Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hery Mifanandrina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fitarihan-teny

    Talohan’ ny nidiran’ ny fahotana dia nahita fifaliana tamin’ ny firaisam-po mivantana tamin’ ny Mpanao azy i Adama; nefa hatramin’ ny nampisarahany ny tenany tamin’ Andriamanitra noho ny fandikandalàna nataony, dia tapaka tsy azon’ ny taranak’ olombelona intsony io tombon-tsoa ambony io. Na dia izany aza, dia nisy lalana nosokafana, tamin’ ny alalan’ ny drafitry ny fanavotana, izay ahazoan’ ny mponina eto an-tany mifandray amin ‘ ny lanitra indray. Ny Fanahy Masina no nentin’ Andriamanitra hitondra teny ho an’ ny olona, ary nozaraina tamin’ izao tontolo izao ny fahazavana avy amin’ Andriamanitra tamin’ ny alalan’ ny fanambarana natao tamin’ ireo mpanompo nofidiny. «Fa avy tamin’ Andriamanitra no nitenenan’ ny olona araka izay nitondran ‘ ny Fanahy Masina azy» 12 Pet.1:21.HM 9.1

    Nandritra ireo diman-jato sy roa arivo taona voalohany teo amin ‘ ny tantaran’ ny olombelona dia tsy nisy fanambarana voasoratra. Ireo izay nampianarin’ Andriamanitra dia nilaza ny fahalalany tamin’ ny hafa ka nampita izany tamin’ ny zanany ny ray, nandritra ireo taranaka nifandimby. Nanomboka tamin’. ny andron’ i Mosesy no nanomanana ny teny voasoratra. Natambatra ho boky tamin’ izay ireo fanambarana avy amin’ ny tsindrimandry. Nitohy io asa io nandritra ny fe-potoana lava be naharitra enin-jato’ sy arivo taona, nanomboka tamin’ i Mosesy, ilay nitantara ny famoronana sy ny momba ny lalàna, ka hatramin’ i Jaona, ilay nitatitra ireo fahamarinana kanto indrindra entin’ ny filazantsara.HM 9.2

    Manondro an’ Andriamanitra ho mpanoratra azy ny Baiboly kanefa nosoratan’ ny tanan’ olombelona izany; ary asehon’ ny fomba fanoratra isan-karazany hita ao amin’ ireo boky samihafa ny toetra manokana mampiavaka ireo mpanoratra maro. «Avy amin’ ny tsindrimandrin’ Andriamanitra avokoa» 22 Tim3:16. ireo fahamarinana ambara ao; nefa tenin’ olombelona no ilazana azy. Ilay tsy manam-petra no nampitosaka ny fahazavany ao amin’ ny saina sy ny fon’ ny mpanompony tamin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina. Nanome nofy sy fahitana, sary aman’ ohatra Izy; ary ireo izay nanehoana ny fahamarinana tamin’ izany fomba izany no nandika ilay fisainana ho amin’ ny tenin ‘ olombelona.HM 10.1

    Ny Didy Folo dia Andriamanitra mihitsy no niteny azy, ary nosoratany tamin’ ny rantsan-tanany. Andriamanitra no nandrafitra ireo fa tsy ny olombelona. Ny Baiboly kosa, izay misy ireo fahamarinana avy amin’ Andriamanitra voalaza amin’ ny fitenin’ ny olombelona, dia mampiseho firaisan’ ny maha-Andriamanitra sy ny mahaolombelona. Ny firaisana toy izany dia hita ao amin’ ny toetran’ i Kristy, Izay sady Zanak’ Andriamanitra no Zanak’ olona. Tanteraka amin’ ny Baiboly, tahaka ny nahatanteraka izany tao amin’ i Kristy ny hoe: «Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika» 3Jao.1:14.HM 10.2

    Nosoratana tamin’ ny vanim-potoana samihafa ireo boky ao amin’ ny Baiboly ary olona samihafa koa no nanoratra azy ireo raha ny saranga misy azy sy ny asa aman-draharaha nataony, raha ny talenta eo amin’ ny ara-tsaina sy ny ara-panahy koa noho izany dia misy fahasamihafana lehibe hita eo amin’ ny fomba fanoratr’ izy ireo, ary maro karazana koa ireo lohahevitra novelabelarina. Fomba fiteny samihafa no ampiasain ‘ ny mpanoratra samihafa; matetika no misy fahamarinana iray ihany kanefa asehon’ ny anankiray amin’ ny fomba manaitra kokoa noho ny an’ ny anankiray. Ary rehefa misy mpanoratra maro mampiseho lohahevitra iray amin’ ny lafiny sy ny endriny samihafa, dia mety ho mifanipaka na mifanohitra no fijerin’ ny mpamaky tsy mandinika lalina, manao an-tsirambina na manana hevitra mibahana ao an-tsainy, nefa ny mpandinika lalina sy feno fanajana kosa, izay manana fomba fijery mazava kokoa, dia mahatsupa fa misongadina ny firindrana hita.HM 10.3

    Noho izy aseho amin’ ny alalan’ ny olona samihafa, dia nentina amin’ ny endriny samihafa ny fahamarinana. Latsaka lalina kokoa ao am-pon’ ny mpanoratra iray ny dingana iray eo amin’ ny lohahevitra iray, fikiriny ireo foto-kevitra izay mifandrindra amin’ ny fanandra- mana nataony na amin’ ny heriny mahatakatra sy mahatsapa zavatra; ny anankiray kosa mandray ny dingana hafa; ary samy mampiseho izay mibosesika lalina ao an-tsainy avy izy eo ambanin’ ny fitarihan’ ny Fanahy Masina samy mampiseho endrika samihafa amin’ ny fahamarinana raha raisina tsirairay, fa hevitra mifandrindra tanteraka raha mitambatra. Ireo fahamarinana nambara toy izany dia miray mba ho vondrona iray tanteraka, mifanaraka amin’ izay ilain’ ny olona eo amin’ ny toe-javatra rehetra sy ny fanandramana rehetra eo amin’ ny fiainana.HM 10.4

    Tian’ Andriamanitra ny nampilaza ny fahamarinany tamin’ izao tontolo izao tamin’ ny alalan’ ny olombelona, ary Izy tenany, tamin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina no nanome toetra sy fahaizana ho an’ ny olona mba ho afaka hanao io asa io. Nitarika ny saina hifidy izay holazaina sy hosoratana Izy. Napetraka tamin’ ny vilany tany ny haren-tsarobidy, nefa na dia izany aza dia avy any an-danitra izany. Nentin’ ny fomba fitenin’ ny olombelona tsy tanteraka ny vavolombelona, nefa dia vavolombelona avy amin’ Andriamanitra; ary ny zanak’ Andriamanitra mankatò sy mino dia mibanjina ny voninahitry ny herin’ Andriamanitra, feno fahasoavana sy fahamarinana eo amin’ izany.HM 11.1

    Nankinin’ Andriamanitra tamin’ ny olona, ao amin’ ny teniny, ny fahalalana ilaina ho amin ‘ ny famonjena. Tokony ekena ho fanambarana manam-pahefana, tsy mety diso momba ny sitrapony ny Soratra Masina. Fanevan’ ny toetra amam-panahy izany, mpanambara ny foto-pinoana ary mpisedra ny fanandramana. «lzay soratra rehetra nomen ‘ ny tsindrimandrin ‘ Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’ Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin ‘ ny asa tsara rehetra» 42 Tim. 3 : 16, 17..HM 11.2

    Nefa ny nanehoan’ Andriamanitra ny sitrapony tamin’ ny olona tamin’ ny alalan’ ny tenany, dia tsy nahatonga ny famtrehana sy ny fitarihan’ ny Fanahy Masina ho tsy ilaina akory. Mifanohitra amin’ izany no izy, fa nampanantena ny Fanahy Masina ny Mpamonjy, mba hamelatra ny teniny amin’ ny mpanompony, mba hanazava sy hampihatra ireo fampianarany. Ary satria ny Fanahin’ Andriamanitra no nanindry mandry (ireo mpanoratra) ny Baiboly, dia tsy mety hisy na oviana na oviana izany fampianaran’ ny Fanahy mifanohitra amin’ ny teniny izany.HM 11.3

    Tsy nomema ny Fanahy Masina na nozaraina, na oviana na oviana mba hisolo toerana ny Baiboly; satria milaza mazava ny Soratra Masina fa ny tenin’ Andriamanitra no faneva tsy maintsy hisedrana ny fampianarana sy ny fanandramana rehetra. HM 12.1

    Hoy ny apostoly Jaona: «Aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin’ Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’ izao tontolo izao» 51 Jao. 4 : 1.. Ary hoy Isaia: «Ho amin’ ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, dia olona izay tsy hiposahan ‘ ny fahazavan’ ny maraina» 6Isa. 8:20.HM 12.2

    Misy fanakianana be natao tamin’ ny asan’ ny Fanahy Masina, noho ny fahadisoan’ ny antokon’ olona izay mihambo ho mandray fahazavana avy Aminy ka milaza fa tsy mila intsony ny fitarihan’ ny tenin’ Andriamanitra. Eritreritra fotsiny izay raisiny ho toy ny Jeon’ Andriamanitra ao amin’ ny fanahy no mifehy azy, nefa tsy Fanahin’ Andriamanitra izany. Ny fanarahana an’ ireo eritreritra ireo. sy ny fanaovana an-tsirambina ny Soratra Masina, dia tsy afaka hitarika afa-tsy ho amin’ ny korontana. ny fahadisoam-panantenana sy ny fahafatesana. Mampandroso ny fikasan’ ilay ratsy fotsiny izany. Satria iankinan’ ny ain’ ny fiangonan’ i Kristy ny asa fanompoana ataon’ ny Fanahy Masina, dia iray amin’ ny zava-kendren’ i Satana, ny hanao tsinontsinona ny zava-kendren’ ny Fanahy, amin’ ny alalan’ ireo hevi-diso entin’ ny mpandray an-tendrony sy mibirioka amin’ ny tafahoatra, ka mahatonga ny vahoakan’ Andriamanitra hanao an-tsirambina io loharanon-kery izay nomanin’ ny Tompontsika io mihitsy.HM 12.3

    Amin’ ny fomba mifandrindra amin’ ny tenin’ Andriamanitra, dia hanohy ny asany ny Fanahiny mandritra ny fotoana hitoriana ny filazantsara. Tamin’ ny andro lasa raha nomena ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao dia tsy nitsahatra nandefa fahazavana ho an’ ny isam-batan’ olona ny Fanahy Masina, ankoatr’ ireo fanambarana hatambatra ao amin’ ny listry ny bokin’ ny Baiboly Masina. Ny Baiboly koa dia milaza ny fomba nandraisan’ ny olona fananarana, fanitsiana, torohevitra sy fampianarana, avy amin’ ny Fanahy Masina, izay tsy mifandray mihitsy amin’ ny fomba nanomezana ny Soratra Masina. Ary voalaza fa nisy mpaminany tamin’ ny fotoana samihafa, izay tsy misy voasoratra ny zavatra nolazainy. Toy izany koa, rehefa feno ny listr’ ireo boky ao amin’ ny Soratra Masina, dia mbola manohy ny asany ny Fanahy Masina, hanazava, hananatra sy hampahery ny zanak’ Andriamanitra.HM 12.4

    Nampanantena ny mpianany i Jesosy nanao hoe: «Fa ny Mpananatra dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ ny Ray amin’ ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo». «Fa raha tonga ny Fanahin’ ny Fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ ny marina rehetra; . . . ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo» 7Jao. 14: 16; 16: 13; Ampianarin ny Soratra Masina mazava tsara fa ireo teny fikasana ireo, dia tsy voafetra fotsiny ho tamin’ ny andron’ ny Apostoly, fa mitatra indrindra koa amin’ ny fiangonan’ i Kristy amin’ ny andro rehetra. Nanome toky ireo mpanaraka Azy ny Mpamonjy nanao hoe: «Ary indro Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao»8Mat.28: 20; Ary lazain’ i Paoly fa ireo fanomezana sy ireo fisehoan’ ny Fanahy ao amin’ ny fiangonana dia natao mba «ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ ny asa fanompoana amin’ ny fiangonana, ho amin’ ny fampandrosoana ny tenan’ i Kristy mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ ny firaisan’ ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’ Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ ny fahafenoan’ i Kristy» 9Efes. 4 : 12, 13.;.HM 13.1

    Nivavaka ho an’ ireo mpino tany Efesosy ny apostoly nanao hoe: «Mba homen’ Andriamanitr’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ ny voninahitra, ho anareo ny Fanahin’ ny fahendrena sy ny fanambarana, amin’ ny fahalalana Azy tsara, ary mba hampahiratina ny mason’ ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin’ny fiantsoany ary. . . nyfihoaran’ nyhalehiben’ ny heriny ho antsika izay mino, araka ny fiasan’ ny herin’ ny faherezany» 10Efes. 1 : 17-19. Ny asan ny Fanahin’ Andriamanitra amin’ ny fanazavana ny saina sy ny fanokafana ny saina hahalala ny zava-dalina ao amin’ ny Teny masin’ Andriamanitra no fitahiana izay nangatahin’ i Paoly ho an’ ny fiangonana tany Efesosy. HM 13.2

    Taorian’ ny fisehoan’ ny Fanahy Masina tamin’ ny fomba mahagaga tamin ‘ ny andro Pentekosta, dia nampirisika ny olona hibebaka sy hatao batisa amin’ ny anaran’ i Kristy i Paoly ho famelana ny helony ary hoy izy: «Ary hianareo handray ny fanomezana dia ny Fanahy Masina; fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an’ izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin’ i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy» 11Asa. 2 : 38, 39..HM 13.3

    Mifandray mivantana amin’ ireo toe-javatra amin’ ny andro lehiben’ Andriamanitra dia nampanantena fisehoan’ ny Fanahiny amin’ ny fomba manokana Jehovah tamin’ ny alalan’ ny mpaminany Joela 3:1. Tanteraka ny ampahany amin’ io faminaniana io tamin ‘ ny nirotsahan ‘ ny Fanahy tamin ‘ ny andro Pentekosta; nefa ho. tonga amin’ ny fahatanterahany feno izany amin’ ny fanehoana ny fahasoavan’ Andriamanitra izay hiaraka amin’ ny famaranana ny asan’ ny filazantsara.HM 13.4

    Hitombo hihamafy ny ady lehibe ifanaovan’ ny tsara sy ny ratsy amin’ ny fiafaran’ ny andro indrindra. Tamin’ ny fotoan’ andro rehetra dia niseho nanohitra ny fiangonan’ i Kristy ny fahatezeran’ i Satana; ary Andriamanitra nandrotsaka ny fahasoavany sy ny Fanahiny tamin’ ny vahoakany mba hampahery azy hijoro hanohitra ny herin’ ny ratsy. Fony ireo apostolin’ i Kristy nitondra ny filazantsarany ho an’ izao tontolo izao ka nitantara izany ho amin’ ny andro ho avy, dia nomena ny fahazavan ‘ ny Fanahy tamin’ ny fomba manokana izy. Fa rehefa manakaiky ny fanafahana azy farany kosa ny fiangonana, dia hiasa amin’ ny hery lehibe kokoa i Satana. Midina izy «manana fahatezerana lehibe satria fantany fa kely sisa ny androny» 12Apok. 12 : 12;.Hiasa «amin’ ny hery sy famantarana sy fahagagana mandainga rehetra izy» 13 2 Tes. 2 : 9;. Enina arivo taona izay ilay manan-tsaina tokoa, ilay ambony indrindra tamin’ ireo anjelin’ Andriamanitra tamin’ izay no nilofo tanteraka tamin’ ny asa famitahana sy famonoana. Ary ireo fahaizan’ i Satana lalina sy ireo hafetsena azony tamin’ izany, ny fahasiahana nampitomboina rehetra nandritra ny tolona tamin’ ny taona nifandimby, dia hoentiny hanoherana ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ ny ady farany. Ary amin’ izao fotoana tataovan-doza izao no tokony hitondran’ ireo mpanaraka an’ i Kristy ho an’ izao tontolo izao hafatra fanairana momba ny fiavian’ ny Tompo fanindroany; misy vahoaka homanina hijoro eo anatrehany amin’ ny fiaviany, «tsy manan-tsiny amam-pondro» 142Pet. 3 : 14;. Amin’ io fotoana io dia tsy latsa-danja noho ny tamin’ ny andron’ ny apostoly ny ilàn’ ny fiangonana ny fanomezana manokana ny fahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra.HM 14.1

    Tamin’ ny alalan’ ny fanazavana avy amin’ ny Fanahy Masina dia naseho ny mpanoratra an’ ireto takila ireto, ireo toe-javatra nisian’ ny ady naharitra teo amin’ ny tsara sy ny ratsy. Indraindray aho dia navela nibanjina ny fizotry ny fifanolanana lehibe teo amin’ ireo fotoan’ andro samihafa nifanaovan’ i Kristy, Ilay Andrianan’ ny fiainana, Ilay niavian ‘ ny famonjena antsika sy i Satana, ilay andrianan’ ny ratsy, ilay niavian’ ny fahotana, ilay nandika voalohany ny lalàna masin’ Andriamanitra. Ny fandrafian’ i Satana an’ i Kristy dia naseho tamin’ ireo mpanaraka an’ i Kristy. Ilay fankahalana ny foto-kevitry ny lalàn’ Andriamanitra, ilay fomba famitahana izay anehoana ny hevi-diso ho toy ny marina, izay anoloana ny lalàn’ Andrianranitra amin’ ny lalàn’ olombelona ka hitarihana ny olona. hiankohoka eo amin’ ny voaforona fa tsy eo amin’ ny Mpamorona, ireo dia mety ho hita taratra eo amin’ ny tantaran’ ny lasa rehetra. Ny fiezahan’ i Satana hampiseho amin’ ny endrika diso ny toetra amampanahin’ Andriamanitra, hahatonga ny olona hankamamy hevi-diso mikasika ny Mpamorona ka hatahotra sy hankahala Azy fa tsy ho tia Azy, ny fdofosana nataony hametraka ny lalàn’ Andriamanitra ka hitarika ny olona hihevitra fa afaka amin’ ny fitakian’ ny lalàna izy; ny fanenjehan’ i Satana ireo izay sahy manohitra ny famitahany, dia nitohy tsy niova tamin’ ny fotoan’ andro rehetra. Azo soritana eo amin’ ny tantaran’ ireo patriarka, ireo mpaminany sy ireo apostoly, ireo martiora sy ireo mpanavao fivavahana izany.HM 14.2

    Amin’ ny ady farany, dia hampiasain’ i Satana ihany io fomba io, toe-tsaina toy izany ihany no hasehony, ary zavatra iray ihany no hokendreny toy ny tamin’ ny fotoan’ andro lasa rehetra. Izay efa nisy, dia mbola hisy saingy ny ady mbola ho avy dia hahatsiravina indrindra ny hamafiny noho izay efa hitan’ izao tontolo izao hatrizay hatrizay. Ho fetsy lavitra ny fitaka hataon’ i Satana, ho mafy kokoa ny famelezana hataony. «Raha azo atao na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny» 15Mar. 13 : 22;.HM 15.1

    Rehefa novelarin’ ny Fanahin’ Andriamanitra teo amtrehako ireo fahamarinana lehibe ao amin’ ny teniny, sy ireo toe-javatra mikasika ny lasa sy ny ho avy, dia nobaikoina aho hampahafantatra ny hafa izay efa nambara tamiko toy izany — nobaikoina aho hanoritra ny tantaran’ ny ady lehibe tamin’ ny andro lasa ary indrindra ny hampiseho izany amin’ izay itosahan’ ny fahazavana eo amin’ ny ady ho avy efa manakaiky haingana dia haingana. Mba hahatongavana amin’ izany, dia niezaka aho hifantina sy hanangona ireo toe-javatra ao amin’ ny tantaran’ ny fiangonana amin’ ny fomba izay hampisongadina ireo fahamarinana lehibe hoenti-misedra nomena an’ izao tontolo izao tamin’ ny fotoana samihafa, ka nampirongatra ny fahatezeran’ i Satana sy ny fandrafian’ ny fiangonana tia an’ izao tontolo izao, ary voatanan’ ireo vavolombelona ireo izay tsy nankamamy ny ainy intsony na dia ho faty aza.HM 15.2

    Ho hitantsika amin’ ireo tatitra ireo ny aloky ny ady mbola ho avy eo anoloantsika. Raha jerentsika eo amin’ ny fahazavan’ ny tenin’ Andriamanitra ireny sy amin’ ny fitarihan’ ny Fanahy Masina, dia ho hitantsika mihanjahanja ireo fitaka ataon’ ilay ratsy, sy ireo loza tsy maintsy hosorohin’ ireo te-ho hita «tsy manan-tsiny amam-pondro» alohan’ ny fiavian’ ny Tompo.HM 15.3

    Ara-tantara ireo toe-javatra lehibe izay nanoritra ny fandrosoan’ ny fanavaozana ara-pivavahana tamin’ ny andro lasa, fantatra sy ekena eo amin’ izao tontolo izao protestanta dia zavatra tsy azon’ iza na iza toherina izany. Nasehoko fohifohy io tantara io, dia arakaraka ny ho fahalehibeazan ‘ ny boky, sy araka ny tsy maintsy hahafohy izany, dia nofintinina ireo toe-javatra ireo mba hahazoana tsara ny fampiharana azy. Indraindray rehefa natambatry ny mpanoratra ny tantaram-pirenena ny toe-javatra niseho mba hahitana izany amin’ ny fomba mazava raha fintinina na rehefa nofeheziny ho mora raisina ireo antsipiriany, dia noraisiko ny teniny; indraindray anefa tsy misy antoka manokana nomena, noho izany dia tsy noraisina ny tenin’ ny mpanoratra mba hilazana ny tena izy, fa noraisina izy satria mampiseho ny lohahevitra amin’ ny fomba tsotra ary manan-kery ny filazany. Tamin’ ny fitantarana ny fanandramana sy ny famelabelarany ny fomba fijerin’ ireo izay nitarika ny asa fanavaozana arapivavahana amin’ izao androntsika izao, dia nampiasaina toy izany koa ireo asa-sorany efa tafavoaka.HM 16.1

    Tsy dia zava-kendren ‘ ity boky ity loatra ny haneho fahamarinana vaovao mikasika ireo ady teo aloha, fa ny hampisongadina indrindra ireo toe-javatra sy ireo foto-kevitra misy fiantraikany amin’ izay mbola ho avy. Nefa kosa rehefa raisina amin’ ny maha-ampahany azy eo amin’ ny ady ifanaovan’ ireo herin’ ny fahazavana sy ny fahamaizinana, dia hita fa misy heviny vaovao ireo tatitra mikasika ny lasa, ary amin’ ny alalan’ ireo dia misy fahazavana mitosaka amin’ ny ho avy, mampamirapiratra ny lalan’ ireo izay antsoina koa ho vavolombelon’ ny tenin’ Andriamanitra sy ho vavolombelon’ i Kristy Jesosy, tahaka ireo mpanavao fivavahana tamin’ ny andro fahiny, na dia hanafongana ny hareny ara-nofo rehetra aza izany.HM 16.2

    Ny mamelabelatra ireo toe-javatra amin’ ny ady lehibe ifanaovan’ ny fahamarinana sy ny hevi-diso; ny mampiseho ireo hafetsen’ i Satana, sy ireo fomba mahomby hanoherana azy; ny mitondra alaolana mahafa-po mikasika ny olana lehibe napetraky ny ratsy, ka hampitosaka fahazavana eo amin’ ny niantombohan’ ny fahotana sy eo amin’ ny fiafarany mba hampibaribary ny fahamarinana sy ny fiantran’ Andriamanitra eo amin’ ny fifandraisany amin’ ny nohariny; ary ny mampiseho ny toetra masina, ny tsy fiovan’ ny lalàny, izany no zava-kendren’ ity boky ity. Ny mba hiasany amin’ ny fanahy ka ho afaka amin’ ny herin’ ny maizina ireo, ary ho tonga hanana anjara amin’ ny lovan’ ny olona masina ao amin’ ny mazava, ho voninahitr’ Ilay tia antsika, ka nanolotra ny tenany ho antsika, izany no vavaka mafana ataon’ ny mpanoratra..HM 16.3

    E. G. White

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents