Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

«Hery Mifanandrina»

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 18 - Ny Zava-Miafin’ny Tsi-Fankatoavan-Dalana

    Hatramin’izay dia ny hitondra ny sain’ny olona hiala amin’ny Jesosy ho amin’ny olona ny tetik’I Satana, ary ny hanimba ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay.HM58 43.1

    Tsy nahomby I Satana tamin’ny tetika nataony raha naka fanahy ny Zanak’Andriamanitra izy. Nefa nahomby kokoa anefa izy tamin’ny nandavoany ny olombelona. Simba ny foto-pinoana maha-kristianina; nihambo ireo toerana voasandratra ireo papa sy ireo pretra ary nampianatra ny olona mba hitodika aminy mba hanalana ny helok’izy ireo; raha tokony hijery an’I Kristy ho an’ny tenan’izy ireo manokana. Tsy nampahalalana azy ireo ny Baiboly mba hanafenana ny fahamarinana izay manameloka azy ireo.HM58 43.2

    Voafitaka tanteraka ny vahoaka. Nampianarina azy ireo fa ireo papa sy ireo pretra dia Solon-tenan’I Kristy kanefa raha ny marina dia solon-tenan’I Satana izy ireo, ary izay miankohoka teo anatrehany ireo dia mivavaka amin’I Satana. Nangataka Baiboly ny vahoaka; kanefa noheverin’ireo pretra fa loza ny mamela azy ireo hanana ilay tenin’Andriamanitra ho vakian’izy ireo ho an’ny tenany manokana raha tsy izany dia nahazo ny fahazavana izy ireo ka hiharihary ny fahotan’ ireo mpitarika ara-pivavahana. Nampianarina ny olona ny mijery an’ireo mpamitaka ireo, ka handray ny teny rehetra izay lazainy toy ny avy tamin’ny vavan’Andriamanitra. Nampiasa ny fahefana amin’ny fanahin’ny olona ireo pretra, fahefana izay tsy ananan’ny olona raha tsy Andriamanitra irery ihany. Koa raha nisy nahasahy nanaraka ny feon’ny fieritreretany nanokana dia fankahalana mitovy izay nataon’I Satana sy ireo Jiosy tamin’I Jesosy no hirehitra amin’izy ireo, ary ireo izay manana fahefana dia hangetaheta ny ràn’izy ireo.HM58 43.3

    Naseho ahy ny fotoana izay nandresen’I Satana manokana. Kristianina maro no novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina satria nitahiry ny fahadiovan’ny fivavahany izy ireo.HM58 43.4

    Nankahalaina ny Baiboly ary ny ezaka rehetra dia natao mba hanafoanana amin’ny tany ilay Teny sarobidin’Andriamanitra. Norarana tsy azo novakin’ny vahoaka ny Baiboly miaraka amin’ny fanamelohana ho faty, ary ny soratra rehetra momba ny boky masina izay voasambotra dia nodorana avokoa. Nefa hitako fa niahy manokana ny teniny Andriamanitra sady niaro izany Izy. Tao anatin’ireo vanim-potoana isan-karazany teo amin’ ny tantara dia nisy kanefa vitsy dia vitsy ireo dika mitovin’ ny Baiboly izay nisy, kanefa tsy namela ny Teniny ho velona Andriamanitra satria amin’ny andro farany dia ho maro ireo Baiboly hadika mba hahazahoan’ny fianakaviana tsirairay hanana izany.HM58 43.5

    Hitako fa tamin’ny fotoana izay tsy nampisy afa-tsy vitsy dia vitsy ny Baiboly dia sarobidy sy nampahery tokoa ireo mpanara-dia an’I Jesosy nanjehina izany. Novakiana tamin’ny fomba faran’izay miafina indrindra izany ary ireo izay nanana izany tombon-tsoa lehibe izany dia nahatsapa fa nifampiresaka tamin’Andriamanitra sy ny Zanany Jesosy Kristy sy ny mpianany izy ireo. Nefa izany tombon-tsoa voatahy izany dia novidina tamin’ ny ain’ ny maro tamin’ izy ireo. Norarana tsy azo natao ny namaky ny Soratra Masina, koa raha tratra dia nentina teo amin’ilay fanampahan-doha, fandoroana olona na nampidirina tao anaty tilikambo iray mba ho fatin’ny hanoanana.HM58 43.6

    Tsy azon’I Satana natao ny nanakana ilay drafi-pamonjena. Nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana I Jesosy ary nitsangana indray tamin’ny andro fahatelo. Nefa ny Devoly niteny tamin’ ireo anjeliny fa horaisiny ho tombon-tsoa ho azy ny fanomboana ary ny fitsanganany. Noleferiny ny hinoan’ireo Kristianina izay manaraka ny finoana an’I Jesosy fa ireo lalàna izay nifehy an’ireo Jiosy toy ny fisoronana sy ny fanatitra dia nitsahatra tamin’ny fahafatesan’I Kristy, raha tahiny dia hoentiny lavi-davitra kokoa ireo, ka hampinoany fa ny lalàn’ny Didy folo dia maty ihany koa niaraka tamin’I Kristy.HM58 43.7

    Hitako fa maro ireo Kristianina no latsaka tao anatin’ ity fandrika napetrak’ I Satana ity. Nihorohoro tamim-pahatezerana ny lanitra manontolo raha nahita fa ny lalàna masin’Andriamanitra nohosihoseny tamin’ny tongotra. Jesosy sy ireo miaramilan’ny lanitra mantsy dia mahafantatra tsara ny toetrin’ny lalàn’Andriamanitra; fantatr’izy ireo fa tsy azo ovana na foanana izany. Ny toetra feno famoizam-po teo amin’ny olombelona no nahatonga tebiteby farany izay lehibe indrindra tany an-danitra izao , ka nanosika an’I Jesosy hanolotra ny tenany ho faty ho eo amin’ ireo toeran’ ny mpandika ny lalàna masin’Andriamanitra. Raha mba azo nofoanana mantsy ny lalàna dia tsy nilain’ny olombelona ny fahafatesan’I Jesosy mba ho famonjena azy. Noho izany dia tsy nandrava ny lalàn’ny Rainy ny fahafatesan’I Kristy; fa kosa nanandratra sy nanome voninahitra azy, ary manamafy ny fankatoavana ireo didiny masina rehetra.HM58 43.8

    Raha nitoetra ho madio sy nahatoky tokoa mantsy ny fiangonana dia tsy azon’i Satana natao tokoa ny namitaka azy sy nitondra azy hanosihosy ny lalàn’Andriamanitra. Tamin’ny tetika feno an-tsapatsapaka nataon’ i Satana dia mamely mivantana ilay fanorenan’ny fanjakan’Andriamanitra any an-danitra sy ety an-tany izy. Nahatonga azy ho voaroaka avy tany an-danitra izany fikomiany izany. Taorian’ny nikomiany , dia niriny ny hanovan’Andriamanitra ny lalàny mba hamonjeny ny tenany manokana. Nefa Andriamanitra nilaza tamin’I Satana teo anatrehan’ireo miaramilan’ny lanitra rehetra , fa tsy azo ovana ny lalàny. Fantatr’I Satana fa raha afaka mandrisika ny sasany handika ny lalàn’Andriamanitra izy , dia ho azony ireo ho vokatry ny nataony; satria ny mpandika lalàna rehetra dia tsy maintsy ho faty.HM58 44.1

    Nanapa-kevitra ny handeha lavi-davitra hatrany I Satana. Niteny tamin’ireo anjeliny izy fa misy ireo sasany izay saro-piaro tokoa ami’ny lalàn’Andriamanitra ka tsy ho tratrin’ny fandriny mihitsy; ary mazava loatra ny didy folo ka maro ireo mino fa mbola manan-kery hatrany izany. Noho izany dia tsy maintsy hitady hevitra izy mba hanovana ny didy fahefatra izay mitondra ho amin’ny fahitana an’Ilay Andriamanitra velona. Notarihin’ny avy ireo solo-tenany mba hanandrana ny hanova ny Sabata sy hanimba ny iray amin’ireo didy folo izay mitondra amin’ny fanajana Ilay Andriamanitra marina Ilay Mpanao ny lanitra sy ny tany. Nasehon’I Satana teo anatrehan’ireo ilay fitsanganan’I Jesosy be voninahitra ary nilaza tamin’izy ireo izy fa tamin’ny alalan’ny fitsanganany tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro no nanovany ny Sabata avy tamin’ny andro fahafito ho amin’ny andro voalohany amin’ny herinandro.HM58 44.2

    Tamin’izay no nampiasan’I Satana ilay fitsanganana tamin’ny maty mba hahatanteraka ny tanjony. Izy sy ireo anjeliny dia nifaly tokoa rehefa ilay fahadisoana izay efa nomanin’izy ireo no nahomby fatratra tamin’ireo izay nihambo ho mpanara-dia an’I Kristy. Izay heverin’ ny sasany ho fivavahana mahatsiravina, ny sasany indray kosa nanaiky an’ izany. Dia tahak’ izany maro ireo karazam-pahadisoana izay hekena sady harovana amimjotom-po tokoa. Ny sitrapon’ Andriamanitra, izay voambara mazava ao amin’ ny Teniny, dia norakofana tao ambanin’ ny fahadisoana sy ny lovan-tsofina izay ampianarina ho toy ny lalàn’ Andriamanitra. Nefa na dia eo aza izany famitahana izay mihatsy ny lanitra izany, dia noleferina ny fitohizan’izany hatramin’ ny fotoana hisehoan’I Jesosy fanindroany, tsy hamela Azy hitoetra tsy hanana vavolombelona anefa Andriamanitra mandritra ireo vanim’ potoana feno fahadisoana sy famitahana rehetra ireo. Nisy foana ireo vavolombelona marina sady mahatoky nitandrina ny didin’Adriamanitra rehetra nandritra ireo fahamaizinana sy fanenjehana ny fiangonana, nisy mandrakariva ireo marina sy mpino mahatoky izay nitandrina ny lalan’ Andriamanitra rehetra.HM58 44.3

    Hitako ireo tafiky ny anjely izay talanjona tokoa raha nahita ireo fijaliana sy ny fahafatesan’Ilay Mpanjakan’ny voninahitra. Nefa hitako fa tsy nahagaga an’ireo miaramilan’anjely ny nahita ny Tompon’ny aina sy ny voninahitra , izay nameno ny lanitra manontolo fifaliana sy famirapiratana , afaka namaky ny fanotofan’ny fahafatesana ary nandeha niala tao amin’ny figadrany ho Mpandresy mampiaiky. Noho izany raha tsy maintsy hotsarovana amin’ny alalan’ny andro iray fitsaharana ny iray amin’ireo zava-niseho, dia ny fanomboana teo tamin’ny hazo fijaliana no tokony hotsarovana. Nefa , hitako fa tsy nisy na dia iray tamin’ny ireo zava-niseho no voatondro mba hanovana na hanafoanana ny lalàn’Andriamanitra; fa porofo mahery vaika manamafy ny tsy fiovany no nomen’izy ireo.HM58 44.4

    Samy manana ny andro fahatsiarovana azy, ireo zava-dehibe roa nitranga ireo. Amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny fanasan’ny Tompo, dia nampiseho antsika ny fahafatesan’ny Tompo mandra - pihaviny, ilay mofo novakivakiana sy voan’ilay voaloboka. Amin’ ny alalan’ ny fitandremana an’ ilay fahatsiarovana tahak’ izany dia ampitamberenina ao an-tsaintsika indray ireo fahoriany sy ny fahafatesany. Ny fitsanganan’I Kristy tamin’ny maty indray dia tsarovana amin’ny alalan’ny fandevenana ny tenantsika miaraka Aminy amin’ny fotoanan’ ny batisa ary amin’ny fitsaganana avy ao amin’ilay fasana rano toy ny tamin’ny nitsanganany , mba handehanantsika amin’ny fiainam-baovao.HM58 44.5

    Naseho ahy fa ny lalàn’Andriamanitra dia haharitra mandrakizay , ary hitoetra any amin’ny tany vaovao mandrakizay mandrakizay izy. Tamin’ny famoronana , raha napetraka ny fanorenan’ ny tany dia talanjona ireo zanak’Andriamanitra nahita ny asan’Ilay Mpahary , ary nanao hiram-pifaliana ireo anjelin’ny lanitra. Nefa tamin’izany fotoana izany ihany koa no napetraka ny fanorenan’ ny Sabata. Tamin’ny fiafaran’ny andro tamin’ny famoronana , dia nitsahatra tamin’ny andro fahafito Andriamanitra, tamin’ny asany rehetra izay efa nataony ary Andriamanitra nitahy sy nanamasina azy satria tamin’izany no nitsaharany tamin’ny asany rehetra. Naorina tao edena talohan’ny fahalavoana ny Sabata , ary notandreman’I Adama sy Eva, ary ireo anjelin’ny lanitra rehetra. Nitsahatra Andriamanitra tamin’ny andro fahafito, ary notahiny sy nohamasininy izany; ary hitako fa tsy ho foana mandrakizay ny Sabata; ary ireo olom-boavidy, sy ireo anjelin’ny lanitra rehetra hitandrina azy ho fanomezam-boninahitra an’Ilay Mpamorona lehibe mandritry ny mandrakizay.HM58 44.6

    Jereo Daniela toko faha 7, sy 2 Tesaloniana toko 2.HM58 44.7

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents