Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hery Mifanandrina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 37—Fiarovana azo antoka

    «Ho amin’ ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, dia olona izay tsy hiposahan’ ny fahazavan’ ny maraina» 1Isa. 8 : 20. Ny vahoakan’ Andriamanitra dia tarihina ho eo amin’ ny Soratra Masina izay fiarovana ho azy amin’ ny fitaomana mangina avy amin’ ny mpampianatra sandoka sy ny hery mamitaka ampiasain’ ny fanahin’ ny fahamaizinana. Mampiasa izay fitaka rehetra azony atao i Satana mba hisakanana ny olona tsy hahalala ny Baiboly, izay manambara mazava ny fitaka ataony. Isaky ny misy fifohazan’ ny asan’ Andriamanitra, dia mientana hanao asa bebe kokoa ny andrianan’ ny ratsy; ankehitriny izy dia manao ny fiezahany mafy indrindra mety ho vitany amin’ ny ady farany ataony amin’ i Kristy sy ny mpanaraka Azy. Efa mananontanona ilay fitaka farany lehibe. Efa hanao ny asany mahagaga eo imasontsika ny antikristy. Hifanahaka akaiky indrindra amin’ ny tena izy ny hala-tahaka ka tsy ho hay ny hanavaka azy raha tsy amin’ ny alalan’ ny Soratra Masina ihany. Tsy maintsy sedraina amin’ ny fanambarany ny filazana atao sy ny fahagagana rehetra.HM 619.1

    Ireo izay miezaka hankatò ny didin’ Andriamanitra rehetra dia hisetra fanoherana sy hatao fihomehezana. Ao amin’ Andriamanitra ihany ‘ no ahafahany mijoro. Mba hahazakany ny fitsapana eo anoloany, dia tsy maintsy mahafantatra ny sitrapon’ Andriamanitra araka izay voambara ao amin’ ny teniny izy ireo; tsy afaka hanome voninahitra Azy izy raha tsy manana fahalalana marina ny amin’ ny toetrany, sy ny fitondram-panjakany ary ny fikasany ka hanao asa mifanaraka amin’ izany. Tsy misy afa-tsy ireo izay nampahatanjaka ny sainy tamin’ ny fahamarinan’ ny Baiboly no ho afaka hijoro mandritra ny ady lehibe farany. Ho tonga amin’ ny fanahy tsirairay ilay fisedrana hamantarany ny tena toetrany hoe : Andriamanitra ve no hankatoaviko mihoatra noho ny olona? Efa madiva hipaika ankehitriny ilay ora hanapahana izay ho anjaran’ ny tsirairay. Moa ve tafatoetra eo amin’ ny vatolampin’ ny tenin’ Andriamanitra tsy miova ny tongotsika? Moa vonona va isika hijoro tsy ho azo hozongozonina hiaro ny didin’ Andriamanitra sy ny finoana an’ i Jesosy?HM 619.2

    Talohan’ ny nanombohana ny Mpamonjy tamin’ ny hazo fijaliana, dia nanazava tamin’ ny mpianany Izy fa tsy maintsy hovonoina ka hitsangana avy ao am-pasana, ary nisy anjely nanatrika teo izay nampiorina ny teniny tao an-tsaina sy tao am-pon’ ny mpino. Nefa nanantena fahafahana ara-nofo avy amin’ ny ziogan’ ny Romana ny mpianatra, ka tsy zakan’ ny eritreriny izany hoe Ilay fototry ny fanantenany rehetra no hiharan’ ny fahafatesana mahafabaraka. Voaroaka tsy tao an-tsainy ny teny izay tokony ho notsarovany; ka rehefa tonga ny fotoana fitsapana, dia hita fa tsy vonona izy. Nandevona tanteraka ny fanantenana tao aminy ny fahafatesan’ i Jesosy, hoatra ny tsy nilaza na inona na inona taminy mialoha Izy. Toy izany koa: aseho eo anoloantsika ao amin’ ny faminaniana ny ho avy amin’ ny fomba mazava tahaka ny nanokafan’ ny tenin’ i Kristy izany teo amin’ ny mpianatra. Aseho miharihary ireo toejavatra mifandray amin’ ny fiafaran’ ny androm-pahasoavana sy ny asa fiomanana ho amin’ ny androm-pahoriana. Nefa marobe no tsy mahafantatra ireny fahamarinana lehibe ireny toy ny tsy mbola nambara na oviana na oviana izany. Miambina i Satana mba handrombaka tsy ho eo aminy izay rehetra mety handaitra aminy ka hahatonga azy ho hendry ho amin’ ny famonjena, koa rehefa tonga ny androm-pahoriana dia ho hita fa tsy vonona izy.HM 620.1

    Rehefa mandefa hafatra fampitandremana izay lehibe indrindra Andriamanitra ka aseho ho toy ny torin’ ny anjely masina manidina eo afovoan’ ny lanitra izany, dia takiny amin’ ny olona tsirairay izay manana saina afaka mandanjalanja ny hitandrina izany hafatra izany. Ny fitsarana mahatahotra manameloka ny fiankohofana amin’ ny bibi-dia sy ny sariny (Apokalypsy 16 : 9-11), dia tokony hitarika ny rehetra hazoto handinika ireo faminaniana hahafantarany ny atao hoe mariky ny bibi-dia sy ny fomba tsy handraisana izany. Nefa mitampin-tsofina tsy hihaino ny fahamarinana ny ankabeazan’ olona ka nitodika any amin’ ny angano. Hoy ny Apostoly Paoly raha nitazana ny andro farany izy : «Fa ho avy ny andro izay tsy haha- zakan’ ny olona ny fampianarana tsy misy kilema» 22 Tim. 4 : 3. Efa tena tonga mihitsy io fotoana io izao. Tsy tian’ ny ankamaroan’ olona ny fahamarinan’ ny Baiboly, satria misakantsakana ny fanirian’ ny fony feno fahotana sy tia an’ izao tontolo izao izany; koa dia omen’ i Satana azy ny fitaka ankamamiany.HM 620.2

    Nefa hanana vahoaka eto an-tany Andriamanitra izay hifikitra amin’ ny Baiboly, ary ny Baiboly irery ihany ho filamatry ny fampianarana rehetra sy ho fototry ny fanavaozana rehetra. Ny hevitry ny manampahaizana, ny fehin-kevitra avy amin’ ny «siansa», ny fanekem-pinoana na ny hevitra tapaky ny fivoriana fiheverandraharana ara-pivavahana, izay maro sy mifanolana araka ny fiangonana asehony, ny feon’ ny maro an’ isa tsy misy na ny iray amin’ ireo, na izy rehetra, tokony horaisina ho porofo mazava hoentimanamarina na manohitra foto-pampianarana ara-pinoana iray. Alohan’ ny hanekena fampianarana na fitsipika iray dia tokony hitaky ny «Izao no lazain’ i Jehovah» mazava ho enti-manohana izany isika.HM 621.1

    Miezaka mandrakariva i Satana hisarika ny saina ho eo amin’ ny olona fa tsy ho eo amin’ Andriamanitra. Tarihiny ny olona hijery ny eveka, ny mpitandrina, ny mpampianatra teolojia, ho mpitaridalana azy, fa tsy handinika ny Soratra Masina ho an’ ny tenany mba hahafantarany ny adidiny. Amin’ izay, rehefa mifehy ny sain’ ireo mpitarika ireo izy, dia azony atao ny miasa mangina amin’ ny olona maro araka ny sitrapony.HM 621.2

    Raha tonga nilaza ny tenin’ ny fiainana i Kristy, dia nihaino Azy tamim-pifaliana ny besinimaro ; ka betsaka, eny na dia teo amin’ ireo mpisorona sy mpanora-dalàna aza, no nino Azy. Tapakevitra anefa ny filohan’ ny mpisorona sy ireo olona mpitarika tao amin’ ny firenena fa hanameloka sy hitsipaka ny fampianarany. Na dia voasakana aza izy tamin’ ny fiezahana rehetra nataony hitadiavany izay azo hiampangana Azy, na dia tsy hainy aza ny tsy hahatsapa mazava ny herin’ Andriamanitra sy ny fahendrena tamin’ ny teniny, dia mainka nitana ny hevitra nibahana rahateo tao an-tsainy izy ; notsipahiny ny porofo mazava indrindra ny maha-Mesia Azy, andrao voatery ho tonga mpianany izy. Hatramin’ ny fahazazany ny vahoaka dia efa notezaina hanaja sy hilefitra an-jamba teo ambanin’ ny fitondrana nataon’ ireo mpanohitra ny Mpamonjy. «Inona no antony mahatonga ireo loholona sy mpanoradalàna ary manampahaizana tsy hino an’ i Jesosy ?» hoy ny fanontaniany. Moa ve ireo olona tia vavaka ireo tsy handray azy raha Izy no Kristy? Ny fitaomana mangina avy tamin’ ny mpampianatra toy izany no nitarika ny firenena Jiosy handà ny Mpanavotra azy.HM 621.3

    Ny toe-tsain’ ireo mpisorona sy loholona ireo ihany no mbola asehon’ ny olona maro izay milaza ny tenany ho tena mpivavaka ankehitriny. Mandà tsy handinika ny fanambaran’ ny Soratra Masina mikasika ireo fahamarinana manokana ho amin’ izáo andro izao izy. Ny hamaroany, ny heriny sy ny lazany no arangarangany ka manamavo ireo mpiaro ny fahamarinana izy satria vitsy, mahantra sady tsy fanta-daza ireo mitana finoana izay mampisaraka azy amin’ izao tontolo izao.HM 622.1

    Hitan’ i Kristy mialoha fa tsy hifarana amin’ ny fielezan’ ny Jiosy tsy akory ilay fanamparam-pahefana tafahoatra nasehon’ ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna. Tazany tamin’ ny mason’ ny faminaniana ny asa fanandratana ny fahefan’ olombelona hifehy ny feon’ ny fieritreretana, izay fanetribe efa nahazo ny fiangonana hatrizay. Ary noraketina ny fanamelohany mampahatahotra ny mpanoradalàna sy ny Fariseo, sy ny fampitandremany ny vahoaka tsy hanaraka ireo mpitarika jamba ireo mba ho fananarana ny taranaka ho avy.HM 622.2

    Atokan’ ny Eglizin’ i Roma ho an’ ny eveka sy pretra samirery ny zo hanazava ny Soratra Masina. Ambarany mantsy fa ny mpitondra fivavahana ihany no afaka hanazava ny tenin’ Andriamanitra, koa dia tsy ampahafanta na ny olon-tsotra izany. Na dia natolotry ny Fanavaozana ara-pivavahana ny olona rehetra aza ny Soratra Masina, dia tena mbola foto-kevitra tsy misy hafa amin’ izany notazonin’ i Roma izany ihany no misakana ny olona marobe ao amin’ ny fiangonana Protestanta tsy handinika ny Baiboly ho an’ ny tenany. Toroana izy hanaiky ny fampianaran’ ny Soratra Masina araka ny fanazavan’ ny fiangonana an’ izany , koa dia misy olona an’ arivony tsy sahy mandray na inona na inona izay na dia abaribarin’ ny Soratra Masina aza ka mifanohitra amin’ ny fanekem-pinoany na amin’ ny fampianarana neken’ ny fiangonany.HM 622.3

    Na dia feno fampitandremana ny amin’ ny mpampianatra sandoka aza ny Baiboly, dia maro no vonona ny hanankina ny fiambenana ny fanahiny amin’ ny mpitondra fivavahana. Ankehitriny dia misy an’ arivony ny mpivavaka no tsy afaka manome antony hafa anekeny izay zavatra inoany afa-tsy ny hoe izany no ampianarin’ ireo mpitondra fivavahana ao aminy. Lalovany fotsiny ary zara raha hitany ny fampianaran’ ny Mpamonjy, nefa tsy misalasala izy matoky ny tenin’ ny mpitandrina. Kanefa moa ve tsy mety diso ny mpitandrina? Ahoana no ahazoantsika mametraka ny fanahin- tsika ho tarihiny raha tsy fantatsika avy amin’ ny tenin’ Andriamanitra fa mpitondra fahazavana izy ireo? Ny tsy fananana ny fahasahiana ilaina mba hialana amin’ ny lalà-masaka izoran’ izao tontolo izao dia mitarika ny maro hanara-dia ny manam-pahaizana; ary ny tsy fetezany hanadihady ho an’ ny tenany dia mahatonga azy ho voafatotra mafy tsy misy antenaina mihitsy amin’ ny gadran’ ny fahadisoan-kevitra. Hitany fa aseho mazava ao amin’ ny Baiboly ny fahamarinana ho amin’ izao andro izao, ary tsapany ny herin’ ny Fanahy Masina manampy ny fitoriana izany ; nefa dia avelany hampiamboho ny tenany tsy hijery ny fahazavana ny fanoherana ataon’ ireo mpitondra fivavahana. Na dia resy lahatra eo amin’ ny sainy sy ny feon’ ny fieritreretany aza ireny fanahy voafitaka ireny dia tsy sahy hanana fisainana tsy mitovy amin’ ny an’ ny mpitandrina azy izy ; koa dia ataony sorona amin’ ny tsy finoana, ny fireharehana sy ny hevitra ekena tsy misy fanadihadiana ao amin’ ny hafa ny fitsaran’ ny tenany sy ny tombon-tsoany mandrakizay.HM 622.4

    Betsaka ny fomba iasan’ i Satana amin’ ny alalan’ ny hery miasa mangina avy amin’ ny olona hitazonany ny babony. An’ arivony ny olona gejainy amin’ ny alalan’ ny rohim-pihavanana amin’ ireo fahavalon’ ny hazo fijalian’ i Kristy. Na toy inona na toy inona anefa toetran’ io famotorana io, na amin’ ny ray aman-dreny na amin’ ny zanaka, na amin’ ny vady, na eo amin’ ny fiaraha-monina, dia mitovy ny vokany; mampiasa ny fahefany hifehezana ny feon’ ny fieritreretana ireo mpanohitra ny fahamarinana, ary tsy manana herim-po na fahaleovan-tena ampy hoenti-mankatò izay fantany marina fa adidy tokony hotontosainy ireo fanahy voatana eo ambanin’ ny fanapahany.HM 623.1

    Tsy azo sarahina ny fahamarinana sy ny voninahitr’ Andriamanitra ; tsy azontsika atao, raha mbola eo am-pelatanantsika koa ny Baiboly, ny hanome voninahitra an’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny fiheverana diso. Betsaka no milaza fa tsy mampaninona izay inoana rehefa manao ny marina eo amin’ ny fiainana. Nefa ny finoana no mamolavola ny fiainana. Raha azontsika fantarina ny fahazavana sy ny fahamarinana, kanefa tsy araraotintsika ny tombontsoa ananantsika handre sy hahita, dia tahaka ny mitsipaka izany isika ; misafidy ny haizina isika fa tsy ny fahazavana.HM 623.2

    «Misy lalana ataon’ ny olona ho mahitsy, kanjo lalana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany» 3Oha. 16 : 25. Tsy manala tsiny ny hevidiso na ny fahotana ny tsy fahalalana, rehefa azo atao tsara ny hahalala ny sitrapon’ Andriamanitra. Misy olona manao dia lavitra tonga amin’ ny toerana misy lalana maro misampantsampana ary eo ny takela-by manondro izay itondran’ ny tsirairay. Raha tsy mijery tsara ny fanoroan-dalana izy fa mandeha amin’ ny lalana izay toa tsara aminy fotsiny, na dia ataony amim-pahatsoram-po aza izany, dia tsy isalasalana fa ho diso lalana tokoa izy.HM 623.3

    Nomen’ Andriamanitra antsika ny teniny mba hahalalantsika ny fampianarany sy hahafantarantsika izay takiny amintsika. Rehefa nanatona an’ i Jesosy ilay mpahay lalàna ka nanontany Azy hoe : «Inona no ataoko handovako ny fiainana mandrakizay ?» dia nitaona azy hankeo amin’ ny Soratra Masina ny Mpamonjy ka hoy izy hoe: «Inona no voasoratra ao amin’ ny lalàna? ahoana no famakinao azy?» Tsy fialan-tsiny ho an’ ny tanora na ny antitra ny tsy fahalalana, ary tsy hahafaka azy amin’ ny famaizana vokatry ny fandikana ny lalàn’ Andriamanitra izany ; satria eo am-pelatanany dia misy fanehoana mahatoky an’ io lalàna io, fanehoana ny foto-keviny sy izay tadiaviny atao. Tsy ampy ny manana fikasana tsara ; tsy ampy ny manao izay heverin’ ny olona fa marina, na izay lazain’ ny mpitandrina fa marina. Rehefa ny famonjena ny fanahiny no voakasika dia tokony handinika ny Soratra Masina ho an’ ny tenany ny tsirairay. Na manao ahoana na manao ahoana fitompoany, sy fahatokisany fa mahalala ny marina ny mpitandrina, dia tsy izany no fototra iorenany. Manana sarintany manondro ny famantaran-dalana rehetra eo amin’ ny diany mankany an-danitra izy, ka tsy misy na inona na inona tokony hataony tombatombana fotsiny.HM 624.1

    Adidy voalohany indrindra sy ambony indrindra mipetraka amin’ ny olona misaina rehetra ny mianatra ny fahamarinana avy amin’ ny Soratra Masina, ary manaraka izany dia ny mandeha amin’ ny fahazavana sy ny mampahery ny hafa hanaraka ny ohatra omeny. Tokony hianatra ny Baiboly amim-pahazotoana isan’ andro isika, ka handanjalanja ny hevitra rehetra sy hampitaha ny Soratra Masina amin’ ny Soratra Masina. Tokony hamolavola ny hevitry ny tenantsika amin’ ny fanampian’ Andriamanitra isika satria isika ihany no hampamoahana ny amin’ ny tenantsika eo anatrehan’ Andriamanitra.HM 624.2

    Ireo fahamarinana izay ambaran’ ny Baiboly amin’ ny fomba mazava indrindra dia nampidiran’ ny manampahaizana fisalasalana sy haizina ; manampahaizana izay mihambo ho manam-pahendrena lalina ka mampianatra fa ny Soratra Masina dia misy heviny miafina ara-panahy izay tsy miharihary eo amin’ ny teny ampiasaina. Mpampianatra sandoka ireny olona ireny. Antokon’ olona toy ireny no nilazan’ i Jesosy hoe : «Tsy fantatrareo ny Soratra Masina sy ny herin’ Andriamanitra» 3Mar. 12 ; 24. Tokony horaisina araka ny heviny mazava tsy misy tandindona na sary ny fitenin’ ny Baiboly. Nanome teny fikasana Kristy nanao hoe : «Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ ny fampianarana izy» 4Jao. 7 : 17. Raha raisin’ ny olona araka ny amakiany azy ny Baiboly, raha tsy misy mpampianatra sandoka handiso lalana sy hampikorontana ny sainy, dia hisy asa ho vita izay hahafaly ny anjely ka hahatonga olona arivoarivo izay mirenireny ao amin’ ny hevi-diso ankehitriny ho tafiditra ao amin’ ny valan’ ondrin’ i Kristy.HM 624.3

    Tokony hampiasaintsika ny herin-tsaintsika rehetra ho amin’ ny fianarana Soratra Masina ary tokony hiezaka mafy ny hahatakarana, araka izay mety ho tratran’ ny olona mety maty, ny hevitr’ izao zavadalina momba an’ Andriamanitra; nefa aoka koa tsy hohadinoina fa ny toetra mora ampianarina sy milefitra ananan’ ny zaza no tena toe-tsain’ ny mpianatra. Tsy tokony ho ireo fomba fampiasa amin’ ny fanalana ny olana ara-pilozofia no entintsika mamaha ny zava-tsaropantarina ao amin’ ny Soratra Masina. Raha handinika ny Baiboly isika dia aoka tsy ho feno fahatokisan-tena tahaka ny maro amin’ ireo miditra eo amin’ ny sahan’ ny siansa, fa hiankina amin’ Andriamanitra amim-pivavahana kosa ary haniry marina tokoa ny hahafantatra ny sitrapony. Tsy maintsy hanatona amin’ ny toe-tsaina feno fanetrentena sy azo ampianarina isika mba ahazoantsika fahalalana avy amin’ llay «IZAHO IZAY IZY». Raha tsy izany dia hanamaizina indrindra ny saintsika ny anjely ratsy sy hanamafy ny fontsika ka tsy handaitra amintsika ny fahamarinana.HM 625.1

    Betsaka ny teny ao amin’ ny Soratra Masina izay lazain’ ny manampahaizana ho zava-miafina, na dinganiny ho tsy misy lanjany firy, no feno fampiononana sy toro-hevitra ho an’ izay efa nampianarina tao amin’ ny sekolin’ i Kristy. Ny antony anankiray tsy mampahazava kokoa ny tenin’ Andriamanitra amin’ ny teolojiana maro. dia izy manakimpy ny masony tsy hijery ny fahamarinana izay tsy tiany hampiharina. Tsy miankina loatra amin’ ny fahaizana ara-tsaina entina mandinika ny tenin’ ny Baiboly ny fahazoana izany fa amin’ ny fananana fikendrena tokana. dia ny faniriana lalina ny fahamarinana.HM 625.2

    Tsy tokony hosarahina na oviana na oviana amin’ ny fivavahana ny fianarana ny Baiboly. Ny Fanahy Masina irery no afaka hahatonga antsika hahatsapa ny hasarobidin’ ireo fanambarana mora raisina ao anatiny, na hisakana antsika tsy hanolana ireo fahamarinana sarodraisina. Anjara asan’ ny anjelin’ ny lanitra ny hanomana ny fo hahafantatra ny hevitry ny tenin’ Andriamanitra amin’ ny fomba izay hahatonga antsika ho babon’ ny hakantony, handray fananarana amin’ ny fampitandremana ataony, na hovelombelomin’ ireo teny fikasany sy handray hery avy amin’ izany. Tokony hataontsika ho fangatahan’ ny tenantsika ny hataky ny mpanao Salamo hoe : «Ampahirato ny masoko, mba hahitako zava-mahagaga ao amin’ ny lalànao»5Sal.119:18 . Matetika toa tsy azo toherina ny fakam-panahy satria, noho ny fanaovan’ izay alaim-panahy an-tsirambina ny fivavahana sy ny fandinihana ny Baiboly, dia tsy afaka hahatsiaro avy hatrany ny teny fikasan’ Andriamanitra izy ka tsy vonona hisetra an’ i Satana amin’ ny fiadian’ ny Soratra Masina. Manodidina izay maniry hampianarina ny amin’ ny zavatra momba an’ Andriamanitra anefa ny anjely; koa amin’ ny fotoana mahaporitra indrindra dia hampahatsiarovin’ izy ireo azy ny fahamarinana tena ilainy. «Fa raha avy toy ny ony ny fahavalo, ny Fanahin’ i Jehovah hanangana faneva hisakanana azy» 6Isa. 59 : 19 noty erý ambany.HM 626.1

    Nampanantena ny mpianany i Jesosy hoe ; «Fa ny Mpananatra. dia ny Fanahy Masina Izay hirahin’ ny Ray amin’ ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo» 1Jao. 14 : 26. Tsy maintsy voatahiry ao an-tsaintsika mialoha anefa ny fampianaran’ i Kristy mba ahazoan’ ny Fanahin’ Andriamanitra mampahatsiaro ireny amintsika amin’ ny andro sarotra. «Ato am-poko no iraketako ny teninao, mba tsy hanotako aminao» 8Sal. 119 : 11, hoy Davida.HM 626.2

    Izay rehetra mahalala ny tombam-bidin’ ny fiainany mandrakizay dia tokony hiaro-tena amin’ ny fitsofohan’ ny Fisalasalana. Ireo andrin’ ny fahamarinana mihitsy no hohozongozonina. Sarotra ny miala tsy ho tratran’ ny fanarabiana sy ny lainga tsara lahatra, ny fampianaran-diso misoko mangina toa poizina mifono avy amin ny tsy finoana misy amin’ izao andro moderna izao. Mampifandrindra ny fakam-panahy amin’ ny sarangan’ olona rehetra i Satana. Mamely ny tsy nahita fianarana amin’ ny fananianiana sy ny esoeso izy, ary ny avara-pianarana kosa dia tsenainy amin’ ny fonjan-kevitra ara-tsiansa sy ny fisaintsainana araka ny filozofia, ka izy rehetra dia samy nokendrena hahatonga tsy fahatokisana ny Soratra Masina sy fanamavoana azy. Na dia ny tanora tsy mbola nanao fanandramana firy aza dia mihambo hampiditra fisalasalana momba ireo foto-kevitra iorenan’ ny fivavahana Kristiana. Ary io tsy finoana misy eo amin’ ny tanora io, na dia marivo ihany aza, dia misy asany mangina. Maro no voatarika amin’ ny fomba toy izany hanao zinona ny finoan’ ny razany ka manamavo ny Fanahin’ ny fahasoavana. Hebreo 10 : 29. Fiainan’ olona maro no nantenaina ho voninahitr’ Andriamanitra sy ho fitahiana ho an’ izao tontolo izao kanjo simban’ ny fofon’ aina maloton’ ny tsy finoana. Izay rehetra matoky ny fanapahan-kevitra sahisahy ataon’ ny sain’ olombelona ary manampo fa afaka hanazava ny zava-miafin’ Andriamanitra ka ho tonga amin’ ny fahamarinana, tsy mila ny fanampian’ ny fahendren’ Andriamanitra akory, dia voasingotry ny fandrik’ i Satana.HM 626.3

    Velona amin’ ny fotoana mampangitakitaka indrindra eo amin’ ny tantaran’ izao tontolo izao isika. Madiva hotapahina izay ho anjaran’ ny vahoaka marobe mifanizina eto an-tany. Miankina amin’ ny lalan-kizorantsika ankehitriny ny fahasambarantsika amin’ ny ho avy sy ny famonjena ny fanahy hafa koa. Ilaintsika ny hotarihin’ ny Fanahin’ ny fahamarinana. Tokony hanontany mafy ny tenany ny mpanaraka an’ i Kristy marina ka hanao hoe : «Tompo ò, inona no tianao hataoko ?» Ilaintsika ny hanetry tena eo anatrehan’ ny Tompo amin’ ny fifadian-kanina sy ny fivavahana, ka hisaintsaina lalina ny teniny, indrindra ny momba ireo toe-javatra mikasika ny fitsarana. Tokony hikatsaka fanandramana lalina ny amin’ ny zavatra momba an’ Andriamanitra isika amin’ izao fotoana izao. Tsy manam-potoana holanilaniana foana isika. Misy toe-java-dehibe iankinan’ ny aina mitranga manodidina antsika. Eo amin’ ny tany mahasondriana izay an’ i Satana isika. Aza matory, ry mpitilin’ Andriamanitra ; mitampify tsy lavitra anao ilay fahavalo, vonona lalandava izy, raha tahiny varimbariana sy rendremana ianao, hiantsambotra aminao ka hahalasa anao ho rembiny.HM 627.1

    Maro no voafitaka momba ny toetrany marina eo anatrehan’ Andriamanitra. Miarahaba tena amin’ ny ratsy tsy ataony izy ka manadino ny asa tsara sy mendrika takin’ Andriamanitra aminy. nefa nataony an-tsirambina. Tsy ampy ny maha-hazo maniry azy ao amin’ ny sahan’ Andriamanitra. Fa tsy maintsy manatanteraka izay tadiaviny amin’ ny alalan’ ny famokarana izy. Tazonin’ Andriamanitra ho tompon’ andraikitra ny amin’ ireo asa tsara izay tokony ho vitany noho ny fahasoavany izy, nefa tsy tontosany. Voasoratra ho toy ny mibahana foana amin’ ny tany izy ao amin’ ny bokin’ ny lanitra. Tsy mbola mahavery fanantenana anefa ny amin’ ireny olona ireny. Mbola mitalaho amin’ ireo izay nanao tsinontsinona ny famindrampony Andriamanitra sy nanararaotra ny fahasoavany hanotana ihany ny fon’ Ilay Fitiavana be fahari-po ka manao hoe : «Mifohaza ianao izay matory; mitsangàna amin’ ny maty, dia hampahazava anao Kristy; koa tandremo tsara ny fandehanareo. . . Araraoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao» 9Efes. 5 : 1 4 -16 .HM 627.2

    Rehefa ho avy ny fotoana fisedrana. dia haseho ireo izay nitana ny tenin’ Andriamanitra ho fitsipika mifehy ny fiainany. Amin’ ny ahavaratra dia tsy misy fahasamihafana firy ny hazo maitso lalandava sy ny hazo sisa rehetra; fa rehefa mitsoka kosa ny rivo-panalan’ ny ririnina, dia tsy miova ny hazo maitso lalandava, fa ringitra tsy misy ravina intsony kosa ny hazo hafa. Toy izany koa. tsy miavaka amin’ ny tena Kristiana ankehitriny izay manana fo mamitaka milaza ny tenany ho Kristiana, nefa kosa efa akaiky ny fotoana izay hisehoan’ ny fahasamihafana. Aoka hipoitra ny fanoherana, aoka hanjaka indray ny fitiavam-bavaka diso toerana sy tsy mahay mandefitra, aoka hirehitra indray ny fanenjehana, dia hirondrona avokoa ny manana toetra matimaty sy ny mihatsaravelatsihy ka handao ny finoany; fa hijoro tsy ho azo hozongozonina tahaka ny vatolampy kosa ny tena Kristiana marina, hihamatanjaka ny finoany, hamirapiratra kokoa ny fanantenany, mihoatra noho ny tamin’ ny andrompiadanana.HM 628.1

    Hoy ny mpanao Salamo : «Ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako». «Ny didinao no nahazoako fahalalana; izany no ankahalako ny làlam-pitaka rehetra» 10Sal. 119 : 99 , 104.HM 628.2

    «Sambatra i2ay olona mahita fahendrena». «Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan’ ny rano mandeha; ka tsy matahotra na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso ny raviny, ka tsy hanahy izy. na dia mihantona aza ny andro, fa tsy hitsahatra ny tamoany» 11Oha. 3 : 13 ; Jer. 17: 18.HM 628.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents