Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hery Mifanandrina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 41—Misaona ny tany

    «Fa ny fahotany efa nitehika tamin’ ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony. . . Ny kapoaka izay nofenoiny, dia fenoy indroa heny ho azy. Toraka izay niderany tena sy nivelomany tamin’ ny zava-mahafinaritra ny tena, dia omeo fanaintainana sy alahelo toraka izany koa izy, satria hoy izy anakampo : Mipetraka ho mpanjakavavy aho, fa tsy mpitondratena, ary tsy mba hahita alahelo mihitsy aho ; koa noho izany dia ho tonga indray andro monja izao loza hanjo izao, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, ary ho levon’ ny afo izy; fa mahery ny Tompo Andriamanitra, Izay mitsara azy. Ary ny mpanjakan’ ny tany, izay nijangajanga taminy sy niara-nanaram-po taminy tamin’ ny zava-mahafinaritra ny tena, dia hiteha-tratra sy hitomany azy. . . ka hanao hoe : Indrisy! indrisy! Babylona, ilay tanàna lehibe! ry ilay tanàna mafy! fa tamin’ ny ora iray monja dia tonga ny fitsarana anao» 1Apok. 18 : 5 - 10.HM 679.1

    Ireo «mpandranto amin’ ny tany tonga mpanan-karena noho ny hafatratry ny nitiavan’ io ny zava-mahafinaritra ny tena», «dia hijanona eny lavitra eny noho ny fahatahorana ny fanaintainany ka hitomany sy hisaona ary hanao hoe ; Indrisy! indrisy! ilay tanàna lehibe, izay nitafy rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vatosoa ary perila! Fa tamin’ ny ora iray monja no nahafoana ny harena be toy izany» 2Apok. 18 : 11, 3, 15 ; 17.HM 679.2

    Toy izany ny fitsarana izay hihatra amin’ i Babylona amin’ ny andro hianjadian’ ny fahatezeran’ Andriamanitra aminy. Efa nofenoiny ny kapoaky ny faharatsiana; tonga izao ny androny; masaka ho amin’ ny fandringanana izy.HM 679.3

    Rehefa manafaka ny vahoakany tsy ho babo intsony ny feon’ Andriamanitra, dia misy fifohazana mahatahotra eo amin’ ireo izay mahita fa maty antoka izy tamin’ ny zavatra rehetra teo amin’ ny ady lehiben’ ny fiainana. Raha mbola nitohy ny androm-pahasoavana, dia jamban’ ny fitak’ i Satana izy, ka nitady izay hanamarinana ny fihetsika nataony sy ny fahotany. Ny mpanankarena dia nirehareha tamin’ ny fahamboniany teo amin’ ireo izay tsy nanana tombon-tsoa tahaka azy ; nefa tamin’ ny fandikana ny lalàn’ Andriamanitra no nahazoany ny hareny. Tsy nanome hanina ny noana izy, na nanafy ny mitanjaka, tsy nitsara araka ny fahamarinana na tia famindrampo izy.HM 680.1

    Niezaka ny hanandra-tena sy ny hohajain’ ny mpiara-belona taminy izy. Ankehitriny dia nendahana taminy izay rehetra naha-lehibe azy ka tonga mahantra sady tsy manam-piarovana izy. Raiki-tahotra izy mijery ny faharavan’ ireo sampy izay nankamamiany mihoatra noho Ilay Mpanao azy. Namidiny tamin’ ny harena sy ny fahafinaretan’ ny tany ny fanahiny ka tsy mba hikatsaka izay hampanan-karena azy ny amin’ Andriamanitra izy. Ny vokatr’ izany dia izao : fatiantoka ny fiainany manontolo, nody afero ankehitriny ny fahafinaretany ary ny hareny ho fahalovana. Fongana tao anatin’ ny indray mipi-maso izay nangoniny nandritra ny androm-piainany. Mitoloko noho ny faharavan’ ny tranony miezinezina, sy noho ny fihahaky ny volamenany sy ny volafotsiny ny mpanankarena. Nefa mangina ny fitomaniany noho ny fahatahorany fa tsy maintsy hiara-devona amin’ ny sampiny koa izy.HM 680.2

    Feno fanenenana ny ratsy fanahy, tsy noho ny fahotany tamin’ ny nanaovany an-tsirambina ny adidiny tamin’ Andriamanitra anefa, fa noho izy resin’ Andriamanitra. Mitomany izy satria izao no vokatra hitany, fa tsy mibebaka noho ny faharatsiany izy tsy akory. Tsy hisy fomba tsy handramany mba handreseny raha azony atao.HM 680.3

    Hitan’ izao tontolo izao fa ilay antokon’ olona indrindra izay nihomehezany sy nakorainy ary niriny hofongorana, no, indro, afaka soa aman-tsara, tsy voakasiky ny areti-mandringana, ny tafio-drivotra sy ny horohorontany. Ilay afo mandevona ho an’ ny mpandika lalàna dia fiarovana azo antoka kosa ho an’ ny vahoakan’ Andriamanitra.HM 680.4

    Ny mpitondra fivavahana izay nanao sorona ny fahamarinana mba ahazoany sitraka avy amin’ ny olona dia mahita tsara ankehitriny ny toetra sy ny asan’ ny fampianarany. Mazava izao fa nanara-maso azy hatrany Ilay mahalala ny zavatra rehetra raha nijoro teo amin’ ny polipitra izy, raha nandeha teny amin’ ny arabe, raha niharo tamin’ ny olona teo amin’ ny toe-javatra samihafa teo amin’ ny fiainana. Ny fihetseham-pony rehetra, ny andalan-teny rehetra nosoratany, ny teny rehetra naloaky ny vavany, ny fihetsika rehetra nahatonga ny olona hitady fialofana tamin’ ny lainga, izany rehetra izany dia voa nafafy avokoa; ary ankehitriny dia banjininy eo amin’ ireo fanahy mahantra, very, manodidina azy ny vokatra.HM 680.5

    Hoy Jehovah : «Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran’ ny oloko zanakavavy tamin’ ny nanaovany hoe : Fiadanana, fiadanana, kanjo, tsy misy fiadanana tsinona». «Satria lainga no entinareo mampalahelo ny fon’ ny marina, iza.y tsy nampahaleloviko, sady entinareo manatanjaka ny tanan’ ny ratsy fanahy, tsy hialany amin’ ny lalan-dratsiny mba hamelomana azy» 3Jer. 8 : 11 ; Ezek. 13 : 22.HM 681.1

    «Lozan’ ireo mpiandry izay manimba sy mampihahaka ny ondry fiandriko!. . Koa, indro, hovaliako ianareo noho ny faharatsian’ ny ataonareo». «Midradradradrà ianareo mpiandry ondry, ary mitaraina, eny, mihosinkosena ianareo zokiny amin’ ny ondry! Fa tonga ny andro hamonoana anareo; ary hampieleziko ianareo. . . ny mpiandry ondry tsy hanam-pandosirana, ary ny zokiny amin’ ny ondry tsy hanam-pahafahana» 4Jer. 23 : 1, 2; 25 : 34, 35.HM 681.2

    Hitan’ ny mpitondra fivavahana sy ny vahoaka fa tsy nanohana ny fifandraisana marina amin’ Andriamanitra izy. Hitany fa nikomy tamin’ Ilay nanao ny lalàna marina sy tsara rehetra izy. Ny tsy firaharahana ny fitsipika nomen’ Andriamanitra dia nampirongatra ny tsirin’ ny ratsy arivoarivo ; fifandirana, fankahalana, fanaovandratsy, mandra-pahatongan’ ny tany ho sahan’ ady midadasika, toerana ihandronan’ ny fahalotoana. Izany izao no zavatra miseho eo imason’ ireo izay nitsipaka ny fahamarinana sy nifidy ny hankamamy ny hevi-diso. Tsy misy teny mahalaza ny halalin’ ny alahelon’ ireo tsy nankatò sy tsy nahatoky ka maniry fatratra ilay zavatra efa veriny ho mandrakizay dia ny fiainana mandrakizay. Misy ireo olona niankohofan’ izao tontolo izao noho ny talentany sy ny fahaizany mandaha-teny, no mahita ireny zavatra ireny ankehitriny araka ny tena tombam-bidiny marina. Fantany tsara izao ny fatiantoka niditra taminy noho ny fandikan-dalàna, koa miantoraka eo an-tongotr’ ireo izay nohamavoiny sy nataony fihomehezana fahiny noho ny toetrany mahatoky izy, ary miaiky fa efa tia azy ireo Andriamanitra.HM 681.3

    Hitan’ ny vahoaka fa voafitaka izy. Mifampiampanga izy fa nitaona ny hafa ho amin’ ny fahafatesana; nefa miray saina izy rehefa hampivangongo ny fanamelohana mafaitra indrindra eo amin’ ny mpitondra fivavahana. Misy mpitandrina tsy mahatoky naminany zavatra mamy indrindra; nitarika ireo mpihaino azy hanao tsinontsinona ny lalàn’ Andriamanitra izy sy hanenjika ireo izay nanamasina izany. Ankehitriny, noho ny famoizam-pony, dia miaiky ny asa famitahana nataony eo anatrehan’ izao tontolo izao ireo mpampianatra ireo. Feno hatezerana ny vahoaka rnarobe. «Very izahay», hoy ny fitarainany, «ary ianareo no nahatonga izao faharingananay izao»; dia mihodina amin’ ireo mpiandry ondry izy hamely azy. Ireo fatrapanasohaso azy indrindra fahiny no hanozona azy ankehitriny amin’ ny teny faran’ izay mahatsiravina. Ny tanana izay nampisatroka azy laza amam-boninahitra teo aloha no hitsangana handevona azy izao. Ireo sabatra nomanina hamonoana ny vahoakan’ Andriamanitra dia indreo ampiasaina hamelezana ny fahavalony. Hatraiza hatraiza dia misy ady sy ra mandriaka.HM 682.1

    «Mihatra amin’ ny faran’ ny tany ny fihorakorahana , fa Jehovah manana ady amin’ ny firenena; mifandahatra amin’ ny nofo rehetra Izy, ka ny ratsy fanahy dia atolony ho an’ ny sabatra» 5Jer. 25 : 31. Nitatra hatrany ilay ady lehibe nandritra ny enina arivo taona , ny Zanak’ Andriamanitra sy ny mpitondra hafatra avy any an-danitra no nifanandrina tamin’ ny herin’ ny ratsy, mba hananatra, hanazava sy hamonjy ny zanak’ olombelona. Ankehitriny dia samy efa nanapakevitra avokoa ny rehetra; ny ratsy fanahy efa niray tanteraka tamin’ i Satana hiady amin’ Andriamanitra. Tonga ny fotoana hanamarinan’ Andriamanitra ny fahefan’ ny lalàny voahitsakitsaka. Tsy amin’ i Satana irery izao no iadiana, fa amin’ ny olona koa». «Jehovah manana ady amin’ ny firenena ka ny ratsy fanahy dia atolony ho an’ ny sabatra».HM 682.2

    Efa natao tamin’ ireo izay «misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy» ny mariky ny fahafahana. Mivoaka izao ilay anjelin’ ny fahafatesana izay nasehon’ ireo sasany nitondra fiadiana fandringanana ao amin’ ny fahitan’ i Ezekiela, ary nomena baiko hoe : «na lahy antitra, na zatovo, na virijina, na zaza madinika, na vehivavy, dia aringano avokoa; fa izay olona misy ilay marika ihany no aza kasihina; ary atombohy hatreo amin’ ny fitoerako masina izany». Hoy ny mpaminany : «Dia nanomboka tamin’ ny lahiantitra izay teo anoloan’ ny trano ireo» 6Ezek. 9 : 1 - 6. Manomboka amin’ ireo izay misora-tena ho mpiandry ara-panahy teo amin’ ny vahoaka ny asa fandringanana. Ireo mpitily sandoka no ho lavo voalohany. Tsy misy izay hamindrana fo na harovana izy ireo. Miaradevona na ny lehilahy, na ny vehivavy, na ny zatovovavy, na ny ankizy madinika.HM 682.3

    «Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin’ ny fitoerany hamaly ny mponina amin’ ny tany noho ny helony; ary ny tany hampiseho ny ra izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy» 7Isa. 26 : 21. «Ary izao no areti-mandringana hamelezan’ i Jehovah ny firenena rehetra izay efa nanafika an’ i Jerosalema : Hataony mihalevona am-pitsanganana ny nofony, ary hihalevona eo amin’ ny itoerany ny masony, ary ny lelany koa hihalevona ao am-bavany. Ary amin’ izany andro izany dia hisy fifanaritahana lehibe avy amin’ i Jehovah ao aminy, ary hifampihazon-tànana izy, sady samy hifanainga tànana hifamely» 8Zak. 14 : 12, 13. Noho ny ady arehitry ny haromotan’ ny firehetam-pony mivaivay, sy noho ny fandrotsahan’ Andriamanitra ny fahatezerany mahatahotra tsy miharoharo zavatra, dia ho lavo ireo mponina ratsy fanahy eto an-tany dia ny mpisorona, ny mpanapaka sy ny vahoaka, ny manankarena sy ny mahantra, ny ambony sy ny ambany. «Ary amin’ izany andro izany ny voavonon’ i Jehovah dia hiampatrampatra hatramin’ ny faran’ ny tany anankiray ka hatramin’ ny farany koa; tsy hisaonana, na hangonina, na halevina ireny» 9Jer. 25 : 33.HM 683.1

    Amin’ ny fiavian’ i Kristy dia ho ringana avokoa tsy ho eto an-tany ny ratsy fanahy ho levon’ ny «fofon’ ain’ ny vavany ary ho foanany amin’ ny fisehoan’ ny fihaviany». Entin’ i Kristy ho any amin’ ny tanànan’ Andriamanitra ny olony ka foana tsy misy mponina ny tany. «Indro, Jehovah manafoana ny tany, ka mahalao azy, ary mampihohoka azy ka manely izay mponina ao aminy». «Hatao foana dia foana ny tany, ary hobaboina dia hobaboina tokoa izy, fa Jehovah no efa niteny». «Ary noho izany dia ozona no mandevona ny tany, ary ny mponina ao dia valiana noho ny helony, sady voadotra ny mponina amin’ ny tany, ka dia olona vitsy foana sisa ao» 10Isa. 24 : 1, 3, 5, 6.HM 683.2

    Tahaka ny efitra lao ny tany manontolo. Miely patrana manerana ny vohon’ ny tany ny vakivakin’ ny tanàn-dehibe sy ny vohitra ravan’ ny horohoron-tany, hazo voaongotra, vatolampy montsamontsana atsipin’ ny ranomasina na voaendaka avy amin’ ny tany; etsy an-daniny kosa dia misy lavaka mangotanatana manamarika ny toerana nisy ireo tendrombohitra voaongotra hatrany amin’ ny fanorenany.HM 683.3

    Tanteraka ankehitriny ny toe-javatra naseho ara tandindona tamin’ ny fanompoam-pivavahana manetriketrika farany tamin’ ny Andro fanavotana. Rehefa vita ny fanompoam-pivavahana tao amin’ ny masina indrindra, ka voaisotra tao amin’ ny fitoerana masina noho ny ran’ ny fanatitra noho ny ota ny fahotan’ Isiraely, dia entina velona eo anatrehan’ i Jehovah ilay osilahin’ i Azazela; ary eo anatrehan’ ny mpivory rehetra no «heken’ ny mpisorona eo amboniny ny heloky ny zanak’ Isiraely rehetra sy ny fahadisoany rehetradia hametraka izany eo amin’ ny lohan’ ilay osilahy izy».11Lev. 16 : 21 Toy izany koa, rehefa vita ny asa fanavotana any amin’ ny fitoerana masina any an-danitra, dia hapetraka eo amin’ i Satana ny fahotan’ ny vahoakan’ Andriamanitra eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny anjelin’ ny lanitra ary ny andian’ ny voavotra; hambara fa meloka amin’ ny ratsy rehetra izay nampanaoviny antsika i Satana. Ary tahaka ny nandefasana ny osilahin’ i Azazela tany amin’ ny tany foana, dia toy izany koa no handroahana an’ i Satana ho any amin’ ny tany foana, any amin’ ny efitra tsy misy olona sady mangina.HM 684.1

    Lazain’ ny mpanoratra ny Apokalypsy mialoha ny amin’ ny fandroahana an’ i Satana sy ny fikorontanana sy ny fandravana ny tany, ary ambarany fa haharitra arivo taona izany toe-javatra izany. Rehefa avy nitantara izay hiseho amin’ ny fiavian’ ny Tompo fanindroany sy ny fandringanana ny ratsy fanahy ny faminaniana, dia manohy ny fanambarany amin’ ny hoe ; «Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra azy arivo taona, dia nanipy azy ho amin’ ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy»12Apok. 20 : 1 - 3.HM 684.2

    Ny teny hoe «lavaka tsy hita noanoa» dia mampiseho ny tany amin’ izy feno korontana sy haizina, araka izay hita mazava ao amin’ ny teny hafa ao amin’ ny Soratra Masina. Mikasika ny toetran’ ny tany «tamin’ ny voalohany, dia lazain’ ny fanambarana ao amin’ ny Baiboly fa «tsy nisy endrika sady foana (izy); ary haizina no tambonin’ ny lalina» *Ny teny hebreo nadika eto hoe «lalina» ihany no nadikan ’ izy Fitopololahy (grika) amin ’ ny teny milaza ny «lavaka tsy hita noanoa» ao amin ’ ny Apok. 20 : 1 -3.13Gen. 1 : 2Milaza ny teni-faminaniana fa hampodina ho amin’ izany toetrany izany indray izy, fara-faharatsiny ny ampahany aminy. Raha nibanjina ny andro lehiben’ Andriamanitra ny mpaminany Jeremia, dia nanambara hoe : «Nojereko ny tany ka, indro, tsy nisy endrika izy; nojereko ny tendrombohitra ka, indro, nihorohoro izy ary ny havoana rehetra nihozongozona ,nojereko ka, indro, ny saha mahavokatra aza efa tonga foana, ary ny tanànany rehetra dia rava teo anatrehan’ i Jehovah»14Jer. 4 : 23 26 .HM 684.3

    Eto no ho fonenan’ i Satana miaraka amin’ ireo anjely ratsy mandritra ny arivo taona. Voafetra ho eto an-tany ihany no azony aleha ka tsy afaka ho any amin’ izao tontolo izao hafa haka fanahy sy henelingelina ireo izay tsy lavo na oviana na oviana izy. Izany no mahavoafatotra azy; tsy misy olona na iray aza tafajanona izay ahazoany mampiasa ny heriny. Tsy afaka hanohy mihitsy ny asa famitahana sy fandringanana izay hany nahitany fahafinaretana nandritra ireo taonjato marobe nifandimby izy.HM 685.1

    Raha nitazana mialoha ny fotoana haharesen’ i Satana ny mpaminany Isaia, dia nanao hoe : «Endrey ! latsaka avy tany andanitra ianao, ry ilay fitarik’ andro, zanaky ny maraina; voakapa hianjera amin’ ny tany ianao, ry ilay mpandripaka firenena!. . . Ary ianao efa nanao anakampo hoe : Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin’ ny kintan’ Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako;. . . ho tahaka ny Avo Indrindra (aho). Kanjo hampidinina hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita ho any am-para-vodi-lavaka ianao. Izay mahita anao hibanjina anao sy hihevitra anao hoe : Moa io va ilay lehilahy nampihorohoro ny tany sy nampihozongozona ny fanjakana; ary nanao izao tontolo izao ho efitra sy nandrava ny tanànany ary tsy nandefa ny mpifatotra hody?» 15Isa. 14 : 12 17HM 685.2

    Nandritra ny enina arivo taona dia «nampihorohoro ny tany» ny asam-pikomiana nataon’ i Satana. Nataony «ho efitra» izao tontolo izao, nandrava ny tanànany izy ary «tsy nandefa ny mpifatotra hody!» Nandritra ny enina arivo taona dia nampiditra ny vahoakan’ Andriamanitra tao an-tranomaizina izy, ary tiany raha ho voafonja mandrakizay ao ny babony;nefa notapahin’ i Kristy ny fatorana ka nafahany ny mpigadra.HM 685.3

    Na dia ny ratsy fanahy aza izao dia tsy ananan’ i Satana hery, ka izy irery miaraka amin’ ny anjeliny ratsy no sisa mahatsapa ny vokatry ny ozona nentin’ ny fahotana. «Ny mpanjaka rehetra amin’ ny firenena samy mandry amin’ ny voninahitra avokoa, ary samy ao am-pasany avy, fa ianao kosa dia nariana niala lavitra ny fasanao, tahaka ny solofon-kazo ratsy izay ariana. . . Tsy halevina tahaka ireny ianao, satria efa nanimba ny taninao sady efa namono ny oionao» 16Isa. 14 : 18 - 20HM 686.1

    Mandritra ny arivo taona i Satana dia hirenireny eto amin’ ny tany foana ka hijery ny vokatry ny fikomiany tamin’ ny lalàn’ Andriamanitra. Mandritra io fotoana io dia ho mafy indrindra ny fahoriany. Hatramin’ ny nahalavoany noho ny fiainany feno asa, dia tsy mbola nanam-potoana hieritreretana izy; izao kosa dia tsy manan-kery intsony izy ka afaka handinika ny zavatra nataony hatramin’ ny nikomiany voalohany tamin’ ny fitondram-panjakan’ ny lanitra, sy hibanjinany amim-pangovitana sy horohoro ny hoaviny mampivarahontsana, rehefa tsy maintsy hizaka ny vokatry ny ratsy rehetra vitany izy sy ny famaizana azy noho ny fahotana nampanaoviny.HM 686.2

    Hahatonga faharavoravoana sy fifaliana ho an’ ny vahoakan’ Andriamanitra ny famatorana an’ i Satana. Hoy ny mpaminany ; «Ary amin’ ny andro hanomezan’ i Jehovah fitsarana anao ho afaka amin’ ny fahorianao sy ny tebitebin’ ny fonao ary ny fanompoana mafy nampanompoana anao, dia hataonao izao oha-teny ny amin’ ny mpanjakan’ i Babylona (izay mampiseho an’ i Satana eto) izao : Hià ! mitsahatra ilay mpampahory ! . . . Jehovah efa nanapatapaka ny tehin’ ny ratsy fanahy, dia ny tehina fanapahan’ ny mpanapaka, izay namely firenena tamin’ ny fahatezerana tamin’ ny famelezana tsy nanam-pitsarana, sady nampanompo firenena tamin’ ny fahatezerana, tamin’ ny fanenjehana tsy misy antra» 17Isa. 14 : 3 - 6 .HM 686.3

    Mandritra ny arivo taona manelanelana ny fitsanganana voalohany sy faharoa no anaovana ny fitsarana ny ratsy fanahy. Manondro io fitsarana io ho toy ny toe-javatra manaraka ny fiavian’ i Kristy fanindroany ny apostoly Paoly : «Aza mitsara na inona na inona alohan’ ny fotoana, dia ny fiavian’ ny Tompo; izay hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ ny maizina ka hampiseho ny fikasan’ ny fo» 18I Kor. 4 : 5. Lazain’ i Daniela fa rehefa tonga ny Fahagola dia «homena rariny ny olo-masin’ ny Avo Indrindra» 19Dan. 7 : 22 . Amin’ io fotoana io dia hanjaka sy ho mpisoron’ Andriamanitra ny marina. Hoy i Jaona ao amin’ ny Apokalypsy hoe : «Ary nahita ny seza fiandrianana maro aho. ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy». «Ho mpisoron’ Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona» 20Apok. 20 : 4, 6. Amin’ io fotoana io, araka ny nambaran’ i Paoly mialoha, dia «hitsara izao tontolo izao ny olona masina» 211 Kor. 6 : 3. Miaraka amin’ i Kristy izy mitsara ny ratsy fanahy, ka hampitaha ny asa nataony amin’ ny bokin’ ny fitsipika, dia ny Baiboly, ary nanao fanapahan-kevitra momba ny tsirairay, araka ny zavatra nataon’ ny tenany avy. Avy eo dia tapahina ny anjara tsy maintsy hozakain’ ny ratsy fanahy araka ny asany avy, ary soratana manandrify ny anarany ao amin’ ny bokin’ ny fahafatesana izany.HM 686.4

    Satana sy ny anjeliny koa dia tsarain’ i Kristy sy ny vahoakany. Hoy i Paoly : «Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika?» Ary i Joda nilaza fa «anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin’ ny fatorana mandrakizay ao amin’ ny maizina ho amin’ ny andro fitsarana lehibe» 23Joda 6.HM 687.1

    Amin’ ny fiafaran’ ny arivo taona no hisy ny fitsanganana faharoa. «Amin’ izany dia hitsangana amin’ ny maty ny ratsy fanahy ka hiseho eo anatrehan’ Andriamanitra ho fanatanterahana ny didimpitsarana voasoratra». Toy izao no lazain’ ny mpanoratra ny Apokalypsy, rehefa avy nitantara ny fitsanganan’ ny tsara fanahy izy : «Fa ny sisa amin’ ny maty dia tsy mbola ho velona mandra-paha-tapitry ny arivo taona»24Apok.20:5. Ary hoy Isaia ny amin’ ny ratsy fanahy : «Dia hangonina ao an-davaka tahaka ny mpifatotra ireny ka hohidiana ao an-tranomaizina, ary rehefa afaka andro maro, dia hovangiana ihany izy»25Isa. 24 : 22.HM 687.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents