Toko 34—Afaka hifanerasera amintsika ve ny maty ?
Hery Mifanandrina
- Contents- Fizahan-takelaka
- Ala-sarona
- Fitarihan-teny
- Toko 1—Ny nandravana an’ i Jerosalema
- Toko 2—Ny fanenjehana tamin´ ireo taonjato voalohany
- Toko 3—Ny fihemorana
- Toko 4—Ireo Vaudois
- Toko 5—Jean Wiclef
- Toko 6—Hus sy Jérôme
- Toko 7—Nisaraka tamin’ i Roma i Lotera
- Toko 8—Lotera tso anatrehan’ ny Filankevitry ny fanjakana foibe
- Toko 9—Ilay mpanavao fivavahana Soisa
- Toko 10—Ny fandrosoan’ ny fanavaozana ara-pivavahana tany Alemaina
- Toko 11—Fanoherana nataon’ ny Andriandahy
- Toko 12—Ny fanavaozana ara-pivavahana tany Frantsa
- Toko 13—Ny tany avaratra sy Skandinavia
- Toko 14—Ireo mpanavao fivavahana Anglisy taty aoriana
- Toko 15—Ny Baiboly sy ny tolompiavotana Frantsay
- Toko 16—Ireo mpivahinin’ ny fahafahana
- Toko 17—Mpitondra hafatry ny maraina
- Toko 18—Mpanavao fivavahana Amerikana
- Toko 19—Fahazavana ao anaty haizina
- Toko 20—Fifohazana lehibe ara-pivavahana
- Toko 21—Hafatra fampitandremana notsipahina
- Toko 22—Ireo faminaniana tanteraka
- Toko 23—Inona ny fitoerana masina ?
- Toko 24—Ao amin’ ny masina indrindra
- Toko 25—Ny lalàn’ Andriamanitra tsy azo ovana
- Toko 26—Fanavaozana tsy maintsy ilaina
- Toko 27—Fifohazana moderna
- Toko 28—Eo am-piatrehana ny tantaram-piainantsika
- Toko 29—Ny niavian’ ny ratsy
- Toko 30—Fifandrafiana eo amin’ ny olombelona sy Satana
- Toko 31—Ny anjely tsara sy ny fanahy ratsy
- Toko 32—Ireo fandrik’ i Satana
- Toko 33—Ilay fitaka lehibe voalohany
- Toko 34—Afaka hifanerasera amintsika ve ny maty ?
- Toko 35—Tandindomin-doza ve ny faha-fahana hivavaka araka ny fieritreretana ?
- Toko 36—Mananontanona ny fifandonana farany
- Toko 37—Fiarovana azo antoka
- Toko 38—Ny fampitandremana farany
- Toko 39—Ny andro fahoriana
- Toko 40—Fanafahana ny vahoakan’ Andriamanitra
- Toko 41—Misaona ny tany
- Toko 42—Mifarana ny ady
Search Results
- Results
- Related
- Featured
- Weighted Relevancy
- Content Sequence
- Relevancy
- Earliest First
- Latest First
- Exact Match First, Root Words Second
- Exact word match
- Root word match
- EGW Collections
- All collections
- Lifetime Works (1845-1917)
- Compilations (1918-present)
- Adventist Pioneer Library
- My Bible
- Dictionary
- Reference
- Short
- Long
- Paragraph
No results.
EGW Extras
Directory
Toko 34—Afaka hifanerasera amintsika ve ny maty ?
Fahamarinana izay mampahery indrindra sy sarobidy tokoa ho an’ ny mpanaraka an’ i Kristy tsirairay ny amin’ ny asa fanompoana ataon’ ireo anjely masina araka ny aseho ao amin’ ny Soratra Masina. Saingy nanjary maizina sy niova tanteraka ny fampianaran’ ny Baiboly momba izany ho vokatry ny teolojia eken’ ny besinimaso. Ny foto-pinoana momba ny tsy fahafatesan’ ny fanahy rahateo, izay nindramina tamin’ ny voalohany tamin’ ny filozofian’ ny mpanompo sampy, ary natsofoka tao amin’ ny fotopinoana Kristiana nandritra ny haizina nanjaka tamin’ ny andron’ ny fihemorana lehibe, dia nasolo ny fahamarinana ampianarin’ ny Soratra Masina amin’ ny fomba mazava dia. mazava milaza fa «ny maty dia tsy mahalala na inona na inona». Marobe ny olona no voataona hino fa fanahin’ ny maty ireo «nirahina hanao fanompoana ho an’ izay handova famonjena». Ary izany na dia teo aza ny fanambaran’ ny Soratra Masina milaza ny fisian’ ireo anjelin’ ny lanitra sy ny fifandraisany amin’ ny tantaran’ ny olombelona, raha tsy mbola nisy olona na iray akory aza nandalo fahafatesana.HM 575.1
Ny foto-pinoana milaza fa mahatsiaro ny olona eo amin’ ny fahafatesana, indrindra indrindra ny finoana fa miverina manompo ny velona ny fanahin’ ireo maty, dia manoka-dalana ho amin’ ny filalaovana angatra amin’ izao fotoana izao. Raha tahiny ka mahazo mankeo anatrehan’ Andriamanitra sy ny anjely masina ny maty ka manana tombon-tsoa hahalala be lavitra noho izay fantany teo aloha, nahoana ary moa no tsy hiverina ety an-tany izy ka hanazava sy hampianatra ny velona? Raha ohatra ka, araka ny lazain’ ireo mpampianatra teolojia mamim-bahoaka, mieloelo manodidina ny sakaizany etý an-tany ny fanahin’ ny maty, nahoana ary no tsy avèla hifandray aminy izy ireo, hampitandrina azy ny amin’ ny ratsy, na hampionona azy amin’ ny fahoriany? Fomba ahoana no ahazoan’ ireo izay mino fa mahatsiaro ny maty hitsipaka izay fahazavan’ Andriamanitra tonga eo aminy amin’ ny alalan’ ireo fanahy efa nomem-boninahitra? Misy fitaovana heverina ho masina eto, izay ampiasain’ i Satana hoenti-manatanteraka ny fikasany. Ireo anjely lavo izay nankatò ny baikony dia miseho ho mpitondra hafatra avy any amin’ ny fonenan’ ny fanahy. Amin’ ny fihamboany ho afaka mampifandray ny velona amin’ ny maty no andrendrehan’ ilay andrianan’ ny ratsy ny sain’ ny maro amin’ ny fomba manodoka.HM 575.2
Manan-kery mampiseho ny endriky ny havana aman-tsakaizany efa maty eo anatrehan’ ny olona izy. Tonga lafatra ny hala-tahaka; ny endrika, ny teny, ny feo mahazatra dia samy voaverina amin’ ny fomba miavaka tsara sy mahagaga. Maro no mahita fiononana amin’ ny fahazoana toky fa miriaria amin’ ny fahasambaran’ ny lanitra ny olon-tiany, ary tsy maodimaody velively ny amin’ ny loza mitatao izy ireo raha manongilan-tsofina hihaino «fanahy mamitaka sy fampianaran’ ny demonia».HM 576.1
Rehefa voataona hino izy ireo fa tena miverina hifandray aminy tokoa ny maty, dia nasehon’ i Satana ny endrik’ ireo izay tsy vita fiomanana akory raha nidina tany am-pasana. Mihambo ho sambatra any an-danitra izy ireny ary mitana toerana ambony mihitsy aza, koa dia miely amin’ izany fomba izany ny fampianarana fa tsy misy fahasamihafana amin’ ny olo-marina sy ny ratsy fanahy. Indraindray ireo mpamangy milaza fa avy any an-koatra dia manao fananarana sy fampitandremana izay voaporofo fa marina. Koa rehefa babony ny fitokisana, dia mampiseho foto-pinoana izay mampirodana hatrany amin’ ny fotony ny finoana ny Soratra Masina izy. Toa vonombonona ery izy hanasoa ny havana aman-tsakaizany etý antany, nefa dia manisika ny hevi-diso mampidi-doza indrindra. Noho izy manambara fahamarinana sasantsasany, sy afaka indraindray milaza toe-javatra mbola ho avy dia toa azo inoana ny zavatra lazainy; ka moramora foana no aneken’ ny maro sy inoany ho toy ny fahamarinana masina ara-Baiboly ny fampianaran-diso arosony. Tsy raharahaina ny lalàn’ Andriamanitra, tsiratsiraina ny Fanahin’ ny fahasoavana, atao ho zavatra tsy masina ny ran’ ny fanekena. Mandà ny maha Andriamanitra an’ i Kristy ireo fanahy ireo, ary mampietry mihitsy ny Mpamorona hitovy saranga aminy aza. Toy izany, amin’ ny famitahana vaovao, no anohizan’ ilay mpikomy raindahiny ny ady ataony amin’ Andriamanitra, izay natomboka tany an-danitra ary mbola tsy manam-piatoana ety an-tany efa ho enina arivo taona izao.HM 576.2
Betsaka ny olona no miezaka manazava ireo fisehoan’ angatra ireo amin’ ny filazana fa avy amin’ ny hosoka sy ny fanova-maso rano fotsiny ataon’ ireo mpanelanelana izany. Marina fa matetika dia nolazaina ho tena fisehoana marina tokoa ny vokatry ny hakingan-tanana fotsiny. nefa nisy koa ny tena avy amin’ ny fiasan’ ny hery ambony noho ny an’ ny olombelona. Tsy vokatry ny hakingan’ olombelona na fahaizany tsy akory ireo dona tsy fanta-piaviana niandohan’ ny fiantsoana avelo ankehitriny, fa tena asa mivantana ataon’ ireo anjely ratsy, izay nampiditra tamin’ izany fomba izany ny anankiray amin’ ny fitaka mahomby indrindra hoenti-mamono ny fanahy. Maro no ho voatandriky ny finoana fa fitaka ataon’ ny olombelona fotsiny ny filalaovan’ angatra; rehefa manatrika fisehoan-javatra tsy maintsy ekena fa avy amin’ ny hery ambonin’ ny an’ ny olombelona izy, dia ho voafitaka, ary ho voatarika, hanaiky izany hery lehibe izany ho avy amin’ Andriamanitra.HM 577.1
Tsy miraharaha ny fanambaran’ ny Soratra Masina mikasika ireo fahagagana ataon’ i Satana sy ny anjeliny ireny olona ireny. Ny fanampian’ i Satana no nahazoan’ ireo mpanao sikidin’ i Farao naka tahaka ny asan’ Andriamanitra. Lazain’ i Paoly marimarina fa alohan’ ny fiavian’ i Kristy fanindroany dia hisy fisehoan’ ny herin’ i Satana toy izany. Ny fiavian’ ny Tompo dia tsy maintsy ialohavan’ ny «fiasan’ i Satana amin’ ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra» 12 Tes. 2: 9. 10. Ary izao no ambaran’ i Jaona raha milaza ny amin’ ilay fahefana manao fahagagana izay hiseho amin’ ny andro farany izy : «Ary manao famantarana lehibe izy, ka dia mampidina afo avy any an-danitra eo imason’ ny olona aza. Ary mamitaka izay monina ambonin’ ny tany izy amin’ ny famantarana izay nomena azy hatao» 2Apok. 13 : 13 , 14. Tsy fitaka tsotra tsy akory no ambara mialoha eto. Ho voafitaky ny fahagagana izay azon’ ireo fiasan’ i Satana atao tokoa ny olona, fa tsy izay hihamboany ho vita tsy akory.HM 577.2
Ilay mpanjakan’ ny fahamaizinana izay efa ela nampiasana ny herin’ ny sainy faran’ izay maranitra ho amin’ ny asa famitahana, dia mahay mampifanaraka ny fakam-panahiny amin’ ny sokajin’ olona rehetra sy ny toe-javatra samihafa misy azy. Ny olona nandia fianarana sy ambony fari-piainana dia anehoany ny filalaovan’ angatra amin’ ny endrika mihaja sy ara-tsaina kokoa, ary amin’ izany dia mahomby izy amin’ ny fitarihana ny maro eo amin’ ny fandrika velariny. Ny fahendrena izay atolotry ny fifampiraharahana amin’ ny maty dia ilay lazain’ ny apostoly Jakoba izay «tsy avy any ambony, fa araka ny eto an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny demonia» 3Jak. 3 : 5. Izany anefa dia afenin’ ilay mpamitaka lehibe rehefa mety amin’ izay kendreny ny fanafenana azy. Hay afaka niseho tamin’ i Kristy nitafy ny famirapiratan’ ireo serafiman’ ny lanitra tany an’ efitry ny fakampanahy. dia manatona ny olona tahaka ny anjelin’ ny mazava amin’ ny fomba mahataona indrindra. Manintona ny saina handanjalanja izy amin’ ny fanehoany tari-kevitra mampisandratra; mamalifaly ny saina tia nofinofy amin’ ny toe-javatra mahasondriana; ary mampientanentana ny fihetseham-po izy amin’ ny fanehoana fitiavana sy fanaovan-tsoa. Manaitaitra ny saina hanidintsidina ambony izy, ka mitarika ny olona hirehareha fatratra ny amin’ ny fahendren’ ny tenany mba hitaona azy hanivaiva Ilay Maharitra mandrakizay ao am-pony. Io anjely mahery io izay afaka nitondra ny Mpanavotra an» izao tontolo izao ho eo an-tampon’ ny tendrombohitra avo dia avo ary nampandalo teo anatrehany ireo fanjakan’ ny tany rehetra sy ny voninahiny, dia haneho ny fakam-panahy amin’ ny olona amin’ ny fomba mamitaka ny sain’ izay rehetra tsy voaron’ ny herin’ Andriamanitra.HM 577.3
Mamitaka ny olona ankehitriny i Satana tahaka ny namitahany an’ i Eva tany Edena amin’ ny fandokadokafana, amin’ ny fitsiriritana hahazo fahalalana voarara, amin’ ny fanairana ny hambom-pony hanandra-tena. Ny fankamamiana ireo ratsy ireo no nahatonga ny fahavalon’ i Satana, ary amin’ ny alalan’ izany no kendreny hahatanteraka ny fandevonana ny olona. «Ho tahaka an» Andriamanitra ianareo», hoy izy, ka «hahalala ny tsara sy ny ratsy » 4Gen. 3 : 15. Ny fiantsoana avelo dia mampianatra fa «zavaboary mandroso ny olombelona : fa anjarany hatramin’ ny nahaterahany ny handroso, eny mandritra ny mandrakizay, hanakatra an’ Andriamanitra». Ary izao koa : «Samy hitsara tena ny tsirairay fa tsy ny hafa». «Ho ara-drariny ny fitsarana, satria fitsarana ataon’ ny tena. . . Ao anatinao ny seza fiandrianana». Hoy ny mpampianatra izay miandany amin’ ny fiantsoana avelo, raha nifoha tao aminy ny «fahatsiarovan-tena ara-panahy» : «Ny mpiarabelona amiko rehetra dia samy andriamanitra tapany sy tsy lavo avokoa». Misy iray hafa manao hoe : «Na iza na iza marina sy tanteraka dia samy Kristy avokoa».HM 578.1
Noho izany, eo amin’ ny toeran’ ny fahamarinana sy ny fahatanterahan’ May Andriamanitra tsy hita fetra, Izay hany tokony ivavahana; eo amin’ ny toeran’ ny fahamarinana tanteraky ny lalàny. izay tena fisedrana ny asan’ ny olombelona, no nametrahan’ i Satana ny maha-olombelona feno fahotana sy maniasia no hany tokony hivavahana, ho hany fitsipika hoenti-mitsara, na ho tarigetran’ ny toetra amam-panahy. Fandrosoana izany, nefa tsy mihasolanga fa mihajoko.HM 578.2
Lalàna manan-kery amin’ ny ara-tsaina sy ny ara-panahy ny hoe miova araka izay banjinintsika isika. Mivoatra miandalana hifanaraku amin’ izay zavatra avelantsika hiantombenany ny saina. Manjary miray volo amin’ izay nozarina ho tiany sy hajainy izy. Ny olona dia tsy hisandratra na oviana na oviana ho ambony kokoa noho ny filamatra nofidiny ara-pahadiovana sy fahatsarana ary fahamarinana. Raha ny tenany no nataony ho tarigetra ambony indrindra hotratrarina, dia tsy hahatratra na oviana na oviana izay ambony noho izany mihitsy izy. Ny marina dia hitotongana ambany kokoa hatrany izy. Ny fahasoavan’ Andriamanitra irery ihany no manan-kery hanandratra ny olona. Raha avela samirery izy, dia tsy maintsy hitsontsori-midina ny lalany.HM 579.1
Amin’ ny mpitia fanaranam-po sy mpakamamy fahafinaretana, ary ny mpanaraka ny filan’ ny nofo. ny filalaovan’ angatra dia tsy mitafy endrika mihaja loatra tahaka ny amin’ ny olona ambony fiaina sy ara-tsaina. fa amin’ izay mifandrindra amin’ ny fironana misy eo amin’ ny olona tahaka ireny. Voadinik’ i Satana avokoa izay rehetra mety ho famantarana sy fahalemena amin’ ny toetr’ olombelona; marihiny izay fahotana malaky mahazo ny tsirairay, ary dia kendreny tsy ho diso ny fotoana mety hanomezana fahafaham-po ny fironana ho amin’ ny ratsy. Alainy fanahy ny olona hanao tafahoatra amin’ ny zavatra ara-dalàna rahateo. ka mahatonga azy noho ny tsy fahalalana onony, hampihena ny hery ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy ao aminy. Efa nanimba ary mbola hanimba olona an’ arivony izy amin’ ny fampanaranam-po ny filana ambany, ary amin’ izany dia manao amboletra amin’ ny tenan’ ny olona manontolo izy. Ary mba hahatomombana ny asany ambarany amin’ ny alalan’ ireo fanahy fa «ny fahalalana marina mametraka ny olona ho ambonin’ ny lalàna rehetra»; ary «na inona na inona misy dia mety avokoa»; fa «Andriamanitra tsy manameloka», ary «tsy ananan-tsiny avokoa ny fahotana rehetra atao». Rehefa voatarika toy izany ny olona hino fa ny faniriana no lalàna ambony indrindra, fa ny atao hoe fahafahana dia ny fahazoa-manao izay zavatra rehetra tian-katao. ary tsy hampamoahana afa-tsy amin’ ny tenany ihany ny olona. ka moa ve tokony hahagaga raha manorobona hatraiza hatraiza ny fahalotoana sy ny faharatsiampitondrantena? Eken’ ny olona mora foana ny fampianarana izay manome azy malalaka hanaraka ambokony ny bitsiky ny fony ara-nofo. Avotsotra ho eo ambozon’ ny filan-dratsy ny lamboridin’ ny fifehezantena, ary avela hianjadian’ ny fironana maha-biby ny herin’ ny sainy sy ny fanahy, koa dia mibitaka i Satana mandraoka an’ arivony ho ao anatin’ ny haratony ireo izay milaza tena ho mpanaraka an’ i Kristy.HM 579.2
Tsy misy na iza na iza anefa natao ho voafitaky ny fihamboana mandaingan’ ny filalaovana angatra. Efa nanome fahazavana ampy an’ izao tontolo izao Andriamanitra ahazoany mahita ny fandrika. Araka ny efa naseho, dia mifandona amin’ ny filazana mazava indrindra ao amin’ ny Soratra Masina ny laha-kevitra iorenan’ ny filalaovan’ angatra. Manambara ny Baiboly fa ny maty dia tsy mahafantatra na inona na inona. fa efa levona avokoa ny fisainany; tsy manana anjara mihitsy amin’ izay atao ety ambanin’ ny masoandro izy; tsy misy na inona na inona fantany ny amin’ ny fifaliana na ny fahorian’ ireo olona tiany indrindra eto an-tany.HM 580.1
Ankoatr’ izany, dia noraran’ Andriamanitra mafy izay rehetra lazaina fa fifandraisana amin’ ny fanahin’ ireo efa maty. Tamin’ ny andron’ ny Hebreo dia nisy antokon’ olona izay nihambo, tahaka ny ataon’ ireo mpamoha angatra ankehitriny, ho mifandray amin’ ny maty. Fa ny natao hoe «zavatra manindry», izay niantsoana ireo mpamangy avy any an-koatra, dia lazain’ ny Baiboly ho «fanahin’ ny demonia». (Ampitahao : Nomery 25 : 1-3 ; Salamo 106 : 28 ; 1 Korintiana 10 ; 20 ; Apokalypsy 16 ; 14) Ny fifandraisana amin’ ny manao azy ho tsindrian-javatra dia nolazaina fa fahavetavetana teo imason’ i Jehovah, ary norarany mafy dia mafy ka nomelohina ho faty izay nanao izany. (Jereo Levitikosy 19 :31 ; 20 : 27) Ankehitriny na ny anarana hoe «sikidy» aza dia fanazimbazimba. Raisina ho anganom-bavy antitra ninoana tamin’ ny fotoan’ andro nanjakan’ ny haizina ny fihamboan’ ny olona ho afaka mifampiraharaha amin’ ny fanahy ratsy. Ny fiantsoana avelo kosa, izay miisa aman-ketsiny ny mpanaraka azy, eny an-tapitrisany aza, dia tafatsofoka hatrany amin’ ny fikambanan’ ny mpahay «siansa», tafabosesika hatrany am-piangonana, ankasitrahana ao amin’ ny antenimiera mpanao lalàna. ary na dia hatrany amin’ ny lapan’ ny mpanjaka aza io fitaka goavana dia goavana io dia tsy inona tsy akory fa fifohazan’ ny sikidy amin’ ny endrika vaovao, izay nomelohina sy norarana mafy fahiny.HM 580.2
Fa raha tsy nisy aza porofo mazava hafa ny amin’ ny tena toetry ny filalaovan’ angatra, dia tokony ho ampy ho an’ ny kristiana ny tsy anavahan’ ireo fanahy amin’ ny fahamarinana sy ny fahotana, ny apostolin’ i Kristy ambony sy madio fo indrindra amin’ ny mpanompon’ i Satana maloto indrindra amin’ ny filazany fa any an-danitra ny olona farafaikany indrindra, ka asandratra avo dia avo any, dia ambaran’ i Satana amin’ izao tontolo izao hoe : «Tsy mampaninona na ratsy fanahy toa inona aza ianareo, tsy mampaninona na mino na tsy mino an’ Andriamanitra sy ny Baiboly ianareo. Miveloma araka izay tianareo; fa ny lanitra no fonenanareo». Ireo mpampianatra miandany amin’ ny fiantsoana avelo dia toa miteny hoe : «Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason’ i Jehovah ka ankasitrahany; na amin’ ny hoe : «Aiza Andriamanitry ny fitsarana?» 5Malakia 2 : 17 Hoy ny tenin’ Andriamanitra «Lozan’ izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy! Izay manao ny maizina ho mazava ary ny mazava ho maizina!» 6Isa. 5 : 20 Mifanohitra amin’ izay voalazan’ ireo apostoly fony fahavelony teo ambany fitarihan’ ny Fanahin’ Andriamanitra no ambaran’ ireo fanahy mandainga milaza ho fanahin’ ny apostoly. Laviny tsotra izao ny maha avy amin’ Andriamanitra ny Baiboly, ary amin’ izany no andravany ny fototry ny fanantenan’ ny kristiana sy amonoany ny fahazavana izay mampiseho ny lalana mankany an-danitra. Asain’ i Satana mino izao tontolo izao fa tantara noforonina fotsiny ny Baiboly, na boky sahaza ny taranak’ olombelona tany am-piandohany, fa ankehitriny kosa tsy tokony hoheveriny firy, na tokony hapetraka mihitsy aza satria efa lany andro. Ary ho solon’ ny tenin’ Andriamanitra dia ny filalaovana angatra no arosony. Fiasana eo ambany fifehezany manontolo ireo; amin’ ny alalan’ izany no ahazoany mampino izay tiany an’ izao tontolo izao. Ilay Boky hitsarana azy sy ny mpanaraka azy dia apetrany any amin’ ny aloka, eo amin’ izay itiavany azy indrindra; Ilay Mpamonjin’ izao tontolo izao dia ataony eo amin’ ny laharán’ ny olon-tsotra. Koa tahaka ny nampielezan’ ny mpiambina Romana izay niandry ny fasan’ i Jesosy ny tatitra mandainga nafahan’ ny mpisorona sy ny loholona azy hoenti-mandà ny nitsanganany tamin’ ny maty, dia toy izany koa no ataon’ ireo mpilalao angatra izay miezaka ny hampiseho fa tsy nisy fahagagana velively tamin’ ny toe-javatra momba ny fiainan’ ny Mpamonjy. Koa rehefa avy nanosika an’ i Jesosy any ivoho izy ireo, dia mitarika ny saina ho amin’ ny fahagagana vitany ka lazainy fa mihoatra lavitra noho.ny nataon’ i Jesosy ireny.HM 581.1
Marina fa ankehitriny dia miova endrika ny fiantsoana avelo : sarontsaronany ireo toetra tsy mahomby ananany. fa maka endrika kristiana izy. Efa mby an-tsofin’ ny besinimaro nandritra ny taona maro anefa ny filazana nataony ampahibemaso sy navoakany an-dahatsoratra ka asehon’ izany ny tena toetrany marina. Tsy azo atao ny mandà na manafina ny fisian’ ireny fampianarana ireny.HM 582.1
Fa amin’ ny endrika isehoany amin’ izao andro izao, dia tsy hoe azo leferina noho ny taloha ny filalaovana angatra, fa mainka mampidi-doza izy noho ny famitahana mifono hafetsena lalina kokoa ampiasainy. Raha nandà an’ i Kristy sy ny Baiboly izy tamin’ ny voalohany, ankehitriny kosa dia miseho ho manaiky azy roroa. Hazavaina amin’ ny fomba azoazon’ ny fo tsy voaova anefa ny Baiboly, fa atao tsy misy lanjany kosa ireo fahamarinana votoatiny sy iankinan’ ny aina. Raisina ho matoan-toetran’ Andriamanitra ny fitiavana, nefa aetry ho toy ny fihetseham-po osaosa izany, ka zara raha miseho ny maha-samihafa ny tsara sy ny ratsy. Ny fahamarinan’ Andriamanitra, ny fanamelohany an-karihary ny fahotana, ny fitakian’ ny lalàny masina, dia samy takonana tsy ho hitan’ ny maso avokoa. Ampianarina hihevitra ny Didy Folo ho toy ny Soratra efa maty ny vahoaka. Fa angano mahafinaritra, mahasondriana no mamabo ny saina ka mitarika ny olona handà ny Baiboly ho fototry ny finoana. Raha ny marina dia lavina sahala amin’ ny teo aloha ihany i Kristy, saingy efa nohajambain’ i Satana loatra ny mason’ ny vahoaka ka tsy hitany intsony ny fitaka.HM 582.2
Vitsy ny olona tena mahafantatra ny hery mamitaky ny famoauzan’ angatra sy ny loza mitatao raha mamela azy hiasa mangina. Maro no manandrakandrana izany mba hahafapo fotsiny ny fitiavany jerijery. Tsy tena mino marina an’ izany izy ary mampihoron-koditra azy ny fieritreretana an’ izany hoe hitolo-batana hofehezin’ ny fanahy izy. Sahisahy mandeha amin’ ny toerana voarara anefa izy, ka afaka mampiasa ny fahefany aminy ilay mpandringana manan-kery na dia tsy ankasitrahan’ ireo aza izany. Rehefa voatarika indray mandeha fotsiny izy hampilefitra ny sainy hotarihiny. dia lasany ho babo. Tsy azony atao, amin’ ny herin’ ny tenany samirery, ny hiala amin’ ny heriny mahasondriana sy mahataona. Tsy misy afa-tsy ny herin’ Andriamanitra, izay omena ho valin’ ny vavaka mafana atao amin’ ny finoana, no mahay manafaka ireo fanahy voafandrika ireo.HM 582.3
Izay rehetra mandefitra amin’ ny toetrany voalotom-pahotana, na minia mankamamy fahotana fantatra, dia miantso ny fakampanahin’ i Satana hamely azy. Mampisaraka ny tenany amin’ Andria - manitra izy sy tsy ho eo amin’ ny fiambenan’ ny anjeliny; koa rehefa aroson’ ilay ratsy ny fitaka ataony, dia tsy manam-piarovana izy ka hazany mora foana. Izay mitolo-batana hianjadian’ ny heriny toy izany dia tsy mahafantatra akory izay hiafaran’ ny diany. Rehefa vitan’ ilay mpaka fanahy ny fandresena azy tanteraka, dia hampiasainy hitaona ny hafa am-pitaka ho amin’ ny fandringanana izy.HM 582.4
Hoy ny mpaminany Isaia : «Ary raha lazaina aminareo hoe : milà saina amin’ ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan’ ny olona saina? Fa hila saina amin’ ny maty ho an’ ny velona va izy? Ho amin’ ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, dia olona izay tsy hiposahan’ ny fahazavan’ ny maraina» 7Isa. 8 ; 19 ; 20. Raha vonona handray ny fahamarinana voalaza mazava ao amin’ ny Soratra Masina mikasika ny toetry ny olombelona sy ny maty ny olona, dia ho tsinjony ao ivohon’ ny fihamboan’ ny filalaovan’ angatra sy ny fisehosehoany ataony ny fiasan’ i Satana amin’ ny hery sy ny famantarana ary ny fahagagana mandainga. Nefa aleon’ ny maro mifikitra amin’ ny fahafahan’ ny fo ara-nofo, amin’ ny fahafinaretana sy amin’ ny fahotana ankamamiany, ka dia akimpiny ny masony tsy hahita ny mazava ary mandroso tsy miraharaha ny fampitandremana izy, ka latsaka ao amin’ ny fandriky ny fahavalo. «Satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy. Koa izany no ampananteran’ Andriamanitra fiàsan’ ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga» 82 Tes.2 : 10 , 11.HM 583.1
Izay manohitra ny fampianarana momba ny famohazan’ angatra dia tsy miady amin’ ny olombelona fotsiny, fa amin’ i Satana sy ny anjeliny koa. Niditra amin’ ny ady ifanaovana amin’ ny «fanapahana sy amin’ ny fanjakana sy. . . amin’ ny fanahy ratsy eny amin’ ny rivotra izy. «Tsy hihemotra na dia tsivalandia kely akory i Satana raha tsy ireo mpitondra hafatry ny lanitra no manosika azy hiverina. Tokony ho afaka hifanehatra aminy, tahaka ny nataon’ ny Mpamonjy ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ ny hoe, «voasoratra hoe». Azon’ i Satana atao ankehitriny, tahaka ny tamin’ ny andron’ i Kristy, ny mandray ny tenin’ ny Soratra Masina ka aolany ny fampianarany hoentiny manohana ny fitaka ataony. Izay te-hijoro amin’ izao andro isian’ ny loza izao dia tsy maintsy mahafantatra ho an’ ny tenany ny fanambaran’ ny Soratra Masina.HM 583.2
Maro no hifanandrina amin’ ny fanahin’ ny demonia izay haka ny endriky ny havana aman-tsakaiza ary hanambara fampianarandiso faran’ izay mampidi-doza. Hanohina ny fitiavantsika mamy indrindra ireo ka hanao fahagagana hanohanany ny zavatra hihamboany. Tsy maintsy ho vonona hanohitra ireny amin’ ny fahamarinan’ ny Baiboly izay milaza fa ny maty tsy mahalala na inona na inona isika, koa ny angatra izany dia tsy maintsy ho fanahin’ ny demonia.HM 584.1
Manoloana antsika indrindra izao ny «andro fakam-panahy izay efa hihatra amin’ izao tontolo izao ho tizahan-toetra izay monina ambonin’ ny tany» 9Apok. 3 : 10. Ho voafitaka sy ho resy izay rehetra tsy manana ny finoana mafy orina amin’ ny Tenin’ Andriamanitra. Miasa amin’ ny fahagagana mandainga rehetra i Satana mba ahazoany manapaka ny zanak’ olombelona, ary hitombo hatrany ihany ny fitaka ataony. Tsy hahavoa anefa ny tetiny raha tsy milefitra an-tsitrapo amin’ ny fakam-panahy ny olona. Izay mitady amin’ ny fony rehetra hahalala ny fahamarinana ka miezaka ny hanadio ny fanahiny amin’ ny alalan’ ny fankatoavana, ary miomana araka izay azony atao amin’ izany hiatrika ny ady dia hahita fiarovana azo antoka ao amin’ Ilay Andriamanitry ny fahamarinana. «Satria efa nitandrina ny teniko ny amin’ ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao» 10Apok. 3 : 10, hoy ny teny fikasan’ ny Mpamonjy. Aleony mandefa ny anjely rehetra any an-danitra hiaro ny vahoakany toy izay hamela ny fanahy iray izay matoky azy ho resin’ i Satana.HM 584.2
Asehon’ ny mpaminany Isaia eo imasontsika ny fitaka mahatsiravina izay hihatra amin’ ny ratsy fanahy, ka hahatonga azy hihevitra ny tenany ho voaaro amin’ ny fitsaran’ Andriamanitra : «Efa nanao fanekena tamin’ ny fahafatesana izahay ary efa nanao fifanarahana tamin’ ny fiainan-tsi-hita, ka na dia avy aza ny loza manafotra, dia tsy hihatra aminay izany fa ny lainga no nataonay fiarovana, ary ny fitaka ho fietena»11Isa. 28:15. Anisan’ ny antokon’ olona voalaza eto izay matoky tena ka mikiribiby tsy mety mibebaka fa miantehitra amin’ ny hoe tsy misy famaizana hihatra amin’ ny mpanota; fa hasandratra ho any an-danitra avokoa ny olona rehetra. na manao ahoana na manao ahoana faharatsiany ka hanjary anjelin’ Andriamanitra. Nefa mainka manizingizina izany ireo manao fanekena amin’ ny fahafatesana sy fifanarahana amin’ ny helo, izay niala tamin’ ny fahamarinana nomanin’ ny lanitra ho fiarovana ny marina amin’ ny androm-pahoriana, ka manaiky ny fiarovan’ ny lainga atolotr’ i Satana ho solon’ izany, dia ny fihamboana mamitaka ataon’ ny filalaovana angatra.HM 584.3
Mahagaga ka tsy hay lazaina ny fahajamban’ ny olona amin’ ity taranaka ity. An’ arivony no mitsipaka ny tenin’ Andriamanitra izay lazainy fa tsy mendrika hinoana ary dia feno fitokisana fatratra izy mandray ireo fitaka ataon’ i Satana. Ampangain’ ireo mpisalasala sy mpanaraby ny fitiavam-bavaka lazainy fa diso toerana hitany eo amin’ izay mitana mafy ny finoan’ ny mpaminany sy ny apostoly, ary ataony ho fanalana hamohamo sy fanazimbazimba ireo fanambarana miezinezina ao amin’ ny Soratra Masina mikasika an’ i Kristy sy ny drafitry ny famonjena ary ny famaliana hihatra amin’ izay mitsipaka ny fahamarinana. Miseho ho mangoraka ireo olona lazainy fa malemy sady tery saina ary minomino foana izy ireny, hany ka milefitra hankatò izay tadiavin’ Andriamanitra sy hanaraka ny baikon’ ny lalàny. Mampiseho fahatokian-tena fatratra izy amin’ izany, toa efa nanao fanekena marina tokoa tamin’ ny fahafatesana sy nifanaraka tamin’ ny helo — toa efa nanangana fefy tsy azo ihoarana sy tsy azo idirana manelanelana azy amin’ ny famalian’ Andriamanitra. Tsy misy na inona na inona mampahatahotra azy. Efa nitolo-batana manontolo tamin’ ny mpaka fanahy izy, efa tafaray amin’ ny fomba ety dia ety taminy, ary efa vonto tanteraka amin’ ny fanahiny, hany ka tsy manan-kery sady tsy manam-paniriana hiala amin’ ny fandrika voavelatra.HM 585.1
Efa ela i Satana no niomana ho amin’ ny ezaka farany hamitahany an’ izao tontolo izao. Napetrany tamin’ ny toky nomeny an’ i Eva tao Edena ny fanorenan’ ny asany hoe : «Tsy ho faty tsy akory ianareo». «Amin’ ny andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’ Andriamanitra ianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy» 12Gen. 3 : 4 , 5. Nomaniny tsikelikely ny lalana ho amin’ ny fitaka fara-tampony hataony amin’ ny fitomboan’ ny filalaovana angatra. Tsy mbola nahatratra ny fahatanterahana feno ny amin’ ny zava-kendreny nefa izy; nefa ho tody amin’ izany amin’ ny andro farany sisa. Hoy ny mpaminany : «Ary nahita aho fa indreo fanahy maloto telo tahaka ny sahona. . . fanahin’ ny demonia ireo ka manao famantarana sady mankany amin’ ny mpanjaka amin’ izao tontolo izao mba hanangona azy ho amin’ ny adin’ ilay andro lehiben’ Andriamanitra Tsitoha» 13Apok. 16 : 13 , 14. Afa-tsy izay voaron’ ny tenin’ Andria- manitra. amin’ ny alalan’ ny finoana ny teniny. dia ho voafaoka ho ao amin’ ny laharany izao tontolo izao manontolo hanaraka ny fitaka ataony. Sondriana sy renoka ny vahoaka noho izany fiadanana mampidi-doza izany, ary tsy hifoha raha tsy hirotsaka ny fahatezeran’ Andriamanitra.HM 585.2
Hoy Jehovah Tompo : «Ny fitsarana no hataoko ho fitsipika, ary ny fahamarinana no ho pilao; hopaohin’ ny havandra ny lainga fiarovana, ary hindaosin’ ny rano ny fierena. Hofoanana ny fanekenareo amin’ ny fahafatesana, ary tsy haharitra ny fifanarahanareo amin’ ny fiainan-tsi-hita; raha ho avy ny loza manafotra, dia ho tonga fanitsakitsany ianareo» 14Isa. 28: 17 . 18.HM 586.1