Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

«Hery Mifanandrina»

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 28 - Ilay Hafatry Ny Anjely Fahatelo

    Satria efa vita ny asa izay nataon’I Jesosy tao amin’ny Efitra Masina, dia nifindra tao amin’ilay Masina Indrindra Izy, ka nitsangana teo anoloan’ilay fiara izay nisy ny lalan’Andriamanitra Izy, ary naniraka anjely mahery iray ho ety an-tany mba hanambara an’ amin’ilay hafatra fahatelo. Nametraka horonam-boky teo amin’ny tanan’ilay anjely Izy, izay nidina tety ambonin’ ny tany tamim-boninahitra sy tamin-kery, dia nanambara fampitandremana nampatahotra iray, fandrahonana mahatahotra indrindra izay mbola tsy natao tamin’olombelona hatramin’izay.HM58 61.5

    Ny tanjony tamin’ilay hafatra dia ny mba hiambenan’ireo zanak’Andriamanitra, sy hahavonona azy ireo amin’ ny andro fizahan-toetra sy ny tebiteby miandry azy ireo. Hoy ilay anjely tamiko: hanana ady sarotra izay hataony amin’ilay bibidia sy ny sariny izy ireo. Ny hany fanantenana mba hahazoany ny fiainana mandrakizay dia ny fijoroana ho mahatoky, eny fa na dia hotandindomin-doza aza ny ain’izy ireo dia tsy maintsy nihazona sy mifamatotra mafy amin’ny fahamarinana izy ireo. Nofaranan’ilay anjely tamin’izao teny izao ny hafany: “Indro ny faharetan’ny olo-masina, dia izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy ny finoana an’I Jesosy”. Teo am-pamerimberenana ireo teny ireo, no nanondroany ny Fitoerana Masina any an-danitra.HM58 61.6

    Ny sain’ireo rehetra izay nandray ilay hafatra dia nitodika tany amin’ilay Fitoerana Masina Indrindra izay itsanganan’I Jesosy manoloana ilay fiara, mba hanao ny asa fanelanelanana farany, ho an’ireo rehetra izay mbola itoeran’ny fahasoavana, sy ho an’ireo izay mandika tsy nahy ny lalàn’Andriamanitra. Izany fifonana izany dia natao ho an’ireo marina efa maty, ary koa ho an’ireo marina mbola velona. Manao fifonana ihany koa, ho an’ireo izay maty tamin’ ny fiankinana tamin’ i Kristy, nefa tsy nahalala ny fahamarinana momba ny Didin’ Andriamanitra, ka nanota noho ny tsy fahalalany tamin’ ny alalan’ ny fandikana ireo fitsipiny.HM58 61.7

    Taorian’ny nanokafan’I Jesosy ny varavaran’ny toerana Masina Indrindra no nahitana sy nahafantarana ny fahamarinana mikasika ny Sabata, ary tsy maintsy hozahan-toetra sy hotsapaina ny amin’ izany ny vahoakan’Andriamanitra, tahaka ny nisedran’Andriamanitra ny zanak’Israely fahizay, mba hahitana na mahatoky amin’ ny Didin’ Andriamanitra izy ireo na tsia. Hitako ilay anjely fahatelo nanondro tany ambony, nampiseho tamin’ireo izay diso fanantenana ny làlana mankany amin’ny Masina Indrindra tao amin’ny Fitoerana Masina any an-danitra. Raha tamin-pinoana no nidiran’ ireo ao anatin’ ny efitra Masina indrindra, dia nahita an’ i Jesosy ao izy ireo, ka niboiboika tamin’izy ireo indray ny hafaliana sy ny fanantenana. Hitako izy ireo nanao jery todika nijery ny lasa, nanomboka tamin’ilay fanambarana ny fiavian’I Jesosy fanindroany, hatramin’ireo fanandramana nataon izy ireo dia ny amin’ilay fatahoram-potoana tamin’ny 1844. Hitan’izy ireo ankehitrio ny fanazavana ilay fahadisoam-panantenana ka hafaliana sy toky no namelombelona azy ireo indray. Nampahazava ny lasa, ny ankehitriny ary ny ho avy ilay anjely fahatelo, ary fantatr’izy ireo izao fa nitarika azy ireo tokoa Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fitondrany mahagaga.HM58 61.8

    Naseho ahy koa fa nahoana ireo “sisa” ireo no nanaraka an’I Jesosy tany amin’ny Fitoerana Masina Indrindra, ary nahoana no nandinika ny fiara, sy ny rakotra fanaovam-panavotana izy ireo, dia babon’ny voninahiny. Nesorin’I Jesosy ny saron’ny fiara, ka indro! Vato fisaka roa, izay nisy ny didin’Andriamanitra voasoratra ny teo amboniny. Namakivaky haingana ireo Didy masina izy ireo kanefa nihemotra tamin-kovitra izy ireo raha nahita ilay didy fahefatra nitoetra teo anivony niaraka tamin’ireo lalàna masina, ary hazavana izay manjelanjelatra kokoa noho ny teo amin’ireo sivy hafa nanodidina azy, ary voahodidina fahazavana toy ny avan’ ny voninahitra. Tsy nahita na inona na inona teo ry zareo, izay manambara taminy fa efa nofoanana na novana ho amin’ny andro voalohany amin’ny herinandro ny Sabata. Fa ny lalàna dia voavaky amin’ izay nanononan’ Andriamanitra azy tamim-boninahitra ary fahalehibeazana mahatahotra teo afovoan’ ireo tselatra sy kotrokorana be sy varatra tao an-tendrombohitra Siny, rehefa nosoratan’Andriamanitra tamin’ny ratsantanany manokana teo amin’ireo vato fisaka izany: “Henemana no hiasano sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. Fa Sabatan’I Jehovah Andriamanitra ny andro fahafito.”Variana izy ireo raha nandinika ny fikarakarana izay natao tamin’ireo didy folo. Hitan’izy ireo fa napetraka teo anilan’Jehovah izany, voarakotra sy voaaron’ny fahamasinany. Hitan’izy ireo fa nanosihosy tamin’ny tongony ilay didy fahefetry ny didy folo, sy nitandrina andro izay nampitain’ireo jentilisa, sy ireo mpomba ny papa izy ireo, ho solon’ilay andro izay nohamasinin’Andriamanitra. Nanetri-tena teo anoloan’Andriamanitra izy ireo, ka nitaraina noho ireo fandikandalàna nataony teo aloha.HM58 62.1

    Hitako ilay emboka tao anatin’ny lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra nanetroka raha nanolotra ny fifonany sy ny fivavany teo amin’ny Rainy I Jesosy. Koa raha niakatra izany, dia indro hazavana mamirapiratra no nipetraka teo amin’I Jesosy, sy teo amin’ilay rakotra fanaovam-panavotana; ary ireo zanak’ Andriamanitra izay nivavaka tamin’kafanam-po, izay sahiran-tsaina tokoa satria nahita ny tenany ho mpandika ny làlan’Andriamanitra izy ireo, dia voatahy, ary nohazavain’ny fanantenana sy hafaliana ny endrik’izy ireo. Nandray anjara tamin’ ny asan’ny anjely fahatelo izy ireo, ary nanandratra ny feony sy nanambara ilay fampitandremana lehibe. Kinanjo, vitsy no nandray ny hafatra tamin’ ny voalohany, kanefa dia mbola nanohy nanambara ilay fampitandremana hatrany izy ireo nahatoky. Rehefa afak’izany dia hitako fa maro ireo nandray ilay hafatry ny anjely fahatelo no voalohany nampiray ny feony tamin’ireo nanambara Azy tamin’ny alalan’ny fampitandremana an’ilay Andro fitsaharana izay nohamasininy.HM58 62.2

    Maro tamin’ireo nandray ny hafatry ny anjely fahatelo no tsy nanao fanandramana tamin’ireo hafatra roa teo aloha. Fatantr’i Satana tsara izany, ka ny maso ratsiny dia tsy niala teo amin’izy ireo mba hanapotehany azy ireo, fa ilay anjely fahatelo kosa anefa nitarika ny fijerin’ ireo ho amin’ny Fitoerana Masina Indrindra any andanitra, ary ireo izay nanao fanandramana tamin’ireo hafatra roa taloha koa dia nanoro azy ireo hoe ahoana no hahatongavana amin’ilay Fitoerana Masina any an-danitra. Maro no nahita ny fitohizana ara-dalànan’ny fahamarinana tao amin’ireo hafatr’ ireo anjely telo, ka nandray izany tamim-pifaliana. Noraisiny tamin’ny filaharany avy izany, ary nanaraka an’I Jesosy tamim-pinoana tany amin’ny Fitoerana Masina tany an-danitra izy ireo. Naseho amiko hoy toy ny vatofantsika ho an’ ny zanak’ Andriamanitra hihazonana ny tena ireo hafatra ireo. Koa raha nandray sy nahazo izany ireo olona maro dia ho voaaro amin’ireo famitahana maro ataon’I Satana.HM58 62.3

    Taorian’ilay fahadisoam-panatenana lehibe tamin’ny 1844, dia sahirana mafy mihitsy I Satana sy ny anjeliny amin’ny fikarakarana ny famelarana ireo fandrika maro ho an’ ireo mpino mba hanozongozonana ny finoan’ny olona. Miasa ao anatin’ny sain’ireo izay manana fanandraman’ny tenany manokana tamin’ireo zavatra ireo izy. Nanana endrika feno fanetren-tena izy ireo. Ny sasatsasany mitady hanaporofo fa ny fahatanterahan’ ny voalohany sy ny faharoan’ ny hafatra dia mbola ho amin’ ny ho avy, tamin’ izay koa ny sasany nino fa efa tanteraka tamin’ ny lasa efa ela izany. Nisarika ny sain’ireo izay tsy manana fanandramana, ireo olona ireo mba hanozongozonana ny finoany. Ny sasany nandinika ny Baiboly miaraka tamin’ny faniriana ny hanorina ny finoana amin’ny tenany manokana, tsy miankina amin’ ny fiangonana. Nihobim-pandresena i Satana amin’izany rehetra izany, satria fantatr’I Satana fa ireo rehetra izay niala tamin’ilay vatofantsika dia ho mora foana ny hiasany amin’ireo amin’ny alalan’ireo fahadisoana isan-karazany sy hitondra azy ireo amin’ireo rivo-pampianarana samihafa. Maro tamin’ ireo izay lohany tamin’ ny fanambarana ny hafatra voalohany sy ny faharoa no nandà azy ireo, ka dia fisarahana sy fifanjevoana no nisy tamin’ny tenan’ny fiangonana.HM58 62.4

    Nony afak’izany dia nahita an’I William Miller aho. Toa very hevitra ny fahitana azy, ary niondrika noho ireo tebiteby sy fahoriana, raha teo am-pieritreretana ny vahoakany. Hitany ilay vondrona niray sy nifankatia tamin’ny 1844, lasa nanary ny fifankatiavany, sy nifanditra. Nahita azy ireo latsaka tamin’ny fihemorana mangatsiaka izy. Koa dia nandany ny heriny izany fahoriana izany. Nahita ireo mpitondra aho nanara-maso an’I William Miller sady natahotra sao dia handray ilay hafatry ny anjely fahatelo sy ny didin’Andriamanitra izy. Ary raha miantehitra amin’ilay hazavana avy any an-danitra izy, dia hanao tetika ireto mpitondra ireto mba hitarika ny sainy hiala amin’izany. Hitako ilay hery mahataona ny olombelona izay novelarina mba hitazonana ny sainy ao anatin’ny haizina sy ny mba hitahirizana ny_hery miasa mangina ao amin’ ireo izay manohitra ny fahamarinana. Ka nony ela ny ela dia indro fa nanandratra ny feony hanohitra ny fahazavana avy any an-danitra I William Miller. Nanao fahadisoana izy tamin’ny tsy fandraisany ilay hafatra izay nanazava tamimpahalalahana ny fahadisoam-panantenany, ka nanary ilay hazavana sy voninahitra tamin’ny lasa izay tokony hamelombelona indray ny heriny tonga lafatra, sy hampamirapiratra ny fanantenany, ka hitarika azy hidera an’Andriamanitra.HM58 62.5

    Niantehitra tamin’ny fahendren’olona izy raha tokony ho tamin’ny fahendren’Andriamanitra. Nefa trotraky ny asa mafy izay nataony mba ho an’ny Tompony sy noho ny taona ny noho izany dia tsy meloka kokoa noho ireo izany nanafina taminy ny fahamarinana izy. Tompon’andraikitra izy ireo ary ny fahotana dia ho eo aminy.HM58 63.1

    Raha mba afaka nahita ilay hazavan’ilay hafatra fahatelo I William Miller, dia ho maro ireo zavatra izay maizina sy ireo zavatra saro-pantarina taminy no ho voazava. Naneho fitiavana lalina azy sy fahalianana taminy ireo rahalahiny, ka nieritreritra izy fa tsy afaka ny hisaraka amin’izy ireo izy. Te hirona amin’ny fahamarinana ny fony kanefa nony avy eo nijery ireo rahalahiny izy. Nanohitra izany izy ireo. Moa ve afaka ny hiala amin’ireo nifanila taminy sy nifanerasera taminy natetika tamin’ny fanambarana ny fiavian’I Jesosy izy?. Nieritreritra izy fa tsy hitondra azy velively amin’ny lalana diso izy ireo.HM58 63.2

    Namela azy tao ambany fahefan’I Satana sy fahafatesana Andriamanitra mba hanjaka aminy. Nafeniny tao anaty fasany izy, lavitra an’ireo izay nitondra azy tsy tapaka hanalavitra an’Andriamanitra. Nanao fahadisoana I Mosesy taloha kely indrindra ny hidirana tao amin’ilay tany nampanantenaina. Hitako fa, mitovy amin’ izany koa, nirenireny i William Miller tamin’ ny fotoana taloha kelin’ ny nandehanany hiditra ny Kananan’ ny lanitra, tamin’ny namelany ny fironany hanohitra ny fahamarinana. Ny hafa no nitarika azy ho amin’izany. Tsy maintsy hadinina amin’izany ireo hafa ireo. Kanefa niahy manokana ny vovok’ity mpanompon’Andriamanitra ity ireo anjely, ka hitsangana izy amin’ny feon’ny trompetra farany.HM58 63.3

    Jereo Ekskodosy 20:1-17; 31:18; 1 Tesaloniana 4:16; Apokalypsy 14:9-12.HM58 63.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents