Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hery Mifanandrina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 36—Mananontanona ny fifandonana farany

    Hatramin’ ny nipoahan’ ilay ady lehibe tany an-danitra no efa fíkasan’ i Satana ny handrodana ny lalàn’ Andriamanitra. Izany no anton’ ny nananganany ny fanevan’ ny fikomiana tamin’ ny Mpamorona, ary rehefa voaroaka avy tany an-danitra izy, dia mbola nanohy ny ady tetý an-tany. Ny hamitaka ny olona sy ny hitarika azy amin’ izany handika ny lalàn’ Andriamanitra no fenitra tsy miova kendreny hotratrarina. Na ny fialana amin’ ny lalàna manontolo na ny fitsipahana ny anankiray amin’ ny didy no ahavitany izany, dia hitovy ny vokany amin’ ny farany. Izay «diso amin’ ny iray loha» dia manamavo ny lalàna manontolo; ny hery miasa mangina avy aminy sy ny ohatra omeny dia samy mitory fandikandalàna ; tonga «meloka amin’ izy rehetra izy» 1Jak. 2:10.HM 607.1

    Tamin’ ny fiezahany hampietry voninahitra ny fitsipika nomen’ Andriamanitra, dia naolan’ i Satana ireo fampianaran’ ny Baiboly, ary tamin’ izany no nahatafatsofoka fampianaran-diso ao amin’ ny finoana tanan’ ny olona an’ arivony izay milaza fa mino ny Soratra Masina. Tsy inona ilay fifandonana farany amin’ ny fahamarinana sy ny fampianaran-diso fa ny fizarana farany eo amin’ ilay ady nitarazoka mikasika ny lalàn’ Andriamanitra. Miditra amin’ izany ady izany isika izao, — ady ifanaovan’ ny lalàn’ olombelona sy ny didin’ i Jehovah, ikatrohan’ ny fivavahan’ ny Baiboly sy ny fivavahana mifototra amin’ ny anganongano sy ny lovan-tsofina.HM 607.2

    Miasa fatratra ankehitriny ireo hery izay mikambana hanohitra ny fahamarinana sy ny hitsiny amin’ io ady io. Tsy ankafizina araka ny tena tombam-bidiny ny tenin’ Andriamanitra, izay noraisintsika tamin’ ny alalan’ ny fahoriana sy ny ra nandriaka be. Mby an-tanan’ ny olon-drehetra ny Baiboly, vitsy anefa no tena nanaiky azy ho mpitari-dalana ny fiainany. Manjaka ny tsy finoana ary mahavelon’ ahiahy ny mahita ny fitarany, tsy eo amin’ izao tontolo izao ihany. fa hatrany am-piangonana koa. Maro no voatarika handà ny fotopinoana izay tena andrin’ ny finoana Kristiana. Ireo zava-dehibe teo amin’ ny famoronana araka ny nanehoan’ ireo mpanoratra nahazo tsindrimandry azy, ny nahalavoan’ ny olona. ny fanavotana. sy ny tsy fiovan’ ny lalàn’ Andriamanitra. dia azo lazaina fa tena voatsipaka na ny manontolo na ny sasantsasany. eo amin’ ny ankamaroan’ ny Kristiana. An’ arivony ny olona mirehareha amin’ ny fahendreny sy ny fahafahany hisaina ho an’ ny tenany no mihevitra ho porofon’ ny fahalemena ny matoky tsy misy ady hevitra ny Baiboly ; ataony fa porofon’ ny fahambonian-tsaina sy fahalalana ny maninitsiny ny Soratra Masina sy ny mandray azy ho ara-panahy fotsiny ary ny manao famoaboasana lalina an’ ireo fahamarinana lehibe indrindra raketiny mba hialany aminy. Maro ny mpitandrina no mampianatra ny olona tandremany, ary betsaka ny mpampianatra no milaza amin’ ny mpianany fa efa novana na nofoanana ny lalàn’ Andriamanitra ; koa ireo izay mbola mitana ny didy ho manan-kery, ka tokony hankatoavina ara-bakiteny. dia fanabantiana sy esoeso ihany no mendrika azy.HM 607.3

    Ny fandavan’ ny olona ny fahamarinana dia fandavany koa Ilay nanao izany. Ny fanitsakitsahany ny didin’ Andriamanitra. dia fandavany ny fahefan’ May Mpanome lalàna. Mora ny manao sampy amin’ ny hazo na ny vato. ary mora toy izany koa ny manangana ho sampy ny fampianaran-diso sy ny laha-kevitra tsy izy. Nasehon’ i Satana tsy araka ny marina ny maha-Andriamanitra an’ Andriamanitra ary amin’ izany no hitarihany ny olona hihevitra Azy amin’ ny toetra tsy araka ny marina. Ho an’ ny olona maro dia foto-kevitra arapilozofia no ataony sampy ka omeny toerana eo amin’ ny seza fiandrianana ho solon’ i Jehovah ; fa an-kavitsiana kosa no miankohoka eo anoloan’ Ilay Andriamanitra velona, araka izay voaseho ao amin’ ny teniny, ao amin’ i Kristy, sy ao amin’ ny asa famoronana. An’ arivony ny olona manao ny zavaboary ho Andriamanitra, nefa mandà ilay Andriamanitra nanao ny zavaboary. Na dia mitafy endrika hafa aza ny fanompoan-tsampy, dia mbola misy tokoa eo amin’ ny mpivavaka kristiana izay amin’ izao andro ankehitriny izao tahaka ny nisiany teo amin’ ny Isiraely fahizay tamin’ ny andron’ i Elia. Ny andriamanitry ny olona maro lazaina fa handry. ny an’ ny mpanao hevi-tsaina, ny an’ ny mpanao tononkalo, ny an’ ny mpanao politika, ny an’ ny mpanao gazety — ny andriamanitr’ ireo antsoina hoe olona miaina araka ny fahalalam-pomba mihaja, any amin’ ny sekoly ambony sy Oniversite maro, eny, na dia ny an’ ireo toeram-pianarana momba ny fandalinam-pinoana aza, — dia tsy mihoatra firy noho i Bala ilay andriamanitra masoandron’ ny Foinikiana.HM 608.1

    Tsy misy fampianaran-diso eken’ ireo mpivavaka Kristiana izay sahy mifandona mivantana amin’ ny fahefan’ ny Lanitra ; tsy misy mitsipaka an-karihary ny baikon’ ny fisainana mizotra araka ny hitsiny, tsy misy mamoa-doza tahaka ny fampianarana ankehitriny izay mahazo vahana haingana tokoa, milaza fa tsy mifehy ny olona intsony ny didin’ Andriamanitra. Samy manana ny lalány ny firenendrehetra, izay mitaky fanajana sy fankatoavana , tsy misy na dia iray aza fitondram-panjakana vanona raha tsy misy lalàna ; nefa dia tadiavin’ ny olona tsy hanome lalàna hitondrany ny olona noforoniny Ilay Mpahary ny lanitra sy ny tany! Hevero hoe misy mpitandrina malaza mampianatra ampahibemaso fa azo atao ny tsy hankato ny lalàna mifehy ny tany misy azy sy miaro ny zon’ ny olom-pirenena ao — fa mamepetra ny fahafahan ny vahoaka ireo lalána ireo noho izany dia tsy tokony hankatoavina ; haharitra hafiriana no handeferana amin’ ny olona toy izany hitory eny ambony polipitra? Nefa heloka makadiry kokoa ve ny manao zinona ny lalám-panjakana sy ny lalàm-pirenena noho ny manitsakitsaka ireo fitsipika nomen’ Andriamanitra izay fototra iorenan’ ny fanapahana rehetra?HM 609.1

    Mety kokoa amin’ ny firenena ny manafoana ny lalána eo aminy ka hamela ny vahoaka hanao araka izay tiany, toy izay Ilay Mpifehy izao rehetra izao no hanafoana ny lalàny, ka hamela an’ izao tontolo izao tsy hanana fitsipi-pitondrana izay hanamelohana ny diso fa hanamarinana ny marina kosa. Tian-ko fantatra ve ny vokatra ateraky ny fanaovana tsinontsinona ny lalàn’ Andriamanitra? Efa natao ny fanandramana. Nahatsiravina ny toe-javatra niseho tany Frantsa rehefa nanjary hery nanapaka ny fandavana ny fisian’ Andriamanitra. Voaseho mazava tamin’ izay teo anatrehan’ izao tontolo izao fa rehefa akifika ireo fefy natsangan’ Andriamanitra, dia midika ho fanekena hotapahin’ ny olon-doza indrindra izany. Rehefa tsipahina ny fitsipi-pahamarinana, dia midanadana ny lalana hanorenan’ ilay andrianan’ ny faharatsiana ny fahefany eto an-tany.HM 609.2

    Na oviana na oviana no andavana ny didin’ Andriamanitra, dia tsy hita intsony ny maha-fahotana ny fahotana na ny toetra mahatsiriritra ananan’ ny fahamarinana. Izay manda ny hilefitra amin’ ny fitondram-panjakan’ Andriamanitra dia tsy hahay mihitsy hitondra ny tenany. Ny fampianarana mampidi-doza entin’ ny olona toy izany dia mamboly ny toe-tsaina tsy azo fehezina ao am-pon’ ny ankizy sy ny tanora, izay efa tsy mahazaka rahateo ny hofehipehezina, koa ny ho vokany dia fiaraha-monina tsy tan-dalana sy baranahiny. Misy olona marobe manesoeso ny fahatsorampon’ ireo mankatò ny didin’ Andriamanitra, nefa kosa manaiky mora foana ny fitak’ i Satana. Ny filana ambany no ekeny hitondra azy ary ataony ireo fahotana izay nahatonga ny fitsaran’ Andriamanitra hihatra tamin’ ny jentilisa.HM 609.3

    Izay mampianatra ny olona hanamaivana ny didin’ Andriamanitra dia mamafy tsy fankatoavana ary hijinja tsy fankatoavana. Esory tanteraka ange ireo fepetra apetraky ny lalán’ Andriamanitra. dia ho vetivety foana dia tsy ho voahaja intsony ny lalán’ olombelona Satria raran’ Andriamanitra ny fanao tsy marina, ny fitsiriritana, ny lainga sy ny fitaka, dia vonona ny olona hanitsakitsaka ny lalàny, satria fanankatsankanana ny fahombiazany eo amin’ izao tontolo izao ireny ; nefa ny ho vokatry ny fanafoanana ireo lalàna ireo dia tsy ampoiziny velively. Raha tsy manan-kery intsony ny lalàna, inona no antony tokony hatahorana ny fandikana azy? Tsy ho azo antoka intsony ny fananana. Halain’ ny sasany an-keriny ny fananan’ ny mpifanolobodirindrina aminy, ka izay mahery ihany no hanan-karena. Na dia ny aina aza dia tsy ho voatsimbina. Tsy ho fefy masina hiaro ny ankohonana intsony ny voadin’ ny fanambadiana. Izay matanjaka, raha tiany izany, dia ho afaka haka ankeriny ny vadin’ ny namany. Hofoanana miaraka amin’ ny didy fahefatra ny didy fahadimy. Tsy hiahotra akory ny ankizy handatsaka ny ain’ ny ray aman-dreniny raha izany no ahazoany izay tadiavin’ ny fo ratsiny. Hivadika ho andiam-pangalatra sy mpamono olona izao tontolo izao mandroso, ka ho voaroaka tsy ho eto an-tany ny fandriam-pahalemana sy ny fiadanana ary ny fahasambarana.HM 610.1

    Namono miandalana ny toe-tsaina mahatsapa andraikitra sy nanafotra faharatsiana an’ izao tontolo izao ny fampianarana milaza fa afaka amin’ ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra ny olona. Mipaoka antsika tahaka ny samonta mahery ny tsy fankatoavandalàna, ny fandaniam-poana sy ny fandraisan-kolikoly. Ao amin’ ny fianakaviana no iasan’ i Satana. Miofaofa ny fanevany, eny na dia ao amin’ ny ankohonana atao hoe Kristiana aza. Hita ao ny fitsiriritana, ao ny fiahiahiana, ny fihatsarambelatsihy, ny fihafahafana, ny fifandirana, ny adilahy, ny fivadiham-pitokisana, ny fanaranam-po amin’ ny filan-dratsy. Ny rafitra manontolon’ ny foto- kevitra ara-pivavahana sy ara-pampianaram-pinoana, izay tokony ho fanorenan’ ny fiaraha-moniria sy fehy ivondronany, dia toa antontan-javatra madiva hirodana sy ho potika. Ny mpanao heloka bevava aiditra am-ponja noho ny ratsy vitany, dia mazana no tototry ny fanomezana sy voakarakara fatratra toy ny olona nahatratra toerana ambony mahatsiriritra. Dradraina ombieniombieny ny toetrany mbamin’ ny heloka bevava vitany. Avoaka an-gazety hatramin’ ny antsipiriany ny haratsiam-panahiny maharikoriko, ary izany dia fampianarana ny hafa hanambaka, hangalatra sy hamono olona toa azy koa. Ary dia mibitaka ery i Satana noho ny fahombiazan’ ny teti-dratsy mahavoafady nataony. Ny fahamaimaizana hanao ratsy, ny famonoan’ olona tsy misy antony, ny fitomboana mahatsiravina amin’ ny tsy fahalalana onony sy ny tsy fahamarinana isan-karazany, dia tokony hampifoha izay rehetra matahotra an’ Andriamanitra mba hihevitra ny amin’ izay azo atao hisakanana ny fisasasasan’ ny faharatsiana.HM 610.2

    Voavidy ny mpitsara. Ny faniriana hanan-karena sy ny fitiavampahafinaretana ara-nofo no manetsika ny mpitondra. Efa nanamaizina ny sain’ ny maro ny tsy fahalalana onony hany ka efa saiky voafehin’ i Satana manontolo izy ireo. Voarebireby ny mpanao lalána, voakolikoly, voafitaka. Ny fimamoana sy ny fanaranam-po, ny fanandevozan’ ny filana, ny fitsiriritana, ny toetra tsy mahatoky isankarazany, dia hita eo amin’ ireo izay mampihatra ny lalàna. «Nahemotra ny rariny, ary mijanon-davitra ny hitsiny ; fa tafintohina eny an-kalalahana ny fahamarinana, ary ny hitsim-po tsy mahazo miditra» 2Isa. 59 : 14.HM 611.1

    Ny faharatsiana sy ny haizina ara-panahy izay nanjaka fony Roma nanampatra ny fahefany no vokatra tsy azo noscrohina avy amin’ ny fandrarany ny Soratra Masina ; fa avy aiza kosa no niavian’ ny toetra tsy mahatoky hita hatraiza hatraiza, ny fitsipahana ny lalàn’ Andriamanitra, ary ny fahalovana naterak’ izany amin’ izao andro amirapiratan’ ny fahazavan’ ny filazantsara sy amin’ izao fotoana isian’ ny fahafahana ara-pivavahana izao? Koa satria tsy azon’ i Satana atao intsony ankehitriny ny manapaka an’ izao tontolo izao amin’ ny fihazonana ny Soratra Masina, koa fomba hafa indray no ampiasainy hanatanterahany io zava-kendreny io ihany. Samy tontosany ny fikasany na amin’ ny fanapotehana ny finoana ny Baiboly, na amin’ ny fanapotehana mivantana ny Baiboly. Ny nampinoany ny olona fa tsy ilaina hotandremana intsony ny didin’ Andriamanitra, dia tena nahataomany azy handika ny lalàna toy ny tsy mahalala mihitsy ireo fitsipika omeny. Ary amin’ izao andro izao, tahaka ny teo aloha, dia miasa amin’ ny alalan’ ny fiangonana izy mba hahalavorary ny zava-kendreny. Ny fiangonana ankehitriny dia nandà tsy hihaino ireo fahamarinana tsy mamim-bahoaka aseho mazava ao amin’ ny Soratra Masina, ary ny fanoherany izany dia nahatonga azy hanaiky hevi-teny tsy marina sy hanao fihetsika izay nanaparitaka eny tontolo eny ny voan’ ny fisalasalana: Nifikitra tamin’ ny hevi-diso papaly ny amin’ ny tsy fahafatesan’ ny olona rahateo sy ny fahatsiarovan’ ny olona saina ao amin’ ny fahafatesana izy, ka nitsipaka ny hany fiarovana amin’ ny fitaka entin’ ny filalaovana angatra. Nitarika olona maro tsy hino ny Baiboly ny fampianarana momba ny fampijaliana mandrakizay. Ary rehefa taomina ny olona hankatò izay lazain’ ny didy fahefatra, dia hita fa tsy maintsy tandremana ny Sabatan’ ny andro fahafito ; koa mba ho fialana amin’ ny adidy tsy tiany hotanterahina, ireo mpampianatra tiam-bahoaka dia milaza fa tsy manan-kery intsony ny didin’ Andriamanitra. Rehefa mitatra ny asa fanavaozana momba ny Sabata, dia hitombo ka saika hahenika izao rehetra izao io fitsipahana ny lalán’ Andriamanitra io mba hialana amin’ ny fitakian’ ny didy fahefatra. Nampidanadana ny varavarana hidiran’ ny tsy finoana ny filalaovana angatra, ny fanaovana zinona ny lalàna masina ny fampianaran’ ny mpitondra fivavahana ; ary mipetraka amin’ ireo mpitondra ireo ny andraikitra mahatahotra amin’ ny faharatsiana misy eo amin’ izao tontolo izao misora-tena ho kristiana.HM 611.2

    Ry zareo ireny indrindra anefa no mihambo fa ny fihanaky ny faharatsian-toetra haingana dia haingana dia azo lazaina fa avy amin’ ny tsy fanamasinana ilay atao hoe «Sabata Kristiana» ny ankamaroany, ary ny fanamafisana ny fitandremanareo ny Alahady dia hanatsara bebe kokoa ny fitondrantenan’ ny olona eo amin’ ny fiaraha-monina. Antitranterina manokana io filazana io any Amerika izay toerana nitoriana be indrindra ny fampianarana momba ny tena Sabata. Any amin’ io tany io dia matetika no mifanindrandalana amin’ ny asa momba ny fahalalana onony izay anisan’ ny fanavaozana ara-pitondrantena misongadina sy mavesa-danja indrindra ny fihetsiketsehana momba ny Alahady. Ary ireo manohana an’ ity fihetsehana voalaza farany ity dia miseho ho miasa ho amin’ ny tombon-tsoa ambony indrindra ho an’ ny tany ama-monina ; ary izay mandà tsy hiray aminy dia ampangainy ho fahavalon’ ny fahalalana onony sy ny fanavaozana ara-pitondrantena. Nefa kosa tsy ampy ho antony hanohanana ny hevi-diso tsy akory ny fampifandraisana azy amin’ ny asa tsara. Azontsika atao ny manova endrika ny poizina rehefa ampifangaroina amin’ ny sakafo mahasalama izy, nefa tsy hanova inona aminy akory izany. Vao mainka aza mampididoza izy, satria mety tsy ho maodimaody ny mpihinana. Anankiray amin’ ny fitaka fanaon’ i Satana ny mampifangaro amin’ ny lainga ny fahamarinana izay ampyhahatonga azy hanana endrika ho marina. Mety hanao fanavaozana tena ilain’ ny vahoaka, dia foto-kevitra mifandrindra amin’ ny Baiboly, ireo mitarika ny fihetsiketsehana momba ny Alahady ; nefa ao dia misy izay ifanoherany amin’ ny lalàn’ Andriamanitra, koa dia tsy azon’ ny mpanompon’ Andriamanitra atao ny miray amin’ izy ireo. Tsy azo amarinina na amin’ ny fomba manao ahoana na amin’ ny fomba manao ahoana ny fanesorany ny didin’ Andriamanitra mba hitandremany ny didin’ olom belona.HM 612.1

    Amin’ ny alalan’ ireo hevi-diso roa lehibe, dia ny tsy fahafatesan’ ny fanahy sy ny fahamasinan’ ny Alahady, no hitarihan’ i Satana an’ izao tontolo izao ho babon’ ny fitaka ataony. Raha mampitoetra ny foto-kevitry ny filalaovana angatra izy voalohany, ity faharoa kosa mamitram-pihavanana amin’ i Roma. Ny Protestana any Etazonia dia ho loha-lalana hanatsotra ny tanany eo ambony tevana ka hifandray amin’ ny filalaovana angatra, ary hiampita ny hantsana koa izy mba hifamihina amin’ ny fahefana Romana ; ka noho ny herin’ io firaisana telo sosona io, dia hanaraka ny didin’ i Roma io tany io, ary hanitsakitsaka ny zo hanaraka ny feon’ ny fieritreretana.HM 613.1

    Arakaraka ny hakan’ ny filalaovana angatra tahaka akaiky kokoa ny fivavahana Kristiana anarany fotsiny amin’ izao vaninandro izao, no hananany hery bebe kokoa hoenti-mamitaka sy mamandrika. Manova fihetsika koa i Satana ka manaraka ny fisehoan-javatra ankehitriny. Hiseho amin’ ny endriky ny anjelin’ ny mazava izy. Amin’ ny alalan’ ny filalaovana angatra dia hisy fahagagana hatao, ny marary ho sitrana, ary betsaka ny zava-mahazendana tsy azo lavina ho vita. Koa satria milaza fa mino ny Baiboly ireo fanahy ireo, sady manaja izay efa naorin’ ny fiangonana, dia ho ekena ho fanehoana ny herin’ Andriamanitra ny asany.HM 613.2

    Sarotra ankehitriny ny manavaka izay milaza azy ho Kristiana sy ny olona tsy mivavaka. Izay tian’ izao tontolo izao no tian’ ny mambra ao amin’ ny fiangonana ka vonona ny hiray aminy izy, koa dia tapa-kevitra i Satana hampikambana azy ireo ho tena iray ary dia ho mafy orina ny asany amin’ ny fanaovana azy rehetra indray mifaoka ho ao amin’ ny laharan’ ny filalaovana angatra. Ireo mpiandany amin’ ny Papa, izay mirehareha fa ny fahagagana dia famantarana azo antoka ny fiangonana marina dia ho voafitak’ io hery manao zava-mahatalanjona io mora foana ; ary ny Protestanta izay manary ny ampingan’ ny fahamarinana, dia ho voafitaka koa. Ny mpiandany amin’ ny Papa, ny Protestanta, ny olona araka izao tontolo izao dia samy hanaiky ny endriky ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra nefa mandà ny heriny, ka hinoany fa amin’ ny alalan’ izany firaisana izany no hisehoan’ ny fihetsiketsehana lehibe izay hahatonga izao tontolo izao hiova fo sy hidirana amin’ ny arivo taona izay efa nandrasana ela.HM 613.3

    Amin’ ny alalan’ ny filalaovana angatra i Satana dia miseho ho toy ny mpanasoa ny taranak’ olombelona, manasitrana ny aretin’ ny olona izy, ary milaza fa manolotra fomba vaovao sy am bony kokoa hoenti-maneho ny finoana an’ Andriamanitra ; nefa miaraka amin’ izany koa dia manao ny asan’ ny mpandrava izy. Vahoaka marobe no voasarika ho amin’ ny fahafatesana noho ny fakampanahy afitsony. Mampitotongana ny saina mandanjalanja ny tsy fahalalana onony ; manaraka ho azy ny fanaranam-po ny filana, ny adilahy sy ny fandatsahan-dra. Maharavoravo an’ i Satana ny ady, satria mampirongatra ny fironana ratsy indrindra ao amin’ ny fanahy izany sady mifaoka izay rembiny ho any amin’ ny mandrakizay rehefa mihosina ao amin’ ny ra sy ny fanaovan-dratsy. Mamporisika ny firenena hiady izy, satria amin’ izany dia azony atao ny mampivily ny sain’ ny olona hiala amin’ ny asa fiomanana ho amin’ ny andron’ Andriamanitra.HM 614.1

    Miasa amin’ ny alalan’ ny zava-boahary koa i. Satana mba hanaovany jinja fary ireo fanahy tsy vonona. Nianarany ny tsiambaratelon’ ny fiasan’ ny zava-boahary ka ampiasainy ny heriny rehetra hifehezany azy hatramin’ izay fetra avelan’ Andriamanitra. Rehefa navela hampahory an’ i Joba izy, dia tao anatin’ ny fotoana fohy dia fongana avokoa ny andian’ ondry sy ny andiam-bibiny, ny mpanompony, ny tranony, ny zanany, ka nifanontona nanao tsy omby aloha ny loza. Andriamanitra no miaro ny noforoniny sy mamefy azy tsy ho azon’ ny herin’ ilay mpandringana. Nanamavo ny lalàn’ i Jehovah anefa ny mpivavaka Kristiana ; koa dia hotanterahin’ i Jehovah izay efa nambarany fa ataony. Hotsoahiny tsy ho eto an-tany ny fitahiany ary esoriny ny fiarovana sy ny fikarakarany an’ izay mikomy amin’ ny lalàny ka mampianatra sy manery ny hata hanao toy izany koa. Hianjady amin’ izay tsy arovan’ Andriamanitra amin’ ny fomba manokana i Satana. Misy omeny tombon- tsoa sy hambininy mba hahalavorary ny fikasany, ary ny hafa kosa hampahoriny mba hitaomany ny olona hino fa Andriamanitra no mampahory azy.HM 614.2

    Eo an-daniny dia hiseho amin’ ny zanak’ olombelona ho toy ny dokotera lehibe afaka hanasitrana ny aretina rehetra izy, nefa amin ny ankilany dia hahatonga aretina sy fandringanana koa, mandrapaharava sy hahafongana ireo tanàn-dehibe be mponina. Efa miasa sahady izy izao. Izy no mahatonga ny loza sy ny atambo an-dranomasina sy an-tanety, ny hain-tany midadasika, ny tadio misafotofoto sy ny havandra mahatsiravina, ny tafio-drivotra, ny tondra-drano, ny rivo-doza, ny fisamontan’ ny onjan-drano, ary ny horohorontany, amin’ ny toerana rehetra sy amin’ ny endrika tsy hita isa. tany, amin’ ny toerana rehetra sy amin’ ny endrika tsy hita isa. Mifaoka ny vokatra efa masaka izy, ka avy ny mosary sy ny fahoriana. Poizininy ny rivotra ka an’ arivony no matin’ ny areti-mandringana. Hitombo isa hihamafy hatrany ireny loza ireny. Hihatra amin’ ny olona sy amin’ ny biby ny fandringanana. «Misaona sy malazo ny tany , . . . milofika ny lehibe indrindra amin’ ny olona ety an-tany. Ary ny tany dia efa voavetavetan’ ny mponina eo aminy, satria nandika ny lalàna sy nanota ny didy izy ary nivadika ny fanekena mandrakizay » 3Isa. 24 : 4 , 5.HM 615.1

    Avy eo dia handresy lahatra ny olona ilay mpamitaka lehibe fa ny mpanompon’ Andriamanitra no mahatonga ireny loza ireny. Ny antokon’ olona izay nahatonga ny tsy fankasitrahan’ ny Lanitra indray no hiampanga ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra ho niavian’ ny fahoriany rehetra, satria ny fankatoavany dia faniniana lalandava ny mpandika lalàna. Holazaina fa mampahatezitra an’ Andriamanitra ny olona amin’ ny fandikany ny Sabata Alahady ; ka io fahotana io no nahatonga ireo antambo izay tsy hijanona raha tsy efa hamafisina fatratra ny fitandremana ny Alahady ; ary ireo izay mampiseho ny fahamasinan’ ny didy fahefatra, ka mandrava amin izany ny fanajana ny Alahady, dia mpanakorontana ny vahoaka, ary misakana ny fiverenany amin’ ny fankasitrahan’ Andriamanitra sy ny fanambinana eo amin’ ny asa ara-nofo. Noho izany dia hiverina indray ny fiampangana natao fahiny tamin’ ny mpanompon’ Andriamanitra sy noho ny antony mitovy. « Ary nony hitan’ i Ahaba i Elia, dia hoy izy taminy : Hay! tonga ety ianao ry ilay mampidi-doza amin’ ny Isiraely ? fa i Elia namaly hoe : tsy izaho no mampidi-doza amin’ ny Isiraely, fa ianao sy ny mpianakavin’ ny rainao ihany tamin’ ny nandavanareo ny didin’ i Jehovah sy ny nanarahanareo ireo Bala»41 Mpang. 18 : 17 , 18. Toy izany koa, ho romotra noho ireo fiampangana tsy marina ny vahoaka ka hanao fihetsika tsy hisy valaka tamin’ izay nataon’ Isiraely nihemotra tamin’ ny andron’ i Elia amin’ ireto ambasadaoron’ Andriamanitra.HM 615.2

    Ny hery manao fahagagana miseho amin’ ny alalan’ ny filalaovana angatra dia hiasa mangina ka hanohitra izay mifidy ny hankatò an’ Andriamanitra fa tsy ny olona. Ny hafatra entin’ ny angatra dia hanambara fa nirahin’ Andriamanitra izy ireo mba handresy lahatra izay mandà ny Alahady hiala amin’ ny fahadisoan-keviny, ary hizingizininy fa tokony hankatoavina tahaka ny lalàn’ Andriamanitra ny lalàna ao amin’ ny tany sy ny fanjakana. Hiseho ho malahelo mafy noho ny fihanaky ny ratsy eto amin’ izao tontolo izao izy ; ka hanohana ny filazan’ ireo mpampianatra ara-pivavahana fa ny tsy fankamasinana ny Alahady no mampitotongana ny fitondrantena. Ho lehibe ny fahatezerana hirongatra amin’ izay rehetra mandà tsy hanaiky ny teny lazainy.HM 616.1

    Ny tetika ampiasain’ i Satana amin’ ity fifanoherana farany ataony amin’ ny vahoakan’ Andriamanitra ity dia ilay nampiasainy tamin’ ny fiantombohan’ ny ady lehibe tany an-danitra ihany. Tety ivelany dia toa nitady izay hanamafisana orina kokoa ny fitondrampanjakan’ Andriamanitra, nefa tao amin’ ny mangina dia nampivondrona ny heriny rehetra mba ahazoany antoka ny handrodanany azy. Ary io asa niezahany natao io indrindra no niampangany ireo anjely mahatoky. Izany tetika famitahana izany ihany koa no hita taratra teo amin’ ny fiangonana Romana. Nilaza ny tenany ho miasa araka ny maha-solontenan’ ny Lanitra azy izy, nefa mitady izay hanandratany ny tenany ambonin’ Andriamanitra sy hanova ny lalàny. Fony Roma nanapaka, dia nampangaina ho mpanao ratsy ireo izay niaritra ny fahafatesana noho ny tsy fivadihany tamin’ ny filazantsara ; nolazaina fa niray petsapetsa tamin’ i Satana izy ; koa nampiasaina ny fomba rehetra hahatonga azy ireo ho tototry ny tsiny mba hanehoana azy teo imason’ ny vahoaka ary na dia teo imason’ ny tenany aza ho toy ny mpanao heloka bevava farany ambany indrindra. Ho tahaka izany koa ankehitriny. Eo am-pitadiavana ny handringanana ireo izay manome voninahitra an’ Andriamanitra i Satana, dia ataony izay hiampangana azy ho mpandika lalàna, ho olona manala baraka an’ Andriamanitra ka mahatonga ny fitsaran’ Andriamanitra amin’ izao tontolo izao.HM 616.2

    Na oviana na oviana Andriamanitra tsy manery ny sitrapo na ny feon’ ny fieritreretana ; fa izay ampiasain’ i Satana mandrakariva kosa mba ahazoany mandresy izay tsy azony fitahina amin’ ny fomba hafa dia ny fanerena amin’ ny alalan’ ny halozana. Na amin’ ny alalan’ ny fampitahorana na ny herisetra dia miezaka izy hanapaka amin’ ny feon’ ny fieritreretana, ka hahazo voninahitra ho an’ ny tenany. Mba hahatanterahany izany, dia samy ampiasainy ny fahefana ara-pivavahana na ny ara-panjakana, ka hamporisihiny izy ireo hanamafy ny lalàn’ olombelona ho enti-mihaika ny lalàn’ Andriamanitra.HM 617.1

    Ireo manaja ny Sabatan’ ny Baiboly dia ho ampangaina ho fahavalon’ ny lalàna sy ny filaminana, ho mpandrodana ny lalàna mamefy ny fiainana ara-pitondrantena eo amin’ ny tany ama-monina, ka mahatonga fanjakan’ Ibaroa sy fahalotoam-pitondrantena, sady miantso ny fitsaran’ Andriamanitra hianjady amin’ ny tany. Ho lazaina fa kirina, mafy hatoka sy manao tsinontsinona ny fahefana izy ireo raha sarotiny amin’ ny fanarahana ny feon’ ny fieritreretany. Ho ampangaina ho tsy manaja ny fanjakana izy amin’ izany. Hisy mpitandrina izay handà ny tsy maintsy hitandremana ny lalàn’ Andriamanitra ka hamelabelatra eny ambony polipitra ny adidy amin’ ny fileferana sy ny fankatoavana ny lalàm-panjakana amin’ ny maha-avy amin’ Andriamanitra izany. Haseho amin’ ny endrika diso any amin’ ny antenimieran-dalàna sy eny amin’ ny fitsarana ireo mpitandrina ny didin’ Andriamanitra ka hohelohina. Haolana ny hevitry ny teniny, ary ho lazaina fa izao fihetseham-po tsy mahomby rehetra izao no antony nanentana azy.HM 617.2

    Satria mitsipaka ny fonjan-kevitra mazava ao amin’ ny Soratra Masina miaro ny lalàn’ Andriamanitra ny fiangonana Protestanta, dia haniry mafy ny hampangina ireo izay manana finoana tsy azony arodana amin’ ny alalan’ ny Baiboly izy. Na dia minia manakimpy ny masony tsy hijery aza izy, amin’ izay fotoana izay kosa dia hanao fihetsika hahatonga fanenjehana ireo izay mandà ny hanaraka ny fomba amam-panaon’ ny Kristiana ankapobeny, eo amin’ ny fanajany ny Sabata papaly.HM 617.3

    Ny vola, ny tambitamby sy ny fandresen-dahatra ary ny hery dia samy hampiasain’ ireo olo-manan-kaja ao amin’ ny fiangonana avokoa mba hitaomana ny vahoaka hanaja ny Alahady. Hosoloina didy fanjakazakana ny tsy fisian’ ny fahefan’ Andriamanitra mampitandrina ny Alahady. Manapotika ny fitiavana ny rariny sy ny fiheverana ny fahamarinana ny fahalovana ara-politika ; ary na dia any Amerika tanim-pahafahana aza. ireo mpifehy sy mpanao lalàna, dia hilefitra amin’ ny fitakian’ ny besinimaro ka hanao lalàna hanamafy ny fitandremana ny Alahady, mba hitiavan’ ny olona azy. Tsy hohajaina intsony ny fahafahana ara-pivavahana izay nanaovana sorona lehibe tokoa. Hohitantsika ny fahatanterahan’ ny tenin’ ny mpaminany manao hoe : «Dia tezitra tamin’ ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin’ ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy mitana ny filazaaa an’ i Jesosy» 5Apok. 12 : 17.HM 618.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents