Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hery Mifanandrina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 39—Ny andro fahoriana

    «Ary amin’ izany andro izany dia hitsangana Mikaela andriandehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao; ary hisy andro fahoriana izay tsy hisy tahaka azy hatrizay nisian’ ny firenena ka hatramin’ izany andro izany; ary amin’ izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin’ ny boky»1Dan. 12 : 1 2 .HM 639.1

    Rehefa hifarana ny hafatry ny anjely fahatelo, dia hitsahatra tsy hanao fifonana ho an’ ny olo-meloka ety an-tany intsony ny famindrampon’ Andriamanitra. Efa vitan’ ny vahoakan’ Andriamanitra ny asany. Efa nandray ny «ranonorana farany» izy, dia ny «andro famelombelomana avy amin’ ny fanatrehan’ ny Tompo», ka vonona hiatrika ny andro fizahan-toetra manoloana azy izy. Hivezivezy haingana mampitohy ny lanitra sy ny tany ny anjely. Hisy anjely avy ety an-tany hilaza fa vita ny asany ; efa nampiharina tamin’ izao tontolo izao ny fisedrana farany, ary izay rehetra hita fa nahatoky tamin’ ny didin’ Andriamanitra dia efa nandray ny «tombokasen’ Andriamanitra velona». Amin’ izany dia hajanon’ i Jesosy ny fanelanelanana ataony ao amin’ ny fitoerana masina any ambony. Hanandratra ny tanany izy sady hiteny amin’ ny feo mahery hoe : «Vita», ary raha manala ny satroboninahiny mba hitsaoka ireo tafiky ny anjely rehetra any an-danitra dia hanao izao fanambarana manetriketrika izao Izy hoe : «Izay manao ny tsy marina, aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto. aoka mbola hihamaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy»2Apok. 22 : 11. Efa voafetra ny ho anjaran’ ny tsirairay, na ho fiainana, na ho fahafatesana. Efa nanao fanavotana ho an’ ny vahoakany Kristy ary nikosoka ny fahotany. Feno ny isan’ ny mpanompony; «ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan’ ny fanjakana rehetra eto ambanin’ ny lanitra» dia efa madiva hatolotra ireo izay handova famonjena, ka hanjaka ho Mpanjakan’ ny mpanjaka sy ho Tompon’ ny tompo i Jesosy.HM 639.2

    Rehefa mivoaka avy ao amin’ ny fitoerana masina Izy, dia hisy haizina hanarona ny mponina eto an-tany. Mandritra io fotoana mampangorohoro io, dia tsy maintsy hivelona eo imason’ Andriamanitra masina tsy misy mpanelanelana ny marina. Efa nesorina ny fefy nisakanana ny ratsy fanahy. ary hanampatra ny fahefany amin’ ny olona nikomy tsy nety hibebaka hatramin’ ny farany i Satana. Mifarana ny faharipon’ Andriamanitra. Nitsipaka ny famindrampony izao tontolo izao, nanamavo ny fitiavany sy nanitsakitsaka ny lalàny. Nihoatra ny fetran’ ny fahasoavana ny ratsy fanahy ; efa niala ny Fanahin’ Andriamanitra, izay nikirizana hotoherina. Tsy manana ny fahasoavan’ Andriamanitra ho fialofana izy ireo, ka tsy misy miaro azy intsony amin’ ilay ratsy. Amin’ izay i Satana dia handentika ny mponina eto an-tany ao amin’ ny fahoriana lehibe farany. Rehefa hitsahatra tsy hihazona ireo rivotra masiakan’ ny filana ambany eo amin’ ny olombelona ny anjelin’ Andriamanitra, dia hovahana izay rehetra mahatonga ny ady. Ho tratry ny faharavana mahatsiravina noho izay nihatra tamin’ i Jerosalema fahiny ny tany manontolo.HM 640.1

    Anjely anankiray ihany dia naharipaka ny lahimatoan’ i Egypta rehetra ka naheni-pitarainana ny tany manontolo. Rehefa nanota tamin’ Andriamanitra i Davida tamin’ ny nampanaovany fanisana ny vahoaka, anjely iray monja dia ampy hahatonga fandringanana mahatsiravina ho fitsarana ny fahotany. Izany hery fandringanana izany izay ampiasain’ ny anjely tsara rehefa mibaiko Andriamanitra, no hampiasain’ ny anjely ratsy rehefa avelan’ Andriamanitra izany. Efa vonona ankehitriny ireo hery hamafy fahoriana hatraiza hatraiza, ka ny alalana avy amin’ Andriamanitra no sisa andrasany.HM 640.2

    Endrikendrehina ho mahatonga loza amin’ izao tontolo izao ireo izay manaja ny lalàn’ Andriamanitra, ary izy ireo no heverina ho antony mahatonga izao fikorontanana mahatsiravina eo amin’ ny zava-boahary izao sy ny ady mbamin’ ny ra mandriaka eo amin’ ny olona izay mahafeno fahoriana ny tany. Mampisafoaka ny ratsy fanahy ny hery izay nanampy ny hafatra fampitandremana farany; mirehitra amin’ izay rehetra mandray ny hafatra ny fahatezerany, ary mainka hampirisihin’ i Satana hihamafy hatrany ny fanahin’ ny fankahalana sy ny fanenjehana.HM 640.3

    Rehefa niala tamin’ ny firenena Jiosy ny fanatrehan’ Andriamanitra tamin’ ny farany, dia tsy fantatry ny mpisorona sy ny vahoaka izany. Na dia efa teo ambany fahefan’ i Satana tanteraka aza izy, ka voafatotry ny fironana mahatsiravina sy maharikoriko indrindra, dia mbola nihevitra ny tenany ho olom-boafidin’ Andria-manitra ihany. Mbola nitohy ireo asa fanompoana tao amin’ ny tempoly; mbola naterina ihany teo ambony alitara voaloto ireo fanatitra, ary isan’ andro dia nantsoiny ny fitahian’ Andriamanitra hidina amin’ ity vahoaka meloka ity noho ny ran’ ny Zanaka malalan’ Andriamanitra sady nitady hamono ireo mpanompony sy apostoliny. Dia toy izany koa : tsy ho fantatry ny mponina ambonin’ ny tany rehefa tafavoaka ny didim-pitsarana tsy azo ovana intsony avy ao amin’ ny fitoerana masina ka efa tapaka ho mandrakizay ny ho anjaran’ izao tontolo izao. Mbola hotohizan’ ny olona izay efa nialan’ ny Fanahin’ Andriamanitra ny endriky ny fivavahana; ary hitovy endrika amin’ ny hafanam-po ho an’ Andriamanitra ny hafanam-po avy amin’ i Satana izay hanaingan’ ilay andrianan’ ny ratsy azy ireo hanatanteraka ny fikasany mahatsiravina.HM 641.1

    Satria ny Sabata no manjary antony manokana ifanolanana manerana ny vakoaka Kristiana, ary mifandray tendro ny fahefana ara-pivavahana sy ara-panjakana mba hanamafy ny fitandremana ny Alahady, dia hahatonga ireo vitsy an’ isa ho fankahala eran’ izao tontolo izao ny fikirizany handà tsy hilefitra amin’ izay takin’ ny besinimaro. Holazaina fa ireo olom-bitsy izay mijoro hanohitra izay natsangan’ ny fiangonana sy ny lalam-panjakana dia tsy azo andeferana, fa aleo lavitra ireo no mijaly toy izay ny firenena manontolo no hikorontana sy tsy ho tan-dalàna. Io fonjan-kevitra io no nampiasain’ ireo «mpitarika ny firenena» hamelezana an’ i Kristy, taonjato valo ambinifolo lasa izay! «Fa tsara ho antsika», hoy ilay Kaiafa fangoloka, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena, mba tsy ho rava avokoa ity firenena ity» 3Jao. 11 : 50. Manana endrika ho marina izany fonjan-kevitra izany; ary amin’ ny farany dia hisy didy hivoaka hanamelohana ireo izay manamasina ny Sabatan’ ny didy fahefatra, hiampangana azy ho mendrika hampiharana ny famaizana henjana indrindra ka hanomezana alalana ny vahoaka hamono azy ho faty rehefa afaka fotoana kely. Ny fivavahana mpanaraka an’ i Roma any Eoropa sy ny, fivavahana protestanta mihemotra any Amerika dia hitovy fihetsika amin’ ireo izay mankatò ny didin’ Andriamanitra rehetra. Amin’ izany andro izany, ny vahoakan’ Andriamanitra dia ho latsaka ao amin’ ny tebitebin-tsaina sy fahoriam-panahy ambaran’ ny mpaminany ho «andro fahorian’ i Jakoba». «Izao no lazain’ i Jehovah : Feo mampangovitra no renay; misy tahotra fa tsy fiadanana. . . Ary ny tarehy rehetra dia efa tonga hatsatra avokoa! Indrisy! fa lehibe izany andro izany, nefa ho voavonjy ho afaka amin’ izany ihany izy» 4Jer. 30 : 5 - 7.HM 641.2

    Ilay alina nitebiteben’ i Jakoba, fony izy nitolona tamim-bavaka mba ho afaka tamin’ ny tanan’ i Esao (Genesisy 32 : 24-30). dia mampiseho ny fanandramana hataon’ ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ ny andro fahoriana. Noho ny fitaka nataony mba ahazoany ny tsodranon-draihy, izay nokendrena ho an’ i Esao, dia nandositra hamonjy ny ainy i Jakoba, raha natahotra ny fandrahonan’ ny rahalahiny hamono azy ho faty izy. Rehefa nijanona taona maro tany am-pivahiniana toy ny sesitany izy, dia nanapakevitra, araka ny baikon’ Andriamanitra, hiverina ho any amin’ ny tanindrazany, miaraka amin’ ireo vady aman-janany, sy ny andian’ omby aman’ osiny. Rehefa tonga teo amin’ ny sisin-tany izy dia raiki-tahotra raha nandre fa avy nanatona Esao nitarika antokon’ olona mpiady. ary tsy isalasalana fa vonona hamaly faty. Tsy nanam-piadiana i Jakoba sy ireo olona niaraka taminy na fiarovantena, ka toa haza tsy nanan-kery teo anatrehan’ ny herisetra sy ny vonoan’ olona. Nanampy ny enta-mavesatry ny tebiteby sy ny tahotra dia ny kaikitry ny nenina teo am-pieritreretana fa noho ny nataon’ ny tenany sy noho ny fahotany ihany mantsy no nampitatao izao loza izao. Ny hany fanantenana ho azy dia ny famindrampon’ Andriamanitra, ny hany fiarovana ho azy dia tsy maintsy ho ny fivavahana. Na dia izany aza dia tsy nataony an-tsirambina izay rehetra tokony ho nataony hanonerany ny ratsy vitany tamin’ ny rahalahiny sy hisakanany ny loza nananontanona. Toy izany koa no tokony hataon’ ireo mpanaraka an’ i Kristy raha manatona ny andro fahoriana izy, tokony hataony ny fiezahana rehetra mba hisehoany araka ny toetra tokony ho izy eo anatrehan’ ny olona, mba hanafoana ny herin’ ny hevitra raikitra ambony ihany tsy misy fanadihadiana ao an-tsaina sy mba hisakanana ny loza mananontanona ny fahafahana hanaraka ny feon’ ny fieritreretana.HM 642.1

    Rehefa avy nandefa ny ankohonany i Jakoba, mba tsy hanatrehany maso ny fahoriany, dia nijanona nanirery izy hitalaho tamin’ Andriamanitra. Niaiky ny fahotany izy ary nekeny sy nankasitrahany ny famindrampon’ Andriamanitra taminy raha nitaky tamim-panetren-tena lalina ny fanekena natao tamin’ ny razany sy tamin’ ny tenany izy tamin’ ilay alina nahitany fahitana tao Betela sy tany amin’ ny tany nivahiniany. Mby tamin’ ny fotoan-tsarotra indrindra teo amin’ ny fiainany izy; notandindomin-doza ny zavatra rehetra. Nanohy nivavaka sy nanetry tena teo anatrehan’ Andriamanitra tao amin’ ny haizina sy ny fahanginana izy. Tsitapitapitr’ izay dia nisy tanana nitehina teo amin’ ny sorony. Noheveriny fa fahavalo nitady handatsaka ny ainy izany ka niezaka araka izay tratry ny ainy izy nitolona tamin’ ilay fahavalo. Rehefa nangirandratsy ny andro dia nasehon’ ilay olon-tsy fantatra ny heriny mihoatra noho ny an’ ny olombelona; notendreny ity lehilahy matanjaka ka toa nalemy ary toa tsy nanan-kery, nitalaho tamindranomaso teo am-bozon’ ity fahavalo tsy fantatra velively. Fantatr’ i Jakoba izao fa Ilay Anjelin’ ny fanekena no niady taminy. Na dia nahazo kilema aza izy ka narary mafy indrindra, dia tsy nohadinoiny ny fikasany. Efa ela no niaretany tebiteby, fanenenana sy alahelo mafy noho ný fahotany; ankehitriny kosa dia tsy maintsy ataony izay maha-azo antoka ny famelana izany. Toa efa handeha ilay mpamangy avy any amin’ Andriamanitra; fa namikitra taminy i Jakoba, nitaky fitahiana. Hoy ilay Anjely nanantitrantitra hoe : «Avelao aho handeha, fa efa mazava ratsy ny andro», nefa namaly ilay patriarka hoe : «Tsy avelako Ianao, raha tsy tahinao aho». Toky manao ahoana! fahamatorana sy fikirizana manao ahoana no nasehony eto! Raha fitakiana feno fireharehana sy diso toerana izany, dia ho levona avy hatrany i Jakoba; fa fahatokisan’ izay miaiky ny fahalemeny sy ny tsy fahamendrehany ny azy, nefa koa fahatokisan’ izay mino ny famindrampon’ Ilay Andriamanitra mitana ny fanekena nataony.HM 643.1

    «Nitolona tamin’ Ilay Anjely izy ka nahery». Tamin’ ny alalan’ ny fanetren-tena, ny fibebahana, ny fibabohana no nandresen’ ity olona mpanota, mpaniasia, mety maty an’ Ilay Mpanjakan’ ny lanitra. Nofikiriny tamin’ ny tanany mangovitra ireo teny fikasan’ Andriamanitra ary tsy afaka nitsipaka ny fangatahan’ ny mpanota ny fon’ Ilay Fitiavana mandrakizay. Ho porofo mazavan’ ny fandreseny sy ho fampaherezana ny hafa hanahaka ny ohatra nomeny. dia novana ny anarany ka ilay nampahatsiaro ny fahotany dia nosoloina anarana izay tsangambaton’ ny fandresena koa. Ary ny nandresen’ i Jakoba an’ Andriamanitra dia toky fa handresy ny olona koa izy. Tsy nampahatahotra azy intsony ny hisetra ny fahatezeran’ ny rahalahiny, satria Jehovah no mpiaro azy.HM 643.2

    Efa niampanga an’ i Jakoba teo anatrehan’ ireo anjelin’ Andriamanitra i Satana, ary notakiany ny zo handringana azy noho ny fahotany; nampirisika an’ i Esao hiady aminy izy; ary nandritra ny alina lava nitoloman’ ilay patriarka, dia niezaka i Satana hanindry mafy an’ i Jakoba amin’ ny vesatry ny helony mba hahakivy azy hivahan’ ny tanany mamikitra amin’ Andriamanitra. Efa saika namoy fo i Jakoba; fantany anefa fa raha tsy nisy fanampiana avy any an-danitra dia tsy maintsy maty izy. Efa nibebaka marina ny amin’ ny fahotana lehibe vitany izy, ka nangataka ny famindrampon’ Andriamanitra hamela azy. Tsy hiala mihitsy amin’ izay nokasainy izy, fa nihazona mafy ilay Anjely ary mainka koa nitalaho fatratra tamimdranomaso mandra-pahazoany ny fandresena.HM 644.1

    Tahaka ny nitaoman’ i Satana an’ i Esao mba handeha hiady tamin’ i Jakoba, dia toy izany koa no hanetsehany ny ratsy fanahy handringana ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ ny andro fahoriana. Tahaka ny niampangany an’ i Jakoba, no hanotofany ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ ny fiampangana. Isainy ho olom-peheziny izao tontolo izao; fa manohitra ny fahefany tsy refesi-mandidy kosa ilay andian’ olom-bitsy mitandrina ny didin’ Andriamanitra. Raha azony atao ny mandevona azy ireo tsy ho eto an-tany intsony, dia ho feno ny fandreseny. Hitany fa miaro azy ireo ny anjely masina, ka ampoiziny fa efa voavela ny helony; tsy fantany anefa fa efa tapaka tany amin’ ny fitoerana masina any ambony izay ho anjaran’ izy ireo. Fantany tsara ny amin’ ny fahotana izay nakany fanahy azy, ka avandravandrany eo anatrehan’ Andriamanitra ireny ka lazainy fa rariny raha tsy hahazo sitraka amin’ Andriamanitra tahaka azy koa. Ambarany fa tsy manao ny marina ny Tompo raha mamela ny fahotan’ izy ireo nefa kosa handringana azy ny anjeliny. Takiny ho rembiny izy ireo ary angatahiny ny hanolorana azy ireo eo ampelatanany mba haringany.HM 644.2

    Raha miampanga ny vahoakan’ Andriamanitra noho ny fahotany i Satana, dia avelan’ ny Tompo izy hisedra azy ireo amin’ izay farany mafy indrindra. Hosedraina mafy ny fitokisany an’ Andriamanitra. ny finoany sy ny fijoroany. Raha mijery ny lasa izy dia mirodana ny fanantenany; satria tsara kely foana no mba hitany ao amin’ ny fiainany manontolo. Tsapany tanteraka ny fahalemeny sy ny tsy fahamendrehany. Miezaka ny hampitahotra azy i Satana amin’ ny fitaomana azy hihevitra fa tsy misy antenaina intsony ny aminy, tsy ho voasasa na oviana na oviana ny pentina avy amin’ ny fahalotoany. Manantena ny handrava ny finoany izy amin’ izany ka hilefitra amin’ ny fakampanahy afitsony azy sy hiodina hiala amin’ Andriamanitra.HM 644.3

    Na dia voahodidin’ ny fahavalo izay miezaka ny handringana aza ny vahoakan’ Andriamanitra, dia tsy ny tahotry ny fanenjehana noho ny fahamarinana no tena mahafadiranovana azy; matahotra izy andrao tsy nibebahany avokoa ny fahotany rehetra, ary dia tsy ho tanteraka aminy noho ny fahadisoana hita ao aminy ny teny fikasan’ ny Mpamonjy manao hoe ; «Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin’ ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin’ izao tontolo izao» 5Apok. 3 : 10. Raha mety ho azony antoka ny famelan-keloka dia tsy handositra ny fampijaliana na ny fahafatesana izy ; nefa kosa raha hita mazava fa tsy mendrika izy, ka ho faty noho ny kilemantoetrany, amin’ izay dia ho afa-baraka ny anara-masin’ Andriamanitra.HM 645.1

    Reny hatraiza hatraiza ny fiokon’ ny mpamadika ary hitany ny asa mafy ataon’ ny mpikomy; koa dia mifoha ao am-pony ny faniriana mirehitra, ny hetahetam-panahy miredareda hifaranan’ izao fihemorana lehibe izao sy hahataperan’ ny faharatsian’ ny ratsy fanahy. Raha mitalaho amin’ Andriamanitra izy anefa hampijanonany ny asam-pikomiana, dia manome tsiny mafy ny tenany izy satria tsapany fa tsy manan-kery intsony izy hoenti-manohitra sy manosika ny samonta maherin’ ny ratsy. Mby ao an-tsainy fa raha nampiasa mandrakariva ny fahaizany rehetra ho amin’ ny fanompoana an’ i Kristy izy, ka niroso hatrany sy nitombo hery teny am-pandehanana, dia nihena ny hery entin’ i Satana handresena azy.HM 645.2

    Mampahory ny fanahiny eo anatrehan’ Andriamanitra izy, ka mampahatsiaro ny fibebahana efa nataony tamin’ ny lasa noho ny fahotany marobe ary nitaky ny teny fikasan’ ny Mpamonjy hoe : «Aoka hifikitra amin’ ny heriko kosa izy ka hihavana amiko, eny, aoka hihavana amiko izy» 6Isa. 27 : 5. Tsy mihamalemy mihitsy ny finoany noho ny fivavahany tsy voavaly eo noho eo. Na dia miaritra ny tebiteby lalina indrindra, ny horohoro sy ny fanaintainam-panahy aza izy, dia tsy mitsahatra tsy akory ny fifonana ataony. Mifikitra amin’ ny herin’ Andriamanitra tahaka an’ i Jakoba tamin’ Ilay Anjely izy; ary ny fitenin’ ny fanahiny dia ny hoe: «Tsy avelako handeha Ianao, raha tsy tahinao aho».HM 645.3

    Raha tsy efa nibebaka mialoha tamin’ ny fahotany i Jakoba tamin’ ny nakany am-pitaka ny fizokiana, dia tsy ho nihaino ny fivavahany Andriamanitra ka tsy ho niaro ny ainy noho ny famindrampony. Toy izany koa, amin’ ny androm-pahoriana, raha misy fahotana tsy nibebahan’ ny vahoakan’ Andriamanitra ka miseho eo anatrehany, eo amin’ ny fotoana ampijalian’ ny tahotra sy ny tebiteby azy, dia ho resy izy; hanafotra ny finoany ny famoizam-po, ka tsy afaka hanana toky hitalaho fahafahana amin’ Andriamanitra izy. Nefa kosa na dia nahatsapa lalina ny tsy fahamendrehany aza izy, dia tsy manana fahadisoana miafina haseho. Efa nialoha azy teo am-pitsarana ny fahotany ary efa voakosoka ka tsy mety hotadidiny.HM 646.1

    Mitarika ny olona maro i Satana hino fa odian’ Andriamanitra tsy hita ny tsy fahatokisana eo amin’ ny zava-madinidinika amin’ ny fiainana; nefa nasehon’ ny Tompo tamin’ ny fifandraisany tamin’ i Jakoba fa tsy hankasitraka na handefitra amin’ ny ratsy mihitsy Izy na manao ahoana na manao ahoana. Izay rehetra miezaka hanala tsiny na hanafina ny fahotany, ka hamela ireo ho voatana ao amin’ ny bokin’ ny lanitra, tsy nekena ary tsy voavela, dia ho resin’ i Satana. Arakaraka ny maha-ambony ny asany sy ny maha-be voninahitra kokoa ny toerana tazoniny no mainka maha-ratsy ny fihetsiny eo imason’ Andriamanitra sy maha-azo antoka ny fandresen’ ilay fahavalony lehibe. Ireo izay mangataka andro amin’ ny fiomanana ho amin’ ny andron’ Andriamanitra dia tsy afaka hanao izany amin’ ny andro fahoriana na amin’ ny fotoana manaraka. Tsy misy antenaina ny amin’ izay rehetra manao toy izany.HM 646.2

    Izay milaza ny tenany ho Kristiana nefa tsy vita fiomanana akory rehefa miatrika an’ io ady mahatsiravina farany io, dia hamoy fo ka hiaiky ny fahotany amin’ ny teny mitory tebiteby mivaivay, ka hibitaka ny ratsy fanahy mahita ny fahoriany. Fiaikem-pahotana toy ny an’ i Esao sy Jodasy ny azy. Ny vokatry ny fandikan-dalàna no mampitoloko azy ireny fa tsy noho ny faharatsian’ ny heloka vitany. Tsy tena alahelo marina no tsapany, ary tsy maharikoriko azy ny ratsy. Miaiky ny fahotany izy noho ny fahatahorany ny famaizana; nefa, tahaka an’ i Farao fahiny. dia hiverina amin’ ny fihaikany ny Lanitra indray izy raha esorina ny fitsarana.HM 646.3

    Ny tantaran’ i Jakoba dia fanomezan-toky koa fa tsy hahafoy ireo izay voafitaka sy nalaim-panahy ary voatarika hanota Andriamanitra, nefa niverina ho eo Aminy amin’ ny fibebahana marina. Mitady izay handringanana io antokon’ olona io i Satana, fa Andria- manitra kosa handefa ny anjeliny hampahery sy hiaro azy amin’ ny andro itataovan’ ny loza. Masiaka sy henjana indrindra ny fanafihana ataon’ i Satana, mahatsiravina ny fitaka amelezany; nefa manara-maso ny vahoakany ny Tompo sy manongilan-tsofina amin’ ny fitarainany Izy. Lehibe ny fahoriana, toa efa handevona azy ny lelafo midedadeda; nefa hitondra azy ireo hivoaka toy ny volamena voasedra tao amin’ ny afo Ilay Mpandrendrika. Ny fitiavan’ Andriamanitra ny zanany mandritra ny fotoana fisedrana azy mafy indrindra dia lehibe sy mamy toy ny tamin’ ny andron’ ny fahombiazany nibaliaka indrindra; nefa ilain’ izy ireo ny handalo ao amin’ ny memy; tsy maintsy ho levona izay rehetra momba ny tany ao anatiny, mba hitaratra amin’ ny fomba feno ny endrik’ i Kristy.HM 646.4

    Ny andro feno fahoriana sy tebiteby eo anoloantsika dia hitaky finoana izay mahatanty hatrotrahana, fiandrasana ela sy hanoanana finoana izay tsy ho reraka na dia voasedra mafy azy. Omena ny rehetra ny androm-pahasoavana mba hiomanana ho amin’ io fotoana io. Nandresy i Jakoba satria nanam-paharetana izy sady matotra tamin’ ny finiavany. Ny fandreseny dia manaporofo ny herin’ ny fivavahana maharitra. Izay rehetra mifikitra amin’ ny teny fikasan’ Andriamanitra, tahaka ny nataony, ka mafana fo sy manam-pikirizana tahaka azy, dia hahomby tahaka ny nahombiazany koa. Izay rehetra tsy vonon-kandà ny tenany, ka hitolona mafy amin’ Andriamanitra, hivavaka amim-paharetana sy hitaky amin’ ny fo mafana ny fitahiany, dia tsy hahazo izany. Ny mitolona amin’ Andriamanitra vitsy dia vitsy no mahalala izany! Vitsy dia vitsy no manana fanahy voasarika hitady an’ Andriamanitra amin’ ny faniriana mafy indrindra ka hampiasa ny heriny rehetra ho amin’ izany. Rehefa manafotra ny mpitaraina ny onjan’ ny famoizam-po tsy hay ambara, dia vitsy loatra no mifikitra amin’ ny teny fikasan’ Andriamanitra amin’ ny finoana tsy mety ketraka.HM 647.1

    Tataovan-doza lehibe izay tsy manana afa-tsy finoana kely ankehitriny, fa ho resin’ ny herin’ ny fitaka ataon’ i Satana sy ny didy hanery ny feon’ ny fieritreretana izy. Ary na dia haharitra ny fisedrana aza izy dia ho latsaka anatin’ ny fijaliana sy ny tebiteby lalina kokoa amin’ ny andro fahoriana, satria tsy mba nizatra mihitsy hitoky an’ Andriamanitra. Ireo leson’ ny finoana izay nataony antsirambina dia tsy maintsy hianarany ao ambany faneren’ ny fahakiviana mahatsiravina.HM 647.2

    Ankehitriny no tokony hifankazarantsika amin’ Andriamanitra amin’ ny fanaporofoantsika ny fahamarinan’ ny teny fikasany. Soratan’ ny anjely ny fivavahana mafana rehetra miloatra avy ao amin’ ny fo madio. Aleo kokoa isika mihafy tsy hanome fahafahampo ny fanirian’ ny tena toy izay hanao an-tsirambina ny firaisana amin’ Andriamanitra. Aleo ny fahantrana lalina indrindra, ny fahafoizan-tena lehibe indrindra, misy ny fankasitrahan’ Andriamanitra toy izay ny harena, ny voninahitra, ny fahasambarana sy ny fisakaizana tsy ahitana izany. Tsy maintsy manokana fotoana hivavahana isika. Raha ny zavatra momba ny tany no mameno ny fisainantsika ka tsy manam-potoana hivavahana intsony isika, dia hisalovana Andriamanitra ary hanaisotra ireny sampy ireny amintsika, na vola izany, na trano na tany mahavokatra.HM 648.1

    Tsy ho voatarika amin’ ny fahotana ny tanora raha mandà tsy handeha amin’ ny lalana tsy ahazoany mangataka ny fitahian’ Andriamanitra. Raha amin-kafanam-po sy amim-pinoana tahaka ny nataon’ i Jakoba no angatahan’ ireo mpitondra ny hafatra lehibe farany ho an’ izao tontolo izao ny fitahian’ Andriamanitra fa tsy amin’ ny fomba mangatsiaka, tsy rototra sy mitory hakamoana toy izao, dia hahita toerana maro ahazoany milaza hoe izy : «Efa nahita an’ Andriamanitra nifanatrika tamiko aho, nefa voavonjy ny aiko» 7Gen. 32 : 31. Ho toy ny zanak’ andriana no fihevitry ny lanitra azy, satria nandresy izy teo amin’ ny tolona nifanaovany tamin’ Andriamanitra sy ny olona.HM 648.2

    «Ny andro fahoriana izay tsy mbola nisy tahaka izany», dia efa madiva ho tonga amintsika; ary ilaintsika ny hanao fanandramana izay tsy ananantsika ankehitriny ary izay tsy maharototra ny maro ny hanana izany. Matetika no lazaina fa momba ny fahoriana dia ny àmbany no tsy zaka; nefa tsy ho marina izany amin’ ny andro sarotra eo anoloantsika. Tsy mahalaza na oviana na oviana ny tena hamafin’ ny fizahan-toetra mahamay ny fanambarana manaitra indrindra ny amin’ izany. Amin’ io fotoana fisedrana io, dia tsy maintsy mijoro samirery eo anatrehan’ Andriamanitra ny fanahy tsirairay. «Na dia ao aza Noa sy Daniela sy Joba, raha velona koa Aho hoy Jehovah Tompo, dia tsy hahavonjy ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy ireo, fa ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany» 8Ezek. 14 : 20.HM 648.3

    Amin’ izao fotoana izao raha mbola manao fanavotana ho antsika ny Mpisoronabentsika, dia tokony hokatsahintsika ny ho tanteraka ao amin’ i Kristy. Na dia eritreritra iray aza, tsy nahavoatarika ny Mpamonjintsika hilefitra amin’ ny herin’ ny fakam-panahy. Ahitan’ i Satana toerana azony amaharana ao am-pon’ ny olombelona; misy fanirian-dratsy ankamamiana izay manamafy ny herin’ ny fakampanahy. Fa hoy kosa Kristy momba ny tenany : «Avy ny andrianan’ izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izy» 9Jao. 14 : 30. Tsy afaka nahita na inona na inona tao amin’ ny Zanak’ Andriamanitra izay nety ho nahazoany fandresena i Satana. Efa nitandrina ny didin’ ny Rainy Izy ary tsy nisy fahotana azon’ i Satana nohararaotina handreseny an’ i Kristy tao aminy. Izany no toetra tsy maintsy ahitana ireo izay ho afaka hijoro amin’ ny andro fahoriana.HM 649.1

    Amin’ ity fiainana ity no tsy maintsy hisarahantsika amin’ ny fahotana amin’ ny alalan’ ny finoana ny ran’ i Kristy manavotra antsika. Miantso antsika Ilay Mpamonjintsika sarobidy hikambana Aminy, hampiray ny fahalementsika amin’ ny heriny, ny tsy fahalalantsika amin’ ny fahendreny, ny tsy fahamendrehantsika amin’ ny fahamendrehany. Ny fitarihan’ Andriamanitra ny fiainantsika no sekoly ianarantsika ny toetran’ i Jesosy malemy fanahy sady tsy miavona am-po. Ny asehon’ i Jehovah eo anatrehantsika mandrakariva dia tsy ny lalana tiantsika hofidina tsy akory, izay toa mora kokoa sy mahafinaritra antsika kokoa, fa ny tena fetra hotratrarina amin’ ny fiainana. Anjarantsika ny mifarimbona amin’ izay fiasana ampiasain’ ny Lanitra ho fandrindrana ny toetrantsika amin’ ny ohatra omen’ Andriamanitra. Tsy misy afaka hanao antsirambina io asa io na hangatak’ andro ny amin’ izany ka tsy hampitatao loza mahatsiravina eo ambonin’ ny fanahiny.HM 649.2

    Tamin’ ny fahitana no nandrenesan’ ny apostoly Jaona feo mafy tany an-danitra nanao hoe : «Loza ho an’ ny tany sy ny ranomasina fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe satria fantany fa kely sisa ny androny» 10Apok. 12 : 12. Mampahatahotra ireo toe-javatra mahatonga io antso avy amin’ ny feo any an-danitra io. Mitombo ny fahatezeran’ i Satana arakaraka ny maha-kely sisa ny androny, ary ho tonga eo amin’ ny fara-tampony ny asa famitahana sy fanimbana ataony amin’ ny andro fahoriana.HM 649.3

    Hisy toe-javatra mahatahotra manana endrika tsy fahita hiseho tsy ho ela eny amin’ ny lanitra ho famantarana ny herin’ ny demonia miasa fahagagana. Handeha hankany amin’ ny mpanjakan’ ny tany ireo fanahin’ ny demonia sy ho any amin’ izao tontolo izao manontolo, mba hanamafy orina ny famitahana azy, sy hampirisika azy ireo hiandany amin’ i Satana eo amin’ ny ady farany hataony amin’ ny fitondram-panjakan’ ny lanitra. Ho voafitak’ ireo anjely avokoa na ny mpitondra na ny entina. Hisy olona hitsangana hilaza ny tenany ho Kristy mihitsy, ka hihambo haka ny anarana sy ny fiankohofana tokony ho an’ ny Mpanavotra an’ izao tontolo izao irery ihany. Hanao fahagagana fanasitranana izy ka hilaza fa manana fanambarana avy any an-danitra nefa manohitra ny teny lazain’ ny Soratra Masina.HM 649.4

    Ho fara-tampony amin’ ny asa famitahana lehibe dia i Satana mihitsy no hiseho vatana hilaza tena ho Kristy. Efa ela no nilazan’ ny fiangonana fa ny fiavian’ ny Mpamonjy no andrandrainy ho fanatanterahana ny fanantenany. Izao dia asehon’ ilay mpamitaka lehibe fa tonga i Kristy. Amin’ ny toerana samihafa eto an-tany dia hiseho amin’ ny olona ho toy ny anankiray mitafy voninahitra manjelanjelatra mahajambena i Satana. mova tsy ny Zanak’ Andriamanitra araka ny ilazan’ i Jaona Azy ao amin’ ny Apokalypsy. Apokalypsy 1 : 13-15. Manoatra lavitra noho izay efa hitan’ ny mason’ olombelona ny voninahitra izay manodidina azy. Manakoako eran’ ny lanitra ny antsom-pandresena manao hoe : «Tonga i Kristy! Tonga i Kristy!» Miankohoka mivavaka aminy ny olona, fa izy kosa manandratra ny tanany sady mitsodrano azy, tahaka ny nataon’ i Kristy tamin’ ny mpianany fony Izy tety an-tany. Malefaka sady tony dia tony, nefa miritsodritsoka toa feon-kira mahafinaritra ny feony. Teny malefaka sy mitory famindrampo no entiny milaza indray ny sasantsasany amin’ ireo fahamarinana feno fahasoavana avy any an-danitra izay efa nambaran’ ny Mpamonjy; manasitrana ny aretin’ ny olona koa izy, ary amin’ izay izy eo am-pakan-tahaka ny toetran’ i Kristy dia mihambo ho efa nanova ny Sabata ho Alahady ka mandidy ny olona rehetra hanamasina io andro efa notahiny io. Ambarany fa ireo izay mikiry hanamasina ny andro fahafito dia miteny ratsy ny anarany amin’ ny fandavany hihaino ny anjely nirahiny ho eo aminy nitondra fahazavana sy fahamarinana. Io no tena famitahana goavana indrindra, mila tsy ho hay toherina mihitsy. Tahaka ireo Samaritana voasodokan’ i Simona mpanao ody, ny vahoaka marobe, nanomboka tamin’ ny kely indrindra ka hatramin’ ny lehibe indrindra, dia samy babon’ ireny fitaka maharendrika ireny ka niteny hoe : «Ity lehilahy ity no herin’ Andriamanitra izay atao hoe hery lehibe» 11Asa. 8 : 10.HM 650.1

    Tsy ho voarebireby anefa ny vahoakan’ Andriamanitra. Tsy mifanaraka amin’ ny Soratra Masina ny fampianaran’ io kristy sandoka io. Hitso-drano ny mpiankohoka amin’ ny bibi-dia sy ny sariny izy. dia ilay antokon’ olona ambaran’ ny Baiboly indrindra fa handrotsahana ny fahatezeran’ Andriamanitra tsy miharoharo zavatra.HM 651.1

    Ankoatr’ izany, dia tsy havela haka tahaka ny fomba iavian’ i Kristy i Satana. Efa nampitandrina ny vahoakany ny amin’ ny fitaka mikasika an’ io ny Mpamonjy ary nanambara mazava ny fomba hiaviany fanindroany. «Fa hisy kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana, ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny. . . Ary amin’ izany, raha misy manao aminareo hoe : Indro, any en’ efitra Izy. aza mankany ianareo; Indro, ao amin’ ny efi-trano Izy, aza mino. Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fiavian’ ny Zanak’ olona» 12Mat. 24 : 24 ; 27 : 31 ; Apok. 1 : 7 ; 1Tes. 4 : 16 ,17. Io fiaviany io dia tsy azo alain-tahaka. Ho fantatra eran-tany izany — ary izao tontolo izao manontolo no indray hanatri-maso izany.HM 651.2

    Izay nazoto nianatra ny Soratra Masina ihany ary izay nandray ny fitiavana ny fahamarinana ihany no ho voaaro amin’ ny fitaka mahery vaika izay hamabo an’ izao tontolo izao. Amin’ ny alalan’ ny teny vavolombelona ao amin’ ny Baiboly no hamantarany an’ ilay mpamitaka miova endrika. Hipaika ho an’ ny rehetra ny ora fisedrana. Ny fanasivanana hataon’ ny fakam-panahy no hampiseho ny kristiana tena izy marina tokoa. Moa ve tafaorina mafy eo amin’ ny tenin’ Andriamanitra ny vahoakany ka tsy hilefitra na dia amin’ izay voaporofon’ ny retsi-pandreny mazava aza? Moa ve hifikitra amin’ ny Baiboly irery ihany izy rehefa tonga ny fotoan-tsarotra toy izany? Raha azo atao dia hosakanan’ i Satana ny miomana mba hijoro amin’ io andro io. Amboariny ny fandehan-javatra mba hamefy ny lalany hahatonga azy ho voasaringotry ny haren’ ny tany. hilonjy enta-mavesatra sy mampiferinaina hany ka vesaran’ ny fiahiana momba izao fiainana izao ny fony, ka ho avy aminy tahaka m mpangalatra ny andro fitsapana.HM 651.3

    Rehefa manala ny fiarovan’ ny fanjakana amin’ ny mpitandrina ny didin’ Andriamanitra ny didy navoakan’ ireo mpitarika samihafa amin’ ny fiangonana kristiana ka mamela azy ho eo am-pelatanan’ izay maniry ny fahafatesany, dia handositra hiala amin’ ny tanàn-dehibe sy ny vohitra ny vahoakan’ Andriamanitra ka hitambatra ho andiany, ary hipetraka any an-tany foana sy mangina indrindra. Maro no hahita fialofana eny amin’ ny fiarovana mafy any an-tendrombohitra. Tahaka ireo kristiana tany amin’ ny lohasahan’ i Piémont, dia ny toerana avo eto an-tany no hataony fitoerana masina ary hisaotra an’ Andriamanitra izy noho ny «fiarovana any amin’ ny harambato» 13Isa. 33 : 16. Nefa maro ny olona amin’ ny firenena rehetra sy ny saranga rehetra, ny ambony sy ny ambany, ny mainty sy ny fotsy, no hahitsoka amin’ ny fanandevozana tsy rariny sy loza indrindra. Mandalo andro mahatorovandrovana ireo malalan’ Andriamanitra, voafatotry ny gadra, voahodidin’ ny tsanganambin’ ny tranomaizina, voaheloka hovonoina, ny sasany toa havela ho faty noana ao amin’ ny fonja maizina sy maharikoriko. Tsy misy sofin’ olombelona handre ny fitarainany; tsy misy tanan’ olombelona vonon-kanampy azy.HM 651.4

    Moa ve hanadino ny vahoakany ny Tompo amin’ izany ora fitsapana izany? Moa ve Izy nanadino an’ i Noa mahatoky rehefa nianjady tamin’ izao tontolo izao talohan’ ny safo-drano ny fitsaran’ Andriamanitra? Moa nanadino an’ i Lota ve Izy rehefa nilatsaka avy tany an-danitra ny afo nandoro ireo tanàna teny an-tany lemaka? Moa ve nanadino an’ i Josefa nohodidinin’ ireo mpanompo sampy tany Egypta Izy? Moa ve nanadino an’ i Elia Izy rehefa niozonozona i Jezebela fa hanao aminy toy izay natao tamin’ ireo mpaminanin’ i Bala? Moa ve nanadino an’ i Jeremia tao anaty lavaka fantsakana lalina sy maizina tao amin’ ny tranomaizina nisy azy Izy? Moa ve nanadino ireo telo lahy mendrika tao amin’ ny lafaoro nirehitra afo Izy, na an’ i Daniela tao an-davaky ny liona?HM 652.1

    «Fa hoy Ziona: Jehovah efa nahafoy ahy, ary ny Tompoko efa nanadino ahy. Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin’ ny zanaka naloaky ny kibony? Eny mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao. Indro, efa vitako tombokavatra eo am-pelatanako hianao, ary ny màndanao dia eo anatrehako mandrakariva» 14Isa. 49 : 14 -16. «Fa izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony» 15zak. 2 : 12, hoy Jehovah Tompon’ ny maro.HM 652.2

    Na dia ampidirin’ ny fahavalo any am-ponja aza ireo olon’ Andriamanitra mahatoky, dia tsy hahasakana ny firaisan’ ny fanahiny amin’ i Kristy ireo rindrin’ ny tranomaizina. Ilay mahita ny faha- lemeny rehetra, Ilay mahafantatra ny fitsapana rehetra, dia ambonin’ ny fahefana rehetra eto an-tany; ho avy ao amin’ ny toerana manirery ao an-tranomaizina ny anjely; ka hitondra fahazavana sy fiadanana avy any an-danitra. Ho toy ny lapa ny tranomaizina; satria mitoetra ao ny manankarena amin’ ny finoana ka hohazavain’ ny fahazavana avy any an-danitra ireo rindrina manjombona, tahaka ny fony i Paoly sy i Silasy nivavaka sy nihira fiderana tamin’ ny mamatonalina tao amin’ ny tranomaizina.HM 652.3

    Hianjady amin’ izay rehetra mitady hampahory sy hamono ny vahoakan’ Andriamanitra ny fitsarany. Mahatonga ny ratsy fanahy ho sahisahy handika ny lalàna ny faharipony ela, nefa azo antoka fa tsy maintsy hihatra ny famaizana ary ho loza indrindra izany noho ny fahelan’ ny fotoana. «Fa Jehovah hitsangana tahaka ny teo amin’ ny tendrombohitra Perazima, ho tezitra tahaka ny teo amin’ ny lohasahan’ i Gibeona Izy, mba hanaovany ny asany tsy ilay fanaony mandrakariva anefa, ary hahavitany ny ataony tsy ilay vitainy mandrakariva anefa» 16Isa. 28 : 21. Asa tsy fanaon’ Ilay Andriamanitsika be famindrampo ny famaizana. «Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ ny ratsy fanahy» 17Ezek. 33 : 11. «Mamindra fo sy miantra Jehovah, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana. . . mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka». «Mahari-po Jehovah, sady be hery ary tsy mety manamarina ny meloká» 18Eks. 34 : 6 , 7 ; Nah. 1 : 7. Amin’ ny alalan’ ny zava-mahatsiravina nefa araka ny fahamarinana no hoentin’ Andriamanitra hiarovany ny fahefan’ ny lalàny nohitsakitsahina. Azo lanjalanjaina amin’ ny tsy fahazotoan’ ny Tompo hampihatra ny fitsarany ny hamafìn’ ny valin’ asa miandry ny mpandika lalàna. Ny firenena izay amindrany fo ela ary tsy ampiharany ny fahatezerany raha tsy mahafeno ny kapoaky ny faharatsiany eo imason’ Andriamanitra, amin’ ny farany dia hisotro ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo famindrampo.HM 653.1

    Rehefa mijanona tsy manao fanelanelanana intsony ao amin’ ny fitoerana masina i Kristy, dia hirotsaka amin’ izay miankohoka eo anatrehan’ ny bibidia sy ny sariny ka mandray ny mariky ny anarany (Apokalypsy 14 : 9, 10) ny fahatezerana tsy miharoharo zavatra nananontanona azy ireo. Ny loza namely an’ i Egypta talohan’ ny nanafahan’ Andriamanitra an’ Isiraely dia sahala amin’ ireo fitsarana mahatsiravina sy be velarana kokoa izay hihatra amin’ izao tontolo izao mialoha indrindra ny fanafahana farany ny vahoakan’ Andria- manitra. Hoy ny mpanoratra ny Apokalypsy na Fanambarana raha milaza ny amin’ ireo kapoka mahatahotra ireo izy : «Nisy vay ratsy sy mampahory tamin’ ny olona izay nanana ny mariky ny bibidia sy niankohoka teo anatrehan’ ny sariny» (Apok. 16 : 2). «Nody ra tahaka ny an’ ny olona maty ny ranomasina; ary maty ny zavamanan’ aina rehetra tao aminy». «Nody ra ny ony sy ny loharano». Na dia mafy toy izany aza ireo fahoriana ireo. dia mijoro ho marina tanteraka ny fitsaran’ Andriamanitra. Hoy ny anjelin’ Andriamanitra hoe ; «Marina Ianao, Jehovah ô. . . satria efa mitsara toy izany Ianao; fa ny ran’ ny olona masina sy ny mpaminany no nalatsany, ka dia ra kosa no nomenao hosotroiny; ary tandrifiny ho azy izany» 19Apok. 16 : 2 - 6. Raha nanameloka ny vahoakan’ Andriamanitra ho faty izy, dia tena meloka marina tokoa ny amin’ ny ran’ izy ireo, toy ny tanany mihitsy no nandatsaka izany. Tahaka izany koa no nanambaran’ i Kristy fa meloka ny amin’ ny ran’ ny olona masina efa nalatsaka hatramin’ ny andron’ i Abela ireo Jiosy tamin’ ny androny; satria sahala toe-tsaina amin’ ireo namono ny mpaminany izy ireo sady nitady ny hanao ny asany koa.HM 653.2

    Eo amin’ ny loza manaraka, dia omena hery ny masoandro «handoro ny olona amin’ ny afo. Ary main’ ny hafanana be ny olona» 20Apok. 16 : 8 , 9. Toy izao no filazan’ ireo mpaminany ny toetoetry ny tany amin’ io fotoana mampihoron-koditra io ; «Mariry ny saha. . . fa simba ny vary. . . Malazo. . . ny hazo rehetra any an-tsaha; eny. malazo ny fifalian’ ny olombelona». «Matimaso ao ambanin’ ny baingan-tany ny vary nafafy, foana ny sompitra. . . Indrisy, ny fitoeran’ ny biby! Very hevitra ny omby andiany, satria tsy misy ahitra ho azy. . . satria ritra ny renirano, ary efa levon’ ny afo ny kijana any an-efitra». «Ho tonga naonaona ny hira ao an-dapa amin’ izany, hoy Jehovah Tompo; ho be ny faty; hatraiza hatraiza no hanariany azy. Mangina re!» 21Joela. 1 : 10 - 12 ; 17 - 20 ; Amosa. 8 : 3 HM 654.1

    Tsy hanerana an’ izao tontolo izao ireo loza ireo, fa raha izany dia ho fongana daholo ny mponina eo amin’ ny tany. Na dia izany aza dia ireo no kapoka mahatahotra indrindra amin’ izay efa nihatra fantatry ny olombelona. Ny famaizana rehetra natao tamin’ ny olona, talohan’ ny hiafaran’ ny androm-pahasoavana, dia niharo famindrampo hatrany. Ny fifonan’ ny ran’ i Kristy dia niaro ny mpanota tsy handray ny fatra fenon’ ny fanamelohana azy; nefa amin’ ny fitsarana farany, dia mirotsaka tsy mifangaro famindrampo ny fahatezerana.HM 654.2

    Amin’ izany andro izany dia olona marobe no haniry hanana fialofana eo amin’ ny famindrampon’ Andriamanitra izay nohamavoiny ela : «Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin’ ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetandrano, fa faniriana handre ny tenin’ i Jehovah; ary hivembena hatrany amin’ ny ranomasina ka hatrany amin’ ny ranomasina ny olona ary hatrany avaratra ka hatrany amin’ ny atsinanana, eny hivezivezy hitady ny tenin’ i Jehovah izy, nefa tsy hahita» 22Amosa. 8 : 11 , 12.HM 655.1

    Tsy ho afaka amin’ ny fahoriana ny vahoakan’ Andriamanitra; nefa raha henjehina sy hampahoriana izy, raha miaritra tsy fisiana sy mijaly noho ny tsy fahampian-kanina, dia tsy havela ho faty izy tsy akory. Ilay Andriamanitra nikarakara an’ i Elia dia tsy hamela amin’ izao na dia anankiray aza amin’ ireto zanany manao sorona ny tenany. Ilay manisa ny volon-dohany dia hiahy azy, ary amin’ ny fotoanan’ ny mosary dia ho voky izy. Raha matin-kanoanana sy ny areti-mandringana ny ratsy fanahy, dia hiarp ny marina kosa ny anjely ka hanome izay ilainy. Izao no teny fikasana ho an’ izay mandeha amin’ ny fahamarinana : «Izay hohaniny dia homena azy, ary ny rano hosotroiny tsy ho diso». «Ny ory sy ny malahelo mitady rano, fa tsy mahita, ary ny lelany main’ ny hetaheta; Izaho Jehovah no hihaino azy, Izaho Andriamanitry ny Isiraely, tsy hahafoy azy» 23Isa. 33 : 17 ; 41 : 17.HM 655.2

    «Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, ary tsy misy voany ny voaloboka, na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, na dia vonoina aza ny ondry ao amin’ ny vala, ary tsy misy omby ao am-pahitra, nefa izaho dia mbola hifaly amin’ i Jehovah ihany sy hiravoravo amin’ Andria-manitry ny famonjena ahy» 24Hab. 3 : 17 , 18.HM 655.3

    «Jehovah no mpiaro anao; Jehovah no fíalofanao eo amin’ ny ankavananao. Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, na ny volana nony alina. Jehovah hiaro anao amin’ ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy. Jehovah hiaro anao na mivoaka na miditra, hatramin’ izao ka ho mandrakizay». Fa Izy no hanafaka anao amin’ ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandringana. Ny volon’ elany no anaronany anao, ary ao ambanin’ ny elany no hialofanao; ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany. Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, na ny zana-tsipika manidina nony andro, na ny areti-mandringana mandeha amin’ ny maizina, na ny fandringanana mandripaka amin’ ny mitataovovonana. Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, dia tsy hihatra aminao izany. Hijrty maso fotsiny ianao, ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy. Satria hoy ianao : Jehovah ò, Ianao no aroko, sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra, dia tsy hisy loza hanjo anao, na aretina hanakaiky ny lainao» 25Sal. 121 : 5 - 7 ; 91 : 3 - 10.HM 655.4

    Eo imason’ ny olona anefa dia toa tsy ho ela dia tsy maintsy hanisy tombokase amin’ ny rany ny teni-vavolombelony tahaka ny nataon’ ireo maritiora teo alohany ny olon’ Andriamanitra. Manomboka matahotra koa izy andrao hamela azy ho latsaka ao am-pelatanan’ ny fahavalony ny Tompo. Fotoana hahafadiranovana azy ireo indrindra izany. Mitaraina andro aman’ alina amin’ Andriamanitra izy mba hanafahany azy. Dibo-kafaliana ny ratsy fanahy, ary re ny antsoantsony sy ny esoesony manao hoe : «Aiza izao ny finoanareo? Nahoana no tsy manafaka anareo avy eo am-pelatananay Andriamanitra raha tena vahoakany marina ianareo?» Tsaroan’ ireto vahoakan’ Andriamanitra anefa ny nahafatesan’ i Kristy teo an-kazo fijalian’ i Kalvary sy ny horakoraky ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpifehy manaraby hoe : «Ny sasany novonjeny; fa ny tenany tsy hainy vonjena. Mpanjakan’ Isiraely Izy, aoka hidina hiala amin’ ny hazo fijaliana Izy ankehitriny, dia hino Azy izahay» 26Mat. 27 : 42. Tahaka an’ i Jakoba, dia samy nitolona tamin’ Andriamanitra avokoa izy rehetra. Misoritra eny amin’ ny tavany ny tolona anaty atrehiny. Hatsatra ny endriny rehetra. Nefa tsy mijanona ny fangatahana mafana ataony.HM 656.1

    Raha azon’ ny olona hatao ny hahazo fahitana avy any an-danitra, dia ho hitany ny andian’ anjely marobe mahery indrindra manodidina ireo izay mitandrina ny tenin’ ny faharetan’ i Kristy. Amin’ ny fitiavana feno fangorahana no nanatrehan’ ny anjely ny fahorian’ izy ireo sy nandrenesany ny fivavahany. Miandry ny baikon’ ny Mpitarika azy izy mba hanafahany azy ireo haingana amin’ ny loza mananontanona azy. Tsy maintsy miandry kelikely izy anefa ; tsy maintsy misotro ny kapoakan’ ny Tompo ny vahoakan’ Andriamanitra sy atao batisa amin’ ny batisany (Mar. 10: 38). Ny fotoana hiandrasany, izay tena mafy aminy, no valim-bavaka tsara indrindra amin’ ny fangatahany. Eo am-piezahany hiandry amim- pitokisana ny Tompo hiasa no itarihana azy hampiasa ny finoana, ny fanantenana, ny faharetana, izay tsy nampiasainy firy nandritra ny fiainam-pivavahana nivelomany. Hohafohezina anefa ny andrompahoriana noho ny amin’ ireo olom-boafidy. «Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman’ alina ? . . . Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy » 27Lio. 18 : 7 , 8 Hangonina ny salohim-bary ka hofehezina mba haiditra any antsompitr’ Andriamanitra; hatao am-pehezana koa ny tsimparifary mba holevonina amin’ ny afo.HM 656.2

    Manohy ny fiainany ireo anjely mpiambina any an-danitra. mahatoky eo amin’ izay nametrahana azy. Na dia misy didy manerana an’ izao tontolo izao aza mametra ny fotoana hamonoana ireo mpitandrina ny didy, ny fahavalony dia hitady hialoha ny fotoana voatendry amin’ ny toerana sasany, ka hiezaka handatsaka ny ain’ izy ireo. Nefa tsy hahavaky ny laharan’ ireo mpiambina mahery izay manodidina ny fanahy mahatoky tsirairay izy. Misy eny ampandosirany ny tanàn-dehibe sy ny vohitra kely no tafihiny; nefa ho tapaka foana ka tsy hanan-kery toy ny zozoro ny sabatra voainga hamelezana azy Ny sasany kosa dia harovan’ ny anjely maka endriky ny mpiady.HM 657.1

    Tamin’ ny andro rehetra Andriamanitra dia nanampy sy nanafaka ny vahoakany tamin’ ny alalan’ ny anjely masina. Nandray anjara mivantana tamin’ ny asa aman-draharahan’ ny olombelona ireo mponina any an-danitra ireo. Nitafy fitafiana mamirapiratra tahaka ny helatra ny fahitana azy; naka endrik’ olona koa. nitafy toy ny mpivahiny. Nisy anjely niseho tamin’ ny endrik’ olombelona tamin’ ny olon’ Andriamanitra. Niala sasatra izy, tahaka ny olona vizana, teo ambanin’ ny hazo ôka tamin’ ny mitataovovonana. Nanaiky hiantrano tao amin’ ny tokantranon’ ny olona izy. Nanao ny asan’ ny mpitari-dalana izy tamin’ ny olona tratr’ alina teny am-pandehanana. Ny tanan’ izy ireny mihitsy no nandrehitra ny afo teo amin’ ny alitara. Namoha ny varavaran’ ny tranomaizina izy ka nanafaka ny mpanompon’ i Jehovah. Nitafy ny fiadian’ ny lanitra izy ka tonga nanakodia ny vato teo amin’ ny fasan’ ny Mpamonjy.HM 657.2

    Matetika ny anjely no maka ny endrik’ olombelona manatrika ny fivorian’ ny olo-marina; mitsidika koa ny fivorian’ ny ratsy fanahy izy. tahaka ny nataony tany Sodoma. mba hanamarihany izay hitan’ ny masony. hamantarany na efa nihoatra ny fatran’ ny faharipon» Andriamanitra izy ireny. Mifaly amin’ ny famindrampo i Jehovah, ary noho ireo olom-bitsy izay nanompo Azy marina, dia ferany ny loza ary ampaharetiny ny fiadanan’ ny olona marobe. Tsy tsapan’ ny mpanota manohitra an’ Andriamanitra firy fa miankina amin’ ireo olom-bitsy mahatoky izay mahafinaritra azy ny maneso azy sy mampahory azy ny fahavelomany.HM 657.3

    Na dia tsy fantatr’ ireo mpifehy izao tontolo izao aza dia matetika no nandaha-teny tao amin’ ny fivoriany ny anjely. Nijery azy ireo ny mason’ olombelona; nihaino ny antso nataony ny sofin’ olombelona; nisy molotr’ olombelona nanohitra ny soso-kevitra narosony sy nanaraby ny toro-heviny; nisy tanan’ olombelona nanao fihetsika nanevateva sy tafahoatra taminy. Tao amin’ ny efitra fivoriana fiheveran-draharaha sy ny trano fitsarana dia nampiseho fa mahafantatra be dia be ny amin’ ny tantaran’ ny olombelona ireo mpitondra hafatry ny lanitra; noporofoiny fa havanana kokoa hiady ho an’ ny ampahoriana mihoatra noho ny mpiaro azy kinga sy mahay mandaha-teny indrindra izy. Noravany ny fikasana ary nosakanany ny ratsy izay nety ho nampitaredretra betsaka ny asan’ Andriamanitra ary ho nahatonga fahoriana be ho an’ ny vahoakany. Tamin’ ny fotoana nisian’ ny loza sy ny fahoriana, dia «Ny anjelin’ i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy» 28Sal.34: 7 .HM 658.1

    Amin’ ny faniriana miredareda no iandrasan’ ny vahoakan’ Andriamanitra ny famantarana ilay Mpanjaka ho avy. Rehefa anontaniana ny mpiambina hoe ; «toy inona alina moa izao?» dia tsy miova ny valinteny hoe : «Avy ny maraina, ary avy koa ny alina» 29Isa. 21 : 12. Mamirapiratra eo amin’ ny rahona ambonin’ ny tampontendrombohitra ny fahazavana. Kely sisa dia hisy fanehoana ny voninahiny. Efa hamirapiratra ny Masoandron’ ny Fahamarinana. Efa samy akaiky na ny maraina na ny alina dia ny fiposahan’ ilay andro tsy manam-pahataperana ho an’ ny marina, ary ny fiantombohan’ ny alina mandrakizay ho an’ ny ratsy fanahy.HM 658.2

    Raha mbola mampiroso ny fangatahany eo anatrehan’ Andriamanitra ireto mitolona mafy. dia toa madiva hiala ny efitra lamba mampisaraka azy amin’ ny tsy hita. Manopy mena ny lanitra noho ny fiposahan’ ilay andro mandrakizay, ary tahaka ny hira milanto ataon’ ny anjely ny teny ren’ ny sofina manao hoe : «Tano mafy izay nekenareo. Avy ny fanampiana».HM 658.3

    Kristy, Ilay Mpandresy Tsitoha, no mitondra satroboninahitra mandrakizay ho an’ ny miaramilany efa trotraka; ary injao re avy amin’ ny varavaran’ ny lanitra misokatra ny feony manao hoe : «Indro, momba anareo Aho. Fantatro avokoa ny manjo anareo. Aza matahotra. Efa nitondra ny fahorianareo Aho. Tsy fahavalo tsy fantatra tsy akory no iadianareo. Efa niady ny ady ho anareo Aho, ary hanoatra noho ny mpandresy ianareo noho ny anarako».HM 659.1

    Handefa fanampiana amin’ ny fotoana ilantsika izany indrindra Ilay Mpamonjy sarobidy. Ny dian-tongony no efa nanamasina ny lalana mankany an-danitra. Ny tsilo tsirairay nandratra ny tongotsika dia efa nandratra ny azy koa. Ny hazo fijaliana rehetra asaina iantsorohantsika dia efa nentiny talohantsika. Avelan’ ny Tompo hisy ny ady mba hanomana ny fanahintsika ho amin’ ny fiadanana. Fizahantoetra mahamay ho an’ ny vahoakan’ Andriamanitra ny andro fahoriana; nefa io no fotoana tokony hiandrandran’ ny tena mpino tsirairay, ka hahitany amin’ ny alalan’ ny finoana ny avan’ ny teny fikasana manodidina azy.HM 659.2

    «Eny, ny navotan’ i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana. Izaho dia Izaho no mpampionona anareo, koa nahoana ianao no dia matahotra ny zanak’ olombelona mety maty sy ny zanak’ olona izay hatao tahaka ny ahitra ka manadino an’ i Jehovah Mpanao anao. . ., sady matahotra lalandava mandritra ny andro ianao noho ny fahatezeran’ ny mpampahory, raha mikendry hamono izy? Fa aiza intsony izay fahatezeran’ ny mpampahory? Izay mitanondrika dia ho afaka faingana; tsy ho faty avarina ao an-davaka izy ary tsy ho diso hanina. Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany; Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarako. Ary nataoko eo am-bavanao ny teniko, ary ao amin’ ny aloky ny tànako no nanaronako anao» 30Isa. 21 : 11 - 16.HM 659.3

    «Koa mihainoa izao, ianao ry ilay ory sady mamo tsy amin-divay: Izao no lazain’ i Jehovah Tomponao, dia Andriamanitrao, Izay mandaha-teny ho an’ ny olony : Indro, esoriko eny an-tànanao ny kapoaka mampiraikiraiky, dia ny kapoaka gobilian’ ny fahatezerako; tsy hisotroanao intsony iny, fa hataoko eo an-tànan’ izay mampahory anao kosa, dia izay efa nilaza taminao hoe : Miankohofa mba hohitsahinay, ka dia nataonao ho tahaka ny tany ny tenanao sy ho tahaka ny làlambe ho an’ izay mandeha eo» 31Isa. 51 : 21 - 23.HM 659.4

    Raha nitazana ireo taonjato maro nifandimby Andriamanitra dia nifantoka tamin’ ny zava-tsarotra izay hatrehin’ ny vahoakany ny masony, rehefa hioko hanohitra azy ireo fahefana ety an-tany. Tahaka ny babo an-tsesi-tany izy ka hatahotra ny ho fatin-kanoanana na noho ny herisetra. Nefa haneho ny heriny sy ny fahefany Ilay Masina nampisaraka ny Ranomasina Mena teo anoloan’ Isiraely ka hanafaka azy amin’ ny fahababoany. «Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin’ ny andro izay hotendreko. hoy Jehovah, Tompon’ ny maro. ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zanani-lahy izay nanompo Azy». Raha latsaka amin’ io fotoana io ny ran’ ny vavolombelona mahatokin’ i Kristy, dia tsy ho voa afafy izay hitondra vokatra ho an» Andriamanitra tahaka ny ran’ ny maritiora intsony izany. Tsy ho vavolombelona hampiaiky ny hafa ny amin’ ny fahamarinana intsony ny toetra mahatoky ananany, satria ny fo vatolampin’ ny ratsy fanahy dia ho efa nanosika lavitra ny onjam-pamindrampo ka tsy hiverina intsony ireny. Raha afoy ho rembin’ ny fahavalony amin’ izao ny marina, dia ho fandresena ho an’ ny andrianan’ ny maizina izany. Hoy ny mpanao Salamo : «Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany amin’ ny andro fahoriany Izy; hampiery ahy amin’ ny fierena ao an-dainy Izy». Niteny Kristy hoe : «Mandehana, ry oloko, midira ao amin’ ny efitranonao, ary mirindrina varavarana ianao ; ka miere kely indray mipi-maso monja mandra-pahalasan’ ny fahatezerana. Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin’ ny fitoerany hamaly ny mponina amin’ ny tany noho ny helony ; ary ny tany nampiseho ny ra izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy» 32Sal.27 : 5; Isa. 26 : 20 , 21. Ho be voninahitra ny fanafahana ireo izay niandry tamim-paharetana ny fiaviany sy manana ny anarany voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny fiainana.HM 660.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents