Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

«Hery Mifanandrina»

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 29 - Ilay Fanorenana Mafy

    Hitako ilay vondron-bahoaka izay nijoro tsara tamin’ny fiambenany sady niorina mafy ary tsy niraharaha ireo izay te hanozongozona ny finoana voaorin’ny fikambanana. Nijery azy ireo tamipankasitrahana Andriamanitra. Naseho ahy ireo ambaratonga telo izay mitondra ho amin’ ny marin-tampona (na fanorenana) iray, roa ary telo dia ireo hafatry ny anjely voalohany, faharoa, fahatelo. Hoy ilay anjely: “Loza ho an’izay hanetsika ny zavatra makadiry iray na koa hanaisotra ny litera farany madinika indrindra amin’ireo hafatra ireo. Ireo tena heviny marina dia zava-dehibe iankinan’ ny aina tokoa. Ny mamaritra ny hoavin’ ny rehetra dia miankina amin’ny fomba fandraisany azy ireo.HM58 63.5

    Nentina niverina indray tamin’ireo hafatra ireo aho, ary nahita ny halafon’ny nividianan’ny vahoakan’Andriamanitra an’ireo fanandramany. Azony tamin’ny alalan’ireo fahoriana mifanesisesy sy ady mafy izany. Tsikelikely no nitondran’Andriamanitra azy ireo, mandra-pahametrahany azy ireo teo ambonin’ilay fanorenana mafy, tsy azo nohozongozonina. Nony avy eo dia nahita olona maromaro aho nanatona ilay fanorenana, ary nandinika ilay fototra izy ireo alohan’ny nipetrahany teo amboniny. Ny sasany tonga dia nipetraka teo amboniny tamim-pifaliana, fa ny hafa kosa nanomboka nitsikera aloha ny fototr’ilay fanorenana. Naniry ny hanao fanatsarana sasantsasany, ka hahatonga ilay fanorenana ho tongalafatra kokoa, hahafaly kokoa ny vahoaka. Ny sasany kosa niala tamin’ilay fanorenana ka nanadihady izany, ka nahita fahadisoana taminy, ary nanambara fa diso setraka ny nanorenana azy. Hitako fa ny ankamaroan’ny rehetra dia nijorona ho mahatoky teo ambonin’ilay fanorenana mba hitsahatra amin’ireo fitarainany, satria Andriamanitra no Mpita-marika mahay lehiben’ ny fanorenana, ary niady manohitra Azy izy ireo noho izany. Nitantara ny asan’Andriamanitra mahagaga izy ireo izay nitondra azy ireo ho eo ambonin’ilay fanorenana mafy, ary tao anatin’ny firaisana no nibanjinan’ny ankamaroan’ny maso rehetra ny any an-danitra, ka nanomezany voninahitra an’Andriamanitra tamin’ny feo avo. Nahakasika ny sasany tamin’ireo izay nitaraina sy nandao ny fanorenana izany, ka tamim-panetren-tena no nipetrahany indray teo amin’ ny fitoerany.HM58 63.6

    Dia nentina indray tany amin’ilay fanambarana ny fiavian’I Kristy voalohany aho. Nirahina I Jaona tamin’ny fanahy sy fahefan’I Elia mba hanamboatra ny làlana ho an’ny Mpamonjy. Ireo izay nandà ny fijoroana vavolombelon’I Jaona dia tsy nahazo tombontsoa tamin’ireo fampianaran’I Jesosy. Ny fanoherany ny fanambarana ny fiaviany voalohany dia nametraka azy ireo tamin’ny toerana tsy hahazoany mandray mora foana ilay porofo mahery indrindra amin’ny maha Mesia Azy. Nentin’I Satana lavi-davitra kokoa hatrany ireo izay nandà ny hafatr’I Jaona, mba handà an’I Jesosy ka nanombo Azy. Tamin’ny fanaovana izany, dia nametraka ny tenany tamin’ny toerana izay tsy nahazoany fitahiana tamin’ny andron’ny Pentekosta izay hampianatra azy ireo ny lalana mankany amin’ny Fitoerana Masina any an-danitra.HM58 63.7

    Ny faharovitan’ilay lamba teo amin’ny tempoly, dia naneho fa tsy azo raisina intsony ireo fanatitra sy fombafombam-pivavahana Jiosy. Efa nototosaina sy nekena Ilay Sorona lehibe ary ny Fanahy Masina izay nilatsaka tamin’ny andron’ny Pentekosta dia nitarika ny sain’ireo mpianatra handao ny Fitoerana Masina tety an-tany ho amin’ilay any an-danitra izay nidiran’I Jesosy tamin’ny alalan’ny ran’ny tenany ihany, ka narotsaka teo amin’ny mpianatra ireo tombotsoan’ny fanavotany. Nefa tavela tao anaty haizim-pito sy fitaka tanteraka ny Jiosy. Namoy ny hazavana rehetra izay tokony ho azony tamin’ilay planin’ny famonjena izy ireo ka dia mbola nino hatrany an’ireo sorony sy fanatiny izay tsy misy ilàna azy intsony. Tsy afaka ny hahazo tombotsoa amin’ilay fanelanelanana izay atoaon’I Kristy ao amin’ny Fitoerana Masina izy ireo. Naka ny toeran’ilay teto an-tany ilay Fitoerana Masina any an-danitra, kanefa tsy manana fahalalana na dia kely akory izy ireny amin’ilay làlana mankany amin’ilay any an-danitra.HM58 64.1

    Ankehitriny, dia betsaka ireo izay mihevitra piaraka amin’ ny halozàna masina ny fitondran’ ireo Jiosy izay nandà sy nanombo an’ I Kristy tamin’ ny hazo fijaliana koa raha mamaky ny tantara mikasika ny fitenenandratsy mahamenatra izay mahazo Azy izy ireo dia mihevitra fa tia an’I Kristy izy ireo sady tsy nandà Azy tahaka an’I Petera na koa nanombo Azy tahaka ireo Jiosy. Kanefa Andriamanitra izay mahafantatra ny sarimpitiavana izay ananan’izy ireo tamin’Ilay Zanany, ka dia tsapaina sy sedraina izany fitiavana izay nolazainy fa ananan’izy ireo ny amin’ny Jesosy izany.HM58 64.2

    Nanara-maso tamim-pahalianana fatratra ny fandraisana ny hafatra ny lanitra manontolo. Kinanjo maro tamin’ireo mihambo ho tia an’I Jesosy ka mandrotsaka ny ranomasony raha namaky ny tantaran’ny nanombohana Azy tamin’ ny hazo fijaliana, koa raha ny marina dia tokony handray ny hafatra amim-pifaliana izy ireo. Tsy izany anefa no mitranga fa nihetsehin’ny fahatezerana sy manamavo ny filazan-Tsaran’ny fiavian’I Jesosy izy ireo ka nanambara izany ho famitahana. Tsy minamana tamin’ny ireo izay tia ny fisehoany izy ireo, fa nankahala ireo kosa, ka nandroaka azy ireo tsy ho ao amin’ny fiangonana. Ireo izay nandà ilay hafatra voalohany, dia tsy afaka hahazo tombontsoa amin’ilay faharoa sy tsy hahazo tombontsoa amin’ny alalan’ny antson’ny mamatonalina, izay natao mba hanomanana azy ireo hiditra miaraka amin’I Jesosy amin’ny alalan’ny finoana ao amin’ilay Fitoerana Masina Indrindra amin’ny Fitoerana Masina any an-danitra. Ary tamin’ny fandavana ireo hafatra roa voalohany dia nanamaizina ny fahalalany izy ireo tamin’ ny fanaovany toy izany, tsy afaka ny hahita hazavana na dia kely tao amin’ny hafatry ny anjely fahatelo izay nanoro ny lalàna mankany amin’ny Fitoerana Masina Indrindra.HM58 64.3

    Hitako fa tahaka ny Jiosy izay nanombo an’I Jesosy no nanomboan’ireo fiangonana anarany fotsiny ireo hafatra ireo, ary noho izany, dia tsy manana fahalalana na dia kely aza izy ireo ny amin’ilay fihetsehana natao tany an-danitra, na ny amin’ny lalàna mankany amin’ny Masina Indrindra, ary tsy afaka ny hahazo tombontsoa avy amin’ny famelombelomana izay ataon’I Jesosy any. Tahaka an’ ireo Jiosy, izay nanolotra ireo fanatitra tsy misy ilàna azy, no anolorany ny fivavahany tsy misy antony ao amin’ilay efttra izay efa nilaozan’I Jesosy, koa dia faly Satana, amin’ny famitahana ireo mihambo ho mpanara-dia an’I Kristy, ka mihazona azy ireo hatrany ao amin’ireo haratony, miseho amin’ny toetry ny mpivavaka, ary mitarika ny sain’ireo mihambo ho Kristianina ho any aminy, ka hiasa miaraka amin’ny heriny, famantarany ary ireo fahagagana mandainga rehetra mba hitarihana azy ireo ho amin’ ny haratony. Ny sasany fitahiny amin’ny fomba iray ary ny sasany amin’ny fomba iray hafa koa. Manana fitaka maro izy mba hahatratrarany ny saina isan-karazany. Ny sasany dia tsiravina tokoa amin’ny famitahana iray, kanefa dia mandray amim-pahatsorana kosa ny famitahana iray hafa izay mampidi-doza kokoa. Fitahan’I Satana amin’ny filalaovan’angatra ny sasany. Tonga ihany koa toy ny anjelin’ny mazava izy ka nampiely ny fisarihany manerana ny tany. Ka dia nahita ny fanavaozana diso aho hatraiza hatraiza. Ravo ny fiangonana, ka nihevitra fa miasa tamin’ny fomba mahagaga ho an’izy ireo Andriamanitra kanefa fanahy hafa izany miseho izany. Handalo haingana ny fandirana, ary ny fiangonana sy izao tontolo izao amin’ izay ho tafa-latsaka amin’ ny toetra faran’izay ratsy indrindra noho ny tamin’ ny taloha. Hitako fa nanana zanaka mahatoky tao anatin’ireo Advantista anarany fotsiny sy ireo fiangonana lavo samihafa Andriamanitra ary ireo mpitondra fivavahana sy ireo vahoaka dia hantsoina hivoaka ny fiangonana alohan’ny handatsahana ireo loza ary handray ny fahamarinana amim-pifaliana izy ireo. Fantatr’I Satana izany noho izany alohan’ny handrenesana ny antso avo izay ataon’ilay anjely fahatelo dia ary hampiteraka fikorontanana ao anatin’ ny fikambanan-pivavahana izy, mba hahafahany mampino an’ireo izay mitsipaka ny fahamarinana fa mbola ao amin’ izy ireo ihany Andriamanitra. Maniry ny hamitaka ireo olo-marina koa izy, ary hitarika azy ireo mba hieritreritra fa mbola miasa ho an’ireo fiangonana ireo hatrany Andriamanitra. Hamirapiratra anefa ilay hazavana, ka ny tsirairay amin’ireo olo-marina hiala amin’ireo fiangonana lavo, ka hikambana amin’ ireo fiangonan’ny sisa.HM58 64.4

    Jereo Matio toko faha 3 ; Asan’ny Apostoly toko faha 2 ; Korintianina 11: 14; 2 Tesaloniana 2:9-12 ; Apokalypsy toko 14: 6-12HM58 64.5

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents