Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hery Mifanandrina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 7—Nisaraka tamin’ i Roma i Lotera

    Voalohany tamin’ ireo izay nantsoina hitarika ny fiangonana hiala tamin’ ny haizin’ ny fahefan’ ny papa ho amin’ ny fahazavan’ ny finoana madio kokoa i Lotera. Feno zotom-po izy, nirehitra sady tia vavaka, tsy nahalala tahotra afa-tsy ny fahatahorana an’ Andrimanitra, ary tsy nanaiky foto-pinona hafa afa-tsy ny Soratra Masina: Tena lehilahy nilaina tamin’ ny androny. Tamin’ ny alalany no nahavitan’ Andriamanitra asa lehibe ho fanavaozana ny fiangonana sy ho fanazavana an’ izao tontolo izao.HM 121.1

    Tahaka ireo mpitory voalohany ny filazantsara dia avy tamin’ ny sarangan’ olona mahantra no nisehoan’ i Lotera. Tokantrano tsotsotry ny tantsaha alemana no nandaniany ireo taona voalohany teo amin’ ny fiainany. Niasa mafy isan’ andro tao amin’ ny fitrandrahana harin-tany rainy mba ahazoany vola hianarany. Ny ho mpisolovava no nikendreny azy; Andriamanitra kosa anefa nikasa azy ho mpiasa eo amin’ ny fanamboarana ilay tempoly lehibe izay nitsangana moramora nandritra ireo taonjato nifandimby. Ny fahasarotam-piainana, ny tsy fisiana sy ny fifehezana mafy no sekoly nanomanan’ Ilay Fahendrena tsy voafetra an’ i Lotera ho amin’ ny asa lehibe nanirahana azy nandritra ny fiainany.HM 121.2

    Ny rain’i Lotera dia lehilahy nanana saina matanjaka sy mavitrika, nanana hazon-damosina, toetra amam-panahy matotra koa izy, olomarina, sady tso-po. Nahatoky tamin’ izay fantany fa adidiny izy, na ho inona na ho inona no vokatr’ izany. Ny fahendrena voa-janahary tao aminy dia nahatonga azy ho maodimaody ny amin’ ny rafitry ny fikambanana relijiozy. Tena tsy faly mihitsy izy rehefa niditra reli-jiozy i Lotera satria tsy nekeny izany. Roa taona taty aoriana vao nihavana indray izy mianaka, nefa dia tsy niova mihitsy ny heviny.HM 121.3

    Nikarakara fatratra ny fanabeazana sy ny fitaizana ny zanany ireo ray aman-drenin’ i Lotera. Niezaka ny hampianatra azy ny fahaialana an’ Andriamanitra sy ny hivelona amin’ ireo toetra tsara kristiana izy. Matetika no tonga tany an-tsofin-janany ny vavaka nataon’ ny rainy mangataka ny ahatsiarovany ny anaran’ ny Tompo sy ny hahatonga azy ho mpanampy eo amin’ ny fampandrosoana ny fahamarinany indray andro any. Ny tombon-tsoa rehetra azo anolokoloana ny ara-pitondrantena sy ny ara-tsama izay nety ho hitany teo amin’ ny fiainana maha-mpiasa mafy azy dia samy noezahin’ ireo ray amandreniny ireo hohatsaraina. Nilofo tamim-pikirizana izy ireo mba hanomana ny zanany ho amin’ ny fiainana tia vavaka sady mahavita soa. Noho io toetrany hentitra sy matotra io dia lasa henjan-doatra izy indraindray; nefa na dia tsapan’ ilay Mpanavao fivavahana aza fa nisy nahadiso lalana azy ireo, dia hitany fa be kokoa no tokony hankasitrahana eo amin’ ny fifehezany noho ny tokony homelohina.HM 122.1

    Tany am-pianarana, izay nandefasana an’ i Lotera raha mbola kely taona izy, dia henjana no nitondrana azy ary an-terisetra aza. Nahantra indrindra ny ray aman-dreniny ka nisy fotoana nahavoatery azy hanao hira isam-baravarana mba ahazoany hanina raha niainga avy tao an-tranony ho any an-tsekoly tany an-tanàna hafa izy. Nameno tahotra ny fony ireo hevitra maizimaizina sy ireo finoanoam-poana mikasika ny fivavahana nanjaka tamin’ izany fotoana izany. Indraindray rehefa matory izy amin’ ny alina dia oriory ny fony, torakovitra izy nibanjina ny ho avy maizim-bolana ary mitebiteby foana mihevitra an’ Andriamanitra ho toy ny mpitsara, tsy azo ivalozana, ho toy ny mpanjakazaka tsy mifaditrovana, fa tsy Ray malemy fanahy any an-danitra.HM 122.2

    Nefa na dia maro sy lehibe toy izany aza ny zavatra nahakivy an’ i Lotera dia tsy nisalasala izy nandroso hatrany hanatratra ilay tarigetra ambony dia ny ara-pitondrantena sy ara-tsaina izay nanintona ny fanahiny. Nangetaheta fahaialana izy, ary ny toetry ny sainy mazoto sady vonona hanatanteraka dia nitarika azy hikatsaka ny maharitra sy ny mahasoa mihoatra noho ny misehoseho sy ny ivelam belany.HM 122.3

    Rehefa valo ambin’ ny folo taona izy, dia niditra tao amin’ ny Oniversiten’ i Erfurt, azo lazaina fa tsara kokoa ny toerana nisy azy tamin’ izay ary namiratra noho ny tamin’ ireo taona teo aloha ny fanantenany. Noho ny fitsitsiana sy ny asa mafy dia mba nanana kokoa ny ray aman-dreniny ka afaka nanampy azy tamin’ izay nilainy rehetra. Ny firaisany tamin’ ireo namany nahay nandanjalanja zavatra dia mba nampihena ny vokatry ny fitaizana azy teo aloha izay nanamaloka azy. Niezaka mafy handinika ny asa soratr’ ireo mpanoratra kalazalahy indrindra izy, ka nazoto fatratra nanangona ireo hevitra mafonja indrindra sy nandray ny fahendren’ ny hendry ho an’ ny tenany. Na dia fony teo ambanin’ ny fifehezana henjan’ ny mpammpianatra azy teo aloha aza izy dia efa nantenainy fa hiavaka, ary izao misy hery miasa mangina manampy azy izao dia nivelatra haingana dia haingana ny sainy. Ny fananany saina mahay mitaditady, mavitrika sady mahay mamoron-javatra, mahay mandanjalanja amin’ ny fomba matotra sady tsy mba sasatra teo amin’ ny fiezahany ka vetivety dia nahatonga azy ho lohalaharana teo amin’ ireo mpiaramianatra aminy. Ny fahazarany nifehy saina dia niteraka fahamasahana sy fitiavana hikarokaroka sy faharanitana izay nanomana azy ho amin’ ireo ady hatrehiny amin’ ny fiainana.HM 122.4

    Nitoetra tao am-pon’ i Lotera ny fahatahorana an’ i Jehovah, ka nahatonga azy hitozo tamin’ ny fihazonany izay zava-kendreny sy nitarika azy hanetry tena lalina teo anatrehan’ Andriamanitra. Voatsapany mandrakariva fa nila ny hiankina tamin’ ny fanampian’ Andriamanitra izy, tsy mba nohadinoiny ny nanomboka ny andro rehetra tamin’ ny fivavahana, raha niaina tamin’ ny fangatahana fitarihana sy fanohanana ny fony. «Ny mahery mivavaka, hoy izy matetika, no lafiny tsara indrindra amin’ ny fianarana». D’Aubigne, boky 2, toko 3. Indray andro raha nandinika ireo bokin’ ny Oniversite i Lotera, dia nahita Baiboly tamin’ ny teny latina. Tsy mbola nahita boky toy izany izy na oviana na oviana. Tsy fantany akory fa nisy izany. Efa nandre momba ny Filazantsara sy ny Epistily izy, rehefa misy fanompoam-pivavahana ho an’ ny besinimaro, ary noheveriny fa ireny no Baiboly manontolo. Sambany izao mba nahita maso ny Tenin’ Andriamanitra manontolo izy. Sady feno fanajana no gaga izy nandinika ireo takelaka masina; nihahaingana ny fitepon’ ny fony sady nidobodoboka raha namaky ireo teny fiainana ho azy izy, ary nijanona tsindraindray niantso mafy hoe: O ! raha mba omen’ Andriamanitra boky toy itony ho ahy manokana aho» Ibid, boky 2, toko 2. Teo anilany ny anjelin’ ny lanitra, ary ny tara-pahazavana avy amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra dia nampiseho ireo haren’ ny fahamamarinana tamin’ ny sainy. Natahorany mandrakariva ny hampalahelo an’ Andriamanitra, nefa izao dia tsapany lalina ny maha-mpanota azy, ary nanindry mafy azy mihoatra noho ny teo aloha izany.HM 123.1

    Naniry koa raha naniry ny ho afaka amin’ ny fahotana izy sy ny ho vita fihavanana amin’ Andriamanitra ka dia nanapa-kevitra hiditra ho relijiozy izy nony farany ary hanolo-tena ho mpitoka-monina. Nasaina nanao ny asa mafy ambany indrindra izy tao sy nangataka isan-trano.Teo amin’ ny taona izay hikatsahana fatratra ny haja sy ny fankasitrahana izy tamin’ izay ka nampangirifiry ny fony ny fanaovana ireo asan’ ny mpanompo ireo; nefa nozakainy tamimpaharetana satria ninoany fa nilaina noho ny fahotany izany.HM 124.1

    Ny fotoana rehetra izay azony nanombinana tamin’ ny fanaovany ireo adidiny andavanandro dia nampiasainy hianarana, nangalarany tamin’ ny ora tokony hatoriana ary na dia ny fotoana kely lany tao amin’ ilay sakafo ambilom-bazana aza dia nakany koa. Ambonin’ ny zavatra hafa rehetra dia ny fianarana ny tenin’ Andriamanitra no nahitany fahafinaretana. Nahita Baiboly voagadra tamin’ ny rindrin’ ny tranon-drelijiozy izy, ka nankeo matetika. Arakaraka ny nahatsapany lalindalina kokoa ny maha-mpanota azy no itadiavany ny ahazoana famelan-keloka sy fiadanana tamin’ ny alalan’ ny asany. Nivelona tamin’ ny fiainana mafy indrindra izy, niezaka ny hampilefitra ireo fironana ratsy tao aminy tamin’ ny alalan’ ny fifadiankanina, ny fiaretan-tory sy ny fampijalian-tena tamin’ ny kapoka, nefa. tsy nahitany fahafahana izany nandritra ny fiainany tao amin’ ny tranon’ ny relijiozy. Tsy nihemotra mihitsy izy teo anatrehan’ izay fihafiana mafy indrindra niheverany fa hahatrarany ilay fahadiovam-po izay ahazoany mijoro sy ankasitrahana eo anatrehan’ Andria-manitra. Relijiozy vontom-pivavahana aho, hoy izy taty aoriana, «nanaraka ny fepetra tao amin’ ny antoko nisy ahy tamin’ ny fomba hentitra mihoatra noho izay azoko hambara. Raha misy relijiozy mety mahazo ny lanitra amin’ ny asan’ ny maha-relijiozy azy, dia ho nahazo izany marina aho. . . Raha notohizako kely izany dia ho nitarika ahy hatramin’ ny fahafatesana ny fampijaliako tena.» — Ibid, boky 2, toko 3. Vokatr’ io fifehezan-tena mampijaly io dia very ny tanjany ka nifanintontsintona sy safotra izy, ary tsy sitrana tanteraka mihitsy tamin’ ny aretina vokatr’ izany. Nefa na dia teo aza ny ezaka rehetra nataony dia tsy nahita anamaivanana ny fanahiny nitambesaran-keloka. Farany dia efa nanamorona ny hantsan’ ny famoizam-po izy. Tamin’ ny fotoana niheveran’ i Lotera fa tsy misy azony antenaina intsony no nananganan’ Andriamanitra sakaiza sy mpanampy ho azy. Nanokatra ny tenin’ Andriamanitra tamin’ ny sain’ i Lotera i Staupitz, lehilahy tia vavaka ka nobaikoiny tsy hijery ny tenany izy, hijanona tsy hibanjina intsony ny famaizana mandrakizay izay mandika ny lalàn’ Andriamanitra, fa hijery an’ i Jesosy, Ilay Mpamonjiny mpamela heioka. «Aza mampahory ny tenanao noho ny fahotanao, fa miantoraha eo amin’ ny sandrin’ ny Mpanavotra. Matokia Azy, matokia ny fahamarinan’ ny fiainany, ny fanavotana avy amin’ ny fahafatesany. . . Henoy ny Zanak’ Andriamanitra, tonga olona Izy mba hanomezany anao ny antoky ny fankasitrahan’ Andriamanitra.» Tiavo Ilay efa tia anao taloha. Ibid, boky 2, toko 4. Toy izany no teny nataon’ io mpitondra hafatry ny famindrampo io. Latsaka lalina tao an-tsain’ i Lotera ny teniny. Rehefa avy niady im-betsaka tamin’ ireo hevi-diso nankamamiany ela izy, dia afaka namikitra ny fahamarinana, ary niditra tao amin’ ny fanahiny niahanahana teo ny fiadanana.HM 124.2

    Nohosorana ho pretra i Lotera ary voantso hivoaka ny tranon’ ny relijiozy hampianatra tao amin’ ny Oniversiten’ ny Wittenberg. Tao izy no nilofo nianatra ny Soratra Masina tamin’ ny teny nanoratana azy. Nanomboka famelabelarana momba ny Baiboly izy; ary nosokafana ho azon’ ny vahoaka marobe nihaino tamim-pifaliana ny bokin’ ny Salamo, ny Filazantsara sy ny Epistily. Nampirisihin’ i Staupitz, izay sakaizany sady lehibeny izy, hiakatra polipitra ka hitory ny tenin’ Andriamanitra. Nisalasala i Lotera, satria tsapany fa tsy mendrika hisolo an’ i Kristy izy hiteny amin’ ny vahoaka. Rehefa niady ela izy vao nanaiky ny fangatahan’ ireo sakaizany. Efa nahay Soratra Masina izy ary ny fahasoavan’ Andriamanitra nitoetra teo aminy. Namabo ny mpihaino azy ny fahaizany mandahatra, naharesy lahatra ny saina ny teny mazava sy mahery nentiny naneho ny fahamarinana, ary nanetsika ny fony ny firehetany.HM 125.1

    Mbola tena zanaky ny fiangonana papaly marina i Lotera ary tsy nihevitra zavatra hafa noho izany mihitsy na oviana na oviana. Noho ny fitondran’ Andriamanitra dia voatarika hitsidika an’ i Roma izy. Nandeha tongotra izy, niantrano tany amin’ ny relijiozy teny andalana. Tany amin’ ny tranon’ ny relijiozy iray tany Italia dia gaga izy nahita maso ny harena, ny hatsaran-tarehy mihoapampana sy ny fanaranam-po tafahoatra. Ny vola niditra tamin’ ny relijiozy dia nitovy tamin’ izay raisin’ ny andriandahy, ka nipetraka tao amin’ ny trano kanto indrindra izy ireny sady nitafy akanjo sarobidy sy lafo indrindra. Ory dia ory sady nisalasala i Lotera raha nampitaha izany tamin’ ny fahafoizan-tena sy ny hamafin’ ny fiainany. Very hevitra izy.HM 125.2

    Nony farany dia tazany lavitra ilay tanàna misy havoana fito. Safo-morona ny fihetseham-pony ka niankohoka tamin’ ny tany izy, niteny mafy hoe; «Miarahaba anao aho, Roma masina.» Ibid,boky 2, toko 6. Niditra ny tanàna izy, nitsidika ireo fiangonana, nihaino ireo tantara mahavariana naverin’ ireo pretra sy relijiozy ary nanatanteraka ny fanompoam-pivavahana rehetra nasaina natao. Hatraiza hatraiza dia nahitany toe-javatra izay nampitolagaga sy nampihoronkoditra azy. Hitany fa nisy ny faharatsian-toetra teo amin’ ireo antoko relijiozy rehetra. Reny ny vazivazy tsy mendrika nataon’ ireo pretra ambony, ka tsiravina izy nahita ny fanazimbazimbany nahamenatra, na dia nandritra ny lamesa aza. Raha nifangaro tamin’ ny relijiozy sy ny olon-tsotra izy dia filibana sy fitondrantena ratsy no hitany. Na taiza na taiza dia tsy fahamasinana no hitany fa fanevatevana ny zava-masina. Tsy azo heverina, hoy ny nosoratany, ny fahotana sy ny zava-mahamenatra atao ao Roma: tsy nampino mihitsy raha tsy hitan’ ny maso sy ren’ ny sofina. Lasa fitenenana ny hoe: «Raha misy ny helo, dia eo amboniny no miorina Roma, lavaka tsy hita noanoa izay ivoahan’ ny karazam-pahotana rehetra.» Ibid, boky 2, toko 6.HM 125.3

    Nisy didy vao navoakan’ ny papa izay nampanantena indolzansy (famelana ny sazim-pahotana) ho an’ izay rehetra mandohalika miakatra ny tohatr’ i Pilato, izay nolazaina fa nidinan’ ny Mpamonjy raha nivoaka ny trano fitsarana Izy ary tonga tamin’ ny fomba mahagaga avy any Jerosalema nankany Roma. Indray andro i Lotera raha nivavaka mafy teo am-piakarana io tohatra io. dia reny tampoka feo tahaka ny varatra toa nilaza taminy hoe: «Ny marina amin’ ny finoana no ho velona» 1Rom.1:17. Nitsangana izy ary niala faingana teo amin’ io toerana io sady menatra no tsiravina. Tsy nihen-danja na oviana na oviana tao amin’ ny fanahiny io andininy io. Hatramin’ izay dia hitany mazava noho ny teo aloha ny maha-zava-poana ny fitokisana amin’ ny olombelona mba ho famonjena, sy ilàna finoana mitohy ny fahamendrehan’ i Kristy. Nihiratra ny masony, ary tsy voatampina na oviana na oviana intsony teo anatrehan’ ny fitaky ny fahefana papaly. Rehefa nitodi-doha niala tao Roma izy, dia natodiny koa ny fony, ary hatramin’ io fotoana io, dia nitombo hatrany ny fisarahany taminy, mandra-panapahany ny fifandraisana rehetra tamin’ ny fiangonana papaly.HM 126.1

    Rehefa tafaverina avy tany Roma i Lotera, dia nandray ny maripahaizan’ ny mpampianatra ngezalahy amin’ ny fahaizana teolojia. Izao dia afaka manokan-tena, mihoatra noho ny teo aloha izy ho amin’ ny Soratra Masina izay maminy indrindra. Amin’ izao izy dia mahazo malalaka hanokan-tena mihoatra noho ny tamin’ ny lasa rehetra ho amin’ ny fandinihana ny Soratra Masina, izay tiany. Nanao voady masina izy fa handalina fatratra ny tenin’ Andriamanitra sy hitory izany araka izay tena izy, fa tsy hitory izay lazain’ ireo papa sy ny fampianarany, mandritra ny androm-piainany. Tsy relijiozy na mpampianatra tsotra fotsiny izy, fa mpitory ny Baiboly nahazo alalana. Efa voantso ho mpiandry hamahana ny andian’ ondrin’ Andriamanitra izy, izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana. Nambarany tamin’ ny fomba hentitra fa tsy tokony handray fampianarana hafa afa-tsy izay mifototra amin’ ny fahefan’ ny Soratra Masina ny kristiana. Nahavoa ny fahefana papaly hatrany amin’ ny fanorenany mihitsy ireo teny ireo. Voafono tao anatin’ izany ny tena foto-kevitry ny niorenan’ ny fanavaozam-pivavahana. Tao amin’ ireo no nisy foto-kevitra velona nitondra ny Fanavaozana ara-pivavahana.HM 126.2

    Hitan’ i Lotera ny loza avy amin’ ny fanandratana ny olombelona ambonin’ ny Tenin’ Andriamanitra. Tsy natahotra izy namely ireo nanam-pahaizana izay nampianatra hevi-diso araka ny saim-pantany fotsiny ary notoheriny ny hevi-tsaina sy ny fampianarana momba ny fivavahana izay niasa mangina ela tamin’ ny vahoaka ka nifehy azy. Nampangainy ireo fianarana izay tsy vitan’ ny hoe tsy ilaina fa manimba koa, ary niezaka ny hanodina ny sain’ ireo mpihaino azy izy, tsy hijery ny fampianaran-diso ataon’ ireo mpanao hevitsaina sy mpampianatra momba ny fivavahana, fa hijery kosa ny fahamarinana mandrakizay nasehon’ ny mpaminany sy ny apostoly.HM 127.1

    Sarobidy tokoa ny hafatra izay nentiny ho an’ ny vahoaka liana izay nigoka ny teniny. Tsy mbola nisy mihitsy hatrizay fampianarana toy izany tonga tao an-tsofiny. Ny vaovao mahafaly momba ny fitiavan’ Ilay Mpamonjy, ny fahazoana antoka ny famelan-keloka sy ny fiadanana amin’ ny alalan’ ny rany natao fanavotana, izany no nahafaly ny fony sy fanantenana tsy nety levona tao am-pony. Nisy fahazavana niposaka tao Wittenberg izay nandefa ny tarany hatrany amin’ ny toerandavitra indrindra eto an-tany ary hitombo famirapiratana hatramin’ ny faran’ ny andro.HM 127.2

    Tsy afaka nifandrindra anefa ny fahazavana sy ny haizina. Misy ady tsy azo sakanana amin’ ny fahamarinana sy ny hevi-diso. Ny mampiseho sy ny miaro ny iray dia famelezana sy famonoana ny anankiray. Ny Mpamonjy antsika mihitsy no nilaza hoe: « Tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.» 2Mat.10:34 Hoy i Lotera, taona vitsivitsy tatý aorian’ ny nisokafan’ ny Fanavaozana ara-pivavahana:’ «Tsy mitari-dalana ahy Andriamanitra fa manosika ahy. Entiny an-keriny aho. Tsy tompon’ ny tenako aho. Tsy ho velona amim-piadanana aho; nefa arotsany eo afovoan’ ny korontana sy ny fivadibadihana tsy misy fiafarany. D’ Aubigné, boky 5, toko 2. Ary izao izy dia efa hiditra eo amin’ ny fanoherana.HM 127.3

    Nataon’ ny fiangonan’ i Roma entam-barotra ny fahasoavan’ Andriamanitra. Novelarina teo anilan’ ny alitara ny latabatry ny mpanakalo vola (Mat. 21 : 12), ary nanakoako ny antson’ ny mpividy sy ny mpivarotra. Natao fialan-tsiny ny fanangonana vola hanaovana ny Fiangonan’ i Masindahy Petera any Roma, ka dia natolotry ny fahefan’ ny papa hamidy ho an’ ny besinimaro ny indolzansy. Ny vidin’ ny heioka bevava no hanorenana tempoly hanompoana an’ Andriamanitra, eo ambonin’ ny tambim-paharatsiana no hanorenana ny vato fehizorony. Io fomba io indrindra izay nampiasain’ i Roma hivelarany bebe kokoa anefa no zary kanonta lehibe izay hanamontsana ny hery amam-pahefany. Io no nampitsangana ireo fahavalon’ ny fahefana papaly vonombonona sy nahomby indrindra, ka nitarika ny ady izay nanozongozona ny seza fiandrianan’ ny papa sy nampitsingilahila ny satroboninahitra telo miantoana teo amin’ ny lohany.HM 128.1

    Ilay nomem-pahefana hitarika ny fivarotana ny famelana ny sazim-pahotana (indolzansy) tany Alemaina, Tetzel no anarany, dia olona nahavita heioka bevava indrindra tamin’ ny mpiara-belona sy tamin’ ny lalàn’ Andriamanitra; rehefa afa-nandositra ny famaizana antonona ny heioka bevava vitany anefa izy dia voakarama hampandroso ny tetika nentanin’ ny fitiavam-bola sy efa namonoana eritreritra izay nataon’ ny papa. Tsy menatra mihitsy izy namerimberina ireo lainga tena mivandravandra sy nitantara ireo angano sy arira mahavariana mba hamitahany ny olona bado sy mora ambakaina ary minomino foana. Raha nanana ny tenin’ Andriamanitra izy ireo dia tsy ho voafitaka toy izao. Ny hitazonana azy teo ambanin’ ny fifehezana papaly, ka hampitombo ny fahefana sy ny haren’ ireo mpitarika be hambom-po, no nihazonana ny Baiboly tsy ho eo am-pelatanany. (Jereo John C. L. Gieler, A compendium of Ecclesiastical History, fizarana 4, toko 1 andininy 5).HM 128.2

    Rehefa hiditra amin’ ny tanàna iray i Tetzel dia nisy iraka nialoha lalana azy niantso hoe: «mby eo am-bavahadinareo ny fahasoavan’ Andriamanitra sy ny an’ ny ray masina.» D’Aubigné, boky 3, toko 1. Ary dia raisin’ ny vahoaka tsara ilay mpihambo miteny ratsy an’ Andriamanitra toy ny Andriamanitra tenany mihitsy no nidina avy any an-danitra ho eo amin’ ny olona. Atsangana ao am-piangonana ilay varotra mahavoafady dia miakatra eny amin’ ny polipitra i Tetzel, manandratra ny indolzansy toy ny fanomezana sarohidy indrindra avy amin’ Andriamanitra. Nambarany fa noho ireo taratasy fanamarinana famelana ny sazim-pahotana dia voavela ny fahotana rehetra tian’ ny mpividy atao amin’ ny ho avy, ary na ny fibebahana aza dia tsy ilaina akory. «Ibid, boky 3, toko 1. Mihoatra noho izany, dia nambarany marimarina tamin’ ny mpihaino azy fa tsy manan-kery hamonjena ny velona fotsiny ny indolzansy fa mahavonjy koa ny maty; fa amin’ ny fotoana indrindra izay hanenoan’ ny vola tafiditra ao anaty vatany, dia miala avy ao amin’ ny afo fandiovana ny fanahin’ ny olona nividianana izany ka mizotra mankany an-danitra. (Jereo K. R. Hagenbach, History of the Reformation Tantaran’ ny Fanavaozana ara-pivavahana Boky 1, p. 96.HM 128.3

    Rehefa nangataka ny hividy ny fahefana hanao fahagagana tamin’ ny apostoly i Simona mpanao ody, dia hoy ny navalin’ i Petera azy: «Aoka ho very mbamin’ ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan’ Andriamanitra» , 3Asa 8:20 Ny varotra naroson’ i Tetzel anefa dia noraisin’ ny olona an’ arivony mazoto ho amin’ izany. Nikoriana tao amin’ ny fitehirizam-bolany ny volafotsy sy ny volamena. Mora kokoa mantsy ny mitady famonjena azo vidina amin’ ny vola noho ny famonjena mitaky fibebahana, fiezahana sy finoana mafana hanoherana sy handresena ny fahotana.HM 129.1

    Efa notoherin’ ny olona nandalim-pahaizana tia fivavahana tao amin’ ny fiangonana Romana ny fampianarana momba ny indolzansy, ary betsaka no tsy nino ny fihamboana mifanohitra mivantana tamin’ ny saina sy ny fanambarana. Tsy nisy pretra ambony toerana sahy nanohitra io varotra mahavoafady io, fa ny sain’ ny olona no voakorontana sy tsy tafandry mandry, ary betsaka no velompanontaniana mafy ny amin’ ny tokony hisian’ ny fitaovana hoentin’ Andriamanitra hanadio ny fiangonany,HM 129.2

    Na dia mbola papista sarotiny indrindra aza i Lotera, dia naharikoriko azy ny fihamboana nisy fitenenan-dratsy nataon’ ireo mpivarotra indolzansy. Betsaka ny mpiangona teo aminy no efa nividy taratasy fanamarinana, ary vetivety dia tonga nanatona ny mpitandrina azy izy ireo, niaiky ny fahotany isan-karazany, sady nanantena famotsorana, tsy noho izy nibebaka sy naniry fiovana, fa noho ny indolzansy. Nolavin’ i Lotera ny famotsoran-keloka nangatahany, ary nananatra azy izy fa raha tsy mibebaka ka manova ny fiainany, dia tsy maintsy ho faty ao amin’ ny fahotany. Sahirantsaina be izy ireo nankany amin’ i Tetzel nitaraina fa nolavin’ ilay mpampikaofesy azy ny taratasy fanamarinana nomeny; ary nisy aza sahy nangataka ny hamerenana ny volany. Romotra ilay frera. Namoaka ny ozona mahatsiravina indrindra izy, nampirehitra afo teny amin’ ny kianja teny an-dalambe ary nambarany fa «nandray baiko avy tamin’ ny papa izy handoro ny «heretika» rehetra izay nihevitra ny hanohitra ireo «indolzansy» masina indrindra nalefany ireo». D’Aubigné, boky 3, toko 4. Niditra tamin-kasahiana teo amin’ ny asa maha-mpiaro ny fahamarinana azy tamin’ izay i Lotera. Re avy amin’ ny polipitra ny feony nanao fampitandremana mafana sy miezinezina. Nasehony teo anatrehan’ ny vahoaka ny toetra maharikorikon’ ny fahotana, ary nampianariny azy fa tsy azon’ ny olona atao, amin’ ny asan’ ny tenany ny mampihen-danja ny heioka noho izany na ny mandositra ny famaizana vokany. Tsy misy afa-tsy ny fibebahana amin’ Andriamanitra sy ny finoana an i Kristy ihany no afaka mamonjy ny mpanota. Tsy azo vidim-bola ny fitiavan’ i Kristy; fanomezana maimaimpoana izany. Nanoro hevitra ny olona izy tsy hividy «indolzansy» fa hibanjina amim-pinoana Ilay Mpanavotra voahombo. Notantarainy ny fanandramana mangidy nataony tamin’ ny fikatsahana tsy mahomby ny famonjena azo antoka tamin’ ny alalan’ ny fampietrena ny tenany sy ny fanaovana asa fivalozana, ary nambarany marimarina tamin’ ireo mpihaino azy fa ny fialan’ ny fijeriny tamin’ ny tenany sy ny finoany an’ i Kristy no hahitany fiadanana sy fifaliana.HM 129.3

    Mbola nanohy ny varotra nataony sy ny fihamboany tsy marina ihany i Tetzel koa dia nanapa-kevitra i Lotera fa hanohitra ireo fanao tsy mety mihoapampana ireo amin’ ny fomba mandaitra kokoa. Tsy ela dia nisy toe-javatra azony nararaotina. Nisy zavatra maro navelan’ ny olo-masina (relika) tao amin’ ny fiangonan’ ny lapan’ andriana tao Wittenberg; aseho ny vahoaka izy ireo amin’ ny andro masina sasany, ary nahazo famotsoran-keloka tanteraka izay rehetra tonga mitsidika ny fiangonana tamin’ izany fotoana izany sy mikonfesy. Amin’ ny fotoana toy ireny dia vory marobe tao ny vahoaka. Efa akaiky ny anisan’ ny lehibe indrindra tamin’ ireo fotoana ireo dia ny fetin’ ny olona masina rehetra izany. Ny andro mialoha io i Lotera dia niaraka tamin’ ny vahoaka izay efa teny an-dalana ho any amin’ ny fiangonana, ary nametraka taratasy teo am-baravarana izay nisy tolo-kevitra dimy amby sivifolo nanohitra ny fampianarana momba ny «indolzansy». Nambarany ny fahavononany hiaro ireo foto-kevitra ireo ny ampitson’ io tao amin’ ny Oniversite, amin’ izay rehetra afaka mamely ireo.HM 130.1

    Nanintona ny sain’ ny rehetra ireo tolo-keviny. Novakina sy niverenana novakina izany, ary naverimberina hatraiza hatraiza. Nihetsiketsika be tao amin’ ny Oniversite sy tao an-tanàna noho izany. Voaseho tamin’ ireo foto-kevitra ireo fa tsy nankinina na oviana na oviana tamin’ ny papa na tamin’ ny olon-kafa ny fahefana hamela fahotana sy hanafaka ny sazy noho izany. Io rafitra manontolo io dia zavatra mahatsikaiky — fitaka natao mba hakana vola anararaotana ny finoanoam-poana misy eo amin’ ny vahoaka, — hafetsen’ i Satana mba hanapotehana ny fanahin’ izay rehetra matoky ireo fihamboana mandainga. Naseho mazava koa fa ny filazantsaran’ i Kristy no haren’ ny fiangonana misy tombam-bidiny ambony indrindra, fa ny fahasoavan’Andriamanitra izay ambara ao dia atosaka maimaimpoana, amin’ izay rehetra mikatsaka izany amin’ ny fibebahana sy ny finoana.HM 130.2

    Nihantsy adi-hevitra ireo foto-kevitr’ i Lotera; nefa tsy nisy sahy namaly azy. Andro vitsy fotsiny dia niparitaka eran’ ny Alemaina ireo fanontaniana napetrany, ary herinandro vitsy foana dia nanakoako ho ren’ ny kristiana rehetra. Maro ireo mpomba an’ i Roma nafana fo, izay nanatri-maso ny fànaovan-dratsy nanjaka tao amin’ ny fiangonana sy niferinaina ny amin’ izany nefa tsy nahalala izay fomba hanakanana ny fandrosoany, no namaky ireo tolo-kevitra ireo tamim-pifaliana lehibe, ka nahalala fa feon’ Andriamanitra izany. Tsapany fa namindra fo Jehovah ka naninjitra ny tanany hampijanona ny fisamontan’ ny faharatsiana mitombo haingana, izay avy amin’ ny foibe tao Roma.HM 131.1

    Nifaly mangingina ireo andriandahy sy ireo mpitsara fa nisy sakana natao tamin’ ilay fahefana nirehareha izay nitsipaka ny hananan’ ny olona zo hampiakatra amin’ ny fitsarana ambony kokoa ny didim-pitsarana navoakany.HM 131.2

    Tora-kovitra kosa ireo vahoaka marobe nankamamy ny fahotana sy ninonino foana rehefa notsipahina ireo fampianaran-diso izay nampitony ny tahony. Nisy ireo mpitondra fivavahana fetsifetsy, izay voasembatsembana teo amin’ ny fanarontsaronany ny heioka bevava, rehefa nahita fa, notandindomin-doza ny fahazoam-bolany, dia romotra hanohana ny fihamboany. Masiaka ireo mpiampanga nosetrain’ ilay Mpanavao fivavahana. Nisy niampanga azy ho maimay sy taitaitra foana. Ny hafa niampanga azy ho be hambom-po, ka nilaza fa tsy Andriamanitra no nitarika azy fa nasesiky ny fireharehana sy ny fitiavan-kiseho fotsiny izy. «Iza no tsy mahalala;hoy ny navaliny, fa vitsy ny olona nampiseho hevi-baovao ka tsy voampanga ho mirehareha sy nila ady mafana? . . . Nahoana no novonoina ho faty Kristy sy ireo maritiora rehetra? . . . Satria ny fahitana azy ireo dia olona nirehareha sy nanao tsinontsinona ny fahendrena tamin’ izany fotoana izany, ary nolazaina fa nanolotra zava-baovao tsy naka saina tamim-panetren-tena tamin’ ireo mpitahiry ny hevitra taloha.»HM 131.3

    Hoy ihany izy: «Na inona na inona zavatra hataoko, dia tsy amin’ ny alalan’ ny fahendren’ olombelona, fa avy amin’ ny torohevitr’ Andriamanitra. Raha an’ Andriamanitra ny asa, iza no hahasakana izany? raha tsy an’ Andriamanitra iza no afaka hampandroso azy? Tsy ny sitrapoko na ny an’ ireo, na ny anay fa ny sitraponao, Ray Masina ò, izay any an-danitra». Ibid, boky 3, and. 6.HM 131.4

    Na dia ny Fanahin’ Andriamanitra aza no nanetsika an’ i Lotera hanomboka ny asany, dia tsy nilaozan’ ny ady mafy ny nanohizany izany. Ny fanomezan-tsinin’ ireo fahavalony, ny nandikana vilana ny fikasany, sy ireo teny tsy marina sy hasomparana natao momba ny toetra amam-panahiny sy ny anton-javatra nanosika azy, izany rehetra izany dia niantonta taminy toa safo-drano nanafotra azy; ary marina fa nisy fiantraikany tokoa izany. Natoky izy fa ireo mpitarika ny vahoaka na teo amin’ ny fiangonana, na ny tany an-tsekoly dia hiray hina aminy amim-pifaliana amin’ izao ezaka fanavaozana ataony izao. Nanome fifaliana sy fanantenana ny teny fampanantenana nataon’ ireo olona ambony toerana. Tazany mialoha sahady ny fiposaky ny andro mamirapiratra kokoa ho an’ ny fiangonana. Nivadika ho fanamelohana sy fiampangana anefa ny fampaherezana. Maro ireo olona ambony tao amin’ ny fiangonana sy ny fanjakana, no resy lahatra ny amin’ ny fahamarinan’ ireo foto-kevitra nasehony; vetivety anefa dia hitany fa hitarika fiovana be ny fanekena fahamarinana. Ny fanazavana ny sain’ ny vahoaka sy ny fitondrana fanavaozana eo aminy dia ekena fa hamongotra ny fahefan’ i Roma, hahatankina ireo renirano an’ arivony izay mampikoriana vola ankehitriny ao amin’ ny tahiriny, ary noho izany dia hampihena betsaka ny fandaniam-bola sy ny fanaranam-po tafahoatra amin’ ny zava-tsoa hita teo amin’ ireo filoha teo amin’ ny fahefana papaly. Ankoatr’ izany, ny hampianatra ny vahoaka hisaina sy hiasa toy ny olona tompoan’ andraikitra, ka hibanjina an’ i Kristy irery mba hahazoany famonjena, dia fanonganana ny seza fiandrianan’ ny papa ary mety ho fandravana ny fahefany mihitsy aza. Noho izany antony izany dia nolaviny ny fahaialana natolotr’ Andriamanitra ho azy ka niditra teo amin’ ny laharan’ ny mpanohitra an’ i Kristy sy ny fahamarinana ka nandà ilay olona nirahiny hanazava azy.HM 132.1

    Tora-kovitra i Lotera raha nijery ny tenany — niatrika ny hery matanjaka indrindra eto an-tany. Indraindray dia nisalasala izy raha tena notarihin’ Andriamanitra tokoa ka tonga teo amin’ ny toerana izay hanoherany ny fahefan’ ny fiangonana. «Fa iza moa aho, hoy izy nanoratra, no hanohitra ny voninahitry ny papa, nefa . . . ny mpanjakan’ ny tany sy izao tontolo izao manontolo mangovitra eo anatrehany? . . . Tsy misy mahalala izay niaretako tao am-poko nandritra ireo taona roa voalohany ary ny vesatry ny fahakiviana sy ny famoizam-po naharendrika ahy». Ibid, boky 3, toko 6. Tsy navela ho kivy tanteraka anefa izy. Rehefa tsy nisy nanohana azy ny olombelona, dia Andriamanitra irery no nobanjininy ary fantany tamin’ izany fa azony iankinana tsy misy atahorana ilay sandry mahery.HM 132.2

    Izao no nosoratan’ i Lotera tamin’ ny sakaizan’ ny Fanavaozana ara-pivavahana iray: «Tsy mety ho tonga eo amin’ ny fahafantarana izay lazain’ ny Soratra Masina isika na amin’ ny alalan’ ny fandinihana azy na amin’ ny fahakingan’ ny saintsika. Ny adidinao voalohany dia ny manomboka izany amin’ ny fivavahana. Aoka ianao hiangavy mafy an’ i Jehovah, noho ny famindrampony lehibe, sy hanome anao ny hahalala ny tena dikan’ ny teniny. Tsy misy afaka hanazava ny tenin’ Andriamanitra afa-tsy ilay nanoratra izany teny izany ihany, araka ny nolazainy hoe: «Samy efa nampianarin’ Andriamanitra avokoa izy rehetra. Aza manantena na inona na inona avy amin’ ny tenanao, avy amin’ ny fahalalanao; matokia an’ Andriamanitra irery ihany, sy ny Fanahy Masina miasa mangina ao aminao. «Ekeo izao teny izao toy ny avy amin’ ny olona iray izay efa nanao fanandramana momba izany». Ibid, boky 3, toko 7. Misy lesona iankinan’ ny aina eto ho an’ ireo izay mahatsapa fa niantso azy Andriamanitra haneho amin’ ny hafa ny fahamarinana miezinezina ho amin’ izao fotoana izao. Hampihetsika ny fandrafian’ i Satana sy ny an’ ireo olona izay mankasitraka ny anganongano noforonin’ i Satana ireo fahamarinana ireo. Amin’ ny ady ifanaovana amin’ ny herin’ ny ratsy dia ny hery mihoatra noho ny saina matsilo sy ny fahendren’ olombelona no ilaina.HM 133.1

    Rehefa niantehitra tamin’ ny fomba amam-panao sy ny lovantsofina ireo fahavalo, na tamin’ ny fanambaran’ ny papa sy ny fahefany, dia ny Baiboly ary ny Baiboly irery ihany no asetrin’ i Lotera azy ireo. Misy fonjan-kevitra tsy hainy valiana ao;noho izany, dia nitaky ny rany ireo nandevozin’ ny fombafomba ivelany sy ny finoanoam-poana, tahaka ireo Jiosy izay nitaky ny ran’ i Kristy. «Heretika» izy, hoy ny antsoantson’ ireo mpomba mafana fo an’ i Roma. Tena famadihana ny fiangonana mihitsy ny famelana mpampianatra hevi-diso, «heretika», maharikoriko toy io mbola velona na dia hadiny iray aza. Aoka hatsangana ho azy avy hatrany ny fanapahan-doha!» Ibid, boky 3, toko 9. Nefa tsy hazan’ ny fahaviniran’ ireo Lotera. Nanana asa ho azy Andriamanitra, ka nalefa hiaro azy ireo anjelin’ ny lanitra. Betsaka anefa, ireo izay nandray ny fahazavana sarobidy avy amin’ i Lotera no nianjadian’ ny fahatezeran’ i Satana ka niaritra ny fampijaliana sy ny fahafatesana tsy tamintahotra noho ny fahamarinana.HM 133.2

    Nisarika ny sain’ ny olona mpandinika lalina eran’ ny Alemaina manontolo ny fampianaran’ i Lotera. Nisy tara-pahazavana izay nampifoha sy nanazava ny olona an’ arivony avy amin’ ny toriteniny sy ny bokiny. Finoana velona no naka ny toeran’ ny fombafomba ivelany tsy misy aina izay nanjaka ela tokoa teo amin’ ny fiangonana. Nihavery isan’ andro teo amin’ ny olona ny fahatokiany ireo finoanoam-poana tao amin’ ny fivavahana Romana. Nanomboka nianjera ireo hevitra tsy marim-pototra nibahana tao an-tsaina, izay toa fefy manakana. Tahaka ny sabatra roa lela izay manavatsava lalana ho ao am-pon’ ny olona ny tenin’ Andriamanitra izay nisedran’ i Lotera ny fampianarana sy ny fìtsipika natao harahina rehetra. Nifoha hatraiza hatraiza ny faniriana handroso eo amin’ ny ara-panahy. Hatraiza hatraiza dia nisy hanoanana sy hetaheta ny fahamarinana izay tsy mbola hita nandritra ny taona maro. Ankehitriny ny mason’ ny vahoaka izay notarihina fotoana ela ho amin’ ny fombain-pivavahana notinendrin’ olombelona sy ny mpanalalana eto an-tany, dia nitodika tamim-pibebahana sy tamimpinoana ho eo amin’ i Kristy dia amin’ Izy voahombo.HM 133.3

    Vao mainka nampitombo ny tahotr’ ireo manampahefana papaly ny fihanaky ny fitiavan’ ny olona ny fahamarinana. Voadidy hiseho fitsarana any Roma i Lotera fa voampanga ho «heretika». Nampivarahontsana ny sakaizany io baiko io. Fantany tsara ny loza nananontanona azy tao amin’ ilay tanàna feno faharatsiana izay efa mamon’ ny ran’ ireo maritioran’ i Jesosy. Notoherin’ izy ireo ny fankanesan’ i Lotera any Roma ary nangatahiny ny handinihana ny momba azy any Alemaina.HM 134.1

    Farany dia tanteraka io fandaminana io, ary notendrena hitsara ny raharaha ny iraky ny papa. Tao amin’ ireo hafatrafatra nampitondrain’ ny papa ho an’ ity manam-pahefana ity dia hita fa efa voalaza sahady ho «heretika» i Lotera. Noho izany dia nasaina hitory sy hisambotra azy avy hatrany izy. Raha hijoro amin’ ny heviny izy ary ho votsotra avy eo am-pelatanan’ ny iraky ny papa dia nomena fahefana io iraka io: «handroaka azy ho mpanjenjena, na aiza na aiza misy azy any Alemaina; nomena fahefana koa izy hanao sesitany, hanozona sy hanongotra tsy ho mpandray kominio izay rehetra miray fo aminy.» Ibid, boky 4, toko 2. Ary ankoatr’ izany, mba hanongotana hatramin’ ny fakany io fampianaran-diso «herezia», tahaka ny areti-mifindra io, dia nomen’ ny papa toro-hevitra ny iraka nalefany mba handroaka tsy ho anisan’ ny Eglizy intsony ny olona rehetra, na toy inona na toy inona haja amam-boninahiny eo amin’ ny fiangonana na eo amin’ ny fanjakana, afa-tsy ny amperora, izay manao an-tsirambina ny fisamborana an’ i Lotera sy ireo mpomba azy ka tsy hanolotra azy ho amin’ ny valifatin’ i Roma.HM 134.2

    Miseho mazava eto ny tena toe-tsaina ananan’ ny fahefana papaly. Tsy nahitana soritry ny foto-kevitra kristiana na izay soritry ny fahamarinana fampihatra andavanandro aza, tao amin’ ilay antontantaratasy manontolo. Nifanalavitra dia lavitra an’ i Roma no nisy an’ i Lotera tamin’ izay; tsy nisy fotoana nahazoany nanazava na niaro ny heviny; nefa efa talohan’ ny famotopotorana ny momba azy, dia nolazaina fa «heretika» tsotra izao izy, ary dia tamin’ ny androtr’ izay ihany koa dia nampirisihana hivadika izy, nampangaina, notsaraina ary nomelohina; ary izany rehetra izany dia nataon’ ilay mibika tena ho ray masina, ilay hany fahefana fara-tampony, tsy mety diso ao amin’ ny fiangonana na eo amin’ ny fanjakana!HM 135.1

    Tamin’ io fotoana io izay tena nilazan’ i Lotera firaisam-po marina sy torohevitra avy amin’ ny sakaizany mahatoky, dia notarihin’ Andriamanitra ho any Wittenberg i Melanchton. Tanora i Melanchton, tsotra sady maotina, manan-tsaina, nahay mandanjalanja, manana fahaialana be sy mambabo amin’ ny fahaizany mandaha-teny, ireo rehetra ireo nampian’ ny fahadiovana sy ny fahamarinana teo amin’ ny toetra amam-panahiny, dia nahatonga ny rehetra hidera sy ho tia azy. Ny famirapiratan’ ny talentany dia tsy voamarika mihoatra noho ny toetrany malemy fanahy. Vetivety dia nanjary mpanaraka ny filazantsara mafana fo izy, sy sakaiza mahatoky indrindra sady mpanohana mahafatrapo ho an’ i Lotera; ny fahalemem-panahiny, sy ny fandalany ny rariny dia niasa ho famenon’ ny fahasahiana sy ny hafanam-pon’ i Lotera. Nanampy hery ny fanavaozana ara-pivavahana ny firaisan-kinan’ izy ireo teo amin’ ny asa sady loharano nampahery tokoa an’ i Lotera.HM 135.2

    Notendrena fa any Augsbourg no toerana hanaovana ny fitsarana, koa nandeha tongotra nankany ilay Mpanavao fivavahana. Nampanahinahy be ihany ny momba azy. Efa nisy fandrahonana natao ampahibemaso fa hosamborina sy hovonoina eny an-dalana izy ka nangataka azy tsy ho sahisahy foana ny sakaizany. Nanesika azy hiala kely fotoana fohy tao Wittenberg aza izy ireo ka hitady fiarovana eo amin’ ireo izay faly hiaro azy. Nefa nilaza izy fa tsy hiala eo amin’ ny toerana izay efa nametrahan’ Andriamanitra azy. Tsy maintsy hotohizany amin’ ny fomba mahatoky ny fihazonany ny fahamarinana, na dia teo aza ny tafio-drivotra namely azy. Toy izao no fiteniny: «Tahaka an’ i Jeremia aho, olon’ ny fifandirana sy ny adilahy; nefa arakaraka ny fitomboan’ ny fandrahonana, no hitomboan’ ny fifaliako koa. . . Efa nanapotika ny hajako sy ny lazako izy. Zavatra tokana sisa tavela dia ny tenako mahantra, aoka horaisiny izany; amin’ izay dia hohafoheziny ora vitsy ny fiainako. Fa raha ny fanahiko kosa, tsy mba azony halaina. Izay maniry hitory ny tenin’ i Kristy amin’ izao tontolo izao, dia tsy maintsy miandry fahafatesana amin’ ny fotoana rehetra.» Ibid, boky 4, toko 4.HM 135.3

    Nahafa-po tokoa ny iraky ny papa ny vaovao momba ny fahatongavan’ i Lotera tany Augsbourg. Toa teo am-pelatanan’ i Roma izao ilay «heretika mpanelingelina» izay nanaitra ny sain’ izao tontolo izao hifantoka aminy, ka nanapa-kevitra ny iraky ny papa, fa tsy ho afamandositra i Lotera. Tsy nitondra tsisakanana ilay Mpanavao fivavahana. Nampirisika azy tsy hiseho eo anatrehan’ ny iraky ny papa ireo sakaizany raha tsy manana tsisakanana, ka izy ireo mihitsy no nanao izay ahazoana izany avy amin’ ny amperora. Nikasa ny hanery an’ i Lotera hiala amin’ ny heviny ny iraky ny papa, raha azo atao, ary raha tsy efan’ izany, dia ny hitondra azy any Roma no nokendreny, hiharan’ izay hanjo an’ i Hus sy Jéròme. Noho izany dia niezaka izy, tamin’ ny alalan’ ireo fiasana teo am-pelatanany, ny hitaona mangingina an’ i Lotera hiseho eo anatrehany tsy manana tsisakanana ka hatoky ny famindrarnpony. Nolavin’ ilay Mpanavao fivavahana tamin’ ny fomba hentitra izany. Raha tsy efa nandray an-tanana taratasy izay nanome toky ny fiarovan’ ny amperora aza izy, dia tsy hiseho eo anatrehan’ ny ambasadaoron’ ny papa.HM 136.1

    Ny tetika maty paika nataon’ ireo Romanista dia ny hiezaka hahazo ny fon’ i Lotera tamin’ ny fihetsika toa mitory halemempanahy. Nampiseho fisakaizana fatratra ilay iraky ny papa raha hihaona taminy; fa ny nangatahiny dia ny hileferan’ i Lotera eo ambany fahefan’ ny fiangonana, na dia tsy hitonona izany aza, ka hanaiky ny zavatra rehetra tsy misy adi-hevitra na fanontaniana. Tsy nolanjalanjaina araka izay tokony ho izy ny toetra amam-panahin’ ity lehilahy ifampiraharahany ity. Ho valin’ izany dia nambaran’ i Lotera ny fanajany ny fiangonana ny faniriany ny fahamarinana, ny fahavononany hamaly ny fanakianana rehetra atao momba izay nampianariny ka hitondra ny fampianarany hotsarain’ ireo Oniversite lehibe sasany. Niaraka tamin’ izany anefa dia notoheriny ny fomban’ ilay kardinaly izay nangataka azy hanatsoaka ny teniny nefa tsy nasehony mazava taminy ny fahadisoany.HM 136.2

    Ny hany valin-teny azony dia izao: «Maneke ho diso! Maneke ho diso! » Nasehon’ ilay Mpanavao fivavahana fa tohanan’ ny Soratra Masina ny heviny ary nambarany tamin’ ny fomba hentitra fa tsy afaka hiala amin’ ny fahamarinana izy. Tsy afaka namaly ireo fonjan-kevitra naroson’ i Lotera ilay iraky ny papa ka hany heriny dia nandrahona azy tamin’ ny fanakianana sy ny fanesoesoana vary raraka ary ny fandokadokafana nosingatsinganina teny nalaina avy amin’ ny lovan-tsofina sy ny fanambaran’ ireo Rain’ ny fiangonana ka tsy nisy nandatsahan’ ilay Mpanitsy fivavahana akory. Hitan’ i Lotera fa raha notohizana toy izany ny resaka dia tsy hisy vokany, ka farany dia nomen’ ireo alalana tsy fidiny i Lotera hamaly azy an-tsoratra.HM 136.3

    «Amin’ izay», hoy izy, raha nanoratra tamin’ ny sakaizany iray, «dia roa sosona ny tombon-tsoa azon’ izay iharan’ ny fampijaliana; voalohany, izay voasoratra dia azo apetraka hotsarain’ ny hafa; faharoa, mety ho azo atao amin’ io fomba io ny manararaotra ny tahotra, na dia tsy handaitra intsony amin’ ny feon’ ny fieritreretana aza izay hahazo an’ ity lehilahy tsy refesi-mandidy, feno avona sy mibedibedy foana ity, fa raha tsy izany dia handresy amin’ ny fiteny henjana hataony izy».Martyn, The Life and Times of Luther (Ny Fiainan’ i Lotera sy ny androny, p. 271, 272.)HM 137.1

    Tamin’ ny fihaonana faharoa, dia novelabelarin’ i Lotera tamin’ ny fomba mazava, matotra sy mavesa-danja, sady voatohana tanteraka tamin’ ny toko sy andininy maro avy amin’ ny Soratra Masina ny heviny. Rehefa avy novakiny tamin’ ny feo avo aloha io lahateny io, dia natolony ny kardinaly izay nanilakilaka an’ izany ho azy erý sady nilaza fa teny maro foana tsy misy antony izany sy toko sy andininy tsy mifanitsy amin’ izay ilaina azy. Tonga saina tanteraka i Lotera ka ny hevitr’ ilay pretra ambony miavonavona ihany no nainelezany azy — dia ny lovan-tsofina sy ny fampianaran’ ny Eglizy ary naongany tanteraka ireo foto-kevitra najorony.HM 137.2

    Rehefa hitan’ ny pretra ambony fa tsy misy havaly ny fandaharana nataon’ i Lotera, dia tsy mahafehy tena intsony izy, ka toa romotra niantsoantso hoe: «Maneke ho diso raha tsy izany dia halefako any Roma ianao, hiseho eo anatrehan’ ny mpitsara notendrena hanadihady ny momba anao. Horoahiko tsy ho anisan’ ny Eglizy ianao sy izay rehetra momba anao, sy izay rehetra naneho fankasitrahana anao na tamin’ ny fotoana inona na tamin’ ny fotoana inona, ka horoahiko hiala amin’ ny Eglizy». Farany dia hoy izy tamin’ ny feo feno avona sy hatezerana : «Maneke ho diso, raha tsy izany dia aza miverina intsony». D’Aubigni, boky nivoaka tao London,boky 4, toko 8.HM 137.3

    Nivoaka ny efitrano haingana niaraka tamin’ ireo sakaizany ilay Mpanavao fivavahana, ka nasehony mazava tamin’ izany fa tsy misy fanekena ho diso azo antenaina avy aminy. Tsy izay no nokendren’ ny kardinaly. Nihevitra izy fa hampahatahotra an’ i Lotera ny herisetra ka hampilefitra azy. Izao anefa, tavela irery niaraka tamin’ ireo mpomba azy izy, ka nifampijery tamin’ alahelo mafy noho ny tsy fahombiazana tsy nampoizina nihatra tamin’ ny tetika nataony.HM 137.4

    Tsy nilaozan’ ny tsy hisy vokany tsara ny fiezahana nataon’ i Lotera tamin’ io fotoana io. Azon’ ny vahoaka be nivory nanatrika tao ny nampitaha ireo lehilahy roa, ka hitsara izay toe-tsaina nasehony, sy ny lanjan’ ny hevitra naroson’ ny andaniny sy ny ankilany ary ny maha-marim-pototra sy tsy maha-marim-pototra izany. Fahasamihafana manao ahoana! Ilay Mpanavao fivavahana tsotra, manetry tena, matotra, mijoro noho ny herin’ Andriamanitra, manana ny fahamarinana ho azy; ilay solontenan’ ny papa, mihevitena ho zavatra, manjakazaka, miavonavona, tsy mandanjalanja akory vao manao zavatra, ary tsy nanana na dia fonjan-kevitra iray aza avy amin’ ny Soratra Masina, nefa manezakezaka miantsoantso hoe: «Maneke ho diso, raha tsy izany dia aoka halefa any Roma ho faizina».HM 138.1

    Na dia efa nanana tsisakanana niaro azy aza i Lotera, dia nioko ireo mpomba an’ i Roma hisambotra sy hanao azy an-tranomaizina. Nanantitrantitra taminy ireo sakaizany fa tsy misy antony mbolà hijanonany, fa tokony hiverina avy hatrany any Wittenberg izy, ary atao izay fitandremana mafy indrindra mba hanafenana ny fikasany. Araka izany dia niala tao Augsbourg izy raha mbola tsy niposaka ny masoandro, nitaingina soavaly, ary mpitari-dalana nomen’ ny mpitsara ihany no niaraka taminy. Betsaka ny fanahiany raha niafinafina nivoaka ny tanàna namakivaky ny arabe maizina sady mangina izy. Ho afaka amin’ ny fandrika novelarina ho azy va re izy? Fotoana nampangitakitaka sy nanaovana vavaka mafana izany. Tonga teo amin’ ny vavahady kely teo amin’ ny mandan’ ny tanàna izy. Novohana ho azy izany, ka tafavoaka tsy nisy nanakantsakana izy sy ilay mpitari-dalana azy. Rehefa tonga tany ivelany soa aman-tsara ireto mpandositra dia nanafaingana ny diany ary talohan’ ny nandrenesan’ ny iraky ny papa ny nandehanan’ i Lotera, dia efa tsy tratran’ ny mpanenjika azy intsony izy. Resy Satana sy ny iraka nalefany. Lasa ilay olona noheveriny fa voafenjan’ ny fahefany, nandositra sahala amin’ ny voronkely niala ny fandriky ny mpihaza.HM 138.2

    Rehefa ren’ ny iraky ny papa ny nandosiran’ i Lotera, dia safotry ny hatairana sy ny hatezerana izy. Nanantena ny handray voninahitra be izy noho ny fahendreny sy ny fahamatorany tamin’ ny fifandraisany tamin’ ity mpanakorontana ny fiangonana ity; diso fanantenana anefa izy. Nasehony tamin’ ny taratasy ho an’ i Frederika filohan’ i Saxe ny hatezerany, ka niampangany mafy an’ i Lotera sy nangatahany ny handefasan’ i Frederika ilay Mpanavao fivavahana ho any Roma na ny handroahany azy tsy honina any Saxe. Ho fiarovan-tenany, dia nohantitranterin’ i Lotera ny hanehoan’ ny iraky ny papa na ny papa mihitsy ny mahadiso azy amin’ ny alalan’ ny Soratra Masina, ary nanome toky tamin’ ny fomba miezinezina indrindra izy fa hiala amin’ ny fampianarany raha azo porofoina aminy fa mifanohitra amin’ ny tenin’ Andriamanitra izany ary dia nasehony ny fankasitrahany an’ Andriamanitra noho ny nandraisana azy ho mendrika ny hijaly ho amin’ izao anton-javatra masina izao.HM 138.3

    Hatramin’ izao dia tsy nahalala afa-tsy kely ihany momba ireo foto-pinoana voahitsy i Frederika, nefa koa tafalatsaka lalina tao am-pony ny fahadiovana, ny hery sy ny fahazavan’ ny tenin’ ilay Mpanavao Fivavahana, hany ka tapa-kevitra izy fa hijoro ho mpiaro azy mandra-pahazoana manaporofo fa diso izy. Hoy ny navalin’ ilay iraky ny papa: «Satria efa niseho teo anatrehanao tany Augsbourg i Dokotera (Mpampianatra ngezalahy) Martin, dia tokony ho afa-po ianao. Tsy nampoiziny fa hiezaka hampanaiky azy ho diso ianao raha tsy natao izay naharesy lahatra azy. Tsy nisy olona manampahaizana teto amin’ ny fanjakako nilaza tamiko fa manohitra ny fivavahana ny fampianaran’ i Martin, na mifanipaka amin’ ny fivavahana kristiana na koa «heretika». Nolavin’ ny andriandahy koa ambonin’ izany ny handefa an’ i Lotera ho any Roma, na ny handroaka azy tsy ho ao amin’ ny fanjakany». D’Aubigne, boky 4, toko 10.HM 139.1

    Hitan’ ny filohan’ ny Saxe fa nisy fitotonganana hatraiza hatraiza teo amin’ ny ara-pitondrantena teo amin’ ny tany amamonina ary nilaina tokoa ny hanao fanavaozana lehibe. Raha tahiny ka manaiky hilefitra eo ambanin’ ny fitsipik’ Andriamanitra ny olona sy hankatò izany ary hanaraka ny baikon’ ny fieritreretany, dia tsy ilaina akory ireo rafi-pandaminana sady misavorovoro no be masonkarena mba ho entina hisakana sy hanafay ny heioka bevava. Hitany fa miasa mafy hahatrarana izany tanjona izany i Lotera, ary nifaly mangingina izy fa nisy hery mangina tsaratsara kokoa izay nanomboka ho tsapa tao amin’ ny fiangonana.HM 139.2

    Hitany koa fa nahita fahombiazana tokoa i Lotera tamin’ ny naha-mpampianatra azy tao amin’ ny Oniversite. Vao herintaona fotsiny izay no nametrahan’ ilay Mpanavao fivavahana ny tsangan- keviny tao amin’ ny fiangonan’ ny lapan’ andriana nefa dia indro, fa nihena betsaka ny isan’ ny mpanao fivahiniana nitsidika ny fiangonana tamin’ ny fetin’ ny olo-masina rehetra. Nihavitsy ireo mpamonjy fotoam-pivavahana tany Roma ary nihena koa ny fanomezana nateriny, fa izay nisolo toerana ireny dia olona nankany Wittenberg izao, tsy mpanao fivahiniana hivavaka amin’ ny zavatra navelan’ ny olona masina, fa mpianatra nameno ny efitra fianarana. Namelona fahalianana vaovao momba ny Soratra Masina hatraiza hatraiza ny bokin’ i Lotera, ary tsy avy ao amin’ ny lafy valon’ i Alemaina fotsiny, fa avy amin’ ny tany hafa koa, no nanaovan’ ny mpianatra andiany ho any amin’ ny Oniversite. Nisy tanora, raha vao nahatazana an’ i Wittenberg voalohany dia nanandratra ny tanany ary nisaotra an’ Andriamanitra noho ny nampamirapiratany ny fahamarinana avy amin’ io tanàna io, tahaka an’ i Ziona fahiny, ary avy ao no niparitahany hatrany amin’ ny toerana lavitra indrindra».Ibid, boky 4, toko 10.HM 139.3

    Vao ny sasantsasany tamin’ ny fampianaran-dison’ i Roma ihany izao nahatapa-kevitra an’ i Lotera taminy izao. Nefa rehefa nampitaha ny Soratra Masina tamin’ ny didy sy ny lalàna navoakan’ ny papa izy, dia gaga aok’ izany. Hoy izy nanoratra: «Eto am-pamakiana ny didy navoakan’ ireo papa aho, ary. . . tsy fantatro raha ny papa mihitsy no antikristy na izy no apostoliny, fa lalina loatra ny fanehoana diso ataony ny amin’ i Kristy sy ny fanomboany Azy eo amin’ ny hazo fijaliana».Ibid, boky 5, toko 1. Tamin’ izany fotoana izany anefa dia mbola nanohana ny Fiangonan’ i Roma ihany i Lotera, ary tsy nihevitra velively ny hisaraka tsy hiray aminy.HM 140.1

    Niely ho amin’ ny firenena kristiana rehetra ny boky sy ny fampianaran’ ilay Mpanavao fivavahana. Nitatra tany Soisa sy tany Holanda ny asa. Nahita lalana ho any Frantsa sy ho any Espaina ny bokiny voadika amin’ ireny fiteny ireny. Tany Angletera dia noraisina ho toy ny tenin’ ny fiainana ny fampianarany. Nitatra tany Belzika sy tany Italia koa ny fahamarinana. An’ arivony ny olona nifoha avy tamin’ ny torimaso toy ny an’ ny maty ka nifaly sy nanantena fiainana mivelona-amin’ ny finoana.HM 140.2

    Mainka nampisafoaka an’ i Roma ny famelezana nafitsok’ i Lotera, ary nisy tamin’ ireo mpanohitra azy diso mafana fo loatra sy mpampianatra ngezalahy tao amin’ ny Oniversite katolika nilaza fa tsy hanam-pahotana izay mamono mahafaty ilay relijiozy mpiodina. Indray andro nisy vahiny, nanafina ny poletany tao anaty kapaotiny nanatona ilay Mpanavao fivavahana ka nanontany azy ny antony handehanany irery toy izao. «Eo am-pelatanan’ Andriamanitra aho», hoy ny navalin’ i Lotera. «Izy no heriko sy ampingako. Inona no azon’ ny olona hatao amiko?» — Ibid, boky 6, toko 2. Raha nandre izany teny izany ilay olona dia nivaloarika ny endriny ka nihodina lasa toy ny nandositra tsy ho eo anatrehan’ ireo anjelin’ ny lanitra izy.HM 140.3

    Vonombonona ny hanapotika an’ i Lotera i Roma; Andriamanitra anefa niaro azy. Re hatraiza hatraiza ny fampianarany, tao amin’ ny tranobongon’ ny mahantra sy ny trano fonenan’ ny relijiozy ka hatrany amin’ ny rovan’ andriana, ny Oniversite, sy ny lapan’ ny mpanjaka; koa dia nitsangana hatraiza hatraiza ireo andriana hanohana ny fiezahany. —Ibid, boky 6, toko 2.HM 141.1

    Tokony ho tamin’ izany fotoana izany i Lotera, raha namaky ny bokin’ i Huss, no nahita fa ny ‘ fahamarinana lehibe momba ny fanamarinana amin’ ny finoana, izay niezahan’ ny tenany notohanana sy nampianarina, dia efa notazonin’ ilay Mpanavao fivavahana Bohemiana. «Samy mpanaraka an’ i Huss daholo izahay», hoy i Lotera, «Paoly, i Augustine sy ny tenako na dia tsy fantatray aza izany!» «Tsy maintsy hovalian’ Andriamanitra izao tontolo izao, hoy indray izy nanohy, noho io fahamarinana notorina efa zato taona lasa izay, nefa nodorana!» —Wylie, boky.6, toko 1.HM 141.2

    Tamin’ ny antso nalefa ho an’ ny andriamanjaka sy ireo andriandahin’ ny Alemaina mba ho fanohanana ny fanavaozampivavahana, dia izao no nosoratan’ i Lotera momba ny papa: Mahatsiravina ny mijery lehilahy izay mibika-tena ho solontenan’ i Kristy, nefa mampidera harena be izay tsy misy amperora manana toy izany. Tahaka an’ i Jesosy izay nahantra ve izy io, na tahaka an’ i Petera feno fanetren-tena? Izy, hono, no tompon’ izao tontolo izao! Nefa Kristy izay ireharehany fa soloiny tena, dia nilaza hoe: «Ny fanjakako dia tsy eto amin’ izao tontolo izao». Mety hitatra ankoatry ny an’ ny lehibeny ve ny fanjakan’ ny solontena? — D’Aiibigné, boky 6, toko 3.HM 141.3

    Izao no nosoratany momba ny Oniversite: «Matahotra mafy aho sao hanjary vavahadiben’ ny helo ny Oniversite, raha tsy mazoto sy miezaka manazava ny Soratra Masina ny Mpampianatra ao sy hisokitra izany ao am-pon’ ny tanora. Tsy misy olona toroako hevitra hametraka ny zanany amin’ ny toerana izay tsy hanjakan’ ny Soratra Masina. Tsy maintsy ho simba ny toeram-pianarana rehetra rehefa tsy mandinika lalandava ny tenin’ Andriamanitra ny olona ao».Ibid, boky 6, toko 3.HM 141.4

    Niely haingana eran’ i Alemaina io antso io ka nanan-kery tokoa tamin’ ny vahoaka. Voahetsika ny firenena manontolo ka olona marobe no nitsangana hiray manodidina ny fanevan’ ny fanavaozana. Nirehitra tao am-pon’ ireo mpanohitra an’ i Lotera ny faniriana hamaly faty ka nampirisika ny papa izy handray fepetra henjana mikasika azy. Navoaka ny didy milaza fa homelohina avy hatrany ny fampianarany. Enimpolo andro no nomena ilay Mpanavao Fivavahana sy ireo mpanaraka azy, rehefa afaka izany, raha tsy mihemotra amin’ ny heviny izy, dia haongana tsy ho anisan’ ny eglizy daholo (hatao eskominie).HM 142.1

    Fisedrana faran’ izay navaivay ho an’ ny Fanavaozana arapivavahana izany. Nandritra ny taon-jato nifandimby dia nampivarahontsana ny mpanjaka mahery ny didy navoakan’ i Roma nanongana olona tsy ho anisan’ ny eglizy ; nidiran-doza sy tratran’ ny faharavana ny firenena matanjaka izay nianjadian’ ny fanamelohana avy amin’ izany ary dia natao ho toy ny zava-mampihorohoro sy maharikoriko aza; nosakanana tsy hifandray amin’ ny hafa izy ary noheverina ho toy ny olona very zo tsy arovan’ ny lalàna ka hazaina mandra-pahafongany. Tsy nanakimpy ny masony tsy hahita ny tafiotra efa madiva hipaoka azy i Lotera; nijoro tsy azo nohozongozonina anefa izy, nametraka ny tokiny tamin’ i Kristy hanohana sy ho ampinga hiaro azy. Finoana ny herim-pon’ ny maritiora no nanoratany izao: «Tsy fantatro izay zavatra hanjo, ary tsy tiako ho fantatra. . . Aoka hiantonta amin’ izay hiantontany ny famelezana, tsy matahotra aho. Tsy mihintsana ny ravinkazo na dia iray aza raha tsy sitrapon’ ny Raintsika. Mihoatra lavitra manao ahoana no hikarakarany antsika! Maivana ny fahafatesana noho ny Tenin’ Andriamanitra, satria ny Teny tonga nofo aza maty. Raha maty miaraka Aminy isika dia ho velona miaraka Aminy koa ary, raha mandalo amin’ izay nandalovany isika dia hitoetra miaraka Aminy mandrakizay».Ibid, Natonta fanintelony, toko 9.HM 142.2

    Rehefa voarain’ i Lotera ny taratasy fanamelohana azy avy amin’ ny papa, dia hoy izy: «Heveriko ho tsinontsinona sady toheriko satria mifanohitra amin’ ny fivavahana, sady diso: . . . Fa Kristy mihitsy no melohina ao. . . Mahafaly ahy ny mitondra fahoriana toy izany noho ny anton-javatra tsara indrindra. Efa mahatsapa sahady fahafahana lehibe tokoa ato am-poko aho, satria fantatro izao fa ny papa no antikristy, ary ny seza fiandrianany dia ny seza fiandrianan’ i Satana mihitsy». D’Aubigné, boky 6, toko 9.HM 142.3

    Nefa tsy hoe tsy nisy asany akory ny didy nalefan’ i Roma. Ny fonja sy ny fampahoriana, sy ny sabatra no fiadiana mahery vaika hanerena ny olona hankatò. Nangovitra ny malemy finoana sy ny minomino foana teo anatrehan’ ny lalàna navoakan’ ny papa; na dia niray fo tamin’ i Lotera aza ny besinimaro, dia maro kosa no nahatsapa fa sarobidy loatra ny fiainana ka tsy azo atao kinanga noho ny fanavaozana ara-pivavahana. Toa nanambara ny zavatra rehetra fa madiva hifarana ny asan’ ilay Mpanavao fivavahana.HM 143.1

    Tsy mbola natahotra ihany anefa i Lotera. Efa natontan’ i Roma teo aminy ny fanozonana, ary nibanjina izao tontolo izao, tsy nisalasala mihitsy izy na ho faty na ho voatery hilefitra. Nefa natamberin’ i Lotera tamin-kasahiana lehibe tamin’ i Roma ilay didim-pitsarana nanamelohana azy, nakipak’ i Lotera tamin’ ny hery mahatahotra niverina tany Roma ny didim-pitsarana nanamelohany azy ary nambarany am-pahibemaso ny fanapahany hevitra handao azy mandrakizay. Teo anatrehan’ ny mpianatra vory marobe ny mpampianatra ngezalahy, ny olom-pirenena isan-tsokajiny no nandoroan’ i Lotera ny taratasin’ ny papa, sy ireo didin’ ny Eglizy mbamin’ ny lalàna sy ny soratra sasany manohana ny fahefan’ ny papa: «Nodoran’ ny fahavaloko ny bokiko hoy izy, ary tamin’ izany dia nampietry ny fahamarinana tao an-tsain’ ny sarambabem-bahoaka izy, ka namono ny fanahiny; noho izany antony izany dia mba nodorako koa ny bokiny. Izao vao manomboka ny ady mafana. Hatramin’ izao dia mbola sangisangy fotsiny no nataoko tamin’ ny papa. Atomboko amin’ ny anaran’ Andriamanitra ity asa ity; hifarana izany rehefa tsy ho eo intsony aho, ary ny herin’ Andriamanitra no hamita azy». Ibid, boky 6, toko 10.HM 143.2

    Izao no navaliny ny fanakianana nataon’ ny fahavalony izay naneso azy noho ny fahalemen’ ny zavatra tohanany: «Iza no mahalala raha Andriamanitra no nifidy sy niantso ahy, ary tokony hatahotra izy ireo sao manao tsinontsinona an’ Andriamanitra raha manao tsinontsinona ahy? Irery i Mosesy fony niala tany Egypta; irery Elia tamin’ ny andro nanjakan’ i Ahaba; irery Isaia tany Jerosalema; irery Ezekiela tany Babylona. . . Na oviana na oviana Andriamanitra tsy nifidy ny mpisoronabe na olona ambony hafa ho mpaminany; matetika dia olona ambany sy atao tsinontsinona no fidiny, indray mandeha aza dia i Amosa mpiandry ondry. Tamin’ ny fotoan’ andro rehetra, dia ny olo-masina no maniny ny olona ambony, ny mpanjaka, ny andriana, ny mpisorona sy ny olon-kendry, ary mampidi-doza ny ainy izy amin’ izany. . . Tsy milaza aho akory fa mpaminany; fa milaza kosa aho fa tokony hieritreritra indrindra izy satria irery aho ary izy maro. Ny azoko antoka dia izao, aty amiko ny tenin’ Andriamanitra, fa tsy any aminy».Ibid, boky 6, toko 10.HM 143.3

    Nefa tsy maintsy niátrika ady nangotraka tamin’ ny tenany tokoa i Lotera vao nanapa-kevitra hisaraka tanteraka tamin’ ny Eglizy. Tamin’ izany fotoana izany no nanoratany hoe: «Tsapako bebe kokoa hatrany isan’ andro ny maha-sarotra ny mahafoy ireo zavatra neken’ ny feon’ ny fieritreretana sy nameno azy hatramin’ ny fahazazana. O! fahasahiranan-tsaina manao ahoana ho ahy ny nanamarina ny tenako, na dia manana ny Soratra Masina ho ahy aza aho, fa tokony ho sahy hijoro samirery aho hanohitra ny papa, ka hihevitra azy ho antikristy! Inona no fahoriana tsy nameno ny foko! Impiry aho moa, ary nangidy tamiko izany, no nametraka tamin’ ny tenako ilay fanontaniana mpivoaka matetika ny molotry ny papista manao hoe: «Ianao irery angaha no hendry? Mety ho diso daholo ve ny olona hafa rehetra? Ary mba hanao ahoana kosa ary, raha ohatra ka rehefa dinihina, ianao no diso dia ianao izay mitarika fanahy maro hanaraka ny hevi-disonao, koa iza ary no voaozona mandrakizay?» Toy izany no niadiako tamin’ ny tenako sy tamin’ i Satana, mandra-pahazoan’ ny foko hery tao amin’ i Kristy hanohitra ireo fisalasalana ireo, tamin’ ny alalan’ ny teniny tsy mety diso». Martyr,pejy 372, 373.HM 144.1

    Norahonan’ ny papa horoahina amin’ ny Eglizy i Lotera raha tsy mihemotra amin’ ny heviny, tanteraka izany fampitahorana izany izao. Niseho indray ny taratasy fanamelohana vaovao, nilaza ny fisarahan’ ilay Mpanavao fivavahana tanteraka tamin’ ny fiangonana Romana, niampanga azy ho voaozon’ ny Lanitra ary voaheloka miaraka amin’ izay rehetra mandray ny fampianarany. Raikitra tanteraka izao ny tena ady lehibe.HM 144.2

    Fanoherana no anjaran’ izay rehetra ampiasain’ Andriamanitra hampiseho ny fahamarinana voakendry manokana haseho amin’ ny androny. Nisy fahamarinana antonona ny andron’ i Lotera, — fahamarinana nisy lanjany manokana tamin’ izany andro izany toy ny maha-misy koa fahamarinana ankehitriny ho an’ ny fiangonana amin’ izao andro izao. Tian’ Ilay manao ny zavatra rehetra araka ny sitrapony ny mametraka ny olona eo amin’ ny toe-javatra samihafa misy andraikitra mifanandrify amin’ ny fotoana ivelomany sy ny toerana nametrahana azy. Raha araraotiny ny fanazavana omena azy, dia ho hitany midadasika bebe kokoa eo anoloany ny fisehoan’ ny fahamarinana. Nefa tsy irin’ ny maro an’ isa ankehitriny ny fahamarinana tahaka ny nataon’ ireo papista izay nanohitra an’ i Lotera fahizay. Tahaka ny tamin’ ny andro teo aloha dia misy indray ilay toe-tsaina mirona hanaiky ny hevitry ny olombelona sy ny lovan-tsofiny fa tsy ny tenin’ Andriamanitra. Ireo izay mitory ny fahamarinana ho amin’ izao andro izao dia tsy tokony hanantena fa hahita fankasitrahana mihoatra ireo Mpanavao fivavahana teo aloha. Ny ady lehibe ifanaovan’ ny fahamarinana sy ny hevi-diso, ifanaovan’ i Kristy sy Satana, dia hitombo hihamafy hatrany arakaraka ny hanatonan’ ny faran’ izao tontolo izao.HM 144.3

    Hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: «Raha naman’ izao tontolo izao hianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman’ izao tontolo izao hianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’ izao tontolo izao, dia halan’ izao tontolo izao hianareo, 4Jao.15:19,20 izao koa no nambaran’ ny Tompo mazava: «Lozanareo raha milaza soa anareo ny olona rehetra! fa izany no nataon’ ny razany tamin’ ny mpaminany sandoka».5Lio.6:26 Tsy mifandrindra amin’ ny teo-tsain’ izao tontolo izao koa ny toe-tsain’ i Kristy ankehitriny tahaka ny tamin’ ny andro teo aloha, koa izay mitory ny tenin’ Andriamanitra araka ny fahadiovan’ izany dia tsy hahita fankasitrahana ankehitriny mihoatra noho ny tamin’ izany. Mety miova ny endriky ny fanoherana ny fahamarinana, mety ho kely fiseho kokoa ny fandrafiana satria tsara afina kokoa; nefa mbola ao ihany ilay fanoherana ary hiseho hatramin’ ny faran’ ny andro izany.HM 145.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents