona rehetra ary fahamasinana, fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo»20Heb. 12 : 14. «Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin’ ny hazon’ aina sy hidirany amin’ ny vavahady ho ao an-tanàna. Fa any iveiany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga» 21Apok. 22: 14, 15.HM 563.2

    Efa nomen’ Andriamanitra ny olona ny fanambarana momba ny toetrany sy ny fihetsiny amin’ ny fahotana : «Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana, mitahiry famindrampo ho an’ ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka»22Eks. 34: 6, 7. «Ny ratsy fanahy rehetra haringana avokoa ; ny hiafaran’ ny ratsy fanahy ho fongotra» 23Sal. 145: 20; 37: 38. Hampiasaina hanapotika ny fikomiana ny hery sy ny fahefan’ ny fitondrampanjakan’ Andriamanitra ; nefa ny fisehoan’ ny fahamarinana izay amaliana ny heloka dia hifanaraka tanteraka amin’ ny toetran’ Andriamanitra, dia ny maha-feno famindrampo sy fahari-po ary fiantrana Azy.HM 563.3

    Tsy manery ny sitrapo na ny hevitr’ iza na iza Andriamanitra. Tsy mahita fifaliana amin’ ny fankatoavana toy ny an’ ny andevo Izy. Ny iriny dia ny hitiavan’ ireo nohariny Azy satria mendrika ny ho tiavina Izy. Tiany ny hankatoavan’ izy ireo Azy satria tsapan’ ny sainy ny fahendreny, ny fahamarinany sy ny fiantrany. Ary izay rehetra manana fahalalana marina ny amin’ ireo fahatsarana ireo dia ho tia Azy satria voasarika ho eo Aminy noho ny fahitany ny hasoan’ izany toetrany izany.HM 564.1

    Ireo foto-kevitry ny fahalemem-panahy, ny famindrampo sy ny fitiavana niainan’ ny Mpamonjintsika, dia ny fanehoana ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny toetrany. Nambaran’ i Kristy fa tsy nampianatra na inona na inona Izy afa-tsy izay efa noraisiny tamin’ ny Rainy. Mifandrindra tanteraka amin’ ny fitsipika nomen’ ny Mpamonjy hoe : «Tiava ny fahavalonareo», ireo fanorenan’ ny fanjakan’ Andriamanitra. Mba hahasoa izao rehetra izao, eny, hahasoa ireo izay hianjadian’ ny fitsarany aza dia ampihariny amin ‘ ny ratsy fanahy ny fitsarany. Ho nataony izay hahasambatra azy ireo raha azony ampifanarahana amin’ ny lalàn’ ny fitondram-panjakany sy ny fahamarinan’ ny toetrany izany. Hodidininy amin’ ny antoky ny fitiavany izy ireo. omeny azy ny fahalalana ny lalàny, ary zohiny amin’ ny famindrampo atolony azy izy ; nefa hamavoin’ izy ireo ny fitiavany, ataony tsinontsinona ny lalàny, ary tsipahiny ny famindrampony. Mandray mandrakariva ny fanomezany izy ireo, nefa manala-baraka ny Mpanome ; mankahala an’ Andriamanitra izy satria fantany fa maharikoriko Azy ny fahotany. Mahari-po amin’ ny faharatsiany Jehovah ; amin’ ny farany anefa dia hipaika ny ora famaliana, izay hanapahana izay ho anjarany. Moa ve amin’ izay fotoana izay hamatotra ireo mpiodina ireo hiandany aminy Izy ? Moa ve hanery azy hanao ny sitrapony Izy ?HM 564.2

    Izay nifidy an’ i Satana ho mpitarika azy ka nofehezin’ ny heriny dia tsy vonona hiditra eo anatrehan’ Andriamanitra. Ny avonavona, ny fitaka, ny fahavetavetana, ny halozana, dia nanjary toetra raikitra aminy. Moa ve afaka hiditra any an-danitra izy ka hiaramitoetra mandrakizay amin’ ireo nohamavoiny sy nankahalainy tety an-tany ? Tsy hahafinaritra ny mpandainga na oviana na oviana ny fahamarinana ; tsy hahafa-po na oviana na oviana ny mihevi-tena ho zavatra sy ny mpiavonavona ny fahalemem-panahy ; tsy azon’ ny maloto ekena ny fahadiovana ; tsy manintona ny tia tena ny fitiavana mihevitra ny hafa. Inona no loharanorm-pahafinaretana azon’ ny lanitra atolotra ireo izay variana tanteraka amin’ ny tombon-tsoa feno fitiavan-tena eto an-tany ?HM 564.3

    Andeha ho lazaina fa azo atao ny mamindra tampoka any andanitra ireo izay nandany ny fiainany tamin’ ny fikomiana tamin’ Andriamanitra ka hahita ny fahatanterahana ambony sy masina maharitra ao mandrakizay. Hifanerasera amin’ ireo fanahy rehetra ao miaina amin’ ny fitiavana izy, ka ny endrika rehetra mitaratra ny hafaliana ; handre ny feon-kira sy mozika mandrotsirotsy asandratra ho fanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra sy ny Zanak’ ondry amin’ ny feon-kira milanto ; hahita ny onim-pahazavana mikoriana tsy an-kijanona eo amin’ ny voavotra avy eo amin’ ny tavan’ Ilay mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianana. Mipetraka ny fanontaniana : Moa ve azon’ ireo izay manana fo feno fankahalana an’ Andriamanitra sy ny fahamarinana ary ny fahamasinana atao ny hifangaro amin’ ireo vahoakan’ ny lanitra ka hiara-mihira hira fiderana aminy ? Ho tantiny ve ny voninahitr’ Andriamanitra sy ny an’ ny Zanak’ Ondry ? Tsia, tsia ; nomena taom-pahasoavana maro izy mba hamolavolany toetra mendrika ny lanitra ; nefa tsy nanazatra ny sainy mihitsy ho tia ny fahadiovam-po izy ; tsy nianatra na oviana na oviana ny fomba fitenin’ ny lanitra, ary ankehitriny dia efa diso aoriana loatra. Nahatonga azy tsy ho afaka honina any an-danitra ny fiainana nikomiany tamin’ Andriamanitra. Ho fampahoriana ho azy ireo ny fahadiovan’ ny any sy ny fahamasinany ary ny fiadanany ;ho afo mandevona azy ny voninahitr’ Andriamanitra. Haniry mafy ny handositra io toerana masina io izy. Horaisiny amim-pifaliana ny fandringanana, mba hiafenany amin’ ny tavan’ Ilay maty hanavotra azy. Ny safidin’ ny ratsy fanahy ihany no nametra izay ho anjarany. Mifanaraka amin’ ny sitrapony ny fandavana tsy hidirany any an-danitra, ary fanehoana ny fahamarinana sy ny famindrampon’ Andriamanitra.HM 565.1

    Tahaka ny ranobe tamin’ ny Safo-drano, ny afo amin’ ilay andro lehibe dia manambara ny didim-pitsaran’ Andriamanitra fa tsy azo sitranina ny ratsy fanahy. Tsy manana toe-tsaina hilefitra amin’ ny fahefan’ Andriamanitra izy. Nozariny hikomy ny sitrapony ary rehefa mby amin’ ny fiafaran’ ny fiainana, dia diso aoriana loatra ny hanodinana ny fizotry ny sainy ho amin’ ny lalàna mifanohitra amin’ izay nizorany, diso aoriana loatra ny hiala amin’ ny fandikandalàna ka hifindra ho amin’ ny fankatoavana, amin’ ny fankahalana ho amin’ ny fitiavana.HM 565.2

    Raha niaro ny ain’ i Kaina mpamono olona Andriamanitra, dia nanome ohatra ho an’ izao tontolo izao Izy ny amin’ ny ho vokatra famelana ny mpanota hanohy ny faharatsiany tsy misy lamboridy. Maro ny olona voataona hanota ho vokatry ny asa manginan’ ny fampianaran’ i Kaina sy ny ohatra nomeny, mandrapahatongan’ ny «faharatsiana ho be tambonin’ ny tany» ka izay fisainana rehetra avy amin’ ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro. «Ary simba ny tany teo anatrehan’ Andriamanitra sady henidoza»24Gen. 5: 11.HM 566.1

    Noho ny famindrampony tamin’ izao tontolo izao, dia nofongoran’ Andriamanitra ireo ratsy fanahy teto an-tany tamin’ ny andron’ i Noa. Noho ny famindrampony dia naringany ireo olo-maloto fiaina nipetraka tao Sodoma. Ny hery hampiasain’ i Satana no ahazoan’ ny mpanao ratsy fankasitrahana sy fiderana ary amin’ izany fomba izany dia itaomany tsy an-kijanona ny hafa hikomy. Toy izany tamin’ ny andron’ i Kaina sy tamin’ andron’ i Noa, ary tamin’ ny andron’ i Abrahama sy Lota ; toy izany koa amin’ izao androntsika izao. Noho ny famindrampon’ Andriamanitra ho an’ izao rehetra izao no handringanan’ Andriamanitra amin’ ny farany ireo izay nandà ny fahasoavany.HM 566.2

    «Fa fahafatesana no tambin’ ny ota ; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra ao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika» 25Rom. 6: 23. Raha lova ho an’ ny olo-marina ny fiainana, dia fahafatesana kosa no anjaran’ ny ratsy fanahy. Hoy i Mosesy tamin’ Isiraely : «Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza»26Deot. 30: 15. Ny fahafatesana voalaza ao amin’ ireo andininy ireo dia tsy ilay nolazaina an’ i Adama tsy akory, satria ny taranak’ olombelona rehetra dia samy mizaka ny sazin’ ny fandikany ny lalàna avokoa. Ny «fahafatesana faharoa» no setrin’ ny fiainana mandrakizay.HM 566.3

    Noho ny fahotana nataon’ i Adama, dia mihatra amin’ ny taranak’ olombelona rehetra ny fahafatesana. Samy midina ho any am-pasana avokoa izy rehetra. Ary noho izay efa voaomana mialoha eo amin’ ny drafitry ny fanavotana, dia samy havoaka avy ao ampasany avy izy rehetra. «Fa hisy fitsanganan’ ny marina sy ny meloka». «Fa tahaka ny ahafatesan’ ny olona rehetra ao amin’ i Adama no ahaveloman’ ny olona rehetra kosa ao amin’ i Kristy» 27Asa. 24 : 15 ; 1 Kor. 15 : 22 . Misy fahasamihafana anefa amin’ ireo antokon’ olona roa hatsangana ireo. «Avy ny andro izay handrenesan’ ny olona rehetra any ampasana ny feony ; dia hivoaka izy ; izay nanao ny tsara dia ho any amin’ ny fitsanganana ho fiainana ; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ ny fitsanganana ho fanamelohana» 28Jao. 5 : 28, 29 . Ireo izay natao ho mendrika ny fitsanganana ho amin’ ny fiainana dia «sambatra sy masina» ; «ireo izay tsy mba ananan’ ny fahafatesana faharoa fahefana» 29Apok. 20 : 6. Fa ireo izay tsy mba nanao ny famelana ny helony ho azo antoka kosa, tamin’ ny alalan’ ny fibebahana sy ny finoana, dia tsy maintsy mandray ny sazin’ ny fandikan-dalàna — «fa fahafatesana no tambin’ ny ota» Mizaka famaizana tsy mitovy halavana sy hamafy izy ireo, «araka ny asany avy», nefa hifarana amin’ ny fahafatesana faharoa izany. Satria tsy azon’ Andriaamanitra atao ny mamonjy ny mpanota ao amin’ ny fahotany, izay zavatra mifanohitra amin’ ny fahamarinany sy ny famindrampony, dia esoriny aminy ny fiainana izay simban’ ny fandikan-dalàna nataony satria nasehony fa tsy mendrika izany izy. Hoy ny mpanoratra iray nahazo tsindrimandry avy tamin’ Andriamanitra : «Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy ; handinika ny fonenany ianao, fa tsy ho hita izy». Ary hoy koa ny hafa : «Ary ho toy ny tsy ary izy» 30Sal. 37 : 10 ; Ohab.. Safotry ny henatra izy ka hatelin’ ny fanadinoana tsy misy fanafana mandrakizay.HM 567.1

    Amin’ izany fomba izany no hamaranana ny fahotana sy ny fahoriana ary ny fahasimbana rehetra vokatr’ izany. Hoy ny mpanao Salamo : «Efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria. Ry fahavalo, tanteraka ho mandrakizay ny fandravana» 31Sal. 9 : 5, 6. Raha nibanjina ny ho toetry ny mandrakizay i Jaona ao amin’ ny Apokalypsy, dia nandre antema fiderana ataon’ izao rehetra izao izy izay tsy nisy na dia feo iray aza naningana. Ny voaary rehetra, na ny any an-danitra na ny etý an-tany, dia samy re mankalaza ny voninahitr’ Andriamanitra. Apokalypsy 5:13. Amin izany dia hisy fanahy ho very hiteny ratsy an’ Andriamanitra raha miolanolana ao amin’ ny fampijaliana tsy misy farany izy ; tsy hisy olom-boaozona ao amin’ ny helo hampifangaro ny kiakiakany amin’ ny hiran’ ny voavonjy.HM 567.2

    Ny hevi-diso fototra momba ny tsy fahafatesan’ ny fanahy no iorenan’ ny fampianarana milaza fa manana fahatsiarovana ny maty — fampianarana izay, tahaka ny fampijaliana mandrakizay, mifanohitra amin’ ny ampianaran’ ny Soratra Masina, amin’ ny fanambaran’ ny saina mandanjalanja, sy amin’ izay tsapantsika momba ny mahaolombelona. Araka ny finoan’ ny besinimaro, ireo voavotra any andanitra dia mahafantatra izay rehetra miseho eto an-tany, ary indrindra ny momba ny fiainan’ ireo sakaiza izay nilaozany. Nefa ahoana moa no hahasambatra ny maty raha mahafantatra ny zavatsarotra manjo ny velona izy, raha manatri-maso ny fahotana ataon’ ny olon-tiany, raha mahita azy ireo miaritra izao fahoriana rehetra izao, ny fahadisoam-panantenana, sy ny tebitebin-tsaina rehetra eo amin’ ny fiainana? Fahasambaran’ ny lanitra manao ahoana no ho voatsapan’ ireo izay mihalohalo eny ambonin’ ireo sakaizany eto ambonin’ ny tany ? Ary tena mampikomy tsotra izao ny finoana fa raha vantany vao miala ny fofon’ ain’ ny ratsy fanahy dia mankany amin’ ny lelafon’ ny helo ny fanahiny ! Toy inona ny faharariampanahy tokony hihatra amin’ ireo izay mahita ny sakaizany tsy vonona lasa any am-pasana, ka hiditra ao amin’ ny fahoriana sy ny fahotana mandrakizay ! Maro no lasa adala noho io eritreritra mampahory saina loatra io.HM 568.1

    Inona no lazain’ ny Soratra Masina ny amin’ ireny zavatra ireny? Ambaran’ i Davida fa tsy manana fahatsiarovana ny olona ao amin’ ny fahafatesana. «Miala ny fofon’ ainy, ka miverina ho amin’ ny taniny izy, ary amin’ izay indrindra no hahafoanan’ ny fikasany»32. Solomona dia nanao fanambarana toy izany koa: «Fa fantatry ny velona fa ho faty izy ; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona», «na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin’ izay atao atý ambanin’ ny masoandro izy», «tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ ny fiainan-tsihita izay alehanao» 33Mpit. T. 9 : 5, 6, 10.HM 568.2

    Rehefa nalavaina dimy ambinifolo taona ny fiainan’ i Hezekia, ho valin’ ny fivavahany, dia nanao teny fiderana an’ Andriamanitra ilay mpanjaka feno fankasitrahana noho ny famindrampo lehibe nasehony taminy. Lazainy ao amin’ ity tononkalo ity ny anton’ ny fifaliany : «Fa ny fiairian-tsi-hita tsy mba mahasaotra Anao ; fa izay midina any an-davaka dia tsy mahazo manantena ny fahamarinanao. Ny velona dia ny velona ihany no hidera anao, tahaka izao anio izao»34Isa. 38 : 18 , 19 . Ny teolojia maro mpanaraka dia mampiseho ny olomarina maty efa any an-danitra, taflditra ao amin’ ny fahasambarana ary midera ho mandrakizay an’ Andriamanitra ; fa Hezekia kosa dia tsy nahita izany voninahitra izany ho azo antenaina eo amin’ ny fahafatesana. Mifanaraka amin’ ny teniny ny fanambarana nataon’ ny mpanao Salamo hoe : «Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin’ ny fahafatesana, any amin’ ny fiainan-tsi-hita, iza no hidera Anao?» «Ny maty tsy mba hidera an’ i Jehovah, na izay midina any amin’ ny mangingina»35Sal. 6 : 5 ; 115 : 17.HM 568.3

    Tamin’ ny andro Pentekosta dia nilaza i Petera ny amin’ i Davida patriarka, «fa efa maty izy ka nalevina koa, ary ny fasany eto amintsika mandraka androany». «Fa tsy Davida no niakatra tany andanitra»36Asa. 2: 29,34. Ny fijanonan’ i Davida ao am-pasana mandra-pahatongan’ ny fitsanganana amin’ ny maty dia manaporofo fa tsy mankany an-danitra ny olo-marina rehefa maty. Tsy misy afa-tsy amin’ ny alalan’ ny fitsanganana amin’ ny maty ihany, ary noho ny nitsanganan’ i Kristy, no hahazoan’ i Davida hipetraka eo an-kavanan’ Andriamanitra amin’ ny farany.HM 569.1

    Hoy koa i Paoly : «Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana ; ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo ; ary mbola ao amin’ ny fahotanareo ihany ianareo, ary very koa izay efa nody mandry ao amin’ i Kristy»371kor. 15: 16-18. Raha nandritra ny efatra arivo taona no efa nandeha mivantana ho any an-danitra ny tsara fanahy rehefa maty, dia ahoana no ahazoan’ i Paoly milaza fa raha tsy misy fitsanganana amin’ ny maty, dia «very koa izay efa nodimandry ao amin’ i Kristy ?» Tsy tokony hisy ilàna ny fitsanganana amin’ ny maty.HM 569.2

    Hoy i Tyndale maritiora, raha nilaza ny momba ny toetry ny maty izy : «Miaiky ampahibemaso aho, fa tsy resy lahatry ny hoe efa heniky ny voninahitra sahady misy an’ i Kristy izy ireo, na izay misy an’ ireo anjely voafidin’ Andriamanitra. Tsy anisan’ ny zavatra inoako koa izany ; fa raha izany, dia hita fa zava-poana ny fitoriana ny fitsanganan’ ny tena amin’ ny maty». — William Tyndale, Fitarihan-kevitra momba ny Testamenta Vaovao (natonta tamin’ ny taona 1534). Natonta indray tao amin’ nyBritish Reformers Tindal, Frith, Barnes, p. 349.HM 569.3

    Tsy azo lavina fa mitarika ho amin’ ny fanaovana an-tsirambina hatraiza hatraiza ny fampianaran’ ny Baiboly momba ny fitsanganana amin’ ny maty ny fanantenana fahasambarana mandrakizay amin’ ny fotoana ahafatesana. Nomarihin’ i Adam Clarke, teolojiana, io fironana io, ka hoy izy hoe : «Nataon’ ireo Kristiana voalohany ho nisy lanjany kokoa roho ny ankehitriny ny foto-pinoana momba ny fitsanganana amin» ny maty! Nahoana ary ? Nanizingizina mandrakariva ny amin’ izany ireo apostoly, ary namporisika ireo mpanaraka an’ Andriamanitra hazoto, hankatò sy ho faly noho izany. Fa ireo mpandimby azy ankehitriny kosa dia mahalana vao miteny ny amin’ izany ! Izay notorin’ ny apostoly no ninoan’ ireo Kristiana vaolohany; izay torintsika, no inoan’ ny mpihaino antsika. Tsy misy fampianarana ao amin’ ny filazantsara izay antitranterina toy io ; ary tsy misy fampianarana amin’ ny rafi-pitoriana ankehitriny izay atao antsirambina toy io !» —Commentary, fanamarihana mikasika ny 1 Korintiana 1 5, fizarana faha 3.HM 570.1

    Nitohy izany mandra-pahatongan’ ny fahamarinana be voninahitra momba ny fitsanganana amin’ ny maty ho saika voasaron-kaizina tanteraka sy tsy ho tazan’ ny Kristiana amin’ ny ankapobeny intsony. Araka izany no nanaovan’ ity mpanoratra ara-pivavahana lohandohany izao hevi-teny manaraka izao ny amin’ ny tenin’ i Paoly ao amin’ ny 1 Tesaloniana 4 : 13-18 :«Rahany amin’ ny fiononana tena ilaintsika, ny fampianarana ny amin’ ny tsy fahafatesana mahasambatra ananan’ ny olo-marina no nisolo toerana ny fampianarana rehetra mampisalasala ny amin’ ny fiavian’ ny Tompo fanindroany. Tonga amintsika ny Tompo amin’ ny ahafatesantsika, izany no andrasantsika sy antenaintsika. Efa tafiditra sahady ao amin’ ny voninahitra ny maty. Tsy miandry ny trompetra izy vao handalo ny fitsarana azy sy horaisina ho any amin’ ny fahasambarany».HM 570.2

    Nefa rehefa handao ny mpianany i Jesosy dia tsy nilaza taminy izy fa vetivety dia ho any Aminy izy ireo. «Handeha hanamboatra fitoerana ho anareo Aho», hoy Izy. «Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko» 38Jao. 14: 2, 9. Nolazain’ i Paoly taty aoriana fa «ny tenan’ ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ ny fiantsoana sy ny feon’ ny arikanjely ary ny trompetran’ Andriamanitra, ka izay maty ao amin’ i Kristy no hitsangana aloha ; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka Aminy ho eny amin’ ny rahon’ ny lanitra hitsena ny Tompo any amin’ ny habakabaka ; dia ho any amin’ ny Tompo mandrakariva isika», ary ampiany hoe : «Koa dia mifampionona ianareo amin’ izany teny izany» 391 Tes. 4: 16-18. Manao ahoana ny fahasamihafan’ ireo teny fampiononana ireo sy ny an’ ilay mpitandrina avy amin’ ny antokom-pinoana mihevitra fa ho voavonjy ny olon-drehetra voalazantsika etsy aloha! Nampionona ny havana aman-tsakaiza misaona izy tamin’ ny fanomezan-toky, fa na mpanota toy inona aza ilay maty, rehefa niala ny ainy teto dia noraisina ho eo amin’ ny anjely izy. I Paoly kosa nanondro ny fiverenan’ ny Tompo amin’ ny ho avy amin’ ny rahalahiny, rehefa ho tapaka ny fatoran’ ny fasana ; ka «hitsangana ho amin’ ny fiainana mandrakizay izay maty ao amin’ i Kristy».HM 570.3

    Alohan’ ny hidiran’ ny olona iray ao amin’ny fonenan’ ny sambatra, dia tsy maintsy fotopotorana ny aminy, ary tsy maintsy handalo eo anatrehan’ Andriamanitra ny toetra aman’ asany. Ny rehetra dia tsy maintsy hotsaraina araka izay voasoratra ao amin’ ny boky ary hovaliana araka ny asany. Tsy amin’ ny andro ahafatesany akory io fitsarana io. Mariho ny tenin’ i Paoly manao hoe : «Satria Izy efa nanendry andro iray izay hitsarany izao tontolo izao amin’ ny fahamarinana, amin’ ny alalan’ ny lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany izy tamin’ ny nananganany Azy tamin’ ny maty» 40Asa. 17: 31. Lazain’ ny apostoly mazava tsara eto fa misy fotoana manokana, amin’ ny ho avy, voatendry hitsarana an’ izao tontolo izao.HM 571.1

    Milaza ny amin’ io fotoana io koa i Joda : «Ary ny anjely izay tsy nitana ny fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin’ ny fatorana mandrakizay ao amin’ ny maizina ho amin’ ny andro fitsarana lehibe». Lazainy indray ny tenin’ i Enoka hoe : «Indro, tonga Jehovah mbamin’ ny masiny tsy omby alinalina hitsara ny olona rehetra» 41Joda 6, 14, 15. Jaona dia manambara fa «nahita ny maty, na ny lehibe na ny kely, mtsangana teo anoloan’ ny seza fiandrianana ; ary novelarina ny boky. . . ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra tao anatin’ ny boky» 42Apok. 20: 12.HM 571.2

    Fa raha efa miriaria amin’ ny fahasambaran’ ny lanitra ny maty na miolanolana ao amin’ ny lelafon’ ny helo, inona indray no ilana fitsarana? Tsy maizina ary tsy mifanohitra tsy akory ny fampianaran’ ny tenin’ Andriamanitra mikasika ireo zava-dehibe ireo ; mety ho azon’ ny olon-tsotra ireo. Fa inona kosa no fahendrena na faha- marinana mety ho hítan’ ny olona mazava saina sy tso-po ao amin’ ny fampianarana maro mpanaraka? Moa ve rehefa voahadihady eo am-pitsarana ny amin’ ny tsara fanahy, ka handray ny fiarahabana azy manao hoe : «Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky. . midira amin’ ny fifalian’ ny Tomponao», kanefa efa nitoetra teo anatrehany izy, angamba nandritra ny taona maro ela ? Ary ny ratsy fanahy indray kosa dia moa ve hantsoina avy any amin’ ny toerana fampijaliana azy mba handray didim-pitsarana avy amin’ Ilay Mpitsara ny tany rehetra hoe : «Miala amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin’ ny afo maharitra mandrakizay?» 43Mat. 25: 21, 41 Fanazimbazimbana sahisahy loatra izany ! Fanambaniana mahamenatra ny fahendrena sy ny fahamarinan’ Andriamanitra !HM 571.3

    Ny laha-kevitra momba ny tsy fahafatesan’ ny fanahy dia anisan’ ireo fampianaran-diso izay nindramin’ i Roma tamin’ ny fanompoan-tsampy, ka nampidiriny tamin’ ny fivavahana Kristiana Nosokajin’ i Martin Lotera izy io ho anisan’ ireo angano mahatsiravina izay anisan’ ny antontam-pakon’ i Roma» — E. Petavel, The Problem of Immortality, p. 255. Raha namakafaka ny amin’ ny tenin’ i Solomona ao amin’ ny Mpitoriteny ity Mpanavao fivavahana, izay milaza fa ny maty tsy mahalala na inona na inona, dia hoy izy : «Andininy iray koa io izay milaza fa tsy manana fahatsiarovana na inona na inona ny maty. Tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana. na fahendrena any, hoy izy. Noheverin’ i Solomona izany fa matory ny maty, ka tsy mahatsapa na inona na inona mihitsy. Satria mandry ao ny maty, tsy manisa na andro na taona, nefa rehefa hifoha izy dia ho tsapany fa zara raha natory iray minitra monja». — Martin Lotera,Exposition of Solomon’s Booke Called Ecclesiastes, p. 152.HM 572.1

    Tsy misy ahitana teny mihitsy ao amin’ ny Soratra Masina fa amin’ ny fahafatesana no andraisan’ ny tsara fanahy ny valisoany na ny ratsy fanahy ny famaizana azy. Tsy namela fanomezan-toky toy izany ny patriarka sy ny mpaminany. Tsy nanao teny indraim-bava akory ny amin’ izany i Kristy sy ny apostoliny. Ny Baiboly dia mampianatra mazava fa tsy mandeha avy hatrany any an-danitra ny maty. Aseho ao fa matory izy ireo mandra-pahatongan’ ny fitsanganana amin’ ny maty :1 Tesaloniana 4:14; Joba 14:10-12. Amin’ ny andro izay mampivaha ny kofehy volafotsy, ary mahavaky ny lovia volamena (Mpitoriteny 12:6) no mahalevona ny fisainan’ ny olona. Mangina tsy miteny ireo izay mandeha midina any am-pasana. Tsy misy na inona na inona intsony fantany ny amin’ izay atao etý ambanin’ ny masoandro hoy Joba ao amin’ ny Joba 14 : 21. Fitsaharana feno fahasambarana ho an’ ny marina efa sasatra izany ! na fohy na lava ny fotoana, dia indray mipi-maso monja ho azy. Matory izy ; hofohazin’ ny trompetran’ Andriamanitra ho amin’ ny fiainana mandrakizay be voninahitra izy. «Fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lo intsony. . . fa rehefa mitafy ny tsi-fahalovana ity mety lo ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe : «My fahafatesana noresena ka levona»441 kor. 15: 52-54. Rehefa antsoina hifoha avy amin’ ny torimasony lalina izy dia miverina eo amin’ izay nijanonany ny eritreriny. Ny zavatra farany tsapany dia ny fanaintainana noho ny fahafatesana, ny eritreritra farany dia izy lavo ambanin’ ny fahefan’ ny fasana. Rehefa hitsangana avy ao am-pasana izy, ny eritreriny feno fifaliana voalohany indrindra, dia hanakoako amin’ ilay anisom-pandresena manao hoe : «Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ò, aiza ny fanindronanao? 451 Kor. 15: 55 HM 572.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents