Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hery Mifanandrina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 42—Mifarana ny ady

    Amin’ ny fiafaran’ ny arivo taona, dia hiverina indray eto an-tany i Kristy. Otronin’ ny tafiky ny voavotra Izy ary arahin’ ny andian’ anjely. Midina amin’ ny fiandrianana mahatahotra sy manetriketrika Izy sady mibaiko ny ratsy fanahy maty hitsangana mba handray ny anjarany. Mivoaka izy ireo ka toy ny tafika marobe, tsy hita isa tahaka ny fasika amin’ ny ranomasina. Akory ny fahasamihafany amin’ ireo izay nitsangana tamin’ ny fitsanganana voalohany! Nitafy fahatanorana sy hatsaran-tarehy mandrakizay ny marina. Ny ratsy fanahy kosa mitondra ny mariky ny aretina sy ny fahafatesana.HM 689.1

    Ny maso rehetra eo amin’ io vahoaka marobe io dia mibanjina ny voninahitry ny Zanak’ Andriamanitra. Miara-miredona ny tafiky ny ratsy fanahy miantso mafy hoe : «Isaorana anie izay avy amin’ ny anaran’ ny Tompo!» Tsy ny fitiavana an’ i Jesosy no mahatonga azy ireo hiteny izany; fa ny herin’ ny fahamarinana no manery ny molony hanambara ireo teny ireo, na dia tsy sitrany aza. Araka ny toetra nidinan’ ny ratsy fanahy tany am-pasana ihany no hivoahany avy ao, dia ny mbola handrafy an’ i Kristy sy hikomy ihany. Tsy hisy intsony androm-pahasoavana izay hanotofany ny lesoka tamin’ ny fiainany lasa. Tsy hisy vokany rahateo izany. Tsy nahalefaka ny fony ny fandikan-dalàna nandritra ny fiainany. Raha omena andrompahasoavana faharoa ireo dia ho lanilany foana tahaka ny voalohany amin’ ny faniasiavana sy ny fikomiana izany.HM 689.2

    Midina eo amin’ ny tendrombohitra Oliva i Kristy, izay toerana niakarany taorian’ ny fitsanganany tamin’ ny maty, sy namerenan’ ireo anjely ny teny fikasana momba ny fiverenany koa. Hoy ny mpaminany : «Ary ho avy Jehovah Andriamanitro mbamin’ ny masiny rehetra momba Azy». «Ary amin’ izany andro izany ny tongony hijoro eo an-Tendrombohitra Oliva, izay eo atsinanana tandrifin’ i Jerosalema, ary ny Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany. . . ka hisy lohasaha lehibe». «Ary Jehovah ho Mpanjakan’ ny tany rehetra; amin’ izany andro izany dia iray no Jehovah; sady iray no anarany» 1Zak. 14 , 5 , 4 , 9. Rehefa midina avy any an-danitra Jerosalema Vaovao izay sady kanto no mamirapiratra, dia hipetraka eo amin’ ny toerana efa nodiovina sady voaomana handray azy, ka hiditra ao amin’ ny Tanàna Masina i Kristy miaraka amin’ ny vahoakany sy ny anjeliny.HM 689.3

    Manomana ny ady mafy farany ahazoana ny fahefana faratampony izao i Satana. Raha mbola nesorina taminy ny heriny ka voasakana tsy hanao ny asa famitahana ny andrian’ ny haizina, dia oriory izy sady kivy; nefa kosa rehefa mitsangana amin’ ny maty ny ratsy fanahy ka hitany ireto vahoaka marobe miandany aminy, dia velona indray ny fanantenany, ka tapa-kevitra izy fa tsy hitsoaka amin’ ity ady goavana ity. Halahany eo ambany fanevany ny tafiky ny olom-bery rehetra ka amin’ ny alalan’ ireo no hilofosany hanatanteraka ny tetik’ ady novolavolainy. Babon’ i Satana ny ratsy fanahy. Nanaiky ny hotarihin’ ilay lehiben’ ny mpikomy izy ireo tamin’ ny nandavany an’ i Kristy. Vonona ny handray ny sosokevitra avy aminy sy hankatò ny baikony izy. Toy ny efa fanaony, hatrany am-boalohany anefa, dia tsy miseho mivantana ho i Satana ilay fahavalo. Mihambo ho andriana tompon’ izao tontolo izao araka ny hitsiny izy, ary tsy an-drariny no nakana an-keriny ny fananany taminy. Miseho ho toy ny mpanavotra izy amin’ ireo mpanompony voafitaka, ary nanome toky azy izy fa ny heriny no namoaka azy ireo avy ao am-pasany, ary efa madiva hamonjy azy avy eo ampelatanan’ ny fitondrana tsy refesimandidy lozabe indrindra izy. Satria niala ny fanatrehan’ i Kristy, dia manao fahagagana i Satana hanohanany ny fihamboany. Mampahatanjaka ny malemy izy ary mahatonga ny rehetra hanana ny toe-tsainy sy ny herim-pony. Manolo-tena hitarika azy hiady amin’ ny tobin’ ny olona masina izy sy haka an-keriny ny Tanànan’ Andriamanitra. Feno hafaliandemonia izy raha manondro ireto vahoaka alinalina tsy tambo isaina izay nitsangana tamin’ ny maty, ary ambarany fa amin’ ny mahampitarika azy dia azony atao tokoa ny hanafaka ny tanàna ary haka indray ny seza fiandrianany sy ny fanjakany.HM 690.1

    Ao amin’ ireo vahoaka marobe ireo dia misy olona avy amin’ ilay taranaka ela velona talohan’ ny safodrano; misy olona avo ranjanana sy ngezalahy ara-tsaina, izay nanaiky hofehezin’ ny anjely lavo, ka nanokana ny hakingany sy ny fahaizany amam-pahalalany rehetra hanandratany ny tenany; misy olona nanao asa kanto nitalanjonana ka nahataona an’ izao tontolo izao hiankohoka teo amin’ ny saina be nananany, nefa nandoto ny tany sy nanimba ny endrik’ Andriamanitra teo amin’ ny olona tamin’ ny alalan’ ny fahasiahany sy ireo zava-doza noforoniny, ka nahavoatery an’ Andriamanitra handringana azy tsy ho eo amin’ ny tavan’ ny voariny. Ao ireo mpanjaka sy mpitari-tafika izay nandresy firenena maro, olona be herim-po izay tsy mbola resy an’ ady na oviana na oviana feno rehareha, be hambom-po ka nihorohoro ny fanjakana rehefa mby akaiky izy. Tsy nampiova azy ireo ny fahafatesana. Rehefa hivoaka avy ao am-pasana izy, dia hotohizany indray teo amin’ izay niatoany ny fisainany. Mbola nanentana azy ilay faniriana hanafika izay nifehy azy teo am-pahalavoana.HM 691.1

    Mila hevitra amin’ ny anjeliny i Satana, ary avy eo dia amin’ ireo mpanjaka sy mpanafika ary lehilahy mahery Mahita ny hery sy ny isan’ ireo miandany aminy izy, ka ambarany fa vitsy ny tafika ao an-tanàna raha ampitahaina amin’ ny azy, koa dia azony resena. Mamolavola tetika izy ireo mba hakany ny harena sy ny voninahitr’ i Jerosalema Vaovao. Avy hatrany dia atomboka ny fiomanana ho amin’ ny ady. Misy mpanao taozavatra havanana manefy fitaovampiadiana. Ireo mpitari-tafika fanta-daza amin’ ny fahombiazany, no mandamina ny vahoaka marobe lian’ ady ho andiany sy vondrona.HM 691.2

    Amin’ ny farany dia omena ny baiko handroso, ka indreo vahoaka marobe tsy hita isa no mihetsika — dia tafika miezinezina tsy mbola nisy mpitari-tafika na iza na iza teto an-tany, nibaiko izay toa azy ka na avondrona aza ny andian-tafika rehetra efa navory hatramin’ ny niandohan’ ny ady teto an-tany, dia tsy mahatoraka azy velively. Satana, ilay mpiady mahery indrindra, no loha-lalana ary mampiray ny heriny ireo anjeliny ho amin’ ity ady farany ity. Manaraka azy ny mpanjaka sy ny mpifehy mahery ary ny vahoaka marobe manao andiany lehibe samy tarihin’ ny mpitarika voatendry avy. Mandroso amim-pilaminana toy ny famindran’ ny miaramila ireo laharana mitanizina mamakivaky ny tany mitriatriatra sy mikotoantoana, manatona ny Tanànan’ Andriamanitra. Noho ny baikon’ i Jesosy dia akatona ny vavahadin’ i Jerosalema Vaovao. ary dia manodidina ny tanana ireo tatik’ i Satana, vonon-kirohotra hamely azy.HM 691.3

    Miseho indray ho hitan’ ireo fahavalony izao i Kristy. Ery ambony lavitra noho ny tanàna dia misy seza fiandrianana avo sy manerinerina mitoetra amin’ ny fototra volamena mamirapiratra. Eo amin’ io seza fiandrianana io no mipetraka ny Zanak’ Andriamanitra ary manodidina Azy ny vahoaky ny fanjakany. Tsy misy teny mahalaza ny herin’ i Kristy sy ny fiandrianany, ary tsy misy penina mahatantara izany. Manodidina ny Zanany ny voninahitry ny Ray Mandrakizay. Mameno ny Tanànan’ Andriamanitra ny famirapiratan’ ny fanatrehany, ary mihanaka ivelan’ ny vavahady ka mameno ny tany manontolo amin’ ny famirapiratany.HM 692.1

    Eo akaikin’ ny seza fiandrianana indrindra no ahitana izay efa narisika ho an’ i Satana teo aloha, nefa toa forohana nosarihina tamin’ ny afo ka nanaraka ny Mpamonjy tamin-kafanam-po niredareda sy lalina. Manarakaraka dia ireo izay namolavola toetra Kristiana tanteraka teo anivon’ ny hevi-diso sy ny tsy finoana an’ Andriamanitra, ireo nanaja ny lalàn’ Andriamanitra raha niray feo nanambara ny Kristiana eran-tany fa foana izany, ary koa ireo an-tapitrisany, nandritra ny fotoana rehetra nifandimby, maty maritiora noho ny finoany. Farany dia. indreo, «olona betsaka tsy tambo isaina avy amin’ ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ ny Zanak’ ondry; niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany» 2Apok.7 : 9. Vita ny adiny, azony ny fandresena. Nahatanteraka ny fihazakazahana izy ka nahatratra ny loka. Ny sampan-drofia eny an-tanany dia tandindon’ ny fandresena, ny fitafiana fotsy dia mampiseho ny fahamarinan’ i Kristy tsy misy pentina izay azy ankehitriny.HM 692.2

    Manandratra hiram-piderana ny voavotra izay manakoako manerana ny lanitra : «Ny famonjena anie ho an’ Andriamanitsika, Izay mitoetra eo ambonin’ ny seza fiandrianana sy ho an’ ny Zanak’ ondry» 3Apok. 7 : 10. Mampiray ny feony amin’ ny fankalazana ny anjely sy ny serafima. Rehefa nahita ny hery sy ny hafetsen’ i Satana ny voavotra dia nahatsapa, mihoatra noho ny teo aloha, fa tsy misy hery afa-tsy ny an’ i Kristy no nahatonga azy ho mpandresy. Ao amin’ ireo vahoaka mamirapiratra ireo dia tsy misy na iray aza milaza fa avy amin’ ny tenany ny famonjena, ka nandresy tamin’ ny alalan’ ny herin’ ny tenany sy ny fahatsaran’ ny tenany izy. Tsy misy na inona na inona lazainy momba izay nataony na izay niaretany; fa ny ventin-kevitry ny hira rehetra, ny foto-kevitra kaloin’ ny antema rehetra dia izao : «Ny famonjena anie ho an’ Andriamanitra sy ho an’ ny Zanak’ ondry».HM 692.3

    Eo anatrehan’ ny mponin’ ny tany sy ny lanitra tafavory no atao ny fanatrohana satroboninahitra fara-tampony ny Zanak’ Andria-manitra. Amin’ izay rehefa mandray ny fiandrianana sy ny hery farany ambony indrindra maha-Mpanjakan’ ny mpanjaka Azy Izy dia mamoaka ny didim-pitsarana amin’ ireo mpikomy amin’ ny fitondram-panjakany ary mampihatra fanamelohana amin’ izay nandika ny lalàny sy nampijaly ny vahoakany. Hoy ny mpaminanin’ Andria-manitra : «Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony. Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ ny boky, araka ny asany» 4Apok. 20: 11. 12.HM 693.1

    Raha vantany vao nosokafana ny boky firaketana ka mitopy amin’ ny ratsy fanahy ny mason’ i Jesosy, dia tsaroan’ izy ireo ny fahotana rehetra nataony hatrizay. Hitany tsara ny toerana izay nivilian’ ny diany hiala ny lalan’ ny fahadiovana sy ny fahamasinana, hitany koa ny lalana nitondran’ ny avonavony sy ny fikomiany azy handika ny lalàn’ Andriamanitra. Ny fakam-panahy mamitaka izay nomeny toerana tamin’ ny fanaranany fo tamin’ ny fahotana, ireo fitahiana nampiasaina tamin’ ny tsy izy, ireo mpitondra hafatr’ Andriamanitra natao tsinontsinona, ireo fampitandremana nolavina, ireo onjam-pamindrampo nasesiky ny fo mafy sy tsy mibebaka hiverin-dalana izany rehetra izany dia toa voasoratra tamin’ ny soratra afo avokoa.HM 693.2

    Eo ambonin’ ny seza fiandrianana no miseho ny hazo fijaliana; ary hita toy ny sary maromaro azo atao indray mijery ny nakana fanahy an’ i Adama sy ny nahalavoany, ary ireo dingana samihafa teo amin’ ny drafitra lehiben’ ny fanavotana. Ny nahaterahan’ ny Mpamonjy tao amin’ ny fietrena; ny fahazazany sy ny fahatanorany feno fahatsoram-po sy fankatoavana; ny batisany tao Jordana; ny nifadiany hanina sy ny fakam-panahy tany an’ efitra; ny asa nataony am-pahibemaso, izay namelarany teo imason’ ny olona ny fitahian’ ny lanitra sarobidy indrindra; ireo andro feno asam-pitiavana sy famindrampo, ireo alina nivavahany sy niambenany tany an-tendrombohitra mangingina; ireo teti-dratsy vokatry ny fitsiriritana, ny fankahalana sy ny faharatsiam-panahy izay nasetry ny soa nataony; ilay ady nahafadiranovana sy nifono zava-miafina tao Getsemane raha nanindry mafy Azy ny vesatry ny fahotan’ izao tontolo izao manontolo; ny namadihana Azy teo am-pelatanan’ ny vahoaka lian-dra; ireo zava-doza nitranga tamin’ iny alina nampihorohoro iny — Ilay mpifatotra tsy mba nanohitra, afoin’ ireo mpianany tiany indrindra, natositosika eran’ ny lalamben’ i Jerosalema; Ilay Zanak’ Andriamanitra natao fanakora teo anatrehan’ i Anasy nentina hotsaraina tao amin’ ny lapan’ ny mpisoronabe, tao an-trano fitsaran’ i Pilato, teo anatrehan’ i Heroda kanosalahy nefa lozabe, ka nolatsalatsaina, nozimbazimbaina, nampijalijaliana ary nahelohina ho faty — izany rehetra izany dia aseho amin’ ny fomba manaitra avokoa.HM 693.3

    Eo anatrehan’ ny vahoaka manalonalona toa salohim-bary tsofin’ ny rivotra no anehoana ireo toe-javatra farany — dia Ilay nijaly feno faharetana nanosy ny lalana ho any Kalvary; ilay Andrianan’ ny lanitra nihantona teo amin’ ny hazo fijaliana; ireo mpisorona be rehareha mbamin’ izao fatritran’ olona rehetra azao niara-nanakora sy namingavinga raha niatrika ny ady mafy teo am-pialan’ aina Izy; ny haizina nikitroka tsy fahita hatrizay; ny tany nisondrotra sy nietry, ny vatolampy nitriatriatra, ireo fasana nisokatra, izay nanamarika ny fotoana nanoloran’ Ilay Mpanavotra an’ izao tontolo izao ny ainy.HM 694.1

    Miseho araka izay tena izy ireo toe-javatra mampihorohoro ireo. Tsy afaka hiodina tsy hijery ny sarin’ ny asa nataony Satana sy ny anjeliny ary ny mpanompony. Samy mahatsiaro ny nataony avy ny tsirairay. I Heroda nampamono ireo zaza tsy nanan-tsiny tany Betlehema mba ahazoany mandevona Ilay Mpanjakan’ ny Isiraely; i Herodiasy ambany toetra, izay meloka ao am-panahiny noho ny ran’ i Jaona Mpanao batisa; i Pilato nalemy sy mpanara-drian-drano; ny miaramila mpanazimbazimba; ny mpisorona sy ny mpanapaka ary ny vahoaka izay romotra niantsoantso hoe ; «Aoka ny rany ho aminay mbamin’ ny zanakay! Samy manatri-maso ny halehiben’ ny helony avokoa izy rehetra. Sasa-poana izy mitady izay hiafenany tsy hanatrika ny fiandrianan’ Andriamanitra eo amin’ ny endrik’ i Kristy, izay mamirapiratra noho ny masoandro; fa ny voavotra kosa amin’ izay manipy ny satroboninahiny eo an-tongotry ny Mpamonjy ka miteny hoe ; «Maty nisolo ahy Izy!»HM 694.2

    Anisan’ ny voavonjy ireo apostolin’ i Kristy, i Paoly mahery fo. i Petera ilay mafana vay, i Jaona malala sy be fitiavana, mbamin’ ireo rahalahy tena mahatoky tokoa, ary eo aminy koa ny maritiora manao andiany be; eny ivelan’ ny manda kosa, miaraka amin’ ny olo-maloto sy vetaveta rehetra, dia ireo izay nanenjika, nanao an-tranomaizina sy namono azy. Indro eo i Néron ilay bibin’ olona nasiaka sy vetaveta nijery tamin’ ny fifaliana sy ny haravoana ireo izay nampijaliany fahiny, na nahitany fahafinaretan-demonia ny fanaintainana mafy indrindra niaretany. Ao ny reniny manatri-maso ny vokatry ny asany; mahita ny toetra ratsiny nifindra tamin’ ny zanany lahy. ny filana nampirisihiny sy nampitomboiny noho ny hery miasa mangina avy taminy sy ny ohatra nomeny, izay nahavokatra voan’ ny heloka bevava izay nampivarahontsana an’ izao tontolo izao.HM 695.1

    Ao ireo pretra sy mpitondra fivavahana ambony laharana niandany tamin’ ny Papa, izay nilaza ny tenany ho ambasadaoron’ i Kristy, nefa nampiasa ny fampijaliana, ny tranomaizina, ny fandoroana velona mba hifehezany ny feon’ ny fieritreretan’ ny olon’ i Kristy. Ao ireo papa be avona izay nanandratra ny tenany ho ambonin’ Andriamanitra sy nihambo hanova ny lalàn’ ny Avo Indrindra. Ireo lazaina fa rain’ ny fiangonana dia ampamoahin’ Andriamanitra koa ka tsy hisy fialan-tsiny azony aroso amin’ izany. Diso aoriana loatra no ahitany fa saro-piaro amin’ ny lalàny Ilay mahalala ny zavatra rehetra ka tsy hanamarina mihitsy ny meloka Izy. Fantany izao fa ny fampijaliana ny vahoakan’ i Kristy dia noraisiny ho toy ny natao tamin’ ny tenany mihitsy; ary tsapany ny herin’ ny teniny hoe :«Araka izay efa nataonareo tamin’ ny anankiray amin’ ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko» 5Matio 25 : 40.HM 695.2

    Voantso hiseho eo anatrehan’ ny fitsaran’ Andriamanitra avokoa ny ratsy fanahy rehetra, voampanga ho namadika ny fitondrampanjakan’ ny lanitra. Tsy misy mpisolovava hiaro azy ireo; tsy manana fialan-tsiny izy; koa dia mivoaka ny didim-pitsarana hanameloka azy amin’ ny fahafatesana mandrakizay.HM 695.3

    Mazava amin’ ny rehetra izao fa tsy fahaleovantena be voninahitra sy fiainana mandrakizay tsy akory no tambin’ ny ota. fa fanandevozana, fahalevonana sy fahafatesana. Fantatry ny ratsy fanahy izao izay veriny tamin’ ny fiainam-pikomiany. Fony natolotra azy ny fihoarana sy ny vesatry ny voninahitra maharitra mandrakizay dia nohamavoiny; ankehitriny anefa dia mahatsiriritra azy ery izany. «Izany rehetra izany», hoy ny fitomanin’ ny fanahy very, «dia nety ho azoko avokoa; saingy nisafidy ny hampanalavitra izany tamiko aho. Hadalana mihoapampana re iny! Natakaloko fahoriana, fahafaham-baraka sy famoizam-po ny fiadanana, ny fahasambarana ary ny voninahitra». Hitan’ ny rehetra fa rariny ny tsy ahazoany miditra ny lanitra. Nambarany-tamin’ ny fiainany hoe : «Tsy tianay hanjaka aminay io Lehilahy io», dia i Jesosy izany.HM 695.4

    Lasa lavitra dia lavitra ny fisainan’ ny ratsy fanahy teo ampijerena ny nametrahana ny satroboninahitra teo amin’ ny Zanak’ Andriamanitra. Hitany teny an-tanany ny vato fisaky ny lalàn’ Andriamanitra. dia ireo fitsipika nataony tsinontsinona sy nodikainy. Natrehin’ ny masony ny fanehoan’ ny voavonjy ny fahagagany, ny hasambarany mitafotafo sy ny fiankohofany tamin’ i Kristy;ary raha manarona ny vahoaka marobe ivelan’ ny tanàna ny hirany manakoako, dia miray feo izy rehetra manao hoe : «Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo ò, Andriamanitra Tsitoha; mahitsy sy marina ny lalànao, ry Mpanjaka mandrakizay» (Apokalypsy 15 : 3); dia niankohoka amin’ ny tany izy, mitsaoka Ilay Andrian’ ny fiainana.HM 696.1

    Toa tsy mahahetsika i Satana raha mibanjina ny voninahitra sy ny fiandrianan’ i Kristy. Tsaroan’ ilay kerobima manaloka fahiny ny toerana nahalavoany. Serafima namirapiratra izy. «zanaky ny maraina», kanefa akory izato fiovany, izato fitotonganany! Voaroaka mandrakizay tsy ho ao amin’ ny filan-kevitra izay nanomezamboninahitra azy fahiny izy. Hafa izao no hitany mijoro eo anilan’ ny Ray, manarona ny voninahiny. Hitany ny satroboninahitra napetraky ny anjely avo ranjanana sy miendrik’ andriana teo an-dohan’ i Kristy ary fantany fa ny toerana ambony tazonin’ io anjely io dia nety ho azy teo aloha.HM 696.2

    Mahatsiahy ilay toerana nisy azy fony tsy nanan-tsiny sy nadio fo izy, ny fiadanana sy ny fahafahampo nilomanosany mandrapahatongan’ ilay fotoana nampanaranany ny fony himonomonona tamin’ Andriamanitra sy hialona an’ i Kristy. Manao tsy omby aloha eo anatrehany avokoa ny fiampangana nataony, ny fikomiany, ny fitaka nataony mba hahatonga ny anjely hiray fo taminy sy hanohana azy, ny fikirizany biby tsy nety nanao fiezahana hiavo-tena raha nanolotra azy famelan-keloka Andriamanitra. Averiny ao an-tsainy koa ny asa nataony teo amin’ ny olona sy ny vokatr’ izany — ny fandrafian’ ny olombelona samy olombelona, ny fandripahana aina mahatsiravina nataony, ny fijoroan’ ny fanjakana sy ny firodanany, ny fanonganam-panjakana, ny fifandimbiasan’ ny tabataba, ny ady, ary ny korontana. Tadidiny ny fiezahany tsy miato hanohitra ny asan’ i Kristy sy handentika ny olona ho ambany kokoa hatrany. Hitany fa ny fandriky ny helo novelariny dia tsy nahavoa ho amin’ ny fandringanana ireo izay nametraka ny fitokiany tamin’ i Jesosy. Raha mijery ny fanjakany i Satana, ny vokatry ny fisasarany, dia tsy mahita na inona na inona izy afa-tsy tsy fahombiazana sy fahalevonana. Nitaona ireo vahoaka marobe izy hino fa ho remby mora azo foana ny tanànan’ Andriamanitra; fantany anefa fa tsy marina izany. Raha nandroso ilay ady goavana dja hita fa resy hatrany hatrany izy ka voatery hihemotra. Fantany loatra manko ny hery amam-piandrianan’ i Jehovah.HM 696.3

    Ny zava-nokinendrin’ ilay mpikomy lehibe dia ny hanamarin-tena hatrany sy ny hanaporofo fa tompon’ andraikitra ny amin’ ny Fikomiany Andriamanitra. Navondrony ho amin’ izany ny herin’ ny sain-daliny rehetra. Niasa ara-drafitra maty paika sady tsy niato izy, ary nahomby fatratra tamin’ ny fitaomana ny vahoaka marobe hanaiky ny fomba fijeriny ilay ady lehibe izay efa nitarazoka ela tokoa. Nandritra ny an’ arivo taonany maro no nanehoan’ ity lehiben’ ny mpikomy ity ny lainga ho fahamarinana. Tonga anefa izao ny fotoana izay maharesy hatramin’ ny farany ny fikomiana ka hampiharihary ny tantara sy ny toetra amam-panahin’ i Satana. Afaka tanteraka ny saron-tavan’ ilay mpamitaka gagilahy tamin’ ny ezaka farany nataony hanonganany an’ i Kristy avy eo amin’ ny seza fiandrianany, handringanany ny vahoakany ary hakany ny tanànan’ Andriamanitra. Mahita ny tsy fahombiazany ireo izay niray hina taminy. Mijery ny fidadasiky ny teti-dratsy nataony hanoherana ny fitondram-panjakan’ Andriamanitra ireo mpanaraka an’ i Kristy sy ireo anjely nahatoky. Tonga zava-maharikoriko an’ izao rehetra izao izy.HM 697.1

    Hitan’ i Satana fa nahatonga azy tsy ho mendrika ny, lanitra ny fikomiana niniany natao. Nitaiza ny heriny hoenti-miady amin’ Andriamanitra izy; ny fahadiovana, ny fiadanana, sy ny firindrana any an-danitra dia ho fampijaliana mafy indrindra ho azy. Mangina izao ny fiampangany ny famindrampo sy ny fahamarinan’ Andria-manitra. Ny fanomezan-tsiny niezahany natoraka tamin’ i Jehovah dia mianjera aminy manontolo. Koa, indro, ary i Satana efa miankohoka sy miaiky ny maha-rariny ny didim-pitsarana mihatra aminy.HM 697.2

    «Iza no tsy hatuhotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Ianao ihany no masina; ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao» (Andininy 4). Voavaha izao ny olana rehetra momba ny fahamarinana sy ny hevi-diso nandritra ilay ady nitarazoka naharitra ela. Mazava eo imason’ ny voary manan-tsaina rehetra ny vokatry ny fikomiana, ny tsy firaharahana ny fitsipika nomen’ Andriamanitra. Voaseho eo anatrehan’ izao rehetra izao ny vokatra nateraky ny fanapahan’ i Satana izay mifanohitra tanteraka amin’ ny an’ ny fitondram-panjakan’ Andriamanitra. Ny asan’ i Satana ihany no manameloka azy. Ny fahendren’ Andriamanitra. ny fahamarinany, ny hatsaram-panahiny, dia voaporofo miharihary izao. Hita fa ny fihetsiny rehetra nandritra ny ady lehibe dia nobaikoin’ ny fikatsahana ny hahasoa ho mandrakizay ny vahoakany sy ny tontolo rehetra nohariny. «Jehovah Ò, midera Anao ny asanao rehetra;ary ny olonao masina misaotra Anao» 6Sal. 145 : 10. Hijoro ho vavolombelona mandra-kizay ny tantaran’ ny fahotana fa ny fahasambaran’ izay rehetra noforoniny dia mifamatotra amin’ ny fisian’ ny lalàn’ Andriamanitra. Eo anatrehan’ ny toe-javatra rehetra niseho nandritra ilay ady lehibe, dia miara-manambara izao rehetra izao na ny mahatoky, na ny mpikomy. fa «mahitsy sy marina ny lalànao, ry Mpanjakan’ ny olona masina».HM 698.1

    Naseho mibaribary teo anatrehan’ izao rehetra izao ny sorona lehibe nataon’ ny Ray sy ny Zanaka ho famonjena ny olombelona. Tonga ny ora handraisan’ i Kristy ny toerana sahaza Azy ka hanandratana Azy ho ambonin’ ny fiandrianana sy ny fahefana ary ny anarana rehetra azo tononina. Noho ny fifaliana napetraka teo anoloany dia ny ahazoany mitondra zanaka maro ho amin’ ny voninahitra — no niaretany ny hazo fijaliana sy tsy nitandroany henatra. Ary tahaka ny tsy ahatakaran’ ny saina ny halehiben’ ny fijaliana sy ny fahafaham-baraka no tsy ahatakaran’ ny saina koa ny halehiben’ ny fifaliana sy ny voninahitra. Mijery ny voavotra nohavaozina indray araka ny endriny Izy. mandinika ny fo tsirairay mitondra tanteraka ny endrik’ Andriamanitra, ny tava tsirairay milaratra ny fitoviana amin’ ny Mpanjakany. Mijery ireo vokatry ny fisasaran ny fanahiny Izy ka afa-po. Rehefa izany dia miteny amin’ ny feo mahery Izy izay ren’ ireo vahoaka sesehena tafavory na ny tsara fanahy na ny ratsy fanahy, hoe : «Indreto ny navotana tamin’ ny rako! Ho an’ ireo no nijaliako; ho an’ ireo no nahafatesako, mba ahazoany mitoetra eto anatrehako mandritra ny mandrakizay». Dia misandraira avy amin’ ireo miakanjo fotsy manodidina ny seza fiandrianana ny hira fiderana manao hoe : «Ny Zanak’ ondry, Izay novonoina. dia mendrika handray ny hery sy ny harena sy fahendrena sy faherezana sy haja’sy voninahitra ary saotra!» 7Apok. 5: 12HM 698.2

    Na dia voatery hanaiky ny fahamarinan’ Andriamanitra sy hiankohoka eo anatrehan’ ny fahambonian’ i Kristy aza i Satana, dia tsy miova fenitra akory ny toetrany amam-panahiny. Mitroatra indray, tahaka ny rian-drano mahery, ny toe-tsaina mikomy ao aminy. Vinitra izy ka tapa-kevitra fa tsy hilefitra eo amin’ ilay ady lehibe. Tonga ny fotoana hikatrohana ny ady lehibe farany amin’ Ilay Mpanjakan’ ny lanitra ka vonon-kandrovi-tsihy izy. Mirotsaka eo afovoan’ ny mpanompony izy ka miezaka handranitra azy ireo koa ho romotra tahaka azy koa sy hanainga azy hirotsaka avy hatrany amin’ ny ady. Nefa amin’ ireo vahoaka an-tapitrisany tsy tambo isaina ireo izay tarihiny hikomy dia tsy misy na iray aza ankehitriny manaiky ny fanapahany tsy refesi-mandidy. Mifarana hatreo ny fahefany. Feno fankahalana an’ Andriamanitra toa an’ i Satana koa ny fon’ ny ratsy fanahy; hitan’ ireo anefa fa tsy misy fanantenana intsony ny aminy ary tsy azony atao ny handresy an’ i Jehovah, koa dia mifototra amin’ i Satana ny fahatezerany ary romotra amin’ ireo izay nampiasainy hamitaka azy izy ka mamely azy.HM 699.1

    Hoy Jehovah : «Satria efa nataoko ho toy ny fon’ Andriamanitra ny fonao, dia, indro, hitondra olona hafa firenena Aho hamely anao, dia izay masiaka indrindra amin’ ny firenena, ka hotsoahany ny sabany hamelezany ny fahendrenao tsara, ary hataony matroka ny famirapiratanao». «Ary nosimbako ianao, ry kerobima manaloka. hiala tao amin’ ny vato mirehitra. . . Nazerako eny an-tany ianao sady natolotro ho fitalanjonan’ ireo mpanjaka. . . Koa izany no amoahako afo avy ao aminao handevona anao, ary hataoko tonga lavenona eny ambonin’ ny tany ianao. eo imason’ izay rehetra mijery anao. . . Ho tonga fampitahorana ianao. . . ary tsy ho ao intsony mandrakizay » 8Ezek. 28 : 6 - 8, 16- 19.HM 699.2

    «Fa ny kiraron’ izay mitrevatreva fandeha eo amin’ ny fihorakorahan’ ny ady. sy ny fitafiana mihosin-dra dia samy hodorana, sy ho kitay hatohoka amin’ ny afo izany». «Fa Jehovah dia tezitra amin’ ny Jentilisa rehetra, ary mirehitra amin’ ny miaramilany rehetra ny fahatezerany; efa nodidiany haringana ireo ary natolony hovonoina». «Handatsaka fandrika amin’ ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany» 9Isa. 9 : 4 ; 34 : 2 ; Sal. 1 1 : 6. Hivava ny tany; holoarana avy ao hivoaka ireo fiadiana nafenina tany. Hisy lelafo mandevona hivoaka avy amin’ ny lavaka mangotanatana rehetra. Na dia ny vatolampy aza hirehitra. «Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy ny fatana fandoroana izy», ary «ho levon’ ny afo ny tenan’ ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy» 10Mai. 3 : 1 9 ; 2 Pet. 3 : 1 0. Tahaka ny fonjam-by voaempo ny vohon’ ny tany farihy afo midadasika. misamboaravoara. Izao no andro «fitsarana sy fandringanana ny olona ratsy fanahy». «Fa Jehovah manana andro famaliana dia taona famaliana hiadiana ho an’ i Ziona» 11Isa. 34 : 8.HM 699.3

    Mandray ny valin’ asany eto an-tany ny ratsy fanahy (Ohabolana 11 ; 31). Dia «ho vodivary» izy, «ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro» 12Mal. 3 : 19. Misy ho levona haingana, misy kosa izay hijaly mandritra ny andro maro. Samy hofaizina «araka ny asany» avy izy. Efa nafindra tamin’ i Satana ny fahotan’ ny tsara fanahy ka tsy hijaly noho ny fikomiana nataon’ ny tenany fotsiny izy, fa noho ny fahotana rehetra nampanaoviny ny vahoakan’ Andriamanitra koa. Ny famaizana hihatra aminy dia ho mafy lavitra noho ny an’ ny olona nofitahiny. Aorian’ ny ahafatesan’ izay rehetra lavo noho ny fitaka nataony, dia mbola ho velona sy hijaly izy. Amin’ ny farany dia ho levon’ ny afo mpanadio ny ratsy fanahy, «na ny fakany na ny sampany». Satana no fakany, ary ireo mpanaraka azy no sampany. Nampiharina ny famaizana ; feno noho ny fandikandalàna; afa-po ny fitakian’ ny fahamarinana; ary eo am-pibanjinana izany ny tany sy ny lanitra, dia manambara fa marina i Jehovah.HM 700.1

    Mifarana ho mandrakizay ny asa fandravana ataon’ i Satana. Nandritra ny enina arivo taona dia nanatanteraka ny sitrapony izy ka nameno ny tany tamin’ ny fahoriana sy nahatonga alahelo manerana izao rehetra izao. Ny voary manontolo dia niara-nisento sy niara-narary toy izay efa hiteraka. Ankehitriny dia afaka mandrakizay amin’ ny fanatrehany sy ny fakam-panahy ny zavaboary. «Miadana ka mandry fahizay ny tany rehetra; velominy ao ny hoby» 13Isa. 14 : 7. Misy horakora-piderana sy fandresena misandratra amin’ ny tontolo rehetra mahatoky». Dia nahare feo tahaka ny an’ ny vahoaka betsaka aho, sy tahaka ny firohondrohon’ ny ranobe, ary tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana mafy; nanao hoe : Haleloia! Fa ny Tompo Andriamanitra dia ny Tsitoha. no Mpanjaka»a 14Apok. 19 : 6 .HM 700.2

    Raha mbola voasaron’ ny afo fandringanana ny tany, ny marina kosa mitoetra tsy manana ahiahy ao amin’ ny Tanàna Masina. Tsy manan-kery amin’ ireo izay nanana anjara tamin’ ny fitsanganana voalohany ny fahafatesana faharoa. Afo mandevona ho an’ ny ratsy fanahy Andriamanitra, fa «Masoandro sy Ampinga» kosa ho an’ ny olony.a 15Apok. 20 : 6 ; Sal. 84 : 11HM 701.1

    «Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany» 16Apok. 21 : 1. Manadio ny tany ny afo izay mandevona ny ratsy fanahy. Voafafa ny ozona rehetra. Tsy hisy helo mirehitra afo mandrakizay eo anatrehan’ ny voavonjy hampahatsiaro mandrakariva ny vokatra mahatsiravina avy amin’ ny fahotana.HM 701.2

    Fampahatsiahivana tokana ihany no hitoetra : hitondra mandra-kariva ny holatry ny nanomboana Azy tamin’ ny hazo fijaliana Ilay Mpanavotra antsika. Eo amin’ ny. lohany noratraina, eo amin’ ny lanivoany, eo amin’ ny tanany aman-tongony, ireo no hany soritry ny asa mahatsiravina nataon’ ny fahotana. Hoy ny mpaminany raha mibanjina an’ i Kristy ao amin’ ny voninahiny izy : «Misy famirapiratana toy ny mazava, ary misy tana-masoandro avy eo amin’ ny tanany; ary ao no fieren’ ny heriny» 17Hab. 3 : 4. Amin’ io lanivoany voatrobaka io izay nijininihan’ ny ra nampihavana ny olombelona tamin’ Andriamanitra no ahitana ny voninahitry ny Mpamonjy, ao no «fieren’ ny heriny». «Mahery ka mahavonjy» Izy amin’ ny alalan’ ny soron’ ny fanavotana, noho izany dia manan-kery hampihatra famaliana amin’ ireo izay nanamavo ny famindrampon’ Andriamanitra Izy. Koa ny mariky ny fanentren-tenany no voninahiny ambony indrindra ; mandritra ny mandrakizay dia hampiseho ny fiderana Azy sy ny heriny ny holatr’ i Kalvary.HM 701.3

    «Ary ianao, ry tilikambon’ ny andiany, tendrombohitr’ i Ziona zanakavavy, aminao no ho tonga izany, eny ho tonga ny fanapahana voalohany». Tonga izao ny fotoana nandrandrain’ ny olona masina hatramin’ ny nanakanan’ ny lelafon’ ny sabatra mihebiheby ireo mpivady voalohany tsy hiditra tany Edena, dia ny fotoana «ho amin’ ny fanavotana ny olona izay nalainy (Andriamanitra) ho an’ ny tenany» 18Efes. 1 : 14. Ny tany izay nomena ny olona tany am-boalohany ho fanjakany, kanefa natolony teo am-pelatanan’ i Satana. ary notazonin’ io fahavalo mahery io ela dia ela. ankehitriny dia tafaverina tamin’ ny alalan’ ny drafitry ny fanavotana. Tafaverina avokoa izay rehetra very noho ny fahotana. «Fa izao no lazain’ i Jehovah. Izay nahary ny lanitra sady namorona ny tany sy nahavita azy. Izy no nandamina azy; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana» 19Isa. 45 : 18. Tanteraka ny fikasan’ Andriamanitra tany am-boalohany tamin’ ny namoronany ny tany dia ny hanao azy ho fonenan’ ny voavotra mandrakizay. «Ny marina handova ny tany. ka honina eo aminy mandrakizay» 20Sal. 37 : 29.HM 701.4

    Ny tahotra andrao hahatonga ny lova mandrakizay ho ara-nofo loatra dia nanosika olona maro handray ho ara-panahy ireo faha-marinana izay mitaona antsika hibanjina ny lanitra ho fonenantsika. Nanome toky ny mpianany i Kristy fa handeha hamboatra fitoerana ho azy any amin’ ny tranon’ ny Ray. Ireo izay manaiky ny fampianaran’ ny tenin’ Andriamanitra dia tsy avela tsy hahalala tanteraka ny mikasika ny fonenana any an-danitra. Koa «izay tsy mbola hitan’ ny maso ary tsy mbola ren’ ny sofina na niditra tao am-pon’ ny olona no efa namboarin’ Andriamanitra ho an’ izay tia Azy» 211kor. 2 : 9. Tsy ampy hahalaza ny momba ny valisoan’ ny marina ny fitenin’ olombelona. Izay hahita azy ihany no hahafantatra azy. Tsy misy saina voafetra afaka hahatakatra ny voninahitry ny Paradisan’ Andriamanitra.HM 702.1

    Ao amin’ ny Baiboly ny lovan’ ny voavonjy dia atao hoe : «taniny» . Any Ilay Mpiandry ondrin’ ny lanitra no mitarika ny andian’ ondry ho eo amin’ ny loharanon’ ny ranon’ aina. Mamoa isam-bolana ny hazon’ aina, ary ny ravin’ ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena. Misy renirano mikoriana lalandava, tahaka ny vato kristaly, ary eo amin’ ny andaniny roa dia misy hazo manofahofa ny raviny manalokaloka ny lalana namboarina ho an’ ny navotan’ i Jehovah. Ao ireo lohasaha midadasika dia misandratra ho havoana mahafinaritra, sy ireo tendrombohitr’ Andriamanitra mampisondrotra irony tendrony mijoalajoala. Eo amin’ ireo lohasaha mandry fahizay ireo, eny amoron’ ireo rano veiona no nahita fonenana ny vahoakan’ Andriamanitra, izay efa ela no naha-mpivahiny sy mpirenireny azy.HM 702.2

    «Ary ny oloko hitoetra eo amin’ ny fonenana mandry fahizay sy ao amin’ ny fitoerana mahatoky ary ao amin’ ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po». «Ny fampahoriana tsy ho re eo amin’ ny taninao intsony, na ny fandravana sy ny fandringanana ao anatin’ ny faritaninao; ny mandanao dia hataonao hoe Famonjena, ary ny vavahadinao hataonao hoe Fiderana». «Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. Tsy hanao trano hitoeran’ olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’ olon-kafa. . . Ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ ny asan’ ny tànany» 22Isa. 32 : 18 ; 60 : 18 ; 65 : 21, 22.HM 703.1

    «Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina ary ny tany hay dia ho faly sy hamony tahaka ny lilia». «Ny hazo kypreso haniry ho solon’ ny tsilo. ary ny rotra ho solon’ ny sampivato». «Ary ny amboadia hiara-mitoetra amin’ ny zanak’ ondry, ny leoparda hiaramandry amin’ ny zanak’ osy;. . . ary ny zazakely no hiraoka azy». «Ary tsy handratra na hanimba eran’ ny tendrombohitra masina izy» 23Isa. 35 : 1 ; 55 : 13 ; 11 : 6, 9 hoy Jehovah.HM 703.2

    Tsy mety hisy fanaintainana ao amin’ ny rivo-piainan’ ny lanitra. Tsy hisy intsony ny ranomaso, tsy hisy mpandevina mitanjozotra, tsy hisy mariky ny fisaonana. «Ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha». «Tsy hisy amin’ ny mponina ao hilaza hoe : Marary aho; ny olona izay mitoetra ao dia voavela heloka» 24Apok. 21 : 4 ; Isa. 33 : 24.HM 703.3

    Jerosalema vaovao no renivohitry ny tany vaovao be voninahitra izay «satroboninahitra eo an-tanan’ i Jehovah sy ho satrok’ andriana eo am-pelatanan’ Andriamanitra». «Ny famirapiratany dia ho tahaka ny vatosoa indrindra, dia ho tahaka ny vato jaspy, manganohano tahaka ny vato kristaly». «Ary ny firenena maro no handeha amin’ ny fahazavany; ary ny mpanjakan’ ny tany dia mitondra ny voninahiny ho ao anatiny». «Dia ho faly amin’ i Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin’ ny oloko». «Indro, ny tabernakelin’ Andriamanitra dia eo amin’ ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny» 25Isa. 62 : 3 ; Apok. 21 : 11, 24 : Isa. 65 : 19 ; Apok. 21 : 3.HM 703.4

    «Tsy hisy alina intsony» any amin’ ny tananan’ Andriamanitra. Tsy misy hahatsiaro vizana ka haniry fialan-tsasatra. Tsy hisy intsony harerahana amin’ ny fanaovana ny sitrapon’ Andriamanitra sy fiderana ny anarany. Ho tsapantsika mandrakariva ny famelombeloman’ ny maraina ary tsy hanam-pahataperana izany. «Ary tsy mba mila fahazavan’ ny jiro na fahazavan’ ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy» 26Apok. 22 : 5. Ny fahazavan’ ny masoandro dia hihoaran’ ny famirapiratana izay tsy hampanjambena, nefa hamirapiratra mihoatra noho ny amin’ ny mitataovovonana.HM 703.5

    «Ary tsy nahita tempoly aho teo aloha; fa ny Tompo Andria-manitra, dia ny Tsitoha, sy ny Zanak’ ondry no tempoliny» 27Apok. 21 : 22. Mahazo tombon-tsoa amin» ny firaisana mivantana amin’ ny Ray sy ny Zanaka ny vahoakan’ Andriamanitra. «Fa ankehitriny isika mizaha amin’ ny fitaratra ka tsy mahita marina» 281Kor. 13 : 12. Mijery ny taratry ny endrik’ Andriamanitra isika, tahaka ny amin’ ny fitaratra, eo amin’ ny asan’ ny zavaboary sy eo amin’ ny fifandraisan’ Andriamanitra amin’ ny olombelona; fa amin’ izay kosa hahita Azy mifanatrika isika, tsy hisy hanakona sy hanembantsembana intsony. Hijoro eo anatrehany isika ka hibanjina ny voninahiny eo amin’ ny endriny.HM 704.1

    Hahafantatra «toy izay nahafantarana» azy ny voavotra ao. Ny fitiavana sy ny firaisam-po izay novolen» Andriamanitra tao amin’ ny fanahy dia ho afaka hiseho amin’ ny tena endriny marina sy mamy indrindra. Ny firaisana madio amin’ ny olona masina, ny firindran’ ny fiainana miaraka amin’ ny anjely sambatra sy miaraka amin’ ireo olona mahatoky tamin’ ny andro rehetra izay nanasa ny akanjony sy namotsy azy tao amin’ ny ran’ ny Zanak’ ondry, ireo fatorana masina izay mampiray «ny fianakaviana any an-danitra sy ety an-tany» (Efesiana 3:15)ireo rehetra ireo no hahatonga ny fahasambaran’ ny voavotra.HM 704.2

    Any amin’ ny tany vaovao, dia hibanjina ny hery mahagaga nahariana izao rehetra izao sy ny zava-miafin’ ilay fitiavana manavotra ny voavonjy. Any tsy hisy fahavalo masiaka, mamitaka haka fanahy antsika hanadino an’ Andriamanitra. Hivelatra ny fahaizana rehetra ary hitombo ny talenta rehetra. Tsy hanasatra ny saina na handany hery ny fitadiavam-pahalalana. Ho tanteraka any ny fikasana miezinezina indrindra, ho tratra ny zava-kendrena ambony indrindra, ho tanteraka ny faniriana ambony indrindra; ankoatra izany anefa dia mbola hisy ihany tendro vaovao hotratrarina; zava-mahagaga vaovao hahaliana, anton-javatra vaovao hampiasana ny herin’ ny saina sy ny fanahy ary ny tena.HM 704.3

    Hidanadana mba ho fianaran’ ny voavotr’ Andriamanitra ny haren-tsarobidin’ izao rehetra izao manontolo. Tsy ho voasakantsakan’ ny fahafatesana izy ireo, ka afaka hisidina, ary tsy ho sasatra, ho any amin’ izao tontolo izao lavitra — izao tontolo izao izay mangitakitaka sy nalahelo raha nahita ny fahorian’ ny olombelona sy nihira hiram-pifaliana raha nandre ny vaovao ny amin’ ny fanahy iray voavonjy. Tsy hay lazaina ny fahafinaretan’ ny zanak’ ity tany ity miditra eo amin’ ny fifaliana sy ny fahendren’ ireo mponina tsy lavo. Mizara ny harem-pahalalana sy ny haren-tsaina azony nandritra ny andro rehetra nifandimby teo am-pandinihana ny asantanan’ Andriamanitra izy. Tsy misy manamaloka ny fijeriny eo am-pitazanana ny voninahitry ny famoronana — ny masoandro sy ny kintana ary ireo vondron-kintana, samy mandeha manodidina ny seza fiandrianan’ Andriamanitra araka ny sori-dalana voatendry hizorany avy. Ny zavatra rehetra, hatramin’ ny kely indrindra ka hatramin’ ny lehibe indrindra, dia misy ny anaran’ ny Mpamorona voasoratra eo aminy avokoa, ary izy rehetra dia samy maneho raki-tsarobidin’ ny heriny avokoa.HM 705.1

    Ary arakaraka ny handrosoan’ ireo taona tsy hanam-pahataperana, dia hitombo hatrany ny fanambarana ny hasoa sy ny voninahitry ny fanambarana momba an’ Andriamanitra sy Kristy. Ary arakaraka ny hitomboan’ ny fahalalana, no hitomboan’ ny fitiavana, ny fanajana sy ny fahasambarana koa. Arakaraka ny hahafantaran’ ny olona bebe kokoa ny amin’ Andriamanitra, no hampitombo ny fankalazany ny toetrany. Rehefa sokafan’ i Jesosy eo anoloan’ izy ireo ny zava-miafin’ ny fanavotana sy izay vita tamin’ ny fikatrohana ilay ady lehibe nifanaovana tamin’ i Satana, dia hientanentana ho amin’ ny fitiavana mafana ny fon’ ny voavotra, ary amim-pifaliana sy firavoravoana bebe kokoa no hanaovany hira mamy loatra amin’ ny lokanga volamenany; ary feo alinalina sy arivoarivo tsy manampahataperana no hiara-miredona hiram-piderana mireondreona.HM 705.2

    «Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay ety ambonin’ ny tany sy any ambanin’ ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin’ izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe : Ho an’ Ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana sy ho an’ ny Zanak’ ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay » 29Apokalypsy 5: 13.HM 705.3

    Mifarana hatreo ilay ady lehibe. Tsy misy intsony ny fahotana sy ny mpanota. Voadio tanteraka ny tontolo rehetra. Miara-mitepo fifaliana sy firindrana ny voary manontolo. Avy amin’ Ilay Mpamorona izao rehetra izao no mikoriana ny aina sy ny fahazavana ary ny fifaliana manerana ny fanjakana eny amin’ ny habakabaka tsy misy fetra. Hatramin’ ny «atoma» kitika indrindra ka hatramin’ izao tontolo izao lehibe indrindra, ny zavatra rehetra, na ny manan’ aina na ny tsy manan’ aina dia samy manambara amin’ ny alalan’ ny hankatony sy ny fifaliany safononoka faHM 706.1

    ANDRIAMANITRA DIA FITIAVANA

    * * * * *

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents